fotopototry ny fivoriana - assemblee-nationale.mg · fotopototry ny fivoriana natao ny ... koa...

39

Upload: buitu

Post on 21-Jun-2018

219 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny
Page 2: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA

Natao ny

Alarobia 29 Jona 2016

Tolak’andro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................ 01 - Fiantsoana anarana ............................................................................................................... 01 - Famakiana ny tatitra ............................................................................................................. 02 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra .................................................................................. 06 - Fanazavana ny antonanton’ny volavolan-dalàna ................................................................. 08 - Adihevitra ankapobeny ......................................................................................................... 10 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 ........................................................................ 29 - Fiatoan’ny fivoriana ............................................................................................................... 35

Page 3: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

1

FIVORIAMBE FILOHA : Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard MPITANTSORATRA : Andriamatoa isany:

- RAZAFINDRAVELO Hermann - RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina

FOTOANA : Alarobia 29 Jona 2016 tamin’ny 3 ora sy 40 minitra, tolak’andro. FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 tamin’ny 2 Jona 2016 « portant statut de la Banque Centrale de Madagascar ».

- 1 - - Fitohizan’ny fivoriana -

Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, mitohy ny fivoriantsika. Miarahaba antsika tonga manatrika izao fivoriana izao. Arahabaina torak’izany koa ianareo solotenan’ny Governemanta. Arahabaina koa ianao Andriamatoa Governora sy ireo teknisiana avy amin’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ary ireo mpiara-miasa aminao ao amin’ny Banky Foibe. Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha, iangaviana ianao Andriamatoa Filoha Lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toamasina mba hanao ny fiantsoana anarana.

- 2 - - Fiantsoana anarana -

Andriamatoa RAZAFINDRAVELO Hermann Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Mamerina ny fiarahabana antsika Solombavambahoaka, Ianareo avy ao amin’ny Banky Foibe sy ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, manatrika eto. Aleo samy manonona ny tenany isika Solombavambahoaka amin’izay malaky ny zavatra atao. ABDILAH ……………………… ……………………………………………… ………………………………………………………… TSIVOULANGNE Maximin

Page 4: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

2

Izay no fiantsoana anarana, Andriamatoa Filoha. Mino aho fa mbola ho avy eo ihany ny Solombavambahoaka sasany. Andriamatoa FILOHA Isaorantsika ny Mpitantsoratra nanatontosa izay fiantsoana anarana izay. Tompokolahy sy Tompokovavy, ny fandaharam-potoanantsika izao tolak’andron’ny Alarobia 29 Jona 2016 izao dia fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 tamin’ny 2 Jona 2016 “portant statut de la Banque Centrale de Madagascar”. Koa hiroso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoratra avy amin’ny Vaomieran’ny Vola sy ny Tetibola; vonona ve ianareo. Iangaviana handray ny toerana ianareo, Tompoko. Omena anao am-panajana, Andriamatoa Mpampakateny, ny fitenenana.

- 3 - - Famakiana ny tatitra -

Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka P. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Miarahaba antsika rehetra ihany koa. Toy izao no vakin’ny tatitra, Andriamatoa Filoha sy isika Solombavambahoaka. Nivory ny Alarobia faha-22 Jona 2016 tamin’ny 2 ora, tolak’andro, ny vaomiera mitambatra nahitana ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola sy ny Vaomieran’ny Lalàna nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 tamin’ny 2 Jona 2016 « portant statut de la Banque Centrale de Madagascar ». Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ireo Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana, Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1- RAZAFIMILY Constance 2- RAZAFIMANANTSOA Hanitra 3- MAHAZOASY Freddie 4- RANDRIANARISOA Guy Rivo 5- RAVELONANOSY Mamy Tiana 6- RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka 7- RANDRIANASOLO Jean Nicolas 8- RAHOLDINA Naivo 9- ZAFIMAHATRATRA Abel 10- RAHERISOA Vololona Victorine

Page 5: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

3

11- RANDRIAMBOLAINA Gerry Ireo tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana, Andriamatoa isany: 1. ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain 2. BEHAVANA RAVELOARIVONJY 3. RAKOTOSON Manoelina Hery Ireto avy ny teknisiana nisolotena ny Governemanta: 1. RASOLOFONDRAIBE Alain Hervé Gouverneur BCM 2. RANDRIANASOLO Alexandre SG/MFB 3. RABEANTOANDRO Joé A. BCM/CPM 4. RABEARIVONY Niaina BCM/CCE 5. RALAROSY Hary BCM/RCG 6. RANOASY Norohanta J. DAJ/Banque Centrale 7. ANDRIAMBELO Do MFB/SG 8. RANDRIANARISON Pierrot SRI/Primature Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana mba hanazavany fohifohy ny antonanton’ny volavolan-dalàna. Nambaran’ny teknisiana fa ny volavolan-dalàna mikasika ireo rafitra anatin’ny Banky Foibe dia mila fanavaozana mba hifanaraka amin’ny toetr’andro. Ny lalàna faha-94-004 tamin’ny 10 Jona 1994 no mifehy ny Banky Foiben’i Madagasikara dia mila fanavaozana mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy ny fanaon’ireo Banky Foibe hafa. Misy amin’ny zavatra sahanin’ny Banky Foiben’i Madagasikara no efa tsy ao anatin’ny asa sahaniny intsony. Amin’ny ankapobeny, ny fanovàna izay kasaina hatao dia mifototra amin’ny lafiny fiarovana ny sandam-bola malagasy eto an-toerana sy any ivelany ary ny fahamarinan-toeran’ny vola ao anatin’ny rafitra ara-bola matanjaka. Hita ato amin’ny volavolan-dalàna ihany koa ny fitondrana tsara tantana hataon’ny Banky Foibe izay mifototra amin’ny fahaleovatenany, « redevabilité » ary ny fangaraharana. Izany hoe tsy azon’iza n’iza baikoina amin’ny asany ny Banky Foibe, tsy maintsy mamoaka ampahibemaso ny toe-bolany amin’ny tranokalany koa izy ary tsy maintsy mandefa tatitra any amin’ny Filohan’ny Andrimpanjakana. Marihina ihany koa fa ny Goverinoran’ny Banky Foibe dia azon’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola roa tonta atao ny mampiantso azy mba hamelabelarany ny toe-bolany. Ny tanjon’ny Banky Foibe dia:

ny famaritana ny ady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fiarovana ny sandan’ny vola malagasy;

ny fanamafisana ny rafitra eto an-toerana mba hisian’ny fahamarinan-toeran’ny vola;

ny fanohanana ny politika ara-toekaren’ny Governemanta.

Page 6: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

4

Amin’ity volavolan-dalàna vaovao ity koa dia nofoanana ny Tale Jeneraly sy ny “Censeur” ary noforonina ny komity mpanatanteraka izay mamolavola ary manatanteraka ny politika ara-bola tapaky ny Filankevi-pitantanana. Ny komity mpanatanteraka dia ahitana ny Goverinora sy ny Goverinora Lefitra roa. Misy olona sivy mandrafitra ny Filankevi-pitantanan’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ka ny telo amin’izany dia efa ao amin’ny komity mpanatanteraka ary ny enina ambiny kosa hotendren’ny Andrimpanjakana telo dia:

2 an’ny Fiadidian’ny Repoblika;

2 an’ny Antenimierampirenena;

2 an’ny Antenimierandoholona. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fametraham-panontaniana ny mpivory: Fanontaniana 1- Azo atao ve ny mampiasa ny taham-pifanakalozana tokana (taux de change unique) eto amintsika mba hisian’ny fahamarinan-toeran’ny vola malagasy? 2- Misy “stabilité monétaire” ve eto Madagasikara? 3- Ahoana ny mikasika ny « prévisibilité”-n’ny “taux de change »? 4- Mety hitondra « stabilité » ao amin’ny filankevi-pitantananan’ny Banky Foibe ve ny fanendren’ny Andrimpanjakana solotena ao? 5- Mikasika ny « réserves en devises » 2,8%, inona no vahaolana raha toa ka tonga amin’ny tsy fananana « devises » intsony ny firenena, ahoana ny resaka « comptoir de l’or »? Valim-panontaniana 1- Efa tany amin’ny taona 1980 no nisafidy ny “taux de change flexibles” ny mpitondra teto an-toerana hitantanana ny vola vahiny, izay mifandray amin’ny hevitra fanalalahana (libéralisation) ka rehefa marefo ny toe-karena dia mihen-danja ny sandam-bola. Raha miditra amin’io “taux de change unique” io dia tsy maintsy mivoaka ny « système financier international » ka tsy afaka hanondrana entana isika ary hikatona daholo ireo orinasa mpanondrana. 2- Raha ny « indice de prix » eny an-tsena no jerena, tato anatin’ny taona vitsivitsy dia voatazona eo amin’ny “6 à 8%” ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Azo lazaina fa kely izany raha ampitahaina amin’ireo firenena izay vao avy nivoaka tamin’ny krizy. Raha misy ny fanampiana avy any ivelany dia azo eritreretina ny hidinan’izany ho 2%. 3- Sarotra be ny manao “prévision” ny “taux de change” fa “tendance” no hatevenina tsikelikely iarahan’ny INSTAT, ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ary ny Banky Foibe manao. 4- Ny tombotsoa iombonana no iarahana ka heverina fa tsy hisy izany “instabilité” izany sady manamarika ny fandraisana andraikitr’ireo Andrimpanjakana ny fanolorana izany. 5- Tsy maintsy misy foana ny vola miditra satria misy ny fifanarahana ara-bola amin’ny any ivelany hitondra vola vahiny (FMI, BAD), mbola eo koa ireo “diaspora” any ivelany handefa ny volany atz an-tanindrazana ary ny fanondranan’entana izay hatao. Ny “comptoir de l’or” dia lalana haingana ahafahana manarina ny « réserves en devises ».

Page 7: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

5

Taorian’izay dia niroso tamin’ny fandaniana sy fandraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna ny vaomiera mitambatra: FAMELABELARANA NY ANTONANTONY: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TITRE PREMIER: DISPOSITIONS GENERALES Andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-7: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TITRE II : FONCTIONS DE LA BANQUE CENTRALE Andininy faha-8 ka hatramin’ny andininy faha-50: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TITRE III : STRUCTURE ET ORGANISATION DE LA BANQUE CENTRALE Andininy faha-51 ka hatramin’ny andininy faha-77: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TITRE IV: DISPOSITIONS DIVERSES Andininy faha-78 ka hatramin’ny andininy faha-86: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TITRE V: DISPOSITIONS TRANSITOIRES Andininy faha-87 ka hatramin’ny andininy faha-91: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TITRE VI: DISPOSITIONS FINALES Andininy faha-92 ka hatramin’ny andininy faha-95: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa ahazoana manapakevitra dia naato 30 minitra ny fivoriana mba ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. Nolanian’ny Vaomiera mitambatra nahitana ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola sy ny Vaomieran’ny Lalàna ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 tamin’ny 2 Jona 2016 « portant statut de la Banque Centrale de Madagascar » ka hoentina eny anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 3 ora, tolak’andro, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa Filoha. Izay ny tatitra, Andriamatoa Filoha, saingy raha nitohy ny asam-baomiera, nisy “amendement” nentin’ny “Sénat” efa teo am-pelan-tànanay vaomiera ka niverina nivory izahay. Raha sitrakao, Andriamatoa Filoha, hovakiako ny “amendement” nataon’ny “Sénat”.

Page 8: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

6

Andriamatoa FILOHA Alefaso, Andriamatoa Mpampakateny. Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka P. Ao amin’ny “Titre III, article 57” izany “amendement” nentin’ny “Sénat” izany ary nenkenay tao amin’ny vaomiera ny nanovàna azy ary entina eto anivontsika Antenimierampirenena. Hovakiako aminareo ny “article 57 : Le Gouverneur assume la direction et la gestion de la Banque Centrale. Il représente la Banque Centrale vis-à-vis des tiers, il signe seul au nom de la Banque Centrale tous les traités et conventions auxquels la Banque Centrale est partie. Les actions judiciaires sont intentées et défendues à ses poursuites et diligences. Il prend toutes mesures d’exécution et toutes mesures conservatoires qu’il juge utiles. Eto amin’izay no miditra ny « amendement » nataon’ny « Sénat ». « Il assure l’application des lois et règlements relatifs à la Banque Centrale et des résolutions du Conseil d’Administration. Sur proposition du Comité Exécutif, le Gouverneur :

- organise les services de la Banque Centrale et en définit les tâches ; - dans les conditions prévues par le Statut du personnel, recrute, nomme à leur poste,

révoque et destitue les agents de la Banque Centrale ; - désignent les représentants de la Banque Centrale au sein d’autres Institutions ».

