torolalana ho an'ny ben'ny tananà (pnud - 2000)

Upload: hayzara-madagascar

Post on 08-Apr-2018

337 views

Category:

Documents


1 download

TRANSCRIPT

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    1/197

    REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA

    Tanindrazana Fahafahana Fandrosoana

    PRIMATURE

    MINISTERANNY FITANTANAM-BOLA SY NYFAMPIROBOROBOANA NY FARITANY MIZAKA TENA

    TTTOOORRROOOLLLAAALLLAAANNNAAA HHHOOO

    AAANNNNNNYYYBBBEEENNNNNNYYYTTTAAANNNAAANNNAAA

    FFFIIIAAARRRAAAHHHAAA---MMMIIIAAASSSAAA """GGGOOOVVVEEERRRNNNEEEMMMAAANNNTTTAAA MMMAAALLLAAAGGGAAASSS YYY--- SSSAAAMMMPPPAAANNN---

    DDDRRRAAAHHHAAARRRAAAHHHAAANNNNNNYYYFFFIIIRRREEENNNEEENNNAAA MMMIIIKKKAAAMMMBBBAAANNNAAA MMMIIISSSAAAHHHAAANNNAAA NNNYYY

    FFFAAAMMMPPPAAANNNDDDRRROOOSSSOOOAAANNNAAA"""

    PROGRAMME MAG/97/007 DAP 1"Gouvernance et Politiques Publiques pour un Dveloppement Humain Durable"

    SSSEEEPPPTTTAAAMMMBBBRRRAAA 222000000000

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    2/197

    2

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    3/197

    3

    REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA

    Tanindrazana Fahafahana Fandrosoana

    PRIMATURE

    MINISTERANNY FITANTANAM-BOLA SY NYFAMPIROBOROBOANA NY FARITANY MIZAKA TENA

    TTTOOORRROOOLLLAAALLLAAANNNAAA HHHOOO

    AAANNNNNNYYYBBBEEENNNNNNYYYTTTAAANNNAAANNNAAA

    FFFIIIAAARRRAAAHHHAAA---MMMIIIAAASSSAAA """GGGOOOVVVEEERRRNNNEEEMMMAAANNNTTTAAA MMMAAALLLAAAGGGAAASSS YYY--- SSSAAAMMMPPPAAANNN---

    DDDRRRAAAHHHAAARRRAAAHHHAAANNNNNNYYYFFFIIIRRREEENNNEEENNNAAA MMMIIIKKKAAAMMMBBBAAANNNAAA MMMIIISSSAAAHHHAAANNNAAA NNNYYY

    FFFAAAMMMPPPAAANNNDDDRRROOOSSSOOOAAANNNAAA"""

    PROGRAMME MAG/97/007 DAP 1"Gouvernance et Politiques Publiques pour un Dveloppement Humain Durable"

    SSSEEEPPPTTTAAAMMMBBBRRRAAA 222000000000

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    4/197

    4

    FIZAHAN-TAKELAKA

    1 FAMPIDIRANA.........................................................................................................................14

    2 NY KAOMININA ......................................................................................................................14

    3 IREO TOMPON'ANDRAIKITRA AO AMIN'NY KAOMININA..........................................16

    3.1NY FIFIDIANANA NY MPANOLONTSINA SY NY BEN'NY TANNA.16

    3.1.1 Fanaikana ny mpifidy....16

    3.1.2 Fepetra ilaina hahafahana milatsaka ho fidina ho Mpanolontsaina

    sy ho Ben'ny tanna....16

    3.1.3 Ny amin'ny tsy fahazoana mampirafy raharaha sy ny fanonganana..17

    3.2NY MPANOLONTSAINA MONISIPALY NA KAOMINALY18

    3.2.1 Isan'ny Mapnolontsaina monisipaly na kaominaly..18

    3.2.2. Ny biraon'ny Filankevitra.19

    3.2.3 Ny fiasanny Filankevitra..19

    3.2.4 Ny fiantsoana ny Filankevitra...20

    3.2.5 Ny vaomiera..21

    3.2.6. Ny andraikitry ny Filankevitra.22

    3.2.7 Ny sora-draharahan'ny Filankevitra...23

    3.2.8 Ny tambi-karama.26

    3.3NY BEN'NY TANANA -LEHIBEN'NY FITONDRAN-DRAHARAHA KAOMINALY...27

    3.3.1 Fandaminana ny mpanantanteraka.27

    3.3.2 Ny andraikitry ny Ben'ny tanna..28

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    5/197

    5

    3.3.3 Ny sora-draharahan'ny Ben'ny tanna29

    3.3.4 Ny tambim-bola samihafa..31

    4 FANDAMINANA NY KAOMININA........................................................................................33

    4.1NY RAFITR'ASA..33

    4.2NY FANDAMI NANA NY KAOMININA ARA-PARITRA :NY FOKONTANY...34

    5 NY FITANTANANA NY MPIASA ...........................................................................................35

    5.1FOTO-KEVITRA ANKAPOBE.35

    5.2FANAOVANA NY FISIN'NY MPIASA..36

    5.3FANDRAISANA MPIASA...37

    5.3.1 Paika anatiny arahina.38

    5.3.2 Paika ivelany arahina.38

    5.4NY POLITIKAN'NY KARAMA39

    5.5FANOMBANANA NY MPIASA...40

    5.6NY FAMPIROBOROBOANA NY MPIASA SY NY OLONA AMPIASAINA.42

    5.6.1 Ny fanofanana..42

    5.6.2 Ny fifandraisana anatiny43

    5.7FITONDRANA NY MPIASA44

    5.7.1 Ny fifanekem-piasana.44

    5.7.2 Ny fialan-tsasatra45

    5.7.3 Ny tsy-fiasana sy ny fanomezan-diana tsy hiasa.46

    5.7.4 Ny iraka..47

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    6/197

    6

    5.7.5 Ny fitsipi-pifehezana48

    6 IREO SAMPAN-DRAHARA KAOMINALY...........................................................................50

    6.1NY SEKRETARIA ARA-PITONDRANA...50

    6.1.1 Ny fomba fanehoana ny taratasy ifandefasana ara-pitondrana50

    6.1.2 Ny taratasy ifandefasana tonga51

    6.1.3 Ny taratasy ifandefasana miainga52

    6.1.4 Ny fandaminana ny fitehirizana ny taratasy..53

    6.2NY RAHARAHA ATAO AMIN'NY ANARAN'NY FANJAKANA...53

    6.3NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY NY FANABEAZANA FOTOTRA...53

    6.4NY FAMPANDROSOANA KAOMINALY.55

    6.4.1 Famantarana.56

    6.4.2 Ny fandaharan'asa..57

    6.4.3 Fanomanana ny antotan-taratasin'ny tetik'asa.58

    6.4.4 Ny fikarohana famatsiam-bola na fiombonan'antoka.59

    6.4.5 Ny fanatanterahana.59

    6.4.6 Ny fanombanana..60

    7 NY FIRAISAN'NY SAMY KAOMININA................................................................................60

    8 NY LOHARANOM-BOLANNY KAOMININA ..................................................................... 62

    8.1NY HETRA MIVANTANA....63

    8.2NY HETRA TSY MIVANTANA..63

    8.3NY SARA SY HABA FANORATANA NY SORADRAHARAHA NA

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    7/197

    7

    FAMINDRAM-PANANANA..64

    8.4NY SARA SY HABA.65

    8.5NY VOLA FANDOA..66

    9 NY TARATASIN-DRAHARAHA ARA-TETI-BOLA SY SORA-BOLA ............................... 66

    9.1NY TARATASIN-DRAHARAHA ARA-TETI-BOLA66

    9.1.1 Ny teti-bolam-panombohana.66

    9.1.2 Ny teti-bola fanampiny67

    9.1.3 Ny fanapahana enti-manova.67

    9.1.4 Fandaharan-dohatenyamin'nyteti-bola..67

    9.2FANOKANANA NY SORA-BOLA67

    10 VOTOATIN'NY TETI-BOLA.................................................................................................68

    10.1VOLA MIDITRA HOFAMPANDEHAN-DRAHARAHA..68

    10.2NY FANDANIAM-BOLA FAMPANDEHAN-DRAHARAHA...68

    10.2.1 Vola miditra momba ny asam-pamokarana.68

    10.2.2 Ny fandaniam-bola hanaovana asam-pamokarana...69

    10.3NY FIFANDRAISANA ARA-BOLAN'NY SOKAJY ROA69

    11 FANDANIANA SY FANARAHA-MASO NY TETI-BOLA .................................................. 70

    11.1NY FANOMANANA NY TETI-BOLA : FEPETRA FAMPIFANDANJANA72

    11.2FOMBAFOMBA FANOMANANA..72

    12 FOTO-KEVITRA AN-KAPOBE.............................................................................................73

    12.1VOTOATIN'NY FOTO-KEVITRA MIORINA AMIN'NY FISARAHAN'ANDRAIKITRA73

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    8/197

    8

    12.2NY ASAN'NY MPANALALANA75

    12.3NY ASANNY MPITNA KAONTY...75

    13 ANJARA RAHARAHANNY MPANALALANA ..................................................................75

    13.1NY FANATANTERAHANA NY VOLA MIDITRA.75

    13.1.1 Foto-kevitra.75

    13.1.2 Ny fandefasana ny taratasy fanamarinam-pitakiana.75

    13.1.3 Fanitsiana, fampihenana na fanafohanana taratasy fanamarinam-

    pitakiana vola miditra.76

    13.1.4 Fampitana ny taratasy fanamarinam-pitakiana vola miditra any aminny

    mpitna kaonty.78

    13.1.5 Ny fotoana fandefasana ny taratasy fanamarinam-pitakiana ny vola

    miditra79

    13.2NY FANATANTERAHANA NY FANDAMINAM-BOLA79

    13.2.1 Ny raharaha momba ny fanekena hamoaka vola80

    13.2.2 Ny fikajiana ny fandaniana.82

    13.2.3 Ny baiko fampandoavam-bola83

    13.2.4 Fandefasana ny taratasy mibaiko any aminny mpitna kaonty 85

    13.2.5 Fotoana famoahana..86

    13.3NY KAONTINNY MPANALALANA.86

    13.3.1 Foto-kevitra.86

    13.3.2 Ny fanaovana ny kaontinny vola miditra87

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    9/197

    9

    13.3.3 Ny fikaontina ny fandaniana...88

    13.4NY RAHARAHA AMINNY FARANNY TAONA :ASA FANAO AMINNY FIFARANANNY

    TAOM-PIASANA..92

    13.5FAMARANANA NY FITANANA NY KAONTY ARA-PANJAKANA93

    14 ANJARA RAHARAHANNY MPITNA KAONTY.............................................................95

    14.1NY FANAOVAN-DRAHARAHA AMINNY VOLA MIDITRA96

    14.1.1 Fiandraiketana an-tsoratra ireo taratasy fanamarinan-jo hampidi-

    bola..96

    14.1.2 Famoriana ny vola miditra..97

    14.2NY FANAOVAN-DRAHARAHA AMINNY VOLA MIVOAKA..99

    14.2.1 Ny fanaraha-maso.99

    14.2.2 Ny sazy.99

    14.2.3 Ny fanefna..100

    14.2.4 Ny fanaovan-drahararha manokana...101

    14.3FITANANA KAONTY102

    14.3.1 Ny fandaminana ny fitnana ny kaontinny kaominina..102

    14.3.2 Fanoritsoritana ireo raharaha atao aminny fitnana kaonty..106

    14.3.3 Ny raharaha atao mikasika ny tahirim-bola.109

    14.3.4 Fanitsiana ny asa soratra..110

    14.3.5 Raharaha atao tsy ara-teti-bola..110

    14.4FITANANA KAONTY IREO TARATASY MISY VIDINY INACTIVES111

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    10/197

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    11/197

    11

    16.4.1 Famoronana.152

    16.4.2 Fandaminana152

    16.4.3 Anjara raharaha sy andraikitra...152

    16.5NY TANIN'NY KAOMININA..154

    16.5.1 Ny tanim-bahoaka...154

    16.5.2 Anjara raharahanny kaominina eo aminny fitantanana ny tanim-

    panjakana, Faritany na Faritra..159

    16.6NY FANATSARANA NY TANANA..160

    16.6.1 Ny drafitra fanatsarana ny tanna..161

    16.6.2 Fanomezan-dlana hamangitra sy ny fanomezan-dlana hanorina164

    16.6.3 Ny fikilasiana ny fanokanan-tany ao amin'ny tanim-panjakana..169

    16.7NY TOBY FANAGIAZANA.170

    16.7.1 Ny fanagiazana171

    16.7.2 Ny fe-potoana hiazonana..171

    16.7.3 Ny famoahana avy ao amin'ny toby fanagiazana.172

    16.7.4 Ny taratasin-draharaha tazonina.172

    16.8FANDEVENANA - FAMADIHAN-DRAZANA -FITONDRANA RAZANA..172

    16.8.1 Ny fandevenana173

    16.8.2 Ny fanomezan-dlana handevina.173

    16.8.3 Ny famadihan-drazana..174

    16.8.4 Ny fitondrana razana..175

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    12/197

    12

    16.9NY FANAMARINAN-TSONIA177

    16.9.1 Ny fanamarinana ireo sora-draharaha tsy maintsy asiana hajia.177

    16.9.2 Saranny fanamarinana.178

    16.9.3 Ny soratra fametraka..178

    16.10NY HETRAN-TANY179

    16.10.1 Famaritana.179

    16.10.2 Sehatra iharany.179

    16.10.3 Ny toerana anaovana ny hetra...180

    16.10.4 Ny fikajiana ny hetra180

    16.11NY HETRAN-TRANO .................................................................................................181

    16.11.1 Famaritana.181

    16.11.2 Sehatra iharany.181

    16.11.3 Ireo tany tsy hampiharana azy...181

    16.11.4 Ny fototra hanorenana ny hetra.182

    16.11.5 Ny toerana anaovana ny hetra...182

    16.11.6 Ny sata mifehy ny hetra182

    16.11.7 Ny fikajiana ny hetra183

    16.12HABA ATOVANA AMNNY HETRAN-TRANO...183

    16.12.1 Famaritana.183

    16.12.2 Sehatra iharany.184

    16.12.3 Ny fototra hanorenana ny haba.184

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    13/197

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    14/197

    14

    1 FAMPIDIRANAIty boky ity dia natao ho fitaovam-piasana , arakizany dia tsy natao ho vakiana

    manomboka amin'ny voalohany ka hatramin'ny farany izy ity, fa natao kosa mba ho jeren'ny

    Ben'ny tanna na ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Kaominina isaky ny misy loha-hevitra

    voafaritra mazava mampisalasala azy amin'ny andraikiny. Noho izany, dia mitana toerana lehibe

    ao anatin'ity boky ity ny momba ireo andraikitra sy rafitra na paika fanatanterahan'asa.

