sampana tanora kristiana rezionaly...

26
FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 1 / 26 SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ANTANANARIVO RANTSANA FANANTENANA LESONA IRAISANA 1. Noforonina hiara- miaina ny lahy sy ny vavy, mitovy ve lahy sy ny vavy? 2. Ny namana sy ny fifandraisana aminy; Ny sakaiza sy ny vola; Mba fidifidio izay ho namana 3. Ny fifandraisana amin’ny ray sy reny; Azo vonoina izay maditra fahiny, inona no tokony hataoko raha raiamandreny aho? 4. Ny fanambadiana araka ny soratra masina; ny dingana rahina amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy; Lehilahy tia, vehivavy manaiky; Ny famporafesana 5. Ny adidy sy tombotsoan’ny manan- janaka, Zanaka maro? Avelao hanana traik’efa ny zanaka… HO HITANAO ATO LESONA MIZARA DIMY

Upload: others

Post on 03-Mar-2020

2 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 1 / 26

SAMPANA TANORA KRISTIANA

REZIONALY ANTANANARIVO

RANTSANA FANANTENANA LESONA IRAISANA

1. Noforonina hiara-miaina ny lahy sy ny vavy, mitovy ve lahy sy ny vavy?

2. Ny namana sy ny fifandraisana aminy; Ny sakaiza sy ny vola; Mba fidifidio izay ho namana

3. Ny fifandraisana amin’ny ray sy reny; Azo vonoina izay maditra fahiny, inona no tokony hataoko raha raiamandreny aho?

4. Ny fanambadiana araka ny soratra masina; ny dingana rahina amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy; Lehilahy tia, vehivavy manaiky; Ny famporafesana

5. Ny adidy sy tombotsoan’ny manan-janaka, Zanaka maro? Avelao hanana traik’efa ny zanaka…

HO HITANAO ATO LESONA MIZARA DIMY

Page 2: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 2 / 26

Ny kristiana sy ny fifandraisana aman’olona

Boky voalohany

LESONA HOAN NY TANORA ZANDRINY

2010

Page 3: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 3 / 26

Lesona 1 « Noforonina hiara-miaina » (Genesisy 2, Matio 7)

Fanamarihana: Ny Baiboly no fototra hanorenana ity fampianarana ity, ary avy ao aminy avokoa no hamoahantsika ny hevitra sy valim-panotaniana rehetra, mety misy boky maro samihafa mahavaly sy manana hevitra hafa mikasika ny lohahevitra dinihintsika, saingy amin’ny maha kristiana dia ny Baiboly no hampiasaintsika.

Fampidirana: Inona ary no antony havelomako eto ambonin’ity tany ity? Hanao inona eto aho? Nahoana no lahy sy vavy ny olom-belona? Ahoana no fomba fifandrasana eo amin’ny lahy sy ny vavy? Izany no fanotaniana hovaliana mialohan’ny hiresahantsika ny fiaraha-monina ankapobeany.

Fomba fijery tanora no entina: Raha olon-dehibe no mamaly ny hoe “inona no atony havelomako?” dia samy

hamaly avokoa hoe “Kristy no antony ahavelomako!” marina tokoa izany, saingy ho antsika tanora dia mila valim-panotaniana “azo hampiharina” kokoa isika, fa tsy afaka ny hionona fotsiny amin’ny valim-panotaniana “hendry be” toa izany,Ny fomba famakafakana harahitsika amin’ity boky ity izany dia hamoaka hevitra “azo tsapain-tanana, sy azo hiainana an-davan’andro, ary hampivoatra fihevitra sy fihetsika” FA TSY HAMPIADY HEVITRA NA HAMPIADY TOKO SY ANDININY (izay no mampiavaka ny lesontsika ho natokana hoan’ny tanora).

I. NY LAHY SY NY VAVY

1. Inona no takian’Atra amin’ny olona raha namorona antsika Izy? Gen 2:15-17.

o Mba hanana fiainana hamokatra (izany hoe mivoatra ) o Hitandrina ny didiny

2. Nahoana no tsy I Adama irery no noforonina? Satria “tsy tsara raha irery ralehilahy” Gen 2:18, mahagaga fa ralehilahy no lazaina fa tsy tsara raha irery, fa tsy ny vehivavy tsy akory…

3. Hatao inona anefa vehivavy? Ho vadiny (mpanampy sahaza ho azy hoy ny soratra masina,

Maneho izany fa ny “fifanampiana” no endritra tsara indrindra eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona, indrindra fa ny lahy sy ny vavy.

a) Hanampy azy amin’ny inona anefa ? (hanampy an’I Adama hanatanteraka ilay hafatra nomen’ny Mpahary azy (hiasa sy hitandrina ny tany (hamokatra ) sy hitandrina ny didin’Atra)

MILA FANAMPIANA MANOKANA NY OLONA TSIRAIRAY

I Adama dia nila fanampiana tamin’ny biby raha arahina tsara ny Gen 2:19-20. Na izany aza dia tsy misy “sahaza azy” ireo biby ireo, izany hoe Adama na ny lehilahy izany dia mila fanampiana “sahaza” na special, na manokana ho azy mihintsy, tsy iraisany amin’ny biby na amin’ny olombelona hafa aty aoriana…

Page 4: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 4 / 26

NY OLAN’I ADAMA DIA OLAN’ANDRIAMANITRA IHANY KOA !

Nitady irery izay “mety” aminy I Adama, saingy izay olan’ny tsy fahampiana teo aminy izay dia noraisin’Andriamanitra ho olanY ihany koa, koa dia nanapa-kevitra hamaha ny olana Jehovah, namorona an’I Eva izy… (Tokony ho raisintsika am-po izany teny izany: fa ny olantsika momba ny fitadiavana na fiandrasana izay “vady sahaza” dia olan’I Jehovah ihany koa, koa aza manahy fa izany no olana novahany voalohany teto an-tany ary efa mahazatra azy ny mamaha olana toa izany.

II. MITOVY SA TSY MITOVY NY LAHY SY NY VAVY? Gen 2:21-23

Raha mamaky ny toko 1 isika dia nahita fa tamin’ny teny avokoa no namoronan’Atra ny zavatra rehetra, kanefa nahoana izy no nampiasa ny taolantehezan’i Adama raha namorona an’i Eva ? Inona no tanjony?

METY AMIKO ITY ! and 23

Avy hatrany dia tsapan’i Adama fa tena mety taminy ny fananany an’i Eva, « taolana avy amin’ny taolako tokoa ity » , tena tsapany fa mifanaraka amin’izay nilainy tokoa i Eva . Ny famoronana an’i Eva avy amin’ny taolantehezan’i Adama dia milaza fa mitovy « égalité » amin’ny Adama izy, ary koa hoe « tsy biby izy (Eva)”, Eo amin’ny ara-nofo dia mitovy izy kanefa raha ny ara-panahy kosa i Eva dia « copie » fa Adama no « original ».

Dia ahoana no tokony hataontsika tanora mba ahafahantsika mahafantatra hoe

ity « olona tiako » ity dia tena ilay sahaza ho ahy tokoa na ilay miady@

« piesiko* »? (*taolako sy nofoko)

MANDAO RAY SY RENY AHOANA MOA? Gen 2:24

Ny SM milaza « fa noho izany dia handao ny ray sy ny reniny ny lehilahy … ka ho lasa nofo iray ihany izy roa

Vokatr’izany fifandraisana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy izany dia handao ny ray aman-dreniny izireo ka hikambana ary hitokana (izany hoe satria efa nofo iray sy taolana iray ihany i Adama sy Eva, dia hiverina ho iray sy tokana indray izy.)

Inona moa no hevitr’ilay hoe ho “nofo iray”?

Misy heviny maro izany! fa ny akaiky indrindra dia manambara ny fiterahana ( reproduction na procréation). Ny “fiforonan’ny aina” vaovao avy amin’ny firaisan’ny mpivady dia maneho ny hoe lasa nofo iray izy. (Ampitahao Gen 1:28.) Manaraka izany dia lasa saina iray sy fo iray izy roa, ary dia mifameno sy mitambatra iray ny fiainany indrindra fa eo amin’ny ara-panahy satria mila miray fo sy fanahy tanteraka izireo raha te ahazo sitraka avy amin’Andriamanitra.

Page 5: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 5 / 26

Miraikitra ! Ny teny hoe « hikambana » ao amin’ny and 24 dia milaza mihintsy hoe miaraka sy mitambatra , na koa hoe miraikitra , ny lahy sy ny vavy dia tokony hanana izay fifandraisana mafy sy miraikitra ,ary tsy mety sarahana izay, Jesosy dia manambara izany ao amin’ny Mat 19 :4-8

Dia ahoana izany ny amin’ny fanambadian’ny samy lahy sy samy vavy?

