ny baiboly sy ny tenin’andriamanitrafinoana an’i jesoa kristy avokoa ny fandraisana azy. ... «...

19
NY BAIBOLY SY NY TENIN’ANDRIAMANITRA Mpanofana: RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa, Mpitandrina FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ANDREFANA SAMPANA SEKOLY ALAHADY SEKOLY ALAHADY MANOMANA MPAMPIANATRA

Upload: others

Post on 25-Feb-2020

14 views

Category:

Documents


1 download

TRANSCRIPT

NY BAIBOLY SY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mpanofana: RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa, Mpitandrina

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ANDREFANA

SAMPANA SEKOLY ALAHADY SEKOLY ALAHADY MANOMANA MPAMPIANATRA

NY BAIBOLY SY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

NY BAIBOLY BOKY

• Nosoratan’olombelona • Hita ao amin’ny Baiboly avokoa ny

karazan-tantara sy lahatsoratra samihafa nosoratan’ny mpanoratra samy manana ny toe-tsainy, ny fombany, ny fahendreny…

• Tsy azo raisina mivantana ara-bakiteny avokoa ny voalazan’ny Baiboly

NY TENIN’ANDRIAMANITRA

• Raisintsika amin’ny alalan’ny Famakiana ny Baiboly eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny Tenin’Andriamanitra

Tena ilaina ny mamofy ny Baiboly (toy ny fonony) fa ny Tenin’Andriamanitra ao anatiny no tena sakafo fihinana.

Tsy azo atao ny mandray ny hafatra ao amin’ny Baiboly hoe tenin’Andriamanitra ka raisina ara-bakiteny fa ilàna fandalinana sy fikarohana mba ahitana ny hafatra tiana hambara

• 2 Sam.11, 2-27: Davida naka an’i Batseba vadin’i Oria dia novonoin’i Davida ny tompom-bady.

• Lio.2,2,12: Tsy ny lamban-jaza no zava-dehibe fa i Jesoa Kristy teraka. Tsy azo sarahina amin’i Jesoaanefa ny lamban-jaza.

NY ENDRIKA ISEHOAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ilay Teny voasoratra

Ilay Teny torina sy henoina

Ilay Teny tonga nofo

KARL BARTH

NY TENIN’ANDRIAMANITRA

NY FIJERY PROTESTANTA NY FIFANDRAISAN’NY

TENIN’ANDRIAMANITRA SY NY SAKRAMENTA

Jeren’ny maso sy azo tsapain-tanana eo amin’ny Sakramenta ny Tenin’Andriamanitra (Famantarana ny Tena sy ny ran’i Jesoa Kristy)

Tenin’Andriamanitra jeren’ny maso ny Sakramenta fa ny Toriteny kosa dia Tenin’Andriamanitra henoin’ny sofina.

Koa na samy Tenin’Andriamanitra ny Sakrameta sy toriteny dia tsy maintsy ialohavan’ny Toriteny ny Sakramenta.

Na ny Sakramenta na ny Toriteny dia samy manamafy ny finoana an’i Jesoa Kristy avokoa ny fandraisana azy.

Samy manambara an’i Jesoa Kristy na ny Toriteny « Christologique » na ny Sakramenta

Eo amin’ny Teny torina ◦ Toriteny miainga avy ao amin’ny Soratra Masina,

Manazava ny Soratra Masina. ◦ Manondro an’i Jesoa Kristy ◦ Eo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina

Eo amin’ny Soratra Masina ◦ Zava-miafina ny Tenin’Andriamanitra ka tsy vitan’ny

ezak’olombelona ny manakatra araka ny sainy sy ny fahalalana fotsiny ny tian’ny Tenin’Andriamanitra hambara fa tsy maintsy sainina eo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina izany.

◦ Ny Fanahy Masina no mitarika antsika hahalala ny marina (Jao.16,13…; 14,26; 15,26). Io Fanahy Masina io koa no afaka manambara na dia ny saina lalin’Andriamanitra aza (1 Kor.2,10-11)

Ny toetran’i Jesoa mampiharihary ny toetran’ny Tenin’Andriamanitra

◦ Tahaka an’i Jesoa Kristy izay sady olombelona feno sady Andriamanitra feno, dia toy izany koa ny Tenin’Andriamanitra izay sady nosoratan’olombelona nefa koa dia Tenin’Andriamanitra marina sy mandrakizay

◦ Boky moana ny Soratra Masina na ny Baiboly amin’ny tsy mpino sy izay mandà an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy.