    Ny zava-kendren'ity boky ity dia ny hanamora araka izay azo atao ireo raharaha

    andavan'andron'ny tompon'andraikitry ny Kaominina sy hanatsara ny vokatra azo amin'ny asa

    monisipaly/kaominaly sady mikendry ny ahafahan'ireo tompon'andraikitra ireo manokana

    fotoana bebe kokoa amin'ny asa fihariana ho fampandrosoana.

    2 NY KAOMININAAraka ny famaritana ao amin'ny Lalmpanorenana, ny Kaominina dia

    vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Tahaka ny faritrara, izy dia " faritra iray eto

    aminny Firenena ka ny fitambaran'ireo mponina ao aminy izay mpifidy sy mizaka ny

    zompirenena malagasy no mitondra ny asa aman-draharaha isamparitra sy eo an-toerana

    mba hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena, ara-tsosialy, ara-

    pahasalamana, ara-koltoraly, ara-tsiansa sy ara-teknolojia eo aminny faripiadidiany".

    ( Lalna Lf 94-008, and. voalohany). Ny Kaominina, izay vondromparitra fehezin'ny lalna

    mifehy ny Fanjakana dia manaraka ny zo aman'andraikitra ananan'ny isambatan'olona sy

    fizakan-tena ara-bola sy ara-pitondrana. Ireo rafitra ao aminy, ny Ben'ny tanna sy ny

    mpanolontsaina dia fidin'ny daholobe mivantana, ary mitondra malalaka ny Kaominina.

    Tsara marihina anefa fa ny andininy faha-126, andalana faha-4 ao amin'ny

    Lalmapanorenana dia milaza fa : "ny faritany mizakatena voalamina, ho vondrombahoakam-

    paritra itsinjaram-pahefana dia ahitna faritra sy Kaominina samy manana rantsana

    mandray fanapahan-kevitra sy rantsana mpanatanteraka". Ny fahefana sy tandrifim-pahefana

    ary loharanom-bolan'ny vondrom-paritra anapariaham-pahefana dia fehezin'ny lalna lf-94-007

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    15/197

    15

    tamin'ny 26 avrily 1995 izay manamafy orina ny asa ara-pitondrana sahanin'ny Kaominina,

    nefa tsy manohintohina ny toeran'ny Fanjakana foibe mba ahafahany misahana tsara ny

    andraikiny.

    Ireo sehatry ny tandrifim-pahefan'ny Kaominina dia mikasika indrindra :

    - ny famantarana izay tena zava-dehibe ilaina sy olana lehibe ara-tsosialy misy aoamin'ny ambaratongan'ny Kaominina ;

    - ny fisahanana ireo raharaha mifandrohy amin'ireo zavatra ilaina sy olana ireo;- ny famaritana sy fanatontosana ireo lamin'asa momba ny fanatsarana ny

    toeram-ponenana sy ny fampitaovana ataon'ny Fanjakana miendrikafampandrosoana ny tanan-dehibe ;

    - ireo asa rehetra iandraiketana momba ny sorampiankohonana sy ny fari-piadidiana miaramila ary ny fanisana ny mponina ;

    - ny fanatontosana izay asa atao ho fanampiana ny mpiarabelona ;

    -

    ireo fanatontosana ny asa momba ny fikarakarana sy fanaovana llana, mombany fanadiovana ny tanna sy ny fitandremam-pahasalamana ary ny fanesorana

    ireo fako ao an-tokantrano ;

    - ny fanorenana sy fitantanana ny toerana falehan'ny besinimaro sy tsenam-bahoaka mbamin'ny sombin'ny sombim-paritra ijanonan'ny fiarakodia sy izay

    rehetra fampitaovana hafa mampidi-bola toy ny toerana famonoam-biby sy

    toerana misy ahi-maitso ;

    - ny fisorohana dieny mialoha ireo doro-tanety ary ny ady atao amin'izany ;- ny fitantanana ny fari-pananana izay azy manokana ny fananganana sy

    fitantanana fitaovana ary ny foto-drafitr'asa momba ny sosialy sy ny

    fanatanjahan-tena ;

    - ny fandavorariana any amin'ny ambaratonga misy azy izay asa atao sy fepetraraisina ka mifanentana aminizany mba hiarovana amin'ireo loza voajanahary ;

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    16/197

    16

    - ny fitantanana ny mpandraharaha iadidiany, noraisin'ny Vondrom-paritraanapariaham-pahefana mivantana hiasa ao aminy, nafindra asa na nomen'n'ny

    Fanjakana hampiasainy.

    Amin'ny maha-olomboafidy voalohany azy ao amin'ny Kaominina, ny Ben'ny tanna

    amin'ireo sehatra ireo no tompon'andraikitra. Ny fahefana izay nomen'ny lalna azy dia

    manome fahefam-pitondrana azy hahafahany mandray fanapahan-kevitra amin'ny anarany sy

    amin'ny anaran'ny Fanjakana, ary izany no mahatonga azy ho mpanelanelana manokana ny

    olompirenena ao amin'ny Kaominina misy az sy ny Solontenam-panjakana.

    3 IREO TOMPON'ANDRAIKITRA AO AMIN'NY KAOMININA3.1 NY FIFIDIANANA NY MPANOLONTSINA SY NY BEN'NY TANANA

    3.1.1 Fanaikana ny mpifidyNy mpifidy dia antsoina handatsa-bato amin'ny didimpanjakana atao eo am-pivorian'ny

    Governemanta avoaka ao amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika telopolo andro

    farafahakeliny alohan'ny andro anaovana ny fifidianana. Ny didim-panjakana hanaikana ny

    mpifidy dia manondro:

    - Ny votoatin'ny fanaikana ny mpifidy ;- Ny andro hanaovana ny latsabato, ny ora tsy maintsy hanombohana azy ary ny

    ora tsy maintsy hifaranany;

    - Ny fari-potoana fanavaozana manokana ny lisitry ny mpifidy.3.1.2 Fepetra ilaina hahafahana milatsaka ho fidina ho Mpanolontsaina sy ho

    Ben'ny tanna

    Ireo kandid amin'ny fifidianana ho Mpanolontsaina na Ben'ny tanna dia tsy maintsy

    mahafeno ireto fepetra ireto :

    mizaka ny zom-pirenena malagasy ;

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    17/197

    17

    monina na mpandoa hetra ao amin'ny kaominina ; feno iraika amby roapolo taona katroka amin'ny andro anaovana ny fifidianana ;

    mizaka ny zon'ny isam-batan'olona sy ny zony politika ;

    voasoratra anarana amin'ny lisitry ny mpifidy ao amin'ny faripiadidiana iray etoamin'ny tanim-pirenena ;

    manana firaketan-tsazy ara-pitsarana madio ; mahafeno ny fepetra voalazan'ny lalna sy ny fitsipika momba ny hetra ary indrindra

    efa nahaloa ireo hetra sy haba isan-karazany takiana aminy tato anatin'ny taona efatra

    farany.

    Ambonin'izany, ireo mpandraharaha na ireo mpitrandraka ny tolotanim-panjakana

    voarohy amin'ny alalan'ny fifanarahana natao niaraka tamin'ny Kaominina mametraka azy ireo

    hiankinan-doha na hiombon-tombontsoa amin'ny Kaominina dia tsy mahazo mirotsaka ho

    fidina.

    3.1.3 Ny amin'ny tsy fahazoana mampirafy raharaha sy ny fanongananaTsy azo ampirafesina amin'ny andraikitry ny olomboafidy ao amin'ny Kaominina izay

    rehetra andraikitra hafa mahavoafidy amin'ny asambahoaka. Ny fisahanana ny andraikitry ny

    Mpanolontsaina na ny Ben'ny tanna dia tsy azo ampirafesina amin'ny fanaovana ny asan'ny :

    mambran'ny Fitsarana Avo momba ny Lalmpanorenana mambran'ny Filan-kevi-pirenena momba ny Fifidianana mpanelanelana mpampihavana mambran'ny Govememanta Sekretera Jeneraly, Tale Jeneraly, Talen'ny Andrimpanjakan'ny Repoblika sy ny

    Minisitera

    mpiasa karamain'ny Kaominina

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    18/197

    18

    mpitana ny kaontin'ny Kaominina

    Ny fisehoan'ny iray aminireo antony tsy mahavoafidy ireo na ny fisian'ny fanamelohanamanafoana ny zo isam-batan'olona mandritra ny fiandraiketana asa nahavoafidy dia mitarika ny

    fanonganana ilay olomboafidy. Na manao ahoana na manao ahoana ny fisehoan-javatra, ny

    fanonganana dia hamarinin'ny fanapahana ataon'ny ambaratongam-pitsarana mahefa araka ny

    fitoriana nataon'ny Solontenam-panjakana mahefa, na izay mpifidy rehetra ao amin'ny

    Kaominina.

    3.2 NY MPANOLONTSAINA MONISIPALY NA KAOMINALY3.2.1 Isan'ny Mapnolontsaina monisipaly na kaominalyNy isan'ny Mpanolontsaina monisipaly na kaominaly dia ferana ho". (Lalna lf-94-006

    mikasika ny fifidianana isam-paritra)

    - Mpanolontsaina kaominaly 8 any amin'ny Kaominina ambanivohitra izay latsakana sahala amin'ny 10.000 ny isan'ny mponina ao aminy;

    - Mpanolontsaina kaominaly 14 any amin'ny Kaominina ambanivohitra izaymihoatry ny 10.000 ny isan'ny mponina ao aminy;

    - Mpanolontsaina monisipaly 15 any amin'ny Kaominina ambonivohitra izaylatsaky na sahala amin'ny 10.000 ny mponina ao aminy ;

    - Mpanolontsaina monisipaly 17 any amin'ny Kaominina ambonivohitra izay miisa10.001 ka hatramin'ny 30.000 ny mponina ao aminy;

    - Mpanolontsaina monisipaly 19 any amin'ny Kaominina ambonivohitra izay miisa30.001 ka hatramin'ny 50.000 ny mponina ao aminy;

    - Mpanolontsaina monisipaly 21 any amin'ny Kaominina ambonivohitra izay miisa50.001 ka hatramin'ny 80.000 ny mponina ao aminy;

    - Mpanolontsaina monisipaly 23 any amin'ny Kaominina ambonivohitra izay miisa80.001 ka hatramin'ny 120.000 ny Inponina ao aminy ;

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    19/197

    19

    - Mpanolontsaina monisipaly 25 any amin'ny Kaominina ambonivohitra izaymihoatry 120.000 ny isan'ny mponina ao aminy.

    3.2.2 Ny biraon'ny FilankevitraNy toeram-piasan'ny Filankevitra monisipaly na kaominaly dia ao amin'ny Lapan'ny

    tanna na ao amin'ny biraon'ny Kaominina. Amin'ny fanavaozana ankapoben'ny Filankevitra, ny

    fivoriana voalohany dia atao, araka ny fiantsoana ataon'ny Solontenampanjakana, ny zoma

    voalohany raha aingana indrindra, ary ny alahady faharoa manaraka ny dimy ambinifolo andro

    aorian'ny ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana izay nahavoafidy ny

    Mpanolontsaina rehetra raha ela indrindra (and. 5 amin'ny lalna lf 94-008)

    Ny biraon'ny Filankevitra dia fidin'ny Mpanolontsaina ary ahitna :

    - Filoha iray (1)- Filoha Lefitra iray (1)- Mpampakateny roa (2)

    Lalna lf 94-008 taminny 26 avrily 1995 mikasika ny fandaminana sy ny tomba fiasaary anjara raharahanny Vondrom-paritra anapariaham-pahefana,and. 5.

    3.2.3 Ny fiasanny FilankevitraNy Filankevitra no mametra ny fepetra momba ny fiasany ao amin'ny Fitsipika anatiny

    izay lanian'ny Filankevitra. Antsoina hivory ara-potoana in-droa isan-taona ny Filankevitra.

    Folo andro raha be indrindra ny faharetan'ny fotoam-pivoriana ara-potoana, izay atao 15 andro

    amin'ny fivoriana handinihina ny tetibolam-panombohana. Ny fiantsoana ny Filankevitra hivorydia hatao araka ny fandaharam-potoana voafaritra tsara didin'ny Ben'ny tanna sy ny Filohan'ny

    Filankevitra miaraka. Ny faharetan'ny fotoam-pivoriana dia faritana araka ny habetsaky ny

    fandaharam-potoana. Ny fotoam-pivoriana voalohany isan-taona dia handinihina ny kaontim-

    pitantanan'ny taom-piasana teo aloha sy ny teti-bola fanampiny. Ny fotoam-pivoriana faharoa

    dia handinihina ny teti-bola amin'ny taom-piasana manaraka.