Tsy manome aina! : Tsy mahafeno izany fepetra izany ny fanambadian’ny lahy samy lahy , na ny vavy samy vavy (L'homosexualité ), tsy afaka ho lasa nofo iray mihintsy izy ireo , satria tsy manome « Aina iray vaovao » ny firaisan’ny lahy sy ny lahy , na ny vavy samy vavy, ( sady tsy sahaza ny andininy ilay ankilany , izany hoe samy tsy vady sahaza izy ! (Raha ny ara-batana fotsiny dia hita fa tsy ho mety ny resaka,(tsy miady ny “piesy”; Physiologiquement, ils ne sont pas "assortis".)

Mitondra loza sy fahavoazana : Ny firaisan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy dia tsy mitondra aina , fa kosa mitondra aretina samy hafa toy ny SIDA, ny homamiadana, ny aretina vokatry ny firaisana samihafa (ny fandaharan’Atra dia mitondra fiainana , fa ny dika vilana ataon’i satana kosa dia mitondra fahafatesana)

Tsoa-kevitra:

Noforonon’Andriamanitra ny olombelona mba hanaraka ny didiny; hivoatra sy hamokatra, hikarakara ity planeta tany ity, hanohy ny asa famoronana nataony. Tsy mahavita tena irery anefa ny lehilahy, fa tsy maintsy misy vehivavy manampy azy.

Page 6: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 6 / 26

Lesona 2 NY NAMANA SY NY FIFANDRAISANA AMINYNY NAMANA SY NY FIFANDRAISANA AMINYNY NAMANA SY NY FIFANDRAISANA AMINYNY NAMANA SY NY FIFANDRAISANA AMINY (Ohabolana, 1 Sam 20)(Ohabolana, 1 Sam 20)(Ohabolana, 1 Sam 20)(Ohabolana, 1 Sam 20)

Fampidirana : Teny fandre ny hoe « ao anatin’ny fotoan-tsarotra no tena ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba isafidianana ny namana ? sy ifandraisana aminy?

I. NY VOLA SY NY SAKAIZA

1. Namana vitsy sa namana maro no tsara? Ohab 18:24

Raha tsara ny misy namana, tsy vao maika tsara ve raha manana namana marobe?

Raha be olom-pantatra sy sakaiza tsy tena mifandray tsara aminao akory ianao, dia tsy hisy amin’ireny olona ireny akory hamonjy anao rehefa tojo ny sarotra ianao. Rehefa Tonga mantsy izay fahaterenao izay dia ho toy ny « vay ankatoka » amin’izireo fotsiny ianao. Etsy andanin’izany; ny tena sakaizanao dia hamonjy anao tokoa rehefa tojo ny sarotra ianao.

2. Misy manao “Havana raha misy patsa” fotsiny! Ohab 19:4 sy Ohab 19:6-7.

Misy fihatraikany eo amin’ny fisakaizana tokoa ny vola ? (te ho sakaizanao akaiky avokoa ny olona rehefa fantany fa hisy tombotsoa ho azy izany) izay no hasehon’ny and 6.

3. Inona no tsara, Havana sa namana?

Ny havana dia noteren’ny zava-misy ary manana adidy aminao izy nohon’ny rohim-pihavanana misy ) . ny and 7 dia milaza fa manampetra ihany io fifandraisana amin’ny havana io, saingy fetra mihoatra be be kokoa noho ny an’ireo sakaiza.

Aza miantoka ny namanao! Ohab 17:17 sy Ohab 17:18. Tsy efa nisy fotoana ve isika raha nanampy sakaiza sahirana no nieritreritra hoe « raha vao ampiako io dia hitohy hila vonjy amiko foana , ialako lavitra io » ?

Tsy tokony ho lasa « antoka » (garant) eo anoloan’ny fahadisoan’ny sakaizanao mihintsy ianao). Ny tena namana dia mahalala fa ho eo ianao amin’ny fotoan-tsarotra, fa izany akory tsy midika fa hanavotra ilay sakaizanao amin’ny olany rehetra ianao.

Misy fotoana anefa iangarana ny namana! Ohab 27:10. Misy kosa ireo « naman’ny fianakaviana hatramin’ny ela » izay manana zo manokana hila vonjy amintsika, jereo fa eto dia iangarana kokoa ny sakaiza oharina amin’ny havana.

Page 7: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 7 / 26

4. Noho izany dia Aza manatena vonjy amin’ny ireo olom-pantatra fotsiny fa tsy ahazo akory ianao, Aza manaiky ho ataon’ny olona ho « namana raha misy patsa fotsiny » , Ary raha tena sakaiza tokoa ianao dia hamonjy ireo sakaizanao tratran’ny fahasahiranana, tandremo fa tena zava-dehibe amin’ireo namana tokoa ny fanotronanao azy raha misy manjo azy.

II. NY TOROHEVITRA EO AMIN NY MPISAKAIZA Ohab 22:11

5. Manahirana ny mifehy ny “resaka atao” eo anivon’ny mpinamana, saingy raha te ho sakaizan’ny olona isika dia mila manana fo madio aminy ary aseho amin’ny fifidianana izay teny avoakan’ny vava izany , izany hoe tsy tokony hifanaratsy sy hifanambany ny mpinamana

6. Ny mpinamana dia afaka mifanao teny mahitsy! Ohab 27:6

Ny tena namana dia tsy maintsy miteny sy manoro na mety mandratra antsika aza ny fanaovany izany, fa fomban’ny fahavalo kosa ny “manoroka” lava na manao resaka mandokandoka Ohab 27:9.

Milaza ny SM fa tokony hanana fitokisana ny sakaizantsika isika mba ahafahany manome « torohevitra mahitsy » sy marina antsika. Tsy tokony handainga aminao ny tena sakaizanao hoe mba ahafaly anao fotsiny, Tsy maintsy ambaran’ny sakaizanao ny zavatra rehetra mety ahasoa anao, Ary ianao kosa , raha hendry ianao, aza raisinao ho fanaovana tsinontsinona anao izany . Tsy tokony « haratra » nohon’ny teny ampahatsoran’ny sakaizanao ianao , etsy andanin’izany ny Ohab 22 : 11 dia manafatra antsika fa ny torohevitra « mahitsy » ataontsika ny namantsika dia tokony hatao ampitiavana sy « tsy mitratrevatreva » ("dit avec grâce".) Azonareo atao ny misafidy fotoana iray ka samy manao teny mahitsy amin’ny namanareo avy hianareo, tandremo anefa mba tsy handratra loatra, ary aoka ho vonona ny hatanty tsikera.

III. MBA FIDIFIDIO IZAY HO NAMANA Ohab 22:24-25 sy ohab 12:26.

1. Tsy izay olona miresaka aminao rehetra akory dia atao sy lazaina fa namana avokoa, fa safidio izay tokony ho namana, Misy akony eo amin’ny toetrantsika sy ny fisainantsika mantsy ny sakaizantsika! (Nous sommes influencés par nos amis.)

a. Alaivo antsaina ireo sakaizanao amin’izao fotoana izao, milaza fiteny na fihetsika na toetra manokana azonao sy hainao avy tamin’dry zareo?

b. Inona kosa no mba hainy sy azony taminao? c. Afaka manana « influence » na taratra tsara amin’ireo sakaizanao

ve ianao? Na koa « influence » ratsy?

Page 8: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 8 / 26

a. Inona no maha zava-dehibe an’izany? (Vakio 2 Kor 6:16-17. Mampitandrina antsika i Paoly amin’ny vokatry ny « influence ratsy » ny hafa. Satria “Tempolin’Atra isika” ka tsy tokony ho voaloton’ny fifampikasoana akaiky amin’ireny tsy mino ny an’Atrintsika ireny)

2. Dia tsy mifanerasera amin’izy ireny mihintsy ve isika?

(Zavatra roa mazava tsara no apetraky ny SM eto: voalohany: ny « influence ratsy » dia manankery kokoa amin’ny fifankazahoana am-po raha oharina amin’ny « influence tsara ». Faharoa: tsy hoe antsoina hiataka amin’izy ireny isika, fa « hafatrafarana » kosa mba tsy hifandray am-po amin’izy ireny)

3. Misy ireo minamana amin-javatra hafa!

Fa tsy azo atao odian-tsy hita ny « firaiketam-po amin-javatra » na antsoina koa hoe (Relations intimes “extra-humaines”)? Sao dia miray zioga tsy antonona amin’ny « Fahitalavitra » , ny jeux video , ny « film” sy “serie”, ny “boky samihafa” isika ? Tena misy akony eo amin’ny fomba fisainana sy fihetsika ary ny toetra mihintsy ny fifandraisana am-po amin’ireny zavatra ireny?

Diniho tsara fa amin’ireny horonan-tsary sy boky sns ireny dia tena tsy mifamaly ny « influence » fa ianao irery no mizaka ny vokatry ny fifaneraseranao aminy, ary tsy misy n’inon’inona azonao hatao hi « influencé »nao azy! sa tsy marina izany ?.

