genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · web viewmatetika...

12
ADY AMIN’NY HERISETRA SY FANDRAVONANA DISADISA

Upload: others

Post on 16-Jan-2020

15 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

A. ADY AMIN’NY HERISETRA SY FANDRAVONANA DISADISA

Tsy maintsyfenoinaizay misy(*)

ADY AMIN’NY HERISETRA SYFANDRAVONANA DISADISA

1. FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENYDATY*17 /Mars/2014

ANARAN’ILAY FIKAMBANANA*

FIRENENA*

ANARANA*

FANAMPINY*

ADIRESY [email protected]

LAHY/VAVY*Vavy Lahy

ANDRAIKITRA SAHANINA

TÉLÉPHONE - BUREAU

TÉLÉPHONE - MOBILE*

FAX

ADIRESY*LotFokontanyTanànaFaritra

Izaamin’ireto no tambazotra misy nyfikambanana misy anao? *

ADY AMIN’NY HERISETRA

Zoaman-dalàna Fitantanana ifotony Fampianarana sy fampiofanana Loharanom-bola sy asa Ady amin’ny herisetra

FPFE/CECJ

BEFOUROUACK

Parajuriste

00 261 20 53 989 82

00 261 32 41 33886/ 0346670759

00 261 20 .. … ..

21 A bis Pelle 12/12Tanamakoa

AtsinananaTOAMASINA

Karimo Jocelyne

MAQAGASCAR

Fahasalamana sy VIH/SIDA Fikarakarana marary Fandravonanadisadisa sy fampanjakana ny fandriam-pahalemana Miralenta sy hainoaman-jery Hafa

Firenena aiza avy no misy nyFikambanana misy anao?*

Ny firenena misy ny fikambanana misy ahy dia eto Madagasikara

Site Internet (raha misy)

LOHATENY OMENAO NY TETIKASA NATAONAO*

METTRE EN PIÈCE JOINT UN PHOTO DU PRÉSENTATEUR* METTRE EN PIÈCE JOINT AU MOINS DEUX PHOTOS DE LA BONNE PRATIQUE*

TOKONY HISY SARY 02 AMPIARAHINA AMIN’ITY FIROTSAHANA HOFIDINA ITY: SARY 1: Sarin’ilaympanolotra

SARY 2: Sary am-perinasa

2. ILAY TETIKASA2.1 Tantarao fohifohy ny mombamomba ilay tetikasa nataonao. Inona ny maha-zava-dehibe izany tetikasa izany? (150 mots) * 2-1 : Mombamomba ilay tetik’asa :

Izaho dia efa parajuriste ao amin’ny CECJ Toamasina, matetika izahay ampiofanina momba an’io asanay io izahay mba ho tena matianina ary afahanao mampitombo ny trai-kefa izay anananao.Tsimaintsy miainga any amin’ny fokontany any ny fanentanana.Tsara ho marihina fa io asa io dia asa fanasoavana ka mitaky ireto zavatra ireto :

FANOHERANA NY HERISETRA

-fitiavana

-fahavononana

-Fahasahiana

-Fitanana tsy ambara telo

Matetika izaho rehefa tsy miasa ireny dia lasa manao fanentanana eo amin’ny fikontany izay misy ahy satria efa ela no nipetrahako tamin’io toerana io ka fantako ny olona eo aminay. Azavaina aminy inona ny tokony hataony manoloana ny herisetra manjo azy, ary atoroko azy koa ny ivon-toerana mba hanesorako azy ao anatin’ny lavaka misy azy.

SARY TAMIN’NY FIOFANANA SARY TEO AMIN’NY FAMPIRATINA

2.2 Raha mihoatra amin’ireo tanjona 28 ao amin’ny Fenitry ny SADC, inona amin’ireo tanjona ireo no noezahana notratrarina? (200 mots) *

2-2-Raha mihoatra amin’ireo tanjona 28 amin’ny faritry ny SADC,

Ny momba ny herisetra fanolanana no hoezahina notratrarina.

