gazety 03 version finale:gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny ray ny amintsika: 1)...

8
PENTEKOSTA FIADANANA Ho hitanao ato Fampianarana Soratra Masina ..............2 Toriteny ..................................................2 Lakolosy ................................................3 Fahalalahana mivavaka ........................3 Tontolo iainantsika ................................3 DFF-DFK-FDL-DHM ..............................4 KTLM-F5-MTF-SA..................................4 Akon'ny fitsangatsanganana ..................5 Epistily ho an'ny Romana ......................6 Filôzôfia Malagasy ................................7 Fileovana 67ha-FMBM-FFPM................7 Fahasalamana ......................................8 Sakafo ....................................................8 Kilalao ....................................................8 Tononkalo ..............................................8 FIANGONANA LOTERANA MALAGASY Fitandremana Toby Fanantenana 67 ha http://www.flm67ha.org Gazety ara-pilazantsara miseho isan-droa-volana Laharana: 03 Volana May / Jona 2008 Vidiny: 500 Ar “Mifalia amin’ny Fanantenana” TENIN-DRAIAMANDRENY Nankalaza ny Andro Niakaran’ny Tompo isika ny Alakamisy 01 Mey 2008 teo. Niditra tamin’ny voninahiny izay niarahany nanana tamin’ny Rainy hatramin’ ny man- drakizay Izy. Nankalazaintsika koa tamin’- izany andro izany ny firaisantsika amin’i Kristy, araka ny teniny hoe “Ary Izaho koa ho ao aminy” Jaona 17:26. Mitondra fanavotana sy fampaherezana ho an’ny Fiangonana sy fisandratan’i Kristy eo ankavanan’ny Ray. Fanavotana satria eo anatrehan’Andriamanitra man- drakariva ny Ran’ny Fanekena mandraki- zay izay nentin’i Kristy namaky ny lanitra, ary amin’izany no ifonany tsy mitsahatra ho an’ny Fiangonany. Fampaherezana satria afaka maniraka ho antsika ny Fanahy Masina Izy, dia ny Mpananatra, ny Mpampionona, ny Mpampahery, ary ny Mpiso-lovava. Mankalaza ny Pentekosta koa isika ankehitriny! Fotoana hahatsiarovana ny nanomezan’ny Tompo ny Fanahy Masina sy ny nisehoan’ny Fanahy Masina miasa mihamihary eo amin’ny Fiangonana. Notanterahin’i Jesosy ny teniny hoe “Tsy hamela anareo ho kamboty aho”. Ny Fanahy Masina no manatanteraka amin’ny hery ny fampiorenana ny maha fiombo- nan’ny olona masina (Communio sancto- rum) ny Fiangonana sy ny fampitarana ny asa vavolombelona ataony (missio Dei). Ny Fanahy Masina dia fanomezan’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonan’i Kristy sy ny mino rehetra ao aminy. Ny kendrena sy irina indrindra amin’ity Pentekosta Fiadanana 2008 ity, dia ny hahafan- tarantsika tsirairay ny personan’ny Fanahy Masina, avy amin’ny fandinihana ireto bokin’ny Soratra Masina ireto: Filazantsaran’i Jaona, Asan’ny Apostoly, Romana, I Korintiana, Galatiana, ary Efesiana. Fanomezana sarobidy ho antsi- ka ny ahafahantsika manao izany. Ny irin’ny Gazety Fanantenana ho anao dia hanananao ny Fiadanan’ny Tompo amin’ny fahalalanao ny Fanahy Masina sy ny iasany Pejy 5 Pejy 2 Pejy 3 TONTOLO IAINANA Ny ala, rano ary ny fiovan'ny toetr'andro no mamaritra ny teny hoe TONTOLO IAINANA. Efa hitantsika tamin'ny laharana teo aloha ny ala. Ankehitriny isika dia hizaha sy hanadihady ny momba ny RANO AINA ny rano ary ny zava manan'aina rehetra dia mila azy. Ampy ve izy io? Haintsika olombelona ve ny mitantana azy arak'izay maha zava-boaharin'- Andriamanitra azy? H O O Vory lanina teny SAVA toerana tsy lavitra an' Imerintsiatosika ny kristiana maro teto amin'ny Fitandremana niala voly sy nifaly havanja ny alatsinainy Paska 2008 Lalao ara-panatanjahatena maro, fisakafoanana ambany alokaloky ny sapin Pejy 5

Upload: others

Post on 28-Jul-2020

0 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

PENTEKOSTA FIADANANA

Ho hitanao ato

Fampianarana Soratra Masina ..............2Toriteny ..................................................2Lakolosy ................................................3Fahalalahana mivavaka ........................3Tontolo iainantsika ................................3DFF-DFK-FDL-DHM ..............................4KTLM-F5-MTF-SA..................................4Akon'ny fitsangatsanganana..................5Epistily ho an'ny Romana ......................6Filôzôfia Malagasy ................................7Fileovana 67ha-FMBM-FFPM................7Fahasalamana ......................................8Sakafo ....................................................8Kilalao ....................................................8Tononkalo ..............................................8

FIANGONANA LOTERANA MALAGASYFitandremana Toby Fanantenana 67 hahttp://www.flm67ha.org

Gazety ara-pi lazantsara miseho isan-droa-volanaLaharana: 03 Volana May / Jona 2008 Vidiny: 500 Ar

“Mifalia amin’ny Fanantenana”

TENIN-DRAIAMANDRENYNankalaza ny Andro Niakaran’ny Tompo

isika ny Alakamisy 01 Mey 2008 teo.

Niditra tamin’ny voninahiny izay niarahany

nanana tamin’ny Rainy hatramin’ ny man-

drakizay Izy. Nankalazaintsika koa tamin’-

izany andro izany ny firaisantsika amin’i

Kristy, araka ny teniny hoe “Ary Izaho koaho ao aminy” Jaona 17:26.

�Mitondra fanavotana sy fampaherezanaho an’ny Fiangonana sy fisandratan’i

Kristy eo ankavanan’ny Ray. Fanavotana

satria eo anatrehan’Andriamanitra man-

drakariva ny Ran’ny Fanekena mandraki-

zay izay nentin’i Kristy namaky ny lanitra,

ary amin’izany no ifonany tsy mitsahatra

ho an’ny Fiangonany. Fampaherezana

satria afaka maniraka ho antsika ny

Fanahy Masina Izy, dia ny Mpananatra, ny

Mpampionona, ny Mpampahery, ary ny

Mpiso-lovava.

�Mankalaza ny Pentekosta koa isikaankehitriny! Fotoana hahatsiarovana ny

nanomezan’ny Tompo ny Fanahy Masina

sy ny nisehoan’ny Fanahy Masina miasa

mihamihary eo amin’ny Fiangonana.

Notanterahin’i Jesosy ny teniny hoe “Tsyhamela anareo ho kamboty aho”. Ny

Fanahy Masina no manatanteraka amin’ny

hery ny fampiorenana ny maha fiombo-

nan’ny olona masina (Communio sancto-

rum) ny Fiangonana sy ny fampitarana ny

asa vavolombelona ataony (missio Dei).

�Ny Fanahy Masina dia fanomezan’Andriamanitra ho an’ny Fiangonan’i Kristy

sy ny mino rehetra ao aminy. Ny kendrena

sy irina indrindra amin’ity Pentekosta

Fiadanana 2008 ity, dia ny hahafan-

tarantsika tsirairay ny personan’ny Fanahy

Masina, avy amin’ny fandinihana ireto

bokin’ny Soratra Masina ireto:

Filazantsaran’i Jaona, Asan’ny Apostoly,

Romana, I Korintiana, Galatiana, ary

Efesiana. Fanomezana sarobidy ho antsi-

ka ny ahafahantsika manao izany.

Ny irin’ny Gazety Fanantenana ho anao

dia hanananao ny Fiadanan’ny Tompo

amin’ny fahalalanao ny Fanahy Masina sy

ny iasany

Pejy 5

Pejy 2

Pejy 3

TONTOLO IAINANANy ala, rano ary ny fiovan'ny toetr'andro no mamaritra ny teny hoe TONTOLO

IAINANA. Efa hitantsika tamin'ny laharana teo aloha ny ala. Ankehitriny isika dia

hizaha sy hanadihady ny momba ny RANO

AINA ny rano ary ny zava manan'aina rehetra dia mila azy. Ampy ve izy io?

Haintsika olombelona ve ny mitantana azy arak'izay maha zava-boaharin'-

Andriamanitra azy?

H

OO

Vory lanina teny SAVA toerana tsy lavitra an'

Imerintsiatosika ny kristiana maro teto amin'ny

Fitandremana niala voly sy nifaly havanja ny

alatsinainy Paska 2008

Lalao ara-panatanjahatena maro, fisakafoanana

ambany alokaloky ny sapin Pejy 5

Page 2: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

LOHATENY: Ny fiangonana velona

FOTO-KEVITRA: Ny firaisan’ain’ny mino amin’i Jesosy Kristy araka ny

fiasan’ny Fanahy Masina.