4. Aiza ary aho no hahita namana?

Sarotra ny mahita namana tsara , indrindra hoan’ny tanora, Mety ahitana namana ny fikambanana sy toerana isan-karazany saingy mety ahitana loza ihany koa izireny, Soa ihany fa misy ny sehatra kristiana izay na dia tsy azo antoka zato isan-jato aza, dia ahitana olona azo atao namana satria misy olona isan-karazany mitovy tanjona na fomba na fanabeazana aminao ao, Raha te hanana safidy maro amin’izay tianao ho namana ianao dia midira amin’ny fikambanana kristiana samihafa na sampana samihafa araka izay mety amin’ny fijerinao, tsy ho lany namana ianao fa andramo anie e !

5. Tsara ny manana namana karazany maro:

Ilaina ny manana namana karazany maro, na lahy io na vavy, na olon-dehibe na zaza, na manankarena na mahantra. Tsy ny olom-patatra fotsiny no tiana hambara eto fa tena namana mihintsy. Hanampy anao amin’ny fiatrehana ny olana eo amin’ny fiainana ny fanananana namana karazany maro, Na ny amin’ny torohevitra fotsiny aza dia mahazo karazany maro ianao.

IV. INONA IZANY HOE TENA MPINAMANA? I sam 19:11-12.

Page 9: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 9 / 26

1. Ao anatin’ny tantaran’I Davida sy jonatana ity resahina ity, I Saoly no mpanjaka, Davida kosa ilay « Mpanjaka miandry fotoana », Mikala no vadin’i Davida sady zanak’i Saoly , I Jonatana kosa sady naman’I Davida no zanak’I Saoly, Jonatana dia zanak’i Saoly Mpanjaka, nefa i Jonatana sy Davida dia samy mety handimby an’i Saoly eo amin’ny fitondrana. I Sam 20:1.

Inona no tian’i Davida ho fantatra avy tamin’i Jonatana?

Namotopototra ny tena zava-misy marina izy, izany hoe ny tena mpinamana dia mifampitantara ny zavatra rehetra, ary tsy mifandainga na koa mifanome tsiny.

Vakio I-Sam 20: Raha isika no teo amin’ny toeran’i Jonatana, inona no mety Tonga tao andohantsika voalohany? (Raha vao maty eo Davida, dia malalaka ny lalako ho eo amin’ny fitondrana! ) saingy tsy nisaina an’izany izy , Nandeha niresaka tamin’ny dadany I Jonatana, ompa sy ozona no azony, ary teny maharary avy tamin’ny rainy!)

Na dia sarotra aza ny safidy teo anoloan’I Jonatana, dia naleony ny “fifankatiavany tamin’I Davida” no najainy,

Ahoano ataonao amin’ny namanao raha ny iray aminareo roa ihany no afaka mahazo tombony eo anoloan’ny zavatra iray ? (Harena,asa, andraikitra, olon-tiana? sns ) hanao toa an’I Jonatana ve ianao? Ka hamela izany hoan’ny namanao?

Ny olona tia dia izay tia ny hafa toy ny tenany! Fil 2:3-4 sy 1 Sam 20:4

Raha samy miandry ny fahefana ho eo ampelatanany I Davida sy Jonatana dia naleon’I Jonatana namela an’izany hoan’I Davida, tena fitiava-namana tokoa izany.

Vakio 1 Sam 20:5-11. Nanolotra tetika i Davida mba ahafantarana raha tena tanindonondoza tokoa izy na tsia ! , Hita mihintsy eto fa nifampatoky izy mirahalahy izany hoe ny tena mpinamana dia mitazona ny tsiambaratelon’ny namana ary manana fomba na “code” ifandraisana sady tsy fantatry ny olona hafa.

Nahoana i Jonatana no milaza an’i Davida mba hivoaka any an-tsaha miaraka aminy? (Tsy tian’i Jonatana ho fantatr’olon-kafa ny zavatra iraisan’izy sy Davida, Ny naman’i Jonatana dia mety ho tia sy mahatoky azy, kanefa tsy voatery homba sy ho tia an’i Davida kosa izy ireo fa mety ho miray tetika amin’i Saoly. Tsy azo atao raikipohy izany ilay hoe « ny naman’ny namako dia namako ihany koa » (les amis de mes amis sont mes amis) .

Mifanome toky ny mpinamana ary mifanavotra:

1-Sam 20:12-16. Tamin’ny voalohany isika dia nanotany hoe « mitady izay tombotsoany manokana ve i Jonatana? Tsia ! Azony tsara fa nifidy an’I Davida ho mpanjaka manaraka ny rainy Andriamanitra, fantany koa anefa fa mety haningotra

Page 10: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 10 / 26

ny ainy sy ny fianakaviany izany, satria amin’ny maha samy mpifaninana (rivaux) azy ireo ho eo amin’ny seza fiandrianana, dia ho halan’ny naman’i Davida izy sy ny fianakaviany! Nahazo toky fiarovana avy tamin’I Davida anefa izy. Ary dia Afaka niaro ny fianakaviany! Nilefitra (nanompo) teo anatrehan’I Davida izy ary nanome azy sahady ny fitondrana.

1-Sam 20:17. Inona no maha tena mpisakaiza tokoa an’i Davida sy Jonatana?

Mar 12:29-31. Davida sy Jonatana dia nahatanteraka tokoa ilay didy hoe « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Raha tsy nohon’ny fahafantaran’i Jonatana ny sitrapon’Andriamanitra mikasika an’i Davida fotsiny (hoe izy no handimby an’I Saoly), dia azo lazaina tokoa fa tia an’i Davida mihoatra noho ny tenany tokoa i Jonatana.

Raha mamaky ny tohin’ny tantara isika dia hitantsika fa nahavonjy ny ain’i Davida tokoa i Jonatana, ary na dia maty nandritra ny ady niarahany tamin’ny Saoly rainy aza izy, i Davida kosa dia nitazona hatrany ny fifanekeny mikasika ny fianakavian’i Jonatana.

Tena notanterahin’i Davida sy Jonatana tokoa ny fepetran’ny fisakaizana: tsy inona izany fa ny fifankatiavana, ny fifampitokisana, ary ny fifanompoana !

Tandremo ry tanora ny naman-dratsy, ary meteza mba ho namana mahasoa hoan’ny hafa, fa tsy namana mitondra azy any an-kady, vonjeo izy raha sahirana, mahaiza mandefitra ihany koa eo anatrehan’ny fifandirana sy

tombotsoa tsy azo iombonana. Lesontsika manaraka: “Ny fifandraisana amin’ny ray y fifandraisana amin’ny ray y fifandraisana amin’ny ray y fifandraisana amin’ny ray amanamanamanaman----dreny”dreny”dreny”dreny”

Page 11: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 11 / 26

Lesona 3 Lesona 3 Lesona 3 Lesona 3 ---- NY FIFANDRANY FIFANDRANY FIFANDRANY FIFANDRAIIIISANA AMIN’NY RASANA AMIN’NY RASANA AMIN’NY RASANA AMIN’NY RAY Y Y Y SY SY SY SY RENYRENYRENYRENY (Eksodosy 20, Efes 6, Deot 21)

Fampidirana : hanohy indray ny famohaboasana ny lohahevitra isika, eto isika dia hijery ny fifandraisantsika amin’ny ray amandreny. Mananana fikasana tsara hoan’ireo zanaka izay mifandray tsara amin’ny ray amandreniny mantsy Andriamanitra, ary rehefa dinihina io teny fikasana “manajà ny rainao sy ny reninao” io , dia hita fa tsy fanomezantoky tsotra izy io fa mifono hevi-dàlina , toa fikasana tsara, kanefa toa fampitandremana ihany koa.

I. TOKY HANOME FIAINANA SADY FAHAFATESANA “ Manajà ny rainao sy ny reninao”

1. Ny Eks 20:12 dia manome toky fa hisy fiainana hoan’izay manaraka io didy io ary hisy fahafatesana kosa hoan’izay tsy manaraka izany.Ary ny Ray sy Reny niteraka no resahina eto.

1. Tsy manome vahana ny ray aman-dreny tsy akory io didy io!

Raha jerena maimaika dia toa mitongilana any amin’ny ray aman-dreny io didy io, kanefa tsy misy teny fikasana hoan’ny ray aman-dreny mihintsy ao anatiny fa tena tombotsoa hoantsika ny zanaka fotsiny ihany, milaza mantsy izy io fa maha ela velona ny zanaka ny fanajana ray aman-dreny. Ary izireo koa anie ka manana raiamandreny ihany koa e!

Ny hoe manaja ray aman-dreny dia midika ihany koa hoe “mankatoa” Efes 6:1-3. ary fiainana tsara sy maharitra no ho azo raha manaraka izany didy izany.

