ahoana ny atao rehefa manao pre-camp - petit fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 misakafo 8.00...

40
Tily handeha hilasy 1 AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP ? Feno folo taona ny fivondronana Andrefandrova . Tapaka fa any Mahajanga no atao ny lasy, efa somebiseby be ihany ny mpiandraikitra . Iza ary no handeha hanao pré- camp? Satria efa somary efa am-panomanana fanadinana daholo ny mpiandraikitra mianatra eny amin’ny Anjerimanontolo. Raikitra ary fa dia i Sefo Tolotra izay mpiandraikitra mpanampy Tily sy Bary Zokiolona mena no handeha. Bary efa za- draharaha eo amin’ny fanaovana pré-camp, Tolotra kosa sambany vao handeha hanao pré-camp lasy lehibe. Nihaoana izy roa lahy ny alahady nirava fiangonana ka niresaka ny momba ny pré-camp : Tolotra : O, Rabary e, inona avy ny taratasy ilaina amin’izany pré-camp izany ? Bary : Mila ilay taratasy fangatahana hilasy izay soniavin’ny prezida sy pasitera ohatr’ity (1) sy ilay taratasy fanaovana fanadihadihana.(2) ary taratasy misy en-tête (3) fotsiny. Tsy maninona aleo koa mitondra taratasy fotsy amin’izao. Tolotra : Okay ary , aleo izaho no hitondra ilay taratasy hosoniavina any amin’ny pasitera sy prézida. Bary : ‘Lay izy koa mila fakan-tsary e, ka iza no manana? Tolotra : Aleo hindramiko rangahy ilay an-drabavinay e. Bary : Fa izao aloha,rehefa mankany amin’ny prezida ise dia aza hadinoina ilay taratasy hangalana ny vola any amin’ny maman’i Santatra (mpitambola) Tolotra : Rahoviana isika no hiainga? Bary : Aleo amin’ny Alarobia hariva, dia tafaverina isika amin’ny Asabotsy. Dia ity an, mitondrà karapanondro sy karatra mpiandraikitra, stylo, ary fitomboka. Tolotra : Ary aiza isika no mivantana rehefa any? Bary : Any isika mitady fiangonana na trano hafa fa entiko ihany ilay tente-ko ao an- trano ao sao tsy mahita hatoriana isika . Tolotra : Izay aloha fa tsy misy hadino intsony an, fa hiala kely aho, Bary : Izay fa mifampiantso eo raha mbola misy zavatra hafa.

Upload: others

Post on 02-Aug-2021

3 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

1

AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP ? Feno folo taona ny fivondronana Andrefandrova . Tapaka fa any Mahajanga no atao ny lasy, efa somebiseby be ihany ny mpiandraikitra . Iza ary no handeha hanao pré-camp? Satria efa somary efa am-panomanana fanadinana daholo ny mpiandraikitra mianatra eny amin’ny Anjerimanontolo. Raikitra ary fa dia i Sefo Tolotra izay mpiandraikitra mpanampy Tily sy Bary Zokiolona mena no handeha. Bary efa za-draharaha eo amin’ny fanaovana pré-camp, Tolotra kosa sambany vao handeha hanao pré-camp lasy lehibe. Nihaoana izy roa lahy ny alahady nirava fiangonana ka niresaka ny momba ny pré-camp : Tolotra : O, Rabary e, inona avy ny taratasy ilaina amin’izany pré-camp izany ? Bary : Mila ilay taratasy fangatahana hilasy izay soniavin’ny prezida sy pasitera ohatr’ity (1) sy ilay taratasy fanaovana fanadihadihana.(2) ary taratasy misy en-tête (3) fotsiny. Tsy maninona aleo koa mitondra taratasy fotsy amin’izao. Tolotra : Okay ary , aleo izaho no hitondra ilay taratasy hosoniavina any amin’ny pasitera sy prézida. Bary : ‘Lay izy koa mila fakan-tsary e, ka iza no manana? Tolotra : Aleo hindramiko rangahy ilay an-drabavinay e. Bary : Fa izao aloha,rehefa mankany amin’ny prezida ise dia aza hadinoina ilay taratasy hangalana ny vola any amin’ny maman’i Santatra (mpitambola) Tolotra : Rahoviana isika no hiainga? Bary : Aleo amin’ny Alarobia hariva, dia tafaverina isika amin’ny Asabotsy. Dia ity an, mitondrà karapanondro sy karatra mpiandraikitra, stylo, ary fitomboka. Tolotra : Ary aiza isika no mivantana rehefa any? Bary : Any isika mitady fiangonana na trano hafa fa entiko ihany ilay tente-ko ao an-trano ao sao tsy mahita hatoriana isika . Tolotra : Izay aloha fa tsy misy hadino intsony an, fa hiala kely aho, Bary : Izay fa mifampiantso eo raha mbola misy zavatra hafa.

Page 2: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

2

TAHAKA IZAO NY TARATASY FANANGONAM-BAOVAO MIKASIKA NY

TOERANA HANAOVANA LASY

TILY ETO MADAGASIKARA FARITANY AFOVOANY TATITRY NY FITSIDIHANA TOERANA : ...................................................... DATY : ......................................................

Momba ny tanàna:

Firy km miala avy eto Antananarivo? Manao ahoana ny lalana mankany? Kaomina an’inona?

Inona ny fitanterana mankany? ohatrinona? Maharitra ora firy? isaky ny inona vao misy?

Inona avy ireo fotodrafitrasa efa misy?

Misy tsena ve? Raha misy,inona ireo zavatra sy sakafo hita ao? Ohatrinona avy? Inona ireo sakafo sy zavatra tena mora ary betsaka? Inona kosa ny zavatra sy sakafo tena lafo ary tsy fahita any?

Inona avy ireo angovo fandrehatra azo ampiasaina any? Ohatrinona?

Misy toerana azo tsidihana izay miavaka sy manan-tantara ve ao?Raha misy,inona avy?

2

Page 3: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

3

Momba ny toerana hilasiana:

(2) Mpanao ny fanadihadina :

Firy km miala avy eo amin’ny tanàna? Manao ahoana ny lalana mankany? Inona ny anaran’ilay fokontany?

Inona ny fitanterana mankany? Maharitra ora firy? Ohatrinona? Isaky ny inona vao misy?

Misy tsena ve eo amin’ny manodidina? Raha misy,inona ireo zavatra sy sakafo hita ao? Ohatrinona avy? Inona ireo sakafo sy zavatra tena mora ary betsaka? Inona kosa ny zavatra sy sakafo tena lafo ary tsy fahita any?

Inona avy ireo angovo fandrehatra azo ampiasaina any? Ohatrinona?

Iza avy ireo foko mipetraka ao?

Inona avy ny fadin-tany sy fomban-tany iainana ao?

Hofaina ve?Ohatrinona? Inona avy ny fepetra arahina?

Manao ahoana ny toetany?

Manao ahoana ny firafitry ny vohon-tany sy ny karazan-tany?

Lazao ny momba ny olona ahafahana mifandray:telephone,anarana,adiresy...

3

Page 4: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

4

INONA AVY IREO KARAZAN-DASY AZO ATAO ? Maro ireo karazana lasy skoto,nefa ny mahazatra antsika Tily dia ny lasy mi-horina amin’ny toerana iray (camp fixe). Mba hitomboan’ny fahalalana bebe kokoa ary dia indro asehonay eto ireo karazana lasy misy sy mety azo atao:

Ny lasy lehibe izay mihotra ny 5 andro ny faharetany farafahakeliny. Fisindana (week-end) Ny lasy tselatra izay 3 andro ny faharetany. Ny lasy mifindrafindra am-bisikilety (vélo-camping) Ny lasin’asa (camp chantier) Ny lasy mifindrafindra amin’ny fiara (camp-voyage) Ny lasy mindranafindra (camp volant)

Ny lasy mitety rano(croisière):efa nanao izany ny mpiandalana tamin’ny 1956. Ny toerana ilasiana dia matetika arakaraka ny karazan’ny lasy no isafidianana izany : Toerana an-tampon-tanety Toerana natao ho filasian’ny skoto Toerana fitsangatsanganana (parc public) Toerana fanaovana vankasy Toeram-piompiana Tanan-dehibe

4

Page 5: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

5

FANDAHARAN’NY LASY (Le programme de camp)

Amin’ny lasy rehetra dia zavatra tsy maintsy ilaina ny fandaharan’ny lasy. Io dia tahirin-kevitra azon’ny ray aman-dreny sy ny ankizy beazina ary ny mpiandraikitra hampiasaina. Ao no ahitana ireo tsara ho fantatra rehetra momba ny lasy.Ity ary misy ny votoatiny fandaharana an-dasy : - Fonony : Anaran’ny antoko, lohahevitry ny lasy, datin’ny lasy - Ny tsara ho fantatra amin’ny ankapobeny (Renseignement généraux)

.Ny lisitry ny mpilasy

.Ny toeram-pilasiana sy ny làlana ho diavina

.Filazalazana ny fiaingana sy ny fiverenana

.Sehetra ahafahana mifandray raha ao anatin’ny fahamehana. - Zava-kendren’ny lasy (Objectifs du camp :pédagogiques, techniques, etc) - Fanolorana ny fandaharana (Présentation du programme)

.Taratasy ho an’ny ankizy

.Taratasy ho an’ny ray aman-dreny - Lohahevitra

.Famahavahana ny lohahevitra

.Hiran-dasy

.Ny fitafiana, ny koja, ny fampiasana ny tanana

.Ny voambolana fampiasa - Sahanasa (Activités)s

.Ora raikitra (horaire-type)

.fandaharana isan’andro (programme de chaque jour)

.Fisy teknikan’ny lalao

.Sahanasa atao raha sendra orana - Tontolo teknika

.Lisitry ny fitaovan’ny tsirairay

.Lisitry ny fitaovana iombonana

.Fandaharan-tsakafo

.Torosy fitoeram-panafody na boîte à pharmacie

.Fitsipiky ny lasy

.Teti-bola - Antontan-taratasy ilaina

.Fafy

.Fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny

.Fahazoan-dalana milasy

.Taratasim-pizaham-pahasalamana

Page 6: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

6

O R A R A I K I T R A (ordre de camp na horaire type)

6.00 Mifoha, fampirimana, ala vokina, fidiovana

7.00 Fampiakaran-tsaina, fanompoam-pivavahana

7.20 Mahandro, misakafo, manadio

8.50 Fitsidihana

9.00 Sahan’asa

11.30 Mahandro sakafo

12.30 Misakafo

1.30 Miala sasatra

2.30 Sahan’asa

5.00 Fiainam-bondrona - FKS

7.00 F.K.A

7.30 Misakafo

8.00 Sahan’asa amin’ny alina

9.00 Matory

Page 7: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

7

ora Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

6.00 Mifoha, fampirimana, ala vokina, fidiovana

7.00 Fampiakaran-tsaina, fanompoam-pivavahana

7.20 Mahandro, misakafo, manadio

8.50 Fitsidihana

9.00

11.30 Mahandro sakafo

12.30 Misakafo

1.30 Miala sasatra

2.30

5.00 Fiainam-bondrona - FKS

7.00 F.K.A

7.30 Misakafo

8.00

9.00 Matory

FAFANA FANDAHARANA

Page 8: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

8

NY ENDRIKY FANGATAHANA ALALANA HILASY

FIANGONAN’NY JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SYNODAMPARITANY IARIVO AVARADRANO

FITANDREMANA ANDREFANDROVA SAMPANA TILY SY MPANAZAVA FIVONDRONANA FAHA-2007

FANGATAHANA ALALANA HILASY

Miarahaba anareo amin’ny anaran’ny tompo. Mba ho fanohizana ny asa fanabeazana Mpanazava sy Tily eto Madagasikara,dia

voninahitra ho anay komitim-pivondronana sy Mpiandraikitra eto amin’ny Mpanazava sy Tily FLM,METM,EEM na FJKM(1) Andrefandrova no manao izao fangatahana izao ,mba ahafahan’ny sampana MAVO,MAITSO na MENA(1) manao lasy eto amin’ny faritra iadidianareo.

