ny valosoa sy hadihady...sy tosika raha handrombaka fahefana tamininy taona 2009 sy ny fiverenany...

1
«E to an-tanindrazako aho, nefa tenin’olon- kafa no takiana mba haiko, hamelomako ankohonako… », io tononkalon-dRado io no tonga ao an-tsaina rehefa mahita ny toe-javamisy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tonon- kalo izay maneho ny fanjakazakana ataon’ny vahiny sy ny fiteniny eto amin’ny firenena ary ny fanomezana vahana izany malalaka ho ziogan’ny vahoaka mala- gasy. Vanim-potoana ihany koa io nitarafana fa mbola mitohy tanteraka ny fanjanahana ara-tsaina sy ara- pahaleovantena mihitsy ny firenena. Efa aman-tao- nany maro izany tononkalo izany kanefa mbola zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny. Nahoana no tonga amin’izany toe-javatra izany ny zava-misy eto amin’ny firenena izao? Manana olony ireo tompon‘ny teny vahiny, teny frantsay indrindra in- drindra, azony lalaovina amin’izay anaovana azy eto amin’ity firenena ity. Anisany fositra iray lehibe ma- nimba ny firenena io ary fatotra mangeja azy mafy. Miezaka miafina ambadika sary samihafa izy ireo ka- nefa fantatra ihany na dia manao fihetsika isan-kara- zany aza hanaronana izany. Nahoana no manaiky izany ireo olona ireo? Noho ny tombontsoa manokana azy sy ny ankohonany ve dia hivarotana ny firenena? Fa olona nipoitra avy aiza ireo?... Fa etsy ankilan’izany, mbola tsaroana ihany koa ny lafiny tantaran’ny firenena tamin’ilay tantara malaza tany Andriba. Nandritry ny fidirana an-keriny teto Ma- dagasikara no nisehoan’izany, ka nanoheran’ny tafika Malagasy ireo mpanani-bohitra frantsay, “imperia- lisma”, niditra avy any andrefana, ka nikasa haka am- bongadiny ny tanin’ny Malagasy. Miaramila tsy nisy iray alina monja ve dia tsy ho resy tosika, raha niara- nientana ny vahoaka Malagasy teto amin’ity firenena ity? N’inona n’inona ny zava-nitranga tany amin’ny taona 1895-1896, ny zavatra fantatra dia anjaran’ny tafika Malagasy sy ny fanjakana Ranavalomanjaka no niaro an’i Madagasikara. Toa nihalangalana ny va- hoaka, fa andraikitry ny miaramila Malagasy ny miaro ny fanjakana sy ny vahoaka. Tsy hanome tsiny an’iza na iza isika eto raha ny amin’izay tantara izay fa ny fantatra dia resin’ny tafika frantsay tamin’ny fanapoa- hana tafondro indroa na in-telo teny amin’ny misy ny fasan’ny mahery fo “Mausolée” ankehitriny io ny fan- jakana Malagasy ary dia nampidirina an-keriny araka ny efa faniriany hatry ny ela, hatrany amin’ny taonjato faha-17, ho taniny eo ambany fifehezany i Madagasi- kara. Nirian’ny Frantsay fatratra ho azy efa hatry ny ela ity Nosintsika ity, fa aoka tsy hohadinoina velively ny tantara. Ary rehefa azony dia tiany hozanahiny handritry ny 300 taona, izany hoe hatrany amin’ny taona 2196. Tantara mipetraka izany ary tsy misy afaka hanovaova. Dia anjarantsika ny mieritreritra sy mandinika ankehi- triny manoloana izany rehetra izany. Eo ny resaka fi- takiana ireo Nosy malagasy dimy iadiana amin’ny fitondrana frantsay amin’izao fotoana izao. Misy ny olony, eo am-pelatananany ary toy ny ataony nofon- kena an-tanan-tsaka ireo Nosy ireo. Nisy ny dinika voalohany ary lazaina fa mbola ho avy ny faharoa any Frantsa. Tena tsy maintsy manao izany ve? Raha lalao baolina kitra toy ny CAN, ohatra, dia azo eritre- retina ihany. Ahiana ho toy ny ady natao tao Andriba ity raharaha ity sanatria, ka hiala maina eto ny fire- nena Malagasy. Nisy teo ny fanentanana natao tamin’ny vahoaka hiara-hientana, fa niaraha-nahita ihany koa ny zava-niseho ny alatsinainy lasa teo teny Andafiavaratra. Hanantena inona amin-dRajoelina Andry ny vahoaka Malagasy raha ho any Frantsa hi- dinika ny amin’io fitakiana io