Misaotra, Andriamatoa Filoha. Izay no “amendement”, koa misaotra antsika rehetra, Tompoko.

- Tehaka -

- 4 - - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra -

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra izay tatitra izay. Sao misy manana fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana tamintsika teo. Mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny aloha isika, fa fanitsiana ny tatitra no hatao. “Jugement sur la forme” avy amintsika Solombavambahoaka aloha, avy eo ry zareo teknisiana. Koa atsangano ny tànantsika izay handray fitenenana handraisana ny anarany. Andriamatoa Solombavambahoaka, mikasika ny tatitra aloha. Tsy misy. Sao misy fanamarihana indray ny avy amin’ny Banky Foibe na ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola.

Page 9: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

7

Omena anareo am-panajana, Tompoko, ny fitenenana. Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Filoha; Ianareo mambra ao amin’ny Birao Maharitra; Tompokovavy sy Tompokolahy, Solombavambahoaka hajaina. Ny voalohan-teny dia fisaorana sy fankatelemana mandray anay avy amin’ny Banky Foibe sy ny teknisiana avy amin’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola amin’izao fandinihana ny volavolan-dalàna izao. Misy fanitsiana vitsivitsy ka horaisiko isaky ny pejy raha mety, Andriamatoa Filoha, raha ny tatitra teo no jerena. Ao amin’ny pejy fahatelo no hanombohantsika azy. Mba hahamarina kokoa ny hevitra, eo amin’ny fehezan-teny voalohany, misy fanolorana fanitsiana toy izao; misy zavatra tokony hosolointsika amin’ny asa sahanin’ny Banky Foibe. “Misy amin’ny asa tokony hosahanin’ny Banky Foiben’i Madagasikara”. Izay no fanitsiana voalohany. Soloina hoe: asa tokony hosahanin’ny Banky Foibe. Misy fanitsiana faharoa ihany koa: esorina ny teny hoe “efa” fa tonga dia tohizana hoe tsy ao anatin’ny sata mifehy azy intsony. Izany hoe lasa toy izao no ilazana azy: “Misy amin’ny asa tokony hosahanin’ny Banky Foiben’i Madagasikara no tsy ao anatin’ny sata mifehy azy intsony”. Izany hoe efa manana andraikitra vaovao ny Banky Foibe fa tsy ao anatin’ny sata mifehy azy intsony. Ao amin’ny andalana fahatelo, misy fehezan-teny hoe: Izany hoe tsy azon’iza na iza baikoina amin’ny asany ny Banky Foibe. Amin’ny asa, tsy azon’iza na iza baikoina intsony ny Banky Foibe, izay no marimarina kokoa. Toy izao, Andriamatoa Filoha, no hilazanay azy: Izany hoe tsy azon’iza na iza baikoina amin’ny andraikitra fiarovana ny vola ny Banky Foibe. Izay no tena mahalaza azy kokoa satria araka ny efa nohazavainay tamin’ny fotoan’androny ny fahaleovatena na ny fahaleovantena eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra no ahazoana, ananantsika azy. Ao amin’io andalana io ihany, eo amin’ny rindran-teny farany izay mivaky toy izao: marihina ihany koa fa ny Governoran’ny Banky Foibe dia azon’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola roa tonta atao ny mampiantso azy. Esorina angamba ny teny hoe: “mba hamelabelarany ny toe-bolany”. Tsy mikasika an’izay ihany no azonareo iantsoana anay fa amin’ny lafiny rehetra na fanontaniana ankapobeny izany na amin’ny fandehan-draharaha ankapobeny na mety misy koa zava-mitranga any ivelany izay ilana fanazavana amin’ny lafiny rehetra fa tsy amin’ny famelabelarana ny toe-bola fotsiny. Mitohy raha sitrakareo ny fitondrana fanitsiana: eo amin’ny tanjon’ny Banky Foibe, amin’ny andalana faharoa manao hoe: ny fanamafisana ny rafitra eto an-toerana. Tsara angamba raha tsindriana kely hoe: ny rafitra ara-bola. Mbola ao amin’ny pejy fahatelo ihany isika, Andriamatoa Filoha, azafady. Amin’ny andalana milaza ny tanjon’ny Banky Foibe,

Page 10: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

8

ao anatin’io misy teboka telo, ka eo amin’ny teboka faharoa; ny fanamafisana ny rafitra ara-bola. Tsara raha lazaintsika amin’izay rafitra ara-bola izay mba hisian’ny fahamarinan-toeran’ny vola. Farany, amin’ny fanontaniana ao amin’io pejy io ihany, eo amin’ny fahadimy, mikasika ny “réserves de devises”, roa faingo valo volana fa tsy 2% tsy akory. Roa faingo valo volana no anafarana entana. Inona no vahaolana raha tonga amin’ny tsy fananana “devise”. Ao amin’ny pejy fahefatra, izay misy fanamarihana roa kely dia kely: ny taona nampiharantsika ny “taux de change flexible” voalohany dia tamin’ny taona 1994 fa tsy tamin’ny 1980. Ao ambany amin’io “paragraphe” io ihany, misy hoe: raha miditra ao amin’io “taux de change unique” io, “fixe” no izy fa tsy “unique” satria efa voalaza fa mifamaly ny “taux de change flexible” sy ny “taux de change fixe”. Farany, ao amin’ny teboka faharoa, mikasika ny “indice de prix” amin’ny faran’ny fehezan-teny, misy hoe: raha misy fanampiana avy any ivelany dia azo eritreretina ny hidinan’izany ho isa roa fa tsy 2%. Izany hoe, mety hidina hatrany amin’ny 4 ka hatramin’ny 6% izany ny fiakaran’ny vidin’ny entana eto amintsika. Izay, Andriamatoa Filoha, no fanitsiana tiana natao. Misaotra indrindra Tompoko.

- 5 -

- Fanazavana ny antonanton’ny volavolan-dalàna - Andriamatoa FILOHA Mankasitraka sy mankatelina, Andriamatoa Governora. Tompokolahy sy Tompokovavy, vita izay ny mikasika ny tatitra; isaorantsika ny Mpampakateny avy tamin’ny vaomiera izay misahana izany.

- Tehaka - Mbola omena anareo avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ny fitenenana, mba hanazavana amintsika etoana ny antonanton’ity volavolan-dalàna ity. Marihina fa afaka mangataka fitenenana hatrany ny solotenan’ny Governemanta mandritra ny adihevitra rehetra. Omena anao ny fitenenana, Tompoko. Iza no handray fitenenana, Andriamatoa Tale Jeneraly, eny Tompoko. Omena anao am-panajana ny fitenenana.

Page 11: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

9

Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Filoha; Ianareo mambran’ny Birao Maharitra; Isika Tompokovavy sy Tompokolahy, Solombavambahoaka hajaina. Ny teny fohy fampidirana mikasika ity fanovàna ny lalàna mifehy ny satan’ny Banky Foibe ity dia hofintiniko amin’ny hevitra vitsivitsy. Voalohany, amin’ny anaran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola sy amin’ny anaran’ny Banky Foibe no andraisako an’izao fitenenana izao. Ny Banky Foibe araka ny efa fantatsika dia rafitra miahy ny “souveraineté nationale” amin’ny alalan’ny Ariary; izay no andraikitra sy adidy napetraka amin’ny Banky Foibe. Ny asan’ny Banky Foibe dia nisy fiovàna marobe nandritran’izay 22 taona niainana tamin’ity sata ity. Tamin’ny taona 1994 tokoa no nanaovantsika ny sata farany ary ny zava-nisy indrindra tamin’ny fomba fiasa, nisy ny “environnement économique” sy ny krizy izay niainana teto amintsika sy eran’izao tontolo izao. Voatery natao ny fanovàna ny fomba fiasa. Raha jerena ny hetra ankapobeny, ao daholo ny hevitra efa nisy tamin’ny sata mifehy azy taloha. Inona izany hevitra izany; ny voalohany, ny fahaleovatena izay efa voasoratra mazava tamin’ny sata nifehy azy taloha izany, fa napetraka tamin’ny fomba mazava kokoa ny andinindininy mikasika izany atao hoe fahaleovatenan’ny Banky Foibe izany, indrindra hoe inona no mifehy azy. Faharoa, mikasika ny andraikitra napetraka amin’ny Banky Foibe. Ny “objectif”, ao anatin’ny sata vaovao izy ireo ary nataontsika mazava kokoa. Izany hoe “explicite” kokoa ary manana telo izy amin’izao fotoana izao. Ny voalohany dia fiarovana ny satan’ny vola ato anatiny amin’ny ady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny faharoa, izay mitovy lenta amin’izay, ny fijerena ny fahamarinan-toeran’ny sandam-bolantsika, ny “taux de change” mikasika an’izay. Izay no zavatra voalohany. Manarak’izay, nampiana koa hoe: tokony handray anjara mavitrika amin’ny rafitra “stabilité financière” sy ny “solidité du système financier” ny Banky Foibe. Ny fahatelo, fandraisana andraikitra amin’ny fanohanana ny politika ankapoben’ny Governemanta. Ny zavatra manaraka, ao koa ny mikasika ny mangarahara izay efa tao anatiny ihany, fa natao mazava tsara hoe ahoana no fomba ahafahana mampiseho an’izany mangarahara izany. Ao koa ny “redevabilité” izay napetraka mazava tsara ao amin’ny andininy maromaro sy amin’ny “titre” iray manontolo. Izany rehetra izany no nataontsika, mba ahafahan’ny Banky Foibe manao ny asany an-tsakany sy an-davany ary ahafahana manohana amin’ny fomba mahomby ny politika fampandrosoana ny firenena.

Page 12: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

10

Toy izay Tompokolahy sy Tompokovavy no teny fohy tiana natao tamin’ny fampidirana izao sata mifehy ny Banky Foibe izao. Misaotra Tompoko.

- 6 -

- Adihevitra ankapobeny - Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, misaotra an’Andriamatoa Tale Jeneraly, isika tamin’izay fanazavana narosony teo izay. Hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny isika, koa izay handray fitenenana, angatahana hanangan-tànana handraisana ny anarany. Ny anarana izay efa tonga atz aminay nangataka fitenenana dia Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles, laharana faha-90 voafidy tao Moramanga. Miomankomana ny Solombavambahoaka RABEKIJANA Solofohery ary ny Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges. Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foibe izay tarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly. Amin’ity lalàna vaovao hanovàna ny lalàna mifehy ny Banky Foibe ity, nofoanana ny Tale Jeneraly sy ny “Censeur”. Amin’ny Banky Foibe any Frantsa izay ataontsika hoe karazana “référence”, mitovitovy amin’ny antsika ve ny “système” any na amin’ny toeran-kafa sa ny antsika amin’ny maha mahaleotena an’i Madagasikara, manana ny politikatsika ve isika ka afaka manala Tale Jeneraly sy “Censeur”. Inona no antony nanesorana azy tao. Mikasika izay ihany, Tale Jeneraly, sarotra be ny mahazo anareo. Izahay ireto na io Minisitry ny Fitantanam-bola aza, raha mifanena eny an-dalana na maika hamonjy fivoriana aza izy; raha teo moa izy, noteneniko mihitsy, izaho RANDRIAMAHEFA Henri Charles, Solombavambahoakan’i Moramanga no miresaka an’izany. Tsy azo mihitsy ianareo na amin’ny telefaonina na amin’ny “audience”. Izany hoe rehefa miditra any ianao, tsy fantatra hoe “Institution de la République” kanefa izahay mba ao anatin’ny VIP ihany. Ny Minisitra aza na mandeha amin’ny tohatra, mijanona ary miverina raha vao mahita anay. Ao aminareo, tsy azo na telefaonina na inona; tena marina izany, sarotra be mihitsy kanefa ny Minisitra na ny Praiminisitra nanome laharana an-telefaonina anay fa ianareo tsy azonay. Isaorako aloha, Andriamatoa Governora, fa efa niantso ahy izy; efa niantso ahy indroa ianao fa misy Tale Jeneraly ao aminareo, tsy fantatro ny anarany; asa raha mety ho izay angamba no nanesorana azy tao. Zavatra marina izany, efa indroa na intelo aho no tany, ny Tale Jeneraly tsy azo na nanao “audience” aza, tsy namely. Tsy fantany hoe “Institution de la République” ve izahay ary ananan’ny Solombavambahoaka zo tanteraka ato amin’ity Antenimierampirenena ity izany.