Ny lasy dia manomboka ny 20 ka hatramin’ny 26 aogositra 2006 ho avy izao ka ny

isan’ny ankizy handray anjara amin’izany dia miisa 70 eo ho eo. Ireto avy ireo mpiandraikitra hitarika ny lasy amin’izany:

………………………………………………………………. ……………………………………………………………….. ………………………………………………………………. ……………………………………………………………….. ……………………………………………………………….. ………………………………………………………………….

Koa manantena ny fiaraha-miasa feno avy aminareo. Raiso tompoko ny haja ambony atolotray ho anareo ary manao veloma anareo amin’ny

anareo amin’ny anaran’ny tompo. Antananarivo, faha-……………… Ny Mpitandrina ny komitim-pivondronana Ny Mpiandraikitra (1) Ovay araka izay anaram-piangonana misy anareo sy sampana misy anareo.

Page 9: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

9

AHOANA IZANY INDRAY ANDRO AO AN-DASY IZANY ? Na dia ao anatin’ny lasin’antoko aza dia misy foana ny fotoana hatokana ho an’ny sokajy. Mandritrra izany dia ny L.S. no mitarika ny sahan’asa rehetra ho an’ny sokajy. Izany dia efa tafiditra teo amin’ny fandaharana nofaritan’ny antoko. Eto ary dia ho jerentsika mitokana ny tontolo andron’ny sokajy voromahery. Amin’ny 6 ora latsaka folo efa miposaka ny masoandro nefa mbola mangina tanteraka ny ao an-dasy. I Manitra no nitsikilo kely teo am-baravaran’ny tranolay, ary niverina haingaina nisaron-doha tao anaty kitapo fatoriny, sady miandry fotsiny ny mpiandraikitra hitsoaka kiriorioka. 6 ora ... fifohazana, ala vokina, fidiovana. Raha vao naneno fotsiny ny kiriorioka dia efa tafavoaka ny tranolay i Manitra LS narahan’ny Tovokely izay zazavao sambany vao nilasy, nanaraka azy avy ato aoriana kosa ny sisa rehetra sady nitondra ny kitapo fatoriany avy no nanantona azy ery amin’ny tady fanahazana. Tao anatin’ny telo minitra monja dia efa vonona miaraka amin’ny akanjo fanaovana fanatanjahantena ny rehetra. Mifandimby ry zareo mitarika ala vokina ka anjaran’ny Lioka androany. Vao vita ny ala vokina dia nanao rodobe indray nidina nankany amoron-drano mba hisasa. Rehefa avy nisasa ,tonga dia nanao fanamiana ara-dalàna, miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika ny fampiakaran-tsaina sy fanompoam-pivavahana.Ny SLS kosa nijery farany ny fanamian’ny mpiray sokajy aminy. 6 ora 35... fampikaran-tsaina sy fanompoam-pivavahana Raha vao naneno ny kiriorioka dia nihazakazaka ny sokajy rehetra namonjy ny tokontanin-tsaina tonga dia nihika izay vonona.Natao ny hira sapaoritra “indreto vonona”. Avy eo dia nilazalaza ny fahitany ny tontolo andro ny mpiandraikitra ary nanasongadina ireo sokajy mendrika sy ny tsirairay mendrika, izany dia nomarihana tamin’ny fanomezana azy vatomamy.Avy eo dia niroso tamin’ny fampiakarana ny saina ka ireo mendrika no niroso teny aloha. Tafiakatra ny saina noredonina avy hatrany ny “ho tiavinay”. Niroso avy hatrany tamin’ny fanompoam-pivavahana ka ny sokajy voromahery no nitarika azy. 7ora ... fandaminana ny valan-tsokajy Tafaverina ao am-balan-tsokajy ny rehetra. Samy mandamina haingana ny entany.Mandritra izany fotoana izany i Lioka kosa lasa niakatra nankeny an-tanàna mba hividy mokary atao hody am-bavafo rehefa salasalan’andro .I Lanja kosa tonga dia nandrehitra afo sady nikarakara ny sakafo maraina.Nosokafana ny tranolay mba hidiran’ny rivotra sy ny masoandro.Tovokely kosa no nantsaka rano. Bary kosa nanangona ny kitay. 8ora …sakafo maraina Tafaverina avy eny an-tanàna i Lioka. I Lanja kosa nilaza tamin’ny LS fa efa masaka ny sakafo maraina. Io maraina io dia ny mpiandraikitra tompon-toerana no hisakafo ao aminy.Noloarana teo ambony latabatra ny vary. 8ora 15 ...manasa lovia sy vilany Vao lany ny sakafo maraina dia samy nanasa haingana ny vilia sy ny sotro nihinanany ary nametraka izany teny amin’ny fitoerany. Ny vilany kosa dia i Lanja ihany no nanasa azy.Tovokely kosa no nanasa ny vilia an-drasefo.Araka ny mahazatra moa dia mifandimby misakafo amin’ireo sokajy ny mpiandraikitra ka nentiny tany amin’ny sokajy hitsikitsika ny vilia sy ny sotron-drasefo. Minitra vitsy sisa dia ho tonga ny fitsidihana. Ingahy LS kosa mijery ny manodidina sao dia mbola misy potika taratasy na sase mandehandeha. Nojereny ny tao anaty tranolay ka efa milamina tanteraka. Ary ny rehetra dia efa mivonona amin’ny fanamiana.

Page 10: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

10

Ny vilia dia efa milamina tanteraka ery amin’ny fitoeram-bilia Ny kiraro kosa ery amin’ny fitoerana. Ny lamba firakotra efa mivalona tsara ary trano lay efa misokatra tsara. 8 ora 25 fitsidihana Raha vao tonga ireo mpiandraikitra dia noraisina tamin’ny hika.Mandritra izany fotoana izany mihatrana tsara ny mpiray sokajy rehetra. Ny mpindraikitra kosa nanokatra kitapo iray izay sendra azy. Hay kitapon’i Tovokely izany toa tsy dia milamina tsara.Hoatra ny ratsiratsy fijery an’ity zazavao ingahy LS. 8 ora 35 ...filan-kevitry ny sokajy Manomboka ary ny tontolo andro. Omaly tamin’ny fivorian’ny LS sy ny mpiandraikitra dia nametrapetraka ny fandaharam-potoana.Nazavain’ny Manitra ny fandehan’ny tontolo andro maraina ka ao anatin’izany dia misy ny fitsinjarana andraikitra. Rehefa tonga ny amin’ny 11 ora 30 lasa mitondra bisikileta i Bary miantsena ny sakafo rahariva sy rahampitso. Lioka kosa manamboatra ilay fatana fanampiny sy manisy tafo ilay fatana. Tovokely no miantoka ny fakana ny rano.Lanja kosa mahandro ny vary sy laoka. Izaho (Manitra) kosa manampy an’i Lioka amin’ny fananganana ilay fatana. Rehefa samy nahalala ny anjara asany ny rehetra dia nirava ny fivoriana ka samy nanana ny fanamiany avy. 9ora ...sahan’asa Rafitra namboatra namboatra ny sambokely ary ny sokajy voromahery, ao ny nanao ny lay, ao ny memetaka lakaoly, ao ny mandidy ny pôlisitirenina, toa vetivety foana dia tafatsangana ilay sambokely mirefy 50 sm. Vita izay dia nitakira lalao an-tsaina kely aloha i Manitra LS. Avy eo dia nihinana ilay mokary natao ody am-bavafo. Niaraka nidina tany anaty rano avy eo mba hanandrana ilay sambokely. 11ora 30 … mahandro sakafo Nanomboka ny fandrahoana sakafo ka samy nanatanteraka ny andraikiny avy.Rehefa vita kosa ny tsaka ranon’ny Tovokely dia novelariny ny labatra hihinanana. 12ora 45 misakafo Lasa nantsoin’I Bary ny mpiandraikitra mpanampy izay ao amin’ny no misakafo atoandro androany. Efa vonona eo an-databatra ny rehetra miandry azy.Noloarana ny vary sy ny laoka ary natao ny hira am-bavaka ho fisaorana ny Tompo. Sady misakafo no mandeha ihany ny dinidinika rehetra 1ora 15 mn… manasa vilia Tahaka ny tamin’ny maraina ihany dia samy manasa ny vilia sy ny sotrony ny ankizy tsirairay. Ny fitaovana iombonana kosa dia izay voatendry araka ny fizarana no manao azy. Sasana araka izany ny anatiny sy ny ivelan’ny vilany. Lanja kosa nandevina ireo tapa-porohana ao anatin’ilay lavaka kely manakaiky ny fatana, ary nanototra tany teo amboniny. Izany dia mba hahazoana afo ny hariva. Voadio tsara daholo ny latabatra fihinana, ny lakozia, ary efa voalimina tsara ny zavatra rehetra. 1ora 30 mn miala sasatra Midanika ny hain’andro.Nentin’i Bary ny tsihy ka novelariny tery ambany hazo manga midoroboka. Ireo mpiray sokajy kosa samy nitondra ny lamba firakony avy ka samy nitsotra teo amban’ilay hazo. Bary sy tovokely poa tahaka izany dia efa niesona natory. Manitra kosa mbola nandefa SMS an’i ray aman-dreniny. I Lanja kosa mamaky gazety hatsika izay efa nentiny avy any an-trano. Mandritra ny filatsasatra dia mitsotra tsara daholo ny tongotry ny rehetra. Ary tsy misy mahazo mihika na mihira mandritra izany fotoana izany. Maka aina tsara daholo izany ny rehetra alohan’ny hiatrena ny sahan’asa ny tolak’andro. 2ora sy sasany fifamoriana ho an’ny lalao