Nosy Malagasy io? Izy izay fantatra tsara fa tany mandrakariva no naka hery sy tosika raha handrombaka fahefana tamin’ny taona 2009 sy ny fiverenany indray, rehefa mody nangina, tamin’ny taona 2018. Ny delegasiona Malagasy, am- basadaoro Malagasy, tena nadio ara-politika tante- raka aza ary tena hoe Malagasy ray sy reny tanteraka, raha nalefa tany ivelany tamin’ny taona 1895 hiaro ny fanjakana Malagasy tantanin’ny Rana- valona III, mba tsy ho lasan’ny Frantsay, niala maina. Mainka fa ity nifanosona tamin’ny fitondrana mpanao politika frantsay ity? Homena tsiny ve ny vahoaka? Tsia! Hadisoana izany, fa ny vahoaka rehefa tena ma- hita ny ezaka ataon’ny solontenany amin’ny ady atre- hina sy rehefa mahita ny fanaovana môdely tsara amin’ny fitantanana ny firenena dia manana ny am- barany sy asehony izy. Ny manahirana ny saim-ba- hoaka hatreto dia miseho ny fanomezana vahana ny vahiny sy ny mpanefoefo mpanambola, ary misy ny endrika fanilihana ny vahoaka. Ohatra iray amin’izany ny raharaha eny Ambohitrimanjaka. Hatreto tsy mbola mahatsapa ny vahoaka fa tena mitsinjo marina azy ny fitondrana manoloana ireo sokajin’olona ireo eo amin’ny fiainany andavanandro sy eo amin’ny toe- ram-ponenany. Antony iray lehibe hanazavana ny toe- tsaina sy ny fihetsiky ny vahoaka izany ary mbola tsy miova io mandraka ankehitriny na dia teo aza ny fi- voaran’ny vanim-potoana samihafa. Raha te ha- homby izany isika amin’izao fifanatrehana amin’ny mpitondra frantsay izao, dia tena mila miova tante- raka amin’ny maha izy azy ny fitondrana, na eo amin’ny toe-tsaina na eo amin’ny fomba fiasa na eo amin’ny fitantanana ny tany sy ny fanjakana. Amin’izay fotoana izay tsy hiverina intsony ny zava- nitranga tany Andriba. Sôh’son 3 Lah 986 Sabotsy 23 novambra 2019 Politika Fitakiana ny Nosy Malagasy : hiverina indray ve ny « ady tany Andriba » ? Ny Valosoa sy hadihady www.gvalosoa.com Vahoakan’Ambohidratrimo Hanohana an’i Mme Perline, Tim N°2 Santionany amin’ireo mpomba ny kandida Tim Ambohidratrimo, Madame Perline Ratiarisoa. Deotoronomia 4:20 Fa hianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendre- ham-by (dia avy tany Egypta) mba ho fire- nena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao." Ny TeNy FiaiNaNa Lasa izao raha tsy mibolisatra, tsy maintsy mandresy ny Tim ary lohany fa tsy rambony satria mila miova Am- bohidratrimo. Io no ambetin-tenin’ny mponin’ Ambohi- dratrimo amin’izao telo andro alohan’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina eto Madagasikara izao, ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Kandida natolotry ny antoko TIM i Madame Perline Ratiarisoa laharana faharoa (N°2) ao anaty bileta tokana. Nosafi- dian-dRavalomanana hitondra ny faneva sy ny fam- pandrosoana an’ Ambohidratrimo ny tenany. Vonona aho hoy izy hampandroso ny tanàna ary tsy maintsy mandroso no tanjona. Nandritry ny fampielezan-kevitra nataony no nitondrany fanazavana sy ny vahaolana amin’ny sehatra samihafa eo anivon’ ny kaominina raha izy no lany ben’ny tanàna. Santionany amin’izany ny sehatry ny fandriampahalemana, ka hamafisina ny fametrahana ny kaomisarian’ny pôlisy sy manampy ny brigadin’ny zandary. Ampiana ny toeram-pitsaboana ho an’ny zokiolona sy ny sahirana ary mila ampiana ihany koa ny « ambulance », hampiofanina ny tanora haha- mora ny fitadiavany asa, hafainganina ny fanaovana kopia faobe tsy misy sarany, eo ihany koa ny fanatsa- rana ny sekoly ary hahena ny vesatra amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, tohanana ara-pitaovana ny mpianatra ary omena valisoa izay mahay, hamoraina ny sehatry ny fananantany ary hizarana karatany faobe ny tantsaha. Eo amin’ny