    Ny Filankevitra dia mivory tsy ara-potoana isaky ny mitaky izany ny raharahan'ny

    Kaominina, na noho ny fangatahan'ny Ben'ny tanna, ny iray ampahatelon'ny Mpanolontsaina

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    20/197

    20

    na ny Solontenampanjakana, araka ny fandaharam-potoana voafaritra tsara. Kanefa na manao

    ahoana na manao ahona dia tsy mahazo atao mihoatra ny telo andro ny faharetan'ny fivoriana

    tsy ara-potoana (and. faha-8 amin'ny lalna lf-94.008), Mandray anjara amin'ireo asa sy adi-

    hevitra ataon'ny Filankevitra ny Ben'ny tanna, nefa dia ho fakana hevitra fotsiny izy

    amin'izany. Horaiketina ao anatin'ireo fitanana an-tsoratra momba ny fivoriana ny firotsahany

    mandray fitenenana. (and. faha-11 amin'ny lalna lf-94.008). Ny solontenam-panjakana dia

    afaka, raha mangataka izany, ho henoin'ny Filankevitra sy mandray anjara amin'ny adi-hevitra.

    Horaiketina ao anatin'ireo fitanana an-tsoratra momba ny fivoriana ny firotsahany mandray

    fitenenana (and. faha-9 amin'ny lalna lf-94.008).

    Afaka mandray fanapahan-kevitra ara-dalna ny Filankevitra rehefa manatrika ny

    fivoriana na voasolo-tena ny ankamaroan'ny mambra amperin'asa ao aminy, raha tsy izany dia

    asiana fiantsoana fivoriana faharoa handinihina ny fandaharam-potoana teo ihany saingy tsy

    misy fitakiana fepetra momba ny fahatongavan'ny mambra intsony. Ny fanapahan-kevitra dia

    raisin'ny ankamaroan'ireo mambra. Ny fiandanian'ny Filoha no mavesa-danja (afa-tsy ireo

    fifidianana miafina). An'ny tena irery ihany ny zon'ny Mpanolontsina handatsa-bato, nefa azo

    atao ny mamindra izany amin'ny Mpanolontsaina hafa. Tsy mahazo mandray afa-tsy

    fanomezam-pahefana iray ihany ny Mpanolontsaina iray. Ampahibemaso ny fivorian'ny

    Filankevitra. Afaka mangataka hanao fanapahan-kevitra tsy ampahibemaso ny Filoha, ny

    Ben'ny tanna na ny ampahefatry ny Mpanolontsaina. Atao peta-drindrina ny tatitra momba ny

    fivoriana.

    Tsy maintsy soratana ao amin'ny rejisitra izay voaisa ravina sy vitan'ny Solontenam-

    panjakana rango-pohy ireo fanapahan-kevitra arakaraka ny taona nanaovana azy. Ny

    fanapahan-kevitra dia soniavin'ireo Mapnolontsaina rehetra manatrika ny fivoriana.

    Ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra dia omen'ny Ben'ny tanna fampiharana ary alefa

    any, amin'ny Solontenam-panjakana hanaovany ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalna.

    3.2.4 Ny fiantsoana ny Filankevitra.Ny Filohany no manaika ny Filankevitra hivory. Fiantsoana vita an-tsoratra no tsy

    maintsy alefa any amin'ny Mpanolontsaina tsirairay any an-tranony farafahakeliny folo andro

    katroka mialoha ny fivoriana, izay ahena ho telo andro raha toa ka fiantsoana faharoa mikasika

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    21/197

    21

    fandaharam-potoana mitovy ihany rehefa tsy nahavory ny ankamaroan'ny mambra amperinasa

    ny fivoriana voalohany. Ny Fiantsoana dia ahitna :

    - ny fandaharam-potoanan'ny fivoriana ny andro ;- ny ora ary ny toerana hivoriana ;- ny faharetan'ny fivoriana ;- ny sonian'ny Filohan'ny Flankevitra- naoty famintinana ireo raharaha handraisana fanapahankevitra.

    Isaky ny mitaky izany ny raharahan'ny Kaominina ary araka ny fandaharam-potoana

    voafaritra tsara, dia mivory tsy ara-potoana ny Filankevitra, izay tsy mahazo mihoatra ny telo

    andro no faharetany rehefa nagatahan'ny :

    - birao mpanatanteraka ;

    -

    na ny ampahatelon'ny Mpanolontsaina ;

    - na ny Solontenam-panjakana (and. faha-8 aminny lalna lf 94-008).

    Azon'ny Filohan'ny Filankevitra afohezina ny fe-potoana iantsoana ny fivoriana tsy ara-

    potoana araka ny fangatahan'ny Solontenam-panjakana, kanefa tsy azo atao latsaky ny iray

    andro katroka izany.

    3.2.5 Ny vaomieraNy vaomiera dia atsangana amin'ny alalan'ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra. Ny

    vaomiera no manomana ny asan'ny Filankevitra. Ny karazan'ny vaomiera isanisany, ny isan'ny

    mambra, ny fomba fanendrena ary ny fitsipika mikasika ny fomba fiasany dia faritan'ny fitsipika

    an-tokantrano mifehy ny Filankevitra. Tsy maintsy mambra anatina vaomiera iray farafakeliny

    ny Mpanolontsaina tsirairay avy. Ny asan'ny vaomiera dia tsy handoavana tambin-karama ary

    tsy azo hatao amin'ny andro tsy fiasana na aorian'ny ora fiasana. Azon'ny vaomiera antsoina

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    22/197

    22

    amin'ny asany, hakan-kevitra ny olona mahasolo-tena ny vahoaka na ireo teknisiana manam-

    pahalalana manokana amin'ny raharaha dinihina .

    Ny vaomiera tokony ajoro dia :

    - ny vaomieran'ny vola ;- ny vaomieranny sosialy, ny fanatanjahan-tena ary ny kolotsaina- ny vaomieram'ny fanatsarana ny tanna, ny fanajariana ary ny

    fampandrosoana;

    - ny vaomieran'ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao.3.2.6 Ny andraikitry ny FilankevitraNy Filankevitra no mandamina amin'ireo fanapahan-kevitra ataony ireo raharaha

    nankinin'ny lalna mba hiantsorohany araka ny tandrifim-pahefany, indrindra indrindra :

    - ny teti-bola sy ny kaontim-pitantanana atolotry ny Ben'ny tannany

    -

    fananganana sampan-draharaha sy antokon-draharaha ary tranon'asa isam-paritra sy eo an-toerana ;

    - ireo lahasa momba ny fananana (fivarotana, famindrana,...) na ny famonoanany fanoratana tany atao antoka ;

    - ny findramam-bola ;- ny drafitra fanatsarana ny tanna ;- fanovna ireo fotodrafitrasan'ny Kaominina (llana, rantsandlana, ... ) ;- ny fanekena handray fanomezana sy lova- tolotra fanekena hiombona antoka ;- ny famaritana ny fombafomba fandraisan'ny Kaominina anjara amin'ny lahasa

    iaraha-manao amin'ny vondromparitra hafa ;

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    23/197

    23

    - ny fahafoizana na fanofana sampan-draharaham-panjakana na fotodrafitrasa ;- ny fanaovana Dina ;

    -

    fandaniana sy famerana hetra sy haba neken'ny lalna ;

    - ny famerana ny saran'ny asa vita sy ny fampiasana ny fananana ;- ny fanendrena ny solontenan'ny Kaominina ao amin'ny Vaomieram-panjakana

    miandraikitra ny famaranana ny lisi-pifidianana.

    Ny Filankevitra no mankat ny tatitra atolotry ny Ben'ny tanna ary manamarina izany.

    3.2.7 Ny sora-draharahan'ny Filankevitraa) Ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana

    Ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana dia raketina ao amin'ny rejisitra voaisa ravina sy

    vitan'ny Solontenam-panjakana rango-pohy ary ahitna :

    - ny andro sy toerana nanaovana ny fivoriana ;- ny anaran'ny Filoha sy ny mpampaka-teny ;- ny fandaharam-potoana ;- ny laharana ary ny andro nanaovana ny fiantsoana ny Mapnolontsaina ;- ny tatitry ny adi-hevitra ary fanamarihina ireo fanapahan-kevitra tsirairay

    miaraka amin'ny isan'ireo Mpanolontsaina nandray anjara tamin'ny latsa-bato

    sy ny vokatr'izany ;

    - ny anarana sy fanampin'anaran'ireo Mpanolontsaina tonga nivory, ireo tsytonga niera ary ireo tsy tonga tsy niera ;

    - ny anarana, fanampin'anarana ary andraikitr'ireo olona nasaina.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    24/197

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    25/197

    25

    REPOBLIKANI MADAGASIKARA

    Tanindrazana Fahafahana Fandrosoana

    Faritany Mizakatena MAHAJANGAFaritr'i SOFIA

    Kaominina Ambanivohitri BEALANANA

    Fanapahan-kevitra laharana faha-56/1999

    nataon'ny Filankevitra monisipaly/kaominalinny Kaominina ambonivohitra/ambanivohitri Bealanana,

    nivory ny 15 desambra 99 araka ny fiantsoana laharana faha-25 taminny 5 desambra 99.

    Ny Filankevitra monisipaly/kaominalinny Kaominina ambonivohitra/ambanivohitr'i Bealanana,

    Araka ny lalna lf-94-007 ;

    Araka ny lalna lf-94-008 ;

    Araka ny tolo-kevitra nataonAtoa/Rtoa (1)

    Rehefa nohenoina ny famelabelaranAtoa/Rtoa (2)

    Rehefa avy nanapa-kevitra

    Niarahan'ny rehetra nandany na nekenny ................... (3) Taminny (4)

    Dia mandray izao fanapahan-kevitra izao :

    Andininy voalohany : (5)

    Ny mambra rehetra tonga dia nanasonia ny fitanana an-tsoratra afa-tsy (6)

    Natao sy notapahana tao Bealanana, ny 15 desambra 99

    Ny Filohan'ny Filankevitra,

    Ny Mpanolontsaina,

    Nomen-kery mba ho hampiharina tao Bealanana, ny 19 dsambra 99.

    Ny Ben'ny tanna

    (1) anaran'ny ben'ny tanna na ny Mpanolontsaina nanao ny tolo-kevitra

    (2) anaran'ireo Mpanolontsaina nandray fitenenana nandritra ny adi-hevitra

    (3) isan'ny Mpanolontsaina nandany ny fanapahan-kevitra

    (4) isan'ny Mpanolontsaina nanatrika ny fivoriana

    (5) filazalazana ny famintinana ny fanapahan-kevitra

    (6) anaran'ireo Mpanolontsaina nad ny hanao sonia

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    26/197

    26

    3.2.8 Ny tambi-karamaNy asa atao ao anatin'ny Filankevitra dia maimaimpoana. Azon'ny Filankevitra hatao

    anefa ny mandany fanomezana tambin-karama isan'andro amin'ny fivoriana omena ny Filoha sy

    ny Mpanolontsaina tena nanatrika ny fe-potoam-pivorian'ny Filankevitra araka ny fetra

    voafaritry nydidim-panjakana lf-96-170 araka izao :

    Sokajina Kaominina Fi1oha Mpanolontsaina

    Kaominina ambonivohitra ivelanny Sokajy 16000 Ariary 8000 ariary

    Kaominina ambonivohitra Sokajy voalohany 12000 ariary 6000 ariary

    Kaominina ambonivohitra Sokajy faharoa 9600 ariary 4800 ariary

    Kaominina ambanivohitra Sokajy voalohany 7200 ariary 3600 ariary

    Kaominina ambanivohitra Sokajy faharoa 5600 ariary 2800 ariary

    Azon'ny Filankevitra atao koa ny manome tambim-pandraisana isan-taona ny Filohan'nyFilankevitra araka iazo famaritana izao :

    Sokajina Kaominina Farafahakeliny Farafahabetsany

    Kaominina ambonivohitra ivelan'ny Sokajy 100000 ariary 220000 ariary

    Kaominina ambonivohitra Sokajy voalohany 84000 ariary 184000 ariary

    Kaominina ambonivohitra Sokajy faharoa 56000 ariary 128000 ariary

    Kaominina ambanivohitra Sokajy voalohany 40000 ariary 96000 ariary

    Kaominina ambanivohitra Sokajy faharoa 28000 ariary 72000 ariary

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    27/197

    27

    Ny tambim-bola amin'ny mety ho fandehandehanana dia fehezin'ny fepetra fampihatra

    amin'ny mpiasam-panjakana araka ny fisokajiana toy izao (Didim-panjakana lf-60-334

    taminny 7 septambra 1960) :

    - Kaominina ambonivohitra ivelan'ny Sokajy sy Sokajy voalohany- Kaominina ambonivohitra Sokajy faharoa- Kaominina ambanivohitra Sokajy voalohany sy faharoa

    Mandritra ny fe-potoam-pivoriana, ny Mpanolontsaina dia manana ny zo fidirana amin'ny

    trano fitsaboam-panjakana fanome ny mpiasam-panjakana. Ny lany amin'ny fitsaboana araka ny

    sarany fampihatra dia zakain'ny teti-bolan'ny kaominina hatramin'izay mifanadrify amin'ny sora-

    bola, ka zakain'ny mahazo tombo-tsoa araka izao 80% no anjaran'ny Kaominina ary 20%

    zakain'ny voakasik'izany. Ny tambim-bola dia tsy isan'ny fandaniana tsy maintsy ataon'ny

    kaominina.