Page 11: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

11

Minitra vitsy talohan’ny fotoana dia efa nofohazin’i Bary ireo mbola be torimaso rehetra, ary nasaina niomana amin’ny ankajo fitondra milalao. Raha vao naneno fotsiny kiriorioka fiantsoana dia vory lanona ny sokajy rehetra ary nihaina tsara ny fizotran’ny lalao. Tapitra ny lalao ka ny sokajy Hitsikitsika no nandresy. Ny samy niverina tany am-balany avy ny rehetra mba hihinana sakafo am-bavafo. Samy nipetra ka ny rehetra tao amin’ny sokajy voromahery nihinana ilay tapa-mofokely maina sy kakaô. Ary samy nilaza ny fomba fahitany ny lalao ka tsy nahombiazany. 4ora sy sasany fanomanana ny takariva Manitra no nitarika ny raharaha nanomboka eto. Nivory teo amin’ny toeram-pivoriana ny rehetra. Ary nanoma ireo tonon-kalo sy hira hiantrehana ny takariva. Novelarina ny boky ary samy rafitra namorona tonon-kalo ny rehetra. Ary nanomana ny malabary hanehoana ny takariva. 5ora sy sasany mahandro sakafo hariva Tahaka ny sakafo atoandro dia mandeha ihany fizarana andraikitra.izany rehetra. Ao ny maka rano, ao kosa ny mamaofy ny ovy hanaovana vary amin’ny ovy sy patsa. Tsy ny rehetra moa no hifanosina hanao lakozia ka dia nanolo-tena i Bary haka ny anjara kitay hanovana ny takariva. Lioka kosa somokotra manamboatra ny fitaovana ilaina amin’ny takariva. 6ora Filan-kevitry ny Antoko Tahaka ny mahazatra dia mivory isan-kaviva ny mpiandraikitra sy ny LS nandihina ny tontolo andro lasa sy ny tontolo andro rahampitso.Mandritra izay fotoana izany dia eo ambany fitarihan’i Lanja SLS ny sokajy voromahery sady manantateraka ny koja mbo tsy vita hatramin’ny farany. Lioka kosa dia efa manamboatra ny tranolay hatoriana no manakatony ny varavarana mba tsy hidiran’ny moka.. Ny mpilasy rehetra kosa dia manomana ny lamba firakony. 7ora misakafo hariva Efa voaomana tsara ny latabatra. Nantsoina amin’izay ny mpiandraikitra hisakafo. Efa avy nisasa tànana daholo ny rehetra. Narehitra ny jiro hazava ny toeram-pisakafoana. 7ora 30 manasa vilia sy vilany Tahaka ny mahazatra dia samy manasa ny azy ny vilia sy sotro. Nalamina araka ny toerana tokony hisy any ny fitaovana rehetra. Ary napetraka amin’ny toerana voarakotra ny kitay sao lenan’ny ranonando na ny orana. Ary avy eo dia namerina farany ny takarivany ny sokajy voromahery. 8ora …takariva Samy efa nitondra ny akanjo fitondra amin’ny takariva ny rehetra eo amin’ny toerana mahazatra. Narehitra ny afo. Ny mpiandraikitra mpanampy no nitarika tamin’ny fanaovana kabary hamaky lay ny lanona. Nifandimby niseho sehetra ny sokajy rehetra ka nanakoako ny hira ary nampisentosento ny tonon-kalo mandrampifaran’ny takariva. Teo am-pamaranana dia namintiny tamin’ny teny fohy ny tontolo andro mpiandraikitra tompon-toerana. Natao avy eo ny “indro fa hariva” ary samy namonjy ny valan-tsokajiny avy ny tsirairay. 9ora sy sasany maty afo Rehefa tapitra ny takariva dia mangina tanteraka ny any anaty tranolay. Nisolo ny akanjo fitondra matory ny sokajy voromahery. Tapi-mandry ny rehetra i Manitra kosa mitsilo amin’ny lampe de poche ny rehetra amin’ny fomba fatoriny. Naneno ny kiriorioka izay manambara fa tokony efa mndry ny rehetra. Notsofin’i Lanja ny labozia ka dia hazavan’ny volana sisa no somambisamby tao an-tranolay.

Page 12: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

12

Ahoana ny fomba famoronana lalao ? Indraindray dia noheverina fa mendeha ho azy ny lalao. Mila fizarana anefa ny lalao. Mba hahafahana mamorona lalao dia tsara raha tehirizina an-tsoratra ireny efa lalao efa diso fantatra loatra ireny. Atao amin’ny fisy na karinie na kahie. Toy izao ny tokony ho hita ao anatin’izany : Ny sokajin-dalao : Lalao ngeza, lalao fanatanjahatena, lalao alina, lalao hakingana, lalao anaty rano, lalao an-tsaina, lalao baolina, lalao hazakazaka, lalao an-taratasy, lalao tekinika, lalao mandinika.s Lohan-teny : ohatra : ny saka sy ny totozy, morsa sy sary, baolina kitra ady 5. Kôdy : Azo atao tsara mihitsy ny mametraka kôdy mba hahamora ny fanasokajiana ohatra LNG-001 = Lalao ngeza voalohany LAL-003 = Lalao alina fahatelo LHA-10 = Lalao hazakazaka fahafolo Toerana ilalaovana : alaala, anaty rano, am-pasika, anaty bozaka, anaty fotaka, tokotany, kianja fanaovana baskety sns... Zava-kendrena : Ny zava-kendrena dia tokony ho mazava tsara (clair), azo tsatrarina (atteignable), azo refesina (mesurable) ary tsara raha miantomboka amin’ny mataoateny (verbe). Fitaovana : Baolina, folara, kofehy, taratasy, lamba, penina, satroka, baiboly, fihirana; sns. Fizotrany : Ao anatin’io no hitantarana ny fizotran’ny lalao amin’ny an-tsipirihina. Tsy voatery hitovy noho izany ny fomba entina manazava lalao iray. Loharanony : Apetraka eo ny boky nangalana ilay lalao sy ny pejy, na anaran’ilay fichier nagalana azy, na ny adiresy site web nangalana azy miaraka amin’ny “rubrique.” Raha tamin’ny internet no nalaina.

LALAO MADINIKA FENOY NY HARONA LMA-001

Toerana : Tampon-tanety misy bozabozaka Zava-kendrena : Mampiseho ny hakingan’ny tsirairay sy ny fanahin,-tsokajy Fitaovana : Harona, goavy manta faran’izay betsaka Faharetany : 5 mn na 10 mn Fizotrany : Hatsipin’ny mpampilalao any anaty bozaka ny goavy manta. Rehefa ma-nome baiko ny mpampilalao dia lasa manangona ireo goavy ny mpilalao. Ferana ho 5 na 10 mn ny faharetan’ny lalao. Rehefa tapitra ny lalao dia isaina ny isan’ny goavy isaky ny ekipa ka izay mahangona be indrindra no maharesy Loharanony : Ndao hilalao—Alain . R pejy 46

Sokajin-dalao Lohan-teny Kôdy

Page 13: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

13

AHOANA NY FOMBA FITANTANAM-BOLAN’NY SOKAJY ? Vao nanomboka ny volana janoary dia efa fantatra ny vola mety ho lanin’ny tsirairay mandritry ny lasy ka 1200 Ariary isaky ny ankizy no ho laniana izany hoe raha milasy mandritra ny 7 andro ny ankizy iray dia mandany eo amin’ny 8 400 Ariary. Ny asabotsy roa talohan’ny lasy dia nisy FKA nampianarana ny LS sy SLS ny fomba fitantanana vola ka toy izao ny dinidinika ny tao tamin’izany : Sefo Faly : Hanazava aminareo ny fomba hitantanana ny vola mandritra ny lasy aho satria ianareo ihany no hitantana ny volanareo fa izahay kosa dia ho mpanara-maso ny fomba nandanianareo ny vola. Manitra : Dia ohatrinona avy izany ny volanay? Sefo Faly : 1200 Ariary isaky ny boaikely izany hoe 5 ianareo no mpiray sokajy ao amin’ny sokajy Voromahery dia manana 6000 Ar isan’andro ny volananareo ary 42000 Ar mandritry ny lasy satria 7 andro ny lasy. Tantely : Dia ahoana izany Rasefo ny vary? Sefo Faly : Efa tafiditra ao anatin’io ny vary ka vinavinao ho 2 kapaoka isan’olona ny anjaran-drery isan’andro. Raha 300 izany ny kapoaka dia 600 Ar ny vary, 600 Ar laoka : 150 Ar ny maraina , 300 Ar ny atoandro, 150 Ar ny hariva. Manitra : Fa ny tena ilainay maika rasefo dia karazan-tsakafo mety atao any an-dasy satria be loatra ireo zavatra simba rehefa milasy. Ary ahoana ny fomba hividianana ny sakafo izay tsy voavidy aty Antananarivo rehefa any an-dasy. Sefo Faly : Tsy misy olana izany satria misy bisikileta entintsika mankany azo hivezivezena any an-dasy. Raha momba ireo sakafo dia misy torimarika kely vitsivitsy azo omena anareo. Raha mitondra karoty sy ovy ianareo dia rehefa andro iainganan vao mividy mba tsy ho mora lozotra ka rehefa tonga any dia atao anaty fasika amin’ny toerana mangatsiaka. Ny karazana anana maina koa dia azonareo vidina any amin’ny Pavillon Analakely. Karazan-trondro maina dia azonareo vidiana any Mahajanga na any Anosibe. Ny atody kosa dia entinareo avy aty, ary tsy maintsy atao anaty fitoerana. Zo : Dia ahoana r’ise ny momba ilay mitondra akondro rehefa milasy, aiza no vidiana. Sefo Faly : Ny tsara dia any amin’ny mpanotrika akondro any Isotry mihitsy no mividy ka ilay mbola mafimafy tsara no vidiana. Tantely : Ary ahoana ny fomba fikarakarana ilay mofo karazana bisokia any an-dasy. Sefo Faly : Mividy mofo rasia any amin’ny boulangerie izay mety ho azo antsasa-bidy. Didiana fisaka dia atao anaty lafaoro na asalisaly afo. Io no atao sakafo rehefa salasalan’andro any an-dasy na koa raha misy ihany ny vola dia afaka mitondra bisokia. Somary ampiarahana amin’ny kakaö sy ronono dia efa ampy. Natao ny fampianarana avy eo ka narahina fampiharana avy hatrany.Vita ny fivoriana, ny asabotsy maraina alohan’ny lasy no tapaka fa hividy sakafo ny sokajy voromahery

Page 14: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

14

Tonga ny asabotsy efa vonono niaraka tamin’ny harona ny sokajy voromahery. I Lanja (SLS) ny azy no hitazona ny vola. Efa noraketiny tsara tao anaty taratasy ny vola vorainy tany amin’ny mpiandraikitra. 5 ry zareo no nandeha nilasy ka 4 2000 Ar ny vola ataony sakafo. Marihina fa ny LS no manome baiko hamoahana ny vola vao azo avoaka ny vola. Taratasy ho an’ny mpitahiry vola ENDRIKY NY TARATASY FITONDRA MIANTSENA

MPANAZAVA SY TILY ETO MADAGASIKARA FARITANY AFOVOANY FIVONDRONANA ANDREFANDRO-VA

SAMPANA MAITSO………………… VOLA NOMENA:…42000 Ariary

DATY antony MIDITRA MIVOAKA SISA 10/08/2007 Nandray vola atao sakafo 42000 42000

11/08/2007 Nanome vola nentina niant-sena 30000 12000

11/08/2007 Nandray famerim-bola nentina niantsena 1900 13900

SISA:…………………. MPITAHIRY:………………………….

Page 15: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

15

TARATASY FIANTSENANA

MPANAZAVA SY TILY ETO MADAGASIKARA N°…01…….. FARITANY AFOVOANY FIVONDRONANA ANDREFANDROVA (maitso) IZA?...Haja...............................DATY:11/08/2007…………………

vola nentina niantsena:30000 Ar

ZAVATRA ISANY VENTY

IRAY(P.U)

FITAMBARANY

Vary 49 kapoaka 300 14700 atody 9 isa 200 1800 Hen’omby 1/2 Kg 4400 2200 Akondro 7 Kg 300 2100 Ronono mandry 1 Boaty 2100 2100 Cacao 1 sachet 1200 1200 Anana 4 sachet 200 800 Mofo rasia 10 Isa 100 1000 tsiasisa 2 kapoaka 250 500 Tongolo oignon 1 Kg 1200 1200 Tongolo gasy 1/4 Kg 2000 500 totaliny 28100

famerim-bola:1900 Ar.. Mpiantsena:

Page 16: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

16

AHOANA NO FOMBA FAMORONANA LALAO? Indray alorobia hariva dia niandry taxibe teo ambany tetezan’i Behoririka i MAHEFA(chef tily maitso).Nisy an’itony QUATRE AMIS itony nilalao teo akaikiny teo.Ny lalao nataon’ireo dia mandeha tsiroaroa ka samy manana baoritra iray avy isaky ny ekipa.Ny fizotrany dia tahaka izao:mitaingina eo ambon’ilay baoritra ilay kelikely,ny lehibebe kosa mitarika, dia mifaninana izay ho tonga aloha ery ambany.Hitan’i Mahefa tsara ny fandehan’izany rehetra izany ka nitsiry tao an-tsainy fa hataony lalaon’ny boakely amin’ny asabotsy. Ho anareo chef sy cheftaine,ho sarotra aminareo ny hamorona lalao raha toa ka tsy misy zavatra manodidina anareo mamatsy io sainareo io.Rehefa maro io dia hanamora ny famoronanareo lalao ho an’ny ankizy INONA AVY IREO ZAVA-MISY MANODIDINA ANAREO KA MAMATSY IO SAINAREO IO?