Ny kristiana tsirairay avy izay vato velona

narafitr’Andriamanitra ho trano fonenan’ny Fanahiny

dia mitana ny finoana nomena azy amin’ny fanekena

an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra velona

(Matio 16:16). Io no fiangonana masina, manerana

izao tontolo izao. Naorin’i Jesosy amin’ny finoana

Azy, Ilay teny tonga nofo, ny fiangonana.

Asan’Andriamanitra anatin’ny fahariana vaovao,

nisahiranany. Nanomboka namerina ny olona ho eo

aminy Izy rehefa nanota ny olona.

Nolazain’i Jesosy fa ny “ Raiko no maneho anao izany” rehefa nanaiky an’i Jesosy

ho “Kristy Zanak’Andriamanitra velona” i Petera (Matio 16). Satria teo amin’ny

mpianany Jesosy dia nampiteny azy araka ny fanahy ny Ray fa tsy araka ny nofo

aman-drà. Naorin’i Jesosy ny fiangonana: tombokasen’ny fitiavan’Andriamanitra,

miasa eto an-tany na tombokasen’ny fanavotana vitan’i Jesosy. Mampivaingana ny

finoantsika ho azo tsapain-tànana, ny fitsanganan’ny Tompo , iraisantsika amin’ny fit-

sanganany. Isainy ho antsika izany ary no hamarininy tao amin’ny Batisa. Tiany hiaina

ny famindrampo, ny fahasoavana, ny fiadanana , ny fitiavana , ny fahamarinana avy

amin’ny Filazantara isika,dia nomeny ny Fanahy Masina; mba tsy ho miafina ao

amin’ny Tompo fotsiny ny fiainantsika fa tena ho vavolombelony ny amin’ny Teny

velona sy mahery (Hebreo 4:12). Teny fiainana hananantsika finoana sy fitiavana Azy

isika. Koa eto amin’ny perikopa dia asehon’i Jesosy amin’ny sary velona izay ken-

dreny ny amin’ny asa ataony mandray antsika antanana. Sampana miray amin’ny

VOALOBOKA, mitondra aina avy amin’ny ain’ny voaloboka. Rantsanany koa mba

tsy hisy rantsana maro, handra-vina be fa mba hamoa be. Asa tsy manampi-tsaharana

hiainan’ny mpamboatra voaloboka izany raha te hanam-bokatra tsara ka dia

mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika:

1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

amin’ny voaloboka ny tenany mba handraisantsika sampana ranon’aina avy Aminy.

Efa maty ny amin’ny ota isika ka velona ao Aminy ; tafasaraka amin’izay nahavery sy

nahafaty nefa tafaray Aminy noho ny teny nomeny: “efa mahadio rahateo noho nyteniko ianareo” Jaona 15:32) Manana ny Ray mihevitra ny firaisantsika amin’ny Zanany isika. Ny Raiko no

Mpamboatra. Nosainin’ny Ray ao amin’ny Teny Fikasany ny hahatonga antsika eo

anatrehany : ho tonga olom-baovao, hamoa noho ny firaisantsika aminy , ka miaraka

amin’izay Izy mandrantsana , manamboatra isan’andro.

3) Manana ny Fanahy Masina mihevitra ny hitoerantsika eo amin’i Jesosy sy ny Teny

isika. Ny fitiavan’ny Ray ny zanaka no itiavan’i Jesosy antsika mpianany. Tonga

velona amin’ny toetra vaovao , fiainana vaovao isika. Madio noho ny teny izay

nolazainy amintsika: Teny mamorona, manavao, ahafahantsika mitoetra ao amin’ny

Tompo ary Izy ao amintsika. Tsy hafa noho izany ny fiasan’ny Fanahy Masina ao

amin’ny Finoana, tia an’i Jesosy, tia ny Teny; mampitoetra ny fitiavan’ny Ray ho ao

ampontsika ny Fanahy Masina ( Romana 5.5) no mampianatra ho antsika ny zavatra

rehetra, mampahatsiahy ny Teny. Tsy mampiditra fitiavana ao ampontsika ihany fa

monina, hiasa, hanavao, hiaro amin’ny fakampanahy, mampiorina antsika anatin’ny

fizahan-toetry ny finoana. Nomen’ny Ray ny Fanahin’ny Fahamarinana mandrakizay

ho eo amintsika sy ho ao anatintsika. Jaona 14.17, hahatratrarantsika ny fiainana

mandrakizay

Aoka isika handeha araka ny Fanahy. Aoka ianao ho mahatoky ny amin’izay vitan’i

Jesosy sy nataony ho anao ka hatoky sy hijery Azy. Hebreo 12: 1-3.

Fantaro fa amin’izao fiainana mandalo, hisian’ny fahoriana sy ny fahasahiranana izao,

dia tsy ampahery anao ny tenanao, ny nofonao. Raha tsy miambina ianao dia ho

azon’ny velapandrik’i satana, ho azon’ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra

ka tonga misaina ny lasanao ho fototra mbola mahavoa sy maharesy anao eo amin’ny

fiainana ka azon’ny fiapangan’ny satana.Hoy ny Soratra Masina: “iza no hiampangany olomboafidin’Andriamanitra, iza no hanameloka azy?” Valinteny: “Tomoeraamiko Izaho aminy . Kristy no efa maty sy efa nitsangana hamonjy anao”, “indro efavitako tombokavatsa eo ampelatanako ianao, Ahy ianao.” Raiso ny Fanahy mana-

mafy fa tafasaraka amin’izao tontolo izao ianao ka manana ny Teny fiainana. Avelao

hiasa ny Fanahy Masina hitondra anao eo amin’i Jesosy isan’andro isan’ora noho ny

teniny izay hitokianao. Avelao ny Fanahin’ny Fahamarinana hitarika anao hanam-

piraisana amin’ireo zanak’Andriamanitra izay naterany, tahaka ny niterahany anao

koa; I Jaona 5Ny fiangonana velona: ianao ao anatiny, Jesosy ao anatiny ho amin’ny fiombonana

masina sy ny firaisan’ainan’ny mino ho amin’i Jesosy, tsy hitsaharan’ny famangian’ny

Fanahy izay handraisanao, miditra sy mivoaka eto amin’ity fiangonana ity, ny fo vao-

vao sy Fanahy vaovao mba hivaingana ny famoazanao. Tsy fanirianao izany fa

fanomezana nomen’ny Ray anao; omen’ny Zanaka anao; omen’ny Fanahy Masina

anao. Tsy efa vita batisa va ianao? Tsy efa mpandray ny fanasan’ny Tompo? Raiso koa

izay rehetra momba ny fiainana mandrakizay hamoazanao voa tsara araka ny Fanahy

Masina.

Ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra man-

drakizay. Amena.

Pastora Andrianantoandro Léon Fidèle

TORITENY: Jaona 15:1-11

Toby Fanantenana 67 Ha2

Fampianarana Soratra Masina

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny minoaraka ny lova apostolika

Ho fankalazantsika ny Pentekosta Fiadanana 2008 dia indroatolotra antsika fandinihana tsotra ny amin’ny asan’nyFanahy Masina amin’ny mino tsirairay araka ny soratry nyApostoly.

1. Ny asan’ny Fanahy Masina miseho amin’ny faman-tarana ivelany :* Asa 2:4: Izay ilatsahan’ny Fanahy Masina na itoerany nafeno azy dia miteny amin’ny fitenin’ny olona hafa izay tsymbola hainy.* Asa 10:44 –46; 19:6: Kornelio sy ny ankohonany ary ireo12 lahy tany Efesosy rehefa nandray ny Fanahy Masina dianiteny amin’ny fiteny hafa, tsy fanatatra (Glossolalia). * Mar 16:17: “Hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainyizy”. Izany dia ny tenim-pitiavana, izay tsy maintsyianaran’ny mino sy hitomboana manaraka ny transformationizay hiainany amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.2. Ny asan’ny Fanahy Masinamiseho amin’ny famantaranaanaty :* Finoana an’i Jesosy- I Kor. 12:3 “Tsy misy mahay

manaiky hoe ‘Jesosy no Tompo’Raha tsy amin’ny FanahyMasina”.