    3.3 NY BEN'NY TANANA -LEHIBEN'NY FITONDRAN-DRAHARAHA KAOMINALY.3.3.1 Fandaminana ny mpanantanterakaNy Ben'ny tanna no manendry ny mambran'ny birao mpanatanteraka amin'ireo

    tompon'andraikitry ny sampan-draharaham-panjakana naorina sy zakain'ny volan'ny kaominina

    na ireo sampan-draharaha omen'ny Fanjakana, izay hisahana ny fanampiana azy amin'ny

    fitondran-draharahan'ny Kaominina. Ny Birao mpanatanteraka no mifidy amin'ny mambra ao

    aminy ireo Leftry ny Ben'ny tanna. Ny Ben'ny tanna no mametra ny isan'ny mambran'ny

    Birao mpanatanteraka sy ny Lefiny.

    Ny Ben'ny tanna no lehiben'ny fitondran-draharahan'ny Kaominina. Azon'ny Ben'ny

    tanna omena ny lefiny, amin'ny alalan'ny didim-pitondrana ataony, ny sasantsany amin'ireo

    andraikiny ka eo ambany fanarahany maso sy andraikiny. Tsara raha ferana ny isan'ny

    mambran'ny Birao mpanantateraka hifanaraka amin'ny isan'ireo Lefitry ny Ben'ny tanna azo

    omem-pahefana tena handray anjara amin'ny fitondran-draharaha ao amin'ny kaominina.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    28/197

    28

    3.3.2 Ny andraikitry ny Ben'ny tannaNy Ben'ny tanna dia manana andraikitra azy manokana tanisain'ny lalna lf-94-008 sy

    ny didim-panjakana lf-96-898 sy andraikitra omen'ny Filankevitra azy amin'ny alalan'ny

    fanomezam-pahefana. Ny Ben'ny tanna no :

    manomana sy manolotra ny teti-bola eo amin'ny Filankevita ; manatanteraka ny teti-bola nolaniana eo amin'ny vola mivoaka sy eo amin'ny vola

    miditra ;

    misolotena ny Kaominina amin'ireo raharaha mikasika ny fiainana ara-tsivily sy ara-panjakana ary misolotena azy eo amin'ny fitsarana ;

    mandray mpiasa sy manendry olona amin'ny asa rehetra araka ny ambaratongan-drafitr'asa nankatoavin'ny Filankevitra araka ny fetran'ny sora-bola ao amin'ny teti-

    bola.

    mampiasa ireo sampandraharaham-panjakana amin'ny fanomanana sy nyfanatanterahana ireo fanapahan-kevitry ny Filankevitra rehefa nanao fangatahana

    tamin'ny Solontenam-panjakana ;

    manana fahefana ara-pitandroana ny filaminana manome ny alalana amin'ny famangitana ny fetran-tany sy ny alalana hanorina ; manamarina sonia mandray anjara amin'ny fanaovana ny lisi-pifidianana sy ny fandaminana ny

    fifidianana

    mirakitra ny soram-piankohonana sy manoratra ny fanambadiana ; mambra araka ny lalna ao amin'ny Komitim-paritry ny Fampandrosoana.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    29/197

    29

    Ankoatr'izany, azon'ny Filankevitra Monisipaly na Kaominaly atao amin'ny alalan'ny

    fanapahan-kevitra, ny manome fahefana ny Ben'ny tanna mandritra ny fe-potoam-piasany,

    amin'ireto :

    mifanaiky amin'ny findramam-bola entina hamatsiana asam-pamokarana izay tsymahazo mihoatra ny mari-bola feran'ny Filankevitra ny habetsany ;

    manao fifanaraham-barotra araka ny fetran'ny sora-bola misy ao amin'ny teti-bola ; manao fifanarahana amin'ny trano fiantohana manao fanekena handray tolo-pananana sy lova izay tsy manisyfepetra izany na

    andraikitra ;

    mivarotra na mividy fanana-mifaka izay tsy mahazo mihoatra ny mari-bolanofaritan'ny Filankevitra ny vidiny

    mametra ny karaman'ny mpisolovava, notera, vadin-tany.Azon'ny Filankevitra foanana amin'ny fotoana rehetra ny fanomezam-pahefana. Raha tsy

    nanao fanomezam-pahefana ny Filankevitra dia raisina amin'ny alalan'ny fanapahan-kevitra ny

    fanapahana tsirairay.

    3.3.3 Ny sora-draharahan'ny Ben'ny tannaNy Ben'ny tanna no manome hery fampiharana ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra ary

    mandray didim-pitondrana amin'ireo fahefany manokana sy ireo fahefana nomena azy. Ny

    didim-pitondrana ataon'ny Ben'ny tanna dia soratana ao amin'ny rejisitra vitan'ny Solontenam-

    panjakana rango-pohy ary omena laharana mifanaraka amin'ny vanim-potoana nanaovana azyisan-taona ka manomboka amin'ny 1 ny 1 janoary. Tahaka izao modely manaraka izao no

    hanoratana ny didim-pitondrana :

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    30/197

    30

    REPOBLIKANI MADAGASIKARA

    Tanindrazana -Fahafakana Fandrosoana

    Faritany Mizakatenan'i ...........................................

    Faritr'i ....................................................................

    KaomininaAmbanivohitra/Ambonivohitr'i ........ ......

    Didim-pitondrana lf ..................... /1999

    Ny Benny tannan'ny Kaominina Ambanivohitra/Ambonivohitr'i . ..............................................

    Araka ny Lalmpanorenana

    Araka ny lalna lf- 94-008, indrindra ny andininy faha-83,

    Dia mandidy :

    Andininy voalohany Ny fandehanana sy fijanonan'ny fiara dia rarna isaky ny zoma manomboka

    aminny 6 ora Maraina ka hatraminny 2 ora tolakandro eo aminny tsena voafatitra toy izao..................

    Andininy 2 Ny fandikana izao didim-pitondrana izao dia iharanny sazy voalaza ao amin'ny andininy

    faha-473 ao aminny fehezan-dalna famaizana.

    Andininy 3 - Ny mpandray haban-tsena, ny kaomiseranny polisy ary ireo mpiasa mpitandro filaminanadia miandraikitra ny fampiharana ity didim-pitondrana ity izay ho soratana, haseho ampahibe-maso ary halefa

    na aiza na aiza ilna azy.

    Natao tao ........................... ny ..........................

    Ny Ben'ny tanna

    Ny Ben'ny tanna no misahana ny famoahana sy ny fametrahana ny fanapahan-kevitra sydidim-pitondrana (na fanapahana) any amin'ny Solontenam-panjakana hanaovana ny fanaraha-

    maso amin'ny fanarahan-dalna. Ny daty handraisana izany any amin'ny Vaki-pileovana no

    hanombohan'ny 30 andro omena ny Soprefe hitondrana ny sora-draharaha any amin'ny

    Chambre Administrative. Noho izany dia tsara ihany ny hangatahan'ny Ben'ny tanna ny

    hanoratan'ny mpiraki-draharaha ao aminny Vaki-pileovana ny daty nadraisany ny sora-

    draharaha amin'ny dika mitovy iray faharoa ho tehirizin'ny Kaominina.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    31/197

    31

    3.3.4 Ny tambim-bola samihafaNy tambin-karaman'ny Ben'ny tanna dia kajiana amin'ny fampiharana ny rgime ny mari-

    karama amin'ny Asam-panjakana amin'ny mari-karama fonctionnel feran'ny fanapahan-kevitry

    ny Filankevitra izay tsy mahazo mihoatra ny (didim-panjakana lf-96170) :

    - 3000 marikisa any amin'ny kaominina ambonivohitra ivelan'ny sokajy ;- 2000 marik'isa any amin'ny Kaominina ambonivohitra sokajy voalohany ;- 1500 marik'isa any amin'ny Kaominina ambonivohitra faharoa ;- 1200 marik'isa any amin'ny Kaomiriina ambanivohitra sokajy voalohany ;- 1000 marik'isa any amin'ny Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa ;

    Ny tambin-karaman'ny Lefitra dia ferana ho ny 2/3-nny tambinkaraman'ny Ben'ny

    tanna.

    Ny tambin-karaman'ny mambran'ny Birao mpanatanteraka, ankoatry ny Lefitra, dia

    feran'ny fanapahan-kevitry ny filankevitra, anefa tsy mahazo mihoatra ny :

    - 40000 ariary isam-bolana any amin'ny Kaominina ambonivohittra ivelan'nysokajy ;

    - 30000 ariary isam-bolana any amin'ny Kaominina ambonivohitra sokajyvoalohany;

    - 20000 ariary isam-bolana any amin'ny Kaominina ambonivohitra sokajyfaharoa;

    - 11000 ariary isam-bolana any amin'ny Kaominina ambanivohitra sokajyvoalohany

    - 10000 ariary isam-bolana any amin'ny Kaominina ambanivohitra sokajyfaharoa.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    32/197

    32

    Mandritra ny fe-potoana fiasany dia mahazo ny tombo-tsoa fanome ny mpiasam-

    panjakana amin'ny rgime hidirana any amin'ny trano fitsaboam-panjakana ny Ben'ny tanna sy

    ireo Lefitra. Ny lany amin'ny fitsaboana araka ny sarany fampihatra dia zakain'ny mahazo

    tombo-tsoa sy ny teti-bolan'ny kaominina hatamin'izay mifanadrify amin'ny sora-bola, ka : 80%

    no zakain'ny Kaominina ary 20% zakain'ny voakasik'izany. Ny tambim-bola dia tsy isanny

    fandaniana tsy maintsy ataonny kaominina, afa-tsy ny karama ara-mari-karama, omena ny

    Benny tanna sy ireo Lefiny.

    Famintinana ireo tambim-bola azon'ny tomponlandraikitra monisipaly/kaominaly :

    Ny mahazo

    Tombontsoa

    Kaominina

    Ambonivohitra

    ivelan'ny Sokajy

    Kaominina

    Ambonivohitra

    Sokajy voalohany

    Kaominina

    Abonivohitra

    Sokajy faharoa

    Kaominina

    Abnivohitra Sokajy

    voalohany

    Kaominina

    Abanivohitra

    Sokajy faharoa

    Tambi-karama isam-bolana

    Ben'ny tanna Mari-bola farany

    ambony Mari-

    karaina 3000

    Mari-bola farany

    ambony Mari-

    karama 2000

    Mari-bola farany

    ambony Mari-

    karama 1500

    Mari-bola farany

    ambony Mari-

    karama 1200

    Mari-bola farany

    ambony Mari-

    karama 1000

    Leftry ny Ben'ny

    Tanna

    Latsaka na

    mitovy2/3 Mari-

    karama3000

    Latsaka na

    mitovy2/3 Mari-

    karaina 2000

    Latsaka na

    mitovy2/3 Mari-

    karama 1500

    Latsaka na mitovy

    2/3 Mari-karaina

    1200

    Latsaka na mitovy

    2/3 Mari-karama

    1000

    Birao

    mpanatanteraka

    Mari-bola farany

    ambony 40000

    ariary

    Mari-bola farany

    ambony 30000

    ariary

    Mari-bola farany

    ambony 20000

    ariary

    Mari-bola farany

    ambony 11000

    ariary

    Mari-bola farany

    ambony 10000

    ariary

    Tambi-karama isam-pivoriana

    Filohan'ny

    Filankevitra

    16000 ariary 12000 ariary 9600 ariary 7200 ariary 5600 ariary

    Mpanolontsaina 8000 ariary 6000 ariary 4800 ariary 3600 ariary 2800 ariary

    Tambim-bola omena aminny fandehanana manatrika ny fivorian'ny Filankevitra isan'andro

    Filohan'nyFilankevitra

    Saran-dlanahatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlanahatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlanahatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlanahatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlanahatramin'ny 3000

    ariary

    Mpanolontsaina Saran-dlana

    hatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlana

    hatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlana

    hatramin'ny 2400

    ariary

    Saran-dlana

    hatramin'ny 6.000

    fmg

    Saran-dlana

    hatramin'ny 6.000

    fmg

    Indemnit de dplacement pour mission par jour

    Ben'ny tanna/

    Filohan'ny

    Filankevitra/Leftra/ Mpanolontsaina

    Saran-dlana

    hatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlana

    hatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlana

    hatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlana

    hatramin'ny 3000

    ariary

    Saran-dlana

    hatramin'ny 3000

    ariary

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    33/197

    33

    Remboursement des frais de transport

    Ben'ny tanna/

    Filohan'ny

    Filankevitra/Leftra

    /Mpanolontsaina

    Famerenam-bola

    atao araka ny

    taratasy

    fanamarinana

    Famerenam-bola

    atao araka ny

    taratasy

    fanamarinana

    Famerenam-bola

    atao araka ny

    taratasy

    fanamarinana

    Famerenam-bola

    atao araka ny

    taratasy

    fanamarinana

    Famerenam-bola

    atao araka ny

    taratasy

    fanamarinana

    Tambim-bola noho ny fisoloan-tena

    Ben'ny tanna Mari-bola feran'ny

    latsabato ataon'ny

    Filankevitra

    Mari-bola feran'ny

    latsabato ataon'ny

    Filankevitra

    Mari-bola feran'ny

    latsabato ataon'ny

    Filankevitra

    Mari-bola feran'ny

    latsabato ataon'ny

    Filankevitra

    Mari-bola feran'ny

    latsabato ataon'ny

    Filankevitra

    Tambim-bola noho ny fandraisana isan-taona

    Filohan'ny

    Filankevitra

    Eo anelanelan'ny

    100000 sy 220000

    ariary

    Eo anelanelanny

    84000 sy 184000

    ariary

    Eo anelanelan'ny

    56000 sy 128000

    ariary

    Eo anelanelan'ny

    40000 sy 96000

    ariary

    Eo anelanelan'ny 28

    000 sy 72000 ariary

    Tambim-bola noho ny fitehirizam-bola omena ny Mpitahiry VolaMpitahiry vola And. 14 amin'ny

    didim-panjakana lf-

    90-343 tamin'ny 1

    Aogositra 1990

    And. 14 amin'ny

    didim-panjakana lf-

    90-343 taminny 1

    Aogositra 1990

    And. 14 amin'ny

    didim-panjakana lf-

    90-343 tamin'ny 1

    Aogositra 1990

    And. 14 amin'ny

    didim-panjakana lf-

    90-343 tamin'ny 1

    Aogositra 1990

    And. 14 amin'ny

    didim-panjakana lf-

    90-343 tamin'ny 1

    Aogositra 1990

    4 FANDAMINANA NY KAOMININA4.1 NY RAFITR'ASA

    Ny rafitr'asan'ny Kaominina dia mametra ireo foto-kevi-pandaminana ireo

    sampandraharahan'ny Kaominina. Fisy isan-toerana no mamaritra ny andraikitra mazavan'ny

    tsirairay isaky ny toerana ao amin'ny rafitr'asa. Ny tanjona kendrena amin'ny rafitr'asa dia ny

    hanatsarana ny fahombiazan'ireo sampandraharaha amin'ny fanondroana mazava ireo

    andraikitra sy fitoeran'ny tsirairay isan'ambaratonga. Ny baiko omena ny mpiasa ao amin'ny

    Kaominina dia tsy maintsy manaja ny ambaratongam-pahefana voafaritry ny rafitr'asa.

