moa ve hianareo tena ateraky ny rano sy ny fanahy indray?

398
T N L M he ew ife ission Sasin-teny Votoantin-kevitra Fomba fampiasana Fomba fampiasana M OA VE H IANAREO TENA ATERAKY NY R ANO SY NY F ANAHY I NDRAY ?

Upload: c-knox-jarmon

Post on 10-Oct-2014

268 views

Category:

Documents


4 download

TRANSCRIPT

Page 1: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

T N L Mhe ew ife ission

Sasin-teny

Votoantin-kevitra

Fomba fampiasanaFomba fampiasana

MOA VE HIANAREO

TENA ATERAKY

NY RANO SY NY

FANAHY INDRAY?

Page 2: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY

RANO SY NY FANAHY INDRAY?

PAUL C. JONG

Hephzibah Publishing House Antokon’ny The New Life Mission

Seoul, Korea

Moa ve hianareo tena ateraky ny rano sy ny Fanahy indray?

Copyright © 2001 The New Life Mission

All Right Reserved

No part of this book may be reproduced Or transmitted in any form or by any means

Electronic or Mechanical Without written permission from the author

ISBN 89-8314-147-6

Page 3: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

FISAORANA

Hanome vavaka fisaorana ho an’i Tompo isika amin’ny fanomezany antsika ny tenin’ny famonjena sy ny fitahiany antsika miaraka amin’ny filazantsaran’ny ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy.

Fisaorana koa ho an’ny mpanompon’- Andriamanitra rehetra, anisan’izany Rev. Samuel Jungsoo Kim sy Rev. John Kyunghwan Shin izay nanolotra ny fanampiany saro-bidy amin’ny fanaovana an’ity boky ity, fisaorana ho an’ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny Hephzibah Publishing House. Niasa mafy ho an’ity boky ity izy ireo. Fisaorana indray ho azy.

Manantena aho sy mivavaka fa ity boky ity dia hanampy fanahy betsaka ho ateraka indray, ary te

hanome ny tena fisaorako indray aho ho an’izay rehetra niasa ho an’ity boky ity.

Manantena marina aho fa ny Tompontsika hanome alalana antsika hampiely eran-tany ny filazantsaran’ny ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy amin’ny alalan’izay mino an’i Jesosy.

Miaraka amin’ny finoana mandrakizay, Misaotra an’i Tompo aho.

PAUL C. JONG

Page 4: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

4 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

SASIN-TENY TSY MAINTSY ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY ISIKA

Andriamanitra, rehefa nahary ny lanitra sy ny

tany tamin’ny voalohany, dia nahary koa ny fiainana mandrakizay, ny paradisa ary ny afobe. Ary nahary ny olona tahaka ny endriny Izy. Kanefa, noho ny fahotan’i Adama, olona voalohany, dia tsy maintsy ho faty ny olombelona. “Dia tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27).

Ny fahafatesan’ny nofontsika no làlana ho an’ny fiainana mandrakizay. Izay tsy manan-

keloka dia afaka hiditra amin’ny fiainana mandrakizain’ny lanitra ary ho azy ny firavoravoana ho zanak’Andriamanitra, ny mpanota kosa dia ho hatsipy anaty “farihy afo sy solifara” (Apokalypsy 20:10) ary hijaly andro aman-alina mandrakizay.

Ny olona rehetra izany dia tokony ateraka indray. Tokony ateraka indray amin’ny finoana isika, ho voahavotra ary ho tonga olo-marina. Fomba iray no ahazoana hiditra ao anatin’ny fanjakan’ny lanitra. Ny Baiboly milaza hoe :

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5). “Ny ateraky ny rano sy ny Fanahy indray” no fomba tokana hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mandrakizay.

Inona moa ity “rano” sy “Fanahy” izay mamela antsika ateraka indray ity? Ao amin’ny

Page 5: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

5 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Baiboly ny “rano” dia milaza ny “batisan’i Jesosy.”

Nahoana no Jesosy, izay Andriamanitra, no nataon’i Jaona batisa? Ampisehoana ny maha-olombelona Azy ve izany? Fanambarana ny maha Mesia Azy ve? Tsia, tsy izany rehetra izany.

Tamin’ny nataon’i Jaona Batista batisa i Jesosy rehefa “napetrany ny tànany roa teo amin’ny lohany” (Levitikosy 16:21) dia “fanamelohana” izany (Romana 5:18) izay nanala ny fahotan’ny olombelona.

Ao anaty Testamenta Taloha, Andriamanitra nanome an’i Isiraely Lalàna be indrafo sy fanavotana, amin’izay rehefa tonga ny andro fanavotana ny ratsy, ny helok’Isiraely rehetra tamin’io taona io dia voanonitra amin’ny alalan’i Arona izay nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny “osilahy” ary tamin’izany nametraka ny

heloka rehetra teo amin’io osy io. Izany no fanambarana ny sorona ho an’ny

fanavotana mandrakizay izay ho avy. Izany manambara ny marina fa ny heloky ny olombelona dia ho lasan’i Jesosy avokoa, izay tonga nofo noho ny sitrapon’ny Ray. Izy izay nataon’i Jaona Batista batisa. Jaona izay zanak’i Arona ary solontenan’ny olombelona.

Rehefa vita batisa Jesosy dia hoy Izy: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15).

Eto “fa izao” midika fa amin’ny fametrahan-tànana, ny heloka rehetra lasa amin’i Jesosy avokoa ary ny olona rehetra mahazo ny fahamarinana. Ny teny hoe “fahamarinana” dia “dikaiosune” amin’ny Grika ary midika hoe “marina amin’ny toetra sy fomba” izay tsy misaraka amin’ny hoe olo-marina na sahaza.

Page 6: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

6 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Nanome fahamarinana an’ny olona rehetra Jesosy tamin’ny Batisany izay marina sy sahaza. Satria Jesosy naka ny heloky ny olona tamin’ny Batisany, izany no nahatonga an’i Jaona nanambara ny ampitso hoe “ Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).

Nanatona ny Hazo fijaliana Jesosy, nibata ny fahotan’izao tontolo izao teo amin’ny Lamosiny. Ary nahazo ny fitsarana ho an’ny fahotan’ny rehetra Izy, izay noraisiny ho Azy tamin’ny Batisany. Maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy niteny hoe “Vita” (Jaona 19:30). Nohentiny teo Aminy daholo ny otantsika ary nahazo ny fitsarana farany Izy hanatanterahana an’izany.

NY BATISAN’I JESOSY NO TANDINDON’NY FAMONJENA

Raha tsy manana “ny finoana amin’ny

batisan’i Jesosy” dia tsy afaka ho voavonjy isika. Izay no mahatonga an’i Apostoly Petera hilaza fa ny ranon’ny Batisany dia “izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io” (Petera 3:21).

Ankehitriny, ny ankabiazan’izay mino an’i Jesosy, dia mino fotsiny ny Fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana fa tsy mino ny Batisany, “ny rano.” Nefa mety hamonjy antsika ve izany? Mety ho voahavotra ve isika raha mino fotsiny ny ran’i Jesosy? Hitondra famonjena ho antsika ve izany?

Tsia. Tsy ho afaka voahavotra eo anatrehan’Andriamanitra isika raha mino fotsiny ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny Hazo

Page 7: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

7 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fijaliana. Tamin’ny nanome sorona ny fanavotana ny

ratsy natao ny vahoakan’Isiraely, tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, dia tsy tsara ny nanome ny fanomezana raha tsy nisy aloha fametrahan-tànana teo amin’ny lohan’ny sorona. Amin’ny teny hafa dia hoe, raha nanome ny sorona zareo kanefa tsy nanome ny otany teo amin’ny lohan’ilay sorona, dia tsy nety izany. Izany hoe, tsinontsinona sy tsy mety ny mino ny Hazo fijalian’i Jesosy raha tsy mino ny Batisany.

Izany no mahatonga an’i Apositoly Petera hiteny hoe “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamy ny maty” (1 Petera 3:21).

Toy an’ireo olona voafongotra tamin’ny andron’i Noa satria tsy nino ny rano (safo-drano), izay tsy mino ny rano sy ny batisan’ny

Jesosy dia tsy maintsy ho faty. Ny finoana tanteraka hitondra antsika amin’ny

tena famonjena dia ny finoana an’ “Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy” (1 Jaona 5:6). Tsy maintsy mino ny Batisany sy Hazo fijalian’i Jesosy Kristy isika.

Ny apositoly Jaona nilaza fa ny finoana tsara dia ny mino an’ny “Fanahy sy ny rano ary ny ra” (1 Jaona 5:8).

Izany hoe ny finoana tsara dia ny mino fa “Jesosy dia Andriamanitra ary tonga nofo Izy amin’ny alalan’i Maria virjiny ary nitondra ny helok’izao tontolo izao Izy tamin’ny alalan’ny batisa nataon’i Jaona Batista tao amin’ny ony Jordana, Jaona izay solon-tenan’ny olombelona rehetra.” Ary Jesosy dia nitondra ny heloky ny olona rehetra tamin’ny Hazo fijaliana ary nahazo ny fitsarana farany Izy ho azy ireo. Noho izany tsy ho tanteraka ny filazantsara raha tsy misy ny

Page 8: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

8 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

batisan’i Jesosy, “ny rano” ary raha mino an’i Jesosy aza isika, tsy azo ny famonjena mandrakizay raha tsy misy io batisa io.

NY FOTOTRA ARA-TANTARA NAHATONGA NY FILAZANTSARAN’NY FIANGONANA HO VOAROAKA

Ankehitriny, maninona “ny filazantsaran’ny

batisan’i Jesosy” lasa vitsy, kanefa ny filazantsara diso, tsy tena izy, miromborombo eran’izao tontolo izao?

Tao aorian’ny fitsanganan’i Jesosy amy ny maty sy ny fiakarany tany an-danitra, nitory ny “filazantsaran’ny rano sy ny ra” ny apositoly. Raha mamaky tsara ny Testamenta Taloha isika

dia mahita fa ny mpanoratra ny Baiboly, ireo apositoly sy mpanompon’ny fiangonana Kristiana Taloha, anisan’izany ny apositoly Paoly, Petera sy Jaona, dia nitory mazava tsara ny “filazantsaran’ny rano sy ny ra.”

Kanefa, ny devoly dia niray hina hatramin’ny fiandohany mba hanimba ny filazantsara sy hanala ny herin’ny fiangonana. Nanomboka tamin’ny andron’ny didin’i Milana tamin’ny taona 313 aorian’i J.K, no latsaka tao anatin’ny fandrika nataon’ny devoly ny fiangonana Kristiana. Ny hery ara-politikan’ny Romana, raha nankasitsaka ny fivavahana Kristiana ho fivavaham-panjakana, dia ny fazahoana ny faharetana politika.

Ary amin’ny fanambarana fa “izay miditra ny fiangonana dia atao batisa,” nampiray ny firenena samihafa avy amin’ireo tany nanjakaina ny fanjakana Romana.

Page 9: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

9 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny vokatrin’izany toe-draharaha izany dia ny fanolona ny filazana tsianjery ny fanekem-ponoan’ny apositoly ho fototra ny fivavahana. Noho izany, “ny filazantsara izay mifanaraka tsara amin’ny Baiboly” izany hoe “ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy” izay manome “Hery, sy ny Fanahy masina ary ny fahatokiana” (1 Tesaloniana 1:5) dia rava tanteraka. Araka ny efa noheverin’ny devoly, niromborombo eran’izao tontolo izao ny filazantsara diso izay tsy mamela an’iza n’iza ho ateraka indray.

Arivo taona tao aorian’ny didin’ny Milana, ny taona maizin’ny fivavahana Kristiana nanempotra ny Europa manontolo. Na dia betsaka aza ny fihetsika vaovao nateraky ny fanovana tamin’ny tany maro, namerina ny olona amin’ny “Teny, ny soa sy ny finoana,” tsy misy tamin’izy ireo no nahita ny tena filazantsara “ny

filazantsaran’ny rano sy ny ra.” Io tena filazantsara io dia voatana velona ao

anaty tànan’olona vitsy izay nanaraka ny teny hatramin’ny andron’ny Apositoly. Ary tahaka ny rano izay miletika anaty tany ary avy eo mipoatra indray an-tany lemaka, nitsanga tamin’ny andro farany izy mba ankalazaina eran’izao tontolo izao.

ITY NO BOKY VOALOHANY ETO AN-TANY ANKEHITRINY MITORY NY FILAZANTSARAN’NY BATISAN’I JESOSY ARAKA NY VOASORATRA ANATY BAIBOLY

Ankehitriny, ity no boky voalohany mitory ny

filazantsaran’ny batisa sy ny ran’i Jesosy araka

Page 10: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

10 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny voasoratra ao anaty Baiboly; ny filazantsara izay miteny antsika fa nanaisotra ny otantsika rehetra Izy tamin’ny Batisany ary nahazo ny fitsarana ho an’ny heloka rehetra teo amin’ny Hazo fijaliana. Mino aho fa tsy misy boky hafa mitory ny “filazantsaran’ny rano sy ny ra” izay voasoratra mazava tsara sy araka ny marina toan’ity.

Ankehitriny, azo tadiavina amin’ny “Internet” ny zava-drehetra, nanandrana mitady olona mifanarankevitra amiko aho, olona mpitory ny filazantsara araka ny Baiboly ary mahafantatra ny batisan’i Jesosy. Nefa dia tsy nahita mihitsy aho. Izany no nahatonga ahy hampiely ity boky filazantsara ity.

Ny votoanton’ity boky ity dia avy amin’ny toriteny nivoaka tamin’ilay gazety hoe “Ny Gazetin’ny Filazantsara” izay miely any Korea.

Rehefa voadrakotrin’ny rano izao tontolo izao,

hikoriana eto ambon’ny tany ny rano nefa tsy azo hosotroina. Toy izany koa, maro ny atao hoe “mpanompon’Andriamanitra” izay mitory ny filazantsara diso fa tsy misy amin’izy ireo no manome antsika ny tena fiainana.

Ilay vehivay samaritanina izay nisotro isan-andro tamin’ny loharanon’i Jakoba tsy afaka hetaheta ny fanahiny, nefa raha nisotro ny ranon’i Jesosy izy dia nahazo ny famonjena ary afaka hetaheta ho mandrakizay.

Ny ranon’i Jesosy dia mikoriana anatin’ity boky ity. Izay rehetra misotro azy dia ho voavonjy mandrakizay. Tsy ho azon’ny heloka intsony izy ireo satria ny ranom-piaianana mikoriana aminy ary hanala hetaheta koa ny manondidina azy.

Page 11: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

11 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

AOKA ISIKA HO LASA MPIASAN’ANDRIAMANITRA, MPANAMBOATRA NY RAVA

Miaina amin’ny fotoana manakaiky ny

faran’izao tontolo izao isika. Amin’izao fotoana izao, ny helokin’ny olona rehetra lasa diso ohatra, anatin’ny fiandrasana ny fitsarana ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny manam-pahaizana manambara ny fanamboarana genetika amin’ny alalan’i “Dolly” ary ny ankabehazany manaiky fa ny olona azo ateraky ny genetika.

Eo am-panorenana tilikambony Babela indray isika. Rehefa nanandrana nanao an’izany indray mandeha ny olona, dia naparitak’Andriamanitra hanavatsava eran’ny tany izy ary nampifangarony ny teniny. Ankehitriny, raha tsy misy ny indrapon-Andriamanitra, dia ho

voatototrin’ny fahoriana fito lehibe sy ny fitsaran’Andriamanitra ny Fanahy very rehetra, izay tsy ateraka indray.

Izany no mahatonga ahy, mivavaka sy manafatra anareo hamaky ity boky ity. Hivavaka aho mba ho “ateraky ny rano sy ny Fanahy indray” hianareo. Ity boky ity dia mitory ny filazantsara araka ny voasoratra anaty Baiboly. Araka ny voasoratra hoe :

“Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa, ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” (Jaona 8:31-32). Ho hitanareo anie ny marina amin’ity boky ity ary dia ho afaka amin’ny fandevozan’ny heloka sy ny fahafatesana anie hianareo.

Andeha isika hiaraka hanao ny asan’ny Tompo mba hamonjy ny fanahin’ny vahoakany, amin’ny fitoriana ny “filazantsaran’ny rano sy ny ra.”

Page 12: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

12 Sasin-Teny

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Manantena aho fa ny tena filazantsara dia hamiratra amin’ny asantsika ary hanamafy azy mba hafahantsika hanokana ny androntsika hanamboatra ny ravan’ny finoana miaraka amin’ny tenin’ny fahamarinana.

“Ary ny naorina hatry ny fony fahagola dia hamboarinao; ary hianao dia hatao hoe Mpanamboatra ny rava, Mpamelon-dàlana honenana amin’ny tany” (Isaia 58:12).

Maro aminareo angamba no tsy zatra ny filazantsara mitory ny rano sy ny Fanahy. Izany no nahatonga ahy naharitra imbetsaka isakin’ny mitory teny, amin’ny filazantsaran’ny batisa sy ny Hazo fijalian’ Jesosy.

Raha tsy nisy ny batisan’i Jesosy, dia tsy misy dikany ho antsika ny Hazo fijaliany. Izany no nahatonga ahy haharitra lava tamin’ny batisa.

Ny fikasako dia mba hazava tsara ho anareo. Tiako ny mamerina eto foana ho anareo,

mandraka ny hazahoanareo fitahina avy amin’ny rano (batisan’i Jesosy) sy ny Fanahy.

Hiriko mafy ny hinonareo ny filazantsaran’ny batisa sy ny ra izay hamonjy anareo amin’ny heloka. Ary mino aho fa ireto toriteny ireto dia hanampy anareo ateraka indray. !

Page 13: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

<<< Cover Page >>>

VOTOANTIN-KEVITRA

Fizarana Voalohany - Toriteny 1. Tsy maintsy mahalala momban’ny otantsika

isika aloha raha te ho voavonjy (Marka 7:8-9, 20-23) ................................... 14

2. Teraka ho mpanota ny olona (Marka 7:20-23) .......................................... 33

3. Raha manaraka ny Lalana ve isika dia ho

voavonjiny? (Lioka 10:25-30) ..................... 46 4. Ny fanavotana mandrakizay

(Jaona 8:1-12) .............................................. 69 5. Ny batisan’i Jesosy sy ny fanonerana ny ota

(Matio 3:13-17) ......................................... 103

6. I Jesosy Kristy dia tonga avy amin’ny rano, ny

ra sy ny Fanahy (1 Jaona 5:1-12) .............. 159 7. Ny batisan’i Jesosy dia tandindon’ny

famonjena ho an’ny mpanota (1 Petera 3:20-22) ...................................... 198

8. Ny Ilazantsaran’ny fanavotam-be (Jaona 13:1-17) .......................................... 219

Fizarana faharoa - Fanampy 1. Fanambarana ny famonjena ....................... 294 2. Fanazavana fanampiny .............................. 316 3. Fanontaniana sy valiny .............................. 352

Page 14: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

14 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 1

TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

Page 15: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

15 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO

VOAVONJY

<<<< Marka 7:8-9 >>>> “Mahafoy ny didin’Andriamanitra

hianareo ka mitana ny fanaon’ny olona. Ary hoy koa Izy taminy: hay! tsara ny

nahafoizanareo ny didin’Andramanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo.” <<<< Marka 7: 20 –23 >>>>

“Ary hoy Izy: izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy.

Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-

pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fierenana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana.

Izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”

Voalohany, tiako ny manazava ny atao hoe

fahotana. Misy ny fahotana voafetran’Andriamanitra ary ny fahotana voafetran’ny olombelona. Ny teny hoe fahotana amin’ny teny Grika dia azo adika hoe “diso tigetra.” Izany hoe tsy manao tsara. Io dia fahotana raha tsy manaraka tsara ny didin’Andriamanitra. Aoka aloha ho jeren-tsika ny fahotana voafetran’ny olona.

Page 16: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

16 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Inona no atao hoe fahotana?

Ny fahotana dia ny fandikana

ny didin’Andriamanitra Voadanjan-tsika ny fahotana araka ny feon’ny

fieritreretana. Amin’ny teny afa dia hoe, tsy fanesona ny didin’Andriamanitra akory, fa fitsarana ara-po sy ara-tsaina araka ny tsirairay.

Io dia fitsaran’ny tsirairay. Ka ny fihetsika iray dia mety heverina ho ota na tsia, araka ny tsirairay. Izany no nahatonga an’Andriamanitra nanome didy misy antoko 613 hampiasaina ho fototra ho an’ny fitsarana.

Ity sary manaraka ity mampiseho ny otan’ny olona.

Lalàm-pirenena, lalàm-bahoaka

Fanahin’ny olombelona

Didin’Andriamanitra

Fitsipi-pitondran-tena,

lalàn’ny mpiaraha-monina Noho izany, tsy mahazo mametraka ny fototra

eo ambon’ny Fanahy isika. Ny fahotantsika ara-panahy dia tsy mifanaraka

amin’izay voafetran’Andriamanitra ho fahotana. Koa tsy tokony hiheno ny ao an-tsaintsika isika fa hanankina ny fihetsika amin’ny didin’Andriamanitra.

Ny tsirairay amintsika dia samy manana ny heviny momban’ny fahotana.

Page 17: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

17 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Misy mihevitra fa ny kilemany izany, sasany kosa mihevitra fa ny toetrany ratsy.

Ohatra, any Korea, rakofan’ny olona bozaka ny fasan’ny razany ary mino izy fa adidiny ny manapaka ireo bozaka ireo ary mikarakara ny fasana hatramin’ny fahafatesany izy.

Any amin’ny foko iray any Guinée Vaovao kosa, ny fanomezana voninahitra ny razana dia ny fizarana sy fihinanan’ny fianakaviana ny vatan’ny maty. (Tsy fantatro raha andrahony na tsia alohan’ny hinany azy). Toa tsy hinanan’ny bibikely ny vatany no hanaovany an’izany. Ireo fomba ireo mampiseho fa samy manana ny fisainany momba ny fahotana ny olona.

Mety hitovy izany ny tsara sy ny fahotana. Kanefa ny Baiboly milaza fa ny fahotana dia ny mandika ny Didiny. “Mahafoy ny didin’Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon’ny olona. Ary hoy koa Izy taminy: Hay!

tsara ny nafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!” (Marka 7:8-9). Tsy mijery ny ety ivelany Andriamanitra. Mijery ny ao am-pontsika Izy.

NY FIJERINTSIKA MANOKANA DIA FAHOTANA HO ANDRIAMANITRA

Inona no fahotana ratsy indrindra?

Dia ny tsy manaraka ny

tenin’Andriamanitra Aoka ho lazaiko anareo inona no fahotana eo

Page 18: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

18 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

anatrehan’Andriamanitra. Dia ny tsy mihaina araka ny Sitrapony. Ny tsy finoana ny Teniny. Andriamanitra miteny fa heloka ny mihaina tahaka ny Fariseo izay nanimpaka ny didin’Andriamanitra ary nanome halehibe ny fampianarana taloha. Ary Jesosy dia nihevitra fa ny Fariseo dia mpihatsaravelatsihy.

“Andriamanitra iza no hinoanareo? Manaja Ahy marina ve hianareo? Mirehareha amin’ny Anarako hianareo kanefa ve manaja Ahy tokoa?” Ny olona mijery fotsiny ny ety ivelany ary manao tsirambina ny Teniny. Ary fahotana izany Aminy. Ny fahotana ratsy indrindra Aminy dia ny tsy fanarahana ny Teniny. Fantatrareo ve izany? Izany no fahotana ambony indrindra.

Ny falemen-tsika dia hadisoana fotsiny, fandikana kely izany. Ny fahadisoana sy ny heloka ataontsika izay avy amin’ny tsy fahalavorarian-tsika dia tsy fahotana be akory fa

fahadisoana fotsiny. Andriamanitra manavaka ny fahotana sy ny fahadisoana. Izay tsy manaraka ny Teniny dia mpanota raha tsy nanao fahadisoana aza. Mpanota amin’Andriamanitra izy. Izany no nahatonga an’i Jesosy nanerona ny Fariseo.

Ao anatin’ny Boky Voalohany manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Deoteronomia, misy didy milaza amintsika izay tokony atao sy tsy tokony atao. Tenin’Andriamanitra izany, Didiny. Tsy afaka hitadidy azy ireny 100% akory isika na angamba tsy afaka hitadidy na inona na inona akory, kanefa afaka manaiky azy ho Didiny. Nomeny antsika hatrany amin’ny fiandohana ary tokony hekentsika araka izany.

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” Ary hoy Izy “Misia mazava, dia nisy mazava.” Nanao ny zava-drehetra izy. Ary nataony koa ny Lalàna.

Page 19: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

19 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Ary ny teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika” (Jaona 1:14). Inona no nataon’Andriamanitra hafantarantsika Azy? Nataony irery izany amin’ny alalan’ny Didiny. Andriamanitra no Teny ary miseho amintsika amin’ny didiny Izy. Andriamanitra dia Fanahy. Ahoana no fiantsontsika ny Baiboly? Tenin’Andriamanitra no hiantsontsika azy.

Voalaza hoe “Avelanareo ny didin’Andriamanitra ary tajominareo ny fomban’olombelona.” Misy antoko 613 ny Lalàny. Ity atao fa tsy ity, hajao ny ray aman-dreninao...sns. Ao amin’ny Levitikosy dia voasoratra ny tokony ataon’ny vehivavy, ny tokony ataon’ny lehilahy ary ny atao rehefa latsaka an-davaka ny biby fiompy...Misy antoko 613 tahaka izany ao anatin’ny Lalàny.

Ary satria tsy tenin’olombelona izany, dia tokony ho heritreretintsika foana. Tokony

hanaiky an’Andriamanitra isika ary raha tsy afaka mitadidy ireny Lalàna rehetra ireny aza dia tokony hanaiky ny fisiany.

Amin’ny tenin’Andriamanitra, misy iray ve no tsy marina? Ny Fariseo nanao tsirambina ny didin’Andriamanitra. Nanao ny fomban’olombelona ambony noho ny Didiny ireo. Ny tenin’ny razana nanan-daja kokoa taminy noho ny tenin’Andriamanitra. Toy izany koa tamin’ny naterahan’i Jesosy. Ny zavatra tena tsy tian’i Jesosy dia ny tsy fahalalan’ny olona ny tenin’Andriamanitra.

Nanome antsika Lalàna misy antoko 613 Andriamanitra mba hianarantsika ny atao hoe Marina, fa Izy no Andriamanitra, izay tandindon’ny fahotantsika ary hanoro antsika ny Fahamasinany. Ary satria mpanota daholo isika eo Anatrehany, tsy maintsy mino an’i Jesosy isika izay nalefan’Andriamanitra noho ny

Page 20: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

20 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fitiavany ary tsy maintsy miaina amin’ny finoana isika.

Ireo izay manao tsinontsinona ny Teniny, ireo izay tsy mino dia mpanota daholo. Ireo izay tsy afaka mitana ny Teniny dia mpanota koa fa ny fahotana tena loza indrindra dia ny tsy fanaovana tsinontsinona ny Teniny. Ireo dia hifarana any amin’ny afobe. Ny tsy finoana no fahotana ho Azy.

NY ANTONY NANOMEZAN’ANDRIAMANITRA NY LALANA

Inona no antony nanomezan’Andriamanitra

antsika ny Lalàna? Mba hafantarantsika ny otantsika ary hiverenantsika anaty Sandriny.

Nomeny Lalàna misy antoko 613 isika mba hafantatra ny otantsika ary mba ho voahavotr’i Jesosy. Izany no mahatonga an’Andriamanitra nanome ny Lalàna.

Maninona no nomen’Andriamanitra didy isika?

Mba hafantarantsika ny fahotantsika

sy ny sazy miaraka aminy

Voalaza ao amin’ny Romana 3:20 “Fa ny Lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota.” Fantantsika izany fa ny antony nanomezan’Andriamanitra ny Lalàna dia hanerena antsika hiaina aminy.

Inona izany ny fahaizana mety azo amin’ny Lalàna? Malemy loatra isika hanaiky tsara ny Lalàna ary mpanota daholo isika eo Anatrehany.

Page 21: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

21 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ary inona no azontsika atao miaraka amin’ny antoko 613 ny Lalàna? Manaiky ny fahadisoantsika sy ny tsy fahaizana miaina amin’ny Lalàna. Manaiky fa isika dia asan-tànan’Andriamanitra, karazana tsy manan-kery. Manaiky isika fa mpanota eo Anatrehany ary tokony ho hatsipy anaty afobe araka ny Lalàny.

Rehefa nanaiky ny fahotana sy ny fahalemena isika, inona indray no tokony atao? Tokony hiova karazana afa tsara kokoa ve? Tsia, ny tokony atao dia ny manaiky fa mpanota isika, mino an’i Jesosy, ary ho voavonjy amin’ny rano sy ny Fanahy ary hisaotra Azy.

Ny antony nanomezany ny Lalàna dia ny ekentsika ny otantsika sy ny sazy miaraka aminy ary ny hafantarantsika fa tsy voavonjin’ny afobe isika raha tsy misy an’i Jesosy. Raha mino an’i Jesosy ho Mpamonjy isika dia ho voahavotra. Nomeny Lalàna isika mba ho voavonjy.

Nomeny Lalàna isika mba hatsiaro fa meloka tanteraka ary hamonjena ny fanahintsika. Nomeny Lalàna isika ary nandefa an’i Jesosy Izy mba hamonjy antsika. Ny Zanani-lahy no nalefany anala ny otantsika amin’ny alalan’ny Batisany. Ary mety ho voavonjy isika raha mino Azy.

Ary hafantatra isika fa mpanota mandrakizay ary tsy maintsy mino an’i Jesosy raha te-ho afaka amin’ny ota, ho lasa Zanany ary hanome voninahitra indray an’Andriamanitra.

Tokony mahafantatra ny Teniny isika. Ny zava-drehetra nanomboka Taminy. Ary tokony hanomboka amin’ny Teniny koa isika ary hafantatra ny marina momban’ny fanavotana araka ny Teniny. Tokony heritreritra sy hitsara araka ny Teniny isika. Io no finoana rariny sy marina.

Page 22: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

22 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

INONA NO AO AM-PON’NY OLOMBELONA?

Ny finoana dia manomboka miaraka ny

Teniny ary tokony mino an’Andriamanitra araka ny Teniny isika. Raha tsy izany dia ho latsaka anatin’ny fahadisoana. Dia ho finoana ratsy izany.

Rehefa nahita ny mpianatr’i Jesosy nihinana mofo tsy nanasa tànana ny Fariseo sy ny mpahay Lalàna, dia tsy nanome tsiny azy ireo izy satria araka ny Tenin’Andriamanitra izany. Ny Teny milaza antsika fa tsy misy zavatra miditra anatin’ny olona avy any ivelany afaka mandoto azy satria mankany amin’ny vavoniny izany fa tsy any amin’ny fony ary mivoaka izany avy eo.

Toy ny voasoratra ao amin’ny Marka 7:20 -23 “Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao

anatin’ny olona, dia avy ao am-pony no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.” Hoy Izy hoe ny olona dia mpanota satria teraka miaraka ny ota.

Mazava aminareo ny tiany ho lazaina? Taranak’i Adama daholo isika. Tsy afaka ahita ny marina isika satria tsy nanaiky na nino ny Teniny. Inona ny ao am-pon’ny olona?

Aoka ho jerentsika ao amin’ny Marka 7:21-22 “Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po,

Page 23: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

23 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana.” Izany rehetra izany dia avy amin’ny fon’olombelona ary mahaloto azy.

Voasotra anaty Salamo “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kitana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amanghianao azy?” (Salamo 8:3-4).

Maninona no mamangy antsika Izy? Satria tiantsika Izy. Nahary antsika, notiantsika ary be indrafo amin’ny fahotantsika. Nofafany ny otantsika ary nataony ho Vahoakany isika “Tompo mpanjakanay, ny anaranao dia kanto eran’izao tontolo izao sy any an-danitra.” Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny mpanjaka Davida nihira ny fanekeny fa Andriamanitra no mpanavotra ny mpanota.

Ary anaty Testamenta Vaovao, ny apositoly Paoly nilaza an’izany koa. Zava-tsoa tokoa ny hoe, isika asan-tànan’Andriamanitra, mety ho lasa Zanany. Izany dia noho ny Fangoraham-pony amintsika. Izany no Fitiavan’Andriamanitra.

Ny fanandramana miaina araka ny lalàn’Andriamanitra dia fandavana Azy. Ary hevitra avy amin’ny tsy fahaizantsika koa izany. Tsy rariny ny miaina tsy misy ny fitiavan’Andriamanitra kanefa mitolona sy mivavaka hitahiry ny Lalàny. Sitra-pon’Andriamanitra ny afahantsika manaiky fa mpanota ny Lalàna isika ary mino ny fanavotana amin’ny rano sy ny ra (Fanahy).

Voasoratra ao amin’ny Marka 7:20-23 ny Teniny “Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony no ivoahan’ny sain-

Page 24: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

24 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”

Jesosy niteny fa ny mivoaka amin’ny olona, ny otan’ny olona no mahaloto azy. Ny sakafo omen’Andriamanitra antsika dia tsy afaka handoto antsika. Ny asany rehetra dia madio fa ny zavatra mivoaka avy amin’ny olona ihany, ny otantsika, no mandoto ny olona. Teraka taranak’i Adama daholo isika. Ka ahoana no nahaterahantsika? Teraka miaraka amin’ny ota karazany roa amby ny folo isika. Tsy marina ve izany?

Afaka hiaina tsy manota ve isika? Tsy hitsahatra hanota isika satria teraka ho mpanota.

Afaka hijanona tsy hanota intsony ve isika satria mahafantatra ny Lalàna? Afaka mihaina tsy manaraka ny didy ve isika? Tsia.

Miasarotra kokoa rehefa manandrana isika. Tsy maintsy manaiky ny fetra isika ary mahafoy. Rehefa avy eo, amim-panetren-tena, afaka manaiky ny batisa sy ny ran’i Jesosy izay mamonjy antsika.

Inona no tokony ataontsika anatrehan’Andriamanitra?

Tsy maintsy manaiky ny fahotan-tsika

isika ary mangataka ny famonjen’Andriamanitra.

Ireo toko 613 ao amin’ny Lalàna dia marina sy

rariny. Fa ny olona no mpanota hatramin’ny fotoana noforoniny ankibon-dreniny. Raha

Page 25: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

25 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

manaiky isika fa marina ny lalàn’Andriamanitra ary mpanota izay tsy ho lasa olo-marina irery na oviana na oviana, dia ho hanaiky koa isika fa mila ny indrapon’Andriamanitra sy ny famonjeny miaraka amin’ny fanavotan’i Jesosy araka ny rano, ny ra sy ny Fanahy. Rehefa manaiky ny fetra isika fa hoe tsy ho lasa olo-marina mihitsy irery ary ho any amin’ny afobe noho ny ota, dia afaka miandry ny fanavotan’i Jesosy isika.

Dia ho afaka ny fandevozana isika. Tsara ny afantaran-tsika fa tsy ho lasa olo-marina irery sy hendry isika eo anatrehan’Andriamanitra. Ka tsy maintsy manaiky eo anatrehan’Andriamanitra isika fa mpanota natao ho any amin’ny afobe ary tsy maintsy mivavaka, ho an’ny Indram-pony “Tompo vonjeo amin’ny otako aho ary manàna antra ho ahy.”

Aoka ho jerentsika ny vavak’i Davida toa ny

Teny nosoratan’Andriamanitra “Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia adio; Sasao aho dia ho fotsy mangatsakatsaka” (Salamo 51:7).

Fantany fa nanana fahotana betsaka izy izay ampy andefa azy any amin’ny afobe fa nekeny izany teo anoloanan’Andriamanitra. “Raha antsohinao mpanota aho, dia izy tokoa; raha antsohinao olo-marina aho dia izy; raha vonjenao aho dia ho voavonjy ary raha alefanao any amin’ny afobe aho dia hiafara any amin’ny afobe.”

Io no finoana tsara. Toa izany no havonjy antsika. Toa izany no tokony ataontsika raha maniry ho vonona hino ny fanavotan’i Jesosy.

Page 26: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

26 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TSY MAINTSY MAHAFANTATRA TSARA NY OTANTSIKA ISIKA

Satria taranak’i Adama isika, dia manana

fitsiriritana ao am-po. Nefa inona no lazain’Andriamanitra? Milaza amintsika Izy tsy hijangajanga. Ao am-pontsika ny vonoan-olona nefa ahoana hoy Andriamanitra? Lazainy hoe aza mamono olona. Mihatsy ao am-po ny ray aman-dreny daholo isika nefa lazainy hoe hajao ny ray aman-dreny. Tokony ho fantantsika fa ny Teniny rehetra dia marina sy tsara ary isika manana ota daholo ao am-po.

Olo-marina aho sa tsia? Inona no tokony ataontsika eo anatrehan’Andriamanitra? Tsy maintsy manaiky fa manana ota betsaka isika, mpanota tsy azo tsaboina. Diso ny mihevitra fa olo-marina isika taloha satria nanao zavatra tsara ary mpanoto ankehitriny satria nanao fahotana.

Na ahoana na ahoana, mpanota foana isika. Izany no tsy maintsy hanavotan’ny batisan’i Jesosy antsika.

Tsy mpanota akory isika noho ny natao: mijangajanga, mamono olona, mangalatra... fa mpanota isika satria teraka mpanota. Teraka miaraka amin’ny fahotana roa amby folo karazany. Satria teraka mpanota teo imason’Andriamanitra isika, tsy ho lasa tsara mihitsy akory raha mihezaka azy. Afaka mihambo ho tsara fotsiny isika.

Teraka miaraka amin’ny saina feno famonoan-olona, fangalarana isika...Afaka milaza fa olo-marina ve isika satria ankehitriny tsy manota intsony? Irery, tsy ho lasa olo-marina mihitsy isika eo anatrehan’Andriamanitra. Raha miteny isika hoe olo-marina, fihatsarambelatsihy izany. Jesosy niantso ny Fariseo sy ny mpahay Lalàna ho “Fariseo sy mpahay Lalàna

Page 27: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

27 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mpihatsarambelatsihy.” Ny olona dia teraka ho mpanota. Amin’ny fiainany dia mpanota eo anatrehan’Andriamanitra izy.

Izay miteny fa mbola tsy niady mihitsy na nikapoka olona na nangalatra fandraitra nandritra ny fiainany dia mpandainga satria ny olona dia teraka ho mpanota. Mpandainga izy, mpanota sady mpihatsarambelatsihy. Toa izany no fahitan’Andriamanitra azy.

Teraka mpanota hianareo. Raha tsy nanao ota aza hianareo dia ho any amin’ny afobe. Raha manaraka lalandava ny Lalàna sy ny didy aza hianareo, mbola mpanota ihany natao ho any amin’ny afobe.

Inona aza no tokony atao eo anoloanan’ny anjara? Tsy maintsy mangataka ny Fangoraham-pony sy manantena Azy ho hanavotra ny otantsika. Raha tsy vonjeny isika, dia tsy maintsy mankany amin’ny afobe. Io no anjarantsika.

Izay manaiky ny Teniny, manaiky koa fa mpanota. Ary fantany koa fa olo-marina izy. Izany hoe, fantany fa ny tsy fanekena ny Teniny dia fahotana. Izay manaiky ny Teniny dia olo-marina na mpanota aza izy taloha. Ateraka indray amin’ny Teniny ireo ary hahazo ny famelan-keloka. Ireo no tena mahazo fitahiana.

IREO IZAY MANANTENA HO VOAVONJY NOHO NY ATAONY DIA MBOLA MPANOTA IHANY

Iza no mpanota tamin’ireo izay mino an’i Jesosy?

Ireo izay manantena ho

voavonjy amin’ny ataony.

Page 28: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

28 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Aoka ho jerentsika ao amin’ny Galatiana 3:10-11 “Fa izay rehetra amin’ny asany Lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana; fa voasoratra hoe voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny bokin’ny Lalàna. Ary hita marimarina fa amin’ny Lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny marina amin’ny finoana no ho velona.”

Voalaza fa voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny bokin’ny Lalàna. Izay mino an’i Jesosy nefa manantena fahadiovana amin’ny ataony dia voaozona. Aiza ireo manantena fahadiovana amin’ny asa ataony? Ao ambanin’ny ozon’Andriamanitra ireo.

Maninona no nanome Lalàna antsika Andriamanitra? Nanome Lalàna Izy satria ny Lalàna no ahazoana ny tena fahalalana momban’ny ota (Romana 3:20). Izany mba afantarantsika fa tena mpanota isika ary natao ho

any amin’ny afobe. Ka ny tokony ataontsika dia ny mino ny

batisan’i Jesosy, ny Zanak’Andriamanitra ary ny fahaterahana indray amin’ny rano sy ny Fanahy. Amin’izay dia ho voavela ny otantsika, lasa olo-marina isika ary ahazo ny fiainana mandrakizay ka ho any amin’ny paradisa. Manàna finoana ao am-ponareo.

NY FAHOTANA MPIAINGITRAINGITRA INDRINDRA ETO AN-TANY

Ìnona no ota mpiaingitraingitra indrindra eto an-tany?

Dia ny manandrana miaina

amin’ny Lalàna.

Page 29: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

29 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tsy misy zava-dehibe hafa kokoa noho ny finoana an’Andriamanitra. Voatahy isika noho ny finoana ny Tso-dranony. Nanapaka ny hanavotra izay rehetra mino ny Teniny Izy.

Nefa ankehitriny, amin’ireo mpino, betsaka ny manandrana miaina amin’ny Lalàny. Ny ankamaroan’ny Kristiana toy izany. Mendrika hoderaina ny fanandramany miaina amin’ny Lalàna kanefa ahoana no hampety izany?

Tsy maintsy manaiky isika fa adalana ny manandrana miaina araka ny Lalàny. Vao maika miasarotra rehefa manandrana. Hoy Izy “Ny finoana avy amin’izay re, ary izay re dia avy amin’ny tenin’Andriamanitra.” Tokony ariantsika ny aingitraingitra raha te-ho voavonjy isika.

TOKONY HANARY NY FOMBA SAMY IRERY ISIKA MBA HO VOAVONJY

Inona no tokony atao mba ho voavonjy?

Tokony hanary ny fomba

samy irery isika. Ahoana no fomba hamonjena ny olona? Dia

amin’ny fahafantarany fa mpanota izy. Misy olona maro tsy voahavotra satria tsy afaka mamela ny sain-dratsiny sy ny fimokirany.

Andriamanitra miteny fa izay mifikotra amin’ny bokin’ny Lalàna dia voaozona. Ireo izay mino fa ho lasa olo-marina raha manohy mino an’i Jesosy ary manandrana miaina araka ny Lalàny dia eo ambanin’ny ozony. Mino

Page 30: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

30 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

an’Andriamanitra ireo nefa mihevitra foana fa tokony hiaina araka ny Lalàna raha te ho voavonjy.

Ry namana malala, mety ho lasa olo-marina ve isika amin’ny atao kanefa mbola velona? Lasa olo-marina isika raha mino ny tenin’i Jesosy ary raha voahavotra. Ny finoana ny batisan’i Jesosy, ny Rany ary ny finoana fa Jesosy dia Andriamanitra, izany ihany no hanavotra antsika.

Izany no mahatonga an’Andriamanitra nanomana ny lalàn’ny finoana ho tamby mba ho lasa olo-marina isika. Ny fanavotana amin’ny rano sy ny Fanahy dia tsy miankina amin’ny ataon’ny olona fa amin’ny finoana ny tenin’Andriamanitra. Ary Andriamanitra dia namonjy antsika noho ny finoana. Ary toa izany no neveran’Andriamanitra azy ary nataony.

Maninona ireo izay mino an’i Jesosy tsy voahavotra? Satria ireo tsy nanaiky ny tenin’ny

fanavotana amin’ny rano sy ny Fanahy. Fa isika kosa izay tsy lavorary toa ireo, dia voavonjy noho ny finoana ny tenin’Andriamanitra.

Raha olona roa miara miasa amin’ny antontam-bary, ilay ao aoriana dia manohy miasa foana raha eo aza ilay hafa. Ilay tavela ao aoriana dia ilay izay tsy voahavotra ary tokony manandrana foana izy mba ho afaka amy ny fandevozana. Maninona ny iray voaray nefa ny hafa tavela eo?

Satria ny iray nihaino sy nino ny tenin’Andriamanitra. Ilay hafa izay niasa mafy kosa mba hitana ny Lalàna dia natsipy anaty afobe farany. Nandady any amin’Andriamanitra izy kanefa nakifik’Andriamanitra tahaka ny ataontsika amin’ny bibikely rehefa misaragontra amin’ny tongotra ireo. Raha misy olona manandrana mandady amin’Andriamanitra sy mitahiry ny Lalàna dia tsy maintsy hatsipy any

Page 31: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

31 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny afobe izy. Izany no tsy maintsy hanavotana antsika

amin’ny finoan’ny rano sy ny Fanahy. “Fa izay rehetra amin’ny asan’ny Lalàna dia

eo ambanin’ny fanozonana, fa voasotra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna. Ary hita marimarina fa amin’ny Lalàna dia tsy misy olona hamarinana eo anatrehan’Andriamanitra; fa ny marina amin’ny finoana no ho velona” “Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana araka ny voasotra hoe: Ny marina amin’ny finoana no ho velona” (Galatiana 3:10-11, Romana 1:17).

Ny tsy finoana ny tenin’Andriamanitra dia ota eo anatrehan’Andriamanitra. Ary heloka koa ny manao tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra araka

ny fomban’ny tsirairay. Isika olombelona, tsy afaka miaina araka ny Lalàna satria teraka ho mpanota. Ary manohy ny ota foana isika mandritra ny fiainana manontolo. Manota kely etsy, kely aroa, ary amin’izay toerana aleha rehetra. Tsy maintsy manaiky isika fa nofo ary tsy afaka ny tsy manota.

Ny olona dia toa ny barika ny mpanofa tany. Raha manandrana mitondra azy, dia tsy mitsahatra mandraraka ny rano eran’ny làlana. Mitovy amin’izany isika. Mandraraka ny ota n’aiza n’aiza aleha. Azonareo an-tsary ve izany?

Ary afaka ilaza ve hianareo fa masina? Raha afaka mijery ny tenanareo hianareo dia hajanony ny fanandramana hitovy amin’ny olo-masina ary minoa ny rano sy ny ran’i Jesosy.

Tsy maintsy arian-tsika ny fikirina ary manaiky isika fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Rehefa avy eo, dia tokony hiverina amin’ny Teniny ary mitady

Page 32: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

32 TSY MAINTSY MAHALALA MOMBAN’NY OTANTSIKA ISIKA ALOHA RAHA TE HO VOAVONJY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ahoana no fomba nanavotany antsika tamin’ny rano sy ny Fanahy. !

Page 33: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

33 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 2

TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

Page 34: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

34 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

< Marka 7:20-23 > “Ary hoy izy : Izay mivoaka avy ao

amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejona, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”

TSY MAZAVA NY OLONA ARY MIAINA ANATIN’NY NOFINY

Iza no ho voahavotra mora indrindra?

Izay mihevitra fa izy no mpanota

indrindra eran-tany Alohan’ny hanohizana, misy fanontaniana

ataoko anareo. Inona no fiheveranareo ny tenanareo? Tsara sa ratsy? Ahoana?

Ny olona rehetra dia mihaina amin’ny nofiny. Tsy dia tsara na ratsy noho ny fiheveranareo anareo angamba hianareo. Amin’izany, araka ny hevitrareo, iza no hiaina fiainam-pinoana tsara indrindra? Ilay mino fa tsara izy sa ilay mihevitra azy ho ratsy.

Page 35: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

35 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tsy iza fa ilay farany no izy. Ka iza no mety ho voahavotra mora indrindra. Ireo izay nanota betsaka kokoa sa ireo izay nanota kely? Ireo izay nanota betsaka dia mety ho afaka mora kokoa satria mahafantatra izy fa mpanota. Ireo afaka manaiky mora kokoa ny fanavotana nomanin’i Jesosy ho azy.

Raha mijery tsara isika, dia afaka mahita fa mpanota. Inona ny olona? Ny olona dia “voan’ny ratsy.” Ao amin’ny Isaia 59, voasoratra fa misy faharatsiana maro ao am-pon’olombelona. Ny olona izany dia feno ota. Fa raha lazaina ho antontan-ota ny olona, maro ireo izay tsy hanaiky. Ny filazana azy ho “voan’ny ratsy” marina kokoa. Raha mijery tsara isika, dia tonga amin’ny fanapahana fa ratsy. Ireo izay tsara Fanahy dia ho tonga amin’izany fanapahana izany koa.

Nefa, toa tsy misy firy ny manaiky fa

antontan-ota izy. Maro ny olona mihaina am-piadanana satria tsy mihevitra azy ho mpanota. Satria ratsy fanahy isika, dia namorona sivilizasiona feno ota. Raha tsy maro toa izao no tsy manaiky azy ho mpanota, menatra ny otany izy. Fa be loatra ny toan’ireo tsy menatra ny ataony.

Nefa ny fanahiny mahafantatra. Ny olona rehetra dia manana fanahy milaza azy hoe “mahamenatra.” Adama sy Eva nihafina tao anaty hazo tao aoriana ny otany. Ankehitriny, maro ny mpanota mihafina ao ambadika ny fiainana tsinontsinona, ny fiainantsika mpanota. Miafina ao ambadika ny mpanota afa izy mba handosirana ny fitsaran’Andriamanitra.

Diso hevitra ny olona noho ny nofiny. Mihevitra azy ho olo-masina kokoa noho ny hafa izy. Midradradradra teny manevateva izy “ahoana no afaka manao zavatra toa izany ny

Page 36: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

36 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

olona? Ahoana no afaka hanao an’izany ny mpifehy mpivavahana? Ahona ny zanaka no afaka anao an’izany amin’ny ray aman’dreniny? Mihevitra izy ireo fa tsy afaka anao an’izany.”

Ry namana malala, sarotra ny mahafantatra tsara ny toetran’ny olombelona. Raha te hafantatra marina ny toetrantsika isika, dia tsy maintsy vonjena aloha. Mangataka andro maro izany, ary maro amintsika izay tsy hahita an’izany mandra-mpahafaty.

FANTARO NY TENANAO

Ahoana no hiainan’ny olona izay tsy mahafantatra ny tenany?

Manandrana miafina izy.

Indraindray, mijery ny olona isika dia mahatsiaro fa tsy mahafantatra ny tenany izy. Socrate niteny hoe “Fantaro ny tenanao.” Misy olona sasantsasany tsy mahafantatra izay ao am-pony. Famonoan-olona, halatra, fitiavan-karena loatra, hasomparana, fihatsarambelatsihy, fanaranam-po, fitsiriritan’ny maso...

Misy ny poizin’ny bibilava ao am-pony nefa miresaka fahadiovam-po izy. Satria tsy fantany fa teraka mpanota izy.

Maro eran-tany ny tsy mahafantatra ahoana no fomba hizahany tena. Mifandiso izy ary mihaina voatemitra tsara anatin’ny fitaka. Mihazakazaka irery any amin’ny afobe izy. Ho any amin’ny afobe ireo noho ny fitany.

Page 37: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

37 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY OLONA DIA MAMPIELY FOANA NY FAHOTANA MANDRITRA NY FIAINANY

Maninona ireo ho any amin’ny afobe?

Satria tsy mahafantatra

ny tenany ireo. Aoka ho jerentsika ao amin’ny Marka 7:20-

23. “Ary hoy Izy: izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:

izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.” Ny fon’ny olona dia feno eritreritra ratsy nanomboka tamin’ny andro nahary azy.

Aoka heverintsika fa ny fon’ny olona dia vera feno rano maloto, izany hoe ny otantsika, hatramin’ny sisiny. Inona no hiseho raha mietsika aloha sy aoriana ilay olona? Tokony hiraraka ilay rano maloto (ota). Ary araka ny fihetsiny no hahaben’ny rano raraka.

Isika, atontan-ota, mihaina ny fiainantsika tahaka izany. Mampiely ny otantsika n’aizan’aiza isika. Ho hanota mandritra ny fiainana manontolo isika satria atontan-ota.

Ny olana dia tsy mihevitra ny tenantsika ho atontan-ota sy voan’ota isika. Atontan-ota isika ary manana ota am-po. Toy izany ny olona.

Io atontan-ota io dia vonona ho hamielena. Ny otan’ny olona dia ny fiheritreretany fa tsy teraka

Page 38: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

38 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mpanota izy fa ireo manondidina azy no mitarika azy hanota ary tsy fahadisoany izany.

Noho izany, raha manao ota azy izy, dia mihevitra fa ny azony atao dia ny misasa tsara fotsiny. Manohy misasa foana izy mandritra ny fitohizan’ny fandrarahan’ny rano, ary milaza fa tsy fahadisoany izany. Satria ve nosasan-tsika ilay izy dia afaka manohy mampiely azy isika? Tsy maintsy manohy manadio isika ary mitsahatra manao an’izany.

Rehefa feno ny vera, mitohy ny fandrarahan’ny rano. Tsy misy dikany ny fanadiovana azy avy aty ivelany. Afaka manadio ny ivelany isika mandritra ny fotoana izay tiantsika, araka ny fitondran-tenantsika, izany dia tsy misy dikany raha mbola feno ota ny ao anatiny.

Ny olona dia nateraka feno ota loatra ka ny fony tsy ho foana mihitsy na inona na inona ny

habetsahan’ny ota ho hampielijan-tsika eran’ny làlana aleha. Noho izany, dia hanota foana isika mandritra ny fiainantsika.

Raha mbola tsy mahatsiaro tena fa atontan-ota ny olona, dia hanandrana hiafina foana izy. Ny ota dia ao am-pon’ny olona ary tsy ho lasan’ny fanadiovana ivelany. Mandraraka kely izy dia fafany amin’ny kofafa, amin’ny lamba, amin’ny bodofotsy...manohy mihevitra izy fa raha mamafa foana dia adio...nefa mitohy miraraka ny rano ary tsy mijanona mihitsy.

Hafiriana no hitohy izany araka ny hevitrareo? Hitohy hatramin’ny fara-piainany izany. Ny olona dia hanota mandritra ny fiainana manontolo. Izany no tokony hinoantsika fa hamonjy antsika i Jesosy. Ary te ho voavonjy isika dia tsy maintsy mahafantatra ny tenantsika.

Page 39: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

39 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Iza no hankasitraka andray an’i Jesosy?

Ny mpanota izay manaiky

nanao ratsy betsaka. Aoka heverintsika hoe misy olona roa mitovy

sy vera roa feno rano maloto. Ny vera tsirairay dia feno ota. Ny olona iray mijery tena dia miteny hoe “mpanota aho!” Dia mitsangana izy ary lasa mitady olona afaka hanampy azy.

Nefa ilay iray kosa mihevitra fa tsy ratsy izy. Tsy mahita ny atontan-ota anatiny izy. Mandritra ny fiainany, manohy manadio ny lotony izy. Dioviny aloha ny lafiny iray, dia ny lafiny afa...miova lafiny aingana...

Maro ny olona miaina amam-pahamalinana mandritra ny fiainany manontolo miaraka

amin’ny ota kely ao am-pony nefa izay ho hiely. Ka raha mbola misy ota mijanona ao am-pony inona no soa azony amin’izany? Ny fahamalinana tsy hanampy azy anakaiky ny paradisa akory. “Ny fahamalinana” mitondra anareo eo amin’ny lalan’ny afobe.

Ry namana malala, ny fahamalinana hitondra anareo amin’ny afobe. Raha misy olona malina, tsy hiely toa izany angamba ny otany. Fa mpanota miafina foana izy.

Inona no ao am-pon’ny olona? Ny ota? Ny fahavetavetana? Eny! Sain-dratsy? Eny! Halatra? Eny! Ny avonavona? Eny!

Fantantsika fa atontan-ota isika rehefa mahita fa ny ataontsika dia ratsy, nefa izany tsy nisy nampianatra. Tsy miharihary izany rehefa mbola tanora.

Nefa ahoana rehefa miha-antitra isika? Rehefa mankany any am-pianarana, any amin’ny Sekoly

Page 40: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

40 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ambony sy ny sisa sy ny sisa...matsiaro isika fa misy ota anatintsika. Marina? Ary lasa sarotra ny manafina azy. Marina? Manohy ny mampiely azy isika. Ary dia manenina. “Tsy anao intsony aho.” Nefa tsy afaka manova na inona na inona isika. Satria nahoana? Satria nateraka atontan-ota.

Tsy lasa madio akory isika raha mitandrina. Ny tokony ho fantatra, dia nateraka feno ota isika ary natao ho voavonjy tanteraka. Izay manaiky ny fanavotana noman’i Jesosy no ho voavonjy.

Nefa ireo izay mihevitra kosa hoe “tsy nanao ratsy aho, tsy nanao ratsy firy” tsy mino fa i Jesosy nanaisotra ny otany, dia tsy maintsy mankany amin’ny afobe. Tokony fantantsika fa manana an’io atontan-ota io isika. Teraka niaraka taminy.

Raha mihevitra hianareo, “Tsy nanao ratsy firy aho, raha afaka voavonjy moa aho amin’io ratsy kely nataoko” ho lasa olon-afakan’ny ota ve

hianareo? Sanatria. Ireo izay ho voavonjy dia mahafantatra fa

mpanota. Ary mino ireo fa Jesosy nanaisotra ny otany rehetra rehefa natao batisa tao amin’ny ony Jordana ary nanaisotra ny otany tamin’ny Hazo fijaliana.

Na ho voavonjy isika na tsia, dia miaina anaty nofy. Atontan-ota isika. Toa izany isika. Voahavotra isika raha mino fa Jesosy nanaisotra ny otantsika rehetra.

Page 41: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

41 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ANDRIAMANITRA TSY MAMONJY IZAY MANANA OTA KELY

Iza no mamitaka an’Andriamanitra?

Izay mangataka famelana ho an’ny fahotana isan-andro

Andriamanitra tsy mamonjy izay manana “ota kely.” Andriamanitra tsy mijery akory ireo milaza “Manana ota kely aho, Andriamanitra.” Ireo jereny dia izay milaza hoe “Andriamanitra, be ota aho, ho any amin’ny afobe, vonjeo aho.” Ny mpanota be milaza : “Andriamanitra, ho voavonjy aho raha vonjenao. Tsy afaka manao vavaka fibebahana intsony aho satria mbola hanota indray. Vonjeo aho azafady.”

Andriamanitra dia mamonjy ireo izay mino

Azy tanteraka. Efa nanandrana aho. Nefa ny vavaka fibebahana tsy manafaka antsika amin’ny ota. “Andriamanitra, mivavaka aminao aho, omeo ny indrafonao aho ary vonjeo.” Izay mivavaka dia ho voavonjy. Mino an’ny fanavotana izy, ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona tao amin’ny Jordana. Ho voavonjy izy.

Andriamanitra dia manavotra ireo izay manaiky fa atontan-ota, voan’ota. Ireo izay milaza “nanao io ota kely io aho. Mamelà ny heloko, azafady,” dia ho mpanota foana ary tsy vonjen’Andriamanitra. Andriamanitra mamonjy ireo izay mahalala fa tena atontan-ota.

Ao amin’ny Isaia 59:1-2 voasotra hoe “Indro ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare. Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo aminAndriamanitrareo. Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy

Page 42: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

42 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mihaino izy.” Satria ny olona dia teraka atontan-ota, tsy

afaka hijery azy am-pitiavana Andriamanitra.Tsy hoe fohy loatra ny tànany na marenina Izy ka tsy reny isika rehefa mangataka ny famelan-kelony.

Andriamanitra miteny antsika hoe “Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino izy.” Satria be loatra ny ota am-pontsika, tsy afaka hiditra amin’ny paradisa isika raha mivoa mibanabana azy ny varavarana.

Raha misy olona, atontan-ota, mangataka famelan-keloka an’Andriamanitra isakin’ny manota, tokony hamono ny Zanany foana Andriamanitra. Tsy mety manao an’izany Andriamanitra. Ka hoy izy “Aza tonga isan-andro miaraka amin’ny otanao. Nalefako ny Zanako hamonjy anao amin’ny ota. Ny tokony ataonao dia ny mahafantatra ahoana no nataony angalana ny otan-tsika rehetra ary mijery raha

marina izany. Rehefa avy eo, minoa ny tenin’ny filazantsaran’ny fanavotana mba ho voavonjy. Io no fitiavako lehibe indrindra ho anao, izay nataoko.”

Hoy izy “Minoa an’ny Zanako dia ho voahavotra hianareo. Izaho, Andriamanitrao, nandefa ny Zanako mba hanavotra ny otanareo sy ny tsy fahamarinanareo. Minoa ny Zanako dia ho voavonjy hianareo.”

Ireo tsy mahafantatra fa antontan-ota mangataka an’Andriamanitra ny famelan-keloka keliny. Tonga eo Anatrehany nefa tsy mahafantatra ny habetsahan’ny otany ary mivavaka ireo: “mivavaka aminao aho, mamelà ny heloko kely, tsy hanao intsony aho.”

Manandrana ny mamitaka an’Andriamanitra izy. Tsy manota indray fotsiny isika fa manohy manota hatramin’ny fahafatesana. Tsy maintsy mitsahatra mangataka famelan-keloka

Page 43: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

43 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hatramin’ny fahafatesana ireo. Ny famelan-keloka ho an’ny ota kely dia tsy

mandamina na inona na inona satria manao ota isan-andro isika hatramin’ny andro fahafatesana. Izany hoe, ny ala olana mba ho afakan’ny fahotana dia ny manome ny otantsika an’i Jesosy.

Inona ny olona?

Antontan-ota Ny Baiboly dia manoratra ny otan’ny olona.

Ao amin’ny Isaia 59:3- 8, “Fa ny tànanareo dia voaloto amin’ny ra, ary ny ratsan-tànanareo amin’ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana. Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana. Na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; Matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy;

Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana? Mikotrika ny atodin’ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarano miporitsaka avy ao. Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahafaty azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany. Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy sy mimaona handatsaka ra marina; Ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany. Ny làlan’ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; Lalàna miolakolaka ny làlany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.”

Ny ratsan-tànan’ny olona dia maloton’ny tsy fahamarinana ary miasa ho an’ny ratsy ireo mandritra ny fiainana manontolo. Izay ataony rehetra dia ratsy. Ary ny lelantsika “dia

Page 44: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

44 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nandainga.” Izay mivoaka ny vavantsika dia lainga.

“Raha mandainga izy dia ny azy no lazainy ” (Jaona 8:44). Izay tsy ateraka indray tia miteny hoe “Milaza anao ny marina aho...marina e, ny lazaiko dia marina... .” Nefa lainga foana izany. Toa ny voasoratra “ Raha mandainga izy dia ny azy no lazainy.”

Ny olona miankina amin’ny teny tsy misy fotony ary mandainga. Ny olona dia mahalala ny ratsy ary maneho ny tsy fahamarinana. Ny olona mihotrika ny atodin’ny menarana ary manenona ny tranon-kala.. Hoy Andriamanitra “Izay mihinana ny atodiny dia ho faty ary ho poritra toa ny menarana vaky.” Lazainy fa misy atodin’ny menarana ao am-ponareo. Atodin’ny menarana! Misy ny ratsy ao am-ponareo. Ho voavonjy anie hianareo amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny ra.

Isaky ny manomboka mitory ny tenin’Andriamanitra aho, dia hoy ny olona: “An, an! aza miresaka momban’Andriamanitra amiko azafady. Isaky ny manandrana manao zavatra aho, dia mivoaka amiko ny otako. Mibosesika ireo. Vao mihetsika aho dia miraraka manondidina ny ota. Tsy afaka manao na inona na inona aho. Feno ota loatra aho. Ka aza miresaka amiko momban’Andriamanitra.”

Io olona io dia mahafantatra fa atontan-ota izy fa tsy fantany marina ny filazantsara mety hamonjy azy. Izay mihevitra fa atontan-ota izy dia afaka ho voavonjy.

Ny rehetra dia toa izany. Ny rehetra dia mampiely fahotana. Mibosesika ireo satria ny olona dia antontan-ota. Ny herin’Andriamanitra ihany no mety hamonjy ny olona toa izany. Tsy mahagaga ve? Izay mampiely ny ota rehefa misafotofoto ny saina, sambatra, miadana...dia

Page 45: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

45 TERAKA HO MPANOTA NY OLONA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mety ho voavonjin’i Jesosy Tompontsika. I Jesosy dia tonga namonjy ny olona.

Ary dia nanavotra ny otantsika rehetra Izy. Fantaro ny tenanareo tahaka ny atontan-ota ary ho voavonjy anie hianareo. !

Page 46: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

46 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 3

RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA

HO VOAVONJINY?

La lalàna

Ota

Page 47: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

47 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO

VOAVONJINY?

<<<< Lioka 10:25 –30 >>>> “Ary, indro nisy mpahay Lalàna anankiray

nitsangana ka naka Fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna? manao ahoana no famakiana azy? Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra. Ary hoy Jesosy taminy: marina ny navalinao, ataovy iozany, dia ho velona hianao. Fa izy ta-hanamarina ny

tenany ka nanao tamin’i Jesosy hoe: iza ary no namako? Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany rehefa saiky maty.”

Inona no tena olan’ny olona?

Miaina amin’ny hadisoan-kevitra betsaka izy.

Lioka 10:28 “Ataovy izany dia ho velona

hianao.” Ny olona dia miaina amin’ny nofy maro diso.

Toa malemy tokoa izy anoloan’izany. Toa fetsy izy nefa mora voafitaka ary tsy mahafantatra ny

Page 48: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

48 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

lafiny ratsy. Nateraka tsy mahafantatra ny tenantsika isika nefa miaina foana tahaka ny hoe tsy izany. Satria ny olona tsy mahafantatra ny tenany, ny Baiboly milaza fa mpanota isika.

Ny olona miresaka ny fisian’ny otany. Ary indraindray, toa tsy afaka manao zava-tsara ny olona ary toa malaky miteny izany ho tsara. Mandoka sy mamposeho ny zava tsara ataony izy. Lazaina fa mpanota izy nefa manao tahaka ny hoe tsara.

Fantany fa tsy manana ny tsara anaty izy na ny fahazoana manao ny tsara fa manandrana mandainga amin’ny hafa izy ary indraindray mandainga tena. “Tsy dia ratsy tanteraka isika. Misy fahatsarana kely amintsika.”

Izany no fijeriny ny hafa ary miteny “oh! Tiako raha tsy manao an’izany izy. Tsara ho azy ny tsy fanaovana an’izany. Tsara ho azy raha miteny toa izao izy. Mihevitra aho fa tsara kokoa

raha mitory ny filazantsara toa izao izy. Voahavotra talohako izy ka mihevitra aho fa tokony anao tahaka ny olona voahavotra izy. Vao haingana aho no voahavotra fa raha manohy mianatra aho dia afaka manao tsara kokoa noho ny amin’izao fotoana izao.”

Mandentika ny antsy ao am-pony izy. “Andraso. Ho hitanareo fa tsy mitovy aminareo aho. Mihevitra hianareo fa eo anoloako anio? Andraso. Voasoratra anaty Baiboly fa ny farany ho voalohany. Aiko ahoana no hampihatrana azy amiko. Andraso ary hamposeko anareo.” Mifandiso ny olona.

Raha manao marina tahaka azy aza izy raha teo amin’ny toerany, dia ho tsaraina ihany. Rehefa mitsangana eo amin’ny polpitrany izy, dia hibadabada, ho tsy hanan-kery ary ho tonga saina amin’ny endriny ivelany. Ny mpitory teny tsy maintsy mijery fotsiny an’Andriamanitra ary

Page 49: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

49 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tsy tokony hisaina ny heritreretin’ny hafa. Raha manao an’izany izy dia tsy afaka hitory

teny. Rehefa anontaniana raha afaka manao ny tsara ny olona, ny ankabeazany milaza fa tsia. Nefa mihevitra izy fa afaka anao an’izany irery. Ka manandrana mafy izy mandra-pahafatiny.

Mihevitra izy fa misy hatsarana ao am-pony, izay afahany manao ny tsara. Mihevi-tena izy fa tsara ihany. Raha tsy dinihana hatramin’ny aoviana izy no ateraka indray, na ireo izay nandroso be teo amin’ny asan’Andriamanitra miheriteritra “afaka manao an’izao sy izao aho ary ho an’Andriamanitra.”

Raha tsy mandray an’Andriamanitra ao am-po isika dia ho tsara tokoa ve? Misy fahatsarana ve amin’ny olona? Mety hiaina amin’ny fanaovana zavatra tsara ve izy? Ny olona tsy afaka manao ny zavatra tsara. Isaka ny manandrana irery izy dia manota.

Betsaka ny manao tsirambina an’i Jesosy rehefa voavonjy ary manandrana manao zavatra tsara irery. Faharatsiana fotsiny no amintsika. Ny ratsy ihany no haintsika atao. Irery (raha ireo voavonjy aza), ny manota ihany no azontsika atao. Izany no fahamarinan’ny nofontsika.

Inona foana no ataontsika, ny tsara sa ny ratsy?

Ny ratsy

Ao anatin’ny boky fiderana atao hoe “Praise

the Lord,” misy hira manao hoe “Raha tsy misy an’i Jesosy dia mianjera isika. Tsy misy dikany isika tahaka ny sambo mamaky ranomasina tsy misy lain-tsambo.” Raha tsy misy an’i Jesosy dia tsy afaka manao zavatra afa noho ny manota isika. Olo-marina isika raha voavonjy. Ny tena

Page 50: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

50 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

marina dia ratsy isika. Ny apositoly Paoly niteny hoe “Tsy manao ny

tsara tiako aho, fa manao ny ratsy izay tsy tiako atao” (Romana 7:19). Raha misy olona miaraka amin’i Jesosy, tsy maninona. Nefa raha tsy misy antony ny hiarahany amin’Andriamanitra, manandrana manao zava-tsoa eo Anatrehany izy. Nefa ho hitany fa ny ratsy ataony mitombo amin’ny fanandramany.

Na ny mpanjaka Davida aza dia toa izany. Rehefa mandry sy nandroso ny taniny, dia toa anaty efitra fitaratra fampisehoana izy. Nijery sary mampitsiriritra ary nahatsapa hafinaretana ara-nofo izy. Tahaka n’inona izy rehefa nanadino an’i Tompo? Tena ratsy izy. Namono an’i Oria izy ary naka ny vadiny nefa tsy nety nahita izay ratsy amin’ny nataony. Nanamarina ny nataony izy.

Ka indray andro, ny mpaminany Natana

niteny taminy “Nisy lehilahy roa tao anaty tanàna iray, ny iray manankarena, ny faharoa mahantra. Ilay manankarena niompy biby kely sy lehibe betsaka. Ilay mahantra tsy nanana na inona na inona afatsy ondrivavy kely iray. Nisy mpivahiny tonga tao amin’ilay mpanankarena ary ilay mpanankarena nitsitsy sy biby fiompiny, nalainy ilay ondrivavin’ilay mahantra ka nokarakarainy ho an’ilay mpivahiny” (2 Samoely 12:1-4).

Hoy Davida “Ilay olona nanao an’izany dia mendrika ny ho faty.” Ny hatezerany nirehitra mafy. Hoy izy “Nanana betsaka izy, afaka naka iray izy. Nefa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy ho sakafon’ilay mpivahininy.” Tsy maintsy ho faty izy! Ary hoy Natana taminy “Hianao io olona io.” Raha tsy manaraka an’i Jesosy ary tsy miaraka Aminy, na ireo ateraka indray aza dia ho toa izany.

Page 51: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

51 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Mitovy amin’izany ny olona rehetra, na ireo mino aza. Tafintohina foana isika ary manao ny ratsy tsy misy an’i Jesosy. Ka mankasitraka indray isika voavonjin’i Jesosy nefa tsy mijery ny ratsy izay amintsika. “Te hijanona arovan’ny Hazo fijaliana.” Ny fontsika mijanona arovan’ny fanavotan’i Kristy. Nefa raha miala ny aloka isika ary miaina irery, tsy ho afaka ny miala sasatra.

NOMEN’ANDRIAMANITRA NY FAHAMARINAN’NY FINOANA ISIKA ALOHAN’NY LALANA

Inona no aloha, ny finoana sa ny Lalàna?

Ny finoana

Ny apostoly Paoly niteny fa Andriamanitra nanome antsika ny fahamarinan’ny finoana aloha. Ny fahamarinan’ny finoana tonga voalohany. Nomeny an’i Adama sy Eva, Kaina sy Abela, Seta sy Enoka... hatramin’i Noa... ary Abrahama, ary nomeny an’i Isaaka, Jakoba sy ny zanany lahy roa amby ny folo. Na tsy misy ny Lalàna aza, tonga marina eo anatrehan’Andriamanitra ireo noho ny finoany ny Teniny. Voatahy ireo ary nahazo ny fialantsasatra mandrakizay noho ny finoany ny Teniny.

Ary nandeha ny andro ary ny taranak’i Jakoba niaina ho andevo tany Egypta nandritra ny 400 taona noho i Jozefa. Avy eo Andriamanitra nanafaka azy amy ny fanandevozana, miaraka amin’i Mosesy hatramin’ny tanin’i Kanana. Nefa nandritra ny 400 taona fandevozana, nanadino ny fahamarinan’ny finoana izy.

Page 52: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

52 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ka nampitan’Andriamanitra ny Rano Mena ireo amy ny fomba mahagaga ary nitondra azy tany amy ny tany foanan’ny Sina. Rehefa tonga tany ireo, nomeny azy ny Lalàna teny amin’ny tendrombohitra Sinai. Nomeny ny didy folo izay misy 613 antokon’ny Lalàna. “Izao no Tompo Andriamanitrao, ny Andriamanitr’i Abrahama, ny Andriamanitr’i Isaaka, ny Andriamanitr’i Jakoba. Alefaso any amy ny tendrombohitra Sinai i Mosesy dia omeko azy ny Lalàna.”

Nomen’Andriamanitra an’i Isiraely ny Lalàna. Nomeny azy ny Lalàna satria “ny Lalàna no

ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3:20). Mba ho hafantarany izay Tiany sy tsy tiany ary hamposeho ny Fahamarinany sy ny Fahamasinany.

Ny zanak’Isiraely rehetra izay nandevozina nandritra ny 400 taona tany Egypta dia namita ny Rano Mena. Tsy mbola nahita ny Andriamanitr’i

Abrahama, ny Andriamanitr’i Isaaka, ny Andriamanitr’i Jakoba, mihitsy ireo. Tsy nafantatra an’Andriamintra izy.

Nandritra ny 400 taona nandevozana azy, adinony ny fahamarinan’Andriamanitra. Rehefa avy eo, tsy nanana mpitondra izy. Jakoba sy Josefa no mpitondra azy fa efa maty ireo. Toa tsy vitan’i Jozefa ny namindra ny finoana amy ny zanany lahy Manase sy Efraima.

Ka, tsy maintsy nahita indray an’Andriamanitra izy ary nifanena Taminy satria nanadino ny fahamarinan’Andriamanitra. Ka Andriamanitra nanome azy ny fahamarinana’ny finoana aloha ary avy eo ny Lalàna rehefa nanadino ny finoana izy. Nomeny azy ny Lalàna mba hiverenany Aminy.

Mba hamonjena an’Isiraely, mba hatonga azy firenenany, firenen’i Abrahama, nasaina nanao famorana ireo. Ny fikasany dia voalohany mba

Page 53: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

53 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hafantarany an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Lalàna ary faharoa mba hafantarany fa mpanota izy eo Anatrehany. Tiany ny hanatonany Azy ary hatongavany vahoakany sady hanavotana azy amin’ny soron’ny fanavotana izay nomen’Andriamanitra azy. Ary nataony vahoakany ireo.

Ny zanak’Isiraely voahavotrin’ ny Lalàna (ny fomba fisoronana) noho ny finoany ny Mesia izay ho avy. Fa ny fomba fisoronana dia tsy hita intsony miaraka ny andro mandroso. Aoka ho jerentsika rahoviana izany no niseho.

Ao amin’ny Lioka 10:25 “Ary indro nisy mpahay Lalàna anankiray nitsangana ka naka Fanahy an’i Jesosy ” Io mpahay Lalàna io dia Fariseo. Ny Fariseo dia olona mpitahiry izay nanandrana niaina araka ny Teniny. Olona nanandrana miaro ny tanin-drazany aloha ireo ary avy eo miaina araka ny Lalàny. Nisy ny

Zeloty izay mora tezitra sy mora mangataham-bonjy amin’ny fampisehoana mba hatongavana amin’izay ilainy.

Iza no tian’i Jesosy ho ita?

Ny mpanota tsy misy mpiandry

Misy olona toa izany ankehitriny. Mitarika ny

kotabataban’ny vahoaka ireo miaraka ny teny tahaka ny hoe “vonjeo ny ampahorin’ny fanjakana.” Mihevitra izy fa i Jesosy tonga namonjy ny mahantra sy ny ampahorina. Ka mianatra ny teolojia izy, manao politika, ary manandrana “mamonjy ny mahantra” rehetran’ny fanjakana.

Ireo no maharitra “Aoka isika hiaina araka ny Lalàna masina sy be indra-fo...Arao ny Lalàna

Page 54: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

54 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

araka ny Teniny.” Nefa tsy tonga saina izy amin’ny tena dikany ny Lalàna. Manandrana miaina araka ny taratasin’ny Lalàna ireo nefa tsy mahalala ny fanambarana masina.

Any ka afaka miteny isika fa tsy nisy mpaminany, mpanompon’Andriamanitra, nandritra ny 400 taona alohan’i Kristy. Lasa andiana zanak’ondry tsy misy mpiandry izy.