- I Jao 4:2 : “Ny Fanahy izay manaiky fa avy amin’ny nofoKristy no avy amin’ Andriamanitra”.* Fitiavana sy fanantenana- I Kor 13: Lazain’i Paoly fa hain’ny olombelona atao ny

misandoka asam-pitiavana, kanefa tsinontsinona sy zava-poana ireny raha tsy misy fitiavana, dia ny fitiavanaAGAPE, tsy mitaky valiny.- Rom.5:5 : Ny Fanahy Masina izay nomena antsika, hoy

Paoly, no mampidina ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-pontsika, ka izany no miantoka ny fanantenantsika. - Gal. 5: 22 – 25: Izany fitiavana izany dia miseho amin’ny

fitarihan’ny Fanahy ny mino. * Fahafahana - Gal 5: 1, 18 : Ny Fanahy Masina no miantoka ny fahafa-

hana kristiana, dia ny fahafahana amin’ny fahandevozanasamihafa.* Firaisana- Efes 2: 18, 22: Firaisan’ny Jiosy sy ny Jentilisa ho iray ao

amin’ Andriamanitra amin’ny Fanahy iray.- Efes 4: 1 – 3 : Firaisan’ny mino ho tena iray ao amin’ny

Fanahy.* Fiadanana- Rom. 14:17: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia fahamari-

nana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina”.- Gal. 5:22: Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana

ary fiadanana.

Ho tanteraka aminao tokoa anie ny fiadanana entin’nyFanahy Masina!

FAMPIANARAM-PINOANA :PENTEKOSTA 2008

Page 3: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

« Injay fa maneno ny lakolosy rankizy ka miomana amin’izay sao tara isika» hoy ity renim-pianakaviana iray. Midika inona eo amin’ny olona tokoa moany lakolosy?Ny tantarany :2000 taona talohan’ny Jesosy Kristy no nisian’ny lakolosy ary ny taon-jatofaha-6 no nanomboka nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny kristianaio zava-maneno iray io. Ny lakolosy tokoa no niantsoana ny mpino hanan-tona ny tempoly ary hatramin’izao vanin’androntsika izao izany. Manampyireo izay tsy manana ora ihany koa ny feony.Misy ihany ireo fiangonana tsy mampaneno azy fa avy hatrany dia miredonahira ny mpivavaka. Raha ny eto amin’ny Fitandremana Toby Fanantenana67Ha dia in-telo mampaneno lakolosy ny fiangonana mialoha ny fotoanaaraky ny hita ao anaty Litorjia. Ny lakolosy fidirana eto amin’ny FLM 67Ha :

Noho ny fahateren’ny fotoana dia indray mandeha ny famelomana nylakolosy amin’ny fiandohan’ny fidirana faharoa.Ny lakolosy famaranana.Pehina in-telo misesy ny lakolosy amin’ny famaranana ny fotoana.“Symbolique”ihany koa ny lakolosy amin’ny famaranana ny fotoana , izanyhoe amin’iny fotoana mampaneno azy iny no mifarana ny fotoam-pivava-hana. Ny lakolosy no mampandre izao tontolo izao fa mivoaka nyzanak’Andriamanitra hanao ny fanompoana. Miomana sy mitandrina koa nydevoly noho izay fivoahan’ny zanak’Andriamanitra izay ka izany indrindrano hiambenana mandrakariva. Tokony hahazo ny fampaherezana avyamin’ny Tenin’Andriamanitra sy tso-drano noho izany vao mody fa tsymivoaka fahatany. Mba handray fanavotana koa ireo izay mifanena aminaoefa manana ny Teny Soa .Ny lakolosy amin’ny fanambadiana sy ny fahafatesana.Amin'ny ora fidiran’ny mariazy dia velomina maharitra kokoa sy maredonany lakolosy izany hoe atao misesisesy fa ny fanenony amin’ny fahafatesanano somary misy fiatoana kely sy mahalankalana.Inty misy feon-dakolosy ho anao. Milanja 181 taonina ny lakolosy mavesatra indrindra eran-tany, ka 5,80m nyhaavony ary efa tamin’ny taona 1733 izy io (La Tsar Kolokol de Moscou).

Moa fantatrao ve fa any ho any misy ny mijaly?

Mifalia sy araraoty soa ny fahalalahanao maneho ny finoanao ary koa migo-ka ny hasambarana entin'izany amin'ny fiainanao sy ny manodidina anao.Sady afaka mivavaka ankalalahana ianao no koa mbola afaka mitarika nyhavana, namana manodidina ary indrindra ireo ondry mania; koa MIFALIA!MIFALIA!.Fantatrao moa fa mbola misy, ary tena misy, ireo mpino an'i Kristy no tsyafaka manao toa anao izao? Fiafenana, fanenjehana, famonoana ary fanao-vana sorona ny aina no mihatra amin'ny maro amin'izy ireo.Fantatrao koa ve fa misy ny atao hoe "pacte international relatif aux droitscivils et politiques (Art. 18,1)" izay manome zo ny olona mba hanana malala-ka antokom-pinoana (liberté de religion) ary mamaritra ny fahalalahanamiaina io antokom-pinoana, na manamafy io safidy io ny fahalalana mamp-iseho amin'ny fomba manokana na fiangonana amasom-bahoaka namitokana amin'ny fivavahana sy fomba amam-panao ary koa amin'nyalalan'ny fampianarana io antokom-pinoana io na io faharesen-dahatra io.Na misy aza ireo fifanipahana ireo dia tsy mahasakana ny maro hijoroamin'ny finoany izany ary manamafy ny MAHA-MPANDRESY AN'IJESOSY KRISTY.Hay ve 'zany ka manome hasambarana ho antsika isan'andro Andriamanitrafa tsy tsapan-tsika izany na dia ny "fahalalahana" fotsiny aza; indrindramoa fa ny "fahalalana mivavaka" amin'ny fotoana rehetra ilàna izany.Jereo ange ity adiresy iray ity izay mampahalala anao bebe kokoa mikasikany fahafahana: http://www.aed-france.org/observatoire/afrique.php.

NY TONTOLO IAINANTSIKA

Toby Fanantenana 67 Ha 3

Fiainam-piangonana

Inona no atao hoe RANO Samy mahafantatra ny hatao hoe rano isika fa ny singa siantifika mamaritra azy dia nyfitambaran'ny oxygène sy ny hydrogène na H2O na H3O+. Singa iray tena ilain’ny zava-

manan’aina eto an-tany izy io ary mety miseho amin’ny endrika vainga , tsiranoka, ary gazy(liquide, solide, gazeuse).

Ny rano dia mandalo amin'ilay atao hoe "cyclehydrologique".Ny orana mitsika eo amin’ny tany dia tonga "nappe prhéa-tique" na rano amban’ny tany (eaux souterraines) ary nyrano mandeha sy miandrona kosa dia ny farihy, ny renirano,ny ranomasina (l’eau de surface) no tenehin’ny masoandroary ampangatsiahin’ny atmosphère dia manome rahona

mavesatra miteraka ny orana sy ny rano mandry ary ny avandra (pluie, neige, grêle).Ny ¾ ny bola-tany dia rakotra rano avokoa, ka ny 99,6 % dia ranomasina, ary ny 0,4 %ihany no ranomamy na ny rano ambany tany (nappe prhéatique). Asa lehibe miandry ny zanak’olombelona ny fandridrana ny rano (gestion de l’eau) satriamaro loatra ny fahasimbana, sy ny fandravana ataon'ny olona.

Aina ny RanoNy ¾ ny vatan'ny olona dia rano avokoa, ary ny zava-manan'aina toy voro-manidina, nybiby mandady, ny mikisaka, ny fambolena, ny ala sns…dia mila rano avokoa. Tena ilainadia tena ilaina ny rano ary toa tsy tsapan-tsika aty amin’ny toerana misy sy be rano izany .-Mamelona ary aina ny rano; hosotroina, hidiovana, ilaina amin’ny fambolena, ilainaamin’ny famokarana herin’aratra (production d’énergie hydroélectrique), ilaina eo amin’nyfitaterana ary koa ilaina amin’ny fialamboly (transport et les loisirs hydroliques). Mba fanta-trao moa fa isan’ny singa voalohany ilaina amin’ny "énergie nucléaire" ny rano mbahamokarana herin’aratra sns...Raha tsy ampy na tsy misy izy dia maro ny voka-dratsy toyny kere, ny fahasimban’ny fambolena, fifindra-monina,fahasimban’ny ala, fahafatesan’ny zava-manan’aina, adyeo amin'ny firenena roa mifanakaiky sns …., -Mamono koa anefa ny rano raha 1- diso tafahoatra, toy oram-be izay miteraka tondra-drano,2- raha voaloton'ny akora simika ny loharano sy ny renirano, -Manimba zavatra koa ny rano amin’ny fikaofan'ny riaka sy ny renirano ny nofon-tany.