Io tranga io dia mifanaraka amin’ny taranja ao amin’ny articles 20-25 ny protocol de la sadc :

Hamafisina ny lalana mandrara ny fanolanana amin’ny endriny rehetra.

-Ho foanana ny fomba nentim-paharazana sy ny fanao ara-tsosialy satria hita fa tsy dia manafay ny mpnao herisetra loatra io fomba io. Ny  fomba ara-pinoana izay manaiky na manome vahana ny fisian’ny herisetra amim-behivavy.

-Hamafisina io lalana manafay io mba hanomezana toky ireo niharany mba ho fiahiana sy fitandrovana hatrany ny zo aman-kasin’izy ireny.

-hanome rindran-damina mahomby hanarenana ara-piarahamonina sy ara-tsaina ireo mpanao heriseta fanolanana.

-Hanome asa mendrika azy mpivaro-tena mba hiverenany any anatin’ny fiarahamonina

-Ahena ho antsany ny tahan’ny herisetra sy fanolanana misy amin’izao fotoana izao

2.3 Tantarao fohifohy ny antony nahatonga anao hanatanteraka io tetikasa io.(300 mots) *

2-3: Ny antony mahatonga ahy hanantateraka io tetik’asa io dia noho ny fahitako fa maro ny olona tratry ny herisetra kanefa tsy hitany ny tokony ataony, tsy fantany koa ny tany alehany, kanefa raha mba mahalala ihany ny tena dia tokony hizara amin’ny namana.

Ary eo amin’ny vehivavy manokana dia tokony tsy hisy tahotra mitaky ny zony izy, fa tena ilainy mba tsy hanararaotan’izay tia manao herisetra.

Hinoako faraha tena sahy mijoro ny olona tena iharan’ny herisetra rehetra ary sahy hiady amin’izany ny mpiaro azy dia hiena ambany dia ambany tahan’ny herisetra eto Madagasikara ary ho foana ny teny napetraky ny razan-tsika hoe «rehefa vehivavy  dia mpandefitra ao anatin’ny toka-trano». Satria io teny io no tena raiki-tapisaka ao antsain’ny vehivavy mitondra tokatrano amintsika, satria io foana no anabeazana azy tany amin’ny Ray aman-dReny, ka lasa tsy sahy izy sao dia lasa mpanohitra ny tenin’ny Ray aman-dReny, satria ny tenin-dRay aman-dReny dia nataontsika Malagasy ho teny masina.

Hitako koa eo amin’ny fiarahamonina Malagasy rehefa mba misy lanonana ireny dia hoe ny lehilahy foana no toa mahazo mandray fitenenana ary toa omena toerana miavaka mihintsy indraindray.

Ireny rehetra ireny dia toa manosika ahy hiasa bebe-kokoa satria maro ny zavatra tokony fongorina hatrany ampotony mihintsy.

2.4 Tanjona: Inona ny tanjona napetraka nandritra ny fanatanterahana io tetikasa io? (250 mots)*

2.4: Ny tanjona napetraka mandritra ny fanantanterahana io tetik’asa io dia ny mba hampihenana ny tahan’ny herisetra misy eto amintsika.

Ohatra:ny eo amin’ny vehivavy maty vady:

Ny zava-misy amin’ireny aty amin’ny fiarahamonina dia tonga ny fianakavian’ny maty mizara ny fananan’izy roa, hitako fa herisetra ireny satria tokony ho an’izy roa foana ny fananany. Ary tena misy lalana miaro ny zon’ny maty vady eto Madagasikara.

Kanefa raha tsy eo ny fahafantarana dia lasa manaiky an’ireny zavatra ireny ny ankamaroany.

Tokony hanan-jo andova ny fananana niaraha nihary nandritra ny fanambadiana izy. Ny vehivavy maty vady dia tokony hanan-jo hambady araka ny safidiny.