◦ Koa raha mianatra sy mikirakira Soratra Masina ny tsy mpino araka ny fahalalana sy ny fahendren’olombelona dia tsy ho voarainy na ho maizina aminy ny Tenin’Andriamanitra

◦ Raha olona tsy mino no mianatra Baiboly dia ho toy ny mianatra sy mamaky Boky tsotra izy fa tsy hahatakatra ny tian’Andriamanitra hambara

◦ Tenin’Andriamanitra ny Soratra Masina ho an’izay mino

Zava-mahagaga ny Soratra Masina sy ny Tenin’Andriamanitra

◦ Zava-mahagaga vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona ny Tenin’Andriamanitra.

◦ Ny asan’ny Fanahy Masina dia asan’Andriamanitra ka miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra no ahalalantsika feno ny maha Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Koa raha tojo teny sarotra eo am-pamakiana Baiboly dia tsarovy fa ho avy ny fotoana dia hazava aminao ny tian’ny Tenin’Andriamanitra hambara.

NY TOKONY HATAO RAHA MANDRAY SY MIHAINO NY

TENIN’ANDRIAMANITRA

• Ataovy amim-panetre-tena sy amim-pahatsorana

eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny

Famakiana, fihainoana, fianarana ny

Tenin’Andriamanitra.

• Ny Fanahy Masina no manazava ny saintsika

hahatakatra ny Tenin’Andriamanitra ka hiarovan-

tena manoloana ny fampianaran-diso.

• Raisina amin’ny Finoana sy ny Fanantenana ny

Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina na

Baiboly.

Natao ho an’ny Fiangonana ny Tenin’Andriamanitra ary ao amin’ny Fiangonana izay mitory azy no isehoany ho Tenin’Andriamanitra.

Adidy sy iraka ataon’ny Fiangonana ny mitory sy manambara ny Tenin’Andriamanitra.

Ao amin’ny Fiangonana ary amin’ny alalan’ny Fiangonana no andrenesana ny Tenin’Andriamanitra.

NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY NY FIANGONANA

MOA VE ANDRIAMANITRA TSY AFAKA HITENY AMIN’NY

OLON-KAFA IVELAN’NY FIANGONANA SY AMIN’NY FOMBA

HAFA IVELAN’NY SORATRA MASINA?

• Andriamanitra tsy mba voafetra! Ary tsy

azontsika ferana sy fefena tsy hiteny

ivelan’ny Soratra Masina. Tsy vaofetran’ny

Boky Izy. Ny olona no voafetra. Tsy afaka

ny hanenjika sy hanakatra ny fivelarana sy

ny sain’Andriamanitra isika koa ho

fitsimbinany antsika no antony

naneken’Andriamanitra tsy hiteny afa tsy

ao amin’ny Baiboly ihany mba ho

azontsika sy ho takantsika izay lazainy. Ny

ao anaty Baiboly aza, indraindray tsy

azontsika tsara, ary izany no ilana ny

Fanahy Masina hitsilo sy hanazava azy.

Eken’ny Fiangonana ho

boky Kanonika ny Baiboly

ilay Soratra Masina mba

handraisany ny

fampianarana hakana ny

teny hotoriana mba

handraisantsika ny

Tenin’Andriamanitra

NY LANJA SY SANDAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA VOARAKITRA AO AMIN’NY BAIBOLY

• Na misy boky feno fahalalana sy fahendren’olombelona « SIANSA sy TEKNOLOJIA AVO LENTA » dia tsy azo alahatra amin’ny Baiboly izay Soratra Masina, izay « miavaka », satria ny Tenin’Andriamanitra no voarakitra ao anatiny.

