fieldguide malagasy 01 - gondwana conservation · sisa no velona any anaty ala. monina any...

193
Pyxis planicauda

Upload: vonhan

Post on 07-Jul-2018

224 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Pyxis planicauda

Page 2: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Testudinidae BATSCH, 1788Antoko anisany tranainy indrindra amin’ny Reptilia velona ny foko Testudinea, ary mbola iadian-kevitra ny fanasokajiana azy ankehitriny. Mety ho mpihavana amin’ny sampana Archosauria izay ahitana ny voay sy ny dinozaoro izay efa lany taranaka ary ny vorona izy, amin’ny ankapobeny. Mizara ho vondrona lehibe roa izy dia, ny Chelonia: ny Pleurodira izay mamoritra ny tenda mihorirana rehefa manitrika ny loha ao anaty akorany, ary Cryptodira ivondronan’ireo izay afaka mamoritra mitsangana ny taolandamosiny ka manitrika ny loha mivantana. Ao anatin’ny Cryptodira ny fi anakaviana Testudinidae izay ahitana ny ankamaroan’ireo karazana monina an-tanety izay tena mieli-patrana eran-tany. Karazana telo no hita eto Madagasikara (Astrochelys 2 karazana, Pyxis 2 karazana, ary Kinixys karazana tokana). Ny roa amin’ireo sokatra goavambe indrindra no hita teto Madagasikara, fa saingy efa lany tamingana izy ireo ankehitriny, hita ao amin’ny Tahirin-javoabaharin’i Tsimbazaza, Antananarivo, na any Nosy Be ny sokatra goavambe karazana Aldabrachelys gigantea ary Ny Nosy Aldabra no fi aviany. Mamorona sampana tokan-drantsana miaraka amin’ireo sokatra goavamben’ny Ranomasimbe Indiana efa lany tamingana ny taranaka Astrochelys sy Pyxis izay tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara raha ny fi sandrahan-taranaka no jerena. Mora avahana amin’ny rambony ny lahy sy vavy, satria fohy kokoa ny an’ny vavy (sary 2f) noho ny an’ny lahy (sary 2e).

Taranaka Astrochelys GRAY, 1873Ity taranaka ity dia misy karazana roa vaventy miaina an-tanety any atsimo andrefana sy andrefan’i Madagasikara. Somary avo ny akoran’ny lehibe. Nosarahana ho karazana mitokana ny Angonoka (Astrochelys yniphora), fa tsy mbola maharesy lahatra io fanovana io raha ny fi sandrahana ara-taranaka no jerena.

1. Astrochelys yniphora (VAILLANT, 1885)Toerana nahitana azy: Any amin’ny toerana manodidina ny Helodranon’i Baly no hany ahitana azy (Tanjona Sada, Soalala) any amin’ny morontsiraka avaratra andrefana. Sary avy any: Santionany nompiana tany Ampijoroa; 1c zanany.

Angonoka. Famaritana: Mirefy 446 mm ny akorany lava indrindra. Tsy misy savily ny akoran-damosina sy ny fi aro-tratra, izany hoe tsy afaka miforitra izy ireo. Ahitana fantsy lehibe ny tendro alohan’ny fi aro-tratran’ny lehibe. Somary ranoray ny lokon’ny lehibe, satria tsy ahitana sora-doko misandrahaka. Miloko matroka foana anefa ny sisin’ny kapilan’ny akoran-damosina oharina amin’ny ivony; somary manjavozavo izy io any amin’ny lehibe, fa miavaka tsara kosa eo amin’ny zanany. Fomba fi ainany: Iray amin’ireo sokatra vitsy an’isa eran-tany izy, eo anelanenlan’ny 100-400 sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. Ravin’ny hazo madinika sy bozaka no sakafony. Tsy mihetsika fa misitrika izy amin’ny maintany. Miisa 3-6 ny atodiny boribory (42-47 mm ny savaivony) izay alatsany ao anatin’ny lavaka boribory fanatodizany mirefy 11 sm. Fiarovana azy: Ny fahasimban’ny toeram-ponenana izay efa tena ety sy ny fanangonana tsy ara-dalana mba hivarotana azy no tena mandringana azy. Efa najoro any Ampijoroa ny tetik’asa mba hiompiana azy. Satam-piarovana: Atahorana ho lany tamingana (fa tokony efa ho Tena efa ho lany tamingana).

2. Astrochelys radiata (SHAW, 1802)Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambolisatra, Ampanihy, Ampotaka, Anakao, Andrahomana, Ankirikirika, Antaritarika, Beheloka, Belalanda, Beloha, Beraketa, Betanty, Cap Sainte Marie, Ejeda, atsimo andrefan’i Fiherenana, Itampolo, Kokomba, Toliara, Lavanono, Lavavolo, Maroala, Masikoro, Nisoa-Ambony, Ranofotsy, Saint Augustin, Toliara, Tsimanampetsotsa, Tsiombe, Vohombe. Hita tany amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’i Madagasikara, somary anelanelan’Amboasary sy Morombe. Tena vitsy an’isa na efa ho lany tamingana mihitsy izy any avaratry ny reniranon’i Onilahy sy any atsinanan’Ambondro, fa mbola fahita any amin’ny faritra Mahafaly sy Antandroy kosa. Miparitaka any amin’ny morontsirak’i Madagasikara mahatratra 90-100 km izy. Sary avy any: Santionany nompiana; 2d zanany (nalain’i B. Love). 2e-f maneho ny fahasamihafan’ny rambon’ny lahy (2e) sy ny vavy (2f).

Sokatra, Sokake. Famaritana: Mahatratra 400 mm ny halavan’ny akorany farafahakeliny. Tsy misy savily ny akoran-damosina sy ny fi aro-tratrany, izany hoe tsy afaka miforitra izy ireo. Tsy ahitana fantsy lehibe ny tendro alohan’ny fi aro-tratran’ny lehibe. Ahitana sora-doko misandrahaka miavaka ny lehibe, satria misy tsipika manopy mavo miala eo amin’ny ivo mankamin’ny sisin’ny kapilan’ny hazon-damosina sy ny kapilan’ny tehezana. Fomba fi ainany: Miaina any amin’ny tany tena karankaina misy alan-tsilo. Ny atody indray mikotrika dia misy 2 hatramin’ny 12 (mirefy 36-42 x 32-39 mm ny savaivony), foy afaka 69 hatramin’ny 231 andro ny zanany izay manana akora mirefy 32 hatramin’ny 40 mm ny halavany. 137 taona no fantatra fa antitra indrindra taminy. Fiarovana azy: Ataon’ny olona sakafo izy any atsimo andrefana. Satam-piarovana: Mety ho lany tamingana.

254

Testudinidae

1 2

2e

2f

2g

Page 3: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

2c

1a

1c

2b

2d

Page 4: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Pyxis BELL, 1827Taranaka Malagasy izy, sady manana karazana kely 2 miaina eny an-tanety ihany. Mirefy 100-150 mm ny akorany, ary sambany no nahitana 175 mm. Ny fananana atody tokana sady vaventy no tena mampiavaka ny Pyxis.

1. Pyxis arachnoides BELL, 1827Toerana nahitana azy: P. a. arachnoides (teboka volontakatra amin’ny sarintany): Beheloka, Belalanda, Betsinjaka, Efoetsy, Fanemotra, Ifaty, Maroala, Sangoritelo, Soalara, Tsivanoa. P. a. brygooi (teboka manga amin’ny sarintany): Alan’Analalava, Andavadoaka, Andramangoa, Bevato, Farihin’i Kiliolo. P. a. oblonga (volomparasy amin’ny sarintany): Amboasary Atsimo, Ambovombe, Ampihamy, Ankatsakala, Ankoroka, Antaritarika, Beraketa, Berenty, Betanty, Cap Ste Marie, Kilibory, Marovato, Tsivokony, Vohibary. Fantatra koa misy any akaikin’i Soalala, fa mampisalasala ny hoe tena toerany ara-boajanahary ve ny ao. Sary avy any: Ifaty (1a, 1b, nalain’i M. Burger; P. a. arachnoides), Berenty (1c; P. a. oblonga).

Tsakafy, Kapika, Zakapy. Famaritana: Mirefy 126 mm ny salan’ny halavan’ny akoran’ny lahy ary 122 mm ny an’ny vavy. Mira 0,4 ny taha halavana / lanjan’ny akora mazàna. Tsy misy savily ny akoran-damosina. Ahitana savily ny tapany alohan’ny fi aro-tratran’ny zana-karazana avy any atsimo (P. a. oblonga sy P. a. arachnoides), afaka miforitra miakatra izy io noho izany, ka mifampikasoka ny akoran-damosina no sady manakona ny loha sy ny tànana. Tsy mivoatra loatra na tsy misy savily ny fi aro-tratran’ny zana-karazana avy any avaratra (P. a. brygooi), ka tsy afaka mikasoka tanteraka amin’ny akoran-damosina izy io. Ahitana rambo lava sy mahia sady mifarana amin’ny tsilo mivoatra ihany ny lahy, tahaka ny fahita amin’ny sokatra an-tanety. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny morontsiraka (mahatratra 10-50 km miala ny sisin-tany) atsimo sy atsimo andrefan’i Madagasikara izy, ary monina eny amin’ny tora-pasika sy ny kirihtr’alan-tsilo. Ravin-kazo malemy sy tain’omby (misy olitra) no fantatra amin’ny sakafony. Afaka miafi na any anaty lavaka lalina izy. Fiovaovana: Mety avahana tahaka izao ireo zana-karazana telo ireo raha ny fahasamihafan’ny savily efa voalaza tery aloha no jerena: manopy mavo ranoray ny kapila ambany tendan’ny P. a. arachnoids izay miroso aloha. Ahitana sora-doko mainty na tasy ny kapila ambany tendan’i P. a. oblonga izay somary mandroso aloha. Ahitana sora-doko mainty ny kapila ambany tendan’i P. a. brygooi izay somary mandroso aloha. Satam-piarovana: Mety ho lany tamingana.

2. Pyxis planicauda (GRANDIDIER, 1867)Toerana nahitana azy: akaikin’Amborompotsy, Andranomena, Kirindy. Sary avy any: Kirindy (2a, nalain’i G. Kuchling; 2b, nalain’i B. Love), santionany nompiana (2c).

Kapidolo. Famaritana: Mahatratra 137 mm ny halavan’ny akorany izay somary fi saka; mira na mihoatra ny 0,5 ny taha halavana / lanjan’ny akora mazàna. Tsy misy savily ny akoran-damosina sy ny fi aro-tratra. Mety ho feno lomotra ny akoran-damosina. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny ala maina mihitsan-dravina izy, ka misitrika any anaty fakon-dravina amin’ny maintany ary mivoaka rehefa fahavaratra mazàna. Hita teo anelanelan’ny volana janoary sy martsa ny fi raisany. Mirefy 33-35 x 25-30 mm ny atodiny. Voankazo latsaka amin’ny tany sy tsimoka ary ravin’ny hazo madinika no sakafony. Satam-piarovana: Atahorana ho lany tamingana.

Taranaka Kinixys BELL, 1827Taranaka manana karazana efatra miparitaka any amin’ny faritra tropikaly any Afrika izy. Hita eto Madagasikara ny karazana iray, ka any Nosy Faly sy ny sisin-tany manakaiky azy izy no monina. Nifototra tamin’ny Famaritana mampiahiahy ny namaritana ny zana-karazana K. belliana domerguei; ka mampisasala ny fi aviany noho izany, sa nampidirina. Tsy misy mihitsy ny voka-pikarohana ara-tarazo mba hanazavana io olana io.

3. Kinixys belliana GRAY, 1831Toerana nahitana azy: Ambanja, Nosy Faly. Sary avy any: Zanany nompiana (3a), Nosy Faly (3b, 3c, nalain’i G. Kuchling).

Kapika. Famaritana: Mahatratra 230 mm ny halavan’ny akorany. Tsy misy savily ny fi aro-tratra. Ahitana savily kosa ny akoran-damosina izay ahafan’ny ampahatelony aoriana miforitra ambany manakaiky ny fi aro-tratra. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy. Ravin-kazo, voankazo, holatra, sifotra ary bibikely no fantatra fa sakafony eto amin’ny Nosy. Maoty afaka 11 taona ny vavy rehefa milanja 1 kg. Mandritra ny fahavaratra ny fi raisany. Miisa 5 ny atody indray mandatsaka. Miisa 45 farafahabetsany ny atodin’ny vavy vaventy iray mandritra ny taona. Satam-piarovana: Tsy mampanahy.

256

Testudinidae

21 3

3c2c

Page 5: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

3a

1a

1c

2b

3b

Page 6: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Podocnemididae COPE, 1868 sy Pelomedusidae COPE, 1868Ahitana taranaka 5 misy karazana sokatra miisa 27 miaina any anaty rano ireto fi anakaviana ireto ankehitriny. Miparitaka any Afrika ny fi anakaviana Pelomedusidae amin’ny ankapobeny, sady ivondronan’ny taranaka Pelusios (18 karazana) sy Pelomedusa (karazana tokana); hita eto Madagasikara daholo izy roa ireo. Ny fi anakaviana Podocnemididae dia ahitana ny taranaka Podocnemis (6 karazana), Peltocephalus (karazana tokana) avy any Amerika Atsimo, ary ny taranaka Malagasy Erymnochelys (karazana). Voasokajy ho zana-pianakaviana roa ao anatin’ny fi anakaviana tokana Pelomedusidae ireo fi anakaviana roa ireo indraindray.

Taranaka Erymnochelys BAUR, 1888Taranaka tokan-karazana sady Malagasy izy. Nisy fosila fantatra tamin’ny “Cretaceous” ny taonany. Izy no soka-dranomamy vaventy indrindra.

1. Erymnochelys madagascariensis (GRANDIDIER, 1867)

Toerana nahitana azy: Ambato Boeny, Helodranon’Ampasindava, Ampijoroa, Androhibe, Ankavandra, Antongodrahoja, Beroboka Avaratra., farihin’i Kinkony, Maevatanana, Mahajanga, Matsiatra, Miadana, Miandrivazo, Tsiribihina. Sary avy any: Santionany nompiana tany Ampijoroa (1a), Marofi lao (1b, nalain’i G. Kuchling), Farihin’Andranomena (1c, nalain’i G. Kuchling).

Rere, Bihara. Famaritana: Mahatratra 410 mm ny halavan’ny akorany. Misy hoho efatra ny tongony. Miraikitra ny kapila amin’ny fi aro-tratra ary tsy misy savily. Fomba fi ainany: Monina eny amin’ny toerana misy rano midadasika, tahaka ny renirano lehibe izay mikoriana miadana sy ny rano miandrona ary ny farihy izy. Matetika misitrika any anaty fotaka izy rehefa maintany. Ny volana oktobra sy novambra no fanamboarany ny akaniny amin’ny ankapobeny. Afaka mandatsaka atody in-3 izay mitontaly 60 isaky fi zaran-taona ny vavy. Hazain’ny olona atao sakafo izy matetika. Satam-piarovana: atahorana ho lany tamingana.

Taranaka Pelusios WAGLER, 1830Taranaka Afrikana izy amin’ny ankapobeny. Tafi ditra ao anatin’ny karazana hita any Afrika ireo karazana Malagasy roa, fa tsy mbola nisy fandinihana ara-tarazo lalina nahafahana namantatra izay mety ho fi havanany amin’ireo karazana Afrikana.

2. Pelusios castanoides HEWITT, 1931Toerana nahitana azy: Ambato Boeny, Montagne des Français, Andranofasika, Ankarafantsika, Maevatanana, Miandrivazo, Nosy Be, Soalala. Sary avy any: Akaikin’i Masoarivo (nalain’i G. Kuchling).

Kapidranon’ny avaratra andrefana. Famaritana: Mahatratra 230 mm ny halavan’ny akorany. Ahitana hoho dimy ny tongony. Misy savily mitsivalana ahafahany mihetsika ny akoran-damosina. Somary lava manaraka ny tenany ny kapilan’ny hazon-damosina fahatelo sy faha-efatra eo amin’ny ny lehibe, ary mitovy ny lavany sy ny sakan’izy ireo eo amin’ny zanany. Ny kapilan’ny hazon-damosina faha-efatra (ny hafa koa indraindray) dia misy tsilo. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny sakeli-drano maty na farihy matetika amin’ny farittra feno zava-maniry mikitroka. Hita nandavaka sy nandatsaka atody niisa 12 tao anatin’io lavaka io ny vavy iray. Satam-piarovana: Tsy mampanahy.

3. Pelusios subniger (LACÉPÈDE, 1788)Toerana nahitana azy: Andasibe, Fenoarivo, Maroantsetra, Nosy Boraha, Nosy Varika, Tampina, Toamasina, Vatomandry. Sary avy any: Andasibe (nalain’i G. Kuchling).

Kapidranondrasaraka. Famaritana: Mahatratra 195 mm ny halavan’ny akorany. Ahitana hoho miisa dimy ny tongony. Misy savily mitsivalana ahafahany mihetsika ny fi aro-tratra. Be sakana kokoa ny kapilan-damosina fahatelo sy faha-efatra. Tsy misy tsilo ny kapilan-damosina rehetra. Fomba fi ainany: Tsy mbola misy fantatra ny momba ny tantaram-piainan’ity karazana ity teto Madagasikara. Monina any amin’ny sakeli-drano mikoriana mora sy ny farihy ary ny tanimbary izy, sady izy irery ihany angamba no hany soka-dranomamy monina any amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara. Satam-piarovana: Tsy mampanahy.

Taranaka Pelomedusa WAGLER, 1830Taranaka ahitana karazana tokana mieli-patrana any afovoany sy atsimon’i Afrika izy, sady karazana soka-dranomamy miparitaka eran’i Madagasikara.

4. Pelomedusa subrufa (LACÉPÈDE, 1788)Toerana nahitana azy: Andranofasika, Antanimora, Beloha, Beraketa, Beroboka Avaratra, Ejeda, Kirindy, Morondava, alan’i Vohibasia. Sary avy any: atsimo andrefan’i Madagasikara.

Kapidranon’ny andrefana. Famaritana: Mahatratra 250 mm ny halavan’ny akorany. Ahitana hoho miisa dimy ny tongony. Miraikitra ny kapila amin’ny fi aro-tratra ary tsy misy savily. Fomba fi ainany: Tena mieli-patrana any amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara izy, ka eny amin’ny rano miandrona, matetika petsapetsa mora maina sy kamory no fonenany. Misari-tavoahangy, ka mirefy 10-17 sm ny halalin’ny ankanin’ireo andiany any Afrika. Miisa 13-16 matetika ny atody, fa mety mahatratra hatramin’ny 42 tsindraindray. Indray mandeha ihany isaky ny vanim-potoana izy no manatody. Foy afaka 75-90 andro ny zanany manana akora mirefy 25-30 mm. Satam-piarovana: Tsy mampanahy.

258

Pelomedusidae / Podocnemididae

32 4

1

3

Page 7: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

4a

1a

1c

2b

4b

Page 8: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Cheloniidae OPPEL, 1811 sy Dermochelyidae FITZINGER, 1843Karazana soka-dranomasina daholo no ao anatin’ireo fi ana-kaviana roa ireo. Lehibe kokoa ny soka-dranomasina, satria mirefy 65-190 sm ny halavan’ny akorany izay tena mifanaraka amin’ny fi ainany any anaty rano. Rehefa manatody ihany izy ireo vao mivoaka eny an-tanety. Aleviny ao anaty lavaka eny amin’ny tora-pasika ny atodiny, amin’ny alina mazàna. Afaka mifi ndra monina lavitra miampita Ranomasimbe ry zareo, fa tsy mahafoy ny tora-pasika misy ny akaniny kosa. Tena mahazendana ny fahaizany mamantatra ny toeram-ponenany. Hitany hatrany io ankaniny io (vato fi sakafoanany) na ela na haingana ny fotoana iverenany ao. Manatody in-dray na in-droa isaky ny vanim-potoana ny ankamaroan’ny vavy amin’ny karazana sasany, fa afaka manatody hatramin’ny im-polo. Karazana roa (Chelonia mydas sy Eretmochelys imbricata) no mety ho hita tsy miova eto Madagasikara, fa tena mahalana be mihitsy ny fahitana karazana hafa. Mifamatotra amin’ny kolon-tsain’ny mponina any amin’ny morontsiraka, tahaka ny Sakalava sy ny Vezo ireo soka-dranomasina ireo. Nohazaina fatratra izy ireo araka ny tantara, ka niisa 13. 000 ny sokatra novoina nandritra ny taona iray tao anatin’ny morontsiraka andrefana mirefy 600 km. Efa nisy ary mbola misy ny tetik’asa atsangana mba ho fi arovana ireo soka-dranomasina ireo, fa tsy misy loatra ny voka-pikarohana mahakasika ny fi ainany sy ny fi paritahany eto Madagasikara.

1. Chelonia mydas (LINNÉ, 1758)Toerana nahitana azy: Iray amin’ireo karazana fahita matetika any amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara izy. Voalaza fa any amin’ny manodidina an’i Mahajanga ny akaniny. Ahitana antoko lehibe manatody any nosin’i Eoropa sy ny nosin’i Tromelin ary ny Lakandranon’i Mozambika, ka misy vavy miisa 700 manatody eny amin’ny tsorapasika mirefy 6 km isak’alina. Sary avy any: Morondava (1a; nalain’i G. Kuchling), Sarodrano (1b, 1c).

Fanozaty, Fanojaty. Famaritana: Mirefy 140-150 sm ny akorany. Manana kapila amin’ny tehezana miisa 8 miara-droa izy. Tsy mifanosona ny kapila amin’ny akorany. Ahitana kirana ambany handrina roa. Tsy fi saka ny fari-bava. Minifi ntsofa ny valanoranony. Misy hoho iray isaky ny fi voy. Fomba fi ainany: Tena ela velona ity karazana ity, ary ataon’ny olona sakafo izy matetika. Mampiavaka azy amin’ny soka-dranomasina hafa ny fi hinanana biby any an-dranomasina, miraotra lomotra amin’ny toerana voatokana ihany koa izy. Mety maoty afaka 20-30 taona ny zanany. Nahitana toerana fanatodizany tany akaikin’i Mahajanga ny volana janoary sy febroary, ary sambany nahitana izany ny volana novambra. Hita tany amin’ny faritra andrefana sy atsimo andrefan’i Madagasikara ireo Fanozaty nasiana marika tany amin’ireo Nosy Eoropa sy Tromelin. Satam-piarovana: atahorana ho lany tamingana.

2. Caretta caretta (LINNÉ, 1758)Toerana nahitana azy: Miharihary ny fahitana azy any amin’ny morontsiraka Andrefan’i Madagasiakara amin’ny ankapobeny (Helodranon’i Narinda, Morondava, Toliara, Androka). Tany akaikin’i Tolagnaro ihany koa. Sary avy any: Santionany nompiana (nalain’i G. Kriso).

Fano apombo, Mondroy. Famaritana: Manodidina ny 100 (mety mahatratra 122) sm ny akorany. Manana kapila amin’ny tehezana 10 miara-droa izy. Tsy mifanosona ny kapila amin’ny akorany. Misy kapila akaikin’ny sisiny miisa telo. Ahitana kirana ambany handrina efatra na mihoatra. Misy hoho roa

avy ny fi voy. Fomba fi ainany: Mihaza karazam-biby any an-dranomasina tahaka ny sifotra sy ny patsabe ary ny trondro izy. Eto Madagasikara dia tao Ste Luce no nolazaina fa nahitana ny akaniny ny volana novambra. Hita tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara ireo Fano apombo nasiana marika tany Tongaland (Afrika Atsimo). Satam-piarovana: Atahorana ho lany tamingana.

3. Eretmochelys imbricata (LINNÉ, 1766)Toerana nahitana azy: Fahita any amin’ny morontsiraka andrefana sy avaratra-andrefan’i Madagasiakara amin’ny ankapobeny Sary avy any: Afrika Atsimo (nalain’i B. Branch).

Fanohara. Famaritana: Mirefy 65-90 sm ny akorany. Manana kapila amin’ny tehezana 4 miara-droa izy. Ahitana kira ambany handrina efatra. Mifaraingo ny fari-bavany. Tena mifanosona ny kapila amin’ny akorany. Misy kapila efatra akaikin’ny sisiny. Misy hoho roa avy ny fi voy. Fomba fi ainany: Mihinana bibikely any an-dranomasina sy lomotra izy. Tsy mivangongo ny ankaniny, mivoaka eny amin’ny tora-pasika kely ny vavy vitsivitsy. Tena tadiavina mafy ity karazana ity, noho ny halafon’ny akorany, izy no natao fangalana akora hatramin’izay ka hatramin’izao. Satam-piarovana: Tena efa ho lany tamingana.

4. Lepidochelys olivacea (ESCHSCHOLTZ, 1829)Toerana nahitana azy: Tena vitsy an’isa izy eto Madagasikara; tsy fantatra ny akaniny. Sary avy any: Nicaragua (Amerika Afovoany).

Fano tsakoy, Fanosasara. Famaritana: Latsaky ny 75 sm ny refi n’ny akorany. Manana kapila amin’ny tehezana 12-18 miara-droa izy. Tsy mifanosona ny kapila amin’ny akorany. Misy kapila efatra akaikin’ny sisiny. Ahitana kira ambany handrina efatra. Misy hoho roa avy ny fi voy. Fomba fi ainany: Mihinana patsabe sy bibikely any an-dranomasina ary lomotra izy. Mety mivoaka maro be am-pilaminana ry zareo any amin’ny toerana sasany, any Amerika Afovoany ohatra: sokatra vitsy kely sisa no manori-ponena isak’alina eo afaka herinandro, mety misy amin’arivony rehefa mivoaka amin’ny tora-pasika mirefy kilaometatra vitsivitsy mandritra ny alina iray. Satam-piarovana: Atahorana ho lany tamingana.

5. Dermochelys coriacea (LINNÉ, 1766)Toerana nahitana azy: Tsy nahy no nahitana an’ity karazana ity tany amin’ny morontsirak’i Madagasikara. Sary avy any: Costa Rica (Amerika Afovoany) (nalain’i M. Franzen).

Fano valozoro. Famaritana: Izy no vaventy indrindra amin’ny sokatra velona amin’izao fotoana izao. Mety mahatratra 190 sm ny halavan’ny akorany ary mety milanja mihoatra ny 600 kg izy. Tsy ahitana kapila ny akoran-damosina, fa rakofan’ny hoditra matevina misy rirany lavalava miisa 5-7. Fomba fi ainany: Karazam-biby kely samihafa any anaty ranomasina any no sakafony. Satam-piarovana: Tena efa ho lany tamingana.

260

Dermochelyidae / Cheloniidae

Page 9: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4

2

1b1a

3

5

1c

Page 10: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Crocodylidae

Fianakaviana Crocodylidae CUVIER, 1807Nozaraina ho zana-pianakaviana 3 ny mamba araka ny fanasokajiana tranainy (indraindray natao fi akaviana misaraka mihitsy ireo), ny Alligatorinae (taranaka 4 misy karazana 7), ny Crocodylinae (taranaka 3 na 4 misy karazana 14) ary ny Gavialinae (taranaka 1 misy karazana 1). Ny voka-pikarohana vao haingana no nahitana fa mila fanovana ny lafi ny sasany amin’io fanasokajiana io, fa ho an’i Madagasikara kosa, dia mazava fa karazana tokana, Crocodylus niloticus, ireo andian’ny voay mbola velona rehetra, izay mieli-patrana any Afrika koa ao anatin’ny zana-pianakaviana Crocodylinae. Mitovy ara-tarazo ny andiany eto Madagasikara sy ireo any amin’ny faritr’i Afrika atsinanana, ka izay no ahafahana milaza fa vao haingana no namenoany an’i Madagasikara.

1. Crocodylus niloticus LAURENTI, 1768Toerana nahitana azy: Mari-pototra ny fi paritahany amin’ny sarintany: Anivorano Avaratra, Andasibe, Ankarafantsika, Ankarana, Betsina, Kirindy, Mahajanga, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Faly, Sainte Marie any Marovoay, Tsiribihina. Mahazendana fa kely fotsiny no fantatra ny momba ny fi paritahan’ny voay eto Madagasikara. Ny fi tsirihana an’habakabaka teny ambony fi aramanidina no nahazoana voka-pandinihana tamin’ny antsipirihany, fa karazana tatitra mbola tsy nivoaka ihany izy io (Behra sy Hutton 1988). Azo antoka fa fahita matetika ity karazana ity taloha miohatra amin’ny ankehitriny, ka izany no nahatonga ny anaran-tanàna maro misy ny teny “voay” (Marovoay, Bevoay, etc. ) izay anarana fi antsoan’ny Malagasy azy. Fahita mateika any amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara izy, ka mety ho mampidi-doza ny olona izy, any amin’ny Farihin’ny Valanjavaboahary any Ankarafantsika ohatra. Lazain’ny olona fa masina izy any amin’ny toerana sasany, any amin’ny farihin’i Nosy Be sy ny farihin’Anivorano any avartr’Ambilobe ohatra. Hita any amin’ny morontsiraka atsinanana ihany koa ny voay (Lakandranon’i Pangalana, ohatra), fa tsy misy loatra ny fanambarana mari-pototra ny fi siany any. Sary avy any: Farihin’Anivorano (1a, 1b), Santionany nompiana (1c, 1d).

Voay. Famaritana: Ny voay no biby monina an-tanety lehibe indrindra eto Madagasikara. Mahatratra 5 m ny halavany iray manontolo any Afrika, fa mahalana ny mety mahatratra 6 m, fa tsy mbola tsy voamarina loatra ny voay be tahaka izany. Azo lazaina ho mampisalasala ny nahitana santionany mirefy 7 m, ara-tantara. Nirefy 4 m ny lahy lava indrindra voamarina hita teto Madagasikara, ka 87 mm ny halavan’ny vanginy ary 19 x 15 mm ny hateviny (Voeltzkow 1899), na izany aza anefa dia 3-3,5 m ny salan’ny halavan’ny lehibe ary 2,5 m ny salan’ny halavan’ny vavy. Hita fa tena efa lehibe ny voay mirefy 4 m ary naharesy lahatra an’i Voeltzkow fa tsy azo antoka loatra ny fanombanana ny haben’ny voay. Na dia izany aza anefa, dia resy lahatra ihany izy fa nisy voay ngezabe teto anivon’ny Nosy taloha, satria voalaza fa nirefy 100 mm ny halavan’ny vanginy ary 30 x 26 mm ny hateviny. Tahaka ny fahita amin’ny voay rehetra dia miavaka tsara ny lahy sy ny vavy: lehibe mihoatra ny 30%-n’ny vavy ny lahy any Afrika. Fomba fi ainany: Ny fandalinana nataon’i Voeltzkow (1899) tany Mahajanga izay toerana tena misy voay no efa lasa lavitra indrindra hatramin’izao, hita eny amin’ny karazan-drano rehetra izy, eny fa na dia hatreny amoron-dranomasina koa aza. Nomarihany fa ny betsaka indrindra hitany dia tamin’ny tora-pasika amoron’i Betsiboka sy ireo renirano lehibe hafa dia mety mihoatra ny 100 tao anatin’ny ora iray, raha mandeha lakana! Saro-tahotra ny voay rehefa eny an-tanety ka tsy sahy mihinan’olona loatra. Fa mifanohitra amin’izany kosa ny ao anaty rano, satria mamono olona sy omby ary osy foana izy. Nahitana bibikely, tahaka voangory sy olitra indrindra indrindra ny tsinain’ny zanany. Mamoaka feo mafy samy hafa ry zareo rehefa voasambotra. Ny faran’ny volana aogositra hatramin’ny faran’ny septambra no fanatodizany any amin’ny manodidina an’i Mahajanga. Ahitana atody miisa 20-30,35-40 (n=35) indraindray ny akaniny. Amin’ny

alina izy no manatody, vao mangiran-dratsy indraindray, ao anatin’ny lavaka manakaiky rano eny amin’ny fasika. Roa ny atodiny sady tsy miara-mipetraka; mitandrina tsara ny vavy manototra ilay lavaka rehefa avy manatody. Miovaova ny toetran’ny atody, eny fa na dia iray fotsiny aza no nalatsany. Fotsy no lokony ary mirefy 5. 6-8. 0 x 3. 7-5. 0 mm. Volana novambra no nahitana ny zanany voalohany, izay manambara fa foy afaka 2,5 volana tao aorian’ny nanatodizany izy io. Foy alohan’ny fi andohan’ny fahavaratra ny ankamaroan’ny zanany. Nilaza ny olona nahita fa miverina mandavaka ilay nametrahany atody ny reniny rehefa akaiky ho foy ny zanany. Hitan’i Voeltzkow fa mihiaka ny zanany mbola tsy tafavoaka ao anaty atody, ary mety ho vokatry ny fangovitana angamba io feo io. Ny tsoa-kevitra narosony dia ny faharenesan’ny zanany ny reniny tonga mijery ny akaniny no mahatonga azy mamoaka feo mba handavahan’ny reniny izany. Ampiasain’ny zanany amin’ny fandavahana akoran’atody ireo vangy kely mipoitra amin’ny vavany. Miara-mandady amin’ny reniny mankany anaty rano io zanany vao foy io avy eo. Haingam-pitombo ny zana-boay: Mirefy 15 sm ny HLV ary 28 sm ny Tontalin’ny halavany (TL) (vao foy), 38 sm HLV ary 77 sm TL (1 taona), 43-43. 5 sm HLV ary 88 sm TL (2 taona), 53 sm HLV ary 107 sm TL (3 taona). Miadam-pitombo amin’izay izy rehefa mihoatra ny 3 taona. Nampahafantatra ny fi karohana vao haingana fa miankina amin’ny hafanana ny maha lahy na maha vavy ny zanaky ny Crocodylus niloticus. Vavy izy raha ohatra ka 31°C tsy miova na latsaka ny hafanana, ary lahy kosa raha ao anelanelan’ny 31°C-34°C. Foy afaka 100 andro ny zanany raha 28°C tsy miova ny hafanana, ary 85 andro kosa raha 34°C. Tsy mihinana ny henam-boay ny mponina any amin’ny manodidina an’i Mahajanga, fa tena hazain’ny olona mafy kosa ny atodiny ataony sakafo. Vao haingana, izany hoe mihoatra ny 100 taona taorian’ny fi karohan’i Voeltzkow, dia hita fa nihena ny isan’ny voay ary lasa saro-tahotra ry zareo, vokatry ny fi hazana azy fatratra mba hangalana ny hodiny hamidy no nahatonga izany. Mahatonga ny fi henan’ny isany koa ny fangalana ny atodiny. Na dia izany aza anefa, dia hita vao haingana ny fi hitaran’ny andian’ny voay eto Madagasikara, eritreretina fa mitontaly 30. 000 ny voay rehetra misy eto. Mbola fahita amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy ny voay, any amin’ny toerana saro-dalana, tahaka ny rano ambanin’ny tany any Ankarana; sady voaaron’ny fady izy any amin’ny farihin’Anivorano, avaratr’Ambilobe, sy ny farihin’i Mont Passot ao Nosy Be ohatra. Betsaka ny vokatra azo avy amin’ny hodi-boay, tahaka ny kitapo, ny fehinkibo, ny kiraro ary ny tongobolo izay azo vidiana any Antananarivo, fa avy any amin’ny toeram-piompiana voay ny ankabeazan’izy ireny (any Antsobolo ohatra) na avy any amin’ny tetika’asa fanangonana atody sy fi ompiana (any Besalampy ohatra). Satam-piarovana: Tsy mampanahy.

262

Page 11: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1d

1c

1a

1b

Page 12: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Uroplatus cf. henkeli, Tsingin’i Bemaraha

Page 13: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy
Page 14: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Chamaeleonidae GRAY, 1825Madagasikara no ivon’ny fahasamihafan’ity fi anakaviana tranainy eran-tany sy manintona ity. Efa ho ny antsasaky ny karazana tana, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny farany kely misy eran’izao tontolo izao no tsy hita raha tsy eto. Mampiseho fahafahana miaina eny ambony hazo ny tana: niova tahaka ny tandramokotra ny rantsam-batana mba hamikirany amin’ny hazo; ratsan-tanana roa ny ivelany ary telo ny anatiny; fa mifamadika amin’izany kosa ny amin’ny tongotra satria roa ny anatiny ary telo ny ivelany. Manampy azy amin’ny fi fi kirany koa ny rambo izay afaka manampy ny tanana, nefa mety mihorona tahaka ny sifotra io indraindray. Tena miadana ny fi hetsehany rehefa tsy voakotaba ary mazàna mihilangilana ny fandehany. Ka izany no mahasarotra ny fahitan’ny mpihaza (indrindra ny vorona) azy rehefa any anaty ravin-kazo izy. Saronan’ny hodimaso ny maso. Mampalaza azy ny fananany maso roa izay tsy mifampiankina ny fi hetsiny, ka afaka mijery amin’ny toerana rehetra izy na tsy mihetsika aza ny loha. Fa miara-mijery kosa ireo maso ireo mandritra ny fotoana fi hazana. Afaka misambotra bibikely mipetraka eny amin’ny toerana lavitra izy noho ny lelany lava be. Mavitrika mandritra ny andro ny tana amin’ny ankapobeny. Tsy mitovy amin’ny karazana afrikana ny tana Malagasy noho izy ireo manatody daholo. Miaina tokana ry zareo amin’ny ankapobeny, afa-tsy amin’ny fotoam-panarahana ihany. Ny fi hetsika mifandrafy dia tena hita na dia samy mitovy karazana aza. Rehefa mifankahita ny roa, indrindra ny lahy dia miova ny lokony mandritra ny segondra vitsy; io fi ovan-doko io dia mety ampiasaina kokoa ho tahaka ny fi resahana amin’ny fi fankahitana fa tsy amin’ny fanarahana ny lokon’ny manodidina. Anisan’ny fomba ampiasain’ny lahy isintonana ny vavy ny fi hetsehan’ny loha (nasehon’i Calumma brevicorne, C. nasutum, C. parsonii, C. gastrotaenia, Furcifer willsii). Misy karazana manana fi arovan-katoka (oh: . C. brevicorne) misokatra rehefa misy fahaporetana na misari-zoro amin’ny vavy izy, matetika ataony miaraka amin’ny fi bontsinan’ny kitapon-tenda izany. Telo no taranaka fantatra eto Madagasikara: Brookesia sy Calumma ary Furcifer.

Taranaka Brookesia GRAY, 1865Ity taranaka mandrafi tra ny fototra araka ny fi sandrahan-taranaka ity dia ahitana ny kely sy ny tena kely indrindra (ea. 30-110 mm ny tontalin’ny halavany), miaraka amin’ny loko saro-pantarina indraindray manopy volontakatra, ary tsy dia afaka miova loko loatra ry zareo. Hafa noho ny vavy noho ny rambo lava kokoa ny lahy, fa amin’ity taranaka ity, ny vavy dia lehibe kokoa matetika. Ny ankabeazan’ny karazana Brookesia dia miaina any anaty fakon-dravina anaty ala mandritra ny andro ary miteronterona amin’ny ratsan-kazo rehefa maizina ny andro. Tsy lava loatra ny rambo ary tsy dia afaka mandrazona fi ry, fa matetika manondro ambany foana ny tendrony ka mikasoka amin’ny tany rehefa mandady izy ary ampiasainy tahaka ny “tongotra fahadimy”. Betsaka ny karazana manana bontsina maranitra na tsilo, indrindra amin’ny faritry ny hazon-damosina. Manatody ny Brookesia, fohy kokoa noho ny an’ny tana lehibe ny fotoana ikotrehan’ny atody (fa mitovy aminy an’ny tana kely tahaka ny an’ny C. nasutum). Betsaka ireo karazana fomba fi arovan-tena samy hafa voadinika.

1. Brookesia nasus BOULENGER, 1887Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Ambalamarovandana, Andohahela, Andrambovato, Andringitra, Eminiminy, Ikongo, Ivohibe, Manambolo, Ranomafana, Tolagnaro, Vinanitelo, Vohiparara, Manjarivolo (ssp. pauliani). Sary avy any: Andohahela (1a, lahy; 1c; vavy), Vohiparara (1b, lahy).

Rakolaka fi saka ny vatana. Famaritana: Mahatratra 49 mm ny HLV-n’ny lahy ary 87 mm ny TH, ny vavy mahatratra 49 HLV ary 66 mm ny TH. Fisaka amin’ny andilany ny vatana. Misy tsipika mivoitra iray amin’ny lamosina ary tsy misy bontsina maranitra mifanesisesy ny vatana sy ny rambo. Tsy misy takelaka amin’ny foto-drambo. Lava ny fari-bava ary ahitana bontsina roa maranitra ny tendron’ny molotra. Tsy mitodika any aoriana ny sanga. Misy laharana bontsina roa ny lamosin’ny lahy, izay manome karazan’onja amin’ny lamosina raha jerena avy amin’ny andilany (tsy misy ny vavy). Volontakatra manopy mavo mankany amin’ny volontakatra ny lahy, matetika misy tsipika volontakatra antitra ny andilany. Mety ho volontakatra ny vavy amin’ny ankapobeny, fa indraindray manopy mavo sady misy tsipika sy pentina volontakatra tahaka ny fakon-dravina. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando any atsimo atsinanan’ny Nosy no ahitana azy. Miteronterona eny amin’ny rantsan-kazo 0,6-3 m miala amin’ny tany amin’ny alina. Nisy lahy nobaben’ny vavy hita tamin’ny alin’ny volana martsa. Fiovaovany: B. nasus pauliani dia nofaritana tany amin’ny ala an-tendrombohitr’Andringitra (haabo 1620 -1650 m) ary ny mampiavaka ity karazana ity dia ny tsy fi sian’ny laharana bontsina roa amin’ny tampon-damosin’ny lahy sy ny loko mifangaro. Mirefy 27-27,5 mm ny HLV ary 42,5-45 mm ny TH-n’ny lahy roa fantatra. Mila fanamafi sana ny maha-marimpototra an’io zana-karazana io. Karazana mitovy: B. lolontany ihany no manana bontsina maranitra tokana an-tendron’ny molotra ary mitodika any aoriana tanteraka ny takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy mitovy loatra amin’ny Brookesia hafa ny bikan’i B. nasus sy B. lolontany.

2. Brookesia lolontany RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1995Toerana nahitana azy: Tsaratanana (Farihy Matsabory). Tsy misy sary.

Lolontany. Famaritana: Tsy fantatra ny lahy fa mirefy 28-32 mm ny HLV-n’ny vavy roa fantatra (43-50 mm ny TH). Fisaka amin’ny andilany ny vatana. Mivoitra ny tsipika amin’ny tampon’ny lamosina, fa tsy ahitana bontsina maranitra mifanesisesy ny vatana sy ny rambo. Tsy misy takelaka amin’ny foto-drambo. Lava ny molotra miaraka amin’ny bontsina iray maranitra ny tendrony. Mitodika any aoriana ny takelaka amin’ny foto-drambo. Volontakatra ny loko miaraka amin’ny tsipika mitsivalana volontakatra miala eo amin’ny maso mankany amin’ny sisin’ny vava sy tsipika volontakatra amin’ny andilany. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando sy ny alam-bolotara any avaratry ny Nosy no misy azy. Hita niteronterona teny amin’ny rantsan-kazo sy ravin-kazo 0,5-0,7 m miala amin’ny tany ireo santionana roa fantatra. Karazana mitovy: Jereo ny B. nasus.

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: BrookesiaBrookesia

266

1 2

Page 15: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

1c1b

Furcifer verrucosus, maso roa tsy mifampiankina ny fi jeriny

Calumma cucullatum, rantsana misari-tandra

Furcifer pardalis, mihaza amin’ny alalan’ny lelany lava be

Page 16: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: BrookesiaBrookesia

1. Brookesia minima BOETTGER, 1893Toerana nahitana azy: Nosy Be (Lokobe), alan’i Manarikoba, Manongarivo. Sary avy any: Manongarivo.

Rakolaka kely. Famaritana: Anisan’ny kely indrindra amin’ny Reptilia fantatra eran-tany. Mirefy 15-18 mm ny HLV-n’ny lahy (26-30 mm ny TH), ary 16-21 mm ny HLV-n’ny vavy (26-34 mm ny TH). Mahia ny vatana ary misy rantsam-batana kely, tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Tsy misy bontsina miavaka ny vatana sy ny rambo ary kely ny tsilo ambony mason’ny lahy. Tsy manana takelaka sy tsilo amin’ny foto-drambo izy. Volontakatra manopy mavo ny lamosina sy ny tapany aorianan’ny andilany, ary volontakatra antitra ny tapany aloha fa mety na tsy ahitana tsipika matroka ny andilany. Fomba fi ainany: Monina eny amin’ny fakon-dravina any amin’ny ala mando, any amin’ny faritr”i Sambirano amin’ny haabo iva. Ny lahy manao fi raisana dia miakatra eo an-damosin’ny vavy ary babeny. Betsaka ny mpivady hita teo anelanelan’ny faran’ny volana janoary sy ny fanombohan’ny volana febroary. Mirefy 2,5 x 1,5 mm ny atody vao latsaka ary 14,5-15,5 mm ny zanany vao foy. Manana fomba fi arovan-tena mody maty izy. Karazana mitovy: Ireo karazana hafa rehetra ao anatin’ny antokon’ny B. minima.

2. Brookesia dentata MOCQUARD, 1900Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Maevatanana. Sary avy any: Ankarafantsika (nalain’i A. Mori).

Rakolak’i Boina. Famaritana: Tsy fantatra mazava fa mahatratra 43 mm ny TH. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina roa ny tapany alohan’ny riran’ny lamosina. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo, fa misy tsilo amin’ny foto-drambo. Mety mitovy amin’ireo karazana hafa ao anatin’ny antokon’ny B. minima ny lokony. Fomba fi ainany: Miaina eny amin’ny fakon-dravina any anaty ala maina mihitsan-dravina angamba. Karazana mitovy: B. exarmata izay manana bontsina iray fanampiny amin’ny tapany ambanin’ny vatana. Jereo koa ny B. ramanantsoai. Fanamarihana: Mila fanitsiana ny fanomezana anarana sy ny maha izy azy.

3. Brookesia ramanantsoai BRYGOO & DOMERGUE, 1975

Toerana nahitana azy: Ambohiboatavo, Andasibe, Mandraka. Sary avy any: Mandraka sy ny manodidina (santionana avy tamin’ireo mpanamgom-biby).

Rakolak’i Ramanantsoa. Famaritana: Tsy fantatra mazava, mahatratra 44 mm ny TH. Tsy manana tsipika mivoitra amin’ny lamosina. Misy bontsina roa ny tapany aloha ny riran’ny lamosina. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo, fa misy tsilo amin’ny foto-drambo. Volontakatra tanora ny loko. Fomba fi ainany: Miaina eny amin’ny fakon-dravina anaty ala mando manana haabo salatsalany sy ny ala simba (hatramin’ny kininina). Milatsaka avy eny ambony rantsan-kazo ary tsy mihetsika fa mody maty ary mangovitra ny vatana rehefa voakotaba. Karazana mitovy: Sarotra ny manavaka azy amin’i B. dentata arak’toe-batana. Fanamarihana: Heverin’ny mpikaroka sasany fa zandriny arak’endrika amin’ny B. dentata izy, nefa mifanalavitra izy roa ireo raha ny ara-tarazo no jerena.

4. Brookesia peyrierasi BRYGOO & DOMERGUE, 1975Toerana nahitana azy: Anandrivola, Masoala, Nosy Mangabe. Sary avy any: Nosy Mangabe (4a, lahy; 4b, vavy).

Rakolak’i Nosy Mangabe. Famaritana: Mirefy 20-22 mm HLV-n’ny lahy (35-40 mm ny TH) ary 19-27 mm HLV-n’ny vavy (32-44 mm ny TH). Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina miavaka ny vatana, kely ny tsilo ambony maso amin’ny lahy. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo, fa misy tsilo amin’ny foto-drambo indraindray. Volontakatra tanora na volontakatra ny lokony, fa misy pentina volondavenona. Fomba fi ainany: Fahita any amin’ny fakon-dravina anaty ala mando ao Nosy Mangabe. Nisy mpivady nanao fi raisana sy vavy bevohoka hita tamin’ny fi zaran-taona samihafa (jona ary oktobra hatramin’ny desambra). Manana fomba fi arovan-tena (tahaka an’ny B. minima) izy rehefa voakotaba: aforony ao ambany kibo ny tongony dia mikodiadia izy ary tsy mihetsika avy eo, ka tahaka ny fakon-dravina. Karazana mitovy: Ireo karazana hafa rehetra ao anatin’ny antokon’ny B. minima.

5. Brookesia tuberculata MOCQUARD, 1900Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre (5a, 5b: lahy).

Rakolaka madinika. Famaritana: Anisan’ny karazana kely indrindra amin’ny Reptilia (sy ny Amniota) eran’izao tontolo izao tahaka ny B. minima izy. Mirefy 14-19 mm ny HLV-n’ny lahy (25-35 mm ny TH), ary 19 mm ny an’ny hany vavy (30 mm ny TH) tokana fantatra. Ny fandinihana vao haingana dia mampiseho fa lehibe kokoa noho ny lahy ny vavy. Matavitavy ny vatana fa mahia ny rantsam-batana. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina sady tsy misy bontsina miavaka amin’ny vatana. Mivoitra ny tsilo ambony mason’ny lahy ary tsy misy fi arovana sy tsilo amin’ny foto-drambo. Volontakatra manopy mavo na volontakatra ny lokony. Fomba fi ainany: Tena fahita any amin’ny ala mando ao Montagne d’Ambre izay manana haabo manodidina ny 1000 m amin’ny fahavaratra. Mavitrika eny amin’ny fakon-dravina na rantsan-kazo kely santimetatra vitsivitsy miala amin’ny tany mandritra ny andro. Miteronterona eny amin’ny rantsan-kazo 5-15 sm amin’ny alina. Raha oharina amin’ny ankamaroan’ny karazana hafa ao anatin’ny antokon’ny B. minima izay mifandanja ny isan’ny lahy sy vavy, ny a n k a b e a z a n ’ n y santionana amin’ny B. tuberculata dia lahy. Tsy mbola nahitana mpivady nanao fi raisana na lahy nobaben’ny vavy. Karazana mitovy: Ireo karazana hafa rehetra ao anatin’ny antokon’ny B. minima.

268

21

43 5

Page 17: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

4a

5a

1

3

4b

5b

Page 18: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: BrookesiaBrookesia

1. Brookesia exarmata SCHIMMENTI & JESU, 1996Toerana nahitana azy: Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Tsingin’i Bemaraha.

Ramilaheloka malama. Famaritana: Mirefy 18,4 mm ny HLV sy 33,5 mm ny TH ny lahy tokana fantatra ary ny vavy 5 dia HLV 21,4-25,0 mm (35,2-42,9 mm ny TH). Milanja 0,2-0,5 g ny velona. Tsy misy rirany ny lamosina, Misy bontsina roa ny tapany aloha amin’ny sisin’ny lamosina ary roa hafa koa ny tapany ambany. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo, fa misy tsilo amin’ny foto-drambo. Misy bontsina boribory betsaka amin’ny vatana. Volondavenona manopy volontakatra ranoray ny lokony. Manopy fotsy ny tehezana sy ny bontsina amin’ny rantsam-batana. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mikitroka somary mando izay maniry ambony vato sokay no misy azy. Santionana vitsy no hita tamin’ny fakon-dravina mandritra ny andro, fa niteronterona eny ambony ratsan-kazo sy tahon-kazo kely 20-30 sm miala amin’ny tany ny ankamaroany amin’ny alina. Miara-monina akaiky amin’ny B. perarmata sy B. brygooi ny B. exarmata. Lava ny lelany ka ahafahany misambotra haza 50 mm na mihoatra miala ny vavany izy. Manana fomba fi arovan-tena miavaka, mody maty izy ireo rehefa voakitika. Nisy mpivady nanao fi raisana tamin’ny 28 janoary. Nanatody 2 teo amin’ny fakon-dravina ny vavy iray nosamborina ny 19 febroary, lehibe ny atody (8 x 14 mm) raha oharina amin’ny haben’ilay biby. Telo volana ny fotoam-pahavelomana lava indrindra ho an’ireo lehibe 6 nompiana. Karazana mitovy: Jereo ny B. dentata sy B. ramanantsoai.

2. Brookesia sp. “Montagne des Français”Toerana nahitana azy: Ankarana, Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français.

Famaritana: Mirefy 17-21,5 mm ny HLV-n’ny lehibe (30-33 mm ny TH). Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina mifanesisesy amin’ny sisin’ny lamosina. Tsy manana fi arovana fa misy tsilo amin’ny foto-drambo. Misy bontsina boribory vaventy manao laharan-droa ny tehezana amin’ny ankapobeny. Volondavenona tanora mankany amin’ny volontakatra ny lokony. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala maina maniry misy vato sokay. Niteronterona eny amin’ny rantsan-kazo 10-50 sm miala amin’ny tany amin’ny alina ny ankamaroany. Karazana mitovy: Ireo karazana madinika hafa ao anatin’ny antokon’ny B. minima.

3. Brookesia karchei BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1970

Toerana nahitana azy: Marojejy. Sary avy any: Marojejy (3a, vavy; 3b, lahy).

Rakolaka rambo tsilo. Famaritana: Mirefy 27-30 mm ny HLV-n’ny lahy roa (50-52 mm ny TH), ary 23-24 mm ny an’ny vavy roa (35-37 mm ny TH) voalaza fa anisan’ity karazana ity. Kely kokoa noho ny lahy ireo vavy ireo raha ampitahaina amin’ny ankamaroan’ny Brookesia karazana hafa rehetra, ary mampisalasala ny maha ity karazana ity azy ireo. Mahia ny vatana ary tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Ahitana bontsina mifanesisesy 12-13 amin’ny riran-damosin’ny vatana (tsy dia mivoatra loatra ny sasany), tsy misy bontsina ny rambo. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo izy. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lava-body ary tsy misy tsilo ny saoka.

Misy tandroka lehibe ambonin’ny orona sy ambonin’ny maso. Fomba fi ainany: Hita tao anaty fakon-dravina any ala mando amin’ny haabo salatsalany. Karazana mitovy: Amin’ny lahy ny B. thieli sy B. lambertoni ary B. ebenaui ny bontsina mifanesisesy amin’ny riran-damosina dia mitohy hatrany amin’ny rambo.

4. Brookesia sp. aff. karchei “Ambre”Toerana nahitana azy: Foret d’Ambre. Sary avy any: Foret d’Ambre.

Famaritana: Mitontaly 40 mm ny halavan’ireo lahy. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina mifanesisesy 13 ny riran-damosina amin’nv vatana (tsy dia mivoatra loatra ny sasany), fa tsy misy bontsina ny rambo. Tsy misy takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe maranitra manodidina ny lava-body ary tsy misy tsilo ny saoka. Misy tandroka lehibe eo ambonin’ny orona, fa tsy misy tandroka lehibe miavaka ambonin’ny maso. Volontakatra manopy mavo ranoray mankany amin’ny volontakatra ny lokony. Mety ahitana tsipika mazava ny lamosina. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala somary mando amin’ny haabo iva anaty alan’i Ambre; izay ahitana azy any amin’ny ala mikitroka sy ala misy fahasimbana be, eny fa na dia any amin’ny alan’akondro koa aza. Tena betsaka rehefa amin’ny fahavaratra. Ny santionana rehetra dia niteronterona eny amin’ny rantsan-kazo 0,2-1,8 m miala amin’ny tany. Karazana mitovy: B. karchei izay lehibe kokoa ary manana tandroka tena lehibe ambonin’ny maso.

5. Brookesia sp. “Nosy Hara” Toerana nahitana azy: Nosy Hara. Sary avy any: Nosy Hara.

Famaritana: Karazana tena madinika, sady foy ny rambony, tontalin’ny halavany kely noho ny 30 mm. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Volontakatra ny loko, fa matetika volomboasary ny rambo. Misy tsipika manopy fotsy aoriana sy ny rambo rehefa misy fahaporetana izy. Fomba fi ainany: Miaina any amin’ny ala maina ambony vato sokay. Hita niteronterona teny amin’ny rantsan-kazo 10-20 sm miala amin’ny tany ny ankamaroany amin’ny alina. Karazana mitovy: Ireo karazana kely hafa ao anatin’ny antokon’ny B. minima.

270

21

43 5

Page 19: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2b

3a

4

2a1

3b

5

Page 20: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Brookesia brygooi RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1995Toerana nahitana azy: Ampijoroa, Analavelona, Andafi abe, Ankarafantsika, Antsalova, Isalo, Kasije, Kirindy, Sainte Marie any Marovoay, Sakaraha, Tsingin’i Bemaraha, alan’i Vohibasia. Sary avy any: Ankarafantsika (1a), Kirindy (1b), Isalo (1c).

Rakolaka tandrefana. Famaritana: Mirefy 42-48 mm ny HLV-n’ny lahy (68-81 mm ny TH) ary 46-52 mm ny an’ny vavy (74-80 mm ny TH). Tsy manana tsipika mivoitra amin’ny lamosina izy. Misy bontsina 10 maranitra sy mivoatra tsara ary mifanesisesy ny sisin’ny lamosina, mazana tsy misy bontsina mifanesisesy ny rambo. Manana takelaka amin’ny foto-drambo miavaka tsara izy. Ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody ary tsy misy tsilo ny saoka. Ahitana tandroka mivoitra ambonin’ny orona. Volontakatra manopy mavo mankany amin’ny volontakatra ny lamosina sy ny sisin’ny lamosina, fa matetika mihamatroka ny sisin’ny kibo. Fomba fi ainany: Miaina any amin’ny ala maina mihitsan-dravina. Niteronterona eny amin’ny zava-maniry ambany toerana ny ankabeazany amin’ny alina ary nidina teny amin’ny fakon-dravina mandritry ny andro. Nisy nanao fi raisana nodinihana tamin’ny volana novambra, fa tsy azo antoka loatra hoe B. brygooi izy ireo. Mety manome vondron’atody hatramin’ny in-efatra ny vavy ompiana. Ny fi sariana zoro dia manomboka amin’ny fi hetsehana tampoka, arahina tsy fi hetsehana na manohy mihetsika moramora izay manomboka andro vitsivitsy alohan’ny hanaovana fi raisana (amin’ny takariva matetika). Nanatody 2-5 tao anaty hodi-kazo na volon-kazo na fakon-dravina sns, na (mahalana) ambanin’ny tany mando nilevina 1-3 sm, ny vavy 40 andro taorian’ny fi raisana. Foy afaka 52-71 andro ny zanany amin’ny hafanana mirefy 22-24°C mandritra ny andro fa somary mangatsiaka kosa amin’ny alina. Mirefy 22 mm ny TH ny zanany ary mety maoty afaka herin-taona. Mody maty izy rehefa voakotaba, ary hita miaraka amin’izany ny fi kipin’ny maso, ny fahatoranana ary ny fangovitan’ny vatana. Karazana mitovy: Hita any amin’ny ala mando atsinanana ny ankamaroan’ireo karazana mitovy.

2. Brookesia decaryi ANGEL, 1838Toerana nahitana azy: Ankarafantsika. Sary avy any: Ankarafantsika.

Ramalahelon’Ankarafantsika. Famaritana: Mirefy 63-80 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy, ary somary kely kokoa noho ny vavy. Karazana vaventy ary fohy rambo. Tsy manana tsipika mivoitra amin’ny lamosina. Misy bontsina maranitra sy mivoatra tsara ary mifanesisesy 10 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy hatramin’ny antsasakin’ny rambo. Misy takelaka amin’ny foto-drambo miavaka tsara. Ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lava-body ary tsy misy tsilo ny saoka. Miovaova ny lokony. Volontakatra manopy mavo na volontakatra tanora ny lamosina amin’ny ankapobeny. Volontakatra antitra ny sisin’ny loha, ny tapany ambanin’ny tehezana sy ny sisin’ny valahana ary ny ampahan’ny rantsam-batana izay volontakatra antitra. Miavaka ny loko indraindray noho ny fi sian’ny faritra misoratsoratra manopy fotsy na volontakatra manopy mavo na volontakatra antitra izay tahaka ny ravin-kazo. Ahitana pentina manopy mainty 2 ny loha sy ny lamosina indraindray. Fomba fi ainany: Hita any anaty ala maina mihitsan-dravina. Ny lahy misarizoro amin’ny vavy dia mampihetsiketsika ny loha tany amin’ny toeram-piompiana. Miakatra eo aminy lamosin’ny vavy ora maromaro alohan’ny fi raisana ny lahy ary dia babeny ora maromaro. Nanatody 2-5 afaka 30 andro eo ho eo taorian’ny fi raisana ny vavy, tsy fantatra ny fahafoizan’ny atody. Misary maty izy rehefa voakotaba, ka hita amin’izany ny fahatoranana sy ny fangovitany ary ny fi fi sahan’ny vatana. Karazana mitovy: B. bonsi izay mitohy hatrany amin’ny rambo ireo bontsina maranitra mifanesisesy amin’ny sisin’ny lamosina.

3. Brookesia bonsi RAMANANTSOA, 1980Toerana nahitana azy: Tsingin’i Namoroka. Tsy misy sary.

Ramalahelo tandrefana. Famaritana: Tontalin’ny halavana: 59-61 mm. Mitovy amin’ny B. decaryi ny toe-batany amin’ny ankapobeny. Tsy manana tsipika ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 10 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy manaraka ny halavan’ny rambo. Manana takelaka amin’ny foto-drambo miavaka tsara izy. Misy bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Volondavenona manopy volontakatra ny lokony fa misy pentina mainty ny loha sy anelanelan’ny bontsina maranitra miara-droa maromaro amin’ny sisin’ny lamosina. Fomba fi ainany: Nosamborina teny amin’ny tany tamin’ny toerana be vato sokay. Karazana mitovy: Jereo ny B. decaryi.

4. Brookesia perarmata (ANGEL, 1933)Toerana nahitana azy: Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Santionana ompiana izay tsy fantatra loatra ny toerana niaviany (4a, 4c), Tsingin’i Bemaraha (4b).

Rakolaka vaventy. Famaritana: Karazana vaventy sady be tsilo ka miavaka. miaraka amin’ny tontalin’ny halava 110 mm sady manana sanga lehibe izy. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy kirana mankadiry sy henjana tahaka ny ravin-kazo boribory mifanakaiky sady marani-doha manaraka ny tehezana. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo. Miavaka ny lehibe noho ny loha manopy mavo sy ny vatana volontakatra, fa indraindray volontakatra tanora ranoray (indrindra ny zanany). Tsy dia miavaka sady tsy be tsilo loatra ny zanany kely. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mikitroka sy ny ala maina somary simba sy maniry ambony vato sokay izy. Niteronterona eny amin’ny rantsan-kazo ny ankamaroany amin’ny alina (ny zanany hita ny volana martsa). Tsy mitovy ny habetsahany isaky ny toerana. Tena manintona ny tsenam-biby iraisam-pirenena ity karazana iray ity ary mety ho ao amin’ny Valan-javaboaharin’ny Tsingin’i Bemaraha izy. Mety ho lany tamingana izy raha kely ny toera-ponenany sy ny fanany lanja amin’ny varotra iraisam-pirenena no jerena. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny lehibe fa ny zanany kosa no mety hifangaro amin’ny B. brygooi.

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: BrookesiaBrookesia

272

43

1 2

Page 21: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4b

1c

4a

4c

1a 1b

2

Page 22: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: BrookesiaBrookesia

1. Brookesia superciliaris (KUHL, 1820)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Ambatond’Radama, Ambohitsara, Ampasimpotsy, Analamazoatra, Anandrivola, Andasibe, Andringitra, Ankeniheny, Fito, Fotsialana, Iaraka, Ifanadiana, Ikongo, Imaloka, Ivohibe, Karianga, Lokomby, Mahanoro, Mangabe, Mangevo (Ranomafana), Marojejy, Midongy du Sud, Moramanga, Nosy Boraha, Ranomafana, Rantabe, Tampolo, Toamasina. Sary avy any: Ankeniheny (1a, 1c), Ranomafana (1b).

Rakolaka tatsinanana. Famaritana: Mirefy 40-53 mm ny HLV-n’ny lahy (67-95 mm ny TH) ary 35-52 mm ny an’ny vavy (59-85 mm ny TH). Voalaza fa nahatratra 120 ny TH ny santionana avy any Masoala. Karazana manana tsipika mahitsy amin’ny lamosina sy tandroka ambony maso mivoitra, nefa samy hafa ny habeny ao anatin’ny andiany. Misy bontsina maranitra sy mivoatra tsara mifanesisesy 10-11 ny sisin’ny lamosina, izay tsy mitohy any amin’ny rambo. Mazàna ahitana tsilo maranitra 4-6 ny saoka. Malama ihany sady mitovy tantana ny hoditra. Miovaova ny lokon-damosina, manomboka amin’ny volontakatra manopy mavo ranoray mankany amin’ny volontakatra antitra, misy soritra sy pentina mazava na matroka. Fomba fi ainany: Karazana fahita any amin’ny ny haab salatsalany any amin’ny ala mando atsinana izy. Matetika hita eny amin’ny tany mandritra ny andro sy miteronterona eny amin’ny zava-maniry ambany toerana amin’ny alina. Mety miara-miteronterona mifanakaiky tsiroaroa ny lahy sy vavy rehefa fahavaratra. Betsaka ny fomba fi arovan-tena ampiasainy fantatra: fandosirana, mody maty, fanosehana amin’ny tsilony, fangovitan’ny vatana haingana be. 2-5 ny atody latsaka afaka 30-45 andro taorian’ny fi raisany tany amin’ny toeram-piompiana. Nahatratra 59-70 andro ny nikotrehana ireo atody ireo ary nirefy 18-22 mm ny TH ny zanany vao foy. Karazana mitovy: B. therezieni fa mitohy hatrany amin’ny rambo ireo bontsina maranitra mifanesisesy amin’ny sisin’ny lamosina ary tsy mitovy tantana ny hoditra. Fanamarihana: Mila fanitsiana ny fanomezana anarana ny B. superciliaris.

2. Brookesia therezieni BRYGOO & DOMERGUE, 1970Toerana nahitana azy: An’Ala, Andasibe, Anjanaharibe, Ankeniheny, Imerimandroso, Mantadia. Sary avy any: Ankeniheny.

Rakolaky ny avaratra atsinanana. Famaritana: Mirefy 41-52 mm ny HLV-n’ny lahy (71-90 mm ny TH) ary 42 mm ny an’ny vavy (68 mm ny TH). Tsipika mivoitra mahitsy ny ao an-damosina ary misy tandroka ambony maso mivoitra. Misy bontsina maranitra sy mivoatra tsara ary mifanesisesy 10-11 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy any amin’ny rambo. Ahitana tsilo maranitra ny saoka. Tsy mitovy tantana loatra ny hodiny. Tsy mazava ny lokon-damosina, fa angamba tsy mifanalavitra loatra aminy an’ny B. superciliaris. Mety hisy tsipika mazava ny faritry ny hazon-damosina. Fomba fi ainany: Tsy fantatra loatra, fa angamba mitovy aminy an’ny B. superciliaris. Any amin’ny ala mando manana haabo salatsalany no misy azy. Karazana mitovy: Jereo ny B. superciliaris.

3. Brookesia ebenaui BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1970

Toerana nahitana azy: Antsiranana, Lokobe, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be. Sary avy any: Nosy Be.

Rakolaka be tsilo. Famaritana: Mirefy 51-69 mm ny TH. Karazana somary be tsilo ihany fa tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra sy mivoatra tsara ary mifanesisesy 10 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy hatrany amin’ny rambo. Tsy misy fi arovana fotodrambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody

ary tsy misy tsilo ny saoka. Misy tsilo mivoitra ambonin’ny orona sy ny maso. Tsy mitovy tantana loatra ny hoditra, fa tahaka ny hodi-kazo. Manopy volondavenona volontakatra ny lamosina ary ahitana pentina manome sarin’ny hodi-kazo. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany ny ankabeazany, ary any amin’ny ala maina koa. Karazana mpihani-kazo kokoa miohatra amin’ireo Brookesia hafa rehetra izy ary angamba izy irery ihany no karazana mpihani-kazo mandritra ny andro. Indraindray miteronterona eny amin’ny zava-maniry ambany toerana eo amin’ny 50-80 sm miala amin’ny tany amin’ny alina, fa metika hita eny amin’ny 2-3 m. Betsaka ny fomba fi arovan-tena voadinika: Mihinjitra rehefa tazonina ary tsy miezaka ny hilefa (fomba tsy mihetsika). Mangovitra mandritra ny fotoana latsaky ny iray segondra ny vatana rehefa fi hinina moramora. Mbola misy fomba hafa ihany koa rehefa fi hinina mafy kokoa. Raha mampihetsika ny vatana amin’ny fangovitan’ny tehezana, ny tsilo amin’ny sisin’ny lamosina dia voatsosika mafy any ivelany. Miaina mandritra ny 7,5 taona ny vavy iray. Karazana mitovy: B. thieli sy B. lambertoni izay manana tandroka ambony orona tsy mivoatra kokoa.

4. Brookesia valerieae RAXWORTHY, 1991Toerana nahitana azy: Manongarivo. Tsy misy sary.

Rakolak’i Manongarivo. Famaritana: Mirefy 46 mm ny HLV-n’ny vavy “santionana nofaritana” ary 83 mm ny TH raha toa ka 46-53 mm ny HLV-n’ny santionana taty aoriana. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 9-10 ny sisin’ny lamosina, izay tsy miavaka loatra amin’ny rambo. Ny takelaka amin’ny foto-drambo dia tsy miavaka loatra. Tsy misy bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lava-body. Maranitra ny tandroka ambony orona (fa tsy mandroso mihoatra ny orona). Volomboasary manopy volontakatra ny lokony amin’ny ankapobeny, fa misy tsipika marani-doha mankany aloha sy tsipika misandrahaka manodididna ny maso. Fomba fi ainany: Santionana maro no hita volana febroary sy martsa (fahavaratra), miteronterona eny amin’ny zava-maniry anaty ala mikitroka amin’ny alina. Betsaka ny fomba fi arovan-tena voadinika tamin’ny “santionana nofaritana”. Karazana mitovy: B. ambreensis izay manana bontsina maranitra 11 amin’ny sisin’ny lamosina sy tandroka ambony maso boribory.

274

21

43

Page 23: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

1b1a

3

Page 24: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: BrookesiaBrookesia

1. Brookesia ambreensis RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1995

Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre. Rakolak’i Ambra. Famaritana: Mirefy 44-52 mm ny HLV-n’ny lahy (76-92 mm ny TH) ary 52-55 mm ny an’ny vavy (85-94 mm ny TH). Tsy tsipika amin’ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 12 (na 11) ny sisin’ny lamosina, izay tsy mi-tohy any amin’ny rambo. Tsy mazava tsara ny takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra mano-didina ny lavabody. Tsy misy na vitsy ny bontsina maranitra amin’ny tenda. Boribory ny tandroka ambony maso. Volontakatra ny lamosina amin’ny ankapobeny. Ahitana tsipika volontakatra antitra misandrahaka eo amin’ny maso mankany amin’ny sisin’ny faritry ny loha. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando mikitroka, mazàna eny amin’ny fakon-dravina mandritra ny andro na amin’ny alina miteronterona eny amin’ny zava-maniry 50-150 sm miala amin’ny tany amin’ny alina. Fahita matetika ihany amin’ny fahavaratra. Manatody tokana ny vavy rehefa ompiana, arahina iray hafa koa afaka andro vitsivitsy. Tahaka ny maty izy rehefa voakotaba. Karazana mitovy: Jereo ny B. valerieae.

2. Brookesia antakarana RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1995

Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre.

Rakolaka Antakarana. Famaritana: Mirefy 45-52 mm ny HLV-n’ny lahy (75-89 mm ny TH) ary 45-58 mm ny an’ny vavy (73-99 mm ny TH). Tsy tsipika ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 12-13 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy any amin’ny rambo. Manana takelaka amin’ny foto-drambo marolafy tahaka ny diamondra na sokera. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Volontakatra ny lamosina ary misy tsipika marani-doha volontakatra antitra mitodika any aloha. Fomba fi ainany: Tena monina tanteraka anaty ala mando. Miteronterona amin’ny rantsan-kazo sy ravin-kazo 0,25-1,5 m miala amin’ny tany ny ankabeazany amin’ny alina. Mazàna hita amin’ny tany somary ambony toerana mandritra ny andro. Manatody 3-5 (matetika 4) ny vavy, 35-40 andro aorian’ny fi raisana. Mety miverina miray indray izy afaka 5-10 andro taorian’ny nanatodizana. Tsy alevina anaty lavaka ny atody ary foy ireo afaka 70 andro amin’ny hafanana 16-22°C. Misary maty izy rehefa voakotaba ary mety mangovitra raha voakasika. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny toetran’ny takelaka amin’ny foto-drambo.

3. Brookesia griveaudi BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1974

Toerana nahitana azy: Masoala, Antalaha, Fanano, Maroantsetra, Marojejy, Sambava, Tsararano. Sary avy any: Marojejy.

Rakolak’i Marojejy. Famaritana: Iray amin’ireo karazana vaventy indrindra (86-99 mm ny TH). Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 9-10 ny sisin’ny lamosina, izay tsy mitohy any amin’ny rambo. Miavaka tsara ny takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Maranitra ny tandroka ambony maso. Mety ho volontakatra ranoray ny lamosina. Fomba fi ainany: Fahita matetika any amin’ny ala mando amin’ny haabo iva any avaratra antsinanana, Mipetraka anaty fakon-dravina mandritra ny andro. Nanatody 4 (17 x 8 mm) ny vavy iray nompiana (86 mm ny TH) tamin’ny volana janoary. Karazana mitovy: B. stumpffi izay manana tandroka boribory ambony maso.

4. Brookesia stumpffi BOETTGER, 1894Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambilobe, Ambonitely, Andoany, Andrafi amena, Anivorano Avaratra, Ankarafantsika, Antsiranana, Antsohihy, Benavony, alan’i Berara, Ianzamaly, Iharana, Katsepy, Lokobe, Manongarivo, Menabe, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Komba, Nosy Sakatia, Orangea, Sainte Marie any Marovoay, Soalala. Sary avy any: Nosy Be.

Rakolaka bory tandroka. Famaritana: Mirefy 81-93 mm ny TH. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 9-10 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy any amin’ny rambo. Miavaka tsara ny takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Boribory ny tandroka ambony maso. Mety ho volontakatra tanora ranoray ny lamosina. Fomba fi ainany: Fahita matetika any amin’ny ala mando sy ny ala maina ary ny ala misy fahasimbana. Hita amin’ny tany mandritra ny andro ary eny amin’ny 30-80 sm miala amin’ny tany amin’ny alina. Betsaka ireo karazana fomba fi arovan-tena voadinika. Manatody 2-5 (14 x 8-10 mm) anaty tany ny vavy, 40 andro aorian’ny fi raisana. Mirefy 32-33 mm ny TH-n’ny zanany foy afaka 29-60 sy 67-68 andro amin’ny hafanana 23°C. Volana janoary sy febroary no fotoana fanatodizany. Karazana mitovy: Jereo ny B. griveaudi.

5. Brookesia lineata RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1995Toerana nahitana azy: Andavaka, Antsahamanara (Tsaratanana), Bekolosy (Manongarivo). Sary avy any: Antsahamanara (Tsaratanana).

Rakolak’i Sambirano. Famaritana: Mirefy 45 mm ny HLV-n’ny lahy “santionana nofaritana” ary 77 mm ny TH. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 11 ny sisin’ny lamosina, izay tsy mitohy any amin’ny rambo. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Misy bontsina 4 malemilemy lavalava amin’ny saoka. Tsy mahatratra tendron’ny molotra ny tandroka ambony orona. Mety ho volontakatra tanora ranoray ny lamosina. Misy sary miloka miavaka ny vatana, miaraka amin’ny loha manopy fotsy sy ny lamosina mitsipika misy pentina lehibe amin’ny sisiny izay mety mifangaro amin’ny tsipika mitsivalana matevina manaraka ny sisiny. Fomba fi ainany: Mbola tsy fantatra mazava. Nosamborina tamin’ny alina ny “santionana nofaritana”, niteronterona tamin’ny ravin-kazo 1 m miala amin’ny tany, any anaty ala mando manana hahavo 1200 m aminny sisiny. Karazana mitovy: Loko tokana aman-tany.

276

21

43 5

Page 25: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

5

21

3 4

Page 26: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: BrookesiaBrookesia

1. Brookesia betschi BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1970Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Anjanaharibe Sud, reniranon’i Befosa (Tsaratanana), Manongarivo, Marojejy. Sary avy any: Marojejy.

Rakolaka lava tandroka. Famaritana: Mirefy 34 mm ny HLV-n’ny lahy 2 (56-57 mm ny TH) ary 34 mm ny an’ny vavy (57 mm ny TH). Mirefy 34-39 mm ny HLV ary 56-71 mm ny TH-n’ny vavy roa hafa mety ho iray karazana aminy nosamborina tamin’ny hahavo 1450 m. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 11 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy any amin’ny rambo. Tsy misy takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Tsy misy bontsina maranitra eo amin’ny saoka. Manana tandroka ambony maso lava kokoa ny lahy noho ny vavy izay tena mampiavaka ny lahy amin’ny vavy ary tsy fahita any amin’ny Brookesia hafa io. Volontakatra na volontakatra manopy mavo ny vatana amin’ny ankapobeny ary volontakatra na volondavenona ny rambo. Mety ahitana kirana fotsy maro ambanin’ny maso ary tsipika fotsy amin’ny faritry ny vanim-body. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando matevina amin’ny haabo salatsalany (1300 m) sady ahitana volon-kazo sy lomotra betsaka. Hita tamin’ny tany na sampan’ny volon-kazo. Nahitana vavy iray tamin’ny vatana Philippia eo amin’ny 1m eo amin’ny haabo 1450m. Any Marojejy (1576 m), dia nisy mpivady hita tamin’ny alin’ny 17 febroary, nitodika niakatra ny lohany teo amin’ny rantsan-kazo kely 50 sm miala amin’ny tany. Nobaben’ny vavy ny lahy fa tsy niray izy ireo.