lafiny tsena, dia hatsaraina ny tsenan’ Asabotsikely ary hasiana tafo ny tsenan’ Am- bohidratrimo. Eo amin’ny lafiny fambolena dia ampio- fanina ny tsantsaha ho matihanina ary tohanana amin’ny zezika sy masomboly izy ireo. Eo amin’ny la- finy jiro sy rano dia hapetraka ny teknika vaovao ary hoezahina ny hampiditra jiro sy rano amin’ireo fokon- tany tsy mbola manana. Eo amin’ny lafiny fitaterana in- dray dia hampiana ny fiara mpitatitra ary hoezahina hahazo izany ny fokontany. Eo amin’ny lafiny foto-dra- fitr’asa indray, dia hampiana ny efa misy toy ny sekoly, biraom-pokontany, toerana fanasan-damba, sns… ary hatsaraina ny làlana sy ny lakandrano. Tsy hadino ihany koa ny tanora eo amin’ny fanofanana sy fitadia- vana làlam-barotra satria betsaka tanora Ambohidra- trimo, ka ezahina ny fanatsarana sy fanamboarana kianja filalaovana mba tsy ho amin’ny fampielezan – kevitra ihany no manao izany fa mila mitohy. Atomboka avy hatrany ny fanofanana maimaimpoana ho an’ny ta- nora manomboka izao. Ny miasa miaraka no fahom- biazana hoy Madame Perline Ratiarisoa, ary mila miova ny tanàna sy ny fitantanana. Vehivavy manana traik’efa amin’ny fitantanana ity kandida ity ary efa zatra nitakosona tamin’ny vahoaka ihany koa. Tonga izao ny fotoana tokony hirosoan’ Ambohidratrimo, ary tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa. Kandida tokana, sahy, tsy mpizara vola ary vonona hitondra an’ Ambo- hidratrimo ara-drariny i Madame Perline, ary nihaino ny hetahetan’ireo mponina isam-pokontany ao ana- tin’ny tapa-bolana. Mampitandrina izay mitady han- gala-bato ity kandida ity satria efa fantatra avokoa ny fomba ratsy fanaon’ny hafa. Tsy handefitra izy ary vo- nona amin’ny fifidianana madio sy mangarahara tsy misy hala-bato. Ambohidratrimo mandroso no tanjona, ary hiara-hiasa ny kandida Tim laharana faha- 2amin’ny ben’ny tanàna, ary laharana faha- 5 kosa amin’ny mpanolotsaina. Aza matahotra, minoa fotsiny ihany hoy Madame Perline, fa tsy maintsy mandresy isika satria tsy mba naman’izay mihemotra, fa man- droso amin’ny fiovana matotra. Rajo CENI Ireo tokony hataon’ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny alarobia izao Andro vitsy sisa dia hia- trika fifidianana kaominaly isika, misy ny torolalana ho an’ny mpifidy omen’ny CENI, na ny vaomieram- pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, amin’ny andron’ny alaro- bia 27 novambra, an- drom-pifidianana. Ireto avy ireo dingana arahina ao anaty birao fandatsa- ham-bato amin'ny an- drom-pifidianana hoy ny CENI: 1. Omeo ny tomponan- draikitra ny karapanon- dro, sy ny karapifidiana- nana hanamarinana ny anarana sy ny momba- momba anao ao anaty lisi-pifidianana. 2. Raiso ny biletà tokana (Biletan’ny ben’ny tanàna) ary hamarino raha misy ireo sonia roa ao ivohony. 3. Midira ao amin'ny efitra fisainana. Hapetraho ma- zava tsara eo amin’ny toerany ny sa- fidinao (marika X amin'ny penina miloko manga na lavotondro), ary havalony. 4.Harotsaho ao amin’ny vata natokana ho an’ny fi- fidianana Ben’ny tanàna ny biletà misy ny safidi- nao. 5. Raiso eo amin'ny tom- ponandraikitra indray ny biletà faharoa, biletan'ny Mpanolotsaina, misy ireo sonia roa ao ivohony. 6. Midira ao amin'ny efitra fisainana faharoa nato- kana ho an’ny fifidianana Mpanolotsaina. Hape- traho mazava tsara eo amin’ny toerany ha- trany ny safidinao (marika X na lavotondro). 7.Harotsaho ao amin’ny vata faharoa natokana ho an’ny fifidianana Mpano- lotsaina ny biletà misy ny safidinao. 8.Mialoha ny hivoahana, hasio sonia ny tandrify ny anaranao ao amin’ny lisi-pifidianana. 9. Aza adinoina ny rano- mainty tsy maty vonoina, ho marika fa avy nifidy ianao. Nangonin’Isambilo