. -Ny lalao fataon’ireo ankizy amin’ny fiainana andavanandro: Ilainareo mihitsy ny mandinindinika ireny lalao ataon’ny ankizy ireny:eny an-tokontany,fianarana,eny an’arabe rehetra eny na nandritra ny fitsangantsanganana niarahana tamin’ireo namana... Ohatra : Bandy sy Role Ny tena fanaovan’ny boakely eny an-tanàna azy dia samy manana basy hazo ka ny vava no atao GAIN! GAIN!.Nisy chef anefa namadika izany ho toy izao rehefa nampanaoviny ny boakely tany an-dasy ilay lalao:nasiana “numero” isaky ankizy teny amin’ny handrina ka samy manao izay tsy ahitan’ny fahavalo izany.Raha voavakin’ny fahavalo ilay “numero”dia maty avy hatrany (zaraina roa ny mpilalao) -Mijery karazan-dalao sy film aventure amin’ny tele : Maromaro ireo karazan-dalao fahita amin’ireo télé mandeha isan’andro ireo.Mba manokana fotoana ijerena izany ahafahanareo maka hevitra sy isafidianana lohahevitra atao amin’ny lalao ngeza.Ireny film ireny dia manampy be dia be amin’ny fakana lohahevitra indrindra ho anareo cheftaine lovitao. Ohatra: cle de fort boyard(lalao),Indiana Jones (lohahevitra lalao) -Mandrato hevitra ao anaty boky sy internet: Maro tsy lanilaniana raha ireo site misy karazana lalao any anaty internet any.Ny boky koa torak’izany saingy sarotsarotra vao mahita boky. Ireot misy site tsara mba jerenareo rehefa miserfa ianareo: -www.tabou.be -www.toujourspret.com -na mametraka teny hoe “jeu scout” dia apoitrany eo daholo ireo site misy lalao.(google na yahoo...) Ankoatra ireo dia raisina an-tsoratra sy tadidiana tsara ireny lalao ataon’ny mpiandraikitra hafa(na filoha) ireny.Rehefa makamaka tahaka amin’ireo zavatra manodidina ireo ise dia misy fahazarana,fahalalana,tonga ao anatin’ise ao izay mitarika tsikelikely any amin’ny famoronana

Page 17: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

17

amin’izay. Raha fintinina dia izao: MAKA HEVITRA AMIN’NY MANODIDINA MAMPIHATRA IZANY MIHAZATRA MAMPILALAO MAHASAHY MANOVA LALAO EFA MISY(ADAPTATION) MIHA MAHITA LALAO MARO AVY AMIN’IREO LALAO EFA MIS(VARIANTE) MAHAY MAMORONA AMIN’IZAY. Ndeha izatsy izy ry chef sy cheftaine!Mazotoa mampiasa ireo zava-manodidina efa voalaza ireo,maninona moa na mahita hafa ankoata ireo aza ise,mba ahatonga an’ise tsy ho lany bala na hitsitsy lalao.Izao no tadidio, raha misy ankizy 4 na fito omen’ise lalao telo ka hatramin’ny dimy isaky ny mihaona amin’ise dia hitantara amin’ny ankizy folo hafa ary mihomàna fa tsy ho arak’ise indray ny fitombon’ny ankizy entin’ise.

INONA AVY IREO ZAVATRA MANODIDINA NY LALAO? Amin’ny maha mpanabe teknisiana skoto anareo dia ilaina ny ahafantaranareo ny mikasikasikasika izany lalao izany. -Ny karazan-dalao: Miovaova ny lalao omena ny ankizy arakaraka ny fotoana hananana sy ny sehatra misy.Izany no antony ampahafantarana anareo ny karazany mba tsy ho diso paika ianareo rehefa misafidy lalao hatolotra ny ankizy. 1.Ny lalao amin’ny fakan-drivotra(jeu de recreation) -atao rehefa misy fotoana fohy hakana aina kely na tofotofoky ny fivoriana iny,fanombohana rehefa handray fitenenana,fampahafantarana…(anjaran’ise no mandanjalanja izay) -dimy(5) minitra eo ho eo ny faharetany amin’ny ankapobeny Ohatra : manana atody aho,maraina aho manoroka anao,tao anatin’ilay tranokely... -matetika,ny tsirairay no tena milalao,anefa misy lalao amin’ny fakan-drivotra misy ekipa toy ilay lalao hoe voatabia,hazakazan-tsoavaly...

2. Lalao madinika -afaka mizara ny mpilalao ho ekipa amin’izay ise eto izany hoe hifaninana.Misy anefa ireo lalao madinika izay ny tsirairay no tena milalao toy ny le renard… -atao ny lalao madinika rehefa manana fotoana lavalava :fivorian’ny antoko,tapak’andro ao an-dasy,fitsangatsanganana na fiaretan-tory… -amin’ny akapobeny dia maharitra 30 mn ka hatramin’ny ora iray mahery eo ny lalao madinika Ohatra : jeu de drapeau,fangalampihery sardine…. 3.Ny lalao ngeza -ny lalao ngeza dia saika ahitana lalao madinika maromaro mitambatra.Miova isaky ny dingana ny lalao atao.Matetika dia fonosina ao anaty lohahevitra iray ny lalao mandra-pahavitany,ohatra,ny

Page 18: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

18

dihan’i zanak’Israely avy any Ejipta,tolona tamin’ny 47… -Ny karazan-tsehatra ilalaovana 1.Ny lalao ao an-trano (jeu d’interieur):azo hilalaovana tsara ao anaty efitra iray,anaty fiara… 2.Ny lalao ankalamanjana(jeu de pleine air) :rehefa toeran malalaka dia azo anaovana lalao avokoa :tanety,ala,tanan-dehibe… 3.Ny lalao anaty rano(jeu aquatique) : atao eny amoron-dranomasina,farihy,renirano,tanimbary.. 4.Ny lalao an-torapasika(jeu de sable):eny amoron-dranomasina ,mety rehefa toerana mamasipasika malemy azo hianjerazerana.... Fanamarihana: Misy ny lalao ana habakabaka sy ny lalao an-dranomandry saingy tsy dia afaka atao hatramin’izao noho ny tsy fisian’ny fitaovana sy ny toetrandro. -Ny karazam-potoana natao hilalaovana: 1.amin’ny andro mazava 2.amin’ny andro alina:tsy voasokajy ao anaty lalao ny fampitahorana ny ankizy fa fampijaliana(sadisme).

NAHOANA NO TSY MAINTSY AMPIASANTSIKA MPANABE SKOTO NY LALAO? Ampiasainareo chef sy sheftaine ny lalao noho izy afaka manao ireto zavatra manaraka ireto: -manamora ny fampitan-javatra , fahalalana , fampianarana - manazatra ny vatana hiasa sy ho mailamailaka ary manampy amin’ny fitombon’ny vatan’ny ankizy - mampahafantatra ny ankizy ny mikasika ny tenany : ny hery ananany ,ny fahaizany mihoatra ny hafa ; mba hiarovany ny tsara vitany anefa koa hiezahany manatratra izay tsy vitany - mampiseho ankarihary marina ny toe-tsaina sy ny toe-batana miafina any anatin’ny ankizy tsirairay any -mampihorina fihombonana(esprit d’equipe) sy mampanadino ny fifasamihafana(miara-Mihomehy,mifampitakosina…)

Ireo no tena misongadina fa mbola misy pitsopitsony ankoatra ireo .Koa raha ankizy no beazina , adinoy ny resabe fa avy hatrany dia karazan-dalao atolotra azy ireo.

Page 19: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

19

INONA NO TSARA HO FANTATRA ANKOATRA IREO?

“Ny lalao no mpanabe voalohany sady goavana indrindra” . Baden P

Ho anareo chef sy cheftaine, fantaro fa zava-dehibe ny lalao eo amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny zatovo.Voajanahary ho azy ireo ny milalao. « Raha ankizy tsy hilalao dia modia ho tanora ,raha tanora tsy hitoto rebika ,modia ho antitra … » hoy ny Ntaolo.Fadio ary ny mampanao COURS be ho an’ireo ankizy.Mampalaina ankizy izany,mampatsiahy azy indray ny rindrin’efatry ny sekoly ka mampihena ny risim-pony hamonjy ny fotoam-pivoriana.

Fantaro fa mikatroka (action) avy hatrany no ilain’ny ankizy izany hoe:mpandray anjara izy ireo fa tsy mpijery. Ohatra : Raha hanazava ny toerana misy an’i Ejipta ise dia izao no atao.Mitondrà avy hatrany saritanin’izao tontolo izao ka tondroy ho hitan’izy ireo.Avy eo,manao lalao tahaka izao: -apetaka amin’ny rindrina ny sarintan’izao tonotolo izao -manendry solontena isan-tsokajy ka samy mitapina ny maso sady omena baoritra kely misy soratra (Ejipta). -vao mandeha ny kiririoka dia samy mibaiko ny solon-tenany ny isan-tsokajy ka izay mahatafape taka ny azy mialoha sady marina no maharesy. Ireto misy teny roa mila avahanareo tsara manomboka izao: Ny lalao(jeu): Misy fitsipika,misy mpandray anjara,misy sehatra .Tsy voatery hisy kilalao ny lalao(jouet)toy ny tao anatin’ilay tranokely,lamasinina(mpibaiko ihany no tsy mitampina ny masony)... Ohatra : foot ball Mpandray anjara:olona 11- sehtra:tokontany malalaka misy refiny-fitsipika:tsy mahazo mandray tanana afatsy ny mpiandry tsato-kazo Ny kilalao(jouet): Io dia ilay na ireo fitaovana mampisy votoatiny ilay lalao. Ohatra : football Kilalao : baolina – votoatiny : mampiditra ilay baolina ao anaty tsatokazo Efa teknisiana mpanabe skoto izao ise ka ilaina ny mahafantatra ny dikan’ireo teny ireo

Page 20: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

20

AHOANA NY FANOMANANA FITAOVANA SY KILALAO?

Ireo fitaovana sy kilalao dia mila vononina mialoha.

FANAMARIHANA:anisan’ny fitaovana ny kilalao saingy io no heverina mialoha. Ohatra:foot ball Voatsangana ny tsatokazo,manana maillot daholo ny mpilalao anefa ny baolina hadino any an-trano dia inona no atao fa miandry baolina hisy vao afaka atomboka ny lalao.

Tsy dia mety eo imason’ny ankizy ny mahita mpiandraikitra efa eny am-pilalaovana vao hanetinety zavatra,mamoromporona.Ilaina efa vonona any anaty kitaponao any avokoa ny fitaovana rehetra mahakasika ireo lalao nomaninao ho an’ny ankizy.Aza kamokamo mihitsy ianareo mamorona na mitondra ny fitaovana sy kilalao.Atao lisitra mihitsy indrindra raha lalao lehibe izay mitaky fitaovana maro. Ahoana ny atao rehefa mampitondra fitaovana ho an’ny ankizy? Lazaina mazava tsara ,tsy hafenimpenina mba ahalavorary ny lalao.Ohatra:

Teny atsipy kely fotsiny dia izao e! Aza dia mamaky fisy teknika be loatra rehefa mampilalao fa mila efa haihay tsianjery ireo lalao efa voahomana.Eo amin’ilay variana mikatroka iny ry zareo no manararaotra mangala-pijery izay voasoratra ao.Ny fiteny sy ny fihetsika rehefa mampilalao dia ilaina mavitrika sy manentanentana tsara.Sarotra ny hanazava izany an-tsoratra fa mila manara-maso tsara ireo efa za-draharaha ise raha mbola votsavotsa.