Sady tsy nanana Lalàna izy no tsy nanana mpitondra. Andriamanitra tsy niseho taminy amin’ny alalan’ny mpitarika fivavahana mpihatsaravelatsihy tamin’izany andro izany. Lasa zanan-tany Romana ny tany. Ka Jesosy niteny tamin’ny zanak’Isiraely fa tsy avelany ho mosarena izy. Nampalahelo Azy ilay andiana tsy misy mpiandry. Betsaka ny olona nijaly tamin’izany fotoana izany.

Ary ny mpahay lalàna dia ireo izay nanana fahefana, ny Fariseo dia avy amin’ny

firazanan’Isiraely, ny fivavahan’ny Jody. Mirehareha ireo.

Ary ity mpahay lalàna manontany an’i Jesosy ao amin’ny Lioka 10:25 “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Neveriny fa tsy nisy olona afa tsara kokoa noho izy tao amin’ny zanak’Isiraely. Ary ity olona mpahay lalàna ity (ilay izay tsy voahavotra) nihatsy an’i Jesosy manontany azy hoe: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Io mpahay Lalàna io dia sarin-tsika. Nanontany an’i Jesosy izy hoe “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Jesosy namaly hoe “Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna? manao ahoana no famakinao azy?”

Ary hoy Izy “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary

Page 55: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

55 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao, ataovy izany, dia ho velona hianao.”

Nihatsy an’i Jesosy ireo nefa tsy mahafantatra fa ny tenany dia ratsy, vongan’ota izay tsy afaka manao ny tsara. Ary hoy Jesosy taminy “Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?”

Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna?

Isika dia mpanota tsy mahay

mitana ny Lalàna. “Manao ahoana no famakinao azy? Marina

ny navalinao, ataovy izany, dia ho velona hianao.” “Manao ahoana no famakinao azy ” Izany midika hoe: ahoana no fomba

hafantaranareo sy azonareo ny Lalàna. Tahaka ny ataon’ny olona maro ankehitriny, io

mpahay Lalàna io nihevitra fa nomen’Andriamanitra ny Lalàna izy mba ho tehiriziny. Hoy ny valiny “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Tsy nisy diso ny Lalàna. Nomeny Lalàna tonga lafatra isika. “Asainy tia an’Andriamanitra amin’ny fo sy ny Fanahy rehetra isika ary koa ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika.” Marina amintsika ny tian’Andriamanitra amin’ny fo sy araka ny herintsika rehetra nefa ny teny masina tsy voatana.

“Manao ahoana no famakinao azy?” midika fa marina ny Lalàna fa ahoana no andraisanareo azy? Ilay mpahay Lalàna nihevitra fa nomen’Andriamanitra azy io mba hanaovany ny

Page 56: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

56 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

didiny. Nefa ny lalàn’Andriamanitra nomeny mba hafantarantsika ny heloka, ary hampiharihary ny tsy fahamarinana rehetra. Ny Lalàna mampiseho ny otantsika “Nanota hianao. Namono hianao nefa efa nolazaiko tsy hamono. Maninona hianao tsy mihaino ny teniko?”

Ny Lalàna mampiseho ny ota ao am-pon’ny olona. Aoka heverintsika fa eo amy ny làlako misy voatango masaka. Andriamanitra mampilaza amiko amin’ny Lalàna “Aza maka an’ireo voatango ireo. Menatra anao aho raha manao an’izany hianao.” “Eny raiko.” “An’olon-kafa io saha io, ka tsy afaka maka na inona na inona ao hianao.” “Eny Raiko.”

Amin’ny fotoana handrenesana amin’ny Lalàna fa tsy tokony angalatra, mahatsiaro famporisihana lehibe isika mitarika ny angalatra. Raha manindry vimiaina, misy fietsika manosika amin’ny fiverenany. Toa izany ny otan’ny olona.

Nolazain’Andriamanitra tsy anao ratsy mihitsy isika. Afaka miteny an’izany Andriamanitra satria masina Izy, satria Izy lavorary, satria ny fahaizany hanaovana an’izany. Hafa lavitra isika, tsy afaka tsy manota “na oviana na oviana” ary “oviana na oviana” manao ny soa. Tsy manana “na oviana na oviana” ny soa ao am-po isika. Ny Lalàna miteny “na oviana na oviana” (io teny na oviana na oviana io dia ifanekena fa tsy voalaza marina akory). Maninona? Satria ny olona manana fanirina ao am-pony. Araka ny fanirina no hiasantsika. Maka vadin’olona isika satria manana an’izany ao am-po.

Tokony mitandrina tsara isika rehefa mamaky ny Baiboly. Tamin’izaho nanomboka nino an’i Jesosy, nino araka ny Teniny aho. Novakiko fa Jesosy dia maty tamin’ny Hazo fijaliana ho ahy ary tsy nitsahatra nitomany aho. Olona tena ratsy tokoa aho ary Izy maty teo amin’ny Hazo

Page 57: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

57 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fijaliana ho ahy...Narary be ny foko ka nino Azy aho. Avy eo, niheritreritra aho “Raha nanomboka mino aho, tsy maintsy mino ny Teniny!”

Raha namaky ny Eksodosy 20 aho, voasoratra hoe “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.” Nivavaka sady nibebaka araka ny Teniny aho. Nitady tao an-tsaiko aho raha nanana Andriamanitra hafa. Azoko an-tsaina tamin’izay fa nitia Andriamanitra hafa aho raha nanao ny fomban-drazana. Nanao fahotana aho raha nitia Andriamanitra hafa.

Ka nivavaka aho sady nibebaka, “Andriamanitra, nivavaka tamin’ny sampy aho. Tokony ho tsaraina aho ho an’izany. Manafà ny otako azafady. Tsy anao intsony mihitsy aho.” Ny ota iray dia voalamina tamin’izany.

Avy eo dia nanontany tena aho raha niantso ny Anarany foana. Ka tadidiko fa rehefa nanomboka nino an’Andriamanitra aho, nifoaka sigara. Ny

namako niteny hoe “Tsy manala-baràka an’Andriamanitra amin’ny fifoana ve hianao?” Ahoana moa Kristiana afaka mifoka sigara?

Dia fiantsom-poana ny Anarany ve izany? Ka nivavaka indray aho “Tompo, nanontany foana ny Anaranao aho. Mamelà ahy, azafady.” Ka nanandrana ny tsy nifoaka sigara intsony aho nefa tsy nitsahatra namporehitra sy namono sigara nandritra ny herintaona. Sarotra be mihitsy izany, toa tsy azo heverina ny mitsahatra mifoka. Fa tamin’ny farany, afaka tanteraka tamin’ny sigara aho. Fantatro tamin’izay fa nisy ota iray voalamina.

Ny manaraka dia hoe “Tadidio ny andron’ny sabata, hanamasinana Azy.” Izany midika hoe tsy manao zavatra firy ny alahady, fivarotana na fazaoam-bola...Ka najanoko daholo izany.

Avy eo “Omeo voninahitra ny ray sy reninao.” Nomeko voninahitra ireo tamin’izao

Page 58: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

58 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

lavitra azy fa namparary ny andohako izy rehefa teo ankaikina aho. “Andriamanitra o! Nanota teo anoloan’Andriamanitra aho. Manalà ny heloko, Tompo.” Nanao vavaka fibebahana aho.

Nefa tsy afaka nanome voninahitra ho an’ny ray amandreniko intsony aho satria maty zareo avy eo. Inona no tokony ataoko? “Tompo, manalà ny helok’ity mpanota mahantra. Maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho ahy Hianao.” Mankasitraka aho!

Toa izany koa, nihevitra aho fa tokony mibaboka ny otako rehetra, tsirairay avy. Nisy ny Lalàna toa ny hoe aza mamono, aza maka vadin’olona, aza mitsiriritra...Tsaroako fa tsy nisy iray tsy nandikako. Nivavaka ny alina manontolo aho. Fantatrareo moa fa tsy mahafaly ny manao vavaka fibebahana. Aoka isika hiresaka momban’izany?

Rehefa niheritreritra ny fanohomboana an’i

Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana aho, nangoraka mafy. Ary Izy maty ho antsika izay tsy afaka niaina araka ny Teniny. Nitomany nandritra ny alina iray manontolo aho raha niheritreritra ny fitiavako Azy ary nisaotra Azy nanome ahy hafaliana marina.

Nandritra ny taona voalohany, mora ny nankany am-piangonana fa ny taona roa avy eo, lasa sarotra satria tsy maintsy miraikitra tsara aho mba hatongavan’ny ranomaso satria nanao an’izany hibetsaka loatra.

Rehefa tsy tonga ny ranomaso, matetika aho lasa mivavaka any amin’ny tendrombohitra ary tsy misakafo mandritra ny 3 andro. Avy eo, tonga indray ny ranomaso. Vonton’ny ranomasoko aho, niverina an-tanàna ary nitomany tany am-piangonana.

Ny olona manondidina niteny tamiko hoe “Lasa olo-masina hianao amy ny vavakao teny

Page 59: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

59 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny tendrombohitra.” Nefa ny ranomasoko maina indray. Lasa vao maika sarotra ny taona faha telo. Tsy maintsy niheritreritra ny faratsian’ny namako sy ny Kristiana hafa aho ary nitomany indray. Afaka 4 taona, tsy nisy intsony indray ny ranomasoko. Nisy làlan-dranomaso ny masoko nefa tsy niasa intsony ireo.

Dimy taona tato aoriana, tsy afaka nitomany intsony aho raha nanao izay mety aza. Ny oroko ihany sisa no nihetsika. Roa taona avy eo, nankaleo ahy ny tenako ary noraisiko ny Baiboly.

NY LALANA NO AHAZOANA NY FAHALALANA AMIN’NY OTA

Inona no tokony atao momban’ny Lalàna?

Tsy maintsy mitana

ny Lalàna isika. Ao amin’ny Romana 3:20, mamaky isika “Fa

ny Lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota.” Noheveriko fa afatra ho an’ny apositoly Paoly irery io ary nino fotsiny ny teny nofidiko aho. Nefa tao aoriana ny namainan’ny ranomasoko, tsy afaka nanohy ny fiainam-pinoana intsony aho.

Ka nanota foana aho ary fantatro fa nanana ny ota tao am-poko ary dia tsy afaka niaina niaraka

Page 60: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

60 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tamin’ny Lalàna. Tsy tantiko izany. Nefa, tsy azoko atao anila ny Lalàna satria nihevitra aho fa nomena izy mba ho ekena. Tamin’ny farany, lasa olona mpahay Lalàna aho tahaka an’ireo ao amin’ny Soratra Masina. Lasa sarotra ny manohy fiainam-pinoana.

Amin’izay, hialana ny fitsapana, nitady mpitory teny aingana aho izay nitory momban’ny ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy. Nifanena tamin’ny mpitory teny aho izay nitory fa ny otantsika rehetra dia voahavotra.

Isaky ny mandre aho fa tsy nanana ota, dia toa ny rivotra kely mangatsiatsiaka mitsoka ao am-poko. Be loatra ny otako ka rehefa namaky ny Lalàna aho, dia nanomboka nahatsiaro ireo ota ireo. Nandika ny didy folo tao am-poko aho. Ny manota ao am-po dia fahotana koa, efa lasa marenina aho nino ny Lalàna.

Rehefa nilefitra amin’ny Lalàna aho dia

sambatra. Nefa rehefa tsy afa nitana azy, dia nahantra, sady nahadisadisa no nalahelo. Raha nampianarina amiko hatrany am-pidohana moa “Tsia, tsia.” Misy heviny afa ny Lalàna. Mamposeho ny maha mpanota anareo izy, ny fitiavanareo vola, ny fitiavanareo mijangajanga ary ny zavatra izay tsara ho jerena. Misy zavatra tianareo kokoa noho Andriamanitra. Tianareo ny manaraka ny zavatr’ity tany ity. Nomena anareo ny Lalàna, tsy ho tazomina akory, fa ampifantarana anareo fa mpanota hianareo miaraka ny ratsy ao am-ponao.

Raha misy olona nampianatra ahy izany, tsy nijaly aho nandritra ny folo taona. Satria niaina folo taona araka ny Lalàna aho hatramin’ny andro natsiarovako an’izany.

Ny didy faha efatra dia “Tadidio ny andron’ny sabata hanamasina azy.” Izany dia midika fa tokony mandroso fa tsy mianika ambony zavatra

Page 61: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

61 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

na lavitra aza. Ary nihevitra aho fa tokony nandroso mba ho any amin’ilay toerana izay hitoriako teny mba ho be voninahitra. Na dia izany aza, tsy maintsy nitory ny Lalàna aho. Ka nihevitra aho fa tsy maintsy manao izay nitoriko rehetra. Sarotra loatra anefa izany ka saika namoy aho.

Toa ny voasoratra eto “Manao ahoana no famakinao azy.” Tsy nazava tamiko io fanontaniana io ary nijaly aho nandritra ny folo taona. Ilay mpahay Lalàna tsy nahazo azy tsara koa. Nihevitra izy fa raha manaiky ny Lalàna sy miaina amim-pahamalinana dia ho tahin’Andriamanitra.

Fa i Jesosy niteny taminy “Manao ahoana no famakinao azy?” Eny, namaly tsara hianao, fantatrao izay voasoratra. Andramo ary tazomy. Ho velona hianao raha manao an’izany fa ho faty kosa raha tsy manao. Ny fahafatesana no

tambin’ny ota. “Ho faty hianao raha tsy manao an’izany” (Ny fahavelomana sy ny fahafatesana dia mifanohitra moa an?)

Ary mbola tsy mazava amin’ny mpahay Lalàna izany. Ny mpahay Lalàna dia isika, hianareo sy izaho. Nianatra teolojia aho nandritra ny folo taona. Nanandrana zavatra maro aho, namaky ary nanao zavatra betsaka: mifady hanina, manana tsindrimandry, miteny teny maro...Namaky ny Baiboly aho nandritra ny folo taona ary naniry hanatanteraka zavatra. Fa jamba ara-panahy aho.

Izany no antony tokony hifankahitan’ny mpanota amin’ny olona izay afaka mampiseho azy fa Izy dia Jesosy Tompontsika. Avy eo dia ho fantany “Ah! Tsy afaka hitana ny Lalàna mihitsy isika. Na miaraka ny herintsika manontolo aza, ny fahafatesana ihany no mety azo raha manandrana. Fa Jesosy tonga namonjy antsika

Page 62: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

62 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

miaraka ny rano sy ny Fanahy! Haleloia!” Fahasoavana io, fanatitra avy amin’Andriamanitra. Ka miderà ny Tompo.

Efa ampy ny fiovako hialana amin’ny làlan’ny famoizam-po, fa misy mandany ny fiainany manontolo hianarana teolojia mandra-pahafatiny. Misy mino mandritra ny amam-polo taona na mandritra ny taranaka mifandimby, nefa tsy ateraka indray na oviana na oviana.

Manomboka tsy mpanota intsony isika amin’ny fotoana hazahoantsika fa ny Lalàna tsy afaka tazomina mihitsy sy rehefa mametraka an’i Jesosy aloha isika ary mihaino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Rehefa mihaona an’i Jesosy isika, afaka amin’ny fitsarana rehetra, ny fanamelomana rehetra. Anisan’ny mpanota ratsy indrindra isika nefa lasa olo-marina satria novonjeny tamin’ny rano sy ny ra.

Notenin’i Jesosy isika mba tsy hiaina araka ny sitra-pony mihitsy. Noteniny tamin’ilay mpahay Lalàna izany fa tsy azony. Ka nilaza tantara iray taminy Jesosy hanazavaina azy .

Inona no mahatonga an’ny olona hamery ny fiaianam-pinoana?

Ny ota.

Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: “Nisy

lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy dia nilaozany, rehefa saika maty” (Lioka 10:30). Jesosy niteny taminy, fa mijaly mandritra ny fiainana manontolo izy, tahaka an’ity olona voakapokan’ny jiolahy ity ary saika maty.

Lehilahy anankiray nidina avy tany

Page 63: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

63 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jerosalema hankany Jeriko. Jeriko midika hoe tany fahagola ary i Jerosalema midika tanànan’ny fivavahana, tanànan’ny finoana, tanànan’ireo mpireharehan’ny Lalàna. Miteny Izy fa raha mino an’i Kristy isika tahaka ny fivavahantsika, dia levona.

“Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy dia nilaozany, rehefa saika maty.” Jerosalema dia tanàna lehibe misy mponina betsaka. Nisy ny mpisorona avo, mpandray vahiny an’ny mpisoronana, ny Levita ary olom-pivavahana malaza maro. Betsaka ny nahafantatra ny Lalàna. Ka nanandrana niaina araka ny Lalàna ireo fa tsy nahavoa foana ary nankany Jeriko. Notazominy ny helok’izao tontolo izao (Jeriko) ary nifanena tamin’ny jiolahy izy.

Azon’ny jiolahy ilay lehilahy teo amin’ny

làlana mankany Jerosalema, dia nendahany ny lambany. “Voahendaka lamba” midika fa very ny fahamarinany. Tsy azontsika heverina ny miaina araka ny Lalàna. Hoy ny apositoly Paoly ao amin’ny Romana 7 “Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny Lalàna. Ary amin’izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.”

“Nihevitra aho fa nanao tsara ary niaina araka ny Teniny. Fa avy ao anatin’ny fon’ny olona no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavonana, ny fahadalana” (Marka 7:21-23).

Satria avy ao am-pontsika ireo ary mivoaka atsy sy aroa, manao izay tsy tiantsika isika ary tsy manao izay tiana atao. Manohy manao ny

Page 64: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

64 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

zavatra ratsy am-po. Izay ataon’ny Devoly dia ny manosika kely fotsiny antsika hanota.

NY OTA AO AM-PON’NY OLONA

Afaka miaina tsy misy ny Lalàna ve isika?

Tsia

Voasoratra ao amin’ny Marka 7:15, “Fa tsy ny

zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahatoto azy.”

Lazainy fa misy ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny

fitenenan-dratsy, ny avonavonana, ny fahadalana, ao am-pon’ny olona.

Tsy misy tsy mpamono olona. Ny reny mikiakiaka amin’ny zanany “Aza manao an’izao. Efa lazaiko hianao tsy anao an’izao. Tss! lazaiko hoe aza manao an’izao.” Avy eo “Mankanesa eto. Efa miteny sy mamerina aho fa aza manao an’izao. Ho vonoiko hianao.” Vonoan-olona io. Afaka mamono ny zanakao hianao amin’ny fiteny adala.

Afaka miaina ny ankizy satria manalavitra antsika aingana izy, nefa raha maneo ny atezerana isika, ho faty izy. Vonoantsika eo anatrehan’Andriamanitra izy. Indraindray, matahotra isika. “Andriamanitra ô! Inona no nataoko?” Hitantsika ny vonoan-olona rehefa avy nikapoka ny ankizy isika ary mihevitra fa adala nanao an’izany. Manao an’izany isika satria manana ny vonoan-olona ao am-po.

Page 65: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

65 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ka “Manao ny tsy sitrako aho” midika fa manao ratsy isika satria ratsy. Ary mora loatra an’ny Satana ny mitsapa antsika amin’ny ota.

Aoka heverina lehilahy iray tsy voahavotra mitoetra anaty trano kely mandritra ny folo taona, manatrika ny rindrina ary eo am-pieritreretana lalina, tahaka an’i Sung-Chol, ilay relijiozy Koreana malaza. Tsara ny manatrika ny rindrina, nefa tsy maintsy misy mitondra sakafo ho azy sy manala ny loto.

Izany hoe tsy maintsy mifampikasoka amin’ny hafa izy. Tsy misy olana raha lehilahy no tonga, nefa ahoana kosa raha vehivay tsara tarehy. Raha sendra voajeriny ilay vehivavy, dia ho foana ny ataony. Miheritreritra izy: “Tsy tokony hijangajanga aho. Ao am-poko izany nefa tsy maintsy roako. Tsy maintsy hakifiko izany.Tsia! mialà amin’ny saiko!”

Nefa misava ny fanapahany rehefa mahita azy

izy. Avy eo, lasa ilay vehivavy, tanany ao am-po. Ary foana teo ny asa mafy natao nandritra ny dimy taona.

Mora amin’ny Satana ny manala ny fahamarinan’ny olona. Ny ataony dia manosika kely fotsiny. Raha misy olona miady tsy voahavotra, latsaka am-pahotana izy. Mandoa ny rakitra am-pinoana isaky ny alahady izy, mihafy hanina mandritra ny 40 andro, mivavaka isa-maraina mandritra ny 100 andro... fa Satana mitsapa azy amin’ny zavatra tsara ny fiainana.

“Omeko toerana lehibe ao amin’ny fikambanana hianao nefa moa hianao Kristiana ary tsy afaka miasa ny alahady, sa ahoana?”Angamba hianao afaka hiasa mandritra ny alahady telo dia mankany am-piagonana indray mandeha isam-bolana. Ka azo hafinaretana hianao amin’izany asa lehibe izany ary azo vola be. Inona no hevitrao? Angamba

Page 66: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

66 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

100 aman-jato no voavidy. Raha tsy mandeha izany, misy ireo izay

malemy rehefa mahita vehivavy. Asian’ny Satana vehivavy eo anoloany dia latsa-pitia izy ary manadino an’Andriamanitra vetivety. Toa izany no mahatonga ny olona ho voahendaka amin’ny fahamarinana.

Raha manandrana miaina araka ny Lalàna isika, ny azo amin’ny farany dia ratran’ny fahotana, alahelo sy fahantrana, very ny fahamarinantsika. “Nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy dia nilaozany, rehefa saika maty.”

Izany midika fa raha manandrana mijanona ao Jerosalema aza isika miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, tafintohina ihany indray andro noho ny fahalemena ary ho rava.

Ary avy eo, hivavaka sady hibebaka eo

anatrehan’Andriamanitra “Tompo, nanota aho. Mamelà ny heloko, azafady; Tsy hanao an’izany intsony aho. Mampanantena anao aho fa farany iny. Mangataka sy mitalaho Aminao aho, vonjeo indray mandeha.”

Nefa tsy mitsahatra mihitsy izany na oviana na oviana. Tsy afaka miaina tsy misy ota ny olona. Afaka misoroka an’izany izy indray na indroa nefa sarotra ny tsy manota intsony. Ka manota indray izy. “Tompo, mamelà ny heloko.” Raha mitohy izany dia hanalavitra ny fiangonana (fivavahana) izy. Ho lavitra an’Andriamanitra noho ny otany ary hiafara any amin’ny afobe.

Mandeha any Jeriko midika latsaka ao amin’ny tany fahagola, mandeha akaikin’izao tontolo izao ary lavitra an’ny Jerosalema. Tany am-piadohana, Jerosalema mbola akaiky. Nefa ny ota sy ny nenina miverina, tonga eny amin’ny làlan’i Jeriko isika, latsaka mafy ao anatin’izao

Page 67: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

67 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tontolo izao.

Iza no ho voavonjy?

Izay mijanona miankina amin’ny tenany irery.

Iza no nifanena tamin’ilay lehilahy teo amin’ny

làlana mankany Jeriko? Jiolahy. Izay tsy miaina araka ny Lalàna lasa toa ny alika manetry tena. Misotro, matory na aiza na aiza, mamany na aiza na aiza. Mifoha io alika io ny ampitso dia misotro indray. Izany no maha-alika azy. Fantany fa tsy tokony hisotro izy. Manenina izy ny ampitso kanefa mamerina misotro indray.

Tahaka an’ilay lehilahy nifanena tamin’ny jiolahy teo am-pandehanana any Jeriko. Nilaozany maratra sy saika maty izy. Ota fotsiny ny ao-pony. Izany ny olona.

Ny olona mino an’i Jesosy sy miaina araka ny Lalàna ao Jerosalema, nefa voavela ao aoriana miaraka amin’ny ota ao am-po izy. Ny sisa hamposehony ho fiainana ara-pivavahana dia ny ratran’ny otany. Ireo izay manana ny ota ao-pony dia hivarina any amin’ny afobe. Fantany izany nefa tsy fantany izay tokony atao. Tsy tahaka azy ve izaho sy hianareo? Eny. Mitovy daholo isika.

Ny mpahay Lalàna izay tsy nahazo tsara ny lalàn’Andriamanitra tokony hiady mandritra ny fiainany manontolo nefa hifarana any amin’ny afobe, voaratra. Isika io, izaho sy hianareo.

Jesosy ihany no afaka hamonjy antsika. Maro ny fetsy manondidina antsika ary mampiseho foana izay fantany. Mihambo miaina araka ny lalàn’Andriamanitra ireo. Tsy manaja ny tenany. Tsy miantso ny zavatra amin’ny anarany nefa miraikitra amin’ny endrika ivelany mba hanaovana azy ho mahatoky.

Page 68: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

68 RAHA MANARAKA NY LALANA VE ISIKA DIA HO VOAVONJINY?

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Amin’ireo mpanota mankany Jeriko, misy ireo azon’ny jiolahy ary ireo izay efa maty. Tokony mahalala ny fahalementsika eo anatrehan’Andriamanitra isika.

Tokony manaiky eo anoloany “Tompo, ho any amin’ny afobe aho raha tsy vonjenao. Vonjeo aho azafady. Ho any amin’izay tianao aho. Na latsaka azy ny havandra sy ny oram-be, ho any aho raha avelanao mihaino ny tena filazantsara. Raha hilaozanao aho, mankany amin’ny afobe. Mangataka vonjy Aminao aho.”

Ireo izay mahafantatra fa mankany amin’ny afobe, ireo izay mamela ny fikezahany sy mandray ny tànan’ny Tompo, ireo no ho voavonjy. Tsy afaka ho voavonjy irery isika.

Tokony hafantatra isika fa mitovy amin’ilay lehilahy azon’ny jiolahy. !

Page 69: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

69 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 4

NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

Page 70: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

70 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<<< Jaona 8:1-12 >>>> “Fa Jesosy kosa nankany an-

Trendrombohitra Oliva. Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan’ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy. Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’y mpahay Lalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga. Ary ao amin’ny Lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Hianao? Izany no

nolazainy hakany Fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny ratra-tànany. Ary raha naharitra nanontany Azy ireo dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. Dia niondrika indray Izy, ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny ratsan-tànany. Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy. Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy: Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao ve? Ary hoy izy: Tsy misy Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao, mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.”

Page 71: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

71 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Firy ny ota nodiovin’i Jesosy?

Ny ota rehetra eto ambonin’ny tany

Jesosy nanome antsika ny fanavotana

mandrakizay. Tsy misy olona tsy voahavotra raha mino an’i Jesosy ho Mpamonjy. Navotany daholo isika. Misy ireo nijaly noho ny otany, satria tsy nahafantatra ahoana no nanafahan’i Jesosy azy amin’ny otany araka ny Batisany.

Tsy maintsy fantantsika rehetra ary hinoantsika ny tsiambaratelon’ny famonjena. Nesorin’i Jesosy avokoa ny ota rehetra tamin’ny Batisany ary nahazo ny fitsarana ny otantsika Izy sy maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho antsika.

Tokony hino ny famonjena avy amin’ny rano

sy ny Fanahy hianareo, ny fanavotana mandrakizay. Tokony hino ny Fitiavany lehibe izay nanao anareo ho olo-marina hianareo. Minoa an’izay nataony ho an’ny famonjena anareo teo amin’ny ony Jordana sy teo amin’ny Hazo fijaliana.

Ary Jesosy mahafantatra koa ny ota miafina rehetra. Maro ny olona manana hevi-diso momban’ny fahotana. Mino izy fa ny ota sasany tsy mety voahavotra. Navotan’i Jesosy ny otantsika rehetra, ny otan’ny tsirairay.

Tsy misy ota eto an-tany navelany. Satria navotany daholo ny otan’izao tontolo izao, tsy misy mpanota intsony. Fantatrareo ve ny filazantsara izay mamonjy amin’ny ota rehetra, na ireo ota ho avy aza? Minoa Azy ary ho voavonjy hianareo! Miverena amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

Page 72: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

72 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ILAY VEHIVAVY AZO NIJANGAJANGA

Firy ny olona eto an-tany no mijangajanga?

Ny rehetra

Ao amin’ny Jaona 8, misy vehivavy iray azo

nijangajanga. Ary hitantsika ny fomba namonjen’i Jesosy azy. Tia hizara ny famelan-keloka azony isika. Tsy manararaotra akory isika raha miteny fa ny olona rehetra dia mijangajanga mandritra ny fiainany. Ny olona rehetra dia mijangajanga.

Raha toa tsy ita izany dia satria ataontsika matetika loatra ka tsy tsaroana intsony. Satria nahoana? Be loatra ny fijangajangana amin’ny fiainantsika.

Jereko ilay vehivavy ary heveriko raha misy amin-tsika no tsy nijangajanga. Tsy misy tsy nanao an’izany tahaka an’ilay vehivavy azo. Isika rehetra. Fa hevitra mifanohitra amin’izany no heverintsika.

Mihevitra ve hianareo fa diso aho? Tsia, tsy diso aho. Jerevo tsara. Ny olombelona rehetra nanao an’izany. Mijangajanga izy rehefa mijery vehivavy eny an-dàlana, amin’ny heritreritra sy ny atao, na oviana na oviana, n’aiza n’aiza.

Tsy azony an-tsaina fotsiny fa manao an’izany izy. Maro ny tsy tonga saina hatramin’ny fahafatesany fa nijanganjanga imbetsaka izy nandritra ny fiainany. Tsy ireo azo ihany, fa ny tsy azo koa. Ny olona rehetra dia manao an’izany ao an-tsainy sy amin’ny ataony. Tsy amin’ny fiainantsika ve izany?

Mahavery saina anareo ve izany? Izany no marina. Mangina fotsiny isika satria tafintoana.

Page 73: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

73 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Mihevitra aho fa ny olona ankehitriny mijangajanga foana fa tsy tonga saina amin’ny ataony.

Ny olona mijangajanga koa an-eritreritra. Isika, nataon’Andriamanitra, miaina eto an-tany tsy tonga saina fa mijangajanga an-eritreritra. Ny fitiavana Andriamanitra hafa dia fijangajangana ara-panahy koa satria ny Tompo no Vadin-tokan’ny olombelona.

Ilay vehivavy azo dia olona tahaka antsika ary nahazo ny famelan-kelok’Andriamanitra tahaka antsika izay voahavotra nahazo azy. Fa ny Fariseo mpiatsarambelatsihy nametraka azy teo afovoniny ary nanondro azy toy ny mpitsara ary nitoram-bato azy. Tsy norarahiny izy ary notsarainy tahaka ny hoe olo-madio izy ary tsy mba nijangajanga.

Ry namana Kristiana, aoka ireo mahafantatra fa atontan-ota mba tsy hitsara ny hafa eo

anatrehan’Andriamanitra. Fa satria fantany fa mijangajanga izy mandritra ny fiainany manontolo, dia mahazo ny famelan-keloka izay mamonjy azy. Izay tonga saina fa mpanota mijangajanga ihany no ho voavonjy.

IZA NO MAHAZO NY FAMELAN-KELOKA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA?

Iza no mahazo ny famelan-keloka?

Ny tsy mendrika

Izay miaina tsy mijangajanga ve sa ireo tsy

mendrika no azo ny famelan-kelony? Ireo izay

Page 74: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

74 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tsy mendrika no mahazo ny fahasoavan’ny Fanavotany. Ireo izay tsy afaka manampy tena, ny malemy sy tsy misy fiarovana mahazo ny fanavotana? Ireo izay mahazo ny famelan-kelony.

Izay mihevitra fa tsy manana ota dia tsy ho voavonjy. Ahoana no azahoany ny fahasoavan’ny Fanavotany raha tsy misy zavatra havotana?

Ny mpahay Lalàna sy ny Fariseo nitondra an’ilay vehivavy tratra nijangajanga teo anoloan’i Jesosy ary nanontany Azy: “Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga. Fa ahoana kosa hoy Hianao?” Maninona no nentiny teo anoloan’i Jesosy ilay vehivavy ary notsapainy ny heviny?

Nijangajanga koa ireo matetika fa nandramany tsaraina sy vonoina ilay vehivavy amin’ny alalan’i Jesosy mba hitondrany ny tsiny.

Fantratr’i Jesosy ny tao am-pony ary fantany

ny momban’ilay vehivavy. Ka hoy Izy: “Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.” Ka ny mpahay Lalàna sy ny Fariseo dia nivoaka tsirairay hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny; ary Jesosy sy ilay vehivavy ihany sisa teo.

Izay nivoaka dia ny mpahay Lalàna sy ny Fariseo, ny mpitondra fivavahana. Andeha ho tsarainy ilay vehivavy nijangajanga tahaka ny hoe tsy mpanota koa zareo.

Nanambara ny Fitiavany amin’izao tontolo izao Jesosy. Mpandray ny fitiavana Izy. Nanome sakafo ny olona Jesosy, nampitsangana ny maty, nanome aina indray an’ny zanaka lahan’ny maty vady, nampitsangana amin’ny maty an’i Lazara, nitsabo ny boka ary nanao fahagagana maro ho an’ny mahantra. Ary naka ny ota rehetran’ny mpanota ary nanome azy ny fanavotana Izy.

Tiantsika Jesosy. Izy ny tsitoha afaka

Page 75: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

75 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

manantanteraka ny zava-drehetra fa ny Fariseo sy ny mpahay Lalàna nihevitra fa fahavalony Izy. Izany no nahatonga azy ireo hitondra an’ilay vehivavy sy hitsapa Azy.

Nanontaniany “Mpampianatra ô, Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Hianao?” Nihevitra izy fa ho ataony hoe torao vato. Nahoana? Raha jerena izay voasoratra ao amin’ny lalàn’Andriamanitra, ny olona rehetra izay mijangajanga dia tokony hotoraham-bato.

Ny rehetra dia tokony ho faty amin’ny toram-bato ary natao ho any amin’ny afobe. Ny fahafatesana no tambin’ny ota. Nefa Jesosy tsy nilaza azy hitora-bato fa hoy Izy: “Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.”

Maninona no nanome antsika Lalàna

misy antoko 613 Andriamanitra?

Mba hafantarantsika fa mpanota isika

Mitondra hatezerana ny Lalàna.

Andriamanitra dia masina ary ny Lalàny koa. Io Lalàna masina io tonga tamintsika anaty antoko 613. Ny antony nanomezan’Andriamanitra Lalàna misy antoko 613 dia hafantarantsika fa mpanota isika, olona tsy tonga lafatra. Mampianatra antsika io fa tokony hijery ny fahasoavan’Andriamanitra isika mba ho voavonjy. Raha tsy fantantsika izany ka mihevitra an’izay voasoratra fotsiny isika, dia tokony hotoram-bato tahakan’ilay vehivavy nijanganjanga.

Page 76: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

76 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny mpahay Lalàna sy ny Fariseo tsy mahafantatra ny fahamarinan’ny Lalàny nihevitra fa tokony hotoram-bato izy ary isika koa angamba. Iza no afaka hitora-bato vehivavy tsy misy fiarovana? Na tratra am-body omby aza izy, tsy misy eto an-tany afaka mitoram-bato azy.

Raha ilay vehivavy sy ny tsirairay amintsika tokony ho tsaraina araka ny Lalàna fotsiny, isika koa tahaka an’ilay vehivavy dia tokony ahazo ny fitsarana mafy. Fa novonjen’i Jesosy isika, isika izay mpanota, novonjeny tamin’ny ota sy ny fitsarana. Miaraka ny otantsika rehetra, raha manaraka ara-bakiteny ny Lalàna, iza amintsika no mbola ho velona aoriana? Ny tsirairay amintsika rehetra dia ho any amin’ny afobe.

Fa ny mpahay Lalàna sy ny Fariseo nahafantatra ny Lalàna araka izay voasoratra. Raha arahina tsara ny Lalàny, maty daholo ireo rehefa avy mitsara tena irery. Ny

lalàn’Andriamanitra dia nomena ny olona mba hafantarany ny otany nefa nijaly izy satria tsy azony tsara ny voasoratra ary tsy narahiny tsara.

Ny Fariseo ankehitriny, tahaka ny ao amin’ny Baiboly, mahafantatra ny Lalàna tahaka ny voasoratra. Tokony hazava aminy ny fahasoavan’Andriamanitra, ny Fahamarinany ary ny Marina. Tokony hianatra ny filazantsaran’ny fanavotana izy mba ho voavonjy.

Ny Fariseo nilaza hoe “ny Lalàna nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Hianao?” Nanontany izy sady nitana tsara ny vato am-pitokiana. Nihevitra izy fa tsy hiteny na inona na inona Jesosy. Niandry fotsiny izy ho voafitaka Jesosy.

Raha nitsara araka ny Lalàna Jesosy, dia hovoatoram-bato koa zareo. Raha niteny Jesosy tsy hitora-bato an’ilay vehivavy, dia nolazainy fa

Page 77: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

77 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

manao tsinontsinona ny Lalàna Jesosy. Teti-dratsy mahatsiravina tokoa izany!

Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny ratra-tànany. Ary naharitra nanontany Azy ireo, “ahoana hoy Hianao? Inona no soratanao amin’ny tany? Valio ny fanontaniana, ahoana kosa hoy Hianao?” Notondrony Jesosy ary nanohy ny famelezany azy ireo.

Nitrangana Jesosy ary niteny fa izay tsy nanota hitora-bato voalohany. Avy eo, niondrika Izy ary nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny ratra-tànany. Ka izay nandre azy dia voaheloka ara-panahy, nivoaka tsirairay hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy.

IZAY TSY NANOTA NO AOKA HITORA-BATO AZY VOALOHANY

Aiza ny ota no voasoratra?

Eo amin’ny takelakin’ny fontsika sy ao amin’ny bokin’ny Atao

Hoy Jesosy taminy : “Izay tsy nanota eo

aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany” ary nanohy nanoratra amin’ny tany izy. Ary zokinjokiny sasany manomboka nivoaka. Ny zoky olona tena be ota no niala voalohany. Ny zandriny nivoaka koa. Aoka heverina fa eto anatrehantsika Jesosy ary manondidina an’ilay vehivavy isika. Raha niteny Jesosy fa izay amintsika tsy nanota hitora-bato azy voalohany, inona no ataonareo?

Page 78: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

78 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Inona no soratan’i Jesosy amin’ny tany? Andriamanitra izay nahary antsika, nanoratra ny otantsika amin’ny toerana roa samy afa.

Voalohany, nosoratany ao amin’ny takelakin’ny fo.

“Ny fahotan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny diamondra fanoratana; Voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ny vato fisaka sy eo amin’ny tandroky ny alitarany izany” (Jeremia 17:1).

Miteny antsika amin’ny alalan’ i Joda solon-tenantsika Andriamanitra. Ny fahotan’ny olona dia voasoratra amin’ny vy sy diamondra. Nosoratany amin’ny takelakin’ny fo izany. Niondrika Jesosy ary nanoratra amin’ny tany fa mpanota ny olona.

Andriamanitra mahafantatra fa manota isika ary soratany amin’ny takelakin’ny fo ny otantsika. Voalohany, soratany ny atao, ny ota

izay atao noho ny fahalementsika eo anoloan’ny Lalàna. Satria ny ota voasoratra anaty fo, azontsika an-tsaina fa mpanota isika rehefa mijery ny Lalàna. Satria nosoratany ao am-po izany, ao an-tsaina fantantsika fa mpanota isika eo Anatrehany.

Ary niondrika faharoa Jesosy nanoratra tamin’ny tany. Ny Soratra Masina milaza fa ny otantsika rehetra dia voasoratra ao anatin’ny Bokin’ny Atao (Apokalypsy 20:12). Ny anarana sy ny ota dia voasoratra ao amin’io boky io. Voasoratra koa ao amin’ny takelakin’ny fon’olombelona. Ny otantsika dia voasoratra indroa ao anatin’ny bokin’ny Atao sy ao anatin’ny takelakin’ny fo.

Ny fahotana dia voasoratra ao anatin’ny fon’ny olona, tanora na antitra. Izany no mahatonga azy tsy hisy hotenenina momba ny otany teo anoloan’i Jesosy. Ireo izay nanandrana

Page 79: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

79 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nitora-bato an’ilay vehivavy tsy afa-nanoatra teo anoloan’ny Teniny.

Rahoviana, ireo fahotana voasoratra anaty toerana roa,

no afaka hofafana?

Rehefa manaiky ao am-po ny fanavotana avy amin’ny rano

sy ny ran’i Jesosy isika Nefa rehefa mahazo ny famonjena hianareo,

voafafa daholo ny ota rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Atao ary ho tafiditra anatin’ny bokin’ny fiainana ny anaranareo. Mankany amin’ny paradisa ireo izay miseho anaty bokin’ny fiainana ny anarany. Ny herimpony tsara, ny zavatra nataony ho an’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany

voasoratra avokoa anatin’ny bokin’ny fianana. Ary voaray any amin’ny paradisa izy. Izay afaka amin’ny otany dia hiditra ao amin’ny tany mandrakizay.

Voasoratra amin’ny toerana roa ny fahotan’ny olona. Izany hoe tsy misy afaka mamitaka an’Andriamanitra. Tsy misy tsy nanota ao am-pony ary tsy nijangajanga ao am-pony. Mpanota daholo isika ary tsy tonga lafatra.

Izay tsy nanaiky ny fanavotan’i Jesosy ao am-pony dia hijaly mafy noho ny fahotany. Tsy matoky tena izy. Matahotra an’Andriamanitra izy, matahotra eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona noho ny otany. Fa rehefa manaiky am-po ny filazantsaran’ny fanavotana avy amin’ny rano sy ny Fanahy izy, ny fahotana rehetra voasoratra anatin’ny takelakin’ny fo sy ny ao amin’ny bokin’ny Atao dia ho voadio. Afaka amin’ny ota rehetra izy.

Page 80: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

80 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Misy ny bokin’ny Fiainana ao amin’ny paradisa. Ny anaran’izay mino ny fanavotan’ny rano sy ny Fanahy dia voasoratra ao amin’io boky io ary hiditra ao amin’ny paradisa izy. Miditra ao amin’ny paradisa izy, tsy hoe tsy nanota akory izy teto an-tany, fa satria afaka amin’ny ota rehetra noho ny finoana ny fanavotana amin’ny rano sy ny Fanahy. “Amin’ny lalàn’ny finoana” (Romana 3:27).

Ry namana Kristiana, ny mpahay Lalàna sy ny Fariseo dia mpanota tahaka an’ilay vehivay tratra nijangajanga.

Ny marina, dia nanota be kokoa ireo satria niteny ny tenany sy nirehareha fa tsy mpanota. Ny mpitondra fivavahana dia mpangalatra nanana fanomezan-dalàna. Mpangalatra fanahy, mpangalatra fiainana. Sahy nampianatra ny hafa miaraka ny voninahitra izy nefa tsy voavonjy akory.

Tsy misy tsy mpanota araka ny Lalàna. Fa lasa olo-marina izy, tsy hoe tsy manota akory izy, fa satria voahavotra ny fahotany rehetra ary ny anarany dia voasoratra ao anatin’ny bokin’ny Fiainana. Ny zava-dehibe dia voasoratra sa tsia ao anatin’ny bokin’ny Fiainana ny anarana. Satria ny olona tsy afaka ny tsy manota, tsy maintsy vonjena izy.

Ny fanekena anareo ao amin’ny paradisa dia miankina amin’ny finoanareo na tsia. Ny hazahonareo ny fahasoavan’Andriamanitra dia miankina amin’ny fanekenareo na tsia ny famonjen’i Jesosy. Inona no nanjo an’ilay vehivavy voasambotra? Nijanona teo izy, nanakipy maso satria fantany fa tokony ho faty izy. Angamba izy nitomany noho ny tahotra sy ny nenina. Lasa manaja tena ny olona rehefa manoloana ny fahafatesana.

“Andriamanitra ô! rariny raha maty aho.

Page 81: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

81 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Mivavaka Aminao aho, ekeo ny fanahiko eo am-pelatananao, manàna indra-fo ho ahy. Omeo ny indrafonao, Jesosy.” Nangataka ny fanavotan’i Jesosy izy amin’ny Fitiavany. “Andriamanitra ô, raha tsarainao aho, dia tsarao, raha miteny hianao fa mpanota aho, dia ho afaka ny otako. Miankina Aminao izany. Izany angamba no nolazainy. Miankina amin’i Jesosy ny zava-drehetra.”

Ilay vehivavy noentina teo anoloan’i Jesosy tsy niteny hoe “Nifandiso aho, mamelà ny heloko noho ny fijangajangako.” Hoy izy “Angatahiko hianao, vonjeo amin’ny otako aho. Raha havotanao ny otako dia ho voavonjy aho. Raha tsy izany dia ho any amin’ny afobe aho. Mila ny fitiavan’Andriamanitra aho ary mila ny indra-pony;” Nanakipy maso izy ary nanaiky ny otany.

Ary i Jesosy nanontany azy: “Aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao ve?” Ary hoy izy : “Tsy misy Tompoko.”

Dia hoy Jesosy taminy “Izaho koa tsy manameloka anao.” Tsy nanameloka azy Jesosy satria efa nalainy ny fahotany amin’ny alalan’ny Batisany teo amin’ny ony Jordana ary efa voavonjy izy. Amin’izao, Jesosy, fa tsy ilay vehivavy dia hotsaraina ho an’ny otany.

HOY IZY “IZAHO KOA DIA TSY MANAMELOKA ANAO.”

Voahelok’i Jesosy ve izy?

Tsia Io vehivavy io dia nahazo fitahina amin’ny

famonjen’i Jesosy. Voahavotra amin’ny otany rehetra izy. Ny Tompontsika Jesosy dia milaza antsika fa voahavotra amin’ny otany izy, ka isika

Page 82: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

82 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dia olo-marina ankehitriny. Lazainy anaty Baiboly izany. Maty teo

amin’ny Hazo fijaliana Izy mba handoa ny fahotantsika, izay noraisiny tamin’ny Batisany teo amin’ny ony Jordana. Lazainy antsika mazava tsara fa nanavotra izay rehetra mino ny fanavotana avy amin’ny Batisany sy ny fitsarana eo amin’ny Hazo fijaliana Izy. Mila ny tenin’i Jesosy daholo isika ary mila mitana an’izany teny izany. Ka, ho voatahy isika miaraka ny fanavotana.

“Andriamanitra ô, tsy mendrika Anao aho. Tsy manana talenta aho. Tsy misy zavatra azoko ampisehoana Anao afa-tsy ny otako. Nefa mino an’i Jesosy ho Tompon’ny fanavotana aho. Naka ny otako rehetra izy teo amin’ny ony Jordana ary nanonitra ho an’ireo teo amin’ny Hazo fijaliana. Naka ny otako rehetra Izy tamin’ny Batisany sy ny Rany. Mino Anao aho, Tompo.”

Toa izany no havonjy anareo. Tsy manameloka Jesosy. Omeny antsika ny fahazoana ho zanak’Andriamanitra: Ho an’ireo izay mino ny fanavotana amin’ny rano sy ny Fanahy, naka ny fahotany rehetra Izy ary niantso azy hoe olo-marina.

Ry Namana! Ilay vehivavy dia voahavotra. Ilay vehivay voasambotra nijangajanga dia voatahy amin’ny fanavotana eo anatrehan’i Jesosy. Mety ho voatahy tahaka azy koa isika. Na iza na iza mahafantatra ny ota nataony ary mangataka ny indrafon’Andriamanitra, mino ny fanavotana amin’ny rano sy ny Fanahin’i Jesosy, dia mahazo ny fitahiny, ny fanavotan’Andriamanitra. Izay manota ary tsy tonga saina amin’ny ota ataony tsy azo fitahina amin’ny fanavotana.

Naka ny fahotan’izao tontolo izao Jesosy (Jaona 1:29). Ny mpanota rehetra dia mety ho

Page 83: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

83 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

voahavotra raha mino an’i Jesosy. Hoy Jesosy tamin’ilay vehivavy “Izaho koa dia tsy manameloka anao.” Nolazainy fa tsy hanameloka azy Izy satria ny fahotany rehetra dia efa noraisina ho Azy ary Izy no tokony ho tsaraina fa tsy isika.

TOKONY HO VOAHAVOTRA KOA ISIKA EO ANATREHAN’I JESOSY

Inona no lehibe indrindra, ny fitiavan’Andriamanitra sa ny fitsaran’Andriamanitra?

Ny fitivan’Andriamanitra

Ny Fariseo, miaraka ny vato teny an-tànany,

tahaka ny mpitondra fivavahana ankehitriny, mandika ny Lalàna araka izay voasoratra. Mihevitra izy, fa satria ny Lalàna milaza tsy hijangajanga, izay manota dia tokony hatora-bato. Jereny ilay vehivavy sady mihambo izy fa tsy mba nijangajanga. Tsy afaka ny voahavotra izy na voavonjy. Ny Fariseo sy ny mpahay Lalàna dia mpanoro ny fitsipi-pitondran-tenan’izao tontolo izao. Tsy anisan’ireo nantsoin’i Jesosy ireo. Tsy mba nandre mihitsy ny tenin’i Jesosy hoe “Izaho koa dia tsy manameloka anao” ireo.

Ilay vehivavy voasambotra nijangajanga ihany no nandre ireto teny mahafaly. Raha mahay mitondra tena tsara hianareo eo Anatrehany, dia ho voatahy koa tahaka an’io vehivavy io. “Andriamanitra, nijangajanga aho nandritra ny fiainako manontolo. Mijangajanga matetika aho. Manota imbetsaka aho isan-andro.”

Page 84: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

84 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Rehefa manaiky ny Lalàna sy ny marina fa mpanota tokony ho faty isika ary rehefa mijery tsara an’Andriamanitra tahaka ny tena maha-izy antsika ary raha miteny isika hoe “Andriamanitra, toa izao aho. Vonjeo, azafady” dia ho tahin’Andriamanitra isika amin’ny fanavotana.

Ny fitiavan’i Jesosy, amin’ny rano sy ny Fanahy dia naharesy ny fitsaran’Andriamanitra “Izaho koa dia tsy manameloka anao.” Tsy nanameloka antsika Izy ary niteny hoe “Voahavotra hianao.” Ny Tompo Jesosy dia Andriamanitrin’ny fangoraham-po. Nanafaka antsika amin’ny fahotan’izao tontolo izao Izy.

Ny Andriamanintsika dia Andriamanitra ny Fahamarinana sy Andriamanitra ny Fitiavana. Ny fitiavan’ny rano sy ny Fanahy dia ambony kokoa noho ny Fitsarany.

NY FITIAVANY DIA LEHIBE KOKOA NOHO NY FITSARANY

Maninona no vonjeny isika?

Satria ny Fitiavany lehibe kokoa noho ny Fitsarany

Raha nandidy ny fitsarany Andriamanitra mba

hanatanteraka ny fahamarinany, dia tokony notsarainy ny mpanota rehetra ary nalefany tany amin’ny afobe. Fa satria ny fitiavan’i Jesosy izay mamonjy antsika amin’ny fitsarana lehibe kokoa, nalefan’Andriamanitra ny Zanani-lahy tokana, Jesosy. Jesosy naka ny fahotantsika rehetra ary nahazo ny fitsarana marina ho antsika. Ankehitriny, izay rehetra mino an’i Jesosy ho mpamonjy lasa Zanany sy olo-marina. Satria ny

Page 85: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

85 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fitiavany lehibe kokoa noho ny fitsarany, navotany isika.

Tokony hisaorantsika Andriamanitra tsy mitsara fotsiny araka ny Fahamarinany. Tahaka ny nolazain’i Jesosy an’ny mpahay Lalàna, ny Fariseo sy ny mpianany, Andriamanitra mila ny fisaorantsika sy ny fahalalantsika Azy, fa tsy fanatitra akory. Ny olona sasany mamono omby vavy na osivavy isan-andro ary manatitra azy eo anatrehan’Andriamanitra ary mivavaka hoe “Andriamanitra, mamelà ny heloko isan-andro.” Tsy mila ny fanatitra ataontsika Andriamanitra, fa ny finoana ny fanavotana amin’ny rano sy ny Fanahy. Tiany ho havotra sy ho voavonjy isika. Tiany omena antsika ny Fitiavany ary tiany ekena ny finoantsika. Hitanareo daholo ve izany? Nomen’i Jesosy ny famonjena isika.

Mankahala ny ota Jesosy nefa Izy dia manana fitiavana midaindaina ho an’ny olona, izay natao

toa ny sarin’Andriamanitra. Alohan’ny fiandohan’izao tontolo izao, dia efa nanapaka Izy fa zanak’Andriamanitra isika ary nofafany avokoa ny otantsika rehetra miaraka ny Batisany sy ny Rany. Naharin’Andriamanitra isika mba ho voahavotra, hitafy an’i Jesosy ary anao antsika ho Zanany. Izany no fitiavany antsika, izay nahariny.

Raha mitsara antsika araka ny Lalàna marina Andriamanitra, isika, mpanota, tokony ho faty. Nefa novonjeny isika tamin’ny batisa sy ny fitsarana ny Zanany teo amin’ny Hazo fijaliana. Mino an’izany ve hianareo? Aoka isika haka porofo amin’ny Testamenta Taloha.

Page 86: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

86 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NAMETRAKA NY TANANY TEO AMIN’NY OSILAHY ARONA

Iza no solon-tena nametraka ny otan’Isiraely teo amin’ny osilahy velona?

Ny mpisorona avo

Ny ota rehetra an’izao tontolo izao dia

voanonitra miaraka ny fanamasinan’ny Testamenta Taloha sy ny batisan’ny Testamenta Vaovao. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fahotana isan-taona an’Isiraely dia voanonitrin’ny mpisorona avo, izay nametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny osilahy tsy misy kilema.

“Dia hapetrak’i Arona amin’ny lohan’ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra;

dia hametraka izany eo amin’ny lohan’ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ny lehilahy voatendry hankany an-efitra” (Levitikosy 16:21).

Toa izany no fomba fanavotana tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Rehefa manonitra ny fahotana isan-andro, dia mitondra zanak’ondry na osilahy tsy misy kilema ao anaty tabernakely ka manolotra azy eo ambony alitara. Apetraka eo amin’ny lohan’ny fanatitra ny tànany ary mifindra eo amin’ny sorona ny fahotana. Avy eo, vonoina ilay sorona ary ny rany ataon’ny mpisorona anaty tandrokin’ny alitara.

Nisy tandroka efatra eo amin’ny zoron’ny alitara. Ireo tandroka ireo manohatra ny bokin’ny Atao hazavaina ao amin’ny Apokalypsy 20:12. Ary ny ra ambiny, nafafy tamin’ny tany koa. Ny tany maneho ny fon’ny olona satria ny olona dia nahary avy amin’ny vovoka. Toa izany no fanalan’ny olona ny fahotany isan-andro.

Page 87: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

87 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Nefa, tsy afaka nanome fanatitra isan-andro izy. Ka navelan’Andriamanitra hanao an’izany isan-taona izy. Ny andro fanavotana dia ny faha folon’ny volona faha fito. Amin’io andro io, ny solon-tenan’ny vahoakan’Isiraely, izany hoe ny mpisorona avo, mitondra osilahy roa ary mametraka ny tànany eo amin’ny lohany mba hamindrana ny fahotan’ny vahoaka dia nomeny fanomezana an’Andriamanitra avy eo mba hanavotana ny vahoakan’Isiraely.

“Dia hapetrak’i Arona amin’ny lohan’ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin’ny lohan’ny osilahy.”

Andriamanitra nanondro an’i Arona ho solon-tena, mpisorona avon’Isiraely. Ho solo ny fametrahan-tànana eo amin’ny fanatitra rehetra

isan-olona, ny mpisorona avo, solon-tena ny vahoaka rehetra, mametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny osilahy velona mba ho famelana ny otan’ny taona.

Ary tsy maintsy nitantara ny fahotan’Isiraely rehetra izy, eo anatrehan’Andriamanitra “Andriamanitra, ny Zanak’Isiraelinao nanota. Notia sampy, nanapaka ny antokon’ny Lalànao, niantso ny anaranao foana, namorona sampy afa izay notiaviny mihotra anao. Tsy nanamasina ny andron’ny sabata izahay, tsy nanaja ray aman-dreny, namono olona, nijangajanga, nangalatra... Nialona izahay sady niady.”

Nolazainy daholo ny fahotana rehetra. “Andriamanitra, na ny vahoakan’Isiraely na izaho, tsy afaka mitana ny didin’ny Lalànao. Mba ho voahavotra amin’ny ota rehetra, hapetrako ny tànako eo amin’ny lohan’ny osilahy, ary hafindrako eo aminy ny fahotana

Page 88: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

88 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

rehetra.” Apetrakin’ny mpisorona eo amin’ny fanatitra ny tànany ho an’ny vahoaka rehetra ary afindrany ny ota eo amin’ny lohan’ny sorona. Ny fanamasinana, fametrahana ny tànana eo amin’ny lohany midika hoe “mamindra” (Levitikosy 1:1-4, 16:20-21).

Ahoana no fanatanterahan’ ny fanavotana tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha?

Amin’ny fametrahana ny tànana

Nomen’Andriamanitra an’ny

vahoakan’Isiraely ny fomba fanatitra ho an’ny ota mba hamindrany ny ota rehetra sy hanavotana azy. Voalaza an-tsipiriny fa ny fanatitra tokony tsy misy kilema sy tsy maintsy maty solon’ny olona.

Amin’ny andro fanavotana, vonoina ny

fanatitra ary ny rany entina amin’ny toerana masina sy afafy impito eo amin’ny fifonana. Amin’izay ny vahoakan’Isiraely nanonitra ny fahotany nandritra ny taona tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito.

Miditra irery ao amin’ilay toerana masina ny mpisorona avo mba hanolotra ny sorona, nefa ny vahoaka mivory ao ivelany ary mihaino ny feon’ny lakolosy volamena maneno impito, izay eo amin’ny akanjon’ny mpisorona rehefa afafy ny ra eo amin’ny fifonana. Ka faly ny vahoaka fa voahavotra ny otany. Ny feon’ny lakolosy volamena dia feo mahafalin’ny filazantsara.

Tsy marina ny hoe olona tsirairay ihany no tian’i Jesosy sy havotany. Nalain’i Jesosy indray mandeha ny otan’izao tontolo izao amin’ny Batisany. Te nanafaka antsika indray mandeha Izy. Tsy afaka havotana isan-andro ny fahotantsika, voahavotra indray mandeha ireo.

Page 89: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

89 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fanavotana dia omen’ny fanamasinana sy ny fanatitra. Arona nametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny osilahy velona teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao ny lista ny ota rehetra izay nataon’ny vahoaka nandritra ny taona izy. Nafindrany eo amin’ny osilahy ny ota teo imason’ny rehetra. Ka nankaiza ny otan’ny olona? Nifindra eo amin’ilay osilahy.

Avy eo, ilay osy noentin’ny “lehilay voatendry.” Ilay osy, miaraka ny ota rehetra ny Isiraely, noentina any an-efitra izay tsy nisy rano na bozaka. Ilay osy izany nirenireny an-efitra ambanin’ny masoandro mandoro ary maty farany. Maty ho an’ny otan’Isiraely ilay osy.

Fitiavan’Andriamanitra io, fitiavan’ny fanavotana. Toa izany, tamin’izany fotoana izany, no fanavotana ny otan’ny taona. Fa isika, miaina amin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Roa

harivo taona lasa izay no tonga teto an-tany Jesosy. Tonga, hanatanteraka ny faminaniana izay nataony tao amin’ny Testamenta Taloha Izy. Tonga Izy ary nanavotra ny otantsika.

HANAVOTRA ANTSIKA REHETRA

Inona no dikan’ny teny hoe JESOSY?

Ny Mpamonjy izay hamonjy

ny Olony amin’ny otany.

Aoka isika hamaky ao amin’ny Matio 1 “Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy

anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa zaza

Page 90: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

90 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ao an-kibony dia avy tamin’ny Fanahy masina, ka hiteraka Zazalahy izy ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ha afaka amin’ny fahotany” (Matio 1:20-21).

Ny Raintsika any an-danitra nindrana ny vatan’i Maria virijiny handefasana ny Zanani-lahy eto an-tany mba hanadio ny otan’ny olombelona. Nandefa anjely an’i Maria Izy ary niteny taminy “Hiteraka Zazalahy hianao ary ny anarany hataonao hoe JESOSY.” Izay midika fa ny zanaka lahin’i Maria ho lasa Mpamonjy. Jesosy Kristy midika hoe ilay izay hamonjy ny Olony, izany hoe, ny Mpamonjy.

Ny fomba nangalan’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao dia ny Batisany teo amin’ny ony Jordana. Nataon’i Jaona Batista batisa Izy dia lasany avokoa ny otan’izao tontolo izao. Aoka isika hamaky ao amin’ny Matio 3:13-17. “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga

teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona tokony nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra tamin’izay ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no zanako malalako Izay sitrako.”

Nanatona an’i Jaona i Jesosy hanavotra antsika amin’ny ota rehetra.

Niditra anaty rano Izy, niondrika teo anoloan’i Jaona. “Jaona, ataovy batisa Aho, mba

Page 91: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

91 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hahatanteraka ny fahamarinana. Satria tsy maintsy maka ny otan’izao tontolo izao Aho sy hanafaka azy amin’ny ota rehetra, tsy maintsy mandray ny otany Aho amin’ny batisa. Ataovy batisa aho! Avelao!”

Nilaina izany hanatanterahana ny fahamarinana. Nataon’i Jaona batisa Jesosy. Ary tamin ’izay, tanteraka ny fahamarinan’i Andriamanitra rehetra izay manavotra ny ota rehetra.

Toa izany no fanalany ny otantsika rehetra. Ny otanareo rehetra dia lasan’i Jesosy koa. Mazava aminareo ve izany?

Minoa ny fanavotan’ny batisan’i Jesosy sy ny Fanahy ary ho voavonjy hianareo.

Ahoana no natanterahan’ny

fahamarinana rehetra?

Amin’ny batisan’i Jesosy Nampanantena an’Isiraely aloha

Andriamanitra, fa ny otan’ny olona dia ho voadio amin’ny fametrahana ny tànana sy miaraka amin’ny soron’ny fanatitra ny ota. Nefa tsy afaka atao ho an’ny tsirairay ny mametraka ny tànana eo amin’ny lohan’ny osilahy, notendreny Arona ho mpisorona avo hanome ny sorona ho an’ny olona. Amin’izay, nafindrany daholo ny ota rehetra eo amin’ny lohan’ilay fanatitra. Io no fahendrena sy herin’ny fanavotana. Hendry sy mahagaga Andriamanitra.

Nalefany ny Zanani-lahy Jesosy hamonjy ny tanintsika. Ka ny fanatitra ny ota efa voahomana.

Page 92: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

92 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tokony nisy solon-tena ho an’ny olombelona rehetra izay nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’i Jesosy sy namindra taminy ny faotan’izao tontolo izao. Jaona io solon-tena io. Ao amin’ny Matio 11:11, nandefa solon-tenan’ny olombelona Andriamanitra alohan’i Jesosy.

I Jaona Batista io, mpisorona avo farany. Toa ny voasoratra ao amin’ny Matio 11:11 “Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa.” Izy no solon-tenan’ny olombelona. Nalefany Jaona solon-tena ny zavamananaina rehetra mba hanao batisa an’i Jesosy sy hamindra ny otan’ny olona rehetra eo Aminy.

Raha misy olona enina tapitrisa miara manatona an’i Jesosy ka mametraka ny tànany eo amin’ny lohany hamindràna ny fahotany, inona no zavatra hitranga amin’ny lohany? Raha olona mihotra ny enina tapitrisa mametraka ny tànany

eo amin’i Jesosy, dia tena fahagagana izany. Ireo tia loatra mety hanindry mafy be ka lasa sola Izy farany. Andriamanitra amin’ny fahendreny, nanondro an’i Jaona ho solon-tenantsika sy hamindra ny fahotan’izao tontolo izao eo amin’i Jesosy.

Voasoratra ao amin’ny Matio 3:13-17 “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga toe amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa.” Telopolo taona Jesosy tamin’izay. Noforana Jesosy 8 andro tao aoriana ny naterahany. Tsy misy taratasy firy momba Azy hatramin’ny telo polo taonany.

Ny antony nandrasan’i Jesosy ny telo polo taonany vao tonga mpisorona avo avy any an-danitra dia ny hanatanteraka ny Testamenta Taloha. Ao amin’ny Deoteronomia, Andriamanitra nilaza tamin’i Mosesy fa ny mpisorona avo tokony ho mihoatra ny telo polo

Page 93: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

93 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

taona vao afaka maka an’io raharaha io. Jesosy no mpisorona avy any an-danitra. Mino an‘izany ve hianareo?

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ao amin’ny Matio 3:13-14, voasoratra “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordna, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa.” Iza no solon-tenan’ny olona? Jaona mpanao batisa. Ary iza no solon-tenan’ny lanitra? Nifanena ireo solon-tena roa. Ary Iza amin’izy ireo no avo indrindra? Tsy iza fa ny solon-tenan’ny lanitra.

Jaona Batista izay sahy niteny tamin’ny mpitondra fivavahana tamin’izany hoe “Taraka menarana, mahaiza mibebaka!” lasa nanetry tena tampoka teo anoloan’i Jesosy. “Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no

mankaty amiko?” Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe:“Ekeo

ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Tonga teto an-tany Jesosy mba ho ataon’i Jaona batisa.

“Ka dia nekeny Izy. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako” (Matio 3:16-17).

Izany no nitranga tamin’ny natao batisa Izy. Nivoha ny varavaran’ny paradisa rehefa nataon’i Jaona batisa Izy ary dia nalany ny otan’izao tontolo izao.

“Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny

Page 94: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

94 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny” (Matio 11:12).

Ny mpaminany rehetra sy ny lalàn’Andriamanitra dia nilaza ny fahatongavan’i Jaona mpanao batisa. “Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.” Izay rehetra mino ny Batisany dia afaka miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra daholo.

“IZAHO KOA DIA TSY MANAMELOKA ANAO”

Maninona no tsaraina eo aminy Hazo fijaliana Jesosy?

Satria naka ny ota rehetra Izy

Nataon’i Jaona batisa Jesosy ary noraisiny ny otan’izao tontolo izao. Avy eo, hoy Izy tamin’ilay vehivavy “Izaho koa dia tsy manameloka anao.” Tsy nanameloka azy Izy satria efa noraisiny ny otan’izao tontolo izao teo amin’ny ony Jordana ary Jesosy, fa tsy ilay vehivavy akory, dia tsy maintsy tsaraina ho an’ireo ota ireo.

Nofafan’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao. Ary hitantsika ny fahatahorany ny fangirifiriana

Page 95: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

95 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

izay tsy maintsy niariny teo amin’ny Hazo fijaliana satria “fahafatesana no tambin’ny ota.” Nivavaka an’Andriamanitra intelo Izy teo amin’ny tendrombohitra Oliva mba tsy hiaritra an’io fitsarana io.

Araka ny fanatitra ao amin’ny Testamenta Taloha izay tokony handarà mba handoa ny ota, tsy maintsy natao sorona teo amin’ny Hazo fijaliana Izy. Tsy maintsy nanome ny Fiainany ho an’ny fanavotantsika Izy. Fantany fa tsy maintsy tsaraina eo anatrehan’Andriamanitra Izy.

Tsy nanana ota tao am-pony Jesosy. Nefa satria ny ota rehetra lasany tamin’ny Batisany, tsy maintsy nitsara ny Zanany lahy Andriamanitra. Ka noho izany, voalohany, tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra ary faharoa, nomeny antsika ny Fitiavany ho an’ny famonjena antsika. Ka, tsy maintsy notsaraina tamin’ny Hazo fijaliana Jesosy.

“Izaho koa dia tsy manameloka anao.” Ny otantsika rehetra, sitraka na tsia, fantatra na tsia tsy maintsy tsarain’Andriamanitra.

Tsy nitsara antsika Andriamanitra fa nitsara an’i Jesosy izay naka ny otantsika rehetra ho Azy tamin’ny Batisany. Tsy nety nitsara antsika Andriamanitra noho ny Fitiavany sy ny Fangoraham-pony. Ny batisa ny ny ra eo amin’ny Hazo fijaliana dia fitiavana manavotra antsika. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Izany no hafantarana ny Fitiavany. Tsy nanameloka an’ilay vehivavy tratra nijangajanga Izy.

Fantany fa mpanota izy ary tratra nijangajanga. Tsy tao am-pony ihany ny ota, fa tamin’ny nofony koa. Tsy afaka nandà ny otany

Page 96: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

96 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

izy. Nefa, satria nino izy fa noraisin’i Jesosy daholo ny otany dia voavonjy izy. Raha mino ny fanavotan’i Jesosy isika, dia ho voavonjy koa. Minoa? Tsara ho antsika izany.

Iza no tena voatahy?

Izay tsy manota Ny olona rehetra dia manota. Ny olona rehetra

dia mijangajanga. Nefa ny olona rehetra tsy tsaraina noho ny otany. Nanota daholo isika nefa izay mino ny fanavotan’i Jesosy Kristy dia tsy misy ota ao am-pony. Izay mino ny famonjen’i Jesosy dia sambatra. Ny olona voatahy indrindra dia ilay afaka ny otany, izany hoe ilay marina amin’i Jesosy.

Miteny antsika momba ny fahasambarana ao amin’ny Romana 4:7 “Sambatra izay voavela ny

helony sy ny voasarona ny fahotany.” Manota daholo isika hatramin’ny fahafatesana. Eo anatrehan’Andriamanitra tsy misy fanajana isika ary tsy lavorary. Manota foana isika raha mahafantatra ny Lalàna aza. Malemy isika.

Nefa novonjen’Andriamanitra isika miaraka ny batisa sy ny ran’ny Zanani-lahy tokana ary hoy Izy, taminareo sy tamiko, fa mpanota isika ary lasa olo-marina ankehitriny eo anoloany. Miteny Izy fa Zanany isika.

Ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia filazantsaran’ny fanavotana. Mino an’izany ve hianareo? Ho an’ireo izay mino, antsoiny hoe olo-marina, olona voahavotra sy Zanany. Iza no sambatra indrindra eto an-tany? Ilay izay mino an’i Jesosy ary voahavotra. Voavonjy ve hianareo?

Adinon’i Jesosy ve ny naka ny otanareo? Tsia, nalainy daholo miaraka ny Batisany. Minoa.

Page 97: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

97 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Minoa dia ho voahavotra amin’ny otanareo rehetra hianareo. Aoka isika hamaky ao amin’ny Jaona 1:29.

TOA NY VOAFAFA FOTSINY

Firy ny ota noraisin’i Jesosy?

Ny ota rehetra eto an-tany

“Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy nanatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).

“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.”

Nafindran’i Jaona Batista teo amin’i Jesosy

daholo ny otan’izao tontolo izao teo amin’ny Jordana. Ny ampitso, nitsangana ho vavolombelona izy nilaza fa i Jesosy no Zanak’ondrin’Andriamanitra nanaisotra ny otan’izao tontolo izao.

Nobatainy an-damosina ny otan’izao tontolo izao. Ny otan’izao tontolo izao midika ny otan’ny olona nataony tamin’ity tany ity, hatramin’ny namoronana azy ka hatramin’ny farany. Roa harivo taona lasa, nesoron’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao ary navotany isika. Tahaka ny zanak’ondrin’Andriamanitra, nalainy ny otantsika rehetra ary notsaraina teo amin’ny toerantsika Izy.

Ny fahotana rehetra izay ataontsika olombelona dia lasan’i Jesosy. Ary lasa Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao Izy.

Tonga teto an-tany Jesosy nanetry tena, tahaka

Page 98: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

98 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny olona izay te-hamonjy ny otan’izao tontolo izao. Manota isika satria malemy, satria masiaka, satria tsy mahay, satria maivan-doha ary satria tsy lavorary. Lasa daholo izany ota izany ary natao teo amin’ny lohan’i Jesosy miaraka ny Batisany teo amin’ny Jordana. Notanterahany daholo ny zava-drehetra niaraka ny fahafatesan’ny nofony teo amin’ny Hazo fijaliana. Nalevina Izy nefa nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo.

Toa ny Mpamonjin’ny mpanota, toa ny Mpandresy, toa ny Mpitsara, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Izy ankehitriny. Tsy mila manavotra antsika imbetsaka Izy ary ny tokony ataontsika dia ny mino mba ho voavonjy. Ny fiainana mandrakizay miandry ireo izay mino ary ny fandravana miandry ireo tsy mino. Tsy misy safidy afa.

Namonjy antsika Jesosy. Sambatra isika.

Nesoriny daholo na ny ota ho avy aza; Misy ota tavela ve am-ponao? Tsia. Lasan’i Jesosy daholo ve? Eny, nataony izany! Mitovy daholo ny olona rehetra. Tsy misy

masina kokoa noho ny akaikiny. Nefa, satria maro ny mpihatsarambelatsihy, mihevitra izy fa tsy mpanota. Nefa mpanota koa izy. Ity tany ity dia trano fambolena ny ota.

Rehefa mivoaka ny tranony ny vehivavy, manao lokomena, manisy vovo-tavolo, mampiolikolika ny volony, mitafy tsara ary manao kiraro avo…Ny lehilahy koa mankany amin’ny mpanao volo manapaka ny volony, mandoka tena, manao lobaka madio, fehitenda lamody ary kiraro vernia.

Nefa raha tahaka ny andriandahy sy andriambavy ny ety ivelany, ny anatiny dia tahaka ny loto ataon’ny kadradraka.

Mitondra fahasambarana ho an’ny olona ve ny

Page 99: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

99 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

vola? Ny fahasalamana ve mitondra fahasambarana? Tsia. Ny fanavotana ihany no mitondra ny tena fahasambarana. Raha misy olona jerena toa sambatra avy ety ivelany, fadiranovana izy raha misy ota ao am-pony. Miaina am-pahatahorana ny fitsarana izy.

Ny olona voahavotra dia kinga tahaka ny liona, na mitafy voro-damba aza izy. Tsy misy ota ao am-pony. “Misaotra Tompo, novonjenao ny mpanota tahaka ahy. Nofafanao ny otako rehetra. Fantatro fa tsinontsinona aho nefa mivavaka aminao mba ho vonjenao. Voahavotra mandrakizay amin’ny otako rehetra aho. Voninahitra an’Andriamanitra!”

Ny olona voavonjy dia olona tena sambatra. Ny olona voatahy tamin’ny Fanavotany dia olona tena sambatra.

Tahaka an’i Jesosy “Zanak’ondrin’Andriamanitra, nanaisotra ny

otan’izao tontolo izao,” naka ny otantsika, tsy misy ota instony isika. “Vitany” ny famonjena teo amin’ny Hazo fijaliana. Ny otantsika izay misy ny anareo sy ny ahy dia ao anatin’ny “otan’izao tontolo izao” ka voavonjy izany isika.

MIARAKA AMIN’NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Misy ota am-po ve isika amin’ny Jeosy Kristy?

Tsia, tsy misy intsony

Ry namana malala, ilay vehivavy voasambotra

nijangajanga nino ny tenin’i Jesosy dia voavonjy. Voasoratra ao amin’ny Baiboly ny tantarany

Page 100: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

100 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

satria voatahin’ny fanavotana izy. Nefa ny mpahay Lalàna sy ny Fariseo mpihatsarambelatsihy nitondra azy teo amin’i Jesosy.

Raha mino an’i Jesosy hianareo dia mahazo ny paradisa, fa raha miala amin’i Jesosy hianareo dia mahazo ny afobe. Raha mino ny Ataony hianareo, dia tahaka ny paradisa nefa raha tsy mino, dia tahaka ny afobe. Ny fanavotana dia tsy azo amin’ny fikelezana ainan’ny tsirairay, fa azo noho ny famonjen’i Jesosy.

Aoka isika hamaky ao amin’ny Hebreo 10 “Fa ny Lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa

ho avy fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nananterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka dia tsy nasian’ny

fieritreretany ny amin’ny ota intsony izy? Fa amin’ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy dia nanao hoe: Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao. Fa tena no namboarinao ho Ahy; Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga. Ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy. Hanao ny sitraponao, Andriamanitra o. Rehefa nolazainy teo hoe: Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota no tsy ilainao ary tsy sitrakao, dia hoy indray izy. Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray

Page 101: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

101 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mandeha” (Hebreo 10:1-10). “Araka ny sitrapon’Andriamanitra” nomen’i

Jesosy ny Fiainany mba hanaisotra ny otantsika indray mandeha ary notsaraina indray mandeha ihany Izy ary nitsangana tamy ny maty indray mandeha ihany koa.

Ka nahazo fanamasinana isika. “Nahazo fanamasinana” voasoratra amin’ny lasa. Izany midika fa ny fanavotana tokony tsy ho soratana intsony. Voamasinina hianareo.

“Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra izay tsy mahaisotra ny ota. Fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho

mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10:11-14).

Voahamasinina mandrakizay hianareo rehetra. Raha manota hianareo rahampitso, ho lasa mpanota indray ve? Tsy efa nosairain’i Jesosy koa ve ireo fahotana ireo? Eny noraisiny. Noraisiny koa ny ota ho avy.

“Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika, fa rehefa voalazany hoe: Izao no fanekena hataoko aminy. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy dia hoy koa Izy: ny fahotany sy ny helony tsy hotsaravako intsony. Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony” (Hebreo 10:15-18).

Ny fehezanteny hoe “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsaravako intsony” midika fa navotany ny otan’izao tontolo izao. Jesosy no

Page 102: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

102 NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Mpamonjy antsika. Ny Mpamonjy ahy sy ny Mpamonjy anareo. Voavonjy isika raha mino an’i Jesosy. Io no fanavotan’i Jesosy sy ny fasoavana lehibe indrindra ary ny fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra. Hianareo sy izaho, izay voahavotra ny ota rehetra no voamasinina indrindra. !