    Ny toeran'ny mpandrindra ankapobe (na ny Sekretera Jeneraly) dia apetraka eo amin'ny

    fara-tapony ao amin'ny fitondran-draharaha kaominaly. Ireo baiko omen'ny Ben'ny tanna sy

    ireo Lefiny ho an'ireo sampan-draharaha dia mandalo amin'ny tompon'andraikitry ny

    fandrindran'asa izay mampanatanteraka izany ny sampandraharaha sy manao ny tatitra. Io

    fepetra io dia sady manala ny Ben'ny tanna amin'ny asam-pitantanana, miantoka ny

    rindrandamina ankapobeny, ahafahana miala amin'ny baiko mifanohitra no manamora ny

    fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fanapahana.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    34/197

    34

    Matetika ny rafit'asa vaovao dia mitarika famoronana toerana maro ilaina noho ny

    fitombon'ny asa sahanin'ny kaominina sy ireo raharaha ilna fahaizana manokana izay antoky ny

    hatsaran'ny asa avo lenta. Tsara raha ampiharina miandalana ny rafitr'asa arakaraky ny haben'ny

    Kaominina, ny loharanom-bola azony hampiasaina ary ny fiantsorohany andraikitra vaovao.

    Amin'ny voalohany dia azo omena mpiasa iray na ny tompon'andraikitra isaky ny

    ambaratongam-pahefana ny toerana sasantsasany. Tokony ho latsaky ny isan'ny mpiasa ao

    amin'ny Kaominina misy mponina mihoatra ny 30.000, ny isan'ny mpiasa ao amin'ny Kaominina

    misy mponina latsaky ny 2.000 ary noho izany dia tokony tsy havesatra loatra ny rafitr'asa.

    Raha toa ka tsy ampy hosahanin'ny mpiasa raikitra ny asa amin'ny toerana iray kanefa tsy misy

    mpiasa afaka hisahana ny andraikitra amin'izany toerana izany, dia tsara ny hampiharana ny

    fanaovana asa amin'ny fotoana tsy mitohy.

    Ao amin'ny rafitr'asan'ny Kamoninina ambanivohita sokajy faharoa, dia eo ambany

    fahefan'ny Ben'ny tanna mivantana sy eo ambany fanaraha-mason'ny Soprefe ny sekretera

    mpitahiry vola, kanefa amin'izany izy dia tsy misy fifandraisana ara-ambaratonga amin'ireo

    sampan-draharaha Kaominaly hafa. Ny fanendrena sekretera mpitahiry vola dia fepetra

    manamora ireo raharahan'ny Kaominina amin'ny toerana tsy misy mpitana kaontin'ny

    Fitehirizam-bolampanjakana, kanefa ny fisarahan'asa aman'andraikitra dia tazonina ho zava-

    dehibe mba ahatsara ny fampiasana ny volam-panjakana. Ny fametrahana sekretera mpitahiry

    vola ao amin'ny trano fiasan'ny Kaominina dia midika ny tsy ilna famoronana fitantanana

    famoriam-bola. Ny fandoavam-bola dia tanterahana mivantana avy amin'ny tahiry tazoniny ary

    nypercepteurs dia mipetraka eo ambany fahefany.

    Any amin'ny Kaominina hafa, ny mpitna kaonty dia ny Receveur principal. Manamora

    ny famoriam-bola ny fanendrena mpitantana famoriam-bola izay misahana ny fandraisana ireo

    fandoavam-bola sy mitarika ireo mpiasa miandraikitra ny fanangonam-bola.

    4.2 NY FANDAMI NANA NY KAOMININA ARA-PARITRA :NY FOKONTANYNy Kaominina no Vondrom-paritra fototra ary izany dia mitarika ny fanovna ny

    Fokontany ho rafitra ara-pitondrana tsy manana zo aman'andraikitra azy manokana araka ny

    lalna sy fahatapahantena ara-bola. Ny fiasan'ny Fokontany dia fehezin'nydidim-pitondrana lf-

    97-1257 tamin'ny 30 oktobra 1997.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    35/197

    35

    Ny Fokontany dia entin'ny Komity misy mambra 5 ka hatrami'ny 10 fidin'ny

    fivoriamben'ny Fokontany tarihin'ny Ben'ny tanna. Ny isan'ny mambra dia feran'ny Ben'ny

    tanna. Ny fe-potoana iasan'ny mambra dia tapitra miaraka amin'ny an'ny Ben'ny tanna. Ny

    anaran'ireo mambran'ny Komity dia alefan'ny Ben'ny tanna any amin'ny Soprefe izay mizaha

    fototra amin'ny alalan'ny didim-pitondrana ny fanendrena ny Filoha sy ny Filoha Lefitra.

    Ny Komitim-pokontany dia mpanampy ny Delegem-panjakana amin'ny Boriborintany

    amin'ireo andraikiny momba ny fitondrana sy ny hetra sy mpiasa mpanatanteraka ny Ben'ny

    tanna amin'ireo raharaha ifandraisana mivantana amin'ny vahoaka. Amin'izay lafiny izay, ny

    Komitim-pokontany, eo ambany fahefan'ny Ben'ny tanna dia mandray anjara amin'ny

    fandriampahalemana sy ny fitantanana ny fananam-bahoaka (paompin-drano, fanasan-damba,

    ...), aminny fahadiovana, amin'ny fanangonan-ketra sy haba ary vola fandoa kaominaly.

    Tsy manana teti-bola manokana ho azy ny Fokontany. Ny fandaniam-bolan'ny Fokontany

    dia tsy maintsy soratana ao amin'ny teti-bolan'ny Kaominina ary nahazo alalana tamin'ny Ben'ny

    tanna. Torak'izany koa ny vola miditra dia apetraky ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra

    monisipaly/kaominaly, soratana ao amin'ny teti-bolan'ny Kaominina ary didinny Ben'ny tanna.

    Ny vola voavory dia arotsaka manontolo ao amin'ny teti-bolan'ny Kaominina. Ny fitsipiky ny

    kaomtim-panjakana ampiharina amin'ny kaominina dia mihatra amin'ny fampidiram-bola sy nyfandaniam-bola tanterahana any amin'ny Fokontany. Mikasika ireo fandaniam-bola madiniky ny

    Fokontany lavitry ny Ben'ny tanna dia azon'ny Ben'ny tanna atao ny manangana tahiry

    vatsim-bola ary ny fitantanana izany dia azony ankinina amin'ny mpiasan'ny Kaominina

    napetraka ao amin'ny Fokontany.

    Ny asan'ny Filoha, Filoha Lefitra ary mambran'ny Komitim-pokontany dia

    maimaimpoana. Kanefa azon'ny Filankevitra atao ny mandray fanapahan-kevitra manome

    tambin-karama indray mamaritra araka ny toe-bolan'ny Kaominina ary mifanahantsahana

    amin'ny asa takiana.

    5 NY FITANTANANA NY MPIASA5.1 FOTO-KEVITRA ANKAPOBE

    Ny hitsivolana lf-93-019 izay mandamina ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana dia

    milaza ao amin'ny andininy voalohany fa "ity sata ity dia ampiharina aminireo olona, izay

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    36/197

    36

    voatendry hanao asa maharitra ka notendrena ho mpiasa raikitra ao aminny laharana misy

    aminny ambaratonganny efi-draharahan'ny mpiasampanjakana tafiditra aminny

    fahefanny Praiminisitra, Lehibenny Govememanta". Izany no antony tsy hiharan'ny sata

    mifehy ny mpiasam-panjakana amin'ireo mpiasan'ny Kaominina, eo ambany fahefan'ny Ben'ny

    tanna izay tokony ho fehezin'ny lalna ikambanan'ny mpiasa ivelan'ny Fanjakana. Kanefa raha

    araka ny zava-misy, dia mitovy laharana amin'ny mpiasam-panjakana ny mpiasan'ny Kaominina.

    Ny Kaominina tsirairay avy dia tsy maintsy mamoaka fitsipika momba ny raharaha sy ny

    karaman'ireo mpiasany. Ny Mpiasam-panjakana ampiasain'ny Kaominina dia tsy maintsy

    mitoetra amin'ny fisarahan'asa mba ahafahany mitahiry ny zo raiketin'ny sata maha mpiasam-

    panjakana azy. Ny mpiasan'ny Kaominina, raha araka ny fitsipika ankapobe, dia mikambana

    amin'ny Tahirim-pirenena Fiahiana ny Mpiasa ivelan'ny Fanjakana. Kanefa azon'ny Kaominina

    atao ny mangataka ny hikambanan'ny mpiasany amin'ny Tahiry Fitsinjovana sy Fisontroan-

    dronono (CPR) izay mahatratra ny 3% ny karama faoben'ilay mpiasa ary 6% ho ajaran'ny

    Kaominina. Ny mpiasam-panjakana mitoetra tsy ho eo am-perin'asa dia afaka manohy ny

    fikambanany amin'ny Tahirim-pisotroan-dronono Sivily sy Miaramila (C.R.C.M.).

    5.2 FANAOVANA NY FISIN'NY MPIASANy fitantanana ny mpiasa dia manomboka amin'ny fametrahana ny fisin'ny mpiasa izay

    ilaina amin'ny fanarahana ny antotan-taratasy ara-panjakana (fialan-tsasatra, tsy fahatongavana,

    sazy, toe-pahasalamana), ny fisondrotan-karama (politikan'ny karama), ny fampandrosoana

    arak'asa (fivoaran'ny asa, fanofanana).

    Ny fisin'ny mpiasa dia ahitna ireto tondro ireto

    - Fanamarinana ny maha-izy azy- Tondrom-pilazana mifandraika amin'ny karama;- Tondrom-pilazana mifandraika amin'nyfampandrosoana arak'asa ;- Ny antotan-taratasin'ny tsirairay dia ahitna:- sosony iray aminny fisinny toerana- ny filazalazana ny momba ilay mpiasa misy sary tapaka ;

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    37/197

    37

    - ny fangatahan'asa- dika mitovy an'ireo diplaoma sy fanamarinana amin'ny asa ;

    -

    taratasy fanamarinana ny nadraisana asa

    - sosony iray amin'ny fifanarahan'asa voasonian'ny Ben'ny tanna sy ilay mpiasa ;- fisy famakafakana ny fahombiazana- fanomezana alalana hiala sasatra na tsy hiasa- taratasy fanamarinana avy amin'ny dokotera tamin'ny fotoana nidirana niasa;- ny sazy- taratasy fametraham-pialana na izay karazan-taratasy rehetra manazava ny

    antony nadehanana tsy hiasa.

    Ny fanaovana sy ny fitantanana ny fisin'ny mpiasa dia andraikitry ny sekretera ara-

    pitondrana.

    5.3 FANDRAISANA MPIASAMandray fanapahan-kevitra mikasika ny rafitr'asa sy ny tabilao manondro ny tena isan'ny

    mpiasa atolotry ny Ben'ny tanna ny Filankevitra ary manome alalana isan-taona ny fanoratana

    amin'ny teti-bola ny sora-bola ilaina amin'ny karamanireo mpiasa ireo. Ny Ben'ny tanna no

    lehiben'ny mpiasa, noho izany izy no mandamina sy manapa-kevitra amin'ny fandraisana

    mpiasa.

    Ny paika arahina amin'ny fandraisana mpiasa dia misy ireto.