Mazotoa ary mampihatra izay voalaza rehetra izay e!Lalao tena lalao omena ny ankizy fa matetika mantsy rehefa lany bala isika chef sy cheftaine dia lasa lalao feno filam-baniny ary filam-boa tsy hary fotsiny no omentsika ireo ankizy toy ny mampitady vitsika lahy sy vavy,mampikodiadia ankizy amin’ny tehezan-tendrombohitra izay tsy misy antony mazava…

Mety diso

Tady mahazaka 4 m isan-tsokajy Tady iray

Papier chemise:manga 1, maitso 2 Baoritra matevina

Atody 2/ankizy Atody 2

Page 21: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

21

INONA NO ATAON’ISE RAHA RAIKITRA NY FIFANOLALANANA AO AN-DASY ?

RAHA EO AMIN’NY SAMY ANKIZY , DIA AHOANA? Nisy lasy mifindrafindra notanterahan’ny antoko anakiray nadritra ny fialan-tsasatry ny

Paska.Niala teo Ivato mizotra mankany Feferana ary tsy nijanona raha tsy any Manjakandrina.Ny harivan’ny andro voalohan’ny lasy dia nanadino ovy teo amoron’ny fatsakana ny sokajy fangaraka.Niverina tany nony avy kanjo efa tsy tao intsony ireo ovy.Raikitra ny hendrikendrika satria ny sokajy vitsika koa dia nanana ovy.Ny fototry ny disadisa dia izao:kely ilay ovy novidian’ny vitsika anefa lasa be dia be.Fifamaliana tsy nisy fiafarany no nitranga.Samy nanamarin-tena na ny andaniny na ny ankilany.Voatery niditra handamina ny mpiandraikitra.Izao no zavatra nataony. -nampifanatrika ny sokajy roa izy ireo.Nihaino tsara. -tsy nisy nodisoany akory.Samy nasainy ho tony tsara. “Efa henonay daholo izay ka mandehana samy mahandro vary fa efa hariva”.Avy eo nakany amin’ny valan’ny isan-tsokajy izy ireo. -samy notenina noho ny tandrevaka(fangaraka) sy ny fandraisana zavatra tsy an’ny tena (ny ankizy tao amin’ny vitsika).Niangaviana ity sokajy farany ity mba hizara ny ovy fa tsy manana laoka ny fangaraka.Nanaiky ireo.Nohararaotin’ny mpiandraikitra tamin’izay ny fampihavanana azy ireo.Niravona niandalana teny moa ny fifanolanana mandram-pifaranan’ny lasy. IZAO NO ATAONAREO CHEF NA CHEFTAINE REHEFA MIFANOLANA IREO ANKIZY IREO? -fadio ny mandiso avy hatrany ny andaniny eo imason’ny ankilany.Raha izay no fihetsikareo dia hiampanga anareo izy ka ho lasa ny fisainany manao hoe “izahay ihany no tsy tiana ato”.Atao izay ahatafavoahan’ny fifanatrehana ho samy tsy misy diso. -rehefa ampifanatrehana izy ireo dia mihaino sy manontany no tena ataonareo. -rehefa tena hilaza izay hevitrareo amin’izay ianareo dia aleo mihaona amin’izy ireo mitokana avy.Ny tena tsara dia ianareo no manatona fa tsy izy ireo.Ao ianareo no manabedy,miezaka manazava amin’izy ireo ny tsy mety nataony,manoro azy mba ahazo ny ankizy hafa. -ary tsy voatery amin’iny fo samy mafana iny no atao ny fampihavanana fa anjary mihavana am-pihatsarambelatsihy ny ankizy.Misy moa ny mpiandraikitra sasany rehefa hampihavana ankizy dia entiny miara-mividy mofo,miara-mihinana, ka eo izy no manararaotra manipy ny resaka. Tsy ilaozan’ny fifanolanana madinidinika ny fiarahan’ny ankizy.Koa ilaina mihitsy ny fahaizantsika mpiandrikitra mifehy izany mba tsy hihitatra.

RAHA IANAREO INDRAY ARY NO MIADY AMIN’NY ANKIZY DIA AHOANA?

Nisy chef indray mandeha nilasy tany Anjozorobe.Ny fihetsik’io chef io dia mikasin-tanana ankizy foana rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny lohan’ingaharainy:mandaka,mikomondry... Efa akaiky hifarana iny anefa ny lasy,mbola nanao ny nataony ihany ilay chef kinanjo niara-namokina totohondry hanao hangaredona an’ilay mpiandraikitra ireto ankizy sivy mirahalahy notarihany.Izy irery moa no nitarika ny lasy tamin’’izay ka nilefitra.

Izao aloha no tadidio,rehefa ny ankizy no miady lava amin’ise dia mihevera tena fa mila mandinin-tena mihitsy ise.Inona amin’ny toetran’ise no mila hovaina na fomba fitarihan’ise?Ireo ankizy ireo mantsy tsy dia mifamaly amin’ny mpiandraikitra izany raha tsy efa tena tsy rariny.Na lehibe na kely anefa io fifanolanana misy eo aminareo io dia misy ihany ity torolalana ahatsara ny fifandraisan’ise amin’ny ankizy.

Page 22: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

22

IZAO NO ATAON’ISE RAHA SENDRA IZAY ISE INDRAY ANDRO ANY? -rehefa mandeha ny fingonongononana dia henoy izy ireny.Anontanio. -mahasahia miaiky fahadisoana eo imason’ny ankizy.Eny fa na fahadisoana heverin’ise fa kely aza.Raha vao maika manamarin-tena lava eo anoloan’izy ireo ise dia hiafara amin’ny fisarahana mihitsy ny anareo.Betsaka ireo mpiandraikitra tafalatsaka ao anatin’izay tsy manaiky ho diso izay ka mampalaina ny ankizy hivory sy hitantara any amin’ny ray aman- dreniny.Ao kosa anefa ireo nahasahy nihaiky ny fahadisoany alohan’ny zavatra rehetra ,hany ka na ireo ankizy aza dia namosaka ho azy ihany koa ny mba fahadisoana nataony. -Na diso aza ireo ankizy ka miezaka manamarin-tena dia aza ezahana hodisoana izy fa ise no mandefera.Arakaraka ny hanomezana tsiny azy mantsy no vao maika koa hitadiavany tohan-kevitra ahafahany milaza fa marina izy eo anatrehan’ise.Lasa resaky ny moana sy marenina ny anareo amin’izay. -ny fahadisoana indray mandeha natoan’ise tamin’ny ankizy dia aza averina intsony.

Sarotra io mifamaly amin’ny ankizy io ka ity misy fomba maromaro tokony ataonareo chef sy

cheftaine mba hialana amin’izay fifandirana lava izay,indrindra koa ianareo ekipan’ny samy mpiandraikitra.Mitaky fiovana tanteraka kosa aloha izy ity fa tsy vitan’ny vakivakiana fotsiny.Ise no mampihatra azy avy hatrany fa tsy ny manodidina no baikon’ise sy hadinin’ise lesona ka hanao hoe “Aiza ny fampiharana ilay fihofanana vao nataontsika iny?”(ny mpiray ekipa no holazain’ise izany).Averina indray,ampiharina avy hatrany raha te hahita fahombiazana ise.

Tadidio ary izao zavatra manaraka izao dia ho tsotra kokoa ny fiainan’ise.Ilain’ise foana ireto na olona hafa ankoatra ny ato amin’ny fikambanana aza no ifandray amin’ise: -Aza variana mijery ny fahadisoan’ny hafa fa atomboy amin’ise aloha ny fanitsiana.Hoy Confucius: “aza manakina ny ranomandry eny an-tafotranon’ny mpiray vodirindrina aminao raha mbola maloto ny tokonam-baravaranao”.Ny fahadisoan’ny ankizy na ny ekipa matetika dia misy ihany fahadisoana niainga avy amin’ise.Mpitarika ise,olon-dehibe ato amin’ny fikambanana.Aoka hitondra tena toy ny lehibe amin’izay. “Ny maha olon-dehibe dia aseho amin’ny alalan’ny fahaiza-mitantana ny ankizy madinika”,hoy Carlyle. -Na iza na iza olombelona eto an-tany dia samy manana faniriana ny ho zava-dehibe manoloana ny hafa,ny ho fanta-bahoaka.William James dia nilaza hoe: “Efa ao anatin’ny olombelona ao ny hetaheta te ho ankasitrahana”.Olona tahaka izany ireo ankizy sy ekipan’ise ireo.Mahaiza ary mankasitraka azy na kely na goavana zava-bitany.Matetika mantsy “lavitra ny fijery ny tsara vita ary akaiky kosa ny fijery ny ratsy vita”. -Tsy misy maha vita tena isika,indrindra fanabeazana mitaky asa maro toy itony skotisma itony.Ny dikan’izany! mila mifanampy ny ekipa.Mba ahazoana ny fiarah-miasa amin’izy ireny dia resaho aminy aloha ny tombon-tsoa ho azony ao anatin’ilay zavatra iaraha-manao fa tsy avy hatrany dia fepetra sy lalàna be no arosontsika.Rehefa hiresaka amin’ny ankizy indrindra indrindra.Hoy Henry Ford: “Ny tsiambaratelom-pahombiazana,raha misy izany,dia ny fetezana hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ary mametraka ny zavatra araka ny fijeriny fa tsy ho araka ny antsika”.Rehefa avy mifandresy lahatra dia aleo ny ankizy hitantanana araka ny fomba hitondrany azy. -Na aiza na aiza tany alehan’ise io,dia izao no ataovy an-tsaina, ny mahakasika ny olona aloha no masaka ao an-dohany fa tsy ny an’ise.Rehefa miaraka aman’olona na tafaresaka aminy dia adi-