Page 13: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

11

Izay no tiako ametrahana fanamarihana, koa rehefa vita ity mba mila miresaka kely aminao aho, Andriamatoa Tale Jeneraly. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RABEKIJANA Solofo Hery, laharana faha-52. Andriamatoa RABEKIJANA Solofo Hery Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foibe izay tonga eto. Ny zavatra tiako ho tenenina mikasika ity Banky Foibe ity dia ny “mandat”-n’izy ireo: tsy fantatra hoe manao ahoana na manao ahoana, tsy fantatra na 5 taona na 4 taona. Raha ohatra 5 taona, tsy tokony atao 5 taona satria miaraka manomboka amin’ny “mandat”-n’ny Filohan’ny Repoblika izany, miaraka mirava amin’izany rehefa avy eo. Misy endrika politika izany ao anatin’io zavatra io raha izay. Tokony hahena 4 taona raha ny marina. Tsara ny amoaboasanao izay resaka izay. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges. Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foibe. Fanontaniana somary sangisangy ihany ny ahy: raha nanao an’ity volavolan-dalàna ity, marina fa matetika migrevy ny mpiasa ao aminareo. Manana ny fahaleovatenany manokana ny Banky Foibe, mba voakasika tamin’ny fanaovana an’ity lalàna ity ve sa ohatran’izao no itondrantsika azy satria manana ny maha izy azy izany mpiara-miasa aminareo izany. Faharoa, tahaka ny an’ny namako teo, ohatran’ny tsy mety satria mifandray ihany ireto fanontaniana manaraka ireto; mba naharitra ihany ny tena no Solombavambahoaka tato, fa raha ataonareo 5 taona ny “mandat”-nareo, mitovy amin’ny teo aloha ihany izany. Raha niditra teo izao ianao, Tale Jeneraly, mba afaka nanao tatitra tsotsotra ve hoe ireto no vola niditra tato, ireto no vola nivoaka; rovitra ve ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny taona nidiranao tao sa nanao ahoana. Ny mahatonga ahy hiteny, tamin’ny taona 2009 niakatra ny harin-karena, betsaka ny vola tao, nanaovana tatitra teto izany. Vetivety teo, tapitra tamin’ny taona 2013, tapitra ny vola, rovitra ny gony, tsy nisy fa nanomboka teo ny fivarotana fananana. Aleo hazava ny resaka fa nanomboka ny fivarotana fananana hoe tsy ampy handoavana ny volan’ny mpiasam-

Page 14: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

12

panjakana ny vola tao. Izay no mahatonga ahy hanao hoe aleo 4 taona satria raha tapitra ny 4 taona, afaka manao tatitra tsara izay olona alohan’ny handehanan’ireo mpitondra rehetra teo hoe izao no lafo, ireto no niditra mba afaka mihaino tahak’izay izahay. Raha hiteny aho hoe: tao anatin’izay fotoana izay no namidy ny “force one”, mbola CST izahay. Ireto mbola nisy, Andriamatoa Filohampirenena, no namoaka anay hoe hihidy ihany io varavarakely io rehefa kelikely fa amin’ny varavarambe no mivoaka. Tao anatin’ny “budget” ny vidin’ny “force one”, niditra ny Repoblika faha-4, nilatsaham-potaka ny boky, tsy hita intsony ny “budget”. Any aminay ny atao hoe nilatsaham-potaka izany dia rovitra ny boky, tsy hita izay nalehan’ny vidin’ny “force one” ary tsy hitanay intsony; nankaiza io vola io. Faharoa namidy ny “patrimoine national”, miala tsiny mbola tsy lafo ny Rova aloha fa ny anankiray no lafo; ny gara izany, ny “chemin de fer Malagasy”. Efa lafo izany kanefa nankaiza ny vidiny sady tsy hitanay ao anaty “budget” ihany koa; nankaiza ny vidin’io. Izay no mahatonga anay hiteny hoe aleo ataontsika 4 taona ny “mandat”-nareo. Afaka manao tatitra ve, mba misy fiovàna araka ny fahitana hoe te-hanova tokoa ianareo. Ny fiovàna entinareo dia mba atao 4 taona, manao tatitra ara-dalàna hoe izao ry vahoaka Malagasy no azonay lazaina fa tsy hoe isaky ny tonga izao dia fotsy lava, tapaka; roa volana sisa no “devise” tahirintsika ao. Ohatran’ny maharary fanahy ny mihaino azy. Farany, misy olona samborina indray, nisambotra volamena tany anaty fiaramanidina tany Mahajanga, tsy haiko hoe firy taonina na firy kilao. Natao hosana hosana be avy any, niakatra nankao Ankadilalana, mba tianay ho fantatra ny momba izany. Teny Ivato ihany koa, nahatratrarana “lingot d’or”, tsy fantatra intsony izay niafarany. Vao haingana indray no naheno, Andriamatoa Solombavambahoaka, fa ohatran’ny nisy volamena namidy, hono, ny tany ananona tany. Mitantara ny olona dia hoy aho hoe lainga izany, rehefa tsy milaza ianareo dia heverin’ny vahoaka fa marina izany. Izahay tsy hiteny hoe marina, nisy volamena nivoaka namidy taty aminareo; izahay manenjika Sinoa hoe aonganao ny tapia mba hitadiavanao volamena ao ambaniny ao. Tsy hita fa kamarady mivoaka dia miditra koa ny kamarady; tsy hita intsony fa ny faniriana tokony hataonareo ao antin’ity lalàna ity hoe: aleo hiditra ao amin’ny Banky Foibe ny volamena na avy aiza na avy aiza; mitrandraka ianao dia ataovy ambony ny vidin’ny volamena ary ao aminareo no ivarotana ny volamena. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RANDRIARIMALALA Harijaona; miomankomana ny Solombavambahoaka RATSIMBAZAFY Luc. Andriamatoa RANDRIARIMALALA Harijaona Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anao, Andriamatoa Tale Jeneraly; torak’izay ireo mpiara-miasa aminao. Mahafinaritra aloha ity volavolan-dalàna ity satria efa ela ny tsy nametrahana lalàna vaovao mifehy ny Banky Foibe izany. Mahafinaritra ny tanjona satria mametraka mihitsy ianareo ato hoe noho ny fidangan’ny vidim-piainana.

Page 15: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

13

Andriamatoa Tale Jeneraly, soso-kevitra ity aroso ity: inona no tena politika na paikady ataontsika entina handrafetana tsara ity MID ity na ny “Marché Interbancaire de Devise”. Rehefa miresaka MID isika, metetika ireo kaompania lehibe foana no tena mampiasa azy io, ohatra ny kaompania “pétrolière” na ny orinasa lehibe. Misy anefa orinasa, raha tsy hiteny aho fa ny mpanafatra entana eto Madagasikara, ny 80% dia entana afarana avy any ivelany daholo; ny dikan’izay mila “devise”. Amitsika miteny izao, ataoko hoe tao anatin’ny 10 taona izay, ny “marché parallèle” no tena manjaka ary matetika io mihitsy no mitondra ny “référence” amin’ny “cour de devise” eto amin’ity firenena ity. Tena mangataka izahay hoe inona no politika entintsika ahafahana mifehy azy io mba handeha any amin’ny banky daholo ny “opérateur” mba hanalefahana ny fomba fiaraha-miasa. Misy “opérateur” rehefa mankany amin’ny banky, ataontsika hoe “2 000 Euros” aza efa manahirana azy satria misy milaza hoe tsy misy. Izay no angatahako, tsara ny CSBF, mila mijery akaiky an’izay zavatra izay mba ahafahana mifehy azy io. Eto aza, mbola manamafy ny tenin’ny Solombavambahoaka namako teo momba ny resaka “comptoir de l’or” izay tena ilaina. Io no tena zava-dehibe ary vetivety dia handroso ity firenentsika ity raha mipetraka izay. Tsy fantatro na “comptoir de l’or” no iantsoana azy na “banque de l’or” fa ilaina izay zavatra izay; 850 kg aloha no “source officielle” hitanay tany “Dubaï” kanefa misy miteny hoe 2 taonina, 3 taonina, “source officielle” izay ka jerentsika amin’izany raha ny Banky Foibe no maka ny ampahany ao anatin’ny “cour de l’or”, efa anisan’ny mampandroso antsika izany. Ny antony ilana azy koa, iarahantsika mahalala fa betsaka ny olona “trafiquant” no manao azy io ary izany no andefasany vola avy any ivelany. Tsy vola no alefa miala avy eto fa entana, rehefa tonga ny entana, tsy mivadika “devise” fa mivadika volamena ihany. Izay no nahatonga tamin’ny taona 2009 sy 2010, feno eran’Analakely rehetra iny, feno mpividy volamena daholo. Tsy mampaninona an’ireo “trafiquant” ireo mihitsy ny mividy izany na dia 95 000 Ariary aza ny 1 grama. Raha 100 000 Ariary aza ny 1 grama, tsy matiantoka izy satria mbola “parité” any “Dubaï” na “parité” any “Chine” no ijereny azy. Raha ohatra izy mividy 100 000 Ariary ny 1 grama, raha ataontsika hoe “16 500 Fmg” ny “cour de devise”, miverina any aminy ihany iny; ny MID anefa mety hivarotra “17 000 Fmg” na “17 500 Fmg”. Ny dikan’izay, tsy ho fatiantoka mihitsy izy. Potika amin’izay ny mpandraharaha madinika satria tsy hanana volabe hoatran’izany, amidy varoboba ny entana mba hahazoana manodina vola, tafiditra amin’izany ny famotsiam-bola. Eto koa aho mba te-hanontany hoe: aiza ho aiza ny “coordination”-nareo sy ny SAMIFIN; inona no paikady entinareo sy ny SAMIFIN hiadiana amin’izay zavatra izay. Izay ihany angamba, Tompoko. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RATSIMBAZAFY Luc. Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foibe sy ireo mpiara-miasa aminareo.

Page 16: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

14

Zavatra telo no tiako holazaina, sady fanontaniana no soso-kevitra. Voalohany, momba ny “mobile banking” ny “opérateur téléphonie” rehetra eto amintsika; raha niditra teto ry zareo, naka “licence” no niantombohany kanefa ankehitriny, mitobaka be ny resaka “MVola” ataon’ny “opérateur” rehetra, ny sarany anefa tsy tsapan’ny mpanjifa hoe mila hitovitovy amin’ny sarany any amin’ny banky ihany. Ilana fanazavana ny nahazoana “licence” momba izany. Fanontaniana faharoa, Andriamatoa Governora, mikasika ny malagasy; mbola tsy eto amintsika angamba ny “commission surendettement”. Maro ny malagasy poritra ara-bola, mitobaka ny “organisme financier” sy ny “microfinance”, ny “microcrédit” izay manana “taux” mihoatra ny an’ny banky, tonga hatrany amin’ny 45%, 35% mihitsy izany; mijaly ny vahoaka malagasy mindram-bola any amin’ireo sehatra ireo. Ny Distrikan’Ambohidratrimo dia misy tantsaha mindrana amin’ireny ary mamerina avo roa heny tamin’ny vola nindraminy. Hoy izahay hoe: tsy tokony hojerena ve izay “taux” izay ho an’ireo “microfinance” mpindram-bola ireo. Fahatelo, hoy ianao teo: manohana ny politikan’ny Governemanta ianareo raha ny “secteur privé” no jerena. Noresahana matetika teto ny momba ny Bankin’ny Fampandrosoana; tsy mbola nitsangana foana izany hatramin’izao, kanefa mitohy hatrany ny “taux d’intérêt” ampiasainay “secteur privé” satria miasa amin’izany izahay; na hanao trano izahay na hanangana orinasa na hanao “crédit de consommation”, 16% ihany no 16%. Ny Filohampirenena niteny mihitsy hoe : miantso ny mpandraharaha Malagasy hampiasa vola, tongava hanao “partenaire public privé” na ny 3P izany. Ny mpampiasa vola avy any ivelany mitondra vola eto amintsika any amin’ny “1 000 000 de Dollars” any ho any kanefa 2% ihany no “taux” ampiasainy. Raha mindrana izany any amin’ny banky ianao na miantso ny APB rehetra, latsaky ny 15% no ilaina, tsy afaka mihetsika mihitsy ny mpandraharaha Malagasy eo anatrehan’izay. Tsy misy fandinihana manokana mba ahafahantsika hilahatra amin’io “taux 2%” na 3% ho an’ny “entreprise” sy “secteur privé” ireo. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RABEMANANJARA Célestine. Ramatoa RABEMANANJARA née RAMANANDRAISOA Célestine Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Toa miverimberina ihany ity zavatra ity satria efa nambaran’ny namana teo ihany. Efa lasa fanontaniana; hamafisina fa ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Banky Foibe no miantoka ny fahamarinan-toeran’ny ariary. Manentana mba hampahomby izany, hiaraka amin’ny fanjakana. Ny soso-kevitra avy amin’ny Solombavambahoaka rehetra teo koa dia ny “fonds de contrepartie” amin’ny “comptoir de l’or”, mba hisy volamena ahafahantsika mamokatra vola raha izay no azo ilazana azy, mba hahamarin-toerana ny volantsika ary amin’izay samy ho tompon’andraikitra daholo na ampidirina amin’ny lalàna mihitsy ny fandraisana ny “collecte”

