andriamanitra telo izay iray - ny baiboly malagasy (la ... · telo izay ira y». midika hoe « telo...

48
C. Gnimadi Imprimé en France Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex Andriamanitra telo izay iray

Upload: others

Post on 22-Oct-2020

13 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

  • C. Gnimadi

    Imprimé en France

    Bibles et Publications Chrétiennes30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex

    Andriamanitra telo izay iray

  • Fizahan-takila >

    ISBN : 978-2-87907-384-2La trinité: un seul Dieu

    Couverture, photo © Paul Jacquin

  • Fampidirana 5

    1. Ny Testamenta Taloha 16

    2. Ny Testamenta Vaovao 25a. Ireo filazantsara 25b. Ny Asan’ny Apôstôly sy ireo Episitily 26

    Fandrafetana ny foto-pampianaranamikasika ny maha Telo izay Irayan’Andriamanitra 32

    Mivavaka amin’Andriamanitramifanaraka amin’izay fanambarànaataony mikasika ny tenanyao amin’ny Teniny 37

    Aoka hitandrina ny amin’izay hivavahana 39

    3

  • Fampidirana

    Lohahevitra iray tsy ho takatry ny sain’olombelonana oviana na oviana, ny lohahevitra mikasika nymaha Telo izay Iray an’Andriamanitra. Marobe ireofahamarinana sarobidy mikasika an’Andriamanitra resahin’ny Baiboly amintsika.Resahiny amintsika fa Andriamanitra tanteraka sytonga lafatra io Andriamanitra io ; ambaranyamintsika torak’izany koa ny maha izy Azy.Saingy, tsy izany ihany no asehony antsika. Misy

    zava-miafina saro-pantarina, ary tsy haintsikafantarina, ao amin’Andriamanitra. Tsy inona izanyfa ny fisian’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra Tokana : Ny Ray, ny Zanaka, ary nyFanahy Masina.Izany no ilay zava-miafin’ny zava-miafina, izay

    Andriamanitra irery ihany no mahalala azy. Moaendrika samy hafa isehoana Persôna tokana ihanyve ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina? Sa,moa Andriamanitra Telo mitambatra ho Iray ve izyireo? Nahoana no resahina ny amin’ity maha Teloizay Iray an’Andriamanitra ity ?

    * * *

    5

  • Marina tokoa fa tsy hitantsika mivantana aoamin’ny Baiboly ny filazana hoe « AndriamanitraTelo izay Iray ». Midika hoe « telo mitambatra hoiray » izy io, amin’ny teny latina. Ara-tantara, tsyhita mivantana tao amin’ny teôlôjia kristiana nyteny hoe « telo izay iray », izay nampiasain’iTertullien tany amin’ny fiafaran’ny taonjatofaharoa. Tany amin’ny taonjato fahefatra izy iovao nampiasaina, ary natao indrindra hofanoherana ny fahadisoan-kevitra mikasikaan’ireo Persôna maromaro ao amin’Andriamanitra. Ny finoana kristiana no hanynandala ny fisiana Andriamanitra tokana. SamyAndriamanitra avokoa aminy na ny Ray, na nyZanaka, na ny Fanahy Masina. Persôna samymanana ny maha izy azy avy anefa izy ireo. Izanyno fahamarinana tsy azo ihodivirana ambara aoamin’ny Soratra Masina iray manontolo.

    Ho fanoherana izany fahamarinana izany diahipoitra ny filazana toy ny hoe : « Ahoana moa nohanekena ny fanambaràna mikasika ny mahaTelo izay Iray an’Andriamanitra, izay teny tsy hitavoasoratra akory ao amin’ny Soratra Masina ? »Tsy ny handresy lahatra anao akory no tanjonay,fa ny hamela an’Andriamanitra handresy lahatraanao. Avelao Izy no haneho aminao ny mombaAzy, amin’ny alalan’izay ambarany ao amin’nyTeniny (ny Baiboly).

    6

  • 7

    11.. Deoteronomia 32. Ì ; Isaia 64. µ •• 22.. Efesiana 4. Ì •• 33.. Jaona1. Ú‡-Úµ

    Nampiasaina fotsiny ihany mba hanondroanany fahamarinana ambaran’ny Baiboly mikasikany fiombonan’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra, io teny hoe « Telo izay Iray » io.Persôna telo izay mitambatra ho Andriamanitratokana ihany izy ireo. Izany no zava-miafinanahanjahanja tamintsika, eny fa na tsy afaka nyhahatakatra izany aza ny fisainantsika.

    1) Nanana ny anarana nosafidiny isalorana syisehoana Andriamanitra, raha tao amin’nyTestamenta Taloha : Jehovah, Tsitoha, AvoIndrindra, Tompo. Izany Andriamanitra izany noRain’ny Isiraely. Izy mantsy no nifidy azy ireo, synanao an’io vahoaka io ho vahoakany 1. Ambaraho Ray ihany koa Andriamanitra, noho Izy fototranampisy ny olombelona rehetra, araka izaynambaran’ny apôstôly Paoly hoe : « IrayAndriamanitra sady Rain’izy rehetra »2.

    2) Ao amin’ireo filazantsara kosa indray noahitantsika an’Andriamanitra Zanaka. Tonganofo tety an-tany Izy, ary nifandray akaikytamin’Andriamanitra Ray. Izy no Zanakalahitokan’Andriamanitra. Tonga Izy mbahanambara ny Ray, sy hanome fiainanamandrakizay an’izay rehetra mino3. Tena

  • 8

    44.. 1 Jaona 5. ‡† •• 55.. Jaona 14. ‡Ì ; 16. ÚÒ •• 66.. Asa 5. Ò-∂ •• 77.. Jaona 5. Ú¬

    Andriamanitra Izy, ary Izy koa no tena fiainanamandrakizay4.

    3) Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly kosano ahitantsika an’Andriamanitra Fanahy Masina.Niasa tamin’ny fanorenana ny Fiangonana Izy,taorian’ny nidinany tety an-tany. Persônamiavaka amin’iretsy roa voalohany ny FanahyMasina. Mpampianatra Izy5. Ny Fanahy Masina,izay teo anivon’ny Fiangonana, no nandaingan’iAnaniasy. Hoy anefa ny nambaran’i Petera : « Tsynandainga tamin’olona ianao fa tamin’Andriamanitra »6.

    Niara-niasa hatrany ireo Persôna telo taoamin’Andriamanitra ireo hatramin’izay. Hoy nynambaran’ny Tompo : « Ny Raiko miasamandraka ankehitriny ary Izaho koa miasa »7.Maneho amintsika ny asan’Andriamanitratamin’ny alalan’ireo Persôna telo samy mananany maha izy azy avy ireo ny tenin’Andriamanitra,araka izany. Tsy hafa moa io tenin’Andriamanitraio fa tsindrimandrin’Andriamanitra rahateo.Hamafisin’izany tenin’Andriamanitra izany nyfisian’ireo Persôna telo ireo, na milaza amintsikaaza izy fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokanaihany. « Izay soratra rehetra nomen’nytsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa

  • 9

    88.. 2 Timoty 3. ÚÌ

    ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, hofanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’nyfahamarinana »8.