Page 23: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

23

noy ny tenan’ise, ny hafa saintsainina.Ho hitan’ise fa ho mora amin’ny hafa ny hifandray amin’ise ary lazain’ny olona ho tsotra ise. “Raha mahaliana anao ny hafa, afaka roa volana dia lasa namanao izy.Raha ny anao foana kosa no henoina , afaka roa taona aza mety ho sahirana ny hafa miaraka aminao”. -Mahaiza miarahaba olona rehefa mifanena aminy.Aza miandry arabaina izany.Ny arahaba dia midika toy izao amin’ireo olona mandray azy: hitany aho izany, fantany aho angaha?,sariaka koa iny izany,mahalala fomba kosa iny olona iny,iza ary ilay olona niarahaba aho teo...Mampisokatra ny olona manoloana anao ny arahaba, manamora ny tohin’ny resaka rehetra. -Manàna fihezahana hitsiky rehefa miresaka sy mifandray aman’olona indrindra vao mifampitopy maso voalohany.Mila izany mihitsy ireo ankizy tezain’ise.Ny dikan’ny tsiky dia tahaka izao :mahafinaritra ahy ianao,faly aho mahita anao,mitondra fifaliana ho ahy ny fahitana anao... -Ny olona rehetra efa nifandray taminao dia ezaho tadidiana ny anarany.Tonony amin’izany anarany izany izy rehefa miantso sy mitafa aminy.Tsiahivina amin’ise indray fa manome lanja ny olona iray kokoa ise rehefa mahatonona ny anarany izay midika zava-dehibe aminy izany. -mahaiza mihaino.Ny valin-teninao dia aoka hamela azy hanohy ny firesahana ny momba azy. Ohatra: Hoy ny namanao: tena sarotra be mihitsy ny fanadinanay androany izay! Ianao:ny anay amin’ny herinandro ity ary izao no tena loza koa! Namanao:marina tena kamo be aho izany mbola hiverina rahariva. Ianao: ny anareo ary efa ho vita.Ny anay ity vao hanomboka. Tsy mifampihaino ianareo.Izao no atao hoe mahay mihaino: Ny namanao: tena sarotra be mihitsy ny fanadinanay androany izay! Ianao: hitako ianao no ohatrin’ny reraka be izany. Ny namanao: marina tena kamo be aho izany mbola hiverina rahariva. Ianao: fa inona sisa no ataonareo rahariva? -ny resadresaka ataonao amin’ny namanao dia aoka ho lohahevitra iainany sy mety ahaliana azy. -ampahafantaro ny namanao ny maha zava-dehibe ny maha eo azy rehefa manao zavatra ianareo. -aza tia manamarin-tena avy hatrany.Na midohika mialoha. -hajao ny hevitry ny namanao.Aza maika ny hiteny hoe diso ianao. -raha sendra diso ianao,tsy maninona ny mihaiky izany. -misehoa ho naman’ny hafa eo am-panombohana ny fiaraha-miasanareo. -rehefa te hampanaiky tsy sazoka ny hafa dia mametra fanotaniana mahatonga azy hanao ENY avy hatrany. -rehefa mandray fitenenana,avelao ny namanao hiteny araka izay fomba filazany azy. -rehefa maneho hevitra ianao dia ataovy izay hivadihan’izay ho lasa heviny. -raiso am-pifaliana ny soson-kevitry ny hafa sy zavatra mba hiriany. -ataovy amin’ny fomba mampitolagaga kokoa rehefa maneho hevitra ianao. “Frappez la vue et l’imagination”.Mizàra manao sarisary na mampiasa MAQUETTE mihitsy rehefa mandresy lahatra

Page 24: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

24

Page 25: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

25

angamba ny resaka natao .ARY nanampy izay ny fitavozavozana,teo ihany koa ny fitavozavozana teo amin’ny vodilaharana sy ny fanariana ny baolina tokony hovonoina”.Mihamalefaka ny fandraisana ny fanakianana rehefa mampiasa ARY ise, raha tokony hiteny saingy na anefa…Mandray ny hevitr’ise kokoa ny olona rehefa milaza ny fahadisoan’ise aloha vao milaza ny azy ireo. -fanotaniana apetraka toy izay manome baiko.Ohatra , « inona moa no maharatsy ny fandeha- nantsika izao dia izao?”.Fa tsy avy hatrany dia hilaza ise hoe : “tsy maintsy mandeha isika izao dia izao”. -avelao ny namanao ihany no ahita ny fahadisoany.Ohatra: “Inona anefa no tena hitanareo tsy mety raha ny avy any aminareo e?” Eto am-pamaranana dia hoy Ravaoarimanga Faramalala Victoire “ ...Ny fikambanana skoto toy ny Tily, na Mpanazava, na ireo sampana maro isan-karazany any am-piangonana dia azony idirina tsara. Hianatra hifanakalo hevitra sy haneho ny heviny izy ao anatin’ireny fikambanana ireny, ary hianatra hihaino ny hafa koa. Hanampy azy koa ireny fikambanana ireny handresy ny henatra mety misy ao anatiny; ary hanafaka azy amin’ny fihafihafiana, na amin’ny fihafahafana, na amin’ny fandefindeferana be loatra, rehefa tafaraka amin’olon-kafa izy. Hanampy azy hianatra handray andraikitra sy hahavita tena ihany koa ny fidirany ao anatin’ireny fikambanana ireny, ka hahatonga azy tsy hiandry na hiankin-dava amin’ny zokiolona na ny olon-dehibe foana” (Miovà amin’ny fanavaozana ny Saina pejy 155) Isika olon-dehibe ao anaty fikambanana skoto aza maika loatra hampiasa herisetra sy sazy, avelao hiasa malalaka ny filan-kevitry ny antoko, tokolava, sns. Hoy BP hoe :” La Cour d’hon-neur décide des récompenses, des punitions, des programme de travail, des camps et d’autres questions qui concernent la bonne marche de la troupe »

"N'importe quel imbécile peut commander, faire obéir les au-tres pour peu qu'il ait les moyens de punir ceux qui refuse-raient d 'obéir. Entraîner les autres avec soi dans une grande entreprise, c'est tout autre chose!" B-P

Page 26: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

26

IINONA AVY IREO KOJA AO AN-DASY ? LAKOZIA:

LATABATRA FIHINANANA:

WC:

ALITARA: VAVAHADY

Page 27: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

27

AHOANA IZANY ENDRIKENDRIKY NY AFON-DASY IZANY ? Ny karazana afo atao eo afovoan’ny sehatra:

Rehefa fantatra fa mahantra kitay ilay toeram-pilasiana dia mila mivatsy kitay avy aty an-tanàna mihitsy.

Ny karazana sehatra fatao mba hampisy « revy » tena milay:

Miendrika antsasam-paribolana ny tena mahaza-tra.Mila mam-piadiady he-vitra ahitana zavatra hafa fa ohatra ihany ireo

Ny fitafy sy ireo karazana fanala azo atoa: Mila manao mafampana tsara rehefa manao afon-dasy raha tsy any amin’ny faritany angaha.

Page 28: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

28

Fitaovana :

Kapaoka iray isan’olona - Labozia iray isan’olona - Tady nylon, tady taretra - Hazo

atao fefin-tsehatra (mpitarika ny lasy) - Projecteur 2 (mpitarika ny lasy) - Saha-

fa 1 (mpitarika ny lasy) Papier alu (mpitakika ny lasy) - Tariby - Fatsika—maritoa.

Fanomanan’ny mpiantsehatra:

Mandritra ny takariva dia efa manomana ny afon-dasy ny isaky ny sokajin-dasy

araka ny lohahevitra efa nosoritan’ny sokajin-dasy.

Manamboatra ireo fitaovana araka ny torimarika omen’ny filohan’ny sokajin-dasy.

Fizotrany :

Raha vao vita ny sakafo hariva, dia lasa mitondra ny afo ny mpiandry afo, ka mitety

isaky ny zohy, vala, ny tanàna. Mandrehitra ny fanalan’ny mpiray enina, sokajy, ary

ny fokonolona izay voarehitra dia manaraka avy aoriana sady mihira (lohahevitry ny

hira dia « afo » ohatra afo menabe, labozia...). Mandraham-pahatonga any amin’ny

toerana hanaovana ny afon-dasy.

Mihira manodidina ilay sahafa eo afovoany ny mpitondra afo rehetra. Rehefa ma-

nome baiko ny mpitarika dia miara-mandrehitra ny afo.

Rehefa mirehetra ny afo dia manomboka ny lanonana ka manaraka ny fandamina na

izay hapetraky ny mpitarika. NDAO ARY E!

V V V V V

V V V V V V

V

V V V V V

V

V V

V V V V V V

V V

V V V V V V V V V

V V

AFONAFONAFONAFON----DASY DASY DASY DASY

Page 29: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

29

ITY NY VOKATRA TRATRA NANDRITRA NY AFON-DASY

Page 30: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

30

Inona avy ny zavatra tokony ho hita ao anaty boîte à pharmacie?

Pansements adhésifs : Entina hanaronana fery

Bandy

Hety

Fanadiovana fery

Pince à échardes

Bandes velopeau

Paingotra

Atao milamina tsara tahaka izao

Page 31: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

31

VONJY TAITRA Rehefa ao an-dasy dia maro ireo voina mety mitranga. Toy ny ratra, tapaka latsaka an-drano, folaka, sery, mivalana sns ….Ny skoto dia tsy mpitsabo ka hisolo toerana ireo mpitsabo izay efa ion y asany. Miezaka kosa izy mampitony ny fanaitainan’ny marary ary manamora ny asan’ny mpitsabo eo am-pandraisana ny marary. Noho izany dia tsy azo atao ny mitahiry ny aretina ao an-dasy fa tsy maintsy atao izay hanatonana toeram-pitsaboana araka izay azo atao. Raha mitranga ary ny voina inona no tokony hatao?

Voina Inona no tokony hatao?

Ratra tsotra

-Sasana amin’ny rano maty (rano nampangotrahana ary navela hangatsiaka) sy savony ny faritra maratra. -Diovina aloha ny ratra izay vao ny manodidina ny faritra maratra. Raha mifanotra amin’izay no atao dia ny mikraoba ety ivelan’ny ratra indray no miditra ao anatiny.

Ratra lalina

Fanerena mivantana ny ratra : Rakofana lamba na mosoara madio avy hatrany ny ratra ary tsindrina mafy amin’ny tanana mandrampijanon’ny rà Raha lehibe ny ratra ka betsaka ny ra mandeha dia tohizana foana ny fanindriana mandra-pahatonga any amin’ny tobim-pahasalamana

Fanerena ny “lalan-dra mpanely”: Ny lalan-dra mpanely no mitondra ny ra manerana y tena. Ka ireo faritra misy ny lalan-dra mpanely no tokony hotsindriana raha maratra. -Raha ny loha no maratra dia ny lalan-dra mpanely eo amin’ny fihirifana no tsindriana -Raha eo amin’ny faritra ambonin’ny tenda no maratra dia lalan-dra mpanely eo akaikin’ny tenda sy ny hatoka no tsindriana -Raha eo amin’ny tarehy kosa dia ny lalan-dra mpanely eo ambanin’ny valanorano no tsindriana. -Raha eo amin’ny helika sy soroka kosa dia ny lalan-dra mpanely eo taolam-panavy no tsindriana. -Raha eo amin’ny sandry sy ny tanana dia ny lalan-dra mpanely eo amin’ny foto-tsandry no tsindriana -Raha eo amin’ny tongotra, ranjo, fe dia ny lalan-dra mpanely eo amin’ny elakela-pe no tsindriana. Raha misy tapa-kazo na vy tavela eo amin’ny ratra dia aza esorina avy hatrany fa vao maika mandeha ny ra , na mety hampiditra loto amin’ny ratra fa aoka ny mpitsabo

Page 32: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

32

Voina Inona no tokony hatao?

Tapaka

Mety ho tapaka ny olona iray raha toa ka nianjera na nifandoana mafy ka azo ampiharina avy hatrany ny ny vonjy voina momba ny tapaka Ireto kosa misy fambara hafa hahafantarana fa mety ho tapaka ny olona iray : -Mahare fanaintainana mafy ny niharan-doza -Tsy afaka manetsy ny faritra tapaka -Mety tsy hahatsiaro tena mihitsy izy. Tsy tokon hahetsika mihitsy ny faritra misy ny taolana tapaka, na toy inona na toy inona fahavoazan’ilay niharam-boina mba tsy hitombo ny fanaintainana, tsy hampitatra ny fahavoazana ka hitarika voina eo amin’ny taova hafa na lalan-dra, hahamora ny fitondrana ny maratra ho any amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy azo atao mihitsy manotra ny taolana tapaka, manasa ny fery, raha sendra ka miseho ety ivelany ny taolana tapaka. Ny fanatonana tobi-pahasalamana ihany no famonjena azo antoka indrindra.