Page 103: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

103 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 5

NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANONERANA NY

OTA

Page 104: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

104 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<<< Matio 3:13-17 >>>> “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia

ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny

voromailala ka nankeo amboniny. Ary injao nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.”

MBOLA MISY OLONA MIJALY NOHO NY OTA VE?

Vita ve ny fanandevozantsika amin’ny ota?

Eny

I Andriamanitra Tompontsika dia nanapaka ny

gadran’ny ota ho an’ny olona rehetra. Izay rehetra ambany jiogan’ny ota dia andevon’ny fahotana. Afaka tamin’ny fanavotanan’ny Tompo ireo. Nalany daholo ny otantsika. Mbola misy olona mijalin’ny ota ve?

Page 105: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

105 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tokony hazava amintsika fa vita ny ady amin’ny ota. Tsy tokony hijaly noho ny ota intsony isika. Vita ny fanandevozantsika amin’ny ota rehefa navotan’i Jesosy isika. Vita ny ota rehetra amin’izany. Voahavotrin’ny Zanany ny ota rehetra. Nandoa ny otansika rehetra Andriamanitra miaraka amin’i Jesosy izay namonjy antsika, ho mandrakizay.

Fantatrareo ve firy ny olona mijaly noho ny otany? Nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy Eva. Ny olombelona rehetra dia nijaly tamin’ny ota azony tamin’i Adama.

Fa Andriamanitra nanao fanekena voasoratra ao amin’ny Genesisy 3:15, ary io fanekena io dia ny hamonjena ny mpanota rehetra. Nolazainy fa ny olona dia tokony havotana amin’ny otany amin’ny alalan’ny fanolo-tenan’i Jesosy ho sorona amin’ny rano sy ny Fanahy. Ary rehefa tonga ny fotoana, dia nalefany ny Mpamonjy

antsika, Jesosy, mba hiainana miaraka amintsika. Nametra-teny koa Izy handefa an’i Jaona

mpanao batisa alohan’i Jesosy ary dia notanterahany ny teny napetrany.

Ao amin’i Marka 1:1-8 “Ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Araka izay voasoratra ao amin’Isaia mpaminany hoe: Indro Izaho naniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny lalànao. Injany misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalàn’i Jehovah. Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany, dia niseho Jaona izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka. Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalemena, ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordany ireny, rehefa niaiky ny fahotany. Ary Jaona nitafy lamba volondrameva ary fehin-kibo hoditra no

Page 106: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

106 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tamin’ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina.”

JAONA BATISTA NO VAVOLOMBELONA SY MPIALOHA NY FILAZANTSARA

Iza i Jaona Batista?

Mpisorona avo sy solon-tena ny olona

Izay mino an’i Jesosy dia vita batisa. Ny batisa dia midika hoe “voadio, voalevina, voatsoboka, mamindra.” Rehefa natao batisa Jesosy, dia tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny teny hoe “fahamarinana” dia “dikaiosure” amin’ny teny Grika izay midika hoe “marina” ary midika ihany koa hoe “madio kokoa,” “sahaza kokoa.”

Ho an’i Jesosy, atao batisa dia midika hoe lasa Mpamonjy amin’ny fomba marina sy sahaza indrindra. Izany hoe, izay mino an’i Jesosy dia mahazo fanatitra ny fanavotan’Andriamanitra ary mandray azy amin’ny finoana ny Batisany sy ny Hazo fijaliana, ny rano sy ny Fanahy.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Jaona Batista no mpisorona avo faran’ny Testamenta Taloha. Aoka ho jerentsika ny ao amin’ny Matio 11:10-11. Ny Soratra Masina milaza fa Jaona Batista no solon-tenan’ny olombelona. Ary noho

Page 107: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

107 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny maha mpisorona avo azy tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, dia nafindrany amin’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao, araka ny fanaon’ny mpisorona amin’ny Testamenta Taloha.

Jaona mihitsy no nanambara an’i Jesosy. Hoy Izy ao amin’ny Matio 11:13-14 “Fa ny mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Jaona. Ary raha mety mandray hianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.” I Jaona Batista izany, izay nanao batisa an’i Jesosy dia taranak’i Arona mpisorona ary farany tamin’ny mpisorona avo. Ny Baiboly, ao amin’ny Testamenta Taloha, manambara fa Jaona dia taranak’i Arona (Lioka 1:5, Tantara 24:10).

Ka maninona no nipetraka irery tany an-efitra Jaona, nitafy lamba volondrameva? Mba hiandraikitra ny raharahan’ny mpisorona. Ary noho ny maha solon-tenan’ny olombelona azy, dia tsy afaka niaina niaraka amin’ny olona Jaona.

Ary niteny mafy tamin’ny olona izy manao hoe “Mahaiza mibebaka ry taranakin’ny menarana!” ary dia nataony batisa ireo ho vokatrin’ny fibebahana, izay mamerina ny olona amin’i Jesosy. Jaona Batista namindra ny otan’izao tontolo izao teo amin’i Jesosy ho famonjena antsika.

BATISA KARAZANY ROA

Maninona no nataon’i Jaona batisa ny olona?

Hitondrana ny olona hibebaka ny ota nataony

ary hinoany fa ny batisan’i Jesosy ho an’ny famonjena

Nataon’i Jaona Batista batisa aloha ny olona

Page 108: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

108 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

vao nanatona an’i Jesosy izy. Ny voalohany dia “batisan’ny fibebahana” izay mamerina ny mpanota ho an’Andriamanitra. Maro ny olona izay nandre ny tenin’Andriamanitra nolazain’i Jaona ka namela ny sampiny ary niverina tamin’Andriamanitra.

Ny batisa faharoa dia ny batisan’i Jesosy, ny batisa izay namindra ny otan’izao tontolo izao amin’i Jesosy. Jaona Batista nanao batisa an’i Jesosy mba hahatanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra. Nataon’i Jaona Batista batisa i Jesosy hamonjena ny olona rehetra amin’ny ota (Matio 3:15).

Maninona no tokony nataon’i Jaona batisa Jesosy? Hanasorana ny otan’izao tontolo izao, tsy maintsy navelan’Andriamanitra nafindran’i Jaona amin’i Jesosy ny ota rehetra mba ho voavonjy ny olona izay mino an’i Jesosy.

Mpanompon’Andriamanitra i Jaona Batista,

ny asany dia ny manampy ny olona hanadio ny otany ary izy no solon-tenan’ny olombelona rehetra ary vavolombelona ny filazantsara. Tsy maintsy niaina irery tany an-efitra izany Jaona. Tamin’ny andron’i Jaona Batista, ny zanak’Isiraely dia ratsy toetra sy lo ny fony.

Ary hoy Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, ao amin’ny Malakia 3:23-24 “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.”

Eo imason’Andriamanitra, ny zanak’Isiraely rehetra nivavaka amin’i Jehovah dia ratsy toetra. Tsy nisy marina teo Anatrehany. Ny mpitondra fivavahana amin’ny tempoly, ohatra, ny

Page 109: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

109 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mpisorona sy ny mpahay Lalàna dia lo daholo tao am-pony. Isiraely sy ny mpisorona tsy nanolotra ny sorona araka ny lalàn’Andriamanitra.

Ny mpisorona namela ny fametrahan-tànana sy ny fomba fanomezana ny fanatitra alatsa-drà izay nampianarin’Andriamanitra azy ho fanavotana ny otany. Voasoratra fa ny mpisorona tamin’ny andron’i Malakia dia namela ny sorona, ny fametrahan-tànana ary ny fanatitra alatsa-drà araka ny fomba.

Izany no mahatonga an’i Jaona Batista tsy hijanona miaraka amin’ireo. Ka nankany an-efitra Jaona ary nikiakiaka. Inona no lazainy?

Voasoratra ao amin’i Marka 1:2-3, araka izay nolazain’i mpaminany Isaia, “Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny làlanao. Injany! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan’i Jehovah.

Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany.” Ilay feo an-efitra niantso ny olona ho an’ny

batisan’ny fibebahana. Inona ny “batisan’ny fibebahana” lazain’ny Baiboly? Ny batisa izay nitorin’i Jaona Batista, ny batisa izay mamerina ny olona amin’i Jesosy mba hinony Azy, izay hanala ny otany rehetra hamonjena azy. Ny batisan’ny fibebahana nitondra azy amin’ny famonjena.

“Mahaiza mibebaka ary manaova batisa, ary i Jesosy dia ho atao batisa tahaka an’izany koa hanalana ny otanareo.” Ny antson’i Jaona Batista dia hitenenana fa te haka ny otan’izao tontolo izao Jesosy ary hotsaraina eo amin’ny Hazo fijaliana hamonjena ny olona mba hiverenany amin’Andriamanitra.

“Izaho, manao batisa anareo amin’ny rano, fa Izy hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina.” “Hanao batisa anareo amin’ny

Page 110: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

110 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fanahy Masina” midika hoe manadio ny ota rehetra. Manao batisa midika hoe “manadio.” Ny batisan’i Jesosy teo amin’ny Jordana milaza amintsika fa ny zanak’Andriamanitra dia vita batisa ary nanala ny otantsika rehetra hamonjena antsika.

Tokony miolaka amin’ny ota izany isika ary hino Azy. Izy no zanak’ondrin’Andriamanitra izay mitondra ny otan’ny olombelona rehetra. Ary izany no filazantsaran’ny fanavotana izay nambaran’i Jaona Batista.

NY ASAN’NY MPISORONA AVO HO AN’NY FANAVOTANA NY OTA

Iza no nanomana ny làlan’ny famonjena?

Jaona Batista

Ny mpaminany Isaia dia naminany hoe

“Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy ho valin’ny fahotana rehetra nataony” (Isaia 40:2).

Nanala ny otan’izao tontolo izao Jesosy Kristy, ny ahy, ny anareo sy an’ny olona rehetra tsy misy avaka; ny ota voalohany, ny ota ankehitriny ary na ny ota ho avy aza dia voadion’ny Batisany. Navotany isika. Tokony ho

Page 111: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

111 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fantantsika avokoa ny momban’ny fanavotana. Satria voavonjy amin’ny ota isika dia tokony

hafantatra fa tokony hino ny filazantsara milaza fa i Jaona Batista namindra ny ota rehetra amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny batisa.

Tsy tokony ho diso hevitra isika raha miheritreritra, “Satria Andriamanitra fitiavana, afaka miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra isika raha mino fotsiny an’i Jesosy na manana ota aza ao am-po.”

Mba ho voahavotra amin’ny ota, dia tokony hino ny Batisany isika, batisa izay namindran’i Jaona Batista ny otan’izao tontolo izao teo amin’i Jesosy sy ny Hazo fijaliana. Amin’ny “ Rano” no namindran’i Jaona Batista ny otan’ny olona tamin’i Jesosy.

Ny zavatra voalohany nataon’Andriamanitra hamonjena antsika dia ny nanirahany an’i Jaona eto an-tany. Ny irak’Andriamanitra, Jaona

Batista dia nalefa tahaka ny solon-tenan’ny mpanjaka, izay namindra ny fahotan’izao tontolo izao amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny batisa. Dia nanao ny asan’ny mpisorona avo izy ho an’izao tontolo izao.

Andriamanitra nilaza fa nandefa ny solon-tenany, Jaona Batista. “Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao.” “Hialoha Anao” midika alohan’i Jesosy. Inona no antony nandefasany an’i Jaona hialoha an’i Jesosy? Ho hamindrana ny otan’izao tontolo izao amin’i Jesosy, ny Zanak’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny batisa. “Izay hamboatra ny làlanao, hialoha Anao.” Izany no tiany lazaina.

Iza ilay namboatra ny làlana mba hanavotra antsika ary hafahantsika mankany amin’ny paradisa? Jaona Batista. “Anao” midika Jesosy ary “Izaho” midika Andriamanitra. Ka rehefa miteny izy hoe “Izaho maniraka ny irako

Page 112: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

112 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hialoha Anao, izay hamboatra ny làlanao,” inona no tiany lazaina?

Iza no tokony hamboatra ny làlana afahana mankany amin’ny paradisa? Jaona Batista namindra ny otantsika rehetra eo amin’i Jesosy mba hinoantsika fa niodiovin’i Jesosy daholo ny ota, ny asany dia ny mamindra ny ota, ny manao batisa an’i Jesosy Kristy. I Jesosy sy Jaona no nanome antsika ny fahazoana mino ny marina ary ho voahavotra.

Miankina amin’inona ny famonjena antsika? Miankina amin’ny finoana ny asan’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, ary amin’ny hoe ny irak’Andriamanitra naka ny fahotan’izao tontolo izao eo Aminy. Tokony ho fantantsika ny filazantsaran’ny famelan-keloka. Andriamanitra Ray nandefa ny Irany mialoha, ilay tokony anao batisa ny Zanani-lahy, ary hatonga Azy ho solon-tenan’ny olona rehetra. Notanterahiny

amin’izany ny asan’ny fanavotana ho antsika. Naniraka ny mpanompony Jaona Batisata

Andriamanitra hanao batisa ny Zanani-lahy, mba hamboaran’i Jaona Batista ny làlan’ny famonjena ho an’ireo izay hino ny Zanani-lahy. Io no anton’ny batisan’i Jesosy. Ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista dia fanavotana izay mamindra ny fahotan’izao tontolo izao amin’i Jesosy mba hinoan’ny olona an’i Jesosy ary andehanany any amin’ny paradisa.

Na ny ota ho avy aza dia voafindra teo amin’i Jesosy amin’ny Batisany. Jesosy sy Jaona Batista niaraka namboatra ny làlana mankany amin’ny paradisa ho antsika. Amin’izany fomba izany, amin’ny alalan’i Jaona Batista, namposehon’Andriamanitra ny tsiambaratelon’ny fanavotana.

Amin’ny maha solon-tena ny tsirairay amintsika, nataon’i Jaona Batista batisa Jesosy

Page 113: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

113 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mba hafahantsika mino ny fanavotana ary handehanana any amin’ny paradisa. Nafindrany teo amin’i Jesosy ny otantsika amin’ny alalan’ny batisa. Io no vaovao mahafaly entin’ny fanavotana, ny filazantsara.

MANINONA NO TERAKA I JAONA BATISTA?

Amin’ny alalan’iza no afahantsika mino an’i Jesosy?

Jaona Batista

Ao amin’ny Malakia 3:1, voasoratra “Indro,

haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo anolohako.” Vakio tsara ny Baiboly. Maninona naniraka ny irany manolohana antsika

Andriamanitra? Maninona no teraka enim-bolana alohan’i Jesosy Jaona?

Tokony hazava amintsika izay voasoratra ao amin’ny Baiboly. Misy antoko ao amin’ny Testamenta Taloha momban’ny asan’i Arona mpisorona avo. Arona dia zoki-lahin’i Mosesy. Izy sy ny zanani-lahy dia voahosotr’Andriamanitra ho mpisorona. Ny Levita hafa niasa ho azy, nitondra ny fitaovana ilaina, nampifangaro ny koba hatao mofo, sns, rehefa manolotra ny sorona eo amin’ny tabernakely ny zanak’Arona.

Arak’izany voahosotra ny zanak’Arona mba hiaraka hiasa amin’ny hafa, nefa amin’ny andron’ny fanavotana, ny andro fahafolon’ny volana fahafito, ny mpisorona avo irery ihany no manolotra ny soron’ny fanavotana ho an’ny vahoaka.

Ao amin’ny Lioka 1:5, misy ny tantaran’ny

Page 114: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

114 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

firazanan’i Jaona Batista. Tokony hazava tsara amintsika ny momban’ny Irak’Andriamanitra mba hafahana manana hevitra marina momban’i Jesosy. Fombantsika ny manana hevitra maro momban’i Jesosy, nefa tsy mahafantatra zavatra firy momban’i Jaona Batista izay tonga ho Azy isika. Tiako ny hanampy anareo hafantatra.

“Fiantombon’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Araka ny voasoratra ao amin’ny mpaminany Isaia: ‘Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao.’” Ny filazantsaran’ny paradisa manomboka foana miaraka amin’i Jaona Batista.

Raha mahazo tsara ny momban’i Jaona Batista isika dia afaka mahalala sy mino tsara ny filazantsaran’ny fanavotan’i Jesosy. Toa ny fihainona ny ambasadaoro nalefa teto an-tany hafantarana ny toetra ny firenena tsirairay. Raha mahafantatra an’i Jaona Batisat isika, dia afaka

mahafantatra tsara ny fanavotan’Andriamanitra. Nefa, mampalahelo fa betsaka ny Kristiana

ankehitriny no tsy mahafantatra ny halehiben’i Jaona. Andriamanitra tsy naniraka an’i Jaona, satria tsy nanak’atao akory Izy. Ny filazantsara efatra ny Testamenta Vaovao miresaka momban’i Jaona Batista alohan’ny resahana momban’ny fanavotan’i Jesosy.

Ankehitriny, ny evanjelista tsy mahalala na inona na inona ary milaza amin’ny olona fa ampy ho hamonjena azy ny finoana fotsiny an’i Jesosy. Mitarika ny olona ho hiaina ho mpanota mandritra ny fiainany manontolo izy ary mitarika azy ho any amin’ny afobe. Raha mino an’i Jesosy fotsiny hianareo nefa tsy mahalala ny momban’i Jaona, dia lasa fivavahana hafa ho antsika ny fivavahana Kristiana. Ahoana no hanavotana anareo amin’ny ota raha tsy mahafantatra ny marina hianareo? Tsy mety

Page 115: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

115 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

izany. Tsy tsotra ary tsy mora ny filazantsaran’ny

fanavotana. Maro ny olona mihevitra fa ny fanavotana miankina amin’ny finoana ny Hazo fijaliana satria maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho antsika Jesosy. Raha mino fotsiny ny fanohomboana Azy amy ny Hazo fijaliana hianareo, nefa tsy mahalala ny famindrana ny fahotana, tsy misy finoana afaka hitondra anareo amin’ny fanavotana tanteraka.

Dia nirahan’Andriamanitra Jaona Batista mba hilaza an’izao tontolo izao ahoana no hahatanteraka ny fanavotana ary ahoana no fomba hanalan’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao. Ny fahafantarana ny marina ihany no hafahantsika mahazo fa i Jesosy dia Zanaka lahin’Andriamanitra izay naka ny ota rehetra ho Azy.

Milaza antsika ny marina momban’ny

fanavotana i Jaona Batista. Lazainy ahoana no nahatongavany mba ho vavolombelon’ny fahamasinan’i Jesosy, ahoana no tsy naneken’ny olona Azy rehefa nidina eto an-tany ny fahazavana. Nolazainy koa ao amin’ny Jaona 1 fa izy no namboatra ny filazantsaran’ny fanavotana amin’ny fanaovana batisa an’i Jesosy Kristy.

Raha tsy nanana ny fanambaran’i Jaona momban’ny fanavotana isika, ahoana no hafahantsika hino an’i Jesosy? Tsy mbola nahita an’i Jesosy isika, ary satria manana fomba avy amin’ny fivavahana samy hafa, ahoana no afahantsika hino an’i Jehovah?

Miaraka ny fivavahana samy hafa rehetra eto an-tany, ahoana no mety hafantarantsika an’i Jesosy Kristy? Ahoana no tokony hafantarantsika fa i Jesosy no Zanaka lahin’Andriamanitra izay nanavotra antsika, naka ny fahotan’izao tontolo

Page 116: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

116 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

izao teo Aminy? Izany hoe, tokony hijery ny Testamenta Taloha

isika, ahitana ny teny voalohany momban’ny fanavotana ary hijery an’i Jesosy ho Mpamonjy. Tsy maintsy mahazo ny fahaizana marina isika mba hino marina. Tsy misy zavatra azo atao raha tsy misy ny fahalalana. Ho hinoana an’i Jesosy ary ho voavonjy, tsy maintsy mahalala ny filazantsaran’ny fanavotana isika, izay nambaran’i Jaona Batista. Hazahoana ny finoana an’i Jesosy, tsy maintsy mahafantatra ny marina momban’ny fanavotana isika.

Araka ny lazain’i Jesosy “Ho fantarinareo ny marina ary ny marina hanafaka anareo,” tokony fantatrareo ny marina momban’ny fanavotan’i Jesosy.

NY POROFO AO AMIN’NY BAIBOLY

Amin’inona no manomboka ny filazantsara efatra?

Amin’ny fiomanan’i

Jaona Batista Aoka ho jerentsika ny porofo rehetra

momban’ny fanavotana, ao amin’ny Baiboly. Aoka jerena izay lazain’ny filazantsara efatra momban’i Jaona Batista, avy aiza izy, maninona no antsoina azy “mpisolo-tenan’ny olombelona” na “mpisorona farany.” Ahoana no fomba naha-tafafindra ny otan’izao tontolo izao teo amin’i Jesosy amin’ny alalany ary nalain’i Jesosy tokoa ve ny otan’izao tontolo izao?

Manomboka miaraka amin’ny Jaona Batista

Page 117: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

117 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

avokoa ny filazantsara efatra. Jaona 1:16, milaza antsika ny zava-dehibe indrindra amin’ny filazantsara. Lazainy iza no nahatanteraka ny asan’ny famindrana ny otan’izao tontolo izao teo amin’i Jesosy. “Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny” (Jaona 1:6-7).

Hoy izy “mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny” ary koa “ho vavolombelona hanambara ny Mazava.” Ny mazava dia Jesosy Kristy. Izany midika hoe Jaona dia tonga ho vavolombelon’i Jesosy mba hinoan’ny rehetra Azy. Aoka jerentsika ao amin’ny Matio.

Ao amin’ny Matio 3:13-17 “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka

nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary injao nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.”

Maninona no tokony hazava

amintsika ny firazanan’i Jaona?

Satria ny Baiboly milaza fa Jaona no mpisoron’ny olombelona

Page 118: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

118 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Nataon’i Jaona Batista batisa i Jesosy. Ao amin’ny Lioka 1:7-8, notanterahan’i Jesosy Kristy ny fanavotana ny fahotana rehetra amin’ny alalan’ny Batisany nataon’i Jaona.

Ao amin’ny Lioka 1:1-14 “Satria maro no efa nanoratra, nandahatra tantara ny amin’ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ny voalohany: dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra, mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao. Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ny antokon’i Abia, ary ny vadiny dia avy tamin’ny taranak’i Arona, Elizabeta no anarany.

Ary samy marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanantsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo. Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta ary samy efa antitra izy mivady. Ary, nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbasan’ny antokony, araka ny fanao amin’ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra. Ary ny vahoaka rehetra, nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra. Ary nony nahita azy Zakaria dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. Fa hoy ilay anjely taminy: aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary jaona no hataonao anarany. Ary ho faly sy ho ravoravo hianao; ary

Page 119: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

119 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

maro no hifaly amin’ny hahaterahany.” Lioka milaza antsika antsipirihany ny

firazanan’i Jaona. Lioka, apositolon’i Jesosy, manazava ny firazanan’i Jaona hatramin’ny voalohany. Nampianatra ny filazantsara an’ilay olona atao hoe Teofilo i Lioka, izay nanana fomba afa sady tsy nahafantatra ny Tompo.

Izany hoe, mba hampianatra azy ny momban’i Jesosy, Mpamonjin’ny mpanota, nihevitra i Lioka fa tokony ho fantany tsara ny firazanan’i Jaona.

Ao amin’i Lioka 1:5-9, voatantara “Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ny antokon’i Abia. Ary ny vadiny dia avy tamin’ny taranak’i Arona, Elizabeta no anarany. Ary samy marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanantsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo. Ary tsy

nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta ary samy efa antitra izy mivady. Ary, nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbasan’ny antokony, araka ny fanao amin’ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.”

Eto, nisy sampona niseho nandritra ny fisoronan’i Zakaria araka ny fomba fanao. Ary i Lioka manambara mazava tsara fa i Zakaria dia avy amin’ny firazanan’i Arona. Ka antoko inona no misy an’i Zakaria? Zava-dehibe io.

Azavainy hoe “Ary, nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbasan’ny antokony.” Mahafantatra tsara an’i Zakaria i Lioka ka afaka manazava ny filazantsaran’ny fanavotana amin’ny alalan’i Zakaria sy Elizabeta.

Page 120: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

120 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Satria koa isika malemy Fanahy avy amin’ny firazanana samy afa, tsy afaka azo tsara ny famonjen’i Jesosy raha tsy voazava an-tsipirihany, tsirairay. Aoka ho jerena inona ireo zavatra an-tsipirihany ireo. Teraka avy amin’i Zakaria sy ny vadiny Elizabeta i Jaona Batista, Elizabeta izay zanaka vavin’i Arona. Aoka ho jerena ny firazanan’i Zakaria sy Jaona.

NY FIRAZANAN’I JAONA BATISTA

Taranak’iza i Jaona Batista?

Arona, mpisorona avo Tokony hamaky ny Testamenta Taloha isika

raha te-halala tsara ny firazanan’i Jaona Batista,

1 Tantara 24:1-19 “Ary ny amin’ny taranak’i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: ny zanakalahin’i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. Fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana. Ary Davida sy Zadoka, isan’ny taranak’i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ny taranak’Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy. Ary ny lohany tamin’ireo, dia tamin’ny taranak’i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ny taranak’Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: tamin’ny taranak’Eleazara dia enina ambin’ny folo no lohan’ny fianakaviana, ary tamin’ny taranak’Itamara dia valo kosa no lohan’ny fianakaviana. Ary samy nozarazaraina tamin’ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina dia mpifehy ho an’Andriamanatra

Page 121: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

121 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

avokoa, na ny avy tamin’ny taranak’Eleazara, na ny avy tamin’ny taranak’Itamara. Ary Semaia, zanak’i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ny Levita, no nanoratra azy teoanatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’i Abiatara, sy teo anatrehan’ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny mpisorona sy ny Levita. Fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa ho an’Itamara. Ny loka voalohany dia azon’i Joariba, ny faharoa an’i Jedaia, ny fahatelo an’i Harima, ny fahefatra an’i Seorima, ny fahadimy an’i Malkia, ny fahenina an’i Miamina, ny fahafito an’i Hakoza, ny fahavalo an’i Abia, ny fahasivy an’i Jesoa, ny fahafolo an’i Sekania, ny fahiraika ambin’ny folo an’i Eliasiba, ny faharoa ambin’ny folo an’i Jakima, ny fahatelo ambin’ny folo an’i Hopa, ny fahefatra ambin’ny folo an’i Jesebaba, ny

fahadimy ambin’ny folo an’i Bilga, ny fahenina ambin’ny folo an’Imera, ny fahafito ambin’ny folo an’i Hezira, ny fahavalo ambin’ny folo an’i Hafizeza, ny fahasivy ambin’ny folo an’i nPetahia, ny faharoa-polo an’i Jehezekela, ny fahiraika amby roa-polo an’i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an’i Gamola, ny fahatelo amby roa-polo an’i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an’i Mazia. Ireo avy no antokony amin’ny fanompoanay izay idirany ao an-tranon’i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.”

Aoka ho vakiana indray mandeha ny andininy faha 10 “Ny fahafito an’i Hakoza, ny fahavalo an’i Abia.” Eto i Davida dia nizara tamin’ny filokana ny asan’ny zanaka lahin’i Arona tsirairay avy mba ho vita milamina ny fisoronana. (Araka ny fantatrareo rehetra, Arona

Page 122: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

122 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dia zokin’i Mosesy. Andriamanitra nandidy an’i Mosesy ho mpanao raharahany ary an’i Arona ho mpisorona ny tabernakely masina eo anatrehan’ny vahoakan’Isiraely).

Ny Levita hafa dia teo ambany fehezan’ny mpisorona ary Arona sy ny zanany lahy nanao ny asa mpisoronana rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Alohan’ny filokana nataon’i Davida, ny mpisorona, ny taranak’i Arona, tsy maintsy niloka foana ary nety nitondra fikorontanana betsaka izany.

Ka namboarin’i Davida ny zavatra amin’ny fametrahana ny antoko rehetra amin’ny toerany. Nisy antoko 24 araka ny isan’ny zafinkelin’i Arona ary i Abia no fahavalo. Ary hoy izy “Nisy mpisorona, ny anarany Zakaria, avy ao amin’ny antokon’i Abia.” I Zakaria izany dia mpisorona avy amin’ny antokon’i Abia ary taranak’i Arona mpisorona avo.

Zakaria dia mpisorona avy ao amin’ny antokon’i Abia, ary rain’i Jaona Batista. Fantantsika araka ny Baiboly fa nifanambady tao amin’ny fianakaviana.

Araka ny fantatrareo, nanambady ny zanaka vavin’ny anadahin-dreniny i Jakoba. Ary misy dikany lehibe io fanazavana ny firazanana io. Voalaza “Mpisorona, Zakaria no anarany, antokon’i Abia.”

Taranak’i Arona izany izy. Iza? Zakaria, rain’i Jaona Batista. Zava-dehibe io amin’ny fanazavana ny fanavotan’i Jesosy, ny asan’i Jaona Batista ary ny famindrana ny otan’izao tontolo izao amin’ny Jesosy.

Page 123: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

123 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY ZANAKA LAHIN’I ARONA IHANY NO AFAKA TONDROINA HO MPISORONA

Iza no afaka tondroina mpisorona tamin’ny andron’ny

Testamenta Taloha?

Arona sy ny taranany

Aiza ao amin’ny Baiboly no milaza fa ny zanak’i Arona ihany no afaka tondroina mpisorona?

Aoka jerena ao amin’ny Nomery 20:22-29 “Ary nifindra ny Zanak’Isiraely dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora. Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin’ny faritanin’i

Edoma, ka nanao hoe: Arona, hangonina any amin’ny razany, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Zanak’Isiraely izy, satria, nandà ny teniko teo amin’ny ranon’i Meriba hianareo. Alao Arona sy Aleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka dia esory ny fitafian’i Arona, ka atafio an’i Eleazara zanany ary Arona hangonina any amin’ny razany ka ho faty ao. Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason’ny fiangonana rehetra izy telo mianaka. Dia nesorin’i Mosesy ny fitafian’i Arona ka natafiny an’i Aleazara zanany. Ary maty tao an-tampon’ny tendrombohitra Arona. Dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara. Ka nony hitan’ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’Isiraely rehetra.”

Page 124: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

124 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Voasoratra ao amin’ny Eksodosy ny lalàn’Andriamanitra, milaza fa ny zanaka lahin’ny mpisorona dia tsy maintsy manohy ny asan-drainy tahaka ny nataony tamin’ny taonany.

Ao amin’ny Eksodosy 28:1-5 “Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ny zanany, avy amin’ny zanak’Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’i Arona. Ary manaova fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy. Ary mitenena amin’izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’i Arona hanamasinana azy ho mpisorona Ahy. Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo. Dia hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ny zanany, mba

ho mpisorona ho Ahy izy. Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.”

Nolazain’Andriamanitra mazava tsara ny fomba fisoronana an’i Arona, rahalahin’i Mosesy. Ny fisoronana tsy nivoha ho an’ny olon-kafa. Nandidy an’i Mosesy Andriamanitra hanamasina an’i Arona ho mpisorona ary hanamboatra fitafy mendrika ho azy araka ny voalazany. Tsy tokony hadinontsika mihitsy ny tenin’Andriamanitra.

Ao amin’ny Eksodosy 29:1-9 koa “Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy. Makà vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy msy kilema ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, koba tsara toto no hanaovanao azy. Ary ataovy eo anaty harona

Page 125: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

125 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

iray izy, ka ento amin’ny harona ary ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa. Ary Arona sy ny zanany dia ento hankeo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy. Ary alao ny fitafiana, ka ampiakanjoy an’i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra, ary fehezo amin’ny fehin-kibo momba ny efoda izy. Ary ny hamama dia ataovy eo amin’ny lohany ary ny diadema masina dia ataovy eo amin’ny hamama. Ary alao ny diloilo fanosorona ka aidino amin’ny lohany dia manosora azy. Ary ny zanany dia ento koa ka ampiakanjoy akanjo lava. Ary fehezo amin’ny fehin-kibo izy dia Arona sy ny zanany ary fehezo aminy ny satroka boribory ary ho azy ny fisoronana ho Lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’i Arona sy ny zanany.”

Ary fehezo amin’ny fehin-kibo izy dia Arona

sy ny zanany ary fehezo aminy ny satroka boribory...Ho azy samy irery ny fisoronana araka ny didy manokana. Dia toy izany no hanokananao an’i Arona sy ny zanany...

Voalazan’Andriamanitra fa i Arona sy ny zanany ihany no voatokana hanao ny asa mpisoronana ho Azy mandrakizay. Rehefa miteny “mandrakizay” Izy dia midika hoe na aoriana ny natongavan’i Jesosy aza.

Izany no mahatonga an’i Lioka hanazava tsara fa i Zakaria dia taranak’i Arona, mpisorona. Raha manao ny asa-mpisoronany eo anatrehan’Andriamanitra Zakaria, ao amin’ny tempolin’ny Tompo, nisy anjely niseho taminy ary niteny fa niaino ny vavaka nataony Andriamanitra ary ny vadiny Elizabeta dia hiteraka zanaka lahy.

Tsy afaka nino Zakaria “Ahoana no hafantarako an’izany? Ny vadiko efa antitra.” Noho ny fisalasalany, dia nataon’Andriamanitra

Page 126: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

126 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

moana vetivety izy hampisehoana azy ny famarinan’ny Teniny.

Tamin’ny andro voatondro dia bevohaka ny vadiny ary avy eo, Maria Virijiny bevohaka koa. Ireo zavatra roa ireo dia asan’Andriamanitra, hikarakarana ny famonjena antsika. Hamonjena ny olombelona voangoly, tsy maintsy nalefany ny Mpanopony Jaona ary naterany ny Zanani-lahy tokana.

Ary dia tsy maintsy nataony batisa tamin’i Jaona ny Zanani-lahy mba hamindrany ny otan’izao tontolo izao teo Aminy ary mba hamonjena an’izay rehetra mino Azy.

NY FITONDRANA MANOKAN’ANDRIAMANITRA

Avy amin’iza Andriamanitra no nikarakara ny asan’ny fanavotana

alohan’ny Jesosy?

Jaona Batista

Jesosy Kristy no Mpamonjin’ny olombelona, teraka tamin’ny vatan’i Maria Virijiny. Maria dia fofom-badin’i Jozefa izay taranak’i Jodia. Tsy maintsy teraka taranak’i Jodia Jesosy mba hahatanterahan’ny faneken’Andriamanitra, tahaka ny tokony ny maha taranakin’ny mpisorona Arona an’i Jaona Batista.

Nanomana an’izy roa lahy Andriamanitra ho teraka eto an-tany, Jaona alohan’i Jesosy. Teraka Jaona, ka afaka nanao batisa an’i Jesosy ary

Page 127: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

127 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

namindra ny otan’izao tontolo izao Taminy. Ny taranak’ny mpisorona tsy maintsy nanome ny soron’ny fanavotana mba hahatanterahan’ny faneken’Andriamanitra natao tamin’ny Testamenta Taloha, mba hinoana ny filazantsaran’ny fanavotana sy hitazomana azy tsara.

Ao amin’ny Eksodosy, nomen’Andriamanitra an’Isiraely ny Lalàny sy ny fanekena; ny lalàn’Andriamanitra sy ny Lalàna fisoronana ao amin’ny tabernakely, ny fitafin’ny mpisorona, ny fomba fisoronana ary ny lovan’ny fisoronana ho an’ny zanakin’ny mpisorona. Nanendry an’i Arona sy ny taranany Andriamanitra, ho mpisorona mandrakizay.

Ny taranak’i Arona izany dia afaka nanome ny sorona ary ny mpisorona tsy maintsy avy amin’ny tranon’i Arona. Inona no hevitrareo amin’izany?

Nefa, amin’ny tarak’i Arona, dia nifidy an’i Zakaria sy Elizabeta vadiny Andriamanitra. Hoy Izy “Haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo anolohako.” Rehefa niteny an’i Zakaria Andriamanitra fa hanome an’i Elizabeta ny fahazoana miteraka ary ny anarany dia Jaona, gaga tokoa izy ka lasa moana hatramin’ny naterahan’ny zanani-lahy sy ny fanomezana anarana azy.

Ary dia teraka lahy marina izy. Rehefa tonga ny fotoana hanomezana anarana an’ilay zaza araka ny fomba tany Isiraely, dia nomena anarana arakan’i Rainy ilay zaza.

“Ary tonga ny andro hahaveloman’i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy. Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin’ny Tompo ny famindrampony taminy, dia niara-nifaly taminy ireo. Ary tamin’ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka

Page 128: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

128 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany. Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy. Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ny havanao izay manana izany anarana izany. Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany. Ary nangataka fàfana izy izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra. Ary dia nisokatra, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’Andriamanitra. Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ny tany havoan’i Jodia rehetra ny lazan’izany rehetra izany. Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tànan’ny Tompo nomba azy” (Lioka 1:57-66).

Moana Zakaria tamin’izany fotoana izany. Rehefa tonga ny fotoana fanomezana anarana

an’ilay zaza, dia nanoro ny havana fa Zakaria no tokony ho anarany. Nefa ny reniny naharitra nilaza fa ny anarany dia Jaona. Dia namaly ny mpiray tampò fa tsy mbola nisy taminy nitondra an’io anarana io ary tsy maintsy mitondra ny anaran-drainy ny zaza.

Satria naharitra amin’io anarana io Elizabeta, lasa nanatona an’i Zakaria zareo ary nanontany ny tokony atao anaran’ilay zaza. Fa satria tsy afaka niteny Zakaria, nanontany fàfana izy ary nanoratra hoe “Jaona.” Gaga daholo ny havana rehetra amin’io safidy tsy fanao io.

Vao nanome ny anarana Zakaria dia nivoha niaraka tamin’izay ny vavany “Misy mpisorona vavao, Zakaria no anarany, taranak’i Abia.” Amin’ny faminaniana manokana nataon’Andriamanitra, Jaona Batista, solon-tenan’ny olombelona dia teraka avy amin’i Zakaria, taranak’i Arona.

Page 129: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

129 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ary amin’ny alalan’i Jaona Batista sy Jesosy, dia notanterahan’Andrimanitra ny famonjena an’ny olombelona. Voavonjy amin’ny ota isika raha mino ny asan’ny fanavotana nataon’i Jaona sy Jesosy Kristy.

NY BATISAN’I JESOSY

Maninona nataon’i Jaona batisa Jesosy?

Hanalana ny otan’izao

tontolo izao Nambaran’i Jaona Batista fa Jesosy dia zanaka

lahin’Andriamanitra ary hanala ny otantsika rehetra. I Jaona Batista, mpanompon’Andriamanitra no nanambara ny

famonjena antsika. Tsy midika akory izany fa Andriamanitra tsy

miteny mivantana amintsika fa Izy no Mpamonjy. Miasa Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanompon’ny fiangonana sy miaraka ny vavan’izay rehetra voavonjy.

Hoy Andriamanitra “Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay,” “Ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy ho valin’ny fahotana rehetra nataony” (Isaia 40:8, 2).

“Tsy mpanota intsony hianareo ankehitriny. Navotako ny otanareo rehetra ary vita ny adinareo.” Tsy mitsahatra miteny amintsika ny feon’ny filazantsaran’ny fanavotana. Izany no atao hoe filazantsara voahomana.

Rehefa azontsika ny asan’i Jaona, rehefa

Page 130: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

130 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mazava tsara amintsika fa nifindra tamin’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao, dia ho afaka amin’ny fahotana isika.

Ny filazantsara efatra milaza antsika ny momban’i Jaona ary ny mpaminany farany tamin’ny Testamenta Taloha nanambara koa fa Jaona Batista dia mpanompon’Andriamanitra. Ary ny Testamenta Vaovao manomboka amin’ny naterahan’i Jaona Batista sy ny famindrana ny ota amin’ny alalany.

Maninona no antsointsika hoe Jaona Batista izy? Satria nanao batisa an’i Jesosy. Inona no dikan’ny batisa? Midika hoe “mamindra, manatsaboka, manadio” mitovy amin’ny “fametrahan-tànana” ao amin’ny Testamenta Taloha.

Ao amin’ny Testamenta Taloha, rehefa misy olona manota, dia hafindra amin’ny lohan’ny fanatitra ny otany, ny fisoronana tsara indrindra

dia ny fametrahan-tànana eo amin’ny fanatitra ary dia maty miaraka amin’ny sorona ny ota. “Ny fametrahan-tànana” midika hoe “mamindra.” Izany hoe “Ny fametrahan-tànana” sy ny batisa dia mitovy raha tsy mitovy anarana aza.

Inona izany no dikan’ny batisan’i Jesosy? Ny Batisany no fomba azo namindrana ny fanavotana amin’ny fanamasinana an’Andriamanitra.

Ao amin’ny Testamenta Taloha, tsy maintsy mametraka ny tànana eo amin’ny lohan’ny sorona ny mpanota mba hamindrana ny otany eo amin’ny lohan’ny sorona. Avy eo, vonoiny ilay sorona ary raisin’ny mpisorona ny ra izay hafafiny eo amin’ny tendron’ny alitara misy ny fanatitra odorana. Io no fomba fanavotana isan’andro.

Inona no nataony amin’ny ota isan-taona? Arona, mpisorona avo, nanome ny sorona ho

Page 131: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

131 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

an’ny vahoak’Isiraely manontolo. Satria Jaona Batista avy amin’ny tranon’i Arona, dia mpisorona izy araka ny tokony ho izy ary notendren’Andriamanitra ho mpisorona farany izy araka ny fanekenan’ny fanavotana.

Solon-tenan’ny olombelona Jaona Batista ary mpisorona farany satria ny Testamenta Taloha miafara amin’ny naterahan’i Jesosy. Iza afa-tsy Jaona Batista no afaka namindra ny otan’izao tontolo izao tamin’i Jesosy ao amin’ny Testamenta Vaovao tahaka ny nanavotan’i Arona ny otan’ny vahoaka ao amin’ny Testamenta Taloha? Amin’ny maha mpisorona azy farany ao amin’ny Testamenta Taloha ary ny maha solon-tenan’ny olombelona azy, dia nafindran’i Jaona Batista tamin’i Jesosy ny ota rehetra amin’ny fanaovany Azy batisa.

Satria nafindran’i Jaona tamin’i Jesosy ny ota rehetra, voahavotra isika raha mino ny

filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Lasa zanak’ondrikely Jesosy hamonjy ny mpanota rehetra ary toa izany no hahatanterahan’ny asan’ny fanavotana araka ny noheverin’Andriamanitra azy. Nolazain’i Jesosy fa Jaona no mpaminany farany, mpisorona namindra ny ota rehetra teo aminy.

Maninona tsy nanao an’izany irery Jesosy? Maninona nila an’i Jaona Batista Izy? Nisy antony ny nahatonga an’i Jaona teraka 6 volana talohan’i Jesosy. Mba hahatanterahan’ny làlan’ny Testamenta Taloha. Teraka avy amin’i Maria Virijiny Jesosy ary Jaona avy amin’ny vehivavy antitra atao hoe Elizabeta.

Asan’Andriamanitra io ary noheverina fa hamonjy ny mpanota rehetra izy ireo. Hamonjy antsika amin’ny ady ho an’ny ota sy ny fahoriana rehetran’ny olombelona, nandefa ny Mpanompony Jaona Izy sy ny Zanani-lahy

Page 132: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

132 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jesosy. Jaona, mpisorona avo farany, ho solon-tenan’ny olona.

ILAY OLONA AVO INDRINDRA NATERAKY NY VEHIVAVY

Iza ilay olona avo indrindra teto an-tany?

Jaona Batista

Jerentsika ao amin’ny Matio 11:7–14 “Ary

nony lasa ireny, dia vao nilaza an’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: hilaza inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon’ny

mpanjaka. Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, izaho maniraka ny irako hialoha Anao. Izay hamboatra ny làlanao eo alohanao. Lazaiko aminareo marina tokoa: amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao batisa, nefa ny key indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy ankeriny. Fa ny mpaminany rehetra, sy ny làlana dia naminany hatramin’i Jaona. Ary raha mety mandray hianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.”

Nankany an-efitra ny olona hijery an’i Jaona izay nanambara hoe “Mahaiza mibebaka, ry

Page 133: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

133 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

taranaka menarana.” Ary Jesosy niteny hoe “Ny mitafy soa dia ao an-tranon’ny mpanjaka.”

Jesosy mihitsy no manambara ny halehiben’i Jaona. “Hijery an’iza no nivoahanareo? Jiolahy mitafy volom-drameva sy mikiakika an-efitra va? Iza no hitanareo? Lehilahy mitafy soa va? Ny mitafy soa dia ao an-tranon’ny mpanjaka. Nefa izy dia lehibe noho ny mpanjaka.” Izany no nambaran’i Jesosy. “Ny mitafy soa dia ao an-tranon’ny mpanjaka. Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.”

Tamin’ny andro taloha, lehibe noho ny mpanjaka ny mpaminany. Azonareo izany? Nefa i Jaona Batista lehibe noho ny mpaminany rehetra tamin’ny Testamenta Taloha. I Jaona, mpisorona farany ary solon-tenan’ny olona, dia lehibe kokoa noho Arona, mpisorona voalohany.

Na i Jesosy aza dia nanao vavolombelon’i Jaona. Iza no solon-tenan’ny olona? Afa-tsy Jesosy

Kristy, iza no olona lehibe indrindra teto an-tany? Jaona Batista. “Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. Indro, izaho maniraka ny irako hialoha Anao. Izay hamboatra ny làlanao eo alohanao.”

Nambaran’i Jaona Batista fa vita ny ady amin’ny ota. “Ity ny zanakondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny otan’izao tontolo izao!” I Jaona no nanambara fa Jesosy no manala ny otan’izao tontolo izao.

Ao amin’ny Matio 11:11 “Lazaiko aminareo marina tokoa: amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.” Nisy ve ny lehibe noho Jaona Batista ve tamin’ny nateraky ny vehivavy?

Page 134: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

134 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Inona ny dikan’ny hoe “Nateraky ny vehivavy?” Midika hoe ny olona rehetra. Afa-tsy Adama, ny olona rehetra dia nateraky ny vehivavy. Eny, amin’izay rehetra nateraky ny vehivavy, tsy nisy mihitsy ny nitsangana ho lehibe kokoa noho Jaona Batista. Noho izany, Jaona Batista no mpisorona, mpaminany ary solon-tenantsika.

Ao amin’ny Testamenta Taloha, Arona sy ny zanani-lahy dia nalahatr’Andriamanitra mba hanompo Azy mandrakizay. Ny ota rehetra dia tokony diovin’i Arona sy ny zanani-lahy. Izay no didin’Andriamanitra.

Raha nisy hafa tamin’ny Levita, izay tsy nanaiky na saha niditra, dia angamba izy maty. Ny zavatra azony atao dia ny manangona tapa-kazo maina hanaovana afo amin’ny alitara, mamono biby, manasa ny tsinainy, manasaraka ny jabora. Raha ohatra zareo be ambo te-

hanandrana ny asan’ny mpisorona, tsy maintsy maty. Izany no làlan’Andriamanitra. Tsy afaka mihoatra ny tsipika izy.

Eto an-tany, tsy nisy nitsangana ho lehibe kokoa noho Jaona Batista. Anisan’ny olombelona, izy no lehibe indrindra. “Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy ankeriny.”

Tanteraka ny fanavotan’ny olona rehefa nanao batisa an’i Jesosy Jaona Batista. Ary izay mino an’i Jesosy dia afaka miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Lasa olo-marina ireo. Aoka ho jerentsika ahoana no nanaporofon’ny rain’i Jaona an’ny zanani-lahy.

Page 135: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

135 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY FILAZAN’I ZAKARIA RAIN’I JAONA

Inona no faminaniana nataon’i Zakaria momban’ny zanani-lahy?

Hamboatra ny lalàn’ny Tompo Jaona amin’ny

fanomezana ny fahaizana momban’ny fanavotana amin’ny olony

Aoka ho vakiana Lioka 1:67-80 “Ary dia feno

ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely. Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy. Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika. Amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy, araka izay nampilazainy ny mpaminany masina hatramin’ny

fahagola. Dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika sy ami’ny tànan’izay rehetra mankahala antsika. Manefa famindrampo amin’ny razantsika Izy sady mahatsiaro nt fanekeny masina. Dia ny fianianana izay nianianany tamin’i Abrahama razantsika. Hanao izay hahazontsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, satria afaka amin’ny fahavalontsika isika. Amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo Anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika. Ary hianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra. Fa hialoha eo anatrehan’ny Tompo hianao hamboatra ny làlany. Hanome ny olony ny fahalalampamonjena, amin’ny famelana ny helony, noho ny halehibe’ny famindrampon’Andriamanitsika, izay hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika. Hamirapiratra amin’izay mipetraka ao

Page 136: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

136 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana. Hanitsy ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana. Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy, ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Isiraely.”

Naminany zavatra roa Zakaria. Naminany izy fa ho avy ny Mpanjakan’ny olona rehetra. Ao amin’ny andininy 68 hatramin’ny 73, naminany am-pifaliana izy fa tsy adinon’Andriamanitra ny fampanantenana nataony sy koa, Jesosy, araka ny nianianany tamin’i Abrahama , dia naterak’i Maria Virijiny ho mpamonjin’ny taranany amin’ny tànan’ny fahavalo.

Avy eo, amin’ny andininy 74 “Hanao izay hahazontsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, satria afaka amin’ny fahavalontsika isika.” Fampatsiarovana ny fanantenana nataon’Andriamanitra an’i Abrahama sy Isiraely

io, ary naminany izy hoe “Hanao izay hahazontsika hanompo Azy tsy amin-tahotra.”

Manomboka amin’ny andininy 76, naminany momban’ny zanani-lahy Izy. “Ary hianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra. Fa hialoha eo anatrehan’ny Tompo hianao hamboatra ny làlany. Hanome ny olony ny fahalalampamonjena, amin’ny famelana ny helony, noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika, izay hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika. Hamirapiratra amin’izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana. Hanitsy ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana.”

Eto izy milaza hoe “Hanome ny olony ny fahalalampamonjena, amin’ny famelana ny helony.” Araka ny lazainy iza no hanome ny fahalalam-pamonjena? Jaona Batista, amin’ny

Page 137: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

137 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

alalan’ny tenin’Andriamanitra, dia tokony hanome ny fahalalam-pamonjena fa Jesosy no Zanaka lahin’Andriamanitra izay nanala ny fahotan’izao tontolo izao.

Aoka ho jerentsika, ao amin’ny Marka 1. “Ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamnitra. Araka izay voasoratra ao amin’Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao. Izay hambotra ny làlanao. Injany! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan’i Jehovah. Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany. Dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka. Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany” (Marka 1:1-5).

Nihodina amin’ny fanompoana sampin’ny

Jentily ny olona ary dia nataon’i Jaona batisa. Fa hoy Jaona “Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana. Fa ho avy ny zanak’Andriamanitra atao batisa mba hanaisotra Aminy ny fahotanareo rehetra. Raha mino hianareo, rehefa vitako batisa dia hifindra Aminy daholo ny fahotanareo rehetra tahaka ny ota nafindra amin’ny fametrahan-tànana tamin’ny Testamenta Taloha.” Izany no nambaran’i Jaona.

Ny batisan’i Jesosy tao amin’ny Jordana midika hoe natao batisa tao amin’ny onin’ny fahafatesana Izy. Amin’ny fandevenana mihira isika, “Ao amin’ny mamy, hahita ny moron-drano mamy isika. Hahita ny moron-drano mamy isika” Rehefa maty isika dia hiampita ny ony Jordana. Ny ony Jordana dia onin’ny fahafatesana. Natao batisa teo amin’ny ony Jordana Jesosy.

Page 138: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

138 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ILAY BATISA MANAISOTRA NY OTA

Inona no dikan’ny fametrahan-tànana tamin’ny Testamenta Taloha?

Batisan’i Jesosy

Ao amin’ny Matio 3:13-17, azo vakiana “Ary

tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nantona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka nano hoe: izaho no tokony hatanao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia

niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako.”

Tonga teo amin’ny Jordana Jesosy ary nataon’i Jaona Batista batisa. “Ataovy batisa aho.” “Izaho no tokony hatanao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko.” Nifanena ny mpisoron’ny lanitra sy ny mpisoron’ny tany.

Araka ny epistilin’ny Hebreo, Jesosy Kristy no mpisorona ho mandrakizay, araky ny fandaharan’i Melkizedeka, tsy nanana firazanana Izy. Tsy taranak’i Arona Izy, na taranak’olon-kafa. Zanaka lahin’Andriamanitra Izy, izay nahary antsika. Namoy ny lazan’ny lanitra Izy ary nidina teto an-tany hamonjy ny olony.

Page 139: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

139 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny antony nidinany teto an-tany dia ny hamonjena ny mpanota rehetra izay nijaly noho ny fitak’i Satana. Ary nanaisotra ny otan’izao tontolo izao izy raha nataon’i Jaona Batista batisa. “Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.”

“Ekeo ihany ankehitriny.” Ataovy! Nandidy ny solon-tenan’ny olombelona Jesosy ary dia nahondriny ny lohany. Ao amin’ny Testamenta Taloha, rehefa aterina amin’Andriamanitra ny sorona, ny mpanota sy ny mpisorona dia mametraka ny tànany eo amin’ny lohany ary dia afaka ny ota. “Mametraka tànana eo aminy” midika hoe “mamindra.”

Nataon’i Jaona Batista batisa Jesosy. Mitovy dika amin’ny fametrahan-tànana amin’ny Testamenta Taloha io. “Mamindra,”

“manatsaboka,” “manadio” ary “misorona” mitovy dika. Raha aloka ny Testamenta Taloha, Tena izy ny Testamenta Vaovao.

Rehefa mametraka tànana eo amin’ny zanak’ondry ny mpanota tao amin’ny Testamenta Taloha, dia voafindra eo amin’ny zanak’ondry ny otany ary dia miara maty amin’ny ota ilay zanak’ondry. Raha voafindra eo amin’ilay zanak’ondry daholo ny ota, ilay naka an’ilay zanak’ondry ve tsy nisy ota?

Aoka heverintsika fa ity mosara ity dia ny ota ary ity micro no zanak’ondry. Raha hapetrako eo ambony micro ny tànako, lasa eo amin’ny micro ny ota, izany hoe eo amin’ny zanak’ondry. Andriamanitra mihitsy no nanapaka fa izany no tokony ho izy. “Apetrao eo amboniny ny tànana.” Raha te ho voahavotra, tsy maintsy mametraka tànana ny tsirairay. Avy eo, dia tsy manana ota intsony izy. Ny batisan’i Jesosy dia

Page 140: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

140 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

manadio, mandevina ary mamindra ny ota eo Aminy. Izany no tiany lazaina.

Inona no dikan’ny hoe hahatanteraka ny fahamarinana?

Dia ny manadio ny ota rehetra amin’ny

famindrana azy eo amin’i Jesosy Rehefa natao batisa Jesosy mba hanala ny

otan’izao tontolo izao, tena voafindra teo Aminy tokoa ve ny ota rehetra? Nifindra tamin’i Jesosy ny ota rehetra ary dia voahavotra ny olona rehetra. Mitovy amin’ny fifindran’ny ota eo amin’ny sorona tamin’ny Testamenta Taloha izany. Tonga teto an-tany sy teo amin’ny Jordana Jesosy ary niteny hoe “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny

fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Ka namela ny Tenany ho atao batisa Izy.

Lazain’i Jesosy tamin’i Jaona fa tsara ho azy ny hahatanterahan’ny fahamarinana amin’ny Batisany. “Ny fahamarinana rehetra” midika hoe “ny madio sy marina indrindra.” “Fa izao” no mety ho azy hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Midika izany fa marina ho an’i Jaona no manao batisa an’i Jesosy ary marina ho an’i Jesosy ny hanaovan’i Jaona batisa Azy hamindrany ny ota eo Aminy.

Neken’Andriamanitra ny fanavotana miankina amin’ny batisa. Ny fisoronan-tenany sy ny finoantsika. “Mararin’ny ota ny olona rehetra ary mijaly amin’ny ratsy noho ny otany. Izany hoe, raha te ho voavonjy izy sy ho any amin’ny paradisa, hianao, solon-tenan’ny olona, taranak’i Arona, tsy maintsy manao batisa Ahy ho an’izao tontolo izao. Tsy maintsy ataonao batisa Aho. Ka

Page 141: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

141 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’izay dia tanteraka ny asan’ny fanavotana.” “Mazava amiko.” Ka nataon’i Jaona batisa Jesosy. Napetrany eo

amin’ny lohany ny tànany ary nafindrany teo amin’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao. Jesosy no Mpamonjintsika izay nanadio ny otantsika. Voavonjy isika raha mino ny Fanavotany. Mino ve hianareo?

Tao aorian’ny Batisany, ny asa voalohany nataon’i Jesosy teo amin’ny Jordana, amin’ny alalan’ny tànan’ny solon-tenan’ny olona rehetra, dia ny mitety ny tany mitory ny filazantsara mandritra ny telo taona sasany miaraka ny otan’izao tontolo izao teo amin’ny lohany.

Hoy Izy tamin’ilay vehivavy voasambotra nijangajanga “Izaho koa dia tsy manameloka anao.” Tsy afaka nanameloka azy Izy satria efa naka ny ota rehetra teo Aminy ary tsy maintsy ho faty eo amin’ny Hazo fijaliana. Rehefa nivavaka

tamin’ny toerana atao ho Getsemane Izy, nivavaka intelo Izy nangataka amin’i Ray mba hanalavitra ny kapoaka Aminy nefa navelany aingana izany hevitra izany ary hoy Izy “Tsia, tsy araka ny sitrapoko, fa araka ny sitraponao.”

“ITY NO ZANAK’ONDRIN’ANDRIAMANITRA IZAY MANAISOTRA NY OTAN’IZAO TONTOLO IZAO!”

Firy ny ota nalain’i Jesosy?

Ny otan’izao tontolo izao Ao amin’ny Jaona 1:29 “Nony ampitso dia

nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka

Page 142: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

142 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dia hoy Izy: Indro ny zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” Nataon’i Jaona batisa Jesosy. Ary ny ampitso, nanatona azy Jesosy ary hoy izy tamin’ny olona “Indro ny zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” Teny ny maha vavolombelona Azy io.

Tonga teto an-tany ny Zanak’Andriamanitra ary nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Nanambara indray Jaona Batista. Ao amin’ny Jaona 1:35-36 “Nony ampitson’iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy ary nijery an’i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra.”

Ny Zanak’ondrin’Andriamanitra midika fa Izy no solon’ny sorona tao amin’ny Testamenta Taloha, izay maty ho an’ny otan’Isiraely. Ho

Anareo sy ho Ahy, ny zanaka lahin’Andriamanitra, izay nahary antsika, dia nidina teto an-tany ary nanaisotra ny otantsika rehetra; ny ota rehetra nanomboka amin’ny famoronana an’izao tontolo izao ka hatramin’ny faran’ny andro, ny ota voalohany hatramin’ ny faharatsiana rehetra, ny tsy fahombiazana hatramin’ny heloka. Navotany daholo isika amin’ny Batisany sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.

Nesoron’i Jesosy daholo ny otantsika rehetra ary nomeny antsika ny fanavotana. Mazava aminareo ve izany? “Ny zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny otan’izao tontolo izao.”

Taona faha firy isika izao? Manakaiky ny taona 2000. Izany hoe efa ho 2000 taona no lasa hatramin’ny nahatongany teto an-tany. Ary tamin’ny taona faha 30 aorian’i J.K., nesoron’i

Page 143: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

143 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jesosy ny otan’izao tontolo izao. Lazaina fa Jesosy dia teraka tamin’ny taona faha 1, aorian’i J.K. Izany hoe, efa ho 2000 taona no lasa hatramin’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany.

Tamin’ny taona 30 aorian’i J.K, nataon’i Jaona Batista batisa Jesosy. Ary ny ampitso, niteny tamin’ny olona Jaona “Ity ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny otan’izao tontolo izao.” “Ity” Teo ampilazana an’ny olona izy fa tokony hino an’i Jesosy izay nanala ny otany rehetra. Nanambara izy fa Jesosy dia ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, Ilay namonjy antsika amin’ny ota rehetra.

Nanaisotra ny otantsika rehetra Jesosy ary namita ny ady. Tsy manana ota intsony isika ankehitriny satria efa nesorin’ny Zanak’Andriamanitra ny ota rehetra. Efa nambaran’i Jaona Batista fa nalainy ny otantsika rehetra, ny otanareo, ny ahy. “Izy tonga ho

vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny” (Jaona 1:7).

Raha tsy misy ny tenin’i Jaona, ahoana no hafantarantsika fa nesorin’i Jesosy ny otantsika rehetra? Ny Baiboly milaza matetika fa maty ho antsika Jesosy nefa i Jaona ihany no manambara fa Izy no nanaisotra ny otantsika.

Inona no fahotan’izao tontolo izao?

Ny fahotan’ny olombelona tamin’ny fiandohany ka hatramin’ny

faran’izao totolo izao

Betsaka no nanambara ny fahafatesan’i Jesosy, nefa i Jaona ihany no nanao vavolombelon’ny fahavelomany. Marina fa avy eo nanao vavolombelona ihany koa ny mpianatr’i

Page 144: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

144 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jesosy. Nambaran’izy ireo fa nanaisotra ny otantsika rehetra Jesosy, fa Izy no Mpamonjintsika.

Nanaisotra ny otan’izao tontolo izao Jesosy. Ankehitriny, mbola tsy feno 100 taona hianareo, tsy izany? Nanaisotra ny otantsika Jesosy tamin’izy telo polo taona. Ankehitriny jereo ity sary ity.

Adama→Abrahama→batisan’i Jesosy→ankehitriny→farany

4000 al J.K 2000 al J.K 30 ar J.K. 2000 ar J.K ? ar J.K

Otan’izao tontolo izao Aoka heverina fa amin’ny 4000 taona

alohan’ny nahatongavan’i Jesosy isika. Tsy mbola 2000 taona hatramin’i Jesosy. Tsy fantantsinka haharitra afirina nefa ny farany tsy maintsy ho avy. Hoy Izy “Izaho no Alfa sy

Omega, ny voalohany sy ny farany,ny fiandohana sy ny fiafarana” (Apokalypsy 22:13).

Tsy maintsy misy farany. Ary isika amin’ilay voatondro hoe taona 1999. Nanaisotra ny otantsika tamin’ny taona 30 Kristy ary telo taona alohan’ny nahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana.

“Ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny otan’izao tontolo izao.” Nesorony ny otan’izao tontolo izao, ny otanareo sy ny otako. Lavitra ny nahaterahan’i Jesosy isika. Eo amin’ny 2000 taona eo. Miaina ny fiainantsika isika 2000 taona ao aorian’ny nanaisoran’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao. Manomboka miaina amin’ity tany ity isika rehefa teraka.

Manota sa tsia isika hatramin’ny nahaterahana? Manota isika. Aoka ho dinihana tsara izany. Hatramin’ny andro naterahana ka hatramin’ny fahafolo taona, manota ve isika?

Page 145: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

145 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Manota isika. Ka nifindra tamin’i Jesosy sa tsia ireo ota ireo? Eny, voafindra. Satria nifindra amin’i Jesosy daholo ny ota rehetra. Raha tsy izany, ahoana no maha mpamonjy antsika Azy? Nifindra tamin’i Jesosy daholo ny ota rehetra.

Manomboka amin’ny 11 taona ka hatramin’ny 20, manota ve isika sa tsia? Manota amin’ny fo sy amin’ny atao isika...Tena mahomby isika amin’izany. Nianatra ny tsy manota isika nefa tsy mahay manao an’izany moramora.

Ary Andriamanitra milaza fa nifindra tamin’i Jesosy ireo ota ireo. Isika mahalala fa nesorina mialoha ireo ota ireo.

Ary firy taona no hiainantsika amin’ity tany ity? Aoka atao hoe 70 taona. Raha atao miaraka ny ota rehetra vita mandritra izany 70 taona izany, azontsika an-tsaina ve ny mety ho lanjany? Raha atao eo ambony fiarabe 8 tona, angamba mahafeno fiarabe mihoatra ny 100.

Andramo heritreretana fotsiny firy ny ota mety ho vita mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Otan’ny tany ve ireny sa tsia? Otan’izao tontolo izao ireny. Manota isika eo anelanelan’ny 20 sy 30 taona ary otan’izao tontolo izao koa ireny.

NY MPAMONJIN’NY OLONA, JESOSY KRISTY

Firy ny ota nesorin’i Jesosy?

Ny ota rehetra an’ny razantsika, ny otantsika sy ny otan’ny taranaka,

hatramin’ny faran’izao tontolo izao

Voalazan’i Jesosy fa niodioviny ny otantsika

rehetra. Tsy afaka niteny ny tenany Jesosy hoe

Page 146: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

146 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Ataovy batisa aho,” ka nandefa mialoha an’i Jaona mpanompony Andriamanitra, solon-tenan’ny olombelona. “Atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery ny anarany,” avy Aminy, avy amin’ny fahendreny, avy amin’ny toro-heviny, no nandefasany mialoha ny solon-tenan’ny olona ary Izy, zanaka lahin’Andriamanitra tonga nofo ary nanaisotra ny otan’izao tontolo izao teo Aminy. Tsy famonjena mahagaga ve izany?

Mahagaga ô? Izany hoe, indray mandeha monja, amin’ny nanaovan’i Jaona Batista batisa Azy, nodioviny ny otan’ny olombelona ary novonjeny tamin’ny fanandevozan’ny ota izay nampijaly azy ny olona. Novonjeny tamin’ny fanandevozana daholo isika. Heritrereto momban’izany. Ny otantsika rehetra manomboka amin’ny 20 taona ka hatramin’ny 30, amin’ny 30 ka hatramin’ny 40, 40 hatramin’ny 60,

hatramin’ny 70, hatramin’ny 100 ary avy eo ny an’ny zanaka. Nofafany sa tsia ny ota rehetra? Eny. Nataony. Izy no Jesosy Kristy, Mpamonjin’ny olombelona.

Satria nafindran’i Jaona tamin’i Jesosy ny fahotana rehetra an’izao tontolo izao ary koa satria izany no sitrapon’Andriamanitra, voahavotra isika raha mino an’i Jesosy. Mpanota ve isika, hianareo sy izaho? Voafindra tamin’i Jesosy daholo ve no otantsika? Tsy mpanota intsony isika ary ny otantsika rehetra dia nifindra teo amin’i Jesosy.

Iza no afaka miteny fa misy ota eto amin’ity tany ity? Nesorin’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao. Fantany fa hanota isika ka nesoriny koa ny ota ho avy. Misy amintsika no mbola tsy feno 50 taona ary misy ny mbola tsy niaina ny atsaky ny fiainany nefa miresaka mombantsika isika, izaho koa ao anatiny, ohatra ny hoe hiaina

Page 147: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

147 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mandrakizay. Maro ny manana fiainana misamboaraboara.

Azavaiko anareo. Inona no atsasam-piainan’ny mihelina? Eo amin’ny 12 ora eo.

“Andriamanitra ô! nifanena tamina lehilahy aho dia natsimpazany fandroan-lalitra ary saiky maty voahitsaka, raha fantatrao...” Niaina nandritra ny 12 ora izy ary tsy nitsahatra niteny. Nefa efa atsam-piainana izany.

Amin’ny 7 ora na 8 ora hariva, dia tonga amin’ny farampiainany izy ary ho faty avy eo. Misy ny miaina 20 ora, sasany 21 ora ary sasany lava kokoa, mandritra ny 24 ora. Miresaka momban’ny alavan’ny fiainany izy ary inona no lazaintsika? Satria miaina 70 na 80 taona isika dia hilaza hoe “Aza hampihomehezana aho.” Tsinontsinona ny fiainany eo imasontsika.

Mandrakizay Andriamanitra. Miaina mandrakizay Izy. Izy no manapaka ny voalohany

sy ny farany. Satria Izy miaina mandrakizay, tsy misy farany ny androny. Mijery antsika ao anatin’ny mandrakizainy Izy.

Indray andro, nesoriny ny otan’izao tontolo izao, dia maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy ary niteny hoe: “Vita.” Nitsangana tamy ny maty Izy telo andro avy eo ary niakatra any amin’ny paradisa. Ankehitriny, mijery antsika avy any ambony Izy.

Ary misy ny miteny “Ry malala, nanota be loatra aho. Raha niaina 20 taona fotsiny ary aho, nanota loatra.” “Niaina 30 taona aho ary nanota loatra. Be loatra. Ahoana no fomba hahazoko famelan-keloka?”

Nefa Andriamanitra, ao amin’ny Mandrakizainy, hiteny hoe “Aza hampihomehezana aho. Navotako ny otanareo rehetra sy ny an’ny razanareo alohan’ny naterahanareo ary koa ny otan’ny taranakareo

Page 148: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

148 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

rehetra izay ho avy ao aorian’ny fahafatesanareo.” Ho lazaina anareo izany araka ny taona mandrakizay hananany. Mino azy ve hianareo? Minoa azy. Ary raiso ny fanatitrin’ny famonjena izay nomeny amin-tsafidy. Ary midira ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Aza mino ny heritreritrao fa minoa ny tenin’Andriamanitra “Izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Fahamarinana rehetra izay efa tanterakin’ny zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Nesorin’i Jesosy ny fahotan’izao tontolo izao. Nataony izany sa tsia? Nataony izany.

Inona no lazain’i Jesosy

tamin’ny farany teo amin’ny Hazo fijaliana?

Vita

Jesosy Kristy izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao dia voaheloka ho faty teo amin’ny trano fitsaran’i Pilato ary dia nohomboana tamy ny Hazo fijaliana.

“Ary Izy nitondra ny Hazo fijaliana dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay natao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanohomboana Azy tamin’ny Hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany. Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’NY JIOSY. Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy maro, fa akaikin’ny tanàna ny tany izay nanohomboana an’i Jesosy tamin’ny Hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany” (Jaona 19:17-20).

Page 149: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

149 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Aoka ho jerena izay nanjo Azy rehefa avy nohomboana tamy ny Hazo fijaliana Izy. “Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho. Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo, ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ny hysopa ka nataony tamin’ny vavany. Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny” (Jaona 19:28-30).

Rehefa avy nisotro ny vinaingitra Izy dia niteny hoe “Vita,” dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. Maty Izy. Ary nitsangana tamy ny maty Jesosy telo andro avy eo ary niakatra any an-danitra.

Aoka isika hamaky ao amin’ny Hebreo 10:1-9 “Fa ny Lalàna izay misy aloky ny zava-tsoa ho

avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. Raha izany dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovana indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ny fieritreretany ny amin’ny ota intsony izy? Fa amin’ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy. Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao, dia hoy Izaho: Inty Aho tonga. Ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy. Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô! Rehefa nolazainy teo hoe: Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina noho ny ota, dia ireny aterina

Page 150: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

150 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

araka ny Lalàna, no tsy ilainao ary tsy sitrakao. Dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.”

NY FANAVOTANA MANDRAKIZAY

Ahoana no fomba handaminana ny ota isan-andro rehefa avy

mino an’i Jesosy?

Amin’ny fanamafisana fa efa nolaisotr’i Jesosy ny ota rehetra miaraka

ny Batisany Ny Lalàna izay misy aloky ny zava-tsoa ho

avy. Ny soron’ny Testamenta Taloha, ny ondry sy ny osy, mampiseho antsika fa ho avy Jesosy

ary hanaisotra ny otantsika tahaka izany. Ny olona rehetra tao amin’ny Testamenta

Taloha, Davida, Abrahama sy ny hafa dia nafantatra ary nino ny dikan’ny sorona ho azy. Mampiseho fa ny Mesia, Kristy (Kristy midika hoe Mpamonjy) dia ho avy indray andro ary hanadio ny fahotany rehetra. Nino ny fanavotana izy ary dia ho voavonjy noho ny finoany.

Ny Lalàna dia misy aloky ny zava-tsoa ho avy. Ny fanatitra ateriny isan-andro, isan-taona, tsy afaka nanavotra antsika tanteraka. Ka Ilay tonga lafatra sy mandrakizay, Ilay tsy misy kilema, ny Zanaka lahin’Andriamanitra tsy maintsy tonga teto an-tany.

Ary nilaza Izy fa tonga hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy araka ny voasoratra ao amin’ny boky “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.” Voahavotra amin’ny

Page 151: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

151 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ota isika satria nesorin’i Jesosy Kristy ny otantsika rehetra araka izay voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha ary satria mino azy isika.

Aoka isika hamaky ao amin’ny Hebreo 10:10 “Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha.” Ary araka izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha. Namasinina ve isika sa tsia? Namasinina isika. Inona ny dikany? Andriamanitra Ray nandefa ny Zanani-lahy ary namindra ny otantsika rehetra Aminy tamin’ny Batisany ary notsarainy indray mandeha Izy teo amin’ny Hazo fijaliana. Araka izany, novonjeny izay rehetra nijaly noho ny ota. Sitrapon’Andriamanitra izany.

Hamonjena antsika, nanolo-tena indray

mandeha Jesosy, ka afaka hamasinina isika. Namasinina isika. Nahafoy ny ainy ho antsika rehetra Jesosy ary maty ho antsika (teo amin’ny toerantsika) Izy, izany no mahatonga antsika tsy mila tsaraina intsony.

Ny soron’ny Testamenta Taloha dia naterina isan-andro satria ny ota vaovao rehetra dia nila fanatitra foana mba ho voadio.

Ao amin’ny Jaona 13, misy tantaran’i Jesosy nanadio ny tongotr’i Petera. Nosasany ny tongotr’i Petera hampisehovana azy fa hanota Petera amin’ny andro ho avy ary mba hafantarany fa efa voahavotra amin’ny otany izy. Fatatr’i Jesosy fa mbola hanota indray Petera, ka nararany anaty koveta ny rano dia nosasany ny tongony.

Nanandrana nandà izy nefa hoy Jesosy “Izay ataoko, mbola tsy fantatrao ankehitriny, fa hazava aminao amin’ny manaraka.” Ny

Page 152: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

152 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dikan’izany dia izao: mbola hanota indray hianao, hamadika Ahy ary hanota indray ao aorian’ny fiakarako any an-danitra, ka sasako ny tongotrao hilazana an’i Satana tsy hitsapa anao satria efa noraisiko ny otanao rehetra ho avy.

Mihevitra ve hianareo fa nosasany ny tongotr’i Petera hitenenana antsika ny hibebaka isan-andro? Tsia. Raha tokony hibebaka isan-andro noho ny ota isika dia tsy noraisin’i Jesosy indray mandeha ny ota rehetra.

Nefa nolazain’i Jesosy fa namasininy indray mandeha isika. Raha mibebaka isan-andro isika, dia miverina amin’ny Testamenta Taloha. Ka iza no mety ho marina? Iza no tena voahavotra tanteraka? Raha mino an’Andriamanitra aza isika, iza no afaka hiaina tsy manota ?

Iza no azo fanamasinana amin’ny fibebahana? Tsy mitsahatra manota isika, ary ahoana no atao mba ho voavela ny heloka rehetra? Ahoana no

afahana hibebaka isan-andro? Isan-andro isika dia matetika rehefa tonga ny hariva, manadino ny ota natao ny maraina ary ny maraina, ny ota natao ny hariva. Tsy vitantsika ny hibebaka amin’ny ota rehetra.

Izany no antony nahatonga an’i Jesosy, rehefa vita batisa, nanome ny tenany teo amin’ny Hazo fijaliana mba hanamasinina antsika indray mandeha. Azonareo izany? Voahavotra amin’ny ota rehetra isika indray mandeha. Tsy voahavotra isakin’ny mibebaka akory.

Mbola misy ota afa izay tokony hibebahana ve?

Tsia

Voavonjy isika amin’ny finoana fa nesorin’i

Jesosy ny otantsika rehetra, ny otanareo ary ny

Page 153: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

153 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ahy. “Ary ny mpisorona rehetra dia nitsangana

isan-andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota. Fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika, fa rehefa voalazany hoe : izao no fanekena hataoko aminy. Rehefa afaka izany andro izany hoy Jehovah, hataoko ao am-pony ny lalàko. Sady hosoratako ao an-tsainy dia hoy koa Izy: ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako instony. Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony”

(Hebreo 10:11-18). Inona ny dikan’ny hoe “famelana ny ota?”

Ao amin’ny 10:18, izany midika fa ny ota, na inona na inona dia voavela ho mandrakizay. Voavelan’Andriamanitra avokoa ireo. Mino an’izany ve hianareo? “Ka, rehefa misy famelan-keloka, tsy misy fanatitra ho an’ny ota intsony.”

Aoka fitinina eto. Raha tsy nametraka ny tànany teo amin’i Jesosy Jaona Batista, izany hoe, raha tsy nataony batisa Jesosy, afaka ho voahavotra ve isika? Tsy ho voahavotra isika. Aoka hihevitra ny mifanohitra an’izany. Raha tsy nofidin’i Jesosy ho solon-tenan’ny olombelona Jaona batista ary raha tsy nanaisotra ny ota rehetra teo aminy Izy, afaka nanadio ny otantsika rehetra ve Izy? Tsy afaka Izy.

Marina ny lalàn’Andriamanitra. Tsy misy fitaka. Tsy afaka miteny fotsiny Izy hoe Mpamonjy antsika, nanaisotra ny otantsika. Tsy

Page 154: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

154 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

maintsy nesoriny ara-batana ny otantsika. Maninona Jesosy, Andriamanitra, no tonga nofo amintsika? Satria fantany ny otan’ny olona, ny ota ao am-pony sy amin’ny nofony, mba hanaisorany ny otan’ny olona rehetra, Izy, Zanaka lahin’Andriamanitra, tsy maintsy tonga nofo amintsika.

