ny valosoa vaovao | ny valosoa vaovao - ny valosoa sy … · 2020. 9. 24. · ny antoko tiako i...

1
N anafika tao amin’ny tanàna kely iray ny dahalo. Norobainy avokoa ny omby rehetra tao an-ta- nàna, norobainy ny vola aman-karena noha- rian’ny mponina, nisetrasetrain’ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy, nisy fandorana trano fonenana, dia lasa izy ireo. Am-bolana maromaro taty aoriana, nilaza ho niova fo ireo jiolahy nipoitra avy any amin’ny nisy azy. Nitondra hena sy zavatra maro samihafa tena nilain’ireo mponina izy ireo. Nampifaliany ta- min’ny rendrarendra sy korana isan-karazany ny tao an-tanàna satria nanankarena izy ireo tamin’ny fan- drobana nataony. Dia hisy ve olona ao amin’io tanàna io hilaza fa tsy mbola nisy nahavita toy izao? Mby amin’ny fitenenana ary ny zava-mitranga hoe: ny azy ihany no hanajàny azy. Ohatra sy kisarisary tonga ao an-tsaina ihany izany fa tsy zava-nisy akory… Mahavariana ny mandre olona miteny rehefa nahazo fanampiana avy amin’ny fitondrana, ka milaza fa tsy mbola nisy fitondrana nahavita toy ity fitondrana an- kehitriny ity. Ny fitondrana rahateo etsy ankilany mi- rehaka ho babany fa tsy mitovy ny teo alohany rehetra. Atao mipoapoaka amin’ny haino aman-jery indrindra ny an’ny fanjakana ny fisaorana ny filo- han’ny Repoblika, noho ny nahazoana izao sy izatsy. Ohatra amin’izany ny làlana novahana fa efa soka- fana miandalana ny fepetra amin’ny fihibohana. Toy ny tsy nisy ny fahasahiranana lalina niainana sy mbola iainana mandraka ankehitriny vokatry ny faha- potehan’ny fihariam-bahoaka sy ny fikatsoan’ny five- lomana. Toa nodian-tsy hita sy tsy tsaroana ny fihafiana mafy efa mila tsy ho zaka intsony nikaroka ny hanina isan’andro mba hihazonan’aina fotsiny sisa. Tsy tokony hohadinoina velively anefa, ary hipetraka ho tantaran’ny firenena, fa noho ny tsy nanakatonana aloha tamin’ny fotoanany ny sisin-tany sy ny vavaha- din-tseranana rehetra teto amin’ny firenena mba tsy hidiran’ny valanaretina covid-19, no anton’izao faha- sahiranana lalina nanjo ny sarambabem-bahoaka sy ny firenena izao. Nisy aza ireo mpiray tanindrazana lavo, namoy ny ainy, mihitsy efa ho roanjato mahery izao. Dia hoe isaorana ve ny fitondrana raha manome fanampiana izay sendra tandrify izany? Misy anefa ireo tsy mbola nisitraka izany mihitsy, koa ao ana- tin’izany kanefa marefo tena mila fanampiana. Tsy to- kony handoa onitra amin’ny vahoaka aza ve ny fitondrana satria noho ny nataony, ny fepetra norai- siny sy ny fomba fiasany ihany no nahatonga ny fa- havoazana? Saika tojo olana avokoa ny sehatra rehetra misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy. Tsy afa-bela amin’ny va- lanaretina covid-19 ny firenena na dia lazaina ho efa nandalo ny “pic” aza, ary efa miditra amin’ny faha-14 amin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena. Mampieritreritra ihany ny fampidirana ao an-tsain’ny maro, fa tsy maintsy miara-miaina amin’ny valanare- tina isika. Midika izany fa tsy ho resy ity valanaretina ity. Teny filamatra atao hatrany am-piandohana sy mandraka ankehitriny anefa ny hoe “Madagasikara mandresy ny coronavirus”. Raha ny zava-misy dia resy tosika ny valanaretina, fa tsy resy tanteraka. An- kehitriny dia manomboka miroso amin’ny fiarenana sy fanarenana isika. Mbola