    Mihoatra lavitra ny fetry ny fahalalantsika nyfampianarana fa « Telo mitambatra ho iray »Andriamanitra. Ny zava-miafina mikasikaan’Andriamanitra no kitihintsika amin’izany : nyzava-miafin’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra. Persôna telo samy manana nymaha izy azy avy izy ireo, kanefa mitambatra aoanatin’ny fifandrohizana izay tsy takatry nysaintsika takarina. Izany fahafohizan’nyfisainantsika izany, amin’ny maha olombelonaantsika, no zary lasa sakana tsy anekentsika an’iozava-miafina misafotofoto be ihany ao an-tsaintsika io. Io fahafohizan’ny fisainantsika io nozary raisintsika ho fiarovana ny firehan-kevitsikamanoloana an’io zava-dalina mikasikaan’Andriamanitra io. Tsy afaka ny hanaiky nyzavatra mihoatra azy mihitsy mantsy nyolombelona, izany hoe ny zavatra tsy takatry nyfisainany, noho ny tsy finoany. Mikatsakamandrakariva ny hamaha ny olana manoloanaazy amin’ny alalan’ireo tsoa-kevitra filôzofika nyolombelona. Mainka mitarika azy ho amin’nyfahadisoan-kevitra anefa ireny zavatra ireny,

  • 10

    99.. Matio 22. ‡∞ - DIEM •• 1100.. 1 Korintiana 2. Ú† •• 1111.. Jaona 8. ∂‡ ;15. ‡Ì

    satria tsy te hihaino izay ambaran’Andriamanitraao amin’ny Teniny izy. Eny, na ireo olon’nyfivavahana, toy ny Sadoseo, aza, dia tsy maintsynilazan’i Jesoa hoe : « Diso hevitra ianareo fa tsymisy fantatrareo ny Soratra Masina na nyherin’Andriamanitra »9.

    «Nambaran’Andriamanitra (antsika) tamin’nyFanahy », io fahendrena lalina izay tsy ho takatryny saintsika io. Ny Fanahy no manome antsika nyfahafahana hamantatra izany, satria « ny Fanahyno mamantatra ny zavatra rehetra, na dia nysaina lalina izay an’Andriamanitra aza »10. Nyfinoana tokana ihany, dia ny finoana vonona nyhandray amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena an’izay atolotr’Andriamanitra, no hanyafaka ny hanaiky izany. Ny finoana no hany afakany hanoa an’io fahamarinana toherin’ny hafaamin’ny alalan’ny fampitotonganana ny sain-dalin’Andriamanitra hitovy laharana amin’nyfahafohizan’ny fisainan’olombelona io.

    Velarin’ny Baiboly mazava tsara amintsika nyfisian’ireo Persôna telo, izay samy manana nymaha izy azy avy, ao amin’Andriamanitra.Anteriny fa mifamatotra akaiky ireo Persôna teloireo. Samy avy amin’ny Ray avokoa na ny Zanaka,na ny Fanahy Masina11. Mifamatotra tanteraka

  • ireo Persôna telo ireo ao amin’izany toeram-boninahitra misy azy izany, fa tsy hoe samy makaho azy akory. Mitovy izy ireo ; samy maharitramandrakizay. Mifampiresaka amin’ny hoe « Aho »sy ny hoe « Ianao » ireo Persôna telo ireo, ary samymitafy an’ireo toetra rehetra, izay an’Andria -manitra irery ihany.

    Miresaka amin’ny Rainy ny Zanaka ao amin’nytoko faha-17 amin’ny filazantsara nosoratan’iJaona. Nambarany tamin’izany fa ny Ray nonanome Azy an’ireo olona manatona Azy : « Nyolona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontoloizao », hoy Izy, « Anao ireny ka nomenao Ahy, arynotandremany ny teninao »; «ary nino izy ». Dianatolony indray ho amin’Ilay Iray izay manan-kery hiaro azy ireo amin’izao tontolo izao, ireoolony ireo ; nankininy ho amin’ny Ray izay efanitahiry azy ireo tamin’ny Anarany.

    Hitantsika ao amin’ny Hebreo toko faha-10 :Andriamanitra maneho ny sitrapony (and. ¬), nyZanaka tonga mba hanatanteraka izanysitrapon’Andriamanitra izany (and. ∞), ary nyFanahy Masina mijoro ho vavolombelon’izany,manambara izany (and. Úƒ).

    Maneho ny sitrapony ny Ray, manome fiainanaho an’izay tiany ny Zanaka, mizara ho an’nytsirairay araka izay sitrapony ny Fanahy Masina -mifanaraka mandrakariva amin’izay ankasitra -

    11

  • 12

    1122.. Jaona 14. Ú†

    han’ny Ray sy ny Zanaka anefa io sitrapon’nyFanahy Masina io. Tokana ihany ny fenitr’izy ireo,iray ihany ny tanjony, ary mitovy ny fisainany.Saingy, samy miasa amin’ny fombany avy kosaizy tsirairay avy ireo, amin’ny fanehoana izanyfenitra tratrariny izany. Ny Ray no naniraka nyZanaka ary ny Zanaka no naniraka ny FanahyMasina. Tsy nisaraka mihitsy tamin’ny Ray anefany Zanaka, raha tonga tety an-tany Izy. Hoyindrindra ny filazany : « Izaho ao amin’ny Ray aryny Ray ato amiko… ny Ray mitoetra ato amiko nomanao ny asa »12.

    Tsy hoe Persôna iray mitana andraikitra telosamy hafa akory Andriamanitra – izany no ilayhevi-diso antsoina hoe « Modalisme ». Hitantsikamantsy ireo Persôna ao amin’Andriamanitramifampiresaka sy miara-mihetsika amin’nyfotoana iray. Tsy hoe Andriamanitra telo izay toyny mitambatra ho « Iray » koa Izy, noho nyfahitana Azy ireo miara-miasa mandrakariva.Izany kosa indray no ilay karazam-pahadisoanaantsoina hoe « Trithéisme ».

    Hoy ny fanambarana tsotra nataon’nyteolojiana iray antsoina hoe B. B Warfield :« Voalazantsika ny manontolon’ny foto-

    pampianarana mikasika ny maha Telo izay Iray

  • 13

    1133.. Jaona 3. Òƒ •• 1144.. Jaona 14. ÒÚ

    an’Andriamanitra, rehefa mahalaza an’iretozavatra telo ireto isika :– tokana ihany «Andriamanitra »,– samy Andriamanitra avokoa na ny Ray, na ny

    Zanaka, na ny Fanahy Masina,– Persôna samy manana ny maha izy azy avy na

    ny Ray, na ny Zanaka, na ny Fanahy Masina ».Azon’ny saintsika takarina fa ao anatin’io

    fifamatoran’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra io, no ahitana ny ohatry ny tenafifamatoram-pitiavana lehibe indrindra. Io nomodelin’ny fifamatoram-pitiavana tonga lafatraindrindra, io no loharanon’ny tena atao hoefitiavana. « Ny Ray tia ny Zanaka »13, ary ny Zanakakoa milaza hoe : « Tiako ny Ray »14. Hitantsikataratra ao amin’io maha Telo izay Iray an’Andriamanitra io ny modelin’ny tenafiombonana aina tanteraka, izay mety hotanteraka koa eo anivon’ny zavaboary.