Upload: others

Post on 01-Jun-2020

2 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Ny Valosoa sy hadihady...sy tosika raha handrombaka fahefana taminIny taona 2009 sy ny fiverenany indray, rehefa mody nangina, taminIny taona 2018. Ny delegasiona Malagasy, am - basadaoro

«Eto an-tanindrazako aho, nefa tenin’olon-kafa no takiana mba haiko, hamelomakoankohonako… », io tononkalon-dRado io

no tonga ao an-tsaina rehefa mahita ny toe-javamisyeto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tonon-kalo izay maneho ny fanjakazakana ataon’ny vahinysy ny fiteniny eto amin’ny firenena ary ny fanomezanavahana izany malalaka ho ziogan’ny vahoaka mala-gasy. Vanim-potoana ihany koa io nitarafana fa mbolamitohy tanteraka ny fanjanahana ara-tsaina sy ara-pahaleovantena mihitsy ny firenena. Efa aman-tao-nany maro izany tononkalo izany kanefa mbolazava-misy iainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny.Nahoana no tonga amin’izany toe-javatra izany nyzava-misy eto amin’ny firenena izao? Manana olonyireo tompon‘ny teny vahiny, teny frantsay indrindra in-drindra, azony lalaovina amin’izay anaovana azy etoamin’ity firenena ity. Anisany fositra iray lehibe ma-nimba ny firenena io ary fatotra mangeja azy mafy.Miezaka miafina ambadika sary samihafa izy ireo ka-nefa fantatra ihany na dia manao fihetsika isan-kara-zany aza hanaronana izany. Nahoana no manaikyizany ireo olona ireo? Noho ny tombontsoa manokanaazy sy ny ankohonany ve dia hivarotana ny firenena?Fa olona nipoitra avy aiza ireo?...Fa etsy ankilan’izany, mbola tsaroana ihany koa nylafiny tantaran’ny firenena tamin’ilay tantara malazatany Andriba. Nandritry ny fidirana an-keriny teto Ma-dagasikara no nisehoan’izany, ka nanoheran’ny tafikaMalagasy ireo mpanani-bohitra frantsay, “imperia-lisma”, niditra avy any andrefana, ka nikasa haka am-bongadiny ny tanin’ny Malagasy. Miaramila tsy nisyiray alina monja ve dia tsy ho resy tosika, raha niara-nientana ny vahoaka Malagasy teto amin’ity firenenaity? N’inona n’inona ny zava-nitranga tany amin’nytaona 1895-1896, ny zavatra fantatra dia anjaran’nytafika Malagasy sy ny fanjakana Ranavalomanjaka noniaro an’i Madagasikara. Toa nihalangalana ny va-hoaka, fa andraikitry ny miaramila Malagasy ny miarony fanjakana sy ny vahoaka. Tsy hanome tsiny an’izana iza isika eto raha ny amin’izay tantara izay fa nyfantatra dia resin’ny tafika frantsay tamin’ny fanapoa-hana tafondro indroa na in-telo teny amin’ny misy nyfasan’ny mahery fo “Mausolée” ankehitriny io ny fan-jakana Malagasy ary dia nampidirina an-keriny arakany efa faniriany hatry ny ela, hatrany amin’ny taonjatofaha-17, ho taniny eo ambany fifehezany i Madagasi-kara. Nirian’ny Frantsay fatratra ho azy efa hatry nyela ity Nosintsika ity, fa aoka tsy hohadinoina velivelyny tantara. Ary rehefa azony dia tiany hozanahinyhandritry ny 300 taona, izany hoe hatrany amin’nytaona 2196. Tantara mipetraka izany ary tsy misyafaka hanovaova.