2. Brookesia bekolosy RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1995Toerana nahitana azy: Bekolosy (Manongarivo). Tsy misy sary.

Rakolak’i Bekolosy. Famaritana: Mirefy 34 mm ny HLV-n’ny santionana lahy tokana fantatra ary 62 mm ny TH. Manana tsipika somary mahitsy amin’ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 6 ny sisin’ny lamosina amin’ny tapany aloha ny vatana, izay tsy mitohy any amin’ny rambo. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Tsy misy bontsina maranitra ny saoka. Volontakatra ny loko amin’ny ankapobeny, fa misy pentina volontakatra antitra ny fototry ny loha aloha ny tsipika amin’ny lamosina. Volomboasary ny tendron’ny rambo. Fomba fi ainany: Nalaina tany amin’ny ala mando ambony toerana (1200m) manaraka ny sisiny, ny “santionana nofaritana tamin’ny 10 alina”. Niteronterona eny amin’ny rantsana kely 1 m miala amin’ny tany.

3. Brookesia thieli BRYGOO & DOMERGUE, 1969Toerana nahitana azy: Ambodimanga, Ambohiboatavo, Ambohitantely, Andasibe, Fierenana, Iaraka, Moramanga. Nahitana an’i B. antoetrae: Ambahona, Ankarampotsy, Imerimandroso, Vinanitelo. Sary avy any: Ambohitantely.

Rakolaka misy tandroka kely. Famaritana: Mirefy 62-73 mm ny TH. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra mifanesisesy 11 ny sisin’ny lamosina, izay mitohy any amin’ny rambo. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Misy bontsina ny saoka. Mivoatra tsara ny tandroka ambony orona. Mety ho volontakatra ranoray ny loko amin’ny ankapobeny, na misy tsipika volontakatra antitra ny faritry ny hazon-damosina izay arahin’ny tsipika volontakatra manopy mavo amin’ny sisin’ny lamosina. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando atsinanana amin’ny haabo salatsalany, hita amin’ny tany na rantsan-kazo ambany toerana. Karazana mitovy: B. lambertoni izay manana tandroka ambony orona tsy mivoatra loatra. Fanamarihana: B. antoetrae eto dia anarana mitovy dika amin’ny B. thieli, fa mila fandinihana ny fanasokajiana azy.

4. Brookesia vadoni BRYGOO & DOMERGUE, 1968Toerana nahitana azy: Anjanaharibe Sud, Iaraka, Marojejy, Tsararano. Sary avy any: Santionana nompiana fa tsy fantatra ny toerana niaviany (4b, lahy; 4c, vavy), Marojejy (4a, lahy).

Rakolaka matsilo rambo. Famaritana: Tontalin’ny halavany 57-58 mm. Karazana tena be tsilo fa tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina maranitra tahaka ny tsilo mifanesisesy 9 mitovy amin’ny bontsina amin’ny sisin’ny lamosina. Ahitana tsilo mitsangana mahitsy mifanesisesy koa ny rambo. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Misy bontsina ny saoka. Misy tandroka mivoatra tsara ambony orona. Volontakatra mankany amin’ny maitso ny loko amin’ny ankapobeny, fa mifangaro amin’ny loko tanora samihafa indraindray manome sary samy hafa. Volontakatra na maitso na volondavenona ny loha. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany any avaratra andrefana ary miafi na any amin’ny volon-kazo amin’ny tany.

5. Brookesia lambertoni BRYGOO & DOMERGUE, 1970Toerana nahitana azy: Fito. Tsy misy sary.

Ramalahelon’i Fito. Famaritana: Tsy dia fantatra loatra, tontalin’ny halavany 67-68 mm. Tsy misy tsipika mivoitra ny lamosina. Misy bontsina mifanesisesy amin’ny sisin’ny lamosina, izay mitohy any amin’ny rambo. Tsy manana takelaka amin’ny foto-drambo. Tsy ahitana bontsina lehibe sady maranitra manodidina ny lavabody. Tsy hita tsara bontsina amin’ny saoka. Tsy mitovy tantana ny hoditra. Tsy fantatra ny loko, fa tsy ahitana tsipika volontakatra matevina ny faritry ny hazon-damosina. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Karazana mitovy: B. thieli izay manana tandroka ambony orona miavaka tsara.

278

4c

21

43 5

Page 27: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1

3

4b

4a

Page 28: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

Taranaka Calumma GRAY, 1865Na Calumma na Furcifer, dia samy lehibe na salatsalany ny habeny, mpihani-kazo, ary miavaka amin’ny fahafahana miova loko. Mora hita ny fi avahan’ny lahy amin’ny vavy. Manana rafi tra misongadina ny lohan’ny lahy izay matetika zara raha hita na tsy manana mihitsy ny vavy, oh: bontsina eo amin’ny tendron’ny vava, satroka avo na fi arovan-katoka. Mora fantatra ny lahy noho ny fanoharana ny halavan’ny rambo miaraka amin’ny fotony matevina kokoa sy ny halehiben’ny vatana. Toetra ivelany vitsivitsy ihany no tena ahafahana manavaka ireo taranaka roa ireo: Ahitana fi arovan-katoka ny ankamaroan’ny Calumma fa tsy misy mihitsy ny Furcifer. Mazàna ahitana sanga anoloana miavaka ny ankamaroan’ny Furcifer fa matetika tsy manana ny Calumma (zara raha hita ny amin’ny C. brevicorne). Toa voafetra any amin’ny faritra mando ihany ny Calumma ary mbola tsy nahitana azy ny faritra maina atsimo andrefana. Ny tena Tana fahita anaty ala mando no hita amin’ity taranaka ity, ary Calumma (ankoatra ny Furcifer campani) ihany no monina any antendrombohitra avo sy mangatsiaka (mahatratra 1900 m). Na izany aza dia misy ireo Calumma (boettgeri, nasutum, brevicorne) mety hita amin’ny toerana simba, nefa ny toeram-ponenana voalohany tsy simba no tena tian’izy ireo amin’ny ankapobeny. Tsy hita raha tsy eto Madagasikara ny karazana rehetra amin’io taranaka io afa-tsy ny Calumma tigris avy ao Seychelles. Vao haingana dia nohamarinina fa sady tsy lahy no tsy vavy ny teny hoe Calumma. Noho izany, ny fi afaran’ny anarana amin’ny karazana maro dia novaina.

1. Calumma amber RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2006Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre (1a, lahy; 1b, vavy).

Tarondro marevaka. Famaritana: Mirefy 100-112 mm ny HLV-n’ny lahy ary 72-105 mm ny an’ny vavy. Mitovy amin’ny C. brevicorne amin’ny ankapobeny, fa mihoatra 0,7 mm any alohan’ny vava ny bontsina an-tendron’ny molotra sady fi saka mandry. Tsy mampiseho bontsina mifandimby habe ny sanga an-damosin’ny vavy. Mety ho mavo mamiratra ny lohan’ny lahy lehibe ary maitso ny vavy. Fomba fi ainany: Mety tsy hita afa-tsy any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany (900-1150 m) any amin’ny Montagne d’Ambre. Karazana mitovy: C. brevicorne sy C. crypticum.

2. Calumma brevicorne (GÜNTHER, 1879)Toerana nahitana azy: Andasibe, Andohahela, Irony, Tendrombohitr’i Sorata. Sary avy any: Andasibe (2a, lahy; 2b, vavy).

Tarondro be sofi na. Famaritana: Mirefy 132-170 mm HLV-n’ny lahy (mahatratra 405 mm ny TH) ary 110-140 mm ny an’ny vavy (mahatratra 280 mm ny TH). Lehibe ny fi arovan-katoka izay sarahan’ny lempona lalina ny raviny roa. Tsy hita tsara ny sanga eo an-tampon’ny loha ary samy manana sanga an-tendron’ny molotra ny lahy sy vavy. Mafy sy misy taolana ary tsy fi saka mandry ny bontsina tokana an-tendron’ny molotry ny lahy (mirefy 3-5,5 mm), izay vokatry ny fi tambaran’ny lohan’ny sanga an-tendron’ny molotra. Mitambatra ihany koa ny sanga an-tendron’ny molotry ny vavy fa tsy manome bontsina eo an-tendron’ny molotra. Miavaka ny sanga amin’ny sisiny. Tsy misy sanga eo amin’ny fi hirifana ary matetika misy sanga amin’ny tenda. Tsy mampiseho bontsina araky ny habe ny sanga amin’ny lamosina ary tsy misy sanga eo anoloana. Tsy mitovy tantana ny fi ofoana, indrindra eo amin’ny loha sy ny tongotra. Mazàna volondavenona fa misy marika volontakatra matroka tsy mirindra sady mitsivalana ny tehezana. Misy kentrona matroka maro manelanelana ny

kirana amin’ny vatana sy amin’ny rambo ka manome sary misandrahaka. Manopy volontakatra mena ny bontsina an-tendron’ny molotra. Fomba fi ainany: Tsy hita afa-tsy any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany (810-1000 m). Tsy mazava raha tsy tamin’ny voka-pikarohana vao haingana ny momba ny fananahan’ny C. brevicorne. Karazana mitovy: C. crypticum sy C. amber izay hafa loko. Fanamarihana: Ny zana-karazana C. b. tsarafi dyi dia voamarina vao haingana fa C. brevicorne ihany.

3. Calumma crypticum RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2006Toerana nahitana azy: Ambatolahy, Alan’Ambatofi rahana, Ambohijanahary, Ambohitantely, Andohahela, Antevamena, Ala akaikin’ny farihy any Bemanevika, Doany, Alan’i Mandalahy, Mandraka, Ranomafana, Tsarafi dy, Tsaratanana (Reniranon’i Befosa, Lembalemban’i Ramena). Sary avy any: Ranomafana (3a, lahy), Mandraka (3b, lahy; 3b, vavy).

Tarondro pentina manga. Famaritana: Mahatratra 115 mm ny HLV-n’ny lahy ary 111 mm ny an’ny vavy. Mitovy amin’ny C. brevicorne amin’ny ankapobeny fa mihoatra 2,5 mm amin’ny molotra ny bontsina an-tendron’ny molotra sady fi saka mandry. Mampiseho bontsina mirindra araky ny habe ny sanga amin’ny lamosin’ny vavy. Fomba fi ainany: Tsy hita afa-tsy amin’ny haabo salatsalany sy amin’ny ala mando an-tendrombohitra anelanelan’ny 1050 sy 1850 m. Karazana mitovy: Sarotra ny manavaka ny vavin’ny C. brevicorne sy amber ary crypticum amin’ny toe-batana ivelany hatramin’izao, nefa samy hafa ny lokon’ny karazana tsirairay.

4. Calumma hafahafa RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2006Toerana nahitana azy: Ala akaikin’ny farihy any Bemanevika. Tsy misy sary.

Tarondro hafahafa. Famaritana: Mirefy 110 mm ny HLV-n’ny lahy tokana (225 mm ny TH). Ny vavy noheverina an’ity karazana ity dia 69 mm ny HLV (141 mm ny TH), izay nahitana atody maro-maro matoy (12 x 6 mm). Manana bontsina an-tendron’ny molotra iray misy taolana, tsy mihoatra fa mivoitra 3,0 mm alohan’ny orona ny lahy. Misy sanga avokoa ny tendron’ny molotra, ny maso sy ny fi hirifana ary ny tehezana, fa tsy mivoatra loatra ny sanga eo an-tampon’ny loha, 17-18 ny tsilo amin’ny tenda. Manana fi arovan-katoka lehibe izy. Tsy mampiseho bontsina araky ny habe ny sanga an-damosina. Misy sanga mivoitra ny tapany alohan’ny rambo. Tsy mirindra ny fi lahatry ny kirana. Tsy fantatra ny lokon’ny velona. Fomba fi ainany: N o s a m b o r i n a tany ami’ny sisan’ala mando a n e l a n e l a n ’ n y 1580-1650 m. Karazana mitovy: C. peltierorum sy C. malthe, fa mora avahina noho ny bontsina an-tendron’ny molotra tsy misy toa azy.

280

21

43

Page 29: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

3b

3a

1b

3c

2b

1a

Page 30: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

1. Calumma hilleniusi (BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1973)

Toerana nahitana azy: Ankaratra, Andringitra. Mila fanamarinana ny santionanay azo tany Andringitra. Sary avy any: Ankaratra (1a, lahy; 1b, vavy).

Tarondro kelin’ny afovoantany. Famaritana: Mahatratra 70 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 151 mm ny TH) ary 73 mm ny an’ny vavy (mahatratra 144 mm ny TH). Manana fi arovan-katoka salatsalany sady rakotry ny kirana lehibe mielanelana 3 mm isanisany. Tsy misy sanga an-tampon-doha, fa misy sanga miavaka manopy mena. an-tendron’ny orona. Fohy dia fohy ny bontsina amin’ny tendron’ny orona, ka zara raha mihoatra ny tendron’ny orona amin’ny lahy ary tsy mahatratra izany akory ny an’ny vavy. Miavaka tsara sady miloko matroka ny sanga amin’ny andilany. Mivoitra ny sanga amin’ny fi hirifany. Misy sanga amin’ny tendan’ny lahy izay ahitana tsilo 6, tsy misy ny vavy indraindray. Misy sanga amin’ny lamosina, avy amin’ny tsilo mitokatokana, mitohy hatrany amin’ny rambo. Tsy misy sanga eo anoloana. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Manopy maitso na volontakatra manopy mavo na volondavenona ny vatana. Misy kentrona matroka maro manelanelana ny kirana amin’ny vatana ary ny ny rambo koa matroka. Ireo dia manome sarisary misandrahaka sy mirarirary. Miloko kokoa ny loha noho ny vatana. Manopy mena ny sanga an-tendron’ny molotra ary matroka kosa ny sanga amin’ny andilany. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala amin’ny haabo avo any an-tendrombohitr’Ankaratra eny amin’ireo hazo mitsitokotoko manodidina ny renirano kely an-tendrombohitra. Nahitana vondron’atody 7 (7 x 11 mm) tao ambany vato anaty ala “sapin” ny volana janoary. Teo amin’ny 90 andro teo ny zanany iray no foy. Nahitana atody mahatratra 10 ireo vavy nosamborina janoary hatramin’ny martsa. Karazana mitovy: Ireo Calumma hafa manana fi arovan-katoka mivoatra tsara.

2. Calumma tsaratananense (BRYGOO & DOMERGUE, 1968)

Toerana nahitana azy: Tsaratanana. Tsy misy sary.

Tana kelin’i Tsaratanana. Famaritana: Tena kely, satria mirefy 44 mm ny HLV-n’ny vavy tokana any fantatra ary 110 mm ny TH. Misy fi arovan-katoka izay samy rakotry ny kirana boribory 3 lehibe. Tsy miavaka ny sanga eo an-tampon-doha ary kely ny sanga amin’ny tendron’ny molotra. Tsy misy bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy miavaka loatra ny sanga amin’ny fi hirifana sy ny sanga amin’ny andilana. Lehibe sy mivoatra tsara ny sanga amin’ny tenda sady ahitana tsilo 9, ary mirefy 2 mm ny lehibe indrindra. Ny tapany aloha ihany no misy sanga amin’ny lamosina ary tsy misy sanga amin’ny kibo. Tena tsy mitovy tantana ny fi ofon’ny loha sy ny vatana. Volontakatra manopy mena ny lokon’ny velona. Vitsy ny antotan-kevitra momba ny lahy. Hatsatra ny faritry sanga an-tendron’ny molotra alohan’ny orona, ary mikinifi nify be ny sanga manaraka ny halavan’ny rambo iray manontolo. Fomba fi ainany: Karazana any amin’ny toerana avo. Karazana mitovy: C. jejy.

3. Calumma peltierorum RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2006Toerana nahitana azy: Anjanaharibe-Sud, Tsaratanana (Bepia, Matsaborimaiky). Sary avy any: Antsahamarana (Tsaratanana; vavy).

Tanakely bory loha. Famaritana: Mahatratra 108 mm ny HLV-n’ny lahy ary 110 mm ny an’ny vavy. Mitovy amin’ny C. malthe amin’ny ankapobeny. Sanga amin’ny lamosina

misy na tsia fi verimberenan’ny bontsina araky ny habe. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando velona. Karazana mitovy: C. malthe no tena mitovy aminy fa miavaka noho ny isan’ny tsilo amin’ny tenda (14-19 mitaha amin’ny 10), ny savaivon’ny fi arovan-katoka (≥ 2,5 mm foana mitaha amin’ny <2,7 mm, ary matetika <2,5 mm), sy ny bikan’ny bontsina amin’ny sanga ambony maso amin’ny lahy (laharana iray foana raha toa ka laharana roa matetika).

4. Calumma malthe (GÜNTHER, 1879)Toerana nahitana azy: Andasibe, Anjanaharibe-Sud, Fito, Analamazoatra, Iaraka, Mantadia, Moramanga, Isaka-Ivondro, Marojejy. Sary avy any: Marojejy (4a), tsy fantatra mazava (4b, lahy; 4c, vavy).

Tarondro be sofi na mizara roa. Famaritana: Mahatratra ny 135 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 310 mm TH), ary mahatratra ny 120 mm ny an’ny vavy (mahatratra 283 mm TH). Mivelatra be ny fi arovan-katoka ary mifampitohy tsara (tsy misy lempona lalina manelanelana azy). Tsy hita tsara ny sanga eo an-tampon-doha. Samy ahitana sanga amin’ny tendron’ny molotry ny lahy sy ny vavy. Amin’ny lahy, mafy sady misy taolana ary mahatratra 8 mm ny halavan’ny bontsina an-tendron’ny molotra (matetika manopy volondavenona) izay vokatry ny fi kambanan’ny lohan’ny sanga an-tendron’ny molotra. Mikambana ihany koa ny sanga an-tendron’ny molotry ny vavy fa saingy tsy manome bontsina mahatratra ny tendron’ny orona. Miavaka ny sanga amin’ny andilany ary tsy misy sanga amin’ny fi hirifana. Manana sanga amin’ny tenda amin’ny ankapobeny, ahitana tandroka iray na vitsivitsy, indrindra amin’ny ny lahy. Ny sanga amin’ny lamosina dia tsilo madinika mifanesisesy tsy mitovy habe (somary lehibe ny fahatelo sy faha-efatra) ary tsy misy sanga amin’ny kibo. Tsy mitovy tantana loatra ny fi ofony. Mitsoriadriaka volontakatra na volondavenona na mainty na mavo na maitso ny vatana amin’ny ankapobeny. Misy kentrona matroka betsaka manelanelana ny kirana amin’ny vatana ka manome sarisary mirairary sy misandrahaka. Mety ahitana loko maitso sy manga ny hodimaso sy ny fi arovan-katoka. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany izy. Karazana mitovy: Jereo ny C. peltierorum.

21

43

282

Page 31: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4a

1b1a

3a 3b

4c4b

Page 32: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

1. Calumma cucullatum (GRAY, 1831)Toerana nahitana azy: Ambavaniasy, Ampasinambo, Anandrivola, Belalono, Fotsialana, Marojejy, Tampona, Toamasina, Tsararano. Sary avy any: Santionana ompiana (tsy fantam-pihaviana).

Tarondro mainty maso. Famaritana: Mahatratra ny 190 mm ny HLV-n’ny lahy (TH mahatratra 380 mm), ary mahatratra ny 145 mm ny an’ny vavy (TH mahatratra 305 mm). Lava ny loha. Mivelatra ny fi arovan-katoka ary mifampitohy tsara (tsy misy lempona lalina manelanelana azy). Tsy misy sanga eo an-tampon-doha ary miavaka ny sanga an-tendron’ny molotra Tsy misy bontsina eo an-tendron’ny molotra ny vavy ary mifarana amin’ny votsy kely amin’ny ilan’ny tendron’ny molotra amin’ny lahy sasany. Miavaka ny sanga amin’ny andilany sy ny amin’ny fi hirifana ary tsy misy sanga amin’ny tenda. Tandroka mitokatokana no manome ny sanga amin’ny lamosina, Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Volontakatra manopy mena na volondavenona, fa misy na tsia marika miavaka ny vatana. Misy kentrona matroka betsaka anelanelan’ny kirana amin’ny vatana ka manome sarisary mirarirary sy misandrahaka Ny biby misy fahaporetana dia matetika misy tsipika mazava amin’ny tehezana, pentina lehibe lavalava ambanin’ny tsipika mazava amin’ny tehezana ary mainty ny hodi-maso. Mety ho volondavenona manopy manga na volomboasary, na volontakatra ny hodi-maso. Ny foto-tanàn’ny vavy dia mety ho maitso na volomboasary manopy mavo sady misy tasy matroka. Fomba fi ainany: Hita tany amin’ny ala mikitrok’Anandrivola ny iray, tamin’ny vatan-kazo manana savaivo 50 mm miala 1–5m amin’ny tany. Nojerena ny fi hetsiny isan’andro: 1-4 m ny halavirana vitany ary miakatra 0,4-4,5 m. Angamba mihaza anaty ala amin’ny tany. Karazana mitovy: Ireo lahy mitovy karazana aminy dia manana bontsina amin’ny tendron’ny molotra lava.

2. Calumma jejy RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2006Toerana nahitana azy: Marojejy. Sary avy any: Marojejy (vavy).

Tarondro jejy. Famaritana: Mirefy 73-96 mm ny HLV-n’ny lahy (158-221 mm ny TH), ary 83 mm ny an’ny vavy iray (173 mm ny TH). Tsy misy bontsina an-tendron’ny molotra izay Mahatratra molotry ny lahy lehibe ary ny sanga an-tendron’ny molotra dia mikambana an-tendron’nyorona ka manome maritampona. Tsy misy sanga eo anoloana. Miavaka ny sanga amin’ny tenda izay misy tsilo 12-17 mirefy Mahatratra 2 mm. Manana fi arovan-katoka lehibe roa izay mikambana ao an-damosina eo amin’ny 2-3 mm amin’ny lehibe. Mampiseho bontsina araky ny habe ny sanga amin’ny lamosina izay tsy mikitoantoana amin’ny tapany aorian’ny rambon’ny lahy. Volontakatra tanteraka ny lahy velona iray. Ny vavy iray dia manopy volontakatra sady misy kirana maitso tahaka ny tandroka manerana ny vatana sy ny ratsam-batana. Fomba fi ainany: Hita eny amin’ny tanety misy kiri-hitra madinika any an-tendrombohitra (1-1,8 m miala amin’ny tany) na amin’ny bozaka. Hita naka hafanana teo ambony vato mafana. Karazana mitovy: C. tsaratananense izay manana sanga amin’ny lamosina mikinifi nify be mihitsy manaraka ny halavan’ny rambo manontolo.

3. Calumma tsycorne RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2006Toerana nahitana azy: Andohahela. Sary avy any: Andohahela (nalain’i J. -B. Ramanamanjato).

Tarondro bory loha. Famaritana: Mirefy 95-115 mm ny HLV-n’ny lahy (220-265 mm ny TH), ary 95-124 mm ny an’ny vavy (TH 207-264 mm). Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra ny lahy, ny sanga an-tendron’ny

molotra tsy mikambana amin’ny orona eo aloha. Tsy misy ny sanga amin’ny kibo ary miavaka ny sanga amin’ny tenda izay rafetin’ny tsilo 11-21 mahatratra 2 mm ny halavany. Manana fi arovan-katoka lehibe roa izay mikambana ho iray ao an-damosina ary mirefy 4-9 mm amin’ny lehibe; Misy sanga amin’ny lamosina (tsy misy ny fi veranan’ny bontsina mitovy habe) tsy misy amin’ny vavy. Volondavenona mazava ny lokon’ny velona. Fomba fi ainany: Tsy hita afa-tsy any amin’ny ala mando velona amin’ny haabo salatsalany (1110-1250 m). Karazana mitovy: C. cucullatum izay tsy misy sanga amin’ny tenda sady manana bontsina roa an-tendron’ny molotra ny lahy. C. capuroni dia misy sanga amin’ny lamosina.

4. Calumma capuroni (BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1972)

Toerana nahitana azy: Andohahela, Tangorotendrombohitr’Anosy. Sary avy any: Andohahela (4b, lahy; 4a, 4c, vavy).

Tarondron’i Taolagnaro. Famaritana: Mahatratra 90 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 204 mm ny TH) ary mahatratra 85 mm ny an’ny vavy (mahatratra 188 mm ny TH). Rakotra kirana vaventy mielanelana 4 mm isanisany ny fi arovan-katoka. Manana sanga an-tendron’ny molotra, fa tsy mitambatra an-tendron’ny orona. Tsy misy bontsina an-tendron’ny molotra. Rafetin’ny laharana tandroka 2 (1,5 mm ny halavany) mifanindran-dalana (misy elanelana eo amin’ny 2 mm) ny sanga amin’ny tenda. Miavaka ny sanga amin’ny lamosina ary mitohy hatrany amin’ny ampahany betsaka amin’ny rambo. Tsy misy sanga eo anoloana fa bontsina vaventy manao laharan-droa anelanelan’ny sanga amin’ny saoka sy ny lavabody. Tsy mitovy tantana ny fi ofony, indrindra eo amin’ireo kirana vaventy amin’ny fi arovan-katoka. Maitso antitra ny lahy sady misy pentina vaventy lava volontakatra manopy mena ny tehezana. Maitso ny vavy ary manopy mavo ny loha. Fomba fi ainany: Hita amin’ny rantsan-kazo 4 m miala amin’ny tany any amin’ny ala mando any an-tendrombohitra (haabo 1550-1950 m). Karazana mitovy: C. tsycorne izay tsy manana sanga amin’ny lamosinaa.

284

21

43

Page 33: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4a

2

4b

1a

3

4c

1b

Page 34: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

1. Calumma globifer (GÜNTHER, 1879)Toerana nahitana azy: Antananarivo, Betatao, Mandraka. Jereo koa ny C. ambreense. Sary avy any: Mandraka (1a, lahy; 1b, vavy).

Tarondro boribory orona. Famaritana: Mahatratra 170 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 390 mm ny TH) ary mahatratra 145 mm ny an’ny vavy (mahatratra 315 mm ny TH). Mitsangana mankany aoriana ny satroka. Kely sady tsy mahatratra 1-2 mm ny fi arovan-katoky ny lahy lehibe. Tsy manana sanga eo an-tampon-doha izy. Misy sanga an-tendron’ny molotra miafara amin’ny bontsina somary boribory izay tsy mihoatra lavitra ny tendron’ny oron’ny lahy, fa tsy manana kosa ny vavy. Miavaka ny sanga amin’ny andilany, fa tsy misy sanga ny fi hirifana sy ny tenda ary ny kibo. Tahaka ny tsy misy sanga amin’ny lamosina. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Lava noho ny HLV-n’ny rambon’ny lahy sy vavy. Manopy maitso na volontakatra manopy maitso ny lahy, fa ahitana tsipika manopy fotsy na mena ny tehezana ary manopy fotsy ny tenda. Maitso mamiratra sady misy tsipika tapatapaka manopy mainty ny andilan’ny lahy sasany. Mitovy amin’ny lahy ny vavy fa misy tsipika sy marika tsy mirindra manopy maitso sy mainty. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany izy. Nanatody hatramin’ny 25 ny vavy iray nentina tany amin’ny toeram-piompiana, fa mbola tsy fanatatra mazava ny momba ny fi kotrehana. Karazana mitovy: C. oshaughnessyi izay manana sanga amin’ny lamosina ary lava kokoa ny bontsina an-tendron’ny molotry ny lahy. C. ambreense izay hafa ny lokony.

2. Calumma ambreense (RAMANANTSOA, 1974)Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre, mety tany Tsaratanana (pentina mena amin’ny sary). Mila fanamarinana ireo andiany any Marojejy sy Tsaratanana (Antsahamanara, ala Manarikoba) satria mety ho C. globifer na C. ambreense. Sary avy any: Montagne d’Ambre (2a, lahy; 2b, vavy).

Tarondro manga maso. Famaritana: Mitsangana mankany aoriana ny lohany fi saka. Kely ny fi arovan-katoka. Tsy misy sanga an-tampon-doha. Miavaka ny sanga an-tendron’ny molotra ary tsy mihoatra lavitra ny tendron’ny oron’ny lahy, fa tsy manana ny vavy. Tsy misy sanga ny tenda sy ny kibo ary zara raha misy ny lamosina. Maitso manopy volondavenona ny lahy sady misy tsipika mitsivalana matroka kokoa sy tsipika fotsy amin’ny andilany. Manopy manga ny maso sy ny fi hirifany. Maitso be na manopy mavo ny vavy. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany. Miteronterona avo be amin’ny fahavaratra (anelanelany 1,5-10 m). Rehefa main-tany, matetika mitoetra amin’ny toerana, miafi na sy kely, sady tsy masiaka izy. Mirindra ny fi ainany mandritra ny andro fa misy fotoana lava tsy ihetsehany. Anisan’ny mpihaza azy ny vontsira Galidia elegans. Karazana mitovy: C. oshaughnessyi izay manana sanga an-damosina sady lava kokoa ny bontsina an-tendron’ny molotry ny lahy. C. globifer izay hafa loko.

3. Calumma oshaughnessyi (GÜNTHER, 1881)Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Ambohimitombo, Andohahela, Andrambovato, Andringitra, Antoetra, Befotaka, Tangorotendrombohitr’Anosy, Farihimazava, Ikongo, Ivohibe, Manambolo, Ranomafana, Vinanitelo. Sary avy any: Andohahela (3a, lahy), Ranomafana (3c, lahy; 3b, vavy).

Tarondro maitso be misy sofi na. Famaritana: Mahatratra 165 mm ny HLV-n’ny lahy ary mahatratra 180 mm ny an’ny vavy (mahatratra 480 mm ny TH). Mitsangana mankany

aoriana ny lohany fi saka. Miavaka ny fi arovan-katoka. Tsy misy sanga an-tampon-doha ary miavaka tsara ny sanga an-tendron’ny molotra. Misy bontsina roa mifampihataka kely an-tendron’ny molotra vaventy ary henjana amin’ny lahy (mahatratra 9 mm ny halavany), fa tsy misy ny vavy. Miavaka ny sanga amin’ny andilany. Tsy misy sanga ny fi hirifana sy ny tenda ary ny kibo. Misy na zara raha misy sanga amin’ny lamosina. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Mirindra ihany ny fi petraky ny kirana vaventy sy madinika amin’ny vatana, fahita amin’ny vavy in-drindrindrindra. Lava noho ny HLV ny rambon’ny lahy sy vavy. Volontakatra manopy volondavenona tanora ny loha sy ny tapany alohan’ny vatana. Maitso na volondavenona manopy maitso ny tapany aorian’ny vatana, ny hodimaso sy ny tongotra ary ny rambo. Ahitana tsipika manga maitso manaraka ny molotra ambany ary misy pentina fotsy ny afovoan’ny andilany indraindray. Volontakatra volomboasary ny vavy, misy loko maitso manify miparitadritaka amin’ny ampahany. Misy kirana lehibe amin’ny vatana. Maitso ny tongony. Mety ahitana tasy maitso miavaka ny fi arovan-katoka. Fomba fi ainany: Efa lasa lavitra fi karohana ny momba azy (natao tamin’ny lahy iray sy vavy telo). Mitangorona maharitra amin’ny toerana iray ireo andiany any amin’ny faritr’i Ranomafana rehefa main-tany. Mifi ndra miadana ao anatin’ny fotoana fohy mandritra ny andro. Mitady sakafo mandritra ny andro ary ny misandratr’andro no tena mazoto Nodinihina ny fi hetsik’ireo mipetraka sy miandry ary mitady sakafo. Mazàna miteronterona eny amin’ny zava-maniry 1,5-5 m miala amin’ny tany (indraindray mahatratra 12 m) amin’ny alina. Mihamavitrika tsikelikely izy mandritra ny maraina ary amin’ny 3 ora tolakandro no mavitrika indrindra, mihena izany rehefa miha-hariva ny andro. Mihetsika mafy farany izy rehefa mody ny masoandro, ho an’ny fi tadiavana toerana iteronteronana izany. Tsy fantatra loatra ny fomba hisafi dianan’ny toerana iteronteronany fa ny fi alana amin’ny mpihaza sy ny ahazoana tanamasoandro be indrindra raha vao maraina. angamba no tena antony roa lehibe. Ialohavan’ny fi hilangilanan’ny vatana ny fi hazana. Tsy mihetsika eo anoloan’ny fampitahorana ataon’ny ragidro na ny vorona lehibe; ary mialoka ao ambany ravin-kazo lehibe izy rehefa tena avy be ny orana. Hita matetika mandritra ny andro ny fi hetsiketsehan’ny loha, in-2 na in-3 mifenesisesy amin’ny ankapobeny.

286

31/2

Page 35: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

3a

3c

1b1a

2b

3b

Page 36: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

1. Calumma parsonii (CUVIER, 1824)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Ambanja, Ambavaniasy, Ambodifotatra, Analamazoatra, Andasibe, Anjanaharibe-Sud, Antsihanaka, Fanovana, Fenoarivo, Ifanadiana, Ikongo, Kianjavato, Mananjary, Nosy Boraha, akaikin’Ifanadiana, Sahatavy Andrefana, Sahambendrana, Tsaramandroso, Vavatenina. Sary avy any: Ifanadiana (1a, lahy), tsy fantam-pihaviana (1b), Andasibe (zanakarazana cristifer; 1c zanany, 1d vavy, 1e lahy).

Tarondro maitso be. Famaritana: Mahatratra ny 295 mm ny HLV-n’ny lahy (ary 695 mm ny TH), ary mahatratra ny 200 mm ny an’ny vavy (495 mm ny TH). Anisan’ireo tana vaventy indrindra miaraka amin’ny F. oustaleti. Mitsangana mankany aoriana ny lohany fi saka. Zara raha misy fi arovan-katoka ary tsy misy sanga eo an-tampon-doha. Miavaka tsara ny sanga an-tendron’ny molotry ny lahy, fa tsy dia hita loatra ny an’ny vavy. Ahitana bontsina an-tendron’ny molotra lehibe sy enjana sady mifampihataka ary mirefy mahatratra 12 mm ny an’ny lahy, fa tsy misy ny vavy. Miavaka ny sanga amin’ny andilany, ary tsy misy ny fi hirifana sy ny tenda. Tsy manana sanga an-damosina ny C. p. parsonii fa manana kosa ny C. p. cristifer. Tsy misy sanga eo anoloana. Mitovy tantana ny fi ofony. Lava noho ny HLV ny rambon’ny lahy sy ny vavy. Volontakatra na volondavenona ny tampon doha sy ny bontsina an-tendron’ny molotra. Indraindray, misy pentina mavo sy tsipika matroka (manapaka miala amin’ny tapany alohan’ny kibo ka miafara amin’ny tapany aorian’ny lamosina) na tsipika mazava amin’ny tehezana. Maitso tanteraka ny vavy, fa manopy mavo ny hodi-maso. Volontakatra volomboasary ny zanany. Mety ho hita amin’ny lahy ireto karazan-doko manaraka ireto: (1) Maitso manga ny vatana, manopy mavo na volomboasary ny hodi-maso, fotsy ny molotra. (2) Manga maitso tanora ny vatana, manopy maitso ny hodi-maso, mavo ny molotra. (3) Mavo tanora na volondavenona ny vatana, manopy mavo ny hodi-maso, manopy mavo amin’ny ankapobeny misy volondavenona indraindray ny loha (sy ny molotra). (4) Maitso ny loha sy ny vatana (ary ny molotra sy ny hodi-maso) (C. p. cristifer). Fomba fi ainany: Monina any amin’ny ala mando sy amoron’ala amin’ny haabo iva, indrindra manaraka ny sakeli-drano anaty ala. Hita matetika amin’ny rantsan-kazo lehibe 2-4 m miala amin’ny tany ny C. p. cristifer amin’ny alina. Tena mahalana no ahitana ny C. parsonii any anatin’ny ala mikitroka any amin’ny faritr’i Ranomafana, fa hita matetika eny amin’ny ala mando efa simba sy amin’ny sisiny amin’ny haabo iva. Ny mpihaza azy dia ny bibilava Brygophis coulangesi sy Madagascarophis colubrinus. Nahitana atody 20-38 nilentika anaty lavaka 30 sm tany amin’ny toeram-piompiana, tena sarotra ny fanakotrehana ny atody satria mila fi fandimbiasan’ny hafanana sy ny hatsiaka. Foy afaka 400-520 andro ny zanany. Mety maharitra 10-12 taona (mahatratra 6 taona) izay tena hafa kely tokoa raha ho an’ny tana.

288

11f

Page 37: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

1e

1b1a

1d

Page 38: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Calumma boettgeri (BOULENGER, 1888)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Ambatond’Radama, Andoany, Andrakaraka, Antalaha, Antsiranana, Lokobe, Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre, Nosy Be. Sary avy any: Nosy Be (1a, lahy; 1b, vavy), Montagne d’Ambre (1c, lahy).

Tana kely mitsingoloka. Famaritana: Mahatratra 55 mm ny HLV-n’ny lahy (130 mm ny TH) ary mahatratra 51 mm ny an’ny vavy (108 mm ny TH). Iva ny satroka. Kely ny fi arovan-katoka, fa miavaka sady tsy sarahan’ny lempona. Tsy misy sanga eo an-tampon-doha sady tsy miavaka loatra ny sanga an-tendron’ny molotra. Malefaka ny bontsina an-tendron’ny molotra sady fi saka manaraka ny andilany, 3-4 mm ny halavan’ny bontsina amin’ny hoditry ny lahy sy vavy. Tsy miavaka ny sanga amin’ny fi hirifana sy ny sanga amin’ny andilany ary tsy misy sanga ny tenda sy eo anoloana. Misy sanga an-damosin’ny lahy (tsilo mahatratra 20 isa) amin’ny ankapobeny, fa tsy misy na zara raha misy ny vavy. Somary tsy mitovy tantana ny fi ofony noho ireo kirana lehibe kokoa amin’ny tongotra. Mavo na volondavenona na volontakatra ny vatana sy ny rambo. Matetika volontakatra manopy mena ny tongotra. Misy tsipika mahatratra 20 ny rambo. indraindray. Mety ahitana tsipika mazava ny andilany. Volondavenona na manga maitso ny bontsina an-tendron’ny molotra. Matetika misy tsipika matroka isaky ny ilan’ny loha ary mandalo amin’ny hodi-maso. Mampiseho pentina mampitahotra manga eo amin’ny loha ny vavy. Manana loko mampiavaka azy ny santiona avy any Montagne d’Ambre tahaka ny tongotra manopy maitso sy ny bontsina amin’ny orona manga. Fomba fi ainany: Fahita any amin’ny ala simban’i Nosy Be fa tsy dia betsaka ny ao amin’ny ala mando mikitrok’i Lokobe. Betsaka izy ao anatin’ny ala mando ny Montagne d’Ambre, fa vitsy kosa any amin’ny ala simba. Santionana iray natory no hita nokaikerin’ny moka. Matetika hita 1-2 m miala amin’ny tany. Santionana niteronterona ny lohany nitodika amin’ny tany no hita matetika. Vavy iray tany Montagne d’Ambre ny febroary no nahitana atody matoy 5. Foy afaka 154-158 andro ny atody nokotrehina tamin’ny hafanana 23,5 °C. Karazana mitovy: C. nastum sy C. fallax izay tsy manana fi arovan-katoka. C. guibei misy fi arovan-katoka zarain’ny lempona tanteraka. Fanamarihana: Sarotra ny manavaka ny C. linotum amin’ny C. boettgeri sady mety ho zandriny ara-kevitra ny C. boettgeri ihany izy raha araka ny eritreritray. Na izany aza dia mety ho karazana samihafa ihany koa noho ny fahasamihafan’ny loko sy ny tsy fi toviana arak’endriky ny bontsina an-tendron’ny molotry ireo santionana avy any Nosy Be sy Montagne d’Ambre.

2. Calumma guibei (HILLENIUS, 1959)Toerana nahitana azy: Antsahamanara, Tsaratanana. Sary avy any: Antsahamanara (Tsaratanana), lahy.

Tana kely misy sofi na. Famaritana: Voka-pikarohana azo avy amin’ny santionana mbola, (TH 88 mm), tsy nohalalinina ny lehibe. Iva ny satroka ary tsy mitsangana. Misaraka tanteraka ny fi arovan-katoka, ka ny ivony ihany no mifandray. Tsy miavaka ny sanga eo an-tampon-doha sy ny sanga an-tendron’ny molotra. Malefaka ny bontsina an-tendron’ny molotry ny lahy lehibe ary misy bontsina amin’ny hoditra mirefy mm maromaro. Tsy miavaka na tsy misy ny sanga amin’ny fi hirifana sy ny tehezana ary tsy misy ny tenda. Voalaza fa tsy manana sanga an-damosina izy nefa nahitana ny lahy iray tany Manarikoba. Tsy misy sanga amin’ny kibo. Somary manify sy tsy dia mitovy tantana ny fi ofony raha ampitahaina amin’ny an’ny C. boettgeri. Vaventy ny kirana amin’ny tongotra. Volontakatra mazava ny vatan’ny lahy fa

manopy maitso ny lohany. Ahitana tsipika fotsy ny molotra sy ny ilan ’ny loha izay mitohy mankany amin’ny tehezana hatrany amin’ny foto-tongotra. Misy faritra manga tsy mazava tsara ny ampahany aloha ny tehezana. Tsy fantatra ny lokon’ny vavy. Fomba fi ainany: Karazana monina any amin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany sy toerana avo (1000-1800 m). Karazana mitovy: Jereo ny C. boettgeri.

3. Calumma gallus (GÜNTHER, 1877)Toerana nahitana azy: Ambavaniasy, Ampasimbe, Andapa, Andekaleka, Ile aux Prunes, Karianga, Lokomby, Mahanoro, Manombo, Nosy Be, Vohidrazana. Sary avy any: Vohidrazana/Ambavaniasy (3a, 3b, lahy; 3c, vavy).

Tana kely lava orona. Famaritana: Mahatratra 60 mm ny HLV-n’ny lahy (113 mm ny TH), ary mahatratra 50 mm ny an’ny vavy (96 mm ny TH). Mila fanamarinana ny nahitana ny halavana mahatratra 17 sm. Iva ny satroka ary tsy misy fi arovan-katoka. Tsy misy sanga an-tampon doha ary tsy miavaka ny sanga an-tendron’ny molotra. Miavaka tsara ny bontsina an-tendron’ny molotry ny lahy izay lava sy malefaka ary miendrika loha-lefona mirefy 5-11 mm. Mampiavaka ny vavy ny fananany bontsina an-tendron’ny molotra fi saka manaraka ny andilany. Tsy miavaka loatra ny sanga amin’ny fi hirifana sy ny andilany. Tsy misy sanga ny tenda sy ny kibo ary ny lamosin’ny lahy sy ny vavy. Mitovy tantana ny fi ofony, misy kirana vaventy amin’ny tongotra. Volondavenona ny vatana sy ny tongotra ary ny rambo. Misy tsipika fotsy miatomboka eo ambany maso manaraka ny tehezana izay misy pentina lehibe roa tsy voafaritra manopy manga. Maitso ny fototry ny bontsina an-tendron’ny molotry ny lahy ary mavokely ny tendrony. Ahitana tsipika matroka izay mandalo amin’ny hodi-maso isaky ny ilan’ny loha. Manopy mena volontakatra ny vavy ary misy sarisary mirarirary. Volomboasary ny fototry ny bontsina an-tendron’ny molotra fa miha-mena eny amin’ny tendrony. Fomba fi ainany: Fantatra amoron’ny sakeli-drano any amin’ny ala simba amin’ny haabo iva. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny bontsina an-tendron’ny molotry ny lahy fa mitovy amin’ny C. nasutum ny vavy.

21

290

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

3

2b

Page 39: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

3b

1b

3a

1a

2a

3c

Page 40: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Calumma nasutum (DUMÉRIL & BIBRON, 1836)

Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, alan’Ambahaka, Ambatolampy, Ambavaniasy, Ambila-Lemaitso, Ambohimitombo, Ambohitralanana, Ampamaherina, Ampasimbe, An’Ala, Andapa, Andasibe, Andekaleka, Andohahela, Andrakaraka, Andrambovato, Andringitra, Anjanaharibe Sud, Anjozorobe, Antoetra, Tangorotendrombohitr’Anosy, Farihimazava, Ivohibe, Lokobe, Lokomby, Malahelo, Manambolo, Manantantely, Mandraka, alan’i Mandriandry, Maroantsetra, Marojejy, Montagne d’Ambre, Nosiarina, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Komba, Nosy Mangabe, Sainte Luce, Sambava, Ranomafana, Tampolo, Toamasina, Tolagnaro, Vinanitelo, Vohiparara, Zahamena. Sary avy any: Andohahela (1a), Ranomafana (1b, lahy), Marojejy (1c), Vohidrazana (1d, ), Andasibe (1e, vavy), Nosy Mangabe (1f).

Tana kely misy orona. Famaritana: Mahatratra 48 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 108 mm ny TH), ary mahatratra 47 mm ny an’ny vavy (mahatratra 113 mm ny TH). Iva ny satroka ka zara raha mitsangana mankany aoriana. Tsy manana fi arovan-katoka ary tsy misy sanga an-tampon-doha. Hita ihany ny sanga an-tendron’ny molotra izay rafetin’ny bontsina vaventy. Malefaka ny bontsina an-tendron’ny molotra sady fi saka manaraka ny andilany mirefy 2-3 mm ny halavany hita amin’ny lahy sy ny vavy. Sanga amin’ny andilana tsy miavaka na tsy misy. Ny lahy ihany no manana sanga amin’ny fi hirifana. 5-8 ny kirana amin’ny fi hirifana matetika. Tsy misy sanga ny tenda. Rafetin’ny bontsina mifanelanelana 8-11 ny sanga amin’ny lamosina amin’ny lahy raha misy, fa tsy misy amin’ny vavy. Mitovy tantana ny fi ofony na somary tsy mitovy tantana noho ireo kirana amin’ny tongotra lehibe kokoa. Somary lava kokoa noho ny HLV ny rambon’ny lahy sy ny vavy. Ranoray. na antitra na tanora kokoa amin’ny loko volondavenona na volontakatra manopy mavo na volontakatra ny vatana, fa indraindray misy tsipika tapatapaka manopy fotsy sy mitsivalana volondavenona ny tehezana, mahalana ny marevaka (vatana misy mavo sy manga ary manga maitso ny tongotra). Volondavenona na volontakatra na manga ny bontsina an-tendron’ny molotra. Fomba fi ainany: Karazana mieli-patrana sy fahita matetika any amin’ny ala mando izy. Hita matetika amin’ny zava-maniry 1-3 m miala amin’ny tany, any amin’ny ala velona sy ny sisin’ala ary ny ala simba matetika. Mety ampiasain’ny lahy amin’ny fotoam-pananahana ny bontsina an-tendron’ny molotry ny vavy, tahaka ny fanampiana amin’ny fanehoan’ny lahy ny sisiny. Raha tapaka io dia maka fotoana kokoa ny fanantonana ny vavy. Ny vavy dia mampiseho vetivety “pentina dimy mampitahotra” manga manopy fotsy mankany amin’ny manga maitso eo an- tampon-dohany sy eo amin’ny ilan’ny bontsina an-tendron’ny molotra. Maharitra 20 mn eo ho eo ny fi raisana ary mety miverimberina mandritra ny andro mifanarakaraka. Manatody afaka 40 andro ary asitriny ao ambany lomotra, na hodi-kazo na ravin-kazo amin’ny tany ny atody. Foy afaka 94 andro ny atody raha kotrehina amin’ny hafanana 23,5°C. Anisan’ny mpihaza azy ny bibilava tahaka ny Langaha madagascariensis sy Liopholidophis infrasignatus, ny vorona Coua caerulea sy ny hala ary ny famaki-loha. Karazana mitovy: Ny vavin’ny C. gallus izay manana bontsina an-tendron’ny molotra manopy mena. C. fallax izay manana satroka avo kokoa sy kirana amin’ny fi hirifana vitsy ary tsy mitovy tantana ny fi ofony. C. boettgeri sy C. guibei izay manana fi arovan-katoka. Fanamarihana: Maro ankehitriny ireo voka-pikarohana milaza fa fi tambarana karazana maro sosona izy.

2. Calumma fallax (MOCQUARD, 1900)Toerana nahitana azy: Tsy voamarina mazava ny fi paritahany. Nataonay ho ato anatin’ity karazana ity ireo santionana avy any Ambohitsara ary mety hisy andiany hafa voateny ao amin’ny C. nasutum nefa tokony ho C. fallax. l. Sary avy any: Ambohitsara.

Tana kely misy orona malefaka. Famaritana: Mahatratra 110 mm ny TH-n’ny lahy ary 96 mm an’ny vavy. Somary mitsangana ihany ny satroka fa zara raha mitodika any aoriana. Tsy manana fi arovan-katoka izy. Ny lahy irery ihany no manana sanga eo an-tampon-doha. Hita ihany ny sanga an-tendron’ny molotra, izay rafetin’ireo bontsina lehibe. Malefaka ny bontsina an-tendron’ny molotra ary mirefy 2,5-3 mm ny sanga amin’ny hoditry ny lahy sy ny vavy. Amin’ny ankapobeny, 4-6 ny kirana amin’ny fi hirifana. Tsy misy sanga ny tenda. Rafetin’ireo bontsina mifanelanelana 8-10 ny sanga amin’ny lamosin’ny lahy izay tsy misy ny vavy. Tsy mitovy tantana ny fi ofony noho ireo kirana amin’ny tongotra vaventy. Somary lava noho ny HLV ny rambon’ny lahy sy ny vavy. Tsy fantatra loatra ny lokony fa nalaina tamin’ny sary. Manopy volontakatra ny vatana, fa misy tsipika manopy fotsy ny manaraka ny tehezana. Misy kirana volondavenona ny faritra aoriana amin’ny loha ary volontakatra manopy mena ny loko anelanelan’ny kirana. Misy kirana maitso manopy volondavenona ny ilan’ny loha ary fotsy ny elanelan’izy ireo. Fomba fi ainany: Fantatra any amin’ny haabo salatsalany atsimo andrefana. Karazana mitovy: Jereo ny C. nasutum.

1+2

292

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

1f

Page 41: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

1e

2b

1b1a

1d

2a

Page 42: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Calumma furcifer (VAILLANT & GRANDIDIER, 1880)

Toerana nahitana azy: Andekaleka, Antsihanaka, Fito, Toamasina, Vohidrazana. Sary avy any: Vohidrazana (lahy).

Tana maitso kelin’i Fito. Famaritana: Mirefy 70 mm HLV-n’ny lahy iray (santionana nofaritana)., ary 150 mm ny TH. Tsy fantatra ny tena haben’ny vavy. Tena iva ny satroka. Tsy manana fi arovan-katoka izy sady tsy misy sanga eo an-tampon-doha ary tsy miavaka loatra ny sanga an-tendron’ny molotra. Tokana sady misy taolana ny bontsina an-tendron’ny molotra, mirefy 5 mm ny tontalin’ny halavany ary misampana roa eo amin’ny 2,5 mm aloha. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra ny vavy ary tsy miavaka ny sanga amin’ny andilana sy ny fi hirifana. Tsy misy sanga ny tenda sy kibo. Rafetin’ireo tsilo madinika maromaro ny sanga amin’ny lamosina. Mitovy tantana ny fi ofony. Sahala ny halavan’ny rambo sy ny HLV. Maitso tanteraka ny lahy, misy tsipika amin’ny sisiny mazava sy pentina fotsy roa manaraka ny tehezana. Misy tsipika fotsy roa mifanindran-dalana eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Hita amoron’ny sakeli-drano any anaty ala simba amin’ny haabo salatsalany. Ny volana aprily no nahitana zanany. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny bontsina an-tendron’ny molotry ny lahy, fa tena mitovy amin’ireo karazana hafa ny vavy.

2. Calumma gastrotaenia (BOULENGER, 1888)

Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Ambavaniasy, Ambohimitombo, Ambohitantely, Ampamaherina, Ampantomaizina, An’Ala, Analamazoatra, Andasibe, Andrangoloaka, Andrangoloaka, Angavokely, Antoetra, Antratrabe, Befotaka, Farihimazava, Ikongo, Maevatanana, alan’i Mandriandry, Mantadia, Moramanga, Tritriva. Sary avy any: Mandraka (2a, lahy), Andasibe (2b, vavy).

Tana maitso kely tatsinanana. Famaritana: Mitoy 68 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 142 mm ny TH), ary mahatratra 68 mm ny an’ny vavy (mahatratra 126 mm ny TH). Salatsalany haben’ny satroka ary mitsangana tsara mankany aoriana amin’ny lahy fa tena iva sy tsy mitsangana amin’ny vavy. Tsy manana fi arovan-katoka izy sady tsy misy sanga eo an-tampon-doha. Manana sanga an-tendron’ny molotra, fa tsy misy bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy hita loatra ny sanga amin’ny andilana sy ny fi hirifana. Tsy misy sanga ny tenda. Misy ny sanga amin’ny lamosina miavaka ny ankamaroan’ny lahy, fa tsy manana ny vavy. Mitovy tantana ny fi ofony. Somary lava noho ny HLV ny rambon’ny lahy sy ny vavy. Somary maitso ranoray ny vatana. Misy tsipika fotsy isaky ny ilan’ny loha sy ny tehezan’ny lahy, fa tsy miavaka loatra anefa izy io amin’ny vavy. Misy tsipika fotsy roa mifanindran-dalana eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Betsaka anaty ala mando velona sy ala simba. Miteronterona 1-2 m miala amin’ny tany matetika. Karazana mitovy: Mety ho sarotra ny fanavahana azy amin’ireo karazana ao anatin’ny karazana maro sosona C. gastrotaenia amin’ny alalan’ny toetra ivelany.

3. Calumma guillaumeti (BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1974)

Toerana nahitana azy: Anjanaharibe Sud, Marojejy, Tsaratanana. Sary avy any: Marojejy (lahy).

Tana maitso kelin’i Marojejy. Famaritana: Mahatratra 52 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 108 mm ny TH), ary

mahatratra 58 mm ny an’ny vavy (mahatratra 103 mm ny TH). Zara raha mitsangana mankany aoriana ny satroka. Tsy manana fi arovan-katoka sady tsy misy ny sanga an-tampon-doha ary tsy miavaka loatra ny sanga an-tendron’ny molotra. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra, Tsy miavaka ny sanga amin’ny andilana sy ny fi hirifana ary tsy misy sanga ny tenda. Misy sanga amin’ny lamosina tsy miavaka loatra ny tapany aloha. Mitovy tantana ny fi ofony. Somary lava noho ny HLV ny rambon’ny lahy fa fohy kosa ny an’ny vavy. Maitso ny vatana fa manopy maitso ny loha, ary manopy mavo ny tehezana ary pentina maro marevaka. Tsipika fotsy amin’ny sisiny sy laharana pentina roa mazava amin’ny tehezana. Faritan’ny faribolana manga ny maso ary mivolo-bolamena mavo ny tenda. Mampiavaka ny vavy amin’ny lahy ny tsy fi sian’ny tsipika fotsy amin’ny sisiny sy ny pentina fotsy amin’ny tehezana. Misy tsipika mazava roa mifanindran-dalana eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Any anaty ala mando amin’ny haabo salatsalany any avaratra atsinanana. Karazana mitovy: C. marojezense izay tsy manana sanga amin’ny lamosina a sy ny C. vencesi izay tsy mivoatra tsara ny azy.

4. Calumma andringitraense (BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1972)

Toerana nahitana azy: Ambalamarovandana, Andohahela, Andringitra, Alan’Imaitso. Sary avy any: Alan’Imaitso, Andringitra (4a, lahy), Andohahela (4b, lahy; 4c, vavy).

Tana maitso kelin’Andringitra. Famaritana: Mahatratra 58 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 126 mm ny TH) ary tsy fantatra ny an’ny vavy. Iva ny satroka ka zara raha mitsangana mankany aoriana. Tsy manana fi arovan-katoka sady tsy misy sanga eo an-tampon-doha. Misy sanga an-tendron’ny molotra fa tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy miavaka ny sanga amin’ny andilana sy ny fi hirifana. Tsy misy sanga ny tenda sy ny kibo ary ny lamosina. Mitovy tantana ny fi ofony. Somary lava noho ny HLV-n’ny rambon’ny lahy. Maitso ny loko fa ahitana tsipika fotsy amin’ny sisiny sy pentina laharana roa manaraka ny tehezana. Misy tsipika mazava roa mifanindran-dalana eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Any anaty ala mando an-tendrombohitra atsimo atsinanana. Karazana mitovy: C. gastrotaenia (manana sanga amin’ny lamosina ny lahy) sy C. glawi (izay misy lempona miavaka ny hatoka) ary hita any atsimo atsinanana koa.

294

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

21

43

Page 43: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1

2a

3

4b

2b

4a

4c

Page 44: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Calumma glawi BÖHME, 1997Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Andrambovato, Alan’i Marotreho, Ranomafana, Vinanitelo, Vohiparara. Sary avy any: Vohiparara (1a, lahy), Ranomafana (1b, vavy).

Tana maitso kelin’i Ranomafana. Famaritana: Mahatratra 65 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 136 mm ny TH), ary mahatratra 68 mm ny an’ny vavy (mahatratra 126 mm ny TH). Iva ny satroka, ka zara raha mitsangana mankany aoriana. Miavaka ny fi arovan-katoka fa tsy mivoatra loatra ny an’ny vavy. Tsy manana sanga eo an-tampon-doha ary tsy miavaka loatra ny sanga an-tendron’ny molotra. Tsy ahitana bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy misy sanga ny andilana, ny fi hirifana, ny tenda ny kibo ary ny lamosina. Mitovy tantana ny fi ofony. Maitso ny vatana sady ahitana pentina manga maitso na marika matroka. Misy tsipika mavo ny sisin’ny lahy (manopy volontakatra na tsy hita loatra amin’ny vavy). Manopy mainty ny satroka sy ny fi arovan-katoky ny lahy. Ahitana tsipika mavo be sakana ny tenda. Fomba fi ainany: Any anaty ala mando velona sy simba any amin’ny haabo salatsalany. Karazana mitovy: Ireo karazana izay tsy manana na zara raha misy lempona ny hatoka.

2. Calumma marojezense (BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1970)

Toerana nahitana azy: Anandrivola, Anjanaharibe Sud, Marojejy. Sary avy any: Marojejy (lahy).

Tana maitso kely miteboka fotsy. Famaritana: Mahatratra 70 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 144 mm ny TH), ary mahatratra 74 mm ny an’ny vavy (mahatratra 122 mm ny TH). Tena iva ny satroka. Amin’ny lahy sy ny vavy Tsy manana fi arovan-katoka sady tsy misy sanga eo an-tampon-doha. Tsy hita loatra ny sanga an-tendron’ny molotra. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy miavaka ny sanga amin’ny andilana sy ny fi hirifana, fa tsy misy ny saoka sy ny kibo ary ny lamosina. Mitovy tantana ny fi ofony. Somary lava noho ny HLV ny rambon’ny lahy fa fohy kosa ny an’ny vavy. Maitso ranoray ny vatana. Misy tsipika fotsy ny sisin’ny lahy (misy na tsy hita loatra ny an’ny vavy), ary tapahin’ireo pentina mazava loko roa na telo amin’ny lahy sy vavy. Misy tsipika mazava roa mifanindran-dalana manomboka eo amin’ny foto-tànana manaraka ny afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Miteronterona 50- 150 sm miala anin’ny tany any anaty ala mando amin’ny haabo iva. Karazana mitovy: C. guillaumeti sy C. vencesi izay manana sanga amin’ny lamosina.

3. Calumma peyrierasi (BRYGOO, BLANC & DOMERGUE, 1974)

Toerana nahitana azy: Marojejy. Sary avy any: Marojejy (nalain’i A. Raselimanana).

Tana maitso kely. Famaritana: Mahatratra 48 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 108 mm ny TH), ary mahatratra 48 mm ny an’ny vavy (mahatratra 86 mm ny TH). Mitsangana tsara mankany aoriana ny satroka. Tsy manana fi arovan-katoka sady tsy misy sanga an-tampon-doha ary tsy miavaka loatra ny sanga an-tendron’ny molotra. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy miavaka ny sanga amin’ny andilana, fa misy sanga ny fi hirifana sy ny tenda ary ny kibo. Ahitana sanga amin’ny lamosina miavaka fa amin’ny tapany aloha ihany (lahy) na tsy misy (vavy). Mitovy tantana ny fi ofony. Maitso sy mavo ny lahy ary tsy misy pentina manopy fotsy ny tehazana. Manopy mena ny ati-tongotra ary misy tsipika matroka mitsivalana mandalo amin’ny hodi-maso.

Misy tsipika tokana mivolo-bolamena mavo eo afovoan’ny kibo. Miavaka amin’ny lahy ny vavy noho ny loha sy ny tapany alohan’ny lamosina volontakatra manopy mena ary volondavenona tanora amin’ny vatana. Fomba fi ainany: Hita any anaty kirihitra matevina any an-tendrombohitra (haabo 1900-2000 m) izy. Karazana mitovy: Miavaka izy noho ny fananany sanga amin’ny lamosina sy ny tsipika tokana amin’ny eo afovoan’ny kibo.

4. Calumma vatosoa ANDREONE, MATTIOLI, JESU & RANDRIANIRINA, 2001

Toerana nahitana azy: Tsararano. Sary avy any: Tsararano (lahy; nalain’i F. Andreone).

Tana maitso kely vatosoa. Famaritana: Mirefy 60 mm ny HLVny lahy tokana (126 mm ny TH). Iva ny satroka. Tsy manana fi arovan-katoka sady tsy mivoatra loatra ny sanga eo an-tampon-doha. Mifandray ny sanga an-tendron’ny molotra sy ny tendron’ny orona. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy misy sanga ny fi hirifana, ny tenda sy ny lamosina ary ny kibo. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Maitso ny vatana, fa ahitana tsipika fotsy ny sisiny sy pentina volomboasary ny afovoan’ny tehezana. Toerana nahitana azy: Hita tany amin’ny fi fangaroan’ny ala mando sy ny tanety misy kirihitr’anjavidy amin’ny haabo 665 m. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny lokony.

5. Calumma vencesi ANDREONE, MATTIOLI, JESU & RANDRIANIRINA, 2001

Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Besariaka, Tsararano. Sary avy any: Masoala (5a, lahy; 5b, vavy; nalain’i F. Andreone).

Tana maitso kelin’i Vences. Famaritana: Mirefy 63-73 mm HLV-n’ny lahy (103-145 mm ny TH) ary 52-72 mm ny an’ny vavy (111-134 mm ny TH). Iva ny satroka. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra sy fi arovan-katoka. Tsy misy sanga ny tenda sy ny kibo, fa misy kosa ny lamosina. Mitovy tantana ny fi ofony. Maitso be ny lahy ary mety ahitana tsipika hatsatra ny sisiny. Maitso tanora mankany amin’ny mavo ny vavy sady ahitana tsipika matroka tsy mirindra ny sisin’ny aorian’ny tehezana. Fomba fi ainany: Fahita matetika any anaty ala mando amin’ny haabo salatsalany (700-960 m). Hita niteronterona 10-90 sm miala amin’ny tany tamin’ny alina avokoa ireo santionana ireo. Karazana mitovy: Jereo ny C. guillaumeti. 21

296

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: CalummaCalumma

43 5

Page 45: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

5a

1b

4

1a

3

5b

Page 46: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Furcifer FITZINGER, 1834Miavaka amin’ny Caluma ny Furcifer noho ny fi rafi try taova anaty (indrindra ny fi lahina sy ny avokavoka, ary ny antontam-kevitra ara-tarazo). Lehibe noho ny vavy ny lahy amin’ireo taranaka roa ireo, nefa tsy dia hita loatra izany amin’ny Caluma raha oharina amin’ny Furcifer. Fanampin’izany, mifanohitra ny fi safi dianan’izy roa ireo toeram-ponenana. Mipetraka amin’ny toerana karankaina any andrefana ny ankamaroan’ny Furcifer. Afaka mivelona amin’ny tontolo samy hafa ny karazana roa (lateralis, oustaleti), ka hita any andrefana sy afovoantany. Maro amin’ireo karazana hafa no hita any afovoantany (campani, minor) na any antsinanan’ny Nosy (pardalis). Ny antokon’ny Furcifer bifi dus no manana karazana tsy hita afa-tsy any amin’ny ala mando (willsii, bifi dus, balteatus). Maro amin’ny Furcifer no afaka mivelona amin’ny ala sy toeram-ponenana simba amin’ny ankapobeny, ary fahita matetika any ry zareo. Tsy manana fi arovan-katoka ny Furcifer, ary ny tena mampiavaka azy ny fananany satroka avo sy boribory. Tsy hita raha tsy eto Madagasikara ny karazana rehetra ankoatr’ireo karazana Kômôrianina (F. cephalolepis sy F. polleni), fa F. pardalis angamba nampidirina tany La Réunion. Miavaka tsara ireto antokon’ny karazana nosoritana tamin’ny alalan’ny famaritana ireto, nefa mety tsy mampiseho fi fandraisana ara-tarazo. Ahitana ireo karazana monina any amin’ny haabo iva ny antokon’ny Furcifer pardalis (pardalis, angeli, belalandaensis, tuzetae, miaraka amin’ireo karazana Kômôrianina roa). Mampiavaka azy ny hafohy na ny tsy fi sian’ny bontsina an-tendron’ny molotra (lava kokoa ny an’ny F. angeli), ary koa ny fananany sanga amin’ny kibo sy sanga amin’ny tenda. Ny antokon’ny Furcifer verrucosus (verrrucosus, oustaleti, nicosiai) dia itambaran’ireo karazana lehibe sady manana satroka avo fa tsy misy bontsina an-tendron’ny orona Ireo karazana salatsalany hatramin’ny lehibe misy bontsina an-tendron’ny orona tokana sy tena lehiba tsara no manome ny antokon’ny Furcifer rhinoceratus (rhinoceratus, labordi, antimena). Mitambatra ao anatin’ny antokon’ny Furcifer bifi dus (bifi dus, balteatus, minor, willsi, petteri) ireo karazana kely hatramin’ny lehibe. Manana bontsina an-tendron’ny molotra roa tena lehibe tsara sady misy taolana ny lahy, fa tsy misy amin’ny vavy. Manome ny antokon’ny Furcifer lateralis (lateralis, campani) ireo karazana madinika tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra ary zara raha misy na tsy misy sanga amin’ny lamosina. Nofaritana tamin’ity antoko ity ny fi sian’ny bontsina laharana roa mifanindran-dalana manaraka ny hazon-damosina.

1. Furcifer pardalis (CUVIER, 1829)Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambodifototra, Ambohitralanana, Anandrivola, Andapa, Anjanaharibe Sud, Ankara, Ankarana, Anorontsangana, Antalaha, Antsiranana, Antsirasira, alan’i Berara, Bobaomby, Fandrarazana, Fenoarivo, Fizoana, Iharana, Lokobe, Mahavelona, Mananara, Alan’i Manarikoba, Manongarivo, Maroantsetra, Marojejy, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosiarina, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Faly, Nosy Komba, Nosy Mangabe, Nosy Mitsio, Nosy Sakatia, Nosy Tanikely, Sambava, Soanierana-Ivongo, Toamasina, Tohizona, Voloina. Sary avy any: Nosy Be (1a, lahy; 1b, vavy), Ankaramy (1c, lahy, nalain’i B. Love), Ambanja (1d, lahy, nalain’i B. Love), Nosy Mangabe (1e, lahy, nalain’i B. Love), Nosy Boraha (1f, lahy). Sakorikità. Famaritana: Mahatratra 250 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 520 mm ny TH), ary Mahatratra 167 mm ny an’ny vavy (mahatratra 377 mm ny TH). Tena iva ny satroka fa miavaka ihany ny sanga an-tampon-doha. Miavaka tsara ny sanga an-tendron’ny molotra. Mikambana eo an-tendron’ny orona sy ny sanga an-tendron’ny molotry ny lahy ka dia mety manome bontsina n-tendron’ny molotra tena fohy izay tsy ananan’ny vavy. Miavaka ny sanga amin’ny andilana ary tsy misy sanga amin’ny fi hirifana. Rafetin’ny bontsina kely 15-20 ny sanga amin’ny tenda. ary Mahatratra

50 ny mandrafi tra ny sanga an-damosina amin’ny lahy sy vavy. Manana sanga amin’ny kibo izy. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Lava kokoa noho HLV ny rambon’ny lahy sy vavy. Miavaka kokoa aminy an’ireo karazana hafa ny lokon’ny lahy ary mety hisy fahasamihafan lehibe ny lokon’ny tsirairay avy. Hita amin’ny santionana rehetra ny tsipika manopy fotsy sy matroka mitsivalana amin’ny sisiny. Manopy volondavenona na volondavenona manopy manga ny lahy avy any Nosy Boraha ary maitso antitra na mena ny avy any Maroantsetra sy Nosy Mangabe. Maitso (ambonin’ny tsipika amin’ny sisiny) fa mety mifangaro mavo (ambanin’ny tsipika amin’ny sisiny) ireo avy any amin’ny manodidina an’Antsiranana (avaratry ny Nosy). Maitso manga ny avy any Nosy Be. Nahitana santionana sasany miloko mena tanteraka ary tena mahalana ny manga (loko angamba tsy ara-dalana). Volondavenona mankany amin’ny mainty ary volontakatra manopy mavo tanora, na manopy mavokely na volomboasary ny tehezana. Miharihary ny tsy fi sian’ny tsipika fotsy eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Hita foana any anaty ala mando velona (oh: Lokobe, Nosy Mangabe), nefa maro kokoa ry zareo any amin’ny ala simba sy ny saha ary ny kirihitra iva simba. Ny bibilava Stenophis variabilis sy Madagascarophis colubrinus no fantatra amin’ny mpihaza azy. Nanatody 12-46 tao anaty lavaka ny vavy 31-45 andro taorian’ny fi raisana ary foy ny zanany mirefy 55 mm (TH) afaka 159-384 andro. Karazana mitovy: F. angeli izay manana bontsina an-tendron’ny molotra fohy ny vavy, fa lava kosa ny an’ny lahy. F. belalandaensis izay toa kelikely kokoa.

2. Furcifer belalandaensis (BRYGOO & DOMERGUE, 1970)Toerana nahitana azy: Belalanda. Sary avy any: Belalanda (nalain’i A. Raselimanana).

Sakorikitàn’i Belalanda. Famaritana: Tsy dia fantatra loatra. Mirefy 118 mm HLV-ny lahy iray any fantatra, ary 229 mm ny TH. Somary avo kokoa ny satroky ny lahy. Miavaka ny sanga an-tampon-dohany. Mivoitra tsara ny sanga an-tendron’ny molotra ary mitambatra ka manome bontsina an-tendron’ny molotra fohy mirefy eo amin’ny 1 mm ny halavany. Manana sanga aminy andilana sy sanga amin’ny tenda fa tsy misy sanga amin’ny fi hirifana. Rafetin’ny bontsina 44 izay mirefy 1,5 ny lava indrindra ny sanga amin’ny lamosina. Toy ny tsy misy sanga amin’ny kibo. Mibontsimbontsina mitovy tantana ny fi ofony. misy kirana somary lehibe manome tsipika amin’ny sisiny (latsaky ny 1,5 mm ny savaivony). Fohy kokoa noho HLV ny rambon’ny lahy. Maitso mankany amin’ny maitso manopy volondavenona ny loko, fa misy tsipika manopy fotsy ny sisiny ary manopy fotsy ny molotra ambony. Misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Fantatra avy any amin’ny faritra kely any amin’ny tany tena karankaina. Hita miharihary fa voafetra any amin’ny ala anelanelam-bohitra simba sy tena mazava. Fomba fi ainany. Ny fanisana natao tao anatin’ny 10-50 km tany Belalanda, no nahitana fa mety ho lany tamingana. ity karazana ity. Karazana mitovy: F. pardalis, F. angeli, F. antimena.

21

298

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: FurciferFurcifer

Page 47: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1d

1f

1c

1b1a

1e

2

Page 48: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Furcifer campani (GRANDIDIER, 1872)Toerana nahitana azy: Ambatolampy, Ambohimitombo, Andohariana, Andrangoloaka, Andringitra, Ankaratra, Antananarivo, Antratrabe, Farihimazava, Ibity, Itremo, Manjakatompo, Nosiarivo, Soamazaka, Tritriva, Vohisokina. Sary avy any: Andringitra (1a, 1b; vavy), tsy voafaritra (1c).

Gamara. Famaritana: Mahatratra 66 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 135 mm ny TH), ary Mahatratra 66 mm ny an’ny vavy (mahatratra 132 mm ny TH). Iva ny satroka. Hita tsara ny sanga an-tampon-doha sy ny sanga an-tendron’ny molotra ary tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra. Tsy manana sanga amin’ny andilana sady tsy hita tsara ny sanga amin’nyfi hirifana ary tsy misy sanga amin’ny tenda sy sanga amin’ny kibo. Tsy ahitana sanga amin’ny lamosina fa saingy misy voa bitika laharan roa mifanesisesy hita avy eo ambony. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Misy laharan-kirana vaventy mazava loko tsy mirindra loatra manaraka ny tehezana. Mitovy amin’ny HLV ny rambon’ny lahy. Miloko volontakatra manopy mavo mankany amin’ny volontakatra (lahy) na maitso mankany amin’ny manopy mainty (vavy), sady ahitana laharan-kirana vaventy manopy fotsy maromaro ny tehezana sy tsipika mazava (fotsy, mangamanga, volotany na mavo) telo ny sisiny izay efa manomboka hita amin’ny vatony. Tonga hatrany amin’ny foto-drambo ny tsipika amin’ny lamosina. Misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibo. Matetika mena ny sanga ambony maso sy ny sanga an-tendron’ny molotra. Fomba fi ainany: Mampiavaka azy amin’ny C. hilleniusi izay samy hita any an-tendrombohitr’Ankaratra, ny fahitana azy any amin’ny bozaka miaraka amin’ny F. lateralis fa tsy any anaty ala araka ny niheverana azy. Nahitana atody 4 (9,0-9,2 x 5,1-5,7 mm) ny vavy maty ny 3 martsa. Nanatody 6-16 any anaty lavaka amin’ny tany any amin’ny toeram-piompiana. Mirefy 10,5 x 75 mm ny atody vao latsaka. Maharitra 140-265 andro ny fahafoizan’ny zanany arakaraky ny hafanana, ary mirefy 15-18 mm ny HLV-n’ny zanany vao foy (22-24 mm ny TH). Karazana mito-vitovy: F. lateralis izay hafa loko sady manana faribolana telo matroka amin’ny tehezana.

2. Furcifer lateralis (GRAY, 1831)Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambohimitombo, Ambohitantely, Ampalaza, Ampamaherina, Ampantomaizina, Amparafara, Anakao, Analamazoatra, Andrangoloaka, Andranohinaly, Andringitra, Androka, Ankarimbelo, Antananarivo, Antratrabe, Antsalova, Antsirabe, Bedasy, Beheloka, Belalanda, Betioky, Ejeda-Ampanihy, Cap Sainte Marie, Farihimazava, Fianarantsoa, Ianzamaly, Ibity, Ikongo, Isaka-Ivondro, Isalo, Itremo, Farihin’i Alaotra, Mahafaly, Malahelo, Manakara, Mandena, Mandraka, Mantasoa, Marofandilia, Masoarivo, Menabe, Midongy du Sud, Morondava, Nosiarivo, Sainte Luce, Soamazaka, Tanandava, Tolagnaro, Toliara, Tranomaro, Tranoroa, Tsianovoha, Tsingin’i Bemaraha, Tsivono, Vohisokina, Zombitse. Sary avy any: Betioky (2a, lahy), Antananarivo (2d, vavy), tsy voafaritra (2b, lahy; 2c, vavy).

Tanalahy. Famaritana: Mahatratra 139 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 293 mm ny TH), ary Mahatratra 110 mm ny an’ny vavy (mahatratra 228 mm ny TH). Mirefy 142 mm HLV-n’ny lahy lava indrindra ary 302 mm ny TH. Somary mitsangana ny satroka. Hita tsara ny sanga eo an-tampon-doha sy ny sanga an-tendron’ny molotra ary tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra. Manana sanga amin’ny andilana fa tsy misy sanga amin’ny fi hirifana sy amin’ny kibo ary tsy hita tsara ny sanga amin’ny tenda. Tsy ahitana sanga amin’ny lamosina fa saingy misy voa bitika lavalava roa hita avy eo amboniny. Mitovy tantana ny fi ofony. Lava kokoa noho ny HLV ny rambon’ny lahy. Matetika maitso be ny lahy, fa saika hita amin’ny vavy ny karazan-doko rehetra. Matetika misy tsipika sy faribolana matroka telo ny tehezana. Misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibo. Toe-piainany: Monina amin’ny karazam-ponena maro samihafa, ao anatin’izany ny bozaka

maina an-tendrombohitra, ny ala maina mihitsan-dravina sy ny alan-tsilo karankaina any atsimo andrefana ary ny ala mando tropikaly. Mety hita mandady anaty bozaka na vato, na ambony hazo anaty kirihitra hatrany amin’ny hazo avo indrindra. Maharitra 10-20 mn ny fi raisana. Mametraka ny atody 6-11 eo amin’ny tany (tsy aleviny). ny vavy nompiana afaka 30-52 andro ao aorian’ny fi raisana. Ny isan’ny atody dia manodidina ny 4 sy 23 any amin’ny natiora samy hafa ary alentiny 10 sm ambanin’ny tany ireo. In-efatra na in-dimy ny fanatodizany ao anatin’ny taona. Mirefy 22-35 mm ny zanany foy afaka 154-378 andro ary matoy izy rehefa feno 4-6 volana, 2-3 taona no mety ho fahavelomany raha ompiana, nefa voalaza fa herintaona ihany izany any amin’ny natiora. Fahasamihafana: Fantatra matetika ny zana-karazana “major”, ary ny voka-pikarohana ara-tarazo dia mampiseho fahasamihafana ara-tarazo amin’ireo andiany samy hafa fi haviana amin’io karazana io. Mbola mampiahiahy ny fahazoana manome an’io anarana io. Karazana mitovy: F. campani izay manana tsipika mazava telo amin’ny sisiny.