Mankaiza ireo nofon-tany sy mineraly mamokatra avy amin’ny lavaka sy tanety?1- mianjera any an-dranomasina rehefa nentin'ny ony sy ny renirano : any no hiafarany kamiteraka ny fiovan’ny lalan'ny vinany (naissance de delta) satria mitohana eo ambavanyireo fotaka sy fasika. Ohatra iray amin’ny maro azo tsapai-tànana izay tsy ahitana vaha-olana ny vavarano Betsiboka ao Mahajanga ary tena ratsy ny fiatraikany amin’ny fizahan-tany satria raha mba milalao amin’ny sisin-dranomasina ao Mahajanga ianao dia ho gagaamin’ireo fotaka maloto ao anatiny; toy izany koa eo amin'ny lafiny ekonomika satriatsentsina fasika ny seranana ka tsy afaka mandray ireo sambo goavana.2- mianjera any @ ireo farihy: any koa no iafarany. Ratsy koa ny vokatr' io amin’ireo farihysatria mihena ireo hazandrano sy ireo karazany, mihena koa ny fitombony (croissance)satria maty ireo sakafo (algue). Mihamarivo sy mihitatra ny velarany, ary mora tratry nytondra-drano ireo tanàna manodidina toy ny any Alaotra sy Itasy rehefa avy ny orana; ny

tanimbary ambany toerana moa dia maty saron'ny atsanga na fasika .Ny rano sy ny foto-drafitr’asa .

Ny rano be sy ny orana ary ny tondra-drano no manimba ny 90 % ny fotodrafitr’asa toy nylàlana, ny tetezana, ny sekoly, ny trano fitehizana sns.. eto Madagasikara ..

Vaha olana Raha ireo voalaza rehetra ireo dia ny voka-dratsiny no betsaka. Azo sorohina na koamihena amin’ny ampahany betsaka izy io raha hain’ny zanak’olombelona ny mandridra symifehy ary miaro ny rano amin’ny ankapobeny (gestion de l’eau) Ny fitadiavana vaha-olana amin’ny fandotoana ny loharano, ny rano sy ny renirano.Fadiana ny manorina orin'asa akaiky loharano, tsy azo atao koa ny mandefa ireo akora toxique sy akora simika any amin’ny renirano sy ny farihy

Inona avy ireo mandoto ny rano1- misy ireo izay mety ho levon'ny rano (polluants non persistants) toy ny: rano avy nampia-saina ao an-tokatrano, ny zezika, ny akora indostrialy sasantsasany 2 -Ireo izay tsy mety levona mihitsy na amam-polo taonany aza (polluants persistants)Ohatra: DDT, dieldrine, pétrole, dioxine, hydrocarbure, aromatiques polycycliques, sub-stance radioactive, plomb, mercure, cadmium, ohatra ireo pile famataranandro …3- Ny zavatra mitsikafona: toy ny plastika, ny fako, ny mousses. Vitsivitsy ihany ireo voatanisa ireo fa mbola maro ny zavatra ampiasain'ny olombelona izaymandoto ny rano.

Ampy ve ny rano fisotro madio ? Raha ny eto Madagasikara dia ny 20% ny mponina sy ny tokantrano ihany no manana ranofisotro madio; ny tiana holazaina amin’io dia rano ara pahasalamana, toy ny lava-drano syny vovo voaaro, ny rano’ny JIRAMA na koa ny loharano voajanahary. Betsaka izany nyolona miaina sy misotro rano tsy madio.

NY LAKOLOSY

FAHALALANA MIVAVAKA

Fidirana I Fidirana II Fidirana III

Lakolosy I5ora30mn 10ora30 2ora30mn

LakolosyII6ora 3ora

Lakolosy III6ora30mn

Page 4: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

Ny Departemanta ny Fampandrosoana sy

Fanasoavana dia isan’ireo departemanta vao nio-

rina ary manana ny rafitra izay mandrindra ny

fomba fiasa ao aminy, araka ny anarany dia nat-

sangana io departemanta io mba hampan-

drosoana ny fiainan’ny Fiangonana amin’ny

ankapobeny sy ny Kristiana ao aminy ary ho fitsin-

jovana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelo-

mana, efa misy soritr’asa natao ho tanterahina

izay voasoritra ao anatin’ny planina 5 taona,

isan’izany ny fananganana toerana fitaizana zaza

ho an’ireo reny miasa (crèche), ny fitaizana ireo

zaza sembana ara-tsaina (autiste) ary ny

fanomezana fanofanana arak’asa ho an’ireo tano-

ra sy ray aman-dreny tsy an’asa hanampiana azy

ireo amin’ny fitadiavana asa fivelomana.

Ny DFF dia misokatra ho an’ireo Kristiana rehetra

eto amin’ny Toby Fanantenana FLM 67ha maniry

ny hitondra ny traikefany amin’ny fampan-

drosoana ny mpiara-mivavaka eto amin’ny

Fiangonana amin’ny lafiny rehetra.

Ny Alatsinainy Pentekosta ho avy izao no

handraisana ireo Konfirmanda rehefa avy niofana

nandritra ny iray taona latsaka kely.

Manodidina ny 210 eo no isan'izy ireo ka mitsinjara

toy izao : katekomena : 26, konfirmasiona : 194 ka

ny 169 no raisina eto ary ny 25 dia nangata-tso-

drano ho raisina any amin’ny Fiangonana misy azy;

mifindra finoana : 2; mariazy miara-mizotra : 5

Misy fanadinana roa no atao mandritra ny taom-

pianarana, koa izay mahazo naoty tsara amin'ireo

miampy ny taham-pahavitrihana dia azo atolotra

avy hatrany. Ny mahazo naoty ambanimbany dia

omena fanatevenana manokana alohan'ny fotoana

handraisana azy.

Ny tanjona dia ny mba tsy hisian'ny latsaka na dia

iray aza.

Fiomanana ho kristiana tompon'andraikitra eo

amin'ny Fiangonana no tena ampianarina mandri-

tra izay volana maromaro izay" hoy RATEFI-

ARIVONY Jeannet sy Claudine anisan'ny

Mpiandraikitra miaraka amin'ny Pastora RAHARI-

MANANA Eugène.

Zava-dehibe araka izany ny fahafantaran'ireto

mpianatra ny fiainam-piangonana sy ny lalàm-

piangonana

Ireo feno 16 taona no miakatra dia afaka manaraka

ny fampianarana. Ary mandritra ny taom-pianarana

dia amporisihina izy ireo mba hirotsaka amin'ny

iray amin'ireo sampana maro ato amin'ny

Fiangonana.

Teny Faneva ho an'ity andiany ity dia ao amin'ny

Rom 8: 17-39, izay mampahatsiaro mandra-

kariva, indrindra ho an'ireo mpianatra, fa tsy hisy

hahasaraka antsika tokoa amin'ny Fitiavan'-

Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy

Tompontsika.

Ny fidirana manaraka dia ny volana Septambra

2008.

Nosokafana tamin’ny Alahady 27 Aprily teo ny

Jobily faha 25 taonan’ny Fikambanan-dehilahy

"ANDRY". Ny 24 Aogositra ny ivon’ny

fanakalazana ary ny 07 Desambra ny fama-

ranana. Nanamarika ny fanokafana ny Jobily ny

filaharam-be nataon’ireo Lehilahy eto amin’ny

Fiangonana nisalotra ny «Echarpe» volomparasy,

izay loko litorjika ho an’ny Fiangonana Loterana.

Nalaina tao amin’ny Efesiana 4 :13b ny Loha-hevi-

tra banjinina amin’izao fankalazana izao : Ho lehi-

lahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny hale-

hibeazan’ny fahafenoan’i Kristy. Navoitra ao

amin’ny Hira faneva izany lohahevitra izany.

Nolazain’ny Filohan’ny Fankalazana, Atoa Aimé

Rakotondrasoa, fa ny «Hitarika ny lehilahy

rehetra eto amin’ny Fitandremana Toby

Fanantenana 67 ha ho ao amin’i Jesosy amin’ny

alalan’ny FDL no tanjona». Anisan’ny dingana ho

amin’izany ny fanaovana lahateny mifandraika

indrindra amin’ny fiainan’ny Lehilahy andavanan-

dro sy izay mety ho zava-dehibe aminy : ny anko-

honana, ny fihariana sy ny asa fivelomana sns.

Mbola homena amin’ny manaraka ny daty hanao-

vana ireo lahateny ireo hoy ny mpikarakara ny

Jobily.

Vita ny fandaminana ny fandaharan'asan'ny

Departemantan'ny Hira sy Mozika izay notari-

hin'ny Filoha Atoa Ramanakoraisina Evariste

mandritra ity taona 2008 ity: ny fanolorana ny fan-

daharam-potoana ny antoko mpihira rehetra (TF,

MTF, VLM, ANDRY, MF3, MF5, MF7, MF8, MF13)

amin'ny endriny vaovao. Ezahana ny hamoahana

CD ireo hira faneva rehetra izay nisy teto. Hisy ny

fanatsarana ny fanamafisam-peo taorian'ny fijere-

na akaiky ireo fitaovana izay miasa amin'izao

fotoana izao.