2. Tsy hoan’ny isam-batan’olona ihany fa hoan’ny firenena mihintsy .

Ny teny ao amin’ny efesianiana dia milaza mazava ny fahaela velona hoan’ny isambatan’olona, fa ny teny ao amin’ny Eks 20:12 kosa dia milaza fa mampaharitra firenena, Maha ela velona fanjakana ny fankatoavana ny ray sy reny. Amin’ny fomba ahoana anefa?

o Ny ray aman-dreny rehetra dia samy mikatsaka izay ahaela velona sy ahasambatra ny zanany avokoa, Saingy samy manana ny fomba entiny manatanteraka izany izireo, ary samy manana ny torohevitra omeny ny zanany ihany koa, ireny torohevitra ireny dia azony tamin’ny traik’efa nolalovany an-taonany maro , efa mba te ho ela velona tahaka ny zanany koa mantsy izireo, ary efa mba te hanan-karena ihany koa, ka ny fahafantarany izany no anomezany didy sy toromarika hoantsika zanany,

o Ny torohevitra omen’ny ray aman-dreny izany dia sady maha ela velona no manala antsika amin’ny fahantrana ihany koa, ka ny fanarahana sy fankatoavana azireo no antsoin’ny SM hoe fanajana.

o Raha misy zanaka manaja ray aman-dreny ka mankatoa ny didiny sy ny torohevitra omeny dia hijinja tombotsoa amin’izany izy, ary rehefa lasa

Page 12: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 12 / 26

raiamandreny kosa izy aty aoriana dia hampita izany torohevitra izany amin’ireo zanany indray ary toa izany hatrany, ary farany dia ho ela velona sy hanankarena ny vahoaka , ary hatanjaka ny firenena manotolo.

II. AZO VONOINA IZAY MADITRA… FAHINY!

Ny Eks 21:15 sy 17. Kosa dia milaza tokony hovonoina izay manozona ny rainy na ny reniny, izany hoe manompa na manambany na manao tsinontsinona azireo. Mazava hoa azy raha izany fa ny tsy fanajana ray sy reny dia maha fohy andro tokoa satria “mahafaty tanora”.

Mila hentitra ve amin’ny fifehezana ny zanaka?

Ny Lév 20:9 sy ny Ohab 20:20 dia manambara fanamelohana ho faty hoan’ireo izay manozona (na manao tsinontsinona ny fahefan’ny ray sy reniny) . Raha natao lalàna teo amin’ny fiarahamonina hatramin’izay ve izany, mety tsy hikoroso fahana toa izao ny fiaraha-monina ankehitriny?.

ENTINA HO TORAHAM-BATO IZAY MADITRA !

Henoy ity fitsipika anakiray ity: Raha misy zanaka maditra, manohitra, tsy mihaino, tsy zaka anarina ; dia SAMBORINA izy, entina eo anatrehan’ny loholona ary dia HOTORAHAM-BATO ho faty! Deot 21:18-21.

Sao dia tsy tia zanaka kosa ary ny olona fahizany? Tsia tsy niova ny fitiavan’ny olona ny zanany, hatrizay ka hatramin’izao, fa ho anatra hoan’ny hafa dia ilaina ny nametraka izany fitsipika izany teo amin’ny fiaraha-monina.

Ny mahavariana anefa dia tsy misy mihintsy ao amin’ny soratra masina nitatitra fa nisy ray aman-dreny sahy nitondra ny zanany hotoraham-bato.

Ny raiamandrenin’I Samson ohatra dia tsy nitondra ny zanany teny amin’ny zokiolona hotorahambato izany ? (Ao amin’ny mpitsara 14 dia ahitantsika ny toetran’i Samsona izay tsy nakatoa ray aman-dreny fa nanao ditra nanambady vehivavy tsy tian’ny ray sy reniny)

Io fitsipika io dia natao ho arofanina hoan’ireo zanaka, fa manana zo hamono sy hanafay ny zanaka ny mpiaraha-monina raha manao ditra izy, tahaka ny fisian’ny fonja sy ny fitaizanana zaza maditra ankehitriny.

Eto aho vao mahatsapa hoe tena “fahotana maha voaheloka ho faty” mihintsy hay ny “ditra” na ny tsy fankatoavana ray aman-dreny ary mitovy lanja amin’ny fahotana mahafaty rehetra izy eo anatrehan’I Jehovah!

III. TSY MILEFITRA IHANY KOA NY TESTAMENTA VAOVAO !

Page 13: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 13 / 26

Sao dia alaim-panahy isika hoe « Mahery vaika loatra ny testamenta taloha fa hafa ihany ny testamenta vaovao » ! dia ahoana ny hevitr’i Jesosy momba izany ? Angamba tsy dia sarotiny toa izany izy !.

Vakio Matio 15:4. Mbola naverin’I Jesosy Kristy ihany ireo teny mahery vaika ao amin’ny Eks 20:12 sy Lév 20:9. Ary raha mamaky ny Matio 15:5-9. isika dia nanampy ambonin’izay efa voalaza I Jesosy Kristy ka nilaza fa isan’ny fanajana ray sy reny ny fanampiana ara-bola azy ireo.

1. Hatraiza moa no fetra amin’ny fanekena ny ray aman-dreny? Kol 3:20.

Tsy misy fetra, fa amin’ny ZAVATRA REHETRA, ary tena izany no ankasitrahan’ny Tompo. (Midika izany fa tokony hankatoa ny ray amandreny foana ny zanaka na dia tsy sitrany aza izany. (Na tsy d’accord aza isika)

2. Ka raha tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra kosa ve? Efes 6:1

Ao amin’ny Tompo! Hoy ny Soratra Masina, izany hoe tokony ho zavatra araka ny S.M ihany no ankatoavina, Mila manaraka ny sitrapon’Andriamanitra ihany koa izany ny Ray aman-dreny.

IV. RAHA RAY AMAN-DRENY AHO , DIA INONA NO ADIDIKO?

Hitantsika teo aloha fa ny zanaka dia tsy maintsy manoa ray aman-dreny, ary ny ray aman-dreny kosa manoa an’Andriamanitra (ao amin’ny Tompo).

1. Ampitao amin’ny zanaka ny fatahorana an’Andriamanitra Sal 78:5-7 sy Deo 6:5-9 : Ny anjara asan’ny ray aman-dreny dia ny mampianatra ny zanany hatahotra an’Andriamanitra, ary anjaran’ny zanaka indray no mampita izany amin’ny zanany any aoriana, Raha sanatria “tapaka” io fitohizana io dia ho potika ny taranaka any aoriana, izany no maha sarotiny an’Andriamanitra amintsika zanaka hoe “Ekeo izay lazain”ny ray aman-dreny”. Sady raha tsy mankatoa ray sy reny isika dia aza manatena fankatoavana rehefa lasa ray aman-dreny any aoriana any! (Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina)

2. Aza manao izay mampahasosotra ny zanaka! : Efes 6:4 - Kol 3:21. Adidin’ny ray aman-dreny kosa ny manao izay tsy hampasosotra ny zanany, amin’ny fomba ahoana anefa?

a. Lanjalanjao ny fitsipika ao an-trano : Aza mifanditra aminy amin’ny zavatra izay dia misy lanjany firy. Ataovy hentitra tsara sy marindrano ireo fitsipika hitanao hoe “zava-dehibe”, Tokony henoina tsara ny hevitry ny zanaka , sao dia marina ny heviny mikasika ireo fitsipika lazainy fa tsy rariny, na miangatra ; aza miezaka mampihatra iny fitsipika iny intsony,

b. Ataovy ampitiavana ny famaizana: tokony ho feno fitiavana sy fanompoana lalandava isika eo amin’ny fampiharana ny fitsipika. Aza

Page 14: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 14 / 26

manasazy na mikapoka anaty fahatezerana ohatra , fa aoka ho tony tsara sy feno fitiavana vao mikapoka sns, (Sao anaty fahatezerana no hikapohanao azy ka hamono olona na handratra zaza eo hianao ary dia azo torina eo anatrehan’ny lalàna sy ny fitsaràna.) Asio ambaratonga ihany koa ny famaizana fandrao mitovy ny famaizana ny “tsy misasa tanana” sy ny “mangala-bola”)

c. Raha sosotra ny zanaka dia inona no ho vokany? : Raha sosotra na tezitra ny zanaka dia tsy mety mandray fananarana intsony izy aty aoriana, eny na dia marina aza izay torohevitra omeo azy. Satria raha vao tezitra ny olona dia tsy afaka ny handanjalanja intsony izy. Izany no mahatonga ny Soratra Masina miteny hoe “aza mampahasosotra ny zanaka, fandrao mamoy fo izy,”ary tsy hisy ho raisiny intsony izay torohevitra omenao azy fa raisiny fa fahavalony ianao

V. REHEFA TSY MAHOMBY IZAHAY DIA INONA NO HATAONAY? Deot 21:18-21

Mangataha fanampiana: Rehefa tsy mahafehy zanaka ny ray aman-dreny hoy ny Deotornomia dia mila entina eo amin’ny loholona*(anciens) ilay zaza, ("Ireo loholona eo ambavahady no mpitsara ny raharaha rehetra teo amin’ny ZI” (Jereo Josoa 20:4).