Page 17: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

15

momba ny volamena rehetra ampidirina ao amin’ny Banky Foibe na raisin’ny fanjakana an-tànana koa izany. Efa nambaran’ny namana rehetra teo fa amafisina ny zavatra tahaka izany satria ny gaboraraka eo amin’ny fitantanana ny volamena no anisan’ny mampahantra ny firenena tahak’izao ary tsy hahamarin-toerana ny volantsika na oviana na oviana raha tsy manana “fonds de garantie” isika. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAZANAKOTO. Andriamatoa RAZANAKOTO Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foibe. Ny resaka saika holazaiko dia efa voalazan’ny namana teo daholo fa tsara hamafisina hoe efa mba nisy ve politika nataonareo ao amin’ny Banky Foibe mba hampatanjaka ny “comptoir de l’or”. Izay fotsiny no fanontaniako fa efa voalaza daholo ny zavatra tiako holazaina. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAHOLIJAONA Harson, voafidy tao Tsiroanomandidy. Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson Misaotra, Andriamatoa Filoha. Ombako manana ny tenin’ny namana teo fa ohatran’ny mahakasika ny lafiny politika no hitako sisa tsy voalaza amin’ity sata vaovaon’ny Banky Foibe ity. Ny zavatra fantatry ny olona hatramin’izay rehefa misy korontana eto amin’ny firenena, alaina foana ny vola ao aminareo. Tsy fantatra ny fahamarinan’izay na tsia. Ao anatin’ity sata vaovao ity, niezaka nametraka ny “redevabilité” sy ny mangarahara isika. Moa ve, Tompoko, ity fametrahana ny sata vaovaon’ny Banky Foibe ity no ahafahanareo tena mijoro amin’ny maha Banky Foibe amin’ny asa andrasan’ny vahoaka aminareo. Omeo vaovao marina izahay, ambarao koa ny tena fahaleovantenanareo mialohan’ireny fikorontanana ireny hoe vola toy izao sy toy izao no nisy. Misaotra Tompoko.

Page 18: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

16

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka ANGELE Solange, laharana faha-11. Ramatoa ANGELE Solange Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foibe. Feno dia feno ny voalazan’ny namana teo fa fanatsarana ny ahy ary soso-kevitra raha mety. Ny resaka tsy fandriampahalemana any atsimo any, ireo “patron”-n’omby any aminay dia mitondra vola amin’ny gony rehefa handeha hividy omby; maninona raha mba asiana “billet de 200 000 Ariary” na “100 000 Ariary” satria tena mijaly mihitsy, hitan’ny mpangalatra ny olona mirongorongo vola amin’ny gony. Vao vetivety izao, vao telo andro, nisy “patron”-n’omby notifirin’olona, lasany daholo ny vola tamin’ny gony. Izay ihany ny ahy, fa hitako ho feno dia feno ny voalazan’ny namana teo. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAZAFIMILY Constance. Andriamatoa RAZAFIMILY Constance Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anao sy ny mpiara-miasa aminao, Andriamatoa Tale Jeneraly. Fanontaniana ny ahy : tsy mba misy « banque de développement » ve eto amintsika satria banky be « intérêt » daholo ny « banque primaire » hita eto amintsika. Tena hita ho reraka ny olona rehefa mindrana vola any amin’ny « banque primaire » satria be loatra ny « taux d’intérêt » alain-dry zareo. Sahala amin’izay koa ry zareo ao amin’ny « microfinance » ; ambony be ny « taux » alaina amin’ny olona mindram-bola aminy, idiran-trosa ny olona avy eo. Matetika aza, lasa mivaro-pananana. Tsy mba misy politikanareo ao amin’ny Banky Foibe ve mba hanovàna an’io zavatra io satria tena manahirana ny vahoaka izany. Nisy namana nampitondra hafatra ahy hoe : manao ahoana fa amin’ireo Karana ireo, toa misy manana banky. Ny tenako namaly hoe : mety ny volany ihany no ampiasainy ao, fa tsy volan’ny malagasy. Ny tiako anontaniana anareo koa, mbola misy ny « compte du trésor » ve ao aminareo satria sahala amin’izay no nahatonga ny nividianana ny « force one » teto amintsika. Tao aminareo, volan’ny « trésor », tao amin’ny Banky Foibe no nalaina tamin’ny nividianana izany. Tokony hovaina izay politika amin’ny « intérêt » noresahako teo izay. Farany, misy namana teo niteny hoe : atao 4 taona fa tsy 5 taona ny “mandat”-nareo. Izaho aloha miangavy hoe avelao amin’io 5 taona io satria mahatonga ho an’ireo namantsika tsy

Page 19: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

17

mahay inona any koa anie ity raha ohatra hanao “amendement” indray satria isika no manapaka farany ary angamba tsy ho tratra alohan’ny hiravan’ny fotoana ivoriantsika izany. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka sady Lehiben’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola. Iangaviana am-panajana ny Solombavambahoaka ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin handray fitenenana. Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Banky Foibe izay tarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly. Fizotran’ny fomba entinareo mitantana eo anivon’io Banky Foibe io no fanontaniako. Misy ny “comité exécutif”, misy ny “comité d’audit”, misy ny « audit interne » ary misy ny « audit externe » ary misy « évaluation », indrindra alohan’ny hanaovanareo tatitra satria ianareo manana adidy sy andraikitra amin’ny asanareo hanao izany. Raha misy fatiantoka, manao an’izay fampilazana izay any amin’ny Filohampirenena ve ianareo. Efa miditra amin’ny fanavaozana isika amin’izao fotoana izao, ka hahatonga anareo hanatanteraka izay asa tsara izay ary mba ho fantatry ny vahoaka koa, hatraiza no fahefan’ny « comité d’audit » ao aminareo io. Raha ny fahazoako azy, « administratif » ao aminareo ihany no manao azy io; ahitsio aho raha diso. Ao anatin’io « comité d’audit » io, ahoana no fomba fiasany? Ny « articulation entre le comité exécutif et comité d’audit » amin’ny ahafahan’ny « comité exécutif » manamarina ny fatiantoka, araka ny voalaza teo, alohan’ny hanaovanareo azy sy hanaovanareo ny tatitra any amin’ny Filohan’ny Repoblika. Anisan’ny asa iray amin’ny sata mifehy ny sampana iray izay. Ato anatin’ity zavatra napetrakareo ity, mba lazao aminay eto satria izahay mahita fa misy fanavaozana marina entin’ity « projet de loi » ity. Izahay Solombavambahoaka mba te-hahafantatra ny mangarahara, te-hahafantatra ihany koa ny fomba fiasa izay ataontsika hoe manome toky fa ny volam-panjakana izay mandalo aminareo Banky Foibe ao dia manaraka ny “mécanisme technique”; izay no mahatonga anay hahatsapa fa tena misy fivoarana tokoa azo ao anatin’izao zavatra ara-teknika napetraka izao. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mamarana ny fandraisam-pitenenana ny Solombavambahoaka FAMINDRA Justin. Andriamatoa FAMINDRA Justin Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba ny teknisiana avy amin’ny Banky Foibe sy ny mpiara-miasa aminy.

Page 20: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

18

Teboka roa no tiako ahatongavana ary manamafy ny resaky ny namana teo koa aho. Tsy misy banky ahafahan’ny vahoaka madinika mindram-bola ary izay banky misy kosa hitantsika fa manabotry firenena sy mampijaly vahoaka. Izay ihany no misy eto Madagasikara. Koa rehefa mangataka ny fipetrahana eto Madagasikara io ve ny “banque primaire”, moa tsy mangataka alalana avy aminareo Banky Foibe ve sa misy “avis” omenareo azy fotsiny. Ny tiako ho lazaina amin’izay, maninona raha “favoriser”-na izay banky mety ahazoantsika fampandrosoana fa tsy “banque commerciale” ihany no apetraka eto amintsika. Fanontaniana faharoa, ny “institution financière” izay ambanin’ny “banque primaire” dia maromaro no mitsangana; ataontsika hoe tsy hitan’ny vahoaka intsony ny lalana satria manahirana ny fangatahana vola amin’ny “banque primaire”. Voatery ny vahoaka mandeha any amin’ny “institution financière” toy ny OTIV, ny ADEFI sns... Hita anefa fa ambony ny “taux” alainy. Ny fanontaniana mipetraka, miverina indray ny hoe: raha sanatria ka misy ny tsy fetezan’io “institution financière” izay mampindram-bola na ametrahan’ny vahoaka vola io; azon’ny vahoaka atao ve ny mangataka vonjy any aminareo; miverina any aminareo satria ny antony ilazako an’izay, raha tsy hilaza afa-tsy ny OTIV ao Toamasina fotsiny aho. Misy OTIV ao Toamasina, misy mpikambana any amin’ny 5 arivo na 6 arivo any; nanjavona ho azy teo ny vola tao aminy, hatramin’ny isika miteny izao, tsy hita ireo vola ireo. Misy olona manana “45 Millions d’Ariary”, misy olona manana “20 Millions d’Ariary” ireo olona nametraka vola tao kanefa nanjavona ny vola tao. Inona no andraikitry ny Banky Foibe manoloana ny zavatra ohatran’izay satria resa-bola no lazaina eto. Raha izay no voavaha, angamba omena fankasitrahana goavana be ny Banky Foibe satria olana lehibe io ao amin’ny OTIV any Toamasina io. OTIV Famonjena angamba no anarany raha tsy diso aho; nanjavona tao ny vola “510 Milliards d’Ariary”. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Izay no fandraisam-pitenenana nataon’ny Solombavambahoaka tamin’izao adihevitra izao, Andriamatoa Governora, koa omena anao am-panajana, Tompoko, ny famaliana an’ireo fanontaniana sy ny fanamarihana nataon’ny Solombavambahoaka teo Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mamerina ny fisaorana antsika Solombavambahoaka izay nametraka an’ireo fanontaniana sy fanamarihana samihafa ireo. Raha ny isan’ny ato amiko dia 23 eo ho eo. Manamafy izany fa tena mandray andraikitra tokoa ny Solombavambahoaka amin’ny fanadihadiana an’ity volavolan-dalàna ity.