Misy ko any zon’ny vehivavy misara-bady toy ny hoe mizara mira fa efa nifoanana ny kitay telo an-dalana.

Ary ny ankizy koa manana zo eo amin’ny fisarahan’ny Ray aman-dReny , tsimaintsy ampahafatarina izy ireo ny tokony atao manoloana ny mahazo azy.

Esorina amin’ny tsirairay ny fitiavan-tena.

-Ny mba hisian’ny fitiavana eo amin’ny maha olombelona (lahy sy ny vavy)

-Mba hisian’ny fifanajana eo amin’ny tsirairay (Ray, Reny, zanaka)

-Fa indrindra amin’ny fampahafantarana ilay mpanao herisetra fa misy lalana manafay izy ireny.

2.5 Iza ny olona nokendrena hahazo tombontsoa avy amin’ilay tetikasa? (100 mots)*

2-5: Ny olona rehetra dia kendrena ahazo tombon-tsoa fa indrindra fa ny zaza amam-behivavy, satria maro be ny herisetra ka mety iharany daholo rehefa olombelona.

-Ny vehivavy iharan’ny herisetra ao antokatrano, satria raha fantany ny tokony hataony dia hilamina ny zava-drehetra ary ilay mpanao herisetra koa hitandrina.

-Ny vehivavy misora-panambadiana ka lasa mananon-tena irery.Koa raha fantany ny alehany sy ny tokony ataony dia ho moramora aminy ny mamakivaky ity fiainana ity (ohatra mandoa ny solon-tsakafo ho an’ny zanany ny Rain-janany) ho tanteraka antsakany sy ny andavany ny zon’ny ireo ankizy very teo aloha.

2.6 Naharitra hafiriana izany tetikasa izany ary inona avy ny dingana narahina hanatanterahana izany? (300 mots)*

2-6 Nandritra iny taona 2013 iny no nanatanterahako io tetik’asa io ka hatramin’izao fotoana.

Misy ny fanaovana fanentanana teo anivon’ny fokontany, ny fampianarana ny tokony hataony eny antokatrano mba ahazahoany ny zony. Ireo dingana ireo dia tsimaintsy atao satria maro be ny olona tsy dia zatra manantona birao, ao koa ny tsy afaka hizara ny fahoriana misy azy fa efa raiki-tapisaka ao antsainy hoe «tokatrano fiafina» ary miezaka izay raha vao misy ny hetsika toy ny 08 Mars, fambolen-kazo, misy asa iraisan’ny vehivavy rehetra; tsy maintsy mandeha amin’ireny mba ahafantaran’ny olona ny fisian’ny fikambanana. Ary rehefa mandeha manantona dia tsy maintsy mitondra fitaovana vitsivitsy ho entina manatanteraka ny asa, ary tsy maintsy manao ezaka rehetra mba ahatafita ny hafatra.Ary izahay ao 

SARY TEO AMIN’NY FANETANANA

amin’ny fikambanana (CECJ) dia matetika dia mandeha eny ambanivohitra tena saro-dalana indrindra ka andehanana an-tongotra roan a telo andro eo ho eo.Sarotra ny fanentanana any amin’ireny toerana ireny satria tena mbola manjaka sy masina ny fomban-drazana any.Tsy eritreretiny ho herisetra io ataony io fa fomba tsy maintsy arahin’ny tsirairay. Misy izany hoe ny 

vehivavy dia tsy mahazo misakafo alohan’ny lehilahy, ny andraikitra reheat ao an-tokatrano dia ho an’ny vehivavy daholo afa tsy ny vaky kitay.Ity misy ohabolan’ny Betsimisaraka iray manao hoe «Akoho vavy tsy magneno»

SARY TAMIN’NY TANY SARO-DALANA 2.7 Inona avy nyfitaovana nampiasaina nentinana natanterahana ny asa? Ohatra: drafitrasa, fitaovan-tserasera toy ny boky kely, afisy, lahatsoratra an-gazety, sary, horonan-tsary, sns. (200 mots) * (TSY MAINTSY AMPIARAHINA AMIN’ITY FIROTSAHANA HOFIDINA ITY IREO TARATASY IREO)