Ny tena marina dia mba eo ampanaovana andrana (sy izay azo atao) momba ny zanany ihany koa ray amandreny, tsy voatery ho mety avokoa izay fomba fitaizana ataony, ka mila toromarika avy amin’ireo « tranainy » izy

a. Iza moa ireo loholona ireo? Ireo loholona ireo dia ireo olonkendry sy anti-panahy izay nahataiza ny zanany tsara, ka nanana zanaka nankatoa ny didin’Atra (hendry). Raha hitanao fa mitady ho sosotra aminao ny zanakao, midika izay fa tokony hanantona ray amandreny hendry (mahay) hafa ianareo, Aza manantona olona tsy manan-janaka na tsy mpanabe, na mbola tsy manana traik’efa @ zanaka mitovy taona amin’ny zanakao fa hivaona ny resaka.

b. Samy tompon’andraikitra ny lahy sy ny vavy (Ny lahy sy ny vavy dia samy mpanaramaso ny vadiny avy) tsy hoe ny iray mampihatra ny fitsipika fa ny iray mpanambitamby, na koa hoe ny iray no tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana , fa ny iray miandraikitra ny fitadiavana, tsy izany !, tokony hifanaraka tsara ny roa tonta amin’ny fanabeazana ny zanaka, na farafaharatsiny mikasika ireo « soatoavina » tiana hampitaina, amin’izay dia « tsy ho toraha-bato ho voaheloka ho faty » ilay zaza raha tsy efa samy niaiky ny ray sy reny fa tena tsy misy azo atao intsony amin’ny fitenenana ny zanany ; ary raha lany haiky toa izany koa ny mpanabe (na loholona).

VI. Ry namako!, te ho ela velona ve ianao ? Tianao ho ela velona sy hanana fiadanana ve ny zanakao? Zava-dehibe tokoa ny fankatoavana ray sy reny dieny izao ,

Page 15: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 15 / 26

Lesona 4 NY FANAMBADIANA ARAKA NY SORATRA MASINA 1 Pet 3, Mat 9

Fampidirana: Amin’izao fotoana izao dia adihevitra be ny momba ny fanambadiana, indrindra fa mahakasika ireo samy lahy sy samy vavy. Noho izany dia sahirana amin’ny famaritana ny atao hoe fanambadiana ny olona, inona marina moa izany hoe fanambadiana na mariazy izany? , efa hitantsika tany amin’ny lesona taloha fa lehilahy sy vehivavy no afaka mivady sy azo antsoina hoe mpivady! Ahoana ny hevitr’Atra momba ny fifandraisan’izy mivady? Misy azo ileferana ve? Misy lalàna omen’ Andriamanitra ve? Inona no avelany hatao, inona no tsy avelany?

Ity lesona ity dia zava-dehibe indrindra satria kihon-dalana lehibe iankinan’ny hoavin’tsika tanora ny fidirana amin’ny fanambadiana, raha vao eo no diso “safidy” dia sarotra ny manarina ny fiainana iray manotolo.

I. MATORIA FA AZA MANDANY ANDRO ! Gen 2:21-23

1. Ity tantara ity dia mirakitra ny fitadiavan’I Adama “namana hanampy” kanefa tsy nahita izy, rehefa nanaiky ny hatory anefa izy dia novahan’Andriamanitra ny olany, ary dia namoronany “mpanampy sahaza” tokoa izy, Mahagaga ny zavatra ataon’andriamanitra amintsika na dia mandritra ny fotoana hatoriantsika aza e? Raha mitady mpanampy sahaza ise, meteza ny hatory, fa hiasa Jehovah fa aza mandrera-tena manisa biby tahaka ny nataon’I Adama.

II. Mitovy zo sa samy hafa ny lahy sy ny vavy ?

1. Raha mamaky ny and 21 -23 dia zavatra roa no azontsika lazaina

1. Mitovy i Adama sy Eva satria avy amin’ny adama ihany no nakana an’i eva.

2. Tsy mitovy izy satria i Adama no tena izy ( original) i Eva kosa dia dika mitovy (copie) amin’ny Adama.

2. Vakio Gen 2:24. Amin’ny lafiny ahoana moa no lasa « iray ihany izy roa »? Raha amin’ny ara-nofo dia midika “fananahana” izany, « toy ny milaza mazava hoe …hikambana amin’ny vadiny ka hanan-janaka izy mivady… » tonga nofo iray ao amin’ny zanany izy ! Amin’ny ara-panahy kosa anefa koa dia milaza izany fa “tena iray sy saina iray” izy mivady!

Mitovy ary sa tsy mitovy ny lahy sy ny vavy? (Tsy misy fanoharana azo atao, tsy misy ambony sy ambany raha ohatra ka tokana ( iray ihany ) izy mivady, foana sy tsy mitombona ho azy izany adihevitra izany)

III. Ireo dingana arahina amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy:

Voa-janahary araka izany ny fanambadian’ny olombelona, ary ny olom-belona ihany no manambady (tombony manokana hoan’ny olombelona izany satria na ny anjely aza tsy afaka mifanambady), kanefa dia tokony hanarana ny “paika”

Page 16: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 16 / 26

na ny “procedure” napetrak’Andriamanitra isika olombelona dia ireto avy izany:

Gen 2:22 - 24

1) Naterin’Andriamanitra Ray teo anoloan-dralehilahy ravehivavy

Midika izany fa mila ny fankatoavan’ny raiamandreny ny fifankatiavana na fanambadiana, indrindra moa fa avy aminny rain-drazazavavy, tsy maintsy mahazo alalana sy tso-drano avy amin’izireo ny mpivady, fa raha tsy izany dia hisedra fahoriana sy tebiteby mandrakariva hianareo roa. Izany no mahatonga ny zazavavy izay tantanan-drainy (aterin-drainy) ho eo amin-dralehilahy rehefa tonga ny fampakaram-bady na fanamasinana mariazy.

2) Ny lehilahy dia mandao ny ray sy ny reniny:

Mila lehilahy afaka mahaleo tena izany; afaka miahy ny tenany ary mamelona ny ankohonany ihany koa, Tsy ho vesatry ny ray sy reny intsony. Torak’izany koa ny vehivavy mazava ho azy , ary dia mitokana tokoa rehefa avy eo.

3) Ka hikambana amin’ny vadiny

Rehefa mivady izany ny olona roa dia mikambana tokoa (na toerana, na fananana, na fiainana), izy mivady no mikambana fa tsy misy idiran’olon-kafa na ray aman-dreny akory. Milaza ny amin’ny firaisana aran’ofo ihany koa izany (tsy misy idiran’ny ray aman-dreny na olon-kafa mihintsy).

4) Ho nofo iray ihany izy roroa:

Afaka manan’anaka izireo, izay sady zanaky ny lahy no zanaky ny vavy ihany koa

Tsy mety izany raha:

o Raha mandeha mikambana “miray” amin’ny lahy na vavy ka mody soa aman-tsara any an-trano rehefa avy eo.

o Raha olona tsy mahaleo tena akory no mivady ka mampitombo ny fahasahiranan’I Dada sy Neny indray. Na koa mamela an’Ireo ray aman-dreny hitoetra maharitra eo anivon’ny tokatrano.

o Raha manan’anaka ivelan’ny toka-trano ny lahy na ny vavy.

II. LEHILAHY TIA SY VEHIVAVY MANAIKY: I-Pet 3:1 Efes 5:22- 33

Misy fitsipika arahiny ny fanambadiana raha tiana aharitra sy hiorina tsara:

1. Hoan’ny vehivavy : Maneke ny vadinareo ! I-Pet 3:1

Page 17: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 17 / 26

Misy antony matoa asaina manaiky ny vehivavy, satria manana toetra tsy manaiky ny vehivavy, tahaka ny olombelona izay natao hoe “aza mandainga” satria manana toetra mandainga ny olombelona.

Ilaina io toetra manaiky io, raha tiana aharitra ny fanambadiana, ary manaiky amin’ny zavatra rehetra (hafa tsy ny amin’ny zavatra mampanota), raha ilainy mifoha amin’ny telo maraina ise dia mifohaza, raha ilainy manao izao sy izao dia ataovy…) fa tsy ahafaty an’ise akory izany.

Matetika tokoa no zary mamingavinga ny vadiny ny vehivavy rehefa ela mifankazatra aminy, kanefa tsy zakan’ny lehilahy mihintsy ny “valiana na toherina sy tsarain’ny vehivavy vadiny” indrindra fa eo imason’olona. Ny nanaovan’I Saraha “tompoko” an’I Abrahama dia maneho fa tena nanaja sy nanaiky azy izy, tokony hanahaka izany toetran’I Saraha izany avokoa ny vehivavy taranany rehetra (satria taranak’I Abrahama isika)

Matetika ny vehivavy “tsy manaiky vady” no “mahay vava” ka mora “voakasi-tanana” satria ny ankamaroan’ny lehilahy dia tsy havanana amin’ny fafamaliana am-bava. Ny vehivavy tsy mba manohitra vady kosa dia maha te ho tia tokoa… Na dia misy aza ny lehilahy no tsy mahatakatra an’izany.