Dia anjarantsika ny mieritreritra sy mandinika ankehi-triny manoloana izany rehetra izany. Eo ny resaka fi-takiana ireo Nosy malagasy dimy iadiana amin’nyfitondrana frantsay amin’izao fotoana izao. Misy nyolony, eo am-pelatananany ary toy ny ataony nofon-kena an-tanan-tsaka ireo Nosy ireo. Nisy ny dinikavoalohany ary lazaina fa mbola ho avy ny faharoa anyFrantsa. Tena tsy maintsy manao izany ve? Rahalalao baolina kitra toy ny CAN, ohatra, dia azo eritre-retina ihany. Ahiana ho toy ny ady natao tao Andribaity raharaha ity sanatria, ka hiala maina eto ny fire-nena Malagasy. Nisy teo ny fanentanana nataotamin’ny vahoaka hiara-hientana, fa niaraha-nahitaihany koa ny zava-niseho ny alatsinainy lasa teo tenyAndafiavaratra. Hanantena inona amin-dRajoelinaAndry ny vahoaka Malagasy raha ho any Frantsa hi-dinika ny amin’io fitakiana io Nosy Malagasy io? Izyizay fantatra tsara fa tany mandrakariva no naka herysy tosika raha handrombaka fahefana tamin’ny taona2009 sy ny fiverenany indray, rehefa mody nangina,tamin’ny taona 2018. Ny delegasiona Malagasy, am-basadaoro Malagasy, tena nadio ara-politika tante-raka aza ary tena hoe Malagasy ray sy renytanteraka, raha nalefa tany ivelany tamin’ny taona1895 hiaro ny fanjakana Malagasy tantanin’ny Rana-valona III, mba tsy ho lasan’ny Frantsay, niala maina.Mainka fa ity nifanosona tamin’ny fitondrana mpanaopolitika frantsay ity? Homena tsiny ve ny vahoaka?Tsia! Hadisoana izany, fa ny vahoaka rehefa tena ma-hita ny ezaka ataon’ny solontenany amin’ny ady atre-hina sy rehefa mahita ny fanaovana môdely tsaraamin’ny fitantanana ny firenena dia manana ny am-barany sy asehony izy. Ny manahirana ny saim-ba-hoaka hatreto dia miseho ny fanomezana vahana nyvahiny sy ny mpanefoefo mpanambola, ary misy nyendrika fanilihana ny vahoaka. Ohatra iray amin’izanyny raharaha eny Ambohitrimanjaka. Hatreto tsy mbolamahatsapa ny vahoaka fa tena mitsinjo marina azy nyfitondrana manoloana ireo sokajin’olona ireo eoamin’ny fiainany andavanandro sy eo amin’ny toe-ram-ponenany. Antony iray lehibe hanazavana ny toe-tsaina sy ny fihetsiky ny vahoaka izany ary mbola tsymiova io mandraka ankehitriny na dia teo aza ny fi-voaran’ny vanim-potoana samihafa. Raha te ha-homby izany isika amin’izao fifanatrehana amin’nympitondra frantsay izao, dia tena mila miova tante-raka amin’ny maha izy azy ny fitondrana, na eoamin’ny toe-tsaina na eo amin’ny fomba fiasa na eoamin’ny fitantanana ny tany sy ny fanjakana.Amin’izay fotoana izay tsy hiverina intsony ny zava-nitranga tany Andriba.