Raha tsy natao batisa Jesosy Kristy, nijanona ny otantsika. Raha nohomboana tamy ny Hazo fijaliana Izy nefa tsy nanala ny otantsika, dia tsy nisy dikany ny fahafatesany. Tsy hisy antony amintsika. Tsy misy dikany.

Izany hoe, rehefa nanomboka ny asany amin’ny vahoaka Izy, tamin’ny 30 taonany, nanatona an’i Jaona Batista teo amin’ny Jordana Izy mba atao batisa. Ny asam-bahoakany nanomboka tamin’ny 30 taonany ary niafara tamin’ny 33 taona. Tamin’ny 30 taonany, nanatona an’i Jaona Batista Izy mba atao batisa

“Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Tsara ny manao an’izany. Ankehitriny ataovy batisa Aho. Eny, natao batisa ho an’ny fanavotana ny vahoaka Jesosy.

Satria natao batisa Jesosy sy nanaisotra ny otantsika rehetra ary satria ny otantsika lasany daholo amin’ny fametrahan’i Jaona Batista ny tànany, natodik’Andriamanitra ny masony rehefa maty teo amin’ny Hazo fijaliana Jesosy. Raha Zanani-lahy aza Jesosy, tsy maintsy navelany ho faty ny Zanani-lahy.

Andriamanitra dia fitiavana, nefa tsy maintsy navelany ho faty ny Zanani-lahy. Ka mandritra ny telo ora, maizina ny tany rehetra. Niantso tamin’ny feo mahery Jesosy alohan’ny nahafatesany “Ely, Ely, lamà sabaktany?” Izany hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” Raha

Page 155: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

155 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nitondra ny otantsika rehetra Jesosy dia nahazo ny fitsarana toe amin’ny Hazo fijaliana ho antsika. Namonjy antsika Izy. Raha tsy nisy ny batisan’i Jesosy, dia tsy misy dikany ny fahafatesany.

Mpanota hianareo sa olo-marina?

Olona marina tsy manana

ota ao am-pony Raha maty teo amin’ny Hazo fijaliana tsy

nanaisotra ny otantsika Jesosy, raha tsy natao batisa, ny fahafatesany dia tsy nahatanteraka ny fanavotana. Hanavotana antsika, nataon’i Jaona, solon-tenan’ny olombelona, batisa Jesosy, ary nahazo ny fitsarana teo amin’ny Hazo fijaliana mba ho voavonjy izay rehetra mino Azy.

Izany hoe, manomboka amin’ny andron’i Jaona Batista ka hatramin’izao, nijaly ny fanerena ny fanjakan’ny lanitra. Satria nafindran’i Jaona Batista amin’ny Jesosy ny otan’ny olona, dia voahonitra ny otanareo sy ny ahy. Izany hoe, hianareo sy izaho, afaka miantso an’Andriamanitra Ray ankehitriny ary hiditra am-pifaliana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Ao amin’ny Hebreo 10:18 “Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.” Mpanota daholo ve hianareo? Ankehitriny, efa naloan’i Jesosy daholo ny otantsika rehetra. Tokony mbola handoa ny trosa foana ve isika?

Nisy lehilahy nisotro toaka loatra ka nanana trosa betsaka. Nefa nahazo volabe ny zanani-lahy ary indray andro nandoa ny trosan-drainy rehetra. Tsy nanana trosa intsony ny rainy na firy na firy ny toaka laniny.

Page 156: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

156 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Izany no nataon’i Jesosy antsika. Naloany mialoha ny otantsika rehetra. Tsy ny otan’ny fiainantsika ihany, fa ny otan’izao tontolo izao koa. Nifindra tamin’i Jesosy daholo ireo rehefa natao batisa Izy. Ka mpanota ve hianareo ankehitriny? Tsia, tsy mpanota intsony hianareo.

Raha nahafantatra an’ny filazantsaran’ny fanavotana hatrany am-pidohany isika, dia ho mora tamintsika ny nino an’i Jesosy. Marina izany nefa mampalahelo fa betsaka ny olona gaga amin’izany.

Nefa tsy zava-baovao izany. Nisy hatrany am-piandohany. Fa tsy fantantsika. Ny filazantsran’ny rano sy ny Fanahy dia voalaza foana ao amin’ny Soratra Masina ary niasa foana. Teo foana izy. Teo izy alohan’ny naterahanareo sy izaho. Teo izy alohan’ny famoronana an’izao tontolo izao.

NY FILAZANTSARAN’NY FANAVOTANA

Inona no ataontsika ho an’Andriamanitra?

Tokony hino ny filazantsaran’ny

fanavotana mandrakizay isika

I Jesosy Kristy, izay nanasa ny otantsika ho

antsika, nanao an’izany alohan’ny naterahanareo sy izaho. Nesoriny daholo. Manana ota ve hianareo? Tsia. Ary ny ota ataonareo rahampitso? Ao anatin’ny otan’ny olombelona rehetra ireo.

Aoka avela ny ota ho avy. Ny ota ataontsika ankehitriny ao anatin’ny otan’izao tontolo izao koa ve? Nifindra teo amin’i Jesosy ireo sa tsia?

Page 157: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

157 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Eny, voafindra ireo. Ary ny ota ho avy koa ve lasany? Eny,

noraisiny daholo, tsy nisy navelany na iray aza. Ny filazantsara milaza antsika hino amin’ny fo fa noraisin’i Jesosy ny otantsika rehetra, indray mandeha ary naloany daholo.

“Ny fiantombohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanaka lahin’Andriamanitra.” Vaovao tsara ny filazantsaran’ny lanitra. Manontany antsika “Noraisiko ny otanareo rehetra. Izaho no mpamonjy anareo. Mino ahy ve hianareo?” Amin’ny olona maro, vitsy ny mamaly hoe “Eny, mino aho. Mino aho tahaka ny nolazainao ahy. Mora tokoa, ka mazava amiko ankehitriny.” Izay niteny an’izany dia ho lasa marina tahaka an’i Abrahama.

Ary ny hafa miteny “Tsy afaka hino aho. Vaovao sy mahagaga ho ahy.”

Ka manontany Izy “Lazao ahy fotsiny,

noraisiko sa tsia ny otanareo rehetra?” “Reko fa noraisinao ny ota voalohany, fa tsy

ny ankehitriny.” “Hitako fa sompatra hianareo mino an’izay

lazaina anareo. Tsy maintsy mankany amin’ny afobe hianareo satria tsy misy azoko lazaiko anareo.”

Voavonjy isika amin’ny finoana ny fanavotana tanteraka. Izay maharitra fa manana ota dia ho any amin’ny afobe. Safidiny io.

Ny filazantsaran’ny fanavotana dia manomboka amin’ny teny vavolombelona nataon’i Jaona Batista. Satria noraisin’i Jesosy ny otantsika rehetra tamin’ny Batisany nataon’i Jaona Batista, tsy maintsy hamasinina isika rehefa mino.

Ny apositoly Paoly niteny betsaka momban’ny batisan’i Jesosy ao amin’ny epistiliny. Ao amin’ny Galatiana 3:27 “Fa na iza na iza

Page 158: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

158 NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAVOTANA NY OTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.” Atao batisa an’i Kristy midika hoe ao amin’i Kristy isika. Rehefa nataon’i Jaona batisa Jesosy, nifindra Taminy ny otantsika tamin’ny alalan’i Jaona Batista ary voadio ny otantsika.

Ao amin’ny 1 Petera 3:21 “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamy ny maty.”

Izay mino ny fanambaran’i Jaona Batista, ny batisan’i Jesosy ary ny ra eo amin’ny Hazo fijaliana ihany no mahazo ny famelan-kelokin’ny fanavotana.

Raiso ao am-ponareo ny batisan’i Jesosy, ny sarin’ny famonjena ary ho voavonjy anie

hianareo. !

Page 159: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

159 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 6

I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY

FANAHY

Page 160: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

160 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY

RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<<< 1 Jaona 5:1-12 >>>> “Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia

naterak’Andriamanitra ary izay rehetra tia izay niteraka dia tia izay naterany koa. Izao no ahafatarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny Didiny. Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny Didiny, sady tsy mavesatra ny Didiny. Fa izay rehetra

naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao, ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy kristy. Tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy telo izay manambara, dia ny Fanahy sy ny rano ary ny ra. Ary mifanaraka tsara izy telo. Raha mandray ny fanambaran’ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’Andriamanitra. Fa ny fanambaran’Andriamanitra dia ny fanambarany ny Zanany. Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny. Izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy satria tsy mino ny fanambarana izay

Page 161: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

161 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nanambaran’Andriamanitra ny Zanany Izy. Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana. Izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.”

Avy amin’inona no tonga Jesosy?

Ny rano, ny ra sy ny Fanahy

Avy amin’ny rano ve Jesosy? Eny. Tonga avy

amin’ny Batisany. Ny rano dia ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista teo amin’ny ony Jordana. Batisan’ny fanavotana izay nanalany ny

otan’izao tontolo izao. Avy amin’ny ra ve Jesosy? Eny. Tonga nofo

Izy ary natao batisa hanalana ny otan’izao tontolo izao ary nandoa ny trosan’ny ota raha nandeha ra teo amin’ny Hazo fijaliana. Avy amin’ny ra Jesosy.

Avy amin’ny Fanahy ve Jesosy? Eny. Jesosy dia Andriamanitra nefa tonga toy ny Fanahy anaty nofo Izy mba hamonjy ny mpanota.

Maro ny tsy mino fa avy amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy Jesosy. Vitsy ny mino fa Mpanjakan’ny mpanjaka Jesosy, Andriamanitrin’ny Andriamanitra. Ny akabehazan’ny olona mbola misalasala “Jesosy ve tena Zanak’Andriamanitra sa zanak’olona?” Ary maro, ao anatin’izany ny teolojiana sy ny mpitondra fivavahana, mino an’i Jesosy tahaka ny olona fa tsy tahakan’Andriamanitra, Mpamonjy sy Ilay Tena avo indrindra.

Page 162: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

162 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fa Andriamanitra nilaza fa n’iza n’iza mino fa Mpanjakan’ny mpankaja Jesosy, ny tena Andriamanitra ary ny tena Mpamonjy dia naterany. Izay tia an’Andriamanitra dia tia an’i Jesosy ary izay tena mino an’Andriamanitra dia tia an’i Jesosy koa.

Tsy afaka azo ny fandresena amin’izao tontolo izao ny olona. Ny apositoly Jaona miteny antsika fa ny tena Kristiana ihany no azo an’io fandresena an’izao tontolo izao io. Ary ny antony mahatonga ny mpino handresy an’izao tontolo izao dia satria manana ny finoana an’ny rano, ny ra sy ny Fanahin’i Jesosy izy. Ny hery fandresena an’izao tontolo izao dia tsy tonga avy amin’ny sitrapon’ny olona, na ny fikelezany aina na avy amin’ny zotom-pony.

“Na dia niteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona

mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ny mahalelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany” (1 Korintiana 13:1-3). “Ny Fitiavana” eto midika hoe Jesosy izay avy amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy.

Page 163: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

163 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

IZAY MINO NY RANO SY NY RA IHANY NO HANDRESY IZAO TONTOLO IZAO

Iza no afaka handresy izao tontolo izao?

Izay mino ny fanavotan’ny batisan’i

Jesosy, ny ra sy ny Fanahy

Ao amin’ny 1 Jaona 5:5-6 “Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no zanak’Andriamanitra. Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra dia Jesosy Kristy, tsy tamin’ny rano ihany fa tamin’ny rano sy ny ra.”

Ry namana Kristiana, ilay naharesy izao tontolo izao, naharesy an’i Satana dia Jesosy. Izay mino ny tenin’ny rano, ny ra sy ny Fanahin’i Jesosy dia haharesy koa izao tontolo

izao. Ahoana no naharesen’i Jesosy izao tontolo izao? Amin’ny fanavotanan’ny rano, ny ra sy ny Fanahy.

Ao amin’ny Baiboly, “Ny rano” midika “batisan’i Jesosy” (1 Petera 3:21). Tonga nofo teto an-tany Jesosy. Tonga hamonjy ny mpanota rehetra Izy. Natao batisa Izy mba hanesorana ny otan’ny mpanota rehetra eran’izao tontolo izao ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy hanonerana ireo ota ireo.

Ny ra eo amin’ny Hazo fijaliana midika fa tonga nofo teto an-tany tahaka ny olona Izy. Tonga tamin’ny nofon’ny olona Izy hamonjena ny mpanota ary natao batisa tamin’ny rano Izy. Izany hoe, tonga avy amin’ny rano sy ny ra Jesosy. Izany midika fa nalany ny otan’izao tontolo izao tamin’ny ranon’ny Batisany sy ny ran’ny Fahafatesany.

Ahoana no afahan’i Satana mandidy an’izao

Page 164: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

164 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tontolo izao? Nampisalasalan’i Satana momban’ny tenin’Andriamanitra ny olona ary novoleny ny voan’ny fandikana ao am-pony. Amin’ny teny hafa, dia hoe, notaritin’ i Satana ny olona ho lasa mpanompony satria nofitahany mba tsy hanaiky ny tenin’Andriamanitra.

Nefa tonga teto an-tany Jesosy ary nanaisotra ny otan’ny olona amin’ny rano miaraka amin’ny Batisany ary amin’ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Nandresy an’i Satana Izy ary nofafany ny otan’izao tontolo izao.

Dia niseho izany satria Jesosy no Mpamonjin’ny mpanota. Lasa mpamonjy antsika Izy satria tonga avy amin’ny rano sy ny ra.

JESOSY NANAISOTRA NY OTAN’IZAO TONTOLO IZAO AMIN’NY BATISAN’NY FANAVOTANA

Inona no tianao lazaina amin’ny hoe fandresen’i Jesosy izao

tontolo izao?

Izany midika fa nanaisotra ny otan’izao tontolo izao Izy

Satria natao batisa mba hanala ny otan’izao

tontolo izao Jesosy ary maty an-nofo tahaka ny olona mba hanonitra ny fahotana rehetra, afaka mamonjy antsika amin’ny ota rehetra Izy. Satria nataon’i Jaona Batista, solon-tenan’ny olombelona, batisa teo amin’ny Jordana Jesosy,

Page 165: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

165 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nifindra Taminy ny otan’izao tontolo izao. Ary nanome ny Fiainany teo amin’ny Hazo fijaliana Izy ho tambin’ny otantsika. Satria Izy maty ary nitsangana tamy ny maty, nandresy an’i Satana Izy. Nandoa ny tambin’ny ota Izy tamin’ny Fahafatesany.

JESOSY TONGA TEO ANATREHAN’NY MPANOTA AVY AMIN’NY RANON’NY BATISA SY NY RA TEO AMIN’NY HAZO FIJALIANA

Ahoana no nandreseny

ny herin’i Satana?

Amin’ny Batisany, ny rano sy ny Fanahy

Nolazain’ny apositoly Jaona fa ny fanavotana tsy ny rano fotsiny, fa ny rano sy ny ra. Izany hoe, satria noraisin’i Jesosy ny fahotana rehetra ary nesoriny ho mandrakizay, ny mpanota rehetra dia ho voavonjy raha mino Azy sy tsy mivadika amin’ny Teniny.

Rehefa tonga teto an-tany Jesosy, tsy nanaisotra fotsiny ny otantsika Izy fa namonjy antsika amin’ny ota koa amin’ny rany latsaka teo amin’ny Hazo fijaliana. Nesoriny ny otantsika rehetra amin’ny Batisany teo amin’ny Jordana ary naloany ny trosan’ireo ota ireo teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary ny faminaniana ny Lalàna marin’Andriamanitra milaza hoe “fa ny fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23) dia tanteraka.

Inona no tian’i Jesosy lazaina amin’ny hoe mandresy izao tontolo izao? Ny finoana mandresy izao tontolo izao dia ny finoana an’ny

Page 166: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

166 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

filazantsaran’ny fanavotana izay nohentin’i Jesosy tamin’ny Batisany tamin’ny rano sy ny Fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana.

Nandresy izao tontolo izao Jesosy, izany hoe nandresy an’i Satana. Ny mpianatrin’ny fiangonana vao niforona dia nandà mafy ny fandevozan’ny fanjakana Romana sy ny fakam-panahin’izao tontolo izao, na ho lasa maritiora aza.

Izany no valin’ny finoany fa Jesosy avy amin’ny rano (natao batisa hanaisotra ny otantsika Izy) sy ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana (nandoa ny tambin’ny otantsika rehetra Izy tamin’ny Fahafetsany).

Tonga avy amin’ny fanahy Jesosy (tonga nofo) ary naka ny otan’ny mpanota tamin’ny Batisany sy ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana, mba handresensika izao tontolo izao, isika izay efa voahavotra.

IZAY MAMONJY ANAREO ANKEHITRINY DIA NY BATISA IZAY TENAN’IO TANDINDON’IO, AMIN’NY NITSANGANAN’I JESOSY KRISTY TAMY NY MATY <<<<1 Petera 3:21>>>>

Inona no tandindon’ny famonjena?

Ny batisan’i Jesosy

Voasoratra ao amin’ny 1 Petera 3:21 “Izay

mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa izay tenan’io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamy ny

Page 167: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

167 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

maty.” Nanambara ny apositoly Petera fa Jesosy no Mpamonjy ary tonga avy amin’ny ranon’ny batisa sy ny ra Izy.

Ny valiny dia ny hafahantsika mino an’i Jesosy izay tonga avy amin’ny rano sy ny ra. Ary tokony hafantatra isika fa ny ranon’ny batisan’i Jesosy dia tandindon’izay hamonjy antsika. Ny apositoly Petera milaza fa ny “ranon” ny batisa, ny “ra” ary ny “Fanahy” dia tsy maintsy ilaina amin’ny fanavotana.

Tsy nisy apositoly nino ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana raha tsy nisy ny batisan’i Jesosy. Ny finoana an’ny ra dia efa antsasakin’ny tena finoana. Ny antsasakin’ny finoana dia mihamaty miaraka amin’ny fotoana. Nefa ny finoan’izay mino ny filazantsaran’ny rano, ny ra sy ny Fanahy dia hihalehibe miaraka amin’ny fotoana.

Nefa ankehitriny, ny filazantsaran’ny ra dia mihalehibe isan-andro eran’izao tontolo izao.

Satria nahoana? Tsy mahafantatra ny tenin’ny fahamarinana ny olona, ny fanavotan’ny rano sy ny Fanahy ka tsy afaka ateraka indray izy.

Nisy fotoana, latsaka tamin’ny finoana adala ny fiangonana any andrefana. Nandritra ny fotoana fohy, toa nandroso ireo nefa ny mpanompon’i Satana nanodina ny finoana ho finoanoam-poana.

Ny finoanoam-poana dia ny finoana fa ny devoly dia handositra raha hasiana sarin’na lakroa eo ambony taratasy kely na hazo ary Satana dia handositra raha mino an’ny ran’i Jesosy ny olona. Amin’izany finoanoam-poana izany no namitahan’i Satana ny olona amin’ny fitaritana azy hino fotsiny ny ran’i Jesosy. Mody natahotra ny ra Satana, ary nilaza fa Jesosy dia nandeha ra ho an’ny mpanota.

Nefa, Petera sy ny apositoly hafa dia nanambara ny tena filazantsaran’ny batisan’i

Page 168: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

168 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jesosy sy ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana. Kanefa, inona no ambaran’ny Kristiana ankehitriny? Manambara ny ran’i Jesosy fotsiny izy.

Nefa tokony hino ny teny voasoratra ao anaty Baiboly isika ary hanana finoan’ny famonjen’ny Fanahy, ny batisan’i Jesosy ary ny ra. Raha manao tsinontsinona ny batisan’i Jeosy isika ary manambara fotsiny fa Jesosy dia maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho antsika, dia tsy ho tanteraka ny famonjena.

NY TENY FANAMBARANA HO AN’NY FAMONJEN’NY RANON’ANDRIAMANITRA

Inona no porofo fa novonjen’Andriamanitra

isika?

Ny rano, ny ra sy ny Fanahy Ao amin’i 1 Jaona 5:7, hoy ny Tompo “Fa

misy telo izay manambara.” Ny voalohany dia ny Fanahy, ny faharoa ny ranon’ny batisan’i Jesosy ary ny fahatelo ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary mifanaraka tsara ireo telo ireo. Tonga teto an-tany ho an’izy telo miaraka Jesosy, ny batisa, ny ra sy ny Fanahy.

“Fa misy telo izay manambara.” Zavatra telo

Page 169: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

169 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

no manaporofo fa novonjen’Andriamanitra isika. Ireo porofo ireo dia ny ranon’ny batisan’i Jesosy, ny ra sy ny Fanahy. Ireo telo ireo no nataon’i Jesosy ho antsika teto an-tany.

Raha hadino ny iray amin’ireo telo ireo, dia tsy tanteraka ny famonjena. Misy telo no manambara eto an-tany: ny Fanahy, ny rano sy ny ra.

Jesosy Kristy izay tonga nofo, dia Andriamanitra, Fanahy sy ny Zanaka. Tonga teto an-tany Izy toa ny Fanahy tonga nofo ary natao batisa amin’ny rano mba hanaisotra ny otan’izao tontolo izao. Ary nalainy teo amin’ny Nofony ny ota rehetra ary novonjeny tamin’ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana isika. Nandoa tanteraka ho an’ny ota rehetra Izy. Izany no fahantanterahan’ny filazantsaran’ny fanavotana amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy.

Raha manadino ny iray fotsiny amin’ireo ny

olona, dia tsy fanekena ny famonjen’Andriamanitra izay namonjy antsika amin’ny ota. Raha mifanaraka amin’ny akabehazan’ny mpino rehetra isika ankehitriny, tokony hiteny hoe “misy roa no manambara eto an-tany: ny ra sy ny Fanahy.”

Nefa ny apositoly Jaona niteny fa misy zavatra telo no manambara: ny ranon’ny batisan’i Jesosy, ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana ary ny Fanahy. Mazava tsara ny fanambaran’ny apositoly Jaona.

Ny finoana manavotra ny mpanota dia ny finoana ny Fanahy, ny rano sy ny ra. Aiza ny finoana afaka handresy ny olona an’izao tontolo izao? Eto izy. Dia ny finoana an’i Jesosy izay avy amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy. Raha mino an’io hianareo dia hahazo ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay.

Page 170: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

170 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Mety ho tanteraka ve ny famonjena raha tsy misy ny batisan’i Jesosy?

Tsia

Efa ela, alohan’ny naterahako indray, izaho

koa, Kristiana nino fotsiny ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana sy ny Fanahy. Nino aho fa tonga Fanahy fotsiny Izy ary maty ho ahy tamin’ny Hazo fijaliana ary namonjy ny otako rehetra. Ireo roa ireo ihany no ninoako ary satria be hambo aho dia te-nitory an’izany tamin’ny olona rehetra.

Nanapaka ny nianatra teolojia aho ho tonga misionary mba hiasa sy hofaty ho an’ny olona tahaka ny nataon’i Jesosy. Nikasa zavatra maro aho.

Nefa, raha nino fotsiny an’ireo roa ireo aho

dia nisy ota nijanona foana tato am-poko. Ka tsy afaka nandresy izao tontolo izao aho. Tsy afaka amin’ny ota aho. Raha nino ny ra sy ny Fanahy fotsiny aho dia nisy ota foana tato am-poko.

Ny antony nanako ota foana tato am-po nefa nino an’i Jesosy dia satria tsy nahafantatra ny rano, ny batisan’i Jesosy aho. Tsy tanteraka ny fanafahana ahy raha tsy voahavotra aho amin’ny finoana ny ranon’ny batisa, ny ra sy ny Fanahy.

Tsy afaka nandresy ny otan’ny nofo aho satria tsy fantatro ny dikan’ny batisan’i Jesosy. Na ankehitriny aza dia maro ny olona mino an’i Jesosy nefa manota an-nofo foana. Manota ao am-pony ireo ary manandrana zavatra betsaka hamelombelona ny fitiavany voalohany an’i Jesosy.

Tsy afaka hamelombelona ny zotom-pony voalohany ireo satria tsy voadio tanteraka amin’ny rano ny otany. Tsy tonga saina ireo fa

Page 171: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

171 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nifindra tamin’i Jesosy daholo ny otany rehetra rehefa natao batisa Izy ary tsy afaka azo ny finoana izy ao aorian’ny halavoana.

Ho hazavaiko anareo mazava. Afaka miaina amin’ny finoana isika ary mandresy izao tontolo izao rehefa mino an’i Jesosy. Na ahoana na ahoana ny tsy fahombiazantsika, na firy na firy ny otantsika, raha mino an’i Jesosy ho Mpamonjy izay mamonjy ny ota rehetra amin’ny Batisany isika dia azo fandresena.

Nefa raha mino an’i Jesosy isika tsy misy ny ranon’ny batisa dia tsy ho afaka tanteraka. Ny apositoly Jaona niteny fa ny finoana nandresy izao tontolo izao dia ny finoana an’i Jesosy Kristy izay avy amin’ny ranon’ny batisa, ny ra sy ny Fanahy.

Nandefa ny Zanani-lahy tokana Andriamanitra mba hanavotra izay rehetra mino ny batisa sy ny Rany. Nesorin’i Jesosy ny otantsika rehetra

miaraka amin’ny Batisany. Jesosy Zanaka lahy tokan’Andriamanitra dia tonga amintsika araka ny Fanahy (ao anaty nofon’olombelona). Ary latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana Izy handoavana ny tambin’ny ota. Toa izany no namonjen’i Jesosy ny otan’ny olona rehetra.

Ny finoana mitondra antsika handresy izao tontolo izao dia avy amin’ny finoana ny fahamarinana fa Jesosy dia avy amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy ary nanafaka antsika amin’ny ota rehetra.

Raha tsy misy ny ranon’ny batisa sy ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana, tsy misy ny tena famonjena. Raha tsy misy ny iray amin’ireo, tsy afaka mahazo ny tena famonjena isika. Ny tena famonjena dia tsy ho tanteraka raha tsy misy ny rano, ny ra sy ny Fanahy. Izany hoe tsy maintsy mino ny rano, ny ra sy ny Fanahy isika. Raha fantatrareo izany dia hanana ny tena finoana

Page 172: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

172 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hianareo.

LAZAIKO AMINAREO FA TSY MISY NY TENA FAMONJENA RAHA TSY MISY NY FANAMBARAN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

Inona ireo telo manambara ny famonjena?

Ny rano, ny ra sy ny Fanahy

Misy olona afaka mihevitra toa izao. “Jesosy no Mpamonjiko. Mino ny ra eo

amin’ny Hazo fijaliana aho ary te-ho faty tahaka ny maritiora. Mino an’i Jesosy aho raha nanota ao am-po aza. Efa nibebaka mafy aho ary nanao

asa fahasoavana isan-andro. Nanome ny aiko sy ny zavatra rehetra ho Anao. Tsy nanambady aho. Ahoana no tsy afantaran’Andriamanitra aho? Maty ho ahy teo amin’ny Hazo fijaliana Jesosy. Tonga teto an-tany tahaka ny lehilahy ny Andriamanitra Masina ary maty ho antsika teo amin’ny Hazo fijaliana. Mino Anao aho. Nanome ny tenako ho Anao aho ary nanao tsara ny asako araka ny tianao. Raha tsy mendrika aza aho ary nanota kely ao am-poko, ho avelan’i Jesosy ho any amin’ny afobe ve aho? Tsia. Tsy avelany.”

Maro ny olona toa izany. Ireo izay tsy mino fa Jesosy natao batisa hanalana ny otan’izao tontolo izao. Ireo olona, izay mino an’i Jesosy nefa mbola manana ota, ho aiza izy ireo? Ho any amin’ny afobe. Mpanota ireo!

Ireo izay mieritreritra izay tiany, mihevitra fa Andriamanitra mihevitra toa azy, dia ho any

Page 173: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

173 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny afobe. Ary misy ny miteny fa satria nesorin’i Jesosy ny ota rehetra tamin’ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana, dia tsy hisy ota intsony eto an-tany. Ny ra sy ny Fanahy ihany no resahiny. Tsy izany ny finoana hitondra ny olona amin’ny fanavotana tanteraka.

Tokony hino isika fa nesorin’i Jesosy ny otantsika tamin’ny Batisany, notsaraina Izy ary maty ho antsika teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo.

Raha tsy misy an’izany finoana izany dia tsy tanteraka ny tena fanavotana. Natao batisa Jesosy, maty teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamy ny maty. Avy amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy ho antsika Jesosy Kristy. Nesoriny ny otan’izao tontolo izao.

Misy telo izay manambara eto an-tany: ny Fanahy, ny rano sy ny ra.

Ny Fanahy Masina manambara fa Jesosy dia

Andriamanitra ary nidina an-nofon’olona. Ny manaraka dia ny fanambaran’ny “rano.”

Ny rano dia ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista teo amin’ny Jordana, namindrany ny ota teo amin’i Jesosy. Nifindra teo amin’i Jesosy ny ota rehetra rehefa vita batisa Izy (Matio 3:15).

Ny fanambarana fahatelo dia ny “ra” izay mitsangana ho an’ny fiainana vaovao satria nahazo ny fitsarana ho antsika Jesosy. Maty ho antsika Jesosy ary nahazo ny fitsarana ho antsika ary nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo.

Andriamanitra Ray nandefa ny Fanahy ao am-pon’izay mino ny batisa sy ny ran’ny Zanani-lahy hanambarana ny fanavotantsika.

Izay nateraka indray dia mahazo ny teny handreseny izao tontolo izao. Ilay voahavotra dia handresy an’i Satana, ny laingan’ny mpaminany sandoka, ny sampona ary ny fanerena rehetra tsy maintsy hatrehany. Ny antony hananantsika an’io

Page 174: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

174 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hery io dia satria manana zavatra telo isika ao am-po: ny ranon’i Jesosy, ny Rany sy ny Fanahy.

Ahoana ny fomba handresena izao tontolo izao sy Satana?

Amin’ny finoana ny fanambarana telo

Mandresy an’i Satana sy izao tontolo izao

isika satria mino ny Fanahy, ny rano sy ny ra. Izay mino ny batisa sy ny ran’i Jesosy dia handresy ny mpaminany sandoka. Ny finoantsika, miaraka ny hery, mandry amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy. Mino an’izany ve hianareo?

Tsy afaka ateraka indray hianareo, na handresy izao tontolo izao raha tsy manana ny finoan’ny fanavotana avy amin’ny batisan’i Jesosy, ny Rany sy ny finoana fa Jesosy no

Zanaka lahin’Andriamanitra ary Izy no Mpamonjy. Ao am-ponareo ve izany?

Manana ny Fanahy sy ny rano ve hianareo am-po?

Mino ve hianareo fa lasan’i Jesosy daholo ny ota rehetra? Manana ny ran’ny Hazo fijaliana ao-po ve hianareo?

Handresy izao tontolo izao hianareo raha manana ny rano sy ny ran’i Jesosy ary mino fa maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho anareo Izy ary nandray ny fitsarana ho anareo Izy.

Ny apositoly Paoly nandresy izao tontolo izao satria nanana an’ireo telo ireo tao am-pony. Ary niresaka momban’ny fanavotana izy amin’ny rahalahim-pinoany rehetra izay nizaka sampona sy fandrahonana. Nanambara izy hoe “Toa izany koa no handresenareo izao tontolo izao. Avy tamin’ny Fanahy, ny rano sy ny ra Jesosy. Tahaka ny nandreseny izao tontolo izao no

Page 175: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

175 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

handresen’ny mpino koa izao tontolo izao. Izany no fomba tokana handresena izao tontolo izao.”

Ao amin’ny 1 Jaona 5:8, voateny hoe “Dia ny Fanahy sy ny rano ary ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo.” Betsaka ny miresaka momban’ny ra sy ny Fanahy nefa manadino ny ranon’ny batisan’i Jesosy. Raha manadino ny “rano” ireo dia voafitak’i Satana foana. Tsy maintsy tonga saina amin’izany ireo ary mibebaka; tsy maintsy mino ny ranon’ny batisan’ny Jesosy izy ary ateraka indray.

Tsy misy afaka handresy izao tontolo izao raha tsy mino ny rano sy ny ra. Lazaiko aminareo indray, tsy misy! Tsy maintsy miady isika ary mampiasa ny rano sy ny ran’i Jesosy ho fiadiana. Ny Teniny no sabatrin’ny Fanahy, ny fahazavana.

Mbola maro ny tsy mino ny batisan’i Jesosy izay nanadio ny otantsika rehetra. Mbola maro

izay mino ny roa monja. Rehefa hiteny Jesosy hoe “Mitsangana ary mahazavà,” tsy afaka hamiratra izy. Manana ota foana izy ao am-pony. Mino an’i Jesosy izy nefa hilatsaka ao amin’ny afobe foana.

NY FILAZANTSARAN’NY BATISA SY NY RAN’I JESOSY DIA TSY MAINTSY VOAMBARA TSARA MBA HAZAHOAN’NY OLONA HIAINO, HINO SY HO VOAVONJY

Teny finoana fotsiny ve ny finoana ny batisa?

Tsia, tsy teny finoana fotsiny.

Io no marina

Page 176: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

176 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Rehefa manambara ny filazantsara isika, dia tsy maintsy atao tsara izany. Tonga tamin’ny Fanahy, ny batisa (izay nanaisotra ny otantsika) ary ny ra (izay nandoa ny otantsika) Jesosy. Tsy maintsy mino an’ireo telo ireo isika.

Raha tsy izany dia tsy filazantsara no torintsika, fa fivavahana. Ny Kristiana amin’ity tany ity mihevitra ny finoana Kristiana ho fivavahana. Ny finoana an’i Kristy tsy azo atao hoe fivavahana. Finoana ny fanavotana nahorina teo amin’ny fahamarinana, ny finoana ny fitadiavana an’Andriamanitra. Tsy fivavahana izany.

Ny fivavahana dia noforonin’ny olona kanefa ny finoana dia ny fitadiavana ny famonjena nomen’Andriamanitra. Izany no mahasamihafa azy. Raha tsy mahafantatra ny marina hianareo dia hitondra ny finoana an’i Kristy tahaka ny fivavahana hafa ary hitory hiaraka amin’ny toe-

panahy sy ny fitondra-tena. Tsy tonga teto an-tany hanorina fivavahana

akory Jesosy Kristy. Tsy namorina fivavahana atao hoa fivavahana Kristiana Izy. Ahoana no hinoanareo fa fivavahana io? Raha mitovy, maninona tsy mino ny fivavahana bodista? Mihevitra ve hianareo fa mifandiso aho?

Misy olona sasany mino an’i Jesosy tahaka ny fivavahana ary tsy mitsahatra miteny hoe “Inona ny mahasamihafa azy? Lanitra, Nirvana, Paradisa...Zavatra mitovy daholo izany fa tsy mitovy anarana fotsiny. Toerana iray ihany isika no alehantsika.”

Ry namana, tsy maintsy mijery ny marina imaso isika. Ary tsy maintsy “mitsangana sy manazavà.” Afaka milaza ny marina tsy misalasala isika.

Raha misy miteny “Tsy misy fomba tokana.” Tsy maintsy miteny hianareo “Eny! io fomba

Page 177: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

177 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tokana. Mankany amin’ny paradisa hianareo rahefa mino an’i Jesosy izay avy tamin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy.” Tsy maintsy mamiratra mazava tsara hianareo mba hafahan’ny hafa hiaino ny tenin’ny fanavotana, ateraka indray ary ho any amin’ny paradisa.

MANANA NY TENA FINOANA: IZAY TIA AN’I JESOSY NEFA TSY MAHAFANTATRA NY FANAVOTAN’NY BATISAN’I JESOSY SY NY RANY DIA HO FATY

Iza no ho faty nefa mino an’i Jesosy?

Ilay tsy mino ny batisan’i Jesosy

Ny milaza fotsiny fa mino an’i Jesosy dia fitiavana tsy misy antony ho an’i Jesosy ary toa ny fiheverana ny marina ho fivavahana.

Nisy sambo namaky ny Pasifika izay niletika ary vitsy ny velona izay afaka niakatra teo ambony zahatra fingotra. Niantso vonjy izy nefa ny rivomaherin’ny ranomasina tsy namela ny sambo hafa tonga hamonjy. Ka, helikoptera no tonga ary nandefa tady.

Raha misy mitana ny tady amin’ny tànany fa tsy mamatotra azy amin’ny tenany, dia toa ny olona manana fitiavana tsy misy antony amin’i Jesosy, mino izay tiany. Mbola tsy manana fialofana tsara izy nefa miteny hoe “ Mino aho.” Ampio aho. Mino aho ka mihevitra fa ho voavonjy.

Izay tsy mahafantatra ny marina momban’ny batisan’i Jesosy sy ny rany dia mino fa ho voavonjy satria manana ny tady an-tànany.

Page 178: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

178 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fa rehefa tonga ery ambony izy, tsy afaka hitana intsony ny tànany. Tsy maintsy mitana fotsiny amin’ny hery izy. Rehefa tsy manan-kery intsony izy, dia ho havelany ny tady ary hianjera ao anaty ranomasina izy.

Toa izany ny fitiavana tsy misy antony an’i Jesosy. Maro ny hiteny fa mino an’Andriamanitra sy an’i Jesosy, mino fa Jesosy tonga tamin’ny Fanahy, nefa vitsy ireo. Tsy afaka ny tena mino ireo na mitoetra amin’ny tena filazantsara ka manery ny tenany hilaza foana fa mino izy.

Ny mino sy ny manandrana mino dia tsy mitovy. Lazainy fa hanaraka an’i Jesosy izy nefa ho voatsipaka izy amin’ny andro farany satria mbola manana ota ao am-pony. Tia an’i Jesosy izy nefa tsy mahalala fa tonga tamin’ny Batisany, ny ra sy ny Fanahy Jesosy. Raha mino an’i Jesosy noho ny rany fotsiny izy dia ho any

amin’ny afobe. Fatory amin’ny ranon’ny batisa sy ny tenin’ny

ra eo amin’ny Hazo fijaliana ny fanahinareo. Rehefa manipy ny tadin’ny famonjena Jesosy, ireo mifatotra amin’ny rano, ny ra sy ny fanhy dia ho voavonjy.

Ilay mpamonjy tao anaty elikoptera niantso mafy hoe “Henohy tsara. Rehefa hatsipiko ny tady, fatory manodidina anareo ary ataovy ambany sandry. Dia mijanòna toa izany. Aza tazomina amin’ny tànana ny tady. Ataovy fotsiny amin’ny tratra ary mihaketraha. Dia ho voavonjy hianareo.”

Aorian’ny filazana, izay nanaraka tsara ary nanao ny tady manodidina ny tratrany dia voavonjy. Nefa nisy lehilahy niteny “Aza matahotra. Mafy be aho. Nanao fanatanjahan-tena be. Hitanareo ny sandriko? Afaka misarangotra mandritra ny kilometatra maro

Page 179: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

179 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

aho.” Ka dia notazominy amin’ny tànany ny tady.

Tamin’ny voalohany, afaka niaingaina izy roa lahy. Nefa tsy mitovy. Ilay nihaino ny hanatra ary nanao ny tady manodidina ny tatrany dia voahainga tsara. Very saina aza izy teny an-dàlana nefa dia voahainga ihany.

Ilay be ambo momban’ny sandriny kosa dia very hery teny am-pandehanana. Maty izy satria tsy nihaino ary tsy nanaraka ny hanatra.

Hazahoana ny tena fanavotana, tsy maintsy mino ny fanavotan’ny ranon’ny batisa sy ny ra mamonjy ny Fanahy rehetra isika. Ny famonjena dia ho an’ireo mino am-po ny Teny. “Novonjeko tanteraka hianao tamin’ny batisako nataon’i Jaona ary tamin’ny rako teo amin’ny Hazo fijaliana.”

Ireo mino ny ra fotsiny milaza “Aza matahotra hianareo, mino aho. Amin’ny faran’ny androko

hahatsiahy ny ran’i Jesosy aho. Anaraka an’i Jesosy mandrakizay aho ary ny finoako ny ra dia ampy handreseko izao tontolo izao sy ny ota rehetra ny fiainako.”

Nefa tsy ampy izany. Ilay jeren’Andriamanitra tahaka ny vahoakany dia izay mino ireto telo ireto: Jesosy tonga avy tamin’ny Fanahy ary natao batisa (nesorin’i Jesosy ny ota rehetra tamin’ny Batisany teo amin’ny Jordana), maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy handoavana ny tambin’ny otantsika rehetra ary nitsangana tamy ny maty Izy.

Ny Fanahy tonga amin’izay mino an’izy telo ary manambara ho azy “Eny, izaho no Mpamonjinao. Namonjy anao miaraka amin’ny rano sy ny ra Aho. Izaho no Andriamanitrao.”

Fa izay tsy mino an’izy telo dia tsy azo ny famonjen’Andriamanitra. Raha iray fotsiny no adino, hoy Andriamanitra “Tsia, tsy voavonjy

Page 180: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

180 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hianao.” Ny mpianany rehetra dia nino an’ireo telo ireo. Jesosy milaza fa ny Batisany no fanambarana ny famonjena ary ny rany no fitsarana.

NY APOSITOLY PAOLY SY PETERA DIA NANAMBARA KOA NY BATISA SY NY RAN’I JESOSY

Inona no nambaran’ny mpianatr’i Jesosy?

Ny batisan’ i Jesosy

sy ny Rany Niteny momban’ny batisan’i Jesosy ve ny

apositoly Paoly? Aoka ho jerentsika impiry izy no miresaka momban’ny batisan’i Jesosy. Hoy

izy ao amin’ny Romana 6:3 “Tsy fantatrareo ve fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ny Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesana.”

Ary ao amin’ny 6:5, “Fa raha nampirainy taminy tamin’ny endriky ny fahafatesana isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany.”

Ao amin’ny Galatiana 3:27, hoy koa izy “Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia hitafy an’i Kristy.” Ny apositolin’i Jesosy nanambara ny “Rano,” batisan’i Jesosy. “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa izay tenan’io tandindona io” (1 Petera 3:21).

Page 181: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

181 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TONGA AVY TAMIN’NY RANO SY NY RAN’I JESOSY NY FAMONJEN’NY FANAVOTAN’NY TOMPO

Iza no marina amin’Andriamanitra?

Ilay olona tsy manana

ota ao am-pony Ny fanavotana izay nomen’i Jesosy an’ny

olona dia ny ranon’ny batisan’i Jesosy ary ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Amin’io fanavotana io no tokony hitsanganana sy hamiratantsika. Ahoana? Amin’ny fanambarana ireto zavatra telo.

“Mitsangana ary manazavà.”

Napetrak’Andriamanitra amintsika ny hazavana ary asainy mamiratra koa isika. Tsy maintsy manaiky ny didiny isika.

Betsaka ny olona tsy mihaino azy. Tokony hitory mafy ny filazantsara isika. Minoa an’i Jesosy ary dia ho voahavotra hianareo. Ho lasa olo-marina hianareo. Raha mbola misy ota ao am-ponareo dia tsy mbola olo-marina hianareo. Mbola tsy nandresy izao tontolo izao hianareo.

Tsy afaka manaisotra ny ota ao am-ponareo hianareo raha tsy mino ny ranon’i Jesosy (ny batisan’i Jesosy). Tsy afaka hisoroka ny fitsarana hianareo raha tsy mino ny ran’i Jesosy. Tsy ho voavonjy mihitsy hianareo raha tsy mino an’i Jesosy izay tonga avy tamin’ny Fanahy. Tsy ho lasa tena olo-marina hianareo raha tsy mino ireo fanambarana telo ireo.

Ny fahamarinana tsy ampy mitondra amin’ny “tsy tena fahamarinana.” Raha misy olona

Page 182: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

182 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

miteny fa mbola manana ota izy nefa mihevitra ny tenany ho olo-marina, mbola tsy ao amin’i Jesosy izy. Ankehitriny, misy olona manandrana maka ny fanavotana amin’ny “tsy tena fahamarinana.” Nanoratra antoko aman-jatony tsy misy antony momban’io izy.

Miteny ve Andriamanitra fa marina ny olona iray raha misy ota ao am-pony? Tsy manao an’izany Izy. Antsoina tahaka ny fijereny azy Izy. Avo indrindra Izy nefa tsy afaka ny mandainga. Antsointsika “madio” ny zavatra raha ohatra tena madio. Tsy miteny “madio” isika raha mbola misy ota.

Afaka mihevitra hianareo fa azo antsoin’i Jesosy olo-marina nefa mbola misy ota ao am-ponareo. Tsy marina izany.

Antsoin’i Jesosy hoe olo-marina isika rehefa mino an’i Jesosy tahaka ilay tonga avy tamin’ny Fanahy, ilay tonga avy tamin’ny rano (izay

nanaisotra ny ota rehetra tamin’ny Batisany) ary ilay tonga avy tamin’ny ra (tonga nofo sy maty ho antsika Izy).

Ry namana “ny tsy tena fahamarinana” dia tsy misy ataony miaraka ny filazantsaran’ny rano sy ny ra. “Ny tena” na “antsoina hoe marina” dia tsy finoana avy amin’ny olona. Antsoin’Andriamanitra hoe olo-marina ve hianareo raha misy ota ao am-ponareo? Tsy miantso an’olona ho “olo-marina” Andriamanitra raha misy ota ao am-pony na mino an’i Jesosy aza izy. Tsy afaka handainga Jesosy.

Mbola mihevitra ve hianareo fa antsoiny “olo-marina” ny olona raha misy ota ao am-pony? Izany no heverin’ny olona, fa tsy ny heverin’Andriamanitra. Tsy tia lainga Andriamanitra. Azony antsoina “olo-marina” ve hianareo nefa mino ny Fanahy sy ny ra fotsiny? Sanatria.

Page 183: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

183 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Karazan’olona iray ihany no antsoin’Andriamanitra hoe olo-marina. Dia ny olona tsy misy ota ao am-pony. Izay mino ny zavatra telo ihany no fantany: fa Jesosy, izay Andriamanitra, tonga nofo teto an-tany, natao batisa teo amin’ny Jordana ary latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana hamafana ny otantsika rehetra.

Izay mino ny vaovaon’ny fanavotana ihany no fantatr’Andriamanitra. Ireo no mino tsara. Mino tanteraka ny nataony antsika. Mino ireo fa tonga Jesosy, natao batisa hanalana ny otany ary nahazo ny fitsarana Izy ho antsika tamin’ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamy ny maty.

Izany rehetra izany dia omen’ny fitiavan’Andriamanitra. Nidina avy any an-danitra Jesosy ary niteny hoe “Manakanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy

mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaraharana” (Matio 11:28). Nataony izany hanaisorana ny otantsika.

Tsy mahafantatra izay mino ny ran’i Jesosy fotsiny Andriamanitra. Ireo mino fotsiny ny ran’i Jesosy dia mbola manana ota ao am-pony.

Iza no heverin’i Jesosy ho voahavotra? “Nanala ny ota rehetra Aho tamin’ny fahatongavako teto an-tany ary nataon’i Jaona Batista batisa. Hambarako fa nifindra tamiko ny otan’izao tontolo izao. Nandoa ny ota teo amin’ny Hazo fijaliana Aho. Toa izany no namonjeko anao.” Minoa ny batisan’i Jesosy, ny rany ary ny maha-Andriamanitra Azy. Ilaina daholo izany amin’ny famonjena.

Page 184: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

184 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Iza no manao heloka?

Ilay tsy mino ny batisan’i

Jesosy Ho an’izay mino an’izy telo hoy Jesosy “Eny,

voavonjy hianao. Marina hianao ary Zanak’Andriamanitra.” Voavonjy hianareo raha mino ny batisan’i Jesosy, ny Rany sy ny Fanahy miaraka. Izay mino fotsiny ny ra sy ny Fanahy dia manana ota foana ao am-pony.

Ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, ny marina ihany no misy. Misy ny fahamarinana, ny hatsaram-panahy, ny fitiavana ary ny hatsarana. Tsy misy lainga mihitsy. Tsy misy lainga any an-danitra.

“Maro ny hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa

namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?” (Matio 7:22).

Tsy manaiky ny asan’ny olona Andriamanitra. “Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko hianareo mpanao heloka” (Matio 7:23).

“Nanome trano roa ho anao aho. Nanome ny aiko ho anao aho. Tsy hitanao aho? Tsy nandà anao aho teo amin’ny ony Yaloa ary nomeko anao ny fiainako. Tsy hitanao aho?”

“Ka manana ota ve hianao ao am-po?” “Eny, Tompo. Manana kely aho.” “Ka, mandehana. Tsy misy mpanota tafinditra

ato.” “Nefa maty maritiora aho!” “Inona no tianao lazaina, maty maritiora?

Maty noho ny di-dohanao hianao. Nanaiky ny

Page 185: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

185 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Batisako sy ny ra ve hianao? Efa nambarako ve fa vahoakako hianao? Efa nambarako tao am-ponao fa vahoakako ve hianao? Tsy nahazo ny Batisako hianao ary tsy nanambara taminao Aho fa vahoakako hianao, izany hoe nifinkotra tamin’ny finoanao hianao ary maty noho izany. Ahoviana aho no nanambara ho anao? Niharihary taminao izany. Notia hianao ary nanandrana hahazo ny fanavotana irery. Mazava aminao? Ka ankehitriny, ataovy izay tianao atao.”

Asain’i Jesosy hitsangana sy hazava isika. Ny olona voahavotra dia mitorovoka eo anatrehan’ny tsy tena Kristiana sy ny tsy tena mpaminany maro ary tsy miratra! Nefa lelafo kely mahavita afo lehibe. Raha mitana isika ary manambara dia amiratra izao tontolo izao.

Ao amin’ny Isaia 60:1-2, voalaza “Mitsangana, mihazavà, fa tonga ny

fahazavanao. Ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena. Fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no iseoan’ny voninahiny.”

Asainy mitsangana sy hazava isika satria ny aizin’ny famadihana ary ny filazantsara diso handrakotra ny tany. Izay mino an’i Jesosy ihany no afaka tia Azy. Izay tsy voahavotra tsy afaka ho tia an’i Jesosy mihitsy. Ahoana no afahany? Miresaka momban’ny fitiavana izy nefa tsy afaka ho tia Azy raha tsy mino.

Page 186: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

186 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

MISY TELO IZAY MANAMBARA NY FAMONJEN’NY MPANOTA

Inona no fanambarana ny famonjena ao am-pontsika?

Ny batisan’i Jesosy

“Ary misy telo izay manambara; Dia ny

Fanahy sy ny rano ary ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo.” Tonga teto an-tany Jesosy ary nanao ny Asany miaraka ny rano sy ny ra. Nataony izany ary novonjeny isika.

“Raha mandray ny fanambaran’ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’Andriamanitra; fa ny fanambaran’Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany. Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny. Izay tsy

mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’Andriamanitra ny Zanany Izy. Ary izao no fanambarany: fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika ary ao amin’ny Zanany izany fiaianana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana. Izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana” (1 Jaona 5:9-12).

Ilay nateraka indray dia mahazo ny fanambaran’ny olona. Ekena ho olo-marina isika. Rehefa miresaka momban’ny fahamarinan’ny fanavotana ireo izay ateraka indray sy voahavotra, tsy afaka mandà ny olona. Ekeny ireo. Lazainy fa mino tsara isika, marina amin’ny finoantsika. Raha milaza isika fa nateraka indray, tsy misy manohitra. Lazainy fa marina isika. Mahazo ny fanambaran’ny olona isika.

Fa io andininy io milaza koa “Lehibe lavitra

Page 187: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

187 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny fanambaran’Andriamanitra; fa ny fanambaran’Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.” Marina? Inona ny fanambarana ny Zanany? Ny porofo fa novonjen’Andriamanitra isika dia ny fahatongan’i Jesosy avy tamin’ny Fanahy, avy tamin’ny ranon’ny fanavotana ary avy tamin’ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary nanambara Andriamanitra fa toa izany no hamonjeny antsika ary vahoakany isika satria mino Azy.

“Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny. Izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’Andriamanitra ny Zanany Izy.”

Io andininy io milaza tsara iza ireo izay voavonjy. Voalaza fa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia mahazo ny fanambarana aminy. Manana ny fanambarana ao

am-ponao ve hianareo? Ao anatinareo Izy ary ato amiko. Tonga teto an-tany ho antsika Andriamanitra. (Tonga nofo avy amin’ny vatan’i Maria Izy). Tamin’ny faha telopolo taonany, natao batisa Izy hanesorana ny otantsika rehetra Aminy. Ary miaraka ny otantsika, notsaraina teo amin’ny Hazo fijaliana Izy. Nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo Izy mba hanomezana antsika ny fiainana mandrakizay. Toa izany no namonjen’i Jesosy antsika.

Inona no nitsanga raha tsy nitsangana tamy ny maty Izy? Ahoana no nafahany nanao fanambarana ho ahy tao am-pasana? Izany no maha mpamonjiko Azy. Izany no hinoako.

Araka ny voalazany, novonjeny tamy ny Batisany sy ny ra isika. Ary satria mino isika, hianareo sy izaho dia voavonjy. Ao aminareo sy ato amiko ny fanambarany. Tsy izany moa? Ny

Page 188: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

188 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

voahavotra tsy mandà ny “Rano” ny Batisany. Aoka tsy ho adinohina mihitsy izay nataony hamonjena antsika.

“Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Aoka tsy lavintsika mihitsy fa Jesosy nanaisotra ny ota rehetra teo amin’ny Jordana tamin’Izy nataon’i Jaona batisa. Ny voahavotra tsy afaka handà ny “rano” batisan’i Jesosy mihitsy.

IREO IZAY MINO NEFA TSY VOAHAVOTRA DIA MANDA HATRAMIN’NY FARANY NY BATISAN’I JESOSY

Iza no mampandainga an’Andriamanitra?

Ilay tsy mino ny batisan’i

Jesosy Araka ny voalazan’ny apositoly Jaona “Izay

tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy.” Raha mbola velona ankehitriny ny apositoly Jaona inona no lazainy amin’ny Kristiana? Angamba manontany izy raha “Nanaisotra ny otantsika rehetra Jesosy tamin’ny Batisany.”

Page 189: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

189 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tsy nanambara koa ve Jaona momban’ny filazantsaran’i Jesosy fa navotany tamin’ny Batisany isika. Tsy ny otanareo ve no nafindra tamin’ny lohan’i Jesosy ary tsy nanala ny otanareo ve Izy rehefa natao batisa hamonjena anareo?

Ireo tsy mino an’Andriamanitra, tsy mino ny zavatra rehetra nataony ho antsika, mampandainga Azy. Rehefa miteny isika fa nesorin’i Jesosy avokoa ny otantsika tamin’ny Batisany, ireo miteny hoe “O! tsy afaka nanaisotra ny otantsika rehetra Izy. Ny ota voalohany ihany no nesoriny, izany hoe ny ota isan-andro mbola mitoetra.”

Maharitra ireo fa tokony hibebaka isan-andro ary hikonfesy ny ota ankehitriny mba ho voavonjy. Izany no hinoany. Hianareo koa ve mihevitra toa izany? Izay tsy mino fa voadion’ny batisa ny ota mampandainga an’Andriamanitra.

NAVOTAN’I JESOSY NIARAKA ISIKA TAMIN’IZY NATAO BATISA SY MATY TEO AMIN’NY HAZO FIJALIANA

Iza no mandainga?

Ilay tsy mino ny batisan’i Jesosy

Natao batisa Izy ary nanaisotra indray

mandeha ny ota rehetra. Mamonjy ireo izay mino ny batisa sy ny ran’i Jesosy Andriamanitra, nefa mamela irery izay tsy mino. Ireo ho any amin’ny afobe. Izany hoe, ny famonjena antsika dia araka ny finoantsika. Nanafaka an’izao tontolo izao amin’ny ota Jesosy. Izay mino dia ho voavonjy ary izay tsy mino tsy ho voavonjy satria

Page 190: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

190 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nampandainga an’Andriamanitra. Tsy mankany amin’ny afobe noho ny

fahalemeny ny olona fa noho ny tsy finoany. “Izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy.” Izay tsy mino fa nifindra tamin’i Jesosy ny otany rehetra dia manana ota foana ao am-pony. Tsy afaka milaza izy fa tsy manana ota.

Indray andro aho nifanena tamin’ny Diakra ary nanontany azy “Diakra, ho lasa ve ny otako raha mino an’i Jesosy aho?”

“Eny tokoa.” “Ka, satria Jesosy nanaisotra ny otan’izao

tontolo izao ary niteny fa tanteraka ny rehetra, voavonjy hianao? Tsy izany?”

“Eny, voavonjy aho.” “Ka tsy manana ota izany hianao?” “Eny.” “Inona no hitsanga raha manota indray

hianao?” “Olombelona ihany isika. Ahoana no tsy

hanota intsony? Ka tsy maintsy mibebaka sy manadio ny ota isan-andro isika.”

Io diakara io dia mbola manana ota ao am-pony satria tsy tena fantany ny fahamarinan’ny fanavotana.

Tahaka ireo izay mihomehy an’Andriamanitra ary mampandainga Azy. Jesosy dia Andriamanitra, diso ve Izy tamin’ny fanesorana ny otan’izao tontolo izao? Mahavery saina izany. Raha tsy voahalan’i Jesosy tsara ny ota rehetra, ahoana no mety maha Andriamanitrin’ny famonjena Azy? Ahoana no hazahoany manontany antsika hino Azy? Ataonareo mpandainga ve Izy? Hinoako fa tsy anao an’izany hianareo!

Lazain’ny Baiboly isika tsy hihomehy Azy. Izany midika tsy anao azy mpandainga ary tsy

Page 191: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

191 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mahadiso Azy. Tsy tahaka antsika Izy. Ny apositoly Jaona miresaka antsika mazava

tsara momban’ny filazantsaran’ny fanavotana. Maro ny olona tsy mety mino ny nataon’Andriamanitra ho antsika (ny fahatongavan’i Jesosy avy tamin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy).

Ao ireo tsy mino an’izay lazaina azy ary ao ireo mino an’izay rehetra nataon’Andriamanitra (ireo miteny an’Andriamanitra “Olo-marina aho” sy ireo miteny hoe “Mpanota aho”), samy milaza ny marina ireo?

Ireo tsy mino ny nataon’Andriamanitra, ny fanambaran’ny rano, ny ra sy ny Fanahy, dia mpandainga. Diso ny finoany. Ireo tsy mino mampandainga an’Andriamanitra.

Aza mampandainga Azy. Tonga teo amin’ny ony Jordana Jesosy ary izany (ny batisany) nahatanteraka ny fahamarinana (ny fanesorana

ny otan’izao tontolo iao).

NY FANAHY TSOTRA MANDA NY BATISAN’I JESOSY SY NY FANAMASININY

Inona no lavin’i Satana sy ny devoly?

Ny batisan’i Jesosy sy

ny fanamasinany Izay mino ny Zanany dia manana ny

fanambarana aminy. Ny olona voahavotra mino fa ny otany dia lasan’i Jesosy rehefa natao batisa Izy ary voavonjy tamin’ny rano sy ny ran’i Jesosy izy. Mino izy fa Jesosy dia teraka teto an-

Page 192: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

192 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tany tamin’ny vatan’i Maria. Natao batisa tao amin’ny Jordana Izy alohan’ny nahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Maty Izy ary nitsangana tamy ny maty.

Izay olo-marina mahazo ny fanambarana. Ny porofon’ny famonjentsika dia ao amin’ny finoana an’i Jesosy ilay avy tamin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy. Ao anatinareo ny fanambarana. “Manàna ny fanambarana anatinareo.” Lazaiko anareo. Tsy misy famonjena raha tsy misy fanambarana, ny porofon’ny famonjena anatintsika.

Hoy ny apositoly Jaona “Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny.” Ny fananana ny fanambarana ve dia ny finoana fotsiny ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana? Ny finoana ny rano fa tsy ny ra? Tsy maintsy mino an’izy telo hianareo raha te ho fantatr’Andriamanitra.

Avy eo Jesosy vao manambara “voavonjy hianareo.” Lazainareo ve fa manana ny fanambarana hianareo raha mino ny roa fotsiny? Izany dia finoana an’Andriamanitra araka ny sainareo. Izany dia “fanambarana ho anareo samy irery.”

Maro ny toa izany. Maro ny eto an-tany izay mino fotsiny ny roa amin’izy telo. Manambara ireo fa voavonjy ary manoratra boky momban’izany. Manana teny maivana ireo! Tena mahadiso fanantenana. Miantso tena hoe “evanjelista” izy ary lazainy fa tsy “evanjelista” fotsiny izy fa “reliojiosy.” Tsy mino ny “rano” izy nefa mihambo ny famonjena! Miseho ho mana-porofo izy. Nefa tsy manana ny fanambaran’Andriamanitra izy. Fihatsarambelatsihy fotsiny izany.

Ahoana no azo hanaovanareo hoe famonjena izany? Izay mino an’i Jesosy, izay avy tamin’ny

Page 193: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

193 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fanahy, ny rano sy ny ra, no manana ny fanambaran’Andriamanitra sy ny olona.

Hoy ny apositoly Paoly “Fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny tany ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondrantenanay teo aminareo noho ny aminareo” (1 Tesaloniana 1:5). Faly be Satana rehefa mino ny ran’i Jesosy fotsiny ny olona. “Ry adala, voafitako hianareo...ha...” Maro ny mino fa rehefa midera ny ran’i Jesosy dia mandeha Satana. Mihevitra izy fa matahotra ny lakroa Satana. Mody adala Satana. Tsy tokony ho adala toa izany isika.

Rehefa miditra anatin’ny olona iray ny devoly, lasa adala izy ary misy roatra ny vavany. Tsy sarotra ho an’ny devoly izany. Manana hery afahany mampanao izay tiany an’ny olona ny devoly. Mampiasa kely ny sainy fotsiny ny

devoly. Nanome hery samihafa an’ny devoly Andriamanitra afa tsy ny hery famonoana. Afaka manakopaka ny olona toa ny ravin-kazo ny Devoly, mampikiakiaka azy ary manaroatra ny vavany.

Rehefa tonga izany, ny mpino mikiakiaky hoe “mandehana, amin’ny anaran’i Jesosy! mandehana!” Ary rehefa miverina ny sain’ilay olona sy ny fitondra-tenany, lazaina fa noho ny herin’ny ran’i Jesosy izany. Fa tsy herin’ny Rany izany. Teatran’ny devoly fotsiny izany.

Satana sy ny devoly matahotra mafy ireo mino an’i Jesosy, izay nanadio tsara antsika tamin’ny Batisany ary nahazo ny fitsarana ho antsika amin’ny Rany ary nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo. Tsy hijanona akaikin’ny fanambaranan’ny batisan’i Jesosy sy ny famonjen’ny ra Satana.

Araka ny efa fantatrareo, indraindray misy

Page 194: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

194 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mpitondra fivavahana katolika mandroaka an’i Satana. Hitantsika tamin’ny filma izany. Ao amin’ny filma “Omen,” misy mopera mitana lakroa hazo ary manozongozona azy nefa maty izy avy eo. Ny olona nateraka indray tsy resy toa izany.

Hiteny momban’ny ra sy ny ranon’i Jesosy izy. Rehefa manandrana manorisory azy ny devoly, hanontany an’ny devoly izy “fantatrao fa nanaisotra ny otako rehetra Jesosy?” Andositra ny devoly. Tsy tia mijanona akaikin’izay ateraka indray ny devoly. Raha misy ateraka indray mipetraka eto, mandositra ny devoly. Voalaza fa izay tsy mino an’Andriamanitra mampandainga Azy. Tsy mino ny fanambaran’ny Zanany izy, ny fanambaran’ny rano sy ny ra.

Inona no fanambaran’ny Zanak’Andriamanitra?

Ny Batisany, ny Rany

sy ny Fanahy Inona no fanambaran’ny

Zanak’Andriamanitra? Dia ny fahatongavany avy tamin’ny Fanahy ary ny nanaisorany ny ota rehetra amin’ny rano. Noraisiny Aminy ny otan’izao tontolo izao ary latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana ho antsika Izy. Tsy izany ve ny fanavotana amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy?

Mandainga an’Andriamanitra ny olona satria tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny ra izy, ny filazantsaran’ny fanavotana. Ny finoany diso ary manery lainga izy.

Aoka isika hiverina ao amin’ny 1 Jaona 5. Ny andininy 11 milaza “Ary izao no fanambarany:

Page 195: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

195 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.” Lazainy antsika fa nanome ny fiainana mandrakizay antsika Andriamanitra, ary io fiainana io ao amin’ny olona izay mandray azy. Ary io fiainana io ao amin’ny Zanany koa.

Ireo mahazo ny fiainana mandrakizay dia ireo voahavotra fa mino ny batisa sy ny ran’i Jesosy. Ny voahavotra mahazo ny fiainana mandrakizay ary miaina mandrakizay. Nahazo ny fiainana mandrakizay ve hianareo?

Ny andininy faha 12 milaza hoe “Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana. Izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.” Izany hoe, izay mino ny nataon’ny Zanaka teto an-tany: ny Batisany sy ny Fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ary ny Nitsanganany tamy ny maty, dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Fa izay manadino na iray

monja an’ireo zavatra telo ireo dia tsy hanana ny fiainana ary tsy voahavotra.

Ny apositoly Paoly nahay nanavaka ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny finoany ny nataon’i Jesosy: ny rano, ny ra sy ny Fanahy. Ireo milaza amintsika raha manana ny Teny anatiny izy. Fantany ny voahavotra noho ny finoany an’ny ranon’ny batisan’i Jesosy, ny rany sy ny Fanahy.

IZAY TSY ATERAKA INDRAY TSY AFAKA MANAVAKA NY ONDRIVAVY SY NY OSILAHY

Iza no afaka manavaka ny voahavotra ny tsy

voahavotra?

Ilay ateraka indray

Page 196: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

196 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny apositoly Jaona nanavaka tsara ny olo-marina voahavotra. Ny apositoly Paoly koa nanao an’izany. Ahoana no nafahan’ny mpanompon’Andriamanitra nanavaka ny ondrivavy sy ny osilahy? Ahoana no fomba fanavahany ny tena mpanompon’Andriamanitra sy ireo miseho azy ho izy? Izay voahavotra amin’ny finoana ny rano sy ny ran’i Jesosy afaka manavaka.

Ny lehilahy izay pasitera, na evanjelista na antitra, raha tsy afaka manavaka tsara ny voahavotra, raha tsy mahay manavaka ny ondrivavy sy ny osilahy, tsy mbola voavonjy izy ary tsy manana ny fiainana anaty. Izay tena voahavotra mahita ny mahasamihafa. Ireo tsy manana ny fiainana anatiny tsy afaka manavaka na mahafantatra.

Tahaka ny fanavahana ny loko samihafa ao anatin’ny maizina. Ny maintso dia maintso ary

ny fotsy dia fotsy. Raha manamkipy maso hianareo, tsy mahita na afaka manavaka ny loko.

Fa ireo izay mivoha ny masony afaka manavaka na ny loko mitovitovy aza. Afaka miteny izy iza no maintso ary iza no fotsy. Toa izany, misy mahasamihafa ny voahavotra sy ny tsy voahavotra.

Tokony hitory ny filazantsaran’ny fanavotana isika, ny fanavotan’ny rano, ny ra sy ny Fanahy. Tokony hitsangana sy hazava isika. Rehefa mamory ny olona manodidina antsika isika mba hampiely ny fahamarinana, tsy tokony hiteny amin’ny tenin’ny olona isika. Ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny 1 Jaona 5, voazava ny dikan’izany. Tokony hazavaintsika tsirairay mba tsy hifangaro.

Ny teny izay hampielena, ny tenin’ny rano, ny ra ary ny Fanahin’i Jesosy dia jiron’ny fanavotana. Ny fampianarana an’ny olona ny

Page 197: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

197 I JESOSY KRISTY DIA TONGA AVY AMIN’NY RANO, NY RA SY NY FANAHY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ranon’i Jesosy dia fomba fanazavana tsara. Ny fampianarana ny ran’i Jesosy, dia fomba fanazavana tsara. Ataontsika ny manazava azy tsara mba tsy hisy intsony eto an-tany olona tsy mahafantatra.

Raha tsy mitsangana ny voahavotra ary tsy mahazava, maro ny ho faty tsy nahazo ny fanavotana ary tsy ho faly Andriamanitra. Antsoina hoe mpanompo kamo isika. Tokony hampiely ny filazantsaran’ny rano sy ny ran’i Jesosy isika.

Ny antony hitenenako an’izany imbetsaka dia satria misy dikany lehibe ny batisan’i Jesosy mba hamonjena antsika. Rehefa miresaka amin’ny ankizy, tsy maintsy hazavaina imbetsaka ny zavatra, raisina tsirairay mba hazava aminy tsara.

Raha mampianatra olona tsy mahay mamaky

teny, tsy maintsy manomboka amin’ny alifabety. Avy eo, afaka mampianatra azy ny teny amin’ny alifabeta. Rehefa hainy ny manoratra ny teny tahaka ny “sazy,” tsy maintsy hazavaina azy aloha ny dikany. Toa izany no tokony resahantsika momban’i Jesosy mba hazava aminy tsara.

Tsy maintsy hazavaina tsara ny batisan’i Jesosy. Tonga teto an-tany avy tamin’ny tano, ny ra sy ny Fanahy Izy. Hivavaka aho mba hinoanareo an’i Jesosy toa ny Mpamonjinareo ary hanavotana anareo.

Ny fanavotana amin’ny rano sy ny Fanahy avy amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy, ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana ary ny finoana fa Jesosy dia Andriamanitra, mpamonjy antsika. !

Page 198: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

198 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 7

NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY

FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

Page 199: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

199 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY

FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<<< 1 Petera 3:20-22 >>>> “Izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo

mianaka ka dia namonjena azy ny rano. Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io. Tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamy ny maty. Izay eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra fa efa lasa ho any

an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.”

Avy amin’inona no lasa olo-marina isika?

Avy amin’ny

fahasoavan’Andriamanitra Teraka teto amin’ity tany ity isika nefa

fantatr’Andriamanitra alohan’izany isika. Fantany fa ho teraka mpanota isika ary novonjeny ny mpino rehetra amin’ny Batisany izay nanesorany ny otan’izao tontolo izao. Novonjeny ny mpino rehetra ary nataony Vahoakany.

Izany rehetra izany dia valin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Araka ny voalaza ao

Page 200: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

200 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny Salamo “Inona ny olona no tokony ho tsaroiny?” Ny voahavotra izay voavonjy amin’ny otany rehetra no mahazo tombo an’ny fitiavany manokana. Zanany ireny.

Inona moa isika, izay nino fotsiny ny rano sy ny Fanahy, alohan’ny nahatongavana Zanak’Andriamanitra, alohan’ny nahatongavana olo-marina, ary alohan’ny namonjena antsika sy nafahantsika hiantso azy Ray? Mpanota isika, mpanota teraka hiainana 60-70 taona amin’ity tany, na 70-80 taona raha salama tsara.

Alohan’ny hadiovana amin’ny ota, ary alohan’ny hazahoana finoana amin’ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny Rany, tsy olo-marina isika ary natao ho faty.

Ny apositoly nilaza fa noho ny Fahasoavany no nahatonga azy tahaka izany. Noho ny Fahasoavany no maha tonga antsika toa antsika ankehitriny. Hisaorantsika ny Fahasoavany. Ny

mpamorona tonga teto an-tany ary namonjy antsika, nanao antsika ho Zanany, Vahoakany. Hisaorantsika Izy amin’ny fahasoavan’ny fanavotan’ny rano sy ny Fanahy.

Inona ny antony afahantsika ho Zanany, olo-marina? Moa ve isika tsara tarehy? Moa ve isika mendrika? Sa isika tsara Fanahy? Aoka heritreretana izany ary hisaotra ny tokony hisaorana isika.

Ny antony dia noforon’Andriamanitra isika mba ho Vahoakany ary hihaina ao amin’ny fanjakan’ny lanitra miaraka Aminy. Nataon’Andriamanitra Vahoakany isika mba hiaina miaraka Aminy mandrakizay. Tsy misy antony afa nasoaviny antsika miaraka ny fiainana mandrakizay. Tsy marina ny hoe nataony Vaokany isika satria tsara tarehy, mendrika na miaina madio kokoa noho ny hafa. Ny antony tokana dia satria tiany isika.

Page 201: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

201 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io” (1 Petera 3:21). “Izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano” (1 Petera 3:20).

Nefa vitsy ny voavonjy, ny iray avy tamin’ny tanàna ary roa avy tamin’ny fianakaviana. Tsara noho ny hafa ve isika? Tsia. Tsy misy mahasamihafa antsika nefa voavonjy isika noho ny finoana ny rano sy ny Fanahy.

Fahagagana tokoa no namonjena antsika ary fanatitra tsy misy anjoanjo sy tso-dranon’Andriamanitra ny afahantsika miantso Azy Raintsika, Tompontsika. Tsy azontsika lavina izany. Ahoana no fomba antsoina Azy Ray na Tompo raha mpanota isika?

Raha heverina fa voavonjy isika, fantantsinka fa tia antsika Andriamanitra. Dia tsy hisaorantsika ve Izy? Tokony ho teraka sy faty

tsinontsinona isika ary nankany amin’ny afobe raha tsy notiaviny sy nitsofiny rano. Hisaorantsika indray anie Andriamanitra ho an’ny Fahasoavany ary ny fitiavany izay nahatonga antsika ho Zanany ary nahatonga antsika mendrika teo imasony.

ILAY FAMONJENA SARO-BIDY NOMENA ANTSIKA TAMIN’NY BATISAN’I JESOSY

Maninona ny olona tamin’ny andron’i Noa no maty?

Satria tsy nino ny rano

(batisan’i Jesosy)

Page 202: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

202 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io.” Voasoratra ao amin’ny 1 Petera fa valo ihany no voavonjin’ny rano. Firy ny olona tamin’ny andron’i Noa? Tsy mety ho fantatra izany nefa aoka heverina fa nisy hantapitrisa. Tamin’ny tapitrisa, valo fotsiny tamin’ny fianakavian’i Noa no voavonjy.

Araka izany koa ankehitriny. Lazaina fa mihoatra ny dimy arivo tapitrisa ny olona eto an-tany ankehitriny. Firy no voadio ny otany amin’ireo izay mino an’i Jesosy, ankehitriny? Raha jerena fotsiny ny amin’ny tanàna, vitsy amin’izy ireo.

Anatin’ny tanàna misy mponina 250 000, firy no voahavotra ny otany, angamba 200? Firy izany ny fifanarahana? Izany hoe latsaka ny iray aman-jatony mahazo ny fahasoavan’ny fanavotana.

Eo amin’ny 12 tapitrisa eo ny isan’ny Kristiana any Korea, anisan’izany ny Katolika. Kanefa, amin’ireo, firy no nateraka indray tamin’ny rano sy ny Fanahy? Aoka tsy adino fa valo monja no voavonjy anisan’ireo mponina teto an-tany tamin’ny andron’i Noa. Tokony ho fantantsika ary hinoantsika fa nodiovin’i Jesosy ny otan’ireo nino ny Batisany, izay nanaisorany ny ota rehetra.

Vitsy ny mino fa navotan’i Jesosy isika tamin’ny Batisany sy ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Aoka jerena ilay sary malaza “Fitsanganan’i Jesosy amy ny maty.” Firy ny olona hitantsika ao? Afaka hitanareo midina ny lampan’i Jerosalema ireo eo akaikin’ny tarehan’i Jesosy izay mivoha eo anolohany ny tànany. Firy amin’ireo no teolojiana?

Ankehitriny, feno teolojiana eran’ny tany nefa vitsy ny mahafantatra sy mino ny batisan’ny

Page 203: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

203 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fanavotana. Misy teolojiana milaza fa ny antony nanaovana batisa an’i Jesosy dia satria nanetry tena Izy ary ny sasany milaza fa natao batisa tahaka ny olona hafa Izy.

Nefa voasoratra ao amin’ny Baiboly fa ny apositoly rehetra, anisan’izany Petera sy Jaona, nanambara ny famindrana ny otantsika tamin’i Jesosy tamin’ny Batisany ary mino an’izany koa isika.

Nambaran’ny apositoly ao amin’ny Soratra Masina fa ny otantsika dia nifindra teo amin’i Jesosy tamin’ny Batisany. Fanambarana mahagaga ny fahasoavan’Andriamanitra io, izay manavotra antsika fotsiny amin’ny finoana azy.

TSY MISY NY HOE “ANGAMBA” MOMBAN’NY BATISAN’NY FANAVOTANA

Iza no mahazo ny fitiavana tsy misy fetran’Andriamanitra?

Izay mino ny batisan’i

Jesosy sy ny Rany

Mihevitra isika fa ho voavonjy raha mino fotsiny an’i Jesosy. Ny anarana rehetra dia miaika ny famonjena amin’ny finoana ary maro ny olona mihevitra fa an’isan’izany ny batisan’i Jesosy. Nefa tsy marina izany. Anisan’ny boky aman-jato izay novakiako, tsy misy mihitsy ny momban’ny famonjena izay milaza ny fifandraisan’ny fanavotan’ny batisa sy ny ran’i

Page 204: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

204 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jesosy ary ny famonjena. Valo monja no voavonjy tamin’ny andron’i

Noa. Tsy fantatro firy no hovoavonjy ankehitriny, nefa angamba tsy maro. Ireo ho voavonjy dia izay mino ny batisa sy ny ran’i Jesosy. Raha namangy fiangonana betsaka aho, hitako fa vitsy ny mitory ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy, izay tena filazantsara.