Anjaran’ny lehilahy no manapakevitra ao antrano, ary adidin’ny vehivavy kosa ny manoro hevitra, ary tsy azo afamadika izany, satria “Ny lehilahy no tompon’andraikitra voalohany eo anatrehan’I Jehovah raha misy olana eo anivon’ny tokatranony” tadidio I Adama sy Eva tao Edena. “Adama ô! Aiza ianao? Fa tsy hoe “Eva ô aiza ianao?”

Tsy tokony ho “fiteny entina miady” amin’ny lehilahy izany ny hoe “tsy nifanarahana izany! Anotanio aloha ny hevitro! Sns sns!” Azon’ise atao kosa anefa ny manome sosokevitra amin’ny ralehilahy.

2. Hoan’ny lehilahy: Manajà ny vavy; miaraha mitoetra aminy I-Pet 3:7

Manajà ny Vavy: Tsy hoe rehefa ny lehilahy akory no loha (chef) dia manome azy fahefàna hamingavinga ny vehivavy izany. Na hanitsakitsaka azy. Adidin’ny lehilahy ihany koa ny mitia azy, manampy azy amin’ny fikarakarana rehetra fa tsy mitondra azy toy ny “mpiasa mikarama” izany hoe manome voninahitra azy sy manao izay mahafaly azy (fa adidin’ny tia ny manao izay ahafaly izay tiana) , Ny raharaha ao antrano dia tsy misy idiran’ny “mahalehilahy na maha vehivavy” (hafa-tsy ny mampinono zaza angaha), noho izany dia mila manampy ny vavy mihintsy ny lehilahy fa (tsy misy raharaham-bavy na raharahan-dehilahy), miaro azy, mitia azy tahaka ny mikarakara ny tena.

Miara-mitoetra aminy: izany hoe tsy mamela azy ho irery na madositra adidy (fomban’ny lehilahy maro io), Miahy azy sy manotrona azy,Miara-mitoetra amin’ny vavy “araka ny marina” fa tsy manao fetsifetsy na mampirafy.

Page 18: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 18 / 26

3. Inona no vokatry ny tsy fanarahana io fitsipika io ?

Ny I-Pet 3:7b dia milaza fa mahatonga ny fivavaky ny mpivady ho voasakana ny tsy fanarahana io fitsipika io , Noho izany dia mahasaropiaro an’Atra ny tokony hanarahantsika lehilahy ireo toromarika ireo, tsy inona izany fa ny fikarakarana sy fanajana ny vehivavy vadintsika

4. Raha izaho manaiky, izy tsy tia ….na koa izaho tia , izy tsy manaiky…?

Samy manao ny adidiny eo anatrehan’Andriamanitra ny lahy na ny vavy, ary tsy mifampiankina izy roa ireo, hoe mila manaiky aloha vao tiana, na mila mitia aloha vao ekena. Raha tojo fijaliana ianao satria tsy manaiky anao ny vadinao, na tonjo fijaliana ianao fa tsy tia anao ny vadinao dia aza hadino ilay tenin’I petera manaraka io hoe fa “raha tahiany mitondra fahoriana nohon’ny fahamarinana (ity fitsipika ity) hianareo dia sambatra ary aza matahotra tahaka azy”. I pet 3:14

III. NY FAMPIRAFESANA

1. Dia mahavariana r’ise fa na dia lehilahy iray hoan’ny vehivavy iray aza no nataon’Andriamanitra dia mbola mahita hevitra hafa ihany isika lehilahy ka mampirafy, kanefa matoa ny lehilahy mamporafy dia misy vehivavy ao ambadika ao...

2. Saraha sy ilay rafivaviny Gen 16:1-5 : Io ataon’i Saraha io ve ilay toetra nojerentsika teo aloha?, mikarakara ny vadiny , manaja azy?, TSIA ! Olon-kafa no nasainy nanampy azy hanao izany!

3. Tsy zava-baovao ity mitranga eto na dia mahavariana aza, satria raha avy nihinana ny voankazo voarara I Eva dia nomeny koa I Adama, “…ary dia nihinana tokoa ilay vendrana…” hoy ny mpanao hatsikana! Dia toa izany koa ny nanjo an’I Abrahama fa dia “nihinana” koa izy rehefa notoloran’I Saraha!

4. Nanao ahoana no niafaran’ny fampidirana olon-kafa tamin’ny raharaha toka-tranon’izy mivady? (Fifandirana tsy mety tapitra mandrakandroany eo amin’ny taranaka anakiroa no vokany)

5. Jakoba sy ireo vadiny roa Gen 29; Gen 30:1: Taranaka roa taty aoriana, I Jakoba dia voafitaky ny rafozany ary dia nanambady tsy fidiny an’i Léa, ilay « vehivavy tsy izy ». Tsy maintsy nanambady fanindroany izy mba azahoany an’i Rachel na Rahely , ilay “tena tiany”, mazava hoazy fa niteraka olana hoan’i Léa izany.

6. Inona no niafaran’ity toe-draharaha ity hoan’I Rahely? Gen 30:1-2. FIFANDIRANA! miteraka fialonana mandalo fifaninanana ary miafara amin’ny fikorontanana ny fidiran’ny olona fahatelo ao amin’ny raharaha-tokatrano

7. Mba niezaka ihany I Elkana! 1 Sam 1:4-7 : I Elkana dia lehilahy anakiray izay nanana vady roa ihany koa : Anne sy Peninna. Niezaka nanarina ny tsy fananan’i Anna zanaka izy ka niangatra taminy, toa rariny izany! Saingy

Page 19: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 19 / 26

fifandirana sy sorisory no niafarany, tsy nahomby ny ezaka nataon’I Elkana hampirindra ny fampirafesany.

8. Sady mandany fotoana no mandany harena ny fampirafesana, ary manorisory ihany koa ny mitsara ny adin’ny mpirafy…

IV. VADY TOKANA IHANY ARY MPIVADY TSY MISARAKA ! 1 Tim 3:12

1. Fa nahoana ny diakona no ambara fa tokony ho tokam-bady? (Raha vao manam-bady mihoatra ny tokana ianao dia hisedra ny olana ateraky ny fifandrafesana, ho ataonao alasafay hatramin’ny asa maha diakona anao

2. Ahoana kosa no fijerin’Andriamanitra momba ny fisarahana? Mal 2:13-14. “Halako” hoy Izy!

3. Manimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny fisaraham-panabadiana “Saromanareo ranomaso sy fisentoana ny alitarako And 13 ”

Aorian’ny fisarahana tokoa dia tsy maintsy misy hatrany ny malahelo sy ny mitomany, vokatry ny fandaozana azy, ary ireny “nilaozana” ireny dia any amin’I Jehovah ihany koa izy no mitaraina! Manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fisarahana satria ny ranomason’ireo “nisaorana” dia miampanga ireo nisaotra, ary manakona ny vavaky ny “nahafoy vady”

4. Na hoan’ireo tanora mpifankatia fotsiny aza ve? “Aza mamitaka ny vadin’ny hatanoranao” Mal 2:15-16.

Tsaroaka eto ny teny nataon’I Rny Pierrot Raveloson nandritra ny fanamasinana ny mariazinay sy Dina izay hoe “Efa masina hatrany amboalohany ny fifankatiavana”. Misy tokoa ireo mifankatia sy mifanaiky hatramin’izy mbola zatovo na tanora, Raha jerena ny and 13-14, ireny fifanekena fony tanora ireny dia raisin’ Andriamanitra ho tena “Fifanekena” eo anatrehany tokoa. Ary dia vavolombelona ny amin’ny fifankatiavan’ny tanora Jehovah, toa mitovy lanja sy vokany ihany izany raha vao hoe fisarahana fotsiny.

NY FISARAHAM-PANAMBADIANA SY NY FIRAISANA MAMOAFADY

1. Vakio Mat 19:7-8. Nahoana i Mosesy no Namela ny fisaraha-panambadiana (Deot 24:1-4) ? Satria mafy fo mitady izay hisarahana hatrany ny olona. Izany hoe mety milefitra ihany ve Atra mikasika ny fisaraha-bady?