Natao tamin'ny 08 Martsa lasa teo ny fifidianana

izay ho “Chef de choeur”. Lany hiantsoroka io

andraikitra io indray Atoa Henri Aimé RATIANA-

SOLO. Misy ny paikady vaovao entina mana-tsara

kokoa ny fomba fiasa, dia ny fisian’ireo

mpiandraikitra mpiandry toerana mba handavo-

rary ny programa amin’ny fotoana tsy ahafahan’ny

tompon-toerana. Ny ampitson’io dia efa niatrika

sahady ny andraikiny izy ireo tamin’ny fanatanter-

ahana ny toriteny an-kira izay natao tany Sabotsy

Namehana; teo koa ny fanatrehana ny

Zaikakelin’ny KTLM SPAnta izay natao tany

Miantso ao anatin’ny Fileovana Ambohibao ny 26

hatramin’ny 30 Martsa; ankoatr’izany ny isan-telo-

volan’ny Fileovana Fahamarinana 67 ha izay

natao tany Arivonimamo ny 19 sy 20 Martsa sy ny

Antsan-kira lehibe natao tao amin’ny FJKM Kristy

Voahombo Andavamamba ny herin’io Alahady io

ihany koa.

Maro ireo fandaharam-potoana miandry ny

«Trompetra Fanantenana» mandritra ity taona

2008 ity.

"Nandroso ny fitaizana ara-panahy"

Voatokana soa aman-tsara ho antoko mpihira

tamin'ny Alahady 9 martsa 2008 lasa teo ny

Tanora Mpihira Faritra fahadimy(MF5) niaraka

tamin'-ny fanamiany.

Niorina tamin'ny 28 febroary 2006 izy taorian'ny

antso manokana nataon-dRamatoa RAKO-

TOARISOA Mariette Filohan'ny Faritra nandritra

ny fanamarihana ny Krismasin'ny Faritra tao

amin'ny EPP 67 ha Atsimo ny 11 febroary 2006.

Nandritry ny taona 2007 dia nandray anjara

amin'ny fotoam-pivavahana Alahady, na maraina

na hariva ny MF5. Nanampy ny Filohan'ny Faritra

tamin'ny fampianaran-kira sy fampivoriana ireto

tanora ireto Andriamatoa ADAN sy RAMILISON

Jeannot. Teo ihany koa ireo mpanakanto ato

amin'ny Faritra, dia i Zaka sy Bodo izany.

Hatramin'ny faramparan'ny taona 2006 no

mankaty dia nitombo isa hatrany ireo tanora tonga

manatevin-daharana, nisy ny ezaka

tamin'ny fianaran-kira sy ny fomba fihirana ary

tsapa fa nandroso ny fitaizana ara-panahy.

Teny Faneva niorenan’ny MF5 dia ny "Aoka hisik-ina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo" Lioka12:35. Manana filoha ny MF5 dia Atoa

Randrianan-tenaina Jacques .

"Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eoamin'ny fiangonana no hiderako Anao" Sal. 22:22

Ny Alahady 4 Mai 2008 amin’ny fidirana faharoa

no fanokafana ny fankalazana ny faha-5 tao-

nan’ny antoko mpihira Maintimolaly, amin’io

fotoana io koa ny fanokanana ny fanamiana vao-

vao. Maro ny fandaharam-potoana hotanterahina

amin’ity taona ity. Hampahafantarina miandalana

eo ihany izany.

Mianatra ny mpampianatra

Mitohy ny fiofananan’ireo nisoratra anarana ho

mpampianatra Sekoly Alahady. Miisa 22 izy ireo

ary efa nahavita taranja roa hatramin’izao: ny

fifandraisana sy ny fahaiza-mitarika. Haharitra

enimbolana ny fiofanana an-dakilasy ary ny prati-

ka. Efa nanomboka koa ny fiofanana momba ny

Boky ao amin’ny Baiboly izay ampianarin’ny

Pastora Eugène. Rehefa vita ireo dia miroso

amin’ny fianarana ny Boky sy toetoetran’ny ankizy

isan-kilasy ny mpiofanana. Aorian’izay vao mamo-

jy Kilasy mijery sy manao pratika. Marihina fa ireo

mpampianatra nanaraka fiofanana nasionaly sy

manana traikefa , ireo Tomponandraikitra ao

amin’ny Synoda sy ny Pastora mpiahy ny Sekoly

Alahady no mampianatra ireto mpampianatra vao-

vao ireto. Renim-pianakaviana sy ireo tanora

nivoaka tamin’ny Kilasy F2 no miofana ao amin’ity

kilasy fiofanan’ny mpampianatra ity.

Akoatry ny fiofanan’ny mpampianatra vaovao dia

miofana isam-bolana koa ny mpampianatra am-

perinasa. Sokajin-taona iray isam-bolana no jere-

na. Efa vita ny fiofanan’ny ho an’ny Kilasy zan-

driny( Santatra – A-B) ary efa manomboka ny

Kilasy Zokiny ny fiofanana amin’izao fotoana izao.

Ho an’ny Kilasy F manokana dia ny Filoha

nasionaly, Pastora Rajoma, no hampiofana

amin’ny volana Jiona ho avy izao. .

Toby Fanantenana 67 Ha4

Vaovao anatiny

- DFF -

- DFK - Konfirmanda

- DHM -

- KTLM - Trompetra Fanatenana

Antoko Mpihira Maintimolaly

Sekoly Alahady

- FDL - JOBILY 25 TAONA

Faritra faha-5

Page 5: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

Nahasondriana tokoa ny nahita ireto mpianakav-

in’ny finoana niaraka nankalaza ny Alatsinain’ny

Paska sy naneho ny hafaliany fa VELONA

JESOSY ka niara-nitsangatsangana tany SAVA

làlana mankany Imerintsiatosika.

Miisa teo amin’ny 1500 teo ho eo moa ny olona

: tao ny ankohonana maro samihafa, tao ireo

nasain’ny havany, tao koa ireo tapaka sy

namana rehetra. Ho fampifaliana ny fianakavi-

am-ben’i Jesosy izay tonga teny an-toerana dia

maro ny lalao nomanin’ireo tanora mpiandraikitra

toy ny : toraka kapoaka, toraka anneau, rahosy

jamba, tao koa ny fifaninanana fanatanjahantena

toy ny volley-ball, ny foot-ball sns... izay nahitana

ny talentan’ ireo vehivavy ray aman-dreny eo

amin’ny fiangonana izay mbola matanjaka tokoa,

ary tao ny fifaninanana an-kira masina. Ireo

sekoly alahady kely moa dia faly satria izay

nilalao dia nahazo fanomezana sahaza azy avy.

Santionan’ireo sary maro dia maro nalaina moa

ireto satria dia hatao tahiry ho an’ny

Departementan’ny Firaketana sy Serasera izy

ireny. Ny toerana rahateo moa nidadasika sy

nahafa-po ny rehetra ka dia feno ny fifaliana.

Ny faniriana lehibe indrindra moa dia ny ho

tafahoana indray ny rehetra ka hitombo isa

amin’ny fivoriana masina tahak’ireny ka tsy ho

fitsangatsanganana fotsiny ihany no hisarika

olona maro an’isa toy ireny fa rehefa mety ho

asa fanompoana isan-tSampana, Faritra,

Departementa, ny asam-pifohazana rehetra mba

ho fanehoana avo ny Voninahitr’-ANDRIAMANI-

TRA Tsitoha nahary izao rehetra izao.

Toby Fanantenana 67 Ha 5

Vaovao anatiny

DOKAM-BAROTRA

Hifanohanantsika !!!!

30 000 Ariary

Mivoaka in-3 be izao!!.

Izay tonga voalohany dia mise-

ho maimaim-poana amin’ny

laharana manaraka

- mandoa 20 000 Ariary fotsiny

ho an’ny laharana roa farany.

80 x 64 mm

azo asiana sary

FAMANDRIHANA NY GAZETY FANANTENANA

3.000 Ariary monja isan-taona.

Anarana/Sampana/Faritra/Departemanta………………………………

Adiresy mazava...…………………………………………………………

Tel….…………….............………E-mail………………………………...

Taratasim-bola (Chèque) N°…………………...........Banky…….……..

Na lelavola

mitentina ………...........Ar ho famandrihana mandritra ny …..taona

Atero ao amin’ny fandraharahana ary takio sy tehirizo ny rosianao!

Misaotra amin’ny fanohananao ny gazetintsika.

AKON’NY ALATSINAININ’NY PASKA SY TAHIRIN-TSARY 2008

Mieritreritra aloha vao mikatroka

Aleo mitsiky lalandava

Aoka aloha haka aina kely indray e!

Toa lavitra loatra izy 'zany!!

Sao mbola misy tavela any anaty harona any!!!

Ity ndray dia tsy maintsy matiko!