Raha tsy mino ny fanavotana amin’ny batisa sy ny ran’i Jesosy isika, dia mpanota daholo. (Tsy misy hidirany amin’ny fankanesana any am-piangonana izany). Tsy maintsy mankany am-piangonana isika mandritra ny fiainana manontolo. Nefa raha mbola misy ota ao am-pontsika, mijanona mpanota isika.

Raha nankany am-piangonana isika mandritra ny 50 taona, nefa manana ota foana ao am-po, ny finoana nandritra ny 50 taona tsy misy dikany fa foana. Tsara kokoa ny manana andro iray ihany

nisy tena finoana. Anatin’ireo mino an’i Jesosy, izay mino tsara ny dikan’ny batisan’i Jesosy sy ny rany ihany no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Ny tena finoana dia ny mino fa nidina teto an-tany ny Zanak’Andriamanitra ary natao batisa mba hanesorana ny otan’izao tontolo izao. Io finoana io no mitondra antsika amin’ny fanjankan’ny lanitra. Tokony hino koa isika fa latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana ho anareo sy ho ahy Jesosy. Tokony ho fantantsika izany ary hisaorantsika Izy.

Iza isika? Zanakin’ny olona izay novonjeny tamin’ny Batisany sy ny Rany. Ahoana moa no afahantsika tsy hisaotra azy? Natao batisa Jesosy tamin’izy 30 taona mba hamonjena antsika. Ho an’izany, nesoriny ny otantsika rehetra ary noraisiny ny fitsarana ho antsika teo amin’ny Hazo fijaliana.

Page 205: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

205 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Rehefa heritreretana izany dia tsy azo atao ny mijanona misaotra Azy amim-panetren-tena. Tokony ho fantantsika fa ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy teto amin’ity tany ity dia hamonjena antsika. Voalohany, tonga teto an-tany Izy. Natao batisa ary nohomboana teo amin’ny Hazo fijaliana, nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo ary ankehitriny, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Ny fanavotan’Andriamanitra dia ho antsika tsirairay ary ho antsika tsy misy avaka. Ny famonjen’i Jesosy ho antsika rehetra, ho anareo sy ho ahy. Miderà an’Andriamanitra ho an’ny Fitiavany sy ny Fahasoavany.

Misy hira manao hoe “♫Misy tantara mahafinaritra. Anisan’ny olona maro eto an-tany, izao ilay nahazo ny fitiavany ho ahy, ny fitiavany ho ahy. Misy tantara mahafinaritra. Anisan’ny olona maro eto an-tany, isika no

voavonjy, lasa vahoakany. Mitondra ny Fitiavany isika. O ny Fitiavan’Andriamanitra, ny fahasoavan’Andriamanitra. O mahagaga ny fitiavany! Ny fitiavany ho ahy.♫”

Nidina hamonjy antsika Jesosy, hianareo sy izaho, ary ny fanavotan’ny Batisany dia ho anareo sy ho ahy koa. Tsy angano ny filazantsara, fa ny fahamarinana mamonjy ny fiainantsika feno adidy ary mitondra antsika amin’ny fanjakana mahafinaritr’Andriamanitra. Ny finoana no fifandraisanareo amin’Andriamanitra.

Nidina teto an-tany Izy mba hamonjy antsika. Natao batisa Izy ary nahazo ny fitsarana teo amin’ny Hazo fijaliana hanadiovana ny otantsika rehetra.

Tena tso-drano rehefa afaka miantso an’Andriamanitra Ray! Ahoana no hinoana an’i Jesosy ho Mpamonjintsika ary ho voavonjy noho

Page 206: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

206 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny ota amin’ny finoantsika? Afaka atao izany amin’ny Fitiavany tsy misy fetra antsika. Voavonjy isika noho Izy izay notia antsika voalohany.

NODIOVIN’I JESOSY INDRAY MANDEHA ARY HO MANDRAKIZAY NY OTANTSIKA REHETRA

“Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha

noho ny ota, ny marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18). Natao batisa Jesosy Kristy ho an’ny fanavotana antsika ary maty indray mandeha teo amin’ny Hazo fijaliana hamonjena antsika, hianareo sy izaho, tsy ara-drariny.

Moa ve isika voavonjy indray mandeha sa lalandava?

Indray mandeha

Mba tsy hisehoantsika eo

anatrehan’Andriamanitra ho an’ny fitsarana, maty teto an-tany Izy. Hafahantsika miaina ao amin’ny fanjakan’ny lanitra eo akaikin’Andriamanitra, nidina teto an-tany, tonga nofo Izy ary nanadio tanteraka ny ota indray mandeha miaraka ny Batisany, ny Fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ary ny Fitsanganany amy ny maty.

Mino ve hianareo fa novonjen’i Jesosy Kristy tanteraka isika amin’ny Batisany sy ny Rany? Raha tsy mino ny filazantsaran’ny Batisany sy ny ra hianareo tsy ho voavonjy. Satria malemy isika,

Page 207: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

207 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tsy afaka ateraka indray raha tsy mino fa nodiovin’i Jesosy tanteraka ny otantsika rehetra indray mandeha, miaraka ny Batisany sy ny ra.

Natao batisa Izy hanesorana ny otantsika rehetra ary notsaraina teo amin’ny Hazo fijaliana ho antsika indray mandeha. Nodiovin’i Jesosy ny otan’ny mpanota rehetra, indray mandeha, miaraka ny fanavotan’ny Batisany sy ny ra.

Tsy azontsinka olombelona atao ny voahavotra raha tokony hibebaka foana isika isaky ny manota, ny ho tsara Fanahy sy mampiseho fitiavana foana ary manome zavatra betsaka ho a n’ny fiangonana.

Izany hoe, ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana dia ilaina amin’ny famonjena antsika. Tsy maintsy mino ny rano sy ny ra isika. Tsy afaka manao asa soa fotsiny isika raha te ateraka indray.

Tsy hisy dikany ny mividy akanjo tsara ho

an’ny mahantra na manome sakafo tsara an’ny mpiandry omby. Jesosy namonjy izay nino ny Batisany ny ny Rany. Raha mino isika fa novonjen’Andriamanitra tamin’ny Batisany sy ny Rany indray mandeha, dia ho voavonjy.

Misy ny mihevitra fa raha niteny an’izany Andriamanitra tao amin’ny Baiboly, tokony heritreretina tsara. Izany no heritreretiny. Nefa tsy maintsy mino ny Teniny araka ny voasoratra.

Ao amin’ny Hebreo 10:1-10, voasoratra fa novonjeny indray mandeha monja isika. Marina fa novonjen’Andriamanitra indray mandeha izay rehetra mino ny batisa sy ny ran’i Jesosy “♫Maty indray mandeha Izy, namonjy antsika indray mandeha. O ry ralahiko, minoa ary ho voahavotra anie hianareo. Ataovy ambanin’ny batisan’i Jesosy ny zava-mavesatrareo.♫” Novonjen’i Jesosy indray mandeha amin’ny tsy fahamarinana rehetra sy ny ota rehetra isika

Page 208: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

208 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

miaraka amin’ny Batisany indray mandeha ary latsa-drany indray mandeha.

“Marina ho an’ny tsy marina” (1 Petera 3:18).

Jesosy no Andriamanitra tsy misy heloka, izay tsy nanota mihitsy. Tonga nofo amintsika Izy hamonjy ny olona amin’ny otany. Natao batisa Izy ary nanaisotra ny otan’ny tsy marina rehetra. Novonjeny tamin’ny ota sy ny tsy fahamarinana isika.

Lasan’i Jesosy daholo ny otan’ny olona manomboka ny naterahany ka hatramin’ny fahafatesany rehefa natao batisa Izy ary dia voatsara daholo ny olona rehefa latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana Izy. Natao batisa ho an’ny mpanota Izy ary maty ho azy.

Izany no fanavotan’ny Batisany. Namonjy antsika indray mandeha Jesosy, isika izay mpanota. Satria malemy isika, navotan’i Jesosy

ny ota rehetra manomboka ny naterahana ka hatramin’ny fahafatesana ary nanetri-tena Izy ho an’ny fitsarana eo amin’ny Hazo fijaliana. Isika, izay mino an’i Jesosy, tokony hino fa novonjeny indray mandeha amin’ny Batisany sy ny Ra.

Malemy isika tsy tahaka an’i Jesosy. Tsy mahatoky tahaka an’i Jesosy isika. Novonjen’Andriamanitra indray mandeha monja isika. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Nomen’Andriamanitra ny Zanani-lahy tokana. Nataony izay nanaovana batisa ny Zanany mba hamindrana Aminy ny otan’izao tontolo izao ary handraisany ny fitsarana ho an’ny olombelona.

Famonjena mahagaga! Fitiavana mahagaga! Hisaorana anie Andriamanitra noho ny Fitiavany sy ny famonjena. Novonjen’Andriamanitra izay

Page 209: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

209 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mino ny rano sy ny ran’i Jesosy: ny batisan’i Jesosy sy ny maha Zanaka lahin’Andriamanitra an’i Jesosy.

Izany hoe, izay mino an’i Jesosy dia ho voavonjy raha mino ny fahamarinan’ny batisa sy ny ran’i Jesosy ary mahazo ny fiainan mandrakizay tahaka ny olona marina. Tokony hino an’izany isika.

Iza no namonjy antsika? Andriamanitra ve no namonjy antsika sa iray amin’ny zavatra voariny ve no namonjy antsika? Jesosy no namonjy antsika. Jesosy, izay Andriamanitra, namonjy antsika. Voavonjy isika satria mino ny fanavotan’Andriamanitra sy ny famonjen’ny fanavotana.

JESOSY NO TOMPON’NY FANAVOTANA

Inona no dikan’ny teny “Kristy?”

Ny Mpahay fivavahana, ny Mpanjaka, ny Mpaminany

Jesosy Kristy dia Andriamanitra. Jesosy

midika hoe Mpamonjy, ary Kristy “ilay voahosotra diloilo.” Tahaka ny nanosoran’i Samoela diloilo an’i Saoly ao amin’ny Testamenta Taloha, voahosotra diloilo ny mpanjaka, ny mpitarika fivavahana ary ny mpaminany, voahosotra diloilo ireo vao afaka manao ny asany.

Tonga teto an-tany Jesosy ary nosorana diloilo araka ny rariny telo: ny maha Mpitarika

Page 210: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

210 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fivavahana Azy, ny maha Mpanjaka Azy ary ny maha Mpaminany Azy. Araka ny maha Mpitarika fiavavahan’ny lanitra Azy, dia natao batisa Izy mba hanaisotra ny otan’ny olona teo amin’ny fitoerany.

Raha nanaiky ny sitraky ny Rainy Izy, dia tonga irery ho fanatitra eo anatrehan’ny Ray “Izaho no làlana, ny fahamarinana ary ny fiaianana. Tsy misy mankany amin’ny Ray tsy avy amiko.” Novonjen’i Jesosy izay mpino amintsika amin’ny fanesorany ny otantsika tamin’ny Batisany sy ny fanohomboana Azy tamin’ny Hazo fijaliana.

“Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra” (Levitikosy 17:11). Latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana Jesosy tao aorian’ny Batisany ka nanome ny Fiainany an’Andriamanitra Izy ho valin’ny otantsika mba ho voanvonjy izay mino.

Nitsangana tamy ny maty Izy telo andro tao

aorian’ny nahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitory ny filazantsarana Izy ho an’ny Fanahy mifahy. Izay mbola tsy voahavotra dia tahaka ny gadra am-panahy ao anaty trano maizinin’ny ota ary nitory ny filazantsaran’ny fahamarinana ho an’ireo Jesosy: ny filazantsaran’ny rano sy ny ra. Nomen’Andriamanitra antsika ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy hamonjena antsika. Izay mino an’izany dia ho ateraka indray.

Page 211: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

211 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY BATISA SY NY RAN’I JESOSY NAMONJY NY MPANOTA

Ahoana no hazahoana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra?

Amin’ny fanana finoana an’ny

batisa sy ny ran’i Jesosy Jesosy Kristy no Mpamonjy antsika ary

voambara ao amin’ny 1 Petera 3:21 izany “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa izay tenan’io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahaloton’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny nitsangananan’i Jesosy Kristy tamy ny maty.” Ny ranon’ny batisan’i Jesosy dia ilaina amin’ny famonjena ny mpanota.

Nanadio ny otan’ny mpanota rehetra Jesosy amin’ny fandraisana an’izany teo Aminy tamy ny Batisany. Mino ny batisan’i Jesosy ve hianareo? Mino ve hianareo fa nodiovin’i Jesosy amin’ny ota ny fontsika tamy ny Batisany? Voadio ny ota ny fontsika fa ny nofo dia mbola manota ihany .

“Misy lehilahy voahavotra,” izany akory tsy midika fa tsy hanota intsony izy. Manota isika. Fa ny fontsika mijanona madio noho ny finoana an’ny Batisany. Izany tsy midika “Tsy ny fanesorana ny fahaloton’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra” (1 Petera 3:21).

Satria nodiovin’i Jesosy ny otako, ary satria neken’Andriamanitra ny fitsarana ho ahy, ahoana no tsy hinoako azy? Fantatro fa Jesosy, izay Andriamanitra, namonjy ahy tamy ny Batisany sy ny rany, ahoana no tsy hinoako Azy?

Page 212: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

212 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Voavonjy teo anatrehan’Andriamanitra isika ary manana fieritreretana tsara ankehitriny. Tsy afaka hiteny an’Andriamanitra intsony isika fa tsy nodiovin’i Jesosy tanteraka ny otantsika satria izany dia hidika fa tsy tia antsika Andriamanitra.

Sarotiny ny fanahantsika ary mampandre antsika izy isaky ny manao tsy fahamarinana isika. Raha manana ahiahy kely ny fanahintsika, tsy ho afaka ny ota tanteraka isika raha tsy mino ny batisan’i Jesosy. Io no làlana tokana azahoana fieritreretana tsara.

Raha mampihahiahy ny fanahantsika, izany dia midika fa misy zavatra ratsy miseho. Nanadio ny fahalotoantsika rehetra ny ranon’ny batisan’i Jesosy. Nanaisotra ny otantsika rehetra Jesosy tamy ny Batisany ary nodioviny tsara isika. Ahoana no hanadiovana ny fanahantsika? Amin’ny finoana ny batisa sy ny ran’i Jesosy.

Manana fieritreretana ratsy ny olona rehetra hatramin’ny fahaterahany. Fa raha mino isika fa nifindra tamin’i Jesosy avokoa ny ota rehetra dia ho voafafa io loto io.

Finoana ny fahaterahana indray io. Tsy zavatra ekenareo mora io. Madio ve ny fanahanareo? Madio ve satria lasan’i Jesosy ny otanareo rehetra ary satria mino azy hianareo? Io finoana io ihany no azonareo fieritreretana tsara.

Misy ny tenim-piainana ary ny teny tsy misy fiainana. Ahoana no hanadiovana ny fanahin’ny olona rehetra? Tokana ny làlana hafahana ho olo-marina ary hanana fieritreretana tsara dia ny finoana ny fanavotana tanteraka avy amin’i Jesosy.

Rehefa voahamasinina isika amy ny finoana ny Batisany, izany tsy midika fa voahaisotra ny fahalevonan’ny nofo, fa kosa valin’ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra.

Page 213: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

213 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tonga teto an-tany ho an’izany Izy; natao batisa, maty teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamy ny maty ary ankehitriny mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Rehefa tonga ny andro dia hiverina eto an-tany Izy “Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ny ota amin’izay miandry Azy, ho famonjena” (Hebreo 9:28). Mino isika fa hiverina Izy aka antsika, isika izay miandry ny fiverenany, isika izay mino ny Batisany sy ny rany.

FITSAPANA NIAINANA AMY NY FINOANA

Mety ho voavonjy ve isika raha tsy misy ny batisan’i Jesosy?

Sanatria

Ho entinay tampoka any amin’ny Fiangonana

Taejon hianareo. I Pasitera Park ao amin’ny fiangonana Taejon

nilaza tamin’ny mpivady iray fa tsy misy ota eto an-tany nefa tsy nolazainy taminy ny momban’ny batisan’i Jesosy. Zatra matory ity lehilahy ity mandritra ny fitorian-teny tamin’ny fiangonana rehetra izay nalehany satria ny pasitera mitory ny filazantsara tsy mba niteny momban’ny fanavotana avy amin’ny batisan’i Jesosy, fa nanery azy hibebaka isan-andro.

Page 214: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

214 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fa ao amin’ny fiangonana Taejon kosa, nihaino tsara ny toriteny izy satria nolazaina azy fa nifindra tamin’i Jesosy daholo ny otantsika rehetra. Mora ho an’ny vadiny avy eo ny nampandeha azy any am-piangonana miaraka aminy.

Indray andro, tao am-piangonana izy ary nandre ny voalaza ao amin’ny Romana 8:1 “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.” Ka tonga izy dia nihevitra “O ! raha misy mino an’i Jesosy, dia tsy misy ota izy. Satria aho mino an’i Jesosy dia tsy misy ota izany!”

Ka niantso an-tarimby an’ny zoadahiny izy sy ny namany maro ary niteny tamin’ireo “Misy ota ve ao am-ponareo? Tsy tsara izany ny finoanareo.” Tsy hain’i Pasitera Park izay tokony ho lazaina amin’izany. Ilay lehilahy tsy nafantatra ny batisan’i Jesosy nefa naharitra

amin’ny olona rehetra izy niteny fa tsy misy ota intsony.

Avy eo, nanomboka tsy nandeha tsara intsony ny fiainan’izy mivady. Tsy nijangajanga intsony ilay vehivavy nefa dia nisy ota foana tao am-pony raha niteny aza ny vadiny fa tsy misy ota intsony. Nankany am-piangonana indraindray monja ny vadiny dia efa milaza sahady fa tsy misy ota.

Ilay vehivavy nahafantatra fa mbola misy ota tao am-pony. Nanomboka niresaka momban’izany izy. Naharitra niteny ilay lehilahy fa tsy nisy ota satria tsy nisy fahamelohana intsony ho an’izay mino an’i Jesosy. Ary nilaza foana ilay vehivavy fa mbola misy ota ao-pony.

Ary indray andro, nanana ahiahy be loatra noho izany ilay vehivavy ka lasa nanontany an’ny pasiterany izay heviny momban’ny lazain’ny vadiny.

Page 215: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

215 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ka indray andro tao aorian’ny fiangonana, nalefany nody ny vadiny ary nanatona an’i Pasitera Park izy. Hoy izy: Fantatro fa misy zavatra tianao ampitaina aminay nefa misy lafiny miafina. Lazao amiko inona izany? Ary dia nilaza aminy momban’ny fahaterahana indray amy ny rano sy ny Fanahy i Pasitera Park.

Ka nazava taminy teon’eo maninona voasoratra ao amin’ny Romana 8:1, “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.” Dia nino izy ary voavonjy. Tonga saina izy fa nifindra tamin’i Jesosy ny ota rehetra amin’ny alalan’ny Batisany ka izay amin’i Kristy dia tsy ho meloka.

Nanomboka nazava taminy ny teny voasoratra. Ka tsinjony farany fa ny batisan’i Jesosy no fototrin’ny fanavotana ary mety lasa olo-marina isika amin’ny alalan’ny fanavotan’ny batisa.

Tsy nody ilay lehilahy, niandry tao ivelany izy. Ary nanontany “Voahavotra ve hianao ankehitriny?”

Reny ny lazain’i Pasitera tamin’ny vadiny ary nisafotofoto koa izy. Mbola tsy nahare ny momban’ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy mihitsy izy. Nino izy fa tsy nisy ota intsony tao am-pony raha tsy nisy ny batisan’i Jesosy aza. Ka tonga tany an-trano, dia mbola niresaka momban’izany zareo.

Tamin’io andro io dia nivadika ny zavatra. Nanery an’ny vadiny ilay vehivavy nanontany azy raha mbola misy ota na tsia ao am-pony. Nanontaniany ahoana no hatonga azy tsy misy ota nefa tsy mino an’ny batisan’i Jesosy. Nasainy nojerena tsara ny fanahany. Dia tonga saina izy fa mbola misy ota ao am-pony.

Ka nitady an’i Pasitera Park izy ary niaiky fa mbola nisy ota tao am-pony. Ary nanontany izy

Page 216: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

216 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Rehefa apetraka eo amin’ny lohan’ny osilahy ny tànana, alohan’ny hamonoana azy sa avy eo?” Mbola tsy nahare ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy. Ka dia tsy nazava taminy.

Io no fototr’ity fitsapana amam-panahy ity. Tokony natao batisa Jesosy mba hazahoany ny otan’izao tontolo izao aminy. Avy eo, afaka ho faty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy satria ny fahafatesana no tambin’ny ota.

“Napetrany teo amin’ny lohan’ny osilahy ny tànany, aloha sa aorian’ny famonoana azy?” Nanontany an’izany izy satria ny fametrahan-tànana sy ny batisan’i Jesosy tsy nazava taminy. Ka nazavain’i Pasitera Park azy ny momban’ny fanavotan’ny batisa.

Tamin’io andro io no voalohany nandrenesan’ilay lehilay ny momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary dia voahavotra izy. Nandre ny filazantsara indray

mandeha monja izy dia afaka. Io dia fitsapana momban’ny tsy fisian’ny

batisan’i Jesosy. Afaka miteny isika fa tsy misy ota nefa misy ota foana ao am-pontsika raha tsy ao ny batisan’i Jesosy. Matetika milaza ny olona fa nanadio ny otantsika Jesosy tamin’ny nahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana nefa izay mino ny batisa sy ny ran’i Jesosy ihany no afaka miteny eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy misy ota.

Nanaporofo an’ireto mpivady i Pasitera Park fa tsy afaka voahavotra tanteraka amin’ny ota isika raha tsy ao ny fanavotana avy amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy.

Page 217: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

217 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY TANDIDON’NY FANAVOTANA: NY BATISAN’I JESOSY

Inona no tandidon’ny fanavotana?

Ny batisan’i Jesosy

“Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny

batisa izay tenan’io tandindona io.” Nidina teto an-tany Jesosy mba hanadio ny otan’izao tontolo izao, hanao ny fieritreretantsika ho fotsy tahaka ny ranomandry. Voadio amin’ny ota rehetra isika satria nalain’i Jesosy teo Aminy daholo ireo amin’ny Batisany sy ny Rany. Ka dia nandohalika teo anoloany avokoa ny voary rehetra.

Voavonjy isika amin’ny finoana an’i Jesosy. Lasa zanak’Andriamanitra isika ary ho any amin’ny paradisa noho ny finoana an’i Jesosy. Lasa olo-marina isika raha mino an’i Jesosy. Lasa mpitondra fivavahana ho an’ny mpanjaka isika. Afaka miantso an’Andriamanitra Ray. Miaina eto an-tany isika nefa mpanjaka.

Mino tokoa ve hianareo fa novonjen’Andriamanitra izay amintsika mino ny fanavotan’ny rano sy ny Fanahy? Tsy ho tanteraka mihitsy ny fanavotana raha tsy misy ny batisan’i Jesosy. Ny tena finoana eken’Andriamanitra sy Jesosy dia ny finoana ny filazantsara fa novonjen’i Jesosy tamy ny Batisany, ny Hazo fijaliany sy ny Fanahy isika. Io no tena finoana tokana.

Voadio ny otantsika tamin’ny nanalan’i Jesosy azy amy ny Batisany ary voaloa ny ota rehetra rehefa nohomboana tamy ny Hazo fijaliana Izy.

Page 218: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

218 NY BATISAN’I JESOSY DIA TANDINDON’NY FAMONJENA HO AN’NY MPANOTA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Novonjen’i Jesosy tamy ny rano sy ny Fanahy isika. Eny, mino isika! !

Page 219: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

219 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TORITENY 8

NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

Page 220: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

220 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY FILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<<< Jaona 13 1-7 >>>> “Ary talohan’ny andro firavoravoana

tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany. Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak’i Simona, efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy, sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanita koa no hiverenany, dia

nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nitsikinany. Ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namoaka azy tamin’ny lamba famaohana izay nikinany. Dia nakeo amin’i Simona Petera Izy, ka hoy Petera taminy: Tompoko, hianao va hanasa ny tongotro, Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho fantatrareo rahatrizay. Fa hoy Petera taminy: sanatria raha hanasa ny tongotro hianao. Jesosy namaly azy hoe: raha tsy hosasako hianao dia tsy manana anjara amiko. Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary fa ny tànako sy ny lohako koa. Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany,

Page 221: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

221 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fa efa madio avokoa. Ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra. Fa fantany ilay efa hamadika Azy. Koa izany no nilazany hoe: tsy madio avokoa hianareo rehetra. Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: fantatrareo ve izay nataoko taminareo? Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na iraka noho ny maniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.”

Maninona no sasan’i Jesosy ny tongotr’i Petera talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska? Teo am-panasana ny tongony dia hoy Jesosy: “Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho fantatrareo rahatrizay.” Simona Petera no anisan’ny mpianatra tsara indrindra. Nino izy fa Zanak’Andriamanitra Jesosy ary nanambara fa Jesosy no Kristy. Ary satria nosasan’i Jesosy ny tongony, nanana ny heviny Izy matoa nanao an’izany. Rehefa nanambara Petera fa Jesosy no Kristy, izany dia nidika fa nino izy fa Jesosy no Mpamonjy izay hamonjy ny ota rehetra.

Maninona no nanasa ny

tongotrin’ny mpianany Jesosy alohan’ny fanohomboana Azy?

Satria tiany ho hazava tsara amin’ny

mpianany ny famonjena tanteraka

Page 222: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

222 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Maninona nosasany ny tongotr’i Petera? Fantatr’i Jesosy fa handà azy intelo Petera, ary hanota imbetsaka amin’ny ho avy.

Raha aorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, mbola nanana ota Petera tao am-pony dia tsy afaka niray tamin’i Jesosy izy. Fa Jesosy nahafantatra ny fahalemenin’ny mpianany ary tsy navelany hisy ota manelanelana Azy sy ny mpianany. Ka noho izany, tsy maintsy nampianariny azy fa efa voadio ny fahalotony rehetra. Izany no antony nanasany ny tongotrin’ny mpianany. Alohan’ny nahafatesany sy namelany azy, dia naka toky Izy fa nazava taminy ny filazantsaran’ny batisa ary tanteraka ny famelana ny otan’ny fiainany.

Jaona 13 miresaka momban’ny tena famonjena izay tokony tanterahin’i Jesosy ho an’ny mpianany. Amin’ny fanasana ny tongony, milaza momban’ny fahendren’ny

filazantsaran’ny batisa Jesosy, batisa izay manadio ny fahaloton’ny olona rehetra.

“Aza manaiky ho voafitak’i Satana amin’ny ho avy. Nesoriko ny otanareo rehetra amin’ny batisako teo amin’ny ony Jordana ary nahazo ny fitsarana teo amin’ny Hazo fijaliana Aho noho izany. Avy eo, nitsangana tamy ny maty Aho ary nanatanteraka ho anareo ny fanavotana amin’ny fahaterahana indray. Ampianarana anareo fa efa nodioviko ny otanareo isan-andro, ampianarana anareo ny filazantsara voalohany momban’ny famelana ny ota, nosasako ny tongotrareo alohan’ny nanohomboana Ahy. Io no tsiambaratelon’ny filazantsaran’ny fahaterahana indray. Ka tokony hino hianareo rehetra.”

Tokony hazava aminareo ny antony nahatonga an’i Jesosy nanasa ny tongotrin’ny mpianany ary hafantatra maninona Izy niteny hoe: “Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho

Page 223: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

223 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fantatrareo rahatrizay.” Avy eo fotsiny, afaka mino ny filazantsaran’ny fahaterahana indray isika ary ateraka indray koa.

MITENY IZY AO AMIN’NY JAONA 13:12

Inona ny fahotana?

Ireo ota izay atao isan-andro satria malemy isika

Alohan’ny nafatesany teo amin’ny Hazo

fijaliana, nanao ny andro firavoravoana tamin’ny Paska niaraka an’ny Mpianany Jesosy ary nataony izay nampiaiky azy ny filazantsaran’ny famelana ny ota amin’ny fanasana ny tongony

amin’ny tànany. “Ary Andriamanitra no nihaviany, sady

Andriamanita koa no hiverenany, dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nitsikinany. Ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namoaka azy tamin’ny lamba famaohana izay nikinany. Dia nakeo amin’i Simona Petera Izy, ka hoy Petera taminy: Tompoko, hianao va hanasa ny tongotro, Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho fantatrareo rahatrizay.”

Niresaka tamin’ny Mpianany Izy momban’ny filazantsaran’ny batisa sy ny fanonerana ny ota amin’ny ranon’ny Batisany.

Tamin’izay fotoana izay, tsy nazava tamin’i Petera izay natoky an’i Jesosy, maninona nanasa

Page 224: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

224 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny tongony Jesosy. Avy eo, niresaka taminy Jesosy, niova ny làlana finoany an’i Jesosy. Te ampianatra azy momban’ny famelana ny ota Jesosy, momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Batisany.

Nanana ahiahy Izy sao tsy afaka hanatona azy Petera rahatrizay noho ny otany, indrindra ny otan’ny nofo ho avy. Nosasan’i Jesosy ny tongotrin’ny mpianany mba tsy afahan’ny devoly hanala ny finoany. Tao aoriana, nazava tamin’i Petera ny antony.

Nanomana ny làlana Jesosy mba ho voahavotra mandrakizay amin’ny ota izay rehetra mino ny ranon’ny Batisany sy ny Rany.

Ao amin’ny Jaona 13, voatana izay nolazainy teo am-panasana ny tongotrin’ny mpianany. Zava-dehibe ireo teniny ireo ary izay nateraka indray ihany no mahazo azy.

Ny antony nanasan’i Jesosy ny tongotrin’ny

mpianany tao aorian’ny firavoravoana ny Paska dia hanampy azy ho tonga saina fa nosasany ny otan’ny fiainany rehetra. Hoy Jesosy “Tsy fantatrareo ankehitriny, maninona Aho manasa ny tongotrareo fa ho fantatrareo rahatrizay.” Ireo teny nataony an’i Petera misy ny fahamarinan’ny fahaterahana indray.

Tokony ho fantantsika sy hinoantsika ny batisan’i Jesosy, izay nanadio ny fahotana rehetra. Ny batisan’i Jesosy tao amin’ny Jordana dia filazantsaran’ny famindrana ny ota amin’ny fametrahan-tànana. Tokony hino ny tenin’i Jesosy daholo isika. Nesoriny ny otan’izao tontolo izao amin’ny Batisany ary notanterahany ny famelana ny ota tamin’Izy notsaraina sy nohomboana teo amin’ny Hazo fijaliana. Natao batisa Jesosy mba hanalana ny otan’ny olona rehetra.

Page 225: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

225 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY FAMELANA NY FAHOTAN’NY FIAINANA REHETRA DIA TANTERAKA MIARAKA AMIN’NY BATISA SY NY RAN’I JESOSY

Fantratr’i Jesosy tsara fa aoriana ny

fanohomboana Azy, ny fitsanganany amy ny maty ary ny fiakarany any an-danitra, ny devoly sy ny solon-tenan’ny finoana tsy tena izy ho avy ary hanandrana hamitaka ny mpianany. Ao amin’ny fanambaran’i Petera, hitantsika fa mino an’i Jesosy Izy “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.” Fa indray mandeha, nanandrana nampianatra an’i Petera ny filazantsaran’ny famelana ny ota Izy. Ny filazantsara no batisan’i Jesosy, izay nanesorany ny otan’izao tontolo izao. Indray mandeha monja no te-hampianatra an’i Petera Izy, an’ny

mpianany ary koa antsika izay ho avy: “Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho fantatrareo rahatrizay.”

Inona no fandrikan’ny devoly amin’ny olo-marina?

Ny devoly manandrana mamitaka ny olo-marina mba hanaovana azy ireo

mpanota indray Isaky ny mitory ny mpianatr’i Jesosy, dia

hitsapa sy hamelona azy ny devoly ary hiteny “Raha manota hianao, ahoana no tsy hanana ota intsony? Tsy voavonjy hianao. Mpanota hianao!” Hanasakanana azy, niteny Jesosy fa ny finoana an’ny Batisany dia nanadio ny otan’ny fiainana, lasa, ankehitriny sy ho avy.

“Fantatrareo fa natao batisa Aho! Natao batisa

Page 226: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

226 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tao amin’ny Jordana mba hanasana ny otan’ny fiainanareo ary ny ota voalohan’ny olona. Fantatrareo ve maninona Aho natao batisa, maninona Aho nohomboana sy maty teo amin’ny Hazo fijaliana?” Nanasa ny tongotrin’ny mpianany Jesosy mba hampisehovana azy fa tokony azo ny fitsarana ho azy Izy.

Ankehitriny, hianareo sy izaho dia voahavotra ny otantsika rehetra amin’ny finoana ny filazantsaran’ny batisa sy ny ran’i Jesosy, izay famelana ny otantsika rehetra. Natao batisa sy nohomboana ho antsika Jesosy. Nosasany ny otantsika rehetra amin’ny Batisany sy ny Rany. Na iza na iza mahafantatra sy mino ny filazantsaran’ny fanonerana ny ota, na iza na iza mino ny fahamarinana dia voahavotra amin’ny otany rehetra.

Ary inona aza no tokony atao rehefa voavonjy? Tokony hanaiky ny otany isan-andro

izy ary hino ny famonjena amin’ny batisa sy ny ran’i Jesosy, ny filazantsaran’ny fanonerana ny ota rehetra. Tokony tazominy ao am-pony ny filazantsara izay milaza fa nesorin’i Jesosy ny otany rehetra miaraka ny Batisany sy ny Rany.

Raha mbola manota ve hianareo dia ho lasa mpanota indray? Tsia. Raha mahafantatra isika fa nesorin’i Jesosy ny otantsika, ahoana no afahantsika ho tonga mpanota indray? Ny batisan’i Jesosy sy ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana no filazantsaran’ny fanonerana ny otantsika rehetra. Izay mino an’io filazantsara voalohany io dia ateraka indray tahaka ny “olo-marina.”

Page 227: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

227 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY OLO-MARINA TSY METY HO LASA MPANOTA INTSONY

Maninona ny olo-marina no tsy afaka ho tonga mpanota intsony?

Satria efa nanonitra ny otany rehetra

nandritra ny fiainany Jesosy Raha mino ny filazantsaran’ny famelana ny

ota hianareo, ny rano sy ny Fanahy, nefa mbola mahatsiahy ho mpanota noho ny heloka isan-andro, dia tokony mankany amin’ny Jordana izay nanaovana batisa an’i Jesosy mba analana ny otanareo. Raha lasa mpanota indray hianareo nefa efa nahazo ny fanavotana, tsy maintsy atao batisa indray Jesosy. Tokony hanana ny finoana an’ny famelana ny ota hianareo, ny

filazantsaran’ny batisan’i Jesosy. Tokony hitazona ao am-ponareo fa Jesosy nanaisotra ny ota rehetra indray mandeha amin’ny Batisany. Tokony hanana finoana foana an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy hianareo.

Ny finoana fa Jesosy no Mpamonjy midika fa mino ny Batisany hianareo izay nanaisotra ny ota rehetra amin’ny fiainana. Raha tena mino ny batisa, ny Hazo fijaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganana amin’ny matin’i Jesosy, tsy lasa mpanota intsony hianareo raha manota aza. Voahavotra ny otan’ny fiainana rehetra hianareo noho ny finoana.

Nosasan’i Jesosy koa ny ota ho avy na ny ota noho ny fahalemena aza. Ary satria tian’i Jesosy ho tsipiana tsara ny maha zava-dehibe ny Batisany, nosasany tamin’ny rano ny tongotrin’ny mpianany mba hanohatra ny filazantsaran’ny famelana ny ota, ny Batisany.

Page 228: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

228 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Natao batisa Jesosy, nohomboana, nitsangana tamy ny maty ary niakatra tany an-danitra mba hanatanteraka ny voadin’ny fanoneram-ben’Andriamanitra ho an’ny ota rehetra an’izao tontolo izao ary hamonjena ny olombelona rehetra. Ny valin’izany dia afaka nitory ny filazantsaran’ny fanavotana, ny batisan’i Jesosy, ny Hazo fijaliana ary ny fitsanganana amy ny maty, ny mpianany.

NY FALEMEN’NY NOFON’I PETERA

Ny Baiboly milaza fa rehefa nifanena

tamin’ny olona nilaza azy ho nomban’i Jesosy Petera dia nandà indroa ary nilaza “Tsia, tsy fantatro izany lehilahy izany.” Avy eo, nandainga izy ary nianiana intelo.

Maninona no nandà an’i Jesosy Petera?

Satria malemy izy

Vakiantsika Matio 26:69-75 “Ary Petera

nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: hianao koa nomba an’i Jesosy, ilay Galiliana. Fa izy nandà teo anatrehan’izy rehetra ka nanao hoe: tsy azoko izay lazainao. Ary nony niala ho eo am-bavahady izy dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin’izay teo hoe: ity koa nomba an’i Jesosy avy any Nazareta. Ary nandà indray tamin’ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany. Ary nony afaka kelikely dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin’i

Page 229: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

229 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Petera hoe: marina tokoa fa naman’ireny hianao, fa ny fiteninao miampanga anao. Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno. Ary Petera nahatsiaro ny tenin’i Jesosy, izay nolazainy hoe: raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo hianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy dia nitomany fatratra” (Matio 26:69-75).

Tena nino an’i Jesosy Petera ary nanaraka Azy. Nino izy fa Jesosy no Tompony sy Mpamonjy, “Mpaminany.” Nefa rehefa noentina teo amin’i Pilato Jesosy, rehefa sarotra ny miseho miaraka Aminy, dia nolaviny ary nozoniny.

Tsy fantratr’i Petera fa handà an’i Jesosy izy. Nefa Jesosy nahafantatra. Jesosy nahafantatra fa malemy izy. Izany no nahatonga Azy hanasa ny

tongotr’i Petera ary nampianatra azy ny filazantsaran’ny fanavotana tahaka izay voasoratra ao amin’ny Jaona 13 “Mbola hanota hianao nefa efa nosasako ny otanao ho avy rehetra.”

Nandà an’i Jesosy intelo Petera rehefa nisy loza ny fiainany nefa fahalemen’ny nofony no nahatonga azy anao an’izany. Ka, hamonjena ny mpianany amin’ny fahalotona ho avy, nosasan’i Jesosy ny tongony.

“Tokony hanonitra ny ota rehetra ho avy Aho. Tokony homboana amin’ny Hazo fijaliana satria natao batisa ary naka ny ota rehetra ary tokony handoa azy rehetra Aho hatongavako ny tena Mpamonjinareo. Izaho no Andriamanitrareo, ny Mpamonjinareo. Tokony handoa ny otanareo rehetra ary ho lasa ny Mpiandry ondrinareo amin’ny Batisako sy ny Rako. Izaho no Mpiandry ondrin’ny famonjenareo.”

Page 230: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

230 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Hametrahana tsara an’io fahamarinana io ao am-po, nosasan’i Jesosy ny tongony tao aoriana ny firavoravoan’ny Paska. Io no fahamarinan’ny filazantsara.

Satria malemy ny nofontsika raha nateraka indray aza, mbola hanota indray isika. Marina fa tsy tokony hanota isika nefa rehefa manota ary manatrika olana maro tahaka an’i Petera, dia manota isika raha tsy manao fanahiniana aza. Satria miaina amin’ny nofo isika, indraindray voatarika ny ota amin’ny fandravana. Hanota foana ny nofo raha mbola eto an-tany isika nefa namela ny heloka rehetra Jesosy amin’ny Batisany sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.

Tsy mandà fotsiny isika fa Jesosy no Mpamonjy nefa rehefa miaina amin’ny nofo isika, tsy mitsahatra manota sy manohitra an’Andriamanitra. Satria teraka an-nofo isika.

Fantatr’i Jesosy tsara fa mpanota an-nofo

isika. Lasa Mpamonjy antsika Jesosy rehefa nandoa ny otantsika rehetra miaraka ny Batisany sy ny Rany. Nalany ny otantsika rehetra ho an’izay mino ny Famonjeny sy ny Fitsanganany amy ny maty.

Ny filazantsara efatra manomboka amin’ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista. Ny votoanton’ny fiainan’ny olombelona dia ny hatanteraka ny filazantsaran’ny fahaterahana indray, ny filazantsaran’ny famonjena.

Firy taona isika no hanota amin’ny nofo?

Mandritra ny fiainantsika rehetra

hatramin’ny andro hafatesana Tamin’ny nandà Azy Petera, tsy indray na

indroa fa intelo alohan’ny hanenohan’ny akoho

Page 231: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

231 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tahakan’inona no nahatoritory ny fony! Tahaka ny ahoana ny fahatsiarovany menatra! Nanao voady teo antrehan’i Jesosy izy fa tsy hamadika Azy mihitsy. Nanota izy satria malemy ny nofony nefa ahoana no fahatsiarovany ho mahantra rehefa latsaka am-pahalemena ary nandà an’i Jesosy tsy indray fa intelo izy! Angamba izy sahirana rehefa nijery an’i Jesosy!

Nefa fantatr’i Jesosy izany. Ary hoy izy “Fantatro fa mbola hanota hianao. Nefa efa nesoriko ireo ota ireo amin’ny Batisako noho ny fahatahorako sao manafintohina anao ireo ary manao anao ho mpanota indray, ny fahatahorako sao tsy tafaverina Amiko intsony hianao. Lasa tena Mpamonjy Aho ho anao satria natao batisa ary notsaraina ho an’ny otanao. Lasa Andriamanitrao Aho, ny Mpiandry ondrinao. Minoa ny filazantsaran’ny famelana ny otanao. Hanohy ho tianao Aho na manota ara-nofo aza

hianao. Efa nosasako ny fahalotonao rehetra. Ny filazantsaran’ny famelana ny ota dia ho mandrakizay. Ny fitiavako anao koa dia ho mandrakizay.”

Hoy Jesosy tamin’i Petera sy ny mpianany “Raha tsy hosasako hianao dia tsy manana anjara amiko.” Ny antony nitenenany an’io filazantsara io ao amin’i Petera 13 dia satria zava-dehibe ho an’ny olona ny ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy. Mino an’izany ve hianareo?

Ao amin’ny andininy 9, “Dia hoy Simona Petera Taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary fa ny tànako sy ny lohako koa. Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa.”

Ry namana malala, anao ny otan’ny nofo ve hianareo amin’ny ho avy sa tsia? Anao an’izany hianareo. Nefa Jesosy nilaza fa efa nodioviny na

Page 232: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

232 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny ota ho avy aza, ny fahaloton’ny nofo rehetra, amin’ny Batisany sy ny Rany ary niteny mazava tsara an’ny mpianany Izy momban’ny filazantsaran’ny fahamarinana, ny filazantsaran’ny fanonerana alohan’ny fanohomboana Azy amy ny Hazo fijaliana.

Satria miaina ara-nofo miaraka ny fahalemena rehetra isika, tsy afaka mijanona manota. Nosasan’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao miaraka amin’ny Batisany. Tsy ny fo sy ny nofo ihany no dioviny fa ny tongotra sy ny otantsika ho avy koa. Io no filazantsaran’ny ateraka indray, ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy.

Rehefa vita batisa Izy, nanambara Jaona Batista “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29). Tokony hino isika fa voasasa ny otan’izao tontolo izao rehefa nafindra tamin’i Jesosy tamin’ny Batisany.

Satria miaina eto an-tany ny olona dia tsy afaka tsy hanota. Tsy maintsy ekentsika izany. Isaky ny miseho ny fahalemen’ny nofo, dia tokony hatsiaro isika fa efa nosasan’i Jesosy ny otantsika rehetra sy ny otan’izao tontolo izao amin’ny filazantsaran’ny famelana ary nandoa an’izany Izy amin’ny Rany. Tokony hisaotra Azy amin’ny fo manontolo isika. Ekeo ny finoana fa Jesosy no Mpamonjy sy Andriamanitsinka.

Ny rehetra eto an-tany dia manota ara-nofo. Maty ny olona noho ny otan’ny nofony. Manota amin’ny nofony foana ny olona.

Page 233: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

233 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY SAIN-DRATSY AO AM-PON’NY OLONA

Inona no mandoto ny olona?

Ota karazany betsaka ary ny sain-dratsy

Hoy Jesosy ao amin’ny Matio 15:19-20 “Fa

avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy. Izany no mahaloto ny olona. Fa ny mihinana amin’ny tànana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.” Satria karazan-ota maro no ao am-pon’ny olona izay mahaloto azy.

TSY MAINTSY MAHAFANTATRA NY HARATSIANY NY TSIRAIRAY

Inona no ao am-pon’ny olona?

Ny ota roa amby ny folo

(Marka 7:21-23) Tokony hahay hiteny isika “Ireo ota roa amby

ny folo ao am-pon’ny olona, ao am-poko koa. Ao anatiko ny ota roa amby ny folo izay voasoratra ao amin’ny Baiboly.” Alohan’ny haterahana indray amin’ny rano sy ny Fanahy, tokony hanaiky ny ota ao am-pontsika isika. Tokony hanaiky isika fa tena mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Nefa tsy tokony hanao an’izany lava isika. Ny maro amintsika mitady antony amin’ny ota atao ary milaza “Taloha, tsy

Page 234: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

234 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nanana izany sain-dratsy izany aho tao am-poko, very vetivety aho.”

Nefa ahoana hoy Jesosy momban’ny olona? Nilaza mazava tsara Izy fa izay mivoaka ny fony no mahaloto ny olona. Milaza Izy fa manana sain-dratsy ny olona ao anatiny. Inona no hevitrareo? Tsara hianareo sa ratsy? Fantatrareo ve fa manana sain-dratsy ny olona rehetra? Eny, ratsy ny sain’ny olona.

Taona maro izao, nirodana tampoka ilay mpivarotra lehibe Sampoong ao Seoul. Ireo fianakaviana very havan-tiana dia nalahelo mafy. Nefa nisy olona maro faly tamin’ny zava-niseho.

Nisy niheritreritra “Firy ny maty? 200? Tsia, vitsy loatra izany. 300? Angamba? Nahavariana sy nahagaga kokoa raha nisy tsy latsaka ny zato no maty...Mety ho ratsy toa izany ny fon’ny olona. Tokony hanaiky an’izany isika. Tsy misy fanajana an’ny maty! Tena nandrava

fianakaviana! Nisy lany harena.” Nefa nisy mpijery sasany tsy mba nangoraka.

“Nahavariana kokoa raha betsaka noho izany ny maty! Zavatra maha-te hijery! Ary raha izany moa no niseho tamina kianja feno olona? Olona aman-jatony no voalevina ambany vato, sa ahoana? O! Eny! Angamba nahavariana no izao!” Nisy angamba no nanana saina toa izany.

Ary fantantsika ahoana ny olona mety ho ratsy indraindray. O, tsy ho lazaina mafy izany. Ho hidiny ny vavany ary hilaza ny fifankatiavany izy, nefa ao am-pony, manantena izy mba hagaga ny zavatra miseho. Te hahita loza mahatsiravina izy izay mahafaty olona aman-jato, raha mbola tsy mihatra amin’ny tenany. Toa izany no fandehanan’ny fon’ny olona. Ny ankabiazantsika toa izany.

Page 235: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

235 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

AO AM-PON’NY OLONA NY VONOAN-OLONA

Maninona no manota isika?

Satria manana sain-dratsy ao am-po

Voalazan’Andriamanitra fa misy vonoan-

olona ao am-pon’ny olona. Fa maro no handà. “Ahoana no azohanao hilaza an’izany! Tsy manana eritreritra vonoan-olona aho ao am-poko! Tsy ekeny mihitsy fa manana vonoan-olona ao am-pony izy. Mihevitra izy fa ny mpanono olona dia karazan’olona tsy mitovy aminy.”

“Ilay mpamono olona betsaka voalaza tao amin’ny gazety vao haingana, ilay fakon’olona

namono sy nandevina olona tao ambany tranony, ireo no manana ny vonoan-olona ao am-pony! Karazan’olona afa ireny! Tsy mety hitovy aminy mihitsy aho! Olon-dratsy ireny! Mpamono olona!” Lasa tezitra izy ary midradradradra “Tokony ho fafana amin’ity tany ity izay teraka avy amin’ny voan-dratsy! Tokony ho vonoina ho faty!”

Nefa, ny mampalahelo dia ny sain-dratsy ao am-pon’ireny olona tezitra ireny tahaka ny ao am-pon’ny mpamono olona. Andriamanitra milaza fa ao am-pon’ny olona rehetra ny vonoan-olona. Tokony anaiky ny tenin’Andriamanitra isika, Andriamanitra izay mahita tsara ny zavatra. Tokony anaiky isika “Izaho dia mpanota, misy vonoan-olona ao am-poko.”

Eny, Andriamanitra milaza fa manana sain-dratsy ao am-pon’ny olona, ao anatiny izany ny vonoan-olona. Aoka ekentsika ny

Page 236: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

236 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tenin’Andriamanitra. Ny olona, isaky ny taranaka mifampitohy, mihalasa ratsy, ny karazana fitaovana fiarovana rehetra dia lasa famonoana. Io no valin’ny vonoan-olona ao am-pontsika. Mety hamono olona hianareo rehefa tezitra na matahotra. Tsy milaza aho akory fa mpamono olona daholo ny rehetra fa ny hoe manana an’izany hevitra izany isika ao am-po.

Satria teraka miaraka amin’ny sain-dratsy ny olona, manana an’izany isika ao am-po. Misy ny mamono, tsy teraka mpamono olona akory ireo, nefa satria afaka lasa mpamono olona isika. Lazain’Andriamanitra fa manana sain-dratsy sy saina vonoan-olona isika ao am-po. Io no marina. Toa izany isika rehetra tsy misy avaka.

Ka ny làlana tsara izay tokony ho raisina dia ny manaiky ny tenin’Andriamanitra ary milefitra. Manota eto amin’ity tany ity isika satria manana sain-dratsy ao am-po.

NY FIJANGAJANGANA AO AM-PONTSIKA

Milaza Andriamanitra fa misy fijangajangana

ao am-pon’ny olona. Manaiky ve hianareo? Manaiky ve hianareo fa misy fijangajangana ao am-pon’ny olona? Eny, misy fijangajangana ao am-pon’ny olona.

Izany no mahatonga ny fivarotan-tena sy ny ota hafa hiromborombo amin’ny fikambanantsika. Io no làlana mora indrindra ahazoana vola, isaky ny taranaka. Ny asa hafa mety hampijaly noho ny fitambotsirana ekonomika nefa ny asa ratsy tsy tratra satria ny fijangajangana mitoetra ao am-pon’ny olona tsirairay.

Page 237: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

237 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

NY OTA NO VOANKAZON’NY MPANOTA

Hampitahana amin’inona ny olona?

Amin’ny hazo mamokatra

voankazon’ny ota

Tahaka ny foto-poama mamokatra paoma, ny foto-poira manome poira, ny fototr’antrendry manome voan’antrendry, isika, izay teraka miaraka amin’ny ota roa amby ny folo ao am-po, mamokatra voankazon’ota koa.

Nilaza Jesosy fa ny mivoaka ny fon’ny olona no mahaloto azy. Manaiky ve hianareo? Tsy afaka ny tsy hanaiky ny tenin’i Jesosy isika ary miteny hoe “Eny; mpikotrika mpanota isika, mpanao ny ratsy. Eny, marina hianao Tompo.”

Eny, tokony hanaiky ny hasomparana isika. Tokony anaiky fa milaza ny marina mombantsika Andriamanitra.

Tahaka an’i Jesosy Kristy nilefitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, tokony anaiky ny tenin’Andriamanitra isika ary hilefitra aminy. Io no fomba tokana mba ho voavonjy ny ota amin’ny rano sy ny Fanahy. Ireo no fanatitr’Andriamanitra.

Voatahy ny tanindrazako fa manana fizaran-taona efatra. Ary araka ny fizarana, karazan-kazo betsaka no mamokatra voankazo. Toa izany, ny ota roa amby ny folo ao am-pontsika miasa amintsika ary mitondra antsika hanota foana. Androany hisy ny vonoan-olona ao am-pontsika, rahampitso, hisy fijangajangana.

Ary ny ampitson’iny, ny sain-dratsy, avy eo ny fijangajangana, ny lainga, ny fanambarana diso...sns. Ary manohy manota isika mandritra

Page 238: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

238 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny taona, isam-bolana, isan-andro, foana. Tsy misy tsy hanotantsika. Manohy miozina fa tsy manota nefa tsy afaka ny tsy manota satria teraka toa izany.

Efa nahita foto-poama tsy manaiky hamokatra poama ve hianareo? “Tsy te-hitondra poama aho!” Raha manapaka ny tsy hitondra voa intsony aza izy, ahoana no fomba tsy hitondrany poama intsony? Ary ny voninkazo mamony rehefa lohan-taona, ny paoma mitombo sy miotrika rehefa fahavaratra ary ny voankazo vonina ho tsongoina sy ho hanina amin’ny fararano.

Io no làlan’ny zava-drehetra ary ny fiainan’ny mpanota dia manaraka koa ny làlan’ny zava-drehetra. Tsy afaka ny tsy hitondra ny voankazon’ny ota ny mpanota.

NY BATISA SY NY HAZO FIJALIAN’I JESOSY DIA NATAO HANONERANA NY OTANTSIKA

Inona no tianao lazaina amin’ny hoe fanavotana?

Io no valy tambin’ny otantsika amin’ny batisan’i

Jesosy (fametrahan-tànana) sy ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana

Vakiantsika andininy ao amin’ny Baiboly

milaza ahoana no hafahan’ny mpanota, ny mpanao ratsy, hanonerany ny otany eo anatrehan’Andriamanitra ary hiainany ny fiaianana ao anaty fahasambarana.

Ao amin’ny Levitikosy 4 voasoratra “Ary raha misy amin’ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah

Page 239: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

239 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’izay tsy tokony hatao ka meloka ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho ny fahotany izay nataony. Ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin’ny fitoeran’ny fanatitra odorana. Ary hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fandorana ny fanatitra odorana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ny alitara. Ary hesoriny avokoa ny jaborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny jaboran’ny fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah, ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony” (Levitikosy 4:27:31).

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha,

ahoana no fomba fanoneran’ny olona ny otany? Nametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny fanatitra izy ary namindra ny ota aminy.

Voasoratra ao amin’ny Levitikosy “Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo. Raha omby no ateriny ho fanatitra odorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny. Eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah izy. Ary hametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny fanatitra odorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy” (Levitikosy 1:2-4).

Noman’Andriamanitra ho azy ny fanatitra izay azony hampiasaina hanonerana ny otan’Isiraely. Ary nasainy “ nametraka ny tànany ” teo

Page 240: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

240 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny lohan’ny fanatitra, mba hamindrana aminy ny ota. Ao anatin’ny tabernakely masina, nisy ny alitaran’ny fanatitra odorana. Io dia vata lehibe tahaka ny latabatrin’ny alitara izay nisy tandroka ny sisiny efatra. Ny vahoakan’Isiraely nanonitra ny helony amin’ny famindrana ny otany teo amin’ny lohan’ny fanatitra ary nodorany ny nofony eo amin’ny alitara.

Ao amin’ny Levitikosy hoy Andriamanitra amin’ny olona “Eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah izy.” Lasa teo amin’ny fanatitra ny otany rehefa nametraka ny tànany teo amin’ny lohany izy ary avy eo nokapainy ny lohan’ny fanatitra ary nararany ny rany eo amin’ny tandrokin’ny alitara.

Avy eo, nalana ny anatin’ny fanatitra ary tetehina madinika dia dorana eo amin’ny alitara.

Ny hanitrin’ny hena dia natao fanatitra an’Andriamanitra ho an’ny ota isan-andro.

Dia natao ny soron’ny fanavotana ho an’ny ota isan-taona. Tsy mitovy amin’ny sorona ho an’ny ota isan-andro satria ny mpisorona mametraka ny tànany eo amin’ny fanatitra amin’ny anaran’ny vahoakan’Isiraely ary ny ra hafafiny impito eo amin’ny lafiny atsinanan’ny rakotra fanaovam-panavotana. Ary koa, ny fametrahan-tànana eo amin’ny lohan’ny osilahy velona dia natao teo anatrehan’ny vahoakan’Isiraely isan-taona tamin’ny andro faha folon’ny volana faha fito (Levitikosy 16:5-27).

Ankehitriny, aoka jerena inona no niova amin’ny fomba fanaovana sorona raha hampitoviana amin’ny Testamenta Taloha ary ahoana no tsy nampiova ny sarin’Andriamanitra.

Page 241: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

241 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Manohatra an’iza ny fanatitra ao amin’ny Testamenta Taloha?

Jesosy Kristy

Maninona Jesosy tokony ho faty teo amin’ny

Hazo fijaliana? Inona no ratsy nataony teto an-tany nahatonga an’Andriamanitra namela ny Zanani-lahy ho faty teo amin’ny Hazo fijaliana? Iza no namono azy teo amin’ny Hazo fijaliana? Rehefa latsaka tao anaty ota ny mpanotan’izao tontolo izao, izany hoe isika, dia tonga teto an-tany Jesosy hamonjy antsika.

Nataon’i Jaona Batista batisa teo amin’ny Jordana Izy ary naka ny famaizana teo amin’ny Hazo fijaliana amin’ny anaran’ny olombelona rehetra. Ny fomba nanaovana batisa an’i Jesosy, ny fomba nandatsany ny rany teo amin’ny Hazo

fijaliana dia mitovy amin’ny soron’ny fanavotana natao tamin’ny Testamenta Taloha, mitovy amin’ny fametrahan-tànana eo amin’ny fanatitra ary ny famafazan-dra.

Izany no fomba fanao tao amin’ny Testamenta Taloha. Mametraka ny tànany eo amin’ny fanatitra ny mpanota ary miaika ny fahotany sady miteny heo “Tompo, nanota aho. Nanao vonoan-olona sy nijangajanga aho.” Dia nifindra teo amin’ny sorona ny fahotany.

Ary tahaka ny nokapain’ny mpanota ny tendan’ny fanatitra ary ny fanolorana azy an’Andriamanitra, tahaka izany no nanolorana an’i Jesosy ho fanavotana ny otantsika. Natao batisa Jesosy ary latsa-drà ra teo amin’ny Hazo fijaliana amin’ny Fisoronany.

Ny tena izy, dia maty noho isika Jesosy. Rehefa miheritreritra an’izany isika, inona ary ny dikan’ny fanatitra an’ireo biby tsy misy kilema

Page 242: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

242 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

natao sorona ho an’ny fahotan’ny olona? Fantatr’ireo biby ireo ve ny atao hoe fahotana? Tsy mahafantatra ny fahotana ny biby. Tsy afaka mandray ny fahotan’ny olona rehetra ny biby.

Tahaka an’ireo biby tsy misy kilema Jesosy. Izy no Andriamanitra Masina, ny Zanak’Andrimanitra ary tsy mbola nanota mihitsy. Ka, nesoriny ny ota rehetra amin’ny Batisany teo amin’ny Jordana tamin’Izy 30 taona.

Hanalana ny otantsika rehetra izany ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy noho ny otantsika izay nesoriny. Izany no asam-panavotany izay fanadiovana ny otan’ny olona rehetra. Ary voasoratra ao amin’ny Matio 3 izany.

NY FIANDOHAN’NY FILAZANTSARAN’NY FANONERANA NY OTA

Maninona Jesosy no nataon’i Jaona batisa teo amin’ny Jordana?

Anatanterahana ny fahamarinana

Voasoratra ao amin’ny Matio 3, “Ary

tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanterahana ny fahamarinana rehetra”

Page 243: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

243 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

(Matio 3:13-15). Tokony ho fantantsika maninona natao batisa

Jesosy tamin’ny faha 30 taonany. Natao batisa Izy hanonerana ny otan’ny olona rehetra ary hanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Hamonjena ny olona rehetra amin’ny fahotana, Jesosy Kristy izay tsy nisy kilema, nataon’i Jaona Batista batisa.

Amin’izany fomba izany, nesoriny ny otan’izao tontolo izao ary nanolo-tena Izy hanorenana ny otan’ny olombelona rehetra. Mba havonjy antsika amin’ny ota, tokony ho fantantsika ny marina ary hino ny fahamarinana isika. Tokony hino ny Fanavotany isika ary ho voavonjy.

Inona no dikan’ny batisan’i Jesosy? Mitovy amin’ny fametrahan-tànana tamin’ny Testamenta Taloha. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny otan’ny olona nifindra teo amin’ny lohan’ny

fanatitra rehefa natao teo amboniny ny tànana ary ao amin’ny Testamenta Vaovao, Jesosy no nanala ny otan’izao tontolo izao amin’ny fanolo-tena ho fanatitra ary nataon’i Jaona Batista batisa Izy.

Jaona Batista no lehibe indrindra anisan’ny olona, solon-tenan’ny olombelona nomen’Andriamanitra. Araka ny maha solon-tenan’ny olombelona azy, mpisorona ny rehetra, nametraka ny tànany teo amin’i Jesosy izy ary namindra ny otan’izao tontolo izao teo Aminy. “Batisa” midika hoe “mamindra eo, alevina, voasasa.”

Ankehitriny, fantatrareo maninona tonga teto an-tany Jesosy ary nataon’i Jaona batisa? Mino an’i Jesosy ve hianareo raha mahafantatra ny dikan’ny Batisany? Ny batisan’i Jesosy dia hanesorana ny otantsika, isika hotrika mpanao ratsy, izay ataontsika amin’ny nofon’ny fiainana.

Page 244: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

244 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Nataon’i Jaona batisa Jesosy hanatanterahana ny filazantsara voalohany momban’ny fanavotana ny ota.

Ao amin’ny Matio 3:13-17, voasoratra “Ankehitriny” ary izany midika hoe amin’ny andro nanaovana batisa an’i Jesosy, ny fotoana namindrana ny ota Taminy.

“Ankehitriny” nanaisotra ny otan’ny olona Jesosy ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana telo andro avy eo ary nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo koa. Hanadiovana ny otan’izao tontolo izao, natao batisa indray mandeha Izy, maty teo amin’ny Hazo fijaliana indray mandeha ary nitsangana tamy ny maty indray mandeha. Ho an’ireo izay te-ho voahavotra ny otany eo anatrehan’Andriamanitra, novonjeny indray mandeha.

Maninona Jesosy tokony natao batisa? Maninona Izy tokony nitondra ilay fehiliha tsilo

ary notsaraina teo anoloan’i Pilato tahaka ny jiolahy? Maninona Izy tokony nohomboana sy nalatsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana? Satria nanaisotra ny otan’izao tontolo izao teo Aminy Izy tamin’ny Batisany. Ary ho an’ny otantsika, tsy maintsy maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy.

Tokony hino ny tenin’ny famonjena isika, fa namonjy antsika Andriamanitra ary tokony hisaotra Azy isika. Raha tsy nisy ny batisan’i Jesosy, ny Hazo fijaliany ary ny Fitsanganany amy ny maty, tsy misy famonjena ho antsika.

Tamin’ny natao batisa Jesosy hanaisotra ny otan’izao tontolo izao, nesoriny koa ny otantsika ka novonjeny izay mino ny filazantsaran’ny famonjena. Misy ny olona mihevitra “Tsy ny ota voalohany ihany ve no nesoriny?” Tsy marina ny azy.

Voasoratra mazava tsara ao amin’ny Baiboly fa nanaisotra ny otan’izao tontolo izao indray

Page 245: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

245 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mandeha Jesosy tamin’ny fanaovana Azy batisa. Ny otantsika rehetra, anisan’izany ny ota voalohany, dia voadio. Voasoratra ao amin’ny Matio 3:15 “Ekeo ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Hahatanteraka ny fahamarinana rehetra, midika fa ny ota rehetra, tsy misy avaka, nesoriny amintsika.

Nesorin’i Jesosy ve ny otan’ny fiainantsika rehetra? Eny, nataony izany. Aoka jerena ny porofo ao amin’ny Levitikosy. Io miteny momban’ny mpisorona sy ny soron’ny andron’ny fanavotana.

NY SORON’NY FANAVOTANA HO AN’NY OTAN’NY TAONA HO AN’NY VAHOAKAN’ISIRAELY

Ny vahoakan’Isiraely ve mety ho hamasinina amin’ny fanatitrin’ny

otan’ity tany ity?

Sanatria

“Dia hampanatonin’i Arona ny vantotr’ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy. Ary dia halainy koa ilay osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’i Jehovah, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana. Dia hanaovan’i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an’i Jehovah ary ny loka

Page 246: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

246 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

anankiray ho an’i Azazela. Ary hampanatonin’i Arona ny osilahy izay niharan’ny filokana ho an’i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota. Fa ny osilahy izay niharan’ny filokana ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’i Azazela” (Levitikosy 16:6-10). Eto, Arona dia maka osilahy roa hapetrany eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, hanonerana ny otan’ny taona nataon’ny vahoakan’Isiraely.

“Dia hanaovan’i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an’i Jehovah ary ny loka anankiray ho an’i Azazela.” Ilay osilahy natao ho an’ny fanavotana.

Io no soron’ny fanavotana ho an’ny ota isan-andro, izay hametran-tànana eo amin’ny lohan’ny fanatitra amindrana ny ota aminy. Fa ho an’ny otan’ny taona kosa, ny mpisorona,

amin’ny anaran’ny vahoaka, dia namindra ny ota eo amin’ny fanatitra ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito, isan-taona.

Ao amin’ny Levitikosy 16:29-31, voasoratra “Ary izao no ho làlana mandrakizay ho anareo: amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo hianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo. Fa amin’izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’i Jehovah hianareo. Ho tena andro fitsarahana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo hianareo ho làlana mandrakizay izany” (Levitikosy 16:29-31).

Ao amin’ny Testamenta Taloha, nitondra ny fanatitra ny vahoakan’Isiraely hanonerana ny ota isan-andro sy hamindrana azy amin’ny lohany,

Page 247: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

247 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’izany izy miteny hoe “Tompo, manana an’izao ota izao aho, mamelà ny heloko.” Avy eo, tapahina ny tendan’ilay fanatitra ho an’ny ota, omena ny mpisorona ny rany ary mody izy sady mino mafy fa efa afaka amin’ny otany. Maty ho an’ilay mpanota ny fanatitra, miaraka ny ota eo amin’ny lohany. Novonoina ho azy ny fanatitra. Ao amin’ny testamenta Taloha, ny fanatitra mety osilahy, na zanak’omby, na ombilahy, ny biby rehetra izay nataon’Andriamanitra ho masina.

Ho faty amin’ny toeran’ny mpanota, Andriamanitra amin’ny indra-pony, dia namela ho fiainana biby no atao fanatitra. Amin’izany fomba izany, ao amin’ny Testamenta Taloha, ny mpanota afaka manonitra ny otany amin’ny soron’ny fanavotana. Lasa eo amin’ny fanatitra ny helokin’ny mpanota amin’ny fametrahan-tànana ary ny ra nomena an’ny mpisorona

hanonerana ny ota. Tsy azo heverina ny manonitra ny ota isan-

andro. Ka navelan’Andriamanitra ny mpisorona hanao ny fanavotana ny otan’ny taona, isan-taona amin’ny andro fahafolon’ny voalana fahafito, amin’ny anaran’ny vahoakan’Isiraely.

Inona ary ny asan’ny mpisorona ny andro fanaovana ny fanavotana? Voalohany, Arona mpisorona avo mametraka ny tànany eo amin’ny fanatitra ary miaiky ny otan’ny vahoaka “Tompo, ny vahoakan’Isiraely nanao an’izao ota izao, vonoan-olona, fakam-badin’olona, fijangajangana, halatra, fanambarana diso, teny vetaveta....”

Avy eo tapahiny ny tendan’ilay fanatitra, nalainy ny rany izay nafafany impito eo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana (Ao amin’ny Baiboly, ny isa 7 heverina ho isa lavorary).

Adidiny ny mamindra ny otan’ny taonan’ny

Page 248: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

248 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

vahoaka eo amin’ny lohan’ny fanatitra, amin’ny anaran’ny vahoaka ary dia atao sorona amin’ny toerany ilay fanatitra.

Satria marina Andriamanitra, mba hamonjena ny olona amin’ny otany, nekeny ny fanatitra no maty tamin’ny toeran’ny vahoaka. Satria tena be indrafo Andriamanitra, navelany ny vahoaka hanome ny fiainan’ny sorona amin’ny toerany. Ary ny mpisorona avo namafy ny ra eo an-tsinanan’ny rakotra fanaovam-panavotana ary toa izany no hanaovany ny fanonerana ny otan’ny taona lasa amin’ny andron’ny fanavotana, ny andro fahafolon’ny volana fahafito.

Iza no zanak’ondry atao sorona araka ny Testamenta Taloha?

I Jesosy izay tsy nisy kilema

Amin’ny andro fanavotana, tsy maintsy nanome osy roa ny mpisorona avo, ho an’ny vahoakan’Isiraely. Ny iray atao hoe osy faditra izay midika hoe “alaina.” Toa izany koa ny ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Jesosy no osy faditra “Fa toa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Andriamanitra nanome ny Zanani-lahy tokana ho zanak’ondry sorona. Ary noho ny maha zanak’ondry soron’ny olombelona, nataon’i Jaona batisa Izy ary lasa Mpamonjy, Mesian’izao tontolo izao. Mesia midika hoe “Mpamonjy” ary Jesosy Kristy “Ny mpanjaka tonga hamonjy.”

Ka, toa ny otan’ny taonan’ny vahoaka navotana ny andro fanavotana ao amin’ny Testamenta Taloha, 2000 taona tato aoriana, tonga teto an-tany Jesosy Kristy, atao batisa ary

Page 249: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

249 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ho latsa-drà eo amin’ny Hazo fijaliana hanatanteraka ny filazantsaran’ny fanavotana ho an’ny ota rehetra.

Eto, vakiantsika ny ao amin’ny Levitikosy “Dia hapetrak’i Arona amin’ny lohan’ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotana rehetra; dia hametraka izany eo amin’ny lohan’ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ny lehilahy voatendry hankany an-efitra. Ary ho entin’ny osilahy ho any an-efitra ny helok’izy rehetra, dia halefany any ny osilahy” (Levitikosy 16:21-22).

Voasoratra fa lasa teo amin’ny lohan’ny osilahy ny otan’ny vahoaka araka ny voambara ao amin’ny Levitikosy antoko 1. “Ny fahadisoana rehetra” midika ny ota nataony tao am-po, ny ota ara-nofo rehetra. “Ny fahadisoana rehetra” hapetraka eo amin’ny lohan’ny fanatitra

amin’ny fametrahan-tànana.

ARAKA NY LALAN’ANDRIAMANITRA, TOKONY HAFANTATRA NY OTANTSIKA ISIKA

Maninona no nanome ny Làlana Andriamanitra?

Mba hafantarantsika

ny atao hoe ota Ny làlana sy ny didin’Andriamanitra misy

antoko 613. Raha heverina tsara, nanao an’izay tsy tiany atao isika ary tsy nanao izay nolazainy.

Ka, mpanota izany isika. Ary voasoratra ao

Page 250: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

250 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny Baiboly fa nanome ireo Làlana ireo Andriamanitra mba hafantarantsika ny otantsika (Romana 3:20). Izany midika fa nanome ny Lalàny sy ny Didiny antsika Izy hafantarantsika ny maha mpanota antsika. Ny nanomezany an’izany tsy hoe afaka miaina aminy akory isika fa ny hafantarantsika ny otantsika.

Tsy nanome ny Lalàny sy ny Didiny hitazomantsika azy akory Izy. Tsy afaka hanantena hianareo fa hiaina tahaka ny olona ny alika. Toa izany koa, tsy afaka miaina araka ny Lalàn’Andriamanitra isika fa kosa afaka hafantatra ny otantsika amin’ny Lalàny sy ny Didiny.

Nomen’Andriamanitra antsika izany satria isika atotan-ota fa tsy fantantsika “Mpamono olona hianareo, mpijangajanga, mpanao ny ratsy.” Asainy tsy manono olona isika nefa manono ao am-po ary indraindray aza tena

mamono. Ary satria voasoratra ao amin’ny Lalàna fa tsy

tokony hamono olona, fantantsika fa tsy mpamono olona isika ary miteny hoe “Ah! Diso aho. Mpanota aho satria nanao ny tsy tokony atao. Nanota aho.”

Ka, hamonjena ny vahoakan’Isiraely amin’ny ota, navelan’Andriamanitra nanome ny sorona Arona, ao amin’ny Testamenta Taloha ary Arona no manavotra ho an’ny vahoaka indray mandeha isan-taona.

Ao amin’ny Testamenta Taloha, fanatitra anankiroa no tsy maintsy nomena an’Andriamanitra ny andron’ny fanavotana. Ny iray natolotra an’Andriamanitra ary ny faharoa nalefa any an-efitra aorian’ny fametrahan-tànana, izay naka ny otan’ny taona taminy. Alohan’ny andefasana an’ilay osilahy any an-efitra entin’ny lehilahy voatendry, nametraka ny tànany teo

Page 251: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

251 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ilay osilahy velona ny mpisorona avo ary manaiky ny otan’Isiraely. “Tompo, namono ny vahoaka, nijanganjanga, nangalatra, nanompo sampy... Nanota izahay.”

Palestinina dia tany tsy mahazo ambolena fa feno fasika. Nalefa tany an-efitra ilay osilahy ary maty tany. Rehefa mandefa azy, manara-maso ny vahoakan’Isiraely ary mino fa voahavotra ny otany. Mahazo ny fiadanana ao am-pony ny vahoaka ary ilay osilahy maty any an-efitra ho an’ny otan’ny vahoaka nandritra ny taona.

Ary Andriamanitra nanonitra ny otantsika amin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Jesosy Kristy. Voasasa daholo ny otantsika rehetra amin’ny batisan’i Jesosy sy amin’ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana.

Jesosy no Andriamanitra sy Mpamonjy antsika. Izy no Zanaka lahin’Andriamanitra izay tonga hamonjy ny olombelona amin’ny ota ary

Izy no Nanahary izay nanao antsika araka ny endriny. Nidina teto an-tany Izy hamonjy antsika amin’ny ota.

Tsy ny ota ara-nofo isan-andro ihany fa ny ota ho avy koa, ny otan’ny fo sy ny nofo rehetra lasan’i Jesosy. Tsy maintsy nataon’i Jaona Batista batisa Izy hanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra, ny fanavotana tanteraka ho an’ny otan’izao tontolo izao.

Telo taona alohan’ny nanohomboana an’i Jesosy, tamin’Izy nanomboka ny asany, nesoriny ny otan’izao tontolo izao amin’ny fanaovan’i Jaona Batista Azy batisa teo amin’ny Jordana. Ny famonjeny ny olombelona amin’ny fanavotana ny otantsika rehetra nanomboka tamin’ny Batisany.

Teo amin’ny ony Jordana, amin’ny toerana izay tahaka ny olona ny halaliny, nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’i Jesosy Jaona Batista

Page 252: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

252 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ary natsobany tao anaty rano Izy. Io batisa io dia toa ny fametrahan-tànana ao amin’ny Testamenta Taloha ary mitovy ny vokany dia ny famindrana ny ota.

Ny fanatsoboina anaty rano maneho ny fahafatesana, ary ny fivoana anaty rano ny fitsanganana amy ny maty. Ka, rehefa nataon’i Jaona batisa Jesosy, dia zavatra telo no tanteraka sy voambara: ny fanesorana ny ota rehetra, ny fanohomboana amin’ny Hazo fijaliana ary ny fitsanganana amy ny maty.

Ho voavonjy isika raha manaraka ny teny izay nataon’i Jesosy hamonjena antsika amin’ny ota. Nanapaka fa hamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesosy Andriamanitra ary tanteraka ny fanekena nataony tao amin’ny Testamenta Taloha. Ary dia nanatona ny Hazo fijaliana Jesosy miaraka ny otantsika teo amin’ny Lohany.

Inona no tokony ataontsika raha nofafan’i Jesosy ny otantsika

rehetra?

Tokony hanaraka ny tenin’Andriamanitra isika

Voasoratra ao amin’ny Jaona 1:29 “Nony

ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy Izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” Nanambara Jaona hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” Lasa teo amin’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao rehefa natao batisa teo amin’ny Jordana Izy. Minoa an’izany! Ary dia azo fahasoavana hianareo miaraka ny fanavotana ny otanareo

Page 253: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

253 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

rehetra. Isika olombelona, tokony hino ny

tenin’Andriamanitra. Tokony hametraka ny heritreritra sy ny di-doha anilaka ary hino fotsiny fa marina fa nanaisotra ny otan’izao tontolo izao Jesosy ary tokony hanaraka ny tenin’Andriamanitra izay voasoratra isika.

Mitovy ny milaza hoe nanaisotra ny otan’izao tontolo izao Jesosy sy ny hoe nahatanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra Izy tamin’ny fanavotana ny ota. Ary ny “fametrahan-tànana” sy “ny batisa” dia mitovy koa.

Mitovy ny miteny hoe “rehetra,” “isaky” sy “tontolo.” Ny dikan’ny fiteny hoe “fametrahan-tànana” ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia mitovy, ny teny “batisa” ihany no manana ny dikany manokana.

Tonga amin’ny fahamarinana isika fa natao batisa Jesosy ary notsaraina teo amin’ny Hazo

fijaliana Izy hanavotana ny otantsika rehetra. Ary voavonjy isika rehefa mino an’io filazantsara io.