Inona no resahin’i JK raha vao niresaka momba ny fanambadiana Izy? Mat 19:3-5-9 (ny famoronana no noresahany)

2. Moa ve namoramorain’i JK ny fisaraham-panambadiana? Tsia! (Ny hany tokana nandeferan’ Atra mikasika ny fisaraham-panambadiana dia ny fijangajangana ihany.Tsy ao anatiny izany ny fahantrana, ny ady, ny

Page 20: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 20 / 26

fanambaniana, ny hakiviana, ny tsy fitoviana toetra , ny tsy fitoviam-piaviana sy fomba fivavahana na fahalalàna)

3. Namaly anefa ny mpianatra hoe “sarotra izany” Mat 19:10. Efa adihevitra be nampisaraka ny “karazam-piangonana” tamin’izany andro izany mantsy ny fisaraham-panambadiana (Milaza ny mpianatra fa tena sarotra be ihany izany manambady izany.)

a) Misy milaza fa aleo miarakaraka sy manao firaisana eny fotsiny toa izay mivady (satria toa olana be sy be lalàna be ilay hoe mivady)

b) Maro no milaza fa tsy fijangajangana ny firaisana alohan’ny fanambadiana, na koa ny firaisana amin’ny olona hafa izay « tsy mbola vady », Diso anefa izany fihevitra izany, satria raha manao toa an’i JK isika izay miverina any @ famoronana dia milaza fa vehivavy iray sy lehilahy iray no lasa nofo iray, Ny fanambadiana dia Lehilahy IRAY sy Vehivavy IRAY lasa nofo iray, mahakasika ny fananahana na ny firaisana ara-nofo koa izany! raha efa nofo iray tamin’ny olon-kafa ianao dia tsy mahatoky (fidèle) amin’ilay na izay ho vadinao sahady)

4. Misy vahaolana hafa ve? Mat 19:11-12. Ny safidy hafa nomen’I JK ankoatr’ilay hoe « lehilahy iray hoan’ny vehivavy iray mandrapahafaty » dia tsy misy hafa tsy ny hoe « ALEO TSY MANAMBADY ». JK dia nilaza mihintsy fa misy ireo teraka tsy hanambady (ionoka) , misy koa no voafitaky ny olona ka zary tsy nahita vady, misy koa ireo izay mba ahafahany manompo ny Tompo dia tsy manambady, Tsy voatery hanambady na ahazo vady avokoa izany ny olona rehetra indrindra fa ny vehivavy.

« Aleo anefa manambady toa izay maimay” hoy I Paoly I-Kor 7:9 , io teny io dia nosoratany indrindra hoan’ny “mpitovo” izay tsy manambady “ara-dalana’ kanefa maimay amin’ny firaisana ara-nofo, aleo manambady hoy izy , satria nahoana? : “fijangajangana ny firaisana ivelan’ny fanambadiana”

V. NY FIRAISAN’NY SAMY LAHY NA NY SAMY VAVY

1. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany Lev18:22 sy 20:13. 2. Tsy amin’izany mihintsy no namoronana antsika Rom 1:25-27.

Mbola hitantsika indray fa miverina any amin’ny famoronana sy ny fifandraisana voajanahary izy. Izay lojika izay ihany no nampiasain’i JK. Raha te ahafantatra ny hevitr’Atra mikasika ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy ianao dia ivereno dinihina ny famoronana sy ny fomba namoronan’Atra izao tontolo izao.)

3. Voajanahary ve ny homosexualité? Rom 1:24 et 27:

Ady hevitra be tokoa ny hoe misy olona izay manana filàna voajanahary amin’ny samy lahy na samy vavy hatramin’ny fahazazàny. Mety ho marina sy azo alahatra tokoa izany hevitra izany. Ho antsika izay tsy « homosexuels » ohatra, tsy misy

Page 21: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 21 / 26

filana voajanahary hafa amin’ny fahotana hafa ve isika? (Mpanota isika, noho izany dia matetika manana filàna « voajanahary » te hangalatra, te hijangajanga, te hamaly ratsy ny namana, sns sns. Nefa ny safidy omen’Atra antsika dia ny mieritreritra raha hanaram-po amin’ny filàntsika isika na hifidy kosa ny toromarika hoamin’ny fiainana mandrakizay!, ka raha misy mahatsapa izany filan-dratsy izany dia mila manapa-kevitra tsy hanaram-po amin’izany izy dieny izao.

4. Ary ny firaisana amin’ny biby?

Tsy azo hodiantsi-hita fa misy ny olona izay miray amin’ny biby, kanefa fomba efa tsy nidiran’I Adama izany fony izy tao Edena, fa ny olombelona ihany no sahaza ny olombelona, koa fady ny miray amin’ny biby ary fahavetavetana tokoa izany. Torak’izany koa ny maha fady ny firaisana amin’ny havana akaiky (vakio ny deot)

5. Ry tanora malala, maniry ny hanaraka ny lalan’ny Mpahary ve ianao « lehilahy iray mivady amin’ny vehivavy iray hatramin’ny fahafatesana » Mangataha aminy ary mba hanampy anao sy hanambina anao amin’izany Izy, satria ara-tsoratra Masina tokoa izany fikasanao izany ! , Raha mieritreritra ny hiteraka ise, Araho ny lesontsika manaraka “Ny adidy sy tombotsoan’ny manan-janaka”

Page 22: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 22 / 26

Lesona 5: Ny Ny Ny Ny ADIDY SY TOMBOTSOAN NY MANANADIDY SY TOMBOTSOAN NY MANANADIDY SY TOMBOTSOAN NY MANANADIDY SY TOMBOTSOAN NY MANAN----JANAKAJANAKAJANAKAJANAKA (Salamo 127, Ohab 19, Lio 15)(Salamo 127, Ohab 19, Lio 15)(Salamo 127, Ohab 19, Lio 15)(Salamo 127, Ohab 19, Lio 15)

Fampidirana: Teo aloha dia nianatra momba ny andraikitry ny zanaka izay tokony hanaja ny ray sy reny isika, nahita ihany koa anefa ny tokony hataon’ny RAD amin’ny famporisihina ny zanany hanaja azy, Maro amin’ny ray aman-dreny anefa no toa tsy niomana mihintsy amin’izany hoe hanan-janaka izany, manampitrotraka izany koa moa ny fisian’ny lazaina fa “vohoka tsy niriana”, ka andeha isika hiomana dieny izao. Ny tanjona eto dia ny ho ray aman-dreny mahomby.

I. LOVA AVY AMIN’NY JEHOVAH NY ZANAKA MARO?

1. Vakio ohab 127:3. Mbola marina ve izany hoe lova avy amin’ny Jehovah ny zanaka maro? Eny! Mbola marina foana izany hoan’izay tsara fifandraisana amin’I Jehovah, sa ahoana hoy ianao?

a. Tsy mora na tsotra anefa ny fanabeazana ny zanaka, tsy misy raiki-pohy izany, Tsy voatery ho tonga amin’ny nokasaintsika ny zanatsika , satria manana ny safidiny izy !, Diniho anie I Adama sy Eva tao Edena e ! ny adidin’ny RAM dia ny manao izay farany tsara azo atao amin’ny fanabeazana ny zanaka.

b. Maro kosa anefa ny ohatra hitantsika eo amin’ny fiaraha-monina fa misy ireo zanaka izay tena lova tsara sy harena hoan’ny RAM tokoa! Torak’ izany koa anefa dia misy koa ireo «valin’ny haratsiana taloha» hoan’ireo izay tsy nanaja ray amandreny na nampijaly azy ireny, ka dia iverenan’ny nataony ankehitriny! (Izay tokoa ilay hoe « Tamby » ny anteraky ny kibo) na tamby tsara io na tamby ratsy!

2. Valin-kasasarana na “tamby” ireo ateraky ny kibo Sal 127:4-5.

Fahiny dia tena marina ara-bakiteny izany (satria niana tao anaty tany miady foana ny ZI ka afaka miady miaro ny rainy ireo zanany), ankehitriny kosa dia manana « mpiaro » sy « mpanampy » ireo ray amandreny manana « zanaky ny fahatanorana ».

Dia tsy maintsy hoe “zanaky ny hatanorana” ihany ve izay vao marina io teny io ! , Raha miandry ela kosa aloha ianao, dia mety tsy afaka higoka ireo tombotsoa voalazan’ny and 3 sy and 4, ho lany andro mitaiza zaza enao rehefa Tonga ny fahanteranao, ny raiamandreny hafa anefa efa mahazo “tambitamby sy fanampiana ary fanajana” avy amin’ireo zanany efa lehibe sy tafita.

II. NY FAMAIZANA ZANAKA

1. Faizo ny zanakao! ohab 19:18

Page 23: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 23 / 26

Ahoana sy hatraiza moa ny lanjan’ny famaizana eo amin’ny fanabeazana ny zanaka? (Resaka miankina aman’aina izany!, Tokony hanafay sy hanabe ny zanany ny RAM satria iankinan’ny fiainany izany)

2. Aleo mikapoka!

Misy tokoa ireo ray amandreny izay tsy mahafoy manafay na mikapoka ny zanany, Misy koa boky izay milaza fa tsy fanao fitsipika mahazatra akory ny fikapohana fa mila « tranga » manokana matoa miasa ny kapoka, ekeko fa marina izany. Any amin’ny firenena maro kosa anefa dia tsy azo atao mihintsy ny mikasi-batana ny zaza, na any an-trano na any an-tsekoly (Tsy miombo-kevitra ny amin’izany ny Baiboly, mivoy fanoherana izany foto-kevitra izany na mody lazaina fa “zon’olombelona” aza).

a. Rehefa inona ary no mila kapohina ny zanaka? b. Tsy aleo kokoa aza ve mikapoka ny zaza toa izay torahim-bato ho

faty araka ilay voalaza ao amin’ny Deot 21:18-21 ilay hoe hotoraham-bato ho faty izay maditra? , mazava ho azy fa « Aleo mikapoka! »

3. Tsy voatery hokapohina daholo anefa izay maditra! Ohab19:25.

Mbola hiteraka izy e!