Sôh’son

3Lah 986 Sabotsy 23 novambra 2019Politika

Fitakiana ny Nosy Malagasy : hiverina indray ve

ny « ady tany Andriba » ?

Ny Valosoa sy hadihady

www.gvalosoa.com

Vahoakan’Ambohidratrimo

Hanohana an’i Mme Perline, Tim N°2

Santionany amin’ireo mpomba ny kandida Tim Ambohidratrimo, Madame Perline Ratiarisoa.

Deotoronomia 4:20

Fa hianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny

nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendre-

ham-by (dia avy tany Egypta) mba ho fire-

nena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao."

Ny TeNy FiaiNaNa

Lasa izao raha tsy mibolisatra, tsy maintsy mandresyny Tim ary lohany fa tsy rambony satria mila miova Am-bohidratrimo. Io no ambetin-tenin’ny mponin’ Ambohi-dratrimo amin’izao telo andro alohan’ny fifidianana izayho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina eto Madagasikaraizao, ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Kandidanatolotry ny antoko TIM i Madame Perline Ratiarisoalaharana faharoa (N°2) ao anaty bileta tokana. Nosafi-dian-dRavalomanana hitondra ny faneva sy ny fam-pandrosoana an’ Ambohidratrimo ny tenany. Vononaaho hoy izy hampandroso ny tanàna ary tsy maintsymandroso no tanjona. Nandritry ny fampielezan-kevitranataony no nitondrany fanazavana sy ny vahaolanaamin’ny sehatra samihafa eo anivon’ ny kaomininaraha izy no lany ben’ny tanàna. Santionany amin’izanyny sehatry ny fandriampahalemana, ka hamafisina nyfametrahana ny kaomisarian’ny pôlisy sy manampy nybrigadin’ny zandary. Ampiana ny toeram-pitsaboana hoan’ny zokiolona sy ny sahirana ary mila ampiana ihanykoa ny « ambulance », hampiofanina ny tanora haha-mora ny fitadiavany asa, hafainganina ny fanaovanakopia faobe tsy misy sarany, eo ihany koa ny fanatsa-rana ny sekoly ary hahena ny vesatra amin’ny rayaman-drenin’ny mpianatra, tohanana ara-pitaovana nympianatra ary omena valisoa izay mahay, hamorainany sehatry ny fananantany ary hizarana karatany faobeny tantsaha. Eo amin’ny lafiny tsena, dia hatsaraina nytsenan’ Asabotsikely ary hasiana tafo ny tsenan’ Am-bohidratrimo. Eo amin’ny lafiny fambolena dia ampio-fanina ny tsantsaha ho matihanina ary tohananaamin’ny zezika sy masomboly izy ireo. Eo amin’ny la-finy jiro sy rano dia hapetraka ny teknika vaovao aryhoezahina ny hampiditra jiro sy rano amin’ireo fokon-tany tsy mbola manana. Eo amin’ny lafiny fitaterana in-dray dia hampiana ny fiara mpitatitra ary hoezahinahahazo izany ny fokontany. Eo amin’ny lafiny foto-dra-fitr’asa indray, dia hampiana ny efa misy toy ny sekoly,biraom-pokontany, toerana fanasan-damba, sns… aryhatsaraina ny làlana sy ny lakandrano. Tsy hadinoihany koa ny tanora eo amin’ny fanofanana sy fitadia-vana làlam-barotra satria betsaka tanora Ambohidra-trimo, ka ezahina ny fanatsarana sy fanamboaranakianja filalaovana mba tsy ho amin’ny fampielezan –kevitra ihany no manao izany fa mila mitohy. Atombokaavy hatrany ny fanofanana maimaimpoana ho an’ny ta-nora manomboka izao. Ny miasa miaraka no fahom-biazana hoy Madame Perline Ratiarisoa, ary milamiova ny tanàna sy ny fitantanana. Vehivavy mananatraik’efa amin’ny fitantanana ity kandida ity ary efazatra nitakosona tamin’ny vahoaka ihany koa. Tongaizao ny fotoana tokony hirosoan’ Ambohidratrimo, arytsy ho mena-mitaha amin’ny hafa. Kandida tokana,sahy, tsy mpizara vola ary vonona hitondra an’ Ambo-hidratrimo ara-drariny i Madame Perline, ary nihainony hetahetan’ireo mponina isam-pokontany ao ana-tin’ny tapa-bolana. Mampitandrina izay mitady han-gala-bato ity kandida ity satria efa fantatra avokoa nyfomba ratsy fanaon’ny hafa. Tsy handefitra izy ary vo-nona amin’ny fifidianana madio sy mangarahara tsymisy hala-bato. Ambohidratrimo mandroso no tanjona,ary hiara-hiasa ny kandida Tim laharana faha-2amin’ny ben’ny tanàna, ary laharana faha- 5 kosaamin’ny mpanolotsaina. Aza matahotra, minoa fotsinyihany hoy Madame Perline, fa tsy maintsy mandresyisika satria tsy mba naman’izay mihemotra, fa man-droso amin’ny fiovana matotra.