Page 21: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

19

Raha sitrakareo, raisiko araka ny filaharany ny fanontaniana teo. Raha ohatra misy fanontaniana any aoriana ka efa voavaly tany aloha, mety hodinganiko fotsiny raha azo atao. Voalohany, mikasika ny fandrafetana ny fomba fitantanana ao amin’ny Banky Foibe. Tamin’ny nandrafitra azy io, mazava ho azy fa tsy natao arak’izay fahaizana fotsiny fa tsy maintsy naka “standard” sy “norme” isika tamin’izany. Isika rahateo mpikambana ao anatin’ny vondrona fampandrosoana, anisan’izany ny SADC, ny “Francophonie” ary ny COMESA. Ireo rafitra telo nolazaiko teo dia manana modely avokoa momba ny sata mifehy ny Banky Foibe any aminy. Isika rahateo dia mambran’ny “Fonds Monétaire International” na ny FMI. Mambra feno isika fa tsy hoe akory tsy feno fa efa manana karazana modely amin’ny fandrafetana sata mifehy ny Banky Foibe koa. Izay rehetra izay no nataon’ny mpiara-miasa tato amin’ny Banky Foibe nandritra ny herin-taona sy tapany ka namoahana ity sata vaovao ity. Raha raisintsika ny “référence”, azo ambara fa manaraka tsara ny fomba amam-panao ny fametrahana an’io fitantanana io. Ny tiana ho lazaina dia ny fametrahana “Vice-Gouverneurs” roa izay manolo ny toeran’ny Tale Jeneraly. Tsy misy intsony izany amin’izao fotoana izao ao anatin’io sata io ny toeran’ny Tale Jeneraly fa Governora roa no manampy ny Governora amin’ny fanatanterahana ny asany. Mazava ho azy fa tonga dia hitanareo hoe noho ny vesatr’io asa io ary tena mavesatra ny asan’izany Governora izany. Mba tsy hisian’ny fahadisoana ao anatin’ny fanapahan-kevitra dia ilaina ny fananana ny fanampiana izany “Vice-Gouverneurs” izany. Telo angamba no heverinay fa tsara indrindra satria mba afaka tena mifanakalo hevitra sy mifampiankina raha ohatra olona telo no miara-mandinika sy mandray fanapahan-kevitra izay heverina fa marobe. Momba ny “Censeur”, marina tokoa ny voalazan’Andriamatoa Solombavambahoaka teo hoe nofoanana tao anatin’ity volavolan-dalàna vaovao izany ary novaina matanjatanjaka kokoa. Inona moa no asan’ny « Censeur ». Manamarina fa tena voatantana ara-dalàna ny Banky Foibe; mijery ny lafiny ara-bola fotsiny ny andraikiny teo aloha. « Vérification des comptes » no tena nataony sy manamarina ny « pièces justificatives » mikasika ny « opérations comptables » ataon’ny Banky Foibe. Nohamafisina anefa izany ka ahoana no fomba nanamafisana azy. Natsangana ny rafitra roa matanjaka. Ny voalohany dia ny « comité d’audit ». Marina tokoa ny voalazan’ny Solombavambahoaka teo hoe olona telo avy amin’ny « Conseil d’Administration » izy ireo ary tsy « membres exécutifs ». Izany hoe, sady tsy « Gouverneur » no tsy « Vice Gouverneur ». Inona no dikan’izany « comité d’audit » izany : olona avy atz aminareo Andrimpanjakana na avy any amin’ny “Présidence de la République” na avy atz amin’ny « Assemblé Nationale » na avy amin’ny « Sénat ». Ireo olona enina ireo no mifidy olona telo amin’izy ireo hijery ny fomba fitantanana ato anatin’ny Banky Foibe. Angamba tsy misy mihoatra an’izay raha fanomezana fahefana ny Andrimpanjakana, mba ahafahana mijery hoe tena voatantana ara-dalàna ve ny Banky Foibe. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nasiana ihany koa ato anatin’ity sata ity ny “audit externe”. Ity indray dia fakana orinasa manam-pahaizana manokana amin’ny fijerena ny fampiasana vola; “auditeur externe” no filazantsika azy. Tsy maintsy manana traikefa eran-tany izy ireo; izany hoe tsy “auditeur

Page 22: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

20

externe” malagasy fotsiny fa tsy maintsy miaraka amin’ireo “auditeur” avy any ivelany. Efa natomboka izany ary azoko lazaina anareo ohatra fa ny “auditeur externe” izay manao sonia no manamarina ny vola, ny kaontin’ny Banky Foibe amin’izao fotoana izao. Ny olona manao sonia dia ny “associée” manao “contrôle”-n’ny « Banque de France ». Mitovy lenta amin’izao fotoana izao izany ny “audit” atao any amin’ny “Banque de France” sy ny “audit” atao ato amin’ny Banky Foibe. Tsy vitan’izany, fa mbola nampiana ihany ny fametrahana rafitra fijerena ny fitantanana amin’ny “Direction Audit Interne” izany. Miankina tanteraka amin’ny “fonctionnelle” amin’ny “comité d’audit” ary tsy baikon’ny « Gouverneur » na « Vice Gouverneur » izany, fa baikon’ny “comité d’audit”. Ny fitaovana entin’ny “auditeur interne”-nareo “Administrateurs” no entina milaza aminy hoe mandehana jereo ity, mandehana jereo ny tahak’izao. Ataovy ny “rapport d’audit” mikasika ity; jereo ny fomba fanaovana an’izao. Izany zavatra telo lehibe izany no tena fanovàna lehibe nentina tamin’ity sata ity. Nohamafisina mihitsy mba tsy ho goragora ny fintantanana ary misaraka mazava ny “responsabilité exécutive”-n’ny fitantanana sy ny “contrôle d’audit” amin’izay fotoana izay amin’ireo lafiny telo ireo. Izay no mikasika an’iny. Raha mikasika ny tenin’Andriamatoa Solombavambahoaka teo, efa voaraiko an-telefaonina izy ary efa naveriko nantsoina koa izy tamin’izay fotoana izay. Raha ohatra mbola misy zavatra tokony hifampiresahana, tsy misy olana fa afaka mifanatona foana isika, tsy olana amin’ny Banky Foibe mihitsy izay zavatra izay. Mikasika ny “mandat” 5 taona na 4 taona; misy hevitra roa izy io. Maninona aloha no 5 taona. Antony roa lehibe no nahatonga izany: raha jerena ny eto ambany masoko, ohatra misy lisitra 26 ny “mandat”-n’ny governoran’ny firenena vitsivitsy. Misy politika ankapobeny roa no fanaovana ny fotoana iasany; natao lavalava izany ary tsy azo averina intsony na atao 5 taona dia averina indray mandeha ihany. Izay angamba no zavatra tsara ho fantatra. Tsy miverina indroa akory ny “mandat” ao amin’ny Banky Foibe; na ny “Gouverneur” na ny “Administrateur”. Raha ohatra ny any Frantsa no resahantsika, fantatra fa 6 taona averina indray mandeha ny azy. Raha atz amin’ny firenena Afrikana, nakantsika hevitra ny an’i “Centre Afrique”, 7 taona ny azy ary tsy miverina fa indray mandeha ihany. Raha ny an’ny “Banque de Canada”, 7 taona tsy azo averina intsony; raha mijery ny eto akaikikaiky isika, ny “Banque de Maurice”, 5 taona, averina indray mandeha. Miisa 26 izy ireo, fa ny tiako lazaina, tena napetraka io mba hanaraka ny fomba amam-panao. Ny antony, amin’ny lafiny fotoana araka ny voalaza teo. Ny momba ny politika fiarovana ny vola, mila fotoana izany. Ohatra entiko foana ny hoe maro amintsika no mahatadidy, fa nisy fotoana niakaran’ny vidim-piainana teto amintsika tany amin’ny 20% tany, teo amin’ny 25 taona lasa na 15 taona lasa, efa niakatra 20% na 23% ny fiakaran’ny vidim-piainana teto amintsika. Izay no andraikitry ny Banky Foibe; 10 taona ny asa vao tafita, nidina tany ambanin’ny 10% izany vidim-piainana izany. Izay fotoana maharitra izay no ilaina rehefa manao ny politika mikasika ny vola na “politique monétaire”. Tsy mitovy amin’ny politikam-panjakana “budgétaire” hoe manaraka “cycle” 4 taona na 5 taona, fa 3 taona araka ny fantatrareo raha ny “cadre budgétaire” no jerena. Mila fotoana maharitra izy io ary tsy miova, fa mila fandrosoana elaela mihitsy izay vao misy fiantraikany atz amin’ny fanohanana ny politika ankapoben’ny mpitondra, indrindra ny fiantraikany amin’ny vahoaka satria raha sanatria ka miova politika isaky ny 4 taona isika, minoa ianareo

Page 23: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

21

fa tsy sarotra ho antsika ny hitana izany sandam-bola anatiny sy ivelany izany. Ny antony nahatonga azy ho 5 taona, araka ny voalazan’Andriamatoa Solombavambahoaka teo, izay mihitsy mba tsy ho taona politika ka isaky ny miova ny mpitondra dia hiova indray koa ny fanendrena. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny fahaleovatena izay zavatra izay. Raha mijery tsara ao anatin’ity isika, zavatra roa no misongadina. Voalohany, mikasika ny “Gouverneur” manokana: tsy 5 taona manomboka anio akory, fa 5 taona nanomboka tamin’ny nanendrena azy. Izany hoe “en terme pratique”, any amin’ny taona 2019 izany no feno 5 taona satria nanomboka ny taona 2014 no nanovàna ny « Gouverneur ». Hitanareo fa efa nandingana ny rafitra politika izy amin’izay fotoana izay. Raha mikasika ny “Administrateur”, any amin’ny “dispositions transitoires”, amin’ny « article 89 », hitanareo fa « le premier administrateur » natao nisy elanelana mba tsy hiara-hiala; miaraka tendrena daholo, ka ny telo tendrena 3 taona aloha, ny telo ambiny tendrena 5 taona. Taratra ao ny “principe de continuité” sady ao koa ny “principe d’alternance” amin’izay fotoana izay. Tsy mifanindry mihitsy amin’ny fotoana ara-politika izy ireo amin’izay fotoana izay, fa tena “temps de traitement technique” momba ny asa no mitondra azy. Marina ny filazana hoe: aleo mba ho anisan’ny “indépendance” na tsy miankina amin’ny fiainana politika akory ny fiainana ao amin’ny Banky Foibe. Fahefatra, mikasika ny fitokonana ao amin’ny Banky Foibe. Izaho izao, efa herin-taona sy valo volana no niasa tao fa mbola tsy nisy nitokona tao hatramin’ny naha teo ahy ; efa naheno ihany isika rehetra taloha fa nisy tokoa izany. Raha ny fahalalako azy, tsy natetika ny fitokonana tao, iray ihany no nisy ary somary naharitraritra kely izany kanefa samy nahafantatra isika, fa nifangaro politika izany satria nankinina tanteraka tamin’ny fanovàna politika. Tsy misy azoko lazaina firy ny amin’iny, fa ezahantsika mba tsy hasiana rafitra politika ao anatin’ny Banky Foibe. Mikasika ny volam-panjakana hoe nankaiza daholo ny vola nalefa tao amin’ny Banky Foibe sy ny hoe rovitra ny kitapo, tsy misy intsony. Tsara ho marihana fa ny Banky Foibe dia banky, manana « client » anankiray, izany hoe ny fanjakana izay manana kaonty ao amin’izao fotoana izao; « compte du trésor » no filaza azy. Amin’ny maha banky azy, raha mametraka vola any amin’ny banky ianareo, tsy ny banky no tompon’ny vola, fa nanokatra « compte » no tompon’ny vola; izany hoe ny fanjakana. Ireo vola rehetra noresahantsika teo na ny nividianana ny “Air Force One” na ny nivarotana ny fananam-pirenena, volam-panjakana daholo ireo fa tsy volan’ny Banky Foibe mihitsy. Ny asa ataon’ny Banky Foibe amin’ny maha Banky azy dia manatanteraka izay baiko omen’ny tompom-bola. Ohatra izaho izao manana « compte » ao amin’ny BOA, miteny aminy aho hoe anaovy « ordre de virement » aho, tsy afaka milaza izy hoe izaho tsy hanao an’izany satria tsy azy ny vola fa ahy. Ohatran’izay ihany no fandehany, ny fanjakana no tompon’ny vola ary asan’ny Banky Foibe no mitantana izany ary tsy misy azonay atao raha mbola « créditeur » izy. Afaka manao indray izahay, izany hoe miditra any amin’ny « procédure des dépenses publiques » isika amin’izay fotoana izay, fa ny andraikitry ny Banky Foibe amin’ny maha banky azy dia manamarina hoe misy vola ve ao, fa raha misy vola, tsy misy na inona na inona azo atao. Faharoa, olona tena manana fahefana hanao sonia ve io olona io, fa tsy olona sandoka akory na hoe “conformité de signature” sy “procédure”, fa rehefa manamarina tsara hoe marina