Matetika, ireo manome tsiny fa tokony ho fehezina mafy ny zanaka (zaza sy tanora) na koa ireo izay miteny fa tokony hamafisina ny “fitsipika famaizana ny zanaka” dia ireo izay tsy mbola manana zanaka akory; na koa manana ihany fa tokana, satria tsy maintsy mikapoka iny zanany tokana iny izy!, Mbola hiteraka izy e! Dia ho hitan’izany fitiavan-janaka sy famindram-po izany.

Ahoana ny fahitantsika ny tena hevitr’Atra mikasika ny famaizana ara-batana eto?

Ity andinin-tsoratra Masina ity dia milaza mazava fa samy manana ny mahasamy hafa azy ny zanaka tsirairay, misy zanaka izay tsy mila kapohina akory, fa mila mahita ny hafa faizina fotsiny dia efa hendry sahady! Ny sasany kosa dia fampitandremana no atao aminy, dia ho hainy avy hatrany ireo fahendrena tokony ho fantany!

Eto no tena azo tsapain-tanana ny fomba fampiharana ilay ao amin’ny Deot 21 ; ny fahafantarana fa misy famaizana atao sy miandry ireo mpandika lalàna dia hery lehibe ahafahana mandresy lahatra sy manabe (force de dissuasion) ireo izay mikasa hanao hadisoana !

4. Aleo mamporisika amin’ny tsara toa izay manafay!

Matetika koa ny fahaizana mamporisika ny fitondran-tena tsara, dia efa ampy ka tsy ilaina akory ny mampiasa ny kapoka maharary ! , Izay famporisihina ny

Page 24: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 24 / 26

tsara izay no fomba tsara indrindra noho ny kapoka ! (Mikaroha fomba famporisihina ary ! ianaro ary andramo amin’ny zanakao!)

5. Aza arovana foana ny zanaka! Avelao izy mba ho fay! Ohab 19:19

Misy ray amandreny izay miaro lava ny zanany isaky ny misy fahadisoana vitan’izireny, Tokony ho fantantsika hoe rahoviana no vonjena ny zaza manao hadisoana, ary rahoviana izy no havela hizaka sy hiaritra irery ny vokatry ny nataony, Satria mantsy manao fahadisoana be vava ireo ray amandreny izay miaro ny zanany hatrany manoloana ireo fifehezana ataon’ny mpanabe!

Inona anefa no voka-dratsin’ny fiarovana lalandava ny zanaka na dia tokony handray ny valin’ny nataony aza izy ? Ho lasa enta-mavesatra hoa an’ny ray amandreny izy, ary dia lasa antoka iray mamporisika azy hanao fahadalàna ny ray amandreniny, ary mandritra ny fahaveloman’ny ray amandreny dia tsy hanana fiadanana mihintsy izy ireo (ny ray amandreny) ,rehefa tonga kosa anefa ny fotoana izay tsy maha eo ny ray amandreny , dia famaizana sy olana hihatra aman’aina no hanjo ilay zanany !

Adihevitra kely: Azonao kapohina ve ny zanak’ireo vahiny miditra ny tranonao?

III. AVELAO HANANA TRAIK’ EFA NY ZAZA (Ilay zanaka adala!)

1. Ilay zanaka adala Lio 15:11-12.

Tantara malaza ao amin’ny soratra masina ity resahintsika ity, ka andeha isika hiady hevitra kely:

o Ahoana ny fahitantsika ny toetran’ilay faralahy? o Mety ve ny nataon’ilay ray ka nanome ny anjara lova hoan’ilay zanany? o Azon’ilay ray antsaina ve izay mety hanaovan’ilay zanany izany fananana

izany raha nanome malalaka izany izy? (Mazava ho azy fa efa fantany mialoha)

o Raha efa fantany mialoha ary izay ho vokany, maninona no navelany handeha ilay zandriny hanao izay tiany hatao? Lio 15:13-16.

o Nahoana no tsy nandrasany ho matotra tsara ilay zanany vao nomeny ny anjarany?

o Tena mahafehy zanaka ve ity raim-pianakaviana ity?

Samy manana ny mety ho hevitsika isika, ary raha ireo tia manome tsiny ny ray aman-dreny hafa aza dia mety hilaza mihintsy fa hoe “ratsy taiza” ity tanora ity!,

Mahagaga tokoa fa maro ny olona no “manome tsiny” ny raiamandreny sasany ho tsy mahay mitaiza, (mbola kely mantsy ny azy na vitsy !) , kanefa rehefa tonga taona ny zanany vao miantso vonjy ihany koa izy … Aleo mangina fa mbola ho lehibe tokoa mantsy ny zanatsika !

Page 25: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 25 / 26

Eto amin’ity tantara ity dia Mety hisy adihevitra sy fifanazavan’izy mianaka tao, saingy tsy nahaleo ilay zanaka ilay ray, hany heriny naneho ny fitiavany azy amin’ny “fanajany ny safidiny”)

2. Nahoana no niverina aminahim-pony ilay zanaka? Lio 15:17-21

Ny fiainana hitany tany ampandehanana no nifehy sy nananatra azy, kanefa kosa tsy azo atao ambaninjavatra ny fahatsiarovany ireo “zavatra tsara » niainany tany amin’ny akanin’ny rainy.

3. Ataovy tsara sy maha te -hody ny “ambiance” ao an-trano!

Zava-dehibe mampiverina ny fahendrena sy ny fankatoavan’ny zanaka ny ray amandreny ny fahatsaran’ny “ambiance” tao antrano , ka tsy azo atao atsirambina izany, Ireny “fahatsiarovana” mahafinaritra ireny matetika no mampiverina ny zanaka mania ho ao antrano indray ! Anjarantsika no manao izany “ambiance izany ho mahate honina mandrakariva, ka dia ho fifaliana hoan’ny zanatsika izany hoe hody ao antrano izany, isaky ny mivoaka ny trano izy! (Asio hirahira, lalao, vazivazy, adihevitra sns). Noho izany dia tsy mahasoa ny zaza ny fifehezana mafy azy tsy hivoaka ny trano fotsiny amin’ny alalan’ny fandrahonana sy fampitahorana.

4. Nahafaly ny fiafaran’iny tantara iny, saingy tsy dia tsara loatra , simba tsinona ny hoavin’ilay faralahy satria efa lany avokoa ny lovany !

Mety nanao toa iny raim-pianakaviana iny ve ianao raha teo amin’ny toerany? Ity raimpianakaviana ity dia namela ny fiaraha-monina hifehy sy hampianatra ny zanany, raha tokony ho izy no niandraikitra izany!, Raha sanatria ka maty tany moa ny zanany ? raha amin’izao vaninandro iainantsika izao no nitranga ny tantara dia mety nisedra zavatra maro ny tanora, toa ny fifohana zava-mahadomelina, ny halatra sy ny vono olona, ny ny vohoka alohan’ny mariazy, fazahoana ny aretina vokatryny firaisana , na koa sida mihintsy aza,

a. Lio 15:31-32 Nolanjalanjain’ity ray ity tsara ve anefa fa mety ahafaty ny zanany ny fanomezany azy ny lovany alohan’ny fotoana?.

Jehovah dia te haneho amintsika fa rehefa tsy azo anarina sy atoro intsony isika dia manaja ny safidintsika izy, ary dia ilaina tokoa ny “mamela ny zaza hisidina irery” rehefa tapitra natao taminy avokoa ny fomba fitaizana rehetra.

5. Araho maso izy ! (Raha mbola lavitra dia tazan-drainy ny zaza)

Na dia mandositra ny tokatranonao aza ny zanakao, na tsy mety mody aza izy (manao fugue), dia Adidin’ny ray aman-dreny ny manara-maso lavidavitra sy tsy manadino ambavaka ny zaza .., dia adidinao hatrany izy satria zanakao! (fa ny zanako sy ny asan’ny tanako dia adidiko ihany e!)

Page 26: SAMPANA TANORA KRISTIANA REZIONALY ...tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fivavahana...ahafantarana ny tena sakaiza », inona marina moa no atao hoe sakaiza? ahoana no fomba

FAM / Sekoly Sabata Tanora / Ny fifandraisana aman’olona araka ny fomba kristiana

Zoky Andry SST – Fanantenana 2010 Pejy 26 / 26

Farany: Dieny izao dia omano ny sainao amin’izay ho zanakao, ny ho isany, ny anarany, ny tianao ho fivoarany na fivelomany, ny toetrany rahatrizay, Resao amin’ny olon-tianao izany rehefa tafaraka ianareo, ento ambavaka fa hain’Andriamanitra izany.

Tapitra eto ny lohahevitra iarahana amin’ny zatovo rehetra, ny tohin’ny lesona kosa dia natokana hoan’ny tanora zokiny manokana, misaotra an’ise.

Aza hadino ny mitsidika ny blog ny tanora Apokalypsy:

http://tanora.tsenagasy.com