Ny mioritra sy mipitsoka

Ratra mpahazo ny vanin-taolana ny mioritra sy mipitsoka ka ireto ny faritra matetika iharam-pahavoazana : lohalika, kitrokely, hatotanana, kiho, soroka Fihetsika telo no tokony hotadidiana hoenti-mamonjy ny mioritra sy ny mipitsoka : -Fonosina amin’ny lamb any vanin-taolana niharam-pahavoazana. -Atao izay tsy hihetsehan’ny faritra mioritra na mipitsoka. -Manatona izay mpitsabo azo antoka fa havanana amin’ny fanorana

1)May sokajy voalohany : Mivoaramena no sady manaintaina ny faritra may. Ny tokony hatao : -Atsoboka ao anaty rano mangatsiaka madio ny faritra may -Sasàna amin’ny rano maty ilay faritra may -Diovina amin’ny rano madio sy savony ny manodidina ny faritra may -Azo hosorana menaka ny faritra may mba hampitony ny fanaintainana. 2) May sokajy faharoa : Mivoaramena ary mipoa-drano ny faritra may, manaitainana tokoa ny manodidina ny may. Ny tokony hatao : -Sasàna amin’ny rano ny faritra may. -Diovina amin’ny rano madio sy savony ny manodidina ny faritra may. -Raha vaky tsy nahy ireo faritra mipoa-drano dia hetezana amin’ny hety nodiovina tamin’ny alikôla na nodorana ny hoditra miendaka. -Fonosina amin’ny lamba madio dia madio ny faritra may

Page 33: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

33

Voina Inona no tokony hatao?

Ny may afo na rano na menaka

-Ampisotroina rano “iray sy valo” ny tra-doza ho solon’ny rano very amin’ny faritra may. -Entina mamonjy tobim-pahasalamana izy avy eo. Ny tokony ho fadiana : -Fadio ny manadio ny faritra amin’ny alikôka -Fadio ny manapotsitra ny faritra mipoa-drano -Fadio ny manosotrosotra fanafody ny faritra may. 3) Ny may sokajy fahatelo : Be velarana ny faritra may. Mikarainkona ny hoditra. Mety may hatramin’ny nofo sy ny taolana. Ny tokony hatao : Ny mitondra ny tra-doza any amin’ny tobim-pahasalamana ihany no vonjy taitra azo antoka indrindra. Mialoha izany anefa : -Totofy bodofotsy na lamba matevina ny tra-doza raha mbola tsy maty ny afo nandoro azy. -Raisina anaty lamba madio izy ary ampandriana eo ambony filanjana. Atao avo noho ny lohany ny tongony rehefa mampandry azy. -Rakofana lamba manify madio ny faritra may. -Tafiana lamb any tra-doza mba tsy hangatsiaka -Ampisotroina rano “iray sy valo” izy. Tandremana tsara mba tsy hahakofona azy izany. Ny tokony ho fadiana : Eo am-pamonjena ny tra-doza -Fadio ny manetsiketsika azy tsy amin’antony. -Fadio ny manala ny fitafiana eny an-kodiny. -Fadio ny mitsoka ny faritra may. Mety hitondra otrik’aretina ny rivotra sy ny fofon’ainao.

Main’ny herinaratra

-Vonoy haingana ny kaonteran-jiro. -Sintony na akipaho haingana fitaovana tsy afa-mitondra herinaratra (lamba maina na tapa-kazo maina) ny tra-doza -Aveloa haka aina izay aloha. -Karakaraina ny faritra may araka ny torimarika tamin’ny famonjena may. -Raha tsy mahatsiaro saina ny tra-doza dia atao izay hahatsiarovany saina., ka ampiasaina ny fomba famelomana amin’ny alalan’ny “toho-bava” na “tohoka orona” -Entina mamonjy tobim-pahasalamana. -Ho an’ny mpamonjy voina dia fadio ny mikoropaka. Aoka tsy hahandray na hakasika ny tra-doza raha tsy efa azo antoka fa tapaka ny herinaratra, na fitaovana tsy afaka mitondra herinaratra no ampiasaina.

Page 34: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

34

Voina Inona no tokony hatao?

Ny may nilatsaham-baratra

-Raha mbola mahatsiaro saina ny tra-doza dia ampisotroy rano nasiana karibônetra (Karibônetra eran’ny sotro no hafangaro amin’ny rano iray litatra) -Raha tsy mahatsiaro saina ny tra-doza dia velomy amin’ny alalan’ny fanaovana “toho-bava” na “tohoka orona” -Aorian’izay karakarao ny faritra may, toy ny tamin’ny namonjena ny main’ny afo. -Ento mamonjy tobim-pahasalamana

Ny main’ny asidra

-Sasao maharitra mandritra ny 15 minitra farafahakeliny, amin’ny rano maty ny faritra norarahan’ny asidra. -Karakarao toy ny main’ny afo ilay faritra may avy eo -Raha tsy mahatsiaro saina ny tra-doza dia atao ny fomba famelomana amin’ny “toho-bava” na “tohoka orona”. -Hampisotroana rano (iray sy valo) mba hanoloana ny rano very. Fadioa anefa ny mampisotro rano “iray sy valo” efa nialin’andro.

Latsaka an-

drano

Sintony hiala ao anaty rano ny niharam-boina, ahahoka hivoahan’ny rano, izay vao atao ny fameloman’aina “tohoka orona” na “toho-bava”

Kaikitry ny

tantely na

fanenitra

Esorina ilay tsilony, avy eo koseho amin’ny ranom-binaingitra.

Kaikitry ny

maingoka

Apetraho ny garrot (fatory mafy), sasao amin’ny rano misy permanganate raha misy na amin’ny rano maty ny fery. Amin’ny toerana be maingoka dia miomana mandrakariva mandona maingoka anaty rano ka iny rano iny no hikosehina ny fery, ento haingana any amin’ny mpitsabo ny voakaikitra avy eo

Kaikitry ny

alika

Sasao imbetsaka amin’ny ranon-tsavony ny ratra, asio garrot. Avoaka ny ra eo amin’ny manodidina, avy eo dia ento any amin’ny mpitsabo

Sery Mihevoka kininim-potsy sy solila arotsaka anaty rano mangatsiaka dia ampangotrahina ka ny entona no ilaina.

Kohoka Apetraho eo amin’ny tratra na amin’ny lamosina ny kataplasma. Vary, na mangahazo na katsaka masaka marihitra nofonosina amin’ny tapa-damba atao hoe kataplasma.

Tenda Manao gararaka amin’ny ranomena na ranon-tsira

Mivalana

Omeo rano “iray sy valo”, na ranombary marihitra : maka vary eran’ny tanan’ila, andrahoina amin’ny rano ½ litatra, tanehina mandritra ny 15 na 20 minitra, tatavanina, asiana sira indray mitsingina, sotroina mafana Omeo ranon-karaoty efa notenehina, ravin-goavy notenehina no sotroina.

Page 35: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

35

L F T T 26 - 27 APRILY 2008 IVATO - MARAIS MASAY

Asabotsy 26 Aprily 2008

Lohahevitra : rano sy afo Zava-kendrena : Manampy ny tily ankamamy ny fiainana ankalamanjana Vokatra ho tratrarina :

• Ho fantatry ny tily ny fampiasana ny mari-dalana

• Ho hain’ny tily ny karazana hafatra miafina

• Ho hain’ny tily fampiasana ny fatana mandeha

• Ho hain’ny tily ny vokatra tsara azo avy amin’ny afo sy rano

ORA FITAOVANA FIZOTRANY

2 : 30 Baiboly Fihirana

Fanokafana ny lalao Fanompoam-pivavahana

2 : 50 Tsaoka 1-Manara-dalana Tarihana amin’ny mari-dalana amin’ny toerana iray hilalaovana ny mpilalao ka any no hanaovana ny lalao voalohany. Misy mpiandraikitra 3 mitarika ny lalana amin’izany. Ny sokajy kosa manangona ny mari-dalana hitany ka reketiny amin’ny taratasiny ary soratany eo anilany ny anaran’ilay marida-lana.

3 : 15 Tavoahangy plasti-ka 1,5 l ho an’ny mpiandrakitra ka misy loaka kely amin’ny fantsika ny sarony Taratasy misy sa-rin-dalana sy mari-dalana Hafatra miafina

2-Mitondra fiara Mitingitingina mifanao aloha sy aoriana ny mpiray sokajy. Misy mpilalao iray avy amin’ny sokajy omena ilay taratasy izay atao hoe mpamily. Toy izao ny baiko ifanaovana. Maso roa mihiratra tsara : mandeha ny fiara ka manao feo ana fiara mandeha ny mpiray sokajy (vraoum) Maso ilay mikipikipy : Mivily miankavanana, na miankavia ka manaraka izay fihetsika izay ny mpiray sokajy. Tànana manondro ny mpiray sokajy : Mijanona ny fiara ka ma-nao feo ana fiara mijanona ny mpiray sokajy. Ao anatin’izany lalao izany no mamaha ny hafatra miafina ny sokajy. Fenoana rano ilay tavoahangy plastika ary atsongoloka ka tapitra ny lalao rehefa lany ny rano ao anaty tavoahangy.

Page 36: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

36

ORA FITAOVANA FIZOTRANY

4 : 15 Tsaoka Mitohy manao mari-dalana ihany ny mpiandraikitra rehefa vita ny lalao ka ao amin’izay hijanonany no hanaovana ny lalao manaraka sy hatoriana

4 : 45 Tavoahangy plasti-ka misy rano

3-Tolona Manendry mpilalao iray avy isaky ny sokajy mitovitovy habe ny mpiandraikitra. Mamaritra ny toerana ilalaovana ka atao boza-bozaka tokony ho 3 m ny savaivony. Hapetraka eo afovoany ny tavoahagy misy rano. Ka rehefa manome baiko ny mpampilalao dia mifaninana manao izay hanindriana ny tavoahangy ny mpi-lalao ka izay mahatsindry aloha no maharesy.

5 : 30 Manangana ny tranolay sy mahandro sakafo hariva + FKA

7 : 30 - 8 : 30

Gazety, labozia iray isaky ny sokajy, taratasy hamonosa-na ilay labozia, se-reingy, rano

4-Ady afo Miparitaka amin’ny toerana amin’izay tiany ny mpilalao. Arehitra ny labozia. Rehefa manome baikao ny mpampilalao dia ma-nomboka ny lalao. Samy miezaka mitifitra rano amin’ny alalan’-ny sereingy ny sokajy izay mifanandrina aminy ny mpilalao. Mahazo isa avy hatrany ny sokajy izay nahafaty jiro.

9 : 00 Matory : Mangina tanteraka ny ao an-dasy ary efa maty jiro dia tsy misy mahazo mitabataba intsony.

ORA FITAOVANA FIZOTRANY

6 : 00 Sakafo, savony, borosy nify,

Mifoha + ala vokina isaky ny sokajy + midio + mahandro sakafo maraina

8 : 00 Baiboly, fihirana Fanokafana ny tontolo andro + fanompoam-pivavahana

8 : 30 Haranjono iray avy isan’olona misy hazo lavalava eo amin’ny lohany ho-manin’ny mpiandrai-kitra, tavoahangy plastika maromaro

5-Jono tavoahangy Apetraka amin’ny toerana iray ny tavoahangy maromaro ka asiana rano kely ao anatiny. 1,5 m miala avy eo kosa ny sokajy no manjono ilay tavoahangy. Misy isa avy ny tavoahangy ka araka ny tavoahangy azony no isa azony sokajy. Ny famerana ny fotoana dia mitovy amin’ny lalao mitondra fiara

Alahady 27 Aprily 2008

Page 37: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

37

ORA FITAOVANA FIZOTRANY

9 : 30 Fatana madeha, vilany, rano, sakafo Hazo kely iray misy fantsika milentika, tady 2 m

6-Tsongidia mitaritarika Eto no manomboka harehitra ny fatana mandeha ary handroa-na ny sakafo. Misy mpiandraikitra iray mitarika ilay hazo kely misy fantsika ka iny no harahan’ny sokajy.