Page 24: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

22

ny “procédure”, misy vola marina tokoa ve ao, manao sonia ary tsy misy na inona na inona azo ataon’ny Banky Foibe atao, fa manatanteraka ihany no ataony amin’izay fotoana izay. Tsara ho fantatsika izay, tsy ny Banky Foibe no tompon’ny vola fa ny fanjakana; fametrahana vola fotsiny no ao aminy amin’ny maha banky azy. Momba ny volamena, miray hevitra aminareo rehetra aho hoe isika malagasy dia manana harena marobe ao ambany tany ary anisan’izany ny volamena. Matetika raha vao milaza hoe volamena, tonga dia mifandray amin’ny Banky Foibe izay ary voalaza mazava ao amin’ny andininy izay napetraka ato izany. Roa ny « article » milaza azy amin’ity sata ity ; ao amin’ny « article 16 », milaza hoe : ny Banky Foibe dia afaka manoratra « compte » mikasika ny volamena. Ao amin’ny « article 19 », misy milaza hoe « l’or monétaire » ; mazava izany fa ny volamena dia manana ny lanjany manokana ao anatin’ny asan’ny Banky Foibe, kanefa misy zavatra roa tsy maintsy hamarinina : ny « acte » famokarana. Ny famokarana volamena dia tsy asan’ny Banky Foibe satria tsy hainy izany, ny mety azony atao dia mampiditra ao anatin’ny « réserve »-ny Banky Foibe ny ataontsika hoe : « or monétaire » ; ankoatran’izay, tsy misy azo ampidirina. Efa atao hoe : « réserve de change » izy amin’izao fotoana izao, ny vola avy any ivelany izany ; azo avadika vola vahiny iny na « Dollar » na « Euro » mba ahafahantsika manafatra entana. Ny « or monétaire » koa mety ahafahana manao an’izay, fa raha « or brute » arak’ireny hitantsika ireny, tsy ahafahana manao an’izany fa tsy maintsy « transformer »-na aloha. Ny « or monétaire » dia manana “caractéristique” telo : voalohany, tsy maintsy « pur » ; noho izany, misy “mécanisme de raffinage et affinage” mihoatran’ny 99,5% izay vao azo raisina ho « or monétaire ». Faharoa, ny lanjany, tsy maintsy marina tanteraka. Fahatelo, tsy maintsy hamarinina amin’ny “organisme international”. Ireo zavatra telo ireo no tsy maintsy mitambatra izay vao azo lazaina ho « or monétaire ». Isika amin’izao fotoana izao dia mbola tsy manana “or monétaire” ao anatin’ny kitapom-bolantsika kanefa raha any amin’ny famokarana sy fanovàna ny volamena ho “or monétaire” no atao, mety ho azon’ny Banky Foibe atao ny mandray azy “réserve en devise”. Raha mila “devise” isika, afaka mankeny amin’ny tsena iraisam-pirenena, mivarotra “or monétaire” ary misy “bourse” amin’izany, mahazo “Dollar” na “Euro” isika. Manamafy aho, fa lalana anankiray tokony hotrandrahana, hamafisina ary tena “professionnaliser”-na mihitsy ny resaka volamena mba ahafahan’ny fanjakana amin’ny maha Banky Foibe azy hahazo tombotsoa, fa ny tena zava-dehibe raha voarafitra tsara ny “filière or”, ny mpitrandraka no hahazo tombotsoa voalohany; hahazo “revenue”, hahazo “ressource” izy; ny fanjakana ao anatin’ny “étape” samihafa, hahazo fidiram-bola, hahazo “taxe”. Heveriko fa zava-dehibe ho antsika Malagasy izay. Mbola resaka volamena ihany, momba ny “or saisie”: marina tokoa fa nisy fotoana nahazoana volamena tany Mahajanga sy tetsy Ivato; aterina ao amin’ny Banky Foibe ny sasantsasany amin’ireny fa tsy izy rehetra satria misy “coffre fort” tena azo antoka ao ary tsy izahay no mitazona ny fanalahidy fa ny tompon’ny volamena mihitsy. Rehefa manao “saisie” ny “douane” dia izy no tompony, izy no mitazona ny fanalahidy. Rehefa manao “saisie” ny “brigade des mines” dia izy no tompony; any aminy ny fanalahidy, fa izahay mampindrana ary tsy maka vola akory amin’izany; mampindrana ny “cave” fotsiny izahay mba ahafahana mametraka volamena ao anatiny. Rehefa avy eo, tokony handeha amin’izay ny “procédure”, rehefa tapitra ny fitsarana, tokony handeha amin’izay ny fivarotana azy ireny. Rehefa lafo dia

Page 25: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

23

mety azo heverina ihany hoe miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola izay vao ampidirinay amin’ny “compte”. Raha ohatra misy “structure d’affinage et raffinage”, mety ho azo ataon’ny Banky Foibe atao ny mividy azy satria hataony inona ny volamena izay hapetraka ao kanefa tsy azo avadika ho vola akory eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany. Tsy maintsy mandalo amin’izay aloha isika raha vonona. Rehefa nifandinika tamin’ny fanjakana mikasika an’izany izahay dia ny fananganana ny “agence or” no azo atao ary efa misy programa izay heverin’ny fanjakana hatao hananganana an’izay “raffinage” izay mba ahafahantsika mi-“transformer” azy hiditra ao anatin’ny “réserve de change”. Momba ny fanontaniana amin’ny politika mikasika ny “devise”: mifandray ihany amin’ny “marché piblic parallèle” izany; marina tokoa fa manana “marché international de devise” isika kanefa tsy mahasahana ny tolotra sy ny tinady izany; any amin’ny “marché parallèle no betsaka. Raha ny vinavinanay amin’izao fotoana izao dia any amin’ny 30 na 40%-n’ny “devise” izay kirakiraina; izany hoe misy ampahany maro tsy makany amin’ny banky sy any amin’ny tsena tokony handehanany. Ny antony, vokatry ny “trafic” eto Madagasikara izany; “trafic”-na volamena, “trafic d’espèces protégées” satria miteraka “devise” izay rehefa avy eo na avoaka an-tsokosoko aza, misy “devise” betsaka mijanona any ivelany ary ampahany kely fotsiny no hitantsika eny Tsaralalana ireny. Tsotra ny zavatra atao, foanana ny “trafic d’exportation” rehetra, foana miaraka amin’izay ny “trafic de devise” rehetra satria tsy maintsy any amin’ny fototra mihitsy no kendaina, fa raha tsy izay miporitsaka foana ny vola. Andraikitry ny Banky Foibe izay ary ao anatin’io no ilazan’ny “code de change” an’izay hoe: « les agents de la Banque Centrale peuvent constater d’infraction en matière de code de change ». Izany hoe mi-« constater » fotsiny izy satria tsy « officier de police judiciaire » izahay ka afaka hanao « verbalisation » na hampigadra na hanenjika. Heverina fa tsy andraikitray koa izany satria lasa misolo ny fanjakana izay manana « force de contrôle » izahay. Momba ny « comptoir de l’or » teo, efa voavaly tamin’ny antsipirihany ny amin’ny zavatra azo mikasika izany. Mikasika ny “SAMFIN” sy ny « coordination » miaraka amin’ny Banky Foibe: lehibe mihitsy ny “coordination” satria ao anatin’ny famotsiam-bola sy fanodikodinam-bola no iresahana an’izay. Rehefa vola ahodina mantsy, tsy maintsy averina fotsiana rehefa avy eo. Izay no idirantsika amin’ny SAMIFIN. Ny Banky Foibe dia anisan’ny rafitra nanangana ny SAMIFIN ary mambra ao amin’ny CSBF, ny Sekretera Jeneralin’ny CSBF dia anisan’ny mambra manaraka ny asan’ny SAMIFIN. Voalohany, ny fisorohana ny « prévention » amin’ny “blanchiment”-n’ny banky sy any amin’ny “microfinance”; misy ny fifanarahana izay atao hoe: “opération de suspect” iarahana amin’ny SAMIFIN. Faharoa, manana “obligation de contrat annuel” amin’ny « questionnaire » ihany koa ny Banky Foibe. Izay ny amin’ny resaka « prévention ». Raha ny amin’ny fanenjehana indray, an’ny SAMIFIN tanteraka izay. Manao ny “investigation” rehetra izy ; miainga amin’ny « déclaration d’opération suspect » izy, manatitra an’izany any amin’ny « parquet » ary manao « contrôle » amin’ireny toerana mety hisy « risque » lehibe amin’ny « blanchiment d’argent » ireny ; ny « casino » no tena lehibe amin’izany, ao ihany koa ireny « bureau de change » ireny. Raha vao misy mampiahiahy ny

Page 26: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

24

SAMIFIN dia mifanatona sy manoratra ry zareo hoe ity misy fandinihana akaiky ary ilana fiaraha-miasa mitambatra izany. Mikasika ny “mobile banking”: zava-baovao tokoa io. Raha ny marina, tato anatin’ny 5 taona angamba no tena niakatra be izy io. Miditra amin’ny “monnaie électronique” izy ireny. Tiako ampahatsiahivina kely, anisan’ny lesoka lehibe eto Madagasikara ny fahambanian’ny tahan’ny olona mampiasa banky, eo amin’ny 5% eo izany raha “banque commercial”, raha “microfinance” kosa mahatratra hatrany amin’ny 25% eo. Azo lazaina fa ambany loatra izany. Teknolojia vaovao io “mobile banking” io ary efa manomana lalàna izao ny Banky Foibe, efa vita rafitra izy io nandritra ny enina na fito volana eo no nanaovana azy ary efa nalefa any amin’ny CRDA (Commission de Reforme des Droits des Affaires). Mbola hoentina hodinihana eto aminareo amin’ny “session” amin’ny volana Oktobra 2016 izany lalàna izany. Raha tafapetraka soamantsara izay, izany no hametra tsara hoe iza no afaka manao “mobile banking”. Araka ny voalaza teo, ny politika ankapobeny dia hosokafana izy io fa tsy hijanona fotsiny amin’ny “opérateur de téléphonie mobile” na banky tsotra fotsiny fa na iza na iza afaka manao azy daholo amin’izay fotoana izay. Hisokatra tanteraka izy io. Ny fiheverako azy, io no ahafahantsika manenjika ny taha “inclusion financière”, fantatsika fa efa any amin’ny “3 Millions” any ny “compte de mobile banking” misy amin’izao fotoana izao; avo telo heny amin’ny “compte” misy any amin’ny “compte bancaire” satria mifanaraka amin’ny filan’ny olona io ary tena hanome valin-teny mahafapo ho an’ny olona amin’ny findramam-bola ihany koa ny fisiany. Ao ambadik’io anefa misy fandraisana andraikitra ataon’ny Banky Foibe, ny “supervision”-n’ny “activité” izany. Vaovao io teknolojia io kanefa tsy maintsy irosoana ary efa miomana amin’izany ny Banky Foibe. Raha ny faniriana, ny voalohan’ny volana Jolay 2016 dia ho tafiditra tanteraka ao anatin’ny lalàna vaovao mikasika an’io isika; samy hisy “concurrence” amin’izay fotoana izay na ny banky na ny “téléphonie” na ny olon-tsotra raha te-hanao azy saingy misy fepetra amin’ny fametrahana azy. Ao anatin’izay ny “taux” any amin’ny “microfinance” izay efa noresahantsika teo. Marina fa anisan’ny ambony indrindra ny “taux” any amin’ny “microfinance”. Tsara ampahatsiahivina ihany hoe maninona no ambany na maninona no ambony ny “taux” any amin’ny “microfinance”. Nidin’ny vola ny “taux”, misy olona manam-bola, ampindraminy ny vola, iny “taux” iny no vidiny, ny iray 45%. Tena marina izany satria raha entina ao anatin’ny herin-taona iny dia miakatra hatrany amin’ny 45%, kanefa ny “taux” heverin’ny Banky Foibe amin’izao fotoana izao dia eo amin’ny 8,3%. Misy rafitra toy izao izy io raha ny tena marina. Voalohany, matoa mampindram-bola ny olona, te-hahazo tombony izy ary izay no mahatonga ny Banky Foibe milaza hoe eo amin’ny 8,3% ny “taux” satria 7% eo no fiakaran’ny vidim-piainana na ny “inflation” izany, 1,3% no “marge”. Ny ambonin’io, ny mpanam-bola amin’izay no manao “analyse” hoe inona no “risque” ho entiko raha mampindram-bola aho. Misy ny atao hoe “risquer, payer”, ao koa ny “risque juridique”. Fantatrareo tsara fa eto Madagasikara raha vao tafiditra any amin’ny fitsarana, efa miakatra be ny “risque”, mandeha ny vola aloa amin’ny “avocat”, mety hivoaka ny “dommage intérêt”, tsy maintsy ampidiriny ao daholo izany rehetra izany. Ao koa ny “risque de crédit” ; ny “client” ve tena manana “capacité” hamerina ny vola satria mety tsy ho voaverina ny vola.