• Eken’ny olona rehetra, na dia ny tsy kristiana, fa isan’ny Boky tsara sy nitety siekla maro ny Baiboly sady olona maro no nanoratra azy; saingy sotratra tsy mitovy amin’ny soratra rehetra voarakitra ao anaty boky no hita ao anatiny fa : « TENIN’ANDRIAMANITRA »

NY FANAMBARAN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY SORATRA MASINA

Ny votoatin’ny « Fanambaran’Andriamanitra ny tenany »

ao amin’ny Soratra Masina Boky maneho ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona ny Baiboly. Asehon’Andriamanitra amintsika ao amin’ny Baiboly, ny fombany iombonany amintsika, ny fomba itondrany sy itaizany antsika hanehoany ny fitiavany. Ao amin’ny Baiboly koa Andriamanitra no manambara ny Heriny sy ny Fahefany Nefa asehony ao koa fa afaka miserasera sy mifandray tsy tapaka amin’ny olony Andriamanitra

ZARY TOERANA AHALALANA NY FANAMBARAN’ANDRIAMANITRA

NY TENANY NY BAIBOLY

NY FOMBA FISEHOAN’ILAY ANDRIAMANITRA

MIAFINA

Manatona sy manakaiky ny olona izy nefa miafina: Arakaraka ny anantonany sy ny anakaikezany ny olona no toa maika iafenany ka tsy mety tena fantatry ny olona feno Izy sy ny momba azy. Indraindray aza arakaraky ny anantonany antsika no mahasarotra ny fahatankarantsika ny « sitrapony » sy ny « tiany hatao ». Oh. Miseho sy miasa Jesoa Kristy nefa matetika raràny ny mpianany tsy hilaza amin’olona ny nataony sy ny momba Azy (Mat.12,16; Mar.3,12; Mar.7,36; Lio.5,14)

Tsy takatry ny olona na oviana na oviana ny momba an’Andriamanitra sy ny fombany. Izay tiany ho fantantsika ihany no ambarany (Isa.45,15)

MISEHO AMIN’NY OLONA HATRANY ANDRIAMANITRA NA MIAFINA AZA

• Niseho tamin’i Mosesy ary nanome toky azy

Andriamanitra hfa tsy handao azy raha saiky niala

tsy hitarika ny Zanak’i Isiraely izy (Eks.32,32 sy

Eks.14,14-15).

• Na tsy hita mivantana aza Andriamanitra dia ny

Teniny kosa no manambara ny fisehoany.

• Ny Tenin’Andriamanitra no isehoany sy

anambarany ny tenany amintsika sy ifandraisany

amintsika:

Andriamanitra ihany no mpilaza sy mpanambara

Izy ihany no ambarany

Jesoa Kristy tonga nofo no endrika hita maso

anambaran’Andriamanitra ny tenany amintsika

NY FANAMBARANA TELO FISEHO

(RÉVÉLATION TRINITAIRE)

Miseho Andriamanitra

KRISMASY

Nefa MIAFINA

PASKA

Sady MIFANDRAY

PENTEKOSTA

Niditra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao Andriamanitra, tamin’ny

alalan’i Jesoa Kristy, mba ahazoany mifandray amin’ny olona sy izao

tontolo izao

NY FANAMBARANA TELO FISEHO • Niseho tao amin’i Jesoa Kristy Izy, izay nateraka toy ny olona,

novangian’ny olona, ary nambaran’ny Soratra Masina fa Izy no « Imanoela » = Andriamanitra miaraka amintsika. Io Fisehoany io no KRISMASY eo amin’ny taom-piangonana « EPIFANIA »

• Miafina ny maha Andriamanitra Azy ka tsy takatry ny olona sy tsy fantany ka dia nihatra taminy ny fanenjehana sy ny fampijaliana ary ny famonoana. Milaza ny fiafenan’ny Tompo amin’ny maha Andriamanitra Azy ny nahafatesany sy ny nanjo azy hatramin’ny PASKA

• Izany Andriamanitra niafina izany dia nankarina any Andanitra taorian’ny Paska. Toa nanalavitra ny olona Izy nefa raha ny marina dia naniraka ny Fanahiny Izy mba hifandray tsy tapaka amintsika nanomboka tamin’ny PENTEKOSTA. Ary dia momba antsika sy tsy misaraka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra (Mat.28,20) Izany filazana « FANAMBARANA TELO FISEHO » izany dia tsy fantatra afa

tsy ao amin’ny SORATRA MASINA ary voarakitra ao amin’ny BAIBOLY

Ao amin’ny Soratra Masina irery ihany, ary ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo no

andraisantsika ny Fanambaran’Andriamanitra ny tenany, izay hany fototry ny finoantsika mba hahalalantsika Azy sy hahazoantsika manatona

Azy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.