Amin'ny herintaona indray e!

Iza izany be fihavy any izany?

Page 6: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

Ny faratampony amin’ity fizarana ity dia ny 3.21-36 izay manam-

bara ny zavatra vitan’i Jesosy ho famonjena antsika.

Mialoha an’io anefa ny 1.18,3.20, izay mampiseho fa tsy misy mari-

na eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona rehetra ary ny man-

araka indray dia ny 3.26-4.25 dia izay manafoana ny fireharehana

sy manamporofo fa ampianarin’ny testamenta taloha ihany koa

izany fahamarinana avy amin’ny finoana izany.

1) Ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny lafiny “negatif” dia ny

fanamelohana ny olombelona manontolo eo amin’ny toe-piainana

taloha (1.18-3.20 )

Lazain’ny Paoly ao amin’ny 1.17 fa hamarinina amin’ny finoana ny

olona, ary ny andininy manaraka (1.15-3.20 ) dia mampiseho ny

fitsaran’ny filazantsara ny olombelona na izany tamin’ny fotoana

niainantsika sy izay nataontsika na izay marina momba antsika eo

imason’Andriamanitra, ary ambaran’I Paoly ao amin’ny 3.10 fa “tsymisy marina na dia iray aza”Mifanindra-dalana ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fahamari-

nany satria Andriamanitra amin’ny maha- Andriamanitra Masina Azy

dia tsy afaka handefitra amin’ny fahotana ary mihatra

amin’ny olona rehetra ny fahatezerany amin’izay tsy

anjakan’ny fahamarinany. Ankilany koa anefa ny

fanamarinany dia noho ny asa-panavotana vitan’i

Jesosy Kristy ho an’ny olona, ka izay mino izany dia

hamarinina ka vita fihavanana, ary manana

fiadanana satria afaka amin’ny fahatezerana.

Asehon’i Paoly eto amin’ny 1.18-3.20 ity ary ny

fanamelohan’Andriamanitra ny olombelona manon-

tolo, ka tsy misy afaka amin’izany na ny jentilisa na ny

Jiosy, fa izay rehetra manota na manao zavatra tsy

araka ny sitrapon’Andriamanitra dia iharan’ny

fahatezerany (2.6-11). Asehoan’Andriamanitra izany fahatezerany

izany mba anehoany fa tsy ankasitrahany ny fahotana, satria izany

dia mitondra ho amin’ny fahaverezana. Tsy toetra ananan’-

Andriamanitra anefa ny fahatezerana fa asany ny mitsara ny

mpanota, koa amin’ny maha-Andriamanitra Masina Azy dia maneho

ny fahatezerany amin’ny olombelona mpanota rehetra Izy

(Rom 1.18). Ny fahatezeran’Andriamanitra dia aseho avy any an-

danitra amin’ny tsi-fahamarinana (Jiosy sy ny Jentilisa) ary

Andriamanitra dia tsy mila voatsiary ka hijinja amin’izay tsy

namafazany, fa tsy nisy nafenina tamin’ny olona ny marina, fa ny

olona no tsy nanaraka izany, tsy nety niankina tamin’Andriamanitra

izy fa nihambo ho nahavita tena sy nahaleontena noho izany tsy

fahatezeran-poana ny fahatezeran’Andriamanitra fa tena ara-

drariny (Rom 2.2).

Mitovy ny fomba fijerin’Andriamanitra ny faharatsian’ny Jiosy sy

Jentilisa fa samy tsy manana ny marina eo amin’ny

fitsaran’Andriamanitra izy roa (Rom 1.20) ary tsy misy fizahan-

tavan’olona amin’Andriamanitra (Rom 2.11) Tsy misy miafina eo

anatrehan’Andriamanitra ny asan’ny olona rehetra, koa raha manao

fitsarana Andriamanitra dia araka ny fahamarinany ary tsy miafina ny fit-

sarany (Rom 1.20) Tsy misy afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra

satria natao miharihary ny fitsarana ( Rom 2.3)

Tsindrian’i Paoly mazava fa tsy avy amin’ny ezaka ataon’ny olona no

isaina ho maha- marina azy fa mifanohitra amin’ny fanamarinana

amin’ny finoana izany (Rom 1.17).

Hotsarain’Andriamanitra amin’ny alalan'i Jesosy Kristy izao tontolo

izao, ary tsy ny jiosy ihany fa na ny jentilisa koa dia samy hotsaraina

avokoa, eny fa hatramin’ny Kristiana dia handalo fitsarana

(2 kor 5.10) (Rom 14.10-11)

Araka an’i Paoly ny fahamarinana dia mitory ny fitsarana mba ho

fanairana ny Kristiana sy fampiononana azy amin’ny andro izay

hahamarinan’Andriamanitra ny olona rehetra amin’izay rehetra

nataony. Eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra dia samy

hotsaraina, eny fa na dia ny jiosy izay mihevitra fa manana ny

lalàna sy handova ny teny fikasana aza. Asan’Andriamanitra ny

fanamarinana antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, koa tsy misy

afaka mirehareha fa samy eo ambany fitsaran’Andriamanitra

avokoa ny olona rehetra.

2) Ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny lafiny “positif” dia ny

fahamarinana avy amin’ny finoana amin’ny toe-piainana vaovao

(Rom 3.21-4.25)

Ny fanamarinana ny mpanota dia ny hahatonga azy ho marina eo

anatrehan’Andriamanitra izay ahazoany famelankeloka. Tsy hain’ny

olona anefa ny manaisotra ny fahotany na manonitra ny ratsy vitany,

ka izany no antony nanirahan’Andriamanitra ny Zanany teto

amin’izao tontolo izao mba hananan’ny olona ny fiadanany

(Rom 1.1). Ny olona mibebaka , miova amin’ny toe-piainana ratsy

teo aloha, miaiky heloka ka mandray fanamarinana avy

amin’Andriamanitra no mandray fiainam-baovao ao amin’I Kristy,

koa ny fahamarinan’Anndriamanitra dia fahamarinana avy amin’ny

Kristy, ka tsy azo raha tsy amin’ny finoana irery ihany. Nanova ny

olona, ka mahatonga azy ho vita fihavanana

amin’Andriamanitra ny herin’ny Filazantsara

(Rom 3.23-25). Ny famonjena dia natao hoan’izay

rehetra mino ary ny fahamarinana dia fahamarinana

raisina amin’ny finoana ao main’ny Filazantsara.

(Rom 10.3). Ny hazo fijaliana no toerana lehibe

anehoan’Andriamanitra ny fahamarinany, ary ny

ràn’I Jesosy latsaka no fanavotana ho antsika

(Rom 3.25) ary izany indrindra no fototry ny

fahamarinan’Andriamanitra.

Fomba iray ihany no hanamarinan’Andriamanitra ny

olona, fa raha tsy izany dia azo lazaina fa tsy Iray

izy. Hamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny

olona ary raha misy milaza fa misy fomba manokana

hamonjen’Andriamanitra ny Israely dia midika izany fa tsy iray

intsony Andriamanitra. Tsy misy afaka mirehareha eo anatrehan’-

Andriamanitra eny fa na dia Abrahama aza dia hamarinina amin’ny

finoana (Rom 4.1-8). Tsindrian’i Paoly mazava tsara fa raha marina

izay lazain’i Jiosy fa nohamarinina amin’ny asany Abrahama dia

foana ny fampianaran’i Paoly hatreto. Noho izany ny finoana an’i

Jesosy Kristy irery ihany no ahazoana fahamarinana ary io asan’ i

Jesosy ho fanavotana io no fototry ny fampihavanana izay

Filazantsara lehibe manala ny mino tsy ho eo ambanin’ny

fahatezeran’Andriamanitra satria isaina ho marina izay rehetra mino

an’i Jesosy Kristy ary vita fihavanana amin’Andriamanitra izy.

Pastora Raharimanana Eugène

GAZETY FANANTENANATalen'ny Gazety : Past Dr Péri RasolondraibeTonian’ny Gazety : Atoa Ramanankatsoina LucasMpanao gazety : Tsiry - Laingo - Mamy - Rinah - Léa-Harimalala- Haja- Vololona-Felana - Oelifara - Samy - Lynda- Denise - LalaoarisoaKirakira Sary : ChristopheMaquette : Christophe, Vohanson

FLM Toby Fanantenana 67 haE-mail : [email protected]

Site Web: www.flm67ha.orgTél: 261 20 22 324 45

B.P: 72 Antananarivo 101

Toby Fanantenana 67 Ha6

Fampianarana Boky

Ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana (Fizarana 2)“NY FANAMARINAN’ANDRIAMANITRA na ny MARINA AMIN’NY FINOANA”

Page 7: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

« Ny tsiny, ny tody, ny eritreritra »

2. Ny tody:

Filozofia Malagasy isan’ny mavesa-danja ao

aminy loatra ny “tody”; toa tsy mila ampitaina na

ampianarina aza indrindray vao fantatra ny

heviny fa zary hay ho azy ny dikany noho ny lan-

jany eo amin’ny fiaraha-monina, na koa na dia ny

fanenon’ilay teny ihany aza dia toa ampy haha-

lalàna ny dikany.