    Asehon’ny Baiboly antsika ihany koa ny zava-miafin’ny fiombonana misy eo amin’ny sehatryny maha olombelona. Hoy indrindra ny apôstôlyPaoly, raha niresaka ny amin’ny fanambadianaizy : « Ary noho izany ny lehilahy dia handao nyrainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny,ary ho nofo iray ihany izy roroa ». Hoy indray izy,

  • 14

    1155.. Efesiana 5. ÒÚ, Ò‡ •• 1166.. Matio 19. Ì •• 1177.. Efesiana 1. ‡‡, ‡Ò ; 1 Ko-rintiana 12. Ú‡-‡¬ ; Romana 12. ∂-ƒ •• 1188.. Jaona 17. ‡Ú, ‡Ò

    rehefa izany : « Zava-miafina lehibe izany, familaza ny amin’i Kristy sy ny Fiangonana aho »15.Moa tsy zava-miafina lehibe tokoa ve izany hoe :« Ho nofo iray ihany izy roroa »? Zava-dalina tsytakatry ny saintsika izany. Hoy ny Tompo : « Koadia tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany »16.Hitantsika anefa fa toa mijanona ho olon-droaihany ny mpivady. Kanefa dia iray nofahitan’Andriamanitra azy ireo, ka izany koa notokony ho fahitantsika azy. Izany fijerin’Andriamanitra izany no tsy maintsy ekentsika homarina. Ekentsika fa iray ireo, satria izany no tenynambaran’Andriamanitra.

    Miresaka amintsika ny maha samy hafa an’ireosinga mandrafitra ny vatana tokan’i Kristy ihanykoa ny Baiboly. Tsy hafa io fa ny Fiangonana, izayantsoina ho ny vatan’i Kristy, ary isika mpino norantsam-batana mandrafitra azy. Samy anisan’nymomba an’io tena io ny mpino tsirairay avy17. Hoyny nambaran’ny Tompo Jesoa : « Mba ho irayihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato Amiko aryIzaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koaizy… mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao efananiraka Ahy »18. Tsy ho takatry ny saintsikaindray koa izay tena fisehon’izany fifandraisana

  • 15

    1199.. Efesiana 3. Ú-ÚÚ •• 2200.. 1 Korintiana 10. Ú¬

    izany. Izany anefa no fahamarinana tsy maintsyraisina amin’ny finoana. Izany no ilay « zava-miafina nohazonina », kanefa nampahafan -tarin’Andriamanitra ny apôstôly Paoly mbahozarainy amin’ny hafa19.

    Mampiorina ny finoantsika an’Andriamanitrany fahalalana ny fiombonan’ireo Persôna aoamin’Andriamanitra, izay mitambatra hoAndriamanitra Tokana. Miha azontsika koa,miara-dalana amin’izany, ny endriky nyfiombonan’ny mpivady ao anatin’nyfanambadiana, sy ny fiombonantsika amin’ireompino hafa (dia ireo tena mpino marina tokoa)ao anatin’ny Fiangonana. Izany fiombonanaizany no tanterahintsika rehefa miatrika nyLatabatry ny Tompo isika. Eo no anatan -terahantsika ny hoe na dia maro aza isika diamofo iray ihany, tena iray ihany, satria samymandray anjara amin’ny mofo iray ihany nyrehetra20.

    Ndeha hotomorintsika kokoa àry izao ny fombananehoan’Andriamanitra tamintsika ny amin’ityfoto-pampianarana mikasika ny maha Telo izayiray Azy ity, ao amin’ny Baiboly.

  • 16

    2211.. Deoteronomia 6. ∂, ƒ •• 2222.. Genesisy 1. Ú-Ò

    1. Ny Testamenta Taloha

    Anterin’ny Testamenta Taloha fa tokanaAndriamanitra21. Ary, mitoetra ho marinamandrakariva izany fanambaràna izany. Voizinamandritra ny Soratra Masina iray manontolo iomaha tokana an’Andriamanitra io, aryampifanoherina amin’ny fananan’ny Jentilisaandriamanitra maro. « Iray ihany noAndriamanitra », izany no fahamarinana lehibevoasoratra amin’ny fanevan’ny vahoaka Isiraely,eny fa na manondro maro aza ny anarana hoe« Andriamanitra » (Elohim, amin’ny teny Hebreo) :manondro ny maha Andriamanitra feno izany.

    Misy andininy vitsivitsy maneho amintsikaan’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny Fanahymiara-miasa. Hitantsika ao amin’ny bokin’nyGenesisy ny filazana hoe : « Tamin’ny voalohanyAndriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Aryny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary aizinano tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano. AryAndriamanitra nanao hoe : misia mazava, dia nisymazava »22. Ampy ny famakiana amim-pifantohana tsara an’io teny io, omban’nyfitsilovan’ny Fanahy Masina, mba hahitana fa efa

  • 17

    2233.. Jaona 1. Ú-Ò

    tao hatramin’ny fahariana ireo Persôna telo aoamin’Andriamanitra.

    Eo amin’ny andininy voalohany, amin’ioGenesisy 1 io, no ahitantsika an’Andriamanitra.Eo amin’ny andininy faharoa kosa no ahitantsikany Fanahy Masina miasa irery, toy ny hitantsikaany amin’ireo andininy maro hafa ao amin’nySoratra Masina. Tao Izy tamin’ny fahariana, aryniasa. Hitantsika Izy nanomba tambonin’ny rano,raha mbola tsy nisy endrika sady foana ny tany.Eo amin’ny andininy fahatelo no ahitantsika fa ny« Teniny » no naharian’Andriamanitra ny zavatrarehetra.

    Ny hoe Zanak’Andriamanitra ao an-tratran’nyRay mandrakizay no anondroan’ny filazantsaranosoratan’i Jaona amintsika ny Tompo. « NyTeny », no iantsoany Azy, eo amin’ny fiandohan’iofilazantsara nosoratany io : « Tamin’ny voalohanyny Teny ». Ary tohizany avy hatrany amin’ny hoe :« ny Teny tao amin’Andriamanitra ». Nahariha rinyizany fa ny Teny, izay tsy hafa fa Andria manitra,dia miavaka amin’Andriamanitra, satria taoamin’Andriamanitra Izy tamin’ny voalohany. TenaAndriamanitra mihitsy koa anefa Izy. Anampinyindray, rehefa izany, fa « Izy no nahariana nyzavatra rehetra, ary raha tsy Izy dia tsy nisynahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza »23.

  • 18

    2244.. Kolosiana 1. ÚÌ, Ú¬ •• 2255.. Ohabolana 8. ‡¬-Ò† •• 2266.. Vakio koa nyHebreo 1. Ú-Ú‡

    Ndeha hosinganintsika koa ireto andininyireto : « Fa tao aminy no nahariana ny zavatrarehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany,dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, nafanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy nonahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany.Ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady aoaminy no aharetan’ny zavatra rehetra »24. «Rahanamorona ny lanitra Izy dia tany aho (ny TompoJesoa io), raha namaritra ny habakabakatambonin’ny lalina Izy, raha nampitoetra nyrahona eny ambony Izy, raha niboiboika fatratrany loharanon’ny lalina, raha nanisy faritra hoan’ny ranomasina Izy, mba tsy hahazoan’ny ranomihoatra ny fetrany, ary nandidy ny amin’nyfanorenan’ny tany, dia mpita-marika teo anilanyaho sady ravoravo isan’andro isan’andro »25.Ahatarafantsika ireo andininy ireo fa ny TompoJesoa mihitsy no tena mpiangaly ny asanataon’Andriamanitra, nandritra ny fahariana26.Izy mihitsy tokoa no ilay Teny, fonosin’nyfehezanteny hoe « Ary Andriamanitra nanaohoe », izay hita ao amin’ny Genesisy 1. Ò.

    Marihina fa tsy hita na aiza na aiza ao amin’nyBaiboly mihitsy ny fampianarana fa :

  • 19

    2277.. Jaona 6. Òµ-∂† ; Jaona 14. Ú-Ò

    « Andriamanitra dia Teny ». Ny mifanohitraamin’izany kosa no amafisiny ao amin’ny Jaona1. Ú : « Ny Teny dia Andriamanitra ». Tsymanaisotra na inona na inona amin’ny mahaAndriamanitra ny Ray izay any an-danitra mihitsyanefa izany !