misy ankamingana indray koa anefa atao amin’ny sasany. Ny tokony ho izy anefa, dia Malagasy miara-miarina aorian’ny nahavi- tana niara-nanohitra sy nanosika ny valanaretina. Tsy ho vitan’ny fitondrana samirery ny niady tamin’ny va- lanaretina, ny mizara fanampiana ara-tsosialy ho an’ny Malagasy, ny fanarenana ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Raha mbola mihambo hahavita irery toy ny hatramin’izay kanefa tsy tafavoaka akory ny fiton- drana, araka ny fahitana ny zava-nisy, dia handeha ila toy ny “kiraron’i Beminahy” ihany, ny zavatra hi- tranga eto. Mahadika zavatra maro izany… Sôh’son 3 Lah 1071 Alakamisy 24 septambra 2020 Politika Mbola ho sarotra ny fiaraha-miarina Ny Valosoa sy hadihady www.gvalosoa.com Collectif des Parlementaires Tsy namaly ny antso nataon’ ny Ceni Na ao anatin’ny hame- hana ara-pahasalamana aza ny eto Madagasikara amin’izao fotoana, mana- raka akaiky ny rahara- ham-pirenena hatrany ny antoko Tiako i Madagasi- kara (TIM). Ao anatin’ny fanetsehana sy ny fano- mezan-kery indray ny an- toko, na redynamisation, ny mpitarika tarihan’ny fi- loha nasionaly Marc Ra- valomanana amin’izao fotoana. Mialohan’ny hidi- nana hitety faritra, hana- mafy ny fototra manerana an’i Madagasikara, satria efa misokatra avokoa an- kehitriny ireo lalam-pire- nena manerana ny Nosy, hiketrika momba ny raha- raham-pirenena izy ireo etsy amin’ny foiben-toe- rany etsy Bel’Air Ampan- drana. Arak’izany, ny sek- retera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasi- noro dia manambara fa hivory ny Birao Politikan’ ny Antoko Tiako i Mada- gasikara sy ireo olomboa- fidy rehetra : Loholona, solombavambahoaka, Ben'ny Tanàna, Mpanolo- tsaina, hivory izy ireo ao amin' ny QG Bel’ Air anio alakamisy 24 Se-ptambra hanomboka amin' ny 9 ora sy sasany. Zava-dehibe no ho dinihana hoy Rina, ka manainga antsi-ka rehe- tra ho tonga amin' izany. Mahakasika izay rahara- ham-pirenena izay, ma- nara-maso ny aty an-tanin- drazana koa ny TIM any ivelany. Noho ny fahatsa- pana ny olana mianjady amin’ny vahoaka Mala- gasy, sy ny fahitana ireo fandikan-dalàna maro ataon’ny mpitondra anke- hitriny dia miantso ny mpomba ny Filoha Marc RAVALOMANANA sy ireo mpanohana ary mpika- troka TIM rehetra any Frantsa sy manodidinana izy ireo, ho tonga amin’ny fihaonambe izay hatao ra- hampitso ZOMA 25 Sep- tambra 2020 amin’ny 8 ora alina ao amin’ny 24 rue Pierre Nicole Paris 5ème. Zava-dehibe ihany koa no hodinihina hoy ny fanam- barana, ka manantena ny fahatongavana maro. Isambilo RahaRaham-piRenena hiketrika ny antoko Tim Vatsy tohana no entina hidedahana isam-paritra, Miampy tosika fameno , izay inoana fa tsy haharitra ? Maro no misento anaty ny olo-manam-pahendrena. Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena ! Ny “aorian`ny krizy”, mbola ho mafy noho izao. Tsy azo afenina intsony , matroka ny tabilao. Tena maizina daholo ny tontolo izay jerena. Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena ! Ireo izay miezaka hanitsy sy mikasa ny hanoro, Dia montsanina daholo ho potika sy torotoro. Izany ve no hanehoana fa anareo ny fandresena ? Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena ! Tena tsisy fivoarana antenaina velively, Fa ny ambony tsy fitaratra sady tena tsy modely. Ireo zokiolona aza , indrisy, be no toa manongo tena. Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena ! Rendrarendra no ifotorana , zavajava-tsisy vidiny . Ny vahoaka anefa , indrisy, mihamahantra faraidiny ! `Ndeha jereo ny tabilao fa tsisy tsy manopy mena. Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena ! Toa mitohy tsy misy farany ilay atao hoe fahamehana, Hamotehana ny hafa , dia ireo hafa firehana. Dia mitohy torak`izany ny hadisoana sy hagegena. Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena ! … Folo taona lasa izay , filoha iray no efa nitrena: “Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !” Ka dia asa ankehitriny , folo taona aty aoriana, Miova ve sa mbola izany ilay mivoy ny familiana ? DADAN`i ZINA (23-09-20) TOY NY ZAZA FOLO TAONA TOY NY ZAZA FOLO TAONA TONONKALO Ny filoha nasionaly, ny sekretera jeneraly ary ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny antoko TIM. Namory ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena misehatra eo amin’ny resaka fifidianana omaly, ny CENI: na ny Vaomieram-Pirenena misahana ny Fifidia- nana teny amin’ny foiben-toerany eny Ivandry. Ny an- toko politika sasany, indrindra ireo milaza ho mpano- hitra sy ny « Collectif des Parlementaires » dia tsy na- natrika izany fivoriana niantsoan’ny CENI teny Alaro- bia- Ivandry izany. Nanao fanambarana ireo Antoko politika sy ny « Collectif des Parlementaires » nivory teny amin’ny Panorama ny alakamisy 17 septambra 2020 lasa teo, fa « tsy hanatrika ny fivoriana izay iant- soan’ny CENI ny alarobia 23 septambra 2020 ». Ny an- tony ambarany dia noho ny tsy faneken’izy ireo intsony ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fi- fidianana na ny (CENI) amin’izao endriny izao, tokony ho ravana amin’izay ity rafitra mpanomana fifidianana ity hoy ny fanambarana, satria be loatra ny heloka vi- tany sy ny hadisoana nataony nandritra izay fifidianana nifanesy teto amintsika izay. Isambilo Taratasin’ny mpamaky Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valo- soa Vaovao mahakasika ny fitantanana tsy mahomby amin’ny tanànan’Antananairvo. Tsy misy fandrai- san’andraikitra mihitsy ataon’ny ben’ny tanànan’An- tananarivo momba ireo fako mivangongo eran’ny Renivohitr’i Madagasikara, tena tsy mendrika ny ho renivohitra intsony Antananarivo amin’izao anao- van’ny ben’ny tanàna Vazahabe azy izao. Any amin' ny tsy mivonto no manaintaina ny an'i Naina Andrian- tsitohaina. Ny fako efa mihoatran'ny 73 taonina, izay eo ambany masony dia tsy hitany akory, nefa dia andraikitry ny CUA (Commune Urbaine d'Antananarivo) no mana- dio sy manala an'ireny fako ireo. Vita anefa izany teo aloha nandritra ny fitondran’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, na tsy nisy aza tamin’izany ny fa- nampiana nataon’ny fitondrana foibe. Tena mivan- gongo tokoa ny fakon’ny renivohitr'i Madagasikara, aiza ny fampiasana ireo camion vaovao nampide- raina tamin’ny promagande, sa lasa any amin’ny fa- ritra hafa aloha, nanaovana fampisehoana any koa? Toa mbola miandry alika mivovo hakana vola hividia- nana gasoil handraofana fako kosa ry zareo raha izao zava-misy izao! ou ou ou ou, mandoa vola ve za @zany feo zany? Hihihiiiiii! Elie Maholitianarivo Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao

Upload: others

Post on 09-Mar-2021

5 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: NY VALOSOA VAOVAO | NY VALOSOA VAOVAO - Ny Valosoa sy … · 2020. 9. 24. · ny Antoko Tiako i Mada - gasikara sy ireo olomboa - fidy rehetra : Loholona, solombavambahoaka, Ben'ny

Nanafika tao amin’ny tanàna kely iray ny dahalo.Norobainy avokoa ny omby rehetra tao an-ta-nàna, norobainy ny vola aman-karena noha-

rian’ny mponina, nisetrasetrain’ny lehilahy mbamin’nyzaza amam-behivavy, nisy fandorana trano fonenana,dia lasa izy ireo. Am-bolana maromaro taty aoriana,nilaza ho niova fo ireo jiolahy nipoitra avy any amin’nynisy azy. Nitondra hena sy zavatra maro samihafatena nilain’ireo mponina izy ireo. Nampifaliany ta-min’ny rendrarendra sy korana isan-karazany ny taoan-tanàna satria nanankarena izy ireo tamin’ny fan-drobana nataony. Dia hisy ve olona ao amin’io tanànaio hilaza fa tsy mbola nisy nahavita toy izao? Mbyamin’ny fitenenana ary ny zava-mitranga hoe: ny azyihany no hanajàny azy. Ohatra sy kisarisary tonga aoan-tsaina ihany izany fa tsy zava-nisy akory…Mahavariana ny mandre olona miteny rehefa nahazofanampiana avy amin’ny fitondrana, ka milaza fa tsymbola nisy fitondrana nahavita toy ity fitondrana an-kehitriny ity. Ny fitondrana rahateo etsy ankilany mi-rehaka ho babany fa tsy mitovy ny teo alohanyrehetra. Atao mipoapoaka amin’ny haino aman-jeryindrindra ny an’ny fanjakana ny fisaorana ny filo-han’ny Repoblika, noho ny nahazoana izao sy izatsy.Ohatra amin’izany ny làlana novahana fa efa soka-fana miandalana ny fepetra amin’ny fihibohana. Toyny tsy nisy ny fahasahiranana lalina niainana symbola iainana mandraka ankehitriny vokatry ny faha-potehan’ny fihariam-bahoaka sy ny fikatsoan’ny five-lomana. Toa nodian-tsy hita sy tsy tsaroana nyfihafiana mafy efa mila tsy ho zaka intsony nikarokany hanina isan’andro mba hihazonan’aina fotsiny sisa.Tsy tokony hohadinoina velively anefa, ary hipetrakaho tantaran’ny firenena, fa noho ny tsy nanakatonanaaloha tamin’ny fotoanany ny sisin-tany sy ny vavaha-din-tseranana rehetra teto amin’ny firenena mba tsyhidiran’ny valanaretina covid-19, no anton’izao faha-sahiranana lalina nanjo ny sarambabem-bahoaka sy

ny firenena izao. Nisy aza ireo mpiray tanindrazanalavo, namoy ny ainy, mihitsy efa ho roanjato maheryizao. Dia hoe isaorana ve ny fitondrana raha manomefanampiana izay sendra tandrify izany? Misy anefaireo tsy mbola nisitraka izany mihitsy, koa ao ana-tin’izany kanefa marefo tena mila fanampiana. Tsy to-kony handoa onitra amin’ny vahoaka aza ve nyfitondrana satria noho ny nataony, ny fepetra norai-siny sy ny fomba fiasany ihany no nahatonga ny fa-havoazana?Saika tojo olana avokoa ny sehatra rehetra misy etoamin’ny firenena amin’izao fotoana izao, ara-politika,ara-toekarena, ara-tsosialy. Tsy afa-bela amin’ny va-lanaretina covid-19 ny firenena na dia lazaina ho efanandalo ny “pic” aza, ary efa miditra amin’ny faha-14amin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena.Mampieritreritra ihany ny fampidirana ao an-tsain’nymaro, fa tsy maintsy miara-miaina amin’ny valanare-tina isika. Midika izany fa tsy ho resy ity valanaretinaity. Teny filamatra atao hatrany am-piandohana symandraka ankehitriny anefa ny hoe “Madagasikaramandresy ny coronavirus”. Raha ny zava-misy diaresy tosika ny valanaretina, fa tsy resy tanteraka. An-kehitriny dia manomboka miroso amin’ny fiarenana syfanarenana isika. Mbola misy ankamingana indraykoa anefa atao amin’ny sasany. Ny tokony ho izyanefa, dia Malagasy miara-miarina aorian’ny nahavi-tana niara-nanohitra sy nanosika ny valanaretina. Tsyho vitan’ny fitondrana samirery ny niady tamin’ny va-lanaretina, ny mizara fanampiana ara-tsosialy hoan’ny Malagasy, ny fanarenana ny lafiny sosialy sy nytoekarena. Raha mbola mihambo hahavita irery toyny hatramin’izay kanefa tsy tafavoaka akory ny fiton-drana, araka ny fahitana ny zava-nisy, dia handehaila toy ny “kiraron’i Beminahy” ihany, ny zavatra hi-tranga eto. Mahadika zavatra maro izany…