2-7 Raha izaho manokana no mandeha manatanteraka ny asako dia tsy misy fitaovana loatra satria izaho dia manantona isan-tokatrano, ka ny fanazavana be izao no atao ary fikarohana hevitra manan-danja mba andresen-dahatra ilay olona.Nohon’ny fihofanana azonay matetika tao amin’ny fikambanana dia efa ampy ampiharina mba andresen-dahatra ny olona.Fa raha izahay eo anivon’ny CECJ kosa no manentana dia zay vao mampiasa fitaovana kely toy ny bokikely, sary, fanamafisam-peo.Amin’izay fotoana izay dia mampilaza mialoha amin’ny sefom-pokotany ka efa azo mialoha ny daty sy ny ora hanaovana azy, dia vory eo amin’ny toerana iray ny olona rehetra(zaraina ny bokikely ary apetaka ny sary entina hanazavana ny resaka).Entanina ireo olona rehetra fa indrindra fa ireo zay voakasika ny herisetra mba hanantona ny birao misy anay. Hazavaina aminy ny ataony raha manantona anay izy mba tsy isian’ny tahotra satria mbola betsaka ny olona mbola tsy sahy manantona birao.

Koa raha vao tonga aminay CECJ ilay olona nitaraina dia :  Enoina sy Tanana antsoratra amin’ny alalan’ny taratsy fihainoana ny fitarainany ilay olona  Atsoina ilay niaran’ny fitarainana  Enoina ary itanana atsoratra koa ny valiteniny ilay niantefan’ny fitarainana Izay vao haravona amin’ny taratasy fitanana antsoratra ny fampiavanana ny vokatra 

SARY ENTINA MANENTANA

2.8 Inona avy ny vokatra azo? Manomeza ohatra azotsapain-tanana.Ohatra: lahatsoratra fijoroana vavolombelona avy amin’ireo nahazo tombotsoa, na tombana taorian’ny atrikasa natao.(300 mots) *

2-8 Maro ny vokatra azo ary tena mahavelom-bolo:

-Teo ny rava tokatrano kanefa rehefa nahazo hery sy fanazavana avy aty aminay dia resy lahatra tanteraka ry zareo roa dia lasa niverina an-tokatrana, ary tena tokatrano ahitana fahasambarana, satria efa hita ny lesoka ka tsy hiverenany intsony 

-Ao ireo zaza efa tsy nampian-dRay nohon’ny fisarahana nisy teo amin’ireo Ray aman-dReny ka resy lahatra koa ny Ray dia lasa nanao ny adidiny; ka amin’izay dia tena feno zaza satria afaka mianatra sy mitafy ara-dalana izy toy ny zaza rehetra nohony fanampiana azony taty aoriana.

Vavolombelona:

2.9 Inona avy ireo olana nitranga nandritra ny fanatanterahana io tetikasa io ?Ahoana ny fomba natao hamahana izany olana izany ?(200 mots) *

2-9 Inona avy ireo olana nitranga nandritra ny fanatanterahana io tetikasa io ? Ahoana ny fomba natao hamaha izany olana izany ?(200mots)

Ny olana nitrnaga nandritra ny fanatanterahanany asa dia maro tena maro : 

-Eo ny antsoina tsy tonga fa indrindra ireo panao herisetra kanefa izy indrindra no tena ilaina mba ampahafantarina azy ny tsy mety ataony sy miandry azy.

-Misy koa ireo zay efa manaiky hampitrahatra ny herisetra kanefa mbola tsy manaraka ny toromarika omena azy.