Rehefa miteny isika fa nanala ny otan’izao tontolo izao Jesosy, inona ny dikan’ny “otan’izao tontolo izao?” Izany midika hoe ny ota azo tamin’ny fahaterahana ary ny sain-dratsy rehetra, ny halatra, ny fijangajangana, ny fitsiritana, ny fahalemena, ny fitenenam-poana, ny avonavona ary ny adalan’ny fontsika rehetra. Izany midika hoe ny fandikana rehetra ary ny heloka ara-nofo sy ao am-po.

“Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay no fanomezan-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika ” (Romana 6:23). “Fa tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” (Hebreo 9:22). Araka ny voasoratra amin’ireo andininy ireo, tokony aloa ny ota rehetra. Ary hamonjena ny olombelona rehetra

Page 254: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

254 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny ota, nanome ny Fiainany Jesosy Kristy ary nadoa ny tambin’ny ota indray mandeha Izy.

Ka, ny tokony atao hafahantsika amin’ny ota rehetra, dia ny mino an’ny batisan’i Jesosy sy ny Rany, ny filazantsara voalohany ary ny fisian’i Jesosy ho Andriamanitra sy Mpamonjy antsika.

NY FANAVOTANA HO AN’NY OTA HO AVY

Mbola mila manao sorona ve isika ho an’ny otantsika?

Na oviana na oviana intsony

Ny ota ho an’ny ampitso sy afaka ampitso ary

ny ota mandra-pahatongan’ny andro fahafatesana

dia ao anatin’ny “otan’izao tontolo izao” toa ny otan’ny androany, ny omaly, ny andro alohan’ny omaly tafiditra ao amin’ny “otan’izao tontolo izao.” Ao anatin’ny “otan’izao tontolo izao,” ny otan’ny olona manomboka amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahafatesany ary ny otan’izao tontolo izao dia lasan’i Jesosy amin’ny Batisany. Ka, ny ota ataontsika hatramin’ny andro fahafatesana dia efa nalana tamintsika.

Ary tokony hino ny filazantsara voalohany fotsiny isika, ny tenin’Andriamanitra voasoratra ary manaraka an’izany mba ho voavonjy. Tokony hametraka ny heritreritra anilaka isika mba ho voahavotra ny ota rehetra. Hanontany angamba hianareo “Ahoana no hanesorany ny ota mbola tsy natao?” Tiako ny manontany anareo “Tokony hiverina eto an-tany ve Jesosy isaky ny manota isika ary hadantsaka ny rany foana?”

Page 255: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

255 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ao amin’ny filazantsaran’ny fahaterahana indray, misy ny lalàn’ny fanavotana ny ota “Ary saiky diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny Lalàna, fa tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” (Hebreo 9:22). Raha misy olona te-ho voahavotra amin’ny otany, tsy maintsy mamindra ny otany eo amin’ny fanatitra izy amin’ny fametrahan-tànana ary tsy maintsy maty ilay fanatitra ho an’ny otany.

Toa izany koa, ny Zanak’Andriamanitra tonga teto an-tany hamonjy ny olombelona. Natao batisa izy hanesorana ny otantsika ary latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana handoavana ny tambin’ny otantsika ary hoy Izy teo amin’ny Hazo fijaliana “Vita.” Nitsangana tamy ny maty Izy telo andro avy eo ary mipetraka ankehitriny eo ankavanan’Andriamanitra. Izy no Mpamonjintsika mandrakizay.

Mba ho voahavotra tanteraka amin’ny ota isika, tsy maintsy manilaka ny fitompo teny ary hanary ny finoana fa tsy maintsy voahavotra isan-andro isika amin’ny ota isan-andro. Mba hanonerana ny otan’ny olombelona, tsy maintsy misy sorona indray mandeha. Andriamanitra, ao an-danitra, namindra ny otan’izao tontolo izao teo amin’ny Zanani-lahy tokana amin’ny alalan’ny batisa ary nohomboany ho antsika. Ary miaraka ny fitsanganany amy ny maty, tanteraka ny famonjena antsika.

“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika. Kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.” Ao amin’ny Isaia 53, voasoratra fa ny fahadisoana rehetra sy ny tsy fahamarinan’izao tontolo izao, nafindra tamin’i

Page 256: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

256 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jesosy Kristy. Ary ao amin’ny Testamenta Vaovao, ao

amin’ny Efesiana 1:4, voasoratra “Araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao.” Izany milaza fa nofidiany ho Azy isika alohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao. Nofidin’Andriamanitra ho vahoakany isika, talohan’ny nanovany an’izao tontolo izao, tahaka ny marina tsy misy kilema amin’i Kristy. N’inon’inona neverintsika taloha, tsy maintsy mino isika ankehitriny ary hanaraka ny tenin’Andriamanitra, ny tenin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy.

Andriamanitra nilaza fa ny Zanak’ondriny, Jesosy Kristy, nanaisotra ny otan’izao tontolo izao ary nanonitra ho an’ny olombelona rehetra. Ao amin’ny Hebreo 10, voasoratra “Fa ny Lalàna izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy

mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona” (Hebreo 10:1).

Eto voasoratra fa tsy mahatanteraka ny manao fanatitra isan-taona. Ny Lalàna dia aloky ny zava-tsoa ho avy ary tsy sarin-javatra fotsiny. Jesosy Kristy, ny Mesia, izay ho avy, nanao antsika ho tanteraka indray mandeha monja (tahaka ny ota isan-taon’ny vahoakan’Isiraely nalana indray mandeha fotsiny) tamin’ny fanaovana Azy batisa sy ny fanohomboana Azy hanonerana ny otantsika rehetra.

Nilaza Jesosy ao amin’ny Hebreo 10 “Dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy hampitoerany ny faharoa. Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha. Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro

Page 257: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

257 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota. Fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika, fa rehefa voalazany hoe: Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: hataoko ao am-pony ny lalàko. Sady hosoratako ao an-tsainy. Dia hoy koa Izy: Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony. Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony” (Hebreo 10:9-18). Ary mino isika fa novonjen’i Jesosy amin’ny otan’izao tontolo izao

tamin’ny Batisany sy ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana.

NY FAMONJEN’NY FAHATERAHANA INDRAY AMIN’NY RANO SY NY FANAHY, IZAY VOASIKOTRA AO AM-PO SY AO AN-TSAINTSIKA

Olo-marina ve isika satria tsy manota intsony?

Tsia. Olo-marina isika satria nesorin’i

Jesosy ny otantsika rehetra ary satria mino Azy isika

Mino daholo ve hianareo? Amen. Manaiky

Page 258: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

258 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ara-pinoana ny tenin’Andriamanitra ve hianareo fa Jesosy Kristy natao batisa sy nalatsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana hamonjena antsika? Tokony hanaiky an’izany isika mba ho ateraka indray. Raha mino isika fa Jesosy Kristy, amin’ny filazantsaran’ny fanavotana, nanasa ny otantsika ary ny otan’izao tontolo izao, dia ho voavonjy.

Ny fanarahana ny Lalàn’Andriamanitra tsy hanatanteraka antsika mihitsy nefa mety ho tanteraka isika amin’ny finoana ny asan’Andriamanitra. Nanaisotra ny otantsika rehetra Jesosy Kristy tamin’ny Batisany teo amin’ny Jordana ary nijaly noho ny fitsarana sy ny famaizana ho an’ny otantsika teo amin’ny Hazo fijaliana Izy. Ny finoana ny filazantsara amin’ny fo manontolo no afaka hanavotra ny otantsika ary hatonga antsika olo-marina. Mino ve hianareo?

Ny batisan’i Jesosy, ny fanohomboana Azy sy ny fitsanganany amy ny maty dia ho an’ny famelan-kelokin’ny otan’ny olombelona rehetra ary ny fitiavan’Andriamanitra ho fototrin’ny lalànan’ny famonjena. Tia antsika Andriamanitra ary marina Izy ka nataony marina aloha isika. Nataony marina isika amin’ny famindrana ny otantsika teo amin’i Jesosy miaraka ny Batisany.

Hanasana ny otantsika, nalefany ny Zanani-lahy tokana, Jesosy, teto an-tany, ho antsika. Nandidy an’i Jesosy Izy hanaisotra ny otan’izao tontolo izao amin’ny batisan’i Jesosy ary avy eo, nafindrany amin’ny Zanani-lahy ny fitsarana ho an’ny otantsika rehetra. Nataony Zanany marina isika amin’ny famonjena amin’ny rano sy ny ra, ny sakafon’Andriamanitra.

Voasoratra ao amin’ny Hebreo 10:16 “Izao no fanekena hataoko aminy. Rehefa afaka izany andro izany hoy Jehovah: hataoko ao am-pony

Page 259: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

259 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy.” Ao am-po sy ao an-tsaina, mpanota ve isika eo

anatrehan’Andriamanitra sa olo-marina? Raha manaiky ny tenin’Andriamanitra isika, lasa olo-marina ve? Nesorin’i Jesosy Kristy ny otantsika rehetra ary nahazo ny fitsarana ho an’ireo ota ireo Izy. Jesosy Kristy no Mpamonjy antsika. Tsy maintsy mihevitra isika “Satria manota isan-andro, mety ho olo-marina ve isika? Mpanota mandrakizay isika.” Nefa ny fanekena ny tenin’Andriamanitra, tahakan’ny naneken’i Jesosy Kristy an’ny Ray, dia hatonga antsika olo-marina.

Marina, araka ny nolazaiko taloha, nanota ao am-po isika alohan’ny naterahana indray. Rehefa avy maka ny filazantsaran’ny famelan-keloka ao am-po isika, dia ho voavonjy amin’ny ota rehetra. Tamin’ny mbola tsy nahafantatra ny filazantsara isika dia mpanota. Nefa lasa olo-

marina rehefa nanomboka nino ny famonjen’i Jesosy ary avy eo lasa zanak’Andriamanitra. Izany no finoana hahatonga olo-marina izay voalazan’i apositoly Paoly. Ny finoana ny filazantsaran’ny fanavotana no manao antsika ho “olo-marina.”

Na ny apositoly Paoly na Abrahama, na ny mpino voalohany, tsy nisy lasa olo-marina noho ny asany fa noho ny finoany sy ny fanekeny ny tenin’Andriamanitra, ny tenin’ny tso-dranony.

Ao amin’ny Hebreo 10:18 “Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.” Araka ny voasoratra, novonjen’Andriamanitra isika mba tsy ho faty intsony noho ny ota. Mino ve hianareo? Amen.

Ao amin’ny Filipiana 2, “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa. Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho

Page 260: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

260 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny Hazo fijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray” (Filipiana 2:5-11).

Tsy nalaza Jesosy noho ny nankany endriky ny mpanompo. Tonga toa ny olona rehetra Izy.

Nanetry tena Izy ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana hamonjena antsika.

Ka, hidera an’i Jesosy isika? “Izy no Andriamanintsika, ny Mpamonjy sy ny Mpanjaka.” Manome voninahitra an’Andriamanitra isika sy midera an’i Jesosy satria Jesosy nanaiky ny sitrapon’i Ray hatramin’ny farany. Raha tsy nanaiky Izy, tsy afaka nanome voninahitra an’i Zanak’Andriamanitra isika ankehitriny. Fa satria ny Zanak’Andriamanitra nanaiky ny sitrapon’i Ray hatramin’ny fahafatesany, ny zavatra nahariny rehetra sy izao tontolo izao dia midera Azy ary hanao an’izany mandrakizay.

Page 261: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

261 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Mpanota ve isika raha manota rahampitso?

Tsia. Satria efa nesorin’i Jesosy ny ota

rehetra, ny lasa, ny ankehitriny sy ny ho avy

Lasa Zanak’ondrin’Andriamanitra Jesosy

Kristy izay nanaisotra ny otan’izao tontolo izao ary voasoratra fa nalainy tamin’ny Batisany izany. Ankehitriny, 2000 taona no lasa hatramin’ny nanesorany ny otan’izao tontolo izao. Ary satria hianareo sy izaho miaina amin’ity tany ity hatramin’ny nahaterahana, ny otantsika rehetra dia anatin’izao tontolo izao.

Raha tsy manao fanavahana amin’ny ota voalohany sy ny heloka isan-andro isika, tsy nanota ve isika hatramin’ny nahaterahana?

Fantatr’i Jesosy fa nanota isika hatramin’ny andro nahaterahana ka hatramin’ny andro fahafatesana ary nesoriny mialoha ny ota rehetra. Mahita an’izany ve hianareo ankehitriny? Raha miaina 70 taona isika, ampy ameno camion jato ny otantsika. Nefa Jesosy nanaisotra ny ota rehetra an’izao tontolo izao indray mandeha amin’ny Batisany. Nalainy teo Aminy ny otantsika rehetra teo amin’ny Hazo fijaliana.

Raha ny ota voalohany ihany no nesorin’i Jesosy, tokony ho faty isika ary mankany amin’ny afobe. Raha tsy matsiaro aza isika fa afaka nanaisotra ny otantsika rehetra Izy, tsy hampiova na inona na inona izany, fa Jesosy namafa ny otantsika rehetra.

Firy ny ota ataontsika eto an-tany? Ny ota ataontsika dia ao anatin’ny otan’izao tontolo izao.

Tamin’i Jesosy nangataka an’i Jaona Batista

Page 262: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

262 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ho atao batisa, izany mihitsy no tiany ho lazaina. Jesosy nanambara fa naka ny otantsika. Nandefa ny Mpanompony alohan’i Jesosy Andriamanitra ary nampanao batisa an’i Jesosy azy. Ary tamin’ny nanaovan’i Jaona batisa Azy, Jesosy izay solon-tenan’ny olombelona, raha niondrika teo anoloany atao batisa, dia nanaisotra ny otan’ny olombelona rehetra.

Ankehitriny, ny otan’ny 20 hatramin’ny 30, 30 hatramin’ny 40, sns..raha ny otan’ny zanantsika aza dia ao anatin’ny otan’izao tontolo izao izay nesorin’i Jesosy tamin’ny Batisany.

Iza no afaka hiteny fa tsy misy ota eto an-tany? Nanaisotra ny otan’izao tontolo izao Jesosy ary voavonjy daholo isika raha mino ao am-po, tsy misy fisalasalana, amin’izay nataon’i Jesosy hanavotana ny otantsika: ny Batisany sy ny Ra saro-bidy izay nalatsany.

Maro ny olona manana fiainana

misamboaravoara ao anatin’ny saina samy irery izay miresaka momba ny fiainany toa tsy misy zavatra hafa noho izany. Maro ny olona, izaho anisany, no nanana fiainana nisamboaravoara. Ahoana no tsy tokony hazahoantsika na tsy hanekentsika ny filazantsaran’ny fanavotana, ny batisan’i Jesosy sy ny Rany?

TANTERAKA NY FAMONJENA NY MPANOTA

Maninona Jesosy nanasa ny tongotr’i Petera?

Satria tiany hanana finoana mafy Petera amin’ny hoe efa nodioviny

ny ota rehetra ho avy amin’ny alalan’ny Batisany

Page 263: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

263 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Vakiantsika Jaona 19 “Ary Izy nitondra ny Hazo fijaliana, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanohomboana Azy tamin’ny Hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany. Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’NY JIOSY. Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy maro, fa akaikin’ny tanàna ny tany izay nanohomboana an’i Jesosy tamin’ny Hazo fijaliana, ary voasoratra tamin’ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany” (Jaona 19:17-20).

Ry Namana malala, nanaisotra ny otan’izao tontolo izao Jesosy Kristy ary nalefa nobomboan’i Pilato amin’ny Hazo fijaliana Izy. Ankehitriny, miheritreritra an’ny zava-niseho

isika. Ao amin’ny andininy 28 “Ary rehefa afaka

izany, dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho. Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ny Hysopa ka nataony tamin’ny vavany. Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita. Dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny” (Jaona 19:28-30).

Ary telo andro avy eo, nitsangana tamy ny maty Izy ary niakatra any an-danitra. Ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista sy ny Fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana dia mikambana, tsy misy antony ny fisian’ny iray raha tsy misy ny iray hafa. Ka, aoka isika hidera an’i Tompo Jesosy amin’ny famonjeny antsika niaraka tamin’ny filazantsaran’ny fanavotany.

Page 264: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

264 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny nofon’ny olona dia manaraka foana ny fitsiritan’ny nofo ary tsy afaka mijanona tsy manota ara-nofo isika. Nanome ny Batisany Jesosy Kristy ary ny Rany hamonjena antsika amin’ny ota. Namonjy antsika amin’ny ota ara-nofo Izy miaraka ny Filazantsarany.

Ary ny rehetra dia afaka miditra ny fanjakan’ny lanitra, na oviana na oviana, raha mino an’i Jesosy, izay teraka tao Betelehema, izay natao batisa tao amin’ny Jordana, izay maty teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamy ny maty telo andro avy eo. Ka, hidera an’ny Tompo isika ary hanome voninahitra ny Anarany mandrakizay.

Ao amin’ny antoko faran’i Jaona; nankany Galilia Jesosy rehefa avy nitsangana tamy ny maty. Nankany amin’i Petera Izy ary niteny taminy hoe “Simona zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireo?”

ary Petera namaly hoe “Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho.” Ary hoy Jesosy taminy “Fahano ary ny ondrikeliko!”

Tonga saina Petera amin’ny zavatra rehetra, ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny Rany, ny fanavotana ny ota. Ankehitriny, satria mino ny filazantsaran’ny rano sy ny ra, ny fanavotana izy ary tonga saina amin’ny antony nahatonga an’i Jesosy nanasa ny tongony, nihamafy ny finoana an’i Jesosy.

Vakiantsika indray Jaona 21:15 “Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireo? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.” Afaka nanankina ny ondrikeliny an’i Petera Izy satria Mpianany Petera, satria voavonjy tanteraka Petera ary satria lasa

Page 265: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

265 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mpanompon’Andriamanitra marina sy lavorary Petera.

Raha lasa mpanota Petera tamin’ny otany isan-andro, tsy navelan’i Jesosy hitory ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota izy, satria izy ny mpianatra hafa tsy afaka ny tsy hanota ara-nofo isan-andro. Nefa nasain’i Jesosy nitory ny filazantsara izy izay namafa ny otany rehetra satria nino ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana zareo, nino ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota.

TOMPOKO, HIANAO MAHALALA FA TIA ANAO AHO

Ho lasa mpanota indray ve hianareo raha manota indray?

Tsia. Nesorin’i Jesosy ny otanareo ho

avy rehetra teo amin’ny Jordana Aoka isika heritreritra ny tenin’i Jesosy

tamin’i Petera “Simona zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireo? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho.” Ny fanekeny am-pitiavana dia marina, nataony araka ny finoana amin’ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota. Raha tsy nampianatra ny filazantsaran’ny fanavotana an’i Petera sy ny mpianany Jesosy,

Page 266: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

266 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tamin’ny fanasany ny tongony, tsy afaka nanaiky ny fitiavany toa izany ireo.

Ho solon’izany, rehefa nanatona azy Jesosy ary nanontany “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireo?” Tokony namaly Petera hoe “Tompoko, tsy lavorary aho ary mpanota. Mpanota tsy afaka ho tia Anao mihoatra an’izany. Mialà amiko.” Ary tokony nandositra Petera sy niafina an’i Jesosy.

Nefa, aoka ho heritreritintsika ny navalin’i Petera. Nahazo tso-drano izy tamin’ny filazantsaran’ny fanavotana, ny batisa sy ny ran’i Jesosy izay namonjy an’ny olombelona.

Ary hoy izy: “Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho.” Io fanekem-pitiavana io dia avy amin’ny finoany ny tena filazantsaran’ny fanavotana, izay nanesoran’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao, na ny ota ho avy aza izay ataon’ny olona noho ny tsy

fahalavorariany sy ny falemeny ara-nofo. Satria Petera nino mafy ny filazantsaran’ny

fanavotana ny ota ary satria nino koa izy fa Jesosy no Zanak’ondrin’Andriamanitra, afaka namaly an’i Tompo tsy misy filasalasalana izy. Ny famonjen’i Jesosy avy amin’ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota ary voavonjy ny otany isan-andro Petera. Nino ny filazantsaran’ny fanavotana ny otan’izao tontolo izao Petera.

Tahaka azy ve hianareo? Afaka ny tia sy hino an’i Jesosy izay nanaisotra ny otan’izao tontolo izao ho antsika miaraka ny filazantsaran’ny fanavotana, ny Batisany sy ny rany, ve hianareo? Ahoana no tsy hinoantsika sy tsy hitiavantsika Azy? Tsy misy safidy hafa.

Raha nanala ny otan’ny lasa na ny ankehitriny Jesosy, ary namela ny ota ho avy, tsy afaka nidera Azy isika ankehitriny. Ary ho an’izany,

Page 267: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

267 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tokony ho any amin’ny afobe isika. Ka tokony manaiky isika fa voavonjy noho ny finoana ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota rehetra.

Ny nofo mitarika antsika foana amin’ny ota ary manota foana isika. Ka tokony hanaiky isika fa voavonjy noho ny finoana ny filazantsaran’ny fanavotam-be izay nomen’i Jesosy, ny batisa sy ny ran’i Jesosy.

Raha tsy mino ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota isika, ny batisa sy ny ran’i Jesosy, tsy misy mpino ho voavonjy amin’ny ota mandritra ny fiainany manontolo. Ary raha voahavotra an’ny otan’ny fiainana rehetra isika amin’ny fanekena azy sy ny fibebahana azy, angamba isika malaina loatra ny hijanonana olo-marina lava ary dia nanana ota foana ao am-po.

Araka izany, mbola ho mpanota isika ary tsy afaka ho tia an’i Jesosy sy hanakaiky Azy. Avy eo, tsy afaka ny hino ny famonjen’i Jesosy isika

ary tsy afaka ny hanaraka Azy hatramin’ny faran’ny fiainantsika.

Nefa nanome ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota ho antsika Jesosy ary namonjy ireo izay mino. Lasa Mpamonjy lavorary Izy ary nanadio ny heloka rehetra izay ataontsika isan-andron’ny fiainantsika mba hitiavantsika Azy marina.

Ankehitriny izany, isika, mpino, tsy afaka ny tsy tia ny filazantsaran’ny batisa sy ny ran’i Jesosy, ny filazantsaran’ny fanavotana ny otantsika. Mety tia mandrakizay an’i Jesosy ny mpino rehetra ary ho lasa babon’ny fitiavan’ny famonjena amin’ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota izay nomen’i Jesosy.

Ry tiako isany, raha namela na ota kely aza Jesosy, tsy afaka ny hino an’i Jesosy hianareo na ho tonga vavolombelon’ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota. Tsy afaka niasa ho mpanompon’Andriamanitra hianareo.

Page 268: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

268 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Nefa raha mino ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota hianareo, dia ho voavonjy ny otan’izao tontolo izao. Mamonjy anareo amin’ny otan’izao tontolo izao Izy. Ho tonga saina hianareo amin’ny tena filazantsaran’ny fanavotana voalaza amin’ny tenin’i Jesosy.

MOA NY FITIAVANAO AHY MIHOATRA NOHO NY FITIAVAN’IREO?

Inona no hitiavantsika an’i Jesosy mihoatra ny hafa?

Ny fitiavany ho antsika amin’ny Batisany

izay nanasa ny otantsika rehetra, na ny ota ho avy aza

Andriamanitra dia nanankina ny Zanak’ondrikeliny amin’ny Mpanompony izay nino ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota. Nanontany intelo Jesosy “Simona zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireo?” Ary Petera namaly foana “Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho.” Aoka isika hiheritreritra an’i Petera. Hitantsika fa tsy sitrapony ny nilaza an’izany fa noho ny finoany ny filazantsaran’ny fanavotana ny otan’izao tontolo izao.

Rehefa tia olona ary raha avy amin’ny sitrapontsika io fitiavana io, mety miroahana io fitiavana io rehefa lasa malemy isika. Nefa raha avy amin’ny herin’ny fitia izy dia hitoetra mandrakizay. Toa izany ny fitiavan’Andriamanitra, izany no fanavotam-be ny otantsika rehetra, ny famonjena amin’ny ranon’ny batisan’i Jesosy sy ny Fanahy.

Page 269: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

269 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny finoantsika ny filazantsaran’ny fanavotana ny otan’izao tontolo izao tsy maintsy lasa fototrin’ny asantsika ho an’i Tompo sy ny fitiavantsika Azy. Raha mino Azy fotsiny isika araka ny sitrapo, dia ho tafintohina rahampitso ary hankahala tena amin’ny farany noho ny heloka. Nefa Jesosy nanaisotra ny otantsika rehetra: ny ota voalohany, ny otantsika isan-andro efa lasa, ny ota ho avy ary ny otan’ny fiainantsika rehetra. Tsy nisy olona navelany ivelan’ny famonjeny eto an-tany.

Eny. Raha fehezin’ny sitrapo ny fitiavantsika sy ny finoantsika; dia ho very ny finoantsika. Nefa, satria ny fitiavana sy ny finoantsika voafehin’ny filazantsaran’ny fanavotana izay nomen’i Jesosy, efa lasa zanak’Andriamanitra isika, olo-marina. Satria mino ny famonjena amin’ny rano sy ny Fanahy isika, dia tsy misy ota.

Ary satria ny famonjentsika avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra, fa tsy avy amin’ny finoan-tena, ny lalàn’ny tena famonjena amin’ny fanavotana ny otantsika, olo-marina isika na tsy lavorary sy malemy aza amin’ny tena fiainana. Ho any amin’ny fanjakan’ny lanitra isika ary hanome voninahitra an’Andriamanitra, mandrakizay. Mino ve hianareo?

Hoy Jesosy “Tsy hoe noho ny fitiavanao Ahy fa satria tiako hianao.” “Izany no fitiavana, tsy hoe tia Ahy hianao fa Izaho no tia anao.” Novonjen’i Jesosy tamin’ny rano sy ny Fanahy isika, ka hanana ny finoana ny filazantsaran’ny fanavotana, ny batisan’i Jesosy sy ny rany.

Raha tsy novonjen’Andriamanitra amin’ny filazantsaran’ny fanavotana isika, dia tsy ho voavonjy mihitsy na inona na inona ny habehan’ny finoantsika. Nefa Jesosy nanaisotra ny ota rehetra izay ataontsika am-po sy ara-nofo.

Page 270: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

270 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Mba hinoantsika an’Andriamanitra, mba hatonga antsika ho olo-marina, tsy maintsy mahazo antoka an’ny famonjena isika, amin’ny finoana ny tenin’ny rano sy ny Fanahy, ny filazantsaran’ny fanavotana. Ny filazantsaran’ny fanavotana ny otan’izao tontolo izao dia ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny Rany. Ny filazantsaran’ny fanavotana no tena finoana, no tena fototrin’ny famonjena, no fototrin’ny filazantsaran’Andriamanitra.

NY OLONA TOKONY HAMETRAKA ANILAKA NY FINOANA AVY AMIN’NY SITRAPONY

Avy aiza ny tena finoana?

Avy amin’ny fitiavan’i Tompo izay nanasa ny ota rehetra ho avy

Ny finoana na ny fitiavana avy amin’ny

sitrapon’ny tsirairay dia tsy tena fitiavana na tena finoana. Maro eto an-tany izay tany amboalohany nino an’i Jesosy ara-sitrapony nefa miala tanteraka amin’ny finoany noho ny ota ao am-pony.

Tokony ho fantantsika fa nosasan’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao, tsy ny heloka kely ihany akory, fa koa ny ota lehibe izay ataontsika noho

Page 271: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

271 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny tsy fahalalana. Ary ao amin’ny Jaona 13, hampianarany

an’ny mpianany ahoana ny Famonjeny no hafono antsika, namory ny Mpianany Jesosy alohan’ny nohomboana Azy. Alohan’ny nihinanany ny sakafo hariva miaraka ny Mpianany, nosasany ny tongony mba hampisehovana azy ny zava-dehibe amin’ny Famonjeny. Tokony hafantatra sy hino ny filazantsaran’ny fanavotana isika izay nampianarin’i Jesosy ny mpianany alohan’ny nanasany ny tongony.

Nefa tamin’ny voalohany, nandà mafy ny fanasan’i Jesosy ny tongony Petera: “Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao.” Io dia tena fitenim-pinoana avy amin’ny sitrapony. Nefa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho fantatrareo rahatrizay.”

Ankehitriny, amin’ny filazantsaran’ny rano sy

ny Fanahy, mazava amintsika ny tenin’i Jesosy. Tenin’ny fahamarinana ireo, tenin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ny fanavotana ny ota, izay mahatonga ny mpanota ho olo-marina rehefa mino amin’ny fony.

Nandeha nanjono niaraka ny mpianatra hafa Petera. Nanjono tahaka ny nataony tamin’izy nifanena tamin’i Jesosy. Ka nitsanga teo anolohany Jesosy ary niantso azy ireo. Nanomana sakafo maraina ho azy ireo Jesosy ary teo am-pisakafoanana, tonga saina Petera amin’ny dikan’ny teny nolazain’i Jesosy Taloha “Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho fantatrareo rahatrizay.” Farany nazava ny tian’i Jesosy lazaina tamin’ny fanasany ny tongony.

“Nosasan’i Tompo ny otako rehetra. Ny ota izay nataoko noho ny fahalemeko, anisan’izany ny ota ho avy.” Ka navelan’i Petera ny finoana

Page 272: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

272 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

araka ny sitrapony ary nanomboka nino ny batisa sy ny ran’i Jesosy izy, ny filazantsaran’ny fanavotana.

Tao aorian’ny sakafo, nanontany an’i Petera Jesosy “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireo.” Ary ankehitriny, Petera niamafy noho ny finoany ny fitiavan’i Jesosy, nanaiky toa izao “Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho.” Afaka nilaza an’izany Petera satria tonga saina izy amin’izay tian’i Jesosy nolazaina “Fa ho fantatrareo rahatrizay.” Afaka nanaiky ny tena finoana izy, ny finoana ny batisa sy ny ran’i Jesosy, ny filazantsaran’ny fanavotana.

AVY EO, LASA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA IZY

Ahoana no hatongavanareo tena

mpanompon’Andriamanitra?

Amin’ny finoana ny Fanavotany mandrakizay ny ota rehetra

Ka avy eo, Petera sy ny mpianatra hafa, nitory

ny filazantsara hatramin’ny faran’ny androny. Na i Paoly aza, izay nanenjika mafy ny Kristiana, nanambara ny filazantsara nandritra an’ireo fotoana sarotra tamin’ny andron’ny Romana.

Amin’ny mpianatra roa amby folo, Jodasy no nivarotra an’i Jesosy ary nananton-tena izy avy eo. Ary ny apositoly Paoly no naka ny toerana. Ny mpianatra no nifidy an’i Matiasy hiaraka

Page 273: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

273 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

aminy, nefa Andriamanitra nifidy an’i Paoly ary Paoly lasa apositolin’i Jesosy ary nitory ny filazantsaran’ny fanavotana miaraka ny mpianatr’i Jesosy hafa.

Ny akabehazan’ny mpianatr’i Jesosy maty martiora. Raha nampatahorana ho faty aza ireo dia nanohy nitory ny filazantsara voalohany.

“Jesosy Kristy nanasa ny otan’ny nofo rehetra tamin’ny Filazantsaran’ny batisa sy ny ra, ny Filazantsaran’ny fanavotany. Nanaisotra ny ota rehetra amin’ny Batisany teo amin’ny Jordana Jesosy ary nahazo ny fitsarana ho anareo teo amin’ny Hazo fijaliana. Minoa ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana ary ho voavonjy anie hianareo.”

Ary maro no voavonjy nihaino ny filazantsara sy nino azy. Izany no herin’ny finoana ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy, ny rany sy ny

Fanahy. Nitory ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy

ny mpianatra, “Jesosy no Andriamanitra sy Mpamonjy.” Ary satria nanambara ny filazantsaran’ny rano sy Fanahy izy ireo, hianareo sy izaho ankehitriny, afaka miaino ny filazantsaran’ny batisa sy ny ran’i Jesosy, ny famonjena ary voavonjy amin’ny ota. Noho ny fitiavana tsy misy fetr’Andrimanitra sy ny fahatanterahan’ny famonjen’i Jesosy, lasa mpianatr’i Jesosy isika.

Mino daholo ve hianareo? Tia antsika tokoa Jesosy ka nanome ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ny fanavotana ary lasa mpianatr’i Jesosy marina isika. Ary hampianarana ny tena filazantsaran’ny fanavotana, nosasan’i Jesosy ny tongotrin’ny mpianany.

Nanasa ny tongotrin’ny Mpianany Jesosy hampianarana azy ireo sy antsika koa, fa ny

Page 274: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

274 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

otan’izao tontolo izao, ny ota izay ataontsika amin’ny fiainana, voasasa tanteraka tamin’ny fanaovana batisa an’i Jesosy sy ny latsa-dràny teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary misaotra an’i Jesosy isika ho an’ny Fitiavany sy ho an’ny filazantsaran’ny fanavotana.

Nampianatra zavatra roa antsika Jesosy tamin’ny fanasana ny tongotrin’ny mpianatra. Voalohany, hampianarana azy araka ny voalazany “Izay ataoko dia tsy fantatrareo ankehitriny, fa ho fantatrareo rahatrizay,” fa ny otantsika rehetra dia voasasa amin’ny filazantsaran’ny fanavotana, ny batisan’i Jesosy sy ny Rany.

Hampianarana azy ireo fa tahaka ny nanetre-tenan’i Jesosy hamonjena ny mpanota ary hatonga azy marina, ny ateraka indray, tokony hanompo ny afa amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fanavotana. Ho antsika fotsiny

izay tonga voalohany hanompo ny manaraka. Ny antony roa nanasan’i Jesosy ny

tongotrin’ny mpianany tamin’ny andron’ny Paska dia mazava. Ary mbola misy ao am-piangonana foana izany.

Ny mpianatra tsy avo noho ny mpampianatra. Ka mitory ny filazantsara ho an’izao tontolo izao isika ary manompo azy tahaka ny hanompontsika an’i Jesosy. Ary, isika izay voavonjy voalohany, manompo ny manaraka. Hampianarana azy, nosasan’i Jesosy ny tongotrin’ny mpianany. Koa amin’ny fanasana ny tongotr’i Petera, namposeho antsika izy fa tena Mpamonjy antsika mba tsy ho voafitakin’ny devoly intsony isika.

Afaka ho voavonjy hianareo raha mino ny filazantsaran’ny fanavotana, ny rano sy ny Fanahy. Nosasan’i Jesosy ny otantsika rehetra amin’ny Batisany, ny fanohomboana Azy sy ny fitsanganany amy ny maty nefa izay mino ny

Page 275: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

275 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Filazantsarany ihany no ho voavonjy amin’ny otan’izao tontolo izao, rahatrizay.

FANANANA NY FINOANA NY FILAZANTSARA IZAY NANASA NY OTANTSIKA REHETRA ISAN- ANDRO

Afaka manakana ny fitakin’ny devoly isika

amin’ny finoana ny filazantsaran’ny fanavotana, ny tenin’ny rano sy ny Fanahy. Mora voafitakin’ny devoly ny olona ary mibitsibitsika aminy foana ny devoly. Amin’ny fahafantarana fa manota ny nofon’ny olona eto an-tany, ahoana no mety tsy hananany ota intsony? Mpanota avokoa ny olona rehetra.

Fantantsika ny valiny. “Amin’ny fahafatarana

fa nanaisotra ny otan’ny nofo rehetra Jesosy tamin’ny Batisany, ahoana no maha mpanota ny mpino? Raha nandoa tanteraka ny tambin’ny otantsika Jesosy, inona sisa ny ota tokony aloa?”

Raha tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny ra hianareo, toa hendry ny tenin’ny devoly. Nefa raha manana ny filazantsara isika, afaka hanana finoana tsy azo ovana amin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra.

Ka, tokony hanana ny finoana amin’ny filazantsaran’ny fahaterahana indray amin’ny rano sy ny ra isika. Ny tena finoana dia ny mino ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy, ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana, ny Fahafatesany ary ny Fitsanganany amy ny maty.

Efa nahita ny sarin’ny tabernakely masina ve hianareo? Trano kely voazara roa, ny ivelany no toerana masina ary ny anatiny no toerana masina indrindra misy ny alitara.

Page 276: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

276 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Misy andry 60 ao ivelan’ny tabernakely masina izay aty ivelany anaty kianja ary misy hazo fisaka 48 eo amin’ny toerana masina indrindra. Tokony hanana ny sarin’ny tabernakely ao am-po isika mba hazahoana ny tenin’Andriamanitra.

MIARAKA AMIN’INONA NO NANAOVANA NY VAVAHADIN’NY KIANJAN’NY TABERNAKELY?

Amin’inona no nanaovana ny vavahadin’ny kianjan’ny

tabernakely?

Lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy

madinika voahasina

Ny vavahadin’ny kianjan’ny tabernakely dia voalaza ao amin’ny Eksodosy 27:16 “Ary eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roampolo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra; ny efatra ny tsangantsangany ary ho efatra ny faladiany.” Ny nanaovana ny kianjan’ny tabernakely dia lamba manga, volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika. Ary nataon’ny mahay tenona samy hafa soratra.

Nandidy an’i Mosesy hanenona an’ny vavahady ho managa, volomparasy sy mena Andriamanitra mba hanamora ny fahitana ny fidirana. Ary andry efatra no nitana an’ilay vavahady lamba manga, volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.

Ary ireo efatra ireo manohitra ny sarin’ny

Page 277: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

277 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

famonjen’Andriamanitra izay entiny hamonjena izay rehetra mino ny Zanany, ny batisa sy ny ran’i Jesosy ary nahafantatra fa Izy no Andriamanitra.

Nanana dikany manokana ny fitaovana tsirairay nanaovana ny tabernakely ary izany dia maneho ny tenin’Andriamanitra sy ny Fikasany hamonjena ny olombelona amin’ny alalan’i Jesosy.

Ankehitriny firy ny fitaovana ampiasaina hanaovana ny vavahadin’ny kianjan’ny tabernakely? Manga, volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika. Ary ireo efatra ireo dia tena mampiseho tsara ny hevitra hanamafy ny finoantsika an’ny filazantsaran’ny ateraka indray. Raha tsy nisy dikany ireo dia tsy nosoritan’ny Baiboly tahaka izany.

Ary satria ireo fitaovana rehetra nanaovana ny vavahadin’ny tabernakely sy ny kianja anatiny

nisy dikany manonkana amin’ny famonjena izay nanasa ny ota isan-andro, ny fahotana voalohany sy ny fahotana ho avy, dia tokony ho vita manga, volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika. Ka, nanambara an’ireo zavatra rehetra ireo an’i Mosesy Andriamanitra ary niteny azy hanaraka tsara ny voalazany.

INONA NO DIKAN’NY MANGA, NY VOLOMPARASY SY MENA AO AMIN’NY FILAZANTSARAN’ANDRIAMANITRA

Mampiseho inona ny fitaovana nampiasaina ho an’ny

tabernakely?

Ny famonjen’Andriamanitra amin’ny Batisany

Page 278: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

278 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ao amin’ny tabernakely masina, ny manga, volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika dia nampiasaina ho an’ny sarona izay niantona manelanelana ny toerana masina sy ny Toerana masina indrindra. Ary ireo fitaovana ireo dia nampiasaina koa amin’ny akanjon’ny mpisorona avo izay niasa tamin’ny tabernakely.

Ny kofehy manga mampiseho ny batisan’i Jesosy. Ao amin’ny 1 Petera 3:21 voalaza “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io.” Ny batisan’i Jesosy izay nanesorany ny otan’izao tontolo izao dia namafisin’i Petera amin’io andininy io ho toa ny tandindon’ny famonjena ny fanavotana. Ny otantsika rehetra, ny otan’izao tontolo izao dia nifindra teo amin’i Jesosy tamin’ny Batisany. Ka ny kofehy manga, ny batisa, dia tena zava-dehibe amin’ny tenin’ny famonjena.

Ny kofehy mena mampiseho ny ran’i Jesosy

ary ny kofehy volomparasy mampiseho ny fiandrianan’ny mpanjaka, ny maha Mpanjaka sy Andriamanitra an’i Jesosy. Ka ireo volo telo ireo dia nilaina ho an’ny finoantsika an’i Jesosy sy ny Famonjeny.

Ilay akanjo kanto noentin’ny mpisorona avo natao hoe efoda ary manga io akanjo efoda io. Teo amin’ny andrin’ny mpisorona nisy lamba nisy takela-bolamena tsara mitondra ny soratra hoe “HAMASININA HO AN’I JEHOVAH.” Ary voatana tamin’ny kofehy manga io lamba io.

NY KOFEHY MANGA MANEHO NY FAHAMARINANA

Maneho inona ny lamba manga?

Ny batisan’i Jesosy

Page 279: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

279 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Nitady ny dikan’ny kofehy manga tao amin’ny Baiboly aho. Inona no lazain’ny Baiboly momban’ny manga? Tokony fantantsika ny dikan’ny lamba manga teo anisan’ny manga, volomparasy ary mena.

Ny lamba manga maneho ny batisan’i Jesosy. Jesosy Kristy nataon’i Jaona Batista batisa hanesorana ny otan’izao tontolo izao (Matio 3:15).

Raha tsy nanaisotra ny otan’izao tontolo izao tamin’ny Batisany Jesosy, isika, mpanompo mahatoky, tsy voahamasinina eo anatrehan’Andriamanitra. Ka tsy maintsy tonga teto an-tany Jesosy Kristy ary nataon’i Jaona Batista batisa teo amin’ny ony Jordana hanalana ny otan’izao tontolo izao.

Ny anton’ny lamba manga teo amin’ny vavahadin’ny tabernakely dia hoe tsy afaka hamasinina isika raha tsy misy ny batisan’i

Jesosy. Ny loko mena maneho ny fahafatesan’i

Jesosy. Ny volomparasy maneho ny Fanahy izay mahatonga an’i Jesosy ho “Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (1 Timoty 6:15).

Ny mena maneho ny ran’i Kristy izay nalatsaka teo amin’ny Hazo fijaliana handoavana ny tambin’ny otan’ny olombelona. Tonga nofo teto an-tany Jesosy Kristy hanaisotra ny otan’ny olombelona eo Aminy, alohan’ny fanolon-tenany teo amin’ny Hazo fijaliana ho an’ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota. Ny batisan’i Jesosy no tena filazantsaran’ny fanavotana izay naminanina tamin’ny lokon’ny lamba nampiasaina amin’ny tabernakely tao amin’ny Testamenta Taloha.

Ny andrin’ny tabernakely dia vita amin’ny hazo akasia ary ny tavi-drano dia vita amin’ny

Page 280: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

280 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

varahina ary voasarona takelam-bolafotsy ireo vilany fandraofan-davenona.

Tsy maintsy tsaraina amin’ny otany ny mpanota rehetra satria ny fahafatesana no tambin’ny ota. Alohan’ny hazahoan’ny olona ny fitahian’Andriamanitra mba avelomany indray, tsy maintsy tsaraina ho an’ny otany izy.

Nefa ny batisan’i Jesosy ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay aseho amin’ny kofehy mangan’ny tabernakely, dia nanaisotra ny otantsika rehetra. Nalainy ny otantsika teo amin’ny Hazo fijaliana, nalatsa-drà sy notsaraina Izy ho an’izany ary namonjy antsika, isika mpanompo mahatoky, amin’ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota. Izy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Andriamanitra Masina.

Ry malala isany, ny batisan’i Jesosy no famonjen’i Jesosy, izay namonjy antsika tamin’ny fanesorana ny otantsika rehetra. Jesosy,

izay Andriamanitra, tonga nofo teto an-tany; natao batisa Izy mba hanalana ny otan’izao tontolo izao; noboina sy nalatsa-dra teo amin’ny Hazo fijaliana Izy handraisana ny fitsarana ho antsika. Ary ny batisan’i Jesosy no milaza amintsika tsy misy aloka fa Izy no tena Mpamonjin’ny olombelona.

Hitantsika amin’ny loko nampiasaina ho an’ny vavahadin’ny tabernakely koa izany. Ny rongony fotsy madinika maneho ny famonjeny antsika rehetra tsy misy avaka amin’ny otan’izao tontolo izao.

Ny fanaovana amboridao manga, volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika ny vavahady dia filazana antsika mazava ny fahamarinan’ny famonjen’Andriamanitra. Io no tena zava-dehibe indrindra amin’ny famonjena ny fanavotana.

Hitantsika koa amin’ny fitaovana nanaovana

Page 281: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

281 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny vavahadin’ny tabernakely fa tsy namonjy antsika sendrasendra, tsy misy plana Jesosy Kristy. Izy, raha nanaraka tsara ny planan’Andriamanitra, natao batisa sy nohomboana tamin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamy ny maty mba hanatanteraka ny famonjen’ny olombelona. Miaraka ny manga, ny volomparasy sy ny mena, ny fitaovan’ny filazantsaran’ny fanavotana, namonjy izay nino ny Famonjeny Jesosy.

NY TAVI-DRANO VARAHINA AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA DIA MANEHO NY ALOKIN’NY BATISAN’NY TESTAMENTA VAOVAO

Maninona no nanasa ny tànany sy ny tongony ny mpisorona alohan’ny nidirany

tamin’ny toerana masina?

Satria tsy maintsy niseho tsy nisy ota teo anatrehan’Andriamanitra izy

Vita varahina koa ny tavi-drano. Ny varahina

maneho ny fitsarana izay nijalian’Andriamanitra ho antsika. Ary ny tavi-drano maneho ny tenin’ny filazantsara izay milaza amintsika fa voasasa ny helontsika rehetra.

Page 282: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

282 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Izany dia manoro antsika ny fomba fanaovana ny fanadiovana isan-andro. Io no alokin’ny fahamarinana fa mahazo diovina amin’ny finoana ny tenin’ny batisan’i Jesosy ny ota isan-andron’ny olombelona.

Ny alitaran’ny fanatitra odorana maneho ny fitsarana. Ary ny ranon’i Jesosy, izay manga, no filazantsaran’ny fanavotana ho an’ny ota, ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista (Matio 3:15, 1 Jaona 5:5-10).

Voasoratra ao amin’ny 1 Jaona 5 “Fa misy telo izay manambara, dia ny Fanahy sy ny rano ary ny ra, ary mifanaraka tsara izy telo.” Ary milaza amintsika koa izy fa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia mahazo ny fanambaran’ny rano, ny ra sy ny Fanahy aminy.

Navelan’Andriamanitra ho hanamasinina amin’ny finoana ny fialazantsaran’ny fanavotana isika ary hiditra ao amin’ny tabernakely masina.

Ka ankehitriny, afaka miaina miaraka ny finoana isika, velona amin’ny tenin’Andriamanitra, mahazo ny tso-dranony ary hihaina ny fiainan’ny olo-marina. Lasa vahoak’Andriamanitra midika hoe voavonjy noho ny finoana ny filazantsaran’ny fanavotana ary miaina ao amin’ny tabernakely masina.

Maro ny olona milaza fa ampy ny mino tsy miheritreritra ny dikan’ny loko manga, volomparasy sy mena eo amin’ny vavahadin’ny tabernakely. Raha mino an’i Jesosy isika nefa tsy mahafantatra Azy, tsy tena izy ny finoantsika satria hanana ota foana isika ao am-po. Manana ota foana ny olona ao am-po satria tsy mino ny fahamarinan’ny fahaterahana indray amin’ny filazantsaran’ny fanavotana amin’ny rano, ny ra sy ny Fanahy izy.

Raha manontany olona isika hanavinany olona tsy tena fantany ary raha te hankasitraka ny

Page 283: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

283 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mpiaino dia hiteny izy hoe “Eny, mino azy aho. Mbola tsy nifanena taminy aho nefa mino azy mandrakizay”; Mihevitra va hianareo fa ho faly ilay mandre an’izany? Angamba hisy vitsy nefa tsy izany no finoana angatahin’Andriamanitra antsika.

Andriamanitra mila antsika hino ny filazantsaran’ny fanavotana, ny famonjen’i Jesosy amin’ny manga (ny Batisany), ny volomparasy (ny maha mpanjaka azy) ary ny mena (ny ra). Tokony hanana ny finoana an’i Jesosy aloha isika ary mahafantatra ahoana no namonjeny ny ota.

Rehefa mino an’i Jesosy isika, tokony hafantatra ny fomba namonjeny antsika tamin’ny ota amin’ny alalan’ny rano (ny batisan’i Jesosy), ny ra (ny fahafatesany) ary ny Fanahy (Jesosy no Andriamanitra).

Rehefa mahafantatra tsara isika dia afaka

manandrana sy manana ny tena finoana. Tsy ho tanteraka ny finoantsika raha tsy mahafantatra ny marina. Tokana ny fiavian’ny tena finoana dia avy amin’ny fahafantarana ny fanambaran’ny famonjen’i Jesosy, ny filazantsaran’ny fanavotana ary ny finoana fa Jesosy no tena Mpamonjy ny olombelona.

Ka inona izany ny finoana izay mamazivazy an’i Jesosy? Aoka ho jerentsika.

NY FINOANA MAMAZIVAZY AN’I JESOSY

Inona no ilain’ny finoantsika?

Ny fahafantarana tsara

ny batisan’i Jesosy

Page 284: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

284 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Tokony ho fantatrareo fa ny finoana ara-sitrapo an’i Jesosy dia mamazivazy Azy. Raha mino hianareo fa “mafy ny mino, satria Izy no Andriamanitra sy Zanak’Andriamanitra, tsy maintsy mino aho” dia mamazivazy Azy hianareo. Tokony hino ny batisa sy ny ran’i Jesosy, ny filazantsaran’ny fanavotana hianareo.

Ny finoana an’i Jesosy tsy misy fahalalana momban’ny filazantsaran’ny fanavotana dia ratsy kokoa noho ny tsy mino mihitsy an’i Jesosy. Ny fitoriana ny filazantsara amin’ny finoana fotsiny ny ran’i Jesosy dia fiasam-poana tsy misy ny marina.

Tsy mila olona mitory amin’ny finoana ara-sitrapo Jesosy na olona minomino mpoana. Tiany ny mino Azy amin’ny fahalalana ny filazantsaran’ny fanavotana.

Rehefa mino an’i Jesosy isika dia mahafantatra fa ny filazantsaran’ny fanavotana

no batisa sy ran’i Jesosy. Rehefa mino an’i Jesosy isika, tokony hafantatra momban’ny filazantsaran’ny fanavotana avy amin’ny Teniny ary hafantatra marina ahoana no fomba nanesorany ny otantsika.

Ary tokony hafantatra isika ny dikan’ny manga, ny volomparasy sy ny mena teo amin’ny vavahadin’ny tabernakely masina. Ary avy eo isika vao manana ny tena finoana izay hitoetra mandrakizay.

Page 285: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

285 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

TSY AFAKA NY ATERAKA INDRAY ISIKA RAHA TSY MISY AN’I JESOSY IZAY ILOM-BONIN’NY MANGA, NY VOLOMPARASY SY NY MENA

Inona no nataon’ny mpisorona alohan’ny nidirana tao amin’ny

toerana masina?

Nanasa ny tànany sy ny tongony tao anaty tavi-drano varahina izy.

Namonjy antsika Jesosy Tompontsika. Tsy

afaka hijanona tsy hidera an’i Tompo isika rehefa mahita ny fomba tsara namonjeny antsika. Tokony hijery ny tabernakely isika. Nomeny antsika ny tenin’ny filazantsaran’ny fanavotana

amin’ny manga, ny volomparasy sy ny menan’ny tabernakely ary toa izany no namonjeny antsika. Misaotra sy midera an’i Tompo isika.

Tsy tafiditra ao anaty toerana masina ny mpanota raha tsy mahazo fitsarana mahatsiravina. Ahoana no fomba hidirana anaty toerana masina nefa tsy voatsara amin’ny ota? Tsy afaka. Raha misy olona toa izany tafiditra, tonga izy dia maty. Tsy ho fitahiana izany fa fahaverezana mandrakizay. Tsy afaka hiditra anaty toerana masina ny mpanota ary hihevitra ho velona.

Novonjen’i Tompo isika amin’ny zava-miafina ao amin’ny vavahadin’ny tabernakely. Miaraka ny manga, ny volomparasy sy ny mena sy ny rongony fotsy madinika, no namonjeny antsika. Milaza ny tsiambaratelon’ny Famonjeny Izy amin’ireo zavatra ireo.

Ankehitriny, voavonjy toa izany ve isika,

Page 286: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

286 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hianareo sy izaho? Raha tsy mino ny tenin’ny manga, ny volomparasy sy ny mena isika, dia tsy hisy ny filazantsaran’ny fanavotana. Ny loko manga tsy midika an’Andriamanitra fa maneho ny batisan’i Jesosy. Maneho ny batisan’i Jesosy izay nanaisotra ny otantsika rehetra.

Afaka hiditra hatramin’ny alitara fanaovana ny fanatitra odorana isika raha tsy mino ny lamba manga aza. Nefa tsy afaka miditra ao amin’ny Toerana Masina Indrindra izay misy an’Andriamanitra.

Ka alohan’ny hidirana ny vavahadin’ny tabernakely, tokony hino ny manga (ny batisan’i Jesosy) ny mena (ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana) sy ny volomparasy (Jesosy no Andriamanitra sy Zanak’Andriamanitra) isika. Rehefa mino an’izany ihany isika vao eken’Andriamanitra sy avelany hiditra ny trano lamban’ny Toerana Masina Indrindra.

Misy olona sasantrasany tafiditra ny kianjan’ny tabernakely ary mihevitra fa efa ao anatiny. Nefa tsy izany no famonjena. Hatraiza no tokony alehantsika mba ho voavonjy? Tokony afaka hiditra ny Toerana Masina Indrindra isika.

Mba hidirana ny Toerana Masina Indrindra, tsy maintsy mamita ny tavi-drano varahina aloha isika. Ny tavi-drano maneho ny batisan’i Jesosy ary tsy maintsy manasa ny otantsika isan-andro isika amin’ny batisan’i Jesosy ary ho voahasina isika hiditra ny toerana masina.

Ao amin’ny Testamenta Taloha, tsy maintsy misasa koa ny mpisorona vao tafiditra ary ao amin’ny Testamenta Vaovao, nanasa ny tongotrin’ny mpianany Jesosy hanohitra ny fanasana ny hekolin’ny fiainany.

Hoy ny lalàn’Andriamanitra “Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay no fanozam-pahasoavana avy

Page 287: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

287 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23). Mitsara ny otan’ny olona tsy misy avaka Andriamanitra nefa nafindrany teo amin’ny Zanani-lahy izany ary notsarainy tamin’ny toerany. Izany no fitiavan’Andriamanitra, ny Famonjeny. Ny tena famonjena dia azo avy amin’ny finoana ny filazantsaran’ny fanavotana, ny batisa, ny ra, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesosy tamy ny maty.

MBA ATERAHANTSIKA INDRAY, TSY TOKONY MANAO TSINONTSINONA NY TENIN’ANDRIAMANITRA ISIKA, NY FILAZANTSARAN’NY FANAVOTANA

Inona sisa no azontsika atao?

Ny mino ny tenin’Andriamanitra voasoratra

Tsy mbola nanao tsinontsinona ny olon-kafa

aho. Rehefa nisy olona niresaka tamiko momban’ny zavatra tsy fantatro dia mangataka fanazavana aminy aho. Nefa, raha mangataka ny dikan’ny tabernakely aho dia tsy misy afaka ny hanazava amiko.

Page 288: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

288 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ka inona no tokony ataoko? Tsy maintsy miverina amin’y Baiboly aho. Ankehitriny, ao amin’ny Baiboly, aiza no milaza momban’ny tabernakely? Voasoratra mazava ao amin’ny Eksodosy. Ary raha mamaky tsara am-pahamalinana, dia afaka hahazo ny tenin’Andriamanitra voasoratra.

Ry namana, tsy afaka ho voavonjy hianareo raha mino an’i Jesosy an-jamba. Tsy afaka ateraka indray hianareo amin’ny fandehanana lava any am-piangonana. Fantatrareo ny lazain’i Jesosy an’i Nikodemosy “Hianao va mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany? Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3).

Izay rehetra mino an’i Jesosy dia tokony hino ny manga (ny otan’izao tontolo izao lasa teo amin’i Jesosy tamin’ny Batisany), ny mena (ny

fahafatesan’i Jesosy ho an’ny otantsika rehetra) ary ny volomparasy (Jesosy no Mpamonjy, Andriamanitra sy Zanak’Andriamanitra).

Tsy maintsy mino isika fa Jesosy no Mpamonjin’ny mpanota rehetra eran-tany. Raha tsy misy an’io finoana io, tsy afaka ateraka indray isika, na hiditra ny toerana masin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afaka ny hiaina marina amin’ity tany ity isika raha tsy izany.

Tsy mora ve ny ateraka indray raha mino fotsiny an’i Jesosy? Eny. “Voavonjy hianareo. Voavonjy aho. Voavonjy daholo isika.” Tsara izany. Kanefa maro loatra ny mino an’i Jesosy nefa tsy ateraka indray.

Tokony mahafantatra ny marina voalazan’i Baiboly isika sady mino koa an’i Jesosy. Tokony mahafantatra ny filazantsaran’ny fanavotana ny ota ao anaty Baiboly sy ny dikan’ny manga, ny volomparasy sy ny mena hafahana miditra ao

Page 289: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

289 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny tabernakely sy hiaraka amin’Andriamanitra ao amin’ny fanjakan’ny finoana isika. Ao amin’ny tabernakelin’ny finoana afaka hiaina sambatra isika mandra-pandehanantsika any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Zava-dehibe ny mahafantatra ny fomba tsara finoana an’i Jesosy.

NY FILAZANTSARA VOALOHANY MITERAKA NY FANAMASINANA AMIN’NY MANGA

Inona no tena zava-dehibe ilaina amin’ny famonjena?

Ny batisan’i Jesosy

Indraindray mihevitra ny olona fa afaka miaina tsara tsy mifandiso mihitsy. Rehefa manandrana manao an’izany izy dia ho hitany aingana ny kilemany. Tsy lavorary ny olona ka tsy mety aminy ny tsy manota. Nefa satria novonjen’i Jesosy isika amin’ny manga, ny volomparasy sy ny mena, ny filazantsaran’ny fanavotana, voahasina isika ary afaka hiditra ny toerana masin’Andriamanitra.

Raha tsy novonjen’Andriamanitra tamin’ny manga, ny volomparasy sy ny mena isika dia tsy afaka hiditra irery mandrakizay amin’ny toerana masina. Satria nahoana? Raha ireo miaina tsara amin’ny nofony ihany moa no afaka miditra ao dia tsy hisy afaka hanao an’izany. Raha misy mino an’i Jesosy tsy misy ny filazantsara, manampy ota ao am-pony izy.

Novonjen’i Jesosy miaraka ny famonjeny voaplana tsara isika, ny famonjen’ny manga,

Page 290: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

290 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika. Nosasany ny otantsika rehetra. Mino an’izany ve hianareo? Eny. Ao am-ponareo ve ny fahamarinan’ny filazantsran’ny fanavotana sy ny fanambarana an’izany? Eny.

Rehefa mahazo ny fanambaran’ny filazantsara hianareo dia afaka mametraka eo amin’ny handrinareo ny soratra hoe “HAMASININA HO AN’I JEHOVAH” miaraka ny “fanjakà-mpisorona” (1 Petera 2:9). Rehefa vita izany vao afaka manatona ny olona hianareo ary miteny aminy fa mpanompon’Andriamanitra, miasa tahaka ny mpisorona.

Ny lamba teo amin’ny handrin’ny mpisorona dia nisy takela-bolamena ary io takelaka io voatana tamin’ny kofehy manga. Maninona manga? Satria novonjen’i Jesosy miaraka ny filazantsaran’ny fanavotana isika ary nanao antsika tsy misy ota Izy tamin’ny Batisany (ny

fametrahan-tànana ao amin’ny Testamenta Taloha, ny batisa ao amin’ny Testamenta Vaovao).

Raha tsy marisika hino an’i Jesosy aza isika, mety hahazo an’ilay takelaka misoratra hoe “HAMASININA HO AN’I JEHOVAH” nefa tsy misy an’ilay teny miafina ao amin’ny manga, ny volomparasy sy ny mena.

Ahoana no fomba hatongantsika ho olo-marina? Voasoratra ao amin’ny Matio 3:15 “Ekeo ihany ankehitriny fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Natao batisa Jesosy ary namonjy antsika amin’ny otan’izao tontolo izao. Lasa olo-marina isika satria natao batisa Izy ary nanaisotra ny otantsika rehetra.

Ahoana no azahoana milaza fa tsy misy ota isika nefa tsy misy ny batisan’i Jesosy? Raha mino an’i Jesosy aza isika, raha mitomany foana

Page 291: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

291 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

rehefa miheritreritra ny fanohomboana an’i Jesosy, ny ranomason’izao tontolo izao tsy afaka hanasa ny otantsika rehetra. Tsia. Raha mitomany aza isika sy mibebaka mafy, mijanona amintsika ny ota.

“HAMASININA HO AN’I JEHOVAH.” Satria nesoriny ny otantsika rehetra tamin’ny Batisany sy Rany, satria ny Tompo namela fa ny otan’ny mpanota hifindra teo amin’i Jesosy daholo, satria ny tenin’ny famonjena voasoratra ao amin’y Baiboly, lasa olo-marina isika amin’ny finoana raha misy kilema aza.

Ka afaka manatona an’Andriamanitra isika. Afaka miaina tahaka ny olo-marina isika ankehitriny ary mitory ny filazantsara amin’izao tontolo izao “Oh! Voavonjy aho! Voavonjy hianareo. Voavonjy daholo isika.” Voavonjy isika araka ny fikasan’Andriamanitra.

Raha tsy misy ny tenin’ny filazantsaran’ny

fanavotana ao am-pontsika, dia tsy hisy famonjena na manandrana mafy aza isika. Tahaka ny hira Koreana iray milaza fitiavana tsy voazara “Oh! mitepo mafy tsy misy antony ny foko rehefa mijery azy aho, isaky ny manakaiky azy. Angamba aho tia azy.” Mitepo mafy ny foko, fa tsy ny azy. Nefa tsy voazara ny fitiavako.

Ny olona mihevitra fa tonga amin’ny fomba samihafa ny famonjena ho an’ny tsirairay. Manontany izy “Maninona Izy tonga fotsiny amin’ny filazantsaran’ny batisa?” Raha tsy avy amin’ny filazantsaran’ny batisa Izy dia tsy tanteraka ny famonjena. Io no làlana tokana hatongavana olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra satria io no làlana tokana hanadiovana ny otantsika.

Page 292: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

292 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

INONA NO FAMONJEN’NY MANGA NOMEN’I JESOSY ANTSIKA?

Inona no nahatonga antsika ho olo-marina?

Ny filazantsaran’ny manga, ny

volomparasy sy ny mena Ny famonjena avy amin’ny filazantsaran’ny

manga, ny volomparasy sy ny mena dia fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ary io fanomezana io mamela antsika hiditra ny tabernakely masina sy hiaina ao, am-piadanana. Nataony olo-marina isika. Nataony olo-marina sy navelany hiaina ao amin’ny fiangonana, voatarikin’ny teny masin’ny fiangonana.

Isaky ny manatona an’Andriamanitra hivavaka isika, manome tso-drano antsika ny filazantsara

miaraka ny Fitiavany. Izany no maha tonga ny famonjena ho zava-dehibe ho antsika. Asain’i Jesosy manorona ny trano eo ambony “vatobe” isika. Ary io vatobe io dia ny batisan’i Jesosy. Tokony ho voavonjy daholo isika, hiaina miaraka ny famonjena, mankany amin’ny paradisa, azo ny fiainana mandrakizay ary lasa zanak’Andriamanitra.

Ry namana malala, noho ny filazantsaran’ny fanavotana, dia afaka miditra ny tabernakely am-pinoana isika. Noho ny fanasana ny otantsika rehetra (ny batisan’i Jesosy) sy ny fitsarana teo amin’ny Hazo fijaliana, voavonjy isika raha mino ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy.

Ny fanavotam-be ho an’ny otantsika rehetra, ny batisa sy ny ran’i Jesosy no filazantsara manasa ny otantsika rehetra. Mino an’izany va hianareo? Ny tena filazantsara dia ny filazantsara masin’ny fanavotana izay nanasa tanteraka ny

Page 293: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

293 NY ILAZANTSARAN’NY FANAVOTAM-BE

<<< Votoantin-Kevitra >>>

otantsika rehetra. Nateraka indray isika amin’ny finoana ny

filazantsaran’ny fanavotana. Nanome ny filazantsaran’ny fanavotana ho antsika Jesosy, izay nanasa na ny ota isan-andro aza. Miderà ny Tompo. Haleloia! Misaotra r’i Tompo.

Ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy (filazantsaran’ny rano sy ny ra) no tena filazantsara voalazan’i Jesosy. Ity boky ity dia natao hanambarana ny filazantsaran’i Jesosy, ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.

Satria maro ny olona mino an’i Jesosy nefa tsy mahafantatra ny tena fahamarinana, ao anatin’ny teolojia Kristiana izy ankehitriny, ny ataony hoe teolojia filozofika sy ny herezia, ary ny fikorontanana. Ka, tokony hiverina sy mino ny tena filazantsara isika. Mbola tsy tara loatra izao.

Hanome fanazavana be kokoa aho ao amin’ny boky faharoa ho an’izay manana fanontaniana

momban’ny filazantsaran’ny ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy. !

Page 294: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

294 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

FANAMPY 1

FANAMBARANA NY FAMONJENA

Page 295: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

295 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

FANAMBARANA NY FAMONJENA

Ny anabavy Eun-Young Hwang

Fiderana an’Andriamanitra izay nanomjy ahy tamin’ny fandevozan’ny ota.

Kristiana aho nefa tsy tena izy. Rehefa nialehibe aho, tonga fahazarana ny fankanesana any am-piangonana. Nanandrana nahazo fahalalana momban’izao tontolo izao mihotra an’Andriamanitra aho. Nitandrina ny vinan’ny tany aho no ny tenin’Andriamanitra. Nanomboka tsy nanatrika matetika ny fanompoam-pivavahana aho ary nivavaka hahazo famelan-keloka ho an’izany. Io fazaran-dratsy io nitohy fotoana fohy. Ny fahoriako lehibe kokoa noho ny

fahasambarana tamin’izany fotoana izany. Rehefa namita ny sekoly ambony aho, tsy

nankany amin’ny oniversite. Rehefa sahirana nanomana fanadinana hiditra ny oniversite ny namako, izaho kosa nitady tao-javatra atao sady niasa kely teny. Tena sarotra tamiko izany. Tsy afaka niala ny aretin-tsaina aho.

Fa nanana vintana tsara aho naheno ny Teniny. Nifanena tamin’ny rahavavy sy anadahy aho amin’ny alalan’ny zokiko lahy ary voalohany indrindra tamin’izay no nandrenesako ny tena filazantsara. Fantatro ny teny nefa tsy nahafantatra ny tena dikany aho.

“Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: ekeo ankehitriny fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15).

Tsy nahataitra ahy izany tamin’ny voalohany. Nefa nony mandeha ny andro, nanomboka

Page 296: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

296 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nazava tamiko ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny Rany. Nanandratra ny fanahiko tamy ny maty ny filazantsara. Ary tonga saina aho ka tsy natsiaro alahelo intsony na hatsinontsinona. Nahafinaritra be izany ho aho. Nanomboka tonga saina aho ny maha saro-bidy ny Teniny. Azoko antoka fa velona Andriamanitra. Faly aho afaka tena miaina marina. Fantatro ao am-po fa tsy misy ota aho.

Voninahitra ho an’Andriamanitra izay namonjy ahy tamin’ny ota. !

Ny rahalahy Jae-dong Park

“Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: ekeo ankehitriny fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15).

Izay natao ho faty noho ny otany dia voavonjy. Voninahitra ho an’Andriamanitra.

“Arosoy ary ny odinao. Sy ny hamaroan’ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony hianao mbola kely” (Isaia 47:12). Izany fotsiny no nataoko.

Teraka tao amin’ny fianakaviana mpitahiry ny fomba aho, nanana reny tena bodista. Rehefa nialehibe aho, dia nandeha tamin’ny lasy bodista ary nianatra ny soratra bodista sy nanatrika fatratra ny fotoam-pivavahana. Tsy tia ny bodisma be fadifady narahin’ny vehivavy aho ary nanandrana nitady olona nafantatra ny

Page 297: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

297 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dikan’ny fiainako. Natsiaro ny lanjan’ny ota tao am-poko aho ary tamin’izany no nanandramako ny hanova ny fihetsiko, azahoana ny fideran’ny olona manondidina aho.

Tamin’izaho tao amin’ny sekolin’ny tànanan’ny Sokcho, nifanena tamin’ny namana Kristiana iray aho. Io no zava-dehibe indrindra nampiova ny fiainako. Avy eo, reko fa io namana io, tahaka ahy, latsaka anaty fombam-pivavahana tamim-piravoravoana lehibe nefa tsy nahazo fankasitrahana mihitsy tamy ny fiainany. Tena nalahelo ho azy aho. Tao ampiangonana dia tonga saina aho fa ny fomba tsara izay kendrena atao dia ota koa. “Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana”

(Marka 7:21-22). Tonga saina aho fa tsy afaka maneho

hatsaram-panahy satria feno zavatra ratsy ny foko ary tsy nisy valiny ny olana napetrakin’ny otako. Nizotra tamin’ny afobe aho. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, nampijalian’ny otako aho ary nanapaka angataka fanampiana an’i Pasitera Samuel Jungsoo Kim. Nampianariny aho fa Jesosy ilay “nanaisotra ny otan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29) ary nalainy koa ny otako sy naloany daholo. Nanamaivana ahy tokoa izany ary ilay fanahiko be ahiahy toa niala sasatra.

Taty aoriana, nifanena tamin’i Pasitera Paul Jong aho ary nampianariny ahoana no nanasan’i Jesosy ny otako rehetra ary ahoana no fanomezan’ny vahoakan’Isiraely ny sorona tamin’ny Testamenta Taloha. Tonga saina aho maninona Jesosy, izay avy amin’ny Fanahy

Page 298: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

298 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Masina (Matio 1:20) tsy maintsy voahozona ary nohomboana tamin’ny Hazo fijaliana (Galatiana 3:13). “Ekeo ankehitriny fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Jaona Batista amin’ny maha mpisorona farany azy, nanao batisa an’i Jesosy ary namindra ny ota rehetra Taminy, ny Zanak’ondrik’Andriamanitra tsy misy kilema. Ary Jesosy nandoa ho an’ny ota teo amin’ny Hazo fijaliana. Io no tena filazantsara izay namoha ahy ary nahatonga ahy olo-marina. Izaho, izay mpanota, lasa olo-marina.

“Efa lasa ny zavatra Taloha, indreo efa tonga Vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17). Nitovy amin’izany aho. Nibebaka ny fiainako aho (Asan’ny apositoly 11:18), nataon’i Kristy batisa aho ary tsy hisy fanamelohana ho ahy (Romana 8:1). Ao anatin’ny Fahasoavany aho ary misaotra an’Andriamanitra izay namonjy ahy. Ka izay

rehetra mijaly noho ny otany sy mitady an’i Jesosy anie ahita ny filazantsaran’ny fanavotana Aminy. Haleloia. !

Page 299: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

299 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny anabavy Sung-yuh Kim

Nanambady aho tamin’ny 19 taonako ary nahantra be ny fianakavian’ny vadiko. Avy eo, tsy mba nanan-karena mihisty aho, na notiavin’ny vadiko. Nialona ny vehivavy nanana vady tia azy sy nanan-karena aho. Nino ny andriamanitrin’ny tendrombohitra ny fianakavian’ny vadiko ary ny rafozan-dahiko mpilaza ny zavatra mahagaga. Nilatsaka ho miaramila 3 andro tao aorian’ny fanambadianay ny vadiko ary ny zaodahiko lasa narary saina tamin’ny faha 22 taonany. Fanampin’izany, lasa jamba ny rafozam-baviko tamin’ny 50 taona teo.

Satria tsy mba nianatra aho ary sady tsy tsara tarehy no tsy manam-pahaizana, nihevitra aho fa anjarako ny hiaina toa izany mandritra ny fiainako. Ny rafozam-baviko te-hitsabo tena ho didina nefa tsy mbola nitondra azy tany amin’ny

hopitaly aho ary tsy nikarakara ny hividy fanafody azy akory. Nanantena fotsiny aho fa mbola harary izy ary ho faty farany.

Feno 54 taona aho ankehitriny ary efa ho roa taona lasa izao no maty ny rafozam-baviko. Misy finoana milaza fa mitondra loza ny mametraka ny ondan’ny maty ao anaty vatam-patiny, nefa tamin’izany fotoana izany tsy nahafantatra an’izany aho ary dia naleviko niaraka ny ondany izy.

Avy eo, niseho lava tamin’ny nofiko izy ary dia ory aho nametraka ny odany tao anaty vatam-paty sy nasiaka taminy tamin’izy mbola velona. Ny olona hafa toa tsara fanahy amin’ny rafozany nefa tsy afaka ny tsy nahankahala ny ahy aho. Nofy ratsy maro no nampijaly ahy ary nanorotoro ny saiko.

Lahy iray sy vavy efatra ny zanako. Natahotra aho sao misy zavatra hanjo ny zanako lahy

Page 300: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

300 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tokana. Rehefa niresaka taminy momban’ny nofiko aho, nanome toro-hevitra ahy ny olona akaikiko fa tsy maintsy roahana ny fanahy ratsy. Nanatona mpandroaka demony aho ary nankany amin’ny tempoly hanao fanongalihana tsy misy farany ary nivavaka mba hanamaivana ny saiko fa tsy nisy antony izany. Te-hamono tena aho handosirana ny saiko.

Raha tsy nahita an’i Jesosy aho na tsy voahavotra dia tsy velona intsony ankehitriny. Indray andro, nandositra ny trano aho ary nankany amin’ny zanako vavy hiala sasatra sy hisotro tambavy. Tao no nampisehon’Andriamanitra ahy ny làlan’ny fiainana. Kristiana nateraka indray ny zanako vavy ary niantso ny vadin’ny Pasitera izy sy vehivavy vitsy hiresaka amiko.

Tsy nahafantatra na inona na inona aho momban’Andriamanitra. Nefa rehefa niteny

tamiko izy ireo fa nesorin’i Jesosy ny otako rehetra, nanapaka ny hino ny Teniny aho. Zatra ny niteny tamin’ny zanako vavy aho tsy handehanany any am-piangonana satria nihevitra aho fa nampidi-doza ny manana Andriamanitra roa ambany tafo. Nefa nihevitra aho fa tsy misy loza noho ny miseho ankehitriny ary tsy te ho faty mpanota aho.

Nilaza tamiko ny vadin’ny Pasitera fa mpanota avokoa ny olona nefa Andriamanitra dia nanaisotra ny otantsika rehetra tamin’i Jesosy ary tsy ho mpanota intsony isika raha mino Azy. Ka, nanomboka nankany am-piangonana matetika aho ary nanandrana nihaino ny teny nefa tsy nazava firy tamiko izany. Kanefa, amin’ny andro mandalo, niatomboka nisy heviny tamiko ireo teny ireo. Tonga saina aho fa teraka mpanota ary tsy afaka ny tsy hanota noho ny ota voalohany ary koa fantatro fa ny sain-dratsy tao am-poko

Page 301: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

301 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dia ota koa eo anatrehan’Andrimanitra. Ny fanatitra sorona tao amin’ny Testamenta

Taloha dia Fombany hampisehona antsika izay ho avy. Ary Jesosy, araka ny natao tao amin’ny Testamenta Taloha, natao batisa ary nifindra taminy ny otantsika rehetra teo amin’ny Jordana. Nanaisotra ny otako rehetra Izy ary latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana handoavana an’izany.

Farany, niaiky aho fa tsy nisy ota intsony ary tsy nisy olona afaka nanameloka ahy. Ary afaka natory tsara aho “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:11). Nijaly mafy aho noho ny ota tao am-poko ary ankehitriny lasa ireo ota. Tsy manofy ratsy intsony aho.

Tsy afaka mitantara tsara ny fihetsi-poko aho satria tsy mahay mamaky teny tsara nefa afaka miresaka amin’iza na iza ny fomba nanaisoran’i Jesosy ny ota tao am-poko. Mivavaka aho mba

hamonjen’i Jesosy ny vadiko sy ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana tahaka ny namonjeny ahy. Ary manantena aho fa ity fanambarana ity hanampy ny hafa hahita ny fanavotan’i Jesosy.

Misaotra an’Andriamanitra aho namonjy ahy ary sambatra aho afaka mampita ny filazantsara amin’ny olona maro. Ankehitriny, tsy mialona ny olona miakanjo tsara sy manan-karena intsony aho. !

Page 302: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

302 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny rahalahy Sung-min Choi

Haleloia! Fiderana ho an’Andriamanitra izay namonjy

antsika amin’ny afobe tamin’ny alalan’i Jesosy ary nanao antsika olo-marina sy tsy misy ota. Tsy tonga saina akory aho fa mpanota ratsy alohan’ny nazahoako ny filazantsaran’ny fanavotana. Reko fa “mpanota daholo isika” sy “Tsy misy marina na dia iray akory aza” (Romana 3:10) ary nihevitra aho fa mety ho marina izany. Nihevitra aho fa mpanota satria betsaka ny olona nilaza tamiko sady naka teny tao amin’ny Baiboly. Ka, nifanena tamin’i Pasitera Paul Jong aho tamin’izy nandalo tao am-piangonanay.