Page 27: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

25

Ao koa ny “risque de mise en œuvre de garantie”, mety ho azo ny “garantie” ary betsaka mihitsy ny banky manana “garantie” anefa tsy voavadika vola izay noho ny antony maro. Izany rehetra izany no mahatonga hoe midangana be ny vidin’ny vola amin’ny “taux d’intérêt”. Mazava ho azy fa ny any amin’ny “microfinance”, betsaka lavitra ny “risque” noho ny any amin’ny “banque primaire”. Ny antony, ny “banque primaire”, lehibe ny “masse” kirakirainy ary arakaraka ny mahabe ny vola kirakiraina no mahakely ny vidiny. Any amin’ny “microfinance”, kely ny zavatra kirakirainy kanefa ny “risque” lehibe. Izay no mahatonga azy manao an’io ary izaho tsy miteny hoe tsy mihoapampana akory no alainy satria ambonin’izay mbola maka “marge” izy. Tsy miaro azy amin’izay aho. Efa nanao “étude” ny Banky Foibe amin’izao fotoana izao hoe: inona avy no “composante déterminante”-n’ny “taux d’intérêt” eto Madagasikara. Efa vita io “étude” io ary haseho mba ahafantaran’ny rehetra hoe toy izao no fomba fanaon’ny banky rehefa hampindram-bola, hita eo hoe iza no maka “marge 20%”, iza no maka “marge” azo ekena. Misy asa iray ao ambadik’io, tsy inona izany fa ny fiarovana ny mpanjifa na ny “protection de consommateur”. Ao anatin’izay no idirana amin’ny « communication » izay tokony hatao matanjaka mba ahafantaran’ny olona fa mampidina ny vidin’ny entana io “taux d’intérêt” resahantsika io, fa na entana inona, efa fantatrareo ihany anie ankoatry ny fifaninana; rehefa betsaka ny mpifaninana, midina foana ny vidin’entana. Ny ezaka ataontsika dia mampitombo ny mpifaninana hampidina ny vidin’io “taux d’intérêt” io. Ampitomboina ny isan’ny mpifaninana, lasa mampitombo ny harin-karenantsika izany satria raha mbola mahantra toa izao isika, tsy hisy banky na mpametra-bola ho avy eto Madagasikara hanao “investissement” lehibe. Misy fanazavana tiako ho entina ihany ahafantarantsika hoe inona no mahatonga ny “microfinance” miakatra be ny “taux” ao aminy. Mifandray mivantana amin’io ny olana vao nolazaina teo mikasika ny hoe raha sanatria ka potraka ny “microfinance”, inona no andraikitry ny Banky Foibe ao anatin’izay. “Résolution de crise” no filaza azy; mbola hisy lalàna ho entina eto satria tsy misy lalàna mikasika an’izay amin’izao fotoana izao eto Madagasikara ary tsy mpitranga loatra ny zavatra tahaka izany. Tsy izany no manakana ny zavatra hitranga; nisy an’izany tany Fianarantsoa, tao amin’ny TIAVO izay fantatsika fa nanana olana lehibe momba ny vola; nisy koa tany Toamasina, tany Mahajanga. Ny tiana ho lazaina momba ny “microfinance”, araka ny voalaza teo, misy “risque” ao aminy. Ny tena aroriaka voalohany indrindra ary izay foana no nampianarina, aza hadinoina fa ny “microfinance” anie dia “mutualiste”, ny olona mpametra-bola anie no tompon’io “microfinance” io fa tsy ny fanjakana. Anjarany no mijery izay fomba fitantanana mahomby mba tsy ho very ny volany; ohatran’ny hoe: izaho mametraka vola any amin’ny orinasa iray, anjarako ny mijery ny fomba fitantanana mahomby mba tsy ho very ny volako. Izay angamba no zavatra tsara ho fantatsika hoe “aproche mutualiste” no nanaovantsika an’io, ny tompon’ny petra-bola no mametraka vola ao ary izy no tompon’ny fitantanana satria izy no mifidy ny mpitantana ao, izy no manana “conseil d’administration”, izy no mifidy ny “auditeur”, izy no mifidy ny “gérant” fa atz ivelany, manampy azy araka ny rafitra fotsiny. Efa nisy dinidinika mikasika azy io natao satria mbola vao nanomboka ihany isika, ka hijery an’izay ary ho entina eto aminareo izay volavolan-dalàna izay. Asa raha ho tratra amin’ity volana Oktobra ity na farafaharatsiny amin’ny “première session 2017”, izay mikasika ny

Page 28: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

26

“résolution de crise” sy ny fanatsarana ny sata mifehy ny asan’ny banky mihitsy amin’ny ankapobeny. Momba ny “banque de développement” : tsy ampy tokoa izany. Araka ny fahafantarantsika azy, banky hametraham-bola hanao « investissement à long terme » izy ireo. Izay no tena heviny amin’ny akapobeny, lavitr’ezaka ary ny « développement » izany tsy vita vetivety koa. Efa nisy ihany eritreritra ary tamin’ny taona 2008 izy iny, efa nisy “statut de la banque de développement” teto amintsika nandehandeha tany ary efa nisy fivoriana matetika niaraka tamin’ireo mpandraharaha sy banky kanefa tsy tanteraka izany. Inona no tena sakana; voalohany, ny fahitana petra-bola satria mila petra-bola lehibe izany “banque de développement” izany. Ohatra raha hametraka “banque de développement” ianao ka te-hanao lalana na hanao « infrastructure » hafa, vola be vao afaka manao izany. Izany no sakana lehibe, aiza no hahitana petra-bola lehibe ahafahana manao an’izany. Ny zava-misy, matetika io “banque de développement” io “régionale” no tena misy ankehitriny ; izany hoe firenena roa na telo no mitambatra ao anaty “communauté” iray ka manangana an’io banky io. Ny faharoa, ny fitantanana: tsy azontsika lavina fa nisy ihany “banque de développement” teto saingy fitantanam-panjakana no natao taminy hany ka very fotsiny ny vola satria lasa fanapahan-kevitra politika sy fiarovana olona no tao fa tsy fampandrosoana. Manaraka, tsy maintsy vahana izany satria mora am-pitenenana izany fa rehefa tonga ao, raha « publique » ny banky, misy foana ny « point public » ao anatin’ny « pouvoir public ». Mety hanimba ny « rentabilité »-ny ny « initiative » izay tokony horaisina. Efa nivory izahay vao herinandro lasa izay, tany amin’ny “hôtel Ibis” angamba raha tsy diso aho. Nivory mikasika an’izay hoe ahoana no hametrahana fitaovana hanampiana ny sehatra tsy miankina izay anisan’ny tafiditra ao anatin’ny tokony hametra-bola ao amin’ny « banque de développement ». Andraikitry ny fanjakana izay raha ohatra omena alalana hitrandraka, mazava ho azy fa vonona ny Banky Foibe. Tafiditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny andraikitry ny Banky Foibe ny manohana ny “politique générale du Gouvernement”. Mikasika ny fanontaniana telo misesy momba ny volamena, efa nezahiko novaliana tamin’ny « filière or » tamin’ny ankapobeny izay. Afaka mijoro amin’ny fahaleovatenany ve ny Banky Foibe amin’io sata io. Tena nezahina mihitsy izay ary ny antsipirian’ny ahafahan’ny Banky Foibe mijoro amin’izay dia napetraka ao anatin’ity sata ity. Rehefa miteny hoe afaka mijoro; izao no tena marina, ny mpitantana ny Banky Foibe ve afaka mijoro amin’ny fahaleovatenany. Misy arofanina telo napetratsika ho an’ny mpitantana. Voalohany, araka ny voalaza teo : ny faharetan’ny « mandat » sy ny fotoana amin’ny politika. Izay no fiarovana iray lehibe, fa tsy isaky ny miova ny mpitondra politika dia ovaina koa ny mpitantanana. Faharoa, tsy azo esorina amin’ny toerany ny mpitantana ny Banky Foibe raha tsy efa misy antony tena mazava tsara. Ao amin’ny andininy faha-52 ka hatramin’ny andininy faha-60 no ahitantsika hoe: inona avy no fiarovana omena ny mpitantanana ny Banky Foibe, mba tsy halaina fotsiny amin’ny halako bika tsy tiako tarehy.

Page 29: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

27

Fahatelo, ny “autonomie financière”, ahoana tokoa raha tsy manana an’izany izahay. Tsy misy na inona na inona azo atao raha tsy voapetraka ny fototra koa raha sanatria misy faty antoka ao amin’ny Banky Foibe mandritra ny iray taona, ka latsaky ny “situation” tokony hisy, “capitaliser automatiquement” ny Banky Foibe mba tsy hiankina amin’ny fanjakana foana izahay. Noho izany, manana “autonomie financière” izahay. Efa voalaza teo, ao anatin’ny asanay, tena tsy mandray baiko izahay raha izay no resahana. Averiko indray, amin’ny fiarovana ny vola Malagasy, tsy mandray baiko avy amin’iza na amin’iza ny mpitantana ao amin’ny Banky Foibe. Izany hoe, afaka mijoro amin’ny fahaleovatenany ny Banky Foibe raha ity lalàna vaovao ity no jerena. Mikasika ny fanontaniana hoe azo atao ve ny manao “billet de 100 000 Ariary”. Raha resaka vola, tsy dia misy “principe” loatra fa tsy avoaka fotsiny amin’izao ary tsy maintsy mifandanja ny vola ilaina amin’ny filan’ny toe-karena sy ny vola avoaka. Raha ny “principe”, rehefa manomboka be loatra ny fampiasana antotam-bola iray 10 000 Ariary ohatra, tsy maintsy mamoaka vola amboniny isika, ohatra hoe 20 000 Ariary. Efa manatokatona an’izay isika amin’izao raha ny atontan’isa no jerena. Eo ihany koa, efa folo taona mahery ireo vola ireo no navoaka fa tsy manaraka an’izay fiarovana izay intsony, somary nilazaon’ny toetr’andro amin’ny lafiny ara-teknolojia; mety ho fotoanany hijerena izay amin’izao. Momba ny lelavola 100 000 Ariary, mbola ho dinihana eo ihany izay. Mikasika ny « banque de développement », efa voalazako teo ny « compte du trésor » ; misy ve ao; averiko ny fanontaniana hoe: misy “compte du trésor” ao amin’ny Banky Foibe ary miala amin’io “compte du trésor” io daholo ny fidiram-bola sy ny famoaham-bola ataon’ny fanjakana. Voalaza koa hoe dimy taona ny “mandat”. Izay no antony nanaovana azy an’izay; angamba tsy iverenana intsony, fa efa nohazavaiko tamin’ny antsipiriany teo ny maha mety azy ho dimy taona fa tsy efatra taona. Mikasika ny hoe tery, “technique de gestion” izay aterina any amin’ny Banky Foibe hoe ahoana marina no “articulation” ary ahoana ny momba ny “comité exécutif”. Efa nisy valin-teny nentiko teo Andriamatoa Solombavambahoaka, kanefa mbola amafisiko ihany fa ny fitantanana ao amin’ny Banky Foibe dia manana ny atao hoe “plan stratégique 2015, 2016, 2019”. Izany “plan stratégique” izany dia mametraka hoe inona no vina napetraka tao anatin’ny 5 taona; inona no tanjona tratra; inona no asa tokony hatao, inona no “plan d’action” ary isan-taona, mametraka ny “budget” amin’ny rafitra rehetra. Manana “budget” isika ary amin’ny fanatanterahana izany no anaovana famoaham-bola sy andraisana ny fanapahan-kevitra fa tsy hoe tsy misy rafitra mifehy ny famoaham-bola. Ankoatran’izay, misy “direction” lehibe ao amin’ny Banky Foibe, “Direction de Contrôle Général”, karazana “inspection générale” io ary ao anatiny no misy ny « Direction de Contrôle de Formalité ». Io « direction » io no manao « inspection » any amin’ny sehatra samihafa momba ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny “procédure” sy ny “justification” momba ny “pièce justificative”; ao anatin’izay ny “audit interne” sy “audit externe”.