    Araka ny fangatahana misy fanazavana ny antonantony ataon'ny tompon'andraikitra

    amin'ny ambaratongam-pahefana dia manamarina ireto ny sekretera ara-pitondrana na ny

    tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny mpiasa amin'ny Kaominina lehibe :

    1) ny fisoratan'ilay toerana amin'ny rafitr'asa2) ny fisian'ny fisoratan'ny sora-bola ao amin'ny teti-bola

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    38/197

    38

    3) ny fisin'ny toerana ;4) vao manolo-kevitra ny Ben'ny tanna hiroso amin'ny fandraisana ilay mpiasa

    Raha tsy misy ny fisinny toerana dia manoratra izany miaraka aminny

    tompon'andraikitra aminny ambaratongam-pahefana misy ilay toerana ny sekretera ara-

    pitondrana ary manolotra izany aminny Ben'ny Tanna. Ny sekretera ara-pitondrana no

    mamory ny mpitsara amin'ny fandraisana mpiasa, izay ahitna ny tompon'andraikitra amin'ny

    ambaratongam-pahefana misy ilay toerana hitadiavana mpiasa sy ny sekretera ara-pitondrana

    ary tarihin'ny Ben'ny tanna na ny Lefiny nomem-pahefana na ny mpandrindra jeneraly.

    5.3.1 Paika anatiny arahinaAelin'ny sekretera ara-pitondrana any amin'ny sampandraharaha ny filazana fandraisana

    mpiasa sy ny fisin'ny toerana mba handraisana ny filatsahana ao anatiny. Ny filazana dia tsy

    maintsy mampiseho ny anarana sy fisokajiana ilay toerana, ny toetoetry ny kandid tadiavina

    (fiofanana akademika, fahalalana ara-teknika, traikefa takiana) ary ny daty ferana hametrahana

    ny antotan-taratasy filatsahana. Ny filatsahan-ko raisina dia omena ny sekretera ara-pitondrana

    izay mameno izany miaraka amin'ireo antotan-taratasy ny kandid tsirairay avy.

    Manomana tabilao fampitahana ny fari-pahaizan'ny kandid tsirairay sy ny fari-pahaizana

    takian'ny fisin'ny toerana ny sekretera ara-pitondrana ary mikarakara fivoriana voalohan'ny

    mpitsara mba hahafahana mifidy ny filatsahan-ko raisina 3 tsara indrindra. Isaky ny tsy

    mahafeno ny fepetra takian'ilay toerana handraisana mpiasa ny tombana sy ny isan'ny filatsahan-ko raisina anatiny dia manao fitadiavana mpiasa any ivelany ny sekretera ara-pitondrana.

    5.3.2 Paika ivelany arahinaNy filazana fandraisana mpiasa dia aseho amin'ny alalan'ny peta-drindrina na avoaka

    amin'ny fampahalalam-baovao (fampielezam-peo, gazety). Io filazana io dia mampiseho ny

    anarana sy fisokajiana ilay toerana, ny toetoetry ny kandid tadiavina (fiofanana akademika,

    fahalalana ara-teknika, traikefa takiana), ny tokony ho hita ao amin'ny antotan-taratasim-pilatsahana (taratasy milaza ny antony nisafidianana ilay toerana, filazalazana ny momba ilay

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    39/197

    39

    kandid, dika mitovy an'ireo diplaoma, taratasy fanamarinana amin'ny asa) sy ny daty ary ny

    toerana nametrahana ny filatsahan ko raisina.

    Raha vao voaray ny filatsahan-ko raisina avy any ivelany, dia manomana tabilao

    fampitahana ny fari-pahaizan'ny kandid tsirairay sy ny fari-pahaizana takian'ny fisin'ny toerana

    ny sekretera ara-pitondrana ary mikarakara fivoriana voalohan'ny mpitsara mba hahafahana

    mifidy ny filatsahan-ko raisina 3 tsara indrindra. Mikarakara ny fitsapa-pahaizana handraisana

    ny mpiasa ny sekretera ara-pitondra, izay tokony hisy :

    - fitsapa-pahaizana miompana amin'ny fahaizana ara-teknika takian'ilay toerana ;- dinidinika miaraka amin'ny mambran'ny mpitsara.Ny mpitsara no manapa-kevitra sy mandahatra ny kandid. Ny filaharana dia atao peta-

    drindrina eo amin'ny takelaka fametahana afisin'ny Kaomonina.

    Ny kandid nahazo ny laharana voalohany dia hampahalalaina izany amin'ny alalan'ny

    tartasy soniavin'ny Ben'ny tanna ary antsoina hanao ny fizaham-pahasalamana hitsirihina ny

    fahafahan'ilay kandid hiandraikitra ilay toerana. Raha lazain'ny mpitsabo fa afaka hiandraikitra

    ilay toerana ilay kandid, dia ataon'ny sekretera ara-pitondrana avy hatrany ny fifanarahana ;

    raha tsy tany, dia hampahafantarina ilay kandid ny tsy fahafahany ara-pahasalamana

    hiandraikitra ilay toerana, ary dia antsoina arakaraky ny filaharany ireo kandid manaraka.

    5.4 NY POLITIKAN'NY KARAMANy politikan'ny Kaominina momba ny karama dia tokony hiantoka karama mandrisika ny

    mpiasa tsirairay avy izay mifanaraka amin'ny fari-pahaizana sy ny hatsaran'ny fomba fiasany

    amin'ny raharahan'ny Kaominina. Izany no mahatsara ny hametrahana ireo asa omen'ny

    Kaominina ao anatina ambaratonga ara-mari-karama arakaraky ny lanjan'ny fari-pahaizana

    takiana sy hanomezana ny mpiasa tsirairay avy ny mari-karama arakaraky ny fari-pahaizany sy

    ny fahombiazany teo aloha. Amin'izao fotoana izao, ny vondrom-paritra anapariaham-pahefana

    dia voafatotra hanaja ny ambaratonga ara-mari-karama sy ny tambin-karama, araka ity tabilao

    manaraka ity :

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    40/197

    40

    AMBARATONGA ARA-MARI-KARAMA

    (Atovana aminny lalna lf- 79-014, GPRM taminny 22/12/79)

    (Fanampin'ny Fanapahana lf-97-009 mametra ny mari-karama fanome ny mpiasam-panjakana eo aminny

    Kilasy Eksepsionely, tamin'ny 16/01/97)

    SOKAJY

    FIROSOANA I II III IV V VI VII VIII IX X

    Exceptionnelle"

    dingana faha-2

    675 1020 1550 1600 1750 1850 2225 2325 2520 2620

    "Exceptionnelle"

    dingana voalohany

    515 675 1020 1550 1600 1750 1850 2225 2325 2520

    Prinsipaly dingana

    faha-3

    485 640 950 1410 1460 1610 1710 2045 2155 2450

    Prinsipaly dingana

    faha-2

    455 605 885 1285 1335 1480 1585 1880 2000 2220

    Prinsipaly dingana

    voalohany

    425 570 825 1110 1220 1360 1465 1725 1860 2120

    Kilasy voalohany

    dingana faha-3

    400 540 765 1065 1115 1250 1355 1585 1725 1920

    Kilasy voalohany

    dingana faha-2

    375 515 715 970 1020 1145 1255 1455 1600

    Kilasy voalohany

    dingana voalohany

    355 480 665 880 930 1055 1160 1335 1485

    Kilasy faharoa

    dingana faha-3

    335 455 620 800 850 970 1075 1225 1380

    Kilasy faharoa

    dingana faha-2

    310 435 580 730 780 900 995 1125 1280

    Kilasy faharoa

    dingana Voalohany

    295 415 540 665 710 815 920 1035 1185

    Miana-draharaha 275 380 500 605 650 750 850 950 1100

    5.5 FANOMBANANA NY MPIASANy mpiasan'ny Kaominina tsirairay avy dia tsy maintsy tsarain'ny lehibeny isan-taona

    amin'ny alalan'ny fisy fanombanana. Ny vokatr'izany fanombanana izany no miantoka ny

    fiakaran-daharan'ilay mpiasa (fiakarana amin'ny dingana) na fisondrotan-daharan'ilay mpiasa

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    41/197

    41

    (fisondrotana sokajy). Ny fisondrotana amin'ny sokajy ambony dia miankina amin'ny fanovana

    toerana. Ny fitsarana dia tsy maintsy atao amina rafitra hary fomba. Ny fomba fitsarana atolotra

    dia tsinjaraina amina tondro-fepetra 28 ary omena naoty 1 ka hatramin'ny 5. Ny fiakarana

    dingana dia miankina amin'ny naoty azo. Tsy azo omena ny fiakaran-daharana raha latsaky ny

    84 ny lanjanisa. Ny fiakaran-daharana dia tsy maintsy miantoka fivoaran'asa miandalana

    amin'ny fiveloman'ilay mpiasa ary misoroka ny hahatratrarany aingana loatra ny dingana farany

    ambony.

    Fisy fanombanana ny mpiasa

    1- Fahaiza-manao arak'asa

    NAOTY

    Fahalalana sy fahazoana ny fisin'ny toerany

    Fahazoana ny tanj on'ny asa ataony

    Fahalalana ny sehatry ny andraikiny ary fahafehezana izany ara-teknika

    Fahamarinam-pototry ny zava-bita

    Fahakingna amin'ny asa, fahombiazana

    Fanajana fe-Potoana sy ny Ferandro Omena

    Fanajana ireo toro-marik'asaFandaminana ny ny asa

    Fikirizana Hivoatra Hatrany

    Famintinana

    2 - Fafahana sy fahaizana miasa miaraka maromaro sy amin'ny fifandraisana

    NAOTY

    Fafahana manoina ny fangataham-panampiana ataon'ny mpiasa hafa

    Fahafahana maka ny fitokisan'ny mpiara-miasa

    Fahambonian'ny fahaiza-miteny

    Fahambonian'ny fahaiza-manoratra

    Hakingana eo amin'ny fitaterana ny olana atrehina

    Famintinana

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    42/197

    42

    3 - Fahamendrehana manokana aseho aminny asa

    NAOTY

    Fahafaha-mahafantatra sy mifehy

    Fitsarana sy fahamarinam-piheveranaFahaiza-mifanaraka amin'ny zava-misy sy fahalalahan-tsaina

    Fandraisana andraikitra, faharisihina

    Fahavitan-tena (fahafahana miasa tsy misy fanampiana ivelany)

    Filofosana, fahazotoana

    Fahaiza-miara-miasa, fahaiza-mifandray

    Fahaizana manaraka ny toro-marika

    Fahatsiarovan-tena arak'asa

    Fahatokiana amin'ny fanatanterahana, fahamatorana

    Fahamarinan-toetra, fahatsorana

    Fahafaha-mivoatra

    Tsy fahatongavana miasa

    Fifehezan-tena

    Famintinana

    5.6 NYFAMPIROBOROBOANANYMPIASASYNOOLONAAMPIASAINA5.6.1 Ny fanofananaNy fanofanana dia mikendry :

    - ny fahafampantarana ireo didy aman-dalna vaovao ampiharina any amin'nyKaominina ;

    - ny fanomezana fomba amam-pandaminam-piasa ;- ny hampifanarahana ny fahalalan'ny mpiasa amin'ny andraikitra tazoniny

    (fanatsarana ny firindran'ny toerana sy ny mpiasa) na amin'ny fitazonana

    toerana vaovao (fivoaran'ny asa).

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    43/197

    43

    Natao hameno ny fanofanana voalohany azon'ny mpiasa tsirairay ny fanofanana,

    hahafahany manatanteraka am-pahombiazana ny andraikitra voarakitra amin'ny fisin'ny toerany

    ary mba hahafahany mivoatra ao amin'ny fitondran-draharaha kaominaly hahatongavany

    amin'ny raharaha miaka-danja sy tsara karama kokoa. Ny fanofanana dia antoka voalohany

    ahazoana fisondrotana anatiny amina toerana voafaritra tsara ary azo hidirana araka ny

    diplaoma sy ny traikefa arak'asa.

    Ny sekretera ara-pitondrana na ny tompon'andraikitry ny mpiasa no misahana ny

    famantarana ireo zavatra ilaina amin'ny fanofanana. Ireo dingana tsara asongadina dia :

    - ny fanangonana ny zavatra ilaina amin'ny fanofanana (1) amin'ny fampitahanany fisin'ny toerana sy ny toetoetra takiana amin'izay tokony hitna izany, (2)

    amin'ny famakafakana izay mety ho vokatry ny fivoaran'ny sehatra ara-

    pitondrana eo amin'ny fitondran-draharaha kaominaly, (3) amin'ny famakafakana

    ny vokatry ny fandanjalanjana ny fahombiazan'ny mpiasa sy ny fahafaha-manao

    ny fanondrotana anatiny ;

    - ny fandrafetana ny fisy mitanisa ny votoatin'ny fanofanana tsirairay avy ary nyfanomanana ny drafi-panofanana isan-taona mialoha ny fikarohana ny

    mpampiofana ;

    - ny fikarohana ireo mpanao fampiofanana.Azo atao ny mangataka ny fanampian'ny sampandraharaham-panjakana namindram-

    pitondrana indrindra ny Soprefe, ny mpitana kaontin'ny Tahirim-bolam-panjakana, ny Tale ao

    amin'ny Fampandrosoana ny Faritany Mizakatena. Ny saran'ny fanofanana (mpampiofanaivelany, fifindran-toerana....) dia tsy maintsy soratana ao amin'ny teti-bolan'ny Kaominina na

    karohina amin'ireo rantsana amin'ny fiaraha-miasa.

    5.6.2 Ny fifandraisana anatinyNy ben'ny tanna, lehibe ara-pahefanan'ny fitambaran'ny mpiasa sy ny mpanatanteraka eo

    amin'ny fitondran-draharaha kaominaly no tompon'andraikitra mivantana amin'ny fandehan'ny

    fampahalalam-baovao sy ny fifandraisan'ny mpiasa ao anatin'ny Kaominina. Ny zava-kendrena

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    44/197

    44

    amin'ny fifandraisana anatiny dia ny hanamafy orina ny firaisankinan'ny mpiasa, ny hampandeha

    ny vaovao eo anivon'ny mpiasa ary ny hanakambanana ny fitambaran'ny mpiasa amin'ny

    tetik'asan'ny Kaominina.