Tamin’ny voalohany, tsy nazava tamiko ny lazainy. Vaovao tamiko ny fampianarany ary be zavatra nifangaro tao am-poko ka tsy ren’ny

sofiko ny tena filazantsara. Fa niboiboika ny finoako teo am-pihainona azy. Raha nanohy nihaino azy aho, dia nanomboka nazava tamiko ny tena filazantsara ary nino azy aho. Afaka nanaiky ao am-po aho tamin’ny farany ilay zavatra mahagaga fa nesorin’i Jesosy ny otako rehetra tamin’Izy nataon’i Jaona Batista batisa ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy handoavana ny tambin’ny otako.

Ankehitriny, na inona na inona no zava-mitsanga, tsy mahatsiaro meloka intsony aho ary fantatro fa olo-marina aho izao. Tsy fantatro ny andro hiverenan’i Tompo nefa fantatro fa novonjena aho. Naka ny tenin’ny Levitikosy 1:4, Matio 3:15 sy Jaona 1:29 tao am-poko aho.

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, nanome ombilahy na ondrikely tsy misy kilema ny vahoakan’Isiraely, nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny sorona izy hamindrana ny

Page 303: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

303 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

otany ary dia voahavotra ny otany. Nefa ilay fanatitra tsy ampy hanasana tanteraka ny otako. Tsy afaka ny hibebaka foana isika amin’ny ota rehetra atao isan-andro.

Ka, nanetri-tena Jesosy tahaka ny fanatitra hanesorana ny otantsika rehetra indray mandeha. Tsy nisy ota Jesosy, amin’ny teny hafa, Izy no fanatitra tena tanteraka, tsy misy kilema. Nataon’i Jaona Batista batisa Izy hanesorana ny otan’izao tontolo izao. Ny ota rehetra ataoko mandritra ny fiainako dia nifindra Taminy. Nefa raha tsy nofafazana ny ra, tsy misy ny fanavotana (Hebreo 9:21), ka maty teo amin’ny Hazo fijaliana Jesosy.

Io filazantsara io lasa finoana ao am-poko ary fantatro ankehitriny ny fanavotana. Nateraka indray aho tahaka ny zazakely vao teraka avy amin’ny kibon-dreniny. Olo-marina aho ankehitriny. Mbola tsy mafy loatra ny finoako

ary mbola manota aho nefa rehefa miheritreritra aho fa efa nosasan’i Jesosy ny falemeko rehetra, faly aho ary misaotra Azy indray.

Fanampin’izany, nahasosotra ahy ny nihaino toriteny nefa ankehitriny mandray an’ireny toa ny Teniny aho. Niseho tamiko ny fanirina mihaino azy ireo. Manana ny fanirina mafy hampiely ny filazantsara koa aho ho an’ireo tsy voavonjy. Tonga saina aho fa zava-dehibe no manana anjara ao amin’ny fiangonana. Resy sy feno fankasitrahana ny foko. Ankehitriny aho mandositra ny sampy izay notiaviko ary Andriamanitra ihany no jereko.

Manantena amim-panetren-tena aho ary mino fa hitary dàlana ahy amin’ny Tànany Andriamanitra ary hampiasa ahy hampiely ny Filazantsarany. Misaotra anao Andriamanitra izay namonjy sy nanao ahy ho Zanakao. !

Page 304: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

304 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Diakra Sang-duk Choi

Mijery ny andro lasa aho tamin’ny mbola tsy voahavotra. Kristiana tsotra aho tamin’izany. Marina, fa nanana ota aho nefa nanao tahaka tsy nanana heloka mihitsy. Tahaka ny ankabehazan’ny olona, namela ny heloko rehetra aho.

Araka ny voasoratra anaty Baiboly “Tsy misy marina na dia iray akory aza” (Romana 3:10), nihevitra aho fa mpanota ary nivavaka nibebaka sy nangataka famelan-keloka foana. Niheritreritra ireto teny ireto aho “Manatona ahy, hianareo rehetra izay vizana sy mavesatra entana ary omeko anareo ny fialan-tsasatra” (Matio 11:28) ary nanandrana nanala ny ota irery.

Nefa nihamavesatra sy nialehibe foana ny entako. Nanontany tena aho hoe aiza ny fialan-

tsasatra nampanantenainy, sady nihevitra aho fa tsy maintsy mibata ny entako mavesatra mandritra ny fiainako. Tsy afaka niala sasatra aho satria tsy nahafantatra ny marina.

Nanatrika fivoriana maro momban’ny fifohazana ara-panahy aho, ary tamin’ny voalohany nanahirana ahy ny feon’ny firesan-davitra. Nitombo ny eritreritro fa mpanota daholo isika rehefa mandre ny mozika sy ny feo mafin’ny Pasitera aho ary nihevitra fa tsy afaka ho any amin’ny paradisa mihitsy. Ireo pasitera tamin’ny fivoriana momban’ny fifohazana ara-panahy niteny fa tokony hibebaka isan-andro aho, hanaiky ny tenin’ny pasitera, hiasa be ho an’ny fiangonana, manome fanatitra foana ary ho evangelista mahitsy fo. Izany no fomba tokony hiainako ny fianam-pivavahako sy ny fomba hotahin’Andriamanitra ahy. Nively tsara izany ary tsy afaka ny tsy nanaraka tsara ny

Page 305: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

305 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fampianarany aho. Nivavaka aho mba ho tonga Kristiana tsara

mahitsy fo ary afaka erin-taona monja amin’ny fankanesana lava any am-piangonana dia voatendy ho diakra. Nihevitra aho fa nanao tsara. Nefa nandeha ihany ny fotoana, tsy nahatoky ny famonjeko aho ary tsy nisy fialan-tsasatra ho ahy.

Voasoratra ao amin’ny Baiboly “Ary amin’izany hisy roa lahy any an-tsaha, ny anankiray horaisina ary ny anankiray havela” (Matio 24:40). Tsy afaka tamiko ny tahotra tao am-poko. Nifoha maraina aho nijery raha irery ny vadiko. Lasa tomady aho ary nitombo ao am-poko ny fisalasalanako momban’ny famonjeko. Nefa tia ahy Andriamanitra ary nitondra ahy teo amin’ny fiangonan’ny Whapyong tao amin’ny tanànan’ny Sokcho Izy.

Nifanena tamin’ny evanjelista maro sy

pasitera malaza aho nandritra ny fiainako nefa ny tso-drano tsampako avy aminy tsy mba nitoetra ela. Tsy afaka nandamina ny olana haterakin’ny ota izy ireo. Nefa nandefa an’i Pasitera Paul Jong Andriamanitra ary nameno ny fiangonana ny filazantsaran’ny fanavotana.

Nefa Satana nanandrana foana ny hiverenako aminy. Lasa be korina aho ary nandà ny hiaino ny filazantsara isaky ny tonga nitory i Pasitera Jong. Nefa tsy nitsahatra nankany am-piangonana foana aho. Toa toriteny mitovy no niverimberina.

Noheverina toa Kristiana mahafatram-po aho ary nihevitra ny tenako ho tsy nisy ota aho rehefa nibebaka. Nefa, teto dia afaka nijery ny tenako tahaka ny maha izy azy aho ary dia menatra ny heloko rehetra na ireo niafina tao am-poko aza.

Araka ny voasoratra “Fa avy ao anatinn’y olona dia avy ao am-pony no ivoahan’ny sain-

Page 306: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

306 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dratsy dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana” (Marka 7:21-22). Tonga saina aho fa feno ota ny foko.

Ary voasoratra koa “Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Ka tonga saina aho fa tsy afaka miseho eo anatrehan’Andriamanitra miaraka ny otako ary feno hadisoan-kevitra ny foko.

Nefa indray andro, nanazava ahy Andriamanitra. Teny mahazatra no reko nefa nampietana ny foko tamy ny voalohany nandrenesako azy. “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29). Tonga saina aho fa ny atao hoe otan’izao tontolo izao midika hoe ny ota rehetra, anisan’izany ny

ahy. Tsy ny ota omaly sy androany ihany no nesoriny fa ireo ho avy koa. Nanaisotra ny otan’izao tontolo izao Jesosy rehefa natao batisa.

“Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ankehitriny fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15).

Tamin’ny farany, afaka nino aho fa nifindra tamin’i Jesosy avokoa ny otako rehetra rehefa nataon’i Jaona Batista batisa Izy ary voaloa daholo ny otako rehetra rehefa maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy.

“Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra, ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra manao fanavotana, satria aina izany” (Levitikosy 17:11). Tsy maty fotsiny tsy misy antony Jesosy, hoy Izy “Vita” (Jaona 19:30) ary voalefona ny Lanivoany ary niaraka tamin’izay

Page 307: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

307 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

dia nisy ny ra sy rano nandeha (Jaona 19:34) nianjera teo amin’ny rindrina manelanelana an’Andriamanitra sy ny olona. Afaka manatona an’Andriamanitra aho ankehitriny. Ny andro niainana tao anatin’ny tsy finoana toa fandaniana fotoana.

Ankehitriny, satria aho efa voahavotra, tsy voaterin’ny havesatrin’ny zavatra eto an-tany intsony ary dia olon-afaka sy afaka mirehareha ho anisan’ny olo-marina aho. Misaotra an’Andriamanitra aho afaka manaraka an’i Abrahama ilay olo-marina, mandritra ny làlana mankany Betela.

Misaotra indray an’Andriamanitra aho nahazo ny mana isan-andro ary afaka manatrika ny fetin’ny lanitra. Amena. !

Ny anabavy Jung-soon Lee

Nanana fahazarana nanofy aho sy nanantena hianatra ny dikan’ny fiainako. “Iza aho? Maninona aho no teraka ary aiza no alehako? Moa ve ny fasana ihany no amin’ny faran’ny androko? Raha izany no marina, tsy nisy dikany ny fiainako ary tsara kokoa no tsy naterahako.” Rehefa nialehibe aho, mbola babangoana foana ny tao am-poko ary nahatsiaro fahalelovana tsy misy farany aho tao am-po. Rehefa nanambady aho, nahatsiaro fa mampidi-doza ny miankina amin’ny hafa sy lasa renin-jaza. Loza be ny niheritreritra ny ho avy tsy fantatra.

Nanana olana betsaka aho niaraka ny vadiko sy ny rafozam-baviko izay tsy maintsy natrehana. Indraindray tsy haritrin’ny aiko ireo olana. Ka dia nahalako ireo. Imbetsaka aho no te-ho faty ary dia nia-malemy isan-andro. Nila olona

Page 308: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

308 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hanampy ahy aho. Ka, niditra fiangonana Katolika aho. Tao, nahatsiaro fiadanana sy fahatokiana aho. Niantso an’Andriamanitra aho ary nivavaka amim-pahazotoana.

Nefa 3 taona avy eo, hitako fa tsy nisy zavatra niova. Nazoto nivavaka mafy aho tety ivelany nefa menatra tao anaty. Nataoko ho fanampiny ny fahatokiana nefa latsaka mafy anaty ota aho tao anatiko. Fantatro fa mijery ahy Andriamanitra ary afaka mivavaka Aminy aho tsy amela ahy.

Nanomboka namaky ny Baiboly aho ary tonga saina fa ny fiangonana Katolika tsy nampianatra ny Baiboly araka ny voasoratra. Nankany am-piangonana niaraka amin’ny olon-kafa aho. Nandeha nivavaka isan-andro izahay ary nihaino ny Teny. Fa eo am-pihainona, nia-tonga saina aho fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Nanota isan-andro aho ary feno ota ny saiko.

Lazain’ny Baiboly fa maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho an’ny otantsika Jesosy nefa dia mbola nifanatrika tamin’ny otako aho. Isaky ny mivavaka aho dia mibebaka ny otako. Ny antsasakin’ny vavako dia fanekena ny otako, fangatahana ny famelan-kelony. Nanamarin-tena isan-andro teo anatrehan’Andriamanitra aho mba tsy avelany hanota.

Firy ny ota ao anaty Baiboly izay lazain’Andriamanitra tsy tokony atao? Nitombo ny heloko rehefa nanandrana niaina araka ny Teniny aho. Nilaza aho fa hiatsara lalandava raha mihezaka kely. Rehefa tsy tany am-piangonana aho dia nanahy mafy noho io ota io ary farany dia vizana.

Misy ohabolana Koreana milaza hoe: “raha misy totozy voahenjika anaty làlana tampina, hiverina izy ary hamely ny saka.” Nanandrana mafy ny hahazo ny fahasoavan’Andriamanitra

Page 309: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

309 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

aho nefa tsy tonga mihitsy izany. Hafa lavitra aza, natahotra ny fahaverezana mandrakizay aho. Nanomboka nitaraina an’Andriamanitra aho. Nitaraina aho fa mangataka zavatra be loatra Izy ary tezitra Aminy aho noho ny fijaliana be loatra nampiariny ahy. Tena tezitra mafy aho.

Jesosy, tao aorian’ny nitsanganany tamy ny maty niteny intelo tamin’ny mpianany “Fiadanana ho anareo.” Niandry Azy aho ary nanantena hitenenany tahaka izany. Nefa tsy nisy fiadanana tamiko. Maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho ahy Jesosy sy nitsangana tamy ny maty. Nilaza Izy fa na iza na iza niantso ny Anarany dia ho voavonjy. Nino Azy aho ary naintso ny Anarany, nefa maninona tsy nisy fiadanana tamiko? Fantatro fa marina ny Baiboly ary nino aho nefa maninona tsy nanome fiadanana ahy Izy?

Nivavaka Taminy isan-andro aho mba tsy

hamelany ahy hanota indray ary nihevitra aho fa reny ny vavako. Nefa tsy namaly Izy. Nino an’Andriamanitra aho satria nihevitra fa Izy no avo indrindra izay afaka nanova ahy tsy hanota intsony. “Raha tsy nanao an’izany aho, ahoana no mbola hivelomako? Tonga saina ny fahalemeko aho ka teo an-Tànany ny fiainako. Raha tsy novonjeny tamin’ny otako aho, inona no azoko atao?”

Nangoraka ahy Andriamanitra ary nandefa ny Mpanompony, Rev. Paul Jong, tao amin’ny fiangonako “Fa isika koa nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany. Kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’izay nandre” (Hebreo 4:2).

Nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra aho. Teo am-pamakiana ny fanaovana sorona ao amin’ny Levitikosy no tonga saina aho fa natao sorona araka ny Teniny Jesosy ary nanaisotra ny

Page 310: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

310 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

otako rehetra amin’ny Batisany. Talohan’izany, ny ran’i Jesosy ihany no fantatro ary tsy afaka nandamina ny olana momban’ny ota aho.

Tamin’ny nataon’i Jaona Batista batisa Jesosy, hoy izy “Ekeo ankehitriny fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Ary ny ampitsony, hoy Jaona “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.”

Tamin’ny nanomboka nino aho fa nesoriny ny otako rehetra, na ny ota ho avy aza sy notsaraina ho ahy Izy ary nitsangana tamy ny maty ary afaka avokoa ny otako rehetra, nanomboka natsiaro ilay fiadanana nandrasako aho. Lasa ny otako. Ankehitriny aho olo-marina. Lasa daholo ny ota rehetra tokony nibebehako.

Ankehitriny, fantatro ny anton’ny fiainako. Nateraka indray aho ary lasa olo-marina hiaraka amin’Andriamanitra mandrakizay. Navelany

ateraka indray aho mba hampiely ny filazantsara mahafinaritra. Tsy matahotra ny otako intsony aho. Nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra, eo am-pelantànany ny fiainako ary harovany aho ankehitriny. Fiderana an’Andriamanitra izay namonjy ahy tamin’ny ota. !

Page 311: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

311 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny rahalahy Gae-jin Umm

“Ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” (Jaona 8:32).

Misaotra an’Andriamanitra aho nanome ahy ny fahazavana momban’ny fahamarinana, an’ahy izay very tao anatin’ny maizina. Tamin’ny faran’ny taona faharoako tao amin’ny sekoly ambony, nandona teo amin’ny varavaran’ny fiangonana aho mba ahita an’Andriamanitra. Nandritra ny 8 taona, nanao ny asako anisan’ny mpihira aho ary nanana anjara tamin’ny asam-piangonana. Raha fantatro aza fa ho voavonjy isika raha manaraka ny Teniny, nanao zava-dehibe kokoa ny asako aho izay voarefy araka ny tsipika napetrako.

Isaky ny nihevitra nanao zavatra tsara aho na isaky ny navitrika ny hevitro dia niheritreritra aho fa voavonjy. Ary noderain’ny olona lava aho

ho an’ny asa “marina” nataoko ary namporisika ahy ireo noho ny “finoako matanjaka.”

Tsy maintsy mifototra amin’ny Teniny ny finoana. Nefa notiavina noho ny asako aho ary izany dia mendrika hihomehezana. Satria fantatro tsara noho ny hafa ny fihatsarambelatsihiko, nanontany aho ary tena fantany ary izany dia nameno hamelohana tao am-poko. Nanandrana zavatra betsaka aho hanala ny hetahetako an’Andriamanitra, nefa satria aho tsy nanana ny fototrin’ny Teniny, ny “finoako” saro-pantarina loatra tsy afaka nahazo na inona na inona.

Kanefa, satria aho tia ny fahasoavana sosialy, niditra tao amin’ny seminera teolojika aho. Nandritra ny fotoana navariana ahy tamin’ny asako, izay rehetra niteny “fitiavana,” “tia” “tiavo ny namanao” neveriko ho mpihatsarambelatsihy. Nankahala ireo niresaka

Page 312: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

312 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fitiavana aho nefa tsy nanampy ny mahantra. Nefa tao aoriana ny nanavotana ahy, tonga saina aho fa tsy misy zava-dehibe noho ny famonjena ny fanahy.

Nanandrana zavatra betsaka aho nandritra ny seminera. Mihoatra ny hafa, te afantatra ny tena dikan’ny finoana aho izay niseho tamiko saro-pantarina sy tsy voafetra. Ka nitomany aho ary nivavaka sy nibebaka, namaky ny Baiboly sy ny bokin’ny teolojiana malaza aho nefa tsy nanampy ahy izany. Tonga saina aho fa maro ny pasitera mampiasa ny boky fototra nefa tsy nanaraka tanteraka ny Teniny. Diso fanantenana aho nefa miaraka an’izany nitombo ny fanirina hafantatra ny marina.

Tamin’izany fotoana izany, nifanena tamin’ny mpanompon’Andriamanitra iray aho tamin’ny fianarana daktilo ary nandre momban’ny asa mpisoronana voalazan’ny Levitikosy ao amin’ny

Testamenta Taloha. Alohan’ny nahavotra ahy, sarotra sy mafy tamiko ny namaky tsy misy farany ny fiverimberenan’ny famonoana biby. Tsy tonga saina aho fa nisy hevitra miafina lalina tao anatin’ny lahasoratra.

Nazava tamiko fa te handefa Mpamonjy antsika Andriamanitra izay hanatanteraka ny asam-pisoronana voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha, hanasa ny otako rehetra ary hatonga ahy madio tahaka ny rano mandry. “Ekeo ankehitriny fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Tonga nofo tsy misy kilema, tonga teto an-tany Jesosy tahaka ny fanatitra velona sy natao batisa ary nifindra Taminy ny otako rehetra. Nesoriny avokoa ny ota nozakaiko rehetra (Isaia 38:17).

Nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao Izy (Jaona 1:29) ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana

Page 313: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

313 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hotsaraina teo amin’ny toerantsika sy hamonjy antsika amin’ny làlan’ny ota sy ny fahafatesana. Hatramin’ny nifindran’ny otako Taminy tamin’ny Batisany, afaka mahatsapa amin’ny foko manontolo aho izay tian’ny apositoly Paoly holazaina “Nohomboana niaraka ny Kristy aho ary tsy izaho intsony no miaina fa Kristy no miaina amiko.” Nandramako ao am-poko maina sy babangoana ny on’ny Ranom-piainany. Tena velona sy matanjaka ny Teniny. Lasa tena izy ireo finoako saro-pantarina sy foana.

Rehefa mijery ny fiainako lasa aho, nisy ny fotoam-palahelo sy ny fotoam-pahasambarana. Ary misaotra Azy amin’izany aho. Fantatro ankehitriny fa nohentin’i Jesosy amin’ny toerako ankehitriny aho. Na tsy afaka miteny mazava tsara ny Fahasoavana sy ny Fitivian’Andriamanitra aza aho, hiaina ny andro sisa ho avy aho tahaka ny Mpanompony ary

manantena ny hafinaritra Azy. Tiako taritina amin’ny mazava ireo very anaty maizina. Midera an’Andriamanitra namonjy ahy amin’ny ota sy ny fahafatesana aho ary nanome ahy ny fiaianana mandrakizay ary mamerina azy ny voninahitra. Haleloia! !

Page 314: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

314 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny anabavy Belova Lyssa Mosko

Tiako ny hiarahaba an’ny mpanompo rehetra

any Korea amin’ny anaran’i Jesosy ary hizara aminareo ny zavatra mahafinaritra nampiova ny fiainako.

Roa taona lasa izao, tao amin’ny seminera tao Mosko, nandre ny teny mahagagan’Andriamanitra aho. Ny taona manaraka, nandritra ny seminera tao Korea natrehako, nandre fampianarana maro momban’ny tenin’Andriamanitra milaza ny ateraka indray amin’ny rano sy Fanahy aho. Fahasambarana be ny mahita mazava fa afaka ny fandevozan’ny ota aho!

Enin-taona avy eo no nanomboako nino an’i Jesosy. Talohan’ny “ateraka indray” nihevitra aho fa mpanota be ka tokony hibebaka

mandrakariva. Nivavaka aho sy nibebaka isan-andro isan-andro. Natao batisa tamin’ny rano aho nefa mbola tsy nateraka indray. Nihevitra aho fa mpanota ary be loatra ny fahotana tao am-poko. Nangataka ny famelan-keloka lava an’Andriamanitra aho. Nampijaly ahy foana ny otako. Nefa nino mihitsy aho fa tsy ho avelan’Andriamanitra anatin’izany fahoriana izany ary tsy maintsy novonjena aho tamin’ny farana na amin’ny fomba ahoana.

Avy eo, noentin’Andriamanitra tamin’ny mpanompo nateraka indray aho. Miaraka aminy, afaka nandre ny filazantsara tsara indrindra eto an-tany aho. Ny tena filazantsaran’ny fanavotana. Nianatra aho fa tsy manana ota ary nosasan’i Jesosy ny otako rehetra tamin’ny Batisany sy ny Hazo fijaliany.

Ankehitriny, tsy mpanota intsony aho, ary feno hafaliana ny foko. Ankehitriny, eo an-

Page 315: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

315 FANAMBARANA NY FAMONJENA

<<< Votoantin-Kevitra >>>

toeran’ny vavaka fibebahana, ny fisaorako no atolotro an’Andriamanitra isan-andro ary lasa milamina sy feno hafaliana ny fiainako. Fantatro ankehitriny fa tsy misy filazantsara hafa, na finoana hafa tsara kokoa noho io. Mivavaka fotsiny aho hanamafy ny finoako. Atolotro an’Andriamanitra ny vavako isan-andro ary mino aho fa tsy misy finoana saro-bidy noho io.

Miadana aho ankehitriny miheritreritra fa hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra amin’ny faran’ny androko. Miasa ho an’Andriamanitra aho ankehitriny ary mitory ny filazantsara ho an’ny hafa. Miaina am-pifaliana lalandava aho, mizara ny fitivian’Andriamanitra amin’ny olona eran-izao tontolo izao. !

Page 316: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

316 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

FANAMPY 2

FANAZAVANA FANAMPINY

Page 317: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

317 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

FANAZAVANA FANAMPINY

● AVOTRY NY AINA

Vola naloa ho an’ny fanavotan’ny olona voatana, antoka ho an’ny fananana na trosa, izay atao handaminana olana iray amin’ny vola. Nampiasaina matetika tahaka ny fampisehona an-tsariny ny fanavotana (oh: Eksodosy 21:30 “valin’aina,” Nomery 35:31-32, Isaia 43:3, “avotry ny aina”). Ao amin’ny Testamenta Vaovao, Matio 20:28 sy Marka 10:45 mitsipika fa ny avotry ny aina no fandoavana ara-bola.

● MANONITRA NY RATSY NATAO, FANAVOTANA

Ny fomba famindrana ny ota rehetra ny olona teo amin’i Jesosy. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fanonerana ny ratsy natao dia famindrana ny otan’ny sorona amin’ny fametrahan-tànana. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, izany maneho ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista. Amin’ny Hebreo sy Grika, io teny io midika ny famindrana ny ota teo amin’i Jesosy Kristy mba hafahan’ny mpanota hifandray marina amin’Andriamanitra. Ny Testamenta Vaovao mampiseho tsara ny fanatitry ny fanonerana ny ratsy natao: ny batisan’i Jesosy sy ny Fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana.

AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA:

Ny teny hoe “fanavotana” nampiasaina efa ho

Page 318: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

318 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

injato ao amin’ny Testamenta Taloha (Levitikosy 23:27, 25:9, Nomery 5:8) ary amin’ny Grika dia “Kaphar” foana no ilazana azy (voasoratra matetika tahaka ny “manao fanavotana”). Ny teny fanavotana dia fandikana ny teny Hebreo milaza ny famindrana ny ota amin’ny fametrahan-tànana eo amin’ny lohan’ny osilahy velona ary fanekena ny helok’Isiraely rehetra (Levitikosy 16:20).

AO AMIN’NY TESTAMENTA VAOVAO:

Ny teny fanavotana dia mifandray amin’ny teny Armeniana “kpr” (izay midika mandrakotra). Izany maneho ny batisan’ny fanavotan’i Jesosy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tonga teto an-tany Jesosy ary natao batisa tamin’ny 30 taonany hanatanteraka ny famonjena ny olona.

● FANAVOTANA ARAKA NY BAIBOLY

A. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fanavotana dia natao matetika tamin’ny fisoronana biby (oh. Eksodosy 30:10, Levitikosy 1:4, 4:20-21).

B. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny hevitry

ny soron’ny fanavotan’ny Testamenta Taloha dia voatana nefa ny fanavotana ny olona dia miaraka amin’i Jesosy Kristy. Ny apositoly Paoly nilaza fa maty ho an’ny otantsika Jesosy Kristy (1 Korintiana 15:3).

Ny teny fanavotana nampiasaina ho an’ny fahafatesan’i Kristy, tsy hoe fanorenana ny ota vohalohany fotsiny fa fanesorana ny ota rehetra ny olona. Ary taorian’ny batisa, izay namindrana ny otan’ny olombelona teo amin’i Jesosy (Matio

Page 319: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

319 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

3:15), namonjy ny olombelona Izy raha latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana (Levitikosy 1:1-5, Jaona 19:30).

Ny apositoly Paoly manazava ao amin’ny 2 Korintiana 5:14 “Maty ny anankiray hamonjy ny olona rehetra” ary ao amin’ny adininy 21 “antsika,” ao amin’ny Galatiana 3:13 “satria tonga voaozona hamonjy anay Izy.” Anisan’ny andininy maro ao amin’ny Testamenta Vaovao milaza momban’i Jesosy toa ny sorona (oh. Efesiana 5:2) misy an’i Jaona 1:29, 36 (“zanak’ondry” -Jaona Batista) sy 1 Korintiana 5:7 (“Ny Paska-ntsika”-Apositoly Paoly).

Nefa Paoly nilaza tsara fa ny batisan’i Jesosy teo amin’ny Jordana no fanavotana ho an’ny otan’izao tontolo izao. Manazava izy ao amin’ny epistilin’i Romana, antoko 6, fa nifindra teo amin’i Jesosy avokoa ny otan’ny olombelona tamin’ny nanaovan’i Jaona Batista batisa an’i

Jesosy. Nanazava izy fa ny fanohomboana an’i Jesosy

dia fitsarana sy fanonerana ho an’ny fahotana, soron’ny fanavotana nomena ho an’ny fanahin’ny olona.

Ny fahafatesan’i Jesosy midika ho antsika ny soron’ny fanavotana ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny fametrahan-tànana sy ny batisan’i Jesosy ao amin’ny Testamenta Vaovao dia mifanaraka amin’ny làlan’Andriamanitra (Isaia 53:10, Matio 3:13-17), Hebreo 7:1-10, 18, 1 Petera 3:21).

Tsy tapitra amin’ny batisa sy ny fahafatesan’i Jesosy ny Testamenta Vaovao fa mitohy hilaza amintsika fa fahatanterahan’ny famonjena no batisantsika amin’i Kristy ary ny fahafatesantsika miaraka Aminy (Romana 6:3-7, Galatiana 2:19-20).

Milaza amintsika izy fa nataon’i Jaona Batista

Page 320: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

320 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

batisa Jesosy hanesorana ny otan’izao tontolo izao ary ny fanohomboana amin’ny Hazo fijaliana no aterak’izany. Jesosy Kristy, tamin’ny Batisany sy ny Rany, tsy nanasa fotsiny ny otan’ny olona sy niaritra ny mafy, fa namonjy koa ny olona amin’ny herin’i Satana ary namerina azy eo ambanin’ny herin’Andriamanitra raha nanaiky ny sazy teo amin’ny toeran’ny olombelona.

Ka ny fanavotan’i Jesosy nandamina ny olan’ny ota izay nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra. Arak’izany voaverina ny fiadanana sy ny fifanarana nisy teo amin’ny olona sy Andriamanitra amin’ny fitondrana ny famonjena, ny hafaliana (Romana 5:11), ny fiainana (Romana 5:17-18) sy ny fanavotana (Matio 3:15, Jaona 1:29, Hebreo 10:1-20, Efesiana 1:7, Kolosiana 1:14).

● NY ANDRO FANAVOTANA

Amin’ny teny Hebreo, midika hoe andron’ny “fanoronana” na “firindrarindra.” Ny andro lehibe indrindra ho an’i Jiosy dia ny andron’ny fanavotana ny andro fahafolo ny volana fahafito (Levitikosy 23:27, 25:9). Hitantsika ao amin’ny Levitikosy 16 fa na ny mpisorona avo aza tsy afaka miditra ny Toerana Masina Indrindra raha tsy efa hanao ny asa mpisoronana.

Ny Toerana Masina Indrindra nila fanavotana koa tahaka ny vahoak’Isiraely ka tsy maintsy nanome fanatitra ny mpisorona hanesorana ny ota tamin’ny fametrahan-tànana teo amin’ny lohan’ny sorona. Nisaina momban’ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny otany ny zanak’Isiraely nandritra ny andro fanavotana.

Ka fanatitra 15 (anisan’izany ny osilahy), fanatitra odorana 12 sy fanatitra fanavotana 3 no

Page 321: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

321 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

natao teo anatrehan’Andrimanitra (Levitikosy 16:5-29, Nomery 29:7-11). Raha manisa ny “zanak’ondry faharoa” voalaza ao amin’ny Nomery 28:8, misy fanatitra odorana 13 sy fanatitra fanavotana 4.

Ny andro faha telopolo ny volana fahafito no nanorenan’Isiraely ny otan’ny taona. Ka noho izany, ny andro fanavotana ho an’izao tontolo izao, dia ny andro nanaovan’i Jaona batista batisa an’i Jesosy. Andron’ny fanavotana io andro io (Matio 3:13-17), andro nanasan’Andriamanitra ny otan’izao tontolo izao (Matio 3:15). Andron’ny fanavotana io andro io, andro nataon’Andriamanitra “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.”

● NY SORON’NY FANAVOTANA AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA:

Tahaka ny sorona hafa, natao anaty tabernakely ny soron’ny fanamasinana. Nanadio tena ny mpisorona ary nitondra akanjo masina vita rongony fotsy fa tsy ny akanjo fanaovana sorona isan-andro ary nifidy ombilahy tanora izy ho fanatitra ary osivavy ho fanatitra odorana ho azy sy ny tranony (Levitikosy 16:3-4). Nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny fanatitra ny mpisorona avo hamindrana ny ota.

Ny fametrahan-tànana dia zava-dehibe tamin’ny fomba fisoronana. Raha tsy natao izany, tsy afaka nanaisotra ny ota ny sorona satria tsy tanteraka ny fanavotana ny ota raha tsy misy fametrahan-tànana izay mamindra ny otan’ny taonan’Isiraely teo amin’ny fanatitra.

Ao amin’ny Levitikosy 16:21 “Dia hapetrak’i

Page 322: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

322 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Arona amin’ny lohan’ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’Isiraely rehetra sy ny fahadisoana rehetra, dia ny fahotana rehetra. Dia hametraka izany eo amin’ny lohan’ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.”

Naka osilahy roa izy ho fanatitra ary osivavy ho fanatitra odorana (and.5). Ary nanolotra osilahy roa an’i Tompo izy teo amin’ny vavahadin’ny tabernakely ary nataony loka ny mifidy izay ho an’i “Tompo” sy izay atao ho “osilahy.”

Ny anankiray natolotra an’i Tompo ho fanatitra ary ny osilahy natolotra velona ho an’Andriamanitra hanavotana ny otan’ny zanak’Isiraely isan-taona ary avy eo nalefa tany an-efitra (Levitikosy 16:7-10).

Tsy maintsy nafindra teo amin’ny osilahy ny

otan’Isiraely tamin’ny fametrahan-tànana. Avy eo, ilay osilahy izay naka ny otan’Isiraely rehetra, nalefa tany an-efitra ho an’ny fiadanan’ny olona sy Andriamanitra. Toa izany no nanadiovana ny ota isan-taona.

AO AMIN’NY TESTAMENTA VAOAVO:

Toa ny ao amin’ny Testamenta Taloha, nataon’i Jaona batisa Jesosy (fametrahan-tànana tao amin’ny Testamenta Taloha) ary nanaisotra ny otan’ny olona rehetra tahaka ny zanak’ondry fanao sorona, hanatanteraka ny famonjen’Andriamanitar (Levitikosy 20:22, Matio 3:15, Jaona 1:29, 36).

Tao amin’ny Testamenta Taloha, alohan’ny nanaovana ny loka, novonoin’i Arona ny ombilahy ho fanatitra ho an’ny otany sy ny tranony (Levitikosy 16:11). Avy eo, nametraka vain’afo eran’ny fitondran-afo avy amin’ny

Page 323: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

323 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

alitara eo anatrehan’Andrimanitra izy ka ho entiny miditra ao anatin’ny efitra lamba. Ary hataony eo amin’ny afo eo anatrehan’i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy. Dia hangalany koa ny ran’ny ombilahy ka nofafazany impito amin’ny fanondrony ny rakotra fanaovam-panavotana (Levitikosy 16:12-19).

Ny andron’ny fanavotana, ny fametrahan-tanàna nataon’i Arona teo amin’ny lohan’ny fanatitra tsy azo adino. Nametraka ny tanàny teo amin’ny osilahy Arona ary namindra ny ota rehetra sy ny helok’Isiraely teo amin’ny lohany. Avy eo nisy olona tsy misy kilema nitondra an’ilay osilahy an-efitra miaraka ny otan’Isiraely ary maty ho an’ireo izy farany. Io no soron’ny fanavotana ao amin’ny Testamenta Taloha.

Mitovy an’izany ao amin’ny Testamenta Vaovao fa eo fotsiny, Jesosy Kristy no osilahy izay nanaisotra Taminy ny ota rehetra ny olona tamin’ny Batisany nataon’i Jaona ary latsa-drà sy maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho antsika Izy.

Ka ankehitriny, tsy azo omena famonjena ny ota rehetra raha tsy misy ny batisa sy ny fanohomboan’ny mpisoron’ny lanitra, Jesosy Kristy. Io no fahatanterahan’ny famonjena ny ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy.

● NY FAMETRAHAN-TANANA NY FANAMASINANA

Io no fanao hanesorana ny ota eo amin’ny

fanatitra ao amin’ny Testamenta Taloha (Levitikosy 4:29, 16:21). Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, navelan’Andriamanitra

Page 324: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

324 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hanonitra ny otany amin’ny fametrahan-tanàna eo ambony lohan’ny fanatitra anaty tabernakely ny olona. Ary io dia hita amin’ny batisan’i Jesosy izay ho avy ao anaty Testamenta Vaovao.

● BATISA

Ny teny hoe batisa midika (1) voasasa (2) nalevina (voatsomboka) ary ny dikany ara-panahy (3) manaisotra ny ota amin’ny fametrahan-tànana tahaka ny natao tao amin’ny Testamenta Taloha.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny batisan’i Jesosy dia nanasana ny otan’ny olona rehetra. Ny dikan’ny “Ny batisan’i Jesosy” dia ny fanesorana ny otan’ny olona, ny fanadiovana ny otan’izao tontolo izao.

Nataon’i Jaona Batista batisa Jesosy izay

solon-tenan’ny olombelona ary mpisorona araka ny lovan’i Arona, ary naka teo Aminy ny ota rehetra ny olona. Io no tanjon’ny Batisany.

Ny teny hoe “batisan’i Jesosy” midika hoe “mamindra, voalevina” ara-panahy. Izany midika fa nifindra teo amin’i Jesosy ny ota rehetra ary notsaraina ho solon’ny olona Izy. Mba hamonjena ny olombelona, tsy maintsy nanala ny otan’ny olona rehetra Jesosy ary maty ho azy ireo.

Noho izany, ny Fahafatesany dia fahafatesantsika koa, fahafatesan’ny mpanota rehetra eto an-tany ary ny Fitsanganany amy ny maty dia fitsanganan’ny firenena rehetra. Ny Fanolony tena ho sorona teo ambony Hazo fijaliana dia famonjena ny mpanota ary ny Batisany dia fanambarana ny fanasana ny ota rehetra ny olombelona.

Hoy ny Baiboly “Izay mamonjy anareo koa

Page 325: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

325 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ankehitriny dia ny batisa izay tenan’io tandindona io” (1 Petera 3:21). Ny batisan’i Jesosy no làlana marina hamonjena ny olona amin’ny fanesoran’ny otany rehetra.

● FAHOTANA

Ny zavatra rehetra mifanohitra an’Andriamanitra. Ny ota rehetra, anisan’izany ny ota voalohany sy ny heloka izay ataontsika amin’ny fiainana.

Ny teny fahotana amin’ny Grika dia “hamartia.” Ary “manota” dia “hamartano” izay midika “tsy nahavoa ny tanjona,” amin’ny teny hafa azo lazaina hoe, mino an’i Jesosy nefa tsy afaka ho voavonjy. Na ny tsy fahafantarana, na ny tsy finoana ny marina dia ota avokoa, otan’ny fandikana sy fananana fiavonavonana

an’Andriamanitra. Raha te hanota an’Andriamanitra ny olona, tsy

maintsy mahafantatra tsara ny tenin’Andriamanitra ary tonga saina momban’ny fahamarinana fa Jesosy lasa Mpamonjiny.

Tokony hino ny batisan’i Jesosy sy ny Hazo fijaliana isika amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Ny tsy fanekena ny tenin’Andrimanitra, ny tsy fanarana ny marina sy ny finoana ny fandinihana diso dia ota avokoa.

Milaza amintsika ny Baiboly fa ny fahotana ratsy indrindra dia ny tsy finoana fa nosasan’Andriamanitra ny otan’izao tontolo izao. Tokony hino ny fahaterahan’i Jesosy isika, ny fanadiovany ny ota tamin’ny Batisany ary ny fanomezany ny ainy antsika amin’ny alalan’ny Rany sy ny Hazo fijaliana. Fahotana ny tsy finoana ny teny voasoratra izay milaza fa vita batisa Jesosy ary maty teo amin’ny Hazo

Page 326: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

326 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fijaliana ary nitsangana tamy ny maty hanafahana antsika amin’ny fandevozan’ny fahotana.

● FIBEBAHANA

Rehefa misy olona nanatona an’Andriamanitra sy tonga saina amin’ny otany ary misaotra an’i Jesosy izy noho ny fanasany azy sy ny famerenany azy an’Andriamanitra, izany no atao hoe fibebahana.

Ny olona rehetra dia tapa-pahotana. Ny tena fibebahana dia ny fanekena fa mpanota isika eo anatrehan’Andriamanitra, fa tsy afaka ny tsy hanota isika mandritra ny fiainana ary tsy maintsy mankany amin’ny afobe rehefa maty ary koa tsy maintsy mandray an’i Jesosy sady mino fa tonga teto an-tany hamonjy ny mpanota Izy,

naka ny otantsika rehetra (amin’ny Batisany) ary maty sy nitsangana tamy ny maty hamonjena antsika. Ny tena fibebahana dia ny mahafoy ny heritreritra ary miverina an’Andriamanitra (Asan’ny Apositoly 2:38).

Ny fibebahana dia ny fanekena ny otantsika ary ny fiverenana amin’ny tenin’Andriamanitra, ny fanekena ny famonjena amin’ny rano sy ny ra amin’ny fo manontolo (1 Jaona 5:6).

Ny tena fibebahana dia ny manaiky irery fa mpanota ary mino an’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, toa ny Mpamonjy izay mamonjy antsika amin’ny ota rehetra. Hamonjena antsika sy hanasana ny ota rehetra, tsy maintsy mijanona ny manandrana manadio tena irery isika ary manaiky fa tena mpanota eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Lalàny. Avy eo tsy maintsy manaiky ny fahamarinana isika, ny famonjena amin’ny rano sy ny Fanahy, ny

Page 327: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

327 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

famonjena izay nomen’i Jesosy antsika tamin’ny Batisany sy ny rany.

Tsy maintsy mamela ny eritreriny sy ny sitra-pony rehetra ny mpanota ary miverina tanteraka amin’i Jesosy. Ho voavonjy izy rehefa afaka hino fa ny batisan’i Jesosy dia natao hanalana ny otany eo aminy.

Izany hoe, ny finoana fa ny batisan’i Jesosy, ny fanohomboana Azy, ny Fitsanganany amy ny maty dia làlana hamonjena ny mpanota. Tonga nofo Jesosy, natao batisa ary nohomboana tamy ny Hazo fijaliana hanadiovana ny otan’ny olona rehetra. Ny fananana finoana tanteraka amin’ireo rehetra ireo sy ny finoana fa nitsangana tamy ny maty Jesosy mba ho lasa Mpamonjin’izay mino Azy no tena fibebahana sy tena finoana.

● FAMONJENA

Ny teny famonjena midika “voavonjy amin’ny lefona.” Mahazo ny famonjena ny olona rehefa manaiky izy fa tokony ho any amin’ny afobe noho ny otany ary mino fa novonjen’i Jesosy amin’ny otany rehetra izy amin’ny alalan’ny fahaterahany, ny batisa sy ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana.

Ilay olona lasa madio amin’ny otany noho ny finoana an’ny famonjen’i Jesosy, ny batisa sy ny ran’i jesosy dia atao hoe “ilay voavonjy, ilay ateraka indray, ilay olo-marina.”

Afaka ampiasaintsika ny teny hoe “famonjena” ho an’izay voavonjy amin’ny otany rehetra, ao anatin’izany ny ota voalohany sy ny ota isan-andro, amin’ny finoana an’i Jesosy. Tahaka ny olona nianjera ka voavonjy, ilay olona latsaka anatin’ny otan’izao tontolo izao afaka ho

Page 328: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

328 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

voavonjy raha mino an’i Jesosy ho Mpamonjiny, mino ny Batisany sy ny Rany ary mino ny tenin’ny fahamarinana ara-panahy.

● ATERAKA INDRAY

“Ateraka fanindroany.” Ateraka indray ny mpanota rehefa voavonjy ara-panahy izy amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny Hazo fijaliany.

Ateraka indray ara-panahy ny olona amin’ny finoana ny batisa sy ny ran’i Jesosy. Ny ateraka indray dia ireo izay voasasa amin’ny otany ary “miandry ny fiverenan’i Jesosy tsy misy ota.”

● FANAVOTANA HO AN’NY FAHOTANA

Na ny famelan-keloka. Voavela ny ota rehefa lasa madio amin’ny ota miaraka ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia finoana ny fisian’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra, ny Fidinany teto an-tany toa ny olona, ny Batisany sy ny Fitsanganany amy ny maty ho an’ny famonjena ny olona.

Ny fanavotana izay omen’i Jesosy antsika sy amin’ny finoana ny Batisany sy ny Rany (tahaka ny ao amin’ny Testamenta Taloha), fa Jesosy mamonjy irery ny olona amin’ny ota. Ny fanavotana ao amin’y Baiboly mampiseho ny fanadiovana ny ota amin’ny finoana ny batisa sy ny ran’i Jesosy. Lasa teo amin’i Jesosy ny ota rehetra ka tsy misy ota intsony ao am-pon’ny

Page 329: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

329 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

olombelona. Afaka miantso tena ho voahavotra sy olo-

marina isika rehefa avy namindra ny otantsika teo amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny Batisany.

● JESOSY KRISTY

JESOSY: “Ny Mpamonjy izay namonjy ny firenena rehetra amin’ny otany sy ny sazin’ny ota.” Ny teny hoe Jesosy midika hoe ny Mpamonjy, ilay hamonjy ny firenena rehetra amin’ny otany.

KRISTY: “Ilay voahosotra.” Misy karazana

raharaha telo nahatonga ny olona ho voahosotr’Andriamanitra. Ary nanana an’izy telo Jesosy.

(1) ny mpanjaka

(2) ny mpaminany (3) ny mpisorona Nananan’i Jesosy avokoa ireo. Nanao ny

asan’ireo rehetra ireo Izy. Tokony hino an’i Jesossy toa ny Mpanjaka, Mpaminany sy Mpisorona isika, izay nampianatra antsika ny fanavotana sy ny famonjena ary toa izany no nahatonga antsika hiantso azy “Jesosy Kristy.” Izy no mpisoron’ny lanitra izay namonjy antsika amin’ny otan’izao tontolo izao miaraka ny Batisany sy ny Rany.

Ka Izy izany no Mpanjakan’izay rehetra mino Azy. Nahatonga saina antsika amin’ny ota Izy rehefa nanatona Azy isika. Mampianatra antsika Izy fa mpanota isika, fa satria taranaka mpanota isika dia mpanota koa ary ny valin’izany dia ambany ny fitsaran’Andriamanitra isika.

Nampianatra antsika Izy fa voasasa amin’ny otantsika isika tamin’ny Batisany sy ny Rany.

Page 330: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

330 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Izany rehetra izany no nataony ho antsika mpanota.

● MANINONA LASA OLONA NY ZANAK’ANDRIAMANITRA? Tonga olona Izy ho Mpamonjy sy hamonjy ny

mpanota amin’ny ota, ny fitsarana sy ny afobe.

● IZA JESOSY?

Araka ny voasoratra ao amin’ny Genesisy 1:3, Izy no Nanahary, ny tena Andriamanitra, ny Andriamanitrin’izao tontolo izao (Filipiana 2:6, “Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra” Jaona 1:2-3 “Izy dia tao amin’Andriamanitra

tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza”). Jesosy no Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra, ny Tompon’izao tontolo izao.

Nefa maro ny olona izay tsy voavonjy noho ny tsy finoana ny fitiavana sy ny famonjena avy amin’i Jesosy rehefa tonga nofo teto an-tany Izy. Nefa maro koa ny nahazo ny famonjena, tonga firenen’Andriamanitra ary nahazo ny fiainana mandrakizay noho ny finoana Azy. Lasa olo-marina ireo.

● INONA NO LALANA VOADIDIN’ANDRIAMANITRA?

Andriamanitra no Mpandahatra, ny tena Andriamanitra tokana ary Avo indrindra. Ho

Page 331: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

331 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

an’izany dia nanao Lalàna ho an’izao tontolo izao Izy.

(1) Nanome ny Lalàny sy ny Didiny ho an’ny mpanota hamonjena azy amin’ny otany.

(2) Ny lalàna faharoa nomeny dia ny lalàn’ny fanavotana izay mamonjy antsika. Io no lalàna hazahoana ny fanavotan’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy antsika. (Romana 5:1-2). Nidina teto an-tany Jesosy hanatanteraka ny Lalàna izay nodidiany ary natao batisa sy nalatsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana Izy ary nitsangana tamy ny maty. Nanao ny lalàn’ny fanavotana Jesosy mba hamonjena ny mpanota rehetra eran-tany.

(3) Nandidy ny lalàn’ny finoana Andriamanitra ho an’ireo mino ny famonjen’ny rano sy ny Fanahy. Ireo rehetra izay te ho voavonjy sy ho lasa zanak’Andriamanitra. Io no fomba tokana hazoana ny famonjena.

(4) Namela ny paradisa Izy ho an’ireo mino ny

famonjena ara-panahin’ny fahamarinana.

● NY LALAN’ANDRIAMANITRA (NY DIDY FOLO) Ny maha-izy aza ny zava-drehetra izay tokony

tazomina ho an’Andriamanitra dia ny didy folo izay misy antoko 613 momban’ny fiainana isan-andro. Misy fandidiana sy fandrarana tahaka ny hoe “manaova an’izao” ary “aza manao an’izao.” Ireo no fototrin’ny fiainana ary ny didin’Andriamanitra nomena ny olona mba anekeny ny otany. Amin’ny didin’Andriamanitra izay voasoratra, hazoantsika fantatra ahoana no fandikantsika an’Andriamanitra (Romana 3:19-20).

Nanome ny Didiny an’ny olona Andrimanitra mba hafantarany ny otany. Tsy afaka mitana

Page 332: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

332 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

an’ireo didy ireo mihitsy isika, noho izany afaka manaiky amim-panetren-tena isika fa mpanota alohan’ny hino an’i Jesosy. Tsy tokony hanao fahotan’ny tsy fahalalana isika ka manandrana miaina tsy misy ny Didiny. Mpanota daholo ny olona ary fantratr’Andriamanitra fa tsy afaka miaina araka ny Lalàny mihitsy izy. Ka nidina teto an-tany toa ny olona Izy, natao batisa ary notsaraina teo amin’ny Hazo fijaliana.

Io hampisehona antsika fa tanteraka ny lalàn’Andriamanitra, tahaka ny fahalemen’ny olombelona. Miarak’izany, ny fahamasinana sy ny fahalavorarin’Andriamanitra dia voambara ao anatin’ny lalàn’Andriamanitra.

● TOKONY HINO AN’I JESOSY VE ISIKA?

Eny, tokony hino isika “Fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apositoly 4:12). Satria Izy no Tomponstika, satria Izy no marina indrindra, satria izany no Sitra-pony, satria tsy misy Mpamonjy hafa, satria Jesosy ihany no Mpamonjy, satria afaka ho voahavotra isika ary ateraka indray raha mino Azy, satria afaka ho any amin’ny paradisa isika ary hiaina mandrakizay raha mino Azy fotsiny, ka tokony hino Azy isika.

Page 333: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

333 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

● MANINONA TOKONY HINO AN’I JESOSY ISIKA?

Tokony hino an’i Jesosy isika : (1) hanatanteraka ny sitra-pon’Andriamanitra (2) hamonjena ny otantsika rehetra (3) hamonjena antsika sy hidirantsika ao

amin’ny fanjakan’ny lanitra mba hafahana hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Tompo.

● MIJANONA HO MPANOTA VE ISIKA RAHA MINO AN’I JESOSY?

Tsia., ny Apositoly Paoly, raha natsiaro ny andro alohan’ny nahitany an’i Jesosy, milaza ao amin’ny 1 Timoty 1:15 “mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany.” Maro ireo

mihevitra fa mpanota izy na mino an’i Jesosy aza. Nefa izany tsy marina. Mpanota daholo ny olona alohan’ny hinoany an’i Jesosy. Nefa raha manomboka mino an’i Jesosy izy amin’ny fomba tadiaviny, lasa olo-marina miaraka amin’izay. Ny apositoly Paoly nitadidy ny andro alohan’ny nafantaran’i Jesosy azy ary nekeny fa izy no mpanota voalohany.

Nefa Paoly, tamin’izy mbola Saoly, raha nifanena tamin’i Jesosy teo amin’ny làlana mankany Damsikosy izy, tonga saina fa Jesosy no Mpamonjy ka nino Azy izy ary nisaotra an’i Jesosy. Ary nandritra ny ambin’ny fiainany dia nanambara ny fahamarin’Andriamanitra izy, ny batisan’i Jesosy izay nanaisotra ny otan’izao tontolo izao ary koa tokony ho faty Jesosy hamafana ny otan’izao tontolo izao.

Izany hoe, lasa mpanompon’Andriamanitra izy, izay mitory ny filazantsaran’ny rano, ny

Page 334: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

334 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mpanota voalohany alohan’ny namonjena azy, alohan’ny nifanenany tamin’i Jesosy, maro ny mihevitra fa ny Apositoly Paoly dia mpanota raha tao aorian’ny nifanenany tamin’i Jesosy aza.

Nefa ny marina dia tsy mpanota intsony izy ary afaka manehatra an’i Jesosy raha tiany. Niaina amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny famonjena izy, ny fanavotan’ny batisa sy ny ran’i Jesosy. Raha tao aorian’ny nanatonany an’Andriamanitra, tafajanona ho antsika anaty Baiboly ny fanambarany fa ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy no filazantsran’ny fiangonana voalohany. Ny faneken’i Apositoly Paoly dia tantaran’ny andro fahagola ary fanatitra fisaorana ho an’i Tompo.

Mpanota ve izy tao aoriana ny ninony an’i Jesosy? Tsia. Mpanota izy talohan’ny aterahana indray nefa raha vao nino izy fa Jesosy no Mpamonjy, raha vao tonga saina izy fa nifindra

teo amin’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao tamin’ny Batisany, raha vao nino ny batisa sy ny ran’i Jesosy izy, dia lasa olo-marina.

Izy no voalohany niantso ny tenany hoe mpanota voalohany satria tadidiny ny andro nampijaliany ny mpanaraka an’i Jesosy ary nisaotra an’Andriamnitra izy namonjy mpanota tsy misy fanantenana toa azy.

Iza no afaka miantso azy mpanota? Iza no afaka miantso olona hoe mpanota kanefa lasa olo-marina izy amin’ny finoana fa ny batisa sy ny ran’i Jesosy no famonjena? Ireo izay tsy mahalala ny fahamarinan’ny fanavotan’i jesosy ihany.

Ny Apositoly Paoly lasa olo-marina noho ny finoany ny fanavotana avy amin’i Jesosy ary nanomboka tamin’izay, nitory ny filazantsara ho an’izao tontolo izao izy ary noho ny finoana an’i Jesosy Kristy toa ny Zanak’Andriamanitra. Ny

Page 335: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

335 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Apositoly Paoly tsy mpanota fa mpanompo marin’Andriamanitra, tena mpanompo izay nitory ny filazantsara ho an’ny mpanota rehetra eran-tany.

Izy mpanota ve afaka mitory an’ny hafa? Tsy mandeha izany. Ahoana no afahany mitory izay tsy fantany amin’ny hafa! Raha tsy voavonjy izy, ahoana no fomba hamonjeny ny hafa?

Raha misy olona miletika anaty rano ary manandrana mamonjy ilay eo akaikiny, izy roa lahy no hiaraka hiletika. Ahoana no afaka hamonjy ny hafa ny mpanota? Hitondra azy amin’ny afobe fotsiny izany. Ahoana no fomba hamonjen’ny marary ny marary hafa? Ahoana ny olona voan’i Satana no afaka hamonjy ny hafa?

Ny Apositoly Paoly dia mpanota nefa lasa olo-marina raha nino ny batisa sy ny ran’i Jesosy. Ka afaka lasa mpanompon’Andriamanitra izy ary nitory ny filazantsara ho an’ny mpanota eran-

tany. Afaka namonjy mpanota maro izy miaraka ny fahamarinan’Andriamanitra. Efa tsy mpanota instony izy.

Nateraka indray izy ary tsy niaina tao amban’ny fahamarinan’ny Lalàna fa tao anatin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Lasa mpanompo sy mpitory ny fahamarinan’Andriamanitra izy ary nampiverina olona maro an’Andriamanitra. Tsy mpitory ny zotom-po na ny fahamarinan’ny Lalàna izy fa ny fahamarinan’Andriamanitra.

Mpanota ve izy? Tsia. Olo-marina izy. Amin’ny maha olo-marina azy, lasa apositolin’ny fahamarinan’Andriamanitra izy. Aza miantso azy mpanota fa fanesoana an’Andriamaitra izany, toa ny tsy fahazoan-tenin’ny fahamarinana. Olo-marina izy. Tsy tokony haneso azy na haneso an’i Jesosy isika amin’ny fiheritreretana hafa.

Page 336: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

336 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Raha milaza isika fa mbola mpanota izy tao aoriana ny nahitany an’i Jesosy, dia milaza an’i Jesosy ho mpandainga isika. Olo-marina koa Jesosy ary i Jesosy no nanao azy mpanompon’ny fahamarinana.

● METY HO VOADIO VE NY OTANTSIKA AMIN’NY FIVAVAHANA FIBEBAHANA?

Tsy mety ho voasasan’ny vavaka sy ny fibebahana mihitsy ny otantsika satria ny fanavotana tsy asan’ny olona na vavakin’ny olona. Raha te ho voasasa tanteraka sy mandrakizay amin’ny ota isika dia tokony hino ny batisa sy ny ran’i Jesosy ary koa Jesosy no Andriamanitra. Ny tena fanavoatna dia homena

an’ireo izay mino fa nanasa ny otantsika Jesosy tamin’ny fanaovana Azy batisa sy ny nalatsany ra teo amin’ny Hazo fijaliana hanomezana antsika fiainana vaovao.

Ka afaka hanasa ny ota isan-andro ve isika amin’ny fivavahana fibebahana? Tsia. Efa voasasa ny ota ataontsika mandritra ny fiainana tamin’ny nandraisan’i Jesosy azy tamin’ny Batisany, 2000 taona lasa iazo. Voasasa mandrakizay amin’ny ota isika miaraka ny batisan’i Jesosy sy ny rany latsaka teo amin’ny Hazo fijaliana.

Na ny ota atao aoriana ny finoana an’i Jesosy aza dia voasasan’ny loharanon’ny famonjena avy amin’ny batisa, ny marina momban’ny fanavotana; Lasa Mpamonjy antsika Jesosy ary nanaisotra ny otantsika rehetra izay atao mandra-pahafaty. Tonga teto an-tany Jesosy ary natao batisa “fa izao” (Matio 3:15) no hahatanteraka

Page 337: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

337 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny fahamarinana raha nanala ny otantsika rehetra. Nitondra ny otantsika ny Zanak’Andriamanitra raha natao batisa.

Ny batisan’i Jesosy midika hoe “voadio.” Satria ny otantsika rehetra lasa teo amin’i Jesosy avokoa, rehefa natao batisa Izy, voasasa tanteraka ny otantsika ary nanafaka antsika amin’ny fandevozan’ny otantsika izany.

Ny batisa midika koa “voaletika, voalevina.” Satria lasa teo amin’i Jesosy ny otantsika rehetra, maty ho antsika mpanota Izy. Ary izay mino fa lasa teo amin’i Jesosy ny ota rehetra tamin’ny Batisany, lasa madio mandrakizay.

Ny tena finoana dia ny mino ao am-po fa ny otantsika, na ny ota atao ankehitriny aza, dia lasa teo amin’i Jesosy 2000 taona lasa tamin’Izy nanaisotra ny otantsika rehetra ary “fa izao” no nahatanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra.

Raha tsy nanasa ny otantsika tamin’ny

Batisany Izy nandritra an’ireo taona ireo, tsy misy fomba hanadiovana antsika amin’ny ota amin’izao fotoana izao. Tadidio fa efa voadion’i Jesosy efa ela ny otantsika.

Ny tena finoana sy ny famonjena ara-panahy, ankehitriny midika hoe mitondra ny otantsika eo anatrehan’i Jesosy ho sasany ary milaza “Efa nosasanao koa moa ireo ota ireo?” ary mino Azy sy misaotra Azy. Izany no nahatongavany, nanaovana Azy batisa ary nahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsanganany amy ny maty telo andro avy eo ary izany no nahatonga Azy Mpamonjy antsika.

Ny nahazo fitahina dia ireo manasa ny otany ary mino ny batisan’i Jesosy izay nanasa ny otantsika rehetra. Ny fahamarinana dia ny fanasana ny ota isan-andro. Ny tena finoana dia ny mino an’i Jesosy izay nanaisotra ny otan’izao tontolo izao tamin’ny Batisany.

Page 338: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

338 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

● ROMANA 8:30 MITENY AMINTSIKA, “ARY IZAY NOTENDRENY NO NANTSOINA KOA; ARY IZAY NANTSOINY NO NOHAMARININY KOA; ARY IZAY NHAMARININY NO NOMENY VONINAHITRA KOA” MOA VE TENY MOMBAN’NY FANAMASINANA TSIKELIKELY IO?

Tsy momban’ny fahamasinana tsikelikely io.

Teolojiana maro sy mpitory teny diso no milaza fa “Ilay olona mino an’i Jesosy dia hiova tsikelikely ary azo fanamasinana tanteraka amin’ny nofo sy ny Fanahy” ary maro ny nino an’ireo.

Nefa, ny tena izy, dia mialasa be kirina ny

olona. Ary mitombo ao am-pony tahaka ny fitombony ny ota. Ahoana no hiankina amin’ny fotoana ny fanamasinana? Ny teny hoe “fanamasinina tsikelikely” anisan’ny teny tsy tian’Andriamanitra ary anisan’ny tian’ny devoly hampisaina.

Mety ho lasa olo-marina ny olona raha tsy misy hifandraisany amin’ny ota. Satria nosasan’i Jesosy tamin’ny Batisany ny ota rehetra ary nanolo-tena Izy handoa ho an’ny olona izay lasa olo-marina amin’ny batisa sy ny ran’i Jesosy. Lasa olo-marina ny olona amin’ny finoany fa nesorin’i Jesosy teo Aminy ny ota rehetra.

Ny teny hoe “fanamasinana” midika “lasa masina.” Ny fanandramana ho hamasinina irery dia tsy finoana ny marina fa kosa finoana noho ny fahalemen’ny nofo.

Ny fanamasinana tsikelikely dia avy amin’ny faniriana ara-panahin’ny olona. Ny fivavahana

Page 339: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

339 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

rehetra dia manana ny teniny ho an’ny fanamasinana nefa isika izay mino an’i Jesosy tokony tsy hanome halehibeny an’io teny io.

Tsy tokony hamasinina tsikelikely isika amin’ny finoana an’i Jesosy. Tokony lasa olo-marina isika noho ny finoana ny batisa sy ny ran’i Jesosy, ny filazantsaran’ny famonjena ara-panahy. Ny tena fahamarinana dia avy amin’ny finoana ny filazantsaran’ny batisa sy ny ran’i Jesosy.

● AMIN’NY FANEKENA NY OTANTSIKA, AFAKA MANALA NY OTANTSIKA VE ISIKA?

Tsia. Tsy ho afaka ny ota miaraka ny fanekena. Ny otantsika afaka miala raha mino

an’ny batisa sy ny ran’i Jesosy isika, izay nanasa ny ota rehetra. Io no filazantsaran’ny famonjena ara-panahin’i Jesosy izay nanasa ny otantsika rehetra tamin’ny Batisany teo amin’ny Jordana.

Ny fanekena ny ota dia fanekena ny lalàn’Andriamanitra, nefa ny fanavotana dia omena an’ireo izay mino ny batisa sy ny Hazo fijalian’i Jesosy.

Ny ranon’ny batisa sy ny ran’i Kristy dia fahamarinan’ny lanitra izay mamonjy ny olona rehetra amin’ny ota, ary ny famonjena ny olona dia tsy miankina amin’ny fanekena ny ota fa amin’ny finoana fa naka ny ota ny olombelona rehetra Jesosy amin’ny Batisany. Ny fanohomboana an’i Jesosy amy ny Hazo fijaliana no sazy ho an’ny ota izay nalany tamintsika mpanota.

Ka ny tena famonjena ny olona dia ny batisa teo amin’ny Jordana ary ny ra teo amin’ny Hazo

Page 340: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

340 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fijaliana. Voasasa amin’ny ota rehetra isika satria mino an’i Jesosy izay nanaisotra ny otantsika rehetra.

Misy an’ireo izay mitory fa afaka sy voahavotra isika raha manaiky ny otantsika, tsy mahafantatra ny tena famonjen’Andriamanitra ireo.

Ka tokony hino ny batisa sy ny ran’i Jesosy isika, ny famonjen’i Jesosy. Aza milaza mihitsy hianareo fa afaka ho voahavotra ny otan’ny olona raha manaiky eo anatrehan’Andriamanitra.

Fantaro fa ny otantsika dia mitondra antsika any amin’ny afobe nefa mety ho voasasa ny ota raha mino an’i Jesosy, ny Batisany sy ny rany, izay manavotra antsika sy mahatonga antsika ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra. Io no fomba tokana izay mamonjy antsika amin’ny ota rehetra. Aoka isika halala fa voasasa ny otantsika rehetra indray mandeha amin’ny finoana ny

tenin’ny fahamarinana, ny rano sy ny ran’i Jesosy.

Tsy voafafa foana ny ota isaky ny manao fanekena. Raha maharitra manantena ny fanekena hianareo dia ho any amin’ny afobe. Aoka isika hino ny filazantsara mba ho voasasa ny ota ao am-pontsika. Minoa amin’ny fonareo, fa tsy amin’ny loha ary ho afaka ny fandevozan’ny otanareo mandrakizay hianareo.

● INONA NO TENA FILAZANTSARA?

Ny tena filazantsara dia ilay manafaka antsika tanteraka amin’ny ota raha vao mino isika. Tahaka ny dinamita ny filazantsaran’Andriamanitra.

Ny filazantsaran’Andriamanitra dia hoe

Page 341: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

341 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Jesosy Kristy nanao trosa ho an’ny mpanota izay tsy afaka nandoa ny trosany.” Atao hoe dinamita ny filazantsara satria rehefa tokony ho faty ho an’ny ota isika sy tokony ho any amin’ny afobe, rehefa tokony ho tsaraina, tonga fanatitra ho sorona ny Zanak’Andriamanitra hamafana ny otantsika rehetra.

Tonga teto an-tany indray mandeha Izy ary naka ny otan’izao tontolo izao tamin’ny Batisany teo amin’ny Jordana ary nanadio ny otantsika mandrakizay Izy.

Nandoa ny tambin’ny otantsika Izy raha naka azy ireo tamin’ny Batisany teo amin’ny Jordana ary raha maty teo amin’ny Hazo fijaliana. Novakiny tahaka ny dinamita ny otan’izao tontolo izao miaraka ny Batisany sy ny Rany. Io no tena filazantsara.

Ny tena filazantsara dia ny hoe tonga teto an-tany Jesosy ary noho ny Batisany sy ny rany

latsaka teo amin’ny Hazo fijaliana, novonjeny izay rehetra mino Azy.

Voasoratra ao amin’ny 1 Jaona 5:6 “Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; Tsy tamin’y rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.”

● MANINONA NO NANOLO-TENA TEO AMIN’NY HAZO FIJALIANA JESOSY?

Ny fisoronan’i Jesosy dia ho an’ny otan’ny olona izay nalainy tamin’ny Batisany. Nanome ny nofony ho an’ny olona Izy handoavana ny otan’ny olona mba hanafaka ny olombelona amin’ny sazy noho ny otany.

Page 342: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

342 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ny tokony ho fantantsinka dia natao batisa teo amin’ny Jordana Jesosy handraisana ny otan’ny olona. Ary tokony hino isika fa maty teo amin’ny Hazo fijaliana ho an’izany Izy.

Raha tsy natao batisa Jesosy alohan’ny fanohomboana Azy teo amin’ny Hazo fijaliana dia tafajanona ny otantsika rehetra. Ka tokony hino ny batisa sy ny ran’i Jesosy isika. Satria Jesosy no Zanak’Andriamanitra, ny Zanak’ondry fanao sorona, natao sorona Izy hamafana ny otantsika rehetra.

Tokony hino isika rehetra fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra, natao batisa Izy hanalana ny otan’izao tontolo izao ary nohomboana noho ny otantsika. Natao batisa Jesosy hanalana ny otan’ny olona, avy eo Izy nohomboana mba ho voavonjy isika mpanota, ary ho afaka amin’ny sazy.

● IZA MOA I JAONA BATISTA NO NANAO BATISA AN’i JESOSY?

Nanome ny Lalàny an’ny olona Andriamanitra amin’ny alalan’i Mosesy sy ny soron’ny fanavotana mba hanavotra ny olona amin’ny fahotany sy ny heloka. Nanome didy an’i Arona, rahalahin’i Mosesy Izy, amin’ny maha mpisorona avo azy ary nilaza azy hanome ny fanatitra ny fanavotana ny andro fahafolon’ny volana fahafito, ny andron’ny fanavotana hanalana ny ota isan-taonan’Isiraely (Levitikosy 16).

Nilaza tsara Izy fa ny fisoronana ny andron’ny fanavotana dia ny tarak’i Arona ihany no mahazo manao azy. Namoha ny làlana an’ny Isiraelita Andriamanitra, hanonerany ny otany rehetra amin’ny fametrahan-tànana, ny soron’ny fanavotana nomen’i Arona sy ny taranany. Io no

Page 343: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

343 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

lalàn’ny fanavotana izay napetrak’Andriamanitra ho an’ny olona.

Nolazainy mazava tsara fa Jesosy no Mpamonjin’ny olombelona. Ary tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, Jaona Batista dia taranak’i Arona, mpisorona avo farany. Ary Jaona Batista, amin’ny maha mpisoron’Andriamanitra azy, mpisolon-tenan’ny olombelona, nanao batisa an’i Jesosy, ny Zanak’Andrimanitra izay tonga hamonjy ny mpanota ary naka ny otan’ny olombelona rehetra teo amin’ny lohany.

Nahazo fitahiana avokoa ny olona raha afaka namindra ny otany teo amin’i Jesosy amin’ny alalan’i Jaona Batista. Jaona dia mpisorona, mpisolon-tenan’ny olombelona; mpanompon’Andriamanitra izay namindra ny otan’ny olona tamin’i Jesosy.

Mpisolon-tena sy mpisoron’ny olombelona

Jaona Batista, nelefan’Andriamanitra ary hiraka nalefa 6 volana mialohan’i Jesosy. Izany hoe Jesosy Kristy dia Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny otan’izao tontolo izao fa i Jaona Batista kosa dia mpisorona avo namindra ny otan’izao tontolo izao teo amin’i Jesosy tamin’ny Batisany. Mpanompon’Andriamanitra Jaona Batista.

● NY JORDANA NANAOVANA BATISA AN’I JESOSY

Ny ony Jordana dia mikoriana mafy ao amin’ny Ranomasina Maty izay tsy misy zava-mananaina. Ny fanambonin’ny ranon’ny Ranomasina Maty dia iva kokoa noho ny levin’ny ranomasina. Ka ny ranon’ny Ranomasina Maty dia tsy afaka mikoriana na

Page 344: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

344 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

aiza na aiza, voagadra anaty Ranomasina Maty. Nataon’i Jaona Batisa tao amin’ny onin’ny

fahafatesana (ony Jordana) Jesosy. Izany mampiseho fa ny olona rehetra afa tsy

ny manana ota ao am-pony manatrika ny fahaverezana mandrakizay ho an’ny ota, amin’ny farany.

Ka, ny ony Jordana dia ony fanasana ny ota, ony fahafatesan’ny mpanota. Farany, io no onin’ny fanavotana izay manadio ny otan’ny olona amin’y Batisany, ny famindrana ny ota amin’i Jesosy.

● INONA NY SORON’NY FANAVOTANA HO AN’NY OTA ISAN-ANDRO TAMIN’NY TESTAMENTA TALOHA?

Soron’ny fanavotana ho an’ny ota isan-andro. Mba hanavotana ny ota isan-andro, tsy maintsy nitondra zanak’ondry iray, ombilahy iray na voromahailala ao anaty tabernakely ny olona ary mametraka ny tànany teo amboniny hamindrana ny otany teo amin’ny sorona. Io no soron’ny fanavotana ho an’ny ota isan-andro araka ny lalàn’Andriamanitra (Levitikosy 3:1-11).

Page 345: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

345 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

● INONA NO SORON’NY FANAVOTANA NY OTA ISAN- TAONA TAO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA?

Sorona indray mandeha ny fanavotana ho an’ny ota natao tamin’ny taona. Nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny osilahy ny mpisorona avo ary namindra ny otan’ny taona nataon’ny vahoakan’Isiraely, indray mandeha (Levitikosy 16:1-34).

Ny sorona ho an’ny ota isan-andro sy ny isan-taona dia tanterak’i Jesosy tamin’Izy lasa Zanak’ondrin’Andriamanitra hanalana ny ota rehetra teo amin’ny Lohany amin’ny alalan’ny Batisany.

● INONA NY SORONA HO AN’NY FANAVOTANA RAHATRIZAY?

Fanavotana ny ota rehetra an’izao tontolo izao amin’ny finoana an’i Jesosy. Ary satria Jesosy no Zanak’Andriamanitra sy Tompontsika izay mihaina mandrakizay. Afaka manala ny otan’ny olona ho mandrakizay Izy. Ahoana no fomba fanalany ny otantsika ho mandrakizay?

(1) Amin’ny naterahany tonga nofon-dehilahy (2) Amin’ny nanaovan’i Jaona Batista Azy

batisa teo amin’ny Jordana (3) Amin’ny fitsarana Azy teo amin’ny Hazo

fijaliana. Tonga nofon-dehilahy teto an-tany ny

Zanak’Andriamanitra ary natao batisa hanesorana ny otan’ny olona amin’ny alalan’i Jaona Batista ary latsa-drà teo amin’ny Hazo fijaliana Izy hamonjena ny olombelona amin’ny

Page 346: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

346 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ota mandrakizay (Levitikosy 16:6-22, Matio 3:13-17, Jaona 1:29, Hebreo 9:12, 10:1-18).

● OMENA INDRAY MANDEHA VE NY FANAVOTANA SA TSIKELIKELY?

Omena indray mandeha satria Jesosy nanaisotra ny otantsika indray mandeha tamin’ny Batisany indray mandeha ary ny fitsarana Azy indray mandeha. Hoy Izy, araka ny voasoratra ao amin’ny Matio 3:15 “Ekeo ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.”

Ao amin’ny Jaona 1:29, hoy Jaona Batista “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” ary ao

amin’ny Jaona 19:30, hoy Jesosy “Vita.” Ao amin’ny Hebreo 10:9-18 “Dia hoy indray

Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao. Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha. Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota. Fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasininina. Ary ny Fanahy masina koa nanambara izany aminstika, fa rehefa voalazany

Page 347: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

347 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hoe: Izao no fanekena hataoko aminy. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah, hataoko ao am-pony ny lalàko. Sady hosoratako ao an-tsainy dia hoy kosa Izy: Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony. Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota instony.”

Voahavotra indray mandeha ny otan’ny olona amin’ny batisa sy ny ran’i Jesosy.

● INONA NO TAMBIN’NY OTA?

Ny fahafatesana no tambin’ny ota. Tsy maintsy tsaraina eo anatrehan’Andriamanitra ny ota rehetra ary ny fitsarana ho an’ny ota dia ny fahafatesana. Mba hanavotana ny ota rehetra, tsy maintsy nametraka ondry tsy misy kilema eo anatrehan’Andriamanitra ny olona.

Ka nanomana ny zanak’ondry Andriamanitra hanafaka ny vahoaka amin’ny otany. Napetraka mba hametrahan-tànana ny zanak’ondry mba hanesorana ny ota rehetra ary tsy maintsy vonoina amin’ny toeran’ny olona.

Ao amin’ny Testamenta vaovao, Jesosy no manaisotra ny otan’ny olona amin’ny Batisany ao amin’ny Jordana tahaka ny zanak’ondry ary maty ho an’ny olona. “Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota: ary ny fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 6:23).

Ny fahafatesana no tambin’ny ota nefa naneho ny Fitiavany Jesosy tamin’ny nafatesany ho an’ny olona ary amin’ny fanomezany ny fiainana mandrakizay ho an’ny mpanota rehetra eto an-tany.

Page 348: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

348 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

● MANINONA TSY MAINTSY MATY TEO AMIN’NY HAZO FIJALIANA JESOSY?

Ny fahafatesan’i Jesosy no fandoavana ho an’ny otan’ny olona izay nesoriny tamin’ny Batisany. Nanatrika ny fahafatesana ny olombelona tao anatin’ny lelan’afo mahamaivain’ny afobe, ho an’ny otany. Nefa satria notia antsika Jesosy, nanaiky ny batisa Izy izay namindra ny otantsika Taminy ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy hamonjena antsika.

Nanolo-tena ho sorona Izy hamonjena antsika amin’ny ota, ny ozon’ny fahafatesana. Ny fahafatesany dia fandoavana ho an’ny otan’ny olombelona. Natao batisa Izy hanesorana ny Hazo fijaliana hamonjena ny olona rehetra amin’ny ota, ny fahafatesana, ny fitsarana sy ny

ozona. Ny fahafatesan’i Jesosy dia ho an’ny otan’ny

olona izay nalainy Taminy teo amin’ny Jordana mba hafahany mahazo ny fitsarana ho an’ny otan’ny olombelona. Maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy ary nitsangana tamy ny maty mba hivelomantsika indray tahaka ny olo-marina.

● INONA NO AZONTSIKA REHEFA MINO AN’I JESOSY?

(1) Voahavotra isika amin’ny ota rehetra ary lasa olo-marina (Romana 8:12).

(2) Mahazo ny Fanahiny sy ny fiainana mandrakizay isika (Asan’ny Apositoly 2:38, 1 Jaona 5:11-12).

(3) Mahazo ny Lalàna ho tonga zanak’Andriamanitra isika (Jaona 1:12).

Page 349: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

349 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

(4) Mahazo ny fidirana ao amin’ny fajankan’Andriamanitra isika, ny fanjakan’ny lanitra (Apokalypsy 21-22).