    Moa tsy manaporofo ve ireo andininy rehetraireo fa miavaka mihitsy amin’Andriamanitra Rayny Zanak’Andriamanitra ? Tao an-tratran’ny RayIzy. Ary mbola tao an-tratran’ny Ray hatrany Izyna nanetry tena aza, ka nandao ny lanitratoeram-boninahiny mba ho tahaka antsikaolombelona. Mbola tao aminy ihany ireo toetrarehetra maha Andriamanitra, na tongaolombelona aza Izy. Tonga nofo ny Zanaka. EfaZanaky ny Ray hatrizay hatrizay Izy, ary mbolamitoetra ho izany hatrany, na tonga tety an-tanyaza. Nidina tety Izy mba hampahafantatraantsika ny fon’Andriamanitra feno fitiavanaan’ity voariny lavo sy fatra-mpikomy. Nidina tetyIzy mba ho afa-mamboatra toerana ho antsika,dia toerana handaniantsika ny hoavintsikamandrakizay ao an-tranon’ny Ray. Izany no zava-miafin’ny fahatongavan’i Zanaka ho nofo. Izanyno sitrapon’ny Rainy27.

  • Hoy indray koa ny teny hitantsika ao amin’nyTestamenta Taloha :

    «Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia mpanjakano nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’nyseza fiandrianana avo sady manerinerina, ary nyebaneban’akanjony nahafeno ny tempoly. Nisyserafima nitsangana teo amboniny, samy nananaelatra enina avy : ny roa nanaronany ny tavany, nyroa nanaronany ny tongony, ary ny roananidinany. Ary nanandratra ny feony izy kanifamaly hoe : Masina, masina, masina JehovahTompon’ny maro, henika ny voninahiny ny tanyrehetra. Dia nihorohoro ny fanambanin’nytokonana noho ny feon’ireo nanandratra nyfeony, ary feno setroka ny trano. Dia hoy izaho :Lozako ! Maty aho, fa lehilahy maloto molotra,sady ato amin’ny firenena maloto molotra noitoerako, fa ny Mpanjaka dia Jehovah Tompon’nymaro no efa hitan’ny masoko. Dia nanidinananatona ahy ny serafima anankiray nitondravainafo teny an-tanany, izay nalainy tamin’nytandra avy teo amin’ny alitara. Ary natehiny nyvavako izany ka hoy izy : Indro efa nilentikatamin’ny molotrao io ka dia afaka ny helokao, aryvoavela ny fahotanao. Ary nandre ny feon’nyTompo aho nanao hoe : iza no hirahiko, ary iza nohandeha ho irakay ? Dia hoy izaho : Inty aho, irahoaho. Ary hoy Izy : mandehana ka lazao amin’ity

    20

  • firenena ity hoe : mandrenesa mandrakarivaihany ianareo, nefa aza mahalala ; ary mijeremandrakariva ihany ianareo, nefa azamahafantatra. Ataovy adala ny fon’ity firenenaity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovymikimpy ny masony ; fandrao hahita ny masony,sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, diahibebaka izy ka ho sitrana »28.

    Maneho amintsika ny Tompo, ny Mpanjaka,Jehovah Tompon’ny maro, io andininy io. Milazany voninahiny sy ny fahamasinany ireo serafima.I Jesoa kosa indray anefa no tondroin’i Jaona, aoamin’ny filazantsara nosoratany, raha nitanisa ityteny notsoahina tany amin’ny bokin’i Isaia ity izy :« Izany teny izany no nolazain’i Isaia satria nahitany voninahiny Izy ka nilaza Azy »29. Raisin’i Paolyho teny nolazain’ny Fanahy Masina indray ireoteny nambaran’i Jehovah ireo, ao amin’nybokin’ny Asan’ny Apôstôly : « Marina izaynampilazain’ny Fanahy Masina an’i Isaiampaminany tamin’ny razanareo manao hoe :Mandehana… »30.

    Voamarika eto amin’ity andininy notsoahinatao amin’ny Isaia toko faha-6 ity ny famere -nan’ireo serafima intelo ny hoe « masina »,nanoloana an’i Jehovah. Mety ho fanehoana ny

    21

    2288.. Isaia 6. Ú-Ú† •• 2299.. Jaona 12. ∂Ú •• 3300.. Asa 28. ‡ƒ, ‡Ì

  • fisian’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitraizany.

    Tsy tena mbola nahanjahanjan’Andriamanitraanefa ny momba Azy ao amin’ny TestamentaTaloha. Amin’ny endrika manjavozavo ihany, tsymivantana, no ahitantsika an’ireo Persôna telo aoamin’Andriamanitra, ao amin’ny TestamentaTaloha. Afaka ny hahita izany ankarihary kosaisika ankehitriny, satria mazava be ny fanehoanaizany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Zava-miafina mbola takona ihany izany ho an’ireompino niaina tamin’ny vanim-potoanan’nyTestamenta Taloha.

    Hitantsika, ohatra, ireo Persôna telo ireo taoanatin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’nyIsiraely : « Ny famindrampon’i Jehovah nyambarako… Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mbahandainga, ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy. Aryilay Anjelin’ny tavany no namonjy ireo. Nyfitiavany sy ny famindrampony no nanavotanyazy, sy nivimbinany azy ary nitondrany azytamin’ny andro taloha ela rehetra. Fa ireo kosadia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny.Dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy »31.Hitantsika ato amin’ity andininy ity avokoa na i

    22

    3311.. Isaia 63. ¬-Ú†

  • Jehovah, na ny Fanahy Masina, na ny Tompo, diany Zanak’Andriamanitra izay nantsoina hoe« Anjelin’i Jehovah », « A » lehibe no nanoratanaAzy - Antsoina ihany koa amin’ny hoe « Anjelin’nytavan’i Jehovah » Izy eto.

    Andininy maro ao amin’ny Testamenta Talohano manondro ny Zanaka amin’io hoe « Anjelin’iJehovah » io, ary tondroiny ho toy ny hoe« Jehovah » Izy tenany ihany izy io.

    Raha iny teo anilan’ny loharano iray tanyan’efitra iny i Hagara, raha teny am-pandosiranaan’i Saray tompovaviny izy, dia hoy ny voalaza :« Ary ilay Anjelin’i Jehovah nahita azy… Ary hoyilay Anjelin’i Jehovah taminy… Ary Hagara nanaony anaran’i Jehovah izay niteny taminy hoe :Ianao no Andriamanitra izay mahita. Fa hoy izy :tsy teto va no mbola velona aho taorian’nyfahitana ? »32. Nantsoina hoe « Jehovah » ilayAnjelin’i Jehovah teto ; Andriamanitra izaymampiseho ny tenany.

    Any amin’ny andininy hafa dia hitantsika ityAnjelin’i Jehovah ity mijoro eo anoloan’i Jehovah,toy ny Persôna hafa amin’i Jehovah, kanefamiteny toy ny hoe Jehovah Izy tenany ihany : « Arydia nasehony ahy fa indro Josoa mpisoronabenitsangana teo anatrehan’Ilay Anjelin’i Jehovah,

    23

    3322.. Genesisy 16. ¬-Ú∂

  • ary Satana nitsangana teo an-kavananyhiampanga azy. Ary hoy Jehovah tamin’i Satana :Hananatra anao anie Jehovah ry Satana… dianamaly Jehovah (ilay Anjelin’i Jehovah)… Ary IlayAnjelin’i Jehovah nilaza marimarina tamin’i Josoahoe : Izao no lazain’i Jehovah Tompon’nymaro… »33.

    Iza àry io Jehovah io, iza io Anjelin’i Jehovah io,iza io Fanahy Masiny io ? Zavatra saro-takarinaizany ho an’ireo Isiraelita niaina tamin’izanyvanim-potoana izany. Mbola tsy nasehomanontolo mantsy ny zava-miafina mikasika nymaha Telo izay Iray an’Andriamanitra.Mihanjahanja kosa ny zava-drehetra ao amin’nyTestamenta Vaovao.

    24

    3333.. Zakaria 3. Ú-¬

  • 2. Ny Testamenta Vaovao

    a. Ireo filazantsara

    Nanaitra ny sain’ny ankamaroan’ny olonahanaiky ny fisian’ny Fanahy Masina marina tokoany fahatongavan’i Jaona mpanao batisa34, aoamin’ny Testamenta Vaovao. Samy fampise -hoana ny fisian’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra avokoa na ny zava-nitrangatamin’ny fahaterahan’i Jesoa, na izay nitrangatamin’ny fotoana nanaovam-batisa Azy. Tao ireoPersôna telo ao amin’Andriamanitra, tamin’nyfotoana nilazana ny hahaterahan’i Jesoa : « Aryilay anjely namaly ka nanao taminy hoe : nyFanahy Masina ho tonga ao aminao ary hisyherin’ny Avo Indrindra hanaloka anao, koa nymasina izay hateraka dia hatao hoeZanak’Andria manitra »35. Fantatsika koa izaynitranga tamin’ny fotoana nanaovam-batisa an’iJesoa. Rehefa nanao batisa an’i Jesoa i Jaona dia :« nisokatra ny lanitra ary ny Fanahy Masinanidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka nyvoromailala ; ary nisy feo avy any an-danitrananao hoe : Ianao no Zanako malalako, Ianao nositrako »36. Niara-niseho ireo Persôna telo ao

    25

    3344.. Matio 3. ÚÚ •• 3355.. Lioka 1. Òƒ •• 3366.. Lioka 3. ‡‡

  • amin’Andriamanitra tamin’ny fotoanananaovam-batisa an’i Jesoa Kristy37.

    Nilaza ny Tompo Jesoa fa ny Ray no nanirakaAzy. Nambarany fa Izy no manambara ny Ray, arymiara-miasa amin’ny Ray sy ny Zanaka ny FanahyMasina. Anterin’ny Jaona 14. ¬-‡Ò ny fifandraisanamisy eo amin’ireo Persôna telo ireo. Hita homiavaka tsara, samy manana ny maha izy azyavy, ireo Persôna telo ireo ao amin’io Jaona 14 io.Tsindriny koa anefa ny maha iray ihany azy ireo.Mitoetra mandrakariva ny fahamarinan’nyfisiana Persôna telo ao amin’Andriamanitra eoamin’ny mpino : ny Ray (and. ‡Ò), ny Zanaka(and. Úµ), ary ny Fanahy Masina (and. Ú¬).

    Ny hafatra farany napetrak’i Jesoa tamin’nympianany dia ny fanaovam-batisa amin’ny rano«amin’ny anaran’ny » (filazana manondro tokana,fa tsy hoe « amin’ireo anaran’ny»). Izany hoemanao Batisa amin’ny anaranà Andriamanitratokana ihany, dia «amin’ny anaran’ny Ray sy nyZanaka ary ny Fanahy Masina »38.

    b. Ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly sy ireo episitily

    Hita taratra amin’ireo boky sisa mandrafitra nyTestamenta Vaovao, fa nivelatra lavitra noho izay

    26

    3377.. Vakio koa ny Matio 3. ÚÌ-Ú¬ •• 3388.. Matio 28. Ú∞

  • voalaza tao amin’ireo filazantsara, nyfampianaran’i Jesoa ny amin’ity lohahevitramikasika ny maha Telo izay Iray an’Andriamanitra ity. Ampifandraisin’i Peteraamin’ny maha Telo izay Iray an’Andriamanitra nyzava-nitranga tamin’ny andro Pentekôsitra. Hoyindrindra ny filazany : « Izany Jesoa izany dia efanatsangan’Andriamanitra ary vavolom belon’izany izahay rehetra. Ary rehefa nasandratry nytanana an-kavanan’Andria manitra Izy, arynandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina izaynokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo syrenareo izao Izy »39. Nanangana an’i Jesoa ZananyAndriamanitra Ray. I Jesoa kosa indray nandefany Fanahy Masina ho amin’ny mpino rehefanasandratra ho eo an-kavanan’ny Ray, kanandray tamin’ny Ray an’io Fanahynampanantenainy io.

    Tsiahivin’i Paoly ireo fanomezam-pahasoavanaavy amin’ny Fanahy : « Zarazaraina ho samy hafany fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy diairay ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa nyfanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Aryzarazaraina ho samy hafa ny asa, nefaAndriamanitra dia iray ihany, Izay miasa nyzavatra rehetra amin’ny olona rehetra »40. Ireo

    27

    3399.. Asa 2. Ò‡-ÒÒ •• 4400.. 1 Korintiana 12. ∂-Ì

  • andininy ireo no manamafy fa ireo Persôna teloao amin’Andriamanitra no niandraikitra nyfitsinjarana an’ireo fanomezam-pahasoavanaisan-karazany. Avahin’i Paoly tsara ny isanisanyamin’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitraireo : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’iJesoa Kristy Tompo, ny fitiavan’AndriamanitraRay ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina »41.«Iray ny tena ary iray ny Fanahy, dia toy nyniantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iraymomba ny fiantsoana anareo. Iray ny Tompo, irayny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitrasady Rain’izy rehetra… »42.

    Hoy koa ny apôstôly Petera : « Olom-boafidyaraka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra Ray amin’ny fanamasinan’nyFanahy, ho amin’ny fanarahana sy nyfamafazan’ny ran’i Jesoa Kristy »43.

    Maneho avokoa ireo andininy rehetravoatanisa ireo fa miara-miasa ao anatin’nyfiombonana tanteraka ny Ray sy ny Zanaka ary nyFanahy Masina. Toy ny endrika nisehoan’IlayAndriamanitra tokana hatrany amin’ny Testa -menta Taloha ihany no isehoany. Saingy, misehoankarihary amin’ny maha Persôna telo Azy Izyrehefa naseho ny zava-miafin’ny toe-panahy

    28

    4411.. 2 Korintiana 13. Ú∂ •• 4422.. Efesiana 4. ∂-Ì •• 4433.. 1 Petera 1. ‡

  • araka an’Andriamanitra : « Lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo,nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’nyanjely, notorina tany amin’ny Jentilisa, ninoanateny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’nyvoninahitra »44.

    Tamin’ny fotoana nahatongavan’Andriamanitra ho nofo no nanehoany feno nymomba Azy. Tamin’ilay fotoana nanaovan’i Jaonabatisa an’i Jesoa no nanehoany voalohanyindrindra tamin’ny olombelona ny fisianaPersôna telo miavaka tsara, kanefa miara-miseho, ao amin’Andriamanitra. Milaza izanyankarihary ireo filazantsara, ny bokin’ny Asan’nyApostoly, ary ireo episitily, rehefa izany. Izany noanambaràn’Andriamanitra ny tenany :Andriamanitra tokana miseho ao amina Persônatelo miavaka tsara, samy manana ny maha izyazy avy, ary miara-miasa. Azo atao ny tsymampiasa ny teny hoe Telo izay Iray ; saingy,fadio kosa ny mandà ny hevitra fonosin’izanyteny izany. Midika ho fandavana ny zava-miafin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitramantsy ny fandavana izany.

    29

    4444.. 1 Timoty 3. ÚÌ

  • Tsy afaka ny hihambo ho kristiana mihitsy isikaraha mandà ny foto-pampianarana mikasika nymaha Telo izay Iray an’Andriamanitra. Sarotra nyhiombona amin’ny olona mandà an’io foto-pampianarana iray io, satria ivon’ny finoantsikaizy io. Midika ho fandavana ny Filazantsara nyfandavana azy io. Ary manoatra lavitra,fandavana an’Andriamanitra mihitsy ny tsyfanekena izany. Izany fandavana ny maha Teloizay Iray an’Andriamanitra izany no fitenenan-dratsy fara tampony an’Andriamanitra. Izanyindrindra no antony nilazan’ny apôstôly Jaonahoe : « Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra aoamin’ny fampianaran’i Kristy (izany hoe nyfampianarana fa efa tonga nofo Andriamanitra -ampitahao amin’ny and. ¬), dia tsy mananaan’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’nyfampianarana dia izy no manana ny Ray sy nyZanaka. Raha misy olona mankeo aminareo ka tsymitondra izao fampianarana izao, azamampiantrano azy na miarahaba azy akory, faizay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsyataony »45. Aza haetry noho ny fahafohizan’nyfisainantsika Andriamanitra ! Andriamanitra tsytakatry ny saina Izy, Andriamanitra tsy manam-petra. Manàna finoana mba hanaiky fotsiny

    30

    4455.. 2 Jaona ∞-ÚÚ

  • ihany ny fanambaràna omeny antsika mikasikany tenany ao amin’ny Teniny. Ao amin’i Jesoa noahitantsika ny fanambaràn’Andriamanitra fenony momba ny tenany.

    31

  • Fandrafetana ny foto-pampianaranamikasika ny maha Telo izay Irayan’Andriamanitra

    Tsy mbola narafitra ho foto-pampianarana nyamin’ny fisian’io Andriamanitra tokana misehoamin’ny endrika telo io, raha tsy taty aoriana kely.Noraisina ho fahamarinana nambaran’nytenin’Andriamanitra ihany izany, teo amin’ireokristiana voalohany. Nambara ampahibemaso hofoto-pinoan’ny Fiangonana izy io nandritra nyfivoriambe natao tao Nicée ny taona 325,tamin’ny fotoanandron’i Athanase. Taonjato iraytaty aoriana, nandrafitra raikipohy niaingatamin’io fanekem-pinoan’i Athanase io iAugustin. Mitoetra hatrany ny fahamarinan’ioraikipohy nomeny io : voalaza tao amin’izanyfanekem-pinoana izany fa Andriamanitra i Kristy,ary toy izany koa ny Fanahy Masina ; mandrakizayIzy ary mitovy tanteraka amin’ny Ray.

    Fahamarinana telo no fantatra manodidina nyfifandraisan’ireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra.

    Voalohany : miseho amin’ny endrika telo nymaha izy azy an’Andriamanitra. TokanaAndriamanitra amin’ny maha Andriamanitra Azy,tokana ny sitrapony. Toetra maro anefa noisehoany, Persôna samy hafa, ary asa samy hafa.

    32

  • Faharoa : mitovy ny voninahitra tinafin’ireoPersôna telo ao amin’Andriamanitra ireo, mitovytoetra Izy ary samy mendri-kaja46.

    Fahatelo : samy miasa amin’ny fombany avyireo Persôna telo ao amin’Andriamanitra : ny Raymiasa ao amin’ny Zanaka47, amin’ny alalan’nyFanahy Masina48. Izany no ambaratonga misy eoamin’ny fifandraisan’ireo Persôna telo ireo, arakany hita ao amin’ny Jaona 14. ‡µ, sy ny 16. ÚÒ. Eoamin’ny fifandraisan’ireo Persôna telo ireo ihanyno mihatra io ambaratonga io, fa tsy eo amin’nytoetra tinafiny akory. Mitovy toetra mantsy ireoPersôna telo ireo (samy mitafy ny toetra mahaAndriamanitra Izy ireo).

    Hoy ny voalaza ao amin’ny episitily ho an’nyHebreo : « Tsarovy ny mpitondra anareo izay efanitory ny tenin’Andriamanitra taminareo ; heverony niafaran’ny fiainany ka araho ny finoany. JesoaKristy no tsy miova omaly sy anio arymandrakizay. Aza mety havilin’izay fampiana -rana maro hafahafa ianareo »49. Ireo apôstôlysady mpaminany izany, izay nametraka ny vatofanorenan’ny Fiangonana, no mitarika antsika,araka ny ambaran’io teny io. Tsy hafa io vato

    33

    4466.. Matio 12. ÒÚ, Ò‡ ; Jaona 5. Úµ ; 1 Korintiana 2. Ú†-Ú‡ •• 4477.. 2 Ko-rintiana 4. Ì ; Hebreo 1. Ú-∂ •• 4488.. 1 Korintiana 2. Ú† ; Jaona 14. ‡Ì•• 4499.. Hebreo 13. ¬-∞

  • fototra io fa i Jesoa Kristy, izay antsoina koa hoevato fehizoro50.

    Milaza ankarihary an’io foto-pampianaranamikasika ny maha Telo izay Iray an’Andriamanitra io ireo apôstôly ao amin’nyasasorany. Nitandrina izany ireo olon’ny finoanateo alohantsika, ary dia antsoina koa isikahahatsiaro izay nataon’izy ireny, satria izy irenyno nitarika antsika, izy ireny no nitondra antsika.Ara-drariny tokoa ny hahatsiarovantsika azyireny, satria ry zareo ireo no nitory nytenin’Andriamanitra tamintsika.

    Nahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanora -tana ho an’ireo mpino tamin’ny fotoanandronykoa i Joda. Nanoratra ho azy ireo izy mbahiarovan’izy ireo fatratra ny finoany, dia nyfinoana izay efa nampianarina azy ireo hatranyam-piandohana, satria nisy olona sasantsasany,izay nandà an’i Jesoa Kristy Tompo tokana51,nitsofoka an-tsokosoko teo anivon’izy ireo.

    Moa tsy mbola ilaintsika ankehitriny koa veizany anatranatra nataon’ny apôstôly Joda izany ?Aza manaiky ho voafitak’ireo mpamitaka, izaymanao ny sitrapon’i Satana tompony, ireo. Nyhitady ny fomba rehetra hanoherana hatrany nylalana soritan’Andriamanitra no katsahin’i

    34

    5500.. Efesiana 2. ‡† •• 5511.. Joda Ò-∂

  • 35

    Satana. Fitsarana mampivarahontsana nohiandry an’ireo olona ireo any am-para52. Hoyindray i Joda, rehefa izany : « Fa tsarovinareo, rymalala, ny teny voalazan’ny apôstôlin’i JesoaKristy Tompontsika fahiny… »53. Miresaka nytokony hahatsiarovantsika ny teny nampilazainany apôstôly i Joda eto, ka hitomoerantsikamandrakariva eo amoron’io loharano avyamin’Andriamanitra, izay napetraky ny apôstôly,io. Asaina koa isika ankehitriny hisotro amin’izayloharano izany :

    Vaovao lalandava ilay onim-pitiaTovozin-tsy ritra ao an-tratran’ny RayEo no mba tiako hitoniana satriaLoharano maharitra mandrakizay.

    Miresaka mikasika ny maha Telo izay Irayan’Andriamanitra koa i Joda ao amin’nyanatranatra ataony : « Fa ianareo kosa, ry malala,dia ataovy izay handrosoanareo amin’nyfinoanareo masina indrindra, ka mivavaha aoamin’ny Fanahy Masina, ary tehirizo nytenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra,miandry ny famindram-pon’i Jesoa KristyTompontsika ho fiainana mandrakizay »54.

    5522.. Joda Ú∂-ÚÌ •• 5533.. Joda Ú¬-Ú∞ •• 5544.. Joda ‡†-‡Ú

  • Mifantoka amin’Andriamanitra Mpamonjyantsika, amin’ny alalan’i Jesoa Tompontsika, iJoda, ao amin’ilay fiderana entiny mamarana nyepisitily nosoratany. Teo indray izany izy nonampisy fiavahana mazava tsara teo amin’ireoPersôna roa ao amin’Andriamanitra55.

    36

    5555.. Joda ‡∂-‡ƒ

  • Mivavaka amin’Andriamanitramifanaraka amin’izay fanambarànaataony mikasika ny tenany ao amin’nyTeniny

    Tsy afaka ny hivavaka amin’iza na amin’iza,ankoatra an’Andriamanitra, isika. Tsy afaka nyhivavaka aminy araka izay hiheveran’ny saintsikaAzy koa anefa isika, na izany aza. Mitarika antsikaho amin’ny fanompoan-tsampy mantsy rahaizany fiheveran’ny saintsika izany no hivavahan -tsika amin’Andriamanitra. Ny fanambarànanomeny antsika mikasika ny tenany ao amin’nyTeniny no tsy maintsy entintsika mivavakaamin’Andriamanitra.

    Efa nivavaka tamin’Andriamanitra sahady ireompino tao amin’ny Testamenta Taloha, na mbolatsy tonga aza ny Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra.Ilay tena Andriamanitra marina io nivavahany io,araka ny ambaran’ny Deoteronomia 6. ∂-ƒ. Nisehotamin’ireo mpino ireo tamin’ny hoe : « Tsitoha »Izy ; niseho taminy tamin’ny hoe « Avo Indrin -dra ». Ary araka izany anarana nisehoan’Andriamanitra tamin’izy ireo izany nonivavahany taminy. Taty aoriana kely, tamin’i« Jehovah » no nanoloran’ny vahoaka Isiraelyfanompoam-pivavahana. Naniraka an’i MariaMagdalena i Jesoa, taorian’ny fahafatesany sy ny

    37

  • 38

    5566.. Jaona 20. Ú¬ •• 5577.. Jaona 1. Ú‡ •• 5588.. Romana 8. Úƒ-ÚÌ

    fitsanganany tamin’ny maty, mba ho anyamin’ireo mpianany ka hilaza amin’izy ireo nyrohim-pifandraisana vaovao misy eo aminy sy izyireo, manomboka izao : « Mandehana mankanyamin’ny rahalahiko ka lazao aminy hoe : Miakatraho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary hoany amin’ny Andriamanitro sy Andriama -nitrareo »56.

    Fitahiam-be ho an’ny kristiana nyfanehoan’Andriamanitra feno ny tenany. TongaRain’ireo mpino Andriamanitra, noho ny amin’nyZanaka. Nomena azy ireo ho tombokasehaneken’Andriamanitra azy ireo ho zanany nyFanahy Masina. Amin’ny alalan’io Fanahy io noahazoan’izy ireo antoka fa Rain’izy ireo marinatokoa Andriamanitra : « Fa izay rehetra nandrayAzy (an’i Jesoa) dia nomeny hery ho tongazanak’Andriamanitra »57. Nandray ny Fanahy izyireo, dia ny « Fanahin’ny zanaka natsangana, izayiantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Ny Fanahy diamiara-milaza amin’ny fanahintsika fazanak’Andriamanitra isika »58.

    «Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na ovianana oviana, fa ny Zanaka Lahitokana izay ao an-

  • tratran’ny Ray, Izy no manambara Azy »59. Nidinatety an-tany ny Zanaka mba hampahafantatraantsika ny Ray. Tonga tety Izy mba hanorinavahoaka afaka ny hivavaka aminy amin’nyFanahy sy ny fahamarinana, dia araka izay irin’nyfony 60.

    Aoka hitandrina ny amin’izay hivavahana

    An’ny Zanaka avokoa, no sady an’ny FanahyMasina koa, izay rehetra mahakasika an’Andriamanitra. Ananan’i Jesoa sy ny FanahyMasina avokoa ireo toetra rehetra isaloran’Andriamanitra : fahamasinana, fahamarinana,fahadio vana, fitiavana, hatsaram-po,… Mana -mafy ny Soratra Masina fa mitovy tsy misy valakaamin’ny Ray ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.Atafiny Azy ireo ny toetra izay voalaza faan’Andriamanitra irery ihany ; ny asa ataon’Andriamanitra no asa ataon’Izy ireo koa ;mandray ny fankalazana izay sahaza an’Andriamanitra irery ihany ny Zanaka sy nyFanahy61. Tsy maintsy ho mazava tsara amintsikaanefa izay voalaza mikasika an’Andria manitra,

    39

    5599.. Jaona 1. Ú∞ •• 6600.. Jaona 4. ‡Ò •• 6611.. Isaia 6. Ò-µ ; ampitahao koaamin’ny Jaona 12. ‡Ú ; Asa 28. ‡ƒ ; Jaona 5. ‡† ; Asa 5. Ò-∂, etc. •• 6622..1 Korintiana 14. Úƒ

  • raha te hivavaka amin’Andriamanitra am-panahysy an-tsaina koa isika62.

    Milaza amintsika, ohatra, ny Baiboly manaohoe : « Maty Kristy noho ny fahotantsika »63. Tsymilaza na oviana na oviana kosa io Baiboly io hoenandia fahafatesana Andriamanitra ! Fitenenan-dratsy tokony hotandremana mihitsy ny filazanahoe « maty Andriamanitra ». Maty i Jesoa, arynoho ny fahatongavany ho olombelona nonandiavany fahafatesana ! Ny hiatrika izanyfahafatesana izany indrindra moa no antonynahatongavany nitafy nofo aman-drà, kananaovana Azy ho ambany kely noho ny anjely64.Andriamanitra kosa dia Fanahy, noho izany tsymisy rà mikoriana ao aminy ! Hoy ny ambaran’nyBaiboly : « Ny ran’i Jesoa Zanany no manadioantsika ho afaka amin’ny ota rehetra »65.

    Amin’iza no ivavahantsika ? Amin’ny Ray saamin’ny Zanaka ? Ny fisaorana Azy noho nynanomezany ho antsika ny Zanany ho faty teoamin’ny toerantsika no ataontsika, rehefamivavaka amin’Andriamanitra Raintsika isika. NyTompo kosa no isaorantsika noho ny ranysarobidy nalatsaka teo amin’ny hazofijaliana.Fahadisoana mihitsy raha hoe misaotra

    40

    6633.. 1 Korintiana 15. Ò •• 6644.. Hebreo 2. ∞ •• 6655.. 1 Jaona 1. ¬

  • an’Andriamanitra isika noho ny rà nalatsany hoantsika !