    Tsara raha atao isaky ny andro voalohany amin'ny herinandro ny fivorian'ny mpiasa ao

    amin'ny Kaominina mba :

    - hiaraha-mijery ny zava-bita tamin'ny herinandro lasa ;- hikarohana ny olana natrehina ;- handraisana ny soso-kevitry ny mpiasa mikasika ny fandaminana sy ny fomba

    fiasa ;

    - handaharana ny raharahan'ny herinandro- hitsahina hampahafantarana amin'ny mpiasa ny zotra hitondrana ny asan'ny

    Kaominina notapahan'ny olomboafidy.

    5.7 FITONDRANANYMPIASA5.7.1 Ny fifanekem-piasana.Ny mpiasa tsirairay dia tsy maintsy manana fifanekem-piasana nosoniavin'ny Ben'ny

    tanna sy ilay voakasik'izany. Ny fifanekem-piasana dia ahitna ireto tondro ireto :

    - ny anaran'ny toeran'ilay asa- daty nadraisana ny asa- faharetan'ny fifaneken'asa- sokajy misy ilay mpiasa- ny karamany tamin'ny nanaovana ny fifanekem-piasana- ny sata amin'ny fanefam-bola fitsinjovana sy fiahiana (CNaPS, CPR);

    - ny tsiahy ao amin'ny fitsipika anatiny momba ny ora fiasana sy ny fitsipi-pifehezana ;

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    45/197

    45

    - ny daty sy ny sonian'ny Ben'ny tanna sy ilay mpiasa.Ny fifanekem-piasana dia tsy maintsy manao tsiahy ny lalna lf-94-029 taminny 25

    aogositra 1995 mitondra ny fehezan-dalna momba ny asa eto Madagasikara. Tsy maintsy

    hampifanarahana amin'ny lalna ny fipetrakireo olona am-perin'asa izay tsy manana fifanekem-

    piasana. Ny faharetan'ny fifanekem-piasana dia mety ho voafetra na tsia.

    Mikasika ny fandraisana Leftry ny Ben'ny tanna amin'ny toeram-pitondran-draharaha

    (neken'ny lalna lf-94-008), ny faharetan'ny fifanekem-piasana dia tsy maintsy voafetra ary

    asiana fepetra momba ny fampitsaharana aloham-potoana tsy misy tambim-bola ny fifanekena

    raha toa ka misy ny fisintonana ny fanomezam-pahefana ny Lefitra na fitsaharan'ny Ben'nytanna amin'ny asany. Ny fandraisana Lefitra amin'ny ankapobe dia atao noho ny tondro fepetra

    apetraky ny Ben'ny tanna ahafahany manombana ilay olona izay ampifandraisina amin'ny

    fanomezam-pahefana atao; ary tsy tsara ny hitazonana ny Lefitra aorian'ny fisintonana ny

    fanomezam-pahefana na ny fanavaozana ny mpiara-miasa voafidy. Kanefa, ny faharetan'ny

    mpiasa ao amin'ny fitondran-draharahan'ny Kaominina ary indrindra ny Mpandrindra Jeneraly

    dia miantoka ny fitohizan'ny fiasan'ny fitondran-draharaha kaominaly ankoatry ny fetran'ny

    fifidianana.

    5.7.2 Ny fialan-tsasatraNy fialan-tsasatra dia tsy maintsy halahatra amina fandaminana isan-taona mba ahazoana

    miantoka ny fitohizan'ny asam-bahoaka. Ny vinavinam-pandaminana ny fialan-tsasatra dia atao

    araka ny fomba toy izao :

    ny mpiasa tsirairay dia manolotra ny lehibeny isan'ambaratonga ny datin'ny fialan-tsasatra angatahina alohan'ny 1 desambra ;

    mangataka ny fanovana ilaina mba hampandeha tsara ny asa ny lehibeisan'ambaratonga, araka ny fangatahana ataon'ny mpiasa hafa;

    atolotra ny tompon'andraikitry ny mpiasa ny fandaminana ny fialan-tsasatry ny mpiasamba hahafahany manamarina ny zon'ny tsirairay amin'ny fialan-tsasatra ;

    tapahin'ny Ben'ny tanna ny fandaminana ny fialan-tsasatra farany.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    46/197

    46

    Ny fandehanana miala sasatra araka izay voarakitra ao amin'ny vinavinam-pandaminana

    dia angatahina 5 andro fiasana mialoha ny fandehanana voatondro. Apetraka ao amin'ny

    sekretera arapitondrana ny fangatahana mba ahafahany manamarina fa efa misy ny mpisolo ilay

    mpiasa, sy ahafahany manao ny fahazoan-dlana haka fialan-tsasatra izay soniavin'ny Ben'ny

    tanna. Ilay fangatahana sy ny dika faharoan'ilay fahazoan-dlana nosoniavin'ny Ben'ny tanna

    dia tehirizina ao amin'ny antotantaratasin'ilay mpiasa mba ahazoana manala ny andro fialan-

    tsasatra efa nampiasaina.

    5.7.3 Ny tsy-fiasana sy ny fanomezan-diana tsy hiasaNy tsy fiasana dia esorina amin'ny zo hiala sasatra tsotra. Kanefa noho ny antony

    manokana, dia azon'ny Ben'ny tanna atao ny manampy andro amboniny amin'ireto toe-javatraireto :

    fanambadian'ilay mpiasa voakasik'izany fahaterahan'ny zanak'ilay mpiasa voakasik'izany famorana ny zanak'ilay mpiasa voakasik'izany ; fahafatesan'ny zanak'ilay mpiasa voakasik'izany fahafatesan'ny vadinilay mpiasa voakasik'izany fahafatesan'ny ray aman-dreny, na ny iray tampo amin'ilay mpiasa voakasik'izany; fidiran'ny vadin'ilay mpiasa voakasik'izany any amin'ny hopitaly; fidiran'ny zanak'ilay mpiasa voakasik'izany any aminny hopitaly ; ny fangatahana dia tsy maintsy atao mialoha ny tsy fiasana.

    Ny tsy fiasana noho ny faharariana dia tsy maintsy voamarin'ny taratasy fanamarinana avy

    amin'ny mpitsabo izay manondro ny isan'ny andro hijanonana noho ny faharariana. Ny taratasy

    fanamarinana dia apetraka ao anatinny 3 andro manomboka amin'ny andro voalohany tsy

    hiasana. Ny Ben'ny tanna no mametra ny ora ara-dalna hiasan'ny mpiasa kaominaly. Ny tsy

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    47/197

    47

    fiasana tsy misy fanamarinana mandritra ny ora fiasana ara-dalna dia heverina ho toy ny tsy

    fiasana tsy nahazoan-dlana.

    Ny fialan-tsasatra sy ny tsy fiasana nahazoan-dlana na tsy nahazoan-dlana dia isaina ao

    amin'ny fisin'ny mpiasa tsirairay tazonin'ny lehibe araka ny ambaratonga na ny sekretera ara-

    pitondrana. Io fisy io dia jerena mialoha ny hanaovana ny karama mba hanesorana ny andro tsy

    niasana ary apetraka ao amin'ny antotan-taratasin'ilay mpiasa voakasik'izany amin'ny faranny

    taona.

    5.7.4 Ny irakaNy baiko mampamita iraka dia soniavin'ny Ben'ny tanna ary ny tambim-bola isan'andro

    omena amin'izany dia hampidirina ao amin'ny kaonty mialoha ny fiaingna. Ny baiko

    mampamita iraka dia tsy maintsy ahitna

    - ny anton'ny iraka- ny toerana aleha- ny datin'ny fiaingna sy ny datin'ny fiverenana voatondro,- ny sonian'ny Ben'ny tanna.

    Ny baiko mampamita iraka dia fenoin'ny (na ireo) olona voalaza ao amin'ny antony rehefa

    tonga any an-toerana ilay mpamita iraka. Ny habetsahan'ny tambim-bola dia feran'ny

    fanapahan-kevitry ny Filankevitra kaominaly kanefa tsy mahazo mihoatra ny 20% ny tambim-bola fanome ny mpiasam-panjakana.

    Ny tambim-bola dia kajiana sy hefaina amin'ny fiverenan'ilay mpiasa. Esorina amin'ny

    fikajiana ny vola noraisina mialoha, raha misy.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    48/197

    48

    5.7.5 Ny fitsipi-pifehezanaTsara ny hametrahana isaky ny Kaominina Filankevita ara-pifehezana hisahana ny

    fanoloran-kevitra amin'ny raharaha ara-pifehezana rehetra. Io Filankevitra io dia ahitna

    - ny Ben'ny tanna- ny tompon'andraikitry ny mpiasa- ny solontenan'ny mpiasa (izay fidin'ny mpiasa isantaona miaraka amin'izay

    mpisolo toerana).

    Ny Ben'ny tanna no mangataka ny fivorian'ny Filankevitra. Zahan'ny lehibe

    isan'ambaratonga sy/na ny tompon'andraikitry ny mpisa ifotony ny fahadisoana ataon'ny

    mpiasa. Ny lisitry ny fahadisoana saziana dia tsy maintsy ataon'ny tompon'andraikitry ny mpisa

    ary hampidirina miaraka amin'ny fanondroana ny sazy mifanandrify aminy ao amin'ny fitsipika

    anatiny ary aely any amin'ny sampandraharaha. Ny fahadisoana tsara tanisaina dia ireto :

    - ny tsy fanajana ny ora fiasana (fahatarana, fandaozana toerana),- ny tsy fiasana tsy nahazoan-dlana,- ny tsy fankatoavana,- ny fihinanana zava-pisotro misy alikaola na rongony mandritra ny ora fiasana,- ny herisetra, fanimbana fitaovana niniana natao na halatra

    Tokony hifanahantsahana amin'ny havesatry ny fahadisoana ny hamafin'ny sazy, ary

    hampitomboina raha misy famerenan-keloka. Halahatra arakaraky ny hamafiny ny sazyampiharina :

    - ny fampitandremana am-bava- ny fangataham-panazavana- ny fanatsiniana- ny fampihatoana amin'ny asa

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    49/197

    49

    - ny fandroahana.Ny sazy dia tapahan'ny Filankevitra ara-pifehezana. Ny tabilao manaraka dia manondro

    ny sazy mety hampiharina isaky ny karazam-pahadisoana.

    Fahadisoana Sazy

    Fahatarana, fandaozana toerana 15 ka hatramin'ny

    60 minitra

    Fampitandremana am-bava

    Famerenan-keloka voalohany Fangataham-panazavana an-tsoratra sy fanesorana tapak'andro

    amin'ny fialan-tsasatra tsotra

    Famerenan-keloka faharoa Fanatsiniana sy fanesorana tapak'andro amin'ny fialan-tsasatra

    tsotra

    Famerenan-keloka fahatelo Fandroahana

    Fahatarana, fandaozana toeraria 60 mintra ka

    hatraminny indray andro

    Fangataham-panazavana an-tsoratra sy fanesorana andro iray

    amin'ny fialan-tsasatra tsotra

    Famerenan-keloka voalohany Fanatsiniana sy fanesorana iny andro iny amin'ny fialan-tsasatra

    tsotra

    Famerenan-keloka faharoa Fampitsaharana tsy miasa 3 ka hatramin'ny 10 andro

    Famerenan-keloka fahatelo Fandroahana

    Tsy fahatongavana tsy nahazoan-dlana mihoatra

    ny iray andro

    Fanatsiniana na fampitsaharana tsy miasa (arakaraky ny

    faharetan'ny tsy niasana) sy fanesorana ny andro tsy niasana

    amin'ny fialan-tsasatra tsotra

    Famerenan-keloka voalohany Fampitsaharana tsy miasa 3 ka hatramin'ny 10 andro

    Famerenan-keloka faharoa Fandroahana

    Tsy fankatoavana Fangataham-panazavana an-tsoratra

    Famerenan-keloka voalohany Fanatsiniana

    Famerenan-keloka faharoa Fampitsaharana tsy miasa 3 ka hatramin'ny 10 andro

    Famerenan-keloka fahatelo Fandroahana

    Fisotroana zava-pisotro misy alikaola, na rongony,

    na herisetra notanterahana mandritra ny ora

    fiasana

    Fanatsiniana na fampitsaharana tsy miasa arakaraky ny

    havesatry ny fahadisoana

    Famerenan-keloka voalohany Fampitsaharana tsy miasa na fandroahana

    Famerenan-keloka faharoa Fandroahana

    Fanimbam-pitaovana niniana natao, halatra Fanatsiniana na fampitsaharana tsy miasa araka ny havesatry ny

    fahadisoana ary fametrahana fitoriana any amin'ny Fitsarana

    Famerenan-keloka voalohany Fampitsaharana tsy miasa na fandroahana

    Famerenan-keloka faharoa Fandroahana

    Ny fampitsaharana tsy miasa dia mitarika ny fampihatoana ny karama.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    50/197

    50

    Ny sazy tapahan'ny Filankevitra ara-pifehezana dia soratana ao aminny antotan-

    taratasinilay mpiasa diso. Ny fitsarana ny ady dia miditra ho andraikitry ny fitsarana mahefa

    amin'ny faritry ny toeram-piasana.