(5) Mahazo ny fitahian’Andriamanitra isika (Efesiana 1: 3-23).

● MANINONA NO TOKONY HINO AN’I JESOSY ISIKA?

Mpanota daholo isika izay hianjera anaty afobe raha tsy misy ny finoana an’i Jesosy Kristy, ny Mpamonjintsika. Jesosy ihany no Mpamonjy antsika izay afaka hanafaka antsika amin’ny afobe. Tokony hino an’i Jesosy isika satria Izy irery ihany no tena Mpamonjy.

• Aiza no alehan’ny olona mino an’i Jesosy sy voahavotra amin’ny otany? Any amin’ny Paradisa.

• Aiza no alehan’ireo tsy mino an’i Jesosy ary tsy voahavotra? Any amin’ny afobe ho an’ny otany rehetra, ny farihy izay hiretan’ny afo sy ny solifara (Apokalypsy 21:8)

Iza no ondrin’Andriamanitra? Ireo izay mandray ny famonjena ara-panahy amin’ny finoana ny batisa sy ran’i Jesosy.

Ary “Ondry hafa izay tsy amin’nity vala ity” (Jaona 10:16). dia osilahy satria mino izay tiany, satria mpanota foana nefa ireo izay mino ny batisa sy ny ran’i Jesosy dia voavonjy indray mandeha ary ireo no ondrin’Andriamanitra.

● INONA NO TENA FIANGONAN’ANDRIAMANITRA?

Ny fiangonan’Andriamanitra dia ny toerana fiderana an’Andriamanitra sy fivorin’ny olo-

Page 350: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

350 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

marina, izay voahavotra sy nahazo fitahiana noho ny finoany ny batisa sy ny ran’i Jesosy (1 Korintiana 1:2). Ny tena fiangonan’Andriamanitra araka ny Efesiana 4:5-6 dia ny toerana izay hinoan’ny mpikambana fa “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra.”

● IZA NO HERETIKA AO AMIN’NY BAIBOLY?

Ny heretika dia ilay manana ota ao am-pony

nefa mino an’i Jesosy. Ao amin’ny Titosy 3:11 voasoratra “Satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no maanmelo-tena koa.”

Nanaisotra ny otantsika rehetra Jesosy, nefa ny heretika tsy mino ny filazantsara voatahy, ny

rano (ny batisan’i Jesosy, ny batisan’ny fanavotana) izay fanomezana maimaipoan’Andriamanitra, fa kosa manilaka ny famonjena izy ary manafehy tena ho mpanota.

Antsohin’Andriamanitra hoe heretika izay tsy mino an’i Jesosy nefa manafehy tena ho mpanota (Titosy 3:11). Angamba hianareo manontany tena raha heretika na tsia. Raha mino an’i Jesosy hianareo nefa miteny tena ho mpanota, dia tsy mahafantatra ny marina momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy hianareo. Raha mino an’i Jesosy hianareo nefa mihevitra ny tenanareo ho mpanota dia heretika hianareo.

Tsy fananana fanajana an’ny famonjena amin’ny rano sy ny Fanahy izany ary porofo fa tsy zanak’Andriamanitra hianareo. Raha anisan’ireny olona ireny hianareo manaiky ny fahotany eo anatrehan’Andriamanitra ary manaiky fa mpanota, dia tsy maintsy mandaja

Page 351: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

351 FANAZAVANA FANAMPINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

tsara indray ny finoanareo hianareo. Ahoana no mbola mahatonga anareo ho

mpanota nefa efa lasan’i Jesosy ny otanareo rehetra? Maninona hianareo manandrana mandoa ny trosa izay efa noraisin’i Jesosy tahaka ny fanomezana ho anareo. Raha mbola maharitra te-handoa irery ny trosa hianareo, dia heretika satria tsy mitovy amin’Andriamanitra. Izay rehetra mino an’i Jesosy nefa tsy ateraka indray dia heretika avokoa. Tsy maintsy mahafantatra ny marina hianareo. Satria Andriamanitra nanaisotra ny ota rehetra an’izao totolo izao, raha tsy mahafantatra ny famonjeny hianareo, dia heretika.

Ny heretika dia ilay miantso ny tenany hoe mpanota. Raha miantso ny tenanareo mpanota hianareo nefa mino an’Andriamanitra Masina, dia heretika. Mba tsy ho tonga heretika, tsy maintsy mino ny batisan’i Jesosy hianareo sy ny

rany teo amin’ny Hazo fijaliana, izy roa miaraka. Ho voavonjy hianareo raha mino an’izy roa

ireo: ny batisan’i Jesosy sy ny Rany. !

Page 352: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

352 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

FANAMPY 3

FANONTANIANA SY VALINY

Page 353: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

353 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

FANONTANIANA SY VALINY

Fanontaniana 1: Novakiko ireo boky

nalefanao tamiko ary hitako ny hevitrao sasantsasany momban’ny batisa. Moa ve azonao lazaina amiko inona no ampianarinao momban’ny fifandraisan’ny batisantsika sy ny an’i Jesosy, ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany amy ny maty?

Valiny: Voalohany, tsy maintsy mijery amin-

pitandremana ny “Fampianaran’ny batisa” isika araka ny voasoratra ao amin’ny Hebreo 6:2. Ao amin’ny Baiboly, misy karazana batisa telo: Ny batisan’ny fibebahanan’i Jaona Batista, ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista ary ny

batisantsika. Ny batisantsika, dia fanekena ny finoantsika ny batisan’i Jesosy. Ka atao batisa isika mba hanaiky fa mino an’i Jesosy izay nanaisotra ny otantsika rehetra ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy hanavotana an’ireo. Ankehitriny, mety hazava aminao ny ao amin’ny Matio 3:15 “Ekeo ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” “Fa izao” midika eto fa Jesosy mihitsy no nahazo ny otan’izao tontolo izao raha nataon’i Jaona batisa Izy, Jaona izay solon-tenan’ny olombelona.

Fikasan’Andriamanitra io hamonjena antsika amin’ny fandrika ny ota tsy azo andosirana. Nataon’i Jehovah nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra (Isaia 53:6) ary nomeny ny Fahamarinany isika. “Ny fahamarinana rehetra” amin’ny teny Grika dia hoe “dikaiosune” ary midika koa hoe “ny rariny, ny mety.” Izany

Page 354: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

354 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mamposeho amintsika fa Jesosy naka ny otan’ny olombelona amin’ny fomba rariny sy mety indrindra, amin’ny batisan’ny fametrahan-tànana.

Voavonjy isika noho ny finoana ny batisa sy ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ary ny Fitsanganany amy ny maty. Ny famorana ara-panahy (Romana 2:29) dia nanala ny ota amin’ny fontsika ary nanasa azy amin’ny ota rehetra. Ary amin’ny andron’ny Pentekoty, ny apositoly Petera nilaza tamin’ny Jiosy “Mibebaha ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” (Asan’ny apositoly 2:38).

Ny mpanota rehetra dia mety mahazo ny famelan-keloka ao am-pony amin’ny finoana an’i Jesosy. Inona no dikan’ny Anarany? “fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”

(Matio 1:21). Ny anarana Jesosy dia midika hoe Mpamonjy izay namonjy ny vahoaka amin’ny otany. Ahoana no fomba namonjeny antsika amin’ny ota rehetra? Novonjeny amin’ny otantsika rehetra isika amin’ny Batisany sy ny Fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana.

Rehefa nitory ny filazantsara ny mpianatr’i Jesosy, naka toky izy ireo fa nazava tsara ny fandraisan’ny olona ny batisa sy ny hazo fijalian’i Jesosy, dia nataony batisa izay nino an’izany. Noho izany, atao batisa isika hanekena ety ivelany fa mino mafy ao an-tsaina ny batisa sy ny fahafatesan’i Jesosy. Rehefa atao batisa isika dia manaiky hoe “Tompo Jesosy, misaotra. Nalainao ny otako rehetra amin’ny alalan’ny Batisanao, maty ho an’ny otako Hianao ary Nitsangana tamy ny maty hamonjena ahy. Mino aho.” Ataon’ny pasitera batisa isika ho marikin’ny finoantsika ny batisan’i Jesosy sy ny

Page 355: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

355 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fahafatesany, tahaka ny nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesosy. Izany no nahatonga ny Kristiana tamin’ny fiangonana voalohany, nahazo ny batisa ho fampisehoana ny finoany, rehefa nahay ny filazantsara ary nahazo ny fanavotana, ny famelan-keloka.

Ny fomba fanao amin’ny batisa dia tsy manavotra foana ary ny batisantsika amin’ny fanatsobohana dia tsy misy hifandraisany amin’ny fanavotana raha zava-dehibe aza. Ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ihany no afaka hamonjy antsika. Ny Baiboly milaza fa vita batisa amin’i Kristy isika (Romana 6:3, Galatiana 3:27). Ahoana no hafahantsika atao batisa amin’i Kristy? Azo atao izany raha toa isika mino ny batisany satria ny nofo, ilay lahy antitra, afaka miray amin’i Jesosy ary homboana miaraka Aminy amin’ny alalan’ny Batisany. Noho izany, satria Jesosy nanaisotra ny

otantsika rehetra tamin’ny batisany, ny Fahafatesany no fitsarana ny helotsika. Ary nohomboana miaraka amin’ny Tompo isika ary voavonjy amin’ny ota satria ny nofo, izay mahatonga antsika hanota, dia maty ary voavonjy amin’ny heloka isika.

Ny olona niray tamin’i Jesosy amin’ny alalan’ny Batisany sy ny Fahafatesany, dia afaka koa miray Aminy amin’ny fitsanganana amy ny maty. Ny Fitsanganany amy ny maty tsy fitsanganana amy ny maty fotsiny noho ny otantsika fa koa mamela antsika ho ateraka indray ho zanak’Andriamanitra, madio ary tsy misy ota eo anatrehan’Andriamanitra. Raha tsy nafindrantsika Taminy ny otantsika rehetra, ny tsy finoana ny Batisany, ny Fahafatesany ary ny Fitsanganany amy ny maty dia ho zavatra tsy misy dikany izay tsy misy hifandraisany amin’ny famonjena antsika.

Page 356: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

356 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Ireo izay namindra ny otany Taminy amin’ny alalan’ny finoana dia hiray Aminy amin’ny alalan’ny Fahafatesany eo amin’ny Hazo fijaliana sy ny Batisany, ary ho voavonjy sy ateraka indray toa ny olo-marina. Kanefa, ireo izay tsy namindra ny otany Taminy nefa mino ny Batisany dia tsy manana fifandraisana mihitsy amin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany amy ny maty. Ny batisan’ny Kristiana dia toa ny lehilahy sy vehivavy lasa mpivady amin’ny mariazy ara-dalàna. Ny batisa raisin’ny Kristiana dia fankalazana ampahibemaso ny finoana anaty.

Ny finoan’ny fontsika mihamafy rehefa manambara isika eo anatrehan’Andriamanitra, ny Kristiana sy izao tontolo izao, ny finoantsika ny batisa sy ny hazo fijaliana. Raha tsy mazava tsara amintsika ny tena dikan’ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Batista, dia hino isika fa tsy zava-dehibe ny batisan’i Jesosy ary tsy ho voavonjy

isika raha tsy mino. Io dia fitaka feno hafetsena sy fandrik’i Satana. Mahazo ny fanavotana ny ota isika ary afaka hiditra any amin’ny paradisa raha tena mino ny batisan’i Jesosy fa tsy ny finoana ny batisantsika.

Fanontaniana 2: Ahoana no hazaoko miteny

fa olo-marina aho nefa manota foana isan-andro?

Valiny: Isika, amin’ny maha olona antsika,

dia manota eo anatrehan’Andriamanitra manomboka amin’ny fahaterahana ka hatramin’ny fahafatesana. Satria isika teraka sy miaina miaraka ny ota voalohany. Izany no mahatonga ny voasoratra hoe “tsy misy marina na dia iray aza” (Romana 3:10). Ny apositoly Paoly nanaiky teo anatrehan’Andriamanitra fa

Page 357: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

357 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany” (1 Timoty 1:15).

“Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana y voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3:21-23).

Ny “fahamarinan” Andriamanitra midika fa Jesosy nataon’i Jaona batisa teo amin’ny Jordana. Rehefa natao batisa Izy dia hoy Jesosy tamin’i

Jaona Batista “Ekeo ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Naka ny otan’izao tontolo izao Jesosy tamin’ny fomba rariny sy mety indrindra rehefa nataon’i Jaona solon-tenan’ny olombelona batisa Izy. Rehefa vita batisa Jesosy, dia hoy Jaona “Ity ny Zanak’ondrin’Andrimanitra, manaisotra ny otan’izao tontolo izao!”

Inona ny dikany ny hoe “Ny otan’izao tontolo izao?” Dia ny otan’ny olombelona rehetra, hatramin’ny Adama sy Eva, ny olona voalohany ka hatramin’ny olona farany eto an-tany. Ny tany taloha, ankehitriny sy ho avy.

Jesosy izay alfa sy omega, naka indray mandeha ny otan’izao tontolo izao ary nanome an’Andriamanitra ny sorona mandrakizay raha maty teo amin’ny hazo fijaliana. Ary namasinina isika. Voasoratra amin’ny fotoana lasa ilay fehezan-teny io ary mbola mitohy. Izany midika

Page 358: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

358 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

fa namasinina isika ary tsy misy ota, manomboka amin’ny fotoana ninoantsika an’i Jesosy ka hatramin’ny ankehitriny ary ho mandrakizay.

Andriamanitra afaka mahita ny voalohany sy ny faran’izao tontolo izao indray topy maso monja satria Izy no Andriamanitra Avo Indrindra. Nahazo ny batisany Jesosy 2000 taona lasa nefa Izy afaka naka ny otan’ny olombelona nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’izao tontolo izao. Izany no nahatonga Azy hiteny teo amin’ny hazo fijaliana alohan’ny nahafatesany “Vita” (Jaona 19:30). Nofafan’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao, 2000 taona lasa izao ary maty teo amin’ny hazo fijaliana Izy hanasana azy ireo.

Mbola manota foana isika raha voavonjy aza satria malemy ny nofontsika. Nefa nalain’i Jesosy teo Aminy ny ota rehetra ataontsika, tamin’ny lasa, ankehitriny na ho avy amin’ny

alalan’ny Batisany ary notsaraina ho an’ireo Izy teo amin’ny hazo fijaliana. Io no famonjen’ Andriamanitra tanteraka sy rariny.

Raha tsy naloan’i Jesosy ny ota ho avy, tsy nisy olona ho afakin’ny ota isan-andro, “Satria ny fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Rehefa tao an-kibon-dreniny Jakoba sy Isao, nozarain’Andriamanitra firenena roa izy, nefa mbola tsy nanao na soa na ratsy akory ary notiaviny Jakoba ary nahalany Isao ary hoy Izy “Ka ny zokiny hanompo ny zandriny” (Genesisy 25:23).

Isika, olona, dia natao ho mpanota hatrany am-pahaterahana ka hatramin’ny fahafatesana nefa Andriamanitra izay nahafantatra ny maha mpanota antsika, namafa indray mandeha ny otantsika amin’ny alalan’ny batisa sy ny hazo fijaliana, noho ny Fitiavany. Miaina amin’ny fotoana voatahy isika. Hoy ny mpamimany Isaia

Page 359: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

359 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony. Ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy ho valin’ny fahotana rehetra nataony” (Isaia 40:2). Vita ny fotoana fanandevozan’ny ota amin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny hazo fijalian’i Jesosy. Ary ankehitriny, izay rehetra mino an’io filazantsara io dia afaka ho voavonjy amin’ny ota.

“Izao no fanekena hataoko aminy: rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: hataoko ao am-pony ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy, dia hoy kosa izy: ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony. Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony” (Hebreo 10:16-18).

Satria efa nofafan’Andriamanitra ny otan’ny olombelona tamin’i Jesosy Kristy, tsy mitsara antsika intsony Andriamanitra ho an’ny ota

ataontsika isan-andro. Ny valiny izany, afaka miandry ny

fiverenan’ny Tompo isika ary manaraka ny Teniny, toa ny olo-marina tsy misy ota, raha mbola manota aza isika amin’ny fiainantsika.

Fanontaniana 3: Inona ny batisan’ny

fanavotan’i Jaona Batista? Valiny: Jaona Batista dia

mpanompon’Andriamanitra teraka 6 volana alohan’i Jesosy ary naminanian’Andriamanitra tamin’i Malakia. Ao amin’ny Malakia 3:22-24, voasoratra “Tsarovinareo ny lalàn’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Isiraely rehetra dia ny disy sy ny fitsipika. Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga

Page 360: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

360 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra. Ary izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.”

Tamin’ny teraka Jesosy, ny vahoakan’Isiraely dia nanadino ny fanekena nataon’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha ary nanome voninahitra an’andriamanitra hafa izy. Ary rehefa nitondra ny fanatitra tamin’i Jehovah izy, biby jamba sy misy kilema no nomeny sorona ary nataony tsena ny tempolin’i Jehovah.

I Jesosy Kristy naminaniana tao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany. Ny Lalàn’ny Testamenta Taloha manome an’ny olona ny fahalalana momban’ny ota, mamposeho azy ahoana no maha mpanota azy (Romana 3:20). Fahotana ny tsy manaiky ny zavatra voasoratra anatin’ny bokin’ny Lalàna. Ao amin’ny

Testamenta Taloha, ny mpanota mandika ny anankiray amin’ny didin’ny Lalàna dia nitondra fanatitra eo anoloan’ny tabernakely ary mametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny biby atao sorona hamindrana ny otany eo aminy ary avy eo vonoina ny fanatitra ary ny ra afafan’ny mpisorona eo amin’ny tandroky ny alitara fandorana ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ny alitara.

Nefa satria ny vahoakan’Isiraely tsy afaka nalana tamin’ny fandevozan’ny otany rehetra amin’ny fanatitra isan-andro, nanondro ny Andro Fanavotana Andriamanitra. Amin’io fotoana io, andro fahafolo ny volana fahafito, no mamela ny heloka rehetran’ny taona Andriamanitra. Amin’io andro io, i Arona mpisorona avo amin’ny maha mpisolon-tenan’Isiraely azy, naka osilahy roa, ary nanao filokana, ny iray ho an’i Tompo ary ny iray hafa ho faditra. Avy eo,

Page 361: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

361 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

napetrany teo amin’ny lohan’ilay osilahy sorona ho an’i Tompo ny tànany hamindrana eo aminy ny otan’ny taona nataon’ny vahoakan’Isiraely. Avy eo, novonoiny ilay osy, nalainy ny ra ary nafafany impito eo anoloana sy eo ambon’ny fifonana ao amin’ny Toerana Masina. Rehefa vita ny fanonerana ny Toerana Masina, nanome fanomezana ilay osy faharoa izy. Nametraka ny tànany teo amin’ny osilahy velona izy ary nanaiky teo aminy ny ota rehetra ny taona nataon’Isiraely ary namindra ny ota teo aminy dia nandefa azy velona tany an-efitra entin’ny lehilahy voatendry ary dia afaka ho voavonjy amin’ny otan’ny taona ny Zanak’Isiraely amin’izany fomba izany.

Nefa ny sorona naterina araka ny Lalàn’ny Testamenta Taloha dia tsy afaka nahatonga ho lavorary an’ireo nanao fanatitra isan-taona. Io dia aloky ny zava-tsoa ho avy fotsiny (Ny Mesia).

Ny vahoakan’Isiraely tsy niandry an’i Jesosy Mpamonjy. Ho solon’izany, nanome voninahitra an’andriamanitra hafa izy ary nanadino ny tenin’ny mpaminan’ny Testamenta Taloha. Izany no nahatonga an’Andriamanitra, Jehovah, haminany fa andefa an’i Jaona Batista ho hamerenana ny fon’ny vahoakan’Isiraely ary mba homanin’ny fony ny fahatongavan’i Jesosy Kristy.

Alohan’ny nifankahitany an’i Jesosy sy nanaovany batisa Azy, nanao batisan’ny fibebahana an’ny vahoaka Jaona, tany an-efitr’i Joda. Ny fikasany amin’ny fanaovana batisa amin’ny rano dia ny hitondra azy ireo hino sy hitady an’i Jesosy, izay ho ataony batisa amin’ny fametrahan-tànana araka ny fanao tao amin’ny Testamenta Taloha mba hanalana ny otan’izao tontolo izao ary homboana Izy hamonjena ny otany rehetra. Niteny izy fa ho avy Jesosy hanala

Page 362: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

362 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny sorona tsy tanteraka ary hanome sorona indray mandeha ho an’ny ota ho mandrakizay, tahaka ny nazahoan’ny vahoakan’Isiraely ny fanavotana rehefa nitondra fanatitra tsy misy kilema izy, sy nametraka ny tànany teo aminy ary namono azy araka ny fomba fisoronana tao amin’ny Testamenta Taloha.

Maro ny Isiraelita nanaiky ny otany, nibebaka ary nataon’i Jaona batisa. “Mibebaka” midika “miova làlana mankany amin’ny Tompo.” Nanatona an’i Jaona izy ary nitadidy ny Lalàn’ny Testamenta Taloha ary nanaiky fa tsy afaka ny tsy hanota izy hatramin’ny fahafatesany ary niaika izy fa tsy afaka miditra ao amin’ny paradisa noho ny asa tsara ataony araka ny Lalàna ary dia nitodika tamin’i Jesosy izy izay afaka nampiditra azy ao amin’ny paradisa amin’ny fanafana ny otany rehetra indray mandeha.

Ny batisa nomen’i Jaona Batista an’ny Zanak’Isiraely dia hitondrana azy hihaiky ny maha mpanota azy, hibebahany ary hijereny an’i Jesosy, izay ho ataony batisa, izy izay mpisorona avo ary solon-tenan’ny olombelona ary izay ho homboana amin’ny hazo fijaliana hamonjena ny otany rehetra. Io no tena fibebahana araka ny Baiboly. Izany no nahatonga an’i Jaona hilaza amin’ny vahoaka “Izaho manao batisa amin’ny rano, fa eto aminareo misy Anankiray izay tsy fantatrareo dia ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aho. Ary Izy anao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.”

Namadika ny fon’ny olona amin’i Jesosy Jaona Batista ary nanambara izy fa Jesosy nanaisotra ny otan’izao tontolo izao (Jaona 1:29), maty martiora izy avy eo.

Page 363: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

363 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fanontaniana 4: Tsy mihevitra ve hianao fa ny fanomezana ho zava-dehibe ny batisan’i Jesosy ho an’ny famonjena tsy mahatonga ny Fahafatesany tsy misy dikany ao amin’ny filazantsara?

Valiny: Ny batisa sy ny hazo fijalian’i Jesosy

dia samy zava dehibe. Tsy azo lazaina hoe ny iray lehibe kokoa noho ny iray. Nefa ny olana dia maro ny Kristiana ankehitriny mahafantatra sy mino fotsiny ny ran’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Mihevitra izy fa ny otany dia voahavotra satria maty nalatsa-drà Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, nefa tsy amin’ny hazo fijaliana ihany no nanesoran’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao. Ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana dia nanjary ny fitsarana ny otantsika satria nataon’i Jaona batisa Izy, namindrany ny otan’ny olombelona.

Ny finoana ny hazo fijaliana tsy misy ny batisan’i Jesosy, dia mitovy amin’ny fanomezana fanatitra an’Andriamanitra tsy misy fametrahan-tànana eo amboniny. Izay manome fanatitra toa izany dia tsy voahavotra satria izany dia fanatitra tsy misy vidiny izay tsy azon’Andriamanitra ekena. “Raha omby no aterina ho fanatitra odorana, dia lahy tsy misy kilema no haterina, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah izy. Ary hametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny fanatitra odorana izy, dia hahazoany fankasitrahanaizany, hanaovana fanavotana ho azy” (Levitikosy 1:3-4).

Marina Andriamanitra ary Izy no Andriamanitrin’ny Lalàna. Izy no nametraka ny lalàna marina sy sahaza hanalana ny otantsika. Rehefa manome sorona araka ny Lalàny isika,

Page 364: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

364 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

eken’Andriamanitra ny sorona ho an’ny fanonerana ny otantsika. Ny fahadisoana ataon’ny olona dia ny mino fa afaka ho voavonjy isika raha mino fotsiny an’i Jesosy ho Mpamonjy satria tia antsika Andriamanitra. “Ary izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” (Asan’ny apositoly 2:21, Romana 10:13). Nefa hoy ny Baiboly “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra” (Matio 7:21).

Hazahoana an’i Jesosy ho Mpamonjy, tsy maintsy mahafantatra ny lalàn’ny famonjena izay napetrak’Andriamanitra. Raha afaka ho voavonjy isika amin’ny finoana fotsiny ny anaran’i Jesosy, tsy nilaina ny nanamarika anaty Baiboly ny fomba fisoronana tao amin’ny Testamenta Taloha sy ny nanao heloka ao amin’ny Matio 7:21. Nefa

ao amin’ny Baiboly, hita mazava tsara ny làlan’ny famonjena mahagaga sy tanteraka.

Azontsika hita mazava tsara hatramin’ny Levitikosy andininy 3 sy 4 fa ny mpanota, rehefa nanome sorona ho an’ny ota nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny sorona hamindrana ny otany aminy ary novonoina ilay fanatitra ary nafafy ny rany. Ny sorona ho an’ny ota tsy misy antony ary ny olona tsy afaka ho voahavotr’Andriamanitra raha toa tsy nametraka tànana teo amin’ny fanatitra izy na raha nisy kilema ny fanatitra.

Ny Testamenta Vaovao sy Taloha (Isaia 34:16). Ny batisan’i Jesosy teo amin’ny Jordana dia mitovy amin’ny fametrahan-tànana teo amin’ny fanatitra izay nataon’ny mpanota tao amin’ny Testamenta Taloha. Raha nataon’i Jaona batisa Jesosy, hoy Izy “Ekeo ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana

Page 365: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

365 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

rehetra” (Matio 3:15). “Ny fahamarinana rehetra” midika “fahamarinana sy rariny.” Izany midika fa sahaza sy marina ho an’i Jesosy ny ho lasa fanatitra ho an’ny otan’ny olombelona, sy ny anaovan’i Jaona batisa Azy amin’ny fametrahan-tànana hanalana ny otan’izao tontolo izao araka ny fomba marina, araka ny fomba fisoronana, ny fametrahan-tànana sy ny ra, izay napetrak’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha.

Raha mino fotsiny ny hazo fijaliana isika tsy misy ny batisan’i Jesosy, tsy nifindra tamin’i Jesosy ny otantsika ary ny fahafatesan’i Jesosy dia tsy nisy dikany ary tsy nisy fifandraisany amin’ny otantsika. Fijerena ny ran’i Jesosy toa ny ra tsy rariny izay tsy afaka manadio ny otantsika izany (Hebreo 10:29).

Noho izany, ny Rany dia mahomby hanadio ny otan’ny fon’ny mpino, raha toa ka mino izy fa

ny otany rehetra dia nifindra Taminy rehefa nataon’i Jaona batisa Izy tamin’ny fametrahan-tànana teo Aminy. Ny apositoly Paoly manambara fa ilay handresy izao tontolo izao dia ilay mino fa Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra ary tonga avy amin’ny rano sy ny ra Izy. Tonga avy amin’ny rano sy ny ra Jesosy, tsy ny rano fotsiny, tsy ny ra fotsiny (1 Jaona 5:4-6). Nazavain’i Jesosy, nanomboka tamin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra, ao amin’ny Soratra Masina manontolo, izay momba Azy (Lioka 24:27). Namposehony fa ny fanatitra ny sorona ao amin’ny Testamenta Taloha dia Izy mihitsy. Ary Davida nilaza ao amin’ny Salamo “Dia hoy Izaho: Inty aho tonga, ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy” (Salamo 40:7).

Ho fehin-teny, ny batisan’i Jesosy tsy manafoana ny hazo fijaliana nefa ny

Page 366: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

366 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

filazantsaran’i Tompo no mameno ny dikan’ny Hazo fijaliana. Izany dia mampianatra antsika koa fa raha tsy misy ny batisa sy ny ra saro-bidin’i Kristy, tsy misy fanonerana. Ny famonjena amin’ny finoana an’i Jesosy midika fa nahazo ny fanavotan’ny ota amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny ra ary nahazo ny fanomezan’ny Fanahy Masina isika (1 Jaona 5:8, Asan’ny Apositoly 2:38).

Fanontaniana 5: Azonao homena

fanazavana mampiaiky momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ve aho?

Valiny: Raha manadino fanjaitra ao ivelany,

angamba ho tadiavina amin’ny toerana nahavery azy izy. Tena tsy misy fotony ny manandrana mitady ilay fanjaitra ao an-trano satria ny trano

mazava kokoa noho ny any ivelany. Mihevitra aho, fa ankehitriny, maro ny olona tsy misy fotony toa izany anatin’ny fiangonana. Na dia anatin’ny ady hevitra ara-pinoana momban’ny batisan’ny rano sy ny antony nanaovana batisa an’i Jesosy aza izy, tsy manontany tena. Izany no mahatonga ny fiforonan’ny anarana maro sy sekta anatin’ity fivavahana ity. Ny olana tokana hanajanonana ny ady hevitra dia ny miala ny tananan’ny fifangaroana ary mankany amin’ny toerana misy ny fanjaitra very. Raha tena te hahazo ny marina, tsy miala ny tananan’ny fivavahana sy ny hevitra efa vita satria tsy azo hita ao amin’ny tananan’ny fivavahana ny marina.

Maninona ny apositoly naharitra mafy momban’ny batisan’i Jesosy? Satria nahazo ny tsiambaratelon’ny fahamarinan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy ary

Page 367: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

367 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

nafafiny eran’ny tany. Hoy Jesosy “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5).

Ny Baiboly milaza fa tonga avy amin’ny rano sy ny Fanahy Jesosy hamonjy antsika amin’ny otantsika rehetra (1 Jaona 5:6). Ny dikan’ny ra dia ny hazo fijaliana. Ka, inona no dikan’ny rano? Maninona Jesosy nataon’i Jaona batisa? Maninona Jesosy nilaza momban’ny batisany hoe “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra?” (Matio 3:15).

Tiako mba hazava aminareo tsara ny momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary ny batisan’i Jesosy. Misy fanazavana kely ireto momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’i Jesosy tamin’ny mpianany. Izany no nahatonga ny mpianany naharitra

indrindra momban’ny batisan’i Jesosy rehefa nitory ny filazantsara izy. Ny apositoly Paoly nilaza hoe “Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina” (1 Korintiana 15:3-4). Ao amin’ny “Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra masina,” inona no dikan’ny “Soratra Masina?” Ao anaty Testamenta Taloha ny valiny. Maty ho antsika Jesosy araka ny faninaniana sy ny fanekena tao amin’ny Testamenta Taloha.

Ao amin’ny Hebreo 10:1, voasoratra “Fa ny lalàna izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy.” Aoka ho jerentsika ny lalàna fisoronana sasantsasany ao amin’ny Levitikosy 1:3-5. Ny mpanota tsy maintsy manefa ny zavatra telo ilain’ny fanatitra odorana ho an’ny fanonerana

Page 368: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

368 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny ota: 1. Manomana omby lahy tsy misy kilema

(and.3). 2. Mametraka ny tànana eo amin’ny lohan’ny

fanatitra odorana (and.4). Araka ireo andininy ireo, tsy maintsy mazava

isika momban’ny lalàn’Andriamanitra. Ny otantsika mifindra eo amin’ny lohan’ny fanatitra odorana amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana.

3. Tsy maintsy maty (latsa-drà) ho an’ny fanonerana ny ota

Amin’ny andro fanonerana, Arona nametraka ny tànany roa teo amin’ny lohan’ny osilahy velona ary nanaiky teo aminy ny heloky ny Zanak’Isiraely sy ny fahadisoany rehetra sy ny fahotany rehetra izy (Levitikosy 16:21). Tamin’izany fotoana izany, Arona no solon-tenan’ny olombelona. Nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny fanatitra odorana izy ary

namindra taminy ny heloka rehetra nataon’ny vahoaka (eo amin’ny 2-3 tapitrisa) mandritra ny taona. Ny soron’ny Testamenta Taloha dia “aloky ny zava-tsoa ho avy.” Nanome ny tenany Jesosy araka ny Soratra Masina mba hanamasinina antsika araka ny Soratra Masina.

Voalohany, Jesosy dia Zanak’ondrin’Andriamanitra tsy misy kilema. Izy no Zanaka lahy tokan’Andriamanitra ary misy amin’ny fomba maha Andriamanitra. Ka, sahaza Izy ho fanatitra ho an’ny olombelona.

Faharoa, nahazo ny batisa tamin’i Jaona teo amin’ny Jordana Izy. Ny batisa dia natao araka ny fametrahan-tànana ary i Jaona Batista dia taranak’i Arona mpisorona avo. Rehefa nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’i Jesosy Jaona, nifindra teo amin’ny lohan’i Jesosy Kristy ny otan’izao tontolo izao, araka ny lalàn’Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’i Jaona

Page 369: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

369 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

“Ekeo ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” ary nahazo ny batisa Izy. Ary nesoriny ny otantsika rehetra. Ny ampitson’ny andron’ny batisa, hoy Jaona “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny otan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).

Fahatelo, nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy hanonerana ny otantsika. Maty Jesosy rehefa avy niteny hoe “Vita” (Jaona 19:30). Ary nitsangana tamin’ny maty Izy mba hatonga antsika olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra.

Miheritrereta an’ny sorona omena amin’ny fanonerana. Ny mpanota tsy maintsy mametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny fanatitra alohan’ny hamonoina azy. Raha manadino io zavatra iray tsotra io izy “ny fametrahan-tànana eo amin’ny lohan’ny fanatitra” dia tsy afaka ho voahavotra satria izany tsy araka ny Lalàna.

Raha misy Kristiana tsy manan-kevitra momban’ny dikan’ny Batisany, misy ota ao am-pony ary tsy afaka ho voavonjy izy amin’ny finoana fotsiny.

Ny ankamaron’ny Kristiana mahafantatra ny antsasaky ny Asany. Ny apositoly Jaona mamposeho mazava tsara ny filazantsara ao amin’ny taratasy voalohany, raha manoratra hoe “Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra dia Jesosy Kristy, tsy tamin’ny rano ihany fa tamin’ny rano sy ra” (1 Jaona 5:6). Ao amin’ny Baiboly, misy andininy maro manaporofo ny maha zava-dehibe ny Batisany ho fomba tena ilaina amin’ny famonjena antsika. Ny Kristiana rehetra tsy maintsy miverina amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.

Page 370: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

370 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fanontaniana 6: Andininy inona amin’ny Baiboly no milaza fa ny apositoly naharitra mafy momban’ny batisan’i Jesosy?

Valiny: Tsy maintsy asaraka ny batisan’ny

mpino amin’ny fanatsobohana sy ny batisan’i Jesosy. Tsy ateraka indray isika amin’ny fandraisana fotsiny ny batisan-drano. Afaka ateraka indray isika amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Ny zavatra hafa tahaka ny famorana na batisa dia tsy ilaina firy ho an’ny famonjen’Andriamanitra. Ny Baiboly tsy mijanona ela amin’ny batisan-drano izay azon’ny mpino. Ny batisa izay azon’i Jesosy Kristy tamin’i Jaona Batista no tena hijanonany ela.

Ny tena marina, misy andininy maro ao amin’ny Baiboly manaporofo fa ny batisan’i Jesosy dia tsy maintsy ilaina ho an’ny famonjena antsika ary io no asan’ny fahamarinana. Izany no

mahatonga azy voalaza ao amin’ny fiandohan’ny filazantsara efatra.

Marka manomboka mazava tsara amin’ny tantaran’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra tamin’ny batisan’i Jesosy Kristy. Jaona manoratra ny filazantsara amin’ny fametrahana daty amin’ny fampiasaina ny teny toa ny hoe “ny ampitso” (1:29), “telo andro avy eo” (2:1) ary mifototra amin’ny fotoana nanaovana batisa an’i Jesosy izy.

Ny ampitson’ny batisan’i Jesosy, nanambara ny tenin’Andriamanitra Jaona Batista “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra manaisotra ny otan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29). Nifindra tamin’i Jesosy ny otan’izao tontolo izao tamin’Izy nataon’i Jaona batisa. Ary avy eo, maty teo amin’ny hazo fijaliana Izy ho fanonerana ny otantsika ary niteny hoe “Vita” (Jaona 19:30) ary nitsangana tamin’ny maty Izy

Page 371: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

371 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ny andro fahatelo. Hoy ny apositoly Paoly “Fa natolotro anareo

ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina dia nalevina ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina” (1 Korintiana 15:3-4). Ny “Soratra Masina” eto midika ny Testamenta Taloha. Ahoana no fomba fanomezan’ny mpanota sorona hamonjena azy? Tsy maintsy nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny sorona izy alohan’ny hamonoina azy. Raha manadino ny “mametraka tànana eo amin’ny lohan’ny fanatitra izy dia tsy afa-keloka satria lasa sorona mifanoitra amin’ny lalàna izany.”

Hoy ny apositoly Paoly “Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?” (Romana 6:3).

Ny vita batisa amin’i Jesosy Kristy, dia ny mino ny batisan’i Jesosy teo amin’ny Jordana, fa tsy ny batisan-drano fotsiny akory. Ankehitriny, ahoana no mahatonga antsika ho vita batisa amin’i Jesosy? Rehefa mino isika fa napetrak’i Jaona Batista eo Aminy ny otantsika raha nanao batisa an’i Jesosy Izy, afaka ho atao batisa amin’i Jesosy isika.

“Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Jesosy Kristy dia nitafy an’i Kristy” (Galatiana 3:27). Ireo izay namindra ny otany rehetra eo amin’i Jesosy amin’ny alalan’i Jaona Batista dia tsy misy ota ary lasa Zanak’Andriamanitra masina.

“Ary tao aminy koa no namorona anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tànana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo dia tamin’ny famoran’i Kristy” (Kolosiana 2:11). Io no famorana anaty, fa tsy ny ivelany izay mamonjy

Page 372: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

372 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

antsika amin’ny nofon’ny ota (Io no famoran’ny fo: Romana 2:29). Ka ny Apositoly Paoly miteny antsika hino ny batisan’i Jesosy izay manafaka ny fontsika amin’ny ota.

“Izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, amin’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty” (1 Petera 3:21). Ny batisa dia tandindona mamonjy antsika. Ny olona tamin’ny andron’i Noa dia maty satria tsy nino an’ny rano. Ankehitriny raha tsy mino ny ranon’ny batisan’i Jesosy isika, dia mijanona mpanota foana na mino an’i Jesosy aza ary ho faty koa isika.

Ny apositoly Jaona nanambara mazava tsara ny zava-drehetra momban’ny filazantsara ao amin’ny taratasiny voalohany “Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra dia Jesosy Kristy, tsy tamin’ny rano ihany fa tamin’ny rano sy ny ra” (1 Jaona 5:6). Tonga teto an-tany Jesosy

hamonjy antsika amin’ny batisa sy ny hazo fijaliana. Ary hoy koa Izy “Dia ny Fanahy sy ny rano ary ny ra, ary mifanaraka tsara izy telo” (1 Jaona 5:8). Izany midika fa ny batisan’i Jesosy, ny hazo fijaliana sy ny Fanahy miaraka manorina ny famonjena tanteraka.

Hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy “Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:3-5). Ny zavatra ilaina haterahana indray dia ny rano sy ny Fanahy. Tokony hino ny rano, ny batisan’i Jesosy isika mba ho tsy hisy ota intsony ao am-po ary hahazo ny Fanahy ho fanomezana. Io no fahaterahana ara-baiboly.

Izany no mahatonga ny apositoly Petera hiteny hoe “Mibebaha ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy

Page 373: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

373 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Masina” (Asan’ny Apositoly 2:38). Hazahoana ny famelan-keloka sy handraisana ny Fanahy Masina, tsy maintsy mino mafy ny batisan’i Jesosy ao am-po. Inona no azontsika lazaina hafa? Misy andininy maro ao amin’ny Baiboly maharitra amin’ny batisan’i Jesosy toa ny asa tsy maintsy ilain’ny fahamarinana ho an’ny famonjena antsika. Ny fivavahana Kristiana tsy maintsy mahita indray ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.

“Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanonerana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra, ary fampianarana ny amin’ny fisasana maro sy ny fametrahan-tànana ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay” (Hebreo 6:1-2).

Hitantsika eto ny fototrin’ny filazantsaran’ny

fiangonana voalohany. Nampianatra an’ny Kristiana vaovao ny fampianarana amin’ny fisasana maro sy ny fametrahan-tànana ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay izy. Tsy maintsy tazomintsika an-tsaina fa naka ny otantsika Jesosy tamin’ny batisa, latsa-drà ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana Izy raha notsaraina ho an’ny otantsika araka ny lalàn’Andriamanitra.

Fanontaniana 7: Izany koa no hinoako sy

efa ampianariko, afa-tsy ny hoe hianao maharitra kokoa amin’ny batisan’i Jesosy. Inona ny andinidinikin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy?

Valiny: Ny hoe voavonjy midika mahazo

fanavotana, famelan-keloka. Izany midika koa

Page 374: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

374 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hoe ateraka indray, satria lasa olo-marina ilay mpanota amin’ny finoana ny filazantsaran’ny fiainana, izay mamela azy ho ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy amin’ny alalan’ny famonjen’i Jesosy. Ny Fanahy Masina tonga anatin’ny fon’izay voahavotra sy ateraka indray ary manambara fa zanak’Andriamanitra izy. Ka, mitovy ny hoe: mandray ny Fanahy Masina, voahavotra, ateraka indray, lasa zanak’Andriamanitra sy lasa olo-marina.

Hoy Jesosy “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6), izay mitarika fa tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra isika raha tsy misy an’i Jesosy Kristy, ny Zanaka Tokan’Andriamanitra izay nalefany. Tsy maintsy mahafantatra isika ahoana no namafan’i Jesosy ny otantsika mba hatongavantsika olo-marina sy hidirantsika ao

amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nefa maro ny Kristiana mihevitra fa afaka ho

voavonjy izy raha miantso fotsiny ny anaran’i Jesosy. Mino an’i Jesosy izy nefa tsy namoa ny Baiboly, tsy mahafantatra izay nataon’i Jesosy hamonjena antsika amin’ny ota. Andriamanitra dia Fanahy, ny Masina tsy miova, sady tsy aloka no tsy mazava, nefa isika dia mpanota. Azo atao ny miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy ary afaka mino Azy isika amin’ny alalan’ny finoana ny Fanahin’ny fiainana.

Maro ny olona mino miteny hoe “Tompo, Tompo” nefa tsy mahafantatra ny asam-pamonjena nataon’i Jesosy. Ary mino ireo fa voavonjy nefa misy ota foana ao am-pony. Raha mbola misy ota ao am-ponareo na dia mino an’i Jesosy aza, novonjena amin’inona izany hianareo?

Page 375: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

375 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Raha misy manontany “Ahoana no namafan’i Jesosy ny otanareo?”, ny ankabiazan’ny olona hamaly “Angamba nosasany teo amin’ny Hazo fijaliana.”

Ary raha hanontaniana izy “Ka, misy ota ve ao am-ponareo?” Mamaly izy hoe “Eny, tokoa.”

Ny anarana Jesosy midika “Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Matio 1:21).

Mino an’i Jesosy isika mba ho voavonjy amin’ny ota. Nefa raha mbola manana ota ao am-po isika sady mino an’i Jesosy, dia mitoetra ho mpanota foana, andevon’ny ota ary tsy maintsy mandray ny fitsarana isika.

Hoy ny apositoly Paoly “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelomana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Marina izany fa izay mbola manana ota ao am-pony dia ivelan’i Jesosy Kristy.

Maninona ireo mitoetra ho mpanota tsy

voahavotra ary ivelan’ny famonjena nefa mino an’i Jesosy? Satria mino fotsiny ny ra teo amin’ny hazo fijaliana izy ary tsy namindra ny otany teo Aminy amin’ny alalan’ny batisan’i Jesosy. Noho izany, mbola manana ota izy ao am-pony kanefa Jesosy maty teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny otany.

Misy maha samy afa be ny mino ny batisan’i Jesosy sy ny tsy mino. Ny sasany mahazo ny fanavotana ary lasa olo-marina amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy, kanefa ny hafa mijanona mpanota tsy mino Azy. Ny Fanahy Masina tsy afaka mitoetra ao am-pon’ny mpanota. Miditra ao am-pon’ny olo-marina voavonjy amin’ny rano sy ny Fanahy izy. Ka hoy ny apositoly Paoly “Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany” (Romana 6:3).

Betsaka ny olona mino fa Jesosy namafa ny

Page 376: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

376 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

otantsika teo amin’ny hazo fijaliana, nefa isika tsy afaka manaiky fa tsy manana ota ao am-po raha tsy mino ny batisan’i Jesosy. Raha manao an’izany isika, dia lainga eo anatrehan’Andriamanitra ary mifandiso. Raha mbola tsy namindra ny otantsika Taminy isika amin’ny finoana ny Batisany, dia mbola manana ota ao am-po.

Raha misy olona tsy mino ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny hazo fijaliana dia ho lasa mpanota be. Ka, na inona na inona ataony, toa ny mivavaka eny amin’ny tendrombohitra na mivavaka ho an’ny famelan-keloka anaty trano fivavahana, mbola hahita ota foana izy ao am-pony.

Hoy Jesosy “Maro ny anao Amiko amin’izany andro izany hoe, Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va

izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; miala amiko, hianareo mpanao heloka” (Matio 7:21-22).

Iza “Hianareo mpanao heloka” no tiany lazaina? Te hiresaka momban’ireo tsy nahazo ny fanavotana tanteraka ao am-pony Izy satria ireo nino fotsiny ny hazo fijalian’i Jesosy. Manao heloka isika raha tsy mino fa novonjen’i Jesosy tamin’ny Batisany sy ny Hazo fijaliana.

Tsy afaka miteny isika fa manana finoana marina raha tsy mahafantatra ny batisan’i Jesosy sy ny hazo fijaliana. Jesosy milaza fa raha misy olona te ateraka indray, azo atao izany amin’ny alalan’ny rano sy ny Fanahy. Toa ny famonjena amin’ny fitsarana tamin’ny fidirana ny sambon’i Noa, afaka hahazo ny fanavotana isika, ny

Page 377: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

377 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

famelan-keloka sy ny tena fiainam-pinoana raha mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Raha tsy misy ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, tsy afaka hahazo ny famelan-keloka sy tonga zanak’Andriamanitra hianareo.

Fanontaniana 8: Mino marina aho fa

voavonjy amin’ny finoana an’i Jesosy. Nanana ny fiadanana sy ny fiekena tao am-poko aho. Nefa ankehitriny, mikorontana ny saiko amin’ny toriteninao. Raha te ho voavonjy, tsy maintsy mino ny batisany sy ny hazo fijaliana miaraka ve?

Valiny: Raha tsy mino ny batisan’i Jesosy

ianao, dia manana ota ao am-po. Hoy ny apositoly Jaona “Raha hoy isika: tsy manana ota isika dia mamita-tena ary ny marina tsy ato

anatintsika” (1 Jaona 1:8). Raha namindra ny otantsika isika amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy, mbola manana ota isika. Nefa raha miteny isika fa tsy manana ota intsony dia tsy mino ny batisa isika, izany dia mifanohitra amin’ny fanahintsika ary ny fahamarinana tsy amintsika.

Ny fiekena ny famonjena dia tonga rehefa mahazo famelan-keloka isika ary mahazo ny Fanahy Masina toa ny fanomezana amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny hazo fijaliana.

Hoy ny apositoly Paoly “Izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo” (Galatiana 1:7). Tsy misy filazantsara hafa afaka hamonjy antsika amin’ny ota afa-tsy ilay nambaran’ny apositoly ary azony tamin’i Jesosy, ny rano sy ny Fanahy. Raha tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay notorin’ny apositoly isika, dia mbola manana ota

Page 378: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

378 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

ao am-po. Ahoana no hazahoana fiekena ny famonjena raha mbola manana ota isika ao am-po? Rehefa marina ny asantsika eo anatrehan’Andriamanitra, mahazo ny fifaliana sy ny famonjena isika nefa raha manota, dia matahotra ary tsy fantantsika raha ho voavonjy isika noho ny ota ao am-po. Io famonjena io dia mifototra amin’ny eritreritra sy ny fihetseham-po, fa tsy ilay eken’Andriamanitra.

Ny famonjena mifototra amin’ny sain’ny olona dia ho hamasinina tsikelikely amin’ny fangatahana famelan-keloka amin’ny ota isan-andro. Ireo izay mino an’io famonjena diso io mihevitra fa ho voavonjy izy amin’ny faran’ny andro raha mitana fiainana masina, mangataka famelan-keloka isan-andro ary mitana ny lalàna amin’ny asany. Kanefa, mitoetra ho mpanota izy raha tsy mamindra ny otany amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny finoana ny Batisany.

Ny famonjena nomen’Andriamanitra antsika dia tena famonjena, izay milaza amintsika fa Jesosy naka ny otan’izao tontolo izao indray mandeha miaraka ny Batisany nataon’i Jaona teo amin’ny Jordana ary nofafany ireo teo amin’ny hazo fijaliana. Ary hoy ny apositoly Paoly “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9). Raha tsy voavela ny otantsika rehetra amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy satria tsy mahafantatra azy isika, dia tsy maintsy manaiky eo anatrehan’Andriamanitra isika fa mbola mpanota na mino an’i Jesosy aza isika ary natao ho any amin’ny afobe. Satria, ny otantsika tsy afaka ho voafafa raha tsy misy ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy raha kely aza ireo. Tena fanekena ny ota izany. Rehefa

Page 379: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

379 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

manaiky toa izany isika, lasa indray mandeha ny otantsika amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary lasa olo-marina tsy misy ota isika.

Ankehitriny no fotoanan’ny famindram-po, ny andro ahazoam-tombony. Na iza na iza mino ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny hazo fijaliany dia voavonjy amin’ny otany rehetra, lasa olo-marina ary manana finoana mafy fa hiditra ny fanjakan’ny lanitra izy rehefa hiverina ny Tompo. Ny fahatokiantsika, ny fampianaran’ny Evanjely sy ny teolojia tsy mamonjy antsika amin’ny ota. Ireo dia fitakin’ny devoly, Satana, tao an-tsain’ny olona. Tsy maintsy miverina amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika ary tonga mpino manaiky ao am-po ny famonjen’i Jeosy izay mamonjy antsika amin’ny ota. Izany no fitiavana an’Andriamanitra sy ny Asany.

Fanontaniana 9: Raha marina ny hevitrao momban’ny “rano sy ny Fanahy,” ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana tokony tsy voavonjy. Raha miavaka ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana, tsy rariny Andriamanitra satria mandika ny lalàna napetrany Izy momban’ny fidirana ao amin’ny paradisa. Ahoana no hanazavanao ny famonjena an’ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana?

Valiny: Ny Jiosy rehetra tamin’ny andron’i

Jesosy niandry ny Mesia izay nampanantenan’Andriamanitra. Izany no nahatonga ny Jiosy mihotra noho ny firenena hafa, nahafantatra tsara ny “lalàna sy ny fomba fisoronana” izay nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Nihevitra izy fa ho avy ny Mesia araka ny lalàn’Andriamanitra ary hamonjy azy amin’ny otany rehetra.

Page 380: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

380 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Nefa ny Jiosy tsy nino fa ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona avy amin’Andriamanitra ary nafindrany teo amin’i Jesosy Kristy ny otan’izao tontolo izao, (Marka 11:27-33) fa noheverina toa ny lehilahy namitaka ny vahoaka ka nohomboany. Satria ny vahoaka Romana narovan’ny sazin’ny fikapoana na ny fanohomboana araka ny lalàna Romana (Asan’ny Apositoly 22:25-29/23:27), afaka mahafantatra isika fa ireo jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana izany tsy Romana fa Jiosy.

Ary fantantsika fa ilay jiolahy voavonjy dia Jiosy natahotra an’Andriamanitra noho ny teny nataony “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao hianao” (Lioka 23:42) satria ny filazantsaran’ny fanjakan’ny lanitra tsy nitoriana tamin’Ny jentily hatramin’ny andron’i Petera (Asan’ny apositoly 10:1-11:18). Ilay jiolahy Jiosy nahafantatra ny Lalàna sy ny fomba fisoronana nomen’Andriamanitra an’i Mosesy.

Izany no nahatonga an’ilay jiolahy voavonjy tamin’ny hazo fijaliana nahafantatra fa ny Mesia ho avy araka ny lalàn’Andriamanitra.

Ilay manatona an’Andriamanitra tsy maintsy manaiky fa mpanota izy, natao ho any amin’ny afobe noho ny otany. Ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana nanaiky ny otany, nanao hoe “Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika; fa ity lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza” (Lioka 23:43).

Niaika izy fa mpanota tsy maintsy tsaraina eo anatrehan’Andriamanitra. Ary hoy izy “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao hianao.” Afaka fantantsika fa nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ary lehilahy niandry ny fanjakan’Andriamanitra. Ary nampiany hoe “fa ity lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety” (Lioka 23:41).

Page 381: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

381 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Inona no fantatr’ilay jiolahy momban’i Jesosy? Nino izy fa Jesosy nateraka nofon’i Maria Virijiny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary nataon’i Jaona batisa teo amin’ny Jordana Izy, naka ny otan’ny olombelona ary nohomboana. Ilay jiolahy niantona teo amin’ny hazo fijaliana dia Jiosy nino tao am-pony izay nataon’i Jesosy, raha nohomboana aza izy mba hahazo ny famaizana rariny amin’ny nataony.

Tamin’ny andron’i Jesosy, izay rehetra niaika fa mpanota tamin’ny batisan’ny fibebahan’i Jaona, nino fa marina fa lasan’i Jesosy Kristy ny otany rehetra rehefa nataon’i Jaona batisa Izy ary nilaza izy ireo fa marina Andriamanitra. Nefa izay tsy nahazo ny batisan’ny fibebahana nataon’i Jaona nanilaka ny sitrapon’Andriamanitra satria tsy nino ny batisan’i Jesosy Kristy koa (Lioka 7:28-30).

Nefa ilay mpanao ratsy teo amin’ny hazo

fijaliana voavonjy tsy toa ny Jiosy hafa ary nanaiky fa marina sy tsara avokoa ny nataon’i Jesosy rehetra. Afaka nilaza izy fa marina Jesosy satria nanaiky ny otany amin’ny alalan’ny batisa nataon’i Jaona ary satria nino izy fa Jesosy nanaisotra ny otany rehetra amin’ny alalan’ny Batisany. Noho izany, afaka voavonjy izy. Ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana nino koa ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Satria marina Andriamanitra, nanamasina izay rehetra mino ny batisan’i Jesosy sy ny hazo fijaliana araka ny Lalàny Izy.

Page 382: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

382 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Fanontaniana 10: Satria be indrafo sy mangoraka Andriamanitra, moa ve tsy heveriny ho olo-marina isika raha misy ota aza ao am-pontsika na tsy mino an’i Jesosy aza?

Valiny: Andriamanitra dia fitiavana ary

marina koa Izy. Izany no mahatonga Azy mpitsara marina ary tsarainy ny ota rehetra “Satria ny fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Io teny io midika fa ny mpanota dia natao ho any amin’ny afobe rehefa vita ny fitsarana.

Manasaraka ny olo-marina amin’ny mpanota Andriamanitra tahaka ny nanasarahany ny mazava sy ny maizina. Antsoin’Andriamanitra hoe olo-marina izay tsy manana-ota satria mino fa nosasan’i Jesosy tamin’ny batisany ny otany ary nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy ho

an’ny fitsarana ireo ota ireo. Nefa izay mbola manana ota aminy satria tsy mino ny batisan’i Jesosy dia mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Ireo dia tsy mino ny rano, izany hoe ny batisan’i Jesosy, tahaka ny olona tamin’ny andron’i Noa. Raha heverin’Andriamanitra olo-marina ireo mbola manana ota, dia mandainga Izy ary tsy ho afaka hitsara ny zava-drehetra sy hanjaka amin’ny zavatra nahariny.

Hoy Andriamanitra “Fa tsy hanamarina ny meloka Aho” (Eksodosy 23:7). Ny ratsy fanahy dia ilay manaraka sy fehezin’ny fomban’ny olona, mitodika an’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay namonjen’Andriamanitra antsika amin’ny otantsika rehetra tamin’ny fomba marina sy sahaza.

Hoy Jesosy “Ny fahotany, satria tsy mino Ahy izy” (Jaona 16:9). Ny ota tokana mitoetra eto an-tany ankehitriny dia ny tsy finoana fa nesorin’i

Page 383: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

383 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

Jesosy ny otan’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny batisa sy ny hazo fijaliana ary lasa Mpamonjy antsika Izy. Io ota io dia fanavetavetana ny Fanahy Masina, izay tsy azahoana famelan-keloka. Tsy misy fomba hafa hamonjena ireo manavetaveta ny Fanahy Masina satria tsy mino izy fa nesorin’i Jesosy ny otany rehetra.

Hoy ny apositoly Jaona “Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy” (1 Jaona 3:4-6). Ny tsy finoana fa nesorin’i Jesosy ny otantsika rehetra miaraka ny batisa sy ny hazo fijaliana, dia tsy fahamarinana ary izay manao ny tsy fahamarinana dia lavin’i Jesosy amin’ny andro farany.

Izay amin’i Jesosy tsy misy ota ary miray amin’i Jesosy izy satria natao batisa miaraka Aminy. Izay namindra ny otany rehetra teo Aminy hatramin’ny fahafatesany rehefa nataon’i Jaona batisa Izy, dia tsy manana ota na mbola manota aza noho ny fahalemen’ny nofony.

Ireo namindra ny otany teo amin’i Jesosy ary tsy manana ota intsony dia antsoin’Andriamanitra hoe olo-marina araka ny lalàn’ny fiainan’ny Fanahy Masina. Ary omeny ny Fanahy Masina ireo ho fanomezana. Ny Fanahy Masina tsy tonga mihitsy eo amin’izay manana ota ao am-pony. Hoy ny Baiboly “Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; Halanao ny mpanao ratsy rehetra” (Salamo 5:5). Ny Fanahy masin’Andriamanitra tsy afaka miditra mihitsy ao am-pon’ny mpanota. Ny mpanota tsy manana ny Fanahy Masina ao aminy afaka milaza fa tsy manana ota araka ny heviny

Page 384: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

384 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

sy ny toe-tsainy manokana. Kanefa, tsy afaka miteny mihitsy izy hoe tsy manana ota ary marina ao am-pony miaraka ny finoana satria voadonan’ny fanahiny izy.

Noho izany, manao ny tenany ho mpnaota izy eo anoloan’ny mason’ny olona ary marina eo anatrehan’Andriamanitra. Nefa Andriamanitra tsy miteny mihitsy amin’ny mpanota hoe marina izy. Ny mpanota dia olona natao ho tsaraina ary tsy maintsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy.

Fanontaniana 11: Raha miteny hianao fa Jesosy efa nanaisotra ny ota lasa, ankehitriny sy ny ho avy araka ny filazana marina, ahoana ny ho avin’ny olona fantatra miharihary fa mbola manota satria mihevitra fa efa nahazo famelan-keloka noho ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny hazo fijaliana? Na mamono olona aza io olona io, fantany fa ho voahavotra izy amin’io ota io amin’ny alalan’ny hazo fijalian’i Jesosy. Kanefa, manohy manota izy, tsy mitsahatra satria mino fa efa nesorin’i Jesosy daholo ny otany ho avy rehetra. Azavao amiko azafady ny momban’io.

Valiny: Voalohany indrindra, misaotra anao

mametraka fanontaniana momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny fanontanianao dia heritreretin’ny Kristiana maro

Page 385: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

385 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

alohan’ny aterahany indray. Fantatro fa ny fanontanianao mampiahiahy raha marina ho an’ny mpino an’i Jesosy ny mbola manohy manota. Kanefa, tiako lazaina aminao fa ny olona mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy tsy miaina tahaka ny lazainao fa manaraka fiainana masina.

Tokony hieritreritra momban’io aloha hianao. Raha misy ny Fanahy Masina marina aminao, dia milanja ny voankazo masina hianao raha tsy hirinao aza izany. Kanefa kosa, raha tsy misy ny Fanahy masina aminao, tsy afaka mamokatra ny voankazon’ny Fanahy hianao raha manandrana mafy aza. Ahoana no fomba afahan’ny olona hitondra ny voankazon’ny Fanahy raha tsy manana ny Fanahy Masina ao am-pony izy nefa mino an’i Jesosy? Tsy mety mihitsy izany na oviana na oviana. Ny Tompo nilaza fa ny hazo ratsy tsy afaka mitondra voankazo tsara (Matio

7:17-18). Te anontany fanontaniana aminao aho ary koa

ametraka ny valiny. Mino an’i Jesosy hianao, nefa entinao marina amin’ny fanavotana ny otan’izao tontolo izao ve ny fiainanao? Miaina toa ny mpanompon’Andriamanitra marina ve hianao handresena ny otan’izao tontolo izao, manompo ny Tompo ary mamela ny hafa ho voavonjy amin’ny otany amin’ny fahafahana an’ireo amin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nolazain’i Tompo? Tena lasa olo-marina ve hianao izay tsy manana ota intsony na kely aza rehefa nino an’i Jesosy? Ny finoana tokana sy filazantsara izay mamela anao hamaly Eny amin’io fanontaniana io dia ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay hambaran’ny Testamenta Taloha sy Vaovao.

Tsy manandrana mitarika anao anatin’ny iray amin’ireo sekta reliojiosy izay misy ankehitriny

Page 386: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

386 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny fivavahana Kristiana aho. Manohy manota eto an-tany hianao raha mino an’i Jesosy aza. Kanefa, ny Tompontsika nataon’i Jaona batisa ary nandatsaka ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana hamonjena antsika amin’ny otan’izao tontolo izao. Noho izany, ny Tompo dia nanao ny asan’ny fahamarinana ho antsika ary voavonjy amin’ny otan’izao tontolo izao isika amin’ny finoana ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny batisan’i Tompo ary ny ra izay nanalany ny otantsika.

Misy fanontaniana tiako atao aminao. Ao an-tsainao, efa afaka ny fandevozan’ny ota ve hianao? Toa ny mpanota foana ve hianao rehefa avy nino an’i Jesosy tahaka anao alohan’ny ninoana Azy? Raha marina izany, dia angamba satria tsy fantatrao ny momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Noho izany, latsaka anatin’ny olana sy ny adalana tsy

misaraka amin’ny nofo hianao satria tsy manana ny Fanahy Masina ao am-po. Raha tena mpino an’i Jesosy aza hianao, afaka milefa ny hevitrin’ny nofo hianao amin’ny fanafoana ny fo ary fanarana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Tsy maintsy manary ny hevitra ara-nofo hianao ary miverina amin’ny tenin’Andriamanitra raha te halala tsara fa marina ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.

Maro ny olona eto an-tany izay manova ny lalàm-pamonjena napetrak’Andrimanitra amin’izay tiany kanefa milaza ho mino an’i Tompo izy. Raha anisan’ireo olona ireo hianao, tsy maintsy harian’i Tompo indray andro. Manantena aho fa tsy ho tonga izany amin’iza na iza eto an-tany. Mihevitra aho fa hianao dia olona mino fa ny hazo fijalian’i Jesosy sy ny rany no zavatra tokana hamonjy anao ary mametraka fanontaniana hianao satria manana fanirina

Page 387: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

387 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

hamela ny fotoana nanaovanao ota tamin’ny fiainana.

Kanefa, ny heriretritrao dia heritreritrin’ny nofo izay “fandrafiana an’Andriamanitrany fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany” (Romana 8:7). Hoy Paoly “Ireo izay mandeha ara-nofo dia tsy mahafaly an’Andriamanitra” (Romana 8:1-4). Raha tena manantena hanana ny finoana mahafaly an’Andriamanitra hianao, tsy maintsy mino ny asa mahagagan’ny Tompo izay nahatonga azy teto an-tany amin’ny alalan’i Maria Virijiny, nanesorany ny otan’ny olombelona amin’ny alalan’ny batisa teo amin’ny ony Jordana izay nataon’i Jaona ary koa tsy maintsy tonga saina amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.

Araka ny fiheveranao, iza no afaka mitondra ny asa marin’Andriamanitra, ny olo-marina sa ny

mpanota? Ny mpanota mbola ao afovoan’ny ota satria tsy nahazo ny famelan-keloka teo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany, ny zavatra tokana handrasan’ny olona toa izany dia ny fitsarana ny otany. Tsy mamela ny mpanota hiditra ny fanjakany Andrimananitra. Satria “Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao” (Salamo 5:4). Andriamanitra milaza fa raha misy mpanota manatona Azy ary manontany zavatra Aminy, tsy voatana ho an’isan’ny mpanota izy satria “ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo” (Isaia 59:1-2). Latsaka mandrakizay anaty afobe ny mpanota satria ny fahafatesana no tambin’ny ota.

Ny olo-marina izay lasa masina ihany ary tsy manana ota ao am-pony no afaka manao asa marina. Ary fanampin’izany, ny Fanahy Masina mitoetra anatin’ny fon’ny olo-marina izay tsy

Page 388: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

388 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

misy ota rehefa mino ny batisan’i Jesosy sy ny hazo fijaliana izy. Ny apositoly Petera nilaza tamin’ny andron’ny Pentekoty “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” (Asan’ny apositoly 2:38). Voatsipika tsara eto fa ny olona tsy maintsy mino an’i Jesosy izay nataon’i Jaona batisa, nanaisotra ny otan’izao tontolo izao ary tao aoriana nandatsaka ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamy ny maty. Rehefa nino an’izany izy, dia afaka nandray ny batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Nibaiko ny mpianany Jesosy hanao batisa ny rehetra amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Matio 28:19).

Miampy an’izany, hoy ny apositoly Paoly “Fa raha misy kosa tsy manana ny fanahin’i Kristy

dia tsy Azy izy” (Romana 8:9). Andriamanitra manome ny Fanahy Masina ho an’ny olo-marina mba hahatonga azy ho Zanany. Tsy misy Fanahy anatin’ny mpanota satria izy manana ota. Ny Fanahy Masina tsy tia ota fa fahamasinina. Ny Fanahy mitondra ny olo-marina mandritra ny fiainany ary mitarika azy anaraka ny sitrapon’ny Ray. Ka, inona no sitrapon’ny Ray? Ny fampielezana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ary hanao batisa azy araka ny Voamiera Be.

Ny nofon’ny olo-marina sy ny an’ny mpanota manao ota foana mandra-pahafatiny. Kanefa, ny Tompo nanao ny asan’ny fahamarinana hanesorana ny ota ataon’ny olona amin’ny nofony sy ny fony amin’ny alalan’ny Batisany sy ny ra. Io no fahamarinana napetrak’Andriamanitra Jesosy. Satria voasoratra

Page 389: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

389 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

anaty Baiboly “fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ny finoana no ho velona” (Romana 1:17). Ny olona mahazo ny fanonerana ny ota rehefa mino ny fahamarinan’Andrimanitra mandresy ny anjara kanefa tsy misy safidy afa noho ny manohy manota amin’ny nofony ary manaraka koa ny fahamarinana. Izany dia afaka atao noho ny Fanahy Masina, izay tonga amin’izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.

Ny ota rehetra lasa, ankehitriny sy ho avin’ny olo-marina dia nifindra tamin’i Jesosy avokoa tamin’Izy nataon’i Jaona batisa. Ny nofon’ny olo-marina maty koa niaraka tamin’i Jesosy noho ny helony. Rehefa mino an’izany ny olona iray, miray amin’i Jesosy izy ary miaraka Aminy amin’ny fahafatesana. Lasa fitsarana ho an’ny

otany rehetra koa io (Romana, toko 6). Noho izany, raha tsy manana safidy hafa noho

ny manota foana amin’ny fiainana, ny nofon’ny olo-marina izay ho faty eo amin’ny hazo fijaliana miaraka amin’i Jesosy, ny Fanahy Masina mitoetra ao am-pony mitari-dàlana azy. Ny olo-marina manaraka ny Fanahy Masina ary manao ny Asany satria ny Fanahy Masina mitoetra aminy.

Raha tamin’ny andron’ny apositoly aza, maro ny olona nino fa izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy afaka miaina ny adrom-piainany amin’ny fomba masina satria tsy nisy ota tao am-pony. Kanefa, ireo karazan’olona ireo dia olona tsy nahafantatra tsara ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy nitorin’ny apositoly, araka ny heritreritrin’ny nofony. Noho izany, hoy ny apositoly Paoly tamin’izy ireo “Inona ary no holazaintsika? Mba hitoetra

Page 390: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

390 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahadisoana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?” (Romana 6:1-2). Nampiny, “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankato ny làlan’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalàn’ny ota kosa amin’ny nofoko” (Romana 7:25).

Raha fehehizana izany, ny nofon’ny olo-marina dia tsy lavorary ary tsy manana safidy hafa afa-tsy ny manohy manota nefa mbola manaraka ny Fanahy Masina, mitory ny filazantsara eran’ny tany. Ny olo-marina dia mandeha anatin’ny Fanahy satria ny fony mitoetra amban’ny fahasoavana “Ahoana ary? Hanota va isika saingy tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany! Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho

mpanompo hianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo hianareo, na ny fanarahana ho amin’ny fahamarinana?” (Romana 6:15-16).

Toa ny voninkazo tena izy tsy mitovy amin’ny voninkazo lamba, tsy mitovy ny ao am-pon’ny olo-marina sy ny mpanota. Fanahy Masina no ao am-pon’ny olo-marina, afaka miaraka amin’ny Fanahy izy ary manaraka ny marina mandritra ny fiainany, izay mahafaly an’Andriamanitra. Ny mpanota kosa tsy manana safidy hafa afa-tsy ny manaraka ny ota satria ota no ao am-pony. Tsy afaka manaraka fiainana masina ny mpanota satria tsy manana Fanahy noho ny helony.

Ny fieverana fa ny mpino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy tsy afaka manaraka fiainana masina dia fahadisoana noho ny hevitrin’ny nofo. Ankehitriny, maro ny olona izay tsy mazava aminy ny fiainan’ny olo-marina raha

Page 391: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

391 FANONTANIANA SY VALINY

<<< Votoantin-Kevitra >>>

mahafantatra aza izy fa ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy no tena filazantsara satria tsy fantany izany ary satria koa tsy azony tao am-po izany.

Inona no hevitrao momban’ny asa marina fanomezana fanatitra sy sorona mba hampielezana ny filazantsara eran’izao tontolo izao? Araka ny hevitrao, ahoana no heverinao fa izahay toa ny olona mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy afaka manao ota noho ny filazantsara? Ny olo-marina manao ny soa amin’ny finoana ao anatin’ny fazavan’ny marina sy ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny fanirinay dia ny hampafantatra ny olombelona rehetra momban’ny filazantsara izay nanadiovan’i Jesosy ny otany rehetra amin’ny alalan’ny Batisany sy ny ra. Fanampin’izany, manantena izahay fa hianao sy ny hafa hahazo ny famonjena amin’ny otan’izao tontolo izao amin’ny finoana

marina ao am-po ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary hihaona amin’i Tompo indray andro. !

Page 392: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

e-Bookse-Books

?

USER GUIDE

How to Read

Easier Way to Read

Cover Page

TheNewLifeMission

Page 393: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

393 User Guide

<<< User Guide >>>

HOW TO READ

PAGING THROUGH THE BOOK

Page by Page

Skiping to a Page

Page 394: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

394 User Guide

<<< User Guide >>>

PAGE BY PAGE

• KeyBoard

1) Page Up / Page Down Key Page Up = Previous Page, Page Down = Next Page

2) Arrow Key

← or ↑ = Previous Page, → or ↓ = Next Page • Acrobat Reader Menu Button.

◄ = Previous Page, ► = Next Page • Link

<<< = Previous Page, >>> = Next Page Table of Contents = Go to Table of Contents

Page 395: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

395 User Guide

<<< User Guide >>>

SKIPING TO A PAGE

1) Key Board

Ctrl + N Key : The number of page you want to go to.

2) Acrobat Reader Scroll Bar

Click and drag in the scroll bar until the page number in the number field matches the page you want to go to.

Page 396: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

396 User Guide

<<< User Guide

EASIER WAY TO READ

Using Bookmarks

You can move easily where you want by using bookmarks

- Show bookmarks : Press F5 Key on your keyboard.

- Hide bookmarks : Press F5 Key again

Page 397: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

◄ Votoantin-Kevitra ►

www.nlmafghanistan.comwww.nlmafrikaans.comwww.nlmalbania.comwww.nlmamharic.comwww.nlmangola.comwww.nlmarabemirates.comwww.nlmarabic.comwww.nlmargentina.comwww.nlmarmenia.comwww.nlmaruba.comwww.nlmaustralia.comwww.nlmaustria.comwww.nlmbahamas.comwww.nlmbahrain.comwww.nlmbangladesh.comwww.nlmbelarus.comwww.nlmbelgium.comwww.nlmbengali.comwww.nlmbenin.comwww.nlmbhutan.comwww.nlmbolivia.com

www.nlmbotswana.comwww.nlmbrasil.comwww.nlmbriton.comwww.nlmbrunei.comwww.nlmbulgalia.comwww.nlmburkinafaso.comwww.nlmburundi.comwww.nlmcameroon.comwww.nlmcanada.comwww.nlmcebuano.comwww.nlmchichewa.comwww.nlmchile.comwww.nlmchin.comwww.nlmchina.comwww.nlmcolombia.comwww.nlmcongo.comwww.nlmcostarica.comwww.nlmcotedivoire.comwww.nlmcroatia.comwww.nlmczech.comwww.nlmdenmark.com

www.nlmdioula.comwww.nlmdominica.comwww.nlmdutch.comwww.nlmecuador.comwww.nlmegypt.comwww.nlmelsalvador.comwww.nlmequatorialguinea.comwww.nlmethiopia.comwww.nlmfinland.comwww.nlmfrance.comwww.nlmfrench.comwww.nlmgabon.comwww.nlmgeorgian.comwww.nlmgerman.comwww.nlmgermany.comwww.nlmghana.comwww.nlmgreek.comwww.nlmgrenada.comwww.nlmguatemala.com

A

B

C

D

E

F

G

Please find your vernacular websites below.

You can download Christian e-books and request Christian books for free.

Feel free to visit our websites below right now!

Please find your vernacular websites below.

You can download Christian e-books and request Christian books for free.

Feel free to visit our websites below right now!

Please find your vernacular websites below.

You can download Christian e-books and request Christian books for free.

Feel free to visit our websites below right now!

The Official Website of The New Life Mission

www.nlmission.comwww.nlmission.comor

www.bjnewlife.orgwww.bjnewlife.orgW

The New Life Mission

orldwide websites of

� Some of these websites may not work because they are still under construction.

Page 398: MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

◄ Votoantin-Kevitra ►

www.nlmgujarati.comwww.nlmhaiti.comwww.nlmhindi.comwww.nlmholland.comwww.nlmhonduras.comwww.nlmhungary.comwww.nlm-india.comwww.nlmindonesia.comwww.nlmiran.comwww.nlmiraq.comwww.nlmisrael.comwww.nlmitaly.comwww.nlmjamaica.comwww.nlmjapan.comwww.nlmjavanese.comwww.nlmkannada.comwww.nlmkazakhstan.comwww.nlmkenya.comwww.nlmkhmer.comwww.nlmkirghiz.comwww.nlmkirundi.comwww.nlmkorea.comwww.nlmlatvia.comwww.nlmluganda.comwww.nlmluo.comwww.nlmmadi.comwww.nlmmalagasy.comwww.nlmmalayalam.comwww.nlmmalaysia.comwww.nlmmarathi.com

www.nlmmauritius.comwww.nlmmexico.comwww.nlmmindat.comwww.nlmmizo.comwww.nlmmoldova.comwww.nlmmongolia.comwww.nlmmyanmar.comwww.nlmnepal.comwww.nlmnewzealand.comwww.nlmnigeria.comwww.nlmnorthkorea.comwww.nlmnorway.comwww.nlmpakistan.comwww.nlmpanama.comwww.nlmperu.comwww.nlmphilippines.comwww.nlmpoland.comwww.nlmportugal.comwww.nlmportuguese.comwww.nlmprcongo.comwww.nlmqatar.comwww.nlmromania.comwww.nlmrussia.comwww.nlmsaudiarabia.comwww.nlmserbian.comwww.nlmshona.comwww.nlmsingapore.comwww.nlmslovakia.comwww.nlmslovene.comwww.nlmsolomon.com

www.nlmsouthafrica.comwww.nlmspain.comwww.nlmspanish.comwww.nlmsrilanka.comwww.nlmsuriname.comwww.nlmswahili.comwww.nlmswaziland.comwww.nlmsweden.comwww.nlmswiss.comwww.nlmtagalog.comwww.nlmtaiwan.comwww.nlmtamil.comwww.nlmtelugu.comwww.nlmthailand.comwww.nlmtogo.comwww.nlmtonga.comwww.nlmturkey.comwww.nlmuganda.comwww.nlmukraine.comwww.nlmurdu.comwww.nlmusa.comwww.nlmvenezuela.comwww.nlmvietnam.comwww.nlmzambia.comwww.nlmzimbabwe.comwww.nlmzou.com

H

J

K

L

M

N

P

Q

R

S

T

U

V

Z

I

W The New Life Missionorldwide websites of