Rajo

CENI

Ireo tokony hataon’ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny alarobia izao

Andro vitsy sisa dia hia-trika fifidianana kaominalyisika, misy ny torolalanaho an’ny mpifidy omen’nyCENI, na ny vaomieram-pirenena mahaleotenamisahana ny fifidianana,amin’ny andron’ny alaro-bia 27 novambra, an-drom-pifidianana. Iretoavy ireo dingana arahinaao anaty birao fandatsa-ham-bato amin'ny an-drom-pifidianana hoy nyCENI:1. Omeo ny tomponan-draikitra ny karapanon-dro, sy ny karapifidiana-nana hanamarinana nyanarana sy ny momba-momba anao ao anatylisi-pifidianana.2. Raiso ny biletà tokana(Biletan’ny ben’ny tanàna)

ary hamarino raha misyireo sonia roa ao ivohony.3. Midira ao amin'ny efitrafisainana. Hapetraho ma-zava tsaraeo amin’ny toerany ny sa-fidinao (marika X amin'nypenina miloko manga nalavotondro), ary havalony.

4.Harotsaho ao amin’nyvata natokana ho an’ny fi-fidianana Ben’ny tanànany biletà misy ny safidi-nao.5. Raiso eo amin'ny tom-ponandraikitra indray nybiletà faharoa, biletan'nyMpanolotsaina, misy ireo

sonia roa ao ivohony.6. Midira ao amin'ny efitrafisainana faharoa nato-kana ho an’ny fifidiananaMpanolotsaina. Hape-traho mazava tsaraeo amin’ny toerany ha-trany ny safidinao (marikaX na lavotondro).7.Harotsaho ao amin’nyvata faharoa natokana hoan’ny fifidianana Mpano-lotsaina ny biletà misy nysafidinao.8.Mialoha ny hivoahana,hasio sonia ny tandrifyny anaranao ao amin’nylisi-pifidianana.9. Aza adinoina ny rano-mainty tsy maty vonoina,ho marika fa avy nifidyianao.

Nangonin’Isambilo