10 : 30 Taratasy, penisiliha-zo

7-Môrsa sy sary Manendry mpilalao iray ny sokajy izay mahay môrsa tsara. Asaina mihataka tokony ho 10 m miala amin’ny sokajy. Asaina manao hatsapaka izany taratasy voarainy ny mpiray sokajy ka tsy miteny izy fa tonga dia manao sary. Iny sary iny no hava-dik’ilay mpilalao litera môrsa. Ny faharetan’ny lalao dia mitovy tamin’ny lalao mitondra fiara

11 : 30 Menaka vidange atao anaty tavoa-hangy plastika misy lava-pantsika ny sarony

8-Tsongidia manara-menaka Miainga mialoha ny mpiandraikitra mitondra ilay menaka vi-dange ka mandraraka izany eny amin’ny lalana alehany. Miain-ga manaraka azy ireo kosa ny sokajy rehetra ka manaraka ny lalana.

12 : 30 Karazana voankazo azo atao tsindrin-tsakafo

9-Desera egzotika Samy manomana desera ny sokajy eo ihany koa ny fotoana hihianana sakafo

2 : 00 - 3 : 00

Sain-tsokajy isan-tsokajy, folara iray isaky ny mpilalao

10-Ady saina Samy mamaritra toerana 1m² avy ny sokajy ary hatsatony eo afovoany ny sainan-tsokajy. Misy mpilalao iray tendren’ny so-kajy atao atao hoe tsimatimanota io no miambina ny saina. Ny mpilalao ambiny kosa manao rambo ao aoriana. Ny tsimatimanota dia miambina ny saina ary maka ny rambon’-ny mpifanandrina aminy. Ny mpilalao atao hoe mpanani-bohitra kosa miezaka maka ny saina. Azo afindrafindra ny mitondra ny saina mandra-pahatonga any amin’ny tobin’ny sokajy

3 : 30 Baiboly, fihirana, loka, vokatry ny lalao.s

Famaranana + filazana ny vokatra + Fanompoam-mivavahana

Page 38: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

38

FOMBA FITSARANA NY LALAO Raketina ao anatin’ny fiche de bord-n’ ny sokajy ny isa azo isaky ny lalao

1- Efa voahangon’ny mpiandraikitra teny an-dalana ny mari-dalana napetrany sy ny filaharanany. Omena isa 50 raha marina ny filaharany ka mihena isa 5 isaky ny misy diso. Omena isa 50 ihany koa ny anarana ilay mari-dalana. Mihena isa 5 isaky ny diso.

2- Telo ny mpitsara ka manana isa 15 avy ny mpitsara eo am-panombohana. Ahena isa 5 isaky ny mahita diso izy.Mahazo isa 20 kosa ny sokajy isaky ny mahamarina ny hafatra miafina

3– Izay maharesy dia mahazo isa15 ny resy kosa mahazo isa 5. Mifanina avy eo ny samy naha-resy. Ka mahazo isa 20 ny maharesy ary 10 ny resy. Mifanina ihany ny maharesy ka mahazo isa 25 ny maharesy ary 15 ny resy.

4– Mahazo isa 25 isaky mahafaty afo ny sokajy iray.

5– Mahazo isa 10 isaky ny tavoahangy iray.

6– Mahazo isa 50 izay tonga ao anatin’ny 5 mn voalohany. Mihena isa 5 isaky miala 5 minitra izany.

7– Mahazo isa 10 isaky ny mahamarina teny iray.

8– Mahazo isa 50 izay tonga ao anatin’ny 5 mn voaloahany. Mihena isa 5 isaky miala 5 minitra izany

9– Telo ny mpitsara ka samy manome isa 5 na 10 na 15. Omena isa mitokana ny fahamasahan’-ny vary sy laoka. Omena isa mitokana ihany koa ny desera.

10- Mahazo isa 50 isaky ny mahazo saina iray. Mahazo isa 50 kosa ny tsimatimanota raha maha-tratra eo ampitondrana ilay saina ka mbola tsy tafiditra ny tobiny ilay mpilalao. Mahazo isa 10 ny tsimanota isaky ny mahazo rambo iray.

NB : Raha misy lalao ilana valiny amin’ny taratasy dia ataon’ny mpilalao ao anaty antsaka tarata-sy A4 ny valiny ary misy ny anaran’ny sokajy, ny fivondronanana misy azy sy ny lohatenin’ilay lalao

Page 39: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

39

INONA AVY IREO ASA MIANDRY NY CHEF SY CHEFTAINE REHEFA MIATRIKA LASY IRAY ?

IRETO NO ATAONAREO MIALOHA NY LASY: -misafidy karazan-dasy hotanterahana.Lasy inona no atao? -mamaritra ny faharetan’ny lasy.Firy andro? -manondro ny datin’ny lasy.Volana inona?Manomboka rahoviana ary mifarana rahoviana? -mizara andraikitra ny samy chef na cheftaine.Inona avy no afaka ataoko sy tandrify ahy? -mitady olona afaka hanoro raha misy zavatra manavia anareo momba ny fitarihana lasy -mamandrika ny toerana hilasiana raha toa ka mila izany ilay toerana -mandeha manao fizahana ny toerana(pré-camp) -maminavina ny vola mety ho lany -manokana fotoana mba hifampidinidinika amin’ireo ankizy handeha amin’io lasy io:Inona no loha-hevitra tian’izy ireo?Inona no sahanasa aman-dalao ankafiziny?Inona ireo teknika mbola tsy hainy ka mety atao amin’io lasy io?Manao ahoana ny fahavononan’izy ireo? -mividy,manamboatra na mindrana ireo fitaovana ilaina.(tente,tahon-tsaina,…) -mikaroka fitanterana -mikarakara ireo fahazoan-dalana isan’ambaratongany(fokontany,filoha,fiangonana…) -maka ny mombamomba ireo ankizy sy ny fianakaviany mandritra ny fitsidihana ray aman-dreny(sakafo tsy zaka,aretina mitaiza…).Mila fantarina ihany koa ny zavatra andrasan’ireo ray sy reny aorian’ny lasy ary koa ny tsy tiany atao amin-janany. -mamantatra ireo ankizy tsy avelan’ny ray aman-dreniny handeha.Inona ny antony ? -mifampiraharaha amin’ireo rafitra,olona na fikambanana afaka hanampy(indrindra rehefa toerana lavitra no haleha). -manangona sy manamboatra ireo fitaovana efa fitondra milasy -manara-maso ny fafy isan’ankizy -mampanangana fandaharan-tsakafo isan-tsokajy,isam-pokonolona (cheftaine ho an’ny mavo) -mandefa fampilazana any amin’ny ray aman-dreny NY ATAONAREO EO AM-PANOMBOHAN’NY LASY NA PRE-CAMP: -mifandray amin’ireo:tompom-pahefana ao an-toerana,tompon’ny tany hilasia-na,fiangonana,fianakavianareo na an’ireo ankizy entinareo... NY ATAONAREO EO AM-PAMARANANA NY LASY: -mijery sy manara-maso ny fahasalaman’ireo ankizy mpilasy,ny zavatra very sy simba,ny akanjo lena...ary ny fitaovana fitondra milasy an’ny fikambanana. -manamboatra ny simba raha afaka atao avy hatrany izany -manamafy ny fiara hitondra hiverina -manome ny volan’olona eo an-toerana -mandrava ny zavatra natsangana rehetra -manadio ny toerana nilasiana,manototra ireo lavaka natao -mandeha misaotra ireo olona nanampy nandritra ny lasy -mampilaza ny fialanareo amin’ireo manam-pahefana -manara-maso faramparany ny toerana nialana NY ATAONAREO REHEFA TAFAVERINA SOA AMAN-TSARA: -mamerina ireo fitaovana nidramina any amin’ny tompony -manokana fotoana hanamboarana ireo simba tany an-dasy -manasa ny sary,mitahiry ireo antontan-taratasy avy nentina nilasy -manomana ny tatitra isan-karazany(ho an’ny filoha,komity,ray aman-dreny…)

Page 40: AHOANA NY ATAO REHEFA MANAO PRE-CAMP - Petit Fichier · 2011. 1. 26. · 7.30 Misakafo 8.00 Sahan’asa amin’ny alina 9.00 Matory . ... miaraka amin’ny baiboly sy fihirana hiatrika

Tily handeha hilasy

40

HOY BP HOE :

Ny lasy

- Le camp, c’est par excellence ce dont les garaçons se réjouissent, et pour le chef, c’est une occassion sans pareille. - Plusieur petits camps sont prérables à un grand ; chaque patrouille devrait camper comme une unité distincte des ses voisines. - Il ne faut jamais permettre aux exercices de nuit de se prolonger la nuit entière. Il faut les terminer ponctuellement à 11h1/2 de manière à ne pas faire veiller inutilement les garçons. - Les longues marches (10 kilomètres et plus) sont mauvais. C’est une erreur de croire qu’elles rendent endurant. Il est bien important de bien nourrir un garçon et, en dévelop-pant ses forces, de jeter les bases de l’endurance dont il fera preuve plus tard. - L’instructeur préparera d’avance pour chaque jour le programme ce qu’il se propose de faire. Rien n’est pire pour des garçons, du point de vue intellectuel et du point de vue pratique, que de les emmener à la campagne, puis de traîner en se demendant ce qu’on va faire. - Ce qui fait surtout la valeur d’un camp, c’est l’occasion qu’il fournit de mettre les gar-çons en face de la Nature. Il faut pratiquer le plus possible le campisme et les jeux de plein air : sans oublier les récréations appropriées et le repos du dimanche. Eviter le scoutisme de salon. Ny filan-kevitra na fitanan-kaja

Une grande chose dans notre programme, c’est la responsabilité déléguée aux chefs de patrouille. Montrez une entière confiance à votre Cour d’honneur et à vos chefs de patrouille et ren-dez-les responsables de leurs garçons. Attendez beaucoup d’eux et vous obtiendrez beau-coup. - Développez l’esprit de corps et une rivalité amicale entre les patrouille vous obtiendrez tout de suite sur toute la ligne de bons résultats. N’essayez pas de tout faire vous-même ; sinon vos garçons ne seront plus que des spectateurs, et ce ne sera pas ça. - Les chefs de patrouilles forment la Cour d’Honneur qui s’occupe des affaires intérieu-res de la troupe. Cette institution est la meilleure garantie de la vitalité durable et du suc-cès d’une troupe. Elle débarrasse le chef de beaucoup de petites besognes routinières, et en même temps, elle donne aux garçons une véritable responsabilité et une vue sérieuse des affaire de la troupe. C’est surtout grâce aux chef de patrouille et au Cour d’Honneur, que beaucoup de nos troupes ont pu continuer à vivre et faire œuvre utile pendant la guerre, même lorsque les instructeur étaient partis pour servir le pays. - Il est nécessaire d’avoir une réunion qui groupe les représentant des louveteaux, des Éclaireurs et des Routiers. Cela assure leur collaboration et rend le grand services quand il s’agit d’arrêter les lignes générales d’une activité d’ensemble. C’est ce que nous appe-lons le Conseil de Groupe. - Une Cour d’honneur est formée des chefs et des chefs de patrouille,ou, dans une petite troupe, des chefs de patrouille et des seconds. Dans bien des Cours, le chef est présent mais ne vote pas.