3. Furcifer tuzetae (BRYGOO, BOURGAT & DOMERGUE, 1972)

Toerana nahitana azy: Andrenalamivola. Tsy misy sary.

Tarondro ben’Andrenalamivola. Famaritana: Mahatratra 173 mm ny HLV-n’ny lahy iray fantatra (395 mm ny TH). Tsy fantatra ny vavy. Avo ny satroky ny lahy. Tena mivoitra tsara ny sanga an-tendron’ny molotra sy sanga an-tampon-doha. Mifandray ny sanga an-tendron’ny molotra avo ary mihoatra 2 mm amin’ny tendron’ny orona, ka manome ny bontsina an-tendron’ny molotra fohy. Misy sanga ny andilana sy ny tenda. Rafetin’ny tandroka kely 70 mirefy 2 mm ny lava indrindra ny sanga amin’ny lamosina. Manana sanga amin’ny kibo izy. Tsy mitovy tantana loatra ny fi ofony. Misy kirana vaventy amin’ny tongotra sy ny rambo ary ny sisin’ny lamosina. Maitso ny lokony, fa ahitana tsipika mazava loko ny sisiny ary matroka mitsivalana ny tehezana sy ny rambo. Misy tsipika misandrahaka ny hod_imaso izay tonga hatrany amin’ny sisin’ny loha. Misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Nofaritana tany amin’ny toerana karankaina atsimo andrefana. Tsy misy fanampim-pahalalana azo raisina momba azy. Karazana mitovy: Maro ireo karazana tena mitovy aminy ivelany (belalandaensis, labordi, oustaleti); jereo ny takila manaraka misy ireo karazana ireo.

300

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: FurciferFurcifer

21 3

Page 49: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

2c

1a

1c

2b

2d

Page 50: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Furcifer oustaleti (MOCQUARD, 1894)Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambositra, Ambovombe, Ampasimbe, Ampijoroa, Andafi abe, Andapa, Andrakaraka, Andriba, Ankara, Ankarafantsika, Ankaramena, Ankarana, Antalaha, Antsalova, Antsiranana, Antsirasira, Besalampy, Betsimpoaka, Doany, Iharana, Ikalamavony, Ivohibe, Joffreville, Kandani, Kirindy, Farihin’i Alaotra, Maevatanana, Mahajanga, Maintirano, Malahelo, Manantantely, Mandena, Volontakatra, Marambitsy, Maroantsetra, Marotolana, Marovoay, Masoarivo, Menabe, Miandrivazo, Mitsinjo, Montagne des Français, Morafenobe, Nosy Faly, Petriky, Ranohira, Saint Augustin, Sainte Luce, Sainte Marie any Marovoay, Sambava, Soalala, Tolagnaro, Toliara, Tsingin’i Bemaraha, alan’i Vohibasia, Vondrozo, alan’i Zombitse. Sary avy any: Ambanja (1a, lahy), Antsiranana (1b, vavy).

Tarondro. Famaritana: Izy miaraka amin’i Calumma parsonii no farany lehibe indrindra amin’ny Tana eran-tany. Mahatratra 284 mm ny HLV, Mahatratra 685 mm ny TH (lahy) ary 400 mm ny TH (vavy). Avo ny satroka. Hita tsara ny sanga an-tampon doha sy ny sanga amin’ny andilany. Hita tsara koa ny sanga an-tendron’ny molotra, izay miafara amin’ny-tendron’ny orona mitokana. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra sady tsy misy sanga amin’ny fi hirifana. Hita miavaka ny sanga amin’ny tenda sady tsy mifandray amin’ny sanga amin’ny kibo. Rafetin’ny tandroka miavaka sy mirindra maherin’ny 45 ny sanga an-damosin’ny lahy sy vavy. Tsy hita tsara ny sanga amin’ny kibo indraindray, fa marihan’ny kirana vaventy mifanesisesy mirindra. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Manopy volondavenona na volontakatra ny lahy, ary mety tena marevaka kokoa ny vavy, oh: mipentina volondavenona sy mavo sady misy mena ny loha sy ny tanana na maitso be. Tsy misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibon’ny lahy sy vavy. Fomba fi ainany: Mitovy amin’ny an’ny F. lateralis ny toeram-ponenany, satria monina amin’ny karazam-ponena maro samy hafa izy, ao anatin’izany ny bozaka maina an-tendrombohitra sy ny ala maina mihitsan-dravina ary ny ala mando. Matetika eny amin’ny ala simba, na koa vohitra sy an-tanan-dehibe aza, fa tsy hita loatra any amin’ny ala velona. Nanatody 16 (10,8 x 15,1 mm) ny vavy iray nirefy 400 mm (TH) tamin’ny febroary; nilanja 56 g ireo atody rehetra ireo, ary 125 g ny vavy taorian’ny nanatodizany. Manodidina ny 40 andro eo no itondrany ny atody ao an-kibo. Maoty ny zanany afaka herintaona eo ho eo. Karazana mitovy: F. verrucosus izay manana sanga amin’ny lamosina misy tsilo 40. F. nicosiai izay kely kokoa sady manana kirana vaventy aorian’ny maso.

2. Furcifer nicosiai JESU, MATTIOLI & SCHIMMENTI, 1999Toerana nahitana azy: Tsingin’i Bemaraha, Kirindy. Sary avy any: Bemaraha (vavy).

Tarondron’i Bemaraha. Description: Mirefy 145 mm ny HLV-n’ny lahy (282 mm ny TH) ary 90 mm ny an’ny vavy (172 mm ny TH). Avo ny satroka. Miavaka ny sanga an-tampon-doha (tsy hita tsara amin’ny vavy). Hita tsara ny sanga an-tendron’ny molotra, ny tendrony dia misaraka amin’ny an’ny orona. Tsy manana bontsina an-tendron’ny molotra sady tsy mivoatra tsara ny sanga amin’ny andilany ary tsy misy sanga eo an-tampon-doha. Hita miavaka ny sanga amin’ny tenda izay rafetin’ny bontsina maranitra 16 tamin’ny ”santionana nofaritana”. Ny sanga amin’ny lamosin’ny lahy dia feno ary rafetin’ny tsilo 50-60 fa ny ampahatelon’ny vatana ihany no misy amin’ny vavy (misy bontsina 8). Manana bontsina amin’ny kibo. Tsy mitovy tantana ny fi ofony, ary ahitana kirana vaventy (savaivo > 2 mm) ny tampon-doha sy ny fi hirifana. Volontakatra manopy mavo, fa misy fariparitra mirarirary volontakatra ny loha, ny vatana ary ny rambon’ny lahy, ary tsipika be sakana fotsy amin’ny sisiny. Misy tsipika matroka mitsivalana ny vatana sy ny rambo. Manana loko manokana ny vavy, ahitana ny

loko manga tanora sy volomparasy, ary mbola misy tsipika mavokely manaraka ny tehezana izay tapahan’ny sadika vitsivitsy manopy manga. Fomba fi ainany: Monina amin’ny ala somary mando mikitroka sy ny ala tsilo maina mikitroka ary ny sisin’ala. Matetika miara-monina amin’ny F. oustaleti izy. Niteronterona 1-2 m miala amin’ny tany ny ankamaroany (mahalana hita mahatratra 6m). Karazana mitovy: Mety mifangaro amin’ny vatombaton’ny F. oustaleti.

3. Furcifer verrucosus (CUVIER, 1829)Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambolisatra, Ambovombe, Ampalaza, Ampanihy, Anakao, Andranohinaly, Androka, Beheloka, Belo, Bemangily, Ejeda-Ampanihy, Ejeda, Eminiminy, Fiherenana, Ianzamaly, Ifaty, Ihosy, Ihotry, Ikalamavony, Isaka-Ivondro, Kanatzi, Kandani, Lavenombato, Mahajamba, Mahajanga, Maintirano, Malahelo, Volontakatra, Marambitsy, Menabe, Morafenobe, Morondava, Ranohira, Saint Augustin, Sainte Luce, Sakaraha, Sakoa, Sarodrano, Tanandava, Tolagnaro, Toliara, Tranomaro, Tranoroa, Tsimanampetsotsa, Tsivono, alan’i Vohibasia. Sary avy any: Tolagnaro (3a, lahy; 3b, vavy).

Sakorikità be. Famaritana: Mahatratra 265 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 565 mm ny TH), ary mahatratra 101 mm ny an’ny vavy (mahatratra 213 mm ny TH). Avo ny satroka. Miavaka ny sanga an-tampon-doha sy ny sanga amin’ny andilany. Hita tsara ny sanga an-tendron’ny molotra, fa misaraka amin’ny tendron’ny orona. Tsy manana bontsina ant-endron’ny molotra sady tsy misy sanga amin’ny fi hirifana. Hita tsara ny sanga amin’ny tenda izay rafetin’ny tandroka 15-20 amin’ny lahy. Misy tandroka latsaky ny 40 (mirefy 4 mm) ny sanga an-damosin’ny lahy, ary lasa bontsina kely ny an’ny vavy. Tahaka ny tsy misy sanga amin’ny kibo. Tsy mitovy tantana ny fi ofony, ary ahitana kirana vaventy (2-3 mm) manaraka ny afovoan’ny tehezana. Manopy volondavenona na volontakatra amin’ny ankapobeny na maitso ny antsasakin’ny tehezana anoloana ny lahy. Ahitana pentina fotsy tsy mirindra milahatra eo afovoan’ny tehezana. Volondavenona na volontakatra ny sisin’ny lamosina indraindray, ary volondavenona tanora na manopy fotsy ny antsasakin’ny tehezana anoloana sy ny tendan’ny vavy. Misy tsipika mazava ny afovoan’ny tehezana (indraindray tsy hita). Tsy misy tsipika fotsy manaraka ny afovoan’ny kibon’ny lahy sy vavy. Fomba fi ainany: Fahita matetika any amin’ny ala karankaina efa simba, fa indraindray hita any amin’ny ala mando velona. Manatody hatramin’ny 45 ny vavy iray, ary maharitra 9 volana ny fi kotrehana ny atody amin’ny hafanana 28°C. Mitombo haingana ny zanany ary lehibe afaka 9-12 volana. Fanamarihana: Nofaritana tany amin’ny tendro atsimon’ny Nosy ny anarana semicristatus, nefa mila fandalinana ny satany sy ny maha izy azy. Karazana mitovy: F. oustaleti sy F. nicosiai.

302

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: FurciferFurcifer

21 3

Page 51: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

21b

3a 3b

Page 52: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Furcifer angeli (BRYGOO & DOMERGUE, 1968)Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Bekomanga, Tsaramandroso. Sary avy any: Santionana nompiana fa tsy fantatra ny toerana niaviany (1a, 1b, lahy; 1c, vavy). Sakorikita matsoko orona. Famaritana: Mahatratra 160 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 325 mm ny TH), ary mahatratra 78 mm ny an’ny vavy (mahatratra 150 mm ny TH). Iva ny satroka. Miavaka ny sanga an-tampon-doha sy ny sanga amin’ny andilany. Hita tsara ny sanga an-tendron’ny molotry ny lahy, tsy mivoatra tsara amin’ny vavy. Mitambatra ny sanga an-tendron’ny molotra ny lahy ka lasa bontsina an-tendron’ny molotra tokana sy mafy sady mahatratra 8 mm ny halavany. Miafara amin’ny bontsina an-tendron’ny molotra kely ny sanga an-tendron’ny molotra tsirairain’ny vavy izay mihoatra kely ny tendron’ny orona. Tsy manana sanga amin’ny fi hirifana, fa ahitana sanga amin’ny tenda ny lahy sy vavy. Misy sanga amin’ny lamosina, izay rafetin’ny bontsina kely maro milahatra tsara, fa dia hita amin’ny vavy. Manana sanga amin’ny kibo fa tsy miavaka tsara indraindray. Volontakatra manopy volomboasary ny lahy, fa indraindray misy tsipika volondavenona mitsivalana. Ahitana tsipika fotsy manaraka ny tehezana. Fotsy ny molotra. Misy tsipika misandrahaka matroka ny hodi-maso. Volondavenona volontakatra manopy mavo ny vavy, fa misy tsipika manopy fotsy tsy mirindra manaraka ny tehezana ary pentina manopy mainty somary miparitaka mitsivalana. Tsy misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala maina. Karazana mitovy: F. pardalis izay manana bontsina an-tendron’ny molotra fohy kokoa ny lahy, fa tsy manana ny vavy.

2. Furcifer antimena (GRANDIDIER, 1872)Toerana nahitana azy: Antsokay, Belalanda, Ifaty, Ihotry, Mikea, Toliara, Tsivanoa. Sary avy any: Ifaty (2a, lahy; 2b, vavy). Tarondro ben’ny atsimo andrefana. Famaritana: Mahatratra 170 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 338 mm ny TH), ary Mahatratra 95 mm ny an’ny vavy (mahatratra 177 mm ny TH). Avo ny satroky ny lahy, fa iva kokoa ny an’ny vavy. Hita tsara ny sanga eo an-tampon-doha sy ny sanga an-tendron’ny molotra. Manana bontsina an-tendron’ny molotra tokana sy mafy izay mirefy 9-12 mm ny halavany ny lahy ary 2-3,5 mm ny vavy. Manana sanga amin’ny andilana. Tsy misy sanga amin’ny fi hirifana sy amin’ny tenda na fotony fotsiny. Rafetin’ny tsilo lava mirefy 3-6 mm 35 ny sanga an-damosin’ny lahy, ary tandroka 4-7 ny an’ny vavy. Tsy manana sanga amin’ny kibo. Maitso ny lahy amin’ny ankapobeny, sady misy tsipika fotsy manopy volondavenona miavaka ny sisiny izay tapahan’ny faribolana matroka telo. Manopy volontakatra ny sanga amin’ny lamosina sy ny satroka. Maitso na mavo ny hodi-maso, ary ahitana tsipika matroka misandrahaka. Maitso na volontakatra na manopy mena ny vavy, ary mety ahitana tsipika mazava ny sisiny sy faribolana matroka telo ny tehezana. Misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibon’ny vavy, fa tsy misy ny lahy. Fomba fi anany: Any amin’ny ala tsilo any atsimo andrefana. Nanatody 16 ny vavy nirefy 142 mm (TH) tamin’ny aprily. Eo amin’ny herintaona eo ny fi kotrehany ny atody amin’ny 27-30 °C. Hita nandady tamin’ny tany ny lahy iray tamin’ny alina. Karazana mitovy: F. labordi izay rafetin’ny tsilo maherin’ny 35 ny sanga an-damosin’ny lahy.

3. Furcifer labordi (GRANDIDIER, 1872)Toerana nahitana azy: Belo, Bosimava, Ihotry, Katsepy, Kirindy, Mahabo, Marofandilia, Soalala. Sary avy any: Kirindy (3a, lahy), tsy fantatra ny toerana niaviany (3b, vavy). Tarondro tsara tarehy. Famaritana: Mahatratra 138 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 308 mm ny TH), ary mahatratra 38 mm ny an’ny vavy (mahatratra 177 mm ny TH). Avo ny satroky ny lahy, fa iva kosa ny an’ny vavy. Hita tsara ny

sanga eo an-tampon-doha sy ny sanga an-tendron’ny molotra. Manana bontsina an-tendron’ny molotra (Mahatratra 12 mm ny halavany) tokana sy mafy izay fi saka manaraka ny sisiny ny lahy, ary bontsina mivoitra eo ambony tendron’ny orona ny an’ny vavy. Manana sanga amin’ny tenda izy. Rafetin’ny tandroka mirindra lava. Mahatratra 2 mm 35 ny sanga amin’ny lamosin’ny lahy (hatreny amin’ny rambo), ary tsy manana ny vavy. Tandroka kely no manome ny sanga amin’ny kibo. Maitso tanora ny lahy, sady fotsy ny molotra, ary ahitana tsipika fotsy tapatapaka sy maitso antitra mitsivalana ny sisiny. Manana tsipika mitsivalana maitso oliva ny vavy, na pentina volomparasy amin’ny vatana. Misy pentina miavaka volomboasary na volontakatra tanora 6-8 ny lamosina sy pentina kely mena ny foto-tanana. Misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibon’ny lahy sy vavy. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala maina andrefana. Manatody anaty tany 8-12 ny vavy nompiana. Foy afaka 240-300 andro ny zanany. Karazana mitovy: Jereo ny F. antimena.

4. Furcifer rhinoceratus (GRAY, 1843)Toerana nahitana azy: Amborovy, Ampijoroa, Ankarafantsika, Antema, Betsako, Mahajanga, Sainte Marie any Marovoay, Soalala. Sary avy any: Santionana nompiana fa tsy fantatra ny toerana niaviany (1a, lahy; 1b, vavy). (4a, lahy), Ankarafantsika (4b, vavy). Sakorikita malemy orona. Famaritana: Mahatratra 140 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 247 mm ny TH), ary Mahatratra 65 mm ny an’ny vavy (mahatratra 120 mm ny TH). Iva ny satroka. Hita tsara ny sanga eo an-tampon-doha sy ny sanga amin’ny andilany. Miavaka tsara ny sanga an-tendron’ny molotry ny lahy, fa tsy mivoatra tsara ny an’ny vavy. Mitambatra ny sanga an-tendron’ny molotry ny lahy ka manome bontsina an-tendron’ny molotra tokana sy vaventy sady mibontsina manaraka ny sisiny. Manodidina ny 3 mm ny bontsina an-tendron’ny molotry ny vavy. Hita tsara ny sanga amin’ny lamosina amin’ny tapany alohan’ny vatana. Tsy hita tsara kosa na tsy misy ny sanga amin’ny kibo. Manopy volondavenona na volontakatra (mahalana ny volondavena manopy manga) ny lahy, fa misy tsipika matroka mitsivalana ny vatana sy ny rambo. Ahitana tsipika manopy fotsy manaraka ny tehezana. Misy pentina fotsy tsy dia miavaka loatra ambonin’ny foto-tanana. Ahitana tsipika matroka misandrahaka ny hodi-maso. Mitovy loko amin’ny lahy ny vavy na volontakatra ranoray, fa misy loko manopy maitso miparitaka na volomparasy ny vatana ary volomboasary ny rambo. Tsy misy tsipika fotsy eo afovoan’ny kibon’ny lahy sy vavy. Fomba fi anany: Any anaty ala maina. Nosamborina tamin’ny alina ny vavy iray izay nandady amin’ny tany. Karazana mitovy: F. labordi sy F. antimena izay manana satroka avo. Fanamarihana: Sarotra ny manavaka F. monoceras amin’ny F. rhinoceratus raha ny famaritana ivelany no jerena, afa-tsy amin’ny habeny kely (mirefy 130 mm fotsiny ny TH ny lahy lehibe). Heverinay ho F. rhinoceratus ihany izy io fa hafa anarana fotsiny.

304

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: FurciferFurcifer

2

1

43

Page 53: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

3a

4a

1c

1b

3b

4b

1a

2b

Page 54: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Furcifer bifi dus (BRONGNIART, 1800)Toerana nahitana azy: Ambavaniasy, Ambila-Lemaitso, Ampantomaizina, Ampasimanolotra, Ampasimbe, Andekaleka, Andrakaraka, Ankoetrika, Beforona, Betampona, Fandrarazana, Fenoarivo, Fito, Ivoloina, Mahambo, Marojejy, Moramanga, Tampina, Toamasina, Vohidrazana. Sary avy any: Santionana nompiana fa tsy fantatra ny toerana niaviany (1a, lahy; 1b, vavy).

Sakorkita tandrokaroa. Famaritana: Mahatratra 200 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 420 mm ny TH), ary 124 mm ny an’ny vavy (mahatratra 296 mm ny TH). Iva ny satroka. Tsy manana sanga eo an-tampon-doha izy. Hita tsara ny sanga an-tendron’ny molotry ny lahy, ary tsy mivoatra loatra ny an’ny vavy. Manana bontsina an-tendron’ny molotra roa mafy sy mifanindran-dalana mirefy 14-24 mm ny lahy, fa tsy misy kosa ny vavy. Hita tsara ny sanga amin’ny andilany. Hita tsara na tsy misy ny sanga amin’ny fi hirifana. Rafetin’ireo bontsina mitsitokotoko vitsivitsy ny sanga amin’ny lamosina amin’ny tapany alohan’ny lahy, fa tsy hita tsara kosa ny amin’ny vavy. Tsy misy sanga amin’ny kibo. Mitovy tantana ny fi ofony, afa-tsy ny amin’ny tsipika mazava loko mampiavaka azy izay itambaran’ny kirana misarina amboaran-dravina boribory milahatra tsara amin’ny tehezana. Lava kokoa noho ny HLV ny rambon’ny lahy sy vavy. Miloko maitso antitra mankany amin’ny volontakatra manopy volontany na mainty manopy volondavenona ny lahy. Ahitana fehy manopy fotsy na mena tanora manapaka misompirana amin’ny tapany alohan’ny andilany anelanelan’ny sanga amin’ny lamosina sy ny afovoan’ny andilany. Misy faritra foronin’ny laharan-kirana misarina amboaran-dravina boribory mifanakaiky mazava loko amin’ny tehezana. Fotsy na mavo ny molotra. Misy fehy mazava loko sy matroka ny tapany aorian’ny andilan’ny santionana voakotaba. Maitso na manga-maitso ny vavy, fa misy fehy mazava loko manapaka ny tapany alohan’ny andilany, sy fehy matsoko loha manapaka mivadika fanampiny (miala any aloha mankany aorian’ny lamosina). Ahitana teboka kely manopy manga maro be ny vatana. Mena ny satroka, ary manopy mena ny sanga amin’ny lamosina. Misy fehy volomboasary foronin’ny laharan-kirana misarin-dravina boribory mifanakaiky ny tehezana. Volomboasary ny tenda indraindray, fa ahitana fehy mitsivalana ny andilany sy ny rambony. Miharihary ny tsy fi asian’ny tsipika fotsy manaraka ny afovoan’ny tehezana. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mazava; monina any Amoron-tsiraka mando Atsinana. Karazana mitovy: F. balteatus izay manana tsipika manapaka amin’ny tapany alohan’ny andilany, ka manomboka any amin’ny kibo io tsipika io fa tsy mahatratra ny lamosina, sady tsy mifanin-drandalana ny bontsinatendromolotry ny lahiny. Ny vavin’i Furcifer sp avy any Montagne d’Ambre izay hafa loko.

2. Furcifer sp. “Montagne d’Ambre”Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre (2a, lahy; 2b, vavy).

Famaritana: Tsy mbola nodinihina tamin’ny antsipiriahany. Manana bontsinantendromo-lotra fohy 2 sady misy taolana ny lahy, fa tsy misy ny vavy. Rafetin’ny bontsina miisa 12 ny sangandamosin’ny lahy amin’ny tapany alohan’ny lamosina ihany. Maitso tanora ny lahy, fa fotsy ny molotra ary misy kirana manga ny lohany. Manga ny tapany ambany amin’ny hodimaso, izay didinin’ny volon-takatra. Ahitana fehy fotsy foronin’ny sarin-dravina boribory mifanakaiky manaraka ny andilany sy fehy fotsy mitsivalana ny tapany alohan’ny andilany. Maitso ny vavy, fa ahitana satroka manopy manga sy fehy manopy manga na volomparasy manapaka ny tapany alohan’ny andilany. Fa fehy matroka mitsivalana kosa ny

amin’ny tapany aoriana. Misy fehy foronin’ny sarindravina boribory mifanakaiky amin’ny tehezana miloko volontakatra. Toepi-ainany: Any amin’ny ala mando mikitroka Anelane-lantany. Miteronterona ambony be (metatra maromaro ambonin’ny tany) ny lahy rehefa fahavaratra, mety hita 2-3 m kosa ny vavy bevohoka. Karazana mitovy: F. petteri sy F. willsii izay tsy manana fehy fotsy foronin’ny sarindra-vina boribory mifanakaiky amin’ny tehezana sady lava kokoa ny bontsinatendromolotry ny lahy. F. bifi dus izay hafa loko.

3. Furcifer minor (GÜNTHER, 1879)Toerana nahitana azy: Ambatomenaloha, Ambositra, Betafo, Fianarantsoa, Itremo, Vinany. Sary avy any: Santionana nompiana fa tsy fantatra ny toerana niaviany (3a, vavy; 3b, 3c, lahy).

Tanakely tsaratarehy. Famaritana: Mahatratra 100 mm ny HLV-n’ny (mahatratra 237 mm ny TH), ary 72 mm ny an’ny vavy (mahatratra 157 mm ny TH). Iva ny satroka. Tsy misy na tsy hita tsara ny sangatampindohany. Miavaka ny sanga an-tendron’ny molotry ny la-hy, fa tsy hita tsara kosa ny an’ny vavy. Manana bontsina amin’ny tendro-molotra roa misabaka mirefy 12 mm ny lahy, fa tsy misy kosa ny vavy. Miavaka tsara ny sanga amin’ny andilany, fa tsy hita tsara kosa ny sanga amin’ny fi hirifana, ary tsy misy sanga amin’ny tenda. Misy sanga amin’ny lamosina izay rafetin’ny bontsina mitsitokotoko vitsivitsy amin’ny tapany alohan’ny lamosina. Tsy misy sangankibo. Tsy mitovy tantana ny fi ofony. Lava kokoa noho ny HLV ny rambon’ny lahy, fa somary lava kokoa na mitovy ny an’ny vavy. Manopy volontakatra na volontany manopy mavo ny lahy, fa misy fehy manopy volon-davenona manapaka ny tapany alohan’ny andilany. Ahitana fehy mainty sady fohy miisa roa na mariky ny teboka matroka hodidinina faribolana anelanelan’ny tanany sy ny afovoan’ny tehezana. Volontakatra na volontany na manopy manga ny hodi-maso. Mety manopy mena ny satroka. Mety maitso ny vavy amin’ny ankapobeny. Mety miloko marevaka be izy rehefa voakotaba (teboka mavo sy fehy mitsivalana amin’ny vatana matroka, sady mbola misy teboka manga roa ny andilany ary mena ny lohany). Misy tsipika fotsy manaraka ny afovoan’ny tehezan’ny lahy sy vavy. Fomba fi ainany: Tsy fahita afa-tsy any afovoany atsimon’i Madagasikara izy. Hita tany anatin’ny voly kafe tany Itremo. Nahitana atody 12 (12 x 7 mm) ny vavy iray nodidiana; ary angamba volana aprily no tokony nandatsahany ireo atody ireo. Karazana mitovy: F. willsii sy F. petteri izay hafa loko.

306

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: FurciferFurcifer

21 3

Page 55: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

3b

1b

3a

1a

2b

3c

Page 56: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Furcifer balteatus (DUMÉRIL & BIBRON, 1851)Toerana nahitana azy: Ifanadiana, Ikongo, Ranomafana, Tolongoina. Sary avy any: Ranomafana (1a, lahiny), tsy fantatra ny toerana niaviany (1b, vavy).

Tanakely mitsipibatana. Famaritana: Mahatratra 175 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 440 mm ny TH), ary 145 mm ny an’ny vavy (mahatratra 365 mm ny TH). Fohy sady madonja ny lohany, ary mitsangana mankany aoriana. Tsy manana sangan-tampin-doha izy, fa miavaka ny sanga amin’ny tendron’ny molotry ny lahy ary tsy manana ny vavy. Ahitana bontsina an-tendron’ny molotra roa mahatra-tra 14 mm izay somary misabaka amin’ny ilany sady manondro miakatra, fa tsy misy ny vavy. Manana sanganila fa tsy hita tsara na tsy misy sanga amin’ny fi hirifana. Misy sanga amin’ny lamosina, izay rafetin’ireo bontsina maro be milahatratra amin’ny tapany alohan’ny vatana, fa tsy hita loatra any amin’ny vavy. Tsy misy sanga amin’ny kibo. Mitovy tantana ny fi ofony. Tena lava noho ny HLV ny rambon’ny lahy sy vavy amin’ny ankapobeny. Maitso tanora mankany amin’ny maitso oliva ny lokony amin’ny ankapobeny, fa ahitana fehy manapaka sady tsy miavaka loatra. Misy fehy iray mazava sy miavaka manapaka (mila itsangana raha ampitahaina amin’ny iray) miala any amin’ny tsipika an’afovoan’ny tehezana mankany alohan’ny lamosina, fa tsy mahatratra ny bontsina amin’ny lamosina. Manopy mavo na fotsy ny sasany (rehefa voakorontana), fa misy tso-riadoko maitso antitra mitsivalana na manapaka miavaka be amin’ny vatana sy ny rambony. Mety ho volontakatra manopy mena ny fehy manapaka miavaka amin’ny tehezana. Misy tsipika manopy fotsy manaraka ny afovoan’ny tehezana. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mikitroka na ala simba anelanelantany, indraindray eny ambony hazo amin’ny atoandro. Anisan’ny mpiahaza azy ny bibilava Stenophis betsileanus. Karazana mitovy: Jereo ny F. bifi dus sy Furcifer sp. “Montagne d’Ambre”.

2. Furcifer petteri (BRYGOO & DOMERGUE, 1966)Toerana nahitana azy: Ankarana, Antsiranana, Bora, Joffreville, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Sahafary. Sary avy any: Montagne d’Ambre (2a, lahy), Montagne des Français (2b, vavy, 2c, lahy).

Tanakelin’ny varatra andrefana. Famaritana: Mahatratra 90 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 168 mm ny TH), ary 71 mm ny an’ny vavy (mahatratra 141 mm ny TH). Iva ny satrony. Tsy hita tsara ny sangantampindohany. Miavaka tsara ny sanga amin’ny tendron’ny molotry ny lahy, fa tsy hita tsara ny an’ny vavy. Ahitana bontsinaten-dromolotra roa mahatratra 9 mm ny lahy (mifanindrandalana sady manondro any aloha na miakatra) fa tsy misy ny vavy. Miavaka ny sanga amin’ny andilany, fa tsy hita tsara kosa ny sangam-pihirifany. Tsy misy sanga ny tenda sy ny lamosina ary ny kibo. Mitovy tantana ny fi ofony. Fohy kokoa miohatra amin’ny HLV ny rambon’ny lahy, ary fohy kokoa na mitovy ny an’ny vavy. Maitso ny lahy, sady ahitana fehy fotsy na manopy mavokely ny tehezana ary fotsy ny molotra. Maitso ny vavy amin’ny ankapobeny, fa misy fotsy ny molotra sady ahitana teboka fotsy roa ny tehezana (aloha sady ambonin’ny fototanany). Mety hiova manga ireo teboka ireo ary mety ho manga ny hodimaso sady mety hisy tsoriado-ko maitso mitsangana hipoitra amin’ny tapany aorian’ny takiban’ny vavy rehefa voakorontana na taitaitra izy. Mavo voasary ny vavy ary mena lohany, manga ny hodimaso sady misy teboka manga roa ny ilany rehefa miray izy. Misy tsipika fotsy manaraka ny afovoan’ny tehezan’ny lahy sy vavy. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala tena mikitroka sy ny ala somary mando

ary koa toeram-ponenana simba, eny fa na dia teny amin’ny zaridain’ny tanan’i Joffreville aza. Betsaka izy any an-toerana, fa vitsy kosa raha ny toerana tokony ahitana azy no jerena. Miovaova arakaraky ny faritra ny haavon’ny toerana iteronteronany, 1-5 m ambonin’ny tany. Karazana mitovy: F. willsii izay mifolaka miakatra sy mihilana ireo bontsina amin’ny tendro-molotra. Furcifer sp. avy any Montagne d’Ambre miara-monina aminy, izay ngeza kokoa sady manana fehy misarina amboaran-dravina boribory amin’ny andilany. Fanamarihana: Mila fanadihadiana lalina ny fahazoana manome anarana ireo fahasamihafan’ny toebatana sy ny loko ary ny fonenan’ny samy iray karazana.

3. Furcifer willsii (GÜNTHER, 1890)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Ambavaniasy, Ambohimitombo, Andasibe, Andekaleka, Andrangoloaka, Ankarafantsika, Farihimazava, Ikongo, Mandraka, Ranomafana, Tsaratanana. Mila fanamarianan ny hita tany Ankarafantsika. Sary avy any: Andasibe (1a, lahy; 1b, vavy).

Sakorkita misy tandroka roa. Famaritana: Mahatratra 76 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatra-tra 170 mm ny TH), ary 75 mm ny an’ny vavy (mahatratra 145 mm ny TH). Tena iva ny satrony. Hita tsara ny sanga eo an-tampon-doha. Miavaka ny sanga amin’ny tendron’ny molotry ny lahy, fa tsy hita kosa ny an’ny vavy. Ahitana bontsina an-tendron’ny molotra roa mafy sy misabaka mahatratra 5-10 mm ny lahy, fa tsy misy ny vavy. Miavaka ny sanga amin’ny andilany, fa tsy hita tsara ny sangan’ny fi hirifana, ary tahaka ny tsy misy sanga amin’ny tenda izy. Misy sanga amin’ny lamosina izay rafetin’ny bontsina maranidoha vitsy kely amin’ny hatony, fa tsy misy ny vavy. Tsy misy sanga ny kibo. Mitovy tantana ny fi ofony. Lava kokoa noho ny HLV ny rambon’ny lahy, fa fohy kokoa na mitovy halava ny an’ny vavy. Maitso ny lahy, fa ahitana fehy fotsy na manopy mena ny tehezana ary fotsy ny molotra. Volontakatra ny fanambonin’ny bontsina amin’ny tendro-molotra, ny loha ary ny faritry ny bontsina amin’ny lamosina. Mihamatroka ny lokony, fa mety ahitana teboka kely mainty maro be ny vatana amin’ny fotoana fahaporetany. Misy tsipika manapaka mipoitra ny tehezana indraindray. Mety ho maitso tanora, ahitana fehy mavo telo manapaka (tsy hita tsara) ny vatana ary mavo ny hodimason’ny vavy iray tsy voakotaba. Misy teboka boribory roa tsy miavaka ny tehezana, ny iray ambonin’ny foto-tanana ary ny sasany afovoan’ny vatana hodidinin’ny teboka kely matroka vitsivitsy. Ahitana teboka kely matroka sy mavo maro be ny vatana rehefa voakotaba izy. Mivadika volontakatra na volondavenona matroka mihitsy ny lokony indraindray, ireo dia tena mifanohitra amin’ny fi sian’ny fehy telo sy ny teboka mazava loko maro be. Misy tsipika fotsy manaraka ny afovoan’ny tehezan’ny lahy sy vavy Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando, miteronterona avo ihany eny amin’ny zava-maniry. Anisan’ny mpiahaza azy ny bibilava Stenophis betsileanus. Karazana mitovy: Jereo F. petteri.

308

Chamaeleonidae: Chamaeleonidae: FurciferFurcifer

1 32

Page 57: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2b

3a

1b

2a

1a

2c

3b

Page 58: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Iguanidae GRAY, 1827Anisan’ireo biby manana hazon-damosina saro-pantarina ireto androngo somary lehibe ireto noho ny fi paritahany. Be velarana ny faritra misy ny Iguanidae, any Amerika Atsimo sy Afovoany ary Avaratra, ary koa any amin’ireo nosy any Pasifi ka tahaka izany Fiji sy Tonga ohatra, ary eto Madagasikara. Tsy misy any Afrika sy Azia ny Iguanidae; na dia izany aza nisy tamin’io antoko io no efa fosila fantatra tany Azia. Mazava ankehitriny fa mety tonga hatraty Madagasikara avy any amin’ny Antarktika izay nifandray koa tamin’i Amerika Atsimo ny Iguanidae nandritra ny vanim-potoana “Cretaceous”. Mahaliana koa anefa ny fi sian’ny antokon’ny androngo iray koa ny Agama any Afrika sy Azia izay manana fi voarana ara-ekolojika sy toe-batana tahaka ny Iguanidae.

Nosarahana ho ao anaty zana-pianakaviana miavaka ny Iguanidae Malagasy, ny Oplurininae izay manana taranaka miisa roa, Oplurus sy Chalarodon. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara sy Kaomaoro ny Oplurinae, ary karazana tokana (O. cuvieri) no hita any Kaomaoro, fa ny karazana hafa rehetra dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Matetika noheverina ho fi anakaviana ny Oplurinae tahaka ny Opluridae, fa mampisalasala kosa anefa ny fi fandraisany amin’ny Iguanidae avy any Amerika.

Ahitana karazana tokony ho 900 eo ny Iguanidae, ary ny 7 amin’ireo no misy eto Madagasikara. Araka ny hita amin’ny iguanas, ny karazana Malagasy dia manana vatana rakotra kira tena madinika ary mampiseho toetra maro miavaka tahaka ny tataka eo amin’ny loha izay mazàna entiny manamarika ny fari-ponenany. Tsy mitovy amin’ny fi anakavian’androngo hafa (fa itoviany amin’ny tana) izy dia tsy manapaka ny rambony. Manatody daholo ny Iguanidae Malagasy. Ny tena mahaliana dia voafetra amin’ny faritra andrefana sy atsimon’ny Nosy ary any amin’ny faritra maina afovoantany ny fari-ponenan’izy ireo. Tsy hita amin’ny toeram-ponenana anaty ala mando, afa-tsy amin’ny faritra talaky masoandro ny toeram-pambolena na ala simba any amin’ny faritr’i Sambirano izay mety iveloman’ny andiana Oplurus cuvieri.

Taranaka Oplurus CUVIER, 1829Karazana androngo somary lehibe izay miparitaka any andrefana sy atsimo ary ny faritra atsimon’ny afovoantany. Mety mizara ho antoko roa miavaka ny Oplurus. Ny voalohany dia ireo karazana matsilotsilo ny rambo: O. cuvieri sy O. cyclurus. Manana kira lehibe misy tsilo amin’ny rambo izy ireo, ary mpihani-kazo farafaharatsiny amin’ny ampahan’ny fi ainany. Matetika mety hita mihani-kazo lehibe, matetika vatan-kazo mitsangana mahitsy eny amin’ny talaky masoandro kokoa any amin’ny ala maina (oh: any Ankarafantsika ny O. cuvieri). Na izany aza anefa, dia mety hita eny ambony vatolampy koa izy. Ny karazana sisa dia manana kira lehibe amin’ny rambo, fa somary kely sy vitsy ny tsilo miohatra amin’ny antoko voalohany. Monina eny amin’ny vato ity antoko faharoa ity ary hita kokoa izany eo amin’ny O. fi erinensis sy O. grandidieri ary O. saxicola raha oharina amin’ny O. quadrimaculatus. Ary mahavariana fa somary kely ny atodin’ny Oplurus noho ny an’ny Chalarodon, fa betsaka kosa ny atody indray latsaka (4-6).

1. Oplurus cuvieri (GRAY, 1831)Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambararata, Ambatomainty, Ambilobe, Ampasimarina, Ampijoroa, Andafi abe, Andriba, Ankarafantsika, Anorotsangana, Antsalova, Antsingy, Antsirasira, Antsohihy, Befandriana Avaratra, Bekopaka, alan’i Berara, Bongolava, Ifasina, Itremo, Kirindy, Mahajanga, Mahakamby, Marokolohy, Marovato, Miadana, Miandrivazo, Sainte Marie any Marovoay, Soalala, Tsingin’i Bemaraha, alan’i Vohibasia. Sary avy any: Anakarafantsika (1a), Ankarafantsika (1b, zanany), Kirindy (1c), Mevadoany (1d). Androngon-kazo. Famaritana: Mahatratra 373 mm ny tontalin’ny halavany ary misy sanga kely ny hatoka. Ahitana kira lehibe misy tsilo tahaka ny peratra mitsivalana ny rambo, izay elanelan’ny peratra rafetin’ny kira kely kokoa. Volontakatra ny lamosina, fa matetika misy tsipika matroka mitsivalana tsy voafetra sy pentina kely fotsy tsy mirindra. Misy tsipika mainty iray mitsivalana aorian’ny hatoka, eo aloha kelin’ny foto-tanana. Fomba fi ainany: Karazana mpihani-kazo ary miparitaka manerana ny faritra andrefan’i Madagasikara, ary hita matetika any amin’ny faritra avaratra andrefana. Hita matetika eny ambony hazo any amin’ny ala maina, fa mety ho hita eny amin’ny tany koa. Miaina amin’ny toerana nisy fahasimbana, ala manara-drano ary toeram-pambolena any amin’ny faritra manorana lava any Sambirano. Nohalalinin’i H. Randriamahazo sy A. Mori ny fomba fananahany sy ny ekolojiany. Nanatody 2-5 tao anaty fasika nolavahany taorian’ny oram-be voalohany mandritra ny fahavaratra. Mifanaraka amin’ny halehiben’ny vavy ny haben’ny atody ary hazain’ny bibilava mafy mihitsy ireo atody ireo. Mety miara-monina amin’ny O. cyclurus ity karazana ity. Fanamarihana: Fantatra any amin’ny nosy lehiben’i Kaomaoro koa izy. Nofaritana ho zana-karazana hafa mihitsy ireo hita any ireo, ary nosarahana ho karazana iray hafa mihitsy aza taty aoriana, fa ny voka-pikarohana ara-tarazo dia manambara fa mifandray akaiky amin’ny andiany eto Madagasikara izy ka tsy tokony ho sarahana.

2. Oplurus cyclurus (MERREM, 1820)Toerana nahitana azy: Ambararata, Amboasary Atsimo, Ambovombe, Ampalaza, Amparihy, Ampijoroa, Anakao, Andrahomana, Andranohinaly, Angavo, Ankarafantsika, Ankoba, Basibasy, Behara, Beheloka, Bejangoa, Bekopaka, Belo, Beloha, Col des Tapias, Esomony, Imanombo, Itampolo, Lavanono, Mandronarivo, Marerano, Nosy Andramona, Nosy Lava, Onilahy, Saint Augustin, Tolagnaro, Toliara, Tongobory, Tsimanampetsotsa. Sary avy any: Esomony (2a), Ankarafantsika (2b), Toliara (2c). Androngovato misy sanga. Famaritana: Mahatratra 252 mm ny tontalin’ny halavany ary misy sanga kely ny hatoka. Ahitana kira lehibe misy tsilo tahaka ny peratra ny rambo, fa tsy misy elanelany tahaka ny peratra rafetin’ny kira kely. Volontakatra manopy volondavenona ny lamosina, ahitana pentina kely fotsy tsy mirindra, ary mazàna tsy misy tsipika matroka miavaka mitsivalana. Misy tsipika mainty sy manify iray mitsivalana aorian’ny hatoka (eo aloha kelin’ny foto-tanana) izay matetika arahin’ny tsipika fotsy amin’ny sisiny. Fomba fi ainany: Monina ary fahita any amin’ny toerana maina atsimo sy andrefan’i Madagasikara. Mitovy amin’ny an’ny O. cuvieri ny toeram-ponenany, fa saingy hita ho misafi dy toerana maina kokoa. Mana-tody anaty lavaka amin’ny fasika.

Iguanidae: Iguanidae: OplurusOplurus

310

1 2

Page 59: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2c

1b1a

1c 1d

2b2a

Page 60: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Iguanidae: Iguanidae: OplurusOplurus

1. Oplurus quadrimaculatus DUMÉRIL, 1851

Toerana nahitana azy: Ambalamanakana, Ambalavao, Amborompotsy, Ampanihy, Anakao, Andohahela, Andrahomana, Androatsabo, Androy, Antandroy, Antanifotsy, Antanimora, Bekily, Col des Tapias, Eminiminy, Ianzamaly, Ibity, Ihosy, Ikongo, Itremo, Ivohibe, Lavenombato, Lokara, Malahelo, Manantantely, Mandena, Petriky, Sahambavy, Sarodrano, Soamazaka, Soavala, Tolagnaro, Toliara, Tranoroa, Tsihombe, Tsimanampetsotsa, Vohisokina. Sary avy any: Pic St. Louis (1a-1d; 1a, nalain’i J. Müller-Jung), Toliara (1e), Ibity (1f).

Androngovato atsimo atsinanana. Famaritana: Mahatratra 390 mm ny tontalin’ny halavany ary tsy manana sanga. Tsy ahitana kira lehibe misy tsilo tahaka ny peratra miavaka ny rambo. Mamasipasika ny kira amin’ny lamosina ary somary fi saka ny foto-drambo. Misy faritra matroka lehibe laharana efatra mifanesisesy manaraka ny halavan’ny lamosina izay tsy dia tena miavaka matetika. Indraindray manaraka ny sisin-damosina amin’ny tapany alohan’ny vatana, misy tsipika mazava matimaty izay mazàna tsy hita amin’ny santionany avy any atsimo andrefana. Volondavenona ranoray ny lokon’io tsipika io amin’ny ankapobeny. Fomba fi ainany: Karazana tsy dia mifi dy toeram-ponenanana loatra ka mety hita hatrany ary mazàna betsaka no miara-monina. Monina any amin’ny tany karankaina atsimo andrefana sy ny faritra mainan’ny afovoantany (mahatratra ny haavo 2050 m any Ibity), ary akaikin’ny ala mando amin’ny faritr’i Taolagnaro. Fahita matetika eny amin’ny ambony vatolampy lehibe, fa mety ho eny amin’ny tanimanga mikisilasila ihany koa. Mitranga aorian’ny fanenjehan’ny lahy ny vavy ny faraisana izay maharitra segondra vitsivitsy fotsiny. Miakatra eo an-damosin’ny vavy ny lahy, miantehitra amin’ny tanany. Hita tany anaty lavaky ny vato mitriatra ny atody.

2. Oplurus saxicola GRANDIDIER, 1869Toerana nahitana azy: Amborompotsy, Ambovombe, Ampanihy, Andabolava, Androatsabo, Antanimora, Bekily, Beloha, Ejeda, Fierin, Fierin, Horombe, Ivohibe, reniranon’i Manambolo akaikin’i Esomony, Miary, akaikin’i Tsihombe, Tranoroa. Sary avy any: Akaikin’i Esomony (2a), akaikin’i Tsihombe (2b).

Androngovato volondavenona. Famaritana: Mahatratra 294 mm ny tontalin’ny halavany. Tsy manana sanga. Tsy misy kira lehibe misy tsilo tahaka ny peratra ny rambo. Mamasipasika madinika ny kira amin’ny lamosina, ary mitovy amin’ny hita eny amin’ny sisin-damosina ny eny amin’ny faritry ny hazon-damosina. Fisaka be ny foto-drambo sy ny vatana ary indraindray miteraka valonan-koditra manaraka ny andilana izany. Volondavenona manopy volontakatra, mazàna misy soritsoritra matroka

sy mazava. Tsy misy tsipika ny sisin-damosina. Matetika misy faritra matroka lehibe iray na maromaro aorian’ny foto-tsandry. Ny lahy dia mety ho miloko marevaka ary ahitana volomboasary manopy mena ny andilana. Fomba fi ainany: Karazana fahita matetika any amin’ny faritra atsimo-andrefan’i Madagasikara ary miaina ambony vatolampy lehibe malama na vato amin’ny fanambanin’ny renirano ritra. Fanamarihana: Araka ny voka-pikarohana ara-tarazo, ireo santionany avy any atsimo (akaikin’i Esomony) dia misandrahaka miohatra amin’ireo avy any atsimo andrefana, ary koa hita manana sora-doko mifariparitra kokoa (sary 2a sy 2b).

312

1b

1c

21

1d

Page 61: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

1f

2b

1a

1e 1f

2b2a

Page 62: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Iguanidae: Iguanidae: Oplurus / ChalarodonOplurus / Chalarodon

1. Oplurus fi erinensis GRANDIDIER, 1869Toerana nahitana azy: Fiherenana, Saint Augustin. Sary avy any: Santionany nompiana (1a), akaikin’i Toliara (1b-1c; 1c maneho ny rambony maniry fanindroany).

Androngovato manopy manga. Famaritana: Mahatratra 309 mm ny tontalin’ny halavany ary tsy manana sanga. Tsy ahitana kira lehibe misy tsilo tahaka ny peratra ny rambo. Mamasipasika madinika ny kira amin’ny lamosina, ary mitovy amin’ny hita eny amin’ny sisin-damosina ny eny amin’ny faritry ny hazon-damosina. Fisaka be ny foto-drambo sy ny vatana ary indraindray miteraka valonan-koditra manaraka ny andilana. Manopy manga volondavenona ny lamosina ary tsy misy tsipika manaraka ny hazon-damosina na faritra matroka amin’ny andilana. Mety ahitana tsipika mazava loko tena malefaka ny sisin-damosina. Fomba fi ainany: Karazana somary vitsy an’isa any amin’ny faritra atsimo andrefana ary hita ho kely ny andiany sady vitsy an’isa. Mipetraka eny ambony vato miloko volondavelona tahaka ny lamosina izy amin’ny ankapobeny.

2. Oplurus grandidieri MOCQUARD, 1900Toerana nahitana azy: Ambalavao, Ambatovory, Betorabato, Ihosy, Ikongo, Sahambano, Tsitanandro, Vinanitelo, Zazafotsy. Sary avy any: Zazafotsy.

Androngovato be. Famaritana: Mahatratra 348 mm ny tontalin’ny halavany. Tsy manana sanga. Tsy ahitana kira lehibe misy tsilo tahaka ny peratra ny rambo. Mamasipasika madinika ny kira amin’ny lamosina. Enin-dafy ny kira manaraka ny hazon-damosina sady lehibe miohatra amin’ny kira amin’ny sisin-damosina. Fisaka be ny foto-drambo sy ny vatana ary indraindray miteraka valonan-koditra manaraka ny andilana izany. Volondavenona ny lamosina ary indraindray misy sora-doko mavo manopy mena, sy tsipika volondavenona tanora manopy maitso tsy mazava ny sisiny manaraka ny hazon-damosina. Mety ho manopy mena ny andilana. Fomba fi ainany: Monina eny ambony vato any amin’ny faritra atsimo andrefana sy ny faritra atsimon’ny afovoantany. Somary voafetra ny fari-ponenany saingy mety tsy vitsy an’isa izy amin’ny toerana nahitana azy.

Taranaka Chalarodon PETERS, 1854Ity taranaka faharoa ity dia manana karazana tokana ankehitriny izay kely indrindra amin’ny Iguanidae Malagasy, Chalarodon madagascariensis monina amin’ny tany fasika any amin’ny faritra atsimo sy andrefan’i Madagasikara.

3. Chalarodon madagascariensis PETERS, 1854

Toerana nahitana azy: Ambalamanakana, Amboasary Atsimo, Ambovombe, Andrahomana, Andranohinaly, Antanimora, Antsalova, Antsepoka, Berenty, Col des Tapias, Atsinanan’i Betioky, Kirindy, Malahelo, reniranon’i Manambolo akaikin’i Esomony, Menabe, Onilahy, Petriky, Saint Augustin, Tameantsoa, Tolagnaro, Toliara, Tsimanampetsotsa, Tsingin’i Bemaraha, Tsivanoa, Tsivono, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Kirindy (3a; nalain’i K. Glaw), Berenty (3b, 3d), Atsimo-Andrefan’i Madagasikara (3c, nalain’i M. Burger).

Dangalia. Famaritana: Mahatratra 223 mm ny tontalin’ny halavany ary mazàna manodidina ny 200 mm. Mirefy 87 mm ny salan’ny HLV-n’ny lahy ary 67 mm ny an’ny

vavy. Misy sanga ny lamosina, manomboka eo amin’ny hatoka hatreo amin’ny foto-drambo, fa tsy dia mivoatra tsara amin’ny vavy. Volontakatra manopy mavo-mena, matetika misy faritra volontakatra matroka mifanesisesy ny lamosina ary tsipika roa manopy fotsy tsy mazava tsara ny sisin-damosina. Ahitana pentina fotsy tsy mirindra sy marika miparitaka manaraka ny vatana, indraindray misy pentina mavo ny andilana. Fomba fi ainany: Karazana mandeha amin’ny tany ary mipetraka any amin’ny tany fasika. Mety maro no miara-monina ao anatin’ny andiany iray ary mety mivelona eny amin’ny toerana hafa tahaka ny zaridaina ao amin’ny renivohitr’i Toliara. Mazava loko ary miaro ny toera-ponenany amin’ny fi hetsika mampitahotra miverimberina na miady mihitsy ny lahy amin’ny fotoam-panarahana. Manomboka amin’ny fanenjehan’ny lahy ny vavy ny fi raisana, ary mifarana amin’ny fi raisana tena fohy eo amin’ny 5 segondra eo ahitana ny lahy mipetraka eo andamosin’ny vavy. Hita tao anaty lavaka anaty fasika eo anelanelan’ny desambra sy martsa ny fanatodizana ary nahitana atody roa (14-15 x 7 mm). Azo heverina ho tratra ny fahamaotina afaka herintaona. Ny bibilava antsoina hoe Mimophis mahfalensis dia voalaza fa anisan’ny tena mpihaza ny Chalarodon. Fanamarihana: Maneho fahasamihafana lehibe amin’ireo karazana avy any atsimo atsinanana (akaikin’i Esomony) sy ireo avy any atsimo andrefana sy andrefana ny voka-pikarohana ara-tarazo. Tena mety misy ny karazana faharoa an’ny Chalarodon, fa saingy mbola mila voka-pikarohana maro kokoa ilaina vao afaka milaza izany amin’ny farany.

314

1 32

3d

Page 63: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

3a

3c

1b1a

2

3b

Page 64: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Gerrhosauridae FITZINGER, 1843

Fianakaviana ahitàna ireo androngo fi saka tsy monina afa-tsy ao Afrika (faritra atsimon’i Afrika ny ankabeazany) sy Madagasikara (ahitana karazana iray any amin’ny nosy Glorioso sy Cosmoledo) ny Gerrhosauridae. Taranaka roa no fantatra avy ao Afrika ary roa no avy eto Madagasikara, dia Tracheloptychus sy Zonosaurus. Mety ho lehibe na salatsalany ny haben’ireo Gerrhosauridae Malagasy ireo ary mandady amin’ny tany, na izany aza anefa dia misy karazana roa mpihani-kazo (Zonosaurus boettgeri sy Z. maramaintso). Mety mitovy amin’ny Scincidae ny Gerrhosauridae avy eo ivelany fa mora avahana noho ny kentrona manaraka ny halavany eo amin’ny andilana. Io kentrona io dia hita amin’ny andilana alohan’ny vatana manontolo amin’ny Zonosaurus, fa eo anelanelan’ny loha sy ny foto-tanana amin’ny Tracheloptychus. Manatody avokoa ny Gerrhosauridae Malagasy araka ny fantatra hatramin’izao.

Taranaka Zonosaurus BOULENGER, 1887Ity taranaka ity dia manana karazana 17 ary izy rehetra afa-tsy iray ihany (Z. madagascariensis) dia tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Mety hita manerana ny Nosy ireo karazana ireo, manomboka any an-tendrombohitra hatrany anaty ala mando, ary any anaty alan-tsilo maina. Misy ireo izay tena fahita any amin’ny faritra iva, tahaka ny Z. madagascariensis sy Z. laticaudatus izay monina eny an-tanimboly sy anaty saha, matetika maro be ny isan’ny andiany.

1. Zonosaurus maximus BOULENGER, 1896Toerana nahitana azy: Ambatambe, Antamboholava, Manampanihy River, Manantantely, Mangevo, Nahampoana, Sahasinaka, Tolongoina, Vondrozo. Sary avy any: Manantantely (1a), Mangevo (1b,nalain’i F. Andreone).

Famaritana: Izy no karazana lehibe indrindra amin’ny Gerrhosauridae. Mirefy 200 mm ny salan’ny HLV fa mety mahatratra hatramin’ny 246 mm izany, ary 700 mm ny tontalin’ny halavany. Fisaka mitsangana ny rambo. Mifandray ireo kira ambany handriny. Manopy volontakatra ranoray ny lamosin’ny vavy, ary manopy mavo na mena ny andilan’ny lahy. Mazava kokoa ny lokon’ny zanany, misy pentina mainty ny lamosina ary laharam-pentina mazava ny andilana. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny faritra ambany toerana anaty ala mando any atsimo andrefana. Miaina eny amoron’ny renirano sy ny sakeli-drano ary mandositra any anaty rano sy manao ankisitrika rehefa voakotaba. Mety mifanaraka amin’ny fi ainana anaty rano ny fahafi sahan’ny rambo. Mety miaina sy miafi na anaty lavaka nolavahany manokana.

2. Zonosaurus laticaudatus (GRANDIDIER, 1869)Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambatomainty, Ambovombe, Amparimkimbo, Ampijoroa, Anaborano, alan’Analalava, Ankarafantsika, Antsirasira, Alan’i Berara, Fierin, Ianzamaly, Kandani, Mahajanga, Malahelo, Marotolana, Marovato, Miandrivazo, Mitsinjo, Petriky, Sainte Marie any Marovoay, Sambirano, Soalala, Tolagnaro, Tongobory, Tsaramandroso, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Ambanja (2a), Tolagnaro (2b).

Androngoben’i Fiherenana. Famaritana: Mirefy 135 mm ny salan’ny HLV. Mifandray ireo kira ambany handriny. Volontakatra ny lamosina ary misy pentina indraindray mainty be sy manopy fotsy tsy mirindra. Misy tsipika roa volontakatra manopy mavo ny sisin-damosina, mihamatevina io tsipika io amin’ny hatoka fa mihamanify kosa any amin’ny tapany aoriana mankany amin’ny tongotra aloha. Mitohy hatrany

amin’ny faritry ny rambo io tsipika io ary arahina mainty ny sisiny roa. Mety ho mena ny tenda ary volontakatra mazava ranoray ny loha. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny faritr’i Sambirano, karazana fahita eny amin’ny talaky masoandro tahaka ny ala simba na saha. Hita any anatin’ny ala maina any andrefana koa.

3. Zonosaurus karsteni (GRANDIDIER, 1869)Toerana nahitana azy: Ambolisatra, Beroboka Ava., Fierin, Kirindy, Lovokampy, Mahabo, Mahajanga, Malahelo, Morondava, Petriky. Sary avy any: Santionany nompiana (tsy fantatra mazava ny toerana nihaviany).

Androngon’i Fiherenana. Famaritana: Mahatratra 133 mm ny HLV. Mifandray ireo kira ambany handriny. Miloko volontakatra ny lamosina ary misy tsipika volontakatra manopy mavo na manopy fotsy izay mety arahina mainty ny sisiny roa, eo amin’ny sisin-damosina. Mazàna manomboka aorian’ny maso ireo tsipika ireo ary mitohy hatrany amin’ny faritry ny rambo. Misy pentina fotsy lehibe mifanesisesy ny andilana. Volontakatra tanora ny loha ary matetika misy pentina mainty sy marika tsy mirindra. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala maina andrefan’i Madagasikara. Hita niafi na ny atody fotsy 4-6 tany amin’ny toeram-piompiana. Nirefy 170-180 mm ny zanany foy afaka 93-95 andro. Afaka manatody fanindroany ny vavy herinandro aorian’ny nanatodizany voalohany.

4. Zonosaurus ornatus (GRAY, 1831)Toerana nahitana azy: Ambalavao, Ambatofi toharanana, Ambatomainty, Ambohidratrimo, Ambohimanga Atsimo, Analamazoatra, Andraina, Andrambovato, Andrangoloaka, Andringitra, Ankaratra, Antsirabe, Fianarantsoa, Isalo, Manambolo, Manombo, Moramanga, Soamazaka, Tsianovoha, Vinanitelo, Vohiparara, Vondrozo. Sary avy any: Ankaratra (4a), Andringitra (4b).

Marabe. Famaritana: Mahatratra 132 mm ny HLV ary 192 mm ny rambo. Mainty na volontakatra matroka ary misy tsipika mazava 5 ny lamosina. Volontakatra tanora ny loha ary misy marika sy pentina fotsy sy mainty. Fomba fi ainany: Hita amin’ny toeram-ponenana isan-karazany. Any Ankaratra sy Andringitra, dia mety hita eny amin’ny bozaka an-tendrombohitra sy ny tanety ambonin’ny faritra misy hazo, ary koa eny amin’ny sisin’ala izy. Miaina eny amin’ny sisin’ala mando amin’ny haavo salatsalany ihany amin’ny faritr’i Ranomafana ary hita eny amin’ny toerana iva any amorontsiraka atsimo atsinanana ihany koa aza.

Gerrhosauridae: Gerrhosauridae: ZonosaurusZonosaurus

316

21

43

Page 65: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

3

4b

1b1a

2b

4a

Page 66: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gerrhosauridae: Gerrhosauridae: ZonosaurusZonosaurus

1. Zonosaurus haraldmeieri (BRYGOO & BÖHME, 1985)

Toerana nahitana azy: Ankarana (anelanelan’i Z. haraldmeieri / Z. madagascariensis), Joffreville, Montagne d’Ambre. Sary avy any: Joffreville.

Antalabosy. Famaritana: Mirefy 140 mm ny salan’ny HLV. Efatra ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso. Misy lavaka 20-26 ny fe. Volontakatra tanora mankany amin’ny mavo manopy maitso ny lamosina ary misy pentina mainty kely be dia be tsy mirindra. Ahitana tsipika volontakatra mankany amin’ny maitso manopy tsy miavaka (tsy mainty ny sisiny) ny tapany alohan’ny sisin-damosina izay mihamatroka amin’ny tapany aoriana. Fomba fi ainany: Hita eny amin’ny zava-maniry simba sy ny sisin’ala. Tsy hita any anaty ala mikitroka any an-Montagne d’Ambre mazàna. Nanatody fotsy 4-6 ny vavy iray rehefa afaka 3-4 herinandro tao aorian’ny fi raisana tany amin’ny toeram-piompiana. Nirefy 25-27 x 14-16 mm ny savaivon’ny atody ary 140-160 mm ny zanany foy afaka 88-112 andro. Karazana mitovy: Ireo andiany anelanelan’i Z. haraldmeieri sy Z. madagascariensis (jereo eo ambany).

2. Zonosaurus madagascariensis (GRAY, 1831)

Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika (Andranomadio), Ambanja, Ambatambe, alan’Ambatolahy, Ambavaniasy, Ambila-Lemaitso, Ambilobe, Anaborano, Anandrivola, Andasibe, Andavaka, Andranokoditra (Farihy Ampitambe), Anivorano Avaratra, Anjanaharibe Sud, Antsihanaka, Anzahamaru, Benavony, Betampona, Col Radama, Fandrarazana, Fenoarivo, Foulpointe, Ilot Prune, Ivoloina, Kanatzi, Farihin’i Alaotra, Lokobe, Manambolo, Mananara, Manompana, Manongarivo, Maroantsetra, Marojejy, Midongy Atsimo, Moramanga, Nosy Ambariobe, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Komba, Nosy Mangabe, Nosy Sakatia, Nosy Tanikely, Nosy Varika, Sahembendrana, Tampolo, Toamasina, Tsararano, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Ankarana (2a, santionany manana loko anelanelan’i Z. madagascariensis sy Z. haraldmeieri), Nosy Tanikely (2b), Ranomafana (2c), Nosy Boraha (2d), Bemaraha (2e, mila fanamarinana ny momba azy).

Bekaratsaka. Famaritana: Mirefy 127 mm ny salan’ny HLV ary 19,4 ny salan’isan’ny lavaka amin’ny fe. Efatra ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso. Misaraka ireo eo ambany handrina. Volontakatra ny lamosina ary misy pentina mainty tsy milahatra. Ahitana tsipika roa miavaka ny ilany aoriana izay matetika mainty ny sisiny roa. Mihamatroka ireo tsipika ireo amin’ny tapany aorian’ny vatany (fa tsy manome pentina mifanesisesy mazava sy miavaka tsara). Manopy mena ny tenda matetika. Fomba fi ainany: Anisan’ireo Zonosaurus tena fahita. Hita any amin’ny karazana toeram-ponenana mazava any amin’ny toerana iva sy manana haavo salatsalany any avaratra sy atsinanan’i Madagasikara. Tena fahita any amin’ny saha sy ny toerana simba any avaratra sy afovoan’ny morontsiraka atsinanana ary any Nosy Be. Mety hita eny amin’ny toerana talaky masoandro na manaraka renirano anaty ala mando velona. Tsy hita any anaty ala mikitroka kosa anefa izy. Fiovaovany: Misy ny fi ovaovana eo amin’ny loko sy ny toetra ny kiran’ity karazana ity. Monina any amin’ny nosy Glorioso sy Cosmoledo ny zana-karazana Z. m. insularis izay mety ho kelikely kokoa sy manana lavaka vitsy kokoa (16,4 ny salan’isa) amin’ny fe. Ny santionany vitsivitsy avy amin’ny Nosy Tanikely dia mafonja kokoa ny toe-batana ary mitohy hatrany amin’ny tapany aorian’ny vatana ny

tsipika amin’ny sisin-damosina (sary 2b). Eo anelanelan’ny lokon’i Z. madagascariensis sy Z. haraldmeieri ny an’ny andiany hita tany Ankarana (fi g. 2a). Voaporofo tamin’ny voka-pikarohana ara-molekiola fa mifandray akaiky tokoa ireo karazana roa ireo, ary Z. haraldmeieri aza dia mety ho Z. madagascariensis ihany fa hafa loko any avaratra.

3. Zonosaurus aeneus (GRANDIDIER, 1872)Toerana nahitana azy: Ambohimitombo, Ambohitantely, Lalana mankany Ampamakiesiny, Andasibe, Andohahela, Andringitra, Anosibe, Ikongo, Ivohibe, Kalambatritra, Malaimbandy, Manangotry, Manantantely, Mandraka, Mantadia, Midongy du Sud, Moramanga, Nahampoana, Ranomafana, Tampolo, Torotorofotsy, Vohiparara. Sary avy any: Torotorofotsy.

Androngo vaton’i Malaimbandy. Famaritana: Latsaky ny 70 mm ny salan’ny HLV. Misy lavaka 12-19 ny fe ary mazàna maherin’ny 14. Telo ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso. Volontakatra ny lamosina ary misy pentina mainty sy fotsy maromaro manaraka ny andilana. Misy tsipika roa miavaka tsara sy manify mazava ny ilany aoriana fa miova ho pentina fotsy mifanesisesy amin’ny tapany aorian’ny vatana. Matetika ireo tsipika ireo dia mainty ny sisiny roa ary mety mitambatra ho tsipika iray izy ireo ao amin’ny hatoky ny sasany. Mety manopy mavo na mena ny tenda, indrindra amin’ny lahy, ary mety ho fotsy na manopy manga mihitsy aza. Fomba fi ainany: Karazana tsy hita afa-tsy any amin’ny haavo salatsalany (amin’ny toerana iva any atsimo atsinanana) ary monina antsisin’ny ala mando sy ny toerana talaky masoandro anaty ala. Tsy fahita fi ry manodidina ny ala mando mikitroka. Karazana mitovy: Mitovy amin’ny Z. madagascariensis izy raha ny sora-doko no jerana, fa miavaka kosa noho ireo tsipika tapatapaka sy manify hita tsara amin’ny sisin-damosina izay miova ho pentina fotsy mifanesisesy amin’ny tapany aorian’ny vatana (tsy manjavozavo), ary koa ny fananany kira amin’ny valanorano ambony miisa 3 alohan’ny ambany maso (raha 4 ny an’ny Z. madagascariensis).

318

21 3

2e

Page 67: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

2c

3a

1

2b

2d

3b

Page 68: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gerrhosauridae: Gerrhosauridae: ZonosaurusZonosaurus

1. Zonosaurus anelanelany RASELIMANANA, RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2000

Toerana nahitana azy: Andohahela, Manantantely, Marovony, Nahampoana, Sainte Luce. Sary avy any: Andohahela (nalain’i F. Andreone).

Androngo vato anelanelany. Famaritana: Mahatratra 86 mm ny HLV-n’ny lahy ary 93 ny an’ny vavy. Mazàna miisa efatra ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso ary roa ny aoriana. Misy lavaka 13-16 ny fe. Volontakatra ny lamosina ary misy tsipika mazava manomboka eo amin’ny loha ary manjavozavo amin’ny foto-tsandry. Matroka kokoa noho ny lamosina ny andilana. Tenda tsy misy tsipika lavalava matroka, fa indraindray volomboasary mena (jereo sary 1). Fomba fi ainany: Voafetra any amin’ny ala mando amin’ny faritra iva any atsimon’ny Nosy ny toeram-ponenany. Ny karazana mitovy Z. anelanelany dia maneho toetra mifangaro. Miavaka amin’ireo karazana Zonosaurus kely tahaka an’ny Z. aeneus, Z. bemahara, Z. brygooi, Z. rufi pes, Z. subunicolor ary Z. tsingy izy noho ny halehibeny sy ny fananany kira amin’ny valanorano ambony efatra alohan’ny ambany maso. Ary miavaka amin’ireo karazana lehibe, indrindra Z. madagascariensis, noho ny hakeliny kokoa sy ny isan’ny lavadavaka amin’ny fe izay vitsy kokoa.

2. Zonosaurus bemaraha RASELIMANANA, RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2000

Toerana nahitana azy: Tsingin’i Bemaraha (Antranopasasy). Sary avy any: Bemaraha (santionany izay nanary ny ankamaroan’ny hodiny teo am-pisamborana azy).

Androngo vaton’i Bemaraha. Famaritana: Mahatratra 75 mm ny HLV. Telo ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso ary roa ny aoriana. Misy lavaka 11-15 ny fe. Volontakatra ny lamosina ary ahitana pentina mainty. Misy tsipika mazava amin’ny sisin-damosina, mitohy na tapatapaka, miatomboka eo amin’ny loha hatreo amin’ny foto-pe, indraindray manerana ny tapany alohan’ny vatana fa manjavozavo. Matroka kokoa noho ny lamosina, ny andilana ary tsy misy tsipika matroka ny tenda. Fomba fi ainany: Miaina any amin’ny ala maina maniry eo ambony tany sokay ary betsaka vato mitsangatsangana amin’ny Tsingin’i Bemaraha. Hita nivoaka atoandro teny amin’ny vato sy fanambanin’ny ala.

3. Zonosaurus brygooi LANG & BÖHME, 1990

Toerana nahitana azy: Betampona, Fenoarivo, Manompana, Nosy Boraha, Nosy Mangabe, Tsararano. Sary avy any: Nosy Mangabe (3a, lahy; 3b, vavy).

Androngo vato fotsy hatoka. Famaritana: Mahatratra 76 mm ny HLV. Telo ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso ary roa ny aoriana. Misy lavaka 15-20 ny fe. volontakatra ny lamosina, ary miavaka noho ny fi sian’ny tsipika amin’ny ilany aoriana miendrika laharana pentina fotsy maranitra hita tsara amin’ny sisin’ny hatoka sy ny tapany alohan’ny vatana ary tsy misy any amin’ny

tapany aoriana. Tsy misy tsipika ny tenda fa indraindray manga amin’ny lahy. Fomba fi ainany: Mivoaka atoandro ary miaina eny amin’ny fanambanin’ny ala mando any amorontsiraka.

4. Zonosaurus rufi pes (BOETTGER, 1881)Toerana nahitana azy: Benavony, Lokobe, Marojejy, Nosy Be. Sary avy any: Nosy Be (4a, zanany), Nosy Be (4b), Marojejy (4c, 4d).

Androngon’i Lokobe. Famaritana: Mahatratra 88 mm ny HLV ary 135 mm ny rambo. Telo ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso ary roa ny aoriana. Misy lavaka 8-14 ny fe. Volontakatra ny lamosina ary misy tsipika manjavozavo na tsy misy mihitsy ny sisin-damosina. Matetika manopy mena ny andilana sy ny tanana ary ny tongotra. Mampiavaka ny tenda ny fi sian’ireo tsipitsipika mainty lavalava. Fomba fi ainany: Fahita matetika amin’ny atoandro any amin’ny ala mando any amin’ny faritra iva ary mety maro be ny andiany miara-monina, indrindra raha manakaiky rano. Volana febroary no nahitana ny fi raisana, ary nirefy 18 x 13 mm ny atody vao latsaka.

320

21

43

4d

Page 69: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

3a

4a

4c

21

3b

4b

Page 70: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gerrhosauridae: Gerrhosauridae: ZonosaurusZonosaurus

1. Zonosaurus tsingy RASELIMANANA, RAXWORTHY & NUSSBAUM, 2000

Toerana nahitana azy: Ankarana, Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français (1a, lahy; 1b, vavy).

Androngovaton’ ny-Tsingy. Famaritana: Mahatratra 85 mm ny HLV. Miisa 2-4 ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso ary 1-2 ny aoriana. Misy lavaka 14-20 ny fe. Mampiavaka ity karazana ity ny fananany hoditra marefo misy kira izay mora miendaka raha vao voatazona; ary ampiasainy ho fi arovan-tena amin’ny mpihaza. Volontakatra ny lamosina ary tsy misy tsipika mazava ny sisin-damosina. Ahitana pentina volontakatra matroka ny faritry ny lamosina, indrindra ny tapany aloha ary mbola misy pentina mavo hatsatra koa ny lamosina, indrindra ny andilana. Mety miloko hafa ny lahy rehefa amin’ny fotoan’ny fi raisana ka manjary manga tanora ny tenda sy ny vatana, ary manopy manga ny andilana. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny ala maina misy vato sokay (“tsingy”). Tsy monina afa-tsy eny amin’ny vato, mivoaka eny amin’ny tsingy amin’ny atoandro ary miafi na any anaty lavaka raha vao voakotaba.

2. Zonosaurus subunicolor (BOETTGER, 1881)

Toerana nahitana azy: Lokobe, Manongarivo, Marojejy, Nosy Be, Nosy Komba. Sary avy any: Marojejy (2a), Nosy Be (2b).

Androngovato tokan-doko. Famaritana: Mahatratra 86 mm ny HLV ary 143 mm ny halavan’ny rambo. Telo ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso ary 2 ny aoriana. Misy lavaka 8-14 ny fe. Misy tsipika fohy sy tsy mazava loatra amin’ny tapany aorian’ny sisin-damosina. Matetika manga ny tenda ary tsy misy tsipika. Tsy manopy mena ny tanana sy tongotra. Mitovy amin’ny Z. tsingy satria manana hoditra marefo izay mora miendaka raha vao samborina na tsy voatazona tsara. Fomba fi ainany: Monina any an’ala ary mazàna miara-monina amin’ny Z. rufi pes fa saingy tsy dia fahita noho ity karazana farany ity.

3. Zonosaurus trilineatus ANGEL, 1939Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambovombe, Analamisaka, Angirazato, Berenty, Lavenombato, Montovositra, Saraondry, Tolagnaro, Tranovaho, Tsihombe. Sary avy any: Berenty.

Rasonombalahy. Famaritana: Mirefy 130-152 mm ny HLV ary mahatratra 198 mm ny rambo. Misy lavaka 13-24 ny fe. Mainty na volontakatra matroka be ary misy tsipika 3 mazava ny lamosina (iray manaraka ny hazon-damosina ary roa amin’ny sisin-damosina). Mainty ary ahitana pentina fotsy tsy mirindra ny andilana. Fomba fi ainany: Karazana mandady amin’ny tany any amin’ny alan-tsilo sy ny ala maina manara-drano any amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Karazana mitovy: Ity karazana ity dia miara-monina amin’ny Z. quadrilineatus sady koa mifandray akaiky ara-tarazo izy ireo. Tsy misy tena ahafahana manavaka azy ireo

ankoatra ny fahasamihafan’ny loko izay mety mijanona ho fahasamihafana fotsiny na mety ho zana-karazana hafa mihitsy.

4. Zonosaurus quadrilineatus (GRANDIDIER, 1867)

Toerana nahitana azy: Fiherenana, Ifaty, Toliara. Sary avy any: Santionany nompiana (tsy voalaza mazava ny toerana nihaviany).

Androngon’i Toliary. Famaritana: Mirefy 130-165 mm ny HLV ary misy lavaka 13-24 ny fe. Mainty na volontakatra matroka be ary misy tsipika 4 manaraka ny lavan’ny lamosina. Manopy mainty ary misy pentina fotsy tsy mirindra ny andilana. Mitambatra ka manome tsipika tsy mahitsy tsara avy amin’ny efa-joro fotsy manaraka ny hazon-damosina ny tsipika roa afovoany amin’ny zanany. Fomba fi ainany: Tena vitsy ny voka-pikarohana azo raisina. Angamba miaina amin’ny tany any amin’ny alan-tsilo amin’ny ankapobeny. Karazana mitovy: Jereo Z. trilineatus. Sarotra ny manavaka ny zanak’ireo karazana roa ireo.

322

21

43

Page 71: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2b

4a

2a

1a

3

4b

1b

Page 72: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gerrhosauridae: Gerrhosauridae: Zonosaurus / TracheloptychusZonosaurus / Tracheloptychus

1. Zonosaurus maramaintso RASELIMANANA, NUSSBAUM & RAXWORTHY, 2006

Toerana nahitana azy: Manodidina an’Antsalova (angamba any amin’ny Tsingin’i Bemaraha). Sary avy any: Bemaraha (nalain’i B. Love).

Androngovato maramaitso. Famaritana: Mirefy 120 mm ny HLV-n’ny lahy lehibe ary 300 mm ny rambo. 14 ny laharana kira amin’ny lamosina ary 4 ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso. 46 ny kira amin’ny kibo manaraka ny lavany. Ny loha, ny hatoka, ny vatana ary ny rambo dia maitso ny aoriana sy ny sisiny sady misy tsipika mitsivalana mainty 14-16. Misy marika vaventy mainty tsy mirindra ny tampon-doha sy ny fi hirifana. Fomba fi ainany: Tsy dia fantatra mazava loatra, fa tena mety ho mpihani-kazo tahaka ny Z. boettgeri. Fanamarihana: Tena mitovy amin’ny Z. boettgeri raha tsy jerena ny fahasamihafan’ny lokon’ny lehibe, fa tsy mbola nisy ny fanavahana ny toetran’izy roa ireo. Miovaova ny fi avahan’ny loko, satria ny santionany iray izay nolazaina fa Z. boettgeri dia miloko maitso tanteraka ny tapany aloha (jereo ny sary 2). Mila fandalinana mba hahafahana mamantatra raha tena karazana hafa mihitsy ny Z. maramaitso na mety ho Z. boettgeri ihany fa hafa loko fotsiny.

2. Zonosaurus boettgeri STEINDACHNER, 1891

Toerana nahitana azy: Ankarana, Iharana, Masoala, Montagne des Français, Nosy Be (Lokobe). Sary avy any: Montagne des Français (nalain’i N. D’Cruze).

Androngovato mpihani-kazo. Famaritana: Mirefy 105-120 mm ny HLV ary 307-345 mm ny rambo mbola tsy tapaka. 14-15 ny kira amin’ny lamosinakira amin’ny lamosinalaharana kira amin’ny lamosina ary 4 ny kira amin’ny valanorano ambony alohan’ny ambany maso. 45-49 ny kira amin’ny kibo manaraka ny lavany. Volontakatra ny faritra aoriana sy ny sisiny, ny loha, ny hatoka ary ny vatana ary misy tsipika mitsivalana volontakatra matroka ny hatoka sy ny vatana izay mihamanjavona any amin’ny tapany aorian’ny vatan’ny lehibe (fa miavaka kokoa sy mitohy amin’ny zanany). Misy marika miloko maitso ny loha sy ny hatoka ary tapany alohan’ny vatany. Fomba fi ainany: Karazana Zonosaurus mpihani-kazo satria hita teny amin’ny 20 m ambonin’ny tany tao amin’ny ala mando. Hita ihany koa tany amin’ny ala maina. Karazana mitovy: Miavaka amin’ny Zonosaurus rehetra afa-tsy ny Z. maramaitso noho ny loko, ny halavan’ny rambo ary ny havitsin’ny isan’ny laharan-kira amin’ny lamosina (14-15 raha 18 na mihoatra amin’ireo karazana sasany). Jereo ihany koa ny fanamarihana amin’ny Z. maramaitso eo ambony.

Taranaka Tracheloptychus GRAY, 1864Taranaka katsatsaka salatsalany izay tsy miaina afa-tsy any amin’ny tany karankaina any amin’ny faritra atsimo sy atsimo andrefan’i Madagasikara. Miavaka amin’ny Zonosaurus ireo karazana Tracheloptychus roa noho ny fananany kira mankadiry, ary koa ny fi sian’ny kentrona amin’ny sisiny eo anelanelan’ny loha sy ny foto-tsandry (mihoatra ny foto-tsandry ny an’ny Zonosaurus). Manana loha miendrika angady ny T. petersi, ary T. madagascariensis koa; mety ahafahana mba handavahana fasika io toetran’ny loha io.

3. Tracheloptychus madagascariensis PETERS, 1854

Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambovombe, Ampanihy, Analamisaka, Andranohinaly, Angavo, Befandriana Atm., Behara, Beloha, Berenty, Etrobeke, Isalo, Lavanono, reniranon’i Manambolo manakaiky an’i Esomony, Nosy Satrana, Onilahy, Saint Augustin, Saraondry, Tolagnaro, Toliara, Tsimanampetsotsa, Tsinavaha, Vohitsara, Zampongotra. Sary avy any: Berenty (3a), Tsiombe (3b, mpivady, nalain’i G. Kuchling).

Sitry. Famaritana: Mahatratra 242 mm ny tontalin’ny halavany. Misy lavaka 16-23 ny fe. Tsy mikasika amin’ny kira ambanin’ny maso ny kira amin’ny valanorano ambony. Misy tsipika 3 miloko mazava ny lamosina: tsipika iray manaraka ny hazon-damosina ary tsipika roa amin’ny sisin-damosina. Misy tsipika mainty roa eo anelanelan’ireo tsipika ireo. Volontakatra ny andilana ary misy karazana pentina fotsy miavaka somary lehibe sy mifanesisesy. Fomba fi ainany: Karazana monina amin’ny tany any amin’ny ala maina sy ny alan-tsilo ary ny havoana amin’ny fasika.

4. Tracheloptychus petersi GRANDIDIER, 1869

Toerana nahitana azy: Belalanda, Ifaty, Morombe, Tsivanoa. Sary avy any: Ifaty (4a), Santionany nompiana (tsy mazava tsara ny toerana nihaviany, 4b).

Asitry. Famaritana: Mahatratra 90 mm ny HLV. Misy lavaka miisa 22-28 ny fe. Mifandray amin’ny kira ambanin’ny maso ny kira amin’ny valanorano ambony. Misy tsipika mainty ny lamosina ary arahin’ny tsipika mazava loko isaky ny sisin-damosina. Volontakatra ny andilana ary misy pentina fotsy miavaka sy somary lehibe ary mifanesisesy. Manopy mena ny andilan’ny lahy ary misy manga ny loha. Fomba fi ainany: Hita toa mifi dy toerana ipetrahana fa tsy tahaka ny T. madagascariensis amin’ny havoana eny amin’ny fasika. Mety miara-monina ireo karazana roa ireo any amin’ny faritra sasany. Araka ny voka-pikarohana azo tamin’ireo santionany nompiana dia manatody ny T. petersi rehefa afaka 3-4 herinandro tao aorian’ny fi raisana ary foy ireo atody ireo afaka 3 volana aoriana.

324

21

43

Page 73: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1

2

4a

3a

3b

4b

Page 74: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Scincidae: Scincidae: TrachylepisTrachylepis

Fianakaviana Scincidae GRAY, 1825Ny androngo Scincidae dia iray amin’ny fi anakaviana ahitana fahasamihafa be indrindra amin’ny Reptiles Squamates. Manana fi paritahana manerana izao tontolo izao izy. Mandady amin’ny tany ny ankabeazany ary betsaka no miaina anaty lavaka isan-karazany. Ny fi henan’ny tongotra sy fi halavan’ny vatana dia miseho eo amin’ireo taranaka maro mifandrindra aminy. Anisany ao anatin’ny zana-pianakaviana roa ny Scincidae Malagasy: ny Lygosominae dia misy ny taranaka Trachylepis sy Cryptoblepharus; ary ny Scincinae, ahitana ireo taranaka rehetra sisa tavela. Ny Trachylepis Malagasy dia mety ho anisany iray amin’ireo rehetra ao anatin’ny fi sandrahana, izay mifandray amin’ny karazana afrikana, kanefa ny Cryptoblepharus Malagasy dia anisan’ny karazana miparitaka manerana ny Ranomasimbe Indiana. Ny Scincinae Malagasy dia mety hita ao anatin’ny fi sandrahana iray, miaraka amin’ireo havany akaiky any Afrika. Azo lazaina ho mizara taranaka roa miavaka tsara ny Scincinae Malagasy, ny iray ahitana ny taranaka Madascincus, Paracontias, sy Pseudoacontias, ary ny iray misy ny Amphiglossus, Pygomeles, sy Voeltzkowia.

Taranaka Trachylepis FITZINGER, 1843Ireto androngo ireto teo aloha dia tao anatin’ny taranaka Mabuya nefa nosarahana vao haingana. Ankehitriny Trachylepis no anaran’ny karazana amin’ny faritra afrikana sy Malagasy. Trachylepis dia karazana mandady sy mivoaka atoandro izay manana karazana toeram-ponenana maro be eto Madagasikara. Ny lokony no tena ahafahana manavaka ny karazana Trachylepis Malagasy, nefa mety manampy koa ny toetra manokan’ny kirana. Anisany izany ny endriky ny kirana ambany maso: miendrika iraizodafy sy mihakely ny fanambany noho ny fi sisihan’ny kirana ambony molotra avy eo aloha (hita eo amin’ny karazana telo amin’ity pejy ity), na mahitsizoro fa tsy mihakely ny fanambany (ny karazana sisa tavela).

1. Trachylepis elegans (PETERS, 1854)Toerana nahitana azy: Ambila-Lemaitso, Ambilobe, Ambovombe, Ampalaza, Ampanihy, Amparinhingidro, Ampijoroa, Ampotaka, Andranohinaly, Andranohofa, Andranomby, Andringitra, Ankarafantsika, Antandroy, Antanimora, Antsepoka, Antsingy, Antsiranana, Behara, Beheloka, Bekopaka, Bemangily, Benavony, alan’i Berara, Beronono, Betroka, Isalo, Itremo, Kandani, Lac Kinkony, Lavenombato, Maevatanana, Mahajanga, Mahanara, Malahelo, Reniranon’i Manambolo akaikin’i Esomony, Manantantely, Mandena, Maromandia, Marotolana, Miandrivazo, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Morondava, Nosy Be, Nosy Faly, Nosy Lava, Nosy Makamby, Nosy Miandroka, Onilahy, Petriky, Saint Augustin, Sainte Luce, Sainte Marie any Marovoay, Sambava, Soalala, Tolagnaro, Toliara, Tranomaro, Tsimanampetsotsa, Tsivono, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Tolagnaro (1a), Sambava (1b). Androngo mena hatoka. Famaritana: Mahatratra 59 mm ny HLV ary 51 mm ny salany. Miendrika iraizodafy ny kirana ambany maso. Roa ny kirana amin’ny tampon-kandrina. Volontakatra voafaritra tsipika tsy dia mazava tsara ny sisin-damosina mazàna, Volontakatra matroka mankany amin’ny mainty arahina tsipika fotsy ny tehezana. Matetika ahitana laharam-pentina tsy mirindra mainty sy fotsy ny lamosina, ary ny pentina mainty amin’ny tehezana dia mety tapahana zana-tsipika miavaka avy amin’ny laharana pentina fotsy. Mazàna eo amin’ny fanombohan’ny tsipiky ny sisin-damosina amin’ny hatoka dia misy faritra na tsipika mena izay mamiratra kokoa amin’ny lahy noho ny amin’ny vavy. Fomba fi ainany: Androngo tena fahita eto Madagasikara, amin’ny toerana maina na mando. Hita mandrakariva eny amin’ny toerana talaky masoandro, feno bozaka tsy misy hazo ary koa eny amin’ny toerana vatoana sy toeram-pambolena. Fanamarihana: Ny voka-pikarohana ara-molekiola dia maneho fa karazana miavaka sy tsy miovaova fi ry izy manerana ny Nosy. Karazana mitovy: T. elegans izay miavaka amin’ny

T. gravenhorstii noho ny fananany kirana amin’ny tampon-kandrina roa (raha tokony ho iray). Na izany aza, dia misy ihany amin’ny T. gravenhorstii. vitsivitsy manana kirana eo amin’ny tampon-kandrina mizara.

2. Trachylepis gravenhorstii (DUMÉRIL & BIBRON, 1839)Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambavaniasy, Ambila-Lemaitso, Amboasary Atsimo, Ambohimahasoa, Ambohimahavelona, Ambohitantely, Ambolisatra, Ambovombe, Ampanihy, Amparinhingidro, Ampijoroa, Toeram-pilasiana An’Ala, Analamazoatra, Anandrivola, Andasibe, Andevoranto, Andohahela, Andrangoloaka, Andringitra, Anevoka, Anjanaharibe-Sud, Ankodabe, Antananarivo, Antandroy, Antanimora, Antoetra, Antsirasira, Besariaka, Behara, Belo, alan’i Berara, Betampona, Betioky, Betroka, Fianarantsoa, Ianzamaly, Ibity, Ifaty, Ikongo, Ilot Prune, Ivohibe, Farihin’Alaotra, Lokobe, Mahafaly, Mahajanga, Malahelo, Manambolo, Manantantely, Mandena, alan’i Mandriandry, Lasy fahatelo Manongarivo, Marojejy, Maromandia, Midongy Atsimo, Nahampoana, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Faly, Nosy Fanihy, Nosy Mitsio, Nosy Sakatia, Petriky, Ranomafana, Sahambavy, Saint Augustin, Sainte Luce, Sainte Marie any Marovoay, Sambava, Tampina, Tampolo, Toamasina, Tolagnaro, Toliara, Tsimanampetsotsa, Tsivono, Vatomandry, alan’i Vohibasia, Vohiparara, alan’i Zombitse. Sary avy any: Nosy Faly (2a), Toliara (2b), Antananarivo (2c).

Androngo matetika. Famaritana: Mahatratra 94 mm ny HLV ary 66 mm ny salany. Iraizodafy ny kirana ambany maso. Iray tsy mizara ny kirana amin’ny tampon-kandrina amin’ny ankapobeny. Mitovy amin’ny T. elegans ny lokony fa saingy ranoray mipentimpentina kokoa ireo tsoria-doko sy ny tsipika samihafa eo aminy: Pentina vitsivitsy eo amin’ny lamosina, tsy tapahan’ny laharana pentina fotsy ny fehy mainty amin’ny valahana ary tsy misy faritra mena ny hatoka. Fomba fi ainany: Karazana tsy mifi dy toeram-ponenana noho ny T. elegans araka ny fantatra, satria miaina any anaty ala mazava na sisin’ala (manomboka any amin’ny ala mando hatrany amin’ny alan-tsilo karankaina), ny tany lava volo misy kirihitra koa dia mety ahitana azy. Mety mandady amin’ny tany na vatan-kazo velona na maty na koa vatolampy. Fanamarihana: Ny voka-pikarohana ara-molekiola dia naneho ny fahasamihafana lehibe ara-tarazon’ny mponin’ity karazana ity, ary koa maneho ny fi sian’ny T. elegans sy T. madagascariensis ao anatin’ny fangaron’i T. gravenhorstii. Azo heverina arak’izany fa T. gravenhorstii dia mety ho karazana manokana mihitsy izay miparitaka any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara.

3. Trachylepis madagascariensis (MOCQUARD, 1908)Toerana nahitana azy: Ambatolampy, Tampoketsan’Andohariana, Andringitra, Ankaratra, Beanjombona, Farihimazava, Ibity, Soamantsaka, Torotorofotsy, Tsiafajavona, Vohisokina. Sary avy any: Andringitra (3a), Torotorofotsy (3b).

Androngo fi to tsipika. Famaritana: Mahatratra 69 mm ny HLV. Iraizodafy ny kirana ambany maso. Roa ny kirana amin’ny tampon-kandrina. Mampiavaka azy ny fi sian’ny tsipika manify mazava amin’ny elanelana mitovy manaraka ny halavan’ny vatana. Fomba fi ainany: Karazana monina an-tendrombohitra misy tany lava volo na toerana be bozaka misy kirihitr’ala, matetika eny ambonin’ny faritra misy ala. Hita koa any amin’ny toerana talaky masoandro amin’ny faritra iva, oh: akaiky honahona. Manatody 5 mirefy 16-19 mm ny HLV ary 12-14 mm ny sakany talohan’ny fahafoizana, ny vavy iray, ary foy afaka 32 andro ireo atody ireo.

326

21 3

Page 75: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2b

3a

1a

2a

2c

3b

Page 76: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Scincidae: Scincidae: TrachylepisTrachylepis

1. Trachylepis aureopunctata (GRANDIDIER, 1867)

Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambovombe, Andohahela, Andranohinaly, Antanimora, Behara, Bekopaka, Esomony, Ianzamaly, Ifaty, Kirindy, Lavenombato, Mahafaly, Menabe, Morondava, Onilahy, Saloube, Tolagnaro, Toliara, Tsivono. Sary avy any: Esomony (1a), Ifaty (1b).

Katsatsaka pentina fotsy. Famaritana: Mahatratra 69 mm ny HLV. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). Volontakatra mankany amin’ny volondavenona ny loha, ny hatoka ary ny tapany aloha amin’ny lamosina, tsy miavaka loatra ny tapany aoriana fa saingy mazava kokoa. Mazàna misy laharana pentina fotsy 7-8 ny hatoka sy ny tapany aloha amin’ny vatana, ahitana pentina fotsy tsy mirindra ny tapany aorian’ny lamosina. Fomba fi ainany: Miparitaka amin’ny toerana karankaina any atsimo-andrefan’i Madagasikara. Mazàna hita anaty ala, na tora-pasika, na vatolampy voahodidina tany amin’ny toerana talaky masoandro. Mety ho hita mitanin’andro eny amin’ny vatan-kazo na amin’ny rantsan-kazo vaventy anatin’ny zava-maniry ambany toerana.

2. Trachylepis dumasi (NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1995)

Toerana nahitana azy: Amboanemba, Amboasary Atsimo, Tsingin’i Bemaraha (mbola tsy mazava tsara ny santionana), alan’i Zombitse. Sary avy any: SW Antsalova (nalain’i G. Kuchling).

Katsatsaka mazava loha. Famaritana: Mirefy 47-55 mm ny HLV. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). Volontakatra ranoray ny tampon-doha, ny lamosina, ny hatoka ary ny vatana, ahitana pentina mainty sy fotsy miparitaka ny vatana indraindray. Tsy mangirana noho ny vatana ny tampon-doha. Ny fi hirifana dia misy tsipika mainty ahitana laharana pentina fotsy eo ambaniny, izany dia mifarana any amin’ny foto-tanany. Fomba fi ainany: Hita any anaty alan-tsilo misy vato, mandady miadana amin’ny tany any anaty kirihitra ary tsy mihetsika raha vao hita tampoka.

3. Trachylepis nancycoutuae (NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1998)

Toerana nahitana azy: Isalo. Sary avy any: Isalo.

Katsatsaka mitovy loko. Famaritana: Ny lahy mirefy 38-45 mm HLV, ary 62 mm ny rambo. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). Mainty ny tapany alohan’ny lamosina miaraka amin’ny loha sy ny hatoka, misy tsipika 7 fotsy mitapatapaka; Volontakatra manopy volom-barahina ny aorian’ny sorony ary mivolom-barahina ny tapany aoriana. Fomba fi ainany: Tany Isalo ihany no nahitana azy, monina amin’ny tendrombohitra vatoana amin’ny faritra atsimo-andrefan’ny Nosy. Mipetraka anatin’ny lavaka anelanelan’ny vatolampy. Karazana mitovy: T. vato izay mitovy loko aminy, saingy misy laharan-tsipika fotsy 9 amin’ny tapany alohan’ny vatana. T. aureopunctatus dia lehibe kokoa sy manana laharana pentina fa tsy tsipika, ary manopy volondavenona ny ampahany be amin’ny vatana aoriana.

4. Trachylepis vato (NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1994)

Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Antanimora, Behara, Betroka, Col des Tapias, Ibity, Ihosy, Malahelo, Manambaro, reniranon’i Manambolo akaikin’i Esomony, Petriky, Sendrisoa, Tsimanampetsotsa, Tsihombe. Sary avy any: Col des Tapias (4a), Esomony (4b).

Katsatsabato. Famaritana: Mahatratra 55 mm ny HLV. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). Mainty ny tapany alohan’ny lamosina miaraka amin’ny loha sy ny hatoka, Volontakatra manopy volom-barahina ny tapany aoriana. Misy laharam-pentina fotsy 9 ny hatoka sy ny tapany alohan’ny vatana. Ahitana pentina sy tsipika fotsy koa ny loha. Fomba fi ainany: Hita amin’ny faritra karankaina any atsimo andrefana ary ny faritra atsimon’ny afovoantany. Mipetraka eny amin’ny velarana be vato tahaka ny vato lehibe na hantsam-bato. Mety miara-monina amin’ny T. aureopunctatus.

5. Trachylepis vezo (RAMANAMANJATO, NUSS-BAUM & RAXWORTHY, 1999)

Toerana nahitana azy: Lavenombato. Sary avy any: Lavenombato (nalain’i J. B. Ramanamanjato).

Katsatsaka vezo. Famaritana: Mahatratra 54 mm ny HLV Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). Volontakatra mankany amin’ny manopy volondavenona ny loha sy fi hirifana, ny hatoka ary ny tapany alohan’ny vatana, tsy miavaka loatra ny tapany aoriana fa mazàna somary mazava. Misy pentina fotsy mamorona laharan-tsipika manaraka ny lavany ny loha, ny hatoka ary ny lamosina: laharana fi to manodididna ny tapany alohan’ny hatoka, laharana 11 aorian’ny hatoka mitohy mankany amin’ny vatana izay misy tsipika fanampiny anelanelany. Fomba fi ainany: Monina eny ambony vato any amin’ny faritra karankaina atsimo-andrefan’i Madagasikara.

328

21

43 5

Page 77: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

4b

4a

1b1a

3

5

Page 78: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Scincidae: Scincidae: Trachylepis / CryptoblepharusTrachylepis / Cryptoblepharus

1. Trachylepis boettgeri (BOULENGER, 1887)Toerana nahitana azy: Ambatolampy, Ambohimahasoa, Ambohimirandrana, An’Ala, Analamazoatra, Andohariana, Andrangoloaka, Andringitra, Ankaratra, Betafo, Fianarantsoa, Manambolo, Manjakatompo, Torotorofotsy. Sary avy any: Andringitra (1a), Manjakatompo (1b). Katsatsaka fotsy loha. Famaritana: Mahatratra 55 mm ny HLV ary 50 mm ny salany. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). 3 ny kirana ambony maso. Misy tsipika matroka amin’ny ilany ary misy sisiny tsipika fotsy ambony sy ambany. Mety ahitana tsipika mainty fanampiny eo anivon’ny lamosina Miloko volontakatra. Tsy misy pentina fotsy ny loha sy ny hatoka ary ny lamosina. Fomba fi ainany: Monina amin’ny toerana misy bozaka mando na eny amoron’ny honahona sy tanety midadasika misy kirihitra.

2. Trachylepis tavaratra (RAMANAMANJATO, NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1999)

Toerana nahitana azy: Analamera, Ankarana, Montagne d’Ambre, Montagne des Français. Tsy misy sary. Katsatsaka tavaratra. Famaritana: Mahatratra 48-62 mm ny HLV. Ampitomboina 1,4-1,8 ny halavan’ny rambo. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). 4 ny kirana ambony maso ary 34-38 ny laharan-kirana amin’ny vatana. Mitovy loko amin’ny M. lavarambo (jereo eo ambany), misy tsipika ny sisin-damosina izay manjary matroka amin’ny hatoka sy ny tapany alohan’ny vatana ary manjavona eo amin’ny fi sasahan’ny vatana. Fomba fi ainany: Amin’ny toerana mazavazava, ala mando simba sy ala maina any Avaratr’i Madagasikara, matetika eny amoron’ala no fonenany.

3. Trachylepis lavarambo (NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1998)Toerana nahitana azy: Nosy Be (Lokobe). Tsy misy sary. Katsatsaka lava rambo. Famaritana: Mahatratra 52-61 mm ny HLV ary 128-145 mm ny rambo voalohany, (in-2,5 ny HLV ny rambo). Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). 4 ny laharan-kirana ambony maso ary 28-30 ny laharan-kirana amin’ny vatana. Misy tsoria-doko Volontakatra ranoray afovoan’ny lamosina izay voafaritra tsipika Volontakatra tanora amin’ny sisin-damosina ary arahana tsoria-doko matevina manopy mainty sy tsipika fotsy manify ary tsoria-doko manopy Volontakatra indray. Fomba fi ainany: Fantatra fa avy any amin’ny ala mando ao Nosy Be amin’ny toerana iva.

4. Trachylepis tandrefana (NUSSBAUM, RAXWORTHY & RAMANAMANJATO, 1999)

Toerana nahitana azy: 25 km avaratr’i Belo-Tsiribihina, Bemosary, Kirindy, Namoroka, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Namoroka (4a, nalain’i A. Raselimanana), Tsingin’i Bemaraha (4b). Katsatsaka tandrefana. Famaritana: Mirefy 50-58 mm ny HLV. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). 4 ny kirana ambony maso. Volontakatra ny lamosina. Misy tsipika mainty matevina miala eo amin’ny maso manaraka ny ilan’ny vatana aloha, ary mihamanjavona any amin’ny tapany aoriana. Io tsipika io dia manomboka misaraka ho mazava kokoa eo amin’ny lamosina Volontakatra; ary lasa tsipika manjavozavo amin’ny sisin-damosina. Fotsy ny ambanin’ny tsipika mainty amin’ny tehezana, indrindra amin’ny tapany alohan’ny vatana ka manjary matroka mitovy amin’ny lamosina any amin’ny tapany aorian’ny vatana. Miovaova io loko io ary mety tsy hita tsara loatra. Fomba fi ainany: Monina ambany vatan-kazo sy amin’ny vato sokay any amin’ny ala mando

5. Trachylepis volamenaloha (NUSS-BAUM, RAXWORTHY & RAMANAMANJATO, 1999)

Toerana nahitana azy: Bemaraha. Sary avy any: Bemaraha (nalain’i A. Raselimanana). Katsatsaka volamenaloha. Famaritana: Mirefy 48-52

mm ny HLV. Mahitsizoro ny kirana ambany maso (tsy ety ny fanambany). Volom-barahina ny tampon-doha ary mainty sy misy tsipika 5 volom-barahina manaraka ny lavan’ny lamosina. Ahitana laharam-pentina fotsy, na tsipika manopy fotsy miala eo amin’ny loha hatrany amin’ny fi sasahan’ny vatana. Fomba fi ainany: Monina amin’ny ala maina mihitsan-dravina misy tsingy sy vato sokay.

6. Trachylepis comorensis (PETERS, 1854)Toerana nahitana azy: Ao Nosy Tanikely ihany no misy azy eto Madagasikara. Sary avy any: Nosy Tanikely. Katsatsaka kaomoriana. Famaritana: Mirefy 104-112 mm ny HLV ary 122-142 mm ny rambo. 33-34 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana. Vaventy sy Miloko volontakatra matroka, indraindray manopy mavo ny tehezana. Misy pentina fotsy ny fi hirifana, indrindra amin’ny valanorano ambony, matetika mamorona laharan-tsipika tsiroaroa amin’ny sisin-damosina. Misy pentina manopy fotsy (tsy mamorona laharana) koa ny tapany alohan’ny tehezana. Fomba fi ainany: Ahitana azy betsaka ny karazana toeram-ponenana rehetra any amin’ny Nosy Tanikely: ala, saha, vato amoron-dranomasina, mazàna mandady amin’ny tany ary mihanika indraindraindray.

Taranaka Cryptoblepharus WIEGMANN, 1834Taranaka katsatsaka kely, monina ambony vato ary matetika misafi dy vato amoron-dranomasina. Noho io toeram-ponenana miavaka io, Cryptoblepharus dia afaka monina ao amin’ny ankamaron’ireo nosy kely na lehibe amin’ny Ranomasimbe Indianina sy ny faritr’i Aostralia, ary koa ny morontsirak’i Afrika. Misy fi ovaovany maro isaky ny toerana ary sokajiana ho zana-karazana indraindray, na karazana hafa mihitsy aza.

7. Cryptoblepharus boutonii (DESJARDINS, 1831)Toerana nahitana azy: C. b. cognatus: Lokobe, Nosy Ambariobe, Nosy Be, Nosy Fanihy, Nosy Mitsio, Nosy Sakatia. zana-karazana tsy azo antoka: Ambolobozokely. C. b. voeltzkowi: Ifaty, Tolagnaro. Sary avy any: Nosy Fanihy (7a), Ifaty (7b). Katsatsabato tavaratra. Famaritana: Mahatratra 52 mm ny HLV. Misy zana-karazana roa eto Madagasikara, C. b. cognatus izay mazàna volontakatra matroka sy misy tsipika volontakatra tanora ny sisin-damosina ary monina any avaratry ny Nosy, C. b. voeltzkowi avy any amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo andrefana ary miloko mazava sy mitsipika volontakatra tanora ny sisin-damosina. Fomba fi ainany: Monina eny amin’ny vato amoron-dranomasina, ary midina ambany rehefa mihinana bibikely sy foza ary trondro. Na izany aza dia monina an-tanety ihany, fa tsy milomano na milentika rehefa misakafo.

33065 7

21 3

4

Page 79: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b1a

4b4a

65

7b7a

Page 80: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Scincidae: Scincidae: MadascincusMadascincus

Taranaka Madascincus BRYGOO, 1981Ity taranaka tsy misy afa-tsy aty Madagasikara ity, dia nofaritana ho zana-taranaka Amphiglossus, noho ny isan’ny vanintaolan-damosina aloha. Ny voka-pikarohana ara-molekiola dia maneho fa ny Amphiglossus, tahaka ny nahafantarana azy hatrizay dia manana fi zarazarana fi sandrahan-taranaka, ary Madascincus no iantsoana ny iray tamin’izy ireo ankehitriny. Madascincus dia katsatsaka kely na salasala habe izay tsy maneho fi hafohezan-drantsam-batana sy fi halavan’ny vatana tahaka ireo Amphiglossus maro, fa misy tena kely kosa ny vatan’ny sasany.

Vondrona telo amin’ny Madascincus no azo avahana: ny vondrona voalohany dia misy ny M. igneocaudatus, M. intermedius, M. polleni, ary M. sp. “vitreus” izay miavaka amin’ny kirana amin’ny handrina miendrika lakolosy; ny vondrona faharoa dia manana karazana vitsy any amin’ny ala mando (M. sp. “baeus”, M. macrolepis, M. nanus); ny vondrona fahatelo dia ahitana karazana somary madinika sy Miloko volontakatra ary monina any anaty fakon-dravina any anaty ala mando (M. ankodabensis, M. melanopleura, M. mouroundavae).

Fantatra fa manatody ny sasany amin’ny Madascincus kanefa ny hafa toa miteraka. Maro ny karazana voatokana any amin’ny ala-mando sy miaina anaty fakon-dravina, fa ny sasany kosa any amin’ny ala maina manintsan-dravina (A. intermedius) na amin’ny faritra tsy misy ala any atsimo andrefana sy afovoantany (oh: A. igneocaudatus).

Mampiavaka azy amin’ny Amphiglossus, ny Madascincus dia ahitana vazana 8-11 matetika (raha 4-7 ny an’ny Amphiglossus).

1. Madascincus igneocaudatus (GRAN-DIDIER, 1867)

Toerana nahitana azy: Analamisaka, Andranohinaly, Angavo, Anjiro, Beheloka, Bevato, Ibity, Ifaty, Itremo, Morombe, Sabara, Saraondry, Toliara. Sary avy any: Ibity (1a), Itremo (1b).

Katsatsaka mena rambo. Famaritana: Mirefy 60 mm ny salan’ny HLV ary 78 mm ny lava indrindra. Mahatratra 69 mm ny rambo. 22-26 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 65-81 ny kirana amin’ny kibo. Mampiavaka azy ny toetra sy lokon’ny tsipika: volontakatra mazava ny lamosina ary voafefy amin’ny andaniny roa tsipika mainty manify, avy eo tsipika fotsy, tsipika mainty matevina, tsipika fotsy ary tsipika mainty indray. Volontakatra manopy mavokely ny rambo amin’ny santionana sasany, fa mazàna mena mamiratra. Samy hafa ny toetran’ny tsipika amin’ireo andiany any afovoantany sy any amin’ny faritra iva. Fomba fi ainany: Miparitaka any amin’ny tany karankaina atsimo andrefana. ny santionana nosamborina tao anaty hodin-kazo, mavitrika eny amin’ny fasika mando, ary ambany vato amin’ny toerana fasehina ry zareo. Ny karazana dia mety ho hita any ambany vato amin’ny toerana fasehina sy faritra mazava any afovoantany (Itremo sy Ibity). Nahitana atody 6 mirefy 18 x 12 mm ny vavy iray tany Ibity tamin’ny faran’ny volana desambra, 25 mm ny halavan’ny zanany foy avy eo. Nahitana zanany velona ny kibon’ny vavy iray nodidiana tany Ifaty, izay no manambara fa miteraka io andiany io, izay mifanohitra amin’ny avy any Ibity. Fanamarihana: Rehefa nojerena ny fahasamihafan’ny fananahany, dia mety ho karazana hafa mbola tsy voafaritra ny avy any afovoantany.

2. Madascincus sp. “vitreus” Toerana nahitana azy: Kirindy. Sary avy any: Kirindy.

Famaritana: Santionana tokana ihany no fantatra dia zanany iray: Mirefy 23 mm ny HLV ary 27 mm ny rambo. 22 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana ary 70 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra mazava ny lamosina ary mainty ranoray ny tehezana. Manopy mena ny rambo. Fomba fi ainany: Hita mavitrika mandritra ny andro eny amin’ny fakon-dravina any amin’ny ala maina.

3. Madascincus intermedius (BOETTGER, 1913)Toerana nahitana azy: Ampijoroa, Ankarafantsika, Ankazoabo, Antsiranana, Bemanevika, Beroboka Avaratra, Kirindy, Mahajanga, Marojejy, Marovoay, Menabe, Montagne des Français (Andavakoera), Toliara, alan’i Vohibasia. Sary avy any: Ankarafantsika (3a), Montagne des Français (3b).

Katsatsaka volontakatra mavo. Famaritana: Mirefy 69 mm ny salan’ny HLV ary 73 mm ny lava indrindra. Mahatratra 69 mm ny rambo. 24-28 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana ary 66-82 ny kirana amin’ny kibo. Manopy mavo volontakatra ny lamosina ary Volontakatra manopy mavo ny tehezana, manopy mavokely indraindray. Misy tsipika volontakatra matroka, mazàna miavaka kokoa eo amin’ny hatoka sy ny tapany alohan’ny vatana ary manjavona any amin’ny tapany aoriana. Mety ahitana marika matroka kely koa ny kirana amin’ny lamosina. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala maina, ohatra, any Ankarafantsika sy eny rehetra eny.

4. Madascincus polleni (GRANDIDIER, 1869)Toerana nahitana azy: Anjahamaro, Antsirasira, alan’i Berara, Fiherenana, Lokobe, Mahajanga, Mananara, Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Morondava, Nosy Be. Sary avy any: Berara (4a), Marojejy (4b).

Katsatsaka volontakatra. Famaritana: Mahatratra 73 mm ny HLV ary 102 mm ny halavan’ny rambo. 26-34 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana ary 78-85 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra ny lamosina ary volontakatra mankany amin’ny mavo ny tehezana. Misy tsipika matroka tsy matimaty ny tehezana amin’ny tapany alohan’ny vatana ihany indraindray. Fomba fi ainany: Ny santionana dia nosamborina teny amin’ny fakon-dravina tany amin’ny ala maina, tany fambolena ary koa ala mando. Fanamarihana: Ity karazana ity dia nahitana ny M. stumpffi (fantatra voalohany tany Nosy Be) izay karazana mitovy. Karazana mitovy: M. intermedius dia kely ary matetika dia manifi nify kokoa ny vatana.

332

2

1

43

Page 81: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

3a

4a

1a

3b

4b

2

Page 82: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Madascincus sp. “baeus” Toerana nahitana azy: Andasibe. Sary avy any: Andasibe.

Famaritana: Mirefy 24-28 mm ny halavan’ny lahy ary 29 mm ny an’ny vavy. 20-22 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana ary 54-58 ny kirana amin’ny kibo. Tsy mikasika amin’ny kirana ambony molotra ny alohan’ny maso. Volontakatra matroka ranoray ny lamosina ary misy loko mivolon’avana. Fomba fi ainany: Hita eny amin’ny fakon-dravina any amin’ny ala mando amin’ny haavo antonony. Mavitrika amin’ny atoandro. Karazana mitovy: Indrindra ny M. nanus sy M. macrolepis.

2. Madascincus nanus (ANDREONE & GREER, 2002)Toerana nahitana azy: Anjanaharibe-Sud, Masoala, Tsararano. Tsy misy sary.

Katsatsaka misoratsoratra. Famaritana: Mirefy 22-29 mm ny halavan’ny lehibe ary 120-140% ny HLV ny rambo voalohany. 20 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 59-63 ny kirana amin’ny kibo. Tsy mikasika ny kirana amin’ny molotra ambony ny alohan’ny maso. Tsy mihitatra any amin’ny laharan-kirana amin’ny molotra ambony ny fanambanin’ny kirana amin’ny takolaka, fa sarahan’ny fi kasohana amin’ny kirana aorian’ny orona sy akaikin’ny alohan’ny maso. 4-5 ny rantsan-tongotra. Volontakatra mazava volontakatra hatsatra ny lamosina ary ny loko matroka dia mitangorona anivon’ny kirana. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando amin’ny haavo antonony. Karazana mitovy: M. macrolepis sy M. baeus. Miavaka ny M. macrolepis noho ny isan’ny laharan-kirana amin’ny lamosina sy ny fi sarahan’ny kirana amin’ny takolaka sy kirana amin’ny molotra ambony.

3. Madascincus macrolepis (BOULENGER, 1888)Toerana nahitana azy: Ambositra. Tsy misy sary.

Katsatsaka dimy rantsana. Famaritana: Mirefy 34 mm ny halavan’ny lehibe 18 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 60 ny kirana amin’ny kibo. Mikasoka amin’ny kirana amin’ny molotra ambony ny alohan’ny maso. Tsy mihitatra any amin’ny laharan-kirana amin’ny molotra ambony ny fanambanin’ny kirana amin’ny takolaka, fa sarahan’ny fi kasohana amin’ny laharan-kirana aorian’ny orona sy alohan’ny maso. 5 ny rantsan-tongotra. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

4. Madascincus minutus (RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1993)Toerana nahitana azy: Ambatovaky, Anjanaharibe-Sud, Ivohibe, Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre, Tsaratanana. Tsy misy sary.

Famaritana: Mahatratra 39 mm ny HLV, ary 54 mm ny halavan’ny rambo. 20-22 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana. 48-54 ny kirana amin’ny kibo. Miloko volontakatra mavo ny lamosina ary miavaka tsara loko amin’ny riran-damosina sy ny tehezana. Ny tehezana dia mazava noho ny lamosina. Manopy volondavenona ny ambanin’ny rambo ary misy pentina mainty isaky ny kirana. Fomba fi ainany: Any anaty fakon-dravina any amin’ny ala mando.

5. Madascincus melanopleura (GRANDIDIER, 1869)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Alan’Ambahaka, Ambatambe, Ambila-Lemaitso, Ambohimitombo, Ambohitsara, An’Ala, Analamazoatra, Anandrivola, Andasibe, Andohahela, Andraina, Andrambovato, Andringitra, Anjahamaro, Anjanaharibe-Sud, Ankarafantsika,

Alan’Ankopakopaka, Antsahamanara, Fierenana, Ikongo, Imaloka, Isaka-Ivondro, Ivohibe, Masoala, Malahelo, Manantantely, Mandena, Alan’i Mandriandry, Mangevo (Ranomafana), Maroantsetra, Marojejy, Midongy Atsimo, Montagne d’Ambre, Nosy Mangabe, Petriky, Ranomafana, Sainte Luce, Tsararano, Toamasina, Tolagnaro, Vohiparara, Zahamena. Sary avy any: Tsaratanana (5a), Nosy Mangabe (5b), Fierenana (5c).

Katsatsaka tsipika mainty. Famaritana: Mahatratra 55 mm ny HLV ary 102 mm ny halavan’ny rambo. 22-26 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 56-63 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra tanora ahitana tsipika mainty manify matimaty ny sisin-damosina. Volontakatra manopy mavo ny tehezana ary ahitana pentina mainty tsy mirindra. Fomba fi ainany: Iray amin’ireo katsatsaka fahita eny amin’ny fakon-dravina any anaty ala mando, mety hita any amin’ny ala nahasimbana sy zava-maniry tahaka ny ala kininina. Mety hita mihazakazaka anelanelan’ny fakon-dravina milatsaka amin’ny tany mandritra ny andro. Nanatody 6 ny vavy iray ary foy afaka 34 andro ireo.

6. Madascincus ankodabensis (ANGEL, 1930)Toerana nahitana azy: Ankodabe, Tolagnaro. Tsy misy sary.

Katsatsak’i Ankodabe. Famaritana: Mirefy 50 mm ny HLV ary 34 mm ny halavan’ny rambo rambo. 22 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 61 ny kirana amin’ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Fanamarihana: Nofaritana ho tena mitovy amin’ny M. melanopleura fa manana kirana ambony maso fahatelo (fa tsy faha-efatra) mikasoka amin’ny maso. Mila fandinihana vaovao ny fanasokajiana azy.

7. Madascincus mouroundavae (GRANDIDIER, 1872)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Ambonitely, Ambohitantely, Andasibe, Anjanaharibe-Sud, Antsahamanara, Marojejy, Montagne d’Ambre, Morondava, Tsararano. Sary avy any: Andasibe (7a), Antsahamanara (Tsaratanana) (7b).

Katsatsak’i Morondava. Famaritana: Mirefy 64 mm ny salan’ny HLV ary 66 mm ny lava indrindra. Mahatratra 71 mm ny halavan’ny rambo. 28-30 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 63-67 ny kirana amin’ny kibo manaraka ny halava. Volontakatra tanora ary misy pentina mainty ny lamosina. Misy tsora-doko mainty sady be velarana mameno ny tehezana mifanakaiky amin’ny kibo volontakatra. Fomba fi ainany: Hita eny amin’ny fakon-dravin-kazo any anaty ala mando amin’ny haavo antonony.

334

Scincidae: Scincidae: MadascincusMadascincus

76

21 3

54

Page 83: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

7b

1b1a

5a 5b

7a5c

Page 84: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Amphiglossus DUMÉRIL & BIBRON, 1839

Ny taranaka Amphiglossus dia misy ny ankamaron’ireo karazana androngo Scincidae eto Madagasikara. Karazana Amphiglossus 21 no voafaritra ankehitriny, fa mbola misy rahateo karazana vaovao maro fantatra. Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny ankabeazan’ny Amphiglossus, ankoatra ny karazana roa: Amphiglossus valhallae hita any amin’ny nosy Glorioso any avaratra andrefan’i Madagasikara, sy A. johannae hita any amin’ny nosy Kaomaoro. Ireo karazana roa ireo dia mitovy tanteraka amin’ireo karazana hita any amin’ny faritra avaratra-andrefan’ny Nosy, indrindra ny A. ardouini, fa tsy ampy ny fandinihana manazava ny fi fandraisan’izy ireo.

Hita amin’ny toerana rehetra eto Madagasikara ny Amphiglossus, any amin’ny ala mando ny ankabeazany, ary miaina ambony na anaty fakon-dravina, mangery matetika ary mivoaka vao mangiran-dratsy na alina. Monina any amin’ny ala maina ny karazana sasany. Karazana vitsivitsy mety ho hita mihanika vato. Betsaka ireo karazana vaventy (A. astrolabi sy A. reticulatus) afaka miaina anaty rano, ary mety ho hita amin’ny alina any anaty sakeli-drano any avaratra andrefana sy avaratra-atsinanan’ny Nosy. Ireo karazana monina an-tendrombohitra (indrindra i A. macrocercus) dia mety ho hita eny anelanelan’ny laharan-kazo ary miafi na ambany vato na vatolampy madinika, oh: any Ankaratra. Karazana vitsy amin’ny Amphiglossus ihany no fantatra ny fomba fananahana, fa karazana maro kosa no nahalalana fa miteraka: A. punctatus, A. macrocercus.

Misy ambaratonga maromaro ny fi henan’ny rantsam-batana sy ny fi halavan’ny vatana. Misy manana rantsam-batana mivoatra tsara, ohatra ny, A. anosyensis, A. punctatus ary A. splendidus. Lava be ny vatan’ny sasany, ary tena kely ny rantsam-batana, satria ny fototry ny rantsan-tongotra sy rantsan-tanana fotsiny sisa tavela (oh: A. crenni), na dia tsy misy tanteraka (A. stylus). Raha ny fi halavan’ny vatana no lazaina, dia samihafa ny isan’ny vanin’ny taolan-damosiny isaky ny karazana, manomboka 30 (A. punctatus) hatramin’ny 59 (A. crenni).

Mampiavaka ny Amphiglossus amin’ny Madascincus mazàna ny fananany vazana miisa 4-7 (raha 8-11 ny an’ny Madascincus).

1. Amphiglossus astrolabi (DUMÉRIL & BIBRON, 1839)

Toerana nahitana azy: Analamazoatra, Antsihanaka, Fanovana, Folohy, Ikongo, Ivohibe, Mandena, Mandraka, Masoala, Nosy Mangabe, Ranomafana, Sahembendrana, Tsararano. Sary avy any: Nosy Mangabe (1a), Ranomafana (1b, 1c).

Katsatsaka mavo kibo. Famaritana: Mahatratra 226 mm ny HLV ary 302 mm ny halavan’ny rambo. 34-38 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 96-115 ny kirana amin’ny kibo. Miakatra ny lavak’orony, ary eo anivon’ny kirana amin’ny molotra ambony voalohany no misy azy. Volontakatra ranoray ny lamosina ary mavo ny kibo. Fomba fi ainany: Nahitana atody miisa 10 ny vavy nodidiana izay manamarina fa manatody ity karazana ity. Ity karazana mahavariana ity dia mety hita anaty na manamorona rano any anaty ala mikitroka sy ny ala simba manodidiana azy. Azo antoka fa mikambana amin’ny rano

ny toeram-ponenany. Mivoaka atoandro na vao mangiran-dratsy, ary koa mety ho amin’ny alina. Hita nisitrika tao anaty dobo tany amin’ny ala mandon’ny Nosy Mangabe ny iray, ary dia nisitrika moramora tany anelakelam-bato izy. Rehefa voasambotra izy dia tsy nihetsika fi ry no sady tsy nasiaka, ny sasany nefa manaikitra rehefa samborina. Hita tamin’ny mody masoandro teny amin’ny sakeli-drano ny santionana sasany, ary milomano sy miafi na ao ambany vatan-kazo mitsingevana izy rehefa samborina, na saika tsy mihetsika eny amoron’ny sakeli-drano, ary tsy milefa rehefa natonina. Hita any amin’ny toerana maro any avarata-atsinanana sy avaratra-andrefan’ny Nosy. Araka ny fantatra dia toa vonoin’ny olona izy ireo satria atahorany.

2. Amphiglossus reticulatus (KAUDERN, 1922)Toerana nahitana azy: Ambilobe, Ampijoroa, Ankarafantsika, alan’i Berara, Bora, Sainte Marie any Marovoay, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Berara (2a, 2d), Ankarafantsika (2b, 2c).

Katsatsaka pentina mavo. Famaritana: Mahatratra 212 mm ny HLV ary 210 mm ny halavan’ny rambo. 36-42 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 91-112 ny kirana amin’ny kibo. Miakatra ny vavorona ary eo anivon’ny kirana amin’ny molotra ambony voalohany no misy azy. Miovaova ny loko sy kisarisarin’ny lehibe, Volontakatra tanora mankany amin’ny volontakatra manopy mavo, misy sarisary pentina sy marika mainty matevina toa endri-masondrary amin’ny tehezana, na volontakatra manopy mavo sy volontakatra. Mifandimby ny marika mazava sy matroka amin’ny kirana amin’ny molotra ambony sy ambany. Hafa ny lokon’ny zanany. Volontakatra matroka sy misy pentina mavo vitsivitsy ny lamosina ary mavo ahitana ravaka miloko volontakatra matroka mankany amin’ny mainty toa masondrary ny tehezana. Fomba fi ainany: Karazana monina anaty rano any amin’ny ala maina manintsan-dravina sy ala anelanelany any avaratra andrefan’i Madagasikara. Ny karazana dia fahita matetika eny amin’ny sakeli-drano sy ny tanimbary ary amoron’ala any Ankarafantsika. Santionana iray nivoaka alina, tsy nihetsika somary nisitrika tany anaty fasika teo amin’ny sisin’ny sakeli-drano iray ao anaty ala nisy fahasimbana. Nanaikitra mafy be izy nony nosamborina ary nanaintaina nandritra ora iray ny rehefa nisambotra. Tamin’ny alina ihany no nahitana ny santionana sasany teo amin’ny sakeli-drano tao amin’ny alan’i Berara. Karazana manatody izy, manify sy malemilemy ny akoran’atody ary foy afaka fotoana fohy 13-14 andro. Fanamarihana: Noheverina ho anarana mitovy aminy ny A. waterloti (Angel, 1930) eto, fa misy fi ovaovana ny toe-batan’ireo androngo mivelona anaty rano avy any avaratra-andrefan’ny Nosy, ary noho izany dia ilaina asa fanadihadiana ny fanasokajiana azy.

21

336

Scincidae: Scincidae: AmphiglossusAmphiglossus

Page 85: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

2b

2d

1b1a

2a

2c

Page 86: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Amphiglossus mandokava RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1993

Toerana nahitana azy: Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre.

Katsatsaka vangavanga. Famaritana: Mahatratra 148 mm ny HLV ary 80 mm ny halavan’ny rambo (naniry fanindroany). 36-39 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 103-123 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny fi haonan’ny kirana amin’ny tendro molotra sy ny kirana amin’ny molotra ambony voalohany no misy ny lavak’orony. Volontakatra matroka, ahitana tasy vaventy miloko volontakatra manopy maitso ny tehezana, izay manjary mamorona tsoria-doko mitsivalana amin’ny tapany alohan’ny vatana, ary tsy mahatratra ny faritry ny hazon-damosina, ka manome karazana tsoriadokon’ny hazon-damosina matroka. Miparitaka kokoa ny loko manopy mavo ka manome fariparitra tsy mirindra volontakatra matroka ny lokon ’ny santionana avy any amin’ny Montagne d’Ambre (jereo ny sary). Fomba fi ainany: Nosamborina teo amin’ny 30 m miala ny sakeli-drano tany amin’ny ala mando mikitrok’i Manongarivo ny santionana iray. Any Montagne d’Ambre, ny karazana dia noheverin’ny mponina any an-toerana fa mivelona anaty rano, nefa nisy santionana roa nosamborina tao anaty hazo tapaka lavitra rano. Ireo zavatra hita ireo dia mampiharihary fa tsy dia mivelona anaty rano loatra noho ny A. astrolabi ny A. reticulatus.

2. Amphiglossus sp. “variegatus” Toerana nahitana azy: Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français.

Famaritana: Mirefy 148 mm ny HLV. 32 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 111 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny fi haonan’ny kirana amin’ny tendro molotra sy ny kirana amin’ny molotra ambony voalohany no misy ny lavak’orony. Volontakatra matroka no mameno ny lamosina, ahitana tsoria-doko volontakatra manopy mavo mifanapaka tsy feno amin’ny loha sy ny hatoka izay mivadika ho onja amin’ny vatana ary manjavona eny amin’ny foto-drambo izay mainty. Manopy mavokely ny tenda ary volondavenona manopy mavo ny kibo. Fomba fi ainany: Nosamborina tany amin’ny vato sokay voakikin’ny riaka tany amin’ny ala maina ny hany santionana iray fantatra tamin’ity karazana ity fa mbola tsy voafaritra.

3. Amphiglossus ardouini (MOCQUARD, 1897)Toerana nahitana azy: Ambilobe, Antsiranana, Montagne des Français. Sary avy any: Ambilobe (nalain’i W. Böhme).

Katsatsaka manopy mavo. Famaritana: Mirefy 132 mm ny salan’ny HLV ary 137 mm ny lava indrindra. Mahatratra 166 mm ny halavan’ny rambo. 32-33 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 96-104 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny fi haonan’ny kirana amin’ny tendro-molotra sy ny kirana amin’ny molotra ambony voalohany no misy ny vavorona. Manopy mavo na manopy volontakatra ny lamosina ary misy tsipitsipika matroka manapaka eo amin’ny loha sy ny tapany aloha amin’ny vatana. Misy tsipika matroka lava manify tonga hatrany amin’ny tapaky ny lamosina aorian’ny foto-tsandry. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mihitsy.

4. Amphiglossus splendidus (GRANDIDIER, 1872)

Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Ambatorongorongo, Ankafana, Antanimora, Bekily, Beronono, Fianarantsoa, Imotra, Malahelo, Tolagnaro, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Bemaraha (nalain’i A. Raselimanana).

Katsatsaka mitsipitsipika. Famaritana: Mirefy 106 mm ny salan’ny HLV ary 117 mm ny lava indrindra. Mahatratra 116 mm ny halavan’ny rambo 28-32 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 73-84 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra na manopy mavo ary ahitana tsoria-doko maro mitsivalana miavaka ny vatana sy ny rambo, ety noho ny elanelany ireo tsoria-doko ireo. Miavaka kokoa io loko io amin’ny zanany. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mihitsy. Ny santionana dia hita tany ambany vato, tany amin’ny faritra misy sokay (Tsingin’i Bemaraha) sy faritra misy sombina vato granita.

338

Scincidae: Scincidae: AmphiglossusAmphiglossus

21

43

1c

Page 87: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2b

3

2a

1b1a

2c

4

Page 88: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Amphiglossus frontoparietalis (BOULENGER, 1889)

Toerana nahitana azy: Ambohitsara, Anevoka, Ivohibe, Masoala, Mananara, Marojejy, Midongy Atsimo, Ranomafana, Tsararano, Tampolo, Vondrozo. Sary avy any: Ambohitsara (1a), Ranomafana (1b), Marojejy (1c).

Katsatsaka mena tanora. Famaritana: Mahatratra 76 mm ny HLV ary 126 mm ny halavan’ny rambo. Mirefy 63 mm ny halavan’ny lahy lehibe. 28-32 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 62-72 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra manopy mena tanora mankany amin’ny Volontakatra manopy mavo ny lamosina ary ahitana tsipitsipika manapaka matroka ny loha sy ny tapany alohan’ny vatana. Mazàna volontakatra matroka ny tapany aoriana ary ahitana pentina mazava vitsivitsy foana ny tehezana. Fomba fi ainany: Karazana monina any amin’ny ala mando ary hita ihany koa any amin’ny faritra iva. Hita tao ambany vatan-kazo nianjera sy vato akaiky sakeli-drano, na ao anaty vatan-kazo boboka, 1 m miala amin’ny tany ireo santionana. Atody 3 nisy akorany no hita tao anatin’ny vavy iray nodidiana, izay manambara fa manatody ity karazana ity.

2. Amphiglossus ornaticeps (BOULENGER, 1896)

Toerana nahitana azy: Andasibe, Andohahela, Andranohinaly, Betioky, Malahelo, Mananara, Manantantely, Mandena, Marojejy, Nosy Mangabe, Petriky, Sainte Luce, Tampolo, Toliara. Sary avy any: Atsimo-andrefan’i Madagasikara (nalain’i B. Branch).

Katsatsaka telo sadika. Famaritana: Mirefy 54 mm ny salan’ny HLV ary 62 mm ny lava indrindra. Mahatratra 83 mm ny halavan’ny rambo. 22-28 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 75-90 ny kirana amin’ny kibo. Manana kirana aorian’ny orona izy Manopy volondavenona na volontakatra manopy mena, mihaantitra ny loko eo aminy ivon’ny kirana tsirairay avy. Misy marika na mivoitra fotsy ny loha izay mamorona fehy mifanapaka eo amin’ny farany aorian’ny kirana amin’ny tampon-doha. Indraindray misy fehy mifanapaka faharoa ny hatoka, ary ny fahatelo amin’ny kirana amin’ny handrina. Matroka ny fanambanin’ny rambo. Fomba fi ainany: Fantatra fa sady any amin’ny ala mando no any amin’ny alan-tsilo amin’ny tany karankaina any atsimo andrefana, nefa tsy mazava na santionana avy amin’ny faritra roa samihafa ireo no mitovy karazana. Ny santionana dia hita tao anatin’ny potikazo lo avy amin’ny hazo lehibe iray tany atsimo andrefana ary tao anaty fakon-dravina tany Nosy Mangabe.

3. Amphiglossus andranovahensis (ANGEL, 1933)

Toerana nahitana azy: Andranovaho. Tsy misy sary.

Katsatsak’Andranovaha. Famaritana: Mirefy 38 mm ny HLV ary mahatratra 32 mm ny halavan’ny rambo. 24 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 85 ny kirana amin’ny kibo. Tsy misy kirana aorian’ny orona. Sahala amin’ny A. ornaticeps ny lokony. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Fanamarihana: Ity karazana ity dia fantatra ihany tamin’ny santionana iray izay tena mitovy amin’ny A. ornaticeps, fa ny tsy fi sian’ny kirana aorian’ny orona no hany mampiavaka azy. Ny maha ara-dalana ity karazana ity dia mbola mila fanamafi sana.

4. Amphiglossus anosyensis RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1993

Toerana nahitana azy: Alan’Ambatolahy, Fandalovana ao Ampamakiesiny, Andringitra, Imaloka, Ivohibe, Manambolo, Nahampoana, Ranomafana. Sary avy any: Ranomafana.

Katsatsak’Anosy. Famaritana: Mahatratra 58 mm ny HLV ary 101 mm ny halavan’ny rambo. 28-30 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 67-70 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra matroka, ahitana kisarisarina pentina kely volontakatra manopy mavo izay mihalehibe amin’ny tapany alohan’ny vatana fa tsy manome tsoria-doko miavaka, ny lamosina. Mavokely manopy mena ranoray ny tapany aorian’ny kibo ary indrindra koa ny rambo. Fomba fi ainany: Fantatra any amin’ny ala mando sy alam-bolotsangana. Hita anaty fakon-dravina ihany koa.

5. Amphiglossus punctatus RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1993

Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Ambatolahy, Ambatovaky, Fandalovana ao Ampamakiesiny, Andringitra, Anjanaharibe-Sud, Fierenana, Ivohibe, Marojejy, Alan’i Marotreho, Marovony, Nahampoana, Ranomafana, Tsararano, Vinanitelo. Sary avy any: Ranomafana.

Katsatsaka enina tsipika. Famaritana: Mirefy 59 mm ny salan’ny HLV ary 73 mm ny lava indrindra. Mahatratra 80 mm ny rambo. Miisa 24 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 64-69 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra tanora ny lamosina, ahitana pentina matroka iray isaky ny kirana, ary misy marika maromaro lavalava sady be velarana ny loha. Ahitana kisarisary tsipika tena miavaka sy tsipika miisa 6 mampisasaka ny vatan’ny zanany. Fomba fi ainany: Nosamborina mandritra ny andro amin’ny tany tao anaty ala. ary mihanika vatolampy lehibe eo amorona sakeli-drano, na eny amin’ny 2 m miala amin’ny tany eny amin’ny ravina ravinala. Ny karazana dia miteraka. Nanome zanany 2 mirefy 23-24 mm (HLV) ny vavy iray.

340

Scincidae: Scincidae: AmphiglossusAmphiglossus

54

21

3

Page 89: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

4a

5

1b1a

2

4b

Page 90: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Amphiglossus macrocercus (GÜNTHER, 1882)Toerana nahitana azy: Ambohimanarivo, Andohahela (?), Tampoketsan’Andohariana, Andrangoloaka, Ankaratra, Kovetan’i Bôby, Manjakatompo, Marojejy (?). Sary avy any: Ankaratra (1a), Marojejy (1b, mampisalasala ny maha izy azy), Andohahela (1c, mampisalasala ny maha izy azy).

Katsatsaka manopy mena. Famaritana: Mahatratra 110 mm ny HLV ary 146 mm ny halavan’ny rambo fa matetika fohy kokoa. Miisa 25-29 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 70-86 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra na manopy mena ny lamosina, misy marika matroka ny sisin’ny kirana amin’ny lamosina izay manome endrika mifampidipiditra. Fomba fi ainany: Fahita matetika any amin’ny ala an-tendrombohitry ny afovoantany (oh, Manjakatompo) na any ambonin’ny laharankazo any anaty toerana be bozaka sy tanety misy kirihitr’ala madinika (oh: any Ankaratra sy Andringitra). Miafi na any ambany vato sy hazo maty. Nahitana zanany nitombo tsara niisa 5 ny vavy iray tany Ankaratra, izay manambara fa mety miteraka ity karazana ity. Fanamarihana: Mila fanavaozana maika ny fanasokajiana an’ity karazana ity. Santionana mitovitovy fa mbola tsy nodinihina mihitsy no fantatra tamin’ny toeran-kafa somary ambony, tahaka ny Marojejy any amin’ny faritra avaratra atsinanana ary Andohaela any atsimo andrefana. Ankoatr’izany, ny karazana iray tena akaiky izay manana kirana maro be ary hafa loko koa dia hita any amin’ny ala mando amin’ny haavo antonony (A. sp. “robustus”, jereo eo ambany).

2. Amphiglossus sp. “robustus”Toerana nahitana azy: Andasibe, Ranomafana, Vohiparara. Sary avy any: Ranomafana (2a), Andasibe (2b).

Famaritana: Mahatratra 104 mm ny HLV 29-30 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 73-77 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra fa matetika volontakatra manopy mena ny lamosina, indrindra ny zanany. Volontakatra manopy mavo ny tehezana ary ahitana pentina matroka. Mitambatra amin’ny sisiny ilan’ny kirana amin’ny lamosina ny loko volontakatra, ary mamorona tsipika manjavozavo lava. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny haavo antonony hatramin’ny ala mando avo toerana, manodidina ny 1000 m. Ny santionana rehetra fantatra dia tany anaty ala mando misy fahasimbana. Fanamarihana: Ity karazana ity dia mifandray akaiky sady mitovy amin’ny A. macrocercus izy fa miavaka amin’ny fi ovaovan’ny toetran’ny kirana sy ny isan’ny vanin taolan-damosina aloha ary ny tongotra somary lava (27-38% ny halavan’ny tongony raha 16-29% ny HLV). Misy santionana hafa vitsivitsy amin’ireo Amphiglosus vaventy sy matanjaka avy any amin’ny faritra afovoantany no fantatra fa mbola voafaritra koa ny karazany, ary mety ho taratry ny fi ovaovana ao amin’ity fi fangaroana midadasika ity.

3. Amphiglossus tsaratananensis (BRYGOO, 1981)Toerana nahitana azy: Maromokotro, Tsaratanana. Tsy misy sary.

Katsatsak’i Tsaratanana. Famaritana: Mahatratra 69 mm ny HLV ary 81 mm ny halavan’ny Rambo. 26 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 72-82 ny kirana amin’ny kibo. Manopy maitso ary misy tsipika fi to manaraka ny lavan’ny lamosina. Misy tasitasy tsy mirindra ny tehezana. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Araka ny hita monina any an-tendrombohitra.

4. Amphiglossus melanurus (GÜNTHER, 1877)Toerana nahitana azy: Anjanaharibe-Sud, Masoala, Maroantsetra, Montagne d’Ambre, Tsararano. Sary avy any: Maroantsetra.

Katsatsaka Volontakatra. Famaritana: Mirefy 69 mm ny HLV. 24-26 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana. Volontakatra matroka ranoray. Fomba fi ainany: Hita tao ambany hazo sy potipoti-javatra anaty lalan-driaka maina tany Maroantsetra. Fanamarihana: Ny famaritana ny A. melanurus dia mbola tsy mazava tsara ary A. poecilopus dia ampidirinay ho anarana mitovy aminy.

5. Amphiglossus gastrostictus (O’SHAUGHNESSY, 1879)

Toerana nahitana azy: Andrangoloaka, Anjanaharibe-Sud. Tsy misy sary.

Katsatsaka matroka. Famaritana: Mirefy 72-104 mm ny HLV 32 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 70 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra ny lamosina ary Volontakatra matroka miparitaka eo amin’ny tehezana. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

6. Amphiglossus sp. “phaeurus”Toerana nahitana azy: Andasibe, Fierenana, Ranomafana, Vohiparara. Sary avy any: Fierenana.

Famaritana: Mirefy 70-84 mm ny HLV. 26-30 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 88-95 ny kirana amin’ny kibo. Volontakatra manopy mena ny lamosina ary misy pentina mainty ny kirana tsirairay. Volontakatra tanora ary ahitana soratsoratra volontakatra matroka ny loha. Volontakatra matroka ranoray ny rambo. Fomba fi ainany: Karazana fahita any amin’ny ala mando amin’ny haavo antonony, monina anaty fakon-dravina, indraindray any ambanin’ny hazo lò.

7. Amphiglossus decaryi (ANGEL, 1930)Toerana nahitana azy: Tolagnaro. Tsy misy sary.

Katsatsaka marika matroka. Famaritana: Mirefy 43 mm ny HLV ary 59 mm ny halavan’ny rambo 20 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 88-95 ny kirana amin’ny kibo. Misy kirana amin’ny molotra ambony 3 eo alohan’ny kirana ambany maso. Volontakatra ary misy marika matroka ny kirana tsirairay amin’ny lamosina. Fomba fi ainany: Nosamborina teny amin’ny vato amoron-dranomasina. Fanamarihana: Ity karazana ity dia fantatra tamin’ny santionana tokana namaritana azy, ary mila fandinihana lalina ny satam-piarovana sy ny fi fan-d r a i s a m -pihavanany.

342

Scincidae: Scincidae: AmphiglossusAmphiglossus

65 7

21 3

4

Page 91: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

4

1a

1c

2b

6

Page 92: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Amphiglossus sp. “Ankarana”Toerana nahitana azy: Ankarana. Sary avy any: Ankarana (nalain’i A. Raselimanana). Famaritana: Karazana lavalava miloko mavokely ny vatana ary manopy mena ny rambo. Mbola tsy nohadiahadiana ny momba ity karazana ity.

2. Amphiglossus crenni (MOCQUARD, 1906)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Andasibe, Anjanaharibe-Sud, Besariaka, Fanovana, Farihin’Alaotra, Masoala. Sary avy any: Analabe (Anjanaharibe-Sud) (nalain’i F. Andreone). Katsatsaka mena mainty. Famaritana: Mahatratra 85 mm ny HLV ary 110 mm ny halavan’ny rambo. 26 ny laharan-kirana. Lavalava vatana ary ny rambo afa-mandray. Mihena be ny rantsam-batana ary mazàna rantsan-tongotra sy rantsan-tanana 2 avy sisa tavela, fa indraindray misy 4 ihany. Manopy mena volontakatra mankany amin’ny mavokely ny tehezana, misy tsoria-doko matevina volontakatra mameno ny laharan-kirana amin’ny lamosina 6 eo amin’ny sakany. Fomba fi ainany: Monina any anaty na akaiky ala mando.

3. Amphiglossus spilostichus ANDREONE & GREER, 2002Toerana nahitana azy: Tsararano (teboka mena eo amin’ny sarintany). Sary avy any: Tsararano (nalain’i F. Andreone). Katsatsaka tapany mena. Famaritana: Lahy mirefy 79-81 mm ny HLV; ary 109-130 mm ny halavan’ny rambo (naniry fanindroany. ) 27-30 ny laharan-kirana. Volontakatra ny lamosina ary ahitana loko hatsatra ny ivon’ny amin’ny lamosina. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando. Mety mivoaka mangiran-dratsy na alina.

4. Amphiglossus mandady ANDREONE & GREER, 2002Toerana nahitana azy: Masoala (teboka manga eo amin’ny sarintany). Sary avy any: Menamalona (Masoala; nalain’i F. Andreone). Katsatsaka mandady. Famaritana: Lahy mirefy 62 mm ny HLV. 24 ny laharan-kirana. Volontakatra ary ahitana loko hatsatra ny ivon’ny kirana amin’ny lamosina. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mihitsy. Any amin’ny ala-mando. Karazana mitovy: Miavaka amin’ny A. spilostichus noho ny endriky ny kirana.

5. Amphiglossus stylus ANDREONE & GREER, 2002Toerana nahitana azy: Masoala. Sary avy any: Masoala (nalain’i F. Andreone). Katsatsaka tsy misy sofi na. Famaritana: Mirefy 65 mm ny halavan’ny lahy mbola tsy maoty hany tokana fantatra. Mihena be sy lasa bitika ny rantsam-batana ary tsy misy hoho. Tsy manana lava-tsofi na. 20 ny laharan-kirana. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando amin’ny haavo antonony.

6. Amphiglossus tanysoma ANDREONE & GREER, 2002Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Antsirasira, alan’i Berara. Sary avy any: Antsirasira. Katsatsaka tany soma. Famaritana: Vavy Mirefy 103 mm ny HLV. 26-28 ny laharan-kirana. Lavalava vatana ary kely ny rantsam-batana (6-9% -n’ny HLV ny tanany ary 11-15% ny tongotra). Manopy Volontakatra manaloka mavokely ny lamosina ary matetika misy kisarina tsipika lava matroka. Fomba fi ainany: Hita any ambany hazo lò sy fakon-dravina any amin’ny ala anelanelany sy ny tany fambolena. Mety mivoaka alina na vao mangiran-dratsy.

7. Amphiglossus elongatus (ANGEL, 1933)Toerana nahitana azy: Ambilobe. Tsy misy sary. Katsatsaka lavalava. Famaritana: Mahatratra 100 mm ny HLV ary 129 mm ny halavan’ny rambo. 28 ny laharan-kirana. Lavalava vatana ary ahitana rantsam-batana tonga lafatra. Miloko ranoray. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

8. Amphiglossus alluaudi (BRYGOO, 1981)Toerana nahitana azy: Ambonitely, Ankarana, Antsiranana, Nosy Be. Tsy misy sary. Katsatsaka loko iray. Famaritana: Mahatratra 85 mm ny HLV ary 97 mm ny halavan’ny rambo. 24 ny laharan-kirana. Lavalava vatana ary ahitana rantsam-batana kely saingy tonga lafatra. Miloko ranoray. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

Taranaka Androngo BRYGOO, 1982Karazana iray ihany sisa no ananan’ity taranaka ity satria nafi ndra tao amin’ny Amphiglossus ny sasany tamin’izy ireo.

9. Androngo trivittatus (BOULENGER, 1896)Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Andrahomanana, Andranohinaly, Ankazomanga, Behara, Beraketa, Berenty, Bitampy, Egogy, Lavanono, Maisana, Petriky, Tolagnaro, Toliara, Vohitomotsy. Sary avy any: Tolagnaro. Androngo. Famaritana: Mirefy 125 mm ny salan’ny HLV fa mety mahatratra 147 mm ary 141 mm ny halavan’ny rambo. 24 ny laharan-kirana (mahalana ny 22). Lavalava vatana ary misy rantsam-batana kely mety tonga lafatra sy manana rantsana 5 na mihena ho 2 farafaharatsiny. Mampiavaka azy ny loko volontakatra manopy mavo sy ny tsipika mainty manaraka ny hazon-damosina sy ny andaniny roa amin’ny tehezana. Fomba fi ainany: Karazana mpihady lavaka amin’ny toerana karankaina. Fahita matetika anaty fakon-dravina lò ambany voamadilo koa izy. Mpanatody ary nahitana atody 3 ny vavy iray tamin’ny volana martsa.

Taranaka Sirenoscincus SAKATA & HIKIDA, 2003

Taranaka tokan-karazana ary izy no hany androngo Malagasy misy tongotra fotsiny.

10. Sirenoscincus yamagishi SAKATA & HIKIDA, 2003Toerana nahitana azy: Ankarafantsika. Sary avy any: Ankarafantsika (nalain’i A. Mori). Androngo bory tongotra. Famaritana: Mirefy 83-87 mm ny HLV ary 85 mm ny HLV ny rambo voalohany. 20 ny laharan-kirana. Tsy misy tanana. Kely ny tongotra. rantsan-tongotra tsy miavaka tsara sy hohony efatra. Tsy misy maso. Voarakotra kirana ny lava-tsofi na. Fotsy manopy mavokely ranoray ny lokony. Fomba fi ainany: Hita any ambany fakon-dravina any amin’ny ala maina mihintsan-dravina.

344

Scincidae: Scincidae: Amphiglossus / AndrongoAmphiglossus / Androngo

87 9 10

3/42 5 6

Page 93: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

9

21

3 4

65

10

Page 94: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Voeltzkowia BOETTGER, 1893Taranaka manana ireo karazana androngo Scincidae kelikely sy lava vatana ary mpihady lavaka. Tsy misy tongotra ary mihena amin’ny ambaratonga samy hafa ny tanana. Tsy misy maso fa indraindray hita tahaka ny pentina mainty ambanin’ny kirana amin’ny loha ihany. Matsoko loha ary matetika mifaraingo, izay no manamafy fa mpihady lavaka izy ireo ary matetika hita amin’ny toerana fasehana. Ny ankamaron’ireo Voeltzkowia dia fantatra any amin’ny faritra andrefana ary indrindra ny any atsimo andrefana, afa-tsy V. minima izay hita any avaratry ny Nosy.

1. Voeltzkowia fi erinensis (GRANDIDIER, 1869)Toerana nahitana azy: Ampalaza, Betioky, Fiherenana, Miary, Toliara, Vohitomotsy, Vohombe. Sary avy any: Toliara.

Androngo boritanàna. Famaritana: Mahatratra 72 mm ny HLV ary 69 mm ny halavan’ny rambo. 20 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 92-114 ny kirana amin’ny kibo manaraka ny lavany. Tsy misy tanana, kely ny tongotra izay misy rantsana 2 mora fantatra. Manopy mavo ny lamosina ary manopy mavokely ny tehezana. Mainty ny sisin’ny kirana amin’ny lamosina na misy marika mainty amin’ny kirana tsirairay. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

2. Voeltzkowia sp. “pallida”Toerana nahitana azy: Anakao, Itampolo. Sary avy any: Anakao (2a maneho ny soritra navelan’ity karazana ity).

Famaritana: Mahatratra 93 mm ny HLV. 21-22 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 120-137 laharan-kirana amin’ny kibo. Tsy misy tanana sady kely ny tongotra izay ahitana rantsana roa mora fantatra. Manopy mavokely ny vatana. Indraindray somary matroka kely ny sisin’ny kirana sasany. Fomba fi ainany: karazana mpihady lavaka ary hita eny amin’ny dongom-pasika maina. Mety mivoaka amin’ny takariva sy ny alina. Mamela diany miavaka amin’ny fasika izy (sary 2a) ary mety ho hita any ambany rantsan-kazo na eny ambony fasika.

3. Voeltzkowia petiti (ANGEL, 1924)Toerana nahitana azy: Ifaty, Tsivono. Tsy misy sary.

Androngo kely. Famaritana: Mahatratra 56 mm ny HLV ary 58 mm ny halavan’ny rambo. 18 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 95-98 ny kirana amin’ny kibo. Tsy misy tanana sady kely ny tongotra ka tsy hita ny rantsana. Misy kisarisary tsy mifanaraka amin’ny sisin’ny kirana ny lamosina. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

4. Voeltzkowia lineata (MOCQUARD, 1901)Toerana nahitana azy: Ambovombe, Ampanihy, Anakao, Andrahomanana, Antanimora, Antolambiby, Beraketa, Bevia, Lavanono, Petriky, Taolambinalain’i, Tsimanampetsotsa, Vohitomotsy. Sary avy any: Anakao.

Androngo loha mavokely. Famaritana: Mahatratra 79 mm ny HLV ary 69 mm ny halavan’ny rambo. 18-20 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 98-120 ny kirana amin’ny kibo. Misy kirana ny orona ary tsy mifandray amin’ny kirana amin’ny valanorano ambony voalohany ny vavorona. Tsy misy rantsam-batana. Volontakatra manopy mavo ny lamosina ary misy tsipika mainty manify 5 rafetin’ireo loko mainty amin’ny sisin-kirana. Manopy mavokely ny loha. Fomba fi ainany: Hita mandritra ny taona any ambany vato sy vatan-kazo, ary 30 sm ambanin’ny fakon-dravina lò ambany alok’ireo hazo vaventy.

5. Voeltzkowia mira BOETTGER, 1893Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Betsako, Mahajanga. Tsy misy sary.

Androngo sampona. Famaritana: Mahatratra 80 mm ny HLV ary 83 mm ny halavan’ny rambo. 18 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 82-96 ny kirana amin’ny kibo. Misy kirana amin’ny orona. Tsy misy rantsam-batana. Fomba fi ainany: Karazana monina anaty fasika. Hita tao anaty vatana “Satrana” lo (Hyphaene coriacea). Nahitana atody 2-4 ny vavy iray nalaina sary tamin’ny “rayon X”.

6. Voeltzkowia rubrocaudata (GRANDIDIER, 1869)Toerana nahitana azy: Ambohimahavelona, Ampoza, Befandriana Atsim. o, Beroboka Avaratra, Fierin, Isalo, Toliara, alan’i Zombitse. Tsy misy sary.

Androngo kilemaina. Famaritana: Mahatratra 89 mm ny HLV ary 56 mm ny halavan’ny rambo. 18-20 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 114-120 ny kirana amin’ny kibo. Misy kirana amin’ny orona ary mifandray amin’ny kirana amin’ny valanorano ambony voalohany ny vavorona. Tsy misy rantsam-batana. Misy tsipika 4 amin’ny tehezana ary manopy mena ny rambo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

Taranaka Cryptoscincus MOCQUARD, 1894Taranaka mahatalanjona satria tsy manana rantsam-batana tahaka an’ny Voeltzkowia ary tena mitovy be aminy fa tsy fantatra ny fi havavanany.

7. Cryptoscincus minimus MOCQUARD, 1906Toerana nahitana azy: Tsy voafaritra ny fi aviany. Ny santionana aseho eto dia mety ho karazana tsy mbola voafaritra. Sary avy any: Helodranon’i Sakalava (famaritana mila fanamarinana).

Androngo madinika. Famaritana: Mahatratra 72 mm ny HLV ary 30 mm ny halavan’ny rambo. 18 ny laharana kiran-damosina eo afovoan’ny vatana ary 114-115 ny kirana amin’ny kibo. Tsy misy kirana ny orona ary tsy manana rantsam-batana. Volontakatra ny lamosina sy ny tehezana ary misy tsipika mainty rafetin’ireo pentina volontakatra matroka ny ivon’ny kirana tsirairay avy. Fomba fi ainany: Hita eny ambony fasika maina any anaty ala maina nisy fahasimbana amin’ny faritra iva. Fanamarihana: Ny loko sy ny sary aseho eto dia avy amin’ny santionana tsy mbola voadinika tsara. Mety ho karazana hafa mihitsy fa saingy misy hitovizany amin’ny C. minimus ny toe-batana ka izany no nametra-hana azy von-jimaika eto.

346

Scincidae: Scincidae: VoeltzkowiaVoeltzkowia

54 6

1 2 3

Page 95: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

7a

4a

2b

2a1

7b

4b

Page 96: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Pygomeles GRANDIDIER, 1867Ity taranaka ity dia ahitàna karazana 2 ihany izay miparitaka amin’ny faritra andrefana sy atsimo-andrefan’i Madagasikara. Tena mihena be ny rantsam-batana (tsy misy tanana mihitsy ary monton-tongotra koa no sisa tavela). Misy maso ary miafi na ao ambanin’ny kirana amin’ny tendro-molotra ny lavank’orony. Miendrika lapela ny lohan’ireto androngo ireto ary misitrika sy miaina anaty fasika ny fahafantarana azy hatramin’izao.

1. Pygomeles braconnieri GRANDIDIER, 1867Toerana nahitana azy: Anakao, Bevato, Ifaty, Salary, Sarodrano, Toliara. Sary avy any: Toliara.

Androngo tsipikamainty. Famaritana: Mirefy 142 mm ny salan’ny HLV ary mahatratra 162 mm ny lava indrindra. Mahatra 162 mm ny rambo. Miisa 22 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana (mahalana ny 24). Tsy misy tanana ary fohy ny tongony izay ahitàna rantsana iray. Volontakatra mavo mankany amin’ny volontakatra tanora ny lamosina ary misy tsipika mainty rafetin’ireo sigam-pentina afovoan’ny kirana tsirairay. Fomba fi ainany: Hita navitrika alina izy (nivoaka tamin’ny 7 ora hariva taorian’ny orana tamin’ny volana martsa ny iray). Ny santionana dia misitrika anaty fasika.

2. Pygomeles petteri PASTEUR & PAULIAN, 1962Toerana nahitana azy: Ankarafantsika. Tsy misy sary.

Androngompasika. Famaritana: Mahatratra 162 mm ny HLV ary 72 mm ny rambo. Miisa 18 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana. Tsy misy rantsam-ba-tana. Fomba fi ainany: Karazana tsy mbola fantatra loatra fa mety miaina ambony sy anaty fasika.

Taranaka Pseudoacontias BOCAGE, 1889Ity taranaka ity dia mbola mampametra-panontanina sady tsy dia fantatra fi ry. Ahitana ireo katsatsaka vaventiventy sy lava vatana ary tsy misy tanana. Ny tongony dia mety tsy misy tanteraka, na monotony kely fotsiny sisa. Misy ny maso. Ireo karazana efatra dia fantatra tamin’ny santionanay iray avy. Mety miaina anaty fakon-dravina amin’ny fananbanin’ny ala ry zareo.

3. Pseudoacontias angelorum NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1995

Toerana nahitana azy: Marojejy. Tsy misy sary.

Androngo volontany. Famaritana: Mirefy 207 mm ny HLV ary 119 mm ny rambo. Miisa 18 ny laharan-kirana. Tsy misy tanana ary monton-tongotra tsy misy rantsana no sisa tavela. Madinika noho ny kiran’ny valanorano ambony sisa tavela ny kirana ambany maso ary lavabe ny kiran’ny takolaka. Ety kokoa noho ny kirana amin’ny tendro-mol-otra ny kiran’ny saoka. Volombatolalaka tanora ny vatana. Ahitana tsipika mainty manaraka ny laharan-kirana izay rafetin’ireo pentina mainty afovoan’ny kirana tsirairay. Ma-vokely manopy volontakatra tanora ny loha ary mipentina mainty miavaka. Fomba fi ainany: Hita any ambany fakon-dravina amin’ny toerana simba manamorona ala mikitroka. Hita nandeha ampilaminana sy nisitrika tahaka ny aha-fantarana ny Pseudoacontias ireo santionana.

4. Pseudoacontias madagascariensis BOCAGE, 1889Toerana nahitana azy: Tsy voafaritra ny fi aviany. Tsy misy sary.

Androngo maintitsipika. Famaritana: Mirefy 181 mm ny HLV ary 47 mm ny rambo. Miisa 32 ny laharan-kirana. Tsy misy rantsam-batana. Lava sy miavaka ny kirana amin’ny takolaka. Vaventy noho ny kiran’ny valanorano ambony ny kirana ambany maso. Volombatolalaka, misy tsipika mainty manaraka ny halavany ary manda-lo amin’ny ivon’ny kira-na. Fomba fi ainany: Tsy fanatatra.

5. Pseudoacontias unicolor SAKATA & HIKIDA, 2003Toerana nahitana azy: Ambanoro (Nosy Be). Sary avy any: Nosy Be (nalain’i T. Hikida).

Androngo tokandoko. Famaritana: Mirefy 200 mm ny HLV ary 110 mm ny rambo. Miisa 30 ny laharan-kirana. Tsy misy rantsam-batana. Tena lava ny kirana amin’ny ta-kolaka. Lava mitovy amin’ny kiran’ny valanorano ambony sisa tavela ny kirana ambany maso. Manopy volondavenona ranoray ary ahitana tsipitsipika manaraka ny lavany ny kibo. Fomba fi ainany: Hita anaty ala mando mikitroka.

6. Pseudoacontias menamainty ANDREONE & GREER, 2002

Toerana nahitana azy: alan’i Berara. Sary avy any: Berara.

Androngo menamainty. Famaritana: Mirefy 224 mm ny HLV ary 35 mm ny rambo. Miisa 25 ny laharan-kirana. Tsy misy rantsam-batana fa ahitana kirana mivoitra manana endrika bokotra amin’ny toeran’izy ireo. Lava ny kirana amin’ny takolaka. Kely noho ireo kiran’ny valanorano amb-ony sisa tavela ny kirana ambany maso. Volomboasary man-opy mena ny lamosina ary ahitana tsipika mainty matimaty manaraka ny afovoan’ny laharan-kirana. Tsy misy tsipika ny kibo. Fomba fi ainany: Nosamborina tany anaty ala anela-nelany. Ny fahalalana ara-toebatana tahaka ny endriky ny loha sy ny haranitry ny nify dia nahatonga hihevitra fa mihi-nana kankana izy (ary koa ireo Pseudoacontias hafa).

348

Scincidae: Scincidae: Pygomeles / PseudoacontiasPygomeles / Pseudoacontias

5 6

21

3

Page 97: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1

6

5

1

Page 98: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Paracontias MOCQUARD, 1894Ity taranaka ity dia misy ireo androngo kely lava vatana, fantatra any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara ihany hatramin’izao, Vitsy ihany no hita tany amorontsiraka atsinanana ary tsy marim-pototra ny fi siany any atsimo andrefana. Mahatratra 158 mm ny HLV. Tsy misy rantsam-batana tanteraka. Misy maso tanteraka. Miendrika boribory ny fari-bava. Mety hita any amin’ny ala mando ny ankamaroan’ireo karazana fa miaina eny amin’ny toerana talaky masoandro na fasehana kosa ny sasany.

1. Paracontias hildebrandti (PETERS, 1880)Toerana nahitana azy: Helo-drano Sakalava, Bemanevika, Lokobe, Mahanara, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be. Sary avy any: Helo-drano Sakalava (famaritana andrana).

Androngo menalamosina. Famaritana: Mahatratra 46 mm ny HLV ary 48 mm ny rambo. Miisa 18 ny laharan-kirana man-odidina eo afovoan’ny vatana ary 95-102 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny kiran’ny tendro-molotra izay mifandray amin’ny kiran’ny valanorano ambony voalohany amin’ny alalan’ny tataka kely no misy ny vavorona. Volontakatra manopy mena ny lamosina. Manopy mainty ny tehezana ary miavaka tsara ny lokon’ny riran-damosina manasaraka ny la-mosina sy ny lokon’ny tehezana. Fomba fi ainany: Hita eny ambony fasika any amin’ny ala maina simba any amoront-siraka ary miara-monina amin’ny P. rothschildi.

2. Paracontias brocchii MOCQUARD, 1894Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre.

Androngo volontakatramena. Famaritana: Mahatratra 97 mm ny HLV ary 65 mm ny rambo. Miisa 26 ny laharan-kira-na manodidina eo afovoan’ny vatana ary 125-130 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny sisin’ny kiran’ny tendro-molotra sy ny kiran’ny valanorano ambony voalohany no misy ny vavo-rona. Manopy mena volontakatra ny lamosina ary misy faritra matroka afovoan’ny kirana ka mandrafi tra tsipika manaraka ny lavany. Fomba fi ainany: Hita any anaty fakon-dravina anaty ala mando.

3. Paracontias hafa ANDREONE & GREER, 2002Toerana nahitana azy: Anjanaharibe (Analabe). Sary avy any: Analabe (nalain’i F. Andreone).

Androngo hafa. Famaritana: Mirefy 69 mm ny HLV. Miisa 20 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana, 5 ny kiran’ny valanorano ambony ary 4 ny kirana ambony maso. Maranitr’endrika. Eo amin’ny kiran’ny tendro-molotra izay mifandray amin’ny kiran’ny valanorano ambony voalohany amin’ny alalan’ny tataka kely no misy ny vavorona. Manopy mena varahina ny vatana ary misy pentina matroka afovoan’ny kirana tsirairay. Fomba fi ainany: Hita tany amin’ny ala man-do mikitroka teo ampandavahana tany tamin’ny atoandro.

4. Paracontias holomelas (GÜNTHER, 1877)Toerana nahitana azy: Anjahamaro, Masoala, Marojejy. Sary avy any: Masoala (nalain’i F. Andreone).

Androngo mangirana. Famaritana: Mahatratra 158 mm ny HLV ary 107 mm ny rambo. Miisa 30 ny laharan-kirana mano-didina eo afovoan’ny vatana ary 124-142 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny kiran’ny tendro-molotra izay mifandray amin’ny kiran’ny valanorano ambony voalohany no misy ny vavorona. Lehibe sy matanjaka izy raha ampitahaina amin’ny hafa. Vo-lontakatra fa ahitana aloka manopy mena sy pentina tsy mazava tsara eo afovoan’ny kirana tsirairay. Fomba fi ainany: Tsy hita afa-tsy any amin’ny ala mando any amorontsiraka atsinanana sy avaratra-atsinanan’i Madagasikara irery ihany ity karazana ity.

5. Paracontias manify ANDREONE & GREER, 2002Toerana nahitana azy: Antsahamanara (Tsaratanana). Sary avy any: Tsaratanana. Androngo manify. Famaritana: Mirefy 158 mm ny HLV. Miendrika lakolosy ny handriny. 5 ny kiran’ny valanorano ambony, 4 ny kirana ambony maso ary 22 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana. Eo amin’ny kiran’ny ten-dro-molotra izay mifandray amin’ny kiran’ny valanorano am-bony voalohany no misy ny vavorona. Volontakatra ny vatana ary misy faritra matroka afovoan’ny kirana tsirairay avy. Fo-mba fi ainany: Hita any ambany vatan-kazo lò any amin’ny ala mando mikitroka.

6. Paracontias milloti ANGEL, 1949Toerana nahitana azy: Marojejy, Nosy Mamoko, Nosy Mitsio. Tsy misy sary. Androngo tokana. Famaritana: Mahatratra 42 mm ny HLV ary 38 mm ny rambo. Miisa 18 ny laharan-kirana mano-didina eo afovoan’ny vatana ary 78 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny sisin’ny kiran’ny tendro-molotra sy ny kiran’ny valanorano ambony voalohany no misy ny vavorona. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

7. Paracontias rothschildi MOCQUARD, 1905Toerana nahitana azy: Tsy fantatra marina ny fi paritahany. Ny andiany ao amin’ny Helodranon’ny Sakalava dia nolazaina fa ity karazana ity. Sary avy any: Helodranon’ny Sakalava (famaritana andrana). Androngo maintivalahana. Famaritana: Mahatratra 52 mm ny HLV ary 35 mm ny rambo. 16 ny laharan-kirana mano-didina eo afovoan’ny vatana ary 80 ny kirana amin’ny kibo. Eo amin’ny sisin’ny kiran’ny tendro-molotra sy ny kiran’ny val-anorano ambony voalohany no misy ny vavorona. Volontakat-ra tanora mankany amin’ny volontakatra ny lamosina, misy tsipika mainty manify manaraka ny lavany. Manopy mainty ny tehezana ary miavaka tsara ny lokon’ny riran-damosina manasaraka ny lamosina sy ny lokon’ny tehezana. Fomba fi -ainany: Hita eny ambony fasika any amin’ny ala maina simba any amorontsiraka ary miara-monina amin’ny P. hildebrandti.

8. Paracontias tsararano ANDREONE & GREER, 2002Toerana nahitana azy: Tsararano. Sary avy any: Tsararano (nalain’i F. Andreone). Androngon’i Tsararano. Famaritana: 66 mm ny HLV. Hand-rina miendrika lakolosy. 5 ny kiran’ny valanorano ambony, 4 ny kirana ambony maso ary 21 ny laharan-kirana manodidina eo afovoan’ny vatana. Eo amin’ny kiran’ny tendro-molotra izay mifandray amin’ny kiran’ny valanorano ambony voalo-hany ny vavorona. Volontakatra manopy mena varahina ny va-tana ary misy faritra matroka kely afovoan’ny kirana tsirairay. Fomba fi ain-any: Hita tao anaty fandrika tamin’ny alina tany amin’ny ala mando m i k i t r o k a , mety mivoaka takariva na alina.

350

Scincidae: Scincidae: ParacontiasParacontias

65 8

21 3

4

Page 99: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

5

21

3 4

87

Page 100: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Gekkonidae GRAY, 1825Fianakaviana lehibe indrindra amin’ny katsatsaka sady manana toetra manokana maromaro. Taranaka 12 no mitambatra ao anatin’ny zana-pianakaviana Gekkoninae. Gekkonidae dia manana faladia sy rantsan-tongotra miraikitra ahafahany mihanika amin’ny faritra malama, eny fa na dia amin’ny fi taratra aza. Ny faladian-tongotra mazàna dia manana fi rafi tra takelaka manify, ary mbola misy pitsony an-tapitrisany tsy hita maso izay manampy ka manome hery mampiraikitra antsoina hoe “herin’i Van der Waals”. Tena zava-dehibe ny fanavahana ny taranaka Gekkonidae tsirairay avy amin’ny fi rafi tra voadini-maso ny takelaka manify mampiraikitra azy ireo. Mpihanikazo ikoizana ny ankamaroan’ny Gekkonidae noho ny fi rafi tra manokana amin’ny rantsana, fa mandady amin’ny tany kosa ny sasany (indrindra ny karazana ao anatin’ny taranaka Paroedura eto Madagasikara). Tsy mitovy amin’ny atodin’ny Reptilia Squamata hafa izay misy fonony hoditra malemy, fa ny an’nyreo Gekkonidae dia mafy sady misy sokay ny akoran’atody. Fanampin’izany koa dia ny Gekkonidae irery ihany no manatody vitsy indrindra, roa amin’ny ankapobeny (indraindray atody iray ihany). Afeniny na aleviny ao anaty tany, na araikiny amin’ny faritra tahaka ny vato na hodin-kazo ireo atody roa ireo, matetika miara-miraikitra koa aza. Afaka mihiaka ny Gekkonidae, faheno matetika ny feo mafy toa miantso vonjy an’ny Uroplatus amin’ny fi samborana azy, ary mihiaka tsy miato koa ny taranaka sasany tahaka ny Hemidactylus (mba ho fi arovana ny toeram-ponenany). Katsatsaka mpivoaka alina izy amin’ny ankapobeny, ary mifanaraka amin’izany fomba fi ainany izany ny maso, satria mihalehibe sy mitsangana ny anakandriamaso. Na dia izany aza, misy antoko maromaro no mandeha irery mamonjy ny fonenana amin’ny atoandro, ka roa amin’ireo antoko ireo no tena fahita ary fantatry ny rehetra. Maitso izy ireny amin’ny ankapobeny, salasala ny habe mankany amin’ny vaventy tahaka ny Phelsuma, ary kely, miloko matroka ny Lygodactylus. Amin’ny fampiasana ny fomba mirindra ara-tarazo no nandinihana ny fi fandraisan’ny Gekkonidae Malagasy ankehitriny. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny ankabeazan’ny taranaka, afa-tsy ireo vitsivitsy (oh: Phelsuma, Lygodactylus, Hemidactylus, Gehyra). Hita fa ny Gekkonidae dia nameno an’ny Madagasikara nandritra ny fotoana maro, angamba avy any Afrika ny ankamaroany, ary niala teto indray ny sasany tahaka ny Phelsuma vao niparitaka be nanerana an’nyreo nosy hafa aty amin’ny Ranomasimbe Indiana.

Taranaka Blaesodactylus BOETTGER, 1893Mifandray akaiky amin’ny taranaka Homopholis Afrikana ity taranaka ity, voaporofo izany noho ny fampidirana ny karazana Homopholis ao anatin’ny Blaesodactylus teo aloha. Ny Gekkonidae dia mivoaka alina eny amin’ny hazo amin’ny ankapobeny, ary miaina any anaty ala mando sy any amin’ny ala maina manintsan-dravina. Manana maso lehibe, volontakatra manopy mavo ny lokony sady mitsangana ny anakandriamaso matetika. Ny takelaka manify dia manify (tsy mizara) miraikitra no toetra mampiavaka azy amin’ny Hemidactylus lehibe izay mety mitovy aminy.

1. Blaesodactylus antongilensis (BÖHME & MEIER, 1980)

Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Marojejy, Nosy Boraha, Nosy Mangabe, Sakana, Tampolo, Tsararano. Sary avy any: Nosy Boraha (1a), Nosy Mangabe (1b), Ankarafantsika (1c).

Atsatsak’i Nosy Mangabe. Famaritana: Mirefy 97 mm ny Halavan’ny Loha sy Vatana (HLV) ary 120 mm ny halavan’ny rambo. Misy laharana bontsina tsy milamina ny ampahatelon’ny rambo mbola tsy tapaka manakaiky ny fotony. Matroka ihany ny lamosina, fa misy marika mitsivalana somary mifanandrify. Ahitana fehy matroka sy mazava loko mifandimby ny rambo. Manopy fotsy na volondavenona ranoray ny kibo. Volontakatra manopy mena mivolombolamena ny maso. Fomba fi ainana: Miaina eny amin’ny vatan-kazo na vato any anaty ala mikitroka. Mialoka any an-tsefatsefa-bato na any ambany hodi-kazo mianjera. Mavitrika amin’ny atoandro, ary mety ho hita amin’ny alina ihany koa. Fanamarihana: Voafaritra fa avy any amin’ny Nosy Mangabe ity karazana ity. Mitovy amin’ny santionana avy any amin’ny ala maina manintsan-dravina Ankarafantsika, fa mila fandinihina lalina kokoa izany.

2. Blaesodactylus boivini (DUMÉRIL, 1856)Toerana nahitana azy: Ambilobe, Ankarana, Antsiranana, Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français.

Atsatsaka. Famaritana: Ny lehibe indrindra amin’ny Blaesodactylus, satria mirefy 102-132 mm ny halavan’ny loha sy vatana ary manodidina ny 300 mm ny tontalin’ny halavany. Mazava kokoa ny lamosina, fa misy marika matroka. Tsy mitovy tantana ny kibo, miloko mazava, miaraka amin’ny pentina mahalana na mifanety misy marika matroka. Volontakatra manopy mavo ny maso. Fomba fi ainana eny amin’ny vatan-kazo na vato any amin’ny ala maina. Mivoaka atoandro, ary koa amin’ny alina. Manana toeram-ponenana tsy miova ny mpivady.

3. Blaesodactylus sakalava (GRANDIDIER, 1867)Toerana nahitana azy: Andranohinaly, Andranolava, Betioky, Ifaty, Kirindy, Mahajanga, Malahelo, Menabe, Petriky, Sainte Marie any Marovoay, Toliara, Tsingin’i Bemaraha, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Kirindy (3a), Ifaty (3b).

Atsatsaka Sakalava. Famaritana: Mirefy 56-104 mm ny HLV. Misy laharana bontsina mitsivalana ny rambo (mbola tsy tapaka) iray manontolo. Mazava kokoa ny lamosina, fa misy marika matroka tsy mirindra. Manopy fotsy na volondavenona ranoray ny kibo. Manopy volondavenona mankany amin’ny volontakatra ny maso. Fomba fi ainana: Eny aminy vatan-kazo any amin’ny ala maina any amin’ny faritra andrefana no betsaka azy ary hita mitanin’andro toa tsy miaro ny faritra fonenany. Manaikitra ny tendan’ny vavy ny lahy mandritra ny fi raiasana, ary mametraka ny atody ao anatin’ny lavaka nataony tamin’ny tongotra ariana rehefa mitsangana manaraka ny vatan-kazo ny vavy.

Gekkonidae: Gekkonidae: BlaesodactylusBlaesodactylus

352

1 2 3

Page 101: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

3a

1a

1c

2b

3b

Page 102: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: GeckolepisGeckolepis

Taranaka Geckolepis GRANDIDIER, 1867Katsatsaka manana manana kirana tahaka ny kiran-trondro no ahafantarana ny taranaka Geckolepis, ary tena miavaka nefa tsy dia fantatra loatra ao anatin’ny antoko misy ny katsatsaka, fa manana anakandriamaso mitsangana sy takelaka manify miraikitra tsy mizara. Mora fantatra amin’ny kirana lehibe izay mety miendaka raha vao samborina, na dia voakasika aza. Kanefa ny ankabeazan’ny katsatsaka dia manana rambo mety tapaka ary maniry indray avy eo, fa ny hoditra iray manontolo kosa no mety miendaka ho azy amin’ny Geckolepis, ka dia tahaka ny “miboridana” tanteraka ilay biby avy eo. Maniry indray anefa ny kirana ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, manomboka amin’ny sela tsy miavaka any anaty tambatsela. Geckolepis dia androngo mivoaka alina izay mety ho hita eny amin’ny vatan-kazo boboka, fakan-kazo, na zava-maniry hafa (ravinala) izay toerana ampiasainy ho fi erena mandritra ny andro. Mahalana ny mety ahitana azy eny amin’ny vato na rindrina eny an-tanàna.

Ny fanasokajiana ny Geckolepis dia tsy mbola nisy fandinihina vaovao, ka ny fanasokajiana mahazatra nataon’i Angel (1942) ihany no ampiasaina hatramin’izao. Miankina amin’ny toetran’ny kirana vitsivitsy ny fanavahana ny karazana, kanefa tsy mbola azo antoka ny faminavinana ny fi ovaovan’ireo. Na izany aza, ny fanolorana ny sarin’ny karazana sy ny voka-pikarohana momba ny tantara ara-boajanahary eto ambany ary koa ny famaritana ny karazana amin’ny ankapobeny dia mila fi jerena vonjimaika ary fandinihina vaovao.

1. Geckolepis maculata PETERS, 1880Toerana nahitana azy: Ampahana, Andafi abe, Andoany, Ankarafantsika, Ankarana, Bekomanga, alan’i Berara, Cap Est, Fenoarivo, Lokobe, Malahelo, Mananara, Manantantely, Mandena, Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Fanihy, Nosy Mitsio, Nosy Sakatia, Sahembendrana, Sainte Luce, Sainte Marie any Marovoay, Soalala, Tampina, Tampolo, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Montagne des Français (1a, 1b), Ankarana (1c), Nosy Boraha (1d) (mampisalasala ny mahaizy an’io sary io). Matahotrandro volontakatra. Famaritana: Mirefy 70 mm ny HLV ary 68 mm ny HR. 24-27 ny laharan-kirana eo afovoan’ny vatana. Kirana roa ambany saoka mamaritra ny kirana amin’ny valanorano ambany. Mifampikasoka ny kirana roa lehibe ambany saoka. Volontakatra manopy volondavenona ny lokony, misy pentina mainty sy fotsy, matetika mitovy. Misy marika ny valanorano. Fomba fi ainana: Hita tany akaikin’i Mananara, eny amin’ny ravinala sy ny hazo manodidina, sady miara-monina amin’ny Geckolepis typica ihany koa. Mitambatra tsiroaroa ny atody (15 x 11 mm). Mirefy 25 mm ny zanany ary 21 mm ny halavan’ny rambo ary ahitana fehy matroka mitsivalana miisa enina.

2. Geckolepis typica GRANDIDIER, 1867Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ampanihy, Ampijoroa, Andranolaho, Angavo, Antanimora, Cap Sainte Marie, Ile aux Prunes, Malahelo, Mananara, Nosy Boraha, Petriky, Soalala, Zombitse. Sary avy any: Ampanihy (mampisalasala ny maha izy an’io sary io). Matahotrandro volombolamena. Famaritana: Mirefy 63 mm ny HLV ary 62 mm ny halavan’ny rambo. Misy kirana aorian’ny kiran-tsaoka roa avy manaraka ny sisin’ny kirana amin’ny valanorano ambany. 22-23 ny laharan-kirana amin’ny santionan’ity karazana ity. Volondavenona mifangaro volontakatra ny lokony, miaraka amin’ny volombolamena mamirapiratra. Fomba fi ainana: Niraikitra tao ambany hodi-kazo ny atody nirefy 12 x 14 mm tany amin’ny toeram-piompiana, ary foy afaka 40 andro ny zanany nirefy 45 mm. Nirefy 17 x 12 mm ny atody roa miaraka tany Mananara, mazàna miraikitra hatrany ny atody. Nirefy 29 ny halavany ary 23 mm ny rambon’ny zanany, ary manana loko

mampiavaka azy izay misy pentina fotsy vitsivitsy miparitaka eo amin’ny lamosina.

3. Geckolepis anomala MOCQUARD, 1909Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Androy. Tsy misy sary. Matahotrandro fotsy kibo. Famaritana: Mirefy 43 mm ny HLV ary 45 mm ny HR. Kirana aoriana roa sarahan’ny kiran-tsaoka ary mikasika amin’ny kiran’ny valanorano ambany. Volontakatra manopy volondavenona ny lamosina, manopy fotsy kosa ny kibo. Fomba fi ainana: Tsy fantatra.

4. Geckolepis petiti ANGEL, 1942Toerana nahitana azy: Andranovaho. Tsy misy sary. Matahotrandro kely. Famaritana: Mirefy 37 mm ny HLV ary 30 mm ny halavan’ny rambo. Tsy misy kirana lehibe aorian’ny kiran-tsaoka; mifampikasoka amin’ny kirana eo amin’ny molotra ambany sy ny kirana amin’ny tenda ny sisin’ny kiran-tsaoka. Volondavenona manopy fotsy ny lokony, ahitana pentina manopy volontakatra ny lamosina sy ny tehezana. Fomba fi ainana: Tsy fantatra.

5. Geckolepis polylepis BOETTGER, 1893Toerana nahitana azy: Andranohinaly, Ankarafantsika, Mahajanga, Nosy Boraha, Soalala, Tambohorano. Sary avy any: Kirindy (5a), Tambohorano (5b, nalain’i G. Kuchling) (mampisalasala ny maha izy azy an’nyo sary io). Matahotrandro mitsipika. Famaritana: Mirefy 51 mm ny HLV ary 56 mm ny halavan’ny rambo. 33-37 ny laharan-kirana manodidina ny vatana. Misy kirana aorian’ny kiran-tsaoka roa avy manaraka ny sisin’ny kirana amin’ny valanorano ambany. Volondavenona tanora ny lokony, fa ahitana pentina manopy mainty. Misy tsipika matroka tsy mirindra maro be manaraka ny lavan’ny lamosina. Mbola misy marika matroka sy fehy mitsivalana ihany koa ny loha ary misy tsipika mainty avy eo amin’ny orona mandalo ny maso ka miafara eo amin’ny foto-tongotra. Fomba fi ainana: Tsy fantatra. Fanamarihana: Any amin’ny faritra andrefana toa an’Ankarafantsika, misy santionana madinika mitovy loko aminy fa sahala amin’ny G. maculata ny toetran’ny kirana. Mbola mila fanazavana ny momba izany. Raha ny fi endahan’ny hoditra ho azy no jerena eo amin’ity taranaka ity, dia mila hamarinina raha mitovy foana ny kirana (indrindra ny kirana amin’ny lamosina) mandritra ny fi tomboan’ny santionana tsirairay eo aloha sy aorian’ny f i ahavaozan’ny kirana.

354

21

43 5

Page 103: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

1d

5a

1a

1c

2

5b

Page 104: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: Gehyra / HemidactylusGehyra / Hemidactylus

Taranaka Gehyra GRAY, 1834Manana karazana mivoaka alina ity taranaka Gekkonidae ity, izay miparitaka indrindra any atsimo atsinanan’i Azia sy Aostralia ary any amin’ireo nosy maro any amin’ny Ranomasimbe Pasifi ka. Karazana tokana Gehyra mutilata no fantatra avy eto Madagasikara. Karazana mpiantehitra izy io ary hita eny amin’ny vohitra sy ny ankamaroan’ny tanàn-dehibe. Tsy avy eto Madagasikara izy, fa angamba nampidirin’olona.

1. Gehyra mutilata (WIEGMANN, 1835)Toerana nahitana azy: Andapa, Andasibe, Antananarivo, Manombo, Maroantsetra, Nosy Boraha, Ranomafana, Sambava, Tolongoina, Vavatenina. Sary avy any: Sambava (1a), Ranomafana (1b). Matahotrandro mpiantehitra. Famaritana: Mirefy 60 mm ny HLV ary 60 mm ny halavan’ny rambo. Tena malama hoditra satria tsy misy kambo. Manana takelaka manify miraikitra mivelatra izy. Volontakatra manopy volondavenona ranoray ny lamosina, matetika ahitana aloka mavokely, ary misy pentina mainty kely maromaro sy pentina mazava loko lehibe boribory somary mirindra. Fomba fi ainana: Hita any an-trano sy ny manodidina ny vohitra sy ny tanàn-dehibe izy, indrindra any amin’ny morontsiraka atsinanana, fa indraindray koa any Antananarivo. Karazana mitovy: Mety mifangaro amin’ny Hemidactylus izy, indrindra amin’ny H. frenatus, fa izy ireo dia ahitana laharanabontsina somary manjavozavo ny lamosina farafaharatsiny, akaikin’ny rambo indrindra izay tsy ananan’i Gehyra mutilata mihitsy. Fa mampiavaka an’ny Gehyra kosa ny takelaka manify mivelatra amin’ny tongotra (jereo ny sary 1a sy 3a). Fanamarihana: Mety tsy mitovy karazana amin’ny G. mutilata (toerana nahitana voalohany: Philippines) ny andiany eto Madagasikara sy ny sasany any amin’ny faritra Andrefan’ny Ranomasimbe Indiana.

Taranaka Hemidactylus GRAY, 1825Taranaka lehibe ny Hemidactylus satria ahitana karazana maro beindrindra avy any Afrika, monina any amin’ny toera-ponenana voajanahary. Nefa tena miparitaka ny karazana sasany, satria fahita any amin’ny karazana toeram-ponenana samihafa, ary nafi ndran’olona koa ny sasany ka azo lazaina fa karazana tena mihanaka sy mpiantehitra izy ireo. Mety ho antony ara-boajanahary ny ankamaroan’ny fahafahany mihanaka be, izany hoe fi paritahana ara-boajanahary, satria tsy mora ny fampidiran’ny olona azy; ka izany no tsy mbola mahamarim-pototra ny fanasokajiana azy ireo. Misy karazana telo no tsy avy eto Madagasikara, amin’ny taranaka misy ary tsy nampidirin’olona ny iray amin’ireo farafahakeliny (H. mercatorius). miparitaka ny H. frenatus, fa hita any amin’ny nosy Kaomaoro sy any Afrika (andiany hafa ara-tarazo) ny H. mercatorius. Mieli-patrana any Kaomaoro (avy any no niparitahany na nampidirin’olona azy teto Madagasikara) sy any Afrika ny H. platycephalus.

2. Hemidactylus frenatus DUMÉRIL & BIBRON, 1836Toerana nahitana azy: Ambovombe, Ampahana, Amporaha, Ankarafantsika, Antsalova, Antsingy, Antsiranana, Behara, Belalanda, Besalampy, Betsimpoaka, Bevato, Cap Est, Fiherenana, Ifaty, Ihotry, Joffreville, Lavenombato, Lokobe, Mahajanga, Miandrivazo, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Mitsio, Port-Bergé Vaovao, Saint Augustin, Sakaraha, Sambirano, Sarodrano, Toliara. Sary avy any: Mahajanga (2a), Montagne des Français (2b). Matahotrandro hatsatra. Famaritana: Mirefy 39-55 mm ny HLV-n’ny lahy, 39-54 mm ny an’ny vavy ary 28-63 mm ny halavan’ny rambo. 4-8 ny laharanabontsina manjavozavo amin’ny lamosina. Hatsatra ny lamosina, volondavenona ranoray, volondavenona na volontakatra tanora indraindray,

sady misy tsipika sy marika lavalava tsy mirindra sady manjavozavo. Misy tsipika lavalava avy eo amin’ny orona ka hatrany amin’ny tehezana. Fomba fi ainana: Karazana mieli-patrana izy, fa eny an-tanàna na tanàn-dehibe sy ny manodidina azy any amin’ny morontsiraka andrefana sy avaratra no hany nahitana azy eto Madagasikara. Karazana mivoaka alina ary mety ho hita eny amin’ny rindrina, matetika manakaiky jiro mirehitra mba hahafahany misambotra bibikely ataony sakafo. Kiboribory ny atody, ary mirefy 9-10 mm ny savaivo.

3. Hemidactylus mercatorius GRAY, 1842Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ampahana, Ampanihy, Amporaha, Andevoranto, Andohahela, Andranofotsy, Ankarafantsika, Antananarivo, Antsingy, Bekitro, Beroboka Ava., Betioky, Betroka, Esomony, Fianarantsoa, Fiherenana, Ifaty, Ihotry, Isaka-Ivondro, Malahelo, Mananara, Manantantely, Mandena, Maroantsetra, Maromandia, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Mitsio, Petriky, Port-Bergé Vaovao, Sainte Luce, Sambava, Toamasina, Tolagnaro, Toliara, Tranomaro, alan’i Vohibasia, Zombitse. Sary avy any: Tolagnaro (3a, 3c), Montagne des Français (3b). Matahotrandro misy marika. Famaritana: Mirefy 39-56 mm ny HLV-n’ny lahy sy vavy ary 27-61 mm ny halavan’rambo. 8-16 ny laharanabontsina somary miavaka amin’ny lamosina. Volondavenona ny lamosina, fa ahitana marika kely mainty efatra mifanandrify sy mirindra ary mifanarakaraka sy fehy mifanapaka mainty manify ny rambo. Mihamatroka izy amin’ny alina, fa hita ihany ny fahasamihafan’ny tsirairay (jereo ny sary 3c). Fomba fi ainana: Karazana mieli-patrana eto Madagasikara sy fahita matetika amin’ny alina izy sady mpiantehitra, monina eny amin’ny vohitra sy tanàn-dehibe izy, fa hita eny amin’ny faritra misy faha simbana sy ny ala simba lavitra toerana misy olona.

4. Hemidactylus platycephalus PETERS, 1854Toerana nahitana azy: Amporaha, Antsiranana, Mananara Nord, Maromandia, Nosy Be, Nosy Faly, Nosy Mitsio, Nosy Sakatia. Sary avy any: Nosy Fanihy (4a), Nosy Be (4b). Matahotrandro vaventy. Famaritana: Ny karazana lehibe indrindra amin’ny Hemidactylus. Mirefy 65-85 mm ny HLV-n’ny lahy, 65-77 mm ny an’ny vavy ary 55-99 mm ny halavan’ny rambo. 8-12 ny laharanabontsina somary miavaka amin’ny lamosina. Manahaka ny an’ny H. mercatorius ny loko, fa misy soritsoritra mainty miavaka kokoa ny lamosina. Fomba fi ainana: Voafetra any amin’ny faritra avaratra sy avaratra andrefana eto Madagasikara. Monina eny akaikin’ny toeram-ponenan’olona izy, fa hita eny amin’ny hazo any an-tsaha sy ny ala nisy fahasimba ihany koa.

356

2

1

43

Page 105: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b1a

2b2a

3c 4b

4a

3b3a

Page 106: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: ParagehyraParagehyra

Taranaka Paragehyra ANGEL, 1929Taranaka tsy dia fantatra loatra, fa misy karazana roa voafaritra tany amin’ny faritra atsimo sy atsimo andrefan’i Madagasikara, ary misy andiany ihany koa any afovoany andrefana (Tsingin’i Bemaraha). Mampiavaka ny Paragehyra dia ny laharana takelaka manify tokana tsy mizara ao ambany rantsan-tongotra sy rantsan-tànana (sary 1b). Somary mahia izy raha jerena, fa lava kosa ny tongotra. Mitsangana ny anakandriamaso. Mety mifangaro tsy nahy amin’ny Hemidactylus izy, fa io farany io kosa manana takelaka manify mizara foana ao ambany rantsan-tongotra sy rantsan-tànana.

1. Paragehyra gabriellae NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1994

Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Ambatorongorongo, Andohahela, Malahelo, Manantantely, Manongotry, Nahampoana. Sary avy any: Andohahela.

Matahotrandro fotsy mainty. Famaritana: Mirefy 62-75 mm ny HLV. Tsy ahitana bontsina miavaka ny lamosina. Manopy volontakatra ny lamosina, fa ahitana marika manopy volondavenona lehibe tsy miavaka fa mifanarakaraka sy marika matroka vitsivitsy. Misy fehy mifanapaka fotsy sy mainty mifanelanelana ny rambo mbola tsy tapaka. Fomba fi ainana: Karazana mivoaka alina, ka mety ho hita betsaka eny amin’ny vato granita sy ny vatolampy amoron-drano. Monina any anaty lavaka amin’ny vatolampy mandritra ny andro. Nisy vavy nandatsaka atody roa somary lavalava sady mafy be ny akorany (15-17 x 10-12 mm). Tao anaty elanelam-bato kely (savaivo 10-25 sm) izay faritra fametrahan’atody mahazatra azy ireo no nahitana azy ireo. Nahatratra 36 ny atody rehetra tao. Fantatra fa nampiasany nandritra ny in-enina nanatodizany io toerana io. Volana oktobra hatramin’ny desambra no fanatodizany.

2. Paragehyra petiti ANGEL, 1929Toerana nahitana azy: Toliara, Lavenombato, Tsingin’i Bemaraha (?). Sary avy any: Atsimon’IiToliara (2a, 2b, 2c), Tsingin’i Bemaraha (2d; nalain’i G. Hallmann).

Matahotrandrombato. Famaritana: Mirefy 59 mm ny HLV. 10 ny laharana-bontsina somary miavaka amin’ny lamosina. Manopy volondavenona hatsatra ranoray ny lamosina, fa ahitana marika lehibe volontakatra na volondavenona tanora indraindray. Misy fehy mifanapaka fotsy sy mainty mifanelanelana ny rambo mbola tsy tapaka. Fomba fi ainana: Hita any amin’ny faritra manokana tahaka ny vato ambany renirano na haram-bato amin’ny morontsiraka izy. Fanamarihana: Mety ho karazana hafa ny andiany avy any amin’ny Tsingin’i Bemaraha ka mila fandinihana lavidavitra kokoa.

358

21

Page 107: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2c

2a

1a

1c

2d

2b

Page 108: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Matoatoa NUSSBAUM, RAXWORTHY & PRONK, 1998

Mitovitovy amin’ny Ebenavia izy, fa manana karazana iray monina any amin’ny ala mando, ary any amin’ny faritra tena karankaina any atsimo-andrefan’i Madagasikara ny karazana faharoa. Matoatoa dia kely sy mahia, satria mirefy 58 mm ny HLV lehibe indrindra. Ny fahazarany mamoaka tsiranoka no nanaovana ny anarany hoe matoatoa. Mitovitovy amin’ny Ebenavia sy Paroedura izay manana takelaka manify roa mirai-kitra tahaka ny ravin-kazo amin’ny rantsan-tànana sy rantsan-tongotra tsirairay. Fanampin’izany, misy rafi tra miraikitra manodidina ny tendron’ny rambo. Ny kirana amin’ny vatana dia mitovy tanteraka, malama ary fi saka mamorona tsipika mitsivalana sy mifandrindra.

1. Matoatoa brevipes (MOCQUARD, 1900)Toerana nahitana azy: Ambolisatra, Belalanda, Ranobe, Tsivanoa. Sary avy any: Santionana nompiana fa tsy fantatra mazava ny toerana niaviany (1a lahy, 1b vavy).

Matahotrandro matoatoa. Famaritana: Mirefy 29-35 mm ny HLV-n’ny lahy ary 26-40 mm ny an’ny vavy. Volondaveno-na tanora ny lamosina, fa ahitana tsoriadriaka sy pentina kely volontakatra antitra na mainty tsy mirindra. Fomba fi ainana: Hita any amin’ny alan-tsilo maina sy mazava, amin’ny tany fasehana izy matetika. Monina any anaty tahon-kazo maina sy hazo maty poak’aty izy indraindray. Ny karazana miseho amin’ny alina.

2. Matoatoa spannringi NUSSBAUM, RAXWORTHY & PRONK, 1998

Toerana nahitana azy: Fiadana. Tsy misy sary.

Matahotrandro matoatoa mitsipika. Famaritana: Mirefy 53-57 mm ny HLV-n’ny lahy ary 54-58 mm ny an’ny vavy. Manopy volontakatra tanora ny lamosina, fa ahitana fehy mifanapaka volontakatra antitra ny hatoka sy ny vatana ary ny rambo, na hita miavaka amin’ny rambo mbola tsy tapaka fotsiny io indraindray. Misy tsipika mavo mamiratra ny molotra. Fomba fi ainana: Santionana vitsy izay nosamborina tany amin’ny toerana simba ao anatin’ny ala mando atsimo-atsinanan’i Madagasikara no fantatra. Hita tao anaty lavaka kely tamin’ny hazo kely na salasala antsoina hoe “lalona”, izay mifandray amin’ny Weinmannia sp. Nandatsaka atody miisa 2 ny vavy, izay manamafy ny isan’ny atodin’ny fi anakaviana Gekkonidae ho roa. Maneho fahavitrihana amin’ny alina any amin’ny toeram-piompiana.

Taranaka Ebenavia BOETTGER, 1878Karazana iray tamin’ity taranaka ity no hany fantatra nandritra ny fotoana maro tany amin’ny faritra atsinanana sy avaratr’i Madagasikara, sy tany amin’ny nosy Kaomaoro (Mayotte sy Grande Comore) ary tany Maorisy, voalaza anefa fa nisy koa tany amin’ny nosy Pemba. Mila fanadihadiana lavidavitra kokoa, satria tsy fantatra mazava ny fi aviany na avy any Kaomaoro sy Maorisy na nampidirina tany ny karazana. Nofaritana vao haingana tany amin’ny faritra karankaina atsimo andrefan’i Madagasikara ny karazana faharoa. Ebenavia dia manana takelaka manify miraikitra tahaka ny ravin-kazo eo amin’ny rantsan-tongotra sy ny rantsan-tànana, ary ny tena mampiavaka azy amin’ny Gekkonidae Malagasy ny vava maranitra sy ny vatana lavalava. Misy bontsina vaventy milahatra manaraka ny lavany ny lamosina.

3. Ebenavia inunguis BOETTGER, 1878Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Ambila-Lemaitso, Ambohitralanana, Ampahana, An’Ala, Andasibe, Andohahela, Andrahomana, Anevoka, Anjanaharibe Sud, Ankaramena, Ankeniheny, Betampona, Cap Est, Farafangana, Fenoarivo, Ifanadiana, Ikongo, Ile aux Prunes, Lokobe, Malahelo, Mananjary, Manantantely, Mandena, Manombo, Manongarivo, Marojejy, Marovony, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Mangabe, Petriky, Ranomafana, Sainte Luce, Sakana, Toamasina, Tolagnaro, Vondrozo, Zahamena. Sary avy any: Ranomafana (3a), Nosy Be (3b), Nosy Boraha (3c, 3d).

Matahotrandro matrokila. Famaritana: Mirefy 32-42 mm ny HLV ary manodidina ny 80 mm ny tontalin’ny halavana. Kely noho ny faharoa ny kirana amin’ny molotra ambo-ny voalohany, manomboka eo ambany orona ny tsipika mampisaraka ireo kirana roa ireo. Volontakatra tanora ny lamosina, ary misy tsipika mazava loko sy ety ny ilan’ny tampon-doha matetika, na amin’ny hatoka sy ny tapany alohan’ny vatana indraindray. Mampisaraka ny ilany matroka amin’ny lamosina mazava io tsipika io. Misy fehy manapaka fotsy sy mainty mifanelanelana ny lamosina mazàna. Fomba fi ainana: Karazana miparitaka manerana an’ny Madagasikara na dia tsy hita maro be aza. Mivoaka alina sy mihani-kazo ny karazana, fa mety mivoaka amin’ny atoandro ihany indraindray. Any amin’ny ala mando ary koa ny ala nisy fahasimbana manakaiky ala mando mikitroka no ahitana azy. Matetika hita any ambany hodi-kazo na anatin’ny vatan-kazo maty, na miafi na eny an’elakelan’ny ravina vakoana sy ravinala. Roa ny atodin’ny karazana indray mandatsaka, fa nisy vavy nanatody iray tany amin’ny toeram-piompiana.

4. Ebenavia maintimainty NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1998

Toerana nahitana azy: Tsimanampetsotsa, Akainkin’i Anakao. Sary avy any: Avaratr’i Anakao (nalain’i D. Austin).

Matahotrandro maintimainty. Famaritana: Mirefy 21-24 mm ny HLV. Lehibe kokoa noho ny faharoa ny kirana amin’ny molotra ambony voalohany, manomboka lavidavitry ny orona ny tsipika mampisaraka ireo kirana roa ireo. Volontakatra antitra mankany amin’ny mainty ranoray ny lokony, fa ahitana faritra kirana fotsy ny kibon’ny lahy. Fomba fi ainana: Hita any amin’ny ala manodidina ny farihin’i Tsimanampetsotsa sy tamin’ny sokay marin-tampona atsinanan’ny haram-bato manamorona ny farihy izy. Tany ambany hazo maty nianjera no nahitana azy mandritra ny andromandritra ny andro, ary mivoaka eny amin’ny vatosokay matroka izy amin’ny alina. Nandatsaka atody tokana ny vavy iray izay manambara fa mety ho iray koa ny atody.

Gekkonidae: Gekkonidae: Matoatoa / EbenaviaMatoatoa / Ebenavia

360

21

43

Page 109: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

3b

3d

1a

3a

3c

4

Page 110: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: ParoeduraParoedura

Taranaka Paroedura GÜNTHER, 1879Ity taranaka ity dia maneho fi sandrahana isan-karazany an’ny katsatsaka mivoaka alina izay manana maso lehibe sy anakandriamaso mitsangana ary tsy misy lavaka alohan’ny lavabody sy ny fe. Tsy hita raha tsy eto Madagasikara sy Kaomaoro, ny hany fosila fantatra dia avy ao Aldabra. Mampiavaka ity taranaka ity ny rafi tra miraikitra amin’ny tendron’ny rantsan-tongotra izay mifandray akaiky amin’ny an’ny Ebenavia. Paroedura dia karazana hita miparitaka amin’ny faritra maro eto Madagasikara, tahaka ny any amin’ny ala mando atsinanana, ny ala maina andrefana sy ny bozaka misy tsilo maniry any amin’ny tany karankaina ary any an-tendrombohitra avo. Na izany aza anefa, dia hita any avaratry ny Nosy ny fahasamihafana lehibe indrindra ary betsaka karazana fantatra fa monina any amin’ny tendrombohitra misy sokay irery ihany. Hitan’ny mpanoratra teo aloha fa azo zaraina ho vondron-karazana roa ity taranaka ity amin’ny alalan’ny fi petraky ny orona. Ao anatin’ny antokon’ny “sanctijohannis” ireo izay manana vavorona mifandray amin’ny kirana an-tendron’ny molotra ambony ary ao amin’ny antokon’ny “picta” ireo izay manana vavorona tsy mifandray. Na izany aza, dia hita fa tsy mifanaraka amin’ny sampana ara-boajanahary ireo antoko roa ireo ka tsy hampiasaina eto. Miloko miavaka ny zanany vao foy, matetika marevaka ka tsy mitovy amin’ny lehibe mihitsy. Mazàna aleviny tsirairay anaty tany ny atody roa ao anatin’ny 1-2 andro.

1. Paroedura androyensis (GRANDIDIER, 1867)Toerana nahitana azy: Andrahomana, Cap Sainte Marie, Isaka-Ivondro, Malahelo, Miary, Petriky, Sarodrano, Tolagnaro, Tsivanoa, alan’i Zombitse. Sary avy any: Sarodrano.

Matahotrandron’i Androy. Famaritana: Mahatratra 47 mm ny HLV ary 80 mm ny TH. Tsy mifandray amin’ny kirana an-tendron’ny molotra ny orona. Somary lehibe ny bontsina amin’ny lamosina (somary marokoroko ny hoditra). Somary lehibe ny bontsina ao an-damosina. Boribory sy mivelatra ary fohy ny rambo izay tahaka ny fanday. Volontakatra manopy mavo mankany amin’ny volontakatra antitra ny lamosina, fa misy marika volontakatra manopy mavo efatra manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny foto-drambo fa tsy mitohy amin’ny kibo. Manopy fotsy ny molotra fa misy tsipika matroka, ary fotsy ny tenda fa mirarirary volondavenona. Fotsy ny lohan’ny zanany, fa mainty ny vatana, ary volomboasary misy tsipika matroka ny rambo. Fomba fi ainany: Matetika mandady amin’ny tany. Tany amin’ny ala maina sy vato maina amorontsiraka no misy azy. Karazana mitovy: Jereo ny P. vahiny.

2. Paroedura vahiny NUSSBAUM & RAXWORTHY, 2000Toerana nahitana azy: Alan’i Dabara, Kirindy, Volontakatra. Sary avy any: Kirindy (nalain’i P. Schönecker).

Matahotrandro vahiny. Famaritana: Mirefy 42 mm ny HLV-n’ny “santionana nofaritana” ary 76 mm ny TH. Tsy mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Bontsina amin’ny lamosina kely. (malama ny hoditra). Volontakatra manopy mavo mankany amin’ny volontakatra antitra ny lamosina, fa misy marika volontakatra manopy mavo telo na efatra manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny foto-drambo, ary tsy mitohy any amin’ny kibo. Mety mifangaro amin’ny lokon’ny loha ny marika roa mazava amin’ny tapany alohan’ny lamosina. Misy kirana kely matroka miparitaka amin’ny vatana iray manontolo. Manopy fotsy ny molotra, fotsy ny tenda fa misy faritra mirarirary matroka. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mazava, fa nosamborina 7 sm tamin’ny tahon-kazo tany anaty ala manintsan-dravina tamin’ny folo ora

alina ny janoary ny santionana nofaritana. Karazana mitovy: P. androyensis izay manana hoditra somary marokoroko.

3. Paroedura maingoka NUSSBAUM & RAXWORTHY, 2000

Toerana nahitana azy: 8 km amin’ny atsimon’Itampolo, Tsimanampetsotsa. Sary avy any: Tsimanampetsotsa (nalain’i A. Raselimanana).

Matahotrandro maingoka. Famaritana: Mirefy 47-71 mm ny HLV-n’ny lehibe ary mahatratra 122 mm ny TH. Tsy Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Tsy mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina (somary malama ny hoditra) sady tsy manome laharana mazava manaraka ny halava. Somary lehibe ny tendron’ny rantsan-tongotra. Volontakatra ny lamosina, fa misy tsipika 4 fotsy mitsangana mitsivalana izay tsy dia hita indraindray, manomboka amin’ny hatoka io ka mifarana amin’ny foto-drambo. Fomba fi ainany: Mivoaka alina eny ambony vatolampy na vato sokay any amin’ny kirihitr’ala. Miakatra mankany amin’ny lamosina tahaka ny fanaon’ny maingoka ny rambo rehefa voakasika izy, izay no fomba fi arovan-tenany. Karazana mitovy: P. picta izay kely ny tendron’ny rantsan-tongotra ary misompirana ny tsipika mazava amin’ny vatana.

4. Paroedura picta (PETERS, 1854)Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambovombe, Ampanihy, Anakao, Andrahomana, Andranohinaly, Begidro, Beheloka, Berenty, Kirindy, Lovokampy, Saint Augustin, Sarodrano, Toliara, Tranomaro, Tsimanampetsotsa, Tsivono, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Toliara (4a), Kirindy (4b), Berenty (4c).

Matahotrandro mandady. Famaritana: Mahatratra 90 mm ny HLV ary 155 mm ny TH. Tsy Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Tsy mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina (somary malama ny hoditra) sady tsy manome laharana mazava manaraka ny halava. Tsy lehibe ny tendron’ny rantsan-tongotra. Manopy volontakatra ny lamosina, fa misy tsipika 4 mazava manapaka mitsivalana tsy hita indraindray, manomboka eo amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny foto-drambo. Mety misy tsipika mazava manaraka ny faritry ny hazon-damosina. Fomba fi ainany: Karazana Paroedura mandady amin’ny tany, any anaty fakon-dravina anaty ala maina na eny amin’ny tany fasehana anaty kirihitr’alan-tsilo matetika no misy azy. Nihoatra ny 16 ny taranany tany amin’ny toeram-piompiana. Karazana mitovy: Jereo ny P. maingoka.

362

1

32 4

Page 111: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4b

4a

1b1a

2 3

4c

Page 112: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: ParoeduraParoedura

1. Paroedura tanjaka NUSSBAUM & RAXWORTHY, 2000Toerana nahitana azy: Farihy Beritra, Namoroka, Tsingin’i Bemaraha, Tsiribihina. Sary avy any: Tsy fantatra mazava ny fi aviany (1a), Tsingin’i Bemaraha (1b).

Matahotrandro matanjaka. Famaritana: Mahatratra 102 mm ny HLV-n’ny lehibe ary 180 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana antendron’ny molotra. Tsy mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina (somary malama ny hoditra) sady tsy manome laharana mazava manaraka ny halava. Volontakatra manopy volontakatra tanora ny lamosina, fa misy pentina roa mazava lehibe sy madinika maro be. Volontakatra tanora manjopika ny loha. Manopy mainty ny zanany, fa misy tsipika fotsy telo mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny foto-drambo. Fomba fi ainany: Tsy hita afa-tsy any amin’ny vato sokay anaty ala maina manintsan-dravina. Hita tamin’ny alina ny ankamaroany. Fahita eny amin’ny rantsan-kazo na vatan-kazo 0,5-2,5 m miala amin’ny tany ireo kelikely. Monina any anelanelan’ny vato sokay na lava-bato ny lehibe. Nisy santionana vitsivitsy hita tao amin’ny 30 m miala ny vavan’ny lava-bato. Ny mpihaza azy dia ny bibilava ao anatin’ny Taranaka Stenophis. Karazana mitovy: P. stumpffi izay miloko volontakatra manjopika ny loha, fa mivoitra kosa ny bontsina amin’ny lamosina. Jereo ny karazana manaraka.

2. Paroedura sp. aff. tanjaka “Tsingin’i Bemaraha”

Toerana nahitana azy: Tsingin’i Bemaraha. Tsy misy sary.

Famaritana: Tena kely noho ny P. tanjaka. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Somary mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Mitovy amin’ny zanaky ny P. tanjaka ny loko. Fomba fi ainany: Tany amin’ny toerana iray misy vato sokay anaty ala maina manintsan-dravina no hany misy azy, miara-monina amin’ny P. tanjaka, fa tsy dia fahita loatra. Samy mivoaka alina izy ireo. Karazana mitovy: Mety mitovitovy amin’ny P. bastardi izy, fa ny mampiavaka azy dia ny fi petraky ny orona.

3. Paroedura bastardi (MOCQUARD, 1900)Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambovombe, Ampanihy, Ampoza, Andrahomana, Andranohinaly, Andranolaho, Andranovaho, Angavo, Antanimora, Antsingy, Belo, Berenty, Betroka, Bevoay, Isalo, Kirindy, Malahelo, Menabe, Miandrivazo, Sarodrano, Tolagnaro, Toliara, Tranoroa, Tsiombe, Tsitondroina, alan’i Vohibasia. Sary avy any: Tranoroa (3a), Berenty (3b), vatony nompiana (3c, 3d; nalain’i K. Glaw).

Matahotrandro telo tsipika. Famaritana: Mahatratra 80 mm ny HLV-n’ny lehibe ary 146 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra be ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Volontakatra na volondavenona ny lamosina, fa misy tsipika roa mazava mitsivalana ny santionana madinika. Volontakatra antitra ny zanany, fa misy tsipika fotsy roa mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny afovoan’ny vatana (manopy mavo ny tsipika fahatelo amin’ny faritry ny foto-drambo izay tsy miavaka indraindray), ary manopy mavo ny rambo. Fomba fi ainany: Fahita eny amin’ny ala maina, ny kirihitr’alan-tsilo maina sy ny vato sokay ary any an-tanàna. Mivoaka alina, ka mihanika hatreny amin’ny 2 m miala amin’ny tany. Misoka-bava sady mamoaka feo fi tarainana ho fi arovany tena ny ankabetsahany rehefa voakotaba. Karazana mitovy: Jereo P. ibityensis. Fanamarihana: Samy hafa ny habe sy ny toe-batana ary ny loko ao anatin’ny andiany iray, izay manolo-kevitra fa fi tambarana maro sosona karazana roa na telo farafahakeliny ny P. bastardi.

4. Paroedura ibityensis RÖSLER & KRÜGER, 1998Toerana nahitana azy: Ibity, Itremo. Sary avy any: Ibity (4a), Itremo (4b), vatony nompiana (4c; nalain’i K. Glaw).

Matahotrandron’Ibity. Famaritana: Mirefy 54-61 mm ny HLV-n’ny lehibe ary ma-hatratra 110 mm ny TH. Tsy Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra be ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Mety mivelatra ny rambo misy tsilo, izay efa hita sahady any amin’ny zanany. Mipentina volontakatra sy volondavenona ny lamosina. Manopy volondavenona ny rambon’ny zanany. Fomba fi ainany: Karazana monina amin’ny vato any an-tendrombohitra ka mety ho hita eny amin’ny zava-maniry kely anelanelan’ny tataka na lavaky ny vatolampy lehibe. Mahay manafi sa-tena, ka izay no ahafahany mitsofoka amin’ny tataka kely mba hakany hafanana. Betsaka tamin’izy ireo no mitondra hala mena madinika. Mivoaka alina any amin’ny toera-piompiana, mety ho vokatry ny fahafahana miana any an-tendrombohitra angamba. Mety mitahiry tavy izay ivelomany amin’ny andro ririnina ny rambo be velarana. Karazana mitovy: P. bastardi izay manana rambo ety sady hafa loko ny zanany. Fanamarihana: Nofaritana voalohany ho zana-karazana, nampiseho anefa ny fandinihana vao haingana fa tena miavaka amin’ny bastardi, ka natao karazana manokana mihitsy eto.

364

1

32 4

4d

4c

3d

Page 113: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

3a

4a

1b

3c

1a

3b

4b

Page 114: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Paroedura vazimba NUSSBAUM & RAXWORTHY, 2000

Toerana nahitana azy: Ampijoroa, Ankarafantsika, Antsaravy River. Sary avy any: Ankarafantsika (1b nalain’i M. Burger).

Matahotrandro vazimba. Famaritana: Mirefy 39-49 mm ny HLV-n’ny lehibe ary mahatratra 96 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra ihany ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Volontakatra ny lamosina, fa misy pentina efatra volontakatra na volontakatra manopy mavo manomboka amin’ny hatoka mankany amin’ny faritry ny foto-drambo. Lehibe ny tsipika mazava amin’ny hatoka aoriana, fa tsy mahatratra aty amin’ny foto-drambo anoloana. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala maina manintsan-dravina. Tany ambany hodi-kazo no misy azy amin’ny atoandro ary teny amin’ny vatana na rantsana na ravin-kazo 0,3-1,5 m miala amin’ny tany amin’ny alina raha mavitrika izy. Nahitana kankana lehibe tao anatin’ny hoditry ny iray. Karazana mitovy: P. androyensis sy P. vahiny izay tsy mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra, sady misy faritra mirariray ny tenda.

2. Paroedura stumpffi (BOETTGER, 1878)Toerana nahitana azy: Andoany, Ankarafantsika, Benavony, alan’i Berara, Iharana, Lokobe, Manongarivo, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Mitsio. Sary avy any: Montagne des Français (2a), Nosy Be (2b), Berara (2c), vatony nompiana (2d, nalain’i K. Glaw).

Matahotrandron’i Sambirano. Famaritana: Mahatratra 70 mm ny HLV-n’ny lehiba ary 143 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra be ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana mazava manaraka ny halava. Volontakatra ny lamosina, fa misy tsipika efatra mazava mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny faritry ny foto-drambo sy marika matroka ary tsipika mazava loko manaraka ny faritry ny hazon-damosina. Volontakatra manjopika ny loha. Volontakatra antitra ny zanany, fa misy tsipika iray volontakatra antitra ny sisiny aorian’ny loha sy tsipika efatra manopy fotsy mitsivalana amin’ny hatoka sy ny lamosina ary volontakatra manopy volomboasary ny rambo. Fomba fi ainany: Fahita any amin’ny ala velona sy voakorontana amin’ny haabo iva, ny ala maina manintsan-dravina sy ny saha ary na dia eny amin’ny hazo amoron-dranomasina. Hita mihanika vatan-kazo 1-2 m miala amin’ny tany na eny amin’ny tany sy ny vatolampy na zavatra hafa amin’ny alina. Mety manatody in-8 (misy atody roa isaky ny mandatsaka) ny vavy ao anatin’ny taona iray farafahakeliny. Nirefy 11-12 x 8-9 mm ny atody, nefa hita fa misy fahasamihafana ny haben’ny atodin’ny tsirairay sy ny an’ny andiany samihafa. Foy afaka 60-80 andro ny zanany izay nirefy 50-52 mm ny TH. Karazana mitovy: P. tanjaka izay manana loha miloko volontakatra manjopiaka ary somary lehibe kokoa sady tsy mivoitra be ny bontsina amin’ny lamosina. P. lohatsara miara-monina aminy izay lehibe kokoa sady misy ravaka mainty miavaka ny loha. Fanamarihana: Mila fandinihana lalina ny fahazoana manome anarana an’ireo andiany samihafa.

3. Paroedura lohatsara GLAW, VENCES & SCHMIDT, 2001

Toerana nahitana azy: Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français (3a: zanany).

Matahotrandro lohatsara. Famaritana: Mahatratra 73 mm ny HLV-n’ny lehibe ary 156 mm ny TH. Tsy mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra be ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana mazava manaraka ny halava. Volontakatra ny lamosina, fa misy marika matroka betsaka sy tsipika mazava mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka miafarana amin’ny faritry ny foto-drambo ary tsipika mazava manaraka ny faritry ny hazon-damosina. Misy faritra mifanitsy mainty mirarirary ny loha. Manopy mainty ny zanany, fa misy tsipika manopy fotsy mitsivalana ny hatoka sy ny lamosina ary volomboasary ny rambo. Fomba fi ainany: Tany amin’ny ala maina maniry eo ambony tany misy sokay no hany misy azy. Mivoaka alina izy, mihanika eny amin’ny tsingy na rantsana 2 m miala amin’ny tany indrindra rehefa mitsahatra ny oram-be. Mety amin’ny fi andohan’ny fahavaratra ny fanatodizany any amin’ny natiora ary hita tamin’ny martsa ny zanany. Tamin’ny alim-be ny fi raisana sy ny fanatodizana tany amin’ny toeram-piompiana. Nirefy 13 x 10 mm ny atody ary 59-60 mm ny TH-n’ny zanany foy afaka 70-90 andro. Mety maoty latsaky ny 10 volana nahafoizany, ka mirefy 106-111 mm ny TH. Karazana mitovy: P. stumpffi izay manjopika ny loha.

366

Gekkonidae: Gekkonidae: ParoeduraParoedura

21 3

2d

Page 115: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

2c

1b

3b

1a

2b

3a

Page 116: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Paroedura oviceps (BOETTGER, 1881)Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Benavony, alan’i Berara, Lokobe, Manongarivo, Montagne d’Ambre, Nosy Be, Nosy Sakatia. Sary avy any: Benavony.

Matahotrandron’ny avaratra andrefana. Famaritana: Mahatratra 69 mm ny HLV-n’ny lehibe ary 123 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Tsy mivoitra loatra ny bontsina amin’ny lamosina sady tsy manome laharana mahitsy manaraka ny halava. Mipentina volontakatra ny lamosina, fa misy kirana manopy mainty maro be sy bontsina manopy fotsy ny tehezana. Misy marika efatra mazava loko mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny faritry ny foto-drambo, fa tsy mitohy any amin’ny kibo. Mipentina volontakatra tanora ny loha. Fomba fi ainany: Fantatra any amin’ny ala mando velona amin’ny haabo iva any Sambirano, sady hita matetika eny amoron’ny sakeli-drano misy vatolampy. Mihanika eny ambony vatolampy na hazo lehibe amin’ny alina. Hita tsy dia lavitra sakeli-drano any anatin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalany any amin’ny Montagne d’Ambre. Karazana mitovy: P. karstophila izay mitohy any amin’ny fanambanin’ny foto-tanana ny pentina mazava amin’ny hatoka. Fanamarihana: Misy bontsina amin’ny lamosina somary mivoitra izay milahatra manaraka ny halava ireo santionana avy any amin’ny Montagne d’Ambre.

2. Paroedura homalorhina (ANGEL, 1936)Toerana nahitana azy: Ankarana. Sary avy any: Ankarana (2b), Tsingin’i Bemaraha (2a, mila fanamarinana ny maha izy an’io).

Matahotrandro an-davabato. Famaritana: Mirefy 64 mm ny HLV-n’ny santionana tokana ary 125 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Tsy mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina sady tsy manome laharana mahitsy manaraka ny halava. Lava be ny rantsam-batana fa somary mahia (fi saka ny tanana sady mihoatra ny fari-bava). Mipentina volondavenona tanora na volontakatra ny lamosina. Misy tsipika mainty sy fotsy miavaka ny rambo mbola tsy tapaka. Misy marika mazava loko mitsivalana ny lamosina, izay tsy dia hita loatra amin’ny lehibe. Fomba fi ainany: Araka ny hita dia tsy misy azy afa-tsy any amin’ny vato tsingy maina misy lava-bato maro be sy tataka. Karazana mitovy: P. sp. avy any Montagne des Français izay manana rantsam-batana fohy kokoa sady milahatra tsara ny bontsina amin’ny lamosina.

3. Paroedura karstophila NUSSBAUM & RAXWORTHY, 2000

Toerana nahitana azy: Ambinorabe-Belaka, Ankarana, farihin’i Beritra, Namoroka. Tsy misy sary.

Matahotrandro’ny tsingy. Famaritana: Mirefy 42-55 mm ny HLV-n’ny lehibe ary mahatratra 99 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Somary lava ny rantsam-batana (fi saka ny tanana fa tsy mihoatra ny fari-bava mihitsy). Manopy volontakatra tanora ny lamosina (rehefa notehirizina tao anaty alikaola) na matroka kokoa. Somary manjavozavo na hita mazava ireo tsipika matroka mitsivalana amin’ny lamosina. Misy tsipika mazava loko ny hatoka izay mitohy any amin’ny foto-tanana, anoloana ary zava-dehibe amin’ny famantarana azy. Fomba fi ainany: Araky ny hita dia tsy misy afa-tsy any amin’ny tsingy amin’ny vato maina. Karazana mitovy: Somary samihafa ireo karazana telo avy any amin’ny Montagne des Français sy Nosy Hara ary Ankarafantsika, fa samy maneho fahasamihafana ny tsirairay nefa mizara toetra amin’ny P. karstophila.

4. Paroedura sp. “Montagne des Français”

Toerana nahitana azy: Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français.

Famaritana: Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Mipentina volondavenona tanora na volontakatra ny lamosina, lehibe ny maso sady mivolombolamena ny voamaso. Misy marika efatra mazava tsy hita loatra mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny faritry ny foto-drambo. Fomba fi ainany: Araka ny hita dia misy azy any amin’ny tsingy amin’ny vato maina. Karazana mitovy: Jereo P. karstophila.

5. Paroedura sp. “Ankarafantsika” Toerana nahitana azy: Ankarafantsika. Sary avy any: Ankarafantsika.

Famaritana: Mirefy 56 mm ny HLV-n’ny lahy ary 107 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Somary mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Misy marika efatra mazava loko manjavozavo mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny faritry ny foto-drambo. Tsy hita miavaka ny fi hitaran’ny pentina mazava loko amin’ny hatoka mankany amin’ny kibo. Fomba fi ainany: Ny ala maina manintsan-dravina no hany nahafantarana azy, teo amin’ny vatan-kazo lehibe 2-5 m miala amin’ny tany no hany nahitana azy. Karazana mitovy: Jereo P. karstophila.

6. Paroedura sp. “Nosy Hara” Toerana nahitana azy: Nosy Hara. Sary avy any: Nosy Hara.

Famaritana: Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Mivoitra ny bontsina amin’ny lamosina sady manome laharana manaraka ny halava. Volontakatra ny lamosina, fa misy tsipika efatra mazava miavaka somary ety sy mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny faritry ny foto-drambo. Fomba fi ainany: Teny amin’ny vato tsingin’ny ala maina no hany nahafantarana azy. Karazana mitovy: Jereo P. karstophila.

368

Gekkonidae: Gekkonidae: ParoeduraParoedura

4

3

5

1

6

2

Page 117: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

5

4a

1

2b

2a

6

4b

Page 118: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Paroedura masobe NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1994

Toerana nahitana azy: Zahamena. Sary avy any: Santionana nompiana (tsy fantatra mazava ny fi aviany; nalain’i K. Glaw).

Matahotrandro masobe. Famaritana: Izy no ngeza indrindra amin’ny Paroedura, satria mahatratra 107 mm ny HLV-n’ny lehibe ary 170 mm ny TH. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Kely ny bontsina amin’ny lamosina sady tsy manome laharana manaraka ny halava. Fisaka amin’ny ilany ny rambo, sady misy laharantsilo milahatra tsiroaroa. Volondavenona manopy volontakatra antitra ny loha sy ny vatana, fa misy tsipika mazava 3-4 loko mitsivalana manomboka amin’ny hatoka ka mifarana amin’ny faritry ny fotodrambo-ny sy tsipika 3-4 fotsy ny rambo. Tena lehibe ny maso sady mitodika any aloha. Mainty ny voamaso. Fomba fi ainany: Tany amin’ny ala mando velona ambany toerana ao anatin’ny Alanjavaboaharin’i Zahamena (haabo 415-440 m) no hany nahafantarana azy. Hita teny amin’ny ravin-kazo na rantsan-kazo 1-4 m ambonin’ny fanamban’ny ala. Tena tadiavin’ny tsenam-biby mafy mihitsy ity karazana iray ity. Betsaka ireo efa naondrana tany Eoropa, fa maty tao anatin’ny fotoana fohy ny ankamaroany. Tsy sahala amin’ireo karazana Paroedura hafa, P. masobe mila hatsiaka sy hamandoana mba hahavelona azy ao amin’ny trano fi ompiana. Mavitrika ao anaty aizaina tanteraka izy any amin’ny toeram-piompiana. Lehibe ny atody, somary boribory sady manify ny akorany. Nirefy 18,5 x 17,2 mm sy 18,7 x 17,5 mm ary nilanja 2,7-3,0 g ny atody roa. Foy afaka enim-bolana tao aorian’ny nanatodizany ny zanany (nirefy 45 mm HLV, 75-76 mm TH ary nilanja 2,4 g ny iray tamin’ireo). Nanomboka niseho ny hoditra voalohany afaka ora 6 taorian’ny nahafoizany. Mampiavaka azy amin’ny karazana Paroedura hafa ny tsy fananan’ny zanany loko manokana. Karazana mitovy: Mampiavaka azy amin’ny Paroedura rehetra ny lokony. P. gracilis no karazana kely indrindra hita any amin’ny ala mando atsinanana.

2. Paroedura gracilis (BOULENGER, 1896)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Andasibe, Anjanaharibe Sud, Fierenana, Marojejy, Masoala, Montagne d’Ambre, Nosy Mangabe, Sahafary, Tsararano. Sary avy any: Marojejy (2a), Montagne d’Ambre (2b), Nosy Mangabe (2c).

Matahotrandro maintibe. Famaritana: Mahatratra 67 mm ny HLV-n’ny lehibe ary 120 mm ny TH farafahakeliny. Mifandray amin’ny vavorona ny kirana an-tendron’ny molotra. Tsy mivoitra loatra ny bontsina amin’ny lamosina sady tsy manome laharana mirindra manaraka ny halava. Volontakatra mankany amin’ny volontakatra antitra ny vatana, fa misy tsipika manopy mainty manaraka ny halava (avy any afovoany atsinanana) sy faritra manopy mainty tsy mirindra loatra (avy any avaratra), na tsipika matroka mitsangana mitsivalana (farany avaratra). Fotsy miavaka (mm maromaro farafahakeliny) ny tendron’ny rambo mbola tsy tapaka. Manopy mainty ny voamaso. Fomba fi ainany: Hita tany amin’ny ala mando velona amin’ny haabo iva na salatsalany ny ankabeazany, fa nisy koa tany anaty ala kininina. Hita teny amin’ny rantsan-kazo kely 30-100 sm amin’ny fanamban’ny ala manodidina vatan-kazo lehibe izy tany Montagne d’Ambre aorian’ny oram-be. Nilanja 0,67-0,68 g ny atody roa tany amin’ny toeram-piompiana. Nirefy 28-20 mm ny HLV ary 52-54 mm ny TH-n’ny zanany vao foy. Mainty tanteraka ny loko (miaraka amin’ny voamaso) ankoatran’ny tendron’ny rambo (6-8 mm) izay miloko fotsy. Mamoaka feo fi tarainana sahady ireo zanany ireo rehefa voakotaba. Karazana mitovy: P. oviceps izay manana ny sarisary samy hafa loko. Fanamarihana: Mila fanadihadiana lalina ny fahazoana manome anarana ireo fi ovaovana ara-jeografi a hita.

370

Gekkonidae: Gekkonidae: ParoeduraParoedura

1 2

Page 119: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

1b

2b

2a

2c

Page 120: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Uroplatus DUMÉRIL, 1805Miavaka tanteraka ity “Gekkonidae”, mivoaka alina, ity miaraka amin’ny ny maso lehibe sady mitsangana ny anakandriamaso. Mivelatra sy telozoro ny loha, fa fohy sady fi saka ny rambo. Misy hoditra mikopaka ny sisin’ny valanorano ambany sy ny sisin’ny tehezana ary ny rantsan’ireo karazana vaventy (fa tsy misy ireo karazana madinika sasany). Raha mipetaka amin’ny hazo ny hoditra mikopakopaka dia tsy hita faritra ny vatana ary manala ny fi sian’ny aloka. Voamarik’ireto toetra ireto ity taranaka ity ankoatra ny endriny tokana aman-tany: ny fananany nify madinika maro be, ny fi rafi try ny rantsam-batana ary ny tsy fi sian’ny lavaka amin’ny fe sy alohan’ny lavabody. Hatreo amin’ny tonon’ny taolan-damosina voalohany sy ny faharoa ny rambo no mety ho tapaka. Manetsiketsika ny rambony ny karazana lehibe rehefa matahotra, ka misarika ny mason’ny mpihaza azy hijery izany. Matetika arahin’ny U. fi mbriatus sy U. henkeli feo fi tarainana mafy be io fi arovan-tena io. Hita tamin’ny tany amin’ny fanamban’ny ala ny atody boribory. Karazany 8 no efa fantatra ankehitriny, fa angamba voafetra any amin’ny ala velona ihany izy ireo.

1. Uroplatus fi mbriatus (SCHNEIDER, 1797)Toerana nahitana azy: alan’Ambahaka, Ambatond’Radama, Analamazoatra, Anandrivola, Andekaleka, Ankarampotsy, alan’Ankopakopaka, Antsihanaka, Eminiminy, Fandrarazana, Fito, Ikongo, Mananjary, Maroantsetra, Marojejy (?), Nosy Boraha, Nosy Mangabe, Ranomafana, Akainkin’i Ifanadiana, Sahembendrana, Tampolo, Toamasina, Vohipeno, Vondrozo. Sary avy any: Nosy Boraha (1a, 1b, 1d), Nosy Mangabe (1c).

Tahafi saka. Famaritana: Mirefy 153-177 mm ny HLV-n’ny lahy (249-279 mm ny TH) ary 150-186 mm ny an’ny vavy (241-295 mm ny TH). Lava sy tena fi saka ny loha. Misy kiramborambo manaraka ny tehazana, ny tongotra sy ny tanana ary ny loha. Volondavenona sy volontakatra ranoray matetika (tsy misy maitso) ny lamosin’ny biby tsy voakorontana, ka mampahatsiahy hodi-kazo. Hafa kosa ny endriky ny biby matahotra. Miavaka ny lokon’ny voamaso: manopy mavo, fa misy faribolana volontakatra manopy mena manodidina ny anakandriamaso. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando amin’ny haabo iva atsinanana no misy azy. Tena maro be ny andiany any amin’ny Nosy Mangabe. Miala sasatra eny ambony rantsan-kazo lehibe na kely ry zareo mandritra ny andro, ka mitsongoloka ny fi petrany amin’izany. Ingainy ambony tampoka ny rambo sady asanasanany be ny vava raha vao voakitika izy, ary mampiseho ny lelany mena midorehitra. Mihanika rantsan-kazo madinika na lehibe amin’ny alina. Karaza-na mitovitovy: U. giganteus izay miavaka ny toetran’ny loha, sady lehibe no manopy mena ny voamaso.

2. Uroplatus giganteus GLAW, KOSUCH, HENKEL, SOUND & BÖHME, 2006

Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre, Marojejy. Sary avy any: Montagne d’Ambre (2a-d), Marojejy (2e).

Tahafi saka be. Famaritana: Iray amin’ny Gekkonidae lehibe indindra, mirefy 188-198 mm ny HLV-n’ny lahy (mahatratra 317 mm ny TH) ary 182-200 mm ny an’ny vavy (286-322 mm ny TH). Mirefy 345 mm ny lehibe indrindra. Lava sy tena fi saka ny loha. Misy kiramborambo manaraka ny tehezana, ny tongotra, ny tanana ary ny loha. Volondavenona miampy volontakatra sy mainty ny vatana amin’ny ankapobeny. Lasa manopy mavo ny volontakatra ary mivadika ho mainty ny tapany amin’ny volondavenona rehefa matahotra izy. Hita amin’ny ankamaroan’ny santionana rehetra ny sarisary mampiavaka ny loha (jereo ny sary). Misy faritra volontakatra manopy mavo lehibe ny tenda matetika, amin’ny afovoan’ny lamosina ny iray ary amin’ny faritry ny faran’ny taolan-damosina ny iray. Manopy mena ny voamaso, fa misy tsipika manopy volontakatra manodidina ny anakandriamaso. Fomba fi ainany: Hita amin’ny ala mando mikitroka amin’ny haabo salatsalany any Montagne d’Ambre (haabo 650-850 m). Mivoaka alina, mihanika rantsan-kazo madinika sy lehibe 2-4 m miala amin’ny tany. Hita natory nitsongoloka vao mangirandratsy latsaky ny 1 m miala amin’ny tany ny iray tamin’ny U. giganteus. Nanaikitra mafy ny iray nompiana. Karazana mitovy: Jereo ny U. fi mbriatus. Mila fandinihana lalina ny andiany ao Marojejy mba hahafantarana ny momba azy.

21

372

Gekkonidae: Gekkonidae: UroplatusUroplatus

2d

2e

1d

Page 121: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2b

1c

1a

2c

2a

Page 122: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Uroplatus henkeli BÖHME & IBISCH, 1990Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Ankarana, Benavony, alan’i Berara, Lokobe, Manongarivo, Nosy Be, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Nosy Be (1a, 1b), Berara (1c), Benavony (1d).

Tahafi saka razam-boay. Famaritana: Mirefy 120-160 mm ny HLV mazàna (mahatratra 255 mm ny TH), fa nahatratra 300 mm ny TH-n’ny santionana avy any Tsingin’i Bemaraha. Lava sy tena fi saka ny loha. Misy kiramborambo manaraka ny tehezana, ny tongotra sy ny tanana ary ny loha. Somary marokoroko ny lahy amin’ny ankapobeny raha ampitahaina amin’ny vavy. Mila ho fotsy tanteraka ny santionana sasany, fa misy pentina matroka kely sy tsipika mitsivalana ny lamosina, izay mahatonga ny bikan’ny vatana ho sarotra hita. Mazava, fa misy marika matroka sy mitsoriadriaka ny lamosin’ny ankamaroany, somary mazavazava kokoa ny lokon’ny vavy amin’ny ankapobeny. Manopy mavo tanora na volontakatra manopy mavokely na volontakatra manopy mavo misy pentina mena ny tapotsimaso. Tsy misy loko matroka eo amin’ny vava. Fomba fi ainany: Hita tany amin’ny ala mando amin’ny haabo iva any Sambirano sy anaty ala maina manintsan-dravina any andrefana. Hita nitsongoloka ambony hazo madinika mitovy sakana amin’ny vatana (2-6 sm ny savaivony, mahalana ny mihoatra ny 20 sm), ary 70-130 sm miala amin’ny tany ny ankamaroany. Hita tsy nampoizina tany anaty alam-bolontara (4 sm ny savaivony) tany amin’ny alan’i Lokobe. Amin’ny alina, matetika hita 1-2 m miala amin’ny tany (fa mahatratra 5 m farafahakeliny tany Bemaraha). Miova loko ao anatin’ny sekondra vitsy sy mamoaka feo fi tarainana mafy sady manoka-bava ry zareo rehefa voasambotra. Manatody 2 amin’ny tany tahaka ny ankamaroan’ny Gekkonidae ny vavy, fa vavy iray no fantatra fa nanatody niisa 4. Nirefy 60 mm ny zanany foy afaka 90 andro mahery (tamin’ny hafanana 25°C). Karazana mitovi-tovy: Miavaka amin’ny fi mbriatus dia misy tapatapaka aorian’ny tanana, fa mivelatra kokoa ny hoditra mivelatra ary kely kokoa ny habeny. Fanamarihana: Nisy nitovy endrika tamin’ny henkeli tany Montagne des Français sy Ankarana, nefa mbola tsy fantatra izay mety hifandraisany amin’ny U. sikorae sameiti.

2. Uroplatus sikorae BOETTGER, 1913Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Andasibe, Andrangoloaka, Anjanaharibe Sud, Antsahamanara, Eminiminy, Ivohibe, Kianjavato, Malahelo, Manantantely, alan’i Manarikoba, Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Boraha, Ranomafana, Sainte Luce, Tampolo, Tsararano. Sary avy any: Andasibe (2a), Ranomafana (2b), Montagne d’Ambre (2c), Marojejy (2d), Tsaratanana (2e), Nosy Boraha (2f; U. sikorae sameiti; nalain’i F. Andreone).

Tandrekitra maro loko. Famaritana: Mirefy 86-123 mm ny HLV (mahatratra 185 mm ny TH). Tsy dia fi saka loatra ny loha. Somary mivelatra kiramborambo amin’ny sisiny. Miovaova be ny loko, fa misy fotsy, volontakatra, sy volondavenona ary maitso tahaka ny hodi-kazo. Manopy mavo na volontakatra ny tapotsimaso. Misy loko matroka eo amin’ny vavan’ireo zana-karazana monina any amin’ny haabo salatsalany, izany amin’ireo karazana mitovy amin’ny U. s. sameiti any amin’ny haabo iva. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando velona, ary miara-monina amin’ny U. fi mbriatus na U. giganteus matetika. Fahita any Montagne d’Ambre ary matetika mavitrika amin’ny alina eny ambony rantsan-kazo, fa mety ho hita koa amin’ny vatan-kazo. Karazana mitovy: Miavaka amin’ny henkeli noho ny loko sy ny habe lehibe kokoa. Jereo ny fanamarihana eo ambanin’ny U. henkeli. Fanamarihana: Vao haingana

no nanasokajiana azy ho karazana manokana. Mbola mila fanitsiana ny fanasokajiana ny fi fangaroana U. sikorae / U. henkeli satria mety misy karazana vaovao tsy mbola voafaritra ao anatin’io.

21

374

Gekkonidae: Gekkonidae: UroplatusUroplatus

2d

2e

2f

Page 123: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

2a

1b

2c

1a

1d

2b

Page 124: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Uroplatus lineatus (DUMÉRIL & BIBRON, 1836)Toerana nahitana azy: Fito, Mangabe, Maroantsetra, Marojejy, Nosy Boraha, Toamasina. Sary avy any: Santionana nompiana (tsy fantatra ny toerana niaviany).

Tahafi saka mavomavo. Famaritana: Mirefy 108-139 mm ny HLV. Fisaka ny loha. Vitsy ny kiramborambo amin’ny sisiny. Misy hoditra mikopaka roa avy ambonin’ny maso. Tsy mivelatra loatra ny rambo raha mitaha amin’ny karazana maro soson’ny fi mbriatus. Manopy mavo volontakatra ny vatana, fa misy tsipika matroka manaraka ny halava ny lamosina sy ny loha. Mety hisy tsipika fotsy eo ambony sy aorian’ny maso. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando velona ny morontsiraka atsinanana amin’ny haabo iva, fa misy azy koa any anaty alam-bolontara. Nanatody tamin’ny tany sy ny tonon’ny volontara ny vavy iray nompiana. Nirefy 90 mm TH-n’ny zanany foy afaka 80-120 andro. Manopy mena volontakatra kokoa ny lokon’izy ireo fa miova manaraka ny lokon’ny lehibe afaka 3-4 volana. Nahatratra 200 mm ny TH-n’ny zanany foy ny janoary tamin’ny jona. Karazana mitovy: Karazana miavaka amin’ny endrika sy ny loko

2. Uroplatus pietschmanni BÖHLE & SCHÖNECKER, 2003

Toerana nahitana azy: Akainkin’i Fierenana. Sary avy any: Santionana nompiana (tsy fantatra ny toerana niaviany).

Tanafi saka matsilotsilo. Famaritana: Mirefy 81 mm ny HLV-n’ny lahy ”santionana nofaritana” (134 mm ny TH). Zara raha mivoatra ny kiramborambo amin’ny sisiny, fa be tsilo ny vatana. Tsy mizara ny kirana an-tendron’ny molotra. Volontakatra ny lamosina, ary mampahatsiahy hodi-kazo ny loko sy ny toetran’ny hoditra. Miavaka ny tapotsimaso satria fotsy vasoka ny tapany ambony ary manopy volontakatra ny tapany ambany. Misy faritra mazava anelanelan’ny tendron’ny fari-bava sy ny maso. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando velona atsinanana amin’ny haabo salatsalany. Ny Gekkonidae dia miaina eny ambony rantsan-kazo lehibe (maherin’ny 80 sm matetika ny savaivony). Mety miavaka amin’ny an’ny Uroplatus hafa ny fi teronteronany: Matetika miolana ny vatana eo amin’ny rantsana kely mirefy 1-2 sm any amin’ny toeram-piompiana, ary miseho tahaka ny tonon-kazo. Nahita atody 4 nirefy 12,7 x 13,1 mm sy 13,5 x 14,1 mm (nilanja 1,19-1,23 g) ihany koa tany amin’ny toeram-piompiana. Foy afaka 88-99 andro (amin’ny hafanana 18-25°C) ny zanany manana TH mirefy 48 sy 55 mm. Karazana mitovy: Bika tena tsy manam-paharoa.

3. Uroplatus alluaudi MOCQUARD, 1894Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre, Besariaka. Sary avy any: Montagne d’Ambre.

Tandrekitra. Famaritana: Mirefy 69-79 mm ny HLV ary 35-36 mm ny rambo. Mety ho karazana Uroplatus farafaharatsiny mampitolagaga raha ny endriky ny vatana. Tsy misy kiramborambo ny sisiny, afa-tsy amin’ny rambo. Tsy mitovy tantana ny kirana amin’ny lamosina, satria misy bontsina anelanelan’ny voa bitika. Volontakatra ny lamosina, miaraka amin’ny volontakatra manopy mavo sy loko matroka. Volontakatra ny tapotsimaso. Fomba fi ainany: Hita foana any amin’ny faritra maina anatin’ny ala mando amin’ny haabo salatsalan’ny Montagne d’Ambre. Hita teny amin’ny hazo lehibe 2-3 m miala amin’ny tany ny santionana roa. Karazana mitovy: Jereo ny U. malahelo sy U. guentheri.

4. Uroplatus malahelo NUSSBAUM & RAXWORTHY, 1994

Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Ambatorongorongo, Analavelona, Imotra, Kalambatritra, Malahelo, Sakaraha. Sary avy any: Analavelona (nalain’i A. Raselimanana).

Tahafi saka malahelo. Famaritana: Mirefy 73-79 mm ny HLV ary 34-40 mm ny rambo. Mitovitovy amin’ny U. alluaudi. Tsy misy kiramborambo ny sisiny, afa-tsy amin’ny rambo. Tsy mizara ny kirana an-tendron’ny molotra. Mitovy tantana ny kirana amin’ny lamosina sy ny kibo. Fomba fi ainany: Nosamborina tamin’ny atoandro tao amin’ny fi sitrihany (ambany hodi-kazo) 1 m eny ambony hazo tany anaty ala mando velona ny iray. Karazana mitovy: U. alluaudi dia manana fi ofoana amin’ny lamosina tsy mitovy tantana. Ny U. guentheri dia manana kirana an-tendron’ny molotra mizara.

5. Uroplatus guentheri MOCQUARD, 1908Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Kirindy, Morondava, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Ankarafantsika.

Tahafi saka mitsipika. Famaritana: Mirefy 72-79 mm ny HLV ary 30-49 mm ny rambo. Tsy misy kiramborambony sisiny, afa-tsy amin’ny rambo. Mizara ny kirana an-tendron’ny molotra. Tsy mitovy tantana ny kirana amin’ny kibo. Manopy volondavenona mankany amin’ny manopy mavo volontakatra ranoray ny lamosina. Misy tsipika manaraka ny hazon-damosina manomboka amin’ny tapany aorian’ny loha ka mifarana amin’ny tendron’ny rambo mazàna. Volontakatra ny tapotsimaso. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny bozaka sy ny kirihitra iva 1,5-3 m miala amin’ny tany any amin’ny ala maina manintsan-dravina. Nahitana santionana iray nanidina, izay tsy fahita fi ry: Niorona ny vatana ary nianjera tamin’ny tany ny santionana voakorontana. Kiboribory ny atody (manodidina ny 7 mm ny savaivo) ary hita tany anaty fakon-dravina. Foy afaka 60 andro ny zanany izay nirefy 45 mm. Karazana mitovy: Jereo ny U. malahelo.

376

Gekkonidae: Gekkonidae: UroplatusUroplatus

43 5

1 2

Page 125: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

3a

4

2b

2a1

3b

5

Page 126: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Uroplatus ebenaui BOETTGER, 1879Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Anjanaharibe Sud, Antsahamanara, Benavony, alan’i Berara, Fierenana, Lokobe, alan’i Manarikoba (Tsaratanana), Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be, Tsararano, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Nosy Be (1a), Manongarivo (1b), Marojejy (1c), Montagne d’Ambre (1d, 1f), Tsaratanana (1e).

Taharaikitra kely. Famaritana: Mirefy 41-66 mm ny HLV ary 56-84 mm ny TH. Manopy mavo volontakatra, volondavenona na volontakatra antitra ny vatana, fa matetika misy tsipika manaraka ny hazon-damosina. Misy hoditra miraviravy ambonin’ny maso; . Tena fohy ny rambo mbola tsy tapaka (latsaky ny 45% ny HLV). Fomba fi ainany: Amin’ny alina mavitrika eny amin’ny ravin-kazo na rantsana 1-2 m miala amin’ny tany. Ny savaivon’ny atody kiboribory roa dia 9-9,5 mm. Foy afaka 60-70 andro ny zanany roa mirefy 28,5 mm ny TH (22 + 6,5) sy 31 mm (23 + 8), ary mirefy 32 mm (25 + 7) ny zanany iray tany Benavony. Karazana mitovy: U. phantasticus izay somary lava kokoa ny rambo. Fanamarihana: Maneho karazana maro sosona maro ny U. ebenaui araka ny voka-pikarohana ara-tsinga sy ny arak’endrika (Nosy Be no nahitana azy voalohany). Tsy mitovy amin’ny tena ebenaui ireo santionana avy any Montagne d’Ambre satria lehibe kokoa sady lava kokoa ny rambo (na izany aza dia tsy misy rambo ny ankabeazan’ireo santionana hita): Nirefy 75-70 mm ny HLV-n’ny lehibe ary 75-100 mm ny TH-n’ny santionana 4 mbola tsy tapa-drambo. 36-43% ny fi zaran’ny HR/HLV an’nyreo santionana efatra ireo, fa 27-31% ny an’nyreo santionana roa tany Nosy Be. Nahitana endrika hafa izay miaina anaty kirihitra manakaiky hazo koa tany an-tendrombohitr’i Marojejy (haabo1600 m) (sary 1c).

2. Uroplatus phantasticus BOULENGER, 1888

Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Analamazoatra, Andasibe, Andevoranto, Andrangoloaka, Ankeniheny, alan’Ankopakopaka, Fierenana, Fito, Ikongo, Ivohibe, Manjakandriana, Mantadia, Ranomafana. Sary avy any: Fierenana (2a), Akainkin’i Fierenana (2b).

Taharaikitra madinika. Famaritana: Mirefy 55-66 mm ny HLV ary 90 mm ny TH. Lehibe kokoa ireo tsilo amin’ny hodimaso ambony ary tahaka ny ravin-kazo ny rambo raha ampitahaina aminy an’ny U. ebenaui. Miovaova ny loko, fa mety misy fi fangaroana maro, manopy mavo, volontakatra na volondavenona. Mivolombolafotsy ny manodidina ny tapotsimaso ary manopy mena volontakatra ny ivony. Fomba fi ainany: Amin’ny alina, mavitrika eny amin’ny ravin-kazo na rantsana 0,5-2 m miala amin’ny tany. Apetrany ao anaty fakon-dravina ny atody mirefy 6-8 mm ny savaivo. Foy afaka 75-100 andro ny zanany nokotrehina tamin’ny hafanana 20-26°C. Mirefy 18-22 mm ny HLV ary 9-12 mm ny rambon’ny zanany. Afaka manatody hatramin’ny in-6 ny vavy ao anatin’ny taona iray (atody roa isaky ny mandatsaka). Karazana mitovy: U. ebenaui sy U. malama. Fanamarihana: Na dia tsy miovaova tahaka ny U. ebenaui aza ny U. phantasticus dia ahiana ny fi sian’ny karazana maromifangaro ao aminy. Nahitana endrika roa hafa (sary 2b sy 2c) izay samy lehibe kokoa (sary 2c) tany Fierenana, fa mbola mampiahiahy ny fahamarinan’ireo fahasamihafana ireo.

3. Uroplatus malama NUSBBAUM & RAXWORTHY, 1995

Toerana nahitana azy: Ampamakiesiny Pass, Tangoron-tendrombohitr’Anosy, Ivohibe, Kalambatritra. Tsy misy sary.

Taharaikitra malama. Famaritana: Mirefy 71 mm ny HLV-n’ny lahy ”santionana nofaritana” ary 114 mm ny TH. Tsy misy kiramborambo ny sisiny. Tsy misy tsilo na sanga ny loha, ny hatoka, ny vatana, ny rantsam-batana ary ny foto-drambo. Mivelatra ny rambo, ary tahaka ny nifi tsofa, mifarana amin’ny tendro miavaka. Tsy misy nifi tsofa loatra ny rambon’ny vavy. Manopy volontakatra ny lamosina, fa misy tsipika ety volontakatra antitra amin’ny afovoan’ny lamosina manomboka ao aorian’ny loha ka mifarana amin’ny tendron’ny rambo. Misy tsipika marani-doha manify sy matroka mitodika any aoriana manaraka ny lamosina. Misy tsipika ety sy matroka misompirana manomboka eo amin’ny maso hatrany amin’ny farany aloha ny tsipika manaraka ny afovoan’ny lamosina. Fomba fi ainany: Nalaina tany anaty ala velona, ala mando misolampy tsy simba manana haabo 750 m ny santionana nofaritana. Nosamborina teny amin’ny rantsan-kazo 2m miala amin’ny tany tamin’ny 8: ora sasany alina. Karazana mitovy: U. ebenaui sy U. phantasticus dia samy manana tsilo amin’ny loha sy ny vatana.

378

Gekkonidae: Gekkonidae: UroplatusUroplatus

21 3

1a

Page 127: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1e

2a

1d

1c1b

1f

2b

Page 128: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: LygodactylusLygodactylus

Taranaka Lygodactylus GRAY, 1864Manana karazana maro manerana an’i Afrika sy Madagasikara ity taranaka ity, fa vitsy kosa ny any Amerika Atsimo. Katsatsaka kely mivoaka alina ny Lygodactylus, boribory ny tapotsimaso ary mizarazara ny takelaka manify miraikitra. Manopy volontakatra matroka ny vatana, mazàna, loko mahazatra io nefa misy karazana maro loko ao Afrika ary manintona kokoa ny avy eto Madagasikara. Miisa 21 ny karazana Lygodactylus fantatra eto Madagasikara ankehitriny. Nampidirina eto ny karazana iray tsy mbola voafaritra, ary misy roa hafa koa (mitovitovy amin’ny L. madagascariensis sy L. pictus) izay manana fahasamihafana ara-tarazo lehibe natao tamin’ny biby iray fotsiny. Efa nanenika ny mety ho karazana toeram-ponenana rehetra misy eto Madagasikara izy: Misy ireo karazana monina eny amin’ny vatan-kazo any anaty ala mando sy maina, na alan-tsilo any atsimo andrefana. Maro ireo karazana monina anaty vato any afovoantany. Tena sarotra ny manavaka ireo karazana Lygodactylus ireo raha tombanana ivelany fotsiny. Fa ny fahafantarana ny fi paritahany sy ny toeram-ponenany no manampy betsaka amin’ny famantarana azy vonjimaika. Ao anatin’ny zana-taranaka Domerguella matetika ireo karazana any amin’ny ala mando, ary iray na roa ihany ireo karazana an-tendrombohitra ato anatin’ity taranaka ity. Mba hahazoana fanamarinana mari-pototra, dia ilaina ny fanakambanana toetra maro tahaka ny hadiry na ny fi bontsin’ny kirana amin’ny lamosina, ny fi sian’ny hoho amin’ny ankihiben-tanana, ny isan’ny lavaka alohan’ny lava-bodin’ny lahy ary ny fi sian’ny kirana lehibe mifehy ny rambo (izay antsoina hoe “fehin-drambo”). Zava-dehibe ny endriky ny kiran’ny saoka: mety tsy mizara izy na mizara ny antsasany, ary mety hisy kirana aorian’ny kiran’ny saoka miisa roa na telo. Mazava fa antoko tokan-dratsana ny Lygodactylus Malagasy izay vao namaritana ny zana-taranaka Domerguella miavaka noho kiran’ny saoka tsy mizara sy ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka miisa roa ary ny tsy fi sian’ny hoho amin’ny ankihiben-tanana. Tsy mazava loatra ny fanasokajiana hafa, fa ampiasainay eto ny fanasokajiana ofi sialy. Misy karazana iray izay mazava fa mifandray akaiky amin’ny Lygodactylus antsoina hoe Microscalabotes bivittis. Ity karazana ity (tsy mizara ny takelaka manify miraikitra) dia mety ho avy tamin’ny vonan’ny fi sandrahan-taranaka niaraka tamin’ny Lygodactylus, mbola nosokajianay ho karazana hafa ihany aloha izy hatramin’izao.

1. Lygodactylus mirabilis (PASTEUR, 1962)Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Ankaratra haabo mihoatra ny 2000 m. Sary avy any: Ankaratra.

Antsiantsin’Ankaratra. Famaritana: Mahatratra 29 mm ny HLV ary 23 mm ny rambo. Mondro tanteraka ny ankihiben-tanana. Mankadiry ny kirana amin’ny lamosina. Mizara ny ampahany ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka (mahalana 2 na 4). Misy lavaka 7 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo. Volontakatra ny lamosina, fa misy sarisary matroka sy tsipika na pentina mazava manaraka ny halava. Fomba fi ainany: Any an-tendrombohitr’Ankaratra ihany no misy azy. Mandritra ny fotoana hibaliahan’ny masoandro amin’ny toerana be zavona sy manoran-dava, dia mavitrika eny ambony vato any anaty bozaka sy zava-maniry izy. Hita tamin’ny tany ny atody 2 izay nisara-toerana, matetika any ambany vato. Samy misy fotoam-pananahana na amin’ny main-tany na fahavaratra.

2. Lygodactylus intermedius PASTEUR, 1995Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Andringitra. Sary avy any: Andringitra.

Antsiantsin’Andringitra. Famaritana: Mirefy 21-31 mm ny HLV ary 21-36 mm ny rambo. Ankihiben-tanana tsy misy hoho no sisa tavela. Mankadiry ny kirana amin’ny lamosina. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka (mahalana ny 2). Misy lavaka 7 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo. Mitovy amin’ny L. mirabilis ny loko, fa matroka be ny santionana sasany. Fomba fi ainany: Any an-tendrombohitr’Andringitra. Mitovy ny an’ny L. mirabilis ny fomba fi ainany.

3. Lygodactylus montanus PASTEUR, 1964Toerana nahitana azy: Andohahela, Ivohibe, Tangorotendrombohitr’Anosy. Sary avy any: Andohahela.

Antsiantsin-tendrombohitra. Famaritana: Mirefy 27-38 mm ny HLV. Ankihiben-tanana tsy misy hoho no sisa tavela. Somary mankadiry ny kirana amin’ny lamosina. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka mazàna, fa 3 indraindray. Misy lavaka 8-11 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo. Mitovy amin’ny L. mirabilis ny loko. Fomba fi ainany: Hita any ambany vato any an-tendrombohitra, any amin’ny toerana talaky masoandro misolampy akaikin’ny ala mando.

4. Lygodactylus blanci PASTEUR, 1967 Toerana nahitana azy: Ibity. Tsy misy sary.

Antsiantsy mitsoriadriaka. Famaritana: Mirefy 23-39 mm ny HLV. Misy ankihiben-tànana misy hoho. Somary mankadiry ny kirana amin’ny lamosina. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka mazàna, fa 2 indraindray. Misy lavaka 10-12 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo. Misy sary maso na mitsoriadriaka ny lamosina. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

380

21

43

2

3

Page 129: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

1b

1d

3a

1c

2

3b

Page 130: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: LygodactylusLygodactylus

1. Lygodactylus pictus (PETERS, 1883)Toerana nahitana azy: Ambalamarovandana, Ambositra, Antsirabe, Fianarantsoa, Fivahona, Ivohibe, Sendrisoa, Tolongoina, Vinanitelo, Vohiparara. Sary avy any: Akainkin’i Sendrisoa (1a, 1b), Ambositra (1c, atody).

Antsiantsy mavokibo. Famaritana: Iray amin’ny Lygodactylus Malagasy lehibe indrindra. Mahatratra 38 mm ny HLV. Misy hoho ny Ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka (mahalana ny 3). Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 6-8 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Misy fehy miloko 7-11 ny rambo fa tsy mitovy amin’ny fehin-drambo. Manopy volondavenona ny lamosina, fa misy kisarisary pentina madinika sy marika manopy mainty. Mavo ny kibo, ary mazàna mipentina mainty ny tenda. Fomba fi ainany: Fahita any amin’ny toerana avo afovoantany, ary monina eny amin’ny hazo sy ny rindrina ary zaridaina ao andrenivohitr’Antsirabe sy Ambositra. Hita any amin’ny ala simba sy taretra ary amin’ny vatan-kininina lehibe ihany koa any amin’ny toeran-kafa. Nahitana atody nipetraka tsirairay tamin’ny tany fa tsy niraikitra amin’ny zavatra tany anaty zaridaina tany Ambositra.

2. Lygodactylus tuberosus MERTENS, 1965Toerana nahitana azy: Amboasary Atsimo, Ambovombe, Ampanihy, Andrahomana, Aniriky, Ankazomanga, Belalanda, Beraketa, Egogy, Ianzamaly, Ifaty, Ihotry, Malahelo, Marolinta, Morombe, Onilahy, Petriky, Sakaraha, Saraondry, Toliara, Vohitomotsy, Zampongotra. Sary avy any: Berenty (2a), Ifaty (2b, famaritana vonjimaika).

Antsiantsin’ny atsimo andrefana. Famaritana: Kely kokoa noho i L. pictus izy mazàna, fa nahatratra 38 mm ny HLV-n’ny santionana iray. Misy hoho ny Ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka (mazàna 3). Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Tsy misy fehin-drambo. Manopy volondavenona ny lamosina, fa matetika misy kisarisari-marika matroka madinika mifanandrify, ary misy roa amin’ireo manodidina ny hatoka. Manopy fotsy ny kibo, ary tsy misy pentina ny tenda. Fomba fi ainany: Hita eny amin’ny hazo, mahalana ny amin’ny rindrina any amin’ny tany karankaina atsimo-atsinan an’i Madagasikara. Karazana mitovy: L. pictus izay miavaka noho ny fahasamihafan’ny loko sy ny habe.

3. Lygodactylus sp. “Manantantely” Toerana nahitana azy: Manantantely. Sary avy any: Manantantely.

Famaritana: Mirefy 34 mm ny HLV-n’ny santionana lahy tokana. Tsy misy hoho ny ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 6 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo. Volontakatra tanora sady misy sary mitsoriadriaka ny lamosina. Misy sary maso lehibe aorian’ny foto-tanana tsirairay, mainty misy pentina fotsy kely ny ao an-damosina. Manopy fotsy ny kibo, fa mavo ny tenda sy ny fanambanin’ny rambo. Misy sarisary tsipika mainty ny tenda. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando izy. Fanamarihana: Miavaka amin’ny L. pictus sy L. tuberosus ny loko sy ny fi rafi try ny kirana, satria izy irery ihany no manana kirana aorian’ny kiran’ny saoka 2.

4. Lygodactylus ornatus PASTEUR, 1964Toerana nahitana azy: Mandritsara. Tsy misy sary.

Antsiantsy tsipikamaitso. Famaritana: Mirefy 26 mm ny HLV-n’ny santionana lahy tokana fantatra. Misy hoho ny ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka miisa 11 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo, fa misy sary toa peratra miloko. Volontakatra ny lamosina, fa misy tsipika manopy maitso. Misy tsipika 7 matroka mitsivalana toa onja ny tenda. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

5. Lygodactylus pauliani PASTEUR & BLANC, 1991

Toerana nahitana azy: Ambatomenaloha, Itremo. Tsy misy sary.

Antsiantsin’Itremo. Famaritana: Mirefy 36 mm ny HLV. Misy hoho ny ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Tsy fantatra ny isan’ny lavaka alohan’ny lava-bodiny (vavy ihany no fantatra). Tsy misy fehin-drambo, fa misy sary toa peratra miloko. Volondavenona ny lamosina, fa misy pentina boribory volondavenona tanora. Misy tsipika mainty mitsoriadriaka tsy mirindra ny tenda. Fomba fi ainany: Hita amin’ny karazana toeram-ponenana ao an-tendrombohitr’Itremo, ambany vato any amin’ny bozaka fasehana, any amin’ny toerana vatoana, eny fa na dia ny ala mando koa aza.

382

21

43 5

Page 131: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

3a

1a

1c

2b

3b

Page 132: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: LygodactylusLygodactylus

1. Lygodactylus heterurus BOETTGER, 1913

Toerana nahitana azy: Ankarana, Lokobe, Montagne des Français?, Nosy Be. Sary avy any: Ankarana.

Antsiantsy fotsikibo. Famaritana: Manodidina ny 25 mm ny HLV. Misy hoho ny Ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy fehin-drambo miavaka. Manopy volondavenona ny lamosina, fa misy pentina lehibe fotsy sy tsipika mainty manomboka amin’ny maso sy manaraka ny tehezana izay lasa marika mifanesisesy. Fotsy ny kibo, misy tsipika 5 mainty manaraka ny halava eo amin’ny tenda. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

2. Lygodactylus (heterurus) trilineigularis RÖSLER, 1998

Toerana nahitana azy: Ampahana, Sambava, Montagne des Français?. Sary avy any: Sambava.

Antsiantsy tavaratra. Famaritana: Mirefy 25 mm ny HLV. Misy hoho ny ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 9-11 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Misy fehin-drambo miavaka. Manopy volondavenona ny lamosina, fa misy pentina manopy fotsy lehibe mifanarakaraka. Fotsy mipentina mainty ny kibo, fa misy tsipika matroka manaraka ny halava ary telo amin’ny tenda. Fomba fi ainany: Nahitana karazana iray nivoaka atoandro teny amin’ny hazo amoron-dranomasina tany Sambava. Santionana maro no hita teo amin’ny hazo iray kanefa tsy nahitana ny hazo hafa nanodidina azy. Fanamarihana: Nofaritana ho zana-taranaka i L. heterurus tany teo aloha. Mbola eritreretinay ho zana-karazana ihany izy eto noho ireo fahasamihafan’ny loko hita taminy, fa ilaina ny fanitsiana ny fanasokajiana azy mba hahafahana manasaraka azy ho karazana samihafa raha ilaina. Mampisalasala ny famaritana an’ireo andiany sasany ho heterurus na trilineigularis (oh: any amin’ny Montagne des Français).

3. Lygodactylus klemmeri PASTEUR, 1964Toerana nahitana azy: Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Tsingin’i Bemaraha.

Antsiantsin’i Bemaraha. Famaritana: Mirefy 24-25 mm ny HLV. Misy hoho ny Ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telony kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kiran-damosina. Misy lavaka 9 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Misy fehin-drambo miavaka. Manopy volondavenona ny lamosina, fa misy pentina lehibe manopy fotsy mifanesisesy. Fotsy ny kibo, mavo ny tenda indraindray ary misy tsipika mainty miisa 8 mitsivalana. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny ala mainan’ny Tsingin’i Bemaraha. Fanamarihana: Tsy mbola mazava tsara ny momba ny L. praecox Pasteur, 1995 satria toerana mitovy no nahitana azy sy i L. klemmeri izay famaritana nifototra tamin’ny zanany roa. Mitovy tanteraka aminy an’ny santionana nolazaina fa L. klemmeri ny fi rafi try ny tendan’ireo santionana azo, ary mitovy amin’ny sarisarin’ny kiran’ny santionana namaritana an’ny L. klemmeri ny azy (jereo Puente sy al. 2005b). Eritreretinay ho anarana mitovy dika amin’ny L. klemmeri ny L. praecox hatreto. Mbola ho avy tsy ho ela ny fanazavana amin’ny antsipiriany rehefa vita ny fanitsiana atao amin’ny taranaka Lygodactylus iray manontolo.

384

21 3

3c

Page 133: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

2a

3a

1a

3d

2b

3b

Page 134: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: LygodactylusLygodactylus

1. Lygodactylus tolampyae (GRANDIDIER, 1872)Toerana nahitana azy: Ampijoroa, Ankarafantsika, Antsingy, Bekopaka, Belo-sur-Tsiribihina, alan’i Berara, Itremo, Malahelo, Mandena, Petriky, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Berara (1a), Ankarafantsika (1b).

Antsiantsy tandrefana. Famaritana: Mirefy 21-35 mm. ny HLV. Misy hoho ny Ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka ary mifandray amin’ny kirana amin’ny valanorano aimin’ny tapany aoriana (mazàna tsy misy na zara raha mifandray ny an’ny ankamaroan’ny Lygodactylus hafa). Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka mazàna (2 indraindray). Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 7 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo. Miovaova ny lokon-damosina, fa indraindray misy tsipika volontakatra tanora ny sisin-damosina (sary. 1a), na manopy volondavenona, fa misy marika matroka vitsivitsy (sary. 1b). Mazava ny kibo amin’ny ankapobeny sady tsy misy sarisary miavaka. Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala maina andrefan’i Madagasikara. Mavitrika amin’ny atoandro eny amin’ny vatan-kazo, ary matory eny amin’ny tendron’ny rantsana kely amin’ny alina. Mety ho fahita matetika any amin’ny faritra samy hafa tahaka ny Ankarafantsika.

2. Lygodactylus decaryi ANGEL, 1930Toerana nahitana azy: Angavo, Behara. Tsy misy sary.

Antsiantsin’ny atsimo andrefana. Famaritana: Mirefy 23-27 mm ny HLV. Misy hoho ny Ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 15 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Misy fehin-drambo. Manopy volontakatra ny lamosina, fa tsy misy sarisary miavaka, ary mazava ny kibo, fa misy pentina fotsy ny tenda indraindray. Fomba fi ainany: Tena tsy fantatra mihitsy. Hita tao ambany hodi-kazo sy teny ambony vato tany amin’ny faritra maina atsimo-andrefan’i Madagasikara.

3. Lygodactylus verticillatus MOCQUARD, 1895Toerana nahitana azy: Ampanihy, Ifaty, Ihotry, Morombe, Toliara, Zampongotra. Sary avy any: Atsimo andrefan’i Madagasikara.

Antsiantsin-tsilo. Famaritana: Karazana Lygodactylus madinika, mirefy 15-27 mm ny HLV, fa nisy santionana nahatratra 35 mm. Misy hoho ny Ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka mazàna. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 9 (6-10) alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Misy fehin-drambo miavaka tsara. Miovaova ny lokon’ny lamosina, manopy volondavenona matetika, fa misy faritra mainty voahodidina fotsy eo amboniny amin’ny ilan’ny hatoka, ary kisarintsarina “V” amin’ny ambonin’ny tapany aoriana. Mazava loko ny kibo, fa misy pentina mainty ny tenda mazàna. Fomba fi ainany: Fahita any amin’ny ala maina sy alan-tsilo any atsimo-andrefan’i Madagasikara. Monina eny ambony hazo mazàna, fa mety ho hita eny amin’ny fefy sy rindrin’ny tranon’olona ihany koa. Hita tany amin’ny farihin’Ihotry koa izy, ka mandavan-taona ny fananahany fa mahalana fotsiny amin’ny main-tany. Matetika 2 ny atody fa indraindray tadiavina no iray.

4. Lygodactylus arnoulti PASTEUR, 1964Toerana nahitana azy: Ambatomenaloha, Col des Tapias, Ibity, Itremo. Sary avy any: Ibity.

Antsiantsin’Ibity. Famaritana: Mirefy 22-37 mm ny HLV. Misy hoho ny ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telony kirana aorian’ny kiran’ny saoka.

Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 9-11 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Misy fehin-drambo miavaka tsara. Manopy volondavenona ny lamosina, fa misy marika mitsivalana sy pentina mainty madinika tsy mirindra, indraindray misy faritra tsipika mainty manaraka ny halava. Mavo ny kibo (indrindra amin’ny lahy). Fomba fi ainany: Fahita any amin’ny vato mitsangan-tsangana any an-tendrombohitr’Ibity, ka monina mihoatra ny 2000 m. Miaina any ambany vato na mivoaka eny ambony vato izy. Nahitana atody maro mifampiraikitra sy niraikitra tao ambany vato, izay tena mety an’ity karazana ity (miara-monina amin’ny L. blanci izay tsy fahita fi ry ary tsy mbola nisy hafa hita taorian’ny namaritana azy).

5. Lygodactylus blancae PASTEUR, 1995Toerana nahitana azy: Ampefy (Farihy Itasy). Sary avy any: Ampefy.

Antsiantsin’Ampefy. Famaritana: Mirefy 24-35 mm ny HLV. Misy hoho ny ankihiben-tanana. Mizara ny ampahan’ny kiran’ny saoka. Telo ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka mazàna. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 9-11 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Misy fehin-drambo miavaka tsara. Manopy volondavenona ny lamosina, fa misy sarisary matroka samihafa. Mavo sy mipentina mainty ny kibo matetika. Fomba fi ainany: Ao amin’ny tany nahitana azy voalohany ihany no ahafantarana azy, fahita eny ambony kininina lehibe vitsivitsy manodidina ny tanàna izy. Ny toeram-ponenany any amin’ny toerana tsy misy ala manodidina ny farihin’Itasy dia tsy mbola fantatra.

386

21

43 5

4 5

Page 135: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

4a

5a

1a

3

4b

5b

Page 136: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Gekkonidae: Gekkonidae: LygodactylusLygodactylus

1. Lygodactylus guibei PASTEUR, 1964Toerana nahitana azy: Ambohitantely, Andasibe, Moramanga, Vohidrazana. Sary avy any: Andasibe.

Antsiantsy misibontsina. Famaritana: Mirefy 29-38 mm ny HLV. Tsy misy hoho ny ankihiben-tanana. Tsy mizara ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka mazàna (mahalana ny 3). Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Misy lavaka 6-7 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo, fa misy bontsina roa lehibe amin’ny ilan’ny foto-drambo, ary misy bontsina 1-2 mifanarakaraka ny sisin-damosina. Manopy volontakatra ny lamosina, ary misy marika mifanandrify tsy miavaka. Mety ho mavo ny kibo. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny ala mando afovoany atsinanan’i Madagasikara. Mavitrika eny amin’ny vatan-kazo amin’ny atoandro. Karazana mitovy: Miavaka amin’ny L. miops noho ireo kirana aorian’ny kiran’ny saoka 4 mazàna sy ireo bontsina miavaka amin’ny tehezana.

2. Lygodactylus expectatus PASTEUR & BLANC, 1967Toerana nahitana azy: Ankarana. Sary avy any: Ankarana.

Antsiantsy miavaka. Famaritana: Mirefy 20-30 mm ny HLV. Tsy misy hoho ny ankihiben-tanana. Tsy mizara ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana, indrindra ireo amin’ny sisin-damosina izay lehibe sy mifanaraka amin’ny tehezana ary miavaka indrindra ny amin’ny lamosina raha ampitahaina aminy an’ny Lygodactylus hafa. Misy lavaka 6-7 alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy miavaka ny fehin-drambo, sady tsy misy bontsina ny sisin-damosina. Miovaova ny lokon’ny lamosina, fa misy faritra mainty miavaka tsara ny hatoka mazàna. Mazava loko ny kibo. Toepiainana: Monina amin’ny toerana vatoana alokalofan’ny zava-maniry sy ambony hazo manodidina ny vato sokay.

3. Lygodactylus madagascariensis (BOETTGER, 1881)

Toerana nahitana azy: Andampy (Tsaratanana), Lokobe, Manongarivo. Zana-karazana petteri: Mararaomby, Montagne d’Ambre. Sary avy any: Manongarivo.

Antsiantsy. Famaritana: Mirefy 27-37 mm ny HLV. Tsy misy hoho ny ankihiben-tanana. Tsy mizara ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Fito ny lavaka alohan’ny lava-bodin’ny lahy mazàna. Tsy misy fehin-drambo, sady tsy misy bontsina ny sisin-damosina. Miovaova be ny lokon’ny lamosina, fa volontakatra manopy volondavenona mazàna sady misy sary pentina mazava loko sy marika mainty, miampy tsipika amin’ny sisin-damosina. Mazava loko ny kibo, fa misy pentina mainty ny saoka indraindray. Fomba fi ainany: Eny ambony hazon’ny ala mando. Fanamarihana: Nofaritana tao Montagne d’Ambre, ny zana-karazana L. madagascariensis petteri, ary voporofo fa mitovy tarazo aminy ny santionana avy ao. Ilaina ny fanavaozana ny fanasokajiana azy, sao dia tokony ho karazana mitokana izy.

4. Lygodactylus miops GÜNTHER, 1891Toerana nahitana azy: Anandrivola, Andohahela, Besariaka, Ifanadiana, Ivohibe, Karianga, Kianjavato, Mahakajy, Malahelo, Mananara, Manantantely, Maroantsetra, Marojejy, Masoala, Midongy Atsimo, Moramanga, Nahampoana, Ranomafana, Sahembendrana, Sainte Luce, Toamasina, Tolagnaro, Tolongoina. Sary avy any: Nahampoana.

Antsiantsy miova loko. Famaritana: Mirefy 21-33 mm ny HLV. Tsy misy hoho ny ankihiben-tanana. Tsy mizara ny kiran’ny saoka (mahalana ny 3). Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka mazàna. Marokoroko ny kirana amin’ny

lamosina. 5-7 ny lavaka alohan’ny lava-bodin’ny lahy mazàna. Misy sary ny fehin-drambo. Misy bontsina ny sisin-damosina. Miovaova ny lokon’ny lamosina, fa volontakatra manopy volondavenona matetika sady misy sary pentina lehibe mazava loko. Mazava loko ny kibo. Fomba fi ainany: Any amin’ny ala mando, mivoaka eny amin’ny vatan-kazo na vato mandritra ny andro fa matory ambony ravin-kazo kosa amin’ny alina.

5. Lygodactylus rarus PASTEUR & BLANC, 1973Toerana nahitana azy: Ankarana, Tsaratanana. Sary avy any: Ankarana.

Antsiantsy mazava kibo. Famaritana: Mirefy 32-37 mm ny HLV. Tsy misy hoho ny ankihiben-tanana. Mizara ny kiran’ny saoka. Roa ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. Fito ny lavaka alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehin-drambo sady tsy misy bontsina ny sisin-damosina. Manopy volondavenona ny lamosina, fa misy sarisary tsy miavaka sy tsipika mifanapaka matroka ny rambo. Mazava loko ny kibo. Fomba fi ainany: Mivoaka atoandro eny ambony vato sokay sy zava-maniry madinika.

Taranaka Microscalabotes BOULENGER, 1883Tena mitovy amin’ny Lygodactylus ny santionana tokana amin’ity taranaka ity afa-tsy ny takelaka manify miraikitra mizara Mety mifandray ara-pirazanana amin’ny Lygodactylus izy raha ny vokatra ara-molekiola no jerena, dia tokony ho ao anatin’io taranaka io izy noho izany, nefa mbola ilana fandal-inana lalina kokoa.

6. Microscalabotes bivittis (PETERS, 1883)Toerana nahitana azy: Andasibe, Marojejy. Sary avy any: Andasibe.

Antsiantsy mitsipitsipika. Famaritana: Mirefy 28-38 mm halavany. Misy hoho ny ankihiben-tanana. Tsy mizara ny kirana amin’ny saoka. 2-3 ny kirana aorian’ny kiran’ny saoka. Marokoroko ny kirana amin’ny lamosina. 8-9 ny lavaka alohan’ny lava-bodin’ny lahy. Tsy misy fehindrambo sady tsy misy bontsina ny sisin-damosina. Tena miovaova loko fa misy soritsori-tsipika miavaka. Fomba fi ainana: Mavitrika mandritra ny andro eny ambony hazo any anaty ala mando. Hazo iray afaka mampiantrano andiany iray lehibe misy santionana folo kanefa ny hazo manodidina dia tsy misy andiany noho izany mitsitokotoko ny fi paritahany.

388

54 6

21 3

Page 137: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

21

43

6a5

6c6b

Page 138: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Phelsuma GRAY, 1825Manana habe salasala ka hatramin’ny lehibe, mpihanika hazo no mivoaka mandritra ny andro ary boribory anakandriamaso ny Phelsuma Malagasy. Misy lavadavaka miavaka sy mifanarakaraka tsara amin’ny fen’ny lahy alohan’ny lava-body, fa tsy misy na tsy hita tsara ny amin’ny vavy. Lehibe lavitra noho ny vavy ny lahy mazàna. Mazava loko ny ankabeazan’ireo karazana. Miavaka tsara ny lahy sy ny vavy, fa mahalana kosa ny fahitana lahy marevaka noho ny vavy (oh: P. modesta sy ny sasany amin’ireo karazana tsy Malagasy). Mety manana ny loko mampiavaka azy koa ny zanany. Betsaka amin’ireo karazana avy any amin’ny faritra mando no miloko maitso madera, sady misy marika sy pentina manopy mena matetika. Somary manopy volondavenona ireo karazana avy any amin’ny faritra maina. Mety afaka miova loko haingana ny tsirairay rehefa voakorontana, ka lasa matroka kokoa mazàna. Tahaka ny ankabeazan’ny Gekkonidae, dia roa isaky ny manatody ihany koa ny Phelsuma, ka mifampiraikitra ireo atody ireo matetika. Mizara ho antoko roa miavaka ny Phelsuma raha jerena araka ny fanatodizany. Ao ireo mandraikitra ny atody amin’ny zavatra. Misy koa ireo tsy manao izany, fa apetraky ny vavy aorian’ny fe aloha ny atody mandrapahamafi ny. Afaka 18-30 andro aorian’ny fi raisana ny fanatodizana. Miankina amin’ny hafanan’ny fi kotrehana ny atody ny maha lahy na maha vavy ny Phelsuma. Tsy hita afa-tsy aty Madagasikara ny ankamaroan’ny karazana sy zana-karazana Phelsuma, fa hita any amin’ireo Nosy manodidina ny Ranomasimbe Indiana ihany koa ny fi sandrahana (indrindra fa any Seychelles, Kaomaoro ary ny Nosy Masc-arene). Tena kely ny fi avahan’ny Phelsuma amin’ny alalan’ny kirana, ka ny loko no mora anavahana ny ankamaroan’izy ireo noho izany. Maro amin’ireo karazana no nozaraina ho zana-karazana, nefa tsy ampy ny fandinihana ara-tarazo manamarina izany amin’ny karazana Malagasy. Ho famaranana, dia marihinay fa ilaina ny fanitsiana ny fanomezana anarana ireo endrika samihafa be dia be ireo. Manantena izahay, fa ho lasa karazana mitokana ny sasany amin’ireo zana-karazana maro be ireo, ka tsy hanankery intsony kosa ny sasany, ary ho lasa karazana vaovao ireo andiany mitsitokotoko amin’ny toerana samihafa.

1. Phelsuma madagascariensis GRAY, 1831Toerana nahitana azy: Ambalabongo, Ambanja, Ambato Boeny, Ambilobe, Ambohitsara, Amborovy, Ampahana, Amparimkimbo, Ampijoroa, Andafi abe, Andasibe, Andoany, Anivorano Avaratra, Anjahambe, Ankarafantsika, Ankorikakely, Antalaha, Antsalova, Antsiranana, Antsohihy, Bekopaka, Bemanevika, Benavony, alan’i Berara, Cap Est, Fenoarivo, Kandani, Kianjavato, Lokobe, Maevatanana, Mahajanga, Mananjary, Manombo, Manongarivo, Maroantsetra, Marojejy, Maromandia, Marotolana, Masoarivo, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosiarina, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Komba, Nosy Sakatia, Nosy Tanikely, Ramena, Sahafary, Sambava, Tambohorano, Tampina, Tampolo, Toamasina, Tolagnaro, Tsaramandroso. Sary avy any: Manombo (1a; P. m. madagascariensis?), Sambava (1b; P. m. grandis), Montagne des Français (1c, d; ; P. m. grandis), Andasibe (1e; ; P. m. boehmei), Ankarafantsika (1f; ; P. m. kochi).

Fingoko. Famaritana: Analanelan’ny 220-280 mm ny HLV, fa mahalana ny mahatratra 300 mm (P. m. grandis) na 305 mm (P. m. kochi). Maitso ny lamosina, fa misy pentina mena tsy mitovy habe sy isa, ary mahalana tsy misy pentina manopy mena. Hita foana ny tsipika manopy mena eo anelanelan’ny orona sy ny maso. Fomba fi ainany: Mieli-patrana any amorontsiraka atsinanana sy avaratra ary andrefana. Monina any amin’ny ala mando sy ny ala maina manintsan-dravina ary ny toeram-ponenana, tahaka ny sahan’akondro sy ny rofi a ary ny trano. Mety mihetraketraka amin’ny vavy ny lahy rehefa ompiana. Tsy miraikitra ny

atody. Foy afaka 60-66 andro ny zanany manana TH mirefy 55-60 mm, rehefa nokotrehina tamin’ny maripana tsy miova 25-26°C ny atody (65-70 mm ny an’ny P. m. grandis). Mety mahatratra 20 taona izy rehefa ompiana. Karazana mitovy: P. standingi izay manopy volondavenona, fa tsy misy tsipika manopy mena anelanelan’ny orona sy maso. Fiovaovana: Manana zana-karazana efatra miavaka tsara: Mitohy any amin’ny hatoka ny tsipika manopy mena anelanelan’ny orona sy ny mason’i P. m. madagascariensis (morontsiraka atsinanana) sy P. m. boehmei (manodidina an’Andasibe), tsy misy loko matroka manelanelana ny kirana amin’ny lamosin’ny P. m. madagascariensis mazàna, fa misy kosa ny P. m. boehmei. Tsy mitohy any amin’ny hatoka ny tsipika manopy mena anelanelan’ny orona sy ny mason’i P. m. grandis (avaratra) ary P. m. kochi (avaratra andrefana ary andrefana). Mazana lehibe i P. m. grandis (mahatratra 280 mm tsy miova mitaha amin’ny mazàna 250 mm ny TH) sady miloko maitso mazava kokoa noho i P. m. kochi. Hita ho misy karazana anelanelan’ireo roa ireo any avaratra andrefana. Miavaka tanteraka ny zanaky nyreo zana-karazana roa ireo. Fanamariahana: Nampahafantatra ny voka-pikarohana azo tamin’ny tohivakan’ny ADN mitokondrialy fa manana tarazo miavaka ireo mponin’ny P. madagascariensis any amin’ny toerana samy hafa, nefa toa tsy mifandraika loatra amin’ny fi zarana azy ho zana-taranaka izany. Ilaina ny fanitsiana faobe noho izany.

2. Phelsuma standingi METHUEN & HEWITT, 1913Toerana nahitana azy: Fiherenana, Ifaty, Maroamalona, Ranohira, Sakaraha, Toliara, alan’i Zombitse. Sary avy any: Santionana voasambotra (tsy voafaritra ny fi aviany).

Atsatsabe. Famaritana: Mitovy ny haben’ny lahy sy vavy, mirefy 210-254 mm ny HLV ary sambany ny 279 mm. Volondavenona na maitso manopy manga ny lamosin’ny lehibe, fa misy ravaka matroka, kely sisa dia ho maitso tanteraka ny loha, ary manopy manga ny rambo. Maitso manopy mavo ny lohan’ny zanany; volontakatra ny hatoka sy ny lamosina, fa misy tsipika mitsivalana mazava loko mifanarakaraka izay lasa manopy manga ny rambo. Fomba fi ainany: Miharihary ny tsy fahitana azy afa-tsy any amin’ny faritra kely any amin’ny tany karankaina atsimo andrefana. Santionana tokana na tsiroaroa no mazàna hita eny amin’ny hazo lehibe any amin’ny ala maina sy kirihitrala, mahalana ny fi siany eny an-tanàna. Tsy tena mahery setra amin’ny namany izy rehefa ompiana, fa mamono sy mihinana ireo karazana hafa. Tsy miraikitra ny atody. Mety mahatratra 12 ny atodin’ny vavy iray ao anatin’ny fotoana fanatodizany. Foy afaka 65 andro ny zanany rehefa nokotrehina tamin’ny maripana 25°C ny atody (afaka 57-70 andro raha 28°C). Velona 22 taona ny iray, ka nitontaly 138 ny atody. Karazana mitovy: Jereo P. madagascariensis. Fanamarihana: Tsy mifandray akaiky amin’ny P. madagascariensis izy na dia lehibe tahaka azy aza io karazana io.

390

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

1 2

Page 139: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1d

1f

1c

1b1a

1e

2

Page 140: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Phelsuma abbotti STEJNEGER, 1893Toerana nahitana azy: Ambilobe, Andafi abe, Andavakoera, Antsalova, Antsiranana, Antsohimbondrona, Befotaka, alan’i Berara, Lokobe, Mahajanga, Montagne des Français, Nosiarina, Nosy Be, Nosy Mamoko, Nosy Mitsio, Nosy Sakatia, Nosy Tanikely, Sambava, Soalala, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Nosy Be (1a), Montagne des Français (1b).

Atsatsatra. Famaritana: Mirefy 130-150 mm ny HLV. Manopy maitso na manopy manga na maitso ny lamosina, fa misy tsipika matroka ny ivony sy pentina na ravaka manopy volondavenona na volontakatra matetika. Hita foana ny tsipika matroka manomboka amin’ny orona sy mandalo ny maso ary mifarana eny amin’ny faritry ny tampon-doha. Misy tsipika marani-doha miendrika V iray na roa ny tenda matetika. Fomba fi ainany: Karazana monina any amorontsiraka. Miaina eny amin’ny vatan-kazo lehibe azon’andro, any amin’ny ala maina, ala simba, eny fa na dia an-tanàna sy amin’ny tora-pasika aza izy, fa tsy maintsy ivelan’ny ala mando velona fotsiny. Mifangaro amin’ny P. madagascariensis grandis matetika. Tsy miraikitra ny atody. Foy afaka 64-70 andro ny zanany manana TH mirefy 40-45 mm, rehefa nokotrehina tamin’ny maripana 26°C ny atody. Fanamarihana: Nosokajiana ho zana-karazana ny andiany Malagasin’i Phelsuma abbotti chekei Börner & Minuth, 1984, fa mila fanitsiana ny mahaara-dalàna ny fi zarana ny zana-taranany sy ny an’ny karazana Phelsuma hafa. Karazana mitovy: Jereo P. guttata sy P. masohoala.

2. Phelsuma guttata KAUDERN, 1922Toerana nahitana azy: Ambohitralanana, Anandrivola, Andranofotsy, Anjanaharibe Sud, Col Radama, Fandrarazana, Fenoarivo, Marojejy, Nosy Boraha, Nosy Mangabe, Sahafary, Tampolo, Tsararano, Voloina, Zahamena. Sary avy any: Nosy Mangabe.

Atsatsamaitso tatsinanana. Famaritana: Mahatratra 130 mm ny TH. Kely fa lava ny loha. Maitso na manopy volondavenona ny lamosina (tsy misy tsipika anivony); misy tsoriadriaka matroka ny takibany matetika, indraindray koa ny lamosina, fa mipentina mena ny lamosina matetika. Misy ny tsipika matroka manom-boka amin’ny orona ka mifarana amin’ny maso sy ny hatoka ambonin’ny lavatsofi na. Hita foana ny tsipika telo marani-doha eo amin’ny tenda. Fomba fi ainany: Hita anaty na amoron’ny ala mando velona any atsinanana amin’ny ankapobeny, matetika eny amin’ny Ravinala, ny Pandanus na ny hazo, fa tsy hita eny amin’ny toeram-pambolena mihitsy. Tsy miraikitra ny atody. Aleviny anaty tany na apetrany amin’ny foto-dravina ny atody (11 x 8 mm) any amin’ny toeram-piompiana. Foy afaka 40-45 andro ny zanany mitovy amin’ny ray aman-dreniny sy manana TH mirefy 40-45 mm. Mety maoty afaka 10-12 volana izy.

3. Phelsuma masohoala RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1994Toerana nahitana azy: Cap Est. Sary avy any: Santionana nompiana (tsy fantatra mazava ny toerana niaviany; nalain’i G. Hallmann).

Atsatsamaitson’i Masoala. Famaritana: Mahatratra 120 mm ny TH. Volondavenona ny loha sy ny lamosina ary ny rambo, fa misy pentina fotsy sy marika manopy mainty. Misy tsipika matroka mianomboka amin’ny orona, mandalo ny maso ka mifarana amin’ny hatoka. Misy tsipika marani-doha miendrika V miisa roa na telo ny tenda. Fomba fi ainany: Tsy fantatra loatra. Miha-rihary ny tsy fmisy azy afa-tsy any ala mando amorondra-nomasina. Hita nanao fi raisana niaraka tamin’ny lahin’i P. abbotti chekei ny vaviny, ary nanatody indroa (tsy miraikitra ny atody) tany amin’ny toeram-piompiana. Tsy foy anefa ireo atody ireo.

4. Phelsuma seippi MEIER, 1987Toerana nahitana azy: Helodranon’i Ampasindava, Benavony, Lokobe, Manongarivo, Nosy Be, Nosy Komba. Sary avy any: Benavony.

Atsatsamaitson’ny avaratra atsinanana. Famaritana:

Mahatratra 140 mm ny TH. Miloko maitso izy, fa misy tsipika afovoany sy pentina manopy mena. Misy tsipika mena na manopy mainty somary be sakana manomboka amin’ny orona mandalo ny maso ka mifarana amin’ny hatoka. Misy tsipika marani-doha miendrika V miisa telo ny tenda. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny toerana misy volontara antonontonony (4sm eo ho eo ny savaivony), na any amin’ny ala mando sy ala simba koa izy. Tsy miraikitra ny atody. Aleviny anaty tany ny atody. Foy afaka 45-58 andro ny zanany manana TH mirefy 38-40 mm nokotrehina tamin’ny hafanana 28°C. Karazana mitovy: Jereo P. guttata.

5. Phelsuma vanheygeni LERNER, 2004Toerana nahitana azy: Saika nosin’Ampasindava, Akainkin’i Kongony. Sary avy any: Bezavona (Ampasindava; nalain’i A. Lerner).

Atsatsatra menarambo. Famaritana: Mirefy 75-80 mm ny TH. Maitso mangirana ny lokony, fa misy pentina manopy mena ny lamosina ambany sy ny rambo. Misy tsipika manopy fotsy ny molotra ambony hatreo amin’ny foto-tanana. Marefo ny hoditra. Fomba fi ainany: Monina amin’ny volo (savaivo 5 sm) anaty na amoron’ala velona, na ala simba. Miara-monina amin’ny P. klemmeri, P. seippi, P. l. laticauda ary P. m. grandis izy. Miraikitra ny atody. Foy afaka 27 andro ny zanany manana TH mirefy 24-25 mm nokotrehina tamin’ny hafanana 27°C. Misy tsipika mena manaraka ny lavan’ny vatana ary mavo ny rambo. Karazana mitovy: Tokana aman-tany.

6. Phelsuma klemmeri SEIPP, 1991Toerana nahitana azy: Saika nosin’Ampasindava, Kongony. Sary avy any: Santionana nompiana (tsy fantatra mazava ny toerana niaviany; nalain’i W. Henkel).

Atsatsa maitso anaty volo. Famaritana: Mirefy 90 mm ny TH. Volontakatra mankany amin’ny manga-maitso ny lamosina, fa misy tsipika manga-maitso ny sisin-damosina izay arahan’ny tsipika matroka amin’ny tehezana. Mavo ny tendron’ny loha. Fomba fi ainany: Monina eny amin’ny volo amin’ny ankapobeny, fa hita tamin’ny hazo koa tany amin’ny ala mandon’i Sambirano. Kely ny atody (eo amin’ny 6 mm eo), fa matetika apetrany ao anaty lavaky ny volo izy io any amin’ny toeram-piompiana (tsy miraikitra). Foy afaka 56 andro ny zanany manana TH mirefy 22-30 mm nokotrehina tamin’ny hafanana 25°C. Karazana mitovy: Tokana aman-tany.

392

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

4

3

5

1 2

6

Page 141: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

4

1a 1b

6

Page 142: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Phelsuma antanosy RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1993

Toerana nahitana azy: Tendrombohitra’Ambatorongorongo, Malahelo, Petriky, Sainte Luce, Tapera. Sary avy any: Ste. Luce.

Atsatsatra Antanosy. Famaritana: Mirefy 33-48 mm ny HLV ary 98 mm ny TH. Maitso mangirana ny lamosina, fa mety ho maitso na manga-maitso ny rambo. Misy tsipika lavalava telo tahaka an’ny P. laticauda sy P. serraticauda ny lamosina ambanin’ny ankamaroany. Misy tsipika mitsivalana mena roa manapaka ny tampon-dohany ary tsipika mitsivalana manga ny eo anelanelan’ny maso. Mety ho manga koa ny tapany alohan’ny loha. Tsy misy tsipika matroka ny tehezana. Fotsy ny tenda sy ny kibo ary ny rambo sady tsy mipentina. Fomba fi ainany: Monina eny amin’ny ala fasehana amoron-dranomasina izy. Teny amin’ny ravinala sy Pandanus 1-5 m miala amin’ny tany no misy azy. Maro tamin’ny P. lineata sy P. quadriocellata no hita teny amin’ny Pandanus manana ravina lehibe sy azon’andro, fa hita teny amin’ny Pandanus manana ravina kely 2 m miala amin’ny tany kosa ny P. antanosy tany Ste. Luce. Tsy miraikitra ny atody. Mitovy amin’ny lehibe ny zanany vao foy ary mirefy 25 mm ny TH. Karazana mitovy: Azo lazaina ho mitovy amin’ny P. laticauda izy, fa lehibe sady hafa loko. Fanamarihana: Heverina ho karazana ahiana loatra ho lany tamingana, raha mbola mitohy ny fandravana ny toeram-ponenany izay ety dia ety. Mety hisakana ny fahalaniany tamingana ny fanajariana toera-ponenana ivelan’ny natiora.

2. Phelsuma laticauda (BOETTGER, 1880)Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambilobe, Ampahana, Andoany, Andrakata, Antalaha, Antsohihy, Antsohimbondrona, Befotaka, Benavony, Cap Est, Lokobe, Manongarivo, Marojejy, Maromandia, Nosy Be, Nosy Faly, Nosy Komba, Nosy Mitsio, Sahafary, Sambava. Sary avy any: Antalaha (1a), santionana nompiana izay tsy fantatra mazava ny toerana niaviany (1b).

Atsatsa maitso tavaratra. Famaritana: Mirefy 130 mm ny TH. Maitso tanora mankany amin’ny manopy mavo ny lamosina sy ny rambo (mety misy manga ihany fa tena mahalana). Mipentina manify tahaka ny vovombolamena ny hatoka. Misy pentina telo mena manaraka ny halava ny lamosina ambany sy tsipika mena telo mitsivalana ny loha. Didin’ny faritra manga ny maso raha jerena avy any an-damosina. Tsy misy tsipika matroka miavaka ny tehezana, sady tsy misy kisari-maso matroka aorian’ny tanana. Fomba fi ainany: Tena betsaka azy ny faritra mando avaratry ny Nosy, indrindra ny faritr’i Sambirano sy ny morontsiraka avaratra atsinanana. Fahita eny amin’ny zava-maniry azon’andro tahaka ny akondro, ny akondrondrano, ny ravinala ary ny hazo mitovy amin’ireo izy. Hita matetika ivelany na anaty trano na eny anjaridaina izy, ka mety ho taman-trano izy amin’izany. Mety ho hita any amin’ny faritra kely any amin’ny ala mando koa izy amin’ny lafi ny iray (oh: Lokobe). Mety mahazo tombony amin’ny fi tavesan’ala koa angamba izy. Tsy miraikitra ny atody. Foy afaka 40-45 andro ny zanany manana TH mirefy 40 mm nokotrehina tamin’ny hafanana 28°C. Maoty afaka 10-12 volana izy any amin’ny toeram-piompiana. Karazana mitovy: P. serraticauda izay manana rambo mivelatra be. Fiovaovana: Ny zana-karazana P. l. angularis izay kely (102-114 mm HIV) sady miavaka noho ny marika lehibe iray misari-V amin’ny zoron’ny lamosina ambany.

3. Phelsuma serraticauda MERTENS, 1963Toerana nahitana azy: Ivoloina. Sary avy any: Santionana nompiana izay tsy fantatra mazava ny toerana niaviany (1b).

Atsatsatra fi sa-drambo. Famaritana: Mirefy 152 mm ny TH ny lahy, fa kely kokoa ny vavy satria zara raha mahatratra 130 mm ny TH. Mitovitovy amin’ny P. laticauda ny sarisary (indrindra ireo pentina telo eo amin’ny lamosina ambany sy ny tsoria-doko mena mitsivalana amin’ny loha), nefa tena fi saka ny rambo. Mavo ny tenda. Fomba fi ainany: Karazana tena mitoka-monina izy, satria voafetra any amin’ny faritra kely amorontsiraka ny fonenany. Misy andiany nisy lahy iray sy vavy maro teny ambony zava-maniry avo be matetika, eny ambony voanio (Cocos nucifera) indrindra indrindra, mahalana ny eny amin’ny vatan’akondro. Tsy miraikitra ny atody. Matetika roa ny atody isaky ny mandatsaka, fa mahalana ny iray. Foy afaka 53-58 andro ny zanany manana TH mirefy 40 mm nokotrehina tamin’ny hafanana 28°C, ary efa mahery setra sahady raha vao foy. Mitovy loko amin’ny lehibe ny zanany fa mbola boribory ny rambo. Karazana mitovy: Jereo P laticauda.

394

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

31 2

Page 143: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1

2a 32b

Page 144: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Phelsuma berghofi KRÜGER, 1996Toerana nahitana azy: Manombo, Somisiky. Sary avy any: Manombo.

Atsatsatra mavo tenda. Famaritana: Mahatratra 120 mm ny TH. Somary mivelatra kokoa ny rambo. Maitso manopy manga na volondavenona manopy manga ny lamosina sy ny rambo. Maitso ny loha, fa misy marika manopy mena sy tsipika mena manaraka ny hazon-damosina ny tapany alohan’ny vatana. Mipentina mena ny lamosina. Misy faribolana mena manodidina ny maso. Manopy mavo ny tenda. Misy taharondoko main-ty vitsivitsy ny fanmbanin’ny rambo. Fomba fi ainany: Karazana monina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana izy. Hita eny amin’ny fotodravin’ny ravinala 3-5m miala amin’ny tany akaiky tanàna izy. Efa tena simba ny ala mando tany amin’ny toerana misy azy voaloha. Miraikitra ny atody. Tena kely ny zanany vao foy (mirefy 30 mm ny TH). Karazana mitovy: P. fl avigularis izay lehibe sady miavaka antsipirian’ny lokony. Mitovitovy aminy koa i P. dubia.

2. Phelsuma malamakibo NUSSBAUM, RAXWORTHY, RASELIMANANA & RAMANAMANJATO, 2000

Toerana nahitana azy: Andohahela, faritra antsinanan’ireo tangorotendrobohitr’Anosy. Sary avy any: Andohahela.

Atsatsatra malama kibo. Famaritana: Mahatratra 120 mm ny TH. Maitso ny lamo-siny, fa misy marika manopy mena antitra izay somary ma-nao laharan-telo manaraka ny halava. Mety miavaka ny laharana amin’ny hazon-damosina, izay mitohy na mitapatapaka. Misy tsipika matroka ny tehezana, ka voahodidina tsipika maza-va ny sisiny manomboka eo ambany maso hatreo amin’ny fototongotra. Maitso na manopy manga ny rambo. Manopy mena ny tapotsimaso ary voahodidina faribolana manopy manga ny maso. Manopy fotsy ny kibo. Mitovy ny lahy sy ny vavy ary tsy misy fahasamihafana, afa-tsy ny lavaka alohan’ny lava-body manakaiky ny fen’ny lahy ihany izay tsy ananan’ny vavy. Fomba fi ainany: Hita tamin’ny vato tany amin’ny ala mando velona mandavan-taona na tany lava volo na tanety misy ala madinika eny antendrombohitra manana haabo 880-1940 m ny santionana rehetra. Fantatra fa ny toerana misy vato no tian’i Phelsuma malamakibo, tahaka ny faritra mazava anaty ala velona sy ny tany lava volo ary ny tanety misy ala madinika eny antendrombohitra. Any amin’ny toerana talaky masoandro amorondrano ihany no misy azy any amin’ny ala mando tena velona any amorontsiraka. Misandrahaka eny amin’ny karazan-toeram-ponenana vatoana an-tendrombohitra izy any afovoantany. Miraikitra ny atody. Hita niraikitra mafy tamin’ny vato ny atody tena maro anisa izay nifangaro matetika tamin’ny atodin’ny Lygodactylus montanus. Karazana mitovy: P. lineata punctulata izay manana kirana amin’ny kibo tena mankadiry.

3. Phelsuma cepediana (MILBERT, 1812)Toerana nahitana azy: Any amin’ny Nosy Mascarene, angamba nampidirina teto Madagasikara, hita tany Ambanja sy Ivoloina. Sary avy any: Maorisy. Atsatsatra vahiny. Famaritana: Mahatratra 150 mm ny TH ny lahy ary 110 mm ny an’ny vavy. Manga maitso ny lahy, fa misy laharana pentina mena roa ny lamosina sy tsipika mena ny sisin-damosina. Mety manjavona io marika mena io any amin’ny lamosina ambany. Mitovy amin’ny lahy ny

lokon’ny vavy fa tsy marevaka fotsiny. Maitso ny lamosina, fa misy marika volontakatra manopy mena. Fomba fi ainany: Tsy hita raha tsy tany amin’ny nosy Maorisy ity karazana marevaka ity, fa saingy nampidirina teto Madagasikara ary mila fanamarinana ny mbola fi siany eto Madagasikara. Tena mahery setra ny lahy. Miraikitra ny atody. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny loko.

4. Phelsuma modesta MERTENS, 1970Toerana nahitana azy: Ambovombe, Beraketa, Betioky, Isaka-Ivondro, Malahelo, Manantantely, Mandena, Morombe, Petriky, Sainte Luce, Tolagnaro, Toliara. Sary avy any: Ifaty (4a; P. m. leiogaster), Tolagnaro (4b; P. m. modesta), 20 km amin’ny avaratr’i Tolagnaro (4c; P. m. isakae; nalain’i M. Burger).

Atsatsa maitso tandrefana. Famaritana: Mirefy 96 mm (ssp. modesta) sy 117 mm (ssp. isakae) ny TH. Miovaova ny loko, fa miavaka amin’ny lahy ny vavy satria marevaka kokoa izy. Manopy maitso ny lamosina mazàna, sady misy tsipika mena roa manaraka ny halava izay mety mitapatapaka ka manjary marika manopy mena. Hita foana ny tsipika matroka amin’ny tehezana mazàna. Fomba fi ainany: Tany amin’ny tany karankaina ny toerana nahitana ny zana-karazana modesta sy leiogogaster voalohany, fa voahodidina ala mando kosa ny an’ny isakae. Fahita eny an-tanàna io karazana io, fa mahalana ny misy azy any amin’ny aty ala. Miraikitra ny atody. Karazana mitovy: P. malamakibo izay mitovy ny lahy sy vavy. Fiovaovana: Misy zana-karazana telo miavaka tsara: P. m. modesta (morontsiraka atsimo andrefana, ao anatin’izany Tolagnaro) manana kirana amin’ny lamosina malama, sady tsy tena marevaka ny lokony. P. m. isakae (Isaka) izay miavaka ny lahy, satria mazava loko, sady manga ny loha. Hita any Isaka sy akaikin’i Tolagnaro izy roa ireo na izany aza, manga ny lohan’ny lahy, fa misy lahy sasany tsy manga loha koa hita any. Mila fanitsiana ny famaritana ny zana-karazana isakae noho izany. Miparitaka any atsimo-andreafana ny P. m. leiogaster. Fanamarihana: Tsy maneho fahasamihafana goavana amin’ny andiany samihafa sy ireo zana-karazanaty katsatsaka ity ny antontam-pahalala ara-tarazo.

396

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

43

1 2

Page 145: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2b

4b

4a

2a1

3

4c

Page 146: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Phelsuma dubia (BOETTGER, 1881)Toerana nahitana azy: Ambalabongo, Ambanja, Antsalova, Antsiranana, Kandani, Mahajanga, Mananjary, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Makamby, Saint Augustin (?), Soalala, Toamasina. Sary avy any: Zanany nompiana (1a, nalain’i T. Ziegler), Nosy Be (1b).

Atsatsatra tandrefana. Famaritana: Mirefy 70 mm HLV ary mahatratra 154 mm ny TH ny lahy ary 144 mm ny an’ny vavy. Somary lehibe kirana amin’ny tehezana miohatra amin’ny kirana amin’ny lamosina. Manopy maitso na volondavenona na manopy volontakatra ny lehibe mazàna, fa misy manopy mena na misy marika manopy volontakatra ny lamosina. Misy tsipika manopy volondavenona manaraka ny tehezana sy tsipika manopy mena mora hita anelanelan’ny orona sy ny maso. Manopy mena ny tapotsimaso. Manopy mavo na volontakatra ny faritry ny lava-body. Fomba fi ainany: Any amin’ny morontsiraka mafana manomboka any avaratra hatrany afovoany andrefana no fantatra fa nisy azy, vao haingana izy no hita tamin’ny toerana telo tany amin’ny morontsiraka atsinanana. Monina any amin’ny ala maina manintsan-dravina, ala simba amoron’ny ala mando, ary amin’ny toeram-ponenana (akondro sy voanio na trano koa aza). Vitsika sy voangory no fantatra fa sakafony. Miraikitra ny atody. Afaka manatody mihoatra ny in-6 ny vavy ao aorian’ny fi raisana tokana. Mifanelanelana 2-4 herinandro ny fanatodizany ary afaka manatody im-18 (atody 2 isaky ny mandatsaka) izy ao anatin’ny taona iray. Mirefy 9-10 mm ny savaivon’ny atody. Mijanona mihaotra ny 2 ora sy 50 mn eo ambonin’ny atody ny vavy mandrapahamafi n’io. Masiaka izy mandritra io fotoana io, amin’ny lahy manatona azy ohatra. Manabontsina ny vatana sady mihiaka no mamely mihitsy izy raha mitohy ny fanakorontanana azy. Mbola miverina mitsidika ny atody ny vavy mandritra ny andro vitsivitsy, ka mitsapa azy ireo amin’ny molotra sy ny lelany. Hanin’ny vavy ny akoran’atody rehefa foy ny zanany. Eo anelanelan’ny 36-81 andro ny fahafoizan’ny zanany arakakaraky ny maripana nikotrehana azy, ary mirefy 35-46 mm ny TH ny zanany. Vavy daholo ny zanany rahatoa ka 26°C tsy miova ny maripana nikotrehana azy, fa lahy daholo kosa raha 32°C. Volontakatra manopy volondavenona ny zanany, fa volomboasary ny rambo. Maoty afaka 8 volana io zanany io. Karazana mitovy: Jereo P. hielscheri.

2. Phelsuma fl avigularis MERTENS, 1962Toerana nahitana azy: Andasibe. Sary avy any: Santionana nompiana (tsy fantatra mazava ny toerana niaviany).

Atsatsa maitso amin’ny voanio. Famaritana: Mahatratra 70 mm ny HLV ary 170 mm ny TH. Somary lehibe kiran-tehezana oharina amin’ny kirana amin’ny lamosina. Maitso ny lehibe (mahalana ny manopy manga), misy pentina mena ny lamosina sy sadika mena ny tapany alohan’ny loha. Matetika misy tsipika manopy mavo manaraka ny hazon-damosina ny tapany alohan’ny lamosina. Voahodidina faribolana manga ny tapotsimaso. Fotsy na manopy mavo ny kibo, ary mavo mangirana ny tenda. Fomba fi ainany: Voalaza fa any amin’ny haabo salatsalany manodidina an’Andasibe ihany no misy azy. Mahalana ny fahitana azy ary angamba monina eny amin’ny ravinala na voanio avo be izy, mifangaro amin’ny P. lineata sy P. quadriocellata izy matetika. Miraikitra ny atody. Mety manatody mihoatra ny 12 ny vavy nompiana ao anatin’ny 5 volana. Foy afaka 60 andro ny atody nokotrehina tamin’ny hafanana 25-26°C tsy miova. (70 andro izany raha ohatra ka 18-28°C ny marimpana). Mitovy loko amin’ny lehibe ny zanany vao foy. Karazana mitovy: Jereo P. berghofi .

3. Phelsuma hielscheri RÖSLER, OBST & SEIPP, 2001

Toerana nahitana azy: Isalo, Kirindy, Morondava. Sary avy any: Isalo.

Atsatsa maitso manga maso. Famaritana: Mahatratra 73 mm ny HLV ary 150 mm ny TH ny vavy, fa 170 mm ny an’ny lahy. Lehibe kiran-tehezana miohatra amin’ny kirana amin’ny lamosina. Maitso na volondavenona manopy maitso ny lamosina, fa misy pentina manopy mena. Mai-tso ny hatoka sy ny lamosina mazàna, fa misy tsipika manopy mena manaraka ny faritry ny hazon-damosina. Manga na maitso ny fari-bavany, manga ny manodidina ny maso, ary manopy manga ny rambo. Fomba fi ainany: Any amin’ny 15 km manakaiky tora-pasika atsimo andrefan’i Morondava no nahitana azy voalohany, teny ambony voanio amin’ny toerana fasehana manakaiky trano no misy azy. Hita vao haingana teny ambony voanio avo be tany Belo Tsiribihina izay 80 km Atsimon’ny Morondava koa izy. Fahita eny amin’ny Pandanus manamorona sakeli-drano any amin’ny manodidina an’Isalo sy Ranohira. Miraikitra ny atody. Mety manatody mihoatra ny 12 ny vavy nompiana ao anatin’ny 5-6 volana. Mirefy 10,5 mm ny savaivon’ny atody. Maitso na manga tanora ny zanany vao foy, fa misy pentina kely mazava loko ny lamosina, ary manga maitso ny rambo. Mirefy 51-53 mm ny TH. Karazana mitovy: P. dubia izay somary kely ary samihafa ny lahy sy vavy lehibe, fa indrindra koa ny zanany.

398

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

21 3

Page 147: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

3b

1a 1b

3a

Page 148: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Phelsuma mutabilis (GRANDIDIER, 1869)Toerana nahitana azy: Ankarafantsika, Antsalova, Berenty, Atsinanan’i Betioky, Ejeda, Fierin, Menabe, Morondava, Toliara, Tranomaro, Tranoroa, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Morondava (nalain’i B. Love).

Atsatsatra fotsikibo. Famaritana: Mahatratra 102 mm ny TH. Tena miavaka ny fi ovan-dokon’ny tsirairay: volontakatra ranoraymakamin’ny volondavenona manopy volombolafotsy ny lamosina sy ny loha, fa misy pentina manify sy tsipika matroka ary pentina fotsy. Mety misy tsipika mainty manify miantomboka amin’ny orona, mandalo ny maso ary mifarana amin’ny hatoka. Mety ho volontakatra, na volondavenona na maitso na manga-maitso ny rambo ary misy na tsy misy pentina fotsy. Manopy fotsy ny kibo, manopy mavo ny manodidina ny lava-bodin’ny lahy lehibe. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny faritra mafana sy maina andrefana sy atsimo (ala maina, bozaka tsiloana) sy eny amin’ny toeram-ponenan’olona izy. Tena fahita any amorontsiraka izy, nefa mety ho hita amin’ny toerana avo 1000 m koa. Mety ho hita eny amin’ny hazo, ny bozaka sy ny fefy ary ny trano, tena maro an’nysa izy eny an-tanàna aza indraindray. Tsy miraikitra ny atody. Mety manatody mihoatra ny 5-10 ny vavy nompiana ao anatin’ny 6 volana. Foy afaka 50-67 andro ny zanany arakaraky ny hafanana nikotrehana ny atody. Mitovy loko amin’ny lehibe ny zanany ary mirefy 35 mm ny TH. Karazana mitovy: P. sp izay hita tany amin’ny Tsingin’i Bemaraha no tena mitovy aminy (jereo eo ambany). Jereo koa i P. breviceps.

2. Phelsuma sp. “Bemaraha” Toerana nahitana azy: Tsingin’i Bemaraha, mety Ankarafantsika. Sary avy any: Tsingin’i Bemaraha.

Famaritana: Mirefy 42 mm HLV ary 88 mm ny TH. Ma-hazendana ny fahafahan’ny tsirairay aminy miova loko. Mitovy amin’ny hodi-kazo ny lokony. Volontakatra matroka mipentina manopy mainty ny loha sy ny lamosina, fa misy marika vo-londavenona manopy manga, ary Volontakatra sahala amin’ny lomotra ny rambo amin’io endridoko io. Volondavenona manopy volombolafotsy ny loha sy ny sisin-damosina, fa misy marika matroka manify sy tsipika manga-maitso be sakana mitety ny ivondamosiny mankany amin’ny tendron-drambo, rehefa mazava loko. Misy tsipika mainty manify manomboka eo amin’ny orona, sy mandalo ny maso ary mifarana amin’ny hatoka. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mazava. Hita natory teo ambony zava-maniry nanakaiky ny vavan’ny lava-bato manamorona sakeli-drano tany anaty ala somary maina tany amin’ny Tsingin’i Bemaraha ny santionana iray. Hita nihari-hary teny amin’ny hazo tany Ankarafantsika koa izy, na dia tsy mahazatra loatra aza izany. Karazana mitovy: P. mutabilis izay miavaka ny lokony sy ny endriky ny kirana.

3. Phelsuma breviceps BOETTGER, 1894Toerana nahitana azy: Anakao, Toliara, Tsimanampetsotsa. Sary avy any: Toliara.

Atsatsatra tatsimo. Famaritana: Mirefy 50-54 mm ny HLV ary 100-110 mm ny TH. Karazana somary matanjaka ihany izy, fohy ny loha ary tsy fahita ny fi rindran’ny kiran’ny saoka. Misy lahan-kiran-tsaoka tokana rafetin’ny kirana lehibe 4 mazàna ny tapany aorian’ny valanoranony ambany (misy kirana aorian’ny kiran’ny saoka goavambe tokana sy somary lehibe vitsivitsy) izay voahodidina bontsina kely mitapatapaka any aoriana. Volondavenona na volontakatra ny lokony, fa misy marika matroka kely sy kisari-maso mazava loko izay mety manome laharana manaraka ny halava. Manopy fotsy ny kibo. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny toerana mafana sy maina ary tsiloana any amin’ny morontsiraka atsimo izy. Hita eny amin’ny Euphorbia stenoclada izy matetika, ary

apetraky ny vavy eny amin’ny tsilo ny atody. Fahita eny amin’ny bozaka sy ny hazo kely ary ny taretra ihany koa izy. Mora miendaka ny hoditra rehefa samborina izy. Tsy miraikitra ny atody ary mirefy 9 mm ny savaivony. Miloko volontakatra matroka, fa misy pentina manopy maitso na mainty ny zanany ary mirefy 35-40 mm ny TH. Karazana mitovy: P. mutabilis izay tena mitovy aminy.

4. Phelsuma barbouri LOVERIDGE, 1942Toerana nahitana azy: Andohariana, Andringitra, Ankaratra, Lohasan’i Bôby, Ibity, Soamazaka (Antoetra), Tsiafajavona. Sary avy any: Antoetra (4a), Andringitra (4b), Ankaratra (4c; zanany).

Atsatsatra-bato. Famaritana: Mirefy 150 mm ny TH. Tena miovaova be ny lokony. Maitso volomby na volontakatra ny lamosina, fa misy tsipika matroka mazava loko ny sisin-damosina izay voahodidina tsipika mazava loko ny lafi ny roa. Misy sora-doko mazava sy matroka ny loha. Volondavenona ny kibo. Fomba fi ainany: Phelsuma tena mpandady amin’ny tany izy. Fahita amin’ny tany sy eny amin’ny vatolampy any an-tendrombohitra ambonin’ny sisin’ala (haabo 2600m) izy. Bibikely samihafa no fantatra amin’ny sakafony: Coleoptera, Araneida, Hymenoptera, Blattodea, ary Orthoptera. Araikiny ao ambany vato fi saka ny atody. Betsaka ny atody sy ny akoran’atody hita tao ambany vato tokana. Foy afaka 57-84 andro ny zanany ary tsy tadiavin’ny ray aman-dreniny. Karazana mitovy: P. pronki.

5. Phelsuma pronki SEIPP, 1994Toerana nahitana azy: Andramasina. Sary avy any: Santionana nompiana (tsy fantatra mazava ny toerana niaviany).

Atsatsatra-kazomaina. Famaritana: Mirefy 112 mm ny TH. Fisaka amin’ny lamosina sy ny kibo ny vatana. Mitovy amin’ny P. barbouri ny lokony amin’ny ankapobeny. Misy tsipika volondavenona na manopy mainty manaraka ny halava ny lamosina, izay mety manjavozavo satria lasa pentipentina. Mavo sy mainty miavaka ny loha. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mazava, fa mpihanikazo izy raha oharina amin’ny P. barbouri. Tsy miraikitra ny atody. Tena mitovy loko amin’ny lehibe ny zanany vao foy. Karazana mitovy: P. barbouri izay misy maitso ny lamosina, fa tsy misy sora-doko mavo sy mainty miavaka kosa ny loha.

400

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

43

1 2

5

Page 149: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

3

4a

4c

2b

12a

4b

5

Page 150: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Phelsuma lineata GRAY, 1842Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Ambatondrazaka, Ambohimanarivo, Ambohimanga Atsimo, Ambohitantely, Ambohitsara, Ampamakiesiny Pass, Ampasimanolotra, Andasibe, Andringitra, Anevoka, Anivorano Avaratra, Anjanaharibe Sud, Ankarimbelo, Ankeniheny, Antananarivo, Antsianitia, Besariaka, Betafo, Farafangana, Fenoarivo, Fianarantsoa, Isaka-Ivondro, Ivoloina, Joffreville, Kianjavato, Farihin’i Alaotra, Mahajanga, Mahavelona, Mananjary, Manombo, Manongotry Pass, Maroantsetra, Marojejy, Marovoay, Midongy du Sud, Montagne d’Ambre, Moramanga, Ranomafana, Sainte Luce, Sandrakely, Toamasina, Tolagnaro, Tsaratanana, Vavatenina, Ankarafantsika (zana-karazana bombetokensis). Sary avy any: Nahampoana (1a), Antananarivo (1b), Tsaratanana (1c, nalain’i A. Raselimanana), Marojejy (1d), Montagne d’Ambre (1e, 1f), zana-karazana bombetokensis (1g, nalain’i J. Krüger).

Atsatsatra maitso. Famaritana: Anelanelan’ny 110-145 mm TH (Jereo eo ambany). Maitso ny lamosina, fa misy pentina na pentina mena amin’ny ankapobeny. Hita foana ny tsipika manopy mainty na volondavenona amin’ny tehezana. Fomba fi ainany: Hita eny amin’ny vatan’akondro, ny taretra, ny hazo eny an-jaridaina ary ny trano ny zana-karazana lineata sy elanthana, ary dorsivittata matetika. Hita any amin’ny faritra notevezina any anaty ala mando na koa eny amin’ny Pandanus i P. l. lineata and P. l. dorsivittata. Monina eny amin’ny Pandanus sy ny bozaka akaiky tanàna, fa tsy fahita loatra amin’ny trano any amin’ny toerana tena maina P. l. bombetokensis. Monina eny amin’ny vato any an-tendrombohitra i P. l. punctulata. Hita manodidina ny jiron’ny trano i P. l. elanthana amin’ny alina. Tsy miraikitra ny atodin’ny zana-karazana rehetra, afa-tsy ny an’ny punctulata ihany. Mety manatody in-6 isan-taona i P. l. lineata raha ompiana, ka roa isaky ny mandatsaka ny atody. Manodidina ny 9 x 7 mm ny refi n’ny atody. Foy afaka 40-43 andro ny zanany nokotrehina tamin’ny hafanana 28°C, fa 60 andro kosa raha 25°C. Mirefy 40-43 mm ny zanany vao foy izay mitovy loko amin’ny lehibe. Maoty afaka 7-8 volana izy io. Karazana mitovy: P. pusilla izay kely kokoa, sady miavaka raha jerena amin’ny antsipirihany ny lokony. Ny zana-karazana P. quadriocellata izay misy pentina matroka voahodidina manga aorian’ny tanana, fa tsy voahodidina mihitsy ny an’ny P. lineata raha toa ka misy io pentina io. Fiovaovana: Ireto avy no mampiavaka ireo zana-karazana 5 ireo: P. l. lineata (mahatratra 145 mm ny TH; sary 1a) no lehibe indrindra amin’io zana-karazana io. Misy marika mena lehibe ny tapany aorian’ny lamosina izay mamaritra miavaka any amin’ny tapany aloha fa mihavasoka kosa any aoriana satria lasa pentina kely mena ny any amin’ny foto-drambo. Mavo ny tsipika mazava loko amin’ny molotra sy ny fanambanin’ny tsipika mainty amin’ny tehezana. Tsy misy pentina matroka mora tazana ny tehezana, aorian’ny tanana na alohan’ny tongo-ny. Misy pentina mena be dia be izay mitambatra ho mari-ka lehibe ny lamosin’i P. l. bombetokensis (mahatratra 110 mm ny TH; sary 1g) matetika. Tsy manopy mainty fa volondaveno-na ny tsipika amin’ny tehezana. Fotsy ny tsipika mazava loko amin’ny tehezana. Misy pentina matroka aorian’ny tanana fa tsy voahodidina manga. Misy pentina matroka miavaka ihany alohan’ny tongotra. Mampiavaka an’ny P. quadriocellata amin’ny zana-karazana lineata rehetra ny fi sian’ny faribolana mavo manodidina ny maso mazàna. Miavaka ara-tarazo i P. l. dorsivittata (HIV mirefy 125 mm; sary 1e, 1f) ka mendrika azy ny ampiakarina ho karazana. Misy pentina mena maro ny lamosina, izay mety miatambatra ho marika lehibe mitsivalana na mitsangana. Misy tsipika manaraka ny hazon-damosina ny tapany alohan’ny lamosina amin’ny ankapobeny. Fotsy ny tsipika mazava loko amin’ny molotra sy ny fanambanin’ny tsipika matroka amin’ny tehezana. Misy pentina matroka tsy miavaka loatra sady tsy voahodidina

manga matetika aorian’ny tanana. Mety misy pentina matroka tsy mivoatra loatra anoloan’ny tongotra. Tena miavaka be ireo karazan-pentina ireo, fa tsy miavaka loatra kosa ny tsipika amin’ny tehezana. Misy pentina mena kely betsaka ny lamosin’i P. l. elanthana (mirefy120 mm ny TH; sary 1b), izay tsy mitambatra mazàna. Tsy misy pentina matroka mora tazana ny tehezana, aorian’ny tanany na alohan’ny tongotra. Manopy fotsy ny tsipika mazava loko amin’ny molotra sy ny fanambanin’ny tsipika mainty amin’ny tehezana. Mety maitso volomby i P. l. punctulata (mirefy 115 mm ny TH; sary 1c), sady misy pentina mainty betsaka maro be ny lamosina, fa tena tsy misy pentina mena mihitsy. Manopy fotsy ny tsipika mazava loko amin’ny molotra sy ny fanambanin’ny tsipika mainty amin’ny tehezana. Tsy misy pentina matroka mora tazana ny tehezana, aorian’ny tanany na alohan’ny tongotra. Mora fantatra ny pentina amin’ny lafi ny roa aorian’ny tanana ary eo anoloan’ny tongotra na dia tsy voafaritra tsara aza. Fanamarihana: Tena mila fanitsiana maika ny fanasokajiana an’ity fi fangaroana katsatsaka ity sy ny fi havanany amin’ny karazana hafa tahaka an’ny Phelsuma pusilla sy P. kely ary P. quadriocellata. Angamba efa mila ampiakarina ho karazana ny P. l. dorsivittata sy zana-karazana P. lineata hafa. Tena miavaka ara-tarazo ny mponin’ny zana-karazana P. l. lineata, nefa miavaka kely fotsiny ny lokony. Niavaka ara-tarazo ny santionana tany Marojejy nefa tsy fantatra hoe iza amin’ireo zana-karazana na karazana ireo izy io.

402

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

1

Page 151: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1e

1b1a

1c 1d

1g1f

Page 152: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Phelsuma pusilla MERTENS, 1964Toerana nahitana azy: Ambila-Lemaitso, Ampahana, Andasibe, Cap Est, Fenoarivo, Kianjavato, Lohariandava, Maroantsetra, Marojejy, Maromandia, Nosy Boraha, Nosy Mangabe, Sahafary, Tampolo, Toamasina, Vavatenina. Sary avy any: Nosy Boraha (1a; P. p. pusilla), Vohidrazana (1b; P. p. hallmanni).

Atsatsatra maitso-bakoana. Famaritana: Mahatratra 85 mm ny TH-n’i P. p. pusilla ary 100 mm ny an’ny lahin’i P. p. hallmanni. Maitso ny lamosiny, fa misy pentina mena miavaka sy marika ny lahy (tsy miavaka loatra na tsy misy mihitsy ny vavy). Misy sadika alohan’ny mason’ny lahin’i P. p. hallmanni matetika, sady manga ny fari-bavany. Hita foana ny tsipika manopy mainty amin’ny tehezana. Mety ho manga-maitso ny rambo. Fomba fi ainany: Fahita matetika any amin’ny morontsiraka atsinanana i P. p. pusilla, ka monina eny amin’ny voanio sy ny akondro ary ny trano (oh: bungalow) izy. Tsy fahita matetika any amin’ny ala mando amorontsiraka izy. Monina eny amin’ny hazon’ny sisin’ala mando anelanelantany kosa i P. p. hallmanni. Tsy fahita eny amin’ny trano izy sady mahalam-piseho. Tsy miraikitra ny atody. Foy afaka 33-50 andro ny zanaky ny P. p. pusilla manana TH mirefy 35 mm. Manopy maitso ny lokony sady tsy misy pentina mena, fa volontakatra ranoray kosa ny zanaky ny P. p. hallmanni sady misy pentina kely manopy fotsy. Karazana mitovy: P. lineata izay ngeza kokoa.

2. Phelsuma kely SCHÖNECKER, BACH & GLAW, 2004

Toerana nahitana azy: Andranokoditra (Farin’Ampitambe). Sary avy any: Farin’Ampitambe (nalain’i P. Schönecker).

Atsatsatra kely. Famaritana: Izy no farany kely indrindra amin’ny karazana Phelsuma. Mirefy 33 mm ny HLV, 71 ny TH ny lahy, 30 mm sy 69 mm ny an’ny vavy iray (nanatody) farany lehibe indrindra hita hatramin’izao. Mitovy loko ny lahy sy ny vavy. Manopy fotsy makamin’ny volonadavenona ny lamosina, fa misy sora-doko matroka mainify sy tsipika volondavenona ny sisin-damosina. Misy tsipika mainty ny tehezana. Volontakatra manopy mena ny tapotsimaso. Fotsy vatsoka ny kibo. Fomba fi ainany: Monina eny amin’ny toerana azon’andro any amin’ny ala samba any amorontsiraka mafana sady mando atsinanana izy. Hita matetika eny amin’ny rantsan-kazo sy vatana Dracaena manana savaivo santimentatra vitsivitsy izy. Ny maraina sy tolakandro no tena mampavitrika azy. Tsy dia betsaka loatra izy raha ampiatahaina amin’ny karazana miara-monina aminy tahaka ny P. quadriocellata sy P. guttata. Tsy miraikitra ny atody. Mirefy 7 x 5 amin’ny 7 x 6 mm ny savaivon’ny atody. Foy afaka 58-60 andro ny zanany raha kotrehina amin’ny fahanana 28°C amin’ny atoandro ary 22°C amin’ny alina ny atody. Mirefy 13-14 mm ny HLV ary 25,4-28 mm ny TH-n’izy ireo. Volontakatra misy pentina kely mazava loko ny zanany. Karazana mitovy: P. mutabilis izay lehibe kokoa, fa misy tsipika mainty ny tehezana.

3. Phelsuma quadriocellata (PETERS, 1883)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, alan’Ambahaka, Ambohimanarivo, Helodranon’i Ampasindava, Anandrivola, Andasibe, Andohahela, Andrambovato, Andringitra, Anjanaharibe Sud, Ankeniheny, Eminiminy, Fandrarazana, Fenoarivo, Imotra, Ivohibe, Farihin’i Alaotra, Manambolo, alan’i Mandriandry, Marojejy, Nahampoana, Nosy Be, Nosy Boraha, Ranomafana, Sainte Luce, Sandrakely, Tolongoina, Tsararano, Vavatenina, Vinanitelo, Zahamena. Zana-karazana lepida: Andapa, Andrakata, Col Radama. Zana-karazana parva: Ampasimanolotra, Ilot Prune, Mananjary, lalana akainkin’i Ifanadianaa, Toamasina. Sary avy any: Nosy Boraha (3a, zana-karazana bimaculata?), Ambositra (3b), Ranomafana (3c), Ifanadiana (3d; zana-karazana parva).

Atsatsatra bakoana. Famaritana: Mirefy 125 mm TH. Maitso ny lamosina, fa misy pentina mena. Didin’ny faribolana mavo ny maso. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny ala mando na ala simba na alan’akondro na zaridaina na eny amin’ny trano any amin’ny haabo salatsalany izy. Tsy miraikitra ny atody. Mandatsaka atody 2 isaky 3-5 herinandro ny vavy mandritra ny fotoam-panatodizany, ka mety mahatratra in 6 isan-taona izany raha atambatra. Foy afaka 40-45 andro ny zanany raha kotrehina amin’ny hafanana 28°C ny atody. Karazana mitovy: P. pusilla sy P. lineata (afa-tsy P. l. bombetokensis) izay misy pentina matroka aorian’ny tanany. Fahasamihafana: Misy zana-karazana 4 miavaka tsara: P. q. quadriocellata (mahatratra 110 mm ny TH) izay maitso mangirana, fa misy pentina mena miavaka ny lamosina ary mipentina manga ny hatoka matetika. Boribory sady voahodidina manga ny pentina matroka aorian’ny tanana. Misy pentina matroka alohan’ny tongotra; P. q. lepida (mahatratra 125 mm ny TH) izay maitso mangirana, fa misy pentina mena miavaka ny lamosina ary mipentina manga ny hatoka matetika. Somary lava mitsangana sady voahodidina manga ny pentina matroka aorian’ny tanana. Tsy misy pentina matroka alohan’ny tongotra; P. q. parva (mahatratra 90 mm ny TH) izay maitso, fa misy pentina mena miavaka ny lamosina. Miovaova ny haben’ny pentina matroka aorian’ny tanana, somary boribory indraindray ary voahodidina manga indrain-dray. Misy na tsy hita tsara ny pentina matroka alohan’ny tongotra matetika; P. q. bimaculata no zana-karazana faha-efatra. Mirefy ny 85-89 mm TH, fa mety mahatratra 110 mm io. Tsy boribory fa lavalava mitsangana ny pentina matroka sady lehibe aorian’ny tanan’ny santionana namaritana azy. Miavaka amin’ny zana-karazana P. quadriocellata rehetra ny santionana namaritana ny bimaculata, noho izy tsy misy pentina roa fanampiny alohan’ny tongotra. Efa mila tsy misy pentina aorian’ny tanan’ny santionana avy any Nosy Boraha izay nantsoina ho P. q. bimaculata amin’ity boky ity. Maitso ny lamosin’izy ireo, fa misy tsipika mena ny tapany alohan’ny ivon-damosiny matetika. Tsy misy tsipika matroka ny tehezana. Fanamarihana: Ny voka-pikarohana ara-tarazo ary koa ny fi sian’ny P. q. quadriocellata sy P. q. parva any Ranomafana sy ny manodidina azy dia maneho fa fi fangaroan-karazana maro sy miavaka tsara ny P. quadriocellata. Tokony ho ampiakarina ho karazana angamba ny P. q. parva sy ireo andiany any Nosy Boraha.

404

Gekkonidae: Gekkonidae: PhelsumaPhelsuma

21 3

Page 153: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

3c

3b

1b1a

3a

3d

Page 154: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Boidae GRAY, 1825Mbola iadian-kevitra ny fanasokajiana ny Boidae, fa ny fi anakaviana kosa dia voazarazara ho zana-pianakaviana telo matetika: Boinae, Pythoninae, ary Erycinae (voasokajy ho fi anakaviana manokana niaraka tamin’ny Pythonidae indraindray). Araka io fanasokajiana tranainy io, ny Python dia hita any Afrika, Azia ary Aostralia, nefa ny Erycinae kosa dia miparitaka any andrefan’i Amerika Avaratra, Afrika, andrefan’i Azia, ary atsimo atsinanan’i Eoropa. Ary ny Boinae dia noheverina fa misy any amin’ny Neotropika, Madagasikara sy nosy maro any amin’ny Pasifi ka. Na izany aza anefa, ireo fandinihana vao haingana momba ny teti-harana dia nahitana fi fandaminana ifotony mahavariana amin’ny fi fi andraisana momba ny taranaka Sanzinia sy Acrantophis Malagasy izay mifanakaiky amin’ny Calabaria mpandavaka avy any Afrika! Manatody ity karazana ity nefa ny Boidae Malagasy kosa dia miteraka. Ny Boidae vaventy dia tena mpihaza ny biby mampinono sy ny gidro ary manana fi hetsika manaitra amin’ny bibilava lehibe. Miavaka amin’ny bibilava hafa rehetra izy noho ny tontalin’ny halavana, ny savaivo ny vatany, ny hafohin’ny rambo, ary ny toe-batana. Ny fi varotana an’ireo taranaka roa ireo ny Sanzinia sy Acrantophis amin’ny tsena iraisam-pirenena dia tena hentitra ny famerana azy (CITES toko 1) na dia miparitaka be sy fahita matetika aza izy ireo.

Taranaka Sanzinia GRAY, 1849Ity taranaka tsy dia mihani-kazo antsoin’ny zanatany hoe Manditra ity dia mora fantarina amin’ny kiran’ny valanorano ambony izay sarahan’ny ketrona lalina misy retsika fandrenesana hafanana ahafantaran’ilay Mandotra ny fi sian’ny haza mafana rà amin’ny alina. Ny lahy dia mety manana tsilom-body miavaka tahaka ny Do, fa tsy fantatra loatra ny fahasamihafana amin’ny lahy sy vavy. Mitsangana ny anakandriamaso. Mety ho karazana roa samihafa ireo zana-karazana fantatra.

1. Sanzinia m. madagascariensis (DUMÉRIL & BIBRON, 1844)

Toerana nahitana azy: Ambohimanarivo, Ambohimanga Atsimo, Ampokafo, Anandrivola, Andapa, Andasibe, Andohahela, Andranofotsy, Anjanaharibe-Sud, Ankafana, Col Radama, Eminiminy, Fandrarazana, Ifanadiana, Ivohibe, Mahanoro, Malahelo, Manantantely, Mandena, Maroantsetra, Marojejy, Miarinarivo, Midongy Atsimo, Moramanga, Nahampoana, Nosy Boraha, Nosy Mangabe, Sainte Luce, Tampina, Tampolo, Toamasina, Ranomafana, Vohidrazana, Zahamena. Sary avy any: Nahampoana (1a), Manantantely (1b), Andasibe (1c), Ambohimanarivo (1d).

Manditra. Famaritana: Voalaza matetika fa 2 m hatramin’ny 4 m ny tontalin’ny halavana, nefa mirefy 185 sm ny lava indrindra hita ary ny ankabeazan’ireo santionany aza dia latsaky ny 1,5 m. Laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 41-51 (salanisa 45), kirana amin’ny kibo 199-232 (salanisa 215), kirana amin’ny foto-drambo 35-45 (salanisa 40), kirana amin’ny valanorano ambony 13-15 ary matetika mifampikasoka amin’ny maso ny faha 8-9 na ny faha 9-10, kirana amin’ny valanorano ambany 13-16 (salanisa 15), kirana alohan’ny maso 8-16 (salanisa 11), amin’ny takolaka 2-4. Maitsomaitso ny lokon’ny lehibe amin’ny ankapobeny (volontakatra na manopy mainty, indrindra ny vavy bevohoka), ahitana marika lehibe matroka (matetika fotsy ny sisiny) 32-41 (salanisa 37) amin’ny andilana ary mbola misy marika kely fotsy

ao anatiny. Miloko volontakatra manopy mena ny zanany. Misy tsipika mainty miala eo ambany maso hatreo amin’ny sisin’ny lohany. Fomba fi ainany: Iray amin’ireo bibilava mieli-patrana sy fahita matetika any amin’ny faritra andrefan’ny Nosy izy. Monina any anaty ala mikitroka, ala simba, tanimboly lehibe, ary matetika akaiky ny tanàna sy ny velarana lehibe avy nitrandrahana ala. Mihanikazo ny lehibe amin’ny atoandro (eny amin’ny 1-4 m) ary mandady amin’ny alina (matetika ny zanany mihanikazo amin’ny alina, eny amin’ny 1-2m). Sanzinia dia miteraka ary maharitra 145-235 andro ny vohoka, matetika 160-200 andro. Milanja 22-40 g ny zanany indray teraka miisa 1-19 izay mirefy 34-48 sm. Ny sakafony any amin’ny natiora dia biby mampinono ny akamaroany: voalavo (Rattus rattus), ragidro (Microcebus murinus, Cheirogaleus medius, C. major, Hapalemur griseus), trandraka (e. g. Setifer setosus, Tenrec ecaudatus), indraindray miampy vorona sy sahona. Karazana mitovy: Sanzinia m. volontany izay manana toebatana mitovy, fa miavaka kosa ara-tarazo ary miloko volontakatra. Fanamarihana: Tao anatin’ny 15 taona dia nantsoina hoe Sanzinia madagascariensis. Ny Boa manditra nefa tsy dia hita loatra ny fahamarinan’izany.

2. Sanzinia madagascariensis volontany VENCES & GLAW, 2004

Toerana nahitana azy: Ambilobe, Ambovombe, Ampijoroa, Andoany, Andranohinaly, Ankarana, Antsiranana, Berara, Berenty, Bevazaha, Fiherenana, Isalo, Kirindy, alan’i Manarikoba, Manongarivo, Montagne des Français, Nosy Be, Sambirano, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Nosy Be (2a), Ankarafantsika (2b-c).

Mandobolontany. Famaritana: 158 sm ny farany lava indrindra hita. Laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 39-50 (salanisa 43), kirana amin’ny kibo 203-230 (salanisa 216), kirana amin’ny foto-drambo 36-46 (salanisa 42), kirana amin’ny valanorano ambony 13-15 ary matetika mifampikasoka amin’ny maso ny faha 8-9 na 9-10, kirana amin’ny valanorano ambany 13-15 (salanisa 14), kirana alohan’ny maso 8-13 (salanisa 10), amin’ny takolaka 2-3. Volontakatra (volon-davenona indraindray) ny lokon’ny lehibe, misy marika matroka (hodidinin’ny fotsy sy mavo) miisa 31-37 (salanisa 34) amin’ny andilana izay mbola ahitana marika kely fotsy ao anatiny. Misy tsipika mainty miala eo ambany maso hatreo amin’ny sisin’ny lohany. Fomba fi ainany: Hita matetika any amin’ny ala mando avaratr’i Madagasikara sy ny ala maina avaratra sy andrefana, fa mahalana kosa any atsimo. Indraindray hita manakaiky ny fanariampako amin’ny faritra misy tanàna, mihanikazo ny ankabeazany mandritry ny andro (eny amin’ny 1-5 m) ary mandady na mihanikazo amin’ny alina. Tsy fantatra mazava ny fananahany sy ny sakafony, nefa mety mitovy amin’i S. m. madagascariensis ihany. Miisa 1-16 ny zanany indray teraka. Karazana mitovy: Jereo S. m. madagascariensis.

Boidae: Boidae: SanziniaSanzinia

406

1 2

Page 155: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1c

2a

2c

1b1a

1d

2b

Page 156: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Boidae: Boidae: AcrantophisAcrantophis

Taranaka Acrantophis JAN, 1860Ity taranaka bibilava mandady sy mivoaka alina antsoin’ny Malagasy hoe Do ity dia misy itovizany be dia be amin’ny taranaka Boa hita any amin’ny Neotropika. Ary noheverina hatramin’izay fa tena mifandray akaiky ireo taranaka roa ireo. Noho izany antony izany dia nomena anarana Boa madagascariensis sy Boa dumerili izy efa ho 15 taona lasa. Ny mampiavaka ny Acrantophis amin’ny Sanzinia, dia tsy misy ketrona eo amin’ny kiran’ny valanorano ambony. Manana tsilom-body mampiavaka azy amin’ny vavy ny lahy na dia mbola zanany aza. Mitsangana ny anakandriamaso. Ny karazana Acrantophis roa no ngeza indrindra amin’ny bibilava eto Madagasikara. Tsy tahaka ny Sanzinia izay manana zana-karazana iray any atsinanana sy andrefana, fa ny Acrantophis kosa dia manana karazana iray any avaratra ary iray hafa any atsimo. Tsy fantatra mazava ny maha izy azy ny karazana misy any amin’ny faritry Morondava izay toerana hifandraisany.

1. Acrantophis madagascariensis (DUMÉRIL & BIBRON, 1844)

Toerana nahitana azy: Ambanja, Ampijoroa, Andapa, Andrakata, Ankarafantsika, Ankarana, Antsiranana, Kandani, Kirindy, Mahajanga, Manongarivo, Montagne des Français, Nosiarina, Nosy Be, Nosy Hara, Sainte Marie any Marovoay, Tampolo, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Andrakata (1a), Nosy Hara (1b; nalain’i B. Love), Ankarafantsika (1c), Montagne des Français (1d).

Do. Famaritana: 320 sm ny tontalin’ny farany lava, fa 240-250 sm ihany ny ankamaroan’ny santionany. Tsy fantatra ny mampiavaka ny lahy sy vavy. Laharan-kirana amin’ny damosina mampisasaka ny vatana miisa 61-77, kirana amin’ny kibo 221-238, kirana amin’ny foto-drambo 34-41, kirana amin’ny valanorano ambony 16-18, kirana alohan’ny maso 6-10, kirana amin’ny takolaka 2. Miavaka amin’ny kirana ao amin’ny hatoka ny amin’ny tarehy sy eo anelanelan’ny maso izay lehibe noho ny kirana aorian’ny loha. Miloko volontakatra, ahitana marika mainty lava (indraindray marolafy) amin’ny riran-damosina manjamanja mazava ny sisin’ny marika amin’ny lamosina ary fotsy amin’ny kibo. Eo anoloana pentina mifangaro amin’ny soritra volontakatra ka misy fotsy eo afovoany. Matetika mivolondavenona ny eo amin’ny tehezana. Misy tsipika mainty miala eo ambany maso hatreo amin’ny ilan’ny lohany. Fomba fi ainany: Fahita matetika any avaratr’i Madagasikara izy. Mipetraka any anaty ala velona sy efa nahasimbana ary ala maina. Mandady (mihani-kazo indraindray), mazàna misitrika mandritra ny andro, fa mety ho hita mivoaka ihany ny santionany vaventy amin’ny tolakandro, angamba mety tsy dia matahotra loatra ny. biby mpihaza. Nisy zanany iray tsara fi afenana tao ambany ravin-kazo mihintsana hita tamin’ny atoandro, izay voarakotra ravin-kazo vitsivitsy tao anaty ala-mando. Tsy fahita matetika ny fi terahany. Milanja 156-270 g ny zanany vaventy indrindra indray teraka miisa 2-6 ihany ary mirefy 55-70 sm. Ny tetik’ady hitondrany zanaka vitsivitsy fotsiny nefa tena vaventy dia mifandraika amin’ny havitsian’ny mpihaza biby vaventy eto Madagasikara. 238-285 andro ny vohoka. Miofo ny zanany ora iray aorian’ny nahaterahany. Raha ompiana dia matetika feno ao anatin’ny 3 na 4 taona ny fahamaotiana ara-pananahana. Mahatratra 180-200 sm ny tontalin’ny halavana ary 4.3-5.0 kg ny lanjany. Ny sakafo fantatra dia voalavo (Rattus rattus), karazam-

boalavo hafa (Hypogeomys antimena), ramanavy, trandraka (Echinops telfairi, Setifer setosus, Tenrec ecaudatus), gidro (Eulemur fulvus, Propithecus verreauxi coquereli), ary gana. Karazana mitovy: A. dumerili dia kely kokoa ary misy kirana kely kokoa amin’ny loha. Fanamarihana: Ataon’ny sinoa eo an-toerana sakafo izy any avaratra andrefana ary mbola atao fakana hoditra ihany koa.

2. Acrantophis dumerili JAN, 1860Toerana nahitana azy: 40 km amin’ny atsimon’Ambositra, Ambalavao, Amboasary Atsimo, Andohahela, Andranovory, Beanjombona, Berenty, Beza-Mahafaly, Tanjon’i Sainte Marie, Ifaty, Isalo, Tahiry manokan’i Kaleta, Mahabo, Malahelo, Mandena, Mikea, Morondava, Petriky, Lalana andrefan’i Sakaraha, Sainte Luce, Soamantsaka, Toliara, alan’i Vohibasia, Zampongotra, Zombitse. Sary avy any: Ifaty (2a), Antoetra (2b), Kaleta (2c, nalain’i M. Burger).

Fagnano. Famaritana: 125-145 sm ny tontalin’ny salan’ny halavana, ny farany lava indrindra dia nirefy 250-300 sm ary ny lahy dia manatombo noho ny vavy ka izany no mampiavaka azy amin’ny Boa. Laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 59-65, an’ny kibo 225-236, ambanin’ny rambo 30-35, kirana amin’ny valanorano ambony 17-19, amin’ny molotra ambony 11-16, kirana alohan’ny maso 4, kirana amin’ny takolaka 1. Ny kirana amin’ny ampahan’ny ambony amin’ny loha sy anelanelan’ny maso dia lehibe noho ny kirana ao amin’ny hatoka. Misoratsoratra volontakatra sy mainty ny lamosina, ary matetika ahitana marika lava mainty amin’ny riran-damosina, izay mety misy sisiny volontakatra mazava ary manopy fotsy kosa ny eo anoloana. Amin’ny riran’ny kibo, ireo pentina dia mifangaro amin’ny marika volontakatra na mainty izay misy fotsy eo afovoany. Fomba fi ainany: Mety ho hita any atsimo sy afovoantany, ary mazàna hita maty eny amin’ny lalana. Mipetraka any anaty ala maina, sy alan-tsilo misy kirihatra any atsimo, ary any amin’ny toera-pambolena eny afovoantany. Mandady sy mivoaka amin’ny alina. Matetika mipetraka anaty lavaka miaraka amin’ny vitsika izy any atsimo, ary izay no nahatonga an’ilay angano (tsy dia tena marina loatra ara-tsiansa) manao hoe: vokisan’ny vitsika sakafo izy mandram-pahataviny ka tsy afaka mitsoaka ary dia vonoiny. Tena miavaka amin’ny an’i A. madagascariensis ny fomba fananahany: Milanja 60-108 g ny zanany indray miteraka izay miisa 6-13 ary mirefy 44-52,5 sm ny tontalin’ny halavana. 200-241 andro ny fi tondrana vohoka. Raha ompiana, dia mety feno 3-4 taona ny fahamaotiana ara-pananahana ary mirefy 125. 5-160 sm ny tontalin’ny halavanaa, ny lanjany dia 3. 1 kg. Ny fi hinany dia akohokely, ary izany no antony namonon’ny andiany ny A. dumerli tany akaikin’ny Taolagnaro. Fiovaovana: Araka ny fantatra avy tamin’ny ADN mitokondrialy, ireo santionany avy amin’ny farany atsimon’i Madagasikara (Amboasary mankany Tolagnaro) dia miavaka amin’ireo A. dumerili hafa, ary hita fa manakaiky kokoa ny A. madagascariensis (samihafa anefa ny kirana amin’ny lohan’ireo karazana roa ireo). Mila fantarina ny momba an’ireo andiany ireo. Karazana mitovy: Jereo A. madagascariensis.

408

1 2

Page 157: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b

1d

1a

1c

2a

2c2b

Page 158: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: MadagascarophisMadagascarophis

Fianakaviana Colubridae OPPEL, 1811Ny Colubridae no fi anakaviana lehibe indrindra amin’ny’ny bibilava raha ny isan’ny taranaka sy ny karazana ary ny toerana nahitana azy eran-tany no jerena. 18 taranaka sy 75 karazana eo ho eo no fantatra eto Madagasikara ankehitriny, nefa mbola misy karazany maro miandry ny famaritana azy ireo. Tsy mazava loatra ary mbola iadian-kevitra ny fanasokajiana sy ny fi sandrahan-taranaka, ao anatin’ny colubridae, fa ny fanadihadiana ara-tarazo vao haingana dia nahitana fi voarana goavana ao anaty ny dingana samihafa. Ankoatra ny Mimophis mahfalensis izay mifandray akaiky amin’ireo bibilava Psammophiinae hafa any Afrika; ny Colubridae Malagasy rehetra dia ao anatin’ny fi sandrahana iray antsoina hoe Pseudoxyrhophiinae izay mitahiry karazana vitsivitsy avy any amin’ny nosy Kaomaoro, ny taranaka tokan-drantsana Ditypophis avy any amin’ny nosy Socotra, ary angamba koa ny karazana (Duberria) avy any amin’ny faritra atsimon’i Afrika izay mipetraka eo amin’ny vonan’ny fi sandrahan-taranaka ara-tarazo. Nampidirina vao haingana tao anatin’ny fi anakaviana Elapidae (Lawson sy al. 2005) na Lamprophiidae (Vidal sy al. 2006) ny Pseudoxyrhophiinae Tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny ankabeazan’ireo taranaka 18 Malagasy sy ny karazana hafa rehetra, fa Liophidium kosa dia manana karazana any amin’ny nosin’ny Kômôriana any Mayotte ary ny karazana Malagasy Leioheterodon madagascariensis dia nampidirina tany Kaomaoro. Farany, ny taranaka Lycodryas avy any Kaomaoro dia mifandray akaiky amin’ny taranaka Malagasy Stenophis izay mbola mila fandinihana lalina. Miavaka amin’ny Boidae ny Colubridae Malagasy noho ny havitsian’ny kirana eo amin’ny lamosina (15-33 amin’ny 39-77) sy ny kirana anelanelan’ny maso (3 na mihoatra ny 3).

Taranaka Madagascarophis MERTENS, 1852Ny karazana ato anatin’ity taranaka ity dia anisan’ireo bibilava Malagasy fahita matetika. Madagascarophis dia mora fantarina noho ny fi tsanganan’ny anakandriamaso sy ny soratra izay zarain’ny Stenophis sy ny Langaha. Karazany telo no azo fantarina, kanefa kosa M. citrinus, sy ireo zana-karazana M. colubrinus (occidentalis, pastoriensis, septentrionalis ary insularis) dia tsy voafaritra mazava tsara ara-toe-batana sy ara-tarazo hatramin’izao ka noho izany dia noheverina ho iray ihany izy ireo eto. Mivoaka amin’ny somambisamby na alina ry zareo. Mandady ny ankabeazany fa mety mihani-kazo indraindray. Mavitrika be mandritra na rehefa mitsahatra ny orana. Mandritra ny andro dia any ambany vato, na lavaka amin’ny hazo no ahitana ny Madagascarophis ary mety eo amin’ny manodidina akaikin’ny tanàna koa izy. Sahona, tana, tanafi saka, katsatsaka ary koa bibilava sy vorona dia anisan’ny haza. Ireo opisthoglyphe ireo dia manaikitra ary nisy tranga vitsivitsy amin’ny fanampoizinana voalaza. Atody roa (savaivo 50-53 x 30 mm, izay mitombo tsara ny tsaika) sy atody telo (savaivo 38-48 x 13-15 mm) no hita rehefa nodidiana ny vavy izay nosamborina ny volana oktobra sy novambra. Nandatsaka atody 6 ny vavy iray ary zanany roa no foy afaka 58 andro farafahatarany.

1. Madagascarophis colubrinus (SCHLEGEL, 1837)Toerana nahitana azy: Ambatomainty, Ambitsa, Ambohitsara, Ampijoroa, Alan’i Manarikoba, Andasibe, Andranofotsy, Ankara, Ankarafantsika, Ankarana, Anove, Antananarivo, alan’i Berara, Beroboka Avaratra, Besalampy, Ifanadiana, Kirindy, Lokobe, Mahambo, Malahelo, Mananara, Manantantely, Mandena, Mandroseza, Manombo, Manompana, Manongarivo, Maroantsetra, Midongy Atsimo, Montagne des Français, Nahampoana, Nosy Be, Nosy Komba, Nosy Tanikely, Petriky, Ranomafana, Sainte Luce, Tampolo, Toamasina, Tsingin’i Bemaraha, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Antananarivo (1a), Ankarafantsika (1b), Montagne des Français (1c), Ranomafana (1d), Nosy Be (1e, 1f).

Lapata. Famaritana: Mahatratra 1060 mm ny tontalin’ny halavana, laharan’ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 25-27 (tsy fahita fi ry ny 29) ny, kirana amin’ny kibo 180-204 (tsy fahita fi ry ny 209), kirana amin’ny foto-drambo 49-76, amin’ny takolaka 1, matetika misaraka ny kiran’ny lava-body (mahalana ny tsy fi zarany). Miovaova ny votoatin’ny loko, volondavenona, volontakatra, volomboasary na mavo misy marika matroka sy miavaka ary milahatra tsara izay mety ho loko misongadina. Ny loko mavo sy manopy volontakatra dia mety ho hita ao anaty andiany mitovy (sary 1e) ary tsy voatery ho fi avahana ara-pananahana. Fomba fi ainany: Hita amin’ny toera-ponenana maro samihafa, matetika fahita manodidina ny dobo amin’ny fahavaratra.

2. Madagascarophis meridionalis DOMERGUE, 1987Toerana nahitana azy: Ankazomanga, Egogy, Ifaty, Mahavelo, Soamazaka, Toliara. Sary avy any: Ifaty.

Renivitsika. Famaritana: Mahatratra 870 mm ny tontalin’ny halavana, laharan’ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana miisa 29-33 (tsy fahita fi ry ny 27), an’ny kibo 187-232, ambanin’ny rambo 47-73, ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy faha 5, kirana amin’ny-takolaka 1, kiran’ny lempon’ny lava-body misaraka na tsia. Miovaova ny lokony fa amin’ny ankapobeny dia mitovy amin’i M. colubrinus. Fomba fi ainany: Matetika eny amin’ny toerana maina kokoa noho ny toeran’ny M. colubrinus no ahitana azy.

3. Madagascarophis ocellatus DOMERGUE, 1987Toerana nahitana azy: Andatabo, Beomby, Ifaty, Zampongotra. Sary avy any: Beloza (Toliara; nalain’i A. Raselimanana).

Tsimenamaso. Famaritana: Mahatratra 826 mm ny tontalin’ny halavana, laharan’ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 29-31, kirana amin’ny kibo 205-224, ambanin’ny rambo 47-57, amin’ny takolaka 1, amin’ny lempon’ny lavabody misaraka na tsia. Misy kisari-maso volontakatra na mainty izay mampiavaka azy ny lamosina (jereo ny sary 3). Fomba fi ainany: Ny fandidiana ny vaviny iray bevohoka dia nahitana atody kely roa (8 x 2 mm) efa nitombo. Ny ankabeazan’ny santionana no nosamborina tamin’ny toerana feno ala-tsilo maina misy reniala baobab ary kily (voamadilo) sy tany fasika mena.

21 3

410

Page 159: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b1a

1d1c

1f1e

32

Page 160: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Stenophis BOULENGER, 1896Taranaka iray opisthoglyphe, amin’ny ankapobeny mavitrika alina sy mpihani-kazo, izay tena mifandray akaiky amin’ny Lycodryas avy any Kaomaoro sy ny Madagascarophis ihany koa. Amin’izao fotoana izao dia manodidina ny 12 eo ho eo ny karazana Stenophis fantatra fa avy eto Madagasikara. Stenophis dia bibilava kelikely mpihanikazo sy manana loha miavaka izay lehibe noho ny hatoka. Ny fanasokajiana ny taranaka sy ny karazana dia mila fandinihina maika. Maro ireo karazana manatody foy ambohoka, ny ampahany hafa mametraka ny atody ihany.

1. Stenophis betsileanus (GÜNTHER, 1880)Toerana nahitana azy: Ambatambe, Ambositra, Andohahela, Anjanaharibe-Sud, Ivohibe, Manongarivo, Marojejy, Masoala, Nosy Mangabe, Ranomafana. Sary avy any: Marojejy (1a), Ranomafana (1b).

Fandrefi ala mena. Famaritana: Mahatratra 1290 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana miisa 23, kirana amin’ny kibo 209-236, kirana amin’ny foto-drambo 77-105 (misaraka daholo), tsy misy amin’ny takolaka, kirana amin’ny lempon’ny lava-body misaraka. Mainty na volontakatra matroka, ahitana tsipika manapatapaka fotsy ety volontakatra 41-52, mazàna tsy miavaka loatra amin’ny santionana lehibe ary indraindray tsy misy tsipika manapatapaka. Mainty ny anakandriamaso. Fomba fi ainany: Fahita any anaty ala-mando sy ala nahasimbana, ary eny an-tanàna. Mifanohitra amin’ny karazany hafa ny S. betsileanus. Mandady. Tana no fantatra amin’ny sakafo (Furcifer balteatus, F. willsii). Karazana mitovy: S. variabilis izay hany karazana manana kirana amin’ny lamosina 23, fa maro kokoa ny an’ny kibo sy kirana amin’ny foto-drambo ary hafa ny lokony.

2. Stenophis arctifasciatus (DUMÉRIL, BIBRON & DUMÉRIL, 1854)

Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Ambatorongorongo, Andasibe, Malahelo, Manantantely, Marojejy, Montagne d’Ambre, Moramanga, Sainte Luce, Tsararano. Sary avy any: Andasibe.

Fandrefi ala maroloko. Famaritana: Mahatratra 905 mm ny tontalin’ny halavana, laharan’nykirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 214-247, kirana amin’ny fotodrambo 144-179 (misaraka daholo), amin’ny takolaka 1, kirana amin’ny lempon’ny lava-body misaraka. Ny loko ankapobeny dia manopy mavo mankany amin’ny volontakatra manopy mena, ahitana fehiny manapaka mainty amin’ny hatoka ary fehiny manapaka matroka matimaty miisa 99-144 ny vatana sy ny rambo. Manopy mena ny anakandriamaso. Fomba fi ainany: Fahita any anaty ala mando ary mavitrika eny ambony hazo amin’ny alina. Karazana mitovy: S. variabilis izay misy kirana amin’ny lamosina 23-25 sy kirana amin’ny kibo maro kokoa. Fanamarihana: S. jaosoloa dia heverina ho anarana mitovy hevitra aminy.

3. Stenophis variabilis BOULENGER, 1896Toerana nahitana azy: Ampijoroa, Andranovory, Ankarafantsika, Ankarana, Bemaraha, Kirindy, Malahelo, Toliara. Sary avy any: Kirindy.

Fandrefi ala menamaso. Famaritana: Mahatratra 1497 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 23-25, kirana amin’ny kibo 244-278, ambanin’ny rambo 151-166 (tsy misaraka

izy rehetra), amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka na tsia. Mavo mankany amin’ny volontakatra, ahitana tsipika manapatapaka 105-132 matroka tsy dia miavaka ny vatana sy ny rambo. Manopy mena ny anakandriamaso. Fomba fi ainany: Fahita any anaty ala mando ary mavitrika eny ambony hazo amin’ny alina. Ny sakafony dia tana (Furcifer pardalis). Karazana mitovy: S. arctifasciatus. Fanamarihana: S. tulearensis dia heverina ho anarana mitovy hevitra amin’ny S. variabilis.

4. Stenophis iarakaensis DOMERGUE, 1995Toerana nahitana azy: Iaraka. Tsy misy sary.

Fandrefi ala mavomena. Famaritana: 290 mm ny halavan’ny zanany tokana fantatra, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 235, ambanin’ny rambo 157 (misaraka daholo), amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Mitovy amin’i S. arctifasciatus ny sarisary sy ny lokony, misy tsipika manapatapaka matroka 129 eo amin’ny vatana sy ny rambo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Karazana mitovy: Tsy misy Stenophis hafa manana laharan-kirana 19 amin’ny lamosina.

5. Stenophis inopinae DOMERGUE, 1995Toerana nahitana azy: Ankarana, Antongombato, Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français.

Fandrefi ala tebokamainty. Famaritana: Mahatratra 619 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 223-248, kirana amin’ny foto-drambo 108-113 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra mazava, ahitana pentina matroka 75-111, tahaka ny tsipika manapatapaka eo amin’ny vatana sy ny rambo. Ny santionana avy any Ankarana dia mety manana loko ankapobeny matroka sy tsipika manapatapaka tsy dia miavaka loatra. Fomba fi ainany: Mavitrika alina sy mihani-kazo any amin’ny ala maina vatoina. Hany karazana manana laharan-kirana lehibe eo amin»ny hazon-damosina sy laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17.

Colubridae: Colubridae: StenophisStenophis

412

21

43 5

Page 161: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

1b1a

3 5

Page 162: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: StenophisStenophis

1. Stenophis citrinus DOMERGUE, 1995Toerana nahitana azy: Beroboka, Kirindy, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Kirindy. Fandrefi ala mavo mainty. Famaritana: Mahatratra 705 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana 17 amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana, kirana amin’ny kibo 239-254, kirana amin’ny foto-drambo 111-126 (tsy misaraka na ny ampahany no misaraka), amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Mavo mamiratra mankany amin’ny volontakatra, ahitana tsipika manapatapaka matroka sy miavaka 50-58 ny vatana sy ny rambo. Fomba fi ainany: Fahita any anaty ala maina sy vatoina any amin’ny Tsingin’i Bemaraha. Mavitrika amin’ny alina, matetika hita any anaty kirihitra 0,5-2 m. Niteraka roa lehibe nefa mahia mirefy 18-20 sm ny vavy iray mirefy 50 sm (tamin’ny faran’ny desambra), mitovy toe-batana amin’ny lehibe nefa volontakatra mazava fa tsy mavo ny lokony. Karazana mitovy: Tokana ny lokony.

2. Stenophis gaimardi (SCHLEGEL, 1837)Toerana nahitana azy: Maroantsetra, Marojejy, Moramanga, Sahafary, Toamasina. Sary avy any: Marojejy (2a), Benavony (2b). Fandrefi ala volontanimainty. Famaritana: Mahatratra 837 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 266-284, kirana amin’ny foto-drambo 105-117 (tsy misaraka na ny ampahany no misaraka), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra mazava, misy tsipika manatapaka matroka sy miavaka 72-86 ny vatana sy ny rambo, izay mety hisy sisiny fotsy miavaka. Fomba fi ainany: Mavitrika amin’ny alina eny ambony hazo anaty ala mando mihoatra ny 3 m miala amin’ny tany. Karazana mitovy: Manana kirana amin’ny kibo vitsy kokoa ny ankabeazan’ny Stenophis, S. variabilis. dia misy kirana amin’ny lamosina maro kokoa. Fanamarihana: Ny iray hita tany Benavony (sary 2b) dia mety mampiseho karazana hafa.

3. Stenophis carleti DOMERGUE, 1995Toerana nahitana azy: Andohahela, Manakara, Midongy Atsimo, Tolagnaro. Sary avy any: Andohahela. Fandrefi ala tsipika mainty. Famaritana: Mahatratra 772 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 252-258, kirana amin’ny foto-drambo 97 (tsy misaraka na ny ampahany no misaraka), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra mamiratra, misy tsipika manapatapaka matroka sy miavaka 77-90 ny vatana sy ny rambo. Fomba fi ainany: Santionana iray tany Andohahela heverina ho S. carleti, no hita nandady tamin’ny alina tany anaty ala mando. Nahitana atody 4 (43 x 8 mm). ny vavy iray nodidiana. Karazana mitovy: Mitovy aminy i S. gaimardi nefa manana kirana amin’ny kibo sy ambanin’ny rambo vitsy kokoa. Fanamarihana: Mampisalasala ny maha karazana iray manokana azy.

4. Stenophis guentheri BOULENGER, 1896 Toerana nahitana azy: Ambovombe, Beraketa, Itremo. Tsy misy sary.

Fandrefi ala maraorao. Famaritana: Mahatratra 520 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 185-209, kirana amin’ny foto-drambo 70-94 (misaraka na ny ampahany ihany no misaraka), 1 na tsy misy amin’ny takolaka, misaraka ny kirana amin’ny lempon’ny lava-body. volontakatra mazava, ahitana mariky ny taolan-damosina volontakatra 77-90 ny vatana sy ny rambo. Fomba fi ainany: Any amin’ny tany karankaina sy tendrombohitra no fantatra fa misy azy.

5. Stenophis granuliceps (BOETTGER, 1877)Toerana nahitana azy: Ankarana, Antsiranana, alan’i Berara, Lokobe, Montagne des Français, Nosy Be. Sary avy any: Montagne des Français (5b: tanora). Fandrefi ala marokoroko. Famaritana: Mahatratra 1020 mm ny tontalin’ny halavana, laharan’ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, an’ny kibo 224-257, kirana amin’ny foto-drambo 99-122 (misaraka daholo), 1 na tsy misy amin’ny takolaka, misaraka ny kirana amin’ny lempon’ny lava-body. Volontakatra, ahitana tsipika manapatapaka 99-113 eo amin’ny vatana sy ny rambo izay mety tsy miavaka ary misy fotsy miavaka ny sisiny amin’ny santionana lehibe. Fomba fi ainany: Ny ala mando, ala maina sy havoana novolena no fantatra fa misy azy. Mavitrika eny ambony hazo amin’ny alina. Karazana mitovy: S. pseudogranuliceps izay misy kirana amin’ny kibo sy tsipika manapatapaka vitsy kokoa. Fanamarihana: S. capuroni dia heverina ho zandriny mitovy anarana amin’i S. granuliceps.

6. Stenophis pseudogranuliceps DOMERGUE, 1995Toerana nahitana azy: Ampijoroa, Befaisitra, Beroboka Avaratra, Fiherenana, Maroamalona, Marofandilia, Tolagnaro, Toliara, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Ampijoroa (nalain’i F. Andreone). Fandrefi ala mitsipika. Famaritana: Mahatratra 710 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 220-239, kirana amin’ny foto-drambo 75-118 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra, misy tsipika manapatapaka matroka sy miavaka ary mirindra 99-113 eo amin’ny vatana sy ny rambo ary mety ho fotsy miavaka ny sisiny amin’ny santionana lehibe. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mazava, monina any amin’ny tany karankaina. Karazana mitovy: jereo S. granuliceps.

7. Stenophis inornatus BOULENGER, 1896Toerana nahitana azy: Zampongotra. Tsy misy sary. Fandrefi ala mazava loko. Famaritana: Mahatratra 647 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 210-234, kirana amin’ny foto-drambo 106-114 (misaraka na ny ampahany ihany no misaraka), kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy ny faha 5, amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Miloko mazava ranoray ary tsy ahitana tsipika manapatapaka matroka. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Karazana mitovy: Ny loko ranoray no mampiavaka azy. Nefa ny endriky ny kirana hitovizany amin’ny S. pseudogranuliceps.

414

65 7

21 3

4

Page 163: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1

3

2a 2b

5a

65b

Page 164: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: LeioheterodonLeioheterodon

Taranaka Leioheterodon DUMÉRIL & BIBRON, 1854

Ny karazana telo ato anatin’ity taranaka ity dia fantatra amin’ny fi tovitovizan’ny endriky ny kirana amin’ny tendron’ny molotra mampiavaka azy, izay somary fi saka sy manondro miakatra ka ahafany mangady tany. Izy ireo no matanjaka indrindra amin’ny Colubridae Malagasy ary mety tena fahita matetika any amin’ny haabo iva. Mazàna miezaka milefa ry zareo rehefa samborina, fa matetika kosa dia mampihena ny vatana aloha tahaka ny fanaon’ny cobra ary dia manohitra ny mpihaza azy. Ny nifi n’ny Leioheterodon dia aglyphe ary ny faravangy dia vaventy, ny glandin’i Duvernoy dia afaka mamokatra poizina ary nisy fanapozinana olombelona avy tamin’ny L. modestus vao haingana. Ora iray tao aorian’ny kaikitra dia nivonto ny rantsan-tanana sy ny faritra manodidina azy fa tsy nanaintaina kosa anefa. Ora folo tao aorian’izay dia nanjavona ny fi vontosana teo amin’ny rantsan-tanana. Mavitrika atoandro sy mandady ny Leioheterodon ary boribory ny anakandriamaso. L. madagascariensis dia fantatra fa nampidirina tany Kaomaoro.

1. Leioheterodon madagascariensis DUMÉRIL & BIBRON, 1854

Toerana nahitana azy: Ambila-Lemaitso, Amboasary Atsimo, Fandalovana ao Ampamakiesiny, Anandrivola, Andranolava, Ankarafantsika, Ankarimbelo, Antsiranana, Beraketa, Betsimpoaka, Fandrarazana, Kirindy, Lokobe, Mahajanga, Mananara, Mandena, Maromandia, Marotolana, Marovoay, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Boraha, Nosy Komba, Nosy Sakatia, Ifanadiana, Tampolo, Toamasina, Tsingin’i Bemaraha, Toliara, Voloina, Zahamena, alan’i Zombitse. Sary avy any: Kirindy (1a, nalain’i M. Burger), Ankarafantsika (1b).

Menarana. Famaritana: 1500 mm ny tontalin’ny halavana farafahakeliny, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 23, kirana amin’ny kibo 206-216, kirana amin’ny foto-drambo 62-73 (misaraka ny ampahany), kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy faha 5, amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Mivalo mainty ny tapany aloha amin’ny lamosina Indraindray miofo ho sarisary volontakatra sy mainty ny tapany aoriana. Misy marika mavo ny tehezana. Mavo mipentina mainty ny kibo. Fomba fi ainany: Fahita any an’ala sy akaiky toeram-ponenan’ny olona. Mavitrika mandritra ny andro sy mandady amin’ny tany ary tia mitanin’andro. Nisy adin’ny lahy voarakitra an-tsoratra. Biby manana taolan-damosina no sakafony: sahona, voalavo (Nesomyinae), ary vorona. Atodin’ny Oplurus cuvieri (hita matetika tany Kirindy sy Ampijoroa) no sakafo tiany amin’ny fahavaratra. Mazàna karohiny ny toeram-panatodizan’ny Oplurus, angadiany ary dia haniny ny atody avy eo. Lehibe iray amin’ny Dromicodryas quadrilineatus ao anaty kitapo fi tondrana iray. miaraka amin’ny L. madagascariensis iray nitovy halavana dia nanjavona ary niharihary fa nohaniny. Zanaka Sanzinia kely roa no fantatra fa nohaniny tany amin’ny toeram-piompiana. Vondron’atody 13 izay mirefy 48 x 32 mm, ary andiany hafa niisa 10 no voasoritra. 340 mm ny halavan’ny zanany foy tamin’ireo, afaka 76 sy 90-96 andro avy. Ny vavy iray tany Ampijoroa (HLV 1293 mm, nilanja 975 g talohan’ny nanatodizany ary 685 g taoriana) dia nanatody 10 tamin’ny 1 novambra (10 andro taorian’ny nisamborana azy) ary 45,0-59,7 x 26,5-33,3 ary milanja 17,5-29,9 g. Foy ny 5 afaka 86-89 andro ary 384-

404 mm ny tontalin’ny halavana (320-334 mm SVL) ary milanja 18,7-19,9 g. Karazana mitovy: Tokana ny lokony. Fanamarihana: Antsoina hoe “Menarana” izy manerana an’i Madagasikara.

2. Leioheterodon geayi MOCQUARD, 1905Toerana nahitana azy: Ambovombe, Androka, Betioky, Fiherenana, Ifaty, Kirindy, Toliara. Sary avy any: Ifaty (2a, 2c), Kirindy (2b, nalain’i M. Grubenmann).

Menarana mazava loko. Famaritana: Mahatratra 1400 mm ny tontalin’ny halavana, kirana amin’ny lamosina laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 23, kirana amin’ny kibo 195-205, kirana amin’ny foto-drambo 61-68 (misaraka ny ankamaroany), kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy faha 5, amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Volontakatra mazava, misy tsipika mirary matroka sy teritery manaraka ny sisin’ny kirana. Mipentina mainty ny loha. Volontakatra manopy mena ny rambo. Fomba fi ainany: Tsy fahita loatra miohatra amin’ireo karazany roa hafa. Nahitana L. geay iray tany amin’ny faritra nisy dongom-pasika. Hita any an’ala mainan’i Kirindy akaikin’i Morondava ireo karazana telo ireo, fa mety samy manana ny fonenany. Karazana mitovy: jereo L. modestus.

3. Leioheterodon modestus (GÜNTHER, 1863)Toerana nahitana azy: Ambanja, Andranolava, Andranosamonta, Ankarafantsika, Antsirasira, Beraketa, Isalo, Kirindy, Maevatanana, Mahajanga, Maroamalona, Miarinarivo, Sainte Marie any Marovoay, Tolagnaro, Toliara, alan’i Vohibasia. Sary avy any: Belamoty (3a, nalain’i R. Gebhardt), Antsirasira (3b).

Mandopotsy. Famaritana: Mahatratra 1200 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 159-165, kirana amin’ny foto-drambo 55-65 (misaraka ny ankamaroany), kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy faha 5, amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Volontakatra mazava ranoray, misy tsipika matroka matimaty ny riran-damosiny matetika. Fomba fi ainany: Fahita matetika any amin’ny faritra karankaina sy ivelan’ny ala, fa nahitana azy koa ny faritra mando maromaro (Ambanja). Mety ho hita any an’ala sy eny amin’ny toeram-ponenan’ny olona. Matetika izy mavitrika amin’ny takariva (hatramin’ny 9 ora). Katsatsaka, sahona ary atodin’i Mimophis mahafalensis no fantatra amin’ny sakafony. Nisy lahy roa niady tamin’ny andro atoandro (septambra) tany akaikin’i Belamoty. Nifanolana ny vatana ary natosiny nidina’ny loha mba tsy hahafahan’ilay iray manaikitra. Nisaraka afaka 5 minitra ka tsy fantatra izay nandresy. Karazana mitovy: L. geayi izay tsy dia ranoray loatra ny lokony.

416

21 3

Page 165: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

1b1a

2b 2c

3b3a

Page 166: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: CompsophisCompsophis

Taranaka Compsophis MOCQUARD, 1894Ny karazana iray mampanontany tena Compsophis albiventris dia fantatra tamin’ny santionana zanany tokana tao anatin’ny 100 taona mahery, ary hita vao haingana indray tany Montagne d’Ambre (avaratry ny Nosy). Ny fahalalana ara-molekiolary sy ara-toebatana dia nanamafy ny fi havanany amin’ireo karazana tao anatin’ny taranaka Geodipsas teo aloha ka nafi ndra ao aminy. Zana-taranaka roa no fantatra: ny zana-taranaka Compsophis dia ahitana karazana efatra, albiventris, boulengeri, vinckei ary zeny (kely). Mihani-kazo ny ankamaroany ary mavitrika amin’ny atoandro ny sasany. Ny zana-taranaka Geodipsas kosa dia ahitana karazana telo, infralineatus, fatsibe ary laphystius (ngeza). Ireto no mampiavaka ny Compsophis: “opisthoglyphe”, anakandriamaso boribory lavalava mitsangana ; laharan-kirana amin’ny lamosina malama 19-21, kirana amin’ny kibo 131-198, kirana amin’ny foto-drambo 24-82 mizara roa, miavaka ny loha sy ny hatoka, kirana amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3 sy faha 4, kirana amin’ny takolaka 1 (mahalana 2), lempon’ny lava-body tsy misaraka.

1. Compsophis albiventris MOCQUARD, 1894Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre.

Bibimaimbo fotsisoroka. Famaritana: Mahatratra 504 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 148-149, kirana amin’ny foto-drambo 38-41 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra ranoray ny lamosina sy ny andilana, misy tsipika matroka matimaty ny manaraka ny hazon-damosina. Misy faritra mazava ny valanorano ambony ary misy pentina lehibe mazava ny andaniny roa amin’ny tenda. Fotsy ny kibo. Fomba fi ainany: Tao anaty kirihitra akaiky sakeli-drano mikoriana tamin’ny alina no nahitana ilay santionana iray vaovao. Karazana mitovy: C. boulengeri.

2. Compsophis boulengeri (PERACCA, 1892)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Andasibe, Andrangoloaka, Andringitra, Ranomafana, Tsianovoha. Sary avy any: Andasibe (2a, 2b), Ranomafana (2c).

Bibimaimbo menakibo. Famaritana: Mahatratra 353 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 131-137, kirana amin’ny foto-drambo 24-36 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirana amin’ny takolaka 1-2, lempon’ny lava-body tsy mizara. Volontakatra ranoray ny lamosiny sy ny andilana. Misy faritra fotsy ny valanorano ambony ary miteboka volomboasary na volontakatra ny sorony; mena ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fahita matetika, mavitrika atoandro any an’ala mando na toerana be bozaka. Karazana mitovy: C. albiventris izay fotsy kibo sy manana kirana amin’ny kibo sy kirana amin’ny foto-drambo maro kokoa.

3. Compsophis vinckei (DOMERGUE, 1988)Toerana nahitana azy: Andasibe, An’Ala. Sary avy any: An’Ala.

Bibimaimbo fotsihatoka. Famaritana: Mahatratra 495 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 152-163, kirana amin’ny foto-drambo 38-45 (misaraka daholo), kirana

amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirana amin’ny takolaka 1, kirana aorian’ny maso 2-3, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Mivalo-mainty ny lamosina sy ny andilana, misy faritra fotsy ny valanorano ambony ary fehitenda fotsy ny hatoka, mazava kokoa ny kibo. Fomba fi ainany: Mahalam-piseho ary fantatra tamin’ny santionana tokana. Hita tamin’ny tany ny zanany tany An’Ala. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny fehitenda fotsy.

4. Compsophis zeny (CADLE, 1996)Toerana nahitana azy: Rianambo, Ranomafana. Tsy misy sary.

Bibimaimbo zeny. Famaritana: Mahatratra 281 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 132-137, kirana amin’ny foto-drambo 35-41 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirana amin’ny takolaka 1, kirana aorian’ny maso 2-3, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Volontakatra matroka ny lamosina sy ny andilana, misy pentina mainty madinika sy mamariparitra ny vatana. Volontakatra manopy volondavenona ny valanorano roa. Misy tsipika matroka anivon’ny kibo fa tsy mitohy any amin’ny rambo. l Fomba fi ainany: Mahalampiseho. Hita teny ambony hazo (2 m) tamin’ny alina ny voalohany ary ny iray hafa dia teny an-dalana. Karazana mitovy: C. infralineatus sy fatsibe izay ngeza sy manana kirana amin’ny kibo sy kirana amin’ny foto-drambo maro kokoa.

5. Compsophis fatsibe (MERCURIO & ANDREONE, 2005)Toerana nahitana azy: Anjanaharibe-Sud (Analabe), Antsahamanara (Tendrombohitr’i Tsaratanana). Sary avy any: Analabe (nalain’i F. Andreone).

Bibimaimbo mitsipika. Famaritana: Mahatratra 620 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 195-198, kirana amin’ny foto-drambo 78-82 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Miloko volontakatra na volondavenona ny lamosina sy ny andilana ary misy fariparitra. Misy tsipika mainty ny hazon-damosina, eo amin’ny antsasa-batana hatrany amin’ny tendron-drambo Fomba fi ainany: Hita eny ambony hazo madinika (1,5-2 m) amin’ny alina. Karazana mitovvy: C. infralineatus izay ngeza sy manana kirana amin’ny kibo sy kirana amin’ny foto-drambo maro kokoa.

418

43 5

21

Page 167: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

1b1a

2b 2c

53

Page 168: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: Compsophis / Brygophis / AlluaudinaCompsophis / Brygophis / Alluaudina

1. Compsophis infralineatus (GÜNTHER, 1882)Toerana nahitana azy: Ambodimaharira, Analamazoatra, Andasibe, Andohahela, Anjozorobe, Itremo, Manjakatompo, Reniranon’i Menarano, Midongy Atsimo, Rianambo, Lemak’i Sahandratao, Sahavondrona, Vohisokina. Sary avy any: Andohahela (1a), Ranomafana (1b).

Bibimaimbo miovaloko. Famaritana: Mahatratra 933 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 172-199, kirana amin’ny foto-drambo 53-77 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Miovaova ny lokony: mavo, volontakatra na volondavenona ny lamosina sy ny andilana, matetika misy fariparitra mifampifehiny manapaka amin’ny andilana. Mety mitsipika mainty ny lamosina. Fomba fi ainany: Mihani-kazo, eny ambony hazo vaventy mahatratra 7 m na amin’ny tany manakaiky dobo na sakeli-drano amin’ny alina. Sahona sy biby mampinono madinika no sakafony. Karazana mitovy: C. fatsibe. Fanamarihana: Ny voka-pikarohana momba ny kasinga dia nahafantarana fa misy karazana maromaro mitondra ny anarana G. infralineatus.

2. Compsophis laphystius (CADLE, 1996)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, An’Ala, Andasibe, Marojejy, Ranomafana, Rianambo, Tsararano, Vatoharanana, Vohidrazana, Vohiparara. Sary avy any: Andasibe.

Bibimaimbo vangavanga. Famaritana: Mahatratra 622 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 170-187, kirana amin’ny foto-drambo 64-81 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Mavo mankamin’ny volontakatra, misy tsipika sy fariparitra mifanosona. Fomba fi ainany: Mavitrika alina sy mihani-kazo, hita eny ambony hazo 0. 5-4 m na manakaiky sakeli-drano amin’ny alina rehefa avy ny orana. Sahona (Boophis sy Mantellinae) lehibe miaraka amin’ny atody no sakafony fantatra. Karazana mitovy: C. infralineatus dia tsy manaraka ny halavany ny tsipika fa misompirana. maromaro kosa eo amin’ny vatana.

Taranaka Brygophis DOMERGUE & BOUR, 1988Ity taranaka tokan-karazana tsy dia fantatra ity dia opisthoglyphes ary mitovy endrika amin’ny Compsophis. Ny anakandriamaso dia boribory lavalava mitsangana (prolate), nefa mety azo lazaina ho boribory koa, ka itovizany amin’ny Compsophis sy Alluaudina.

3. Brygophis coulangesi (DOMERGUE, 1988)Toerana nahitana azy: Anjanaharibe-Sud (Analabe), Fierenana. Sary avy any: Analabe (nalain’i F. Andreone).

Mantsiviro menamaso. Famaritana: Mahatratra 1203 mm ny tontalin’ny halavana, laharanki-randamosina anivom-batana miisa 19, kirana amin’ny kibo 196-204, kirana amin’ny foto-drambo 72-73 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano am-bony 7 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 3-4, kirantako-laka 1, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Volomboasary manopy mena ny lamosina, misy pentina fotsy na matroka. Mena ny ankandriamaso Fomba fi ainany: Mahalam-piseho, fantatra tamin’ny santionana roa: nilatsaka

avy eny ambony hazo ny voalohany, ary nandò Calumma parsonii lehibe iray mirefy 270 mm HLV. Hita nihorona tamin’ny alina teny amin’ny kirihitra (0. 60 m) ny faharoa. Karazana mitovy: C. infralineatus angamba.

Taranaka Alluaudina MOCQUARD, 1894Karazana manana kiran-damosina mankadiry, izay hitovizany amin’ny Langaha. Misarin’atody mitsangana na koa boribory ny anakandriamaso.

4. Alluaudina bellyi MOCQUARD, 1894Toerana nahitana azy: Anandrivola, Montagne des Français, Benavony, alan’i Berara, Lokobe, Manongarivo, Marojejy, Montagne d’Ambre, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Manongarivo (4a), Benavony (4b).

Mantsiviro. Famaritana: Mahatratra 447 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 25, kirana amin’ny kibo 153-161, kirana amin’ny foto-drambo 57-70 (tsy misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano am-bony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4-5, kirantako-laka 1, kirana alohan’ny maso 2 ary aoriana 3, tsy mizara ny kiran-davabody. Mainty makamin’ny volontakatra ny lamosin’ ny lehibe ary mavo ny andilana. Fotsy ny kibo ary marihana mahitsizoro mainty. Misy fehitenda mazava sy pentina ny zanany. Fomba fi ainany: Fahita matetika manamorona sakeli-drano any an’ala maina na mando amin’ny alina. Tsy masiaka rehefa samborina fa mamoaka tsiranoka maimbo. Mitsilany amin’ny tany no fanaony rehefa mahita mpihaza. Nahitana atody 5 ny vavy iray nodidiana. Karazana mitovy: A. mocquardi izay manana kirana alohan’ny maso 3 sy aoriana 4.

5. Alluaudina mocquardi ANGEL, 1939Toerana nahitana azy: Ankarana (Mananjeba). Tsy misy sary.

Mantsiviron’Ankarana. Famaritana: Mahatratra 500 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 25, kirana amin’ny kibo 202-205, kirana amin’ny foto-drambo 88-91 (tsy misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano am-bony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4-5, kirana alohan’ ny maso 3 ary aoriana 4, kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body tsy misaraka. Volontakatra ranoray ny lamosina, fotsy ny tapany alohan’ny kibo ary misy marika mahitsy zoro mainty ny tapany aoriana. Volontakatra matroka ny fanambanin’ny rambo. Fomba fi ainany: Tena mahalam-piseho, fantatra tamin’ny santionana 2 izay hita tany anaty lava-bato tany Ankarana. Karazana mitovy: Jereo A. bellyi.

420

43 5

21

Page 169: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

3

4b4a

1a 1b

2b2a

Page 170: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: Langaha / MicropisthodonLangaha / Micropisthodon

Taranaka Langaha BONNATERRE, 1790Anisan’ny tarana-bibilava miavaka indrindra noho ny fahasa-miafana mampitolagaga misy eo amin’ny lohan’ny lahy sy vavy: ny tendron’orony misary ravin-kazo. Ireo kambonorona lahymy sy mora milefi tra ireo dia misary lefona amin’ny lahy ary mitapelaka sady marokoroko ny sisisny amin’ny vavy. Tsy dia fantatra loatra ny asany fa angamba manampy amin’ny fi hereny. Mitsangana ny anakandriamaso ary ngeza ny kirandamosiny. Mihani-kazo sy mivoaka atoandro. Karazany telo no fantatra.

1. Langaha madagascariensis BONNATERRE, 1790Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Ambatorongorongo, Ankarafantsika, Helodranon’Antongily, Beraketa, Betroka, Kirindy, Lokobe, Malahelo, Manantantely, Mandena, Montagne des Français, Morondava, Nosy Be, Nosy Boraha, Petriky, Tampolo, Tsararano. Sary avy any: Santionana nompiana (1a, vavy sy lahy), Ankarafantsika (1b, vavy), Nosy Be (1c, lahy).

Filoala. Famaritana: Mahatratra 1000 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 144-158, kirana amin’ny foto-drambo 128-143 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy faha 5, kirana amin’ny takolaka 2-3, tsy mizara ny lempona amin’ny lava-body. Tsy misy kirana ambony maso mivoitra. Samihafa ny lokon’ny lahy sy ny vavy: volomboasary ny anakandriamason’ny lahy, misy tsipika fotsy manelanelana ny volontakatra tanora amin’ny lamosina sy ny mavo amin’ny kibo. Volondavenona manopy volontakatra ny vavy, ahitana faritra kely samihafa ary volondavenona ny anakandriamaso. Fomba fi ainany: Hita any anaty ala mando sy maina, matetika eny ambony zava-maniry (1,5-2 m) ary mivoaka atoandro. Nanatody 5 tamin’ny 2 oktobra ny vavy iray bevohoka. Foy avokoa ireo afaka 81 andro tamin’ny hafanana 24-27°C. Nandatsaka andian’ atody telo misy atody 8-12 tamin’ny alina ny vavy iray nompiana (teo anelanelan’ny 22 aogositra sy 18 septambra). 63-67 andro tao anaty 28°C no nanakotrehana ireo atody ireo. Mirefy 134,3 mm ny HLV ary 92,9 mm ny rambon’ny zanany vao foy. Biby eny ambony hazo no sakafon’ny zanany. Karazana mitovy: Jereo L. alluaudi.

2. Langaha pseudoalluaudi DOMERGUE, 1988Toerana nahitana azy: Ambilobe, Amboasary Atsimo, Ankarafantsika, Mikea, Montagne des Français. Sary avy any: Mikea (2a, lahy, nalain’i A. Raselimanana), Montagne des Français (2b, vavy, nalain’i N. D’Cruze).

Filoala tatsinanana. Famaritana: Mahatratra 1290 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 159, kirana amin’ny foto-drambo 144-151 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 8-9 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4-5 na 5-6, kirana amin’ny takolaka 2, lempon’ny lava-body misaraka. Manana kirana ambony loha mivoitra ny vavy, fohy sy matevina ary somary miakatra ny kambonorony. Volontakatra manopy volon-davenona ny lamosina, ary misy faritra volontakatra manapaka. Ahitana kirana ambony loha ihany koa ny lahy. Fomba fi ainany: Tena sarotra hita. Vavy iray no hita nanapa-dàlana tamin’ny toerana be bozaka anaty ala samba tamin’ny 1 jona 2001 tamin’ny 11: 00. Nanatody telo izy io tao aorian’ny nahazoana azy. Karazana mitovy: L. alluaudi.

3. Langaha alluaudi MOCQUARD, 1901Toerana nahitana azy: Ambovombe, Andrahomana, Behara, Kirindy, Menabe, Tolagnaro. Sary avy any: Kirindy (vavy, nalain’i Q. Bloxam).

Filoalan’i Mikea. Famaritana: Mahatratra 1100 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana19, kirana amin’ny kibo 152-161, kirana amin’ny foto-drambo 144-151 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4-5, kirana amin’ny takolaka 1, tsy mizara matetika ny lempona amin’ny lavabody. Manana kirana ambony loha mivoitra ny vavy, mahitsy fa somary mihilana kely ny kambonorony. Mitovy amin’ny an’i L. madagascariensis ny kambonoron’ny lahy fa saingy tsy misy kirana ambony loha mivoitra. Volontakatra manopy volondavenona ny lamosina, misy faritra volontakatra manapaka ny lahy sy vavy (mitovy). Fomba fi ainany: Tsy dia fantatra mazava fa any an’ala maina sy alan-tsilo no ahitana azy. Karazana mitovy: Jereo L. pseudoalluaudi.

Taranaka Micropisthodon MOCQUARD, 1894Ity taranaka tokan-karazana tsy dia fantatra ity dia mitovitovy amin’i Ithycyphus sy Langaha.

4. Micropisthodon ochraceus MOCQUARD, 1894Toerana nahitana azy: Ambatobe, Andasibe, Nosy Be, Nosy Mangabe, Tampolo. Sary avy any: Nosy Mangabe (nalain’i N. Lutzmann)

Fandrefi ala volondavenona. Famaritana: Mahatratra 700 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 145-150, kirana amin’ny foto-drambo 122-133 (misaraka daholo), kirana amin’ny valanorano ambony 9 (na 8) ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 5 sy faha 6, kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Manopy volondevenona ny lamosina, misy faritra matroka sy mazava mifanelanelana. Ny faritra matroka dia mamorona tsipika mitsivalana na maranidoha. Misy tsipika maranidoha sy matevina iray ary manondro any amin’ny loha foana aorian’ny hatoka. Rehefa mibontsina ny vatana dia hita ny fototry ny kirana miloko fotsy. Volontakatra tanora sy mifaritra mainty miavaka kely ny kibo. Fomba fi ainany: Santionana vitsy ihany no fantatra. Hita teny amin’ny 30 m ambony hazo ny iray. Nahitana atody kely 10 ny vavy iray tany Nosy Mangabe tamin’ny volana may rehefa nodidiana. Tsy masiaka. Karazana mitovy: Mampiavaka azy ny halavan’ny loha sy ny hafohin’ny vavany raha oharina amin’ny an’ny Ithycyphus.

422

32 41

Page 171: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

1c1b

2a 2b

43

Page 172: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: IthycyphusIthycyphus

Taranaka Ithycyphus GÜNTHER, 1873Taranaka manana karazana 5 mivoaka atoandro sy mihani-kazo, boribory ny anakandriamaso, mizara ny kiram-body sy kirana amin’ny foto-drambony. Ithycyphus miniatus, I. oursi ary I. perineti dia mamorona zanak’antoko iray ao anatin’ny taranaka izay noho ny halehibeny sy ny lokony: mazava ny loha sy ny tapany alohan’ny vatana ary matroka ny rambony. Manafi saka ny tenda tahaka ny fanaon’ny “cobra” ny I. perineti sy I. oursi rehefa voakotaba. Nahi-tana poizina ny nifi n’ny I. miniatus.

1. Ithycyphus miniatus (SCHLEGEL, 1837)Toerana nahitana azy: Ambanja, Andapa, Andrafi abe, Ankarafantsika, Antsiranana, Antsouhy, alan’i Berara, Boanamary, Kinkony, Kirindy, Lokobe, Marofandilia, Montagne des Français, Morondava, Nosy Be, Tampolo (ny sasany amin’ireo toerana ireo dia mila fanamarinana ary mety fi paritahan’ny I. perineti ny sasany Berara, Tampolo, Andapa). Sary avy any: Montagne des Français (vavy, nalain’i B. Love).

Fandrefi ala. Famaritana: Mahatratra 1700 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 199-215, kirana amin’ny foto-drambo 157-174 (mizara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body mis-araka. Samihafa ny lahy sy vavy: volontakatra na volon-davenona ny loha sy ny tapany alohan’ny vavy, mena kosa ny an’ny lahy. Volontakatra na volondavenona tanora ny tapany aloha ary volontakatra manopy mena ny tapany aoriana. Fomba fi ainany: Nahitana atody 5 efa nivoatra ny vavy iray tamin’ny volana desambra. Sahona no fan-tatra amin’ny sakafony, ary mihinana tana sy voalavo izy rehefa ompiana. Karazana mitovy: I. perineti izay man-ana kirana amin’ny kibo vitsy sy laharan-kirana amin’ny hazon-damosina manify kokoa.

2. Ithycyphus perineti DOMERGUE, 1986Toerana nahitana azy: Andasibe, An’Ala, Andranomena, Anosibe, Antsiranana, Marojejy, Moramanga, Nosy Be, Ifanadiana, Ranomafana, Sahanody. Sary avy any: Ranomafana (2a), An’Ala (2b).

Fandrefi ala masiaka. Famaritana: Mahatratra 1530 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 186-198, kirana amin’ny foto-drambo 140-162 (mizara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Mitovy ny lahy sy vavy; volontakatra mankamin’ny mavo ny tapany aloha ary volontakatra manopy mena ny tapany aoriana. Matetika matroka sy misy marika mifampisadika ny tapany aloha. Fomba fi ainany: Monina anaty ala man-do. Mavitrika eny ambony hazo 1-2 m amin’ny atoandro. Mety manafi saka tenda rehefa mampitahotra. Hita nihinana Calumma brevicorne ny iray. Nanatody 7 tamin’ny alin’ny volana desambra ny vavy iray nompiana, ary nijanona 48 ora teo ambonin’ny atody izy. Ny atody dia manana habe 33 x 13 sy 43 x 13 mm, ary nisy tsaika efa nitombo tsara. Karazana mitovy: Jereo ny. miniatus.

3. Ithycyphus oursi DOMERGUE, 1986Toerana nahitana azy: Ambatry, Andabotoka, Andrahomana, Androatsabo, Ankaralina, Antseva, Behara, Berenty, Bosimavo, Etrobeke, Fandrary, Ifaty, Ihotry, Malaimbandy, Marovato, Mikea, Petriky, Vohibasia, Zombitse. Sary avy any: Santionana nompiana.

Fandrefi alankily. Famaritana: Mahatratra 1568 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 199-230,

kirana amin’ny foto-drambo 141-161 (mizara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Mitovy ny lahy sy ny vavy: volontakatra tanora ny tapany alohan’ny lamosina ary matroka ny tapany aoriana. Misy marika matroka mifampisadika ny tapany aloha. Fotsy miavaka ny valanorano ambony sy ny valahany. Fomba fi ainany: Monina any amin’ny tany karankaina, hita ma-tetika eny ambony kily vaventy. Hita teny amin’ny tsilo (Alluaudia) izay mirefy 10 m ny iray. Furcifer oustaleti no fantatra fa nohaniny. Mihinana voa-loavo, tana ary Phel-suma izy rehefa ompiana. Karazana mitovy: I. goudoti izay kely sy manana valanorano ambony fotsy ary kirana amin’ny kibo vitsy kokoa.

4. Ithycyphus goudoti (SCHLEGEL, 1837)Toerana nahitana azy: Helodranon’Antongily, Fenoarivo, Mahatsara, Manombo, Nosy Boraha, Sahembendrana, Tampolo, Toamasina, Vahibe. Sary avy any: Nosy Boraha (4a), Manombo (4b).

Fandrefi alandrano. Famaritana: Mahatratra 875 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 170-189, kirana amin’ny foto-drambo 160-179 (mizara na tsia), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Manopy volontakatra tanora na volondavenona ranoray ny lamosina. Fotsy ny valanorano ambony ary mety ahitana tsipika matroka. Fomba fi ainany: Mampiavaka azy ny fahitana azy amin’ny hazo sy tany ary rano. Hita ivelan’ny ala, teny ambony kirihitra (1,5 m) ny iray tany Nosy Bo-raha. Karazana mitovy: Jereo ny. oursi sy I. blanci.

5. Ithycyphus blanci DOMERGUE, 1988Toerana nahitana azy: Marojejy. Tsy misy sary.

Fandrefi alan’i Marojejy. Famaritana: Mahatratra 610 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lam-osina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 177, kirana amin’ny foto-drambo 154 (mizara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Vo-lontakatra tanora ranoray ny lamosina. Volontakatra mano-py volondavenona ny kibo, ahitana teboka izay mamorona tsipika eo anivon’ny kibo amin’ny tapany aoriana. Misy marika roa mavo arahana marika roa mainty ny tenda. Misy tsipika matroka manify manaraka ny hazon-damosina. Fot-sy ny valanorano ambony. Fomba fi ainany: Nosamborina teny amin’ny rantsan-kazo (1 m) tany Marojejy (haabo 300 m) ny santionana tokana hany fantatra. Fanamari-hana: Ny zana-taranaka Pseudoithycyphus dia na-voitra ho an’ny I. blanci. Karazana mitovy: I. gou-doti izay manana laharan-kirana amin’ny lamosina 21.

424

43 5

21

Page 173: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1

2b2a

3a 3b

4b4a

Page 174: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: PseudoxyrhopusPseudoxyrhopus

Taranaka Pseudoxyrhopus GÜNTHER, 1881

Taranaka manana karazana 11 mivoaka alina sy mandady. Kely sady somary fi saka ny loha ary tsy miavaka amin’ny vatana. Kely maso, boribory ny anakandriamaso, laharan-kirana amin’ny lamosina 19-25, mizara ny ankabeazan’ny kiran’ny lava-body, kirana amin’ny foto-drambo sasany mizara. P. kely, P. ambreensis ary P. quinquelineatus dia mipetraka anaty lavaka. Mazàna monina amoron-drano manakaiky ala ny P. heterurus sy P. microps ary P. tritaeniatus.

1. Pseudoxyrhopus ambreensis MOCQUARD, 1894Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre.

Bibilavan’Ambohitra. Famaritana: Mahatratra 423 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 146-154, kirana amin’ny foto-drambo 42-54 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra matroka ranoray ny lamosina, matetika ahitana kiran-tendromolotra mena ary fehivozona be sakana hatratra. Misy tsipika fotsy tsy mitovy tantana amin’ny valanorano ambony ambanin’ny faritry ny lamosina. Manopy volondavenona ny kibo. Fomba fi ainany: Fantatra any amin’ny ala mando anelanelantany. Hita tamin’ny atoandro teny amin’ny vatan-kazo mando. Karazana mitovy: P. heterurus sy P. sokosoko ary P. oblectator izay manana kirana-molotra ambony 8 ary tsy misy fehivozona.

2. Pseudoxyrhopus analabe NUSSBAUM, ANDREONE & RAXWORTHY, 1998

Toerana nahitana azy: Anjanaharibe-Sud (Lohasahan’Analabe). Sary avy any: Analabe (nalain’i F. Andreone)

Bibilavan’Analabe.Famaritana: Mahatratra 311 mm ny halavan’ny vavy iray hany fantatra, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 146, kirana amin’ny foto-drambo 38 (tsy misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, mizara ny kiran-davabody. Volontakatra mifangaro volomparasy ny lamosina, misy fehivozo-na volomboasary manopy mavokely ary tsy mitovy tantana ny sisiny. Ahitana tsipika mavokely ny sisin-kibo sy teboka volontakatra ary tsipika mavokely manify eo amin’ny antsasa-batana hatramin’ny rambo. Misy fehivozona volomboasary ary manopy mavokely ny sisin’ny valanorano ambony. Fomba fi ainany: Ny “santionana nofaritana” dia azo tao anaty fandrika nanaikaiky sakeli-drano, tao andohasaha anaty ala mikitroka, tamin’ny alin’ny fahavaratra. Karazana mitovy: P. analabe no karazana tokana manana kirana amin’ny foto-drambo tsy mizara.

3. Pseudoxyrhopus imerinae (GÜNTHER, 1890)Toerana nahitana azy: Ananokely, Andohahela, Andrangoloaka, Ibity, Vohisokina. Sary avy any: . Andohahela.

Bibilavan’Ibity.Famaritana: Mahatratra 450 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 139-150, kirana amin’ny foto-drambo 41-45 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, mizara na tsia ny kirana

amin’ny lempon’ny lavabody. Volontakatra tanora, misy tsipika matroka 5 manaraka ny lavany ny lamosina. Fotsy ny ampahan’ny valanorano ambony. Manopy mainty ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mazava. Monina any an-tendrombohitra avo 2200 m. hita tany Antoetra tamin’ny 5: 30 hariva nanakaiky sakeli-drano, teny amin’ny toerana be bozaka mazava ary eo ampihinanana atodin-katsatsaka 10 izay mety ho an’ny Oplurus quadrimaculatus ny iray. Kara-zana mitovitovy: P. quinquelineatus izay miavaka noho ny kirandamosiny 21 sy ny kibo mazava loko. Mila havaozina ny fanasokajiana ny P. quinquelineatus sy P. imerinae.

4. Pseudoxyrhopus quinquelineatus (GÜNTHER, 1881)Toerana nahitana azy: Amboanemba, Ampijoroa, Ampoza, Andasibe, Ankarafantsika, Didy, Kirindy, Montagne des Français, Moramanga, Sakaraha, Soalara, alan’i Vohibasia, Zombitse. Sary avy any: Ankarafantsika.

Bibilavan’ny Afovoantany.Famaritana: Mahatratra 584 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 139-150, kirana amin’ny foto-drambo 45-65 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, mizara ny kiran-davabody. Volontakatra manopy mena, misy tsipika matroka 5 manaraka ny lavany ny lamosina. Fotsy ny ampahan’ny valanorano ambony. Mavo hatsatra misy pentina volontakatra ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mazava. Monina any an’ala mando afovoantany sy ala maina any amorontsiraka ary alan-tsilo any atsimo. Tsy fantatra mazava ny fahavitrihany. Hita niafi ana tamin’ny atoandro ary nosamborina vao mangiran-dratsy na takariva. Karazana mitovy: Jereo P. imerinae.

5. Pseudoxyrhopus ankafi naensis RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1994

Toerana nahitana azy: Ankafi na. Tsy misy sary.

Bibilavan’Ankafi na.Famaritana: Mahatratra 1065 mm ny halavan’ny iray hany fantatra, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 25, kirana amin’ny kibo 206, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 46 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, mizara ny kiran’ny lavabody. Miloko ranoray rehefa notehirizina, ahitana sisana tsipika eo amin’ny tenda. Misy sipika fotsy ny molotra ambony. Fomba fi ainany: Angamba avy any amin’ny sisan’alan’i Tsarafi dy (afovoantany). Karazana mitovy: Lava ny tampon-dohan’ny P. microps noho ny tampon-kandriny.

426

43 5

21

Page 175: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4

1b1a

1c 1d

32

Page 176: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Colubridae: Colubridae: PseudoxyrhopusPseudoxyrhopus

1. Pseudoxyrhopus heterurus (JAN, 1893)Toerana nahitana azy: Ambatovaky, Fierenana, Manantenina, Manombo, Maroantsetra, Marojejy, Nosy Boraha, Nosy Mangabe. Sary avy any: Nosy Boraha.

Bibilavan’ny atsinanana. Famaritana: Mahatratra 615 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 150-161, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 35-59 (misaraka ny ampahany), amin’ny takolaka 1, misaraka ny lempon’ny lava-body. Miloko matroka ranoray ny vatana, misy tsipika mena manaraka ny valanorano ambony. Tsy misy fehivozona. Fomba fi ainany: Any an’ala mando, fa mety any anaty kirihitra lavitra ala. Mandady sy mavitrika amin’ny alina. Mety masiaka rehefa samborina. Karazana mitovy: P. oblectator izay manana fehivozona sy P. sokosoko izay manana kirana vitsy kokoa amin’ny kibo.

2. Pseudoxyrhopus sokosoko RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1994

Toerana nahitana azy: Tendrombohitr’Ambatorongorongo, Fandalovana ao Ampamakiesiny, Andohahela, Andondo, Malahelo, Manantantely. Sary avy any: Andohahela (nalain’i F. Andreone).

Mandodrano. Famaritana: Mahatratra 400 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 142-145, kirana amin’ny kibo 45-51, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 35-59 (misaraka), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Matroka ranoray ny vatana, misy tsipika fotsy ny valanorano ambony. Tsy misy fehivozona tahaka ny P. heterurus. Misy tsipika hatsatra ny amin’ny andilana. Fomba fi ainany: Ny santionana dia nosamborina niafi na tao ambany sila-kazo na any anatin’ny vatan-kazo lò tsy nihetsika mandritra ny andro, tany an’ala mando velona. Karazana mitovy: P. oblectator izay manana fehivozona.

3. Pseudoxyrhopus kely RAXWORTHY & NUSSBAUM, 1994Toerana nahitana azy: Berenty, Mandena, Sainte Luce. Tsy misy sary.

Bibilavan’Anosy. Famaritana: Tena kely, mahatratra 217 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 134-139, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 37-38 (misaraka), kirana amin’ny takolaka 1, misaraka ny lempon’ny lava-body. Misy fehivozona hatsatra manify, misy tsipika matroka manaraka ny halavan’ny vatana. Fomba fi ainany: Santionana roa no hany fantatra. Ity karazany ity dia mety tsy monina raha tsy any amoron’ny ala any amin’ny faritra Anosy ary mety karazana mpisitrika anaty tany. Nahitana katsatsaka (Amphiglossus) tao anaty vavonin’ny iray izay nodidiana. Karazana mitovy: Vaventy daholo ireo karazana hafa ao amin’ity taranaka ity.

4. Pseudoxyrhopus tritaeniatus MOCQUARD, 1894

Toerana nahitana azy: Ambatolahy, Ambatovaky, Andasibe, Anjanaharibe-Sud, Ankavanana, Ikongo, Ivohibe, Marojejy, Alan’i Marotreho, Nosy Mangabe, Ranomafana, Vinanitelo. Sary avy any: Andasibe (4a), Marojejy (4b).

Bibilavan’ny afovoany atsinanana. Famaritana: Mahatratra 995 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 25, kirana amin’ny kibo 199-217, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 58-76

(misaraka ny ampahany), amin’ny takolaka 1, misaraka na tsia ny lempon’ny lava-body. Mena miavaka, misy tsipika mainty 4 ny lamosina (Andasibe sy Marojejy). Mety misy tsipika faha 5 afovoany (oh: Nosy Mangabe). Fomba fi ainany: Matetika miafi na mandritra ny andro ary mavitrika amin’ny alina. Nahitana ambin’ny voalavo Nesomys rufus angamba ny lehibe iray. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny lokony ao anatin’ny taranaka.

5. Pseudoxyrhopus microps GÜNTHER, 1881Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Fandalovana ao Ampamakiesiny, Andasibe, Anjanaharibe-Sud, Ankavanana, Antalaha, Antomboka, Benavony, Imaloka (Ranomafana), Lokobe, Manangotry, Manantantely, Manantenina, Fandalovana ao Manongotry, Marojejy, Fandalovana ao Marosohy, Marovony, Montagne d’Ambre, akakin’i Sambava, Tsararano. Sary avy any: akakin’i Sambava (5a), Ranomafana (5b).

Bibilavan’ny avaratra atsinanana. Famaritana: Karazana ngeza indrindra amin’ny Pseudoxy-rhopus, mahatratra 1325 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 25, kirana amin’ny kibo 208-232, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 70-89 (misaraka), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra matroka ranoray ny lehibe, misy loko mazava manaraka ny molotra ambony (sary 5a). Zanany: misy tsipika mavokely hatsatra 2-5 ny riran-damosina sy fehivozona ety mazava ary fi fampidipidirana tsipika fotsy miavaka eo amin’ny loha (sary 5b). Fomba fi ainany: Hita any amin’ny ala mando mikitroka ny ankabeazany, indraindray any amin’ny alasimba sy toeram-pambolena (oh: amin’ny làlana mampitohy an’i Sambava sy Andapa). Mavitrika eny amoron-drano amin’ny alina. Karazana mitovy: P. ankafi naensis.

6. Pseudoxyrhopus oblectator CADLE, 1999Toerana nahitana azy: Ambodiamontana, Ranomafana. Tsy misy sary.

Bibilavan’i Ranomafana. Famaritana: Mahatratra 407 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 21, kirana amin’ny kibo 143-158, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 44-48 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Manopy volontakatra matroka eo afovoan’ny lamosina, misy tsipika hatsatra ny eo amin’ny tehezana. Ahitana fehivozona hatsatra an’ny tanora sy ny lehibe. Fomba fi ainany: Hita tany anaty ala mando tamin’ny fahavaratra ireo santionana telo fantatra. Mety mivoaka alina izy ary mamoaka na tsia tsiranoka. Hita nihinana atodina Madascincus melanopleura 5 ny zanany iray. Karazana mitovy: P. sokosoko izay mitovy tanteraka fa tsy manana fehivozona.

428

54 6

21

3

Page 177: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4b

12

4a

5b5a

Page 178: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Heteroliodon BOETTGER, 1913Taranaka tsy dia fantatra loatra, mandady ary mifandray akaiky amin’i Pseudoxyrhopus. Manana karazana telo, izay kely satria 441 mm ny tontalin’ny halavana, ahitana fehivozona mazava ary ny mampiavaka azy dia ny laharan-kirana amin’ny lamosina 17, lempon’ny lava-body misaraka, kirana amin’ny foto-drambo misaraka, misy kirana amin’ny takolaka (mampiavaka azy amin’i Pararhadinaea sy Exallodontophis), ary anakandriamaso boribory.

1. Heteroliodon occipitalis BOULENGER, 1896Toerana nahitana azy: Ambararata, Amboanemba, Andranohinaly, Beraketa, Berenty, Cap Sainte Marie, Itampolo, Kirindy, Sarodrano. Sary avy any: Kirindy (nalain’i M. Burger).

Bibilavan’ny atsimo andrefana. Famaritana: 325 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 158-182, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 61-72 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra amin’ny ankapobeny. Miavaka foana ny tsipika amin’ny hazon-damosina volontakatra tanora, manomboka ny faha 4 sy faha 5 mm aorian’ny fehivozona, fa miovaova ny fi sehony. Fomba fi ainany: Any amin’ny tany karankaina any Atsimo, hita matetika any amin’ny ala misy Didierea na koa any anaty ala maina. Karazana mitovy: Hany Heteroliodon miloko volontakatra tanora misy tsipika mazava ny hazon-damosina.

2. Heteroliodon fohy GLAW, VENCES & NUSSBAUM, 2005Toerana nahitana azy: Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français.

Bibilava tavaratra. Famaritana: 280 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 136, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 57 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. volontakatra matroka ny lamosina. Ahitana faritra mavo (2-3 mm) ny hatoka ary manopy fotsy ny molotra ambony. Manopy fotsy ny kibo. Fomba fi ainany: Hita nandady tamin’ny andro takariva tany anaty ala maina mihitsan-dravina misy tsingy ny santionana iray hany fantatra. Karazana mitovy: Jereo H. lava.

3. Heteroliodon lava NUSSBAUM & RAXWORTHY, 2000Toerana nahitana azy: Antsalova, Ankarana. Sary avy any: Ankarana (3a nalain’i M. Burger, 3b nalain’i B. Love).

Bibilavan’ny avaratra andrefana. Famaritana: 441 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 214-224, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 63-65 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, misaraka ny lempon’ny lava-body. Volontakatra ny lamosina amin’ny ankapobeny, volontakatra matroka ny loha. Ahitana fehivozona manopy fotsy (3-4 mm) ary manopy fotsy ny molotra ambony. Manopy fotsy ny kibo. Fomba fi ainany: Monina any anaty ala maina mihitsan-dravina. Karazana mitovy: H. fohy izay manana kirana amin’ny kibo vitsivitsy kokoa.

Taranaka Exallodontophis CADLE, 1999Ity taranaka vaovao sy tokan-karazana ity dia miavaka noho ny toetran’ny nifi ny. Bibilava mandady tsy dia fantatra loatra.

4. Exallodontophis albignaci (DOMERGUE, 1984)Toerana nahitana azy: Andasibe, Manantenina, Marojejy, Montagne d’Ambre. Sary avy any: Andasibe.

Bibilavan’i Mamantenina. Famaritana: Mahatratra 416 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 180-196, kirana amin’ny foto-drambo mihoatra ny 30-37 (misaraka daholo), tsy misy amin’ny takolaka, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra matroka ny lamosina. Misy fehivozona fotsy izay mifangaro eo amin’ny rirany anoloana misy tsipika izay mamaritra eo anoloana. Misy tsipika manopy mena amin’ny eo anoloana sy ny ila rambo. Volontakatra ny saokany sy ny kibo. Fomba fi ainany: Mandady, hita any anaty ala mikitroka sy efa simba. Karazana mitovy: Zanaka Pseudoxyrhopus microps izay mety manana tsipika manopy mena amin’ny riran’ny kibo.

Taranaka Pararhadinaea BOETTGER, 1898Ity taranaka tsy dia fantatra loatra ity dia marihan’ny hakeliny, ny laharan-kirana amin’ny lamosina 17, ny tsy fi sian’ny kirana amin’ny takolaka ary ny toetran’ny nifi ny.

5. Pararhadinaea melanogaster BOETTGER, 1898Toerana nahitana azy: Ankarana, Marojejy, Nosy Be. Sary avy any: Ankarana (nalain’i A. Raselimanana).

Bibilavan’ny Sambirano. Famaritana: Mahatratra 239 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 145-168, kirana amin’ny foto-drambo 37-41 (misaraka daholo), tsy misy kirana amin’ny takolaka, lempon’ny lava-body misaraka. volontakatra tanora, misy tsipika 5 matroka manaraka ny lavany ny lamosina. Mitambatra ireo tsipika roa ireo any amin’ny rambo. Tsy misy fehivozona. Manopy mainty ny kibo ary fotsy ny sisiny. Mazava ny saoka. Fomba fi ainany: Monina any anaty ala mando. Karazana mitovy: Karazana Liophidium izay misy tsipika 5 manaraka ny lavany sy ilan’ny kibo mazava. Fanamarihana: Nosokajiana ho zana-karazana roa ny santionana telo voadinika hatramin’izao. Ny santionana tokana amin’ny P. m. marojejyensis dia mampibaribary ny havitsian’ny kirana eo amin’ny kibo (145 amin’ny 163-168).

6. Pararhadinaea / Liophidium sp. “Kirindy” Toerana nahitana azy: Kirindy. Sary avy any: Kirindy (nalain’i J. Jones).

Famaritana: Mbola eo am-pandinihina ny fi havanan’ity karazana ity mbola tsy voafaritra ity. Fomba fi ainany: Hita tany anaty ala maina mihitsan-dravina.

430

Colubridae: Colubridae: Heteroliodon / Exallodontophis / PararhadinaeaHeteroliodon / Exallodontophis / Pararhadinaea

54 6

21

3

Page 179: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2

4

1

3a 3b

65

Page 180: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Liophidium BOULENGER, 1896Ity taranaka aglyphe an-tanety ity dia mpihavana akaiky amin’i Liopholidophis. Mila fandinihana ny fanasokajiana azy. Man-ana karazana 7 Malagasy ary iray ao Mayotte. Araka ny toe-ba-tana, dia manana laharan-kirana amin’ny lamosina 17, kiran’ny lava-body mizara, kirana amin’ny foto-drambo mizara, kirana amin’ny takolaka iray na tsy misy ary anakandriamaso boribory ireo karazana avy eto Madagasikara.

1. Liophidium torquatum (BOULENGER, 1888)Toerana nahitana azy: Ambatolampy, Ambohitsara, Ambositra, Ampijoroa, Analamazoatra, Ankarafantsika, Ankarana, Ankiriki, Helodranon’Antongily, Beraketa, alan’i Berara, Berenty, Ifanadiana, Lokobe, Malahelo, Manambolo, Mananjary, Mandena, Midongy Atsimo, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Tanikely, Petriky, Ranomafana, Sambava, Sainte Luce, Sainte Marie any Marovoay, Toamasina, Tolagnaro, Vohiparara. Sary avy any: Sambava (1a), Montagne d’Ambre (1b), Nosy Be (1c: lafi ny anoloana).

Tompontany miovaloko. Famaritana: Mahatratra 700 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 149-182, kirana amin’ny foto-drambo 58-75 (mizara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Miovaova ny lokony: Volontakatra tanora na volondavenona ny lamosina. Matroka sy miavaka ny loha, misy fehivozona mainty sy te-boka matroka matimaty manaraka ny halavan’ny vatana, mety misy tsipika manaraka ny hazon-damosina. Manopy fotsy ny valanorano ambony ary misy fehy matroka eo amin’ny orony hatramin’ny vozony. Manopy fotsy na mavokely ny kibo ary ahitana teboka mainty maro mitsivalana. Fomba fi ainany: Mandady sy mivoaka atoandro, indrindra anaty ala mando, fa hita koa any anaty ala maina.

2. Liophidium apperti DOMERGUE, 1984Toerana nahitana azy: Befandriana, Behara, Beraketa. Sary avy any: Behara (nalain’i A. Raselimanana).

Tompontany mavokibo. Famaritana: 238 mm ny halavan’ny santionana tokana hany fantatra, laharan-kirana amin’ny lam-osina 17, kiran-kibo 145, kirana amin’ny foto-drambo 52 (mi-zara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volondavenona manopy volontakatra, misy tsipika 5 matroka manaraka ny lamosina. Misy faritra matroka ny loha. Manopy mavo ny eo kibo, ahitana teboka kely mainty ny tapany aloha. Fomba fi ainany: Any anaty ala maina mihitsan-dravina ny santionana tokana.

3. Liophidium chabaudi DOMERGUE, 1984Toerana nahitana azy: Andranobe, Ankorongo, Belalanda, Bevato. Sary avy any: Andranobe (nalain’i A. Raselimanana).

Tompontany maranidoha. Famaritana: Mahatratra 490 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 150-154, kira-na amin’ny foto-drambo 34-46 (mizara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Maranitra sy mia-vaka ny loha ary izay no iheverana azy ho mpandavaka fasika. Volontakatra, misy fehy matroka, matevina manaraka ny hazon-damosina (tafi ditra ao anatiny ny laharan-kirana amin’ny lam-osina 4) ary tsipika matroka 2 mitsivalana. Manopy mena tanora mankamin’ny fotsy ny kibo. Fomba fi ainany: Fantatra tamin’ ireo santionana vitsy azo tany amin’ny toerana karankaina any andrefana. Ny iray dia nosamborina tamin’ny tany fasika man-amorona ranomasina akaikin’ny seranam-piaramadin’i Toliara raha nivoaka tamin’ny orana kely tamin’ny alina. Ny voalohany dia hita tany anaty ala maina mihitsan-dravina.

4. Liophidium trilineatum BOULENGER, 1896Toerana nahitana azy: Andranobe, Benonoka, Tsimanampetsotsa. Sary avy any: Andranobe (nalain’i A. Raselimanana).

Tompontany mitsipika. Famaritana: Mahatratra 330 mm ny TH, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 145-152, kirana amin’ny foto-drambo 57-63 (mizara daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra tanora, misy tsipika matroka 3 miavaka manaraka ny hazon-damosina. Manopy mena ny eo anoloana. Fomba fi ainany: Monina amin’ny fasika any amin’ny tany karankaina any atsimo andrefana.

5. Liophidium therezieni DOMERGUE, 1984Toerana nahitana azy: Anatelo, Montagne des Français. Sary avy any: Montagne des Français (nalain’i N. D’Cruze).

Tompontany mavohatoka. Famaritana: Mahatratra 726 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 230-233, kirana amin’ny foto-drambo 56-57 (mizara daholo), tsy misy kirana amin’ny takolaka, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra tanora, misy tsipika matroka 5 manaraka ny lavany ny lamosina. Matroka ny loha, misy fehivozona mavo. Manopy fotsy ny val-anorano ambony sy ny kibo izay ahitana teboka matroka. Fo-mba fi ainany: Tsy fantatra loatra. Monina any amin’ny toerana maina misy tsingy. Karazana mitovy: Sahala ny an’i L. vaillanti ny kirana fa saingy tsy mitovy ny lokony.

6. Liophidium vaillanti (MOCQUARD, 1901)Toerana nahitana azy: Ambovombe, Analamisaka, Ankarafantsika, Befandriana Atsimo, Betroka, Isalo, Maevatanana, Miary, Tolagnaro. Sary avy any: Ankarafantsika (nalain’i A. Raselimanana).

Tompontany mainty. Famaritana: Mahatratra 620 mm ny tontalin’ny halavany, laharan-kirana amin’ny lamosina mamp-isasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 220-255, kirana amin’ny foto-drambo 45-60 (mizara daholo), tsy misy kirana amin’ny takolaka, lempon’ny lava-body misaraka. Ahitana sora-doko miavaka izay rafetin’ny tsipika volontakatra be sakana sy tsipika 2 mazava sy 5 mainty amin’ny riran-damos-iny. Manopy fotsy eo anoloana, ahitana teboka mainty 2-3 mir-indra isaky ny kirana amin’ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fan-tatra mazava. Any amin’ny tany maina atsimo sy andrefana.

32

432

Colubridae: Colubridae: LiophidiumLiophidium

54 6

1

Page 181: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1b1a

21c

43

65

Page 182: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Liophidium sp. aff. vaillanti “South” Toerana nahitana azy: Isalo. Sary avy any: Isalo (nalain’i F. Andreone).

Famaritana: Ity karazana ity dia mitovy amin’ny Liopho-lidophis na Dromicodryas, kanefa dia karazana Liophidium hafa mihitsy. Fomba fi ainany: Fantatra any amin’ny to-erana karankaina maro any atsimo andrefana.

2. Liophidium rhodogaster (SCHLEGEL, 1837)Toerana nahitana azy: Andringitra, Anjanaharibe-Sud, Antananarivo, Beforona, Ikongo, Manantantely, Marojejy, Midongy Atsimo, Montagne d’Ambre, Nahampoana, Nosy Be, Ranomafana, Tsararano. Sary avy any: Ranomafana.

Tompontany menakibo. Famaritana: Mahatratra 600 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 181-192, kirana amin’ny foto-drambo 61-84 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra tanora, misy fehy ny lamosina, tsipika volontakatra matroka mampisasaka ny lamosina sy tsipika matroka manify ny ilan’ny kibo. Mety ahitana tsipika be sakana mazava kokoa manampy izany. Volontakatra matroka ny loha, misy fehivozona mavo na volontakatra manopy mavo. Mena na volomparasy ny kibo, matetika misy pentina matroka. Fomba fi ainany: Mavitrika mandritra ny andro any an’ala-mando, eo amin’ny tany. Karazana mitovy: Liopholidophis rhadinaea sy Liophidium (?) sp. avy any Andasibe no tena mitovy aminy.

3. Liophidium ? sp. “Andasibe” Toerana nahitana azy: Andasibe. Tsy misy sary.

Famaritana: Mahatratra 313 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 15, kirana amin’ny kibo 149-158, kirana amin’ny foto-drambo 71-77 (misaraka daholo), kirana amin’ny takolaka 1, kirana amin’ny lempon’ny lava-body misaraka. Manopy volontakatra ny lamosina ary manopy mena ny kibo. Nisy santionana iray avy ao Marojejy mitovy aminy, izay ny isan’ny kirana sy ny lokony fotsy no maha samihafa azy. Fomba fi ainany: Monina any anaty ala mikitroka sy efa nahasimbana. Karazana mitovy: Ity karazana iray hafahafa sy tsy fantatra loatra ity, dia sady tsy Liophidium no tsy Liopholidophis nefa mety hifangaro amin’ny zanaka Liopholidophis rhadinaea noho ny lokon’ny lamosina volontakatra sy ny kibo manopy mena.

4. Liophidium ? sp. “Masoala” Toerana nahitana azy: Masoala. Sary avy any: Masoala (nalain’i G. Safarek).

Famaritana: Tsy mbola nisy santiona karazana miloko mampitolagaga ohatra ity nodinihina araka ny toetr’endrika ity hatramin’izao, ary ny taranany koa aza dia mbola mampisalasala. Mainty miaraka amin’ny tsipika 4 manaraka ny halavany misy pentina mavokely ny lamosina. Mainty ny loha ary misy pentina mavo mitomandavana amin’ny riran’ny kibo manaraka ny ilan’ny ambany maso, ary pentina mavo na volontakatra alohan’ny maso. Mavo ny valanorano ambony. Mavo ny kibo misy marika mainty mitsivalana isaky ny kirana amin’ny kibo, mavokely ranoray ny fanambanin’ny rambo. Fomba fi ainany: Fantatra any amin’ny ala mando amin’ny haabo ambany. Karazana mitovy: Tokana aman-tany ny lokon’ity bibilava tsara tarehy ity.

Taranaka Liopholidophis MOCQUARD, 1904Ity taranaka aglyphe mandady sy mivoaka atoandro ity vao tsy ela dia maneho fa maro rantsana, ary ny karazana taloha tao anatin’ny antokon’ny Liopholidophis stumpffi noho izany nafi ndra ao amin’ny taranaka vaovao Bibilava. Ao anatin’ny famaritana vaovao, Liopholidophis dia miavaka amin’ny laharan-kirana amin’ny lamosina 17 ary ny mampiavaka ny lahy sy ny vavy dia ny halavan’ny rambon’ny lahy, ny habeny (HLV), ny isan’ny kirana amin’ny kibo sy kirana amin’ny foto-drambo. Boribory ny anakandriamaso, lempon’ny lava-body sy kirana ambanin’ny rambo misaraka, misy kirana ny takolaka. Ny karazana Liopholidophis dia toa tsy mampiasa fi arovan-tena manokana tahaka ny mitovy karazana aminy tahaka kaikitra na famisahana tenda. Amin’ny ankapobeny dia hita any amin’ny faritra mando ny toeram-ponenany eo amin’ny haabo anelanelany any atsimo sy afovoan’i Madagasikara.

5. Liopholidophis rhadinaea CADLE, 1996Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Andasibe, Andohahela, Alan’i Marotreho, Ranomafana. Sary avy any: Ranomafana.

Tompondrano mavosoroka. Famaritana: Mahatratra 749 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 424 mm ny vavy, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibon’ny lahy 170-179 (150-160 ny vavy), kirana amin’ny foto-drambo misaraka 126-137 amin’ny lahy (69-88 amin’ny vavy), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Misy karazany roa ny lokony: Amin’ny karazany mazava dia volontakatra ny lamosina, misy tsipika roa volontakatra manopy mavo ny riran-damosina ary volontakatra tanora ny eo anoloana. Amin’ny karazany matroka dia matromatroka kokoa ny eo anoloana ary ety kokoa ny tsipika tanora amin’ny riran-damosina. Volontakatra ny tampon’ny loha. Misy pentina telo manopy mavo ny hatoka. Fotsy ny molotra ambony. Manopy mavokely ny kibo, matetika ahitana pentina volontakatra matroka miparitaka. Misy tsipika manopy mainty mamaritra ny kibo izay mitapatapaka eo amin’ny rambo. Fomba fi ainany: Mivoaka atoandro sy mandady. Matetika hita mitaninandro eny amin’ny lalana any an’ala mando. Nisy santionana iray tsy mihetsika sy manafi saka ny vatana amin’ny lalana ary mifi kitra mafy no fi arovan-tena. Atodin-tsahona, angamba an’i Plethodontohyla inguinalis no fantatra fa nohaniny. Manatody ny L. rhadinaea: nahitana atody ny vavy iray nosamborina volana janoary. Karazana mitovy: Liophidium (?) sp. “Andasibe” dia mety hifangaro amin’ny zanaky ny Liopholidophis rhadinaea.

434

Colubridae: Colubridae: Liophidium / LiopholidophisLiophidium / Liopholidophis

43 5

1

2

Page 183: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4

21

5

Page 184: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Liopholidophis sexlineatus (GÜNTHER, 1882)Toerana nahitana azy: Ambatolahy, Ambodirafi a, Ambohitantely, Andohariana, Andrambovato, Antoetra, Antratrabe, Beanjombona, Mandraka, Manjakatompo, Midongy Atsimo, Rianambo, Sahavondrona, Soamazaka. Sary avy any: Andringitra.

Tompondrano. Famaritana: Mahatratra 1385 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 649 mm ny vavy, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibon’ny lahy 147-163 (135-148 ny vavy), kirana amin’ny foto-drambo misaraka 127-160 amin’ny lahy (67-79 amin’ny vavy), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Tena miovaova ny lokony: volondavenona oliva, matetika misy tsipika 4-6 manaraka ny halavany ny lamosina. Mety misy fehy roa volontakatra ny riran-damosina. Miovaova ny ilan-kibo, manopy fotsy mangatsakatsaka mankany amin’ny maintimainty. Fomba fi ainany: Mivoaka atoandro ary mahay milomano, hita matetika eny amin’ny toerana talaky masoandro na akaiky rano, dobo, tanimbary, misitrika haingana raha vao voakotaba. Mazàna hita eny ivelan’ny ala. Fahita matetika any an-tendrombohitra, mety tonga hatrany amin’ny tendrombohitra avo noho ny bibilava hafa rehetra eto Madagasikara (2500 m). Araka ny hita dia miteraka, nahitana atodin’aina volontakatra 4-10 ny vavy 5 nosamborina ny 8 desambra. Sahona (Ptychadena, Heterixalus, Boophis microtympanum) no foto-tsakafony.

2. Liopholidophis varius (FISCHER, 1884)Toerana nahitana azy: Andasibe, Fierenana, Farihin’Alaotra. Tsy misy sary.

Tompondrano fotsimolotra. Famaritana: Mahatratra 889 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 664 mm ny vavy, laharana’ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibon’ny lahy 146-154 (139-150 amin’ny vavy), kirana amin’ny foto-drambo misaraka 88-103 amin’ny lahy (67-71 amin’ny vavy), amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. volontakatra manopy volondavenona ny lamosina, ary tsy misy tsipika ny vatana. Matroka ny anakamaroan’ny sisin’ny kiran-damosina. Misy tsipika matroka manify aorian’ny maso, fotsy matroka ny ambonin’ny molotra. Fotsy manopy volondavenona ny kibo ary mainty ny ankabeazan’ny sisin’ny kirana amin’ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra mihitsy.

3. Liopholidophis dimorphus GLAW, NAGY, FRANZEN & VENCES, 2007

Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre. Sary avy any: Montagne d’Ambre (lahy).

Tompondrano mena. Famaritana: Mahatratra 1072 mm ny halavan’ny lahy iray fantatra ary 760 ny vavy tokana fantatra, kirana laharana ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibon’ny lahy 163 (146 amin’ny vavy), kirana amin’ny foto-drambo misaraka 134 amin’ny lahy (79 amin’ny vavy), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra manopy mena ny lamosina, misy tsipika mainty ety ny sisin-kibo ary misy tsipika faharoa ny ilan-kibo manomboka eo amin’ny kirana amin’ny kibo 87-103, ary ny fahatelo izay matroka dia ambonin’ny molotra, manomboka eo ambany maso ary mifarana alohan’ny vatana. Fotsy ny valanorano ambony. Fotsy somary mavo mankany hatramin’ny volomboasary hatsatra ny kibo. Fomba fi ainany: Nosamborina mandritra ny andro raha niampita amin’ny lalana tany anaty ala-mando mikitroka tsy misy rano teo akaikiny.

4. Liopholidophis grandidieri MOCQUARD, 1904Toerana nahitana azy: Ambohimitombo, Andringitra, Ranomafana, Maharira. Tsy misy sary.

Tompondrano vaventy. Famaritana: Karazana Liopholidophis lehibe indrindra izy ity. Ny lahy dia manana rambo lava noho ny vatana sy ny loha. Mahatratra 1636 mm ny ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 674 mm ny vavy, laharan’ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibon’ny lahy 169-171 (147-161 amin’ny vavy), kirana amin’ny foto-drambo misaraka 215-221 amin’ny lahy (>98-113 amin’ny vavy), kirana amin’ny takolaka 1, ny lempon’ny lava-body misaraka. Rehefa notehirizina dia mipentina mazava sy matroka ny tapany alohan’ny lamosina, lasa mihamatroka ny tapany aoriana. Misy tsipika roa mazava ny tehezana anadaniny roa. Mazava mangatsakatsaka ny saoka, mipentina matroka sy mazava ny tapany alohan’ny vatana, fa matroka ranoray kosa ny ampahany be. Mazava ny foto-drambo, fa misy tsipika matroka samihafa afovoany. Fomba fi ainany: Hita mandritra ny andro tany anaty ala misy bozaka sy korotambato raha ny marina amin’ny haabo ambony (1375 m) ny santionana iray. Karazana mitovy: Mainty ny kibon’ny L. dolicocercus voafaritra tsipika mavo amin’ny tehezana.

5. Liopholidophis dolicocercus (PERACCA, 1892)Toerana nahitana azy: Andrangoloaka, Renirano Faravory, Manambolo, Mantadia, Marojejy, Moramanga, Ranomafana. Sary avy any: Ranomafana (5a; nalain’i R. Mittermeier), Mantadia (5b), Marojejy (5c-d, lahy).

Tompondrano mavo. Famaritana: Mahatratra 1426 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 992 mm ny vavy, laharan’ny kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibon’ny lahy 152-160 (140-150 amin’ny vavy), kirana amin’ny foto-drambo misaraka 140-164 amin’ny lahy (79-88 amin’ny vavy), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny ny lava-body misaraka. Volontakatra manopy volomboasary misy pentina mainty ny lamosina. Misy tsipika mainty ny riran’ny kibo. Mavo ny ambonin’ny molotra. Mangatsakatsaka ny saoka, mainty ny kibo ary faritana tsipika mavo ny sisiny. Fomba fi ainany: Mivoaka atoandro ary mandady any an’ala mando ity karazana ity. Nahitana Plethodontohyla alluaudi tao anaty kibon’ny santionana iray. Angamba manatody, nahitana atody 5-7 tao amin’ny ny vavy 3 bevohoka.

436

Colubridae: Colubridae: LiopholidophisLiopholidophis

43 5

21

Page 185: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

31b

5a 5b

5d5c

Page 186: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Bibilava GLAW, NAGY, FRANZEN & VENCES, 2007

Izy dia iray amin’ny taranaka aglyphes mandady sy mivoaka atoandro. Fantatra hataramin’izay fa anatin’ny antokon’ny Liopholidophis stumpffi ary mifandray akaiky amin’ny Dromicodryas izy. Ahitana ireo bibilava salatsalany, miavaka noho ny laharan-kirana amin’ny lamosina 19, ny vavy lehibe kokoa, tsy misy fi avahany raha ny halavan’ny rambo, ny anakandriamaso boribory, ny lempon’ny lava-body sy ny foto-drambo misaraka, misy kirana amin’ny takolaka. Karazana Bibilava hita indrindra any amin’ny faritra mando atsinanana nefa koa any amin’ny faritra karankaina Andrefan’i Madagasikara amin’ny haabo mitovy amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny 1600 m.

1. Bibilava lateralis (DUMÉRIL, BIBRON & DUMÉRIL, 1854)Toerana nahitana azy: Ambalavao, Ambatolampy, Tendrombohitr’Ambatorongorongo, Ambohimahasoa, Ampijoroa, Andasibe, Andringitra, Angavokely, Ankarafantsika, Antalaha, Antananarivo, Antanifotsy, Antsingy, Antsirabe, Bekily, Beraketa, alan’i Berara, Betroka, Eminiminy, Esomony, Farihimazava, Fianarantsoa, Ifanadiana, Katsijy, Kianjavato, Mahajanga, Mahavelona, Malahelo, Manambaro, Mananjary, Manantantely, Mandena, Volontakatra, Manjakatompo, Maroantsetra, Marojejy, Midongy Atsimo, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Moramanga, Nahampoana, Petriky, Ranohira, Ranomafana, Rianambo, Sainte Luce, Sambava, Tampina, Tampolo, Toamasina, Tolagnaro, Toliara, Tritriva. Sary avy any: Esomony (1a), Sambava (1b).

Bibindrano. Famaritana: 765 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 828 mm ny vavy, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, amin’ny kibon’ny lahy 144-166 (151-169 amin’ny vavy), kirana amin’ny foto-drambo 80-99 misaraka amin’ny lahy (76-97 amin’ny vavy), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Manopy mainty misy tsipika fotsy mihamavo ny lamosina. Valanorano ambony fotsy, kibo manopy fotsy ranoray. Fomba fi ainany: bibilava iray fahita indrindra, any amin’ny faritra atsinanana sy Afovoan’i Madagasikara. Mivoaka atoandro sy mandady ary monina eny amin’ny toerana talaky masoandro (oh: ala simba ary tanimbary) ivelan’ny ala mikitroka. Hita anaty rano indraindray. Sahona no foto-tsakafony. 6-13 ny isan’ny atody izay mirefy 24 x 12 mm.

2. Bibilava epistibes (CADLE, 1996)Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, An’Ala, Andasibe, Andohahela, Andringitra, Anjanaharibe-Sud, Malahelo, Manantantely, Marojejy, Nosy Boraha, Sainte Luce, Tsararano, Vinanitelo, Vohidrazana. Sary avy any: Nosy Boraha (2a), Andohahela (2b).

Bibilava mavo. Famaritana: 753 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 917 mm ny vavy, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibon’ny lahy 155-166 (150-167 amin’ny vavy), ambanin’ny rambo 91-104 misaraka amin’ny lahy (83-96 amin’ny vavy), kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’namin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Manopy volontakatra matroka ny lamosina. Misy tsipika manopy mavo ny riran-damosina izay manjavona eo afovoan’ny vatana nefa mety mihitatra hatrany amin’ny rambo. Manopy mavo ny valanorano ambony. Fotsy mangatsakatsaka misy pentina mainty ny kibo. Fomba fi ainany: Mivoaka atoandro sy mandady, karazana fahita any amin’ny ala mando sy akaikin’ny ranomasina ary ala nahasimbana. Sahona no fantatra amin’ny sakafony. Karazana manatody.

3. Bibilava infrasignatus (GÜNTHER, 1882)Toerana nahitana azy: Alan’Ambahaka, Ambatambe, Andasibe, Andohahela, Andrambovato, Andringitra, Anjanaharibe-Sud, Ankafi na, Renirano Faravory, Ivalohoaka, Ivohibe, Manambolo, Manongarivo, Midongy Atsimo, Moramanga, Ranomafana, Rianambo, Sahavondrona. Sary avy any: Andohahela.

Bibilava volamena. Famaritana: 854 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 920 mm ny vavy, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibon’ny lahy 141-156 (144-161 amin’ny vavy), ambanin’ny rambo 66-81 misaraka amin’ny lahy (62-73 amin’ny vavy), amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra oliva ny lamosina, misy tsipika volom-bolamena tsy mazava. Manopy fotsy ny valanorano ambony. Misy tsipika mainty avy eo amin’ny maso hatrany amin’ny sisin’ny vavany. Manopy volondavenona ny kibo, misy marika mainty manome tsipika afovoan’ny kibo sy riran-kibo. Fomba fi ainany: Karazana mivoaka atoandro sy mandady. hita any amin’ny ala mando ary koa ala nahasimbana. Sahona Microhylidae sy Tana no fantatra amin’ny sakafony. Ny karazana dia manatody.

4. Bibilava martae (GLAW, FRANZEN & VENCES, 2005)Toerana nahitana azy: Montagne des Français, Tsingin’i Bemaraha. Sary avy any: Montagne des Français (nalain’i N. D’Cruze).

Bibilava fotsisaoka. Famaritana: 847 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy hany fantatra, kirana laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana miisa 19, amin’ny kibo 185, ambanin’ny rambo misaraka 109, kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. volontakatra tanora na oliva misy teboka matroka ny lamosina. Misy tsipika manjavozavo ny riran-damosina izay mihalefy any aoriana. Manopy fotsy ny valanorano ambony. Fotsy mangatsakatsaka ny saoka. Volondavenona ny kibo, misy pentina mainty manome laharana tsipika telo manaraka ny ’ny halavana izay mihamatroka any aoriana. Fomba fi ainany: Karazana mivoaka atoandro sy mandady. Fantatra fa avy any amin’ny ala tsy dia maina loatra akaiky toerana misy sokay mihasimba.

5. Bibilava stumpffi (BOETTGER, 1881)Toerana nahitana azy: Benavony, Lokobe, Manongarivo, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Nosy Be. Sary avy any: Nosy Be.

Bibilava fotsikibo. Famaritana: 627 mm ny tontalin’ny halavan’ny lahy ary 711 mm ny vavy, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, amin’ny kibon’ny lahy 149-153 (145-157 amin’ny vavy), ambanin’ny rambo 89-104 amin’ny lahy (80-109 amin’ny vavy), kirana amin’ny takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra, misy tsipika manopy mavo ny riran-damosina izay mihamatroka any aoriana. Manopy fotsy ny valanorano ambony. Misy tsipika mainty avy eo amin’ny maso mankany amin’ny sisin’ny vava. Fotsy mangatsakatsaka ny saoka sy kibo. Fomba fi ainany: Fantatra fa karazana mivoaka atoandro sy mandady. Hita any amin’ny ala mando amin’ny haabo ambany.

438

Colubridae: Colubridae: BibilavaBibilava

43 5

21

Page 187: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

2a

1b1a

2b 3

54

Page 188: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Taranaka Dromicodryas BOULENGER, 1893

Izy dia taranaka aglyphes iray mandeha atoandro sy mandady. Mifanakaiky amin’ny antokon’ny Bibilava ny toe-batana fa miavaka noho ny fi rafi try ny nify sy ny hamaroan’ny laharan-kirana amin’ny kibo (195-219 amin’ny 141-185). Ao amin’ny Dromicodryas dia ahitana ireo karazana roa lehibe sy miavaka amin’ny laharan-kirana amin’ny lamosina 19, anakandriamaso boribory, lempon’ny lava-body sy ny kirana amin’ny foto-drambo misaraka, misy kirana amin’ny takolaka.

1. Dromicodryas bernieri (DUMÉRIL, BIBRON & DUMÉRIL, 1854)

Toerana nahitana azy: Ambatomainty, Ambovombe, Ampijoroa, Androka, Ankarafantsika, Beforona, Benavony, Betioky, Betroka, Fandrarazana, Fenoarivo, Ifaty, Lokobe, Mahajanga, Malahelo, Manakara, Manantantely, Maromandia, Marovoay, Menabe, Miarinarivo, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Lava, Onilahy, Petriky, Sainte Luce, Tampolo, Toamasina, Tolagnaro, Tsingin’i Bemaraha, alan’i Zombitse. Sary avy any: Nosy Be (1a), Ifaty (1b).

Maroandavaka. Famaritana: Mahatratra 1110 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, kirana amin’ny kibo 195-219, kirana amin’ny foto-drambo misaraka 96-130, kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy ny faha 5, kiran-takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra na mainty ny lamosina, misy tsipika volontakatra manopy mavo ny riran-damosina sy manopy mainty na koa volontakatra ny riran-damosina. Mety ho mavo ny takolaka sy ny saoka ary ny valanorano ambony. Manopy mavo na volondavenona ny kibo. Fomba fi ainany: Karazana mivoaka atoandro sy mandady. Monina any amin’ny ala mando (oh: faritr’i Sambirano) sy tany karankaina misy bozaka matevina sy tsiloana (ohatra: manodidina an’i Toliara). Mety miara-monina i D. bernieri sy D. quadrilineatus ary haingam-pandeha izy ireo anisan’izany ny. Androngo (Paroedura bastardi) no fantatra amin’ny sakafony. Karazana mitovy: Bibilava lateralis. Fanamarihana: Mila jerena akaiky ny fanasokajiana azy. Karazana roa no efa voafaritra: trilineatus sy ramavali.

2. Dromicodryas quadrilineatus (DUMÉRIL, BIBRON & DUMÉRIL, 1854)

Toerana nahitana azy: Ambanja, Ambatomainty, Ambatondrazaka, Ambongo, Alan’i Manarikoba, Ankarana, Antsingy, Antsiranana, Benavony, alan’i Berara, Betsina, Cap Est, Kandrany, Lokobe, Mahajanga, Mandritsara, Marojejy, Marotolana, Midioko, Montagne des Français, Nosy Be, Nosy Komba, Sainte Marie any Marovoay, Sambava, Toamasina. Sary avy any: Nosy Be.

Marolongo. Famaritana: Mahatratra 1200 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 19, amin’ny kibo 204-214, kirana amin’ny foto-drambo misaraka 108-121, kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy ny faha 5, kirana amin’ny takolaka1, lempon’ny lava-body misaraka. Volontakatra tanora ny lamosina, misy fehy be velarana mainty iray avy ny riran-damosina izay manasaraka fehy ety amin’ny ilany avy. Volontakatra matroka na mainty ny loha ary ahitana marika mazava loko mifanaraka. Volontakatra ary misy tsipika mainty

afovoan’ny kibo. Fomba fi ainany: Karazana mivoaka atoandro sy mandady. Monina any amin’ny ala mando sy ala maina. Be dia be fa tsy voadinika ny momba azy. Matetika manatody anaty tranom-bitsika ny vavy.

Taranaka Mimophis GÜNTHER, 1868

Tsy tahaka ireo Colubridae hafa rehetra avy eto Madagasikara ity taranaka manana karazana tokana ity. Mimophis dia tsy ao anatin’ny fi sandrahana Pseudoxyrhophiinae, nefa kosa mifandray akaiky amin’ireo Psammophiinae avy ao Afrika Ny taranaka. noho izany noheverina fa tonga teto Madagasikara avy amin’ny ranomasina izy, ela taty aorian’ireo Colubridae hafa. Ny mampiavaka azy amin’ny bibilava Malagasy rehetra dia ny karana, ny nify ary ny fi lahiana. Boribory ny anakandriamaso.

3. Mimophis mahfalensis (GRANDIDIER, 1867)Toerana nahitana azy: 11 km andrefan’Ihosy, Ambanja, Ambatolampy, Ampijoroa, Andafi abe, Ankarafantsika, Ankarana, Antsiranana, Beanjombona, Benavony, Col des Tapias, Esomony, Ibity, Ifaty, Mahajanga, Malahelo, Mandena, Miary, Montagne d’Ambre, Montagne des Français, Petriky, Ranohira, Sainte Luce, Sainte Marie any Marovoay, Sarodrano, Sendrisoa, Tsingin’i Bemaraha, alan’i Vohibasia, alan’i Zombitse. Sary avy any: Sarodrano (3a), Ifaty (3b), Ambatolampy (3c-d).

Bibimora. Famaritana: Mahatratra 1000 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana amin’ny lamosina mampisasaka ny vatana 17, kirana amin’ny kibo 144-166, kirana amin’ny foto-drambo misaraka 65-103, kirana amin’ny valanorano ambony 8 ary mifampikasoka amin’ny maso ny faha 4 sy ny faha 5, kiran-takolaka 1, lempon’ny lava-body misaraka. Miovaova ny lokony ary mety mampisy ny fi ahavan’ny lahy sy ny vavy. Maro amin’ny vavy no volondavenona na volontakatra miavaka ranoray fa ny lahy kosa ahitana tsipika miverimberina ny lamosina. Ny monina any afovoantany dia nahitana tsipika lehibe mainty eo amin’ny tapaky ny lamosina izay arahin’ireto tsipika manaraka ireto mankany amin’ny kibo: fehy volontakatra amin’ny riran-damosina, fehy volontakatra amin’ny eo anoloana, tsoria-doko fotsy amin’ny eo anoloana ary arahina fehy volontakatra. Mipentina mazava loko mifanaraka ny tendron’ny loha. Fomba fi ainany: Karazana mazàna mivoaka atoandro sy mandady nefa hita ihany koa fa mihani-kazo amin’ny alina. Tena betsaka ary monina any amin’ny ala mando, ala maina sy toerana karankaina misy bozaka matevina, tany lava volo sy tsiloana ary eny amin’ny toeram-ponenana. Nahitana katsatsaka, bibilava ary sahona karazana Ptychadena ny sakafony. Karazana mitovy: Tsy misy mitovy aminy eto Madagasikara.

440

Colubridae: Colubridae: DromicodryasDromicodryas

21 3

Page 189: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1a

21b

3a 3b

3d3c

Page 190: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

Fianakaviana Typhlopidae MERREM, 1820

Karazana bibilava tsy mahazatra ary miavaka amin’ny hafa rehetra ny fi anakavian’ny Typhlopidae noho izy mitovy amin’ny kankana ary mpandavaka. Matetika kely izy sady sy miloko ranoray ny vatany izay mitovy tantana amin’ny lohany, ary mety ho kely ny hadirin’ny maso na koa tsy misy. Fohy dia fohy ny rambo. Miavaka amin’ireo bibilava hafa izy noho ny tsy fi avahan’ny kirana amin’ny lamosina sy kirana amin’ny kibo, noho izany dia nisaina ny kirany rehetra mihodidina ny vatana. Koa satria maro amin’ireo karazana no nahitana santionany vitsy fotsiny izay voadinika, ny habe ny vatana izay voatahiry dia tokony ho raisina ho vonjimaika; ny ampahany amin’ireo karazana ireo dia mety ho kely vahana kanefa mety ho santionany mbola tsy maoty no azo ka nanaovana ny fandinihina. Ny fi havanan’ny samy Typhlopidae dia tsy fantatra mazava ka ny fanasokajian-taranaka dia niainga tamin’ny toe-batana. Amin’ny ankapobeny dia Typhlopidae sy Leptotyphlopidae no mandrafi tra ny vondrona fototra amin’ny fanasokajiana ny bibilava.

Taranaka Ramphotyphlops FITZINGER, 1843

Antokon’ny Typhlopidae miavaka amin’ny fi sian’ny fi lahiana. Ny karazana iray misy eto Madagasikara dia noheverina fa nampidirin’olombelona.

1. Ramphotyphlops braminus (DAUDIN, 1803)

Toerana nahitana azy: Ambilobe, Ambovombe, Ankarafantsika, Andranofotsy, Berenty, Betsako, Manambaro, Manambaro, Mandraka, Montagne des Français, Nosy Be, Petriky, Sambava, Tampolo, Toamasina, Tolagnaro. Sary avy any: Sambava (1a), Ankarafantsika (1b).

Bibintany fotsiloha. Famaritana: Mahatratra 175 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana 20, kirana amin’ny orona tsy misaraka, tendro molotra boribory. Volontakatra matroka ny vatany fa mazava kokoa ny faritry ny kibo. Voalaza fa misy faritra fotsy ny tampon-doha sy ny rambo fa tsy voatery misy kosa ireo karazana Malagasy. Fomba fi ainany: Miparitaka manerana ny faritra atsinana sy andrefan’i Nosy izy, hita ivelan’ny ala mikitroka, matetka miaina anaty fompotra sy antontan-javamaniry lò. Ity taranaka ity dia mety manatody ary nampidirina any amin’ny faritra maro manerana ny tropika.

Taranaka Xenotyphlops WALLACH & INEICH, 1996

Izy no taranaka Typhlopidae tsy misy afa-tsy aty Madagasikara fantatra fotsiny avy amin’ny karazana roa izay tena mitovitovy. Amin’ny ampahan’ny toe-batany dia mampahatsiahy ny fi anakaviana faharoan’ny Leptotyphlopidae izay bibilava manan’endrika kankana ihany koa izy.

2. Xenotyphlops grandidieri (MOCQUARD, 1905)

Toerana nahitana azy: Tsy fantatra ny tena fi aviany. Tsy misy sary.

Bibintany vaventy. Famaritana: 263 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana 20, tsy misy kirana alohan’ny maso. Manana endrika “bulldozer” tahaka ny mpitrongy tany ny lohany, misy kirana ny tendro-molotra, lehibe sy mitsangana ary manondro midina ny tendrony. Tsy misy maso. Fomba fi ainany: Tsy fantatra fotsiny avy amin’ny santionany roa.

3. Xenotyphlops mocquardi WALLACH, MERCURIO & ANDREONE, 2007

Toerana nahitana azy: Ambodivahibe, Helodranon’ny Sakalava. Sary avy any: Baie de Sakalava.

Bibintany tavaratra. Famaritana: 248 mm ny tontalin#y halavana. Mitovy amin’ny X. grandidieri fa miavaka noho ny fanany laharan-kirana miisa 22 sy ny toetran’ny kirana sasany. Fomba fi ainany: Ivelan’ny ala no nahitana, teny amin’ny tany fasehana ambany vato, tany amin’ny farany avaratry ny Nosy no nahitana ny santionany. Toa fahita amin’io toerana io izy ireo.

Taranaka Typhlops OPPEL, 1811 Taranaka bibilava mpisitrika manana karazana betsaka (ea. 240), hita koa any Afrika sy Azia. Tokana aman-tany avokoa ireo taranaka Malagasy, ary tena kely ka tsy dia fantatra loatra ny momba ny ekolojia sy ny biolojian’izy ireo.

4. Typhlops arenarius (GRANDIDIER, 1872)Toerana nahitana azy: Andrahomana, Isalo, Mahajanga, Menabe, Morondava, Sarodrano, Toliara. Sary avy any: Ifaty (4a), Isalo (4b).

Bibintany mavokely. Famaritana: 220 mm ny tontalin’ny halavana, laharan-kirana 20-22, kirana amin’ny tendro molotra lehibe sy boribory raha jerena avy ao an-damosina. Misaraka ny ampahan’ny kirana amin’ny orona. Miendrika teboka kely mainty ny maso. Tsy misoratsoratra, manopy mavokely ranoray ny vatany. Fomba fi ainany: Hita amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara, amin’ny toerana be fasika. Mety hita any ambany vato ary indraindray mavitrika ambonin’ny tany amin’ny alina. Santionany iray ihany no hita nihanika hazo.

442

TyphlopidaeTyphlopidae

31 4

Page 191: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4b

1b1a

3a 3b

4a3c

Page 192: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

1. Typhlops decorsei MOCQUARD, 1901Toerana nahitana azy: Ambovombe, Ankarafantsika, Fiherenana, Kirindy, Malahelo. Sary avy any: Kirindy (1a-b nalain’i M. Burger).

Bibintany maranidoha. Famaritana: Lehibe indrindra amin’ireo Typhlops eto Madagasikara. Mahatratra 600 mm ny tontalin’ny halavana. Laharana Kira 26. Miendrika teboka mainty ny maso. Kirana amin’ny tendro molotra somary maranitra ary manana endrika angady fi saka ny lohany raha jerena avy amin’ny ilany. Mivelatra kokoa ny rambo. Volontakatra matroka ny lamosina ary fotsy manopy volondavenona ny kibo. Fomba fi ainany: Santionany iray lehibe no hita nivoaka teo ambonin’ny tany anaty ala maina tao aorian’ny orambe.

2. Typhlops domerguei ROUX-ESTÈVE, 1980Toerana nahitana azy: Ranomafana. Tsy misy sary.

Bibintany fotsitampindoha. Famaritana: 150 mm ny tontalin’ny halavana. Laharan-kirana 22. Kirana amin’ny maso lehibe noho ny eo alohan’ny maso. Kirana amin’ny orona mihatery sy tahaka ny atody raha jerena avy ao an-damosina. Voaodidina fotsy ny kiran-tampon-doha ary Miloko volontakatra tanora raha jerena avy an-damosina. Fotsy ny kibo sy lamosina. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Karazana mitovy: Mampahatsiahy ny T. domerguei ireo santionany azo tao Andasibe noho ny lokon’ny vatana fa misy fahasamihafana ahafana manavaka azy ho karazana iray hafa (jereo ny karazana faha 8 aoriana).

3. Typhlops madagascariensis BOETTGER, 1877Toerana nahitana azy: Nosy Be. Tsy misy sary.

Bibintany. Famaritana: 140 mm ny tontalin’ny halavana. Laharan-kirana 24. Tsy misy maso. Kirana amin’ny tendro molotra boribory. Manopy mainty ranoray ary mety ahitana tsipika mazava loko isaky ny kirany. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

4. Typhlops microcephalus WERNER, 1909Toerana nahitana azy: Montagne d’Ambre, Fitsahana, Alan’i Manarikoba (Tsaratanana). Sary avy any: Tsaratanana.

Bibintany mavotenda. Famaritana: 235 mm ny tontalin’ny halavana. Laharan-kirana 20. Maranitra kokoa ny loha noho ny vatany. Misaraka ampahany ny kirana amin’ny orona. Miendrika teboka mainty ny maso. Manopy mainty ny vatany ary misy mavo (na fotsy) eo amin’ny tenda, mihamatroka ny loko mankany amin’ny faran’ny vatany. Fomba fi ainany: Hita tany amin’ny ala mandon’ny Montagne d’Ambre sy Tsaratanàna. Na dia mpisitrika aza dia nisy santionany hita navitrika ny atoandro teo amin’ny soson-dravina ao anaty ala.

5. Typhlops mucronatus BOETTGER, 1880Toerana nahitana azy: Ambolokopatrika, Anjanaharibe Sud, Antsahamanara, Lokobe, Manongarivo, Montagne d’ Ambre, Montagne des Français, Nosy Be. Tsy misy sary.

Bibintany mazavakibo. Famaritana: 378 mm ny tontalin’ny halavana. Laharan-kirana 24. Kirana amin’ny tendro molotra boribory. Mivelatra ny rambo. Miendrika teboka mainty ny maso. Manopy volondavenona ranoray ny vatany fa somary mazava ny faritry ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra. Santionany iray no hita tany amorontsiraka fa tsy voafaritra mazava ity karazana ity.

6. Typhlops ocularis PARKER, 1927Toerana nahitana azy: Helodranon’Antongila, Manantantely, Maroantsetra, Marojejy. Tsy misy sary. Bibintany matsokoloha. Famaritana: Santionany iray no fantatra, 342 mm ny tontalin’ny halavana. Laharan-kirana 20. Kirana amin’ny tendro-molotra maranitra. Kiran’orona misaraka tanteraka. Manopy volontakatra tanora ny vatany, somary mazava ny faritry ny kibo. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

7. Typhlops reuteri BOETTGER, 1881Toerana nahitana azy: Manongarivo, Nosy Be. Tsy misy sary. Bibintany tsisy maso. Famaritana: 95 mm ny tontalin’ny halavana. Laharan-kirana 20. Kirana amin’ny tendro-dromolotra boribory. Tsy misy maso. Manopy volondavenona ny lamosina fa mazava kokoa ny kibo. Napetraka ho sahala amin’ny Ramphotyphlops braminus kanefa dia hita ny tsy fi sian’ny maso. Na izany aza dia mila fandalinana ny satam-piarovana azy. Fomba fi ainany: Tsy fantatra.

8. Typhlops sp. “Andasibe” Toerana nahitana azy: Andasibe. Sary avy any: Andasibe. Famaritana: Karazana Typhlops lehibebe ihany izay ahitana faritra mazava ny lohany. Fomba fi ainany: Karazana hita ma-tetika ao amin’ny ala mando manodina an’Andasibe ary azo tamin’ny fandrika lavaka.

Fianakaviana Elapidae BOIE, 1827Ny fi anakaviana Elapidae (Hydrophiinae) dia ahitana ireo bibilavan-drano, miaina anaty ranomasina. Miparitaka manerana ny ranomasin’ny tropika izy, ary ny karazana iray voatatitra fa ao anatin’ny taranaka Pelamis Daudin, 1803 fahita eto Madagasikara. Tsy marina loatra fi lazana ny fi sian’ny faharoa karazana Enhydrina schistosa eto Madagasikara.

9. Pelamis platura (LINNÉ, 1765)Toerana nahitana azy: Tsy dia hita any amorontsirak’i Madagasikara. Sary avy any: Afrika Atsimo (nalain’i B. Branch). Bibilavandranomasina. Famaritana: Mora fantatra amin’ny endrika mitovy amin’ny raketa, rambo fi saka ny ilany, lamosina Miloko volontakatra matroka ary manopy mavo ny kibo. Fomba fi ainany: miaina any an-dranomasina irery ihany ary miteraka, 3 hatramin’ny 8 ny zanany teraka eo anelanelan’ny martsa sy oktobra. Mety manana poizina mahery vaika izay mahafaty izy kanefa tsy manaikitra mihisy.

444

Typhlopidae / Elapidae Typhlopidae / Elapidae

65 7

32 41

8

Page 193: Fieldguide Malagasy 01 - Gondwana Conservation · sisa no velona any anaty ala. Monina any amin’ny ala maina mihitsandravina izy. ... Monina any amin’ny kirihitra sy ny saha izy

4a

1b1a

1c 1d

98

4b