Page 30: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

28

Alohan’ny farany, mikasika ny banky izay mampahantra ny olona. Ny fananganana banky dia misy lalàna mametraka azy. Ao anatin’ny “loi bancaire”-ntsika, efa voafaritra mazava tsara ao hoe inona avy no fepetra tsy maintsy arahana rehefa hanokatra banky. Ny zava-misy, somary sahirankirana ny olona manao an’io fananganana banky io. Ny antony voalohany, araka ny efa nolazaiko teo; ny tsena mihitsy no tsy misy. Kely dia kely ny tsenantsika ary mitovy amin’ny “téléphone mobile”, mitovy amin’ny “assurance”. Miditra amin’ny sehatra hafa isika fa mbola tsy ampy ny haben’ny tsena ahafahana manao fifaninanana lehibe. Izay angamba, Andriamatoa Filoha, no valim-panontaniana azo nentina, fa misaotra antsika naharitra nihaino.

- Tehaka - Andriamatoa FILOHA Manao satroka ary omena ny Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges ny fitenenana. Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges Manao satroka aho, Andriamatoa Filoha. Misy zavatra kely fotsiny, ity anie ho lany fa aza matahotra ianao Andriamatoa Tale Jeneraly. Ny zavatra mba tiako ho tenenina, izaho tsy miteny hoe ianareo no hividy volamena fa ny entana ao aminareo ireny no manala baraka. Izahay Solombavambahoaka maheno ny feom-bahoaka hoe: volamena azo avy amin’ny “saisie” lasa mankatsy, lasa mankaroa; miditra ao aminareo, heverin’ny vahoaka hoe efa tratra iny ka tokony ho lasa volam-bahoaka, fananam-panjakana ary ho an’ny firenena izany. Hay izay no izy, tetika atao fotsiny mba hampidirana azy ao kanefa ry zalahy ihany no maka azy rehefa avy eo. Azony alaina iny, fa noheverin’ny vahoaka hoe miditra ao, “saisie” ary ho an’ny vahoaka izany. Tsara raha tsy handoto anareo fa ny vola kosa tsy mijanona ho an’ny Banky Foibe fa miverina amin-dry zalahy izay misambotra azy any. Izany hoe, izy no mampiditra azy ao, mody entina ao dia alainy indray rehefa avy eo satria any aminy ny fanalahidy, amin’izay ianareo tsy afaka miteny, lasa tahaka ny “boite au lettre” ianareo raha ny tena izy. Mba hialana amin’ny vavam-bahoaka satria ny olona mahalala fa miditra ao io zavatra “saisie” io dia lasan’ny fanjakana ary an’ny vahoaka satria tokony hanaovana zavatra ho an’ny vahoaka kanefa azo tamin’ny tsy rariny. Tsy izay, sanatrian’ny vava, miala tsiny aho milaza hoe “boite au lettre”, manatitra taratasy izy, avy eo maka kanefa tsy misy na inona na inona; nankaiza ireo zavatra ireo. Rariny raha heno atz ambadika tato ho ato ary mandeha be ny resaka hoe namidy hono, misy volamena amidy ao amin’ny Banky Foibe, mitady mpividy ry zalahy any ivelany. Hay ry zalahy tompony izay nampiditra azy ihany no nivarotra azy. Misaotra Tompoko, ialana tsiny satria ny olona ao aminareo raha manao “communication” ho an’ny vahoaka dia mba tokony hampahalala izany amin’izay tsy maloto ianareo. Ny volamena miditra ao aminareo, “boite au lettre” ianareo fa ny an-dry zareo, izy ihany no maka azy, izy ihany no manao izay anaovany azy any. Misaotra Tompoko.

Page 31: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

29

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fanamarihana nataonao. Asa raha mbola misy hambara ny avy ao amin’ny Banky Foibe. Andriamatoa RANDRIAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara Misaotra, Andriamatoa Filoha. Voaray tsara ny soso-kevitra teo, afaka manao “communiquer” ve ny Banky Foibe amin’ny volamena izay voaray sy miditra ao aminy. Moa ve tsy afaka misalovana ny asan’ny hafa isika ; lazaiko aminareo fa fitsarana sy ny didim-pitsarana no mandefa ny fividianana an’ireo. Raha mbola tsy vita ny fitsarana sy ny didim-pitsarana dia tsy tokony hatao izany. Tahaka ny fananam-panjakana rehetra ireo satria rehefa atao “saisie” dia azy no dikan’izay. Marina ny zavatra noresahanao fa tena fananam-panjakana 100% ireo. Andraikitry ny fanjakana no mikarakara ny famarotana azy amin’izay fotoana izay. Izay angamba no azoko anampiana ny fanazavana teo. Misaotra, Andriamatoa Filoha.

- 7 - - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika

ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 » - Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, isaorantsika, ry zareo avy amin’ny Banky Foibe ary ny tenako manokana dia tena misaotra anao Andriamatoa Tale Jenraly satria tena nazava ny famaliana ny fanontaniana teo ary nahafahanay nahafantatra zavatra maro. Ny soso-kevitra avy tamin’ny Solombavambahoaka teo dia amin’ny lafiny “communication” sy ny karazany, tsara ihany ny itadiavanareo hevitra mikasika an’izay satria ny tsy fahafantarana indraindray no lasa mitarika ahiahy. Satria tsy manan-kolazaina intsony isika, hiroso amin’ny fijerena amin’ny isan’andininy momba ity volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 mikasika ny satan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ity. Ahitana lohateny miisa 6, izay misy andininy miisa 95 ity volavolan-dalàna ity. Mba tsy haha ela antsika, hiditra amin’ny voalohany indrindra momba ny famelabelarana ny antonantony isika. Nolanian’ny Vaomiera tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay mandany ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana -

Page 32: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

30

Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - « Titre Premier : Dispositions Générales » Ahitana andininy miisa 7; Andininy voalohany hatramin’ny andininy faha-7: tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo.

- Tsy misy - Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - « Titre II : Fonctions de la Banque Centrale » Ahitana andininy miisa 42; Andininy faha-8 ka hatramin’ny andininy faha-50.; tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo.

- Tsy misy - Atsanganao ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy -

Page 33: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

31

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy- « Titre III : Structure et Organisation de la Banque Centrale » Ahitana andininy miisa 26; Andininy faha-51 ka hatramin’ny andininy faha-77; Andininy faha-51 ka hatramin’ny andininy faha-56, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo.

- Tsy misy - Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy- Andininy faha-57, nasiana fanovàna toy izao izay naroson’ny Antenimierandoholona: « Article 57 : Le Gouverneur assume la direction et la gestion de la Banque Centrale. Il représente la Banque Centrale vis-à-vis des tiers, il signe seul au nom de la Banque Centrale tous traités et conventions auxquels la Banque Centrale est partie. Les actions judiciaires sont intentées et défendues à ces poursuites et diligences. Il prend toutes mesures d’exécution et toutes mesures conservatoires qu’il juge utiles. Il assure l’application des lois et règlement relatif à la Banque Centrale et des résolutions des Conseil d’Administration. Sur proposition des Comités Exécutifs, le Gouverneur :

- Organise les services de la Banque Centrale ayant définit les tâches. - Dans les conditions prévues par le statut du personnel, recrute nomme à leur poste, révoque

et destitue les agents de la Banque Centrale - Désigne les représentants de la Banque Centrale au sein d’autres Institutions.

Iza no manan-kambara momba io andininy io.

- Tsy misy -

Page 34: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

32

Atsangano ny tànan’iza manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy- Andininy faha-58 ka hatramin’ny andininy faha-77. Hitanao, raha vao tsy manara-dalàna isika, raha vao tonga ny “contrôle de constitutionnalité” ataon’ny HCC dia tsy mety satria misy manara-maso ry zareo. Aleo alefa, fa malaky ho vita izy ity, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andininy faha-58 ka hatramin’ny andininy faha-77; tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo.

- Tsy misy - Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy- « Titre IV : Dispositions Diverses » Ahitana andininy miisa 7; Andininy faha-78 ka hatramin’ny andininy faha-86; tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo.

- Tsy misy - Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana -

Page 35: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

33

Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - « Titre V : Dispositions Transitoires » Ahitana andininy miisa 5; Andininy faha-87 ka hatramin’ny andininy faha-91; tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo.

- Tsy misy - Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy- « Titre VI : Dispositions Finales » Ahitana andininy miisa 4; andininy faha-92 ka hatramin’ny andininy faha-95, tsy nasiam-panovàna.

Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo.

- Tsy misy - Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy-

Page 36: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

34

Vita Tompokolahy sy Tompokovavy ny fijerena tamin’ny isan’andininy; izao isika dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny ankapobeny mikasika ity volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 tamin’ny 2 Jona 2016 mikasika ny satan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ity. Atsangano ny tànan’izay mandany ity volavolan-dalàna ity.

- Solombavambahoaka miisa 59 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy- Ambarako fa lany ny volavolan-dalàna mikasika ny satan’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

- Tehaka - Taorian’ny fandaniana, ohatran’ny mahazatra ihany, omena fitenenana ianareo avy ao amin’ny Banky Foibe raha manan-kambara. Omena anao ny fitenenana. Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara Andriamatoa Filoha; Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra; Tompokolahy sy Tompokovavy, Solombavambahoaka hajaina. Ny voalohan-teny dia fisaorana sy fankatelemana antsika izay tonga maro be nanatrika ity fivoriambe ity. Ankoatr’izay, ny fanekenareo an’ity volavolan-dalàna ity araka ny eritreritray; efa noraisintsika ho lalàna izy amin’izao fotoana izao, koa mino izahay fa tena hitondra fanatsarana amin’ny fitantanana ny Banky Foibe izy ity. Raha jerena ny habetsaky sy halalin’ny fanontaniana, hita tokoa fa efa mandray andraikitra sahady ny Antenimiera mikasika ny andraikitra sahanin’ny Banky Foibe. Ny farany holazaiko ankoatran’ny fisaorana, tsy tokony hisalasala ianareo satria “Institution publique” ny Banky Foibe, ny fanjakana no manana petra-bola ao; tsy misy afa-tsy ny fanjakana ihany. Andraikitry ny ao amin’ny Banky Foibe no manao tamberin’andraikitra na ny “redevabilité” izany. Averiko fa azonareo antsoina amin’ny fotoana ilàna azy ny Governora mba hitondra izay fanazavana rehetra ilainareo. Mamerina ny fisaorana sy fankatelemana Tompokolahy sy Tompokovavy.

Page 37: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny
Page 38: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

FIZAHAN-TAKELAKA Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................ 01 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 01 - Fiantsoana anarana ............................................................................................................... 01 - Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRAVELO Hermann ...................................................... 01 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 02 - Famakiana ny tatitra ............................................................................................................. 02 - Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka P. .................... 02 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 06 - Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka P. .................... 06 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra .................................................................................. 06 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ...................................................................... 07 - Fanazavana ny antonanton’ny volavolan-dalàna ................................................................. 08 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 08 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ...................................................................... 09 - Adihevitra ankapobeny ......................................................................................................... 10 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 10 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles ............................................... 10 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 11 - Teny nataon’Andriamatoa RABEKIJANA Solofo Hery ........................................................... 11 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges .............................. 11 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIARIMALALA Harijaona ................................................... 12 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 13 - Teny nataon’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc .................................................................... 13 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 14 - Teny nataon-dRamatoa RABEMANANJARA née RAMANANDRAISOA Célestine .................. 14 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 15 - Teny nataon’Andriamatoa RAZANAKOTO ............................................................................. 15 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson ................................................................ 15 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 16 - Teny nataon-dRamatoa ANGELE Solange ............................................................................. 16 - Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance .............................................................. 16 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 17 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin ...................... 17 - Teny nataon’Andriamatoa FAMINDRA Justin ....................................................................... 17 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 18 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ...................................................................... 18 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 28 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges .............................. 28 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 29

Page 39: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny ... Koa hioso amin’izany isika izao. Aiza ianareo Mpitantsoata avy amin’ny Vaomiean’ny

- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ...................................................................... 29 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2016 ........................................................................ 29 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Jules Théodore, Tale Jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ...................................................................... 34 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 35 - Fiatoan’ny fivoriana ............................................................................................................... 35