Sôh’son

3Lah 1071 Alakamisy 24 septambra 2020Politika

Mbola ho sarotra ny fiaraha-miarina

Ny Valosoa sy hadihady

www.gvalosoa.com

Collectif des Parlementaires

Tsy namaly ny antso nataon’ny Ceni

Na ao anatin’ny hame-hana ara-pahasalamanaaza ny eto Madagasikaraamin’izao fotoana, mana-raka akaiky ny rahara-ham-pirenena hatrany nyantoko Tiako i Madagasi-kara (TIM). Ao anatin’nyfanetsehana sy ny fano-mezan-kery indray ny an-toko, na redynamisation,ny mpitarika tarihan’ny fi-loha nasionaly Marc Ra-valomanana amin’izaofotoana. Mialohan’ny hidi-nana hitety faritra, hana-mafy ny fototra maneranaan’i Madagasikara, satriaefa misokatra avokoa an-kehitriny ireo lalam-pire-nena manerana ny Nosy,hiketrika momba ny raha-raham-pirenena izy ireoetsy amin’ny foiben-toe-rany etsy Bel’Air Ampan-drana. Arak’izany, ny sek-retera jeneralin’ny antokoTIM Rina Randriamasi-

noro dia manambara fahivory ny Birao Politikan’ny Antoko Tiako i Mada-gasikara sy ireo olomboa-fidy rehetra : Loholona,solombavambahoaka,Ben'ny Tanàna, Mpanolo-

tsaina, hivory izy ireo aoamin' ny QG Bel’ Air anioalakamisy 24 Se-ptambrahanomboka amin' ny 9 orasy sasany. Zava-dehibe noho dinihana hoy Rina, kamanainga antsi-ka rehe-

tra ho tonga amin' izany.Mahakasika izay rahara-ham-pirenena izay, ma-nara-maso ny aty an-tanin-drazana koa ny TIM anyivelany. Noho ny fahatsa-pana ny olana mianjadyamin’ny vahoaka Mala-gasy, sy ny fahitana ireofandikan-dalàna maroataon’ny mpitondra anke-hitriny dia miantso nympomba ny Filoha MarcRAVALOMANANA sy ireompanohana ary mpika-troka TIM rehetra anyFrantsa sy manodidinanaizy ireo, ho tonga amin’nyfihaonambe izay hatao ra-hampitso ZOMA 25 Sep-tambra 2020 amin’ny 8ora alina ao amin’ny 24 ruePierre Nicole Paris 5ème.Zava-dehibe ihany koa nohodinihina hoy ny fanam-barana, ka manantena nyfahatongavana maro.

Isambilo

RahaRaham-piRenena

hiketrika ny antoko Tim

Vatsy tohana no entina hidedahana isam-paritra,

Miampy tosika fameno , izay inoana fa tsy haharitra ?

Maro no misento anaty ny olo-manam-pahendrena.

Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !

Ny “aorian`ny krizy”, mbola ho mafy noho izao.

Tsy azo afenina intsony , matroka ny tabilao.

Tena maizina daholo ny tontolo izay jerena.

Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !

Ireo izay miezaka hanitsy sy mikasa ny hanoro,

Dia montsanina daholo ho potika sy torotoro.

Izany ve no hanehoana fa anareo ny fandresena ?

Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !

Tena tsisy fivoarana antenaina velively,

Fa ny ambony tsy fitaratra sady tena tsy modely.

Ireo zokiolona aza , indrisy, be no toa manongo tena.

Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !

Rendrarendra no ifotorana , zavajava-tsisy vidiny .

Ny vahoaka anefa , indrisy, mihamahantra faraidiny !

`Ndeha jereo ny tabilao fa tsisy tsy manopy mena.

Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !

Toa mitohy tsy misy farany ilay atao hoe fahamehana,

Hamotehana ny hafa , dia ireo hafa firehana.

Dia mitohy torak`izany ny hadisoana sy hagegena.

Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !

… Folo taona lasa izay , filoha iray no efa nitrena:

“Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !”

Ka dia asa ankehitriny , folo taona aty aoriana,

Miova ve sa mbola izany ilay mivoy ny familiana ?

DADAN`i ZINA (23-09-20)

TOY NY ZAZA FOLO TAONATOY NY ZAZA FOLO TAONA

TONONKALO

Ny filoha nasionaly, ny sekretera jeneraly ary ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny antoko TIM.

Namory ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenenamisehatra eo amin’ny resaka fifidianana omaly, nyCENI: na ny Vaomieram-Pirenena misahana ny Fifidia-nana teny amin’ny foiben-toerany eny Ivandry. Ny an-toko politika sasany, indrindra ireo milaza ho mpano-hitra sy ny « Collectif des Parlementaires » dia tsy na-natrika izany fivoriana niantsoan’ny CENI teny Alaro-bia- Ivandry izany. Nanao fanambarana ireo Antokopolitika sy ny « Collectif des Parlementaires » nivoryteny amin’ny Panorama ny alakamisy 17 septambra2020 lasa teo, fa « tsy hanatrika ny fivoriana izay iant-soan’ny CENI ny alarobia 23 septambra 2020 ». Ny an-tony ambarany dia noho ny tsy faneken’izy ireo intsonyny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fi-fidianana na ny (CENI) amin’izao endriny izao, tokonyho ravana amin’izay ity rafitra mpanomana fifidiananaity hoy ny fanambarana, satria be loatra ny heloka vi-tany sy ny hadisoana nataony nandritra izay fifidianananifanesy teto amintsika izay.

Isambilo

Taratasin’ny mpamakyFanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valo-soa Vaovao mahakasika ny fitantanana tsy mahombyamin’ny tanànan’Antananairvo. Tsy misy fandrai-san’andraikitra mihitsy ataon’ny ben’ny tanànan’An-tananarivo momba ireo fako mivangongo eran’nyRenivohitr’i Madagasikara, tena tsy mendrika ny horenivohitra intsony Antananarivo amin’izao anao-van’ny ben’ny tanàna Vazahabe azy izao. Any amin'ny tsy mivonto no manaintaina ny an'i Naina Andrian-tsitohaina. Ny fako efa mihoatran'ny 73 taonina, izay eo ambanymasony dia tsy hitany akory, nefa dia andraikitry nyCUA (Commune Urbaine d'Antananarivo) no mana-dio sy manala an'ireny fako ireo. Vita anefa izany teo

aloha nandritra ny fitondran’ny ben’ny tanàna LalaoRavalomanana, na tsy nisy aza tamin’izany ny fa-nampiana nataon’ny fitondrana foibe. Tena mivan-gongo tokoa ny fakon’ny renivohitr'i Madagasikara,aiza ny fampiasana ireo camion vaovao nampide-raina tamin’ny promagande, sa lasa any amin’ny fa-ritra hafa aloha, nanaovana fampisehoana any koa?Toa mbola miandry alika mivovo hakana vola hividia-nana gasoil handraofana fako kosa ry zareo raha izaozava-misy izao! ou ou ou ou, mandoa vola ve za@zany feo zany? Hihihiiiiii!

Elie MaholitianarivoMpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao