guy r n°04 hifanampy amin’ny mponina ho fampandrosoana an ... · te hahazo mafy ny fitantanana...

1
T e hahazo mafy ny fitantanana ny tanànan’Anta- nanarivo Renivohitra ny mpitondra, ka mitady izay fomba rehetra hamitahana ny vahoaka mpi- fidy. Hita mibaribary tamin’ny fifanatrehan’ireo kan- dida 5 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna nampitondraina ny lohateny hoe : Donakafon’Analakely, fa ny efatra amin’ireo kandida dia samy olon-dry Bevoay avokoa ; dia mody mitonona ho tsy miankina sy mahaleo tena , ny hafa indray mody mamely miaraka ny fitondrana sy ny mpanohitra hoe variana amin’ny adilahy politika kanefa hita ho fikan-jaza ihany, satria izy efatra ireo dia niaraka tamin’ny fanonganampanjakana sy fana- potehana an’Antananarivo ary fampandresena an-dry Bevoay avokoa. Ny vahoakan’Antananarivo tsy bado, fa faran’izay ma- rani-tsaina, ka tsy ho azo fandrihana ,iza no tsy ma- halala f’ilay mpanakanto mirotsaka ho fidiana dia mpanao fandaharana tao amin’ny haino amanjerin’ny antokon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao , ilay to- volahy kely mitonona ho olombaovao tsy mbola nanao politika dia endrika tsy vaovao f’efa teo ani- lan’Ingahy Rajoelina tamin’ny fampielezankevitra, toy izany koa ilay somary efa zokinjokiny. Ny tanjon’ireto efatra izay iray: 4 izay 1 dia ny hanao tambabe amin’ny Kandida Rina Randriamasinoro, ka nokajiana ho sokajin’olona tsy mitovy sy sokajintaona samihafa no aroso handrebirebena ny mpifidy tsy ho liana amin’i Rina Randriamasinoro. Ny olon-dry Bevoay no nanimba an’Antananarivo na- nomboka tamin’ny 2009 , nitondra an’Antananarivo ny taona 2007 hatramin’ny 2015, niaraha-nahita ny tsy fahombiazana tamin’izany kanefa dia ry zareo ihany koa no teo amin’ny fanjakana foibe, i Neny anefa na dia tsy nahazo ny vola fanampiana avy amin’ny fitondrana izay efa voafaritra tao amin’ny te- tibolampanjakana ny tokony hisitrahany izany, dia na- havita nampandroso ny tanàna, voaloa ara-dalàna ny karaman’ny mpiasa ary mbola mahazo fankasitra- hana isaky ny tonga ny fety ny mpiasan’ny kaominina. Tsy mampalain-komana ny vahoaka hendry maro an’isa, efa vonona hifidy ny Kandida Rina Randriama- sinoro izay efa voasedra sy manana traikefa amin’ny fitantanana ny tanàna , ny kajikajy apetraka satria azo antoka fa ny kely ananan’izy 4 izay 1 ihany no ifampizarany eo tsy hisy fiantraikany amin’ny vato ho azon’i Rina Randriamasinoro. Dia efa miomana iana- reo efatra, tsy maintsy hisy ny hahazo ny 0 virgule (0,….) amin’ny voka-pifidianana ny 27 novambra izao. Ny Valosoa 3 Lah 977 Alatsinainy 11 novambra 2019 Politika Mila mailo Antananarivo amin’ireo efatra izay iray : “ 4 izay 1 “ Ny Valosoa sy hadihady www.gvalosoa.com Depiote Fidèle Razara Pierre Nankasitraka ireo vahoaka nifidy azy tao Ambatondrazaka Isaia 12:2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy." Ny TeNy FiaiNaNa Vahoaka marobe no tonga nanatrika ny fisaorana sy fankasitrahana nataon’ny depiote voafidy tamin’ny an- toko Tiako i Madagasikara (TIM) tao Ambatondrazaka Fidèle Razara Pierre ny faran’ny herinandro teo, amin’ny naha voafidy azy ho solombavambahoaka tao amin’ity distrika ity. Na maro aza olana samihafa dia tsy nahasakana ny tia sy ny manina hihaona izany . Niara-nisalahy nahatontosa ny hetsika ny mpikatroka ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, sy ireo komity mpanohana rehetra. Miharihary ao Ambatondrazaka ankehitriny, fa na inona na inona fihetsiketsehana ataon’ny mpitondra ankehitriny mampanantena nofy ho an’ny vahoakan’Ambato dia tsy adala izy ireo, fa manankim-po amin’ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny filoha Marc Ravalomanana hatrany. Feno hipoka ny kianja nanaovana ny hetsika, tamin’izany ihany koa no niantsoany ny mpifidy any an-toerana handrotsaka ny vatony ho an’ny kandidàn’ny TIM amin’ny fifidianana ny alarobia 27 novambra ho avy izao. Helisoa Guy Rivo N°04 Hifanampy amin’ny mponina ho fampandrosoana an’Antsirabe Nanatanteraka kongresy nasionaly ny antoko HVM: Hery Vaovaon’i Ma- dagasikara, ny sabotsy teo. Tsy nanatrika izany fi- haonambe izany ny filoha teo aloha, Hery Rajaona- rimampianina, izaay filoha nanangana ity antoko ity. Tetsy amin’ny foibeny etsy Andraharo-Antana- narivo no nanatantera- han’ny antoko Hery Vao- vao ho an’i Madagasikara (HVM) izany ny sabotsy tontolo andro teo. Nanodi- dina ny 350 ireo mpizaika nandray anjara tamin’ izany, nahitana ireo de- lege sy solontenan’ny an- toko isam-paritra, notari- hin’ny birao foibe, izay mbola ny filohan’ny Ante- nimierandoholona Rivo Rakotovao no filoha na- sionaliny. Mbola tsy nisy fanavaozana aloha ny birao nasionalin’ny an- toko, fa fandrindrana ny fiainan’ny antoko no niom- panan’ny lahadinika tao- rian’ny tsy nandraisan’ny HVM anjara tamin’ny fifi- dianana solombavamba- hoaka sy ny fifidianana kaominaly hatao amin’ny 27 novambra 2019. Tao aorian’ny fifidianana filo- hampirenena farany teo, somary nipatitaka ihany ny mpikambana tao amin’ ity antoko ity, misy ny lasa nivadika Mapar, ao ny ni- safidy ny hangina fotsiny izao. Isambilo Tsy tranainy efa toa lany daty, Fa tanora sy mahafatifaty. Ka na endrika izany na bika , Dia I RINA NO METY AMINTSIKA. Tsy ny zatra ny kobaka am-bava, Fa mpizotra amin`ny lala-mazava. Be dia be ny mpanao politika, Fa I RINA NO METY AMINTSIKA. Tena mendrika ny renivohitra, Sy tohanan`iretsy mpanohitra. Raha fehezina na koa adika Dia I RINA NO METY AMINTSIKA. Olon-tsotra sy tena mivavaka. Tsy hitarika anao ho any an-davaka. Tsy mpandainga na be fikafika. Tena I RINA NO METY AMINTSIKA. Tsy ny ekipan`ny mpamafy loza. Tsy ny zatra mpanao lalam-poza. Tsy mpandainga ho mpanao mazìka, Io no RINA ilay METY AMINTSIKA. RINA ihany ny antsika rey olona ! Fa Iarivo efa zatra mitolona. RINA ihany , aza isalasalana, Io no mendrika ho BEN`NY TANÀNA ! DADAN`I RIANA (06-11-19) I Rina no mety I Rina no mety amintsika ry Iarivo amintsika ry Iarivo TONONKALO Antoko HVM Nanatanteraka kongresy nasionaly ny sabotsy teo Nindaosin'ny fahafate- sana ny zoma lasa teo, teto Antananarivo ny Je- neraly Andriamandaminy Mohajy Ackram. Efa so- mary tsy dia salama fo- toana lavalava izy, eo koa ny vesatry ny fahante- rana. Teraka ny 04 sep- tambra 1945 izy, 74 taona izy izao nodimandry izao. Manamboninahitra am- bony teo anivon’ny Tafika an’habakabaka ny Jene- raly Mohajy Ackram. Efa nitana andraikitra ambony maro teto amin’ny fire- nena izy. Efa Praiminisitra lefitra tamin’ny tetezamita notantanan’ny Praiminisi- tra Ratsirahonana Norbert Lala izy. Efa Tale jenera- lin’ny SECREN (Société d'Etudes, de Construction et de Réparation Navales) ary efa Tale jeneralin’ny OMNIS (Office des Mines Nationales et des Indus- tries Stratégiques) ihany koa. Efa filohan’ny « Con- seil Provincial » Antsira- nana ihany koa i Mohajy Ackram, tamin’ny an- dron’ny « Gouvernorat » namaramparana ny Re- poblika faha-II, notanta- nin’ny Amiraly Didier Ra- tsiraka tamin’izany fo- toana izany. Araka ny lo- haranom-baovao akaiky ny fianakaviana dia mian- dry ny fahatongavan'ny zanany avy any an-dafy ny fiaingan'ny razana eto Antananarivo mankany Antsiranana, toerana han- devenana azy. Ny Valosoa Efa Praiministra lefitra teo aloha Nodimandry ny jeneraly Mohajy Ackram Manohy ny fampielezan- kevitra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna any Antsi- rabe koa ny kandidà avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Guy Rivo Randrianarisoa. Fi- haonana amin’ny va- hoaka mivantana amin’ny alalan’ny fitsidihana ny isam-baravarana, na porte à porte ihany koa no paikadiny amin’izany. Ny faran’ny herinandro teo, anisan’ny notsidihany ny mponina tao amin’ny fo- kontany Tsinjorano. Nito- rajofo tanteraka ny tao an-toerana, faly ireo mpo- nina fa nahazo olona vo- nona avy amin'i Dada Marc Ravalomanana, ho lany ben’ny tanàna Guy Rivo Randrianarisoa, no feo nanakoako nandritra izany. Nisongadina fa ny kandidà Guy Rivo sy ny vahoakan'Antsirabe dia mifanome toky, fa hifa- nampy amin’ny fampan- drosoana ny tanàna. Antsirabe tsy maintsy mandroso! Isambilo Ny fampielezan-kevitry ny kandidà Guy Rivo any Antsirabe. Ny hetsika nataon’ny depiote Fidèle Razara Pierre tany Ambatondrazaka ny sabotsy teo.

Upload: others

Post on 03-Jun-2020

2 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Guy R N°04 Hifanampy amin’ny mponina ho fampandrosoana an ... · Te hahazo mafy ny fitantanana ny tanànan’Anta- nanarivo Renivohitra ny mpitondra, ka mitady izay fomba rehetra

Te hahazo mafy ny fitantanana ny tanànan’Anta-nanarivo Renivohitra ny mpitondra, ka mitadyizay fomba rehetra hamitahana ny vahoaka mpi-

fidy. Hita mibaribary tamin’ny fifanatrehan’ireo kan-dida 5 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna nampitondrainany lohateny hoe : Donakafon’Analakely, fa ny efatraamin’ireo kandida dia samy olon-dry Bevoay avokoa; dia mody mitonona ho tsy miankina sy mahaleo tena, ny hafa indray mody mamely miaraka ny fitondranasy ny mpanohitra hoe variana amin’ny adilahy politikakanefa hita ho fikan-jaza ihany, satria izy efatra ireodia niaraka tamin’ny fanonganampanjakana sy fana-potehana an’Antananarivo ary fampandresena an-dryBevoay avokoa.Ny vahoakan’Antananarivo tsy bado, fa faran’izay ma-rani-tsaina, ka tsy ho azo fandrihana ,iza no tsy ma-halala f’ilay mpanakanto mirotsaka ho fidiana diampanao fandaharana tao amin’ny haino amanjerin’nyantokon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao , ilay to-volahy kely mitonona ho olombaovao tsy mbolananao politika dia endrika tsy vaovao f’efa teo ani-lan’Ingahy Rajoelina tamin’ny fampielezankevitra, toyizany koa ilay somary efa zokinjokiny.Ny tanjon’ireto efatra izay iray: 4 izay 1 dia ny hanaotambabe amin’ny Kandida Rina Randriamasinoro, ka

nokajiana ho sokajin’olona tsy mitovy sy sokajintaonasamihafa no aroso handrebirebena ny mpifidy tsy holiana amin’i Rina Randriamasinoro.Ny olon-dry Bevoay no nanimba an’Antananarivo na-nomboka tamin’ny 2009 , nitondra an’Antananarivony taona 2007 hatramin’ny 2015, niaraha-nahita nytsy fahombiazana tamin’izany kanefa dia ry zareoihany koa no teo amin’ny fanjakana foibe, i Nenyanefa na dia tsy nahazo ny vola fanampiana avyamin’ny fitondrana izay efa voafaritra tao amin’ny te-tibolampanjakana ny tokony hisitrahany izany, dia na-havita nampandroso ny tanàna, voaloa ara-dalàna nykaraman’ny mpiasa ary mbola mahazo fankasitra-hana isaky ny tonga ny fety ny mpiasan’ny kaominina.Tsy mampalain-komana ny vahoaka hendry maroan’isa, efa vonona hifidy ny Kandida Rina Randriama-sinoro izay efa voasedra sy manana traikefa amin’nyfitantanana ny tanàna , ny kajikajy apetraka satriaazo antoka fa ny kely ananan’izy 4 izay 1 ihany noifampizarany eo tsy hisy fiantraikany amin’ny vato hoazon’i Rina Randriamasinoro. Dia efa miomana iana-reo efatra, tsy maintsy hisy ny hahazo ny 0 virgule(0,….) amin’ny voka-pifidianana ny 27 novambra izao.

Ny Valosoa

3Lah 977 Alatsinainy 11 novambra 2019Politika

Mila mailo Antananarivo amin’ireo efatra

izay iray : “ 4 izay 1 “

Ny Valosoa sy hadihady

www.gvalosoa.com

Depiote Fidèle Razara Pierre

Nankasitraka ireo vahoaka nifidyazy tao Ambatondrazaka

Isaia 12:2

Indro, Andriamanitra no famonjena ahy;

dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; fa

Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa

famonjena ahy Izy."

Ny TeNy FiaiNaNa

Vahoaka marobe no tonga nanatrika ny fisaorana syfankasitrahana nataon’ny depiote voafidy tamin’ny an-toko Tiako i Madagasikara (TIM) tao AmbatondrazakaFidèle Razara Pierre ny faran’ny herinandro teo,amin’ny naha voafidy azy ho solombavambahoaka taoamin’ity distrika ity. Na maro aza olana samihafa diatsy nahasakana ny tia sy ny manina hihaona izany .Niara-nisalahy nahatontosa ny hetsika ny mpikatrokaao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, sy ireo komitympanohana rehetra. Miharihary ao Ambatondrazakaankehitriny, fa na inona na inona fihetsiketsehanaataon’ny mpitondra ankehitriny mampanantena nofyho an’ny vahoakan’Ambato dia tsy adala izy ireo, famanankim-po amin’ny antoko Tiako i Madagasikara syny filoha Marc Ravalomanana hatrany. Feno hipoka nykianja nanaovana ny hetsika, tamin’izany ihany koa noniantsoany ny mpifidy any an-toerana handrotsaka nyvatony ho an’ny kandidàn’ny TIM amin’ny fifidiananany alarobia 27 novambra ho avy izao.

Helisoa Guy Rivo N°04

Hifanampy amin’ny mponina ho fampandrosoana an’Antsirabe

Nanatanteraka kongresynasionaly ny antokoHVM: Hery Vaovaon’i Ma-dagasikara, ny sabotsyteo. Tsy nanatrika izany fi-haonambe izany ny filohateo aloha, Hery Rajaona-rimampianina, izaay filohananangana ity antoko ity.Tetsy amin’ny foibenyetsy Andraharo-Antana-narivo no nanatantera-

han’ny antoko Hery Vao-vao ho an’i Madagasikara(HVM) izany ny sabotsytontolo andro teo. Nanodi-dina ny 350 ireo mpizaikanandray anjara tamin’izany, nahitana ireo de-lege sy solontenan’ny an-toko isam-paritra, notari-hin’ny birao foibe, izaymbola ny filohan’ny Ante-nimierandoholona Rivo

Rakotovao no filoha na-sionaliny. Mbola tsy nisyfanavaozana aloha nybirao nasionalin’ny an-toko, fa fandrindrana nyfiainan’ny antoko no niom-panan’ny lahadinika tao-rian’ny tsy nandraisan’nyHVM anjara tamin’ny fifi-dianana solombavamba-hoaka sy ny fifidiananakaominaly hatao amin’ny

27 novambra 2019. Taoaorian’ny fifidianana filo-hampirenena farany teo,somary nipatitaka ihanyny mpikambana tao amin’ity antoko ity, misy ny lasanivadika Mapar, ao ny ni-safidy ny hangina fotsinyizao.

Isambilo

Tsy tranainy efa toa lany daty,Fa tanora sy mahafatifaty.Ka na endrika izany na bika ,Dia I RINA NO METY AMINTSIKA.

Tsy ny zatra ny kobaka am-bava,Fa mpizotra amin`ny lala-mazava.Be dia be ny mpanao politika,Fa I RINA NO METY AMINTSIKA.

Tena mendrika ny renivohitra,Sy tohanan`iretsy mpanohitra.Raha fehezina na koa adikaDia I RINA NO METY AMINTSIKA.

Olon-tsotra sy tena mivavaka.Tsy hitarika anao ho any an-davaka.Tsy mpandainga na be fikafika.Tena I RINA NO METY AMINTSIKA.

Tsy ny ekipan`ny mpamafy loza.Tsy ny zatra mpanao lalam-poza.Tsy mpandainga ho mpanao mazìka,Io no RINA ilay METY AMINTSIKA.

RINA ihany ny antsika rey olona !Fa Iarivo efa zatra mitolona.RINA ihany , aza isalasalana,Io no mendrika ho BEN`NY TANÀNA !

DADAN`I RIANA (06-11-19)

I Rina no mety I Rina no mety amintsika ry Iarivoamintsika ry Iarivo

TONONKALO

Antoko HVM

Nanatanteraka kongresy nasionaly ny sabotsy teo

Nindaosin'ny fahafate-sana ny zoma lasa teo,teto Antananarivo ny Je-neraly AndriamandaminyMohajy Ackram. Efa so-mary tsy dia salama fo-toana lavalava izy, eo koany vesatry ny fahante-rana. Teraka ny 04 sep-tambra 1945 izy, 74 taonaizy izao nodimandry izao.Manamboninahitra am-bony teo anivon’ny Tafikaan’habakabaka ny Jene-

raly Mohajy Ackram. Efanitana andraikitra ambonymaro teto amin’ny fire-nena izy. Efa Praiminisitralefitra tamin’ny tetezamitanotantanan’ny Praiminisi-tra Ratsirahonana NorbertLala izy. Efa Tale jenera-lin’ny SECREN (Sociétéd'Etudes, de Constructionet de Réparation Navales)ary efa Tale jeneralin’nyOMNIS (Office des MinesNationales et des Indus-

tries Stratégiques) ihanykoa. Efa filohan’ny « Con-seil Provincial » Antsira-nana ihany koa i MohajyAckram, tamin’ny an-dron’ny « Gouvernorat »

namaramparana ny Re-poblika faha-II, notanta-nin’ny Amiraly Didier Ra-tsiraka tamin’izany fo-toana izany. Araka ny lo-haranom-baovao akaikyny fianakaviana dia mian-dry ny fahatongavan'nyzanany avy any an-dafyny fiaingan'ny razana etoAntananarivo mankanyAntsiranana, toerana han-devenana azy.

Ny Valosoa

Efa Praiministra lefitra teo aloha

Nodimandry ny jeneraly Mohajy Ackram

Manohy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidiananaben’ny tanàna any Antsi-rabe koa ny kandidà avyamin’ny antoko Tiako iMadagasikara (TIM), GuyRivo Randrianarisoa. Fi-haonana amin’ny va-hoaka mivantana amin’nyalalan’ny fitsidihana nyisam-baravarana, naporte à porte ihany koa nopaikadiny amin’izany. Nyfaran’ny herinandro teo,anisan’ny notsidihany nymponina tao amin’ny fo-kontany Tsinjorano. Nito-rajofo tanteraka ny tao

an-toerana, faly ireo mpo-nina fa nahazo olona vo-nona avy amin'i DadaMarc Ravalomanana, holany ben’ny tanàna GuyRivo Randrianarisoa, nofeo nanakoako nandritraizany. Nisongadina fa nykandidà Guy Rivo sy nyvahoakan'Antsirabe diamifanome toky, fa hifa-nampy amin’ny fampan-drosoana ny tanàna.Antsirabe tsy maintsymandroso!

IsambiloNy fampielezan-kevitry ny kandidà Guy Rivo any Antsirabe.

Ny hetsika nataon’ny depiote Fidèle Razara Pierre tany Ambatondrazaka ny sabotsy teo.