    6 IREO SAMPAN-DRAHARA KAOMINALY6.1 NY SEKRETARIA ARA-PITONDRANA

    Ny sekretaria ara-pitondrana no misahana ny firaketan-draharahan'ny Ben'ny tanna, ny

    an'ireo Lefitra, ny an'ny Filankevitra ary ny an'ireo sampan-draharaha.

    6.1.1 Ny fomba fanehoana ny taratasy ifandefasana ara-pitondrana.Ny taratasy ifandefasana ara-pitondrana dia tsy tokony haneho na hanondro ny

    mpanoratra azy, ny mpanoratra dia manoratra amin'ny maha Ben'ny tanna azy fa tsy amin'ny

    anarany manokana. Torak'izany koa, dia ny andraikitrilay olona handefasana ny taratasy no

    tondroina fa tsy ny anarany. Ny taratasy ifandefasana dia tokony ahitna :

    - ny antony,- ny laharany- ny tsiahin'ny taratasy valiana na ny taratasy nifandefasana teo aloha.Ny fomba fandrafetan-teny dia tokony ho tsotra. Tsy fampiasa amin'ny fitondran-

    draharaha ny teny fanajana. Ny taratasy ifandefasana amin'ny olon-tsotra sy ny olomboafidy

    ihany no hampiasana teny fanajana. Ny tsiahy amin'ny taratasy ifandefasana dia ahitna : ny

    laharana mifampitohy manomboka amin'ny 1 ny 1* janoary, ny taona, ny mariky ny sampan-

    draharaha (ohatra "SF" ho an'ny Sampandraharaha momba ny Vola), ny litera voalohan'nyaminny anaran'ny mpanoratra. Ny taratasy ifandefasana alefan'ny Kaominina dia omena

    laharana mifampitohy amina anton-daharana iray ihany.

    Modelina taratasy ifandefasana :

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    51/197

    51

    Repoblikan'i Madagasikara

    Tanindrazana -Fahafahana -Fandrosoana

    FaritaninAntananarivo

    Kominina Ambanivohitri Lazaina

    Lazaina, ny 10 desambra 1999

    Ny Benny tannanny Kaominina Ambanivohitr'i Lazaina

    Ho an

    Andriamatoa Tale Jeneralinny

    Fampandrosoana ny Faritany Mizakatena

    Antsahavola

    Antony : Fanomezam-bola avy ainin'ny Fanjakana

    Lf. 0010/1 999/SF/RR

    Tsiahy : ny taratasinao mitrondra ny lf-001/1999/SP

    tamin'ny 15 novambra 1999

    Voninahitra ho ahy ny mampahafanttitra anao fa ..

    Ny taratasy ifandefasana dia atao sosony telo, ka ny matoan-tsosony dia omena ny tenahandefasana, ny sosony iray tehirizina ao amin'ny fitehirizan-taratasy ary sosony iray atao ao

    amin'ny antotan-taratasy.

    6.1.2 Ny taratasy ifandefasana tongaNy taratasy rehetra ifandefasana tonga ao amin'ny Kaominina dia sokafan'ny sekretera

    ara-pitondrana, afa-tsy ny taratasy nalefa ho an'ny Ben'ny tanna na ho an'ny Lefitra misy ny

    fanamarihina hoe "manokana" na "miafina", dia soratany ao amin'ny rejisitry ny taratasy

    ifandefasana tonga , ary hatolony ny Ben'ny tanna na ny Mpandrindra jeneraly araka ny toro-

    marika omen'ny Ben'ny tanna mba hanoroana ny sampan-draharaha handefasana. Ny fizarana

    dia tanterahan'ny Mpandrindra jeneraly. Rejisitra iray ihany no itambaran'ny sampan-draharaha

    rehetra ao amin'ny Kaominina. Ny rejisitry ny taratasy ifandefasana tonga dia ahitana ireto

    tondro ireto:

    -

    laharam-panoratana

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    52/197

    52

    - daty nahatongavana- tsiahi-panondroana ny taratasy

    -

    antony

    - mpandefa- sampan-draharaha andefasana- daty sy tsiahi-panondroana ny taratasy valiny.

    Ny fanamarihina ny sampan-draharaha andefasana dia fenoina rehefa avy nanondro izany

    ny Ben'ny tanna na ny Mpandrindra jeneraly. Ny tondro "daty sy tsiahi-panondroana ny

    taratasy valiny" dia fenoina eo am-pandefasana ny taratasy valiny na avy hatrany raha tsy

    mitaky valiny ilay taratasy. Ny sampan-draharaha andefasana tsirairay avy dia manamarina ny

    nandraisana ny taratasy amina kahie fifandefasana taratasy anatiny.

    6.1.3 Ny taratasy ifandefasana miaingaNy taratasy ifandefasan'ny kaominina dia soratana ao amin'ny rejisitry ny "taratasy

    ifandefasana miainga" na tehirizina ao amin'ny fitehirizan-taratasy ary alefan'ny sampan-

    draharaha ara-pitondrana. Ny rejisitry ny"taratasy ifandefsana miainga" dia ahitna ireto :

    - laharam-panoratana- daty niaingany- tsiahi-panondroana ny taratasy- antony- sampan-draharaha nandefa- ny handefasana.Ho an'ny fitehirizan-taratasy dia kilasera manamora ny fandaharana sy fijerena ny taratasy

    no ampiasaina. Ny tsiahi-panondroana sy ny datin'ny taratasy valiny dia atao famindrana ao

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    53/197

    53

    amin'ny rejisitry ny "taratasy ifandraisana tonga". Isaky ny fotoana raikitra dia hamarinin'ny

    Sekretera ara-pitondrana ny taratasy tonga tsy voavaly ary mampatsiahy izany ny

    sampandraharaha nampiandraiketina azy.

    6.1.4 Ny fandaminana ny fitehirizana ny taratasyNy taratasy tonga dia alamina sy tehirizin'ny sampan-draharaha ara-pitondrana

    miaraka amin'ny soson'ny taratasy valiny araka ny fotoana nadraisana azy. Any amin'ny

    Kaominina tena lehibe (mizaha taratasy ifandraisana mihoatra ny 200 isan-taona), dia tsara ny

    hampiasna fitehirizan-taratasy voalamina isan-taranja (ohatra : hetra, fiankohonana, ... ) ka ao

    anatin'ireny ny taratasy no halahatra araka ny datiny. Baorita mikopaka fitehirizan-taratasy azo

    afatotra no tsara hitehirizana sy handaminana ny taratasy.

    6.2 NYRAHARAHAHATAOAMKNYANARAWNYFANJAKANANy andraikitry ny Ben'ny tanna sasantsasany momba ny raharaham-pirenena dia

    tanterahina eo ambany fahefan'ny Solontenam-panjakana. Ireto avy izany :

    - ny fiankohonana- ny fifidianana;- ny fanompoam-pirenena- ny fahefana momba ny fitandroam-pilaminana.

    6.3 NYFAHASALAMA-BAHOAKASYNYFANABEAZANAFOTOTRANy didim-pitondrana lf 96-169 taminny 6 marsa 1996dia manome tandrifim-pahefana

    ny Kaominina amin'ny fanatanterahana sy fitantanana ny Sekolim-bahoaka Fanabeazana

    Fototra (EPP) sy ny Foibem-pahasalamana Fototra (CSB). Amin'io fitsinjaran'asa vaovao io dia

    ny Fanjakana no mametra ny fitsipika fototra, mandefa sy mitantana ny mpiasa, fa ny

    kaominina kosa no miantoka ny trano sy miantsoroka ny fandaniana amin'ny fikojakojana sy

    fampandehanan-draharaha.

    Ny fitsipika fototra no mamehy ny asan'ny kaominina ary mahafaoka sehatra isan-

    karazany : fitsipika momba ny fanorenan-trano, politikam-pirenena momba ny fahasalamana,

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    54/197

    54

    fitsipika momba ny fifehezana ny ara-pahasalamana, fandaharam-pampianarana... Ny

    fifampidipidiran'ny tandrifim-pahefana dia mitaky fiaraha-mihevitry ny Kaominina sy ny

    sampandraharaham-panjakana namindram-pitondrana mitohy sy maharitra : Fari-piadidiam-

    pampianarana (CISCO) ho an'ny fanabeazana fototra, Sampandraharaha ara-pahasalaman'ny

    distrika (SSD) ho an'ny Fahasalamana fototra. Ahoana tokoa moa no ahafahan'ny sekoly na

    foibe ara-pahasalamana miasa raha tsy misy mpiasa? Ahoana no ahafahan'ny mpampianatra sy

    ny mpitsabo mpanampy manatanteraka ny raharahany raha tsy misy trano sy fanaka hiasany?

    Ny fizakantenan'ny Kaominina dia manala ny fahefana hanapakevita amin'ireo fitondran-

    draharaham-panjakana namindram-pitondrana amin'ireo sehatry ny tandrifim-pahefana nomena,

    kanefa tsy manana fahefana mivantana amin'ireo fitondran-draharaham-panjakana namindram-

    pitondrana ireo mihitsy ny Ben'ny tanna. Noho izany dia tokony hifanekena ny fandrindrana

    ny raharaha.

    Ny fifanekena dia fanekena ifanaovan'ny sampan-draharaha-mpanjakana namindram-

    pitondrana etsy andaniny sy ny Kaominina etsy ankilany, aseho amina endrika fifanarahana. Ny

    fifanarahana no mametra :

    - ny zava-kendrena iaraha-manatratra- ny fanekem-pamatoran'ny Fanjakana : mpiasa atokana, fanomezana fitaovana

    sy kojakoja ara-teknika ;

    - ny fanekem-pamatoran'ny Kaominina : trano atokana, fanorenana vaovao ataotetik'asa, asa fanarenana, fanomezana kojakoja, sora-bola fampandehan-

    draharaha, fandefasana mpiasa amboniny.

    Ny fifanarahana dia atao isaky ny sehatra hirotsahana ary maneho amin'ny antsipiriany ny

    fanekem-pamatorana isaky ny sekoly fanabeazana fototra sy isaky ny foibe ara-pahasalamana.

    Aseho ao amin'ny fifanarahana ny anaran'ny mpiasa atokana, ny raharahany, ny toerana

    andefasana azy ary ireo andraikitra arak'asa. Ireo fikambanan'ny mpila raharaha na ny rafitra

    "Fiombonan'antoka ho amin'ny Fampandrosoana ny Sekolimbahoaka Fanabeazana Fototra"

    napetraky ny didim-panjakana lf-99-496 dia azo hampifandrasina amin'ny fifanarahana.

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    55/197

    55

    Ny fanekem-pifatoran'ny Kaominina dia vatsian'ny fanomezam-bola avy amin'ny

    Fanjakana atokana amin'ny famatsiana ara-bola ireo Sekoly Fanabeazana Fototra sy Foibe ara-

    pahasalamana Fototra miampy ireo famatsiam-bola avy amin'ny Kaominina. Ny vinavinam-

    pifanarahana dia alefa any amin'ny Filankevitra monisipaly/kaominaly hanaovany fanapahan-

    kevitra. Ny fanekempamatorana hamatsy ara-bola dia tsy maintsy soratana mialoha ao amin'ny

    teti-bolan'ny Kaominina. Ny Ben'ny tanna no manaramaso ny fampiharana ny fifanarahana sy

    mampahalala ny lehibe ara-pitondrana ny tsy-fisiana na tsy-fahatanterahan'ireo mpiasa natokana

    ao amin'ny Kaominina ny adidy aman'adraikiny. Misy tatitra atao isaky ny misy tsy-

    fahatanterahan'ny andaniny sy ny ankilany ny fifanarahana. Momba ny fitantanana ny Foibe ara-

    pahasalamana fototra, dia tsara ny hijerena ilay "toro-llana maharitra mikasika ny

    fametrahana sy fanarahana fandraisan'anjara ara-bola anireo mpila raharaha aminireoFoibe ara-pahasalamana fototra sy Foiben-toerampitsaboana aminny Distrika 1"

    navoakanny Minisiteranny Fahasalamana (aogosftra 1999).

    6.4 NYFAMPANDROSOANAKAOMINALYNy fanapariaham-pahefana dia manome ho an'ny kaominina ny fampandrosoana eo an-

    toerana. Ny andraikitry ny olomboafidy eo an-toerana dia betsaka eo anatrehan'ny habetsaky ny

    filana tadiavin'ny vahoaka. Ny anjara-andraikitry ny Kaominina dia mifantoka amin'nyfametrahana tontolo mampirisika ny fandraisan'andraikitry ny sehatra tsy miankina sy

    manatsara ny fari-piainan'ny vahoaka amin'ny :

    - famoronana fotodrafitr'asa ilain'ny asa ara-toe-karena : llana, tetezana, tamba-jotra fampidiran-drano sy jiro, tsena,...

    - fanatsarana ny raharaha fototra omena ny vahoaka eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana sy fanabeazana,

    - fintsinjarana ny tsindrin'ny hetra mandrisika ny asa ara-toekarena :fanafoaanana miandalana ny haba alaina amin'ny vokatra, fifehezana ny hetran-

    tany

    Ny ankamaroan'ny fangatahan'ny vahoaka sy fahakelezan'ny olona sy ny vola

    ampiasain'ny Kaominina dia mitaky fandaminana hentitra ny fandaharana sy ny fanomanana ireo

  • 8/6/2019 Torolalana ho an'ny ben'ny tanan (PNUD - 2000)

    56/197

    56

    tetik'asa. Ny dingam-panatanterahana ny tetik'asa dia ahitna ireto ambaratonga ireto :

    famantarana, fandaharan'asa, fanomanana ny antotan-taratasin'asa, fikarohana famatsiam-bola,

    fanatanterahana, fanombanana.