    Mandray ny fankalazana rehetra mendrika nyRay ny Tompo Jesoa Kristy, amin’ny mahaAndriamanitra Azy. « Mba hanajan’ny olonarehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray.Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray,Izay naniraka Azy »66. Ny anjely no nanambara nyfahaterahan’i Jesoa tety an-tany ; ny anjely nonankalaza Azy67. « Ary aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eoanoloany »68. Niankohoka teo anatrehany ireomagy, fotoana fohy taty aoriana69. Voamaritsikakoa angamba ny fiverimberenan’ny fisian’ireoolona niankohoka teo anatrehan’ny Tompo Jesoa,nandritra ny asa nataony tety an-tany. Tsynolaviny ireny fiankohofan’ny olona teoanatrehany ireny ! 70 Niankohoka teo an-tongotr’iJesoa ireo vehivavy nihaona taminy teny am-pasana, taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty 71.Toy izany koa no nataon’ireo mpianatratafangona tao Galilia72, sy ny nataon’izy iraikaambinifolo lahy, taorian’ny nampakarana Azy hoany an-danitra73.

    41

    6666.. Jaona 5. ‡Ò •• 6677.. Lioka 2. µ-Ú∂ •• 6688.. Hebreo 1. Ì •• 6699.. Matio 2. ‡•• 7700.. Matio 8. ‡ ; 9. Úµ ; 14. ÒÒ ; 15. ‡ƒ ; 20. ‡† ; sns. •• 7711.. Matio 28. ∞•• 7722.. Matio 28. ÚÌ-∂¬ •• 7733.. Lioka 24. ƒ‡

  • Tsy hitantsika na aiza na aiza ao amin’nySoratra Masina kosa ny fivavahana amin’nyFanahy Masina, na ny fanaterana fiderana hoAzy. Andriamanitra ny Fanahy Masina.Mampianatra antsika anefa ny Baiboly fa hafaamin’ny an’ny Ray sy ny Zanaka ny asany. Izy nomitarika antsika ho amin’ny fahamarinana74. Izyno mitari-dalana antsika75. Ao anatintsika Izy, aryasaina mivavaka « amin’ny Fanahy » isika76.

    Mazava izany fa ny mitarika antsika hivavakano asan’ny Fanahy Masina, fa tsy ny handray nyvavaka asandratsika : « Ny Fanahy no mamonjyny fahalementsika, fa tsy fantatsika izay vavakatokony hataontsika, fa ny Fanahy no mifonaamin’ny fitarainana tsy azo tononina »77. NyFanahy Masina no mampianatra antsikahahafantatra bebe kokoa hatrany an’Andriamanitra, dia ny fahalehibeazany sy nyfamindram-pony. Ny Fanahy Masina nomampahita antsika ny hatsaràm-pon’ny TompoJesoa, ka mampianatra antsika hihevitra ny soalehibe nentin’ny asa fanavotana nataony. Hoy nynambaran’ny Tompo raha nilaza ny amin’nyFanahy Masina Izy : « Izy hankalaza Ahy, fa

    42

    7744.. Jaona 16. ÚÒ •• 7755.. Romana 8. Ú∂ ; Galatiana 5. ‡ƒ •• 7766.. Efesiana6. Úµ ; Joda ‡† •• 7777.. Romana 8. ‡Ì • 7788.. Jaona 16. Ú∂

  • 43

    7799.. Jaona 1. Úµ •• 8800.. Efesiana 2. Úµ

    handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izanyaminareo »78.

    Zava-miafina mikasika an’Andriamanitra, izaysady tsy ho takatry ny saintsika, no tsy ho azohazavaina rahateo, ny amin’ny maha Telo izayIray an’Andriamanitra. Mila mandray izanyamim-pinoana tsotra izao isika, satriafanambaràna nataon’Andriamanitra ho an’nyolombelona rehetra izany. Hoy ny nambaran’itympanompon’Andriamanitra anankiray : « mata -hotra mafy ny amin’ny teny entin’ny olombelonamilaza ny amin’ity lohahevitra iray ity aho.Ambarako kosa anefa fa ny hany fisehoanafenon’Ilay tena Andriamanitra Tokana dia nyfisehoany ao amin’ny maha Telo izay Iray Azy »(J.N. Darby).

    Ny fahatongavan’ny Zanaka tety an-tany nofara tampon’ny fanehoan’Andriamanitra nytenany, dia ny fanehoany ny maha Ray Azy. NyFanahy Masina moa no nitorotoroana an’i Jesoaraha tonga nofo tety an-tany Izy 79. Tanteraka nyfanehoany ny tenany rehefa niseho tamin’iretoendrika telo ireto Izy : Ray, Zanaka, FanahyMasina.

    Toy izany koa, afaka ny hanatona ny Ray,amin’ny alalan’ny Fanahy iray, omban’ny asa

  • fanelanelanan’ny Zanaka 80 isika, rehefamivavaka.

    Inona moa no azontsika atao ankoatra nyfiankohofana sy ny fankalazana, manoloana nyfanambaràna lehibe toy izany ?

    Sambatra aho raha samy sambatra,fa ny Tompo mahery no RaikoJesoa no indro tonga Mpamonjiko,ny Fanahy no mitsilo ny saikoNy ratsy tsy afaka handrombaka,ny tany na vonon-kisetraTsy hanova ny fo efa babo,ravoravo amin’Ilay Tsisy Fetra

    44

  • Azonao vakina koa ireto asasoratra manarakaireto, izay mamahavaha lohahevitra mifandraikaamin’izay hitanao tato :

    Ny fisehoan’Andriamanitra miandalana,G. André

    Ny voninahitry ny Ray sy ny Zanaka, H. Rossier

    Ny Zanak’Andriamanitra, J.G. Bellett

    Ny Fanahy Masina, H.L Heijkoop

    Ho hitanao eny amin’ny

    Bibliothèque chrétienneLot IV L 39 DAnosivavaka Ambohimanarina101 Antananarivo MADAGASCARe-mail [email protected]

    Tél. 22 090 00033 14 168 12

  • ANDRIAMANITRATELO

    IZAY IRAY

    Amboaram-boky 10x15ahitanao fanazavana tsotra

    avy amin’ny Baiboly

    Manambara ny Baiboly fa misy zava-miafina tsytakatry ny saintsika mikasika an’Andriamanitra.Tsy inona izany fa ny amin’ny maha Telo izay IrayAzy : Ray, Zanaka, Fanahy Masina.

    Moa endrika maromaro isehoana Persôna irayihany ve ireo : fisehoana ho Ray, ho Zanaka, ary hoFanahy Masina ? Sa, Andriamanitra telo mitam -batra ho iray ?

    Nahoana no resahina ny maha Telo izay Irayan’Andriamanitra ? Na tsy hita ao amin’nyBaiboly aza io teny io, ity bokikely ity kosa hanehoaminao andininy vitsivitsy notsongaina avy aoamin’ny Testamenta Taloha sy ny TestamentaVaovao, ka hanazava aminao izay hevitrafonosin’io teny io : Andriamanitra tokana misehoao amina Persôna telo, izay samy manana nymaha izy azy avy, kanefa mifandray tanteraka.Tsy ho takatry ny saintsika ny halalin’iofifandraisana misy eo amin’ireo Persôna telo aoamin’Andriamanitra io. Meteza kosa handray

  • amin’ny finoana ny fanam baràna ataon’ilayAndriamanitra Mpamonjy.

  • Imprimé en France par IMÉAF – 26160 La Bégude de MazencDépôt légal : 4e trimestre 2007 - N° d’impression 70734