Raha nilaza momba ny “tsiny” isika teo aloha dia

nahalala fa azon’ny olona atao ihany ny misoro-

ka azy amin’ny alalan’ny “fialan-tsiny”, saingy ny

“tody” kosa dia tsy mba azo ialana velively satria

valin’ny fitondratena tsy azo hozongozonina,

hany ka tsy mba fandre ny teny hoe “miala tody”

na dia miezaka hametraka ny fefy ihany aza ny

maro ka milaza ny hoe “aza manody”, raha toa

ka nisy zavatra tsapa ho tsy nety natao. Raha

tomorina akaiky kokoa dia valin’izay rehetra tsy

nety nataontsika na koa ambara fa fiverenan’ny

natao amin’ny tena na koa amin’ny taranaka ny

tody. Izany hoe raha nangalatra dia mba

hangalarana koa ao aoriana, raha namono olona

dia mba hovonoina koa, sy ny sisa.

Nohamarinin’ny Ntaolo izany rehetra izany ka

nanambarany hoe: “Ny Tody tsy misy fa ny atao

no miverina”, izany hoe tsy inona akory izy io fa

fiverenan’ny natao ihany; “todim-pitia, fitia”;

“todin-karena, harena”. Ny voamarika dia toa

any amin’ny lafiratsin’ny natao ihany no ipetra-

hann’ny tody araka ny fihevitry ny maro. Tsara

fantarina fa na dia ny soa atao koa aza “Manody”

eo amin’ny tontolon’ity tody ity, “ny soa atao

ilevenam-bola”, “Ny tody toy ny salaka: soa atao,

mihodidina; ratsy atao, mihodidina”. Aiza ary ny

lalan-kombana fa ny “tsiny mbola azo sorohina

fa ny tody tsy misy fanefitra”. Ka na iza na iza

malemy, na iza na iza mahery; na iza bado na iza

mahay dia tsy afa miala aminy avokoa. Ka na

ratsy na tsara atao amin’ny hafa dia tsy maintsy

miverina amin’ny tena avokoa araka ny finoan’ny

razantsika izay mbola mitoetra ankehitriny.

Eo amin’ny fiainan’ny kristiana anefa dia hafa

tanteraka noho izany, tsy sanatria rehefa nanao

ratsy dia tsy maintsy valiana ratsy, na rehefa

nanao soa dia hanantena soa ihany koa, fa

nohon’ny amin’ny ran’ny Zanakondry nanaisotra

ny fahotan’izao tontolo izao dia voafafa ny

fahotan’izay miaiky izany Aminy ary mendrika ny

handova fiainan-tsambatra sy fiadanana dieny

ety an-tany ary indrindra ny mandrakizay. Fa

izay tsy mino (mibebaka amin’ny fahotany) dia

efa voaheloka rahateo. (hitohy)

Isan-telovolana faharoa

Notanterahina tao amin’ny FLM Arivonimamo ny

18, 19 ary 20 Aprily 2008 teo ny Isantelovolana

faharoa eto amin’ny Fileovana Fahamarinana 67

ha. Ny teny fanevan’ny fivoriana dia ny hoe ″ Tsy

naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy

naman’izao tontolo izao ″ ( Jaona 17 : 16 ).

Ny fiofanan’ny Mpiasam-piangonana rehetra ato

amin’ny Fileovana momba ny firaisan’ny fiango-

nana sy ny maha-mpisorona ny mino rehetra no

nanombohana ny fivoriana ny Zoma 18 Aprily

2008. Nitohy tamin’ny fotoam-pivavahana

niraisan’ny Krisitiana mpiray Fileovana izany ny

Asabotsy 19 Aprily tontolo andro sy ny Alahady

maraina. Nisy ny fampianarana Soratra Masina

sy lahateny ary toriteny izay nifototra tamin’ny

maha-mpisoronabe an’i Jesosy, maha-lohara-

nom-pamonjena Azy ary ny firaisan’ny fiango-

nana. Tao ihany koa ny asa sy fampaherezana

sy ny antsam-panahy ary ny fanentanana sami-

hafa. Ny fiombonana amin’ny Fandraisana ny

Fanasan’ny Tompo no namaranana ny fivoriana

ny Alahady maraina.

Nampahafantarina ny mpivory tamin’izao

Isantelovolana izao ny Mpitondra Fileovana vao-

vao eto amin’ny Fileovana Fahamarinana 67 ha,

dia ny Raiamandreny Pastora Dr Péri

RASOLONDRAIBE. Hotanterahina amin’ny tala-

ta 12 Mey maraina ny fanoloran’ny Filohan’ny

Synodam-paritany Antananarivo azy, eto amin’ny

FLM Toby Fanantenana 67 ha.

Nampiavaka ity Isantelovolana ity ny

hamaroan’ny mpivory sy fahavitrihany teo

amin’ny ezaka samihafa natao.

Ho famaranana dia tiana ny mampatsiahy ireto

daty ireto :

- 14 Jona 2008 amin’ny 9 ora : fivorian’ny

Komitin’ny Fileovana;

- 12, 13 Jolay 2008 : Isantelovolana fahatelo

hatao eto amin’ny Toby Fanantenana 67 ha.

« SAMY MANANA NY HANITRA HO AZY »

Izany no nambaran'Atoa Rakoto Marc, tompo-

nandraikitra voalohany ny Trano Mampiely

Baiboly, tamin'ny fampirantina ny Baiboly DIEM

na Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara ny

volana Novambra 2007 teo iny, tao amin'ny

Trano foibe toerany ao Antaninarenina,

Antananarivo.

Raha tsiahivana ny tantara dia ny taona naha-

tongavan'ny Misionera anglisy voalohany teto

Madagasikara dia i David Jones (1820) sy David

Griffith (1821), no nanombohan'ny fandikana ny

Baiboly anglisy ho amin'ny teny Malagasy. Tsy

vitan'izy roa lahy irery izany asa lehibe izany fa

nampian'ireo mpianatra Malagasy roambinifolo,

nomena ny anarana hoe Raombinifololahy I.

Didy folo

Raha nihodina ny fanotana printy ny volana

desambra 1827 dia ny Eksodosy:20, dia ny Didy

folo no andininy ao amin'ny Soratra Masina vita

voalohany.

Raha ny volana Martsa 1830 no nahavitana

Testamenta Vaovao,dia ny 21 Jona 1835 no vita

tanteraka ny fandikana sy ny fanotana printy ny

Baiboly Malagasy.

Nandalo fanitsiana maromaro ny Baiboly tao-

rian'io dia ny taona 1865, 1887 ary 1909.

Ny taona 1976 koa dia niroso tamin’ny

fandikana ny Baiboly amin’ny Dikanteny

Iombonana na ny DIEM. Anisan'izany

Itompokolahy Pastora Dr Rakoto Andriana-

rijaona avy amin'ny FLM. Nizara ekipa maro-

maro izy ireo ka ny volana Jiona 2003 no vita ny

Baiboly D.I.E.M. manontolo.

Ity Baiboly D.I.E.M.ity dia ilay dikanteny niainga

avy dia ny teny hebreo ho an'ny Testamenta

Taloha ary teny grika ho an'ny Testamenta

Vaovao.

Ny taona 2005 no vita ny fanitsiana ny Baiboly

Katolika, raha mbola eo andala-mpanatsarana

ny dikanteny ny Protestanta.

Fanatsarana

Nanomboka ny Martsa 2006 ny asa fanatsarana

ny Baiboly Protestanta. Mpiasam-piangonana

telo nomanatanteraka izany ao amin'ny Foibe

Fikambanana Mampiely Baiboly dia: Pastora

Rakotoarivony Stephenson, avy amin'ny

Fiangonana Loterana Malagasy. Rév Randria-

navalona Lovaniaina, avy amin'ny Fiangonana

Anglikana sy Ramatoa Rabarijaona Brigitte

Mpitandrinaavy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy

eto Madagasikara (FJKM).Telo taona no fetra

napetraka hahavitana io asa fanatsarana io.

Hanitra

Samy mampiasa ny Baiboliny ny isam-piango-

nana isan'alahady na amin'ny fotoana ilainy

izany, izay hanitra maha izy azy, fa rehefa

amin'ny fotoana iraisan’ny Fiangonana no

ampiasana ny DIEM.

MIROSO AMIN’NY FIFAMATORANA

NY PROTESTANTA

Fivoriana indroa miantoana no natao dia ny faha

6 Febroary 2008 sy ny 25, 26 Avrily 2008 tao

amin’ny Fofikri Ilafy. Nandray anjara tamin’izany

ny mpikambana ao amin’ny Komitim-pitanana

iombonana amin’ny vondron-tsapan’asa rehetra,

ny birao vondron’asa rehetra, ny birao farim-

bon’asa rehetra, ny Talen’ny sampan’asa rehetra

ao amin’ny FFPM. Izany no natao ho

fanomanana ny Komitin’ny Protestanta hatao

any Antsirabe manomboka ny 26 Mai 2008 ho

avy izao. Hasongadina amin’izany ny maha

Protestanta amin’ny fitoriana ny Filazantsara ary

hojerena koa ny ifandraisana amin’ny

Fiangonana rahavavy hafa. Hanantanteraka ny

Tenin’I Tompo hoe: “Mba ho iray ihany izy

rehetra” no tanjona amin’izany.

An-dalam-panavaozana tanteraka koa anke-

hitriny ny trano fiasana ao Vohipiraisana izay

mampiray ny Fiangonana roa tonta dia ny FLM

sy FJKM eo Ambohijatovo Ambony.Vita ny

Talatan’iny Herinandro Masina iny ny trano

andrefana izay iasana amin’izao fotoana izao.

Ho vita ny fanavaozana ny trano rehetra ny

Janoary 2009, vokatry ny fiaraha-miasa ny

Fiangonana sy ny Fanjakana.

Toby Fanantenana 67 Ha 7

Samihafa

FIFANINANA HO AN’NY TANORA !!!!!

Fikajiana ny tontolo iainana no

nanomezan’ny Ntaolo anaran-tanà-

na mitondra anaran-kazo, ohatra:

Madirotelo, Ambodibonara

Manomeza ary anaran-tanàna na

toerana eto Madagasikara misy

anaran-kazo araka izay fantatrao,

ka izay tanora telo voalohany

mahalaza betsaka indrindra dia

hahazo loka avy amin’ny Gazety

Fanantenana!!!

Atero ao amin’ny Biraon’ny fandra-

harahan’ny Fiangonana ny taratasy

misy ny valiny, misy anarana maza-

va, taona, adiresy, alohan’ny

faran’ny volana Mey. Mazotoa man-

dray anjara.

FMBM : Fandikana ny Baiboly

Filozofia Malagasy

Fileovana Fahamarinana 67Ha

FFPM

Page 8: Gazety 03 version finale:Gazety 02 draft 1.qxd · mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny

Raha hazan-drano no asian-teny, mahalalaazy avokoa na ny ankizy madinika , io ilaysakafo namokisan’i Jesosy ireo lehilahy tsyomby dimy arivo fahizay. Karazan- trondroaman’alina no hita any anaty ranomasinasy ranomamy any. Mora levonina ny tron-dro ary tena mahasalama , ahitana proteinabetsaka ao aminy.Iray amin’ireo trondrotena mahay milomano ny “thon”.Mahavariana fa misy koa ireo trondro tsydia mitsoriaka firy na anaty rano aza.

Zavatra ilaina :Ho an'ny " Filets de merlan à la crème " :Nofon-trondro ..................................4Ny ikarakarana ny roRano ..........................................1,5 lDivay fotsy ....................................2dlTongolo, selery,karoty

Hanitra maintso isan-karazanySira, dipoavatraNy ikarakarana ny lasaosyTamenak’atody ................................3Crème fraîche............................125g

Fomba fikarakarana azy :

Ampangotrahana miaraka ny rano misysira, ny divay, ny zava-maintso sy ny seleryary ny karoty. Avela hiketrika mandritra ny30 minitra.Arotsaka ao anaty ro ny nofon-trondrotokony ho 10 mn eo ho eo. Esory avyhatrany rehefa tokony ho fahefatry ny litatrasisa ny ranony.Esorina ireo hanitra isan-karazany.Karakaraina ny lasaosy: afangaro ny tame-nak’atody sy ny crème fraîche dia atao“bain marie”eo ambony afo malefaka, ken-drena tsy hangotraka dia asiana dipoavatrakely sy sira.Iny lasaosy iny no handrakofana ilay nofon-trondro ary azo aroso avy hatrany. Tsarakokoa raha vary fotsy lava no ampiarahanaaminy.

Toby Fanantenana 67 Ha8

Soa sy ny Finaritra

MIHINANA FINARITRA : Trondro FAHASALAMANA“Tuberclose”

TONOKALO

Vonona Izahay1-Ry Ray sy Zanaka Fanahy

Miantso Anao’zahay etoanaR’Ilay Telo izay irayAndroany no fotoana 2-Dimy taona lasa izay

No nitorianay ny TenyNasandratray ny feonay

3-Raha tsy Ianao no niasa Nafafy eny rehetra enySasa-poana izahayTanterakay ny kinasaNanirahanao anay 4-Ny toriteny an-kira no atao

Ampibebaka ny maroNy iverina Aminao

5-Maintimolaly no anaranay Ny tsara tsy ifangaroaroTsy mitsahatra mitoryVoninahitra ho Anao ry RayNa dia maro ny mampahory.

AmenVoahirana Maintimolaly

NY KILALAONTSIKA : Diso fito N° 003

Ny tiberkilaozy na raboka dia aretina azo avy amin’ny tsimok’aretina atao

hoe « bacille de Koch ». Mbola mamono olona hatrany amin’ny roa

tapitrisa isan-taona maneran-tany izy io. Manome fanazavana bebe kokoa

ny Dokotera tompon’andraikitra eto amin’ny Tobim-Pitsaboana Loterana

67ha: Dr.RANDRIANTIANA Michelle: ny tiberkilaozy dia i Laennec no

nahita azy voalohany tamin’ny taona 1839. Tamin’ny taona 1865 no nahi-

tan’i Dokotera Jean Antoine Villemin ny fomba fifindran’ny aretina. Ny

taona 1862 i Robert Koch no nahita ny tsimok’aretina (fandinihana

nataon’ny Institut Pasteur).

Ny fisehoany eran-tany: Ambara ho aretin’ny tany mahantra ny tiberki-

laozy. Aty Afrika no tena mbola ambony ny tahan’io aretina io noho ny

maha ambony ny tahan’ny olona izay mitondra ny tsimok’aretina VIH

(seropositivité HIV) izay mampihena ambany dia ambany ny hery

fiarovana eo amin’ny marary . Ho an’i Madagasikara manokana dia maha-

tratra hatrany amin’ny 20000 ny isan’ny marary mitondra io tsimok’aretina

io isan-taona .

Ny karazany: 1) Ny tiberkilaozy ao anaty havokavoka na tratra (tubercu

lose pulmonaire)

2) Ny tiberkilaozy ivelan’ny tratra (exotre-pulmonaire,

ohatra any amin’ny taolana, hoditra, ny lalan’ny fivalanan-

drano, lalanjaza sns…)

Ny karazany voalohany no tena mihanaka eto amintsika satria dia

Malagasy 15000 isan-taona no mitondra azy io izay miseho amin’ny

alalan’ny:

° Fanaviana, harerahana matetika, fahalain-komana, tsembontsembo-

dava indrindra amin’ny alina, fihenan-danja.

° Kohaka mihoatra ny telo herin’andro.

° Marary amin’ny tratra na mandrehoka misy rà.

Mifindra ve? Ny olona iray voan’ny tiberkilaozy ao anaty havokavoka

(tuberculose pulmonaire) ihany no mifindra amin’ny alalan’ny fipitihan’ny

otrik’aretina rehefa mievona na mikohaka.

Ny fomba ahalalana fa voan’ny tiberkilaozy: Ny fitsirihana ny rehoka no

ahitana taratra fa mitondra ny tsimok’aretina ny olona iray ary hamafisina

amin’ny alalan’ny fitarafana ny tratra izany. Eo ihany koa ny IDR(intra-

dermo-reaction)

Ny fomba fitsaboana azy: Azo tsaboina ny raboka ary sitrana tsara rehe-

fa manaraka ny torohevitra antsakany sy andavany ny marary. Valo

volana ny fotoana hitsaboana ka hihinanana fanafody isan’andro. Efa

nohamoraina rahateo ny fitsaboana azy satria dia maimaim-poana izany.

Mbola sakana anefa ny fiheverana fa aretina mahamenatra ny raboka.

Marihana etoana fa mampiverina ny aretina ary indrindra manome aina

ireo”bacille” matanjaka ny tsy fanaperana ny fitsaboana na ny traitement .

Fiarovana: ° Fitsaboana ara-potoana ny olona voan’ny tiberkilaozy izay

mety hamindra

° Vaksiny B.C.G hoan’ny zaza

° Fitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana (tsy man-

drehoka eny rehetra eny ary tsy manimba ny ala izay

manadio ny tontolo iainana.