-Misy koa ireo niharan’ny herisetra mihintsy no tsy tehanaraka ny toromarika tokony arahina satria matahotra sao hisy fiantraikany eo amin’ny fianakavian’izy ireo ny iresahana amin’ilay mpanao herisetra noho ny fandalantsika Malagasy ny fihavanana ka ialany amin’ny hoe mitory ny an-defomandriny izy.

Rehefa izany reheat izany no mitranga dia izao indray ny lalana izorana manaraka: 

- Ho an’ireo nantsoina indray mandeha tsy tonga, dia omena fiantsoana fanin-droany ary mbola azo tohizana fanin-telony , eo izy tsy maintsy taitra dia tonga.

- Izay efa nanao sonia ka tsy nanatanteraka dia omena fampatsiahivana izy, ka amin’izay dia ampafatarina azy ny lalana mety ihatra aminy ka resy lahatra izy dia manaraka hoazy.

- Ary ireo izay tsy mety hiresahana amin’ilay olona dia azavaina aminy antsipiriany ny tokony ataony aminy dia ho resy lahatra foana izy avy eo.

2.10 Lesona :Inona ny lesona azotsoahina nandritra ny fanatanterahana io tetikasa io? Ahoana no ampiharana izany amin’ny tanjona manaraka(300 mots)*

2-10: Maro be ny lesona azo tsoahina nandritra ny asa raha tsy ilaza fotsiny hoe ny Malagasy dia afaka miana an-kalalahana rehefa mba fantany tsar any zony sy ny tokony hataony.Ary ireo mpanao herisetra kosa raha resy lahatra tsara dia lasa olona mora iraha-miaina, fa nonony tsy fahafantarany ny fivoarany fomba fiainana dia lasa manaonao fona izy ireny.Ny asa fanasoavana toy ny ataonay ity dia tena ilain’ny vahoaka Malagasy satria mbola maro ny olona mbola tafahitsoka lalina ao anatin’ny herisetra ka mila fanavotana, kanefa koa efa hita fa maro ny olona efa nahita vokatra amin’ny alalan’ity asa ity.

Tokony hampiana ny fanentanana amin’ny lafiny rehetra toy ny hoe alefa amin’ny haino aman-jery rehetra izay misy eto an-toerana ny fampafatarana ny asa; tokony haparitaka any amin’ny faritra maro koa io tetik’asa io fa indrindra any ambanivohitra.Raha tanteraka izany dia ho tratra ny tanjona amin’ny 2015.

2.11 Azoampiharina amin’ny toerana, faritranafirenenahafaveiotetikasaio? Raha eny, inona no fepetratokonyhananan’ireoizayhampiatraizany?(200 mots) *

2-11: Tena azo ampiharina amin’ny toeran-kafa io tetik’asa io satrai tsy eto amintsika ihany ahitana herisetra fa indrindra manerna ireo firenena mbola andalam-pandrosoana.

-Fa kosa rehefa ampihatra azy io dia tokony jerena tsara ilay toerana tena be herisetra ao aminy dia ao no ajoro ny tetik’asa. Mitaky olona tia an’ilay asa vao afaka manao azy, satria raha ao ny fitiavana dia mora aminy ny mamakivaky ny olana rehetra mandalo eo aminy mandritra ny fanatanterahana ilay asa.

-Mataky fahavononana tanteraka koa izy io satria ho maro ny zavatra hiseho eo ampanaovana ny asa. Ary noho izy asa tsy mora dia mila sahy miatrika ireo olana ianao ary sahy heady hevitra aminy koa, tsimaintsy atao izany mba hampandresy anao. Mila tanteraka ny tanjona eo dia ny amahana ny olana eo antrehana.

-Mila tazomina eon y tsiambaratelo satria tokony ho ianao irery ihany mahafantatra ilay tantara. Raha voatazona io dia ho hisy lanja avy hatrany ny asa atao.

Izaho BEFOUROUACK Karimo Jocelyne dia manambara etoana fa marina avokoa izay voalaza ato anatin’ity taratasy firotsahana hofidina